Téchnologie

News - Téchnologie - Fifandraisan-davitra – Ny onjan’ny tambajotra 5G Telma dia manakorontana ny onjan’i Asecna sy ny Aviation Civile Maorisiana, hoy i Artec
Fifandraisan-davitra – Ny onjan’ny tambajotra 5G Telma dia manakorontana ny onjan’i Asecna sy ny Aviation Civile Maorisiana, hoy i Artec

Artec sy ny 5G Ny tambajotra 5G ampiasain'ny Telma dia mety handratra amin'ny fiarovana ny sidina. Farafaharatsiny, izay no soso-kevitr'ireo tompon'andraikitra ao amin'ny Artec. Araka ny fanambarana nataon’i Laurent Richard Rakotomalala, tale jeneraliny, tao amin’ny fantsom-pahitalavitra nasionaly ny alatsinainy, dia nandefa taratasy ny biraon’ny Asecna eto Madagasikara ho an'i Artec, mampahafantatra azy ny "perturbation" an'ny tambazotrany. "Nanoratra anay i Asecna mba hilaza ny fanelingelenana amin'ny fifandraisan'ireo station terriennes," hoy ny Tale Jeneralin'ny Artec. "Ny Aviation civile mauricienne ihany koa dia nifandray taminay" hoy izy nanohy. Raha vao nitatitra ireo fanelingelenana ireo dia nilaza i Artec fa nanapa-kevitra ny hanaisotra ny fanomezan-dàlana izay nomeny an'i Telma. Ary indrindra indrindra nohon'ny fanaovana ny andrana teny ankalamanjana kanefa ny fahazaon-dalana azon'i Telma dia tokony natao tao anaty trano, hoy i Laurent Richard Rakotomalala. Nilaza mihitsy aza i Artec fa nametaka tombo-kase tamin'ny fitaovana tao amin'ny orinasa izy io. Ny teknisianina iray tao amin'i Artec dia nanondro fa "ny tsy fahaizana mifehy ny lafiny ara-teknika amin'ny 5G dia mety hiteraka olana lehibe amin'ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena". Nambarany fa io no "antony nahatonga ny fanandramana tokony natao tao anaty trano". Raha nanontaniana momba ny fanapahan-kevitr'i Artec hanaisotra ny fanomezan-dàlana i Telma dia tsy namaly ity farany. Nanambaran'ity orinasam-pifandraisan-davitra ity fa nanomboka nametraka ny tambajotra 5G teto Madagasikara izy tamin’ny volana jona. "Fanandramana fotsiny io", hoy i Artec. Miaraka amin'ny tetikasa Telma, Madagasikara dia iray amin'ireo firenena Afrikanina voalohany nandray anjara tamin'ny fanandramana 5G manerantany. Ny fanelingelenana nateraky ny onjan'ny tambajotra 5G tamin'ny tamba-jotra satelita sasany dia olana efa nipoitra teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ary izay no anisan'ny ho dinihina amin'ny fihaonana manaraka ny "Uniton Iternationale de la télécommunication". Fampandrenesana maro no navoakan'ireo manam-pahaizana momba ny meteorolojia izay matahotra fa ny fivoahan'ny onjam-pandehan'ny 5G dia handoto ny fandinihan'izy ireo. Nadika tamin'ny : https://2424.mg/telecommunication-les-ondes-exploitees-par-le-reseau-5g-de-telma-perturbent-celles-de-lasecna-et-de-laviation-civile-mauricienne-selon-lartec/

05/08/2020
Tohizo ny famakiana >>

News - Téchnologie - News Mada
12/12/2018

Manomboka ny jolay 2019: tsy azo ampiasaina intsony ny finday tsy misy IMEI

Nampahatsiahy ny lalàna (nivoaka ny fiandohan’ity taona ity) hiadiana amin’ny fampidirana finday hosoka ny Artec (Autorité de régulation des technologies de communication) sy ny fadintseranana, omaly, teny Alarobia. Navoaka ny volana janoary, tamin’ity taona ity, ny didy fandraràna ny fampidirana izany eto amintsika.Manomboka amin’ny jolay 2019, ho tapahina tanteraka ny tambajotra ary tsy ho azo ampiasaina intsony ny finday tsy manana IMEI, araka ny fepetra iraisam-pirenena. « Koa manentana ny rehetra ny Artec*  hitaky amin’ireo mpandraharaha ny fahazoan-dalana  mivarotra finday, araka ny fepetra takina amin’izany », hoy ny talen’ny fankatoavana sy ny fanaraha-maso ao amin’ny Artec, Rakotomalala Laurent.Miara-miasa ny Artec sy ny fadintseranana momba ny fanaraha-maso ny fampidirana ireo finday ireo eto amintsika. Anjaran’ireo mpanafatra entana (finday sy fitaovana amin’ny fifandraisan-davitra) ny manao fangatahana any amin’ny Artec.Misy fiantraikany amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana ny finday tsy misy IMEI. Manimba ny fifaninanana amin’ny sady mampihena ny vola miditra amin’ny fanjakana.R.Mathieu IMEI (International mobil equipement identify): famantarana manokana, misoratra ao an-damosin’ny finday tsirairay, ahitana tarehimarika miisa 15. Tsindrio *#06# eo amin’ny finday, ahitana io tarehimarika miisa 15 io, hamantarana na ara-dalàna na tsia. Afaka manatona ny Artec na ireo tranombarotra mpivarotra finday hanazava bebe kokoa ny amin’izay.L’article Manomboka ny jolay 2019: tsy azo ampiasaina intsony ny finday tsy misy IMEI a été récupéré chez Newsmada.

Téchnologie
07/12/2018

Ry mpanararaotra : Azo karohina sy tratrarina ianao amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao

Ry mpanararaotra : Azo karohina sy tratrarina ianao amin'ny alalan'ny teknolojia vaovao Misy ny lalàna mipetraka hamaizana anao Raha misy eloka fametsena mikasika fivarotan-tena voatondro ao amin'ny andininy faha-dimy amin'ity lalàna ity dia sazy asa an-terivozona mandritra ny fotoana voafetra no mihatra mahakasika ny fametsena momba ny firaisana ara-nofo mba azahoana manao raharaham-barotra amin'ny zaza latsaky ny 18 taona ; mahakasika ny fametsena momba ny firaisana ara nofo atao amin'ny zaza latsaky ny 15 taona. (andalana faha efatra, Lalàna laharana faha 2014-040, mikasika fandratoana na famarinanan olombelona Ny fikasana rehetra kasaina haparitaka amin'ny alalan'ny fitaovana informatika na elektronika na ny fitanana na ny fandraiketana, na ny famokarana, na ny fakana na fampitana saray na fanehoana ankiza ka manana endrika mamoafady dia hiaran'ny sazy roa taona ka hatramin'ny dimy taona an-tranomaizina, miampy lamandy 2 000 000 Ar ka hatramin'ny 10 000 000 Ar (andalana faha efatra, lalàna laharana faha 2014-006, mikasika ny ady amin'ny heloka eo amin'ny fitaovan-tserasera). Ny fanomezan'ny olon-dehibe hevitra ny zaza tsy ampy taona na ny mitovy aminy hanatanteraka hetsika ara-nofo, ka ampiasany fitaovam-pifandraisana elektronika dia hiharan'ny sady roa taona, miampy lamandy 2 000 000 Ar ka hatramin'ny 10 000 000 Ar. Mety ho lasa dimy taona ka hatramin'ny folo taona an-tranomaizina izany raha toa ka narahina fihaonana mivantana ny tolo-kevitra. (Lalàna laharana faha 2014-006, mikasika ny ady amin'ny heloka eo amin'ny fitaovan-tserasera).

Téchnologie
06/12/2018

Mety hiseho amin’ny endrika maro tokoa ny ratsy

Mety hiseho amin'ny endrika maro tokoa ny ratsy ao amin'ny Internet. Mba hialanao amin'ireo loza mety hanjo amin'ny tambajotran'ny Internet dia : Aza zaraina ny mombamomba anao na ny mombamomba ny fianakavianao; Tandremo ireo sary na horonantsary izay zarainao, izay voazara indray mandeha monja dia afaka jerena sy hampiasain'ny olona rehetra; Aza minamana na miresaka amin'olona tsy fantatra; Aza manaiky mihaona mivantana amin'olona izay tsy fantatrao nefa mifanerasera aminao amin'ny Internet Antsoy ny 147 raha hanao fampilazana momba ireo loza ireo ianao Tsidiho ny tranonkala www.arozaza.mg na antsoy ny 147 raha mila torohevitra fanampiny ianao

Téchnologie
05/12/2018

Internet ho an’ny fivelarany sy ny fandrosoany fa tsy ho loza ho azy

Internet ho an'ny fivelarany sy ny fandrosoany fa tsy ho loza ho an'ny zaza sy ny tanora. Mba ahafahanao miaro ny zanakao dia fantaro tsara ny Internet sy ireo tambajotra samihafa ao aminy; Karohy ary fantaro ireo loza mety hanambana ny zanakao, ateraky ny Internet sy ireo tambajotra samihafa ao aminy; Mahaiza miaro ny zanakao amin'ireo loza ireo Miresaha amin'ny zanakao momba ireo loza ireo Antsoy ny 147 raha hanao fampilazana momba ireo loza ireo ianao Tsidiho ny tranonkala www.arozaza.mg na antsoy ny 147 raha mila torohevitra fanampiny ianao

News - Téchnologie - Triatra
03/12/2018

Fangalana vola amin’ny “facebook” : Voasambotra ilay mpisoloky

Manana fitarainana maro mahakasika ny resaka fisolokiana isan-karazany ny mpitandro ny filaminana. Tafiditra ao anatin’izany ny resaka fanaovana hosoka amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, izay tena niha-nahazo vahana eto amintsika. Lehilahy iray no tompon’antoka tamin’izany, izay efa naharaisana fitarainana maro sady nampikaikaika ireo mpikirakira ny “facebok “nanomboka ny volana Mai nakaty. Tafakatra 4 Tapitrisa Ariary ny vola efa azony tamin’izany, fialokalofana anaty kaontin’olona izany. Notanana am-ponja vonjimaika ity lehilahy vao 19 taona voatondro ho nisoloky tamin’ny alalan’ny “facebook” ity, rehefa tratran’ny vela-pandrika ny faran’ny herinandro lasa teo, tany Antsirabe. Voalaza ho manana fahaizana manokana momba ny fikirakirana “logiciel “ralehilahy no nahavita nisandoka ny kaontin’olona maro tany an-toerana. Tamin’ny fitoriana araka izany no nahazoana tatitra mahakasika ny fisian’ity lehilahy mpisandoka, sy maka volan’olona amin’ny alalan’ny fisandohana andraikitra ao tambajotran-tserasera ity. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny manam-pahefana mantsy dia mangataka vola amin’ireo olona tafaresaka aminy izy, izay alefa amin’ny alalan’irony “mobile money “ indray, ary mbola tsy misoratra aminy ihany koa ny “puce” ampiasainy amin’izany. Sendra ilay ranamana iray ity avokoa ny olona miisa 24 niharan’izany hosoka izany. Tonga nametraka fitoriana ity tompon’antoka tamin’ny fisolokiana nataony teny amin’ny biraon’ny polisy araka izany ireo rehetra voasoloky. Izay tra-tehaka tao amin’ny trano fonenany izy. Tamin’ny famotorana ity voasaringotra ity moa dia tsy nilaza ny fomba nanaovany izao hosoka izao izy, nandritry ny fakana am-bavany azy, ka tsy afa-bela teo anatrehan’ny fampanoavana. Valérie R. L’article Fangalana vola amin’ny “facebook” : Voasambotra ilay mpisoloky est apparu en premier sur .L’article Fangalana vola amin’ny “facebook” : Voasambotra ilay mpisoloky a été récupéré chez Triatra.

News - Téchnologie - News Mada
01/12/2018

Etech: misy ny « logiciel » manokana ho an’ny orinasa

400 ny injeniera malagasy mikirakira ny sehatry ny tetikasa nomerika mivondrona ao amin’ny  orinasa etech. Mamorona logiciel manokana arakaraka ny filan’ny orinasa malagasy sy vahiny mpanjifa ary mifandraika amin’ny zava-misy amin’ilay firenena izy ireo. 80%-n’ny orinasa mpanjifa ivelan’ i Madagasikara (Afrika Atsimo, Maorisy…) fa ny 20% kosa eto an-toerana avokoa. Tombontsoa amin’ny fanjifana ny logiciel manokana vokarin’ny etech ny fahafahan’ny manampahaizana midina eny ifotony mijery ny olana raha mitranga izany. Betsaka ny logiciel misy sy azo kirakiraina fa tsy mamaly ny filan’ny orinasa rehetra, araka ny fanazavan’ny tale iray ao amin’ny etech, Razafindramalo Tahina, omaly teny Antaninarenina. Saika manatona ny etech avokoa ny orinasa lehibe misahana sehatra misandrahaka ka mila logiciel manokana manampy azy amin’ny fitantanana (Star, Socolait…) Tanjon’ny orinasa rahateo ny fampiroboroboana ny tetikasa nomerika. Miasa eto Madagasikara, Paris ary Maraoka ny etech ao amin’ny vondrona Arke Up. Ho fanatsarana ny tolotra omen’ny etech, nampahafantatra ny fiaraha-miasa amin’ny google ny tomponandraikitra omaly. Afaka mitahiry sy mitantana ny application sy ny logiciel avy amin’ireo orinasa ny google amin’ny sarany zakan’ny tompon’ny orinasa. Nandritra ny tontolo andro ny fifampizarana momba ny google cloud. Nisy manampahaizana manokana Lionel Touati nitafa mivantana amin’ny mpandray anjara amin’ny alalan’ny vidéo conférence. Vonjy A. L’article Etech: misy ny « logiciel » manokana ho an’ny orinasa a été récupéré chez Newsmada.

News - Téchnologie - News Mada
01/12/2018

Antanimasaja – Mahajanga: BNI mandeha amin’ny herin’ny masoandro

Notokanana ao Antanimasaja, Mahajanga ny 29 jona teo, ny banky BNI voalohany mandeha avy amin’ny herin’ny masoandro. Dingana lehibe izao manambara ny fanatonan’ny BNI hatrany ny mpanjifa sy ny fandraisana andraikitra ho fiarovana ny tontolo iainana. « Heverinay hampidirina ao anatin’ny paikady momba ny fampandrosoana ny fizahana momba ny angovo ampiasaina, manaporofo ny andraikitra raisinay ho an’ny tontolo iainana », hoy ny tale jeneralin’ny BNI, i Alexandre Mey. Mifanaraka tsara ny fampiasana angovo avy amin’ny masoandro sy ny teknolojia ankehitriny, ny toekarena, ny sosialy. Nomarihin’ny ao amin’ny BNI fa hadihadiana sy tohizana izao dingana vita amin’ny fampiasana anogovo azo havaozina izao ho an’ireo masoivohony sy ny Gab (Guichets automatiques de banque) mbola haorina, ho fiarovana ny tontolo iainana sy hanajana ny taranaka ho avy.  Efa mihodina amin’izany angovo maitso izany, ohatra, ny Gab ao Maevatanàna ho an’ny mponin any an-toerana sy ireo mpandalo ao amin’io tanàna mafana, indrindra eto Madagasikara io. Ao anatin’ny tetikasan’ny BNI ny fanokafana masoivoho iray vaovao isam-bolana, nanomboka ny taona 2015. Tanjona ny hanatonana akaiky ireo karazana mpanjifa rehetra, olon-tsotra, orinasa, mpandraharaha, sns. Faharoa eto an-toerana izao ny BNI, manana masoivoho miisa 78 sy Gab 107. Nitarika ny fotoana ny tale jeneraly, i Alexandre Mey, sy ireo tompon’andraikitra maro amin’ny banky ; nanatrika izany ny lehiben’ny faritra Boeny, i Ahmad Jaffar Said sy ny ben’ny Tanànan’i Mahajanga, Ravelomahay Lahiniaina, sy ny mpiara-miasa amin’izy ireo. Mitantana ity masoivoho vaovao ity Rtoa Razafisoa Annie Claudia, manome ireo tolotra samihafa ao amin’ny BNI.   R.MathieuL’article Antanimasaja – Mahajanga: BNI mandeha amin’ny herin’ny masoandro a été récupéré chez Newsmada.

News - Téchnologie - Ao Raha
30/11/2018

FISOLOKIANA AMIN’NY TAMBAJOTRAN-TSERASERA :: Tovolahikely ilay atidoha nikotrika

Sarona ihany. Nahitam-bokany ny fikarohana lalina natao, dimy volana taorian’ny naharaisan’ny pôlisy ny fitarainana voalohany momba ity fisolokiana amin’ny alalan’ny tamba­jotran-tserasera ity. Kaonty « Facebook » an’olona maro no efa lasibatra ary olona maro no efa nahazoan’ilay mpisoloky vola be. Efa misy fomba ampiasain’ity mpisoloky hidirana amin’ny kaontin’ireo rehetra lasibatra, ka angatahany na itrosany vola amin’ireo naman’ilay tomponà kaonty. Tovolahy, vao 21 taona monja dia nahavita teti-dratsy ka saron’ny mpitandro filaminana ity. Nanaovana vela-pandrika tamin’ny alalan’ny fikarohana ny tompon’ilay laharana finday nampiasain’io mpisoloky io saingy nandamòka, na dia azo nofoanana aza ny fakany ireo vola 4 tapitrisa ariary efa azony ka nalefan’ireo lasibatra tamin’io laharana io. Tsy nionona anefa ilay mpisoloky fa dia niverina tamin’ny fomba fanaony indray. Nanakarama olona hividy laharana vaovao mihitsy izy. Olona manodidina ny roapolo no efa nametraka fitoriana, tao anatin’ny telo herinandro lasa teo. Ny laharana vaovao nampiasainy no nokarohina fatratra sy nanaovana ny vela-pandrika indray ary izao nahatrarana ilay tovolahy vao 21 taona izao. L’article FISOLOKIANA AMIN’NY TAMBAJOTRAN-TSERASERA :: Tovolahikely ilay atidoha nikotrika est apparu en premier sur AoRaha.

News - Téchnologie - Ao Raha
28/11/2018

SIANSA :: Handray anjara amin’ny fifaninanana rôbôtika any Inde i Madagasikara

Hisolo tena an’i Madagasikara any Inde amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena mikasika ny rôbôtika any Mumbaï, Inde ny tanora avy ao amin’ny fikambanana “Stem 4 good” eto Madagasikara. Amin’ny 14 hatramin’ny 16 desambra ho avy izao no hotanterahana ity fifaninanana ity. Miisa dimy ireo tanora malagasy handray anjara amin’izany. “Misy karazana “robot” roa no efa nomaninay haseho mandritra ny fifaninanana”, araka ny fanazavan’ny mpikambana iray ao anatin’ireo solontenantsika. Ankoatra ny maha fifaninana azy, maro ny mety ho tombony ho azon’i Madagasikara toy ny fahazoana fiaraha-miasa amin’ny oniversite iray any an-toerana. Anisan’izany ny mety handraisan’ny firenena anjara amin’ity fifaninanana ity amin’ny taona manaraka. Fikambanan’ny mpianatra amin’ny taranja siantifika ny “Stem 4 good”, efa nandray anjara tamin’ny fifaninana “First Global” Challenge izy ireo tamin’ny taona 2017, tany Etazonia sy ny volana aogositra lasa teo, tany Mexique. Anisan’ny nitondra avo ny anaran’i Madagasikara izy ireo satria nahazo ny medaly alimo izy ireo tany Etazonia. Mangataka fanohanana ara-bola izy ireo amin’ity fifaninanana any Inde ity hahafahany indray miaro ny voninahi-pirenena amin’ny volana desambra ho avy izao ity. “Tanjonay ny mba hahatonga anay ho lasa reharehan’i Madagasikara”, hoy hatrany ny fanazavana. L’article SIANSA :: Handray anjara amin’ny fifaninanana rôbôtika any Inde i Madagasikara est apparu en premier sur AoRaha.

Téchnologie
a 23 novembre 2018

Iza no antivirus tena tsara ?

Afaka ny mamaky fampitahana antivirus maro isika ao amin'ny Internet. Afa mahita lahatsoratra maro toy ny hoe iza no top 10 amin'ny antivirus , fa ireny fampitahana rehetra ireny dia manana zavatra hitoviana : miankina amin'ny isan'ny zavatra afaka hataony izy ireo, miankina amin'ny vidina, na amin'ny fahalazany. Marina fa ny antivirus maimaimpoana sy miaraka aamin'ny zavatra maro dia mety ho tena tsara tokoa, kanefa ahoana marina ny amin'izany ? Iza no tena mahita virus ? Iza no afaka mahita virus tena izy ary maripototra ? Izany hoe iza no tena antivirus tsara ? Ezahantsika ho valiana eto izany. Marihana ety am-panombohana fa ity lahatsorata ity dia lahatsoratra nosintonina avy any amin'ny https://www.leblogduhacker.fr/. Ny antontan'isa izay hitanareo eto dia fanandramana izay tena nataon'io site io. Izany hoe ni-télécharger virus izy dia nojereny izany virus izany amin'ny alalan'ny antivirus. Rehefa vita izay dia nanao fanandramana faharoa izy ireo ka nijery programa tsy virus ary nojereny amin'ny alalan'ny antivirus. Ary farany dia nijery zavatra omen'ny antivirus ankoatran'ny fijerevana virus ihany koa izy, toy ny site web malveillants. Fanamarihana : Mety misy hiheritreritra hoe mijery programa malveillants, kanefa dia ny antivirus dia mampiasa ny antsoina hoe "heuristiques", izany hoe fomba fanadihadihana ny fihetsiky ny antivirus. Izany dia mamela an'ireo antivirus mahafantatra programa malveillant rehefa alefa izy. Ny andrana rehetra izay natao ivelan'ity lahatsoratra ity dia mampiseho fa tsy manova ny vokatra farany izay ho hita eo ambany eo izany. Vakio tsara ary !!! Ny lisitr'ireo antivirus Ny service omen'i VirusTotal dia mamela ny hi-scanner fichiers miaraka amin'ny antivirus mihisa hatramin'ny 50 indray mandeha. Ny antivirus izay ampiasain'i VirusTotal dia mety tsy hitovy amin'ireo izay hamidy ka hampiasaina isan'andro, fa tsy ho jerentsika izany. Ireto avy ary ireoa antivirus izay hanaovana ny ny fanandramana AVG Baidu F-Secure eScan TrendMicro AhnLab-V3 BitDefender Fortinet Microsoft TrendMicro-HouseCall Antiy-AVL Bkav Ikarus NANO-Antivirus VBA32 Comodo CAT-QuickHeal Invincea nProtect VIPRE GData CMC Jiangmin Panda ViRobot ALYac ClamAV K7AntiVirus Qihoo-360 Yandex AVware CrowdStrike Falcon (ML) K7GW Rising Zillya AegisLab DrWeb Kaspersky SUPERAntiSpyware Zoner Alibaba Cyren Kingsoft Sophos Arcabit ESET-NOD32 Malwarebytes Symantec (Norton) Avast Emsisoft McAfee Tencent Avira F-Prot McAfee-GW-Edition TheHacker Ireo izay mivohitra no tena malaza. Ny fitiliana an'ireo programa malveillant Amin'ity andiany voalohany ity dia ho-scanner-na ny programa malveillant maromaro ary hijery ny vokatr'izany eo amin'ireo antivirus 15 izay malaza. Ireo programa malveillant ireo dia tena malveillant tokoa satria efa nojervan'i leblogduhacker tsirairay izy ireo. Ireo programa ireo dia tsy miankina amin'ny antivirus iray ary tsy namboarina manokana mba tsy ho hitan'ny antivirus sasany. Izany hoe, nalaina tamin'izao fotsiny ireo programa ireo fa tsy misy hoe nosafidiana manokana. Fijerevana cheval de Troie Ny fijerevana cheval de Troie (Trojan) dia an'isan'ireo programa tena mampidi-doza, satria izy ieo dia afaka ny mibaiko tanteraka solosaina iray avy any alavitra. Noho izany dia tsy maintsy haita an'io cheval de Troie io ny antivirus izay safidiana. Izao ary ny vokatra : Fanamarihana : Fanahinihana notapahana ny sary fa manjary lasa mampidina lava be ianareo. Ireto avy ary ireo antivirus 15 ary miloko mena ny antivirus tsy nahita an'ilay cheval de Troie : AVG BitDefender McAfee Comodo ESET-NOD32 Microsoft GData F-Secure Sophos Avast Kaspersky Symantec Avira Malwarebytes TrendMicro Antivirus 11 amin'ny 15 no nahita an'ilay cheval de Troie. Fitiliana keylogger Ny keylogger dia an'isan'ireo programa malveillants tena miparitaka. Tena ilaina mihitsy ny mahita azy, ary mila hita faran'izay haingana izy, satria isan'andro dia misy keylogger maro no mandalo eo amin'ny solosaina iray izay afaka maka zavatra maro ao anatin'ny solosaina izy. Izay no antony nangalako keylogger izay hita iray volana lasa izay amin'izay tsy afaka miala olana ny antivirus. Izao ary ny vokatra : Mbola hampiasaintsika ny lisitra teo aloha, ary miloko mena ny antivirus tsy nahita an'ireo keylogger ireo : AVG BitDefender McAfee Comodo ESET-NOD32 Microsoft x2 GData F-Secure Sophos Avast Kaspersky x2 Symantec x2 Avira Malwarebytes TrendMicro Fanandramana roa dia antivirus 4 amin'ny 15 sisa no afaka nahita an'ireo program malveillants. Mametraka olana tokoa ny mahita hoe tsy maninona io programa io kanefa ity farany dia mifanohitra an'izany ! Satria ny mpampiasa solosaina iray izay manana ahiahy dia mety handefa an'io programa io amin'ny fahatokisana an-jambany an'ilay antivirus izay diso hevitra. Fitiliana ny mpangalatra information(stealer) Programa iray mpangalatra information dia malware namboarina manokana hitady sy hangalatra données voafaritra tsara ao anaty solosaina. Tsy afaka ny ho tenenina hoe madio ny programa tahak'izany. Eto isika dia tonga amin'ny fanandramana ka dia programa mpangalatra information tamin'ny janvier 2015 no hanaovantsika ny test. Maro ireo antivirus nahita azy, ho hitantsika eto manraka eto izany. Ito indray ary ilay lisitra antsika teo aloha izay navaozina : AVG BitDefender McAfee Comodo ESET-NOD32 Microsoft x2 GData F-Secure Sophos Avast Kaspersky x2 Symantec x2 Avira Malwarebytes x2 TrendMicro x2 Vaovao ratsy ho an'i Malwarebytes sy TrendMicro izay tsy nahita an'io programa mpangalatra information io. Manampy an'i Symantec, Microsoft ary Kaspersky izy ireo amin'ny tsy nahitany afatsy 2 an'ireo programa malveillant 3 izay nanaovana fanandramana. Eo ankilan'izay dia ny antivirus 4 izay nahita azy dia dia ny GData, BitDefender, ESET-NOD32 ary F-Secure. Fitiliana crypter Ny crypter dia fitaovana malveillant izay afaka ny manafina (chiffrer) ireo programa malveillants izay notanisaina teo aloha, amin'izay izy ireo dia tsy ho hitan'ny antivirus. Andao ary ho jerevana ny vokatry ny fitiliana ny crypter : Indrisy fa ny antivirus 15 dia tsy nahita azy, fa ireo antivirus ambiny ihany koa dia tsy nahita an'io programa malveillant io. AVG x2 BitDefender McAfee x2 Comodo x2 ESET-NOD32 Microsoft x3 GData F-Secure Sophos x2 Avast x2 Kaspersky x3 Symantec x3 Avira x2 Malwarebytes x3 TrendMicro x3 Famintinana mikasika ny fitiliana ny programa malveillants Hitanareo soritra izany fa tsy misy antivirus afaka ny miaro 100% ny solosainao. Ny antivirus dia tsy afaka ny miaro 100% izany. Tsy afaka ny miteny mihitsy isika hoe misy antivirus iray mahita programa malveillant bebekokoa noho ny hafa, na dia hitantsiaka teo aloha aza ny mifanohitra amin'izany. Satria raha ovaina ny programa malveillant ho tiliana dia mety hiova io valiny hitantsika io. Kanefa ny valiny farany dia tsy hiova : Tsy ampy ny antivirus irery. Na dia eo aza izany dia afaka ny hitako fa isan'andro dia mitombo ny isan'ireo antivirus afaka ny mahita ny programa malveillants izay notiliana teo. Izany dia manaporofo fa haingam-piasa ny mpanamboatra antivirus ka manome mises à jour isan'andro ary mizara izany amin'ny mpanamboatra antivirus hafa. Kanefa dia minitra vitsy na ora vitsy dia ampy aho an'ny piraty iray raha tsy mahita eo noho eo ilay programa malveillant ny antivirus. Raha handray ohatra mikasika an'ilay mpangalatra information isika dia vantany vao alefa ilay programa dia efa azony ilay information izany hoe latsaka ny iray segondra izany. Raha tsy hita eo noho eo ilay izy dia efa tara loatra. Tandremo !!! Tsy midika izany fa tsy misy ilana azy ny antivirus ! Ny filazana diso fa programa madio dia malveillants Izao indray dia hijery isika raha misy antivirus mahita programa madia kanefa lazainy fa tsy izany. Izany no antsoina hoe "faux positifs". Indraindra, ny antivirus dia mihezaka ny hamitaka ny mpampiasa azy amin'ny fahitana programa faran'izay betsaka mba hampisehoany fa mahita maro izy noho ny mpifanandrina aminy. Ka indraindray dia mety ahita programa tsy malveillant izy ireo. Fitiliana programa mampiseho ny momba momba ny solosaina Misy programa iray ohatra mamaky ny momba momba ny solosaina ka mampiseho izany fotsiny toy ny anaran'ilay solosaina, ny mémoire, ny disque dur ... Rehefa natao ny fitiliana dia izao no navaliny : Marihako etoana fa i Qihoo-360 dia nahita foana izy hatramin'ny voalohany ary milaza foana izy fa "Malware.Gen" ilay virus. Mety ataon'ny "Malware.Gen" ihany koa ve ny fichier texte izay misy soratra hoe virus ??? Vazivazy izany. Fitiliana programa mamantatra ny touchen'ny clavier voatsindry Misy programa iray indray mampiseho ny touchen'ny clavier voatsindry. Mampiasa ny fomban'ny "keylogger" izy fa tsy manao zavatra malveillant : tsy miafina io programa io, tsy mandeha rehefa velona ny solosaina, tsy mandefa n'inon'inona amin'ny réseau izay, tsy mi-sauvegarde n'inon'inona izay, ary diso aza indraindray ny apoitrany rehefa manindry touches. Andao ary ho jerena hoe iza no diso : Hitantsika eto fa i Avira sy ESET-NOD32 sy maro hafa dia mamoaka fampitandremana amin'ny tsy antony. Tsy miresaka intsony an'i Qihoo izaho izay mampiseho an'ilay fampitandramana "Malware.Gen". Fitiliana site web malveillants Ny ankamaroan'ny antivirus dia manana fonctionnalités afaka miaro amin'ny site web malveillants ary tsy mamela ny fidirana amin'ireny site ireny. Hijery an'i PhishTank.com site iray ahafahana ny mijerny ny site de phishing. Avy eo isika dia haka site de physing an'i Paypal izay tsy azo atao akory hoe site physing ary. Ny vokatr'ilay scan dia : Tsy nisy nahita ireo antivirus. Marihana anefa fa ny antivirus dia mitady an'ireo site ireo isan'andro, fa mety ho herinandro maro vao ahita an'ireo site ireo ny antivirus. Izany dia mety hamitaka olona maro. 2 andro taty aoriana dia izao no valin'ny fitiliana : Valo no nahita an'ilay site kanefa dia vitsy dia vitsy izany. Famintinana ny fitiliana ny programa sy ny site web madio Ny antivirus dia sahirana amin'ny fisafidianana ny fomba fitiliana programa amin'ny hoe jerena amin'ny ankapobehany ve ny programa ka mety ahita programa madio ka ho lazaina hoe virus izany, sy ny hijerena ny programa amin'ny antsipirihany ka mety tsy ahita sasantsasany. Eo ankilan'izay ny sites malveillants dia sarotra tiliana, indrindra indrindra fa misy nom de domaines maro voaforina ao anatin'ny iray andro. Ny antivirus zany dia tsy misy ilana azy ? Raha hita ireo vokatra teo aloha ireo dia marina tokoa ilay fanontaniana. Fa mila marihana anefa fa misy tranga izay ahitan'ny antivirus ny programa na site iray malveillant kanefa isika dia tsy mahafantatra an'izany. Raha fintinina izay rehetra noresahana teo izay dia : Tsy ampy ny antivirus ahafantarana ny virus rehetra ; Ny antivirus dia mety hiteny ny programa madio iray ho virus ; Ny antivirus dia afaka ny mahita ary mamafa programa malveillant iray. Noho izany dia tsy afaka ny miteny isika hoe ny antivirus izany dia tsy ilaina satria manampy antsika izy amin'ny fijerevana virus satria isika indraindray dia tsy malina tsara ny amin'ireny programa télécharger-na ireny na ny site izay hidirana ireny. Iza ary no antivirus tena tsara ? Mila manamarika zavatra aloha isika alohan'izany. Voalohany izay misongadina dia ny antivirus dia tsy manao ny asa rehetra eo amin'ny toerantsika. Hitantsika teo fa ny antivirus ao amin'ireo 15 izay malaza dia mahita virus betsaka mihoatra ny sasany. Fa rehefa nanao fanandramana maro ny leblogduhacker dia mitovitovy ihany izy rehetra ireo raha mitly virus aloha no resahina (ankoatran'ny antivirus izay mahita foana). Kanefa mila manao fanandramana lehibe kokoa isika vao afaka mahazo tarehimarika voafaritra tsara ny amin'ny fahitana virus. Andao ary ho valiana amin'izay ilay hoe iza ary no antivirus tena tsara. Amin'ny teny tokana : Izay manampy anao !!! Ankoatran'ny maha antivirus azy dia ny antivirus dia manome fonctionnalité maro samy hafa mba ahafahany miavaka amin'ireo mpifandrina aminy. Fa ho an'ny mpampiasa antivirus dia ilaina fantatra aloha inona no tadiavin'ity farany. Dia avy eo mijery izay omen'ireo antivirus ireo. Ary mifidy an'ilay antivirus amin'izay mba hifanaraka amin'ny zavatra andrasana. Ireto misy torohevitra amin'ny fomba fifidianana antivirus : Sauvegarde sécurié ary mandeha ho azy. Izy ito dia tena ilaina tokoa mba hiarovana amin'ny olana maro toy ny "ransomwares" ; Ny isan'ireo fitaovana afa arovany amin'ny licence iray mba hividianana licence farak'izay vitsy kanefa afaka miaro fitaovana maro (solosaina, finday) ; Ny "environnement d'exécution sécurisés". Izy io dia afaka mamela anao handefa an'ilay programa tsy misy hatahorana ao anaty environnement virtuel iray izay noforonina manokana ho an'io programa ka rehefa vita ny fampiasana an'ilay programa dia voafafa daholo izay noforinina niraka tamin'io environnement virtuel. Amin'izay ianao afaka manandrana hoe azo antoka ve ny programa iray sa tsia alohan'ny hitenenana azy amin'ny antivirus hoe programa malveillants io sa tsia. Ny contrôle parentales na ny fitahirizana mot de passe. Ankoatran'ny programa malveillant dia maro koa ny piratage izay mijery ny fomba fihetsiky  ny olona ka mampiasa izany. Izy io ary no tena mandaitra indrindra. Ireo piraty dia : Milalao ny fihetsempoanao : tandremo fa misy virus ny solosainanao !. Izany no ampiasainy dia mi-cliquer an'ilay lien ianao dia tafiditra ny virus. Misaoloky : soloky eny amin'ny site de rencontre, sns... Mamitaka : mangalatra ny page Facebook, sns... Sy ny maro samy hafa. Ny antivirus dia tsy ahita an'ireo notanisaina ireo. Fa ny mpampiasa solosaina tsirairay dia afaka ny mahita an'ireo raha malina tsara ary raha manara-baovao. Ny antivirus tena tsara : IANAO miaraka amin'ny fitaovana fiarovana.   Cet article a été tiré de https://www.leblogduhacker.fr/quel-est-vraiment-le-meilleur-antivirus/

Téchnologie
22/11/2018

EFF, Human Rights Watch ary ny société civile dia mangataka an’i Mark Zuckerberg

Ny EFF (Electronic Frontier Foundation), ny Human Rights Watch ary 70 amin'ireo vondron'ny société civile dia mangataka an'i Mark Zuckerberg ny hanomezany an'ireo mpampiasa ny Facebook ny hanomezany ny fomba fanovana ny sivana. San Francisco—Ny Electronic Frontier Foundation (EFF) ary ny mpikambana 70 ao amin'ny Human and Digital Rights Groups dia miantso an'i Mark Zuckerberg ny 13 novambra lasa teo mba hanisy fangaraharana tanteraka sy andraisany andraikitra tanteraka amin'ny fomba famafana an'ireo hevitra ao amin'ny Facebook. Izy ireo dia mangataka indrindra indrindra ny mba hanazavan'i Facebook mazava tsara firy no hevitra fafan'ity farany, na ara-drariny izany na tsia, ary manome an'ireo mpampiasa an'i Facebook fotoana sy rariny ny amin'ny fomba ahafahana manala an'ilay sivana ary mamerina an'ireo hevitra izay nambaran'ireo mpampiasa an'i Facebook. Raha mbola be dia be ny faneriterena an'i Facebook ny hamafa an'ireo izay zavatra izay tena mampidi-doza ka tsy misy fangaraharana, fahamarinana ary dingana (processus) mba hamantarana sy hanitsina an'ireo fahadisoana, ny politikan'ny Facebook ao amin'ny takelaka Facebook dia matetika mampihemotra ary mampangina ny vahoaka izay tokony hanana ny feony eo amin'ny Facebook. Ny politisiana, ny tranombakoka, ny olo-malaza, ary ny vondrona mavitrika hafa ary ny mpampiasa ny Facebook tsirairay izay nesorina ny heviny dia mety hahasarika ny fiheveran'ny media fa toa tsy dia misy olana loatra. Saingy ny mpampiasa ny salanisa? Tsy dia be loatra. I Facebook dia mamela an'ireo mpampiasa azy ny hangataka ny hanalana an'ilay sivana amin'ny heviny kanefa vitsy ihany no aza atao an'izany. Fa matetika dia ny mpampiasa ny Facebook dia tsy afaka ny mangataka izany. Ny onlinecensorship.org, tetikasa mahomby iray an'i EFF izay manangona ny fitarainana an'ireo mpanjifa izay voasivana, dia nahazo ny tatitra momba ireo tranga sivana an-jatony izay tsy fantatra ny antony kanefa tsy afaka ny mangataka akory ny hamerenana ny heviny ao amin'i Facebook. Ho an'ny ankamaroan'ny mpampiasa an'i Facebook dia an-kavitsiana ny hevitra afa naverina ary maro amin'ireo olona ireo aza dia tsy avela intsony hampiasa an'i Facebook noho ny antony izay tsy fantatra. Ny Article 19 an'i EFF, ny ivotoerana ho an'ny Demaokrasia sy ny Teknolojia, ary ny Ranking Digital Rights dia nanoratra mivantana tamin'i Mark Zuckerberg ny 13 novambra teo, izay mitaky an'i Facebook ny fampiharana fitsika ka ny mpampiasa ny Facebook dia afaka ny mangataka ny hanovana ny fanivanana ny heviny ary mahazo valiny sy fijerevan'ny olona iray na maromaro ny momba an'ilay fangatahana ary ilay oloana izay niaran'ny sivana ka nangataka ny hamerenana ny heviny izany dia afaka ny mampiseho porofo mandritra ny fotoanan'ny fijerevan'i Facebook an'ilay fangatahana. Io fangatahana izay nataon'ny EFF sy ny ivotoerana ho an'ny Demaokrasia sy ny Teknolojia ary ny Ranking Digital Rights dia niaraka nosoniavin'ny vondron'ny zon'olombelona, ny zon'ny dizitaly ary vondrona sivily mitaky ny fahafahana mihoatra ny 70 avy any Afrika Atsimo, Eorôpa, Moyen Orient, Asia, Afrika ary Etazonia. "Tsy tokony ho olomalaza ianao na hanoratra lohatenin-gazety izay vao ho valian'i Facebook amin'ny didin-tsivana izay diso, kanefa izay mihitsy izao no mitranga" izay no nambaran'i Talen'i EFF tamin'ny "International Freedom of Expression Jillian York". "I Mark Zuckerberg dia namorona orinasa izay voalohany amin'ny fifandraisana. Manana adidy amin'ny mpampiasa ny Facebook rehetra izy, fa tsy amin'ny olona izay afaka ny mitabataba be sy mety hanaratsy ny endriky ny orinasany." Fanampin'izany dingana amin'ny fangatahana ny hamerenana ny hevitra izay voasivana tao amin'ny Facebook izany, ny EFF sy ireo mpiara-dia aminy dia mangataka an'i Andriamatoa Zuckerberg ny hamoaka ny tatitra amin'ny fangaraharana amin'ny fitsipiky ny kaomity izay misy ny karazan'ireo hevitra izay mety ho voasivana, ny données an'ireo fanivanana izay natao ary ny isan'ireo fanampahan-kevitra izay nangataham-panovana ary hita fa diso. Ato amin'ity site ity no misy ny dikan'ilay taratasy nalefa tany amin'i Mark Zuckerberg : https://santaclaraprinciples.org/open-letter/ Raha mia fanazavana fanampiny mikasika ny momba momba ny fanivanana dia afaka mijery an'ireto : https://www.eff.org/deeplinks/2018/09/platform-censorship-lessons-copyright-wars https://www.eff.org/deeplinks/2018/04/smarter-privacy-rules-what-look-what-avoid Cet article a été récupéré sur le site de l'EFF dont voici le lien.

Téchnologie
a 21 novembre 2018

Safidy amin’ny « workstation » sy ny PC

Ny mampiavaka ny PC sy ny workstation dia tsy mazava loatra ao amin'ny sain'ny mpampiasa azy, indraindray ary moa ny DSI no tsy mahita ny maha samy hafa azy. Vitsy ireo mahalala sy mahazo mazava tsara ny tena maha samy hafa azy ireo. Tsy dia tena mahagaga satria raha eo amin'ny taratasy dia mitovitovy ny paozin'izy roa ary mampiasa singa (composants) tena mifanakaiky tosy ny : processeur, mémoire RAM, carte graphique, disques durs iray na maromaro. Kanefa dia misy halavirana be amin'ny vidin'izy roa satria na dia mitovitovy ary izy ireo dia ireo fitaovana informatique ireo dia manana tanjona maro samy hafa ary mpanjifa sy fampiasana samy hafa. Ny workstation dia miava amin'ny PC amin'ny lafiny maro izay afaka hatambatra amin'ny fizarana fito. Ny workstation dia tena azo antoka tsara Natokana ho an'ny fampiasana matihanina ny workstation satria izy dia mampiasa singa tena tsara, azo antoka kokoa ary tena tsara kalitao. Ny asa izay ataony dia mitaky ny fiasàny amin'ny heriny rehetra ary indraindray 24H/24, 7j/7. Noho izany ny nanamboarana ny workstation dia manakaiky kokoa ny fanamboarana serveurs noho ny PC, satria fantatra tsara fa ny singa mora simba ao anatin'ny solosaina dia ny disque dur, ny alimentation ary ny mémoire. Ka izany no mahatonga ny workstation ny mampiasa controleurs RAID mba ahazoana miditra amin'ny données haingana kokoa ary mba tsy ho very ny données. Ohatra ny Dell Precision 7910 dia manana contrôleur RAID 12Gb/s vaovao, izay mampitombo indroa ny famakiana sy fanoratana ao anatin'ny disque dur ary manome fiarovana bebekokoa amin'ny fahafatesan'ny disuqe dur (Raid 1/6/10). Ny alimentation an'ny workstation dia namboarina ho faran'izay ngeza ary miankina amin'ny singa amin'ny kalitao ambony izy manome efficacité énergétique farany avo ary azo soloina moramora kokoa ary tsy mila fitaovana. Toy izany koa, ny mémoire ampiasain'i workstation dia mémoire ECC (Error Correction Code) mba ahafahana mijery sy milaza ny olona izay mety mitranga ao amin'ny mémoire nefa izany dia tsy manapaka ny asan'ny mpampiasa azy ary mampikatso ny solosaina. Les alimentations des stations Dell sont largement dimensionnées, basées sur des composants de haute qualité offrant une efficacité énergétique maximale (supérieure à 90%) et se remplacent en un seul geste sans le moindre outil. Raha jerena ohatra ny workstation Dell Prcision 5810, 7810 ary 7910 , izy ireo dia mampiasa ny teknolojia RMT (Reliable Memory Technology) izay mampiasa ny zavatra atolotrin'ny mémoires ECC mba hataony mody manjavona ny erreurs mémoires. Ny RMT dia manokana ny mémoires simba ary manafina izany amin'ny système d'exploitation. Conçues pour la productivité Ao amin'ny orinasa rehetra dia misy olona manana toerana manokana. Injeniera, graphistes, designers, statistisiana, dokotera, animateurs 3D dia mpiasa manana karama ambony izay ilaina ny mitazona azy hamokatra foana. Noho izany dia mila omena tontolon'ny asa izay ahafahany mamokatra foana farany izay ela. Ny minitra rehetra dia tsy maintsy hamokaran'ireo mpiasa ireo ka tsy tokony ho very amin'ny fiandrasana amin'ny famelomana machine na amin'ny fiandrasana ny kajikajy ataon'ny solosaina izay ela loatra satria manao simulation 3D izy ohatra, na amin'ny ny tsy fiasana noho ny fahafatesan'ny solosaina. Raha tratra izany dia manana tontolon'ny asa tena tsara indrindra sy mba hanamarinana ny karaman'ireo mpiasa ireo. Ho an'izy ireo mantsy dia ny solosaina no tena fitaovana fiasany. Ny vidin'ny tsy fiasan'ireo olona ireo noho ny fahafatesan'ny solosaina na ny faharetan'ny kajikajy ataon'ny solosaina dia lafo loatra noho ny elan'elan'ny vidin'ny PC sy ny workstation. Ny tombombarotry ny workstation mantsy dia tsy azo refesina amin'ny vidiny izay lafo noho ny PC fa amin'ny secondra na minitra na ora tsy fiasan'ilay olona tokony hiasa. Tanjaka azo ho entina farany ambony Ny workstation dia tena faran'izay matanjaka tokoa. Ny applications de simulation, ny modélisation sy rendu 3D, ny kajy statistika sy ara-bola dia mila mémoire betsaka sy mila tanjaka amin'ny fanaovana kajy miara mandeha. Izay ny antony ampiasain'i workstation mampiasa processeur Intel Xeon tahaka ny serveurs ary indraindray aza mety misy processuers roa mihits (système bi-socket). Ny Dell Precision 7910 ohatra dia afaka ny mandray processuer anankiroa Xeon E5-2600 v3 ary manana hatramin'ny coeurs 18. Izany hoe ny workstation tsirairay izany dia afaka ny mitondra hatramin'ny coeurs 36 ankoatran'ireo izay omen'ny accélérateurs graphiques. Vokatry ny fampiasana ny RAM DDR4, ny mémoire an'ireo workstation ireo dia afaka ny ho tonga ho 1 To izay omena an'ireo applications tena mila mémoire. Ireo workstation ireo ihany koa dia namboarina mba afaka ny manafaingana ny fanoratana sy ny famakiana données ao amin'ny disaue dur. Afaka ny asiana disque SSD ihany koa izy ireo izay haingana fiasa (hatramin'ny 180% ny hafainganany) kokoa noho ny SATA. Izy io dia tena manafaingana ny famelomana ny solosaina sy manampy bebekokoa ho an'ireo application izay mampiasa betsaka ny disque dur. Farany, ny fisian'ny teknolojia tahaka ny Intel CAS-W dia mamela ankehitriny ny mahatratra miaraka amin'ny disque dur mahazatra hafainganana manakaiky ny SSD. Izany ohatra dia manafaingana in-3.6 mihoatra ny taux d'image eo amin'ny Adobe After Effects 2015 ary tombony 70% amboniny amin'ny Autocad 2015. Tanjaka graphiques tsy manam-paharoa Ny workstation dia antsoina ihany koa hoe stations graphiques. Izany dia vokatra ny fananny cartes graphiques professionnelles namboarina manokana ho an'ny précision au pixel près an'ny zavatra asehoany. Nefa ny PC dia mampiasa cartes graphiques izay namboarina manokana ho an'ny fisosan'ny jeux tsara kokoa ka tsy miraharaha firy ny ankoatran'izay (ohatra ny approximation an'ireo sary ireo). Ny GPU dia manana toerana avo ao amin'ny kajikahy matihanina izay omena ataon'ny workstation (simulation, rendering en ray-tracing, imagerie médicale, traitements vidéo en temps réel, sns...). Ny workstation dia ampiasaina amin'ny "rendu d'images virtuelles" izay tena ohatran'ny tena izy mihitsy, na amin'ny kajy siantifika satria ny GPU an'ireo carte graphique ireo dia misy an-jatony na indraindray aza an'arivony mihity coeurs voatokana amin'ny kajy mira mandeha. Ireo cartes graphiques natokana ho an'ny workstation toy ny Quadro an'i NVidia sy ny FirePro an'i AMD dia afaka mitondra écran miisa hatramin'ny 32 indray mandeha ary afaka mampiasa tsara ny tanjaky ny écran UHD 4K. Izy ireo ihany koa dia misy ny teknolojia ahafahana mitantana rindrina écran na mampifanaraka sary amin'ny videoprojecteurs maro dia maro. Ny maintenance sy ny fitantanana notsorina Ny fahatokisana dia zavatra tena lehibe mba ahafahan'ny workstation mamokatra tsara. Saingy izy io dia lafiny iray fotsiny ihany amin'ny "disponibilité". Ny lafiny iray dia ny fahatsoran'ny maintenance an'ireo singa ao anatin'ilay workstation, satria ny fahafatesany dia mety hisy. I Dell dia nanamboatra an'ireo boîtiers Precision-ny mba ho haingana ny fanoloana izay atao aminay. Ny disque dur dia afaka azo ety anoloana. Ny alimentation dia mipetraka ao anatin'ny vata kely azo esorina. Ireo singa ireo dia afaka soloina amin'ny hetsika faran'izay tsotra ary tsy mila fitaovana akory aza ary amin'ny fotoana faran'izay fohy. Ny nanamboarana ny boîtier ao anatiny koa dia ahafahana mahazo haingana ny singa toy ny mémoires, cartes grahiques, sns mba ahatsotra ny mainteance sy ny fanavaozana an'ireo singa ireo. Miaraka amin'izay dia tsy maintsy manana fonctionnalités ireo mpiandraikitra an'ireo workstation ireo mba ahafahany mitantana tsara an'ireo solosaina ireo ary ahafahany manao maintenance en condition opérationnelle permanente. Ny processeur Intel dia manana an'ilay antsoina hoe vPro izay ahafahana manova ny BIOS tsy eo amin'ilay solosaina sy ny manao mise à jour an'ireo logicielles ao amin'ilay solosaina na dia maty aza ity farany. Raha ny an'i Dell indra dia misy ny antsoina hoe Dell Client Command Suite izay ahafahana mi-administrer an'ireo workstation ary mi-déployer azy miaraka amin'ny scripts mandeha ho azy ary mampifandray azy ireo ao anatin'ny fitaovana toy ny Microsoft System Center izay afaka mi-administrer workstation maro amin'ny toerana iray. Fanovana tena tsotra sy haingana Ny wokstation dia namboarina ho an'ny famokarana farany haingana. Izy ireo dia manana architecture tena hafa, noheritreretina manokana ho an'ny asa izay omena azy. Ny workstation, tsy toy ny PC, dia afaka configurer-na ilay architecture-ny mba ho tsara tsara kokoa ny fiasany ho amin'ny asa iray, satria ny application matihanina tsirairay dia manana ny maha izy azy toy ny zavatra farany ambany ilainy na ny configurations tena tsara ilainy. Ny Dell dia manana ilay fitaovana hoe "Dell Precision Optimizer" izay manitsy ho azy ny paramètres ao amin'ny BIOS mba ho tena tsara ny fiasan'ny application izay tena ampiasaina ; ohatra ny fanitsina ny Hyper-Threading, ny isan'ny CPU miasa, ny paramètres ho an'ny alimentation, sns ... Ilay logiciel dia misy ny paramètres izay noforonin'ny experts Dell ho an'ireo application certifiés-n'ireo farany. Ilay fitaovana ihany koa dia manome informations eo noho eo sy tatitra amin'ny fampiasana ny processeurs, ny RAM, ny GPU sy ny stockage mba ahafahana mahita haingana ny fanatsarana materialy izay mety hatao mba ahafahana mahazo performance bebe kokoa. Ny workstation dia tsy PC. Izy ireo dia mamaly ny filàna amin'ny famokarana tena tsara an'ireo mpiasa ka manala ny fotoana tsy fiasana amin'ny fanafainganana ny singa tsirairay ao amin'ilay solosaina sy amin'ny fanenana ny mety ahafaty ny solosaina ary ny fanatsorana ny maintenance an'ireo solosaina ireo.

News - Téchnologie
20/11/2018

20 tapitrisa euros no hampiasain’ny fisc frantsay hijerena ny tambazotra sosialin’ireo mpandoa hetra

Ny fisc frantsay dia handany 20 tapitrisa euros ao anatin'ny rindrakajy (logiciel) hanadihady sy hanvaka ireo données izay avelan'ny mpandoa hetra ao amin'ny tambazotra sosialy. Ny tanjona dia mba ahafahana mijery ny fomba fiainan'ireo mpanao hosoka izay mipoitra eo amin'ny Facebook na Twitter ary mampitovy ny filazan-ketran'izy ireo. Hampitandremana izany ireo mpandoa hetra izay miseho eny amin'ireny tambazotra sosialy ireny mitondra Ferrari kanefa izy dia tsy an'asa. Ny antony ? Araka ny volazan'i Gerald Darmanin, ny fisc frantsay dia hijery amin'ny antsipirihany manomboka ny taona 2019 ny tambazotra sosialy miaraka amin'ireo rindrakajy (logiciels) matanjaka afaka manadihady sy manavaka données an'alavitrisany izay ao amin'ny Twitter, Facebook, Linkedin na Instagram. Cet investissement informatique massif de 20 millions d'euros, selon Le Parisien, s'appuie sur du logiciel utilisant des technologies de data mining ("fouille de données"). Ces traitements massifs et automatisés sont capables de compiler rapidement des milliards de données et d'en trier les résultats pour les présenter de manière exploitable. Grâce à ces algorithmes, le fisc prévoit d'identifier et de recouper les photos (celles sur les éléments du patrimoine), les éléments de géolocalisation (pour les expatriés fiscaux) ou informations sur le profil public affichées par les contribuables sur Internet. Io fandaniana informatika goavana io, araka ny voalazan'ny "Le Parisien" dia miankina amin'ny rindrakajy (logiciel) mampiasa ny teknolojia ana data mining (mikaroka données). Ireo kajikajy lehibe sy mandeha ho azy ireo dia afaka ny mikirakira farak'izay haingana données an'alavitrisany ary mamoaka ny vokatra izay tiana aseho ary azo vakian'ny be sy ny maro. Rehefa hampiasaina io rindrakajy (logiciel) io dia miheritreritra ny fisc ny hanavaka sy hampitambatra ny sary (ireo fanana izany), ny toerana izay misy azy (ho an'ny tsy any Frantsa izany) na ny mombamomba an'ilay olona azo jeren'ny olona rehetra izay mipoitra ao amin'ireny tambazotra sosialy ireny. Rindrakajy mba hanambarana an'ireo données azon'ny olona rehetra jerena Ny fanambin'ireo mpiasan'ny hetra frantsay dia ny hangalana ny mombamomba an'ilay mpandoa hetra (ny fomba fiainany sy ny manodidina azy), indrindra indrindra raha manana fiainana mivoitra izay eo amin'ireny tambazotra sosialy ireny, hoy ny tale jeneralin'ny "Finances publiques" izay mitantana ny fiscalité an'ny fanjakana. Hoy ny solontenan'ny Bercy tao amin'ny "Le Parisien" hoe : "Izay dia eo an-dalam-piresahana amin'ny CNIL (Commission Nationale de l'Informatique et des Libertés de la Listes) an'ireo singa izay azo jeren'ilay rindrakajy (logiciel)". Ireo singa ireo dia afaka ampitoviana amin'ny fombam-piainan'ilay mpandoa hetra tena izy amin'izay nolazainy tao amin'ny filazan-ketra. Rahoviana ny CNIL no hijery ny fitaovana informatikan'ny fisc Ho an'i Bercy, ny fampiasana fitaovana informatika ary fomba izay atokana ny fitadiavana hosoka dia tsy vaovao. Ny fitaovany izay ampiasainy dia efa betsaka tokoa. Herintaona lasa izay dia nisy didim-panjakana nivoaka tao amin'ny JO ny 14 novambra 2017 izay nanome alalana an'ireo mpiasan'ny fisc ny hampiasa ny fitaovana hiadiana amin'ny osoka antsoina hoe "ciblage de la fraude et valorisation des requêtes". Io rindrakajy (logiciel) io dia mampiasa kajikajy tena matanjaka ka mamantatra ny "probabilité de fraude" an'ireo mpandoa hetra amin'ny fanenjehanan ny tsy fitoviana ao amin'ny filazan-ketra. Manambatra ny fichiers ampolony ao amin'ny fisc sy any ivelany toy ny avy amin'ny andrimpanjakana hafa. Rehefa nanontaniana ny CNIL tamin'ny taona lasa dia nanaiky izy ireo mikasika an'io fijerevana ny tambazotra sosialy io saingy hoy izy hoe io fitaovana informatika io dia tokony hijanona "fitaovana hanampiana sy hitari-dalana ny mpiasan'ny fisc fa kosa tsy tokony ho fitaovana hanaovana vinavina (profilage) sy hamantatra hoe iza no mety hanao hosoka". Cet article a été tiré de BFMTV

