Tourisme

News - Tourisme - Sary tahiry : Andraikiba – Antsirabe tamin’ny taona 1950
Sary tahiry : Andraikiba – Antsirabe tamin’ny taona 1950

Ito manaraka ito dia misy sary mampiseho an'i Andraikiba any Antsirabe tamin'ny taona 1950. Sary nalaina avy amin'ny pejy Facebook-ny "Ny taniko"

15/08/2020
Tohizo ny famakiana >>

Tourisme
a 5 décembre 2018

Ny Asatanana miainga amin’ny Kolontsaina sy Vakoka, fototry ny fampandrosoana iarahana

Ny fanaovana Asatanana mazàna dia heverina eny anivon’ny fiarahamonina eny, ho natokana ho an’ireo izay tsy tafita tamin’ny fianarana, izany hoe ho an’ny olona efa tsy mahita atao intsony na farahidiny amin’ny fahalalana. Misy ihany koa ireo izay mihevitra fa ny Asatanana dia natao ho an’ireo izay manana talenta manokana eo amin’ny fahaiza-manaony. Raha tombanana anefa dia mahatratra roa tapitrisa ny malagasy mpanao Asatanana matihanina na manao vadin’asa ny Asatanana. Izany hoe olona manodidina ny folo tapitrisa no mivelona mivantana na ankolaka amin’ny Asatanana : ary dia saiky ny antsasaky ny mponina rehetra eto Madagasikara izany. Eo amin’ny lafiny ara-toekarena arak’izany dia mamaritra ny 8 hatramin’ny 12 isanjaton’ny harikarem-pirenena ny seham-pamokarana Asatanana. Mety hodihin-tsy hita tokoa angamba fa miaina ao anaty tontolon’ny Asatanana isika amin’ny andavan'androm-piainantsika satria dia saiky vokatry ny Asatanana avokoa ireo manodidina antsika rehetra ireo. Tsy vitsy no mihevitra fa ny Asatanana dia manodidina ny famokarana haingo trano sy fitaovana ilaina amin’ny fiainana andavanandro fotsiny ihany, amin’ny alalan’ireo akora misy eto amintsika: zaitra, sikotra, rafitra hazo sy vato, rary, lamba tenomina tanana sy ny sisa. Tsy ireo ihany anefa no voafaritra ao anatin’ny lalam-pihariana Asatanana fa tafiditra ao ihany koa ny mpanamboatra fiara, ny mpikarakara ny kojakoja momba ny fatson-drano sy ny tambazotra fidiovana na ny plombier, ireo mpanamboatra sy mpivarotra hanimasaka, ny mpanao trano, sy ny sisa maro hafa… Ambaran’ny lalàna fa ahitana lalam-pihariana miisa roa ambinifolo ny seham-pihariana Asatanana ka saiky mahakasika ny fiainantsika andavanandro avokoa izany. Ny lalàna faha 95.004 tamin’ny 21 Jona 1995, izay navaozina sy nofenoina tamin’ny lalana faha 97.018 ny 14 aogositra 1997 no mamaritra ny fanaovana Asatanana, izay tsy mikendry afa-tsy ny fampivoarana ny seha-pamokarana momba ny Asatanana eto Madagasikara. Mpandraharaha ara-toe-karena ny “Mpanao Asatanana” ary voalaza ao amin’ny andininy voalohany amin’io lalàna io fa ny fanodinana atao tanana ho lasa vokatra ilaina andavanandro, na hanjary zava-kanto no fototr’asan’ny Mpanao Asatanana. Miavaka amin’ny mpanao taozava-baventy izy noho izany satria tsy mila vola betsaka eo amin’ny fananganana sy fampandehanana ny orinasa, ary tsy mampiasa mpiasa maro, na milina mandeha ho azy eo amin’ny fomba famokarana. Miasa sy misahana ny asa aman-draharahany amin’ny anaran’ny tenany manokana ny Mpanao Asatanana, araka ny andininy faharoa, ary misolotena azy eo anatrehan’ny fitsarana izy noho izany. Hatreto arak’izany dia ny hatsaran’ny asa vita no zava-dehibe kendren’ny lalàna, fa tsy ny hazakazaka ho amin’ny fampitobahana ny vokatra eo anivon’ny tsena. Andraikitra voalohany tokony ho raisin’ny mpanao Asatanana noho izany, ny fidirana amin’ny sehatry ny ara-dalàna; ny fanamarinana ny fahaizany Asatanana amin’ny fanaovana karatra maha-mpanao Asatanana, izay alaina eny amin’ny antenimieran’ny Asatanana na ny Ministera misahana ny Asatanana, arakaraka ny toe-javamisy. Ny antenimieran’ny Asatanana dia fikambanan’ ny mpanao Asatanana miasa amin’ny toerana iray voafaritra ka mikatsaka ny tombotsoa iraisana ho an’io fikambanana mpanao Asatanana io. Ao no hametrahan’ny mpanao Asatanana ny taratasy fangatahana ny fankatoavana ny Asatanana ataony. Misy vaomiera misahana sy mandinika izany, mialoha ny fanomezana ny taratasy manamarina ny maha-mpanao Asatanana, izay ampiarahina amin’ny tapakila misy ny laharan’ny registrin’ny ny asa ary famantarana avy any amin’ny Ministera misahana ny Asatanana. Fandraisana andraikitra faharoa, tokony hataon’ny mpanao Asatanana dia ny fanamafisana ny fahaiza-manao, izay tena ilaina tokoa noho ny fihazakazahan’ny fandrosoana ka mila matihanina amin’ny zavatra hay mba ahafahana mifaninana amin’ny hafa. Izany indrindra no hanentanana ny mpanao Asatanana hiditra anaty fikambanana mba ahazoana tombontsoa samihafa toy ny fampianarana isan-karazany. Ny antenimieran’ny Asatanana ohatra dia afaka miara-miasa amina ivo-pampianarana hampianatra ny mpikambana ao aminy, manome sara-piofanana (na bourse), ary manakarama mpampianatra matihanina hampianatra ny mpanao asa tànana. Andraikitra tokony ho raisin’ny mpanao Asatanana ihany koa ny fiarovana ny asany. Voasoratra ao amin’ny lalàna mantsy fa tokony ho hita taratra ao amin’ny Asatanana ny finiavana sy ny fahaiza-mamorona. Hitantsika amin’izao vaninandro izao anefa fa betsaka ireo mpisandoka ka mandika ny asa nifoforan’ny sasany fotsiny.

News - Tourisme - News Mada
29/11/2018

Asa tanana: misedra olana ny mpanao valiha

Olona roa ihany ny mitondra tsy tapaka ny « bambou » na ny volobe fanaovana valiha eto an-dRenivohitra. Na mbola tsy maro mpitady loatra aza ito zavamaneno malagasy ito, efa tsapan’ny ankamaroan’ny mpandrafitra valiha fa tsy maharaka ny filan-dry zareo ny tolotra avy any amin’ireo mpamatsy « bambou ». « Tsy tonga amin’ny fotoana mahamaro ny mpanjifa izy ireny, hany ka voatery mihantona maharitraritra ny famaliana ny filan’ny mpampiasa sy mpividy valiha », hoy ny mpandrafitra valiha iray. Anisan’ny olana iray mahatonga izany ny fakàna ireny “bamboo” na volobe ireny. Tany ambadiky ny 20 taona tany ho any, mbola tsy lasa lavitra ny toerana anirian’ny volobe. Ankehitriny, efa tafiditra anaty ala somary lavitry ny tanana vao mahita, raha ny fanazavan’ireo mpaka volobe. Ankoatra izay, manomboka sarotsarotra ihany koa ny mahita ireo volobe lava sy ranjanana. Somary mihena kokoa, raha oharina tany ambadiky ny 15 taona lasa, ny kalitaon’ny volobe fanaovana valiha. Nambaran’ireo mpanao asa tanana anefa fa « na izany aza ny olana mianjady amin’ny mpanao valiha, miezaka ny hitana ny hatsaran’ny valiha malagasy hatrany izahay satria anisan’ny zavakanto mampiavaka an’i Madagasikara sy ny Malagasy amin’ny hafa izy io sy ny zava-bita aminy ». Anisan’ny mampitombo tsikelikely ny fitadiavan’ny olona ny valiha kosa ny fiverenan’ny Malagasy tsikelikely amin’ny fitiavana ny kolontsainy. Raha ry zareo vahiny no mpividy valiha Malagasy, 5 taona lasa izay, manomboka mitady io zavamaneno io ihany koa ny Malagasy ankehitriny. HaRy RazafindrakotoL’article Asa tanana: misedra olana ny mpanao valiha a été récupéré chez Newsmada.

