Lebron James

Zanak’i Lebron James – Nanao match Lycée voalohany

Ho an'ny match voalohany nataony ho an'ny Lycée Crossroads any Santa Monica tamin'ny alatsinainy, i LeBron James Jr, na « Bronny »,dia nahavita tsara ny fiandohany satria ny zanak'i Lebron izay 14 taona, dia namono 27 points tamin'ny fandreseny an'ny ekipan'ny Culver City Middle School.

Tohizo ny famakiana >>

Malaza androany

Notsongaina

Rugby à XV vehivavy: hiady ny tapakila hiatrehana ny «Mondial 2021» ny Makis

Fanamby goavana no miandry ny Makis vehivavy, amin’ity. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny rugby lalaovina olona 15 mantsy izy ireo. Fihaonana, hiadian-toerana, ho an’ny “Mondial 2021”.Hotanterahina atsy Johannesbourg, Afrika Atsimo, ny 7 –  18 aogositra ho avy izao, ny dingana famaranana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny rugby lalaovina olona 15, sokajy vehivavy. Hanana ny lanjany, izany fihaonana izany satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2021”, tanterahina any Nouvelle-Zelande.Firenena efatra no hiady izany amin’ity dia i Afrika Atsimo, mpampiantrano, Oganda, Kenya ary ny Makis de Madagascar. Mifandimby mihaona ny rehetra ka izay ekipa be isa indrindra no ho tompondaka ary hisolotena an’i Afrika, any amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany.Raha ny fandaharam-potoana, hidona amin’ny Makis voalohany, ry zareo Kenianina. Lalao hotontosaina, ny 10 aogositra. Fihaonana faharoa, hikatrohana amin’i Afrika atsimo, ny 13 aogositra ary amin-dry zareo, Ogandà ny 16 aogositra. Manana herijika tsara handrombahana ny toerana voalohany, ny Makis, araka ny nambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Na izany aza, nomarihiny fa ry zareo Kenianina no heverina fa ho mafy ary tsy maintsy dinganina.Raha toa kosa ka ny laharana faharoa, no misy ny Makis dia hiatrika ny “repechage”, amin’ireo kaontinanta  dimy hafa. Hatreto, mbola mpilalao 36 no manaraka fanazarantena miaraka. Ny faran’ity volana jolay ity kosa vao hivoaka ny anaran’ireo 26 handrafitra ny Makis, ho atsy Afrika Atsimo. Tompondaka L’article Rugby à XV vehivavy: hiady ny tapakila hiatrehana ny «Mondial 2021» ny Makis a été récupéré chez Newsmada.

Seranan’i Toamasina: hopotehina sy hatao lavanty ny entana tsy alain’ny tompony

Feno ny toerana! Nanao fitsirihana tampoka ny faritry ny ladoany ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, omaly talata maraina, ny tompon’andraikitry ny ladoany, notarihin’ny tale jeneraly (DG) ny fadin-tseranana, i Zafivanona Lainkana Ernest, notronin’ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, Rtoa Delmotte Stéphanie. Tsikaritra fa maro loatra ireo entana mitoby tahirizina ao. Nambaran’ny tale jeneraly fa ilaina ny fanalalahana ny faritra sy ny toerana fametrahana entana ao amin’ny ladoany manerana an’i Madagasikara ka anisan’izany ny ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Misy ny entana lany fetr’andro nefa tsy nalain’ny tompony. Ao koa ny nogejain’ny fanjakana toy ny karazan-kazo, sy ny hafa.Hisy komity iraisana handinikaKoa tsy maintsy raisina ny fepetra, hanaovana lavanty ny entana na koa hanapotehana na handorana ary handevenana ireo entana sasany, toy ny sakafo fihinana, ohatra, satria tsy azo antoka intsony ny hitahirizana azy mihoatra ny roa volana, nefa tsy tafavoakan’ny tompony. Singanina amin’izany ny entana ao anaty kaontenera miisa 500 ao amin’ny orinasa MICTSL. Eo koa ireo fiara tsy tokony hiditra eto Madagasikara, manana familiana ankavanana, ny fiara mpitatitra entana mihoatra ny 15 taona, ny fiarakely mihoatra ny 10 taona. Tsy maintsy hatao lavanty izy ireny na hopotehina, arakaraka ny fanapahan-kevitry ny komity manokana iraisan’ny minisitera sy ny rafi-panjakana voakasika samihafa.Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny ladoany fa ankoatra ireo fiara sy karazan-kazo, misy koa ny entana hafa, toy ny lafarinina, ny fanafody, ny siramamy, ny vary, ny kilalao, ny akanjo na lamba efa niasa (friperie), sns. Misy amin’ireo entana ireo ny efa tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina hatramin’ny taona 2009, saingy tsy navoakan’ny tompony.SajoL’article Seranan’i Toamasina: hopotehina sy hatao lavanty ny entana tsy alain’ny tompony a été récupéré chez Newsmada.

Nifampizaran’i  Maorisy, Seychelles ary La Réunion ny medaly

Mbola hanjakan’ireo Nosy rahavavy, Maorisy, La Réunion ary Seychelles, ny fandrombahana ny medaly, eo amin’ny taranja lomano. Anisan’ny mendrika ary nahavita nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra ho an’ny lalaon’ny Nosy, ny teratany maorisiana, Bradley Vincent. Vitany tao anatin’ny 22 sec 57 ny halavirana 50 m NL, ho an’ny sokajy lehilahy. Ilay teratany seychelloise, Felicity Passon kosa no nahazo ny medaly,teo amin’ny 50 m NL, vehivavy, tamin’ny fe-potoana 26 sec 21. Tsy hita taratra ny mpilomano malagasy hatreto Nanombohana ny fifaninanana, omaly maraina, ny teo amin’ny taranja lomano. Solontena malagasy miisa 10 mianadahy no mifaninana ao anatin’ity taranja ity ary ny 7 mianadahy tamin’izy ireo no niditra an-tsehatra, voalohany, tamin’ny lalao famaranana, nahitana an-dRamiakatrarivo Ando, Rakotomavo Herinirina John, Rakotovelo Nomentsoa, Andrianirina Malalasoa, Rakotomamonjy Tiavina, Rakotomavo Hajanirina ary Rabejaona Holy Antsa. Niady mafy avokoa ireto solontenantsika ireto, saingy tsy mbola hita taratra, hatreto, raha ny voka-dalao, omaly.Anisan’ny tsara indrindra ny vokatra azon-Rakotovelo Nomentsoa, tamin’ireo Malagasy nandray anjara ireo, izay nipetrahany teo amin’ny laharana faha-4, teo amin’ny fifaninanana 50 m brasse vehivavy, 37 sec 75 no fe-potoana nahavitany izany. Mi.Raz L’article Nifampizaran’i  Maorisy, Seychelles ary La Réunion ny medaly a été récupéré chez Newsmada.

Fitsanganan’ny governemanta: ho tompon’ny teny farany amin’ireo ho minisitra ny filoha

Mety tsy hihoatra ny amin’ity herinandro vao manomboka ity. Tombanana fa tsy hiova firy ireo mpikambana handrafitra ny governemantan’ny Praiminisitra Ntsay Christian, taorian’ny nanendren’ny filoha Rajoelina azy indray amin’izany toerana izany. Ho tompon’ny teny farany amin’ny tolokevitry ny avy eny Mahazoarivo anefa ny eny Iavoloha. Efa nitakian’ny filoha tombana tsirairay arakaraka ny asa vitany ireo minisitra eo anivon’ny governemanta farany teo ireo, ho an’ny enim-bolana voalohany nandraisan’izy ireo andraikitra. Mbola hiverenana hotsaraina sy hanaovana tombana indray koa any amin’ny faran’ny taona ka antony mety tsy hampiova firy ny ho fanendrena izany. Na izany aza, anisan’ny voakiana mafy tato anatin’ny herinandro maromaro noho ny delestazy mahery vaika miverina indray ny minisiteran’ny Angovo, tompon’andraikitra voalohany amin’ny Jirama. Hanao ahoana ny hoaviny amin’izao governemanta faharoa amin’ny fitondrana Rajoelina izao?Hiverina ho minisitra ireo depiote roa Etsy andaniny, mety hiverina handray ny minisitera nosahaniny teo aloha ireo voafidy ho solombavambahoaka farany teo. Anisan’izany ny depiote Volahaingo Marie Therése, hisahana ny minisiteran’ny Fanabezam-pirenena. Hiverina hiandraikitra ny minisiteran’ny Mponina kosa ny depiote Naharimamy Lucien Irmah. Samy tsy manana andraikitra eny anivon’ny Antenimierampirenena izy mirahavavy ireo. Nisolo toerana ireto depiote ireto vonjimaika teo anivon’ny governemanta tao anatin’ny telo volana ny minisitry ny Fampianarana ambony, i Rejo-Fienena Felicité, sy ny minisitry ny Atitany, Razafimahefa Tianarivelo.Araka izany, mety tsy hisy fiovana tahaka ny namerenana ny Praiminisitra Ntsay Christian ireo ho mpikambana eo anivon’ny governemanta.Synèse R. L’article Fitsanganan’ny governemanta: ho tompon’ny teny farany amin’ireo ho minisitra ny filoha a été récupéré chez Newsmada.

Rwanda – Madagasikara: hivelatra ny fiaraha-miasan’ny roa tonta  

 Hivelatra amin’ny sehatry ny haitao sy ny fambolena ary ny fiahiana ny fandriampahalemana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Nisongadina izay tamin’ny fihaonana sy ny fifampidinihana teo amin’ny filoha roandey, i Paul Kagme, tamin’ny filoha malagasy, Rajoelina Andry, teny amin’ny lapan’Iavoloha, afakomaly, tamin’ny fanatrehan’iry voalohany ny fetin’ny fiverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara.Naneho fahavononana hiara-miasa sy hifanakaiky bebe kokoa eo amin’ny roa tonta izay fiaraha-miombona antoka izay, araka ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry. Manamafy ny fifandraisan’ny firenena roa tonta ny fitsidihana nataony teto Madagasikara, raha ny nambaran’ny filohan’i Rwanda, i Paul Kagame.Hanaraka  ny ohatra nataon’i Rwanda amin’ny lalan’ny fampandrosoana i Madagasikara, ary efa nanaporofo ny fahavononany amin’ny asa amin’izany ny fanajakna hatramin’ny fiandohan’ity taona ity.Fakan-tahaka aty Afrika i RwandaVoatsiahy fa fakan-tahaka aty Afrika ny paikadin’ny filoha Paul Kagame eo amin’ny fampivoarana ny toekarena izay nisongadina tato anatin’ny 25 taona farany. Azo heverina ny hampamirapiratra ny firenena sy ny vahoaka ao aminy, rehefa misy ny finoana sy ny vina apetraky ny mpitarika. Misy fepetra arahina sy fiasana mafy ary ny fanarahana fitsipi-pifehezana izany.Nisongadina tamin’ny fifanakalozan-kevitry ny filoha roa tonta ny fitovian’ny fomba fijery amin’ny fampihenana ny fahantrana sy ny fahavononana hikatsaka ny tombontsoam-bahoaka. Eo koa ny fananana fitiavan-tanindrazana sy ny fampivoarana firaisankinam-pirenena. Zava-dehibe ihany koa ny fananana vina mitovy hampamirapiratra an’i Afrika.Fantatra fa hisy ny fanasan’ny filoha Paul Kagame ny filoha Rajoelina Andry. Hanamafisana bebe kokoa ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta izany. Naneho ny hafaliany tamin’ny fandraisana nahafa-po natao taminy ny filoha Paul Kagame, nisaotra azy noho ny nanekeny ny fanasana kosa ny filoha malagasy.Nandao an’i Madagasikara, omaly maraina, ny filoha roandey mivady, niaraka tamin’ny delegasiona notarihiny. R. Nd.L’article Rwanda – Madagasikara: hivelatra ny fiaraha-miasan’ny roa tonta   a été récupéré chez Newsmada.

Rongony marobe

Natao tao anaty harona plastika miloko mainty ny rongony marobe milanja enimpolo kilao mahery. Saron’ny polisy, teny Anosi­zato Atsinanana, tamin’ny zoma lasa teo, ireo zava-mahadomelina ireo, taorian’ ny antso fampilazana sy fanomezam-baovao nataona olon-tsotra. Fiara iray no nametraka an’ireo entana ireo. L’article Rongony marobe est apparu en premier sur AoRaha.