News - Téchnologie
19/11/2018

Tezitra tamin’ny Tim Cook i Mark Zuckerberg ka mandidy ny mpiasan’ny facebook hampiasa Android

Voatsindrona tamin'ilay fanamarihana nataon'i Apple i Mark Zuckerber ka dia nandidy ny mpiansany hampiasa finday Android ary tsy hampiasa ny iPhones-ny. Tsy tian'i Mark Zuckerberg ilay tsindrona kely nataon'i Tim Cook ny momba azy tamin'ny Mars farany teo. Nanontaniana izy momba an'ilay disadisa mikasika ny Cambridge Analytica, ka ny talen'ny Apple dia nanambara : "Izahay tsy manao trafika ny fiainanareo manokana. Ny fianana manokana ho anay dia zon'olombelona, fahalalahana sivily". Ny iPhone dia voararan'i Mark Zuckerberg ao amin'ny Facebook Ny kihana izay natao ho an'i Facebook dia tsy nisarona akory, ary i Mark Zuckerberg, araka ny voalazan'i New York Times, dia naneo hevitra avy hatrany ny amin'ny tsy hampiasain'ny ekipan'ny fitantanana ny hampiasa ny iPhones fa hampiasa ny finday mampiasa Android. Mba hanamarihany ny fanam-pahankeviny, ilay miliaridera dia nanindrona ihany koa avy eo hoe ny Android dia be mpampiasa lavitra noho ny iOS. Volana maromaro, ny mpitantana an'ireo orinasa roa ireo dia mifamely foana amin'ny alalan'ny haino aman-jery maro ny amin'ny fitantanana ny données amin'ny fianana manokana. Mbola ho ela vao hilamina ny raharaha. Nalaina tany amin'i 9to5Mac

Téchnologie
19/11/2018

Manana olana goavana i iCloud tao aorinan’ny mise à jour ny windows 10 tamin’ny Okobra

Ilay mise à jour tamin'ny oktobra farany teo izay nomen'i Windows 10, ary mbola naverin'i Microsoft andro vitsivitsy tao aorinan'ny nahitana bug izay mamafa fichier maromaro, dia mametraka olana ho an'ny mpampiasa iCloud. Rehefa mise à jour ny système windows amin'ny version 1809, iCloud dia mety tsy hanao synchronisation intsony na ihany koa mety tsy mety hanao mise à jour an'ireo sary izay zaraina ao. Windows 10 dia mampiseho ihany koa erreur raha hanao installation an'ilay version faran'i iCloud ho an'ny Windows (version 7.7.0.27). Ilay fampitandremana dia miteny hoe ny logiciel an'i Apple dia tsy compatible ka dia tsy mitohy intsony ny installation. Miara miasa ankehitriny i Microsoft sy Apple ny amin'ny famahana an'io olana io. I Apple dia hanome version an'i iCloud afaka ampiasaina eo ambonin'i Windows (version 1809) ato ho ato. Eo am-piandrasana an'izany, Microsoft dia manapaka tsotra izao ny fizarana ny mise à jour tamin'ny oktobra ho an'ireo fitaovana izay efa mampiasa ny iCloud 7.7.0.27.

Téchnologie
18/11/2018

Afaka manana laharana 5 ao anatin’ny finday iray miaraka amin’ny Verizon My Numbers

Ny "Dual SIM" dia namela ny finday iray hanana laharana 2. Verizon (opérateur amerikanina) miaraka amin'i My Numbers dia nanapa-kevitra ny hihoatra an'izany. Miaraka amin'i "Dual SIM", dia afaka manana laharana 2 ny finday iray. Izany dia manatsotra ny fiainana satria dia tsy voatery hitondra finday 2 ny olona iray nefa afaka antsoina amin'ireo laharana 2 ireo. Ny indro kely dia tsy maintsy manana finday mahazaka SIM 2. Verizon My Numbers dia mamela ny hanana laharana an-tarobia 5 ao anaty finday iray I Verizon dia te hanova izany ka dia nanambara izy fa hamoaka ny "My Numbers". Miaraka amin'i "My Numbers", ny olona iray manana finday iray dia mety afaka manana laharana an-tarobia 5 ary dia afaka antsoina amin'ireo laharana tsirairay ireo. Araka ny nambaran'i Keena Grisby, talem-barotra ny vokatra ao amin'i Verizon, "My Numbers dia vaha-olana tena tsara ho an'ireo mpandraharaha, ho an'ireo mpanjifa manana karazan'asa maro sy ho an'ireo izay mitady zavatra tsotra sy mahomby ny amin'ny fitantanana laharana an-tarobia 5  kanefa tsy tia ny mitondra finday iray na maro." Maza ho azy fa io "fonctionnalité" io dia tsy maimaimpoana. Ary mifanohitra amin'ny finday manana SIM anankiroa izay afaka mampiasa an'ireo application ao anatin'ilay finday, dia tsy maintsy mi-installer an'ilay application "My Numbers" an'i Verizon, ary tsy maintsy io applicaiton no ampiasaina raha te hiantso na handray antso. Tsy afaka mampiasa ireo application toy ny iMessages na ny mitovitovy aminy. Noho izany rehetra rehetra izany, dia raha hitantana laharana an-tarobia 5 ianao dia tsara ny mampiasa an'ilay Verizon My Numbers. Izy io dia efa afaka télécharger-na ho an'ny finday mampiasa ny iOS na Android. Mety afaka ketrehana eto amintsika izy io izany !!!

Téchnologie
07/11/2018

Ireo entana antitra sy lany andro hoy i Apple

  Ny iPhone 5 dia lany andro hoy i Apple. Io finday io dia nampidirina tao amin'ny lisitra ny entana lany andro araka ny mason-tsivana napetrak'i Apple. Raha hazavaina misy misy kokoa izany dia ny iPhone 5 izay nivoaka tamin'ny taona 2012 dia efa "antitra" ho an'ny mpanjifa any Etazonia ary efa "lany andro"  kosa ho an'ny firenena hafa, izany hoe tsy tokony hanantena "mise à jour" intsony izany ho an'io finday io, ary tsy manamboatra an'io finday io intsony ny ekipan'ny Apple raha sanatira ka simba ny finday iPhone 5. Marihana etoana anefa fa ny iPhone 5 dia nahazo tombony satria ny "garantie" nomen'i Apple ny iPhone 5 dia 6 taona raha tokony ho 5 taona izany. Ao amin'io pejy an'i Apple io dia misy ny lisitry ny entana namboarin'i Apple efa lany andro rehetra. Ankoatran'ny iPhone 5 dia hita ao ihany koa ny Macbook nivoaka talohan'ny taona 2012, ny iPhone 4 sy ny teo alohany mazava ho azy, ny iPad "3ème génération" sy ny teo alohany sy ny entana maro samy hafa. Afaka mijery an'io pejy io ianao raha ohatra ka te ahafantatra hoe ny entana novokarin'i Apple izay hananao ve dia efa lany andro sa tsia.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina