Mvp

Basket - Ny fifaninanana eo amin’ny MVP : ireo pourcentages mampitolagaga ataon’i Stephen Curry
Ny fifaninanana eo amin’ny MVP : ireo pourcentages mampitolagaga ataon’i Stephen Curry

Isan-kerinandro dia hanolotra anareo izahay ny Top 5 ireo mpilalao NBA mahay indrindra, raisina ao anatin’izany ny fahaizana manokana sy ny fahaizan’ny Ekipany. Amin’ity herinandro ity dia mandinika manokana ny momba an’i MVP amin’ity fiandohan’ny taom-pilalaovana ity isika, Stephen Curry. Ilay meneur an’ny Warriors dia ao anatin’ny 100% ny heriny sy ny tanjany ankehitriny, ary misy fiatraikany izany eo amin’ny fomba filalaony. MVP indroa ary Champion NBA intelo izy, tsy mila mi-forcer n’inon’inona eo ampilalaovana, ary izany dia hita taratra eo amin’ny isa marika mahatalanjona ananany : 50-50-90. Inona reo isa marika ireo hoy ianao ? 50% eo tifitra, 50% amin’ny 3 points ary 90% eo amin’ny Lancer Franc, mahatalanjona Teo amin’ny tantara dia olona tokana no nahavita ohatr’izay, ary tsy iza fa i Steve Kerr, izay fantatr’i Stephen Curry tsara. Tamin’ny 1996 izany, ary ilay mpitifitry ny Bulls fahiny izay mpanazatra ny Warriors ankehitriny dia namarana ny taom-pilalaovana 1996 tamin’ny 50.6%, 51.5% et 92.9%. Kanefa izao, tsy noraisina izany perf nataon’i Steve Kerr izay satria tsy nahatratra ny fatra eo amin’ny tifitra sy ny lancer franc farafahakeliny izy tamin’izay. Steve Nash no nanakaiky an’izany… Vokan’izany : ankehitriny aloha dia ny 50/40/90 no mijanona ho « référence » ho an’ireo mpitifitra, telo taona lasa izay, izay no tanjon’i Stephen Curry : « Ao anatin’ny match 82, ny tanjoko dia ny hiditra ao amin’ny fikambanan’ny 50/40/90. Anisan’ny tanjoko izany ary tiako ho vitaina izany. » Ho vitany izany tamin’ny 2016 satria dia tafiditra tao anatin’ny tontolo avo lenta izay mpilalao 6 fotsiny no nahavita izany : Larry Bird, Mark Price, Reggie Miller, Steve Nash, Dirk Nowitzki ary i Kevin Durant. Ny tena mahatalanjona dia i Nash satria ilay mpitondra baolin’i Suns taloha dia nahavita izany in’efatra ka ny iray tamin’ireo dia 50/47/91 tamin’ny 2008. Amin’izao lalao 11 izao no vita amin’ity taom-pilalaovana ity, i Stephen Curry izany dia nahavita tsara noho i Steve Nash dia ny 52%, 51% et 92%. Fa ny azy dia eo ampamonoana 31.3 points de moyenne ! Izay koa dia mbola zava-bita mahatalanjona iray, satria milalao latsaky ny 34 minitra isaky ny lalao izy (33.9 raha ny tena marina), ary teo amin’ny tantara dia tsy nisy mpilalao nanao 30 points de moyenne izany raha nilalao minitra vitsy toy izany. Ny tokana nanakaiky izany dia i … Sephen Curry tamin’ny 2016 raha nanao 30.1 points isaky ny lalao izy tao anatin’ny 34.2 minitra. Ny TOP 5 androany 6 NOVEMBRE 1– Stephen Curry Bilan : Warriors – 10v-1d – 1er à l’Ouest Stats : 34 min, 31.3 pts, 6.1 pds, 5.4 rbds, 1.1 int, 0.4 ct, 3.1 bps, 52.5% tirs, 50.8% 3-pts, 92% LF 2 – Giannis Antetokounmpo Bilan : Bucks – 8v-1d – 2e à l’Est Stats : 31 min, 26.1 pts, 13.9 rbds, 5.9 pds, 1 int, 1.4 ct, 4.9 bps, 53% tirs, 10% 3-pts, 71% LF 3 – Kevin Durant Bilan : Warriors – 7v-1d – 1er à l’Ouest Stats : 35 min, 27.7 pts, 7.5 rbds, 5.9 pds, 0.9 int, 0.6 ct, 2.6 bps, 57% tirs, 39% 3-pts, 93% LF 4 – Kyle Lowry Bilan : Raptors – 10v-1d – 1er à l’Est Stats : 34 min, 17.9 pts, 4.5 rbds, 11.5 pds, 1.5 int, 0.5 ct, 2.8 bps, 50% tirs, 41% 3-pts, 81% LF 5 – Nikola Jokic Bilan : Nuggets – 9v-1d – 2e à l’Ouest Stats : 29 min, 17 pts, 10 rbds, 7.7 pds, 1.1 int, 1 ct, 2.8 bps, 52% tirs, 38% 3-pts, 83% LF Mentions : DeMar DeRozan, Damian Lillard, Victor Oladipo, Russell Westbrook, Joel Embiid, LeBron James…