Seranan-tsambon’i Mahajanga: kaomorianina tratra nitondra rongony tanaty “bouteille à gaz”

 Noraisim-potsiny ! Tratra tao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga, ny zoma tamin’ny 5 ora hariva, ny teratany kaomorianina iray niaraka tamin’ny rongony milanja 16 kg mahery natao tao anaty « bouteille à gaz » saika haondrana any Kaomoro. Nosamborin’ny polisy avy hatrany izy ary nanaovana famotorana tao amin’ny commissariat central ao Mahajanga. Nilaza izy, nandritra ny famotorana nataon’ny polisy, fa mbola misy namany iray mianatra ao Mahajanga izay teratany kaomorianina ihany miray tsikombakomba amin’ny fanaovana trafikana rongony mihazo ny Nosy Kaomoro. Natolotra ny fitsarana, omaly, ity Kaomorianina nikasa hitondra rongony ho any Kaomoro ity.Fa voasambotry ny zandary avy ao amin’ny kaompania Mahajanga tao amin’ny fokontany Anatanambao Sotema sy tao Ambalamanga ireo efa-dahy niaraka tamin’ny rongony milanja 13 kg, ny alarobia lasa teo. Loharanom-baovao no nahafahan’ny zandary nisambotra ireto jiolahy ireto. Niaiky ny heloka vitany izy efa-dahy ireto nandritra ny famotorana nataon’ny zandary. Jean ClaudeL’article Seranan-tsambon’i Mahajanga: kaomorianina tratra nitondra rongony tanaty “bouteille à gaz” a été récupéré chez Newsmada.

Andavamamba: saron’ny polisy ny jiolahy mpamaky trano

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahadimy ny jiolahy iray vao 19 taona monja tratra namaky trano, ny talata 2 jolay 2019 lasa teo teny amin’ny faritra Andavamamba. Olona mipetraka eo akaikin’ny fiangonana no nahita jiolahy mpamaky fiangonana tamin’io fotoana io. Ny andron’io ihany, mbola nahazo fitarainana ny polisy fa mbola misy vaky trano koa eny amin’ny faritra Anosibe Andrefana ka lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny groupe eléctrogène, ny boky fampianarana, ny ordinatera… Natao ny fikarohana ireo mpamaky trano ka rehefa nanao ny fisafoana sy ny fanangonam-baovao ny polisy, tratra teny Andavamamba ny jiolahy iray anisan’ny tompon’antoka tamin’ny vaky trano tamin’io fotoana io. Eo am-pikarohana ny naman’ity jiolahy ity ny polisy.J.CL’article Andavamamba: saron’ny polisy ny jiolahy mpamaky trano a été récupéré chez Newsmada.

Herisetra :: Voatsindrona sy saika noesorina ny voamason’ilay lehilahy

Nitory teny amin’ny polisy eo anivon’ny Sampana misahana ny ady heloka bevava (BC) etsy Anosy ny lehilahy iray noho ny herisetra nihatra taminy, teny La Réunion kely-Ampefiloha, ny talata 25 jona lasa teo. Nambarany fa notsindro­nina tamin’ny vy maranitra sy saika noesorina ny masony havia. Naratra mafy vokatr’ izay izy. Nanao ny fanadihadiana rehetra ny mpitandro filaminana. Nandritra ny telo andro ny fikarohana an’ireo voa­rohirohy. Voasambotra ny lehilahy roa sy vehivavy roa, ny zoma 28 jona lasa teo. Voasaringotra tamin’izao herisetra izao avokoa izy efatra ireo. Voatazona am-ponja vonjimaika ny roa lahy sy ny vehivavy iray. Nahazo faha­fahana vonjimaika kosa ny vehivavy faharoa. «Nitazona sy nandavo an’ilay lehilahy tamin’ny tany ny lehilahy iray. Vehivavy iray no nanolotra vy maranitra hanindronana ny masony. Nanindrona izany kosa ny lehilahy iray hafa ary nikasa hanondraka rano mangotraka an’ilay lasibatra ny vehivavy iray farany », araka ny fitantaran’ny mpitandro filaminana ny zava-nisy.Fantatra fa fifamaliana sy adiady teo an-tanàna no nahatonga ny herisetra. Niharan’ny tambabe ilay lehilahy. L’article Herisetra :: Voatsindrona sy saika noesorina ny voamason’ilay lehilahy est apparu en premier sur AoRaha.

Depiote Edizard: « Tokony hojerena ny olan’ny rano »

Tsy ankiandriandry fa nitondra ny hetahetany sy ny olana avy hatrany. “Misedra olana eo amin’ny rano fisotro izahay. Efa an-taony maro izany ny niainan’ny mponina.  Tsy eto an-tampon-tanàna ihany fa iharan’izany avokoa ny kaominina rehetra manerana ny distrika”, hoy ny depiote voafidy tao Vohemar, i Edizard, omaly teny amin’ny lapan’i Tsimbazaza.  Nanteriny anefa fa manana riandrano azo trandrahina ho amin’izany ny any an-toerana. Olana anefa ny fotodrafitrasa hitarihana izany. Manoloana ireo, velon’ahiahy ny mponina any amin’ity distrika ity. “Atahorana ny valanaretina, toy ny takilidrano. Manao antso avo amin’ny fanjakana, indrindra fa ny minisitera, izahay hijery vahaolana momba izany”, hoy  ihany izy. Na misy paompy aza ny kaominina sasany, olana koa anefa ny tsy fahampian’izany. Mampiasa vovon-drano sy renirano ny ankamaroan’ny mponina.Synèse  R.   L’article Depiote Edizard: « Tokony hojerena ny olan’ny rano » a été récupéré chez Newsmada.

Mahajanga: hamaky ady amin’ny kolikoly ny zandary

Notanterahina, ny alatsinainy lasa teo tao amin’ny Toby Kly Jean Philippe ao Mahajanga, ny fivoriana niarahana tamin’ireo “commandants d’unité” ao anatin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria ao Boeny, notarihin’ny Kly kaomandin’ny fari-piadidian’ny zandarimaria ao Mahajanga. Ity fivoriana ity izay nandinihana sy nijerena paikady hanatsarana ny fomba fiasa sy ny fahaiza-manao hametrahana fandriampahalemana maharitra ao Boeny sy hiadiana amin’ny kolikoly. Nilaza ireo teo anivon’ny kaomadin’ny tobim-paritra fa vonona hanatsara ny fomba hiarovana ny vahoaka ny fananany.J.CL’article Mahajanga: hamaky ady amin’ny kolikoly ny zandary a été récupéré chez Newsmada.

Kitra: nanolotra «maillot», ho an’i Julio i Carolus

Tafahaona tamin’Andriamahitsinoro Andrea Carolus, mpilalaon’ny Barea ihany, ny alarobia lasa teo, i Julio. Ilay tovolahikely, nametaka ny anaran’i Carolus, teo amin’ny fanamiany. Raha tsiahivina, efa tany Égypte, no hitan’i Carolus, tamin’ny tambajotran-tserasera ilay sary, ary nampihetsi-po azy, izany.Nampitady an’i Julio, izy nony tafaverina teto Madagasikara ka izao nifanena izao, izy mirahalahy mianaka. Manana vina hanampy an’i Julio ho lasa lavitra amin’ny baolina kitra i Carolus fa mbola hiresaka tsara amin’ny reniny aloha. Faly, i Julio sy ny reniny, nihaona tamin’i Carolus. Raha ny fitantaran’i Julio dia tsy tia mpilalao afa-tsy i Carolus izy ary tsy manaiky mihitsy raha tsy mijery baolina rehefa manao ny Barea de Madagascar. Avy any Antsirabe, i Julio ary kilasy taona fahatelo na (10 ème), izy amin’izao.Nanolotra fanamiana misy ny laharana sy ny anarany ho an’i Julio, i Carolus, izay nampirisika azy, hianatra tsara sy hilofo mafy amin’ny filalaovana baolina. Nisaotra sy nankahery an’i Carolus, ihany koa tetsy ankilan’izany, ny renin’i Julio. TompondakaL’article Kitra: nanolotra «maillot», ho an’i Julio i Carolus a été récupéré chez Newsmada.