News - Tourisme - News Mada
26/11/2018

Toamasina: tonga ny sambo vaventy mpitondra mpizahatany

Tonga tsikelikely ireo mpizahatany mandeha anarivony entin’ny sambo vaventy. Nahitana karazana vahiny avy any amin’ny kaontinanta maro samy hafa izany. Herintaona aty aorian’ny fiparitahan’ny valanaretina pesta nahery vaika teto Toamasina sy teto Madagasikara, tonga tsikelikely eto Toamasina ny vahiny mpizahatany mpandeha amin’ny sambo vaventy. Nigadona eto an-toerana, ny 6 novambra teo, ny sambo Costa Victoria, nitondra mpizahatany miisa 1 800. Azo adika fa tsapan’ireo orinasa mpandefa sy mikarakara mpizahatany ho milamina tsy re intsony ny valanaretina pesta ka tonga ny 20 novambra teo koa ny andiany faharoa nentin’ny sambo Costa Victoria ihany, nitondra mpizahatany maherin’ny 2 000. Niavaka ity andiany ity satria nahitana mpizahatany avy any amin’ny firenena samy hafa, toy ny Aziatika, ny Eoropeanina, hatramin’ny Afrikanina ihany koa. Nanjifa ny taozavatra malagasy Nampiavaka ireto andiany faharoa ireto ihany koa ny tsy fandehanan’izy ireo lavitra tahaka ny mahazatra hatramin’izay fa saika variana tamin’ny fividianana sy fijerena ireo asa tanana sy ny taozavatra vita malagasy tetsy Bazaribe sady nividy voankazo isan-karazany tena mbola voajanahary tsara tsy toy ny any ivelany. Nifanandrify tamin’ny fisokafan’ny taom-piotazana letisia rahateo izany, izay tsy fahitan’izy ireo sady nankafizany ny tsiron’ity voankazo hafakely ity. Fantatra, araka ny loharanom-baovao, fa hitohy tsy ankiato amin’izay ny fahatongvan’ny vahiny mpizahantany mandeha amin’ny andiany anarivony tahaka izao. Sajo sy Njaka A.L’article Toamasina: tonga ny sambo vaventy mpitondra mpizahatany a été récupéré chez Newsmada.

News - Tourisme - News Mada
26/11/2018

BFV-SG: manohana ny asa tanana

Haranty ao amin’ny masoivohon’ny banky BFV-SG ao amin’ny araben’ny Fahaleovantena ny zava-bitan’ny vondrona mpanakanto, ny Gasy Rug, nanomboka ny 22 novambra teo hatramin’ny 30 novambra ho avy izao. Mampiavaka azy ireo ny fikirakirana ny rary avy amin’ny taretra, toy ny fanaovana tsihy na karipetra lehibe vita amin’ny tanana. Mampiasa akora fototra avy eto an-toerana ny Gasy Rug, ary namolavola ny endriny ny mpanakanto Pascale Vetois. Miara-miombon’antoka amin’ny Alliance française Toamasina ny BFV-SG amin’ny fanohanana ny Gasy Rug izao, tafiditra ao anatin’ny asa sosialy miteraka asa. Taozavatra efa natao tao amin’ny rovan’i Manjakamiadana, fony taonjato faha-20. Mifanojo amin’ny faha-20 taona nisian’ny banky BFV-SG eto Madagasikara ihany koa izao tranga izao. Fotoana manamarika ny fahavononany hanatsara hatrany ny tolotra sy ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa. Azo adika fa tafiditra ao anatin’ny fitaratry sady mampifandray ny Malagasy ity banky ity, ankehitriny. Tanjony rahateo ny fandraisana anjara mametraka ny fampandrosoana maharitra ny toekarena, ahafahan’ny tsirairay manatanteraka ny tetikasany avy. Njaka A.L’article BFV-SG: manohana ny asa tanana a été récupéré chez Newsmada.