07/11/2018
Tohizo ny famakiana >>

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina

Fotodrafitrasa eny ifotony: nijery ny fanamboaran-dalana RN5A ny minisitra Hajo
21/09/2020

Miroso sy mandeha ny asa fanamboaran-dalana Ambilobe- Vohémar (RN5A). Anisan’nyfampanantenana nataon’ny filoha Rajoelina Andry ny fanarenana tanteraka iny lalam-pirenena mampitohy ny distrika roa iny.Nidina ifotony tao Vohémar nijery ny fandroson’ny asa fanarenana sy ny fanamboarana izany ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy Andrianainarivelo Hajo, ny herinandro teo. Nambarany fa mizotra araka ny tokony ho izy amin’ny ankapobeny ny asa amin’izao fotoana izao. Efa saika tafapetraka avokoa ireo toerana hiasan’ny orinasa manao ny fanamboarana. Efa miroso ny asa fanamarinana sy fanajariana ny lalana (terrassement) na avy any Vohémar na ny avy any Ambilobe.Natao hijerena ny olana…Efa an-dalana tahaka izany koa ny fandrafetana sy fametrahana ireo fotodrafitrasa fivarinan’ny rano (dalots) miisa 60 mahery. Manampy ireo ny fijeren’ny minisitra ireo toerana fakana ranontany sy ny vato ary ny toby hipetrahan’ny orinasa manatentaraka ny asa. “Natao indrindra hijerena ny fandrosoan’ny asa sy hifampidinihina amin’ny fitadiavana vahaolana ho an’ireo olana mety mitranga ny fidinana ifiotony tahaka izao. Jerena koa ny mety hampitarazoka na hampikatso ny asa, ary hanomezana toromarika amin’ny fandrindrana ny asa amin’ny ankapobeny”, hoy ny minisitra Andrianainarivelo Hajo.Tsiahivina fa anisan’ny miantoka ny fampandrosoana any amin’iny faritra avaratra iny ny fahavitan’io lalam-pirenena io. Tahaka izany koa ny efa hirosoana amin’ny fanamboarana ny lalana Ambilobe mihazo ny any Antsiranana.Synèse R.L’article Fotodrafitrasa eny ifotony: nijery ny fanamboaran-dalana RN5A ny minisitra Hajo a été récupéré chez Newsmada.

