Lakers

Basket - Sport - Zahana toetra ny faharetan’i LeBron James
Zahana toetra ny faharetan’i LeBron James

Faharetana. Hatramin’ny nahatongavan’i Lebron James tao amin’ny Lakers, dia eo ambavan’ny olona rehetra aty Californie izany teny izany, na dia tsy mora aza ny mampihatra azy. Kanefa na dia kely fotsiny foana aza ny faharesena azon’izy ireo, dia mampikorontana ihany ireo tsy fahombiazana eo amin’ny defense, indroa nandresy tao anatin’ny lalao fito. Koa dia nibedy mafy an’i Luke Walton i Magic Johnson, na dia mamerimberia foana isaky ny lalao ny « King » fa tsy hilamina tampoka ohatry ny magie magie io zavatra io. « Izany no notoriako hatramin’ny fiatombohan’ny saison : mila faharetana », araky ny nohazavainy tany Portland 10 andro lasa izay. « ny tsirairay aminay mahalala fa tokony ho hitanay izay tsara vitanay sy izay tsy mety ihany koa. Ny mampitombo an’izay fiaraha-milalao izany dia tsy mora araky ny heritreretinareo. Tsy tahaka ny hoe zavatra mamatam-bonona io. » Na izany aza tsy mahataty faharesena i Lebron ary manomboka leo ihany ko aizy. « Tsy niteny mihitsy aho, fa fantatrareo aho, fantatrareo ny toetrako », raha ny nazavainy tamin’i Yahoo ! Sports. « Saika kivy aho tamin’ny herinandro. Tsy maintsy nipetraka aho dia niteny tamin’ny tenako ho : « efa fantatr’ialahy tsara ny zavatra nidiran’ialahy ». tsara ho anahy izany lalana nodiavina izany. Mila manahy ny faharetana aho. » Hatramin’io fiatombohana sarotsarotra io, dia nihezaka ny Lakers. Marina fa nananosarotra ny fandresena kanefa fandresena dimy ao anatin’ny lalao enina izao ry zareo, ka dia efa mihoatra ny 50% izany ny fandresena ananany. Miampy ny fanampian’i Tyson Chandler eo amin’ny Defense, dia afaka mifantoka amin’izay izao ny Lakers. Ny tapa-bolana ho avy izao izao dia afaka ny hanaovana an’izay satria mila mandray an’ny Portland sy Utah izy ireo, ny lalao roa amin’ny Magic sy ny dia atao ho any Miami sy i Cleveland dia mety mbola afaka hanampiana ny fandresena. Sady hampatsiahy zavatra an’i Lebron ihany koa…

Tohizo ny famakiana >>

Malaza androany

Notsongaina

Fandrobana ny oniversite Advantista :: Tafatsoaka ny roa tamin’ireo voalaza fa mpangalatra

Natolotra ny Fitsarana tany Antsirabe, omaly, ny vokatry ny famotorana nataon’ny zandarimaria momba ny fahavakisan’ny oniversite Advantista Zurcher any Antsoatany-Antsirabe. Olona miisa fito amby roapolo no voarohirohy tamin’ity raharaha ity. Tafatsoaka ny roa tamin’ireo ahiana ho tena jiolahy. Nanokatra famotorana avy hatrany indray ny kaompanian’ny Zandarimaria any Antsirabe. Hatramin’ny omaly hariva dia tsy mbola vita ny fanolorana ny Fitsarana ny raharaha niaraka tamin’ireo voampanga. Ankoatra an’ireo mpiambina ny sekoly miisa fito ambin’ny folo sy olona roa hafa voasambotra taty an-drenivohitra ary olona roa efa voatazon’ny zandarimaria any Ambohibary, dia misy ihany koa ireo olona hafa isan’ireo natolotra ny Fitsarana omaly. Loharanom-baovao iray no nahafantarana fa nisy tamin’ireo voampanga ho isan’ireo jiolahy no tafatsoaka. « Misy ny famotorana nataonay hatramin’ny alina momba ity raharaha tany Ambohibary ity. Misy ireo efa vita fakàna am-bavany ny vavolombelona tamin’ny zava-nisy. Ny antony nahatafatsoaka ireo olona ireo dia ho fantatra aorian’ ny famotorana », hoy ny avy amin’ny zandarimaria any Antsirabe. L’article Fandrobana ny oniversite Advantista :: Tafatsoaka ny roa tamin’ireo voalaza fa mpangalatra est apparu en premier sur AoRaha.

Voile: mitaraina ireo mpilalao malagasy

Nanambara ireo mpilalao voile (kitesurf /windsurf) malagasy fa tratry ny kiantranoantrano, amin’ny fandefasana ireo solontena malagasy miatrika ny « Lalaon’ny Nosy », atsy Nosy Maorisy, izy ireo. Nambaran-dRazafindrasata Tsiry, filohan’ny fikambanana MKA (Madagascar Kiteboarding Association), fa araka ny vaovao voarain’izy ireo, zanak’olona ao anatin’ny federasiona malagasin’ny voile ny nalefa hisolo tena an’i Madagasikara any amin’izany fihaonambe iraisan’ny Nosy, aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, izany.Nomarihiny fa tsy nisy fifaninanana fifantenana nataon’ny federasiona nahalalana izay mendrika handeha amin’io « Lalaon’ny Nosy » io fa notendrena fotsiny avy hatrany ireo atleta lahy iray sy vavy iray nankany Maorisy, miampy mpanazatra iray.Misy anefa ireo Malagasy tena mpiangaly sy mahafehy tsara io taranja voile io izay mampanao fiofanana any Antsiranana, amin’izao fotoana izao, raha ny fanambaran’i Tsiry. Izy ireo izay tsy nisy nantsoin’ny federasiona na nampahafantarina mikasika ny « Lalaon’ny Nosy ».« Araka izany, naneho ny alahelony ireo mpiangaly taranja voile (kitesurf/windsurf), izay mahatsapa tena fa afaka misolo tena an’i Madagasikara tsara ary tsy matahotra ny hihaona amin’ireo Reonioney sy Maorisianina ny amin’ny handrombahana medaly, saingy izao tratry ny resaka akamakama izao », hoy ny fitarainan’izy ireo. TorcelinL’article Voile: mitaraina ireo mpilalao malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Formaprod: tohanana ny tanora tantsaha mpandraharaha

Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep) sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Voarakitry ny fifanarahana ny fampiroboroboana ny fandraharahana any ambanivohitra ho an’ny tanora amin’ny alalan’ny Tranoben’ny Tanora sy ny Sehatra ho an’ny Tanora. Tanterahina amin’ny alalan’ny Fandaharanasa fampiofanana arakasa sy ny fanatsarana ny vokatry ny fambolena (Formaprod) ity fiaraha-miasa ity. Efa nanomboka ny taona 2018 ny fiaraha-miombon’antoky ny minisitera roa tonta. Naharitra herintaona sy tapany ny fiara-miasa andiany voalohany ary nahafa-po ny vokatra ary misy koa ny hohatsaraina. Miisa 29 ny mpampiofana sy mpandrindra tanora eny amin’ny Tranoben’ny Tanora nahazo fiofanana. Taorian’izay, miisa 850 ny tanora notohanan’izy ireo, notoroina lalana, ary nisy 374 ny tanora eny ambanivohitra  nomena fiofanana.Araka ireo, hotohizana hatramin’ny taona 2021 ity fiaraha-miasan’ny Maep sy ny MJS ity. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpanoro lalana miisa 30 any amin’ny Tranoben’ny Tanora, miampy mpanolotsaina miisa 22 amin’ny fanofanana arakasa ao anatin’ny Formaprod. Hanofana tanora mpandraharaha ambanivohitra miisa 2.700 indray izy ireo avy eo, hamatsy fitaovam-pamokarana sy akora (zezika, fanafody, …), hanombohany ny fihariany sy ny tetikasany avy. Harahina koa ny fanombohan’izy ireo, sady tohanana ara-kevitra sy ara-teknika.Njaka A. Mitentina 97,5 tapitrisa Ar ny tetibola ampiasaina amin’ity fiaraha-miombon’antoka ity, maharitra 30 volana ary tanterahina any amin’ny faritra miisa 11: Atsinanana, Analanjirofo, Analamanga, Menabe, Melaky, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Vatovavy Fitovinany, Sofia. L’article Formaprod: tohanana ny tanora tantsaha mpandraharaha a été récupéré chez Newsmada.

Barea indray mifoha

Na indray nandry na tsy indray nandry, dia niara-nifoha ny Barea. Diboky ny hafaliana tanteraka noho izany i Madagasikara, omaly. Teto Antananarivo fotsiny dia saika tafavoaka ny trano nitandahatra nanerana ny arabe avokoa ireo mpanohana ny Barea: nisy ireo andiany nandeha an-tongotra, nisy ireo nandeha fiara. Tsy teto an-drenivohitra ihany anefa, fa hatrany amin’ireo renivohitry ny faritra dia samy niara-nientana nampiseho ny hafaliany ny Malagasy rehetra. Araka izany, rehefa miray saina sy fo ny mpiray tanindrazana, indrindra ireo mpilalao dia mahavita dingana goavana. Na ny faneken’ny kapiteny Faneva Ima nanipy ny fehin-tanana teny amin’ny mpiara-milalao taminy dia lesona goavana ho an’ireo mpanao politika malagasy zatra ny lalan-dririnina tsy hidongy sehatra intsony. Fa ny tena tiana hahitsy koa dia ireo Malagasy sasany tsy mahita afa-tsy lafy ratsiny, tokony ho menatra amin’izay ireo mpanozona sy mpanaratsy tena tahaka ny omby lantsika. Rehefa miezaka sy miray hina dia mandresy sy mahavita na amin’ny fiainana andavanandro aza. Reseo lahatra ireo saonjo mpamarara mpiray vodirindrina aminao. Noho ny ady fo mafy nataon’ireo Barea sy ireo mpanohana vitsy noho ny betsaka niatrika ny lalao, tany Egipta ary indrindra koa ny firaisam-pon’ny mpanohana, teto an-tanindrazana, dia nandresy isika. Nahoana koa raha mba miray fo sy saina daholo dia hivoatra ity firenena ity. Ny soa fianatra ary ny mitabe tsy lanin’ny mamba. Alefa hatrany ry Barea. L’article Barea indray mifoha est apparu en premier sur AoRaha.

“Hiran’ny omaly”: hiverenana ireo sanganasan’i Naly Rakotofiringa

Ny kanto, mitoetra ary ny mpanakanto, tsy mba maty! Voaporofo hatrany izany, isaky ny misy ny hetsika famerenana ireo sy “kalon’ny fahiny”. 40 taona eo ho eo mantsy ny nahalasanan’i Naly Rakotofiringa kanefa mbola mitoetra ary misy mamelona hatrany ireo sanganasany. Taorian’ireo andiam-pampisehoana “Ny omaly”, “Ny hiranay fahiny”, sns, hisy indray ny seho hanasongadinana ny sanganasan’i Naly Rakotofiringa, ny alahady 28 jolay izao manomboka amin’ny 3 ora tolakandro etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Ireo nanao ny seho teo aloha ihany no hamelona izany. Anisan’ireny ry Zôzô sy ry Salomon izay zokiny indrindra mitarika ireo mpanakanto tanora. Eo koa ry Gothlieb, i Luk, ary i Lilie, izay efa mahafolaka tsara ny sanganasan’ity mpamorona ny “hiran’ny omaly” anisan’ny nalaza indrindra ity. Fantatra ihany koa fa hanampy azy ireo i Mirana. Ito farany izay nisongadina tamin’ny famerenana ireo kalon’ny fahiny, nialoha ny nananganany ny tarika R’Ikala Vazo. “Nisongadina tamin’ny teatra ary nanan-talenta manokana tamin’ny fitendrena piano i Naly Rakotofiringa. Nifameno izy sy i Jeanne Naly ka nampisongadina ny troupe Naly izay lasa Naly sy ny tariny taty aoriana”, hoy ny nambaran’i Salomon, anisan’ny nisongadina tamin’ny feo tao anatin’ny Naly sy ny tariny rahateo. Anisan’ny nampiavaka an’i Naly Rakotofiringa tokoa ny nitondrany fanovana eo amin’ny firafitry ny teatra sy ny hira teatraly. Taty aoriana, mbola izy ihany no nitondra voalohany ny “gala de chants”, nampisongadinana kokoa ny hira tamin’ny teatra. Tafita vetivety, avy eo nitety vanim-potoana maro izany, na voasokajy ho “kalon’ny fahiny” aza. Raha hira, manana maro i Naly Rakotofiringa ary tsy vita mandritra ny fampisehoana iray mihitsy izany. Ampahany ihany ny halahatr’ireto mpanakanto ireto kanefa azo antoka fa mbola hisy ny tohiny hiarahana amin’ny Gasy Events, mpikarakara. Zo ny Aina L’article “Hiran’ny omaly”: hiverenana ireo sanganasan’i Naly Rakotofiringa a été récupéré chez Newsmada.

Kizo iray ao Analavory: vehivavy ny mpitahiry ny fitaovam-piadian’ireo dahalo

Dahalo valo mianadahy indray voasambotry ny zandary avy ao ami’ny poste avancé (PA) Analavory distrikan’i Miarinarivo, ny alarobia 17 jolay 2019 lasa teo ka vehivavy (mpitahiry  ny fitaovam-piadiana ampiasain’ireo dahalo, miaraka amin’ny odigasy) ny iray amin’izy ireo.Araka ny fampitam-baovao nampitain’ny zandary avy any an-toerana, fokontany roa (Kianjasoa sy Ankaranana) ao amin’ny kaominina Analavory no lasibatr’ireto dahalo miisa valo ka lasan’izy ireo tamin’izany ny omby miisa 30. Tsiahivina fa ny 8 jolay 2019 lasa teo, nahazo antso ny zandary miasa ao amin’ny Poste avancé Analavory fa misy dahalo manafika ao amin’ny fokontany Kianjasoa, kaominina Analavory ka omby miisa 10 no lasan’ireo malaso. Namonjy teny an-toerana avy hatrany ny zandary niaraka tamin’ny fokonolona ka tratra teo amin’ny kizo fiafenany ireo dahalo ka raikitra ny fifandonana. nitsoaka ireo malaso, navelany teo ny omby miisa enina fa ny efatra kosa efa novonoin’izy ireo. Ny 10 jolay lasa teo indray, naharay antso indray ny zandary fa misy dahalo manafika ao amin’ny fokontany Ankaranana Ambodimanga, misy dahalo manafika io tanàna. Lasan’ireo malaso tamin’izany ny omby miisa 20. Nametraka ny paikady rehetra ny zandary ka niroso tamin’ny fanarahan-dia. Natao ny sakana teo amin’ny kizo izay holalovan’izy ireo ary nampandrenesina koa ny zandary avy ao amin’ny poste avancé Ambalanirana.Olona telo nidoboka am-ponja noho ny FIB hosoka…Rehefa nahatazana ny zandary sy ny fokonolona teo amin’ny kizo niafenany ireo dahalo dia raikitra ny fifandonana. vokany, tsy nahatohitra ny zandary ireo malaso ka navelan’izy ireo ny omby miisa 20 ary dahalo iray tratra niaraka tamin’ny basim-borona calibre 12 vita gasy.Nandritra ny famotorana nataon’ny zandary tamin’ity dahalo ity no nahafahana nisambotra ireo namany fito ka vehivavy ny iray izay nambaran’ny zandary fa mitahiry ny fitaovam-piadiana sy mpitazona odigasy. Nohamafisin’ny zandary fa mipetraka eny amin’iny faritra iny ihany izy ireo. Nahitana basim-borona roa hafa kao niaraka tamin’ny bala miisa enina, lefona, odigasy maromaro tao anaty kizo, ankoatra ireo niambozonan’ireo malaso. Mandritra ny hetsika ataon’ny zandary any an-toerana momba ny fijerena ny taratasin’omby (FIB) eny an-tsenan’omby ao amin’ny distrikan’i Miarinarivo, notarihin’ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovana Itasy, ny Kly Ralaikoa Armandin dia maro ireo taratasin’omby (FIB) hosoka ary olona telo no efa naiditra am-ponja ao Miarinarivo. Manentana hatrany ny zandary amin’ny fifanomezan-tanana amin’ny vahoaka mba hahafahana misoroka mialoha ny asan-dahalo toy izao.Jean ClaudeL’article Kizo iray ao Analavory: vehivavy ny mpitahiry ny fitaovam-piadian’ireo dahalo a été récupéré chez Newsmada.

Instat: mila volabe ny fanaovana antontanisa

Tombantombana no betsaka momba ny antontanisa eto Madagasikara. Tsy misy tarehimarika azo antoka, na ny isan’ny mponina aza. Koa raha tiana ny hampandroso ny toekarena, tsy maintsy ilaina ny antontanisa hamaritana ny tokony hatao. “Ny antontanisa no fototra iaingana eo amin’ny toekarena, nefa ny zava-misy samy manao fanadihadiana izay tandrify azy ny rehetra, minisitera sy sampandraharaha samihafa, ka tsy mety izay. Noho izany, mila arindra ny asa rehetra momba ny antontanisa, araka ny fenitra iraisam-pirenena”, hoy ny tale jeneralin’ny Instat*, Romalahy Isoara Zefania.Rehefa samy mamoaka antontanisa ny rehetra, sarotra ny ahafantarana ny tena marina, lasa tombantombana no betsaka. Mahakasika ny isan’ny mponina, ohatra, firy marina, 20, 23, 25 tapitrisa ? Tsy misy afaka manamarina izany. Koa nampahatsiahy ny lalàna vaovao, navoaka ny taona 2018, ny ao amin’ny Instat ny tokony hanomezana Tahiry manokana hiasana ho an’ny fitrandrahana antontanisa (FDS)*.Mila volabe ny fanaovana antontanisa, indrindra fa midadasika i Madagasikara, sarotra ny lalana fandehanana any amin’ny faritra maro sy fitaovana hoenti-miasa ho amin’izany. Fanangonana antontanisa tsy ataotao foana “1+1”, ohatra, fa mitaky teknika sy kajy samihafa hoenti-manatanteraka azy. Noho izany, ilaina ihany koa ny olona manampahaizana momba izany amin’izao andron’ny fivoaran’ny teknolojia izao.“Hatramin’izay, miankin-doha…”“Hatramin’izay miankin-doha amin’ny hafa momba ny famatsiam-bola ny Instat vao afaka manao ny asany, nefa miteraka lesoka lehibe izany raha mbola izay hatrany ny fomba fiasa”, hoy ny tale jeneralin’ny Instat. Mahaleotena afaka miasa tsara ny Instat rehefa manana io tetibolany io. Miainga avy amin’izany ny amoahana isaky ny roa na telo taona ny tahan’ny tsy fananan’asa, tahan’ny fahantrana, sns … Ahafahana mamaritra tetikasa mazava sy tetibola mifanaraka amin’izany ny fahalalana ireo. Hatramin’izay anefa ny Instat, sampana iray ao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola. R.Mathieu Instat* : Institut national de la statistiqueFDS* : Fond de développement de la statistiqueL’article Instat: mila volabe ny fanaovana antontanisa a été récupéré chez Newsmada.

Ambodifasina: nitsoaka ilay kamiaobe nandona fiara efatra

  Fiara miisa efatra indray nifandona teny amin’ny lalam-baovao teo amin’ny manodidina an’Ambodifasina, 5 km tsy hiditra an’Ivato, ny talata 25 jona 2019 tolakandro teo. Araka ny fanazavana voaray avy amin’ny polisy, kamiaobe iray nivily niankavia tampoka tsy nandefa jiro fampahafantarana no niteraka ny fifandonana tamin’ireo fiara miisa telo taoriany sy fiara iray nizotra ho any Ivato izay niala azy ka nidofotra tamin’ireo fiara telo hafa. Vokany, potika tanteraka ireo fiara ka nisy tamin’ireo olona tao anaty fiara koa no naratra tamin’ity loza ity. Nentina haingana namonjy hopitaly ireo naratra. Ilay kamiaobe fototry ny loza kosa nitsoaka nandositra. Nanao fizahana teny an-toerana ny polisy sy ny zandary. Misokatra ny fanadihadiana momba ity loza ity.J.CL’article Ambodifasina: nitsoaka ilay kamiaobe nandona fiara efatra a été récupéré chez Newsmada.

Formaprod: tohanana ny tanora tantsaha mpandraharaha

Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep) sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Voarakitry ny fifanarahana ny fampiroboroboana ny fandraharahana any ambanivohitra ho an’ny tanora amin’ny alalan’ny Tranoben’ny Tanora sy ny Sehatra ho an’ny Tanora. Tanterahina amin’ny alalan’ny Fandaharanasa fampiofanana arakasa sy ny fanatsarana ny vokatry ny fambolena (Formaprod) ity fiaraha-miasa ity. Efa nanomboka ny taona 2018 ny fiaraha-miombon’antoky ny minisitera roa tonta. Naharitra herintaona sy tapany ny fiara-miasa andiany voalohany ary nahafa-po ny vokatra ary misy koa ny hohatsaraina. Miisa 29 ny mpampiofana sy mpandrindra tanora eny amin’ny Tranoben’ny Tanora nahazo fiofanana. Taorian’izay, miisa 850 ny tanora notohanan’izy ireo, notoroina lalana, ary nisy 374 ny tanora eny ambanivohitra  nomena fiofanana.Araka ireo, hotohizana hatramin’ny taona 2021 ity fiaraha-miasan’ny Maep sy ny MJS ity. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpanoro lalana miisa 30 any amin’ny Tranoben’ny Tanora, miampy mpanolotsaina miisa 22 amin’ny fanofanana arakasa ao anatin’ny Formaprod. Hanofana tanora mpandraharaha ambanivohitra miisa 2.700 indray izy ireo avy eo, hamatsy fitaovam-pamokarana sy akora (zezika, fanafody, …), hanombohany ny fihariany sy ny tetikasany avy. Harahina koa ny fanombohan’izy ireo, sady tohanana ara-kevitra sy ara-teknika.Njaka A. Mitentina 97,5 tapitrisa Ar ny tetibola ampiasaina amin’ity fiaraha-miombon’antoka ity, maharitra 30 volana ary tanterahina any amin’ny faritra miisa 11: Atsinanana, Analanjirofo, Analamanga, Menabe, Melaky, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Vatovavy Fitovinany, Sofia. L’article Formaprod: tohanana ny tanora tantsaha mpandraharaha a été récupéré chez Newsmada.

Kitra: nanolotra «maillot», ho an’i Julio i Carolus

Tafahaona tamin’Andriamahitsinoro Andrea Carolus, mpilalaon’ny Barea ihany, ny alarobia lasa teo, i Julio. Ilay tovolahikely, nametaka ny anaran’i Carolus, teo amin’ny fanamiany. Raha tsiahivina, efa tany Égypte, no hitan’i Carolus, tamin’ny tambajotran-tserasera ilay sary, ary nampihetsi-po azy, izany.Nampitady an’i Julio, izy nony tafaverina teto Madagasikara ka izao nifanena izao, izy mirahalahy mianaka. Manana vina hanampy an’i Julio ho lasa lavitra amin’ny baolina kitra i Carolus fa mbola hiresaka tsara amin’ny reniny aloha. Faly, i Julio sy ny reniny, nihaona tamin’i Carolus. Raha ny fitantaran’i Julio dia tsy tia mpilalao afa-tsy i Carolus izy ary tsy manaiky mihitsy raha tsy mijery baolina rehefa manao ny Barea de Madagascar. Avy any Antsirabe, i Julio ary kilasy taona fahatelo na (10 ème), izy amin’izao.Nanolotra fanamiana misy ny laharana sy ny anarany ho an’i Julio, i Carolus, izay nampirisika azy, hianatra tsara sy hilofo mafy amin’ny filalaovana baolina. Nisaotra sy nankahery an’i Carolus, ihany koa tetsy ankilan’izany, ny renin’i Julio. TompondakaL’article Kitra: nanolotra «maillot», ho an’i Julio i Carolus a été récupéré chez Newsmada.

Toamasina: MD ny lehilahy iray nampihorohoro vehivavy tamin’ny facebook

  Nidoboka vonjimaika am-ponja (MD) ao Ambalatavoahangy ny lehilahy iray voarohirohy ho nampihorohoro vehivavy tamin’ny facebook. Araka ny fanazavan’ny polisy, nosamborin’ny polisy tany Toamasina, ny 7 jona lasa teo, ity lehilahy ity noho ity resaka fampihorohoroana amin’ny famoahana sary manokana amin’ny facebook ity. Nilaza ity vehivavy ity fa misy fahasimbana ny telefaonina novidiany tao amin’ny fivarotana iray. Nisy lehilahy iray mpiasa tao amin’io fivarotana io nandray ilay vehivavy ka nilaza fa mila jereny ilay telefaonina. Rehefa nojeren’ity lehilahy ity ilay telefaonina, nataony dika mitovy “copie” avokoa ny sarin’ilay vehivavy tao anaty telefaonina sady nanamboatra ilay finday ihany izy. Fotoana fohy taorian’izay, nisy nandefa hafatra tao amin’ny facebook-n’ilay vehivavy fa mila manome vola 4 tapitrisa Ar izy fa raha tsy izany, haparitaka ao amin’ny facebook ny sarin’ilay vehivavy. Tsy niandry ela ilay niharan’ny fampihorohoroana fa nanatona ny polisy ao amin’ny “cybercriminalité” Anosy nametraka fitoriana. Natao ny famotorana ka rehefa nanao ny vela-pandrika ny polisy, noraisim-potsiny tao Toamasina izy. Nampiasa kaonty tsy tena izy “compte fake” nampihorohoroana ilay vehivavy ity lehilahy ity. Niaiky ny heloka vitany ilay mpampihorohoro.Jean Claude L’article Toamasina: MD ny lehilahy iray nampihorohoro vehivavy tamin’ny facebook a été récupéré chez Newsmada.

Raharaha 19 jolay 1948: notsaroana manokana ireo mahery fo Malagasy

Feno 71 taona katroka, omaly (19 jolay 1948 – 19 jolay 2019) ny nitifiran’ireo mpanjanatany ireo mahery fo nitaky ny fahaleovantenan’i Madagasikara teny Avaratra Ambohitsaina dia ny Lietna Randriamaromanana Albert, Rakotobe Samuël, Ratsizafy Samuël, Bekamisy ary Lezoma.Ho fahatsiarovana ny fitiavan-tanindrazana izay nasehon’izy ireo tamin’izany, tonga nametraka fehezam-boninkazo teny amin’ny toerana nitifirana azy ireo sy teny amin’ny Tobi-Miaramila Regimanta voalohan’ny Miaramila Analakely mitondra ny anaran’ny Lietnà Randrimamaromanana Albert ny solontem-pianakaviany sy ireo andiany niaraka taminy ary ny Praiminisitra Christian Ntsay, nisolo tena ny Filoha Rajoelina. Nandritra ny fandraisam-pitenanan’ny Fitaleanan’ny mpiady tia tanindrazana, ny Kly Rakotonirina Lala Jacquis no nanambarany fa tsy fanadino ny ezaka fitiavan-tanindrazana nasehon’izy ireo fa mendrika ny hotsaroana. Ny tantara no miantoka ny ho avy ka nilazany fohifohy ny tantaran’ny namonoana ireo mahery fo Malagasy ireo. Ny Malagasy manontolo no tokony hivondrona ao anatin’ny Vondrona Tia Tanindrazana izay iandraketan’ny sampandraharaha ny mpiady Tia Tanindrazana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN).Ohatra ho an’ny taranaka…, hoy ny PM“Feno fitiavan-tanindrazana sy namela mamy ary lova tsara ho an’ny taranaka aty aoriana ny ohatra nasehon’ireo mahery fo ireo”, hoy ny Praiminisitra Christian Ntsay. Nohamafisiny hatrany fa ny vahoaka malagasy dia tokony hoentanin’izany afom-pitiavan-tanindrazana izany koa mba hamerenantsika sy hanamafisantsika hatrany ny fifampitokisana sy ny fifamenoana eo amin’ny mpitondra isan-tsokajiny ary ny vahoaka. “Fifampitokisana sy fifamenoana izany dia mba ho soatoavina hampitambatra ny hevitra hanatanterahana fampandrosoana ny firenena sy fanandratana ny fahamasinan’ny tanindrazana”, hoy izy.Nisaotra manokana ireo bekotro maro holatra kosa ny Sekretera jeneralin’ny MDN, ny Amiraly Ranaivosehono Antoine de Padoue. “Ohatra ho antsika taranaka aty aoriana ary tokony halain-tahaka izany fitiavan-tanindrazana nasehon’izy ireo tamin’izany vanim-potoana izany. Ny fahafoizana ny aina no fitiavana faratampony”, hoy izy.Jean ClaudeL’article Raharaha 19 jolay 1948: notsaroana manokana ireo mahery fo Malagasy a été récupéré chez Newsmada.