News - Tourisme - Ao Raha
22/11/2018

VAROTRA FAMPIRANTIANA :: Mandeha ny tsenan’ny vakoka malagasy any ivelany

Manintona ireo vahiny any ivelany ny taozavatra vita Malagasy. Efa ho telo volana mahery teo ho eo izao no nanomboka ilay varotra fampirantiana na ny “ Madagascar art de la Grande île” mikasika ny kolontsaina sy ny vakoka eto Madagasikra izay atao ao amin’ny mozea an’ny Quai Branly ao an-drenivohitr’i Frantsa (Paris). Araka ny fanazavan’ny mpikarakara dia tsy mitsaha-mitombo ireo olona tonga mijery ny vokatra eny an-toerana ary tsy mandalo fotsiny ihany ny akamaroan’izy ireo fa sady mividy no manafatra ireo sanganasa miranty eny an-toerana ihany koa. Mari­hina fa na any ampitan-dranomasina aza ny hetsika no hatao dia tsy ho diso anjara amin’izany ny avy eto an-toerana satria hisy ny fandefasana izany mivantana na ilay atao hoe “visite virtuelle” izay hotanterahina etsy amin’ny IFM Analakely, ny 17 sy ny 19 desambra ho avy izao. Marihina ihany koa fa sambany indray teo amin’ny tantaran’i Madagasikara no mandray anjara amin’ny fampirantiana tahaka izao. Tanjona amin’ity hetsika fampirantiana ity ny hamerina indray ny hasina sy ny lanjan’ ny kolontsaina sy ny asa tanana vita Malagasy. Tsara ny mampahatsiahy fa hitohy hatra­min’ny voalohan’ny taona 2019 ity fampirantiana ity L’article VAROTRA FAMPIRANTIANA :: Mandeha ny tsenan’ny vakoka malagasy any ivelany est apparu en premier sur AoRaha.

Mode - Tourisme
a 20 novembre 2018

Gasy Rug : Mpanamboatra tapis vita amin’ny sisal eto Madagasikara

Ny tapis vitan'i Gasy Rug dia randrana sisal vita amin'ny tanana avokoa ary avy eo dia zairina miaraka amin'ny Raphia. Ireo randrana ireo dia lokoina sy zairina miaraka ao amin-dry zareo ihany. Ny Sisal (Agave Sisalana) dia zava-maniry avy any Mexika, izay misy eran'izao tontolo izao. Ny voly sisal voalohany dia nampidirana teto Madagasika tao aorinan'ny ady lehibe voalohany. Gasy Rug dia miasa miaraka amin'ny "SIFOR" amin'ny famatsiana ny Sisal ho azy. Ny SIFOR dia any Taolagnaro (Fort Dauphin) no misy azy any atsimon'i Madagasikara. Ny "SIFOR" dia orinasa mamokatra Sisal hatramin'ny nampidirana azy teto Madagasikara ary afaka mamokatra sy mamatsy Sisal amin'ny kalitao tena tsara indrindra izay antsoina hoe "GRADE 3L" Izy io dia vokatra azo avaozina foana. Mandritra ny androm-piainany dia mitroka "Dioxyde de carbone" betsaka izy noho ny amoahany. Izy dia "biodégradable". Ny tady synthétiques dia tsy manana an'ireo fepetra ireo. Raha ny fampiasa ny Sisal hatramin'izay toy ny tady sy ny tady kely, dia ny sisal dia natoraly zato isan-jato ary mafy tsara. Noho izany rehetra izany dia ny sisal izany dia mety tsara amin'ny fanamboarana tapis. Ny teknika ampiasaina hanamboarana tapis ao amin'i Gasy Rug dia nolovaina tany amin'ny razana teto Madagasikara, satria dia efa nahitana tapis tao amin'ny rovan'i Manjakamiadana tamin'ny fiandohan'ny taonjato fa roapolo. I Gasy Rug izany dia nanome aina vaovao ny teknika izay mitady ho lany tamingana Malagasy izay tsy misy ankoatran'ny eto Madagasikara. Ny maha tokana an'ireo tapis Gasy Rug dia vokatry ny fiarahan'izy ireo miasa miaraka amin'ny Designer Pascale Vétois sy ireo "mains de fées" Malagasy izay manamboatra an'ireo zavakanto ao amin'i Gasy Rug. Amin'ny maha vita tanana an'ireo tapis ireo dia ny vokatra tsirairay dia tokana, asiana laharana ary aterina miaraka amin'ny "certificat d'authenticité". Miaraka amin'izany dingana artistika izany, i Gasy Rug dia manao asa sosialy miaraka amin'ny famoron'asa. Ireo vehivavy miasa ao amin'ny Gasy Rug dia mianatra an'io teknika nolovaina avy any amin'ny razana io sy miaro ny an'io fahaiza manao izay an'i Malagasy io. Cet article a été tiré de Gasy Rug