Clean Up Day Kopakelatra Mandray anjara indray amin’ny « World Clean Up Day » ny tetikasa Kopakelatra.
20/09/2020

Novaina ny fanamarihana tamin’ity taona ity, nafantoka manokana tamin’ny fanentanana ny mponin’Antananarivo amin’ny fanangonana ny tavoahangy plastika eny amin’ireo toeram-panangonana. Efa heritaona no nisian’ny toeram-panangonana tavoahangy plastika Kopakelatra manerana an’Antananarivo. Manantona ny vahoaka kokoa ireo baka fanangonana amin’ny alalan’ny « Caravane Clean Up Day Kopakelatra» ny andron’ny sabotsy 19 septambra amin’ny lalan’Ambohimanarina, 67 ha ary Ampefiloha. Ny tanjon’ny hetsika dia ny fanentanana ny olon-drehetra hanatitra ireo tavoahangy plastika efa niasa manodidina azy. Mahazo « bon d’achat » mitentina 100 000 ariary ireo izay mitondra tavoahangy betsaka indrindra amin’ireo toerana telo hijanonan’ny « Caravane ». Tratra ny tanjona tao aorian’ny hetsika satria dia 50 mahery ny isan’ireo nandray anjara ary 412 kilao kosa ireo tavoahangy plastika voaangona tamin’ireo toerana telo nandalovana. KOPAKELATRA. ‘Ndao hifandray tanana, hitandro ny fahadiovana. Miora Razafy Cet article Clean Up Day Kopakelatra Mandray anjara indray amin’ny « World Clean Up Day » ny tetikasa Kopakelatra. est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article Clean Up Day Kopakelatra Mandray anjara indray amin’ny « World Clean Up Day » ny tetikasa Kopakelatra. a été récupéré chez Délire Madagascar.

Kitra: miaiky ny fisian’ny disadisa eo aminy sy ny FMF i Dupuis
24/09/2020

Izay vao tena fantatra fa misy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar. Ankoatra izay, tsy manantena vokatra loatra amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ny tenany.Novakin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar, ampahibemaso tao amin’ny tambanjotran-tserasera fa misy ny tsy fifankahazoana eo aminy sy ny mpikambana sasany ao amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Notsindriny mihitsy fa olona telo ihany amin’ireo folo mandrafitra ny mpikambana eo anivon’ny komity mpantanteraka no tena tsy mitovy fomba fijery aminy, amin’izany.Raha tsiahivina, tsy vao izao akory no nisy ity tsy fifankahazoana eo amin’i Nicolas Dupuis ity sy ny federasiona malagasin’ny baolina kitra fa efa hatry ny ela. Anisan’ny nampifanolana azy voalohany ny resaka vola azon’ny Barea, tamin’ny “Can 2019”. Teo ihany koa ny resaka fanamiana hanaovan’ny ekipam-pirenena Malagasy. Ary ny farany teo, ny lalao firahalahiana, hanomanana ny fihaonana amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Can 2022”. Misisika mafy ny hanaovana fihaonana firahalahiana amin’ny Swift Hesperange, ekipa D1 any Luxembourg, mantsy ingahy mpanazatra raha tsy manaiky izany kosa ireo mpikambana sasany ao amin’ny federasiona.Vokany, nilefitra ihany i Nicolas Dupuis ka nanaiky fa ny Etalons-n’i Borkina Faso no hihaonana amin’izay fanomanantena izay. Tsy nijanona teo ny olana fa vao mainka nampisy disadisa indray ny famoahana ny lisitr’ireo mpilalao mandrafitra ny Barea. Ny tale teknika nasionaly sy ireo mpikambana eo anivon’ny FMF mantsy no nampahafantatra izany tamin’ny mpanao gazety fa tsy i Nicolas Dupuis. Ankoatra izay, tsy manantena fandresena amin’ny Elefantan’i Cote d’Ivoire i Nicolas Dupuis fa miantehitra amin’ny lalao hikatrohana amin’i Etiopia ny hamaritana ny ho lalan’ny Barea.Mikasika ny lalao firahalahiana, eo am-panaovana fangatahana amin’i Maraoka ny federasiona ankehitriny amin’ny hamindrana ny fihaonana eo amin’ny Barea sy ny Etalons. Efa nofoanana ilay any Portugal noho ny fiakaran’ny tahan’ny valanaretina Covid-19. TompondakaL’article Kitra: miaiky ny fisian’ny disadisa eo aminy sy ny FMF i Dupuis a été récupéré chez Newsmada.

Famakiana bantsilana ny raharaham-pirenena: mivonona ny hanenjana ireo vondron’ny mpanohitra
26/09/2020

Fanambarana faharoa. “Nisy fahadisoana ny voka-pifidianana noho ny “doublons”. Tsy ahitana taratra ny fahaleovantenan’ny Ceni izany… Ho avy ny fotoana hamakiana bantsilana sy hampahafantarana ampahibemaso ny vahoaka ny tsy mety ataon’izao fitondrana izao”, hoy ny ampahan’ny fanambaran’ireo vondron’ny olom-boafidy, ahitana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina ary ny maro hafa, teny Andrainarivo, omaly. Anisan’izany ny fanararaotam-pahefana sy ny fanitsakitsahana ny demokrasia.  Nohitsin’izy ireo fa tsy hijanona intsony ny hetsika ataon’izy ireo raha tsy tanteraka ny hetahetan’ny Malagasy. Nentanin’izy ireo koa ireo olom-boafidy hafa tokony ho mpifidy ireo loholona mba hanara-dia azy ireo amin’ny tsy handraisany anjara amin’ny fifidianana. Anisan’ny iantefan’izany ireo voafidy amin’ny antoko politika sy ny tsy miankina.Synèse R. L’article Famakiana bantsilana ny raharaham-pirenena: mivonona ny hanenjana ireo vondron’ny mpanohitra a été récupéré chez Newsmada.

Toamasina: 84,95 % taham-pahafahana CEPE
21/09/2020

Nivoaka, omaly maraina ny voka-panadianana CEPE, natao ny 15 septambra lasa teo ho an’i Toamasina. Nisy ny fihaonan’ ireo mpampianatra nisahana ny fanadinana hatramin’ny fitsarana ka niara-nidinika ny naoty farany ambany. Tapaka fa ny salan’isa 09/20 miakatra no ekana fa mahazo ny mari-pahaizana CEPE. Vokany, nahatratra 84.95% ny taham-pahafahana, izay nisy fitomboany kely raha noharina tamin’ny taon-dasa 83,34%. Ho an’ny taona 2018- 2019, natao 9,75/20 ny naoty farany ambany noraisina ka tsy tokony hibitaka ihany ny fari-piadidiam-pampianarana manoloana ny vokatra tamin’ity taona ity.7 428 ny isan’ny mpiadina voasoratra anarana ka 52 ireo tsy tonga nanatrika ny fanadinana, ary nahatratra 6 012 ny mpiadina afaka. Raha noferana ho 9,50/20 ny salanisa ahafahana CEPE, 87,05% ny taham-pahafahana. Raha ny noraisina ho 10/20  kosa dia ambany ny taham-pahafana satria manome 76,64%.  Nitarika teo amin’ny naoty farany ambony ny mpiadina avy amin’ny sekoly tsy miankina katolika nahazo ny naoty 19, 80/20 ny voalohany. 19,75/20 ny faharoa ary 19,70/20 ny fahatelo, samy avy amin’ny sekoly finoana katolika avokoa izy ireo. Ireo 10 voalohany dia avy amin’ny sekoly tsy miankina katolika avokoa. BEPC-Tsy mahazo miditra ny ray aman-dreny…Ho an’ny fanadinana BEPC kosa, izay hanomboka anio, ho hentitra ny fanaraha-maso sy fanarahana ny fepetra ara-pahasalamana : fanaovana arotava sy orona, fanasan-tanana mialoha ny hiditra ny faritry ny toeram-panadinana. Tsy mahazo mitondra fitaovana elektronika toy ny finday ny mpiadina, araka ny nambaran’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianara Toamasina I, Ramarolahy Joseph, tetsy amin’ny CEG de reference, omaly. Nohamafisiny fa tsy azon’ny raiaman-dreny atao ny miditra ny faritry ny sekoly mandray fanadinanana. Ho an’ ireo mpiadina tsy afaka mamonjy fodiana ny antoandro kosa fa hanaterana sakafo, olona iray ihany no afaka miditra manatitra ny sakafo raha tsy hivoaka ny faritry ny sekoly ilay mpiadina. Ho fiarovana ny filaminana mandritra ny fiatrehan’ny mpiadina ny fanandinana BEPC, efa vonona ny mpitandnro filaminana handray ny andraikiny. Toerana telo ihany no ametrahana ny petadrindrina ho an’ny valin’ny CEPE: ao amin’ny biraon’ny Cisco sy ny Dren ary etsy amin’ny EPP Beryl Rose hisorohana ny fitangoranana  SajoL’article Toamasina: 84,95 % taham-pahafahana CEPE a été récupéré chez Newsmada.

Mpangataka an-dalambe: tsy tokony hanelingelina ny hafa
24/09/2020

 Ny fehezam-pitsipika momba ny fikoloam-pahasalamana navoaka’ny CUA ao amin’ny toko fahatelo sokajy voalohany dia milaza fa tsy tokony hanelingelina ny mpamily fiarakodia sy ny mpandeha an-tongotra ireo rehetra manao ny asa fangatahana izay mandehandeha eny an’araben’Antananarivo. Izy ireo dia tsy tokony harahina biby masiaka mba tsy hampidi-doza ny hafa. Tsy tokony hampideradera fitaovana isan-karazany ihany koa ho fampitahorana na hambaboana ireo olona angatahiny.Voarara ny fanimbana ireo fananan’olona sy ny mihanika amin’ny lafin-drindrina  sy amin’ny andrin-jiro, tamboho sy ireo andrim-by isan-karazany. Tsy azo atao koa ny familiana ireo fantson-drano isan-karazany sy ny fikitikitihana ireo fitaovana fanoroana lalam-bahoaka nafanazavana ny toro-lalana ho famantarana.Ao amin’ny sokajy faharelo dia miresaka momba ny tabataba amin’ny alina sy atoandro sy ireo sazy mifandraika amin’izany.Voarara ny tabataba amin’ny alina, torak’izany amin’ny atoandro rehefa tsy misy misy antony voamarina ho ara-drariny. Voarara ho tabataba amin’ny atoandro ireo kipantson’ny fiarakodia tsy misy antony ara-drariny torak’izany ny antsoantson’ny mpanampy ny fiara miantsoantso ny mpandeha indrindra ho an’ireo fiantsonana makaiky fianarana sy hopitaly.Ny lanonana rehetra na andro atoandro na alina na misy fahazoan-dalana aza, toy ny famadihana sy ny fora zaza dia tsy maintsy mitandro ny fahasalamana sy ny fitonian-tsaim-bahoaka.Anjaran’ny tompon-draharaha ny mandray ny fepetra mba hampihena ny fanelingelenana mety hiteraka izany eo amin’ny manodidina.Tatiana AL’article Mpangataka an-dalambe: tsy tokony hanelingelina ny hafa a été récupéré chez Newsmada.

Volley-Stefauto: efa nahita mpilalao hanatevin-daharana 
26/09/2020

Iray volana latsaka taorian’ny nitadiavan’ny mpanazatra mpilalao lava hanatevin-daharana ny ekipany, efa nahita ireo ankizy ireo ny klioban’ny Stefauto. Araka ny fanazavan’ny mpanazatra, mpilalao avy eto Antananarivo sy avy any Toliara ireo voafidy ireo, izay mbola tanora, saingy efa nilalao Volley avokoa. Tsiahivina fa  miisa telo izy ireo ary miandry fiantsoana, amin’izao fotoana izao. Alohan’ny 5 oktobra izao ity fiantsoana ity ary hanomboka amin’io ihany koa ny fanazaran-tena ho an’ny klioban’ny Stefauto. Marihina fa hanamafisana ny fanoherana sy ny fanafihana “contre” sy “attaque” ny tena nitadiavana azy telo vavy lava ireto. Azo lazaina ho mampiseho fahavononana tanteraka amin’ny fifaninanana ho avy, na ny nasionaly na ny iraisam-pirenena ny Stefauto ary taratra sahady izao fisian’ny mpilalao vaovao izao.Raha hiverenana ny tamin’ny taon-dasa, laharana faharoa ny Stefauto, nandritra ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka, faritra fahafito (CCCOI), rehefa nolavoin-dry zareo Renioney teo amin’ny lalao famaranana. Mpilalao mendrika teo amin’ny “Contre” i Armella ary mendrika teo amin’ny “reception” kosa i Emma. Mi.Raz L’article Volley-Stefauto: efa nahita mpilalao hanatevin-daharana  a été récupéré chez Newsmada.

Fanadiovana tatatra: fokontany 10 anaovana asa Himo
25/09/2020

Nifarimbona nanadio tatatra ireo RF2 avy amin’ny fokontany maro, nanomboka omaly. Nanala ny fako mitoby anaty lakandrano manentsina ny fikorianan’ny rano izy ireo hitsinjovana sahady ny fahavaratra.  Mahazo tombony amin’izao ireo fokontany folo eto Antananarivo, Ankasina, Andavamamba, AnjezikaI, Tetezana Afovoany I, 67Ha Atsimo, Antohomadinika, Andavamamba Ambilanibe, Anosibe, Ivolaniray, Manajary ary Ambohidahy. Amin’ny alalan’ny Himo, andiany faharoa no hanatanterahana izany. Olona 20 isaky ny fokontany no mahazo asa amin’ny alalan’ity fanadiovana tatatra ity. Mahazo 5000 Ar isan’andro avy amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra izy ireo amin’ny fanatanterahana izany asa izany. Nisy ihany koa ny fizarana arovava sy savony ho an’ireo RF2 ireo. Mila fanaraha-maso akaiky ny tandrevaka ataon’ny mponina eny amin’ireo toerana andalovan’ny lakandrano. Misy ireo manary fako sy poti-kanina any an-tatatra ka manentsina ny fikorianan’ny rano ary miteraka fiakaran’ny rano mihitsy rehefa fotoam-pahavaratra.Tatiana AL’article Fanadiovana tatatra: fokontany 10 anaovana asa Himo a été récupéré chez Newsmada.

Famerenan-kasina an’Antananarivo: niofana mialoha ny hidinany eny an-kianja ireo hanentana ny CMH
23/09/2020

Efa maka bahana. Niofana momba ny fampahafatarana ny fihezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana (CMH) ireo tompon’andraikitra isan-tokony. Nisokatra, omaly etsy amin’ny lapan’ny Tanàna, Analakely, izany. Anisan’ny niatrika izany ny solontenan’ny Zandarimariam-pirenena, ny lehiben’ny kaomisaria avy amin’ireo boriborintany enina, ny eo anivon’ny Bianco sy ireo tale mpitantana ao amin’ny CUA.Fanentanana sy fisorohana ny kolikolyMiompana amin’ny fampahafantarana ny CMH sy ny fanentanana ary ny fisorohana ny kolikoly amin’ny fampiharana ilay fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana ny votoatin’ny fiofanana. Ahitana sokajy miisa 12 ireo mpiofana ka niditra an-tsehatra nanomboka, omaly, ny andiany voalohany, miisa 125, saingy nozarana roa izany noho ny hamehana ara-pahasalamana.Hitohy eny amin’ny BMH Isotry ny fampiofanana, ahitana mpandray anjara miisa 500 ka hozaraina andiany 50 isa avy. Anisan’ny handray anjara amin’izany ireo sefo fokontany rehetra, ny lehiben’ny tsena eo anivon’ny CUA, ny tompon’andraikitra ny fitaterana eto Antananarivo Renivohitra, ny mpiandraikitra eny anivon’ny CSB II. Manampy ireo ny “inspecteur d’hygiène” sy ny “inspecteur de voirie” miaraka amin’ireo polisy monisipaly sy ny polisim-pirenena.Fakan-kevitra sy adihevitra eny ifotonyNa izany aza anefa, nitondra fanazavana ny mpanolotsain’ny ben’ny Tanàna, Rasaony Pascal. “Mbola hisy fakan-kevitra ataon’ny CUA eny ifotony. Eo koa ny ady hevitra momba ny CMH eny anivon’ny birao ho an’ny boriboritany ka andraisan’ireo olom-pirenena anjara”, hoy izy.Tsiahivina fa efa nisy ny CMH ny taona 1960 ho an’ny kaominina manerana ny Nosy. Narafitra ho boky izany ny 27 aogositra 2013, ahitana andininy miisa 103. Nohatsaraina kosa ny andininy miisa 20 amin’ireo 103, ny volana mey 2020.Synèse R.L’article Famerenan-kasina an’Antananarivo: niofana mialoha ny hidinany eny an-kianja ireo hanentana ny CMH a été récupéré chez Newsmada.

  Antsahavaribe: jiolahy roa nahatrarana rongony 31 kg
25/09/2020

  Jiolahy roa mpanao trafikana zava-mahadomelina no tratran’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria ao Ambodimanga Antsahavaribe Sambava, afakomaly. Rongony milanja 31 kg miaraka amin’ny tavoahangy iray natao ho fidorohana rongony no tratra tany amin’izy ireo nandritra ny fisavana nataon’ny zandary. Naiditra am-ponja avy hatrany ry zalahy taorian’ny famotorana nataon’ny zandary.Fa tratran’ny polisy miasa ao Belo sur Tsiribihina koa ny lehilahy roa mpifoka rongony tao ami’ny fokontany Beraketa, afakomaly ihany koa. Nentina nanaovana fanadihadiana avy hatrany izy roa lahy ary mbola nahitana fonosan-drongony izy ireo nandritra ny fisavana. Mitohy ny famotorana ataon’ny polisy.J.CL’article   Antsahavaribe: jiolahy roa nahatrarana rongony 31 kg a été récupéré chez Newsmada.

Savorovoro teny Ambohimangakely :: Nanapoahana baomba ny fanaparitahana mpivarotra amoron-dalana
21/09/2020

Niteraka korontana ny fanesorana an’ireo mpivarotra amoron-dalana, teny amin’ny kaominina Ambohimangakely, afak’ omaly. Voatery niditra an-tsehatra nanampy ny Polisy kaominaly ireo Polisim-pirenena misahana ny distrikan’Avaradrano. Nipoaka ny baomba mandatsa-dranomaso tamin’ny fandravana an’ireo andiana mpivarotra nanakana ny lalam-pirenena faharoa tamin’ny alalan’ny fandorana kodiarana. Nahitana marimaritra iraisana ihany anefa ity toe-javatra ity, taorian’izay ary soa fa tsy dia naninona ny vehivavy iray nitondra vohoka izay torana noho ny baomba mandatsa-dranomaso. Nanomboka tamin’ny 7 ora maraina ny hetsika nanesorana an’ireo mpivarotra amorondalana teny Ambohimangakely, tamin’ny sabotsy. Nasain’ny mpitandro filaminana hiditra tao anatin’ny tsena nomen’ny kaominina ireo mpivarotra. Ny fandraofana ny entam-barotra no tena nampitroatra an’iretsy farany. Nilamina ny toe-draharaha rehefa nisy ny fihaonana teo amin’ny Ben’ny tanàna, Radafy Thierry sy ny solontenan’ireo mpivarotra, tamin’ny sabotsy hariva. Mitazona ny fepetra tsy fahafahana mivarotra amoron-dalana ny kaominina satria tsy mihemotra amin’ny ezaka fanadiovana sy fampandrosoana ary fampanarahan-dalàna ny tanàna ry zareo mpitantana. Nanaiky ny hiditra ao anatin’ny tsena vaovao ihany ireo mpivarotra, saingy tsy hampadoa haban-tsena azy ireo hatramin’ny faran’ny volana oktobra ny kaominina mba hitsinjovana an’ireo fianakaviana amin’izao fidiran’ny mpianatra izao. L’article Savorovoro teny Ambohimangakely :: Nanapoahana baomba ny fanaparitahana mpivarotra amoron-dalana est apparu en premier sur AoRaha.

Vita ny fanarenana ny tranon’ny CNEMD: nahavita fiofanana ambony ireo mpampianatra mozika
26/09/2020

Tsy mitovy ny nandalo sekoly fianarana mozika sy ny manao mozika fotsiny… Noporofoin’ireo mpianatra sy mpampianatra ao amin’ny CNEMD izany, nandritra ny lanonana roa sosona, omaly.CNEM, Ivontoeram-pirenena mampianatra mozika taloha, izay niampy ny dihy ka lasa CNEMD, ankehitriny. Mahalala azy avokoa ireo liana tamin’ny fianarana mozika rehetra. Saika nandalo nandranto fianarana tao ihany koa ireo andrarezina amin’ny mozika… Saingy nampalahelo fa simba tsikelikely ilay tranon’ny CNEMD ao ambadiky ny Tranombokim-pirenena ka tsy nampiasaina intsony, ny taona 2019. « Raha nandray ny fitantanana ny minisitera aho, ny taona 2019, naniry ny hitsidika ny ato amin’ny CNEMD. Nambara tamiko tamin’izany anefa fa tsy azo idirana intsony ity trano fianarana mozika manana ny lazany ity, noho ny fahasimbany. Tsy nisy nanamboatra nandritra ny taona maro kanefa dia toeram-piasana sy fandraisana olona izy ity. Nanapa-kevitra avy hatrany ny minisitera hiroso amin’ny asa fanarenana, noho ny fahatsapana ny maha zava-dehibe ity toeram-pianarana zavakanto ity. Vita izao ny asa ary tsy ny trano ihany no nasiam-panavaozana fa ny fomba fampitana fahalalana ato ihany koa ho mendrika izany hoe CNEMD izany”, hoy ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana, omaly. Notokanana omaly, araka izany, ny trano nasiam-panamboaran’ny CNEMD. Niara-dalana tamin’izany ny fanolorana mari-pahaizana ireo mpampianatra sady mpikaroka miisa 13. “Mpampianatra manan-talenta avokoa izy ireo, izay mbola naniry ny hanatevina fahalalana. Nahavita soa aman-tsara ny fiofanana izy ireo ka mendrika ny homena ny mari-pahaizana ambony mifanaraka amin’ny lentany”, hoy kosa ny nambaran-dRazafindrazaka Holy, talen’ny CNEMD. Misongadina ry Zazakanto Nanapa-kevitra ny minisitera sy ireo teknisianina amin’ny sehatry ny mozika, hitondra fanazaovana amin’ny fampianarana mba hifanaraka amin’ny maha izy azy antsika sy ny iainan’ny Malagasy. Anisan’ireo mpianatra, tamin’iny taom-pianarana iny, noraisin’ny CNEMD sy nisitraka izany fanavaozana izany ry zalahy Zazakanto. Vao volana vitsy monja, kanefa efa nahafolaka zavamaneno sahady izy ireo, hany ka tafatsangana ireo mpanotrona rehetra taorian’ny seho fohy nataon’ireto manan-talenta ireto. Nisy 103 ireo mpianatra nandritra iny taom-pianarana iny ka ny 69 tamin’ireo no afaka tamin’ny fanadinana. Tsy tena sakana loatra tamin’ny fampianarana ny fihibohana, satria ampy ihany ny fotoana namitana ny fandaharam-pianarana, raha ny fanazavana. Fantatra fa hatao tanjona manaraka ny fanokafana ireo rantsan’ny CNEMD any amin’ny faritra. Eo koa ny fampiarahana ny asa, izay iandraiketan’ity ivontoeram-pampianarana mozika sy dihy ity, amin’ny Akademiam-pirenen’ny zavakanto sy ny kolontsaina, izay ho vita ny volana janoary 2021.Zo ny Aina L’article Vita ny fanarenana ny tranon’ny CNEMD: nahavita fiofanana ambony ireo mpampianatra mozika a été récupéré chez Newsmada.