Kitra

Foot - News - Sport -  «Can 2019» miaiky izao tontolo izao: tafita amin’ny 1/4-dalana ny Barea
 «Can 2019» miaiky izao tontolo izao: tafita amin’ny 1/4-dalana ny Barea

Manohy ny lalany ny Barean’i Madagasikara, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra “Can 2019”. Resiny, teo amin’ny ampahavalon-dalana, ny Leopard-n’i Kongo. Fandresena miezinezina ho an’ny Malagasy,… nampiaiky izao tontolo izao!Nanoratra tantara vaovao, eo amin’ny baolina kitra afrikanina, indray ny Barean’i Madagasikara. Fandresena miezinezina ny azony, omaly, nanoloana ny Leopard-n’ny RD Kongo, teo amin’ny dingana ampahavalon-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”, taranja baolina kitra.Manohy ny diany mankany amin’ny ampahefa-dalana indray ny Barean’i Madagasikara. Miaiky izao tontolo izao, ary vaky vava ireo mpanao gazety maneran-tany fa mahay ny Malagasy ary tena ekipa kely, toa an’i Davida, nandavo an’i Goliata. Nanimba sy nanapotika ireo firenena goavana rehetra, eto Afrika, tamin’ity “Can 2019” ity.Raha hiverenana ny fihaonana, omaly tao amin’ny kianja Alexandrie, resin’ny Barean’i Madagasikara, tany amin’ny fandakana ny “tirs au but”, 4 no ho 2, ny Kongoley. Fihaonana nampitaintaina, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ary nila hanampina ny fofonain’ireo rehetra nijery sy nanaraka izany mivantana.Nitarika anisa hatrany ny Barea, ary nanenjika ry zareo Leopard-n’i Kongo. Nahatafiditra ny baolina voalohany i Ibrahim Amada, teo amin’ny minitra faha-9, tamin’ny alalan’ny daka mandrivorivo.Varimbariana kely ny BareaNifamaliana avy eo ny fanafihana ary niezaka nanao izay ho afany ry Maghoma sy ry Mulumbu, saingy nahay niaro tena hatrany ry Bapasy sy i Metanire ary i Fontaine. Na izany aza, nisy fotoana somary natoritory ny Barea, hany ka nanao totoafo ny Kongoley. Nosahalainy mihitsy izany, teo amin’ny minitra faha-21, tamin’ny alalan’i Bakambu. Io isa 1 sy 1 io ny nentin’ny roa tonta niala sasatra.Samy niezaka nitady irika namonoana baolina ny roa tonta teo amin’ny fizaram-potoana faharoa. Nitarika indray ny Barea, taorian’ny tolotra nataon’i Metanire, ho an’i Ima, izay namono ny baolina tamin’ny lohany, teo amin’ny minitra faha-77. 2 no ho 1 ny isa teo. Nanidy trano ny Barea avy eo, saingy totoafo ny fanafihan’ny Kongoley. Nosahalain-dry zalahy izany, tany amin’ny 89 mn. Voatery niditra teo amin’ny fanalavam-potoana ny roa tonta, saingy tsy nisy ihany ny baolina tafiditra. Afa-bela tamin-dry zareo Kongoley ny Barean’i Madagasikara . Izay tafavoaka amin’i Tonizia sy i Ghana, amin’ny lalao anio, no hidona amin’ny Barean’i Madagasikara. Tompondaka L’article  «Can 2019» miaiky izao tontolo izao: tafita amin’ny 1/4-dalana ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Tohizo ny famakiana >>

Foot - News - Sport - News Mada

«Can 2019»: nijery ny kianjan’i Alexandrie ny Gineanina sy ny Nizerianina

Tsy niandry ela fa iray andro monja taorian’ny fahavitan’ny antsapaka nahalalana ireo ekipa iray vondrona, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”, hatao any Egypta, izany hoe : ny asabotsy lasa teo, nijery avy hatrany ny kianja hilalaovany ao Alexandrie ireo tomponandraikitra sy ny teknisianina, avy amin’ny ekipan’i Ginea Konakry sy ny Nizerianina, iray vondrona amin’ny Barea de Madagascar.Nidina nijery ifotony mihitsy izy ireo ny amin’ny toetoetry ny bozaka hilalaovana sy ny firafitry ny toerana ary ny pitsopitsony rehetra. Midika izany fa mailo tanteraka izy ireo ka mitandrina mafy, amin’ity fifanintsanana isam-bondrona ity.Raha tsiahivina, kianja anisan’ny zokiny indrindra ao Egypta ny Stade d’Alexandrie. Natsangana ny taona 1929 izany fotodrafitrasa izany, ary efa nandray ny lalao fifanintsanana, tamin’ny “Can”, notanterahina tany an-toerana, ny taona 2006.Ny taona 2009 vao nasiam-panamboarana izany kianja ao Alexandrie izany, mahazaka mpijery mihoatra ny 80.000. Bozaka natoraly no hilalaovana ao fa tsy “synthétique” akory. Kianja hilalaovan’ny Ittihad Alexandrie sy ny Al Olympi ary ny Smouha Sporting Club. TompondakaL’article «Can 2019»: nijery ny kianjan’i Alexandrie ny Gineanina sy ny Nizerianina a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra – «THB ligue des champions»: Jet Mada Itasy (2) – (2) Fosa Jr Boeny

Nitohy, ny asabotsy sy omaly alahady, ny andro faharoa, amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “THB ligue des champions”, taranja baolina kitra. Tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, nisaraka ady sahala, 2 no ho 2, ny Jet Mada Itasy sy ny Fosa Jr Boeny. Azo lazaina fa tratry ny tsy nampoizina ihany ny ekipan’Itasy izay efa nitarika tamin’ny isa, 2 no ho 0 teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Baolina matin’i Tsiry sy i Tsito, tamin’ny alalan’ny “pénalty”.Nosahalain’ny Fosa Jr izany teo amin’ny fidirana faharoa, tamin’ny alalan’ny “pénalty”, tafiditr’i Baggio. Tsy nijanona teo fa mbola nanampy ny isa ho azy indray ny ekipan’i Boeny, tamin’ny alalan’ny “coup francs” matin’i Santatra, nahavery an’i Joma, mpiandry tsatobin’ny Jet Mada Itasy.Ankoatra izay, tany Toliara, resin’ny AS Adema Analamanga, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny 3FB Atsimo Andrefana. Tany Fianarantsoa, nisaraka ady sahala 1 sy 1, ny  FC Zanakala sy ny Ajesaia. Teny Vontovorona kosa, nahiliky ny Cnaps sport tamin’ny isa 5 noho 1 ny FC Ilakaka. Tompondaka L’article Kitra – «THB ligue des champions»: Jet Mada Itasy (2) – (2) Fosa Jr Boeny a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

Kick-off – «Futsal tournament 2019»: norombahin’ny UCM ny amboara

 Tontosa, ny asabotsy lasa teo tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny andiany faharoa, amin’ny Kick-off – «Futsal tournament 2019». Voahosotra ho tompondaka ny UCM (Université catholique de Madagascar), rehefa nandresy ny Imgam, teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 6 no ho 4. Niady ny lalaon’ny roa tonta satria nifanenjehana ny isa teny amin’ny solaitrabe. Nisaraka tamin’ny isa mitovy, 3 no ho 3, ny roa tonta, teo am-pialan-tsasatra. Efa tany amin’ny 10 mn farany vao afaka ny UCM. Nitana ny laharana fahatelo ny IUM (Institut des universités de Madagascar).Voahosotra ho mpilalao nampiditra baolina be indrindra i Rado avy amin’ny IUM ary i Rejela, kapitenin’ny Imgam, kosa ny mpilalao mendrika. Nomena ny mpianatra avy amin’ny Esmia ny amboaran’ny “fair-play” ary ny mpanohana ny INTH no nandrombaka ny “meilleur supporteur”.“Afa-po izahay ary misaotra ireo mpanohana sy ny mpijery ary ireo mpandray anjara rehetra, ianareo mpanao gazety, tamin’ity andiany faharoa ity. Ezahina ny hanatsara ny andiany fahatelo”, hoy Rajaona Davida, filohan’ny IEP, mpikarakara. Torcelin L’article Kick-off – «Futsal tournament 2019»: norombahin’ny UCM ny amboara a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - Ao Raha

KITRA – «UEFA CHAMPIONS LEAGUE» :: Nanara-dia ny PSG ho any amin’ ny ampahavalon-dalana ny Lyon

Ny klioba frantsay, Olympique Lyonnais (OL), no ekipa faha-16 tafita hiatrika ny dingan’ny ampahavalon-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa ho an’ireo klioba na ny “Uefa Champions League”, taranja baolina kitra. Nisaraka ady sahala, 1 sy 1, izy ireo sy ny Shakhtar Donetsk, ny alarobia alina lasa teo tany Kiev. Tao anatin’ny rano- mandry no nanaovana ity lalao namaritra ny ekipa faha-16 hiatrika ny dingana manaraka ity. Tamin’ny lalao mandroso dia nisaraka ady sahala, 2 sy 2, ny roa tonta tany amin’ny kianjan’i Lyon. Satroka roa Nitarika tamin’ny alalan’ny isa 1 noho 0, teo amin’ny minitra faha-22 ny solontenan’i Ukraine, tamin’ity lalao miverina ity, tamin’ny alalan’i Junio Moraes. Efa tany amin’ny minitra faha-65 vao nahasahala ny isa i Nabil Fekir, kapitenin’ny Olympique Lyonnais, ka nahatonga azy ireo ho tafita amin’ny dingana manaraka. Hotanterahina any Nyon Soisa, amin’ny alatsinainy 17 desambra ho avy izao, ny antsapaka hahafantarana izay hifanandrina amin’ity dingan’ ny ampahavalon-dalana ity. Hozaraina ao anatin’ny satroka roa ireo ekipa enina ambin’ny folo ka napetraka ho lohan’andiany ireo laharana voalohany tao amin’ny vondrona. Isan’ireny ny Barcelone (ESP), Bayern Munich (GER), Borussia Dortmund (GER), Juventus (ITA), Manchester City (ENG), Paris (FRA), Porto (POR), Real Madrid (ESP). Ao amin’ny satroka faharoa kosa ireo laharana faharoa dia ny Ajax Amsterdam (NED), Atlético Madrid (ESP), Liverpool (ENG), Lyon (FRA), Manchester United (ENG), Roma (ITA), Schalke 04 (GER), Tottenham Hotspur (ENG). Klioba Anglisy efatra, Alemana telo, Espaniola telo, Italiana roa, Frantsay roa, Portigaly iray ary Pays Bas iray no tafita hiatrika an’ity dingana ity . Hotontosaina amin’ny 12/13, 19/20 febroary 2019 sy amin’ny 5/6, 12/13 marsa 2019 ho avy izao ireo lalao mandroso sy miverina hanamarika ny dingan’ny ampahavalon-dalana ho an’ity fifaninanana kaontinantaly ity. L’article KITRA – «UEFA CHAMPIONS LEAGUE» :: Nanara-dia ny PSG ho any amin’ ny ampahavalon-dalana ny Lyon est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - Ao Raha

KITRA – FIFANINANANA AFRIKANINA :: Hanainga ho any Afrika Atsimo rahampitso ny Elgeco Plus

Hotanterahina, amin’ny sabotsy 15 desambra ho avy izao, amin’ny 8 ora sy 15 minitra alina, any an-toerana (9 ora 15 minitra eto Madagasikara) ny lalao mandroso ho an’ny dingan’ny 1/16-n-dalan’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona afrikanina, taranja baolina kitra, hifanandrinan’ny Kaizer Chiefs avy atsy Afrika Atsimo sy ny Elgeco Plus avy eto Madagasikara. Hanainga rahampitso alakamisy amin’ny 4 ora hariva, hihazo an’i Nairobi ny delegasiona malagasy misy mpilalao valo ambin’ny folo avy eo hamonjy an’i Durban, toerana hanaovana ny lalao amin’ny sabotsy ho avy izao. “Mpilalao iray ihany no mbola tsy afa-milalao amin’ireo delegasiona avy tany Guinée Equatoriale. Voadona nandritra ny lalao miverina i Ando, vodilaharana, ka tsy isan’ireo hiatrika ny lalao mandroso. Ho hita eo ny fivoaran’ny toe-pahasalamany amin’ny lalao miverina”, hoy i Robson Hubert na i Bob, mpanazatra. Klioba vahiny iray avy any Afrika Atsimo, manana mpilalao malagasy iray, no hihaona amin’izy ireo any an-toerana. “Fanamby goavana ho anay ny hilalao amin’ny ekipan’ny Kaizer Chiefs, hilalaovan’i Arohasina na i Dax. Efa matetika nilalao taminay izy niaraka tamin’ ny Tana Formation na ihany koa tamin’ny Fosa Juniors Boeny. Mino aho fa any aminy ny tsindry rehefa hilalao etsy Mahamasina izy amin’ny lalao miverina”, hoy ihany i Bob. Raha tsiahivina dia fandresena tamin’ny isa 3 noho 1 no azon’ny ekipa tompon’ny amboaran’i Madagasikara, tamin’ny lalao mandroso nihaonantsika tamin’ny Deportivo Unidad avy any Guinée Equatoriale, tetsy Mahamasina. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 2 noho 1, indray isika tany Malabo. Ny tambatr’isa 4 noho 3 no nampiakatra antsika ho eo amin’ny 1 /16-n-dalana. Tany amin’ny lalao mandroso, tany Afrika Atsimo, indray dia efa nomontsanin’ny Kaizer Chiefs, tamin’ny isa 4 noho 0, ny Zinamoto avy any Zanzibar. Fandresena aro voninahitra kosa no vitan’ity farany tamin’ny lalao miverina (2 – 1) ka nampihintsana azy ireo. L’article KITRA – FIFANINANANA AFRIKANINA :: Hanainga ho any Afrika Atsimo rahampitso ny Elgeco Plus est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - Ao Raha

KITRA – FIFANINANANA AFRIKANINA :: Hanainga ho any Afrika Atsimo rahampitso ny Elgeco Plus

Hotanterahina, amin’ny sabotsy 15 desambra ho avy izao, amin’ny 8 ora sy 15 minitra alina, any an-toerana (9 ora 15 minitra eto Madagasikara) ny lalao mandroso ho an’ny dingan’ny 1/16-n-dalan’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona afrikanina, taranja baolina kitra, hifanandrinan’ny Kaizer Chiefs avy atsy Afrika Atsimo sy ny Elgeco Plus avy eto Madagasikara. Hanainga rahampitso alakamisy amin’ny 4 ora hariva, hihazo an’i Nairobi ny delegasiona malagasy misy mpilalao valo ambin’ny folo avy eo hamonjy an’i Durban, toerana hanaovana ny lalao amin’ny sabotsy ho avy izao. “Mpilalao iray ihany no mbola tsy afa-milalao amin’ireo delegasiona avy tany Guinée Equatoriale. Voadona nandritra ny lalao miverina i Ando, vodilaharana, ka tsy isan’ireo hiatrika ny lalao mandroso. Ho hita eo ny fivoaran’ny toe-pahasalamany amin’ny lalao miverina”, hoy i Robson Hubert na i Bob, mpanazatra. Klioba vahiny iray avy any Afrika Atsimo, manana mpilalao malagasy iray, no hihaona amin’izy ireo any an-toerana. “Fanamby goavana ho anay ny hilalao amin’ny ekipan’ny Kaizer Chiefs, hilalaovan’i Arohasina na i Dax. Efa matetika nilalao taminay izy niaraka tamin’ ny Tana Formation na ihany koa tamin’ny Fosa Juniors Boeny. Mino aho fa any aminy ny tsindry rehefa hilalao etsy Mahamasina izy amin’ny lalao miverina”, hoy ihany i Bob. Raha tsiahivina dia fandresena tamin’ny isa 3 noho 1 no azon’ny ekipa tompon’ny amboaran’i Madagasikara, tamin’ny lalao mandroso nihaonantsika tamin’ny Deportivo Unidad avy any Guinée Equatoriale, tetsy Mahamasina. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 2 noho 1, indray isika tany Malabo. Ny tambatr’isa 4 noho 3 no nampiakatra antsika ho eo amin’ny 1 /16-n-dalana. Tany amin’ny lalao mandroso, tany Afrika Atsimo, indray dia efa nomontsanin’ny Kaizer Chiefs, tamin’ny isa 4 noho 0, ny Zinamoto avy any Zanzibar. Fandresena aro voninahitra kosa no vitan’ity farany tamin’ny lalao miverina (2 – 1) ka nampihintsana azy ireo. L’article KITRA – FIFANINANANA AFRIKANINA :: Hanainga ho any Afrika Atsimo rahampitso ny Elgeco Plus est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - News Mada

Beach soccer – «Can 2018»: nihintsana ny Barea de Madagascar

Tapitra hatreo ny lalan’ny Barea de Madagascar eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2018), taranja beach soccer. Mbola resin’i Maraoka indray ny Malagasy, teo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona.  Lavon’ny Liona-n’i Atlas avy any Maraoka, tamin’ny isa 6 no ho 4, ny Barea de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2018), taranja beach soccer, ho an’ny sokajy “A”. Fihaonana,  notanterahina omaly talata, tao amin’ny kianja Laguna Vista Stadium, Sharm El Sheikh.Sahirana ny Barea de Madagascar satria nofehezin’ny Maraokanina tanteraka ny lalao tao anatin’ireo fe-potoana 12 mn, intelo miditra. Vao nanomboka dia efa nitarika an’isa ny Maraokanina. Tao anatin’ny minitra 5 monja dia efa nitarika tamin’ny isa, 3 no ho 0 ry zareo.Tsy tafiditra mihitsy ny mpilalao malagasy fa toa niharitra ny fanafihana nataon’ny mpifanandrina.Nanao fahadisoana matetika ihany koa ry zalahy ka nanome vahana ny Maraokanina, tamin’ny “coup de pied arrêté”. Teo amin’ny fiafaran’ny fizaram-potoana faharoa, nitarika 5 no ho 0 ny Maraokanina. Anisan’ny nampiditra baolina tamin’izany, ry Abada sy i Iazal ary El Hadaoui. Taorian’io vao nifoha tamin’ny torimasony ry Romain sy i Enidiel ary ry Tinasoa. Niezaka nanafika sy nanao izay ho afany, saingy efa nahazo tombony lavitra ny Maraokanina, ka sarotra ny nanenjika azy ireo.Na nahatafiditra baolina aza mantsy ny Barea de Madagascar, mbola nanampy isa ho azy ihany koa ry zareo, ka tsy nisy fanafany intsony. Manohy ny lalany ary hiatrika ny manasa-dalana, ho an’ny sokajy “A”, izany, ny liona-n’i Atlas, miaraka amin’ny Faraonan’i Egypta.Hiady ny toerana fahadimy kosa ny Barea de Madagascar, amin’ity alarobia ity ka hifanandrina amin’i Tanzania, laharana fahefatra, tao amin’ny sokajy “B”.Efa tafakatra amin’ny ankatoky ny famaranana ihany koa ny liona Teranga avy any Sénégal sy ny voromaherin’i Nizeria. TompondakaL’article Beach soccer – «Can 2018»: nihintsana ny Barea de Madagascar a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - Ao Raha

KITRA AMINA TORA-PASIKA :: Hanainga, anio ho any Ejypta, ny Barea Beach Soccer

Lasa ihany. Raha mbola nanjavozavo, iray volana lasa izay, ny mety ho fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika taranja baolina kitra lalaovina amina tora-pasika na “Can Beach Soccer” dia hanainga anio ihany izy ireo. Hotanterahina any Ejypta amin’ny 8 – 13 desambra ho avy izao ity fifaninanana kaontinantaly efa nahazoan’i Mada- gasikara ny anaram-boninahitra, tamin’ny andiany voalohany ity. Andiany fahatelo izao hotanterahina any amin’ny firenen’i Faraona izao. Mpilalao roa ambin’ ny folo no mandrafitra ny delegasiona tarihin’i Benony Jacques, mpikambana ao amin’ny komity vaovaon’ny Federasiona. Saika ireo mpilalao efa nisalotra ny anaram-boninahitra tamin’ny taona 2015 ny ankamaroan’izy ireo. Isan’ireny ry Jhorialy sy Tsiliva ary Ymelda. Misy ihany koa ireo efa tao anatin’ny ekipam-pirenena foana toa an-dry Angéluc, Enidiel sy ireo maro hafa. Hiray vondrona amin’i Ejypta (mpampiantrano), Maraoka ary Côte d’Ivoire, ny Barean’i Madagasikara, amin’ity fifaninanana kaontinantaly ity. Hifanintsana eo amin’ny vondrona B kosa i Sénégal, Nizeria, Lybia ary Tanzania. I Côte d’Ivoire no hihaona voalohany amintsika, amin’ny alahady 9 desambra izao. I Ejypta sy Maraoka kosa no hanohy izany, amin’ny alatsinainy 10 sy talata 11 desambra. Aorian’io dia hiatrika ny dingan’ny ampahefa-dalana ireo ekipa valo mandray anjara, mialoha ny hanohizana amin’ny dingan’ny manasa-dalana sy famaranana. L’article KITRA AMINA TORA-PASIKA :: Hanainga, anio ho any Ejypta, ny Barea Beach Soccer est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - News Mada

CAN Beach Soccer: hanainga anio ny Malagasy

Notsofina rano teny amin’ny foiben’ny federasiona malagasy ny baolina kitra, Isoraka, ireo mpilalao miisa 12 hiatrika ny dingana famaranana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, baolina kitra eny amin’ny tora-pasika. Lalao izay hatao any Egipta manomboka rahampitso 8 desambra, hatramin’ny 11 desambra ho avy izao. Vonona ny hitondra avo ny voninahi-pirenena ny ekipa malagasy Barea mandritra ity lalao hotanterahina any Ejypta ity. Nivoatra ny traikefan’ireo mpilalao tamin’ity taona ity, raha ny voka-dalao no jerena. Tsara mantsy ny vokatra ho an’ny Malagasy, raha hiverenana ny lalao farany tamin’ny fifanintsanana, nifanandrinan’ny Barea tamin’ny ekipan’ny Mozambika. Nomontsanin’ny Malagasy tamin’ny isa 5 no ho 4 ry zareo Mozambikanina, nandritra ny lalao mandroso notanterahina tany Mozambika. Sahala 5 no ho 5 kosa ny fifanandrinana tamin’ny lalao miverina notontosaina tany Mahajanga. Isa 10 no ho 9, araka izany, no nisarahan’ny roa tonta rehefa natao ny tambatr’isa ka nahazo ny tapakila hiatrehana izao dingana famaranana amin’ny CAN 2018 izao ny ekipa malagasy. Fantatra fa hisantatra ny lalao, ny alatsinainy ho avy izao, ny ekipa malagasy, manoloana ny ekipan’ny Egipta, raha ny fandaharam-potoana. Nanome toky ireo mpilalao fa hanao izay fara hery handresena ity ekipa mpampiantrano ity ary hitondra medaly hiverina eto an-tanindrazana. Anio amin’ny 2 ora sy sasany no hanainga ireo mpilalao miisa 12 tarihin’ny filohan’ny delegasiona, Benony Jacques. Mi.Raz Ny lisitry ny mpilalao, hanainga anio 1- RAFALIMANANA Jhorialy 2- ANDRIMIFEHY Chrétien 3- LAIAGNARA Jean Jacques 4- ETIENNE Giovanni Oscar 5- RICHARD Marcel 6- RATSIAMARINALA Jasmin Juliot 7- RAMANANTSOANY Hollas 8- RABEASIMBOLA Tianasoa 9- RAZAFIMNDIMBY Ymelda 10- ENIDIEL Régis 11- FITANA Romain 12- RAZAFINILAINA AngelucL’article CAN Beach Soccer: hanainga anio ny Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra Afrikanina: ny Kaizers Chiefs no miandry ny Elgeco Plus

Ny ekipan’i Afrika Atsimo indray no miandry ny Elgeco Plus, amin’ny lalao ampaha-valondalana, fifaninanana afrikanina, taranja baolina kitra, taorian’ny fandresena azony nanoloana ny ekipan’ny Ginea Ekatoraly. Ny 14 desambra izao indray no hiakatra an-kianja ny Elgeco Plus ka ny ekipan’ny Kaizers Chiefs avy any Afrika Atsimo no hifanandrina aminy. Lalao mandroso, savaranonando, io hatrehan’ny ekipa malagasy io, hotontosaina any Afrika Atsimo. Ny faha-21 ny volana desambra kosa ny lalao miverina izay hatao eto Madagasikara. Raha tsiahivina, nolavoin’ny Deportivo Undidad tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Elgeco Plus, ny alarobia lasa teo, nandritra ny lalao miverina, tany Ginea Ekatoraly. Tafakatra amin’ny dingana manaraka ihany anefa ny ekipa malagasy, rehefa natao ny tambatr’isa ka nanome, 4 no ho 3. Mbola ady goavana ity hatrehina afaka tapa-bolana ity ka ilaina fahavononana avy amin’ny mpilalao tsirairay, raha ny fanazavana nentin’ireo mpilalao. Mila maka lesona ihany koa manoloana ny faharesena tamin’ny Ginea Ekatoraly iny, indrindra amin’ny fanaovana tandrevaka eny ambony kianja, raha ny fanazavana hatrany.   Mi.RazL’article Kitra Afrikanina: ny Kaizers Chiefs no miandry ny Elgeco Plus a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra afrikanina: resin’ny FC Platinum ny Cnaps Sport

Tapitra hatreo ny lalan’ny Cnaps Sport, eo amin’ny fifaninanana afrikanina, taranja baolina kitra. Resin’ny FC Platinum avy atsy Zimbaboe, teo amin’ny lalao miverina, ry zalahy, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Nihintsana teo amin’ny lalao savaranonando, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Ligue des champions”, taranja baolina kitra, ny Cnaps Sport. Resin’ny FC Platinum zimbaboe, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0, izy ireo, nandritra ny fihaonana miverina, notanterahina, omaly alarobia, tatsy Harare. Baolina tokana, tafiditr’i Rodwell Chinyengetere, teo amin’ny minitra faha-62. Niady hatramin’ny farany ny Cnaps Sport ary tena nampiseho endri-dalao nahafinaritra sy nahaliana ny mpijery zimbaboeanina. Betsaka ireo fanafihana sy ny baolina tokony ho tafiditry ny ekipa Malagasy, saingy tsy tao amin-dry zalahy mihitsy ny vintana. Niezaka nanindry ihany koa ny FC Platinum, ary nanao totoafo teo amin’ny fanafihana, saingy nahay sy tsara fipetraka hatrany i Leda, mpiandry tsatoby malagasy. Tsy nisy ny baolina tafiditra teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Niezaka nanafika hatrany ny Cnaps, teo amin’ny fidirana faharoa, saingy tsy nety nahafaty baolina mihitsy ry Lalaina sy ry Arnaud. Raha tsiahivina, 2 no ho 1, izany ny fitambaran’isa teo amin’ny ekipa roa tonta, teo amin’ny lalao mandroso sy miverina. Efa nisaraka ady sahala, 1 sy 1, ny roa tonta, nandritra ny lalao mandroso, natao teny Vontovorona, ny alahady 2 desambra lasa teo. Tapitra hatreo izany ny fifaninanana, ho an’ny Cnaps sport, ho an’ity taona 2018 ity.   Tompondaka L’article Kitra afrikanina: resin’ny FC Platinum ny Cnaps Sport a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - Ao Raha

BAOLINA KITRA – AFRIKANINA :: Ho fantatra anio ny ho avin’ny Elgeco Plus sy ny Cnaps Sport

Handingana ny sakana voalohany eo amin’ny fifaninanana Afrikanina ny ekipan’ny Elgeco Plus sy ny Cnaps Sport, solontena malagasy amin’ity taom-pilalaovana ity. Hotanterahina anio ireo lalao miverina ho an’ireto ekipa roa ireto ka any Zimbaboe no hanafika ny tompondakan’i Madagasikara, raha any Guinée Equatoriale kosa no hiady ny Elgeco Plus. Anio amin’ny 4 ora hariva (amin’ny 6 ora eto Madagasikara) no hiakatra ny kianjan’ny Estadio de Malabo ny ekipan’ny Elgeco Plus, tompon’ny amboaran’i Madagasikara. Manana tombony tamin’ny fandresena tamin’ny isa 3 noho 1, nandritra ny lalao mandroso, ny ekipan’i Robson Hubert na i Bob, mpanazatra ny Elgeco Plus. “Fandresena no tanjonay amin’ity dia ity. Salama avokoa ireo mpilalao ary isan’ny antony nandehananay nialoha ny mba tsy handreraka ireo mpilalao. Ny ampitson’io lalao io (ndlr: alakamisy) no hitodi-doha izahay ary mino aho fa fandresena no hoentina mody”, hoy i Robson Hubert. Mila mitady fandresena kosa ny Cnaps Sport Itasy amin’ny lalaon’izy ireo sy ny FC Platinium avy any Zimbaboe ao amin’ny kianjan’ny Zvishavane, any Mandawa, 250 km miala an’i Hararé. “Nahafaty baolina izy ireo taty amintsika. Nahoana no tsy hahafaty ihany koa isika any amin’izy ireo? Azo atao tsara ny mitady fandresena hiakarana eo amin’ny dingana manaraka”, hoy i Patrick Randriambololona na i Tipeh, mpanazatra ny Cnaps Sport. L’article BAOLINA KITRA – AFRIKANINA :: Ho fantatra anio ny ho avin’ny Elgeco Plus sy ny Cnaps Sport est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - Ao Raha

BAOLINA KITRA – “CAN 2019” :: Nokitikitihan’ny CAF i Afrika Atsimo

Taorian’ny nanesorana tamin’i Caméroun ny fampiantranoana ny fiadiana ny amboaran’i Afrika na ny CAN 2019 dia manomboka mitady firenena hafa homena izany ny Kaonfederasiona afrikanina ho an’ny taranja baolina kitra (CAF). Isan’ireo nokitikitihan’ity rafitra afrikanina ity ny Federasionan’i Afrika Atsimo. Tamin’ny alahady lasa teo no voalazan’ny Federasiona afrikanina tatsimo fa “noresahan’ny CAF” izy ireo handray an’ity fifaninanana ity. “Mila miresaka amin’ny governemanta izahay vao afaka mamaly izany fiangavian’ ny CAF izany. Tsy afaka ny hangataka fanampiana amin’izy ireo ihany koa izahay satria mandalo fotoan-tsarotra ny fiainana ara-tsôsialy aty aminay ankehitriny. Mety ho sarotra ny haneken’ny governemanta izany”, hoy i Russel Paul, filoha lefitry ny Federasiona afrikanina tatsimo ho an’ny baolina kitra (SAFA). Raha toa ka manaiky an’izany soson-kevitry ny CAF izany ny governemanta any an-toerana dia heverina fa fahadisoam-panantenana no mahazo an’i Maraoka, izay efa naniry mafy ny hampiantrano izany, taorian’ny faha-sahiranana teo amin’i Caméroun. L’article BAOLINA KITRA – “CAN 2019” :: Nokitikitihan’ny CAF i Afrika Atsimo est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - Ao Raha

BAOLINA KITRA – “BALLON D’OR” :: Mpilalao voalohany voahosotra avy any Croatie i Luka Modric

Taorian’ny efa nahazoany ny “The Best Awards Fifa” dia nosantarin’i Luka Modric ny fisalorana ny anaram-boninahitra, “Ballon d’Or France Football”, tany amin’ny firenen’izy ireo, Croatie. Natolotra ny alatsinainy alina teo, nandritra ny lanonana fanaon’ity gazety boky ity isan-taona, ny amboara. Talohan’io dia efa nahafantatra ny fahazoany izany i Luka Modric, araka ny nambaran’ny tonian’ny fanoratana eo anivon’ny France Football. “Tamin’ny alalan’ny antso an-tariby no nampahafantarako azy. Izaho no niantso azy”, hoy i Pascal Ferré, tonian’ny fanoratana eo anivon’ity gazety boky ity. I Luka Modric no mpilalao voalohany avy ao Croatie nahazo an’ity Ballon d’Or faha-63 ity. Ity irakiraky ny klioba Real Madrid ity no mpilalao faha-44 avy amin’ny firenen-tsamihafa voahosotra. Azo heverina fa izy sy ny kliobany nahazo ny anaram-boninahitra tompondakan’i Eoropa sy nahatafita ny ekipam-pireneny ho eo amin’ny lalao famaranan’ny fiadiana ny amboara eran-tany no nahavoafidin’ireo mpanao gazety 180 azy ho “Ballon d’Or 2018”. Nosongonany tamin’ izany i Cristiano Ronaldo sy Antoine Griezmann ary Kylian Mbappé, izay nilahatra teo aoriany tamin’ny filaharana ankapobeny. Intelo no tafiditra tao anatin’ireo mpilalao hofantenana i Luka Modric. Tamin’ny taona 2016 dia teo amin’ny laharana faha-17 ny lehilahy, raha fahadimy kosa tamin’ny taona 2017. Tamin’ity taona ity dia azon’io mpilalao 33 taona io ihany izany anaram-boninahitra izany. Teo amin’ny sokajy vehivavy indray dia Ada Hegerberg, teratany norvezianina milalao ao amin’ny Olympique Lyonnais, no voahosotra. L’article BAOLINA KITRA – “BALLON D’OR” :: Mpilalao voalohany voahosotra avy any Croatie i Luka Modric est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - Delire Madagascar

« COUPE DE LA CONFEDERATION SY LIGUE DES CHAMPIONS »: Ho mafy ny lalao miverina

Tsy gaga tamin’ny vokatra nitranga teo Mahamasina iny ny mpanazatra an’i Deportivo Unidad avy atsy Guinée Equatorial.  « Reraka izahay satria iray andro mialoha ny lalao izahay vao tonga sady 15 ora no nanaovana ny dia ». Ho henjana ny lalao miverina satria tsy nahatafavoaka ny tena lalao ireto vahiny ireto na dia izy ireo aza no nampiditra ny baolina voalohany vao 6 minitra monaja tamin’ny penalty izay nodakan’i Julio . 4 minitra tao aorian’io baolina tafiditry ny vahiny io dia nahasahala ny isa ny Elgeco Plus tamin’ny alalan’i Nesta. Marihana fa baolina roa ny tafiditr’i Nesta tany amin’ny ministra 54. Teo alohan’io baolina io no nahatafiditra ny faharoa i Bila 5 minitra ny fidirana faharoa.  Nanambara kosa anefa ny  ny kapiteny Raveloarisona Erdino, na i Dino fa niezaka nitady baolina fahefatra mba hisian’ny elanelan’isa betsaka kanefa na izany aza ilaina ny fifehezana ny lalao. Na eo aza ny fanehoan-kevitry ny vahiny dia manana tombony sy herijika hiakarana amin’ny dingana manaraka ny Elgeco Plus. « Hiezaka ireo mpilalao ireo any amin’ny lalao miverina ary manantena fa ho tafakatra amin’ny dingana manaraka », hoy ny filohan’ny Elgeco plus, Alfred Randriamanampisoa. Nanome toky ireo ao amin’ny « comité d’organisation » hijery manokana ny mety azo hanampiana ny fandratoana ny lalao miverina any Guinée équatorial satria mavesatra ny saran-dalana sy ny fivahinianana any. Apetraka amin’ny mpanazatra kosa ireo mpilalao ho entina any an-toerana. Mangataka amin’ny  mahalala tanana rehetra  mba hanampy izay azo atao ary mino ity filohan’ny Elgeco plus ity fa ho avy izy ireo noho ny fandresena azontsika teo iny. Ho mafy ihany koa ny lalao miverina ataon’i Cnaps sport any Zimbabwe satria nisaraka 1 sy 1 ny lalao nihaonany tamin’i Platinum. 64 minitra no nahatafiditra ny baolina voalohany ny Cnaps Sport, penalty nodakan’i Ando. Tsy ela fa 6 minitra monja tao aorian’io dia nahatafiditra ny Zimbabwe tamin’ny alalan’i Edwin. Nirina R. Cet article « COUPE DE LA CONFEDERATION SY LIGUE DES CHAMPIONS »: Ho mafy ny lalao miverina est apparu en premier sur déliremadagascar.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra afrikanina: samy miandrandra fandresena ny Cnaps sy ny Elgeco

Hatao, amin’ity alarobia ity, ireo lalao savaranonando miverina, eo amin’ny fifaninanana afrikanina taranja baolina kitra, handraisan’ny Cnaps Sport sy ny Elgeco Plus anjara. Samy hiatrika izany any an-tanin’olona avokoa ireto ekipa solontena malagasy ireto. Samy miandrandra fandresena avokoa ireto ekipa roa tonta ireto. Any Harare, Renivohitr’i Zimbaboe, no hidona amin’ny FC Platinum ny Cnaps Sport eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka “Ligue des champions”. Tsy maintsy hiady mafy ny Cnaps, amin’ity, satria nisaraka ady sahala 1 sy 1 ny roa tonta, nandritra ny fihaonana mandroso, tetsy amin’ny kianja Vontovorona. Mila mamono baolina voalohany izany ny Cnaps Sport hahazoana milamina ary manampy iray eo amin’ny fizaram-potoana faharoa. Ady sahala 2 no ho 2 na fandresena no tsy maintsy tadiavin’ny Cnaps Sport vao afaka manohy ny diany any amin’ny fihodinana manaraka. Tsy azon’ny ekipa malagasy atao ny manao 0 sy 0. Efa manana tombony kosa ny Elgeco Plus, hanafika ny Deportivo Unidad avy atsy Ginea Ekoatorialy satria efa nandresy 3 no ho 1 teo amin’ny lalao mandroso, tetsy Mahamasina, ny alahady 2 desambra lasa teo. Nambaran’i Auguste Raux, mpanazatra, teo am-piaingana, fa tsy azo atao ny miaro tena na manana tombon’isa aza satria milalao an-tanin’olona fa tsy maintsy mitady baolina maty. Ady sahala fotsiny dia efa ampy hiakaran’ny Elgeco Plus amin’ny dingana manaraka.   Tompondaka  L’article Kitra afrikanina: samy miandrandra fandresena ny Cnaps sy ny Elgeco a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra eran-tany – «Ballon d’or 2018”: lasan’i Modric ny amboara, tsy nipoitra i CR7 sy i Messi

Tontosa, ny alatsinainy 3 desambra lasa teo, tany Paris, Renivohitr’i Frantsa, ny fanolorana ny “Ballon d’or 2018”, taranja baolina kitra. Voafidin’ireo mpanao gazety 180 maneran-tany sy ireo mpanazatra avy amin’ny vazan-tany efatra hibata izany amboara izany ilay Kroaty, i Luka Modric, irakiraka mpanafika ao amin’ny Real de Madrid. Ny zava-bitany ka nampisongadina azy tamin’ireo lalao rehetra nataony no tena naharesy lahatra ireo mpifidy nahazoany ity “Ballon d’or 2018” ity. Raha tsiahivina, nandrombaka ny tompondakan’i Eoropa “Ligue des champions”, niaraka tamin’ny Real, ny tovolahy ary niatrika ny famaranana ny “Mondial 2018”, tamin’i Kroasia. Nahazo isa 753 izy, nanoloana an’i Cristiano Ronaldo, isa 476. Fahatelo ilay Frantsay, i Antoine Griezmann, isa 414, narahin’i Mbappé, isa 347. Tany amin’ny laharana fahadimy kosa ilay Arzantin, i Lionel Messi, nahazo isa 280. Azo lazaina fa tsy nahazaka ny fahareseny, tamin’ity, i Messi sy i Ronaldo, izay efa mpandrombaka matetika ity “Ballon d’or” ity ka tsy niseho tao amin’ny lanonam-panolorana ny amboara. Fihetsika tsy nampiseho “fair-play” ary nanankianan’ny ankamaroan’ireo olona manan-kaja marobe tonga tao an-toerana. Nomena an’i Kyllian Mbappé kosa ny “trophée Kopa”, natokana ho an’ireo mpilalao latsaky ny 21 taona. I Ada Hegerberg, teratany norvezianina, milalao ao amin’ny Olympique Lyonnais, kosa ny nandrombaka izany ho an’ny vehivavy.   TompondakaL’article Kitra eran-tany – «Ballon d’or 2018”: lasan’i Modric ny amboara, tsy nipoitra i CR7 sy i Messi a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra vehivavy – «Can 2018»: voahosotra ho tompondaka ny Super Falcons Nizeria

Mbola voatazon’ny tovovavin’i Nizeria ny anarana maha tompondakan’i Afrika azy, eo amin’ny taranja baolina kitra. Lasan’ny Super Falcons Nizeria, fanintsiviny indray mantsy ny amboara, tamin’ity andiany faha-11, ity. Norombahin’ny Super Falcons, avy any Nizeria, ny anarana maha tompondakan’i Afrika “Can 2018”, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy. Resiny teo amin’ny famaranana, tamin’ny fandakana ny “tirs au but”, 4 no ho 3 ny tovovavin’i Afrika Atsimo. Fihaonana, notanterahina tao amin’ny kianja Accra, renivohitr’i Ghana, ny asabotsy lasa teo. Tsy mora tamin’ny Nizerianina, ny nahazo ity anaram-boninahitra ity, satria niady hatramin’ny minitra farany, ny fihaonana teo amin’ny roa tonta. Samy niezaka nitady hamonoam-baolina ny an-daniny sy ny an-kilany, saingy tsy nisy nety nahatafiditra baolina izy ireo, tao anatin’ny 90 mn, nilalaovana. Mbola sahala ihany koa ny isa tao anatin’ny fanalavam-potoana, 15 mn indroa miditra. Voatery niditra teo amin’ny fandakana ny “tirs au but” ny roa tonta, hamaritana izay ho mpandresy. Nanatombo teo amin’ny fahaizana mandaka teo ny Nizerianina, ka nivoaka ho mpandresy. Afa-bela, tamin’i Afrika Atsimo izany ny Nizerianina, efa resin’izy ireo, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 teo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona. Fanintsiviny kosa ny nahazoan’ny Super Falcons, ity Can  ity, hatramin’izay andiany faha-11 nisiany izay. Nahazo ny laharana fahatelo, ny Liona tsy voafolaka avy any Kameronina, rehefa nanilika ny Voromahery Malianina, tamin’ny isa mazava, 4 no ho 2, teo amin’ny fiadiana ny laharana fahatelo. Voahosotra ho mpilalao mendrika sy mpamono baolina betsaka indrindra, tamin’ity “Can 2018” ity, ilay lohalaharana afrikanina tatsimo, i Chrestinah Thembi Kgatlana. Hisolo tena an’i Afrika, any amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “Mondia 2019”, hatao any Frantsa, i Nizeria, i Afrika Atsimo ary i Kameronina.   Tompondaka  L’article Kitra vehivavy – «Can 2018»: voahosotra ho tompondaka ny Super Falcons Nizeria a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra any Belzika: nahatafiditra baolina Ilaimaharitra Marco

Nametraka ny anarany tao anatin’ireo mpilalao baolina kitra misongadina ny faran’ny herinandro lasa teo, ilay Malagasy Ilaimaharitra Marco. Nahavita dingana goavana ny tovolahy, nandritra ny andro faha-17 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Belzika, Diviziona 1. Nahatafiditra baolina mantsy izy tao anatin’ny fihaonan’ny ekipany Royal Charleroi Sporting Club sy ny Cerclebrugge KSV. Fihaonana, notanterahina ny asabotsy 1 desambra lasa teo, tao amin’ny kianja Charleroi. Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa, mazava 3 no ho 1 ry Marco, tamin’izany. Nahafaty ny baolina fahatelo, ho an’ny ekipany Ilaimaharitra Marco, teo amin’ny minitra faha-59. Marihina fa tompon-toerana, ny tovolahy, tamin’izany fihaonana izany. Manana isa 30 ny Royal Charleroi Sporting Club, taorian’ity fandresena azon’izy ireo ity, ary mipetraka eo amin’ny laharana fahefatra vonjimaika. Marihina fa anisan’ireo mpilalao mpila ravinahitra nantsoin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar Ilaimaharitra Marco, nandritra ireny fifanintsanana niadian-toerana ho an’ny “Can 2019”, ireny. Tompondaka L’article Kitra any Belzika: nahatafiditra baolina Ilaimaharitra Marco a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra afrikanina: hifaninana amin’ny “Glo Caf Award 2018” i Faneva Ima

Ao anatin’ny fifantenana ho mpilalao sy mpanazatra ary ekipa mendrika sy nahavita be, amin’izao fotoana izao, ny Kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf). Anisan’ny hiady izay ho mpilalao mendrika aty Afrika i Faneva Ima. Tafiditra ao anatin’ireo hosafidina eo amin’ny fiadiana ny “Glo Caf award 2018” na ireo mendrika aty Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra ny Barea de Madagascar. Anaram-boninahitra telo ny indray hiadiany amin’izany. Voalohany amin’izany, hifaninana ho mpilalao mendrika Andriantsima Faneva Ima, kapitenin’ny Barea de Madagascar. Raha tsiahivina, anisan’ny naharesy lahatra ny rehetra ka nahatafiditra azy ho ao anaty lisitra hofidina izao ny nahafatesany baolina hatrany teo amin’ny fifanintsanana, niadiana toerana ho amin’ny “Can 2019”. 34 taona ny lehilahy ankehitriny, ary lohalaharana ao amin’ny Clermont Foot, “ligue 2” any Frantsa. Miisa 34 mirahalahy izy ireo no hiady ity ho mpilalao mendrika amin’ny “Glo caf award 2018” ity. Anisan’izany ilay Egyptianina, i Mohamed Salah, milalao ao amin’ny Liverpool. Misongadina koa ity Egyptianina ity eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Angletera, noho ny fahaizany mamono baolina. Mbola hifampitana amin’i Faneva Ima koa ilay Senegaley, i Sadio Mané, lohalaharan’ny Liverpool. Mpilalao efa diso fantatry ny Malagasy sy ny Barea tsara izy. Mbola hikatroka amin’ny Barea izy eo amin’ny andro farany amin’ny fifanintsanana ho an’ny “Can 2019”. Ankoatra izay, hifaninanana ny ho mpanazatra mendrika koa i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar. Nahavita dingana goavana ihany koa izy satria hatramin’izay nitondrany ny Barea, indroa ihany no tojo faharesena. Farany, hiady ny amboara ho an’ny ekipa nahavita ezaka be, tamin’ity taona ity, ny Barea de Madagascar. Tsara toerana tokoa ny Barea handrombaka azy ity satria nampiaiky ireo teknisianina rehetra ny zava-bitany sy ny filaharana misy azy eo amin’ny Fifa. Hotanterahina ny 8 janoary 2019 ao Abidjan, Côte d’Ivoire, ny fizarana ny loka ho an’ity “Glo Caf award 2018” ity.   Tompondaka  L’article Kitra afrikanina: hifaninana amin’ny “Glo Caf Award 2018” i Faneva Ima a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - Ao Raha

KITRA AMINA TORA-PASIKA :: Manomana CAN any Mahajanga ny Barea Beach Soccer

Mpilalao enina ambin’ny folo mirahalahy, ahitana mpilalao tranainy sy vaovao, no manoman-tena any Mahajanga, mialoha ny hiaingana ho any Ejypta amin’ny 6 desambra ho avy izao. Hotanterahina any amin’ ity firenen’i Faraona ity, amin’ny 9 – 13 desambra ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, lalaovina amina tora-pasika na Beach Soccer. Talohan’izao dia niatrika lalao tany Morondava, tamin’ ny anaran’ny klioba Gasikara Beach Soccer, ny ankamaroan’ ireo mpilalao noentin’i Solofo Tsiavahana, mpanazatra nasionaly. “Tsy ekipam-pirenena no noentinay tany fa klioba”, hoy izy. Isan’ireo mpilalao efa tranainy ary efa voahosotra ho tompondakan’i Afrika tamin’ny taona 2015 tafiditra ao anatin’ireo hofantenana ho Barea i Jhorialy, Pierralit, Giovanni, Ymelda, Toky ary Dadah. Efa matetika voantso ary efa niatrika fifaninanana iraisam-pirenena kosa Chrétien, Marcel, Julio, Angeluc ary Enidiel. Nantsoina hanatevina ny ekipam-pirenena kosa i Hollas, Jean Jacques, Eusèbe, Honoré ary Romain. Manana roa andro hizarana tany any Ejypta ireo mpilalao, mialoha ny hiatrehana ny fifaninanana. Hifanintsana ao amin’ny vondrona A i Madagasikara, Ejypta, Maraoka ary Côte d’Ivoire. Hiray vondrona kosa i Sénégal, Nizeria, Lybia ary Tanzania. Ny 9 desambra no hihaona amin’i Côte d’Ivoire ny Barea. Ny ampitso kosa no hifanandrina amin’i Ejypta, mialoha ny hiatrehana ny lalao fifa-nintsanana farany amin’i Maraoka ny 11 desambra. Hiatrika ny ampahefa-dalana ireo ekipa valo, aorian’izany ary hitohy hatramin’ny famaranana. Tamin’ny taona 2016 dia tafalatsaka ho any amin’ny laharana fahadimy ny Barea, izay nisalotra ny anaram-boninahitra tamin’ny taona 2015. L’article KITRA AMINA TORA-PASIKA :: Manomana CAN any Mahajanga ny Barea Beach Soccer est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra – Tompondakan’i Eoropa: mamiratra ny ekipan’ny Barcelone

Tontosa ny talata alina sy ny alarobia lasa teo ny andro fahadimy amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra. Hatreto, ekipa 12 no efa fantatra fa hiatrika ny lalao ampahavalon-dalana. Anisan’izany ny ekipan’ny Barcelone izay nanamarika isa ambony mihoatra amin’ireo ekipa hafa. Ity farany izay nahazo ny tapakila voalohany hihazo amin’ny dingana manaraka ary mitarika ao amin’ny vondrona B, manana isa 10. Raha hiverenana ny lalao izay nataony, nolavoiny tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Psv Eindhoven. Ankoatra izay, raha jerena ny valin-dalao hafa, nisongadina ihany koa ny ekipan’ny Porto rehefa avy nifandona tamin’ny Schalke ka nibata ny fandresena tamin’ny isa 3 no ho 1. Mbola voatazon’ny Real Madrid ihany koa ny maha izy azy tamin’izao lalao fifanintsanana izao ka nolavoiny mora foana tamin’ny isa 2 no ho 0 ny ekipan’ny Roma. Manampy ireo ekipa 3 tafakatra amin’ny ampahavalon-dalana ireo, ekipa 9 hafa ihany koa nahazo ny tapakila, ny talata sy alarobia lasa teo, dia ny Ajax Amsterdam, Atlético Madrid, Bayern Munich, Borussia Dortmund, Juventus, Manchester City, Manchester United, AS Roma, ary ny Schalke. Tapakila 4 sisa, araka izany, no hiadian’ny ekipa hifanandrina amin’ny andro fahenina izay hotanterahina ny faha-11 sy faha-12 ny volana desambra izao. Hangotraka tokoa ny amin’io indrindra, ao amin’ny vondrona C , hahitana ny ekipa misy an’i Neymar. Ity ekipa  ity izay vao avy nandavo ny Liverpool tamin’ny isa 2-1, ny alarobia lasa teo. Eo amin’ny laharana faharoa amin’izao no misy ny Psg ary manana isa 8 izy hatreto. Antenaina anefa fa ho tafavoaka ity klioba ity satria ny Etoile Rouge no hifanandrina aminy izay mety tsy dia hanano sarotra ny handavoana azy.   Mi.Raz   Voka-dalao ny alarobia 28 novambra: Altélico 2-0 Monaco Lokomotiv Moskva 2-0 Galatasaray Dorthmund 0-0 Club Bruggee Tottenham 1-0 Internazionale Psv Eindhoven 1-2 Barcelone Napoli 3-1 Crvena Zvezda Paris 2-1 Liverpool Porto 3-1 Schalke Voka-dalao ny talata 28 novambra: Aek 0-2 Ajax Cska Moskva 1-2 Plzen Bayern 5-1 Benfica Lyon 2-2 Man City Hoffenheim 2-3 Shakhtar Danetsk Roma 0-2 Real Madrid Juventus 1-0 Valencia Manchester United 1-0 Young Boys        L’article Kitra – Tompondakan’i Eoropa: mamiratra ny ekipan’ny Barcelone a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra – Amboaran’ny Caf: nandihizan’ny Elgeco Plus ny Deportivo Unidad

Tontosa, omaly alarobia tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina, ny lalao mandroso savaranonando, amin’ny fiadiana ny “Amboaran’ny kaonfederasiona afrikanina”, baolina kitra, nifanandrinan’ny Elgeco Plus sy ny Deportivo Unidad avy any Ginea Ekatorialy. Nibata fandresena ny Malagasy. Tsara ny vokatra ho an’ny ekipan’ny Elgeco Plus. Isa 3 no ho 1 ny nandavoan’ny ekipa malagasy ny ekipan’ny Ginea Ekatoraly. Nisy ihany ny lesoka teny am-panombohan’ny lalao ka namonoan-dry zareo Gineanina ny baolina voalohany. Tandrevaka sy tsy fitandremanana nataon’ny vodilaharana sy ny mpiandry tsatoby malagasy ny nahazoany penalty, teo amin’ny faha-7 minitra nilalaovana ka nampikobana ny harato ho an’ny Deportivo Unidad. 3 minitra taty aoriana anefa, namaly ny ekipa malagasy ary namono ny baolina voalohany tamin’ny alalan’i Nesta, laharana faha-18. Maro ny baolina mbola tokony ho tafiditra ho an’ny Malagasy, saingy tsy ampy ny fitandremana. Tamin’ny isa 1 no ho 1 ny nisarahan’ny roa tonta, teo amin’ny ampaham-potoana voalohany. Hita ho efa nihareraka ny ekipa roa tonta teo amin’ny ampaham-potoana faharoa. Na teo aza izany, tsara vintana ka nahatafiditra ny baolina faha-2 i Bila, 5 minitra nanombohan’ny ampaham-potoana faharoa. Nisesisey ny fanafihana ho an’ny Malagasy, saingy manary baolina matetika ny mpilalao ka very maina avokoa izany. 10 minitra nilalaovana, ampaham-potoana faharoa, nahafaty baolina indray i Nesta. Baolina faha-2 nampidiriny ity ary nampitombo ny isa ho 3 no ho 1. Nanomboka kivy ny Deportivo Unidad avy any Ginea Ekatoraly. Nanomboka teo, na izany aza, maro ihany ny fanafihana nataon’izy ireo, saingy tsy nahatafiditra baolina hatramin’ny ora farany ny Gineanina. Nisaraka tamin’ny isa 3 no ho 1, araka izany, ny roa tonta. Afa-po amin’izao vokatra azony izao ny mpilalao ao amin’ny Elgeco Plus na mbola misy aza ny mila harenina. “Nanao ny ainy tsy ho zavatra ny mpilalao tsirairay ka nahazoana izao fandresena izao. Ekena anefa fa maro ny lesoka sy ny tsy fitandremana, indrindra teo amin’ny vodilaharana, saingy vonona izahay hanarina izany amin’ny lalao miverina”, hoy ny nambaran-dRaveloarison Dino, kapiteny ny Elgeco Plus, taorian’ny fiakarana an-kianja.   Mi.RazL’article Kitra – Amboaran’ny Caf: nandihizan’ny Elgeco Plus ny Deportivo Unidad a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra – Tompondakan’i Afrika: voatazon’ny FC Platinum 1 sy 1 ny Cnaps Sport  

Ratsy ny vokatra ho an’ny Cnaps Sport, teo amin’ny lalao mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Ligue des champions”. Fihaonana, notanterahina teny Vontovorona, omaly alarobia. Voatazon’ny FC Platinum Zimbaboe, tamin’ny isa 1 no ho 1, mantsy ity ekipa tompondakan’i Madagasikara ity. Tamin’ny ankapobeny, nofehezin’ny Cnaps Sport ny fihaonana. Nanantombo teo amin’ny fanafihana izy ireo, saingy lesoka ny famonoam-baolina. Na izany aza, nisy ihany ny baolina matin’ny Malagasy teo amin’ny fidirana voalohany, saingy nolavin’ny mpitsara fa voalaza ho “hors jeu”. 0 no ho 0 ny nentin’ny roa tonta niala sasatra. Mbola nitohy kosa ny fanafihan’ny Cnaps Sport, teo amin’ny 45 mn faharoa. Nahitam-bokany izany, taorian’ny fitapitaka nataon’i Lalaina, tamin’ireo vodilaharana zimbaboeanina izay voatery namingana azy tao anaty faritra tsy azo ivalozana, teo amin’ny minitra faha-62. Nahazo “penalty” ny Malagasy taorian’izay. Tafiditr’i Ando soa aman-tsara ny dakany, nahavery tanteraka an’i Peterson, mpiandry tsatoby zimbaboeanina. Niserana ihany ny hafalian’ny Cnaps satria nosahalain’ny FC Platinum izany teo amin’ny minitra faha-67, taorian’ny rindran-damina nataon’i Elvis ary nanolotra an’i Madhanaga, namono ny baolina. Ho sarotra ny lalao miverina ho an’ny Cnaps Sport, hatao ao amin’ny kianja Mandava Stadium, afaka herinandro.   Tompondaka L’article Kitra – Tompondakan’i Afrika: voatazon’ny FC Platinum 1 sy 1 ny Cnaps Sport   a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - Ao Raha

KITRA – «CAF CHAMPIONS LEAGUE» :: Nanatanora ireo mpilalaony ny Cnaps Sport

Saika mpilalao tanora avokoa no nantsoina hanatevina ny ekipan’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsôsialy (Cnaps Sport), tompondakan’i Madagasikara impito izay handray ny ekipan’ny FC Platinium, avy any Zimbaboe, amin’ny lalao savaranonandon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Hotanterahina, anio, eny amin’ny kianja marolafin’i Vontovorona ity lalao mandroso ity. Isan’ireo mpilalao nantsoina hanatevina ny Cnaps Sport i Kalucha, izay mpilalao tanora dia tanora, mitana ny toeran’ny irakiraka mpanafika. Ankoatra azy dia niantso lohalaharana iray avy any amin’ny Ajesaia, Arnaud, taorian’ny nifindran’i Francis hilalao any ivelany. Nanampy irakiraka iray, Tojo, sy vodilaharana iray, Odon avy any amin’ny FC Vakinankaratra, ihany koa izy ireo hoentina miatrika ny fifaninanana kaontinantaly amin’ity taona ity. Lalao ara-pirahalahiana roa, tamin’ny AS Adema sy ny FC Disciples, no noentin’i Patrick Randriambololona na i Tipeh, mpanazatra ny Cnaps Sport, nitsapana an’ireo mpilalaony vaovao ireo. L’article KITRA – «CAF CHAMPIONS LEAGUE» :: Nanatanora ireo mpilalaony ny Cnaps Sport est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - Ao Raha

KITRA – AMBOARAN’NY CAF :: Hisedra lalao iraisam-pirenena voalohany ho azy i Robson Hubert

Hitsapa lalao iraisam-pirenena voalohany, amin’ny maha mpanazatra tompon-toerana azy, i Robson Hubert na i Bob, mpanazatra ny ekipan’ny Elgeco Plus, anio, eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Hatramin’izay dia mpilalao sy mpanazatra mpanampy izy no niatrika fifaninanana iraisam-pirenena. “Efa mpanazatra mpanampy aho teo aloha. Nandraisako lesona izany. Nisy ihany koa fotoana nandalovan’i Nicolas Dupuis tamin’ny fanazarantena nataonay ka nifampiresaka izahay. Tamin’io fotoana io no nanohanany ahy ara-moraly », hoy i Robson Hubert, mpanazatra ny Elgeco Plus. Hifanandrina amin’ny ekipan’ny Deportivo Unidad avy any Guinée Equatoriale izy ireo, anio, eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Tafiditra ao anatin’ny fihodinana voalohany eo amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona afrikanina izany. “Tanjonay ny handresy amin’ny isa maromaro. Niompana tanteraka tamin’ny fanafihana ny fanomanan-tenanay saingy tsy natao ambanin-javatra ny fiarovan-tena”, hoy hatrany i Robson Hubert. L’article KITRA – AMBOARAN’NY CAF :: Hisedra lalao iraisam-pirenena voalohany ho azy i Robson Hubert est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra afrikanina: samy vonona handresy ny Cnaps sy ny Elgeco Plus

Hampiantrano, lalao iraisam-pirenena roa goavana, ny taranja baolina kitra, amin’ity anio ity. Hotanterahina, etsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina sy eny Vontovorona, ny fifaninanana afrikanina, handraisan’ny  Cnaps Sport sy ny Elgeco Plus, anjara. Hifantoka amin’ny taranja baolina kitra avokoa ny sain’ny rehetra, amin’ity alarobia ity, na eo aza ny famoahan’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana ny voka-pifidianana eo amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny repoblika. Hotanterahina amin’ity anio ity tokoa mantsy ny lalao mandrdoso eo amin’ireo fifaninanana afrikanina, handraisan’ny Cnaps Sport sy ny Elgeco Plus, anjara amin’izany. Hizara roa ny fifaninanana, satria etsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina, no handray ny Deportivo Unidad, avy any Ginea Ekoatorialy, eo amin’ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona. Eny amin’ny kianja Complexe sportif Vontovorona kosa indray no hampiantrano ny FC Platinum avy any Zimbaboe, ny Cnaps Sport, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Ekipa samy tsy fantatra avokoa izy roa tonta ireo. Na izany aza, mety tsy hifanalavitra amin’ny fomba filalaon’ireo ekipam-pireneny. Vonona tanteraka ny Cnaps Sport sy ny Elgeco Plus, hiatrika ireo mpifanandrina aminy ireo. Efa tonga eto rahateo ny Zimbaboeanina sy ny Gineanina, nanambara fa tsy hiaro tena fa hamono baolina. Tsotra ny paikadin’ny mpanazatra malagasy, amin’ity lalao mandroso ity. Mila mamono baolina roa farafahakeliny ary tsy hamonoana baolina. Na izany aza, mila mitandrina ihany eo amin’ny fiarovantena fa manao baolina langalanga ireto ekipa ireto satria somary manatombo eo amin’ny haben’ny vatana. Marihina fa lalao savaranonando, ity hatrehin’ny Cnaps Sport sy ny Elgeco Plus ity. Afaka herinandro ny fihaonana miverina, izany hoe hatao ny 4 na ny 5 desambra, ho  avy izao. Manantena ny fahatongavan’ny mpijery ho maro izy ireo, hanohana sy hankahery, hatramin’ny farany.   TompondakaL’article Kitra afrikanina: samy vonona handresy ny Cnaps sy ny Elgeco Plus a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra: mety hilalao any Espaina i Ibrahim Amada  

Araka ny vaovao hita ao anaty tambajotran-tserasera, firenena roa ny mitady an’i Ibrahim Amada, irakiraka mandrafitra ny Barea de Madagascar. Samy mitady azy avokoa i Espaina sy i Maraoka. Nahoraka tao anaty tambajotran-tserasera, omaly alatsinainy, fa mety tsy hilalao ao amin’ny Mouloudia Club Alzeria intsony ilay Malagasy, i Ibrahim Amada, amin’ny taom-pilalaovana manaraka. Araka ny fantatra, firenena roa: i Maraoka sy i Espaina no mety hifindrany. Tsy mbola fantatra kosa anefa ny anaran’ireo klioba mitady azy. Ho fantatra, ny fiandohan’ny volana desambra ho avy io, izay tena hilalaovany na any Espaina na ao Maraoka. Anisan’ny naharesy lahatra ireo “agent recruteur” ny zava-bitany sy ny endri-dalao nasehony, nandritra ny filalaovany tao amin’ny Barea de Madagascar, nandritra ireny fifanintsanana ho an’ny “Can 2019” ireny. Raha tsiahivina, mpilalao novolavolaina tao amin’ny Akademia Ny Antsika Vakinankaratra i Amada, nanomboka ny taona 2005 ka hatramin’ny 2011. Taorian’io, nilalao tany Alzeria hatrany ny tovolahy. Nanombohany izany ny tao amin’ny JS Kabylie, herintaona ihany ny nijanonany tao. Nandalo tao amin’ny AS Khroub izy avy eo ary tao amin’ny USM El Harrach, ny taona 2012 ka hatramin’ny 2015. Nanatevina ny ES Sétif indray ny taona 2015 ka hatramin’ny 2017 ary ao amin’ny Mouloudia, amin’izao fotoana izao. Nahatafiditra baolina 16 i Amada hatramin’izay nilalaovany atsy Alzeria izay. 28 taona ny tovolahy ankehitriny ary ao anatin’ny heriny tokoa. Marihina fa anisan’ny lalao tena nampiavaka azy ny fihaonana nikatrohan’ny Barea de Madagascar tamin’ny Liona Senegaley, natao tetsy Mahamasina ny alahady 9 septambra lasa teo.   Tompondaka   L’article Kitra: mety hilalao any Espaina i Ibrahim Amada   a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - Triatra

Baolina kitra : Attalah Béatrice no hitantana ny FMF

Herinandro monja taorian’ny fanapahan’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa), amin’ny fananganana ny komity hanatanteraka ny famerenana amin’ny laoniny ny fitantanana ny Federasiona malagasy (FMF), dia tafatsangana ny zoma 23 novambra alina teo izany. Araka izany, notendren’ny Fifa hitantana ny FMF i Atallah Béatrice, izay filohan’ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana tamin’ny fitondrana Tetezamita (Ceni-T), ary efa minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy ihany koa. Ankoatra ity mpitantana ity, dia voatendry hiara-hiasa aminy koa ry Sahondra Rabenarivo sy José Andriatianarivelo, ary Benony Jacques. Samy olom-baovao eo anivon’ny baolina kitra avokoa ireo telo voatendry ireo, afa-tsy Benony Jacques, izay efa mpitantana teo anivon’ny FMF tany aloha. Izy efatra ireo izany no hanatanteraka ny fitantanan-draharaha eo anivon’ny federasiona, ary hanomana sy hikarakara ny fifidianana izay ho filoha sy mpikamban’ny birao mpanatanteraka eo amin’ny FMF. Tsiahivina mantsy fa am-bolana maro no tsy tanteraka ny fifidianana eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra, ary niteraka savorovoro izany, ka nandraisan’ny Fifa fanapahana nandravana ny fitantanana, ary hametrahana ilay komity hanatanteraka ny famerenana amin’ny laoniny ny fitantanana sady mikarakara ny fifidianana. Ankoatra izay, ohatry ny nahazendana ny mpitia baolina kitra ihany ny nanendren’ny Fifa an’i Attalah Béatrice hitantana ity komity eo anivon’ny FMF ity, satria dia olona politika fa tsy mba tazana teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra mihitsy hatramin’izay. Ny hany azo lazaina anefa dia misy ihany ny resaka “akamakama”, satria dia mpiara-miasa ary akaiky ny sekretera jeneralin’ny Fifa, Fatma Samoura, ramatoa Attalah Béatrice. Marihina fa tamin’ity farany nitantanana ny Ceni-T, ramatoa Fatma Samoura, izay mpandrindra ankapobeny teo anivon’ny Firenena Mikambana teo aloha, sady solontena maharitra teo anivon’ny tetikasa Sacem ho an’ny fikarakarana ny fifidianana teto amintsika, no akaiky azy. Izany hoe, tsy nifanary mihitsy izany ireto olona roa ireto. Teo ihany koa ny fahatsapan’ny sekretera jeneralin’ny Fifa amin’ny fananan-dramatoa Attalah Béatrice traikefa amin’ny resaka fikarakarana fifidianana, no anton’ny safidy sy nanendrena azy hitantanana ity komity mpitantana ny FMF ity. Marihina fa araka ny fanapahana navoakan’ny Fifa, dia manana hatramin’ny 12 mey 2019 izy ireo hanatanterahana sy hikarakarana ny fifidianana eo anivon’ny FMF. MN L’article Baolina kitra : Attalah Béatrice no hitantana ny FMF est apparu en premier sur .L’article Baolina kitra : Attalah Béatrice no hitantana ny FMF a été récupéré chez Triatra.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra: matoky ilay «comité de normalisation» ny rehetra  

Velombolo ny mpankafy taranja baolina kitra fa tafatsangana ihany ilay komitin’ny fanamarinana, «comité de normalisation», hanomana ny fifidianana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Samy naneho ny heviny avokoa, na mpilalao, na mpanazatra, na mpijery, na mpanohana, na ireo raiamandreny, na fikambanana, ny amin’ny fitsanganan’ilay komitin’ny fanamarinana, «comité de normalisation», eo amin’ny taranja baolina kitra. Komity hisahana sy hikarakara ny fifidianana ho filohan’ny federasiona malagasy (FMF). Raha tsiahivina, olon’ny lalàna ary mahafehy tsara ny fifidianana ny hitarika izany, tsy iza fa ramatoa Attalah Béatrice. Tsy zovina amin’ny rehetra izy fa efa nitantana ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena ny fifidianana, fony andron’ny Tetezamita (Cenit). Noho ny traikefany, manantena sy mino ary matoky ny tontolon’ny baolina kitra fa hizotra tsy hisy tomika ny fanatontosana ny fifidianana ho filohan’ny federasiona. Tsy izy irery anefa no hiantsoroka ity adidy mavesatra ity fa eo ihany koa Rabenarivo Sahondra, mpahay lalàna ihany koa. Hanampy azy ireo i Benony Jacques, filohan’ny federasiona tamin’ny fotoan’andro, ary Andriatianarivelo René, tonian’ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana an-tampony. Raha zohina izany, olona efa feno fahaiza-manao sy za-draharaha ny hitondra ny baolina kitra, hatramin’ny 12 mey 2019, fotoana hahataperan’ny fiasan’ity komity ity. Raha ny fantatra, mbola afaka mamerina ny fifidianana tany amin’ireo ligim-paritra hita fa tsy nanaraka ny lalàna izy ireo raha toa ka voamarina izany, araka ny voalazan’ny solontenan’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa), tamin’ny mpanao gazety. Marihina fa miverina hatrany am-boalohany indray ny fametrahana antontan-taratasy ho an’ireo ho kandidà hifaninana amin’ity ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra ity.   Tompondaka   L’article Kitra: matoky ilay «comité de normalisation» ny rehetra   a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - Ao Raha

KITRA AFRIKANINA :: Voatery hizara roa ireo mpijery baolina eto Antananarivo

Samy miziriziry amin’ny heviny ireo mpitantana ny klioban’ny Cnaps Sport sy ny Elgeco Plus amin’ny daty hanaovana ny lalao mandroso handraisan’izy ireo anjara amin’ny fifaninanana kaontinantaly, taranja baolina kitra. Hatramin’ny omaly dia tsy mbola nisy ny marimaritra iraisana ho an’ireo klioba roa ireo, ka voatery hizara roa ny mpijery baolina eto Antana­narivo amin’ny alarobia 28 novambra ho avy izao. Hampiantrano ny FC Platinium avy any Zimbaboe eny amin’ny kianjan’i Vontovorona ny Cnaps Sport, amin’ny lalao savaranonandon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika na ny “Caf Champions League”, raha eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina kosa no handray ny Deportivo Unidad avy any Guinée Equatoriale ny ekipan’ny Elgeco Plus amin’ ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona afrikanina na ny “Coupe de la CAF”. L’article KITRA AFRIKANINA :: Voatery hizara roa ireo mpijery baolina eto Antananarivo est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - People - Sport - News Mada

Kitra: tsy hiakatra kianja intsony i Drogba

Nanapa-kevitra ny tsy hilalao baolina intsony ilay Ivoarianina, i Didier Drogba. Feno 40 taona katroka ny lehilahy ankehitriny. Ny famaranana teo amin’ny “USL Cup”, natao tany Louisville, Etazonia, ny fihaonana farany natrehiny amin’ny maha mpilalao matihanina azy, ny 9 novambra lasa teo. Lalao ho an’ny faritra avaratr’i Amerika. Marihina fa anisan’ireo mpilalao afrikanina dimy na enina mendrika sy nisongadina indrindra ny lehilahy. Anisan’ny nampamiratra azy ny filalaovany tao amin’ny Chelsea, nandrombahany ny “Ligue des champions”, ny taona 2011 – 2012. Ankoatra izay, efa maro ireo anaram-boninahitra azony, toy ny tompondakan’i Angletera, ny “FA Cup”, ny “Football league cup”. Taorian’ny tsy nilalaovany intsony tao amin’ny Chelsea, efa tany Sina sy tany Torkia ny lehilahy. Namaranany izany ny tany Kanadà sy ny tany Amerika. Tsy latsa-danja amin’izany koa ny niarahany tamin’ny Elefanta na ny ekipam-pirenen’i Côte d’Ivoire. Na teo aza anefa izany, tsy mbola nahazo ny “Can” mihitsy i Drogba. Mpilalao fantatry ny Malagasy tsara i Drogba satria efa tonga teto Madagasikara ary nifanandrina tamin’ny Barea, teo amin’ny fiadian-toerana ho an’ny “Can 2011”. Betsaka ihany koa ireo mpijery malagasy mankafy ny fomba filalaon’i Didier Drogba.   Tompondaka  L’article Kitra: tsy hiakatra kianja intsony i Drogba a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - Ao Raha

BAOLINA KITRA AMBONY LATABATRA :: Taranja vaovao heverina hampamiratra haingana ny Malagasy ny Teqball

Nampahafantarina, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena mahamasina ny taranja vaovao iray heverina ho voafehintsika malagasy ao anatin’ny fotoana fohy. Teqball no anarana’izy ity, izay azo faritana ho toy ny baolina kitra ambony latabatra. Nanamarika ny lanonana fampahafantarana ny taranja vaovao antsoina hoe “teqball” ny fizaràna latabatra vaovao roa filalaovana ny taranja avy amin’ny Federasiona iraisam-pirenena (Fédération internationale de teqball-FITEQ). Izany dia narahina fampisehoana nataon’ireo mpilalao teknisianina roa nentin’ny FITEQ sy mpilalao malagasy vitsivitsy efa miangaly ny taranja avy amina klioba goavana eto an-drenivohitra. Nanolotra ireo fitaovana ny solontena avy amin’ny Federasionin’ity taranja vaovao ity notarihin’ny tompon’ andraikitra misahana ny fifandraisana iraisam-pirenena, Marius Vizer Jr sady isan’ireo tompo-marika nanorina ny Federasiona. Nandray ireo fitaovana tetsy an-kilany ireo mpitantana ny Komity Olympika Malagasy, notarihin’ny filohany, Randrianasoloniaiko Thierry Siteny sy ny sekretera jeneraliny, Jean Alex Harinelina Randriamanarivo. “Eto am-panombohana, ny latabatra iray amin’ireo dia hoentina hampiroboroboana ny taranja eto Analamanga ary ny faharoa kosa hapetraka any Atsimo Andrefana hampi­voarana ny taranja any amin’io faritra io. Mbola hisy latabatra folo hafa ho avy ato ho ato”, hoy Randrianasoloniaiko Thierry Siteny. Mino aho fa tsy hananosarotra ny fampiroboroboana ity taranja vaovao ity satria hitako fa ho mora hain’ny mpilalao baolina malagasy izy io… sady tsy mila toerana malalaka sy fotodrafitrasa be ankoatra ny latabatra sy baolina… ka heveriko fa ho mora ny hamiratantsika amin’ny sehatra iraisam-pirenena”, hoy hatrany ny filohan’ny KOM. Hivoatra haingana dia haingana Rafitra sy komity vonjimaika aloha no hampiroborobo ny taranja mandra-pijoron’ny rafitra federaly. “Tsy maintsy mbola hiandry ny governemanta vaovao aorian’io an’ny marimaritra iraisana io vao afaka hajoro ny federasiona hisahana ity taranja ity”, hoy hatrany Randrianasoloniaiko Siteny. Marihina fa efa nisy andiany roa tamin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany amin’ny “teqball”, natao ka tany Reims, Frantsa no nanaovana izany tamin’ity taona ity. Isan’ny efa nahazo fanasana tamin’izany aza isika Malagasy saingy mbola tsy afaka namaly ny fanasana sy nandray anjara. Ekipa valo amby zato avy amina firenena roa amby efapolo no efa nanana solontena tamin’izany. Handeha haingana dia haingana ny fampiroboroboana ny taranja, araka ny fanamarihan’ireo tompon’andraikitry ny Federasiona iraisam-pirenena. “Firenena dimy aty Afrika no efa miangaly azy ity ary ho isan’ireo taranja hanaovana fampisehoana ny teqball amin’ny Lalao afrikanina manaraka amin’ny taona ho avy. Tsy hiandry ela fa amin’ny Lalao afrikanina manaraka io dia efa ho lasa taranja hifaninanana mihitsy izy”, hoy i Marius Vizer Jr. Ity farany moa dia nampi­risika indrindra ny fampiroboroboana sy ny fanapariahana ny taranja eny anivon’ny sekoly ankoatra ireo rafitra federaly. Mitovy fa tsy sahala Ny taona 2012 no niforonan’ny “teqball” raha toa ka tamin’ny taon-dasa no tafatsangana ny Federasiona iraisam-pirenena. Fiadiana ny tompondaka eran-tany roa izay no efa tontosa ary firenena telo dia i Meksika sy Shina ary Turkménistan no efa kandidà hampiantrano indray ny andiany fahatelo, amin’ny taona 2019. Mitovitovy amin’ny taranja tenisy ambony latabatra ity “teqball” na baolina kitra ambony latabatra ity. Azo lalaovin’olon-tokana, olon-droa lehilahy na vehivay na lahy sy vavy miaraka izy. Izay mpilalao na ekipa mahazo seta roa voalohany no mivoaka mpandresy. Isa roapolo no enjehina isaky ny seta iray. “Azo ampiasaina handefasana ny baolina any amin’ny faritry ny mpifanandrina ny faritra rehetra amin’ny vatana ankoatra ny tanana… Ary intelo mikitika baolina ny mpilalao na ekipa andaniny farafahabetsany alohan’ny handefasany ny baolina any amin’ny mpifanandrina”, araka ny fanazavana fohy nataon’Andriamanarivo Francklin, izay teknisianina nanankinan’ny Komity Olympika ny fanapariahana ny taranja. L’article BAOLINA KITRA AMBONY LATABATRA :: Taranja vaovao heverina hampamiratra haingana ny Malagasy ny Teqball est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra Ambatondrazaka: tompondakan’ny D2 Ambakireny-Betsiboka

Ny fitiavam-baolina, tsy mahalavi-tany! Tompondaka diviziona faharoan’ny seksion’ny baolina kitran’Ambatondrazaka, faritra Alaotra-Mangoro, tamin’ity taom-pilalaovana 2018 ity, ny ekipan’ny Zook Massik-n’Ambakireny ao amin’ny distrikan’i Tsaratanàna, faritra Betsiboka. Resiny teo amin’ny fandakana ny “tirs au but”, 5 no ho 4, teo amin’ny famaranana, ny ekipan’ny Marianina-Ambatondrazaka II. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny roa tonta tao anatin’ny 90 mn nilalaovana sy taorian’ny fanalavam-potoana 15 mn indroa miditra. Niady ny baolina ary ny Zook Massic no nampiditra ny baolina voalohany, saingy nosahalain’ny tompon-tanana izany avy eo. Raha tsiahivina, 120 km avy eo Ambatondrazaka ny misy an’Ambakireny, any atsimo-andrefan’Amparafaravola. “Manao latsakemboka izahay “staff”, na mivarotra tee-shirt na mikarakara alim-pandihizana ho fidiram-bolan’ny ekipa”, hoy ny Dr Mamy Harijaona, filohan’ny ekipa. Lavitra ary mihodina be sy ratsy lalana avy eo Ambakireny mankany Tsaratanàna, foiben’ny distrika misy ny Zook Massic ka aleony milalao aty Ambatondrazaka, lalana vita tara.              .                                                                                                                                                       RarivoL’article Kitra Ambatondrazaka: tompondakan’ny D2 Ambakireny-Betsiboka a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra any Eoropa: sahiran-tsaina ny PSG fa maratra i Mbappé sy i Neymar

Ao anatin’ny fitaintainana fatratra ireo tomponandraikitry ny Paris St Germain, amin’izao fotoana izao. Fantatra mantsy fa maratra ireo mpilalao andrin’ity ekipa parizianina ity dia i Kylian Mbappé sy i Neymar. Samy voadona mantsy izy mirahalahy ireto, nandritra ny filalaovany tany amin’ny ekipam-pireneny avy, ny talata lasa teo. Araka ny fantatra, mety haharitra herinandro ny tsy fahazoan’izy mirahalahy ireo miakatra kianja. Araka izany, mety tsy ho afaka hiatrika ny lalao mandroso hikatrohana amin’ny Liverpool, eo amin’ny andro fahadimy amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «ligue des champions», izy mirahalahy. Fihaonana, hotanterahina ao amn’ny Parc des Princes, ny alarobia 28 novambra, ho avy izao. Raha tsiahivina, niatrika lalao firahalahiana, tamin’ny liona tsy voafolak’i Kameronina, ny talata lasa teo, i Brezila. Vao nanomboka 8 mn monja anefa ny fihaonana dia efa niala ny kianja i Neymar, taorian’ny daka lavitra nataony ka naharovitra ny tongony havanana. Marihina fa nandresy tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 ny Brezilianina, tamin’izany. Mbappé indray voadona teo amin’ny sorony, nandritra ny fihaonan’i Frantsa, tamin’i Orogoay, izay nandresen’ny Frantsay, tamin’ny isa 1 no ho 0 ihany koa. Manana isa 5 ary mitana ny laharana fahatelo, ny PSG ao amin’ny vondrona misy azy, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa.   TompondakaL’article Kitra any Eoropa: sahiran-tsaina ny PSG fa maratra i Mbappé sy i Neymar a été récupéré chez Newsmada.

News - Sport - Ao Raha

KITRA – FIFANINANANA AFRIKANINA :: Samy misisika hilalao amin’ny 28 novambra ny Cnaps sy Elgeco Plus

Mifanjinja amin’ny datin’ ny 28 novambra ho avy izao ireo klioba roa solontenan’i Madagasikara amin’ny fifaninanana kaontinantaly afrikanina, taranja baolina kitra. Nomen’ny Kaonfederasiona afrikanina (CAF) daty roa (27, 28 novambra) anefa izy ireo saingy samy misisika ny hanatanteraka ny lalao mandrosony amin’io fotoana iray io avokoa. Eny amin’ny kianjan’i Vontovorona no mikasa ny hanatanteraka ny lalaon’izy ireo ny Cnaps Sport sy ny FC Platinium avy any Zimbaboe, eo amin’ny lalao savarano- nando ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika na ny “Caf Champions League”. Ny kianjaben’i Mahamasina kosa no kasain’ny Elgeco Plus handraisana ny Deportivo Unidad avy any Guinée Equatoriale na teo aza ny sazy nahazo an’ity kianja ity amin’ny fiadiana ny amboaran’ny CAF. “Ny ekipam-pirenena A ihany no nambaran’ny taratasin-tsazy avy any amin’ny CAF fa tsy mahazo milalao eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina fa afaka mampiasa izany kosa ny klioba”, araka ny nambaran’ny loharanom-baovao avy ao amin’ny Elgeco Plus. Hatramin’izay dia ny ekipa tompondaka hatrany no mifidy ny daty farany amin’ireo roa nofaritan’ny CAF. Andrasana ny fanapahan-kevitra farany ho an’io fifanindriana daty io. Fanintelony no hiatrika ny “CAF Champions League” ny ekipan’ny FC Platinium. Fanindroany kosa no nifaninana teo amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfede- rasiona na ny “Coupe de la CAF” ny ekipan’ny Deportivo Unidad. L’article KITRA – FIFANINANANA AFRIKANINA :: Samy misisika hilalao amin’ny 28 novambra ny Cnaps sy Elgeco Plus est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - Ao Raha

BAOLINA KITRA – «CAN 2019» :: Voavalin’i Soudan faty ny Barean’i Madagasikara

Nakan’ny ekipa farany isa telo. Nibaby faharesena nanoloana ny ekipan’i Soudan, omaly teny amin’ny kianjan’ny Cnaps, teny Vontovorona, ny ekipam-pirenena malagasy taranja baolina kitra. Tamin’ny alalan’ny isa 1 noho 3, nitovy tamin’ny isa nandresentsika azy ireo tany aminy, no nivoahan’i Soudan ho mpandresy tamin’ny andro fahadimy ho an’ny lalaom-bondrona eo amin’ny fiadiana ny amboa­ran’i Afrika, izay hatao any Caméroun amin’ny taona 2019 (CAN 2019). Azo heverina ho vita ny valin’adin’ i Soudan, tamin’ny nandre­sentsika azy ireo tany amin’ny taniny. Faharesena mitondra lesona ho an’ireo mpilalao malagasy iny hoentina manarina amin’ny manaraka. « Mitondra fifonana ho an’ny vahoaka malagasy izahay noho iny felaka mandrivorivo nahazo antsika teo anatrehan’i Soudan iny. Raisiko ny andraikitra amin’ny maha kapiteny ahy. Rehefa tsy ampy ny fifantohana dia tsy maintsy misy ny faharesena. Soa fa nisy an’iny faharesena iny mba hahafahanay manontany tena amin’ny zavatra tsy nety ka nahatonga izany», hoy i Faneva Ima Andriantsima, kapitenin’ny Barea, taorian’ny lalao. Iny no faharesena voalohany hitan’ny ekipam-pirenena malagasy, notarihin’ i Nicolas Dupuis, teknisiannia frantsay, mitantana ny Barea. « Rehefa misy ny faharesena dia tsy maintsy jerena ny lesoka nahatonga izany, hanarenana azy amin’ny manaraka. Tsy hanilika andraikitra izahay fa horaisinay izany », hoy ity mpana­zatra nasionaly malagasy ity. Tamin’ny ankapobeny dia nanindry ny Barean’i Madagasikara saingy tsy nitongilana tany amin’izy ireo ny vintana. “Rehefa manindry ianao nefa tsy mamokatra dia tsy maintsy ny mpifanandrina aminao no manana tombony. Izay ilay baolina kitra”, hoy i Nicolas Dupuis. Isan’ny nanampoka ny Barea ihany koa ny nidiran’ny baolina haingana, teo amin’ ny minitra faharoa, nandritra ity lalao ity. “Rehefa nisaina ny baolina nodakantsika tao anatin’ny tsatokazo nandrasan’i Soudan dia naha­tratra sivy, saingy ny iray ihany no maty”, hoy hatrany ny mpanazatra nasionaly malagasy. Efa tany amin’ny minitra faha-76 no nampiditra ny baolina tokana ho an’i Madagasikara i Carolus Andriamahitsinoro. L’article BAOLINA KITRA – «CAN 2019» :: Voavalin’i Soudan faty ny Barean’i Madagasikara est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra – «Can 2019»: nomontsanin’i Soudan teo amin’ny kianjany ny Barea de Madagascar

Tsy nampoizin’ny Barea de Madagascar ny fahareseny teo anatrehan’i Soudan, nandritra ny lalao miverina, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika «Can 2019», taranja baolina kitra. Afa-bela ry zareo Sodaney. Afa-baraka tanteraka ny Barea de Madagascar. Resin’i Soudan, tamin’ny isa mazava, 3 no ho 1, ny ekipam-pirenena malagasy, nandritra ny lalao miverina, notanterahina tetsy amin’ny kianja Complexe sportif Vontovorona, omaly. Fihaonana, tafiditra amin’ny andro fahadimy, eo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona. Tsy nisy nanam-po ity vokatra ity satria noheverina fa tsy hahasakana ny Barea de Madagascar mihitsy ry zareo Sodaney, raha ny herijika sy ny laharana misy azy ireo. Tsy izany anefa no nitranga fa lavo teo an-kianja filalaovany ny ekipam-pirenena malagasy. Nanjakan’ny Barea, tanteraka anefa ny fihaonana, nandritra ny 90 mn nilalaovana. Betsaka ireo baolina tokony ho tafiditry ny Malagasy, saingy tsy tao ny vintana. Nifanitsy tamin’ny mpiandry tsatoby an-dry zareo Sodaney ny dakan-dry Njiva sy ry Paulin ary i Bolida.  Nanokatra ny isa ry zareo Sodaney, tamin’ny alalan’i Mohamed Moussa, teo amn’ny minitra faharoa. Niezaka nanindry ny Malagasy avy eo, saingy tsy nety nahakobana ny masonaraton’i Soudan mihitsy. Io isa tokana, 1 no ho 0 io, no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Mbola nanohy nanafika hatrany ny Barea, teo amin’ny fidirana faharoa, saingy tsy nety nahasahala ny isa. Nanampy isa indray ry zareo Sodaney, teo amin’ny minitra faha-61, taorian’ny valim-panafihana tsara. Voatery nanolo mpilalao i Nicolas Dupuis, avy eo ka nanala an’i Njiva ary nampiditra an’i Carolus. Nahitam-bokany izany ka nahafaty baolina ny Malagasy, tamin’ny alalan’i Carolus, teo amin’ny minitra faha-76. Tsy nitohy anefa izany fa ry zareo Sodaney, indray no mbola namono ny baolina fahatelo, teo amin’ny minitra faha-85. Mijanona ho isa 10 izany ny Barea. Voalohany hatrany ny Senegal, nanilika an’i Ginea Ekoatorialy, tamin’ny isa, 1 no ho 0.   Tompondaka HOY IZY IREO : Nicolas Dupuis (mpanazatra Barea) : Tsy nampoizinay mihitsy iny vokatra iny. Variana loatra nanodinkodina sy nanao fampisehoana fahaizana fotsiny ny mpilalaon’ny Barea de Madagascar, ka nanadino ny tena zava-dehibe dia ny famonoam-baolina. Tonga aloha loatra koa ilay baolina voalohany tafiditry ry zareo Sodaney ka somary nampikorapaka ny mpilalao malagasy. Na izany aza, nahay ilay mpiandry tsatoby an-dry zareo Sodaney. Ho jerenay miaraka ny fomba famonoana baolina izay mbola tena lesoka be eo amin’ny Barea de Madagascar. Morel (mpilalao Barea) : Mahay baolina ny Malagasy, tsy tao amin’ny Barea de Madagascar ilay vintana nomoana baolina. Tao aminay mpilalao rehetra anefa ilay finiavana handresy, saingy iny ny vokatra. Moussa (mpilalao Soudan) : Faly tokoa izahay fa nahafaka vela, ary nahazo isa 3, taty amin’ny tanin’ny Barea de Madagascar. Izaho no nahafaty ny baolina voalohany, nanome hery ny namako rehetra teny ambony kianja. Efa nohadihadianay tsara ny fomba filalaon’ny Barea, taorian’ny lalao mandroso ka nahitam-bokany izany. Na izany aza, mahay ny Malagasy ary mirary soa ho azy ireo, hahavita be any amin’ny “Can 2019”.   Nangonin’i Tompondaka

News - Ao Raha

KITRA- FITARAZOAN-DRAHARAHA :: Noravan’ny FIFA ny Federasiona sy ny vaomieram-pifidianana

Antoandro fitery ronono. Nilatsaka, omaly hariva, ny fanapahan-kevitra avy any amin’ny Federasiona iraisam-pirenena misahana ny baolina kitra (FIFA) momba ny raharaham-pifidianana eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Voalaza tao anatin’izany fa hapetraka ny komity manara-pitsipika vaovao, hitantana ny fifidianana sy hitantana ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ity rafitra ity. Vokatr’ izay dia rava ny FMF sy ny vaomieram-pifidianana ka io komity manara-pitsipika io no hisahana ny andraikitra rehetra manomboka izao. Rehefa nihemotra hatrany ny fanatontonsana ny fifidianana izay ho filohan’ny FMF, teto Madagasikara, izay saika natao tany Sambava, tamin’ny 3 novambra ary mbola tsy raikitra ihany koa tamin’ny alatsinainy 5 novambra, dia nandefa tatitra tany amin’ny foibe iraisam-pirenena ireo mpanara-maso avy amin’ny FIFA sy CAF, nanatrika ny fizotran’ny raharaha rehetra teto Madagasikara. Tsy voahaja ihany koa tamin’izany ireo fepetra rehetra tokony ho narahina amin’ny fanatante­rahana ny fifidianana. Vao omaly maraina anefa, teny Isoraka, no nanapa-kevitra ireo komity mpanatanteraka eo anivon’ny FMF sy ny vaomiera misahana ny fifidianana fa “hotanterahina amin’ny 24 novambra ho avy izao, any Mahajanga, ny fifidianana”. Omaly hariva ihany dia namoaka fanambaràna ny FIFA, tao amin’ny tranonkalam-pifandraisany fa tsy maintsy hatsangana ny komity manara-pitsipika vaovao, araka ny andininy faha-14 al.1a sy ny faha-18 al.2a ao amin’ny sata mifehy ny Fede­rasiona iraisam-pirenena. “Ireto avy ny andraikitra hosahanin’ny komity manara-pitsipika: mandray ny fitantanan-draharaha mahazatra eo anivon’ny FMF; manendry ireo mpikambana eo anivon’ ny komity ao anatin’ny fivoriam-be ary mikarakara ny fifidianana”, araka ny tatitra nataon’ny FIFA. “Hanana fetr’isa araka izay ilaina ireo mpikambana eo anivon’ny komity, izay hotendren’ny iraky ny FIFA sy ny Kaonfederasiona afrikanina misahana ny baolina kitra (CAF), izay ho avy eto Madagasikara, tsy ho ela. Izy ireo no hanao izay hampalavorary sy hanara-maso ny fifidianana. Tsy misy mahazo fidiana ho filohan’ny FMF kosa ireo mpikambana mandrafitra io komity vaovao io”, araka ny voalaza hatrany. Fantatra, araka ny tatitra ihany, fa hiasa hatramin’ny 12 mey 2019 io komity vaovao io. Ankoatra an’i Madagasi­kara, dia isan’ny nampiharana fanapahan-kevitra tahaka izao ihany koa ry zareo any République Dominicaine. Naato tamin’ny maha filohan’ny FEDOFUTBOL azy, mandritra ny folo taona, mantsy Osiris Guzmán, filohan’ny federasionan’ny baolina kitra any an-toerana. L’article KITRA- FITARAZOAN-DRAHARAHA :: Noravan’ny FIFA ny Federasiona sy ny vaomieram-pifidianana est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - Ao Raha

KITRA – FIFANINANANA AFRIKANA :: Mety hifandona amin’ny ekipan’ i Dax ny Elgeco Plus raha tafita

Tontosa, omaly, ny antsapaka ho an’ireo klioba mandray anjara amin’ny fifaninanana kaontinantaly aty Afrika dia ny fiadiana ny «Amboaran’ny CAF» sy ny «Caf Champions League». Klioba iray avy any Guinée Equatoriale, Depor­tivo Unidad, no hifanandrina amin’ny ekipan’ny Elgeco Plus, tompon’ny amboaran’i Madagasikara, eo amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona. Raha tafita amin’izany izy ireo ka tafavoaka ho mpandresy eo anatrehan’ny Zimamoto avy any Zanzibar ny Kaizer Chiefs, dia hifanandrina eo amin’ny 1 /16-n-dalana ny Elgeco Plus sy ity ekipa hilalaovan’i Arohasina Andriamirado na i Dax avy atsy Afrika Atsimo ity. Hotan­terahina amin’ny 27 na 28 novambra ho avy izao ny lalao mandroso, izay hihaonan’ny Elgeco Plus amin’ny klioba avy any Guinée Equa­toriale, ka isika no mpa­mpiantrano. Hanafika any an-toerana izy ireo, amin’ny 4 na 5 desambra ho avy izao. Klioba avy any Zimbaboe, FC Platinium, kosa no hifa­nandrina amin’ny Cnaps Sport, tompondakan’i Mada­gasikara, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika na ny “Caf Champions League”. Hampiantrano ny lalao mandroso ihany koa ny Cnaps Sport amin’ny 27 na 28 novambra ary hiatrika ny lalao miverina any an-tanin’ olona amin’ny 4 na 5 desambra. Samy mbola tsy zatra miatrika fifaninanana kaontinantaly na ny FC Platinium, amin’izao anarany izao, na ny Deportivo Unidad avy ao Malabo. Na izany aza anefa dia tombony ho azy ireo ny fampiantranoana ny lalao miverina. Raha samy tafita ireo solontenantsika ireo dia samy hampiantrano ny lalao miverina avokoa. Izay tafavoaka amin’ny Desportivo Primeiro de Agosto avy any Angola sy ny AS Otoho avy any amin’ny repoblika demokratikan’i Congo no hifanandrina amin’ny Cnaps Sport. Izay mandresy amin’ny Kaizer Chiefs avy any Afrika Atsimo sy Al Ittihad avy any Libia no hihaona amin’ny Elgeco Plus. L’article KITRA – FIFANINANANA AFRIKANA :: Mety hifandona amin’ny ekipan’ i Dax ny Elgeco Plus raha tafita est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Notsongaina

Fitakin’ny MCFIE: « Havaozy ny  lisi-pifidianana… »

Namoaka  fehin-kevitra ireo eo anivon’ny Fikambanan’ny olom-pirenena tsy mankasitraka ny hosoka sy ny halabato ary koa ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fifidianana (MCFIE). “Havaozina  tanteraka aloha  ny lisi-pifidianana. Takinay  ny tsy fiandaniana  sy ny fahaleovantenan’ny  Ceni. Havaozina ny mpikambana  eo  anivon’ny  HCC”, hoy  ny fanambaran’izy ireo,  navoaka, omaly. Tsy vitan’izany fa takin’izy ireo hotanterahina ireo vao azo  irosoana sy  hatao ny  fifidianana ben’ny Tanàna. “Tsy tokony  hatao aloha izany raha  tsy  tanteraka  avokoa ireo  fitakiana sy fepetra ireo”, hoy ihany  izy ireo. Ankoatra izany, anisan’ny takin’izy  ireo  ny hitondran’ny  HCC fanazavana amin’ny  antsipiriany ny momba  ireo fitoriana  sy fitarainana  maherin’ny 700  tamin’ny fifidianana  solombavambahoaka  farany teo  iny. Anisan’ny mpikambana mandrafitra ity MCFIE ity  ireo olom-pirenena tsotra.  Fa eo koa  ny pasitera Tsarahame Edouard,  Riribe, ny Dr Razafindrakoto Harison…Synèse R.  L’article Fitakin’ny MCFIE: « Havaozy ny  lisi-pifidianana… » a été récupéré chez Newsmada.

Fampianaran’ny polisy

Nampianatra ny ankizy teny an-tsekoly momba ny voka-dratsin’ny fidorohana zava-mahadomelina ny polisin’ny kaomisaria, etsy amin’ny 67Ha sy ny Polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina, ny herinandro lasa teo. Nampahafantarina azy ireo ihany koa ny sazy momba ny zava-mahadomelina. L’article Fampianaran’ny polisy est apparu en premier sur AoRaha.

Governemanta haingam-pandeha ?

Vita ny fitsapana ! Ho fantatra hatramin’ny faran’ity herinandro ity ny ho praiminisitra sy ny mpikambana vaovao ao anatin’ny governemanta. Voafidy ny solombavambahoaka, ny mpikambana isan-tsokajiny ao anatin’ny antenimierampirenena. Araka ny Lalampanorenana, mandroso anarana ny depiote avy amin’ny maro an’isa, mazava ho azy fa ny IRD ary manendry izay safidiny ny filoham-pirenena. Governemanta faharoa ity hitsangana ity.Nilaza rahateo ny filoha Rajoelina, tamin’ny andiany voalohany, fa hotombanana ny zava-bitan’ny minisitra tsirairay nandritra izay enim-bolana niasany izay. Manampy izany anefa, misy amin’ireo minisitra vitsivitsy, voafidy ho solombavambahoaka. Na izany aza, tombanana amin’ny ankapobeny ny vokatra sy ny zava- bitan’ny minisitera tsirairay, ary azo antoka fa tsy misy ny indrafo na ny kinamanamana satria aim-pirenena no resahina.Azo adika izany, fa vita hatreo ny andrana sy ny fitsapana, satria araka ny fanambin’ny filoha, “olon’ny asa” izy, fa mihazakazaka toy ny fiaran-dalamby haingam-pandeha (TGV), araka ny efa nahafantarana azy hatramin’izay. Voamarina izany amin’ireo asa vitany tao anatin’izay enim-bolana voalohany izay, ary tokony haharaka izay hafainganam-pandehany izay koa ny mpiara-miasa aminy, indrindra ny governemanta mpanatanteraka.Laharaham-pahamehana ho an’ny Malagasy 25 tapitrisa ny fijerena ny andavanandrony. Azo tarafina izany amin’ny fiforonan’ny asa, fototry ny fivelomana, ny vidin-javatra takatry ny maro an’isa, ny fandriampahalemana. Zava-dehibe koa ny fitoniana politika hahazoan’ny mpandraharaha eto an-toerana sy ny vahiny, vao hosarihina, antoka ahafahan’izy ireo mampiasa vola maharitra, ka ho azo tsapain-tanana ny fampandrosoana.Maro ny governemanta nitsangana hatramin’izay, miaraka amin’ny fanamby tsara lahatra, toy ny hoe “governemantan’ny asa”, “governemanta hiady”, …. , saingy “ny voa no hitsarana ny hazo”, hoy ny voalazan’ny Soratra Masina.Njaka Andriantefiarinesy  L’article Governemanta haingam-pandeha ? a été récupéré chez Newsmada.

V7V sy Sava: tsara ny vokatra sy ny vidin’ny lavanila

Misokatra ny taom-piotazana lavanila any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany (V7V). Tsara ny vokatra amin’ity taona ity, tombanana ho 100 t ny lavanila manta. Tsara ihany koa ny vidiny, iray hetsy ariary ny kilao amin’ny lavanila manta, mora indrindra. Tsy vitsy ihany koa ireo orinasa tonga any an-toerana manangona izany vokatra izany. Ny hita ao Manakara, ny Ramanandraibe Export, ny Cotona, ny Sahanala, samy orinasa lehibe avokoa; ahitana ihany koa ireo mpandraharaha avy any avaratra tonga manangona izany vokatra izany.Misy amin’ireo orinasa sy ny mpandraharaha ny mikarakara ny vokatra any an-toerana ihany, anisan’izany ny Ramanandraibe Export, mividy be indrindra. Raha 20 t ny vinan’ny orinasa hovidina amin’izao taom-piotazana izao, efa tafakatra 30 t izany ankehitriny. Tamin’ny taon-dasa, tsy nisy afa-tsy 3 t ihany ny azon’ny orinasa Ramanandraibe Export. Na izany aza, nilaza ny mpamokatra fa mbola tsy ampy ny mpividy.Tsara vidy kokoa ny any SavaMisokatra, toy izany koa, ny taom-piotazana any amin’ny faritra Sava ka any amin’ny kaominina Tanambao Daoda, distrikan’i Sambava, ny nanokafana izany. Tsara ny vokatra any amin’io kaominina io ka izay ny antony nanomezana toerana azy ho fantatry ny mpandraharaha. Nitombo ny vokatra, noho ny fitombon’ny tany novolena sy ny fanarahana ny lamina napetraka hahatsara kalitao ny lavanila any amin’iny faritra iny. Tsara vidy kokoa ny lavanila manta any Sava, tafakatra hatrany amin’ny telo hetsy na dimy alina sy roa hetsy ariary ny kilao.Amin’izao fisokafan’ny taom-piotazana izao, mitaky fananana karatra ho an’ireo mpandraharaha te hiditra amin’izany lalam-pihariana izany ny minisiteran’ny Varotra. Ho matihanina eo amin’ny asa, indrindra ho fisorahana ny asa an-jorony (informel) hiditra amin’ny ara-dalàna. R.MathieuL’article V7V sy Sava: tsara ny vokatra sy ny vidin’ny lavanila a été récupéré chez Newsmada.

Kitra: nanolotra «maillot», ho an’i Julio i Carolus

Tafahaona tamin’Andriamahitsinoro Andrea Carolus, mpilalaon’ny Barea ihany, ny alarobia lasa teo, i Julio. Ilay tovolahikely, nametaka ny anaran’i Carolus, teo amin’ny fanamiany. Raha tsiahivina, efa tany Égypte, no hitan’i Carolus, tamin’ny tambajotran-tserasera ilay sary, ary nampihetsi-po azy, izany.Nampitady an’i Julio, izy nony tafaverina teto Madagasikara ka izao nifanena izao, izy mirahalahy mianaka. Manana vina hanampy an’i Julio ho lasa lavitra amin’ny baolina kitra i Carolus fa mbola hiresaka tsara amin’ny reniny aloha. Faly, i Julio sy ny reniny, nihaona tamin’i Carolus. Raha ny fitantaran’i Julio dia tsy tia mpilalao afa-tsy i Carolus izy ary tsy manaiky mihitsy raha tsy mijery baolina rehefa manao ny Barea de Madagascar. Avy any Antsirabe, i Julio ary kilasy taona fahatelo na (10 ème), izy amin’izao.Nanolotra fanamiana misy ny laharana sy ny anarany ho an’i Julio, i Carolus, izay nampirisika azy, hianatra tsara sy hilofo mafy amin’ny filalaovana baolina. Nisaotra sy nankahery an’i Carolus, ihany koa tetsy ankilan’izany, ny renin’i Julio. TompondakaL’article Kitra: nanolotra «maillot», ho an’i Julio i Carolus a été récupéré chez Newsmada.

Mahajanga: hamaky ady amin’ny kolikoly ny zandary

Notanterahina, ny alatsinainy lasa teo tao amin’ny Toby Kly Jean Philippe ao Mahajanga, ny fivoriana niarahana tamin’ireo “commandants d’unité” ao anatin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria ao Boeny, notarihin’ny Kly kaomandin’ny fari-piadidian’ny zandarimaria ao Mahajanga. Ity fivoriana ity izay nandinihana sy nijerena paikady hanatsarana ny fomba fiasa sy ny fahaiza-manao hametrahana fandriampahalemana maharitra ao Boeny sy hiadiana amin’ny kolikoly. Nilaza ireo teo anivon’ny kaomadin’ny tobim-paritra fa vonona hanatsara ny fomba hiarovana ny vahoaka ny fananany.J.CL’article Mahajanga: hamaky ady amin’ny kolikoly ny zandary a été récupéré chez Newsmada.

« Tagnamaro »: nanadio ny teny amin’ny LTP ny MAHTP

 Niavaka ny tamin’ity indray mandeha ity. Nanatanteraka ny hetsika “Tagnamaro” – Andron’ny olom-pirenana teny amin’ny lycée Technique professionnel Alarobia ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy (MAHTP) ny asabotsy teo. Antony nisafidianana ity toerana ity ny fahamaroan’ireo injeniera sy ny teknisianina miasa ao amin’ny MAHTP amin’izao fotoana izao nandranto fahaizana sy fahalalana tao amin’io lycée io. Ho mariky ny valim-babena noho izany soa azo tamin’ity toerana ity izany ary fampisehoana amin’ireo mpianatra ankehitriny fa ilaina ny fikojakojana ny toeram-pianarana izao hetsika natao izao. Nohamafisin’ny fianakaviamben’ny MAHTP tamin’ny alalan’izao hetsika “Tagnamaro” izao fa ny firaisankina sy ny fiaraha-mientana no ahatongavana amin’ny vokatra tsara. Nanadio sy nandoko ary nikojakoja ireo toerana rehetra eo anivon’ny LTP Alarobia izy ireo tamin’izany.Synèse R. L’article « Tagnamaro »: nanadio ny teny amin’ny LTP ny MAHTP a été récupéré chez Newsmada.

Fifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena: mampidi-doza matetika ireo taksiborosy Sprinter

Tsy iray tsy roa! “Efa zary fahazarana ho anay sisa ny maheno sy miatrika ny lozam-pifamoivoizana ety amin’ny lalam-pirenena, izay haterak’ireo taksiborosy Sprinter ireo”, hoy ny nambaran’ny zandary iray, miasa amin’iny lalam-pirenena faha-7 iny. Ny ankamaroan’ny tranga dia saika vokatry ny fandehanana mafy avokoa, arahina tsy fifehezana ny familiana tampoka na tsy fisian’ny hisatra, raha ny fanazavana hatrany.Tranga iray tao anatin’ny maro ny niseho, ny diva haraina ny alarobia teo, tao Behenjy. Fiara taksiborosy Sprinter iray no nivadika ka latsaka tao amina hady ivelan’ny arabe. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy, fa maromaro kosa ireo naratra izay nentina notsaboina. Araka ny fanazavana, niala fiara iray io Sprinter io, kanefa mafimafy ny fandehany, hany ka tsy nahafehy ny familiana intsony ny mpamily. “Fiara natao handeha mafy mihitsy ny Sprinter, saingy ho an’ny “autoroute”. Mpitondra entana ao anatiny ihany koa, ilay antsoina hoe “fourgon” izy ireny fa tsy natao hitondra mpandeha. Rehefa tonga aty amintsika anefa, vakina dia asiana seza ary lasa mpitatitra olona. Tsy vitan’izay fa mbola asiana fitondrana entana eo amboniny, izay mitondra entana misavovona ka matetika koa mitera-doza izany”, hoy hatrany ny fanazavana nomen’ny zandary iray nanontanianay. Voaporofo tokoa izany amin’ny isan’ny trangana lozam-pifamoivoizana, indrindra ireo hahafatesana olona amin’ny lalam-pirenena. Sao dia fotoana tokony handraisana fepetra mafy kokoa amin’ireo mpitatitra amin’izay? Randria.L’article Fifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena: mampidi-doza matetika ireo taksiborosy Sprinter a été récupéré chez Newsmada.

Hamely mafy ny hatsiaka: 1°C Vakinankaratra, 4° C eto Analamanga

Misy anticyclone (tsioka atsimo) matanjaka mitondra rivotra mando ary mandrafitra ny toetry ny andro, mandritra ny faran’ny herinandro sy amin’ny fiandohan’ny herinandro vaovao.Hidina hatramin’ny 1°C any Vakinankaratra ary 4°C ho an’ny faritra Analamanga ny maripana farany ambany, manomboka rahampitso hatramin’ny alarobia ho avy izao, araka ny fanazavan’ny teknisianina, Randrianarison Rivo, eny Ampandrianomby, omaly. Hilatsaka 6 ka hatramin’ny 8°C amin’ny tokony ho izy, ao anatin’ny volana jolay tahaka izao ny maripana saika manerana ny Nosy. 14 ka hatramin’ny 16°C ny maripana ambony indrindra ho an’ny afovoan-tany. Ny taona 2013 no niseho farany ny fidinan’ny maripana tahaka izao satria hatrany amin’ny 2°C ny tany Vakinankaratra. Ny alakamisy ho avy izao vao hiakatra tsikelikely ny maripana ambany indrindra. Mila miomana amin’ny fepetra mifandraika amin’izany ny rehetra, indrindra ireo marefo ara-pahasalamana sy manana aretina mitaiza.Hahazo orana ny tapany atsimon’ny Nosy, rahampitso sy ny alatsinainy, nikisaka aty amintsika ilay front avy any Afrika Atsimo mitondra  hamandoana be. Ankoatra ny orana, mafimafy ny fitsokan’ny rivotra (55-65km isan’ora) saika amin’ny morontsiraka rehetra ka hampahery ny onjan-dranomasina. 3,5 ka hatramin’ny 6 metatra. Hanomboka anio hariva ary hitohy hatramin’ny talata ho avy izao izany tranga izany ka tokony ho mailo noho izany ny mpampiasa ranomasina rehetra, indrindra ireo sambo madinika. Tsy tokony hiandriaka intsony, araka ny toromariky ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly.Vonjy      L’article Hamely mafy ny hatsiaka: 1°C Vakinankaratra, 4° C eto Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

Razanamahasoa  C: « Haverina ny hasin’ny depiote »

Niaiky ny tsy nety teo aloha.“Hifamarafara isika ary tsy maintsy mifanafatra noho ny traikefa maro tamin’ny nanaovana depiote sy ny andraikitra maro noraisina ka manana adidy handefa hafatra dieny izao fiandohany izao mba hizorana amin’ny lalana tsara eo amin’ny asa atao amin’ny maha depiote… Mila haverina amin’ny hasiny ny Antenimierampirenena, araka ny nanambaran’ny filoha HCC izany farany teo. Niaraha-nahita ny zava-nisy teo aloha”, hoy izy tamin’ny lahatenin’ny zokiolona, ny depiote Razanamahasoa Christine teny Tsimbazaza, omaly. Nitarika ny fivoriana manokana ny tenany niaraka amin’ny depiote zandriny indrindra, i Tsaradia Marco, nialoha ny fanatanterahana ny fifidianana ny birao maharitry ny Antenimiera. Nohitsiny fa manana adidy ny depiote hanarina ny lesoka teo aloha ary tsy hiverina eny amin’io lapa io intsony ny tahaka izany. Antony tsy namparisika ny mpifidy ireny tranga ireny ka naha ambany ny taha nahavoafidy  azy ireo tamin’ny fifidianana depiote farany teo. Notsiahiviny koa ny tokony hanajana ny lalàna eo amin’ny fisarahan’ny fahefana mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka… Niroso tamin’ny fifidianana ny rehetra ny tolakandro rehefa nandray izany hafatrafatra izany.Synèse R . L’article Razanamahasoa  C: « Haverina ny hasin’ny depiote » a été récupéré chez Newsmada.

Raharaha 19 jolay 1948: notsaroana manokana ireo mahery fo Malagasy

Feno 71 taona katroka, omaly (19 jolay 1948 – 19 jolay 2019) ny nitifiran’ireo mpanjanatany ireo mahery fo nitaky ny fahaleovantenan’i Madagasikara teny Avaratra Ambohitsaina dia ny Lietna Randriamaromanana Albert, Rakotobe Samuël, Ratsizafy Samuël, Bekamisy ary Lezoma.Ho fahatsiarovana ny fitiavan-tanindrazana izay nasehon’izy ireo tamin’izany, tonga nametraka fehezam-boninkazo teny amin’ny toerana nitifirana azy ireo sy teny amin’ny Tobi-Miaramila Regimanta voalohan’ny Miaramila Analakely mitondra ny anaran’ny Lietnà Randrimamaromanana Albert ny solontem-pianakaviany sy ireo andiany niaraka taminy ary ny Praiminisitra Christian Ntsay, nisolo tena ny Filoha Rajoelina. Nandritra ny fandraisam-pitenanan’ny Fitaleanan’ny mpiady tia tanindrazana, ny Kly Rakotonirina Lala Jacquis no nanambarany fa tsy fanadino ny ezaka fitiavan-tanindrazana nasehon’izy ireo fa mendrika ny hotsaroana. Ny tantara no miantoka ny ho avy ka nilazany fohifohy ny tantaran’ny namonoana ireo mahery fo Malagasy ireo. Ny Malagasy manontolo no tokony hivondrona ao anatin’ny Vondrona Tia Tanindrazana izay iandraketan’ny sampandraharaha ny mpiady Tia Tanindrazana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN).Ohatra ho an’ny taranaka…, hoy ny PM“Feno fitiavan-tanindrazana sy namela mamy ary lova tsara ho an’ny taranaka aty aoriana ny ohatra nasehon’ireo mahery fo ireo”, hoy ny Praiminisitra Christian Ntsay. Nohamafisiny hatrany fa ny vahoaka malagasy dia tokony hoentanin’izany afom-pitiavan-tanindrazana izany koa mba hamerenantsika sy hanamafisantsika hatrany ny fifampitokisana sy ny fifamenoana eo amin’ny mpitondra isan-tsokajiny ary ny vahoaka. “Fifampitokisana sy fifamenoana izany dia mba ho soatoavina hampitambatra ny hevitra hanatanterahana fampandrosoana ny firenena sy fanandratana ny fahamasinan’ny tanindrazana”, hoy izy.Nisaotra manokana ireo bekotro maro holatra kosa ny Sekretera jeneralin’ny MDN, ny Amiraly Ranaivosehono Antoine de Padoue. “Ohatra ho antsika taranaka aty aoriana ary tokony halain-tahaka izany fitiavan-tanindrazana nasehon’izy ireo tamin’izany vanim-potoana izany. Ny fahafoizana ny aina no fitiavana faratampony”, hoy izy.Jean ClaudeL’article Raharaha 19 jolay 1948: notsaroana manokana ireo mahery fo Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – “Tournoi city milalao”: nobatain’ny Herofoot  sy ny 67 City ny amboara

  Tontosa ny talata 25 jona sy ny alakamisy 27 jona lasa teo, tetsy amin’ny kianja Arena 67 Ha, ny “Tournoi city milalao”, fifaninanana baolina kitra lalaovin’olona  enina, natokana ho an’ny sokajin