News - Tourisme - News Mada
17/11/2018

10 taona ny MNP: nitombo avo roa heny ny mpitsidika ireo valanjavaboahary

Nitondra fampandrosoana ho an’ny fokonolona monina mipetraka manodidina ny valanjavaboary 43 ny tetikasa maro natao tantsoroka miaraka amin’ny Madagascar National Parks tao anatin’ny 10 taona. 10 taona ny nitondran’ny Madagascar National Park (MNP) ny anarany izay Association nationale pour la gestion des aires protégées (Angap) teo aloha. Betsaka ny ezaka natao ho fanomezan-danja ny fampahafantarana ny harena misy eto amintsika ao anatin’ny valanjavaboahary 43 tantanan’ny MNP manerana ny Nosy. Na teo aza ny olana samihafa niseho, nitombo avo roa heny ny isan’ny mpitsidika ny vala satria nahatratra 190 812 ny taona 2017 raha 135 630 ny taona 2008. Nitondra fampandrosoana ho an’ny tanàna manodidina ny fisian’ny vala ary atao ao ny asa rehetra. Niroborobo ny asa fitarihan-dalana, nivoatra nanaraka ny toetrandro. Porofon’izany ny fanitarana ny trano fandraisam-bahiny ao Andasibe sy ao Ranomafana ary fitomboan’ny isan’ny mpitari-dalana ho 100%. Vokatry ny ezaka, nahazo fankasitrahana tamin’ny fanasokajiana ho site Ramsar sy « reserve biosphère » ny vala efatra. Fiaraha-mitantana Mampiavaka ny fiasan’ny MNP ny fiaraha-mitantana miaraka amin’ny Vondron’olona ifotony monina manodidina ny valanjavaboary. Tanjona ny hampandray anjara ny fokonolona amin’ny alalan’ny komity ifotony ho an’ny vala (CLP) sy ny komity manao tantsoroka ny valanjavaboary (Cosap). Nisy ny fametrahana fotodrafitsa mitondra voka-tsoa mivantana ho an’ny vahoaka toy ny tohodrano, ny sekoly, ny fampidirana rano madio fisotro, ny fametrahana tobim-pahasalamana… Nahatratra 80 ny vita tao anatin’ny 10 taona. Ankoatra ny fotodrafitrasa, 28 000 ny tokantrano nisitraka tetikasa madinika ka novatsin’ny MNP vola ny fanatanterahana. Tao ny fiompiana, ny fanaovana asa tanana, ny voly legioma sy anana. 361 ny fokontany nahazo tombontsoa mivantana vokatry ny tetikasa fanohanana ny fampandrosoana mifototra amin’ny sosialy sy ny tontolo iainana ho fanonerana ny vola teo aloha tsy niditra tamin’ireo mponina rehefa nijoro ny vala. Vola 3 miilara Ar nanamboarana lalana Ho fampandrosoana ny fampihodinana ny vala, nanokana vola mitentina 3 miliara Ar ny MNP nanamboarana ireo lalana sy tetezana ahafahan’ny mpitsidika mandeha amin’ny vala sivy. Amin’izao fotoana izao, 1 000 ny mpiasa mampihodina ny asa fikarakarana ny vala sy ny fiarovana ny harena ao anatiny. Vonjy A.

News - Tourisme - News Mada
17/11/2018

Fizahantany: miantso ny Sinoa ny eto Mada gasikara

Miantso ny Sinoa mpizahatany ny minisitry ny Fizahantany eto amintsika, Razafintsiandraofa Jean Brunelle, hitsidika an’i Madagasikara. Vitsy loatra ny mpizahatany vahiny tonga eto an-terana, 250 000 isan-taona monja, noho ny antony maro samihafa. Rehefa nifampiresaka tamin-dry zareo Sinoa ny minisitra, vonona ry zareo ho avy aty Madagasikara, hampitombo izany isa izany avo roa heny ary hampitomboina isan-taona. Fepetra takin-dry zareo Sinoa ny mba tsy hanaovana antsojay azy ireo rehefa tonga aty Madagasikara. “Matetika, avadika zavatra hafa ny fahitana Sinoa tonga any aminareo na tsy ampitoviana amin’ny mpizahatany vahiny hafa”, raha ny feo avy any Sina.  Maro anisa izao ny Sinoa tonga aty Afrika, ny 12 % amin’ireo mpizahatany sinoa izao ny misafidy an’i Afrika, nampidi-bola 215 miliara dolara be izao, manantombo 40 % amin’ny ataon’ny Eoropeanina. Tsy mahita anjara amin’izany ny eto Madagasikara nefa manana ny mahaliana. Ankoatra ireo tany arabo, mahasarika azy ireo izao ny any Cote d’Ivoire, ny any Kenya. Tsy latsa-danja ny misy any amin’ireo firenena ireo anefa ny hita eto amintsika.   R.Mathieu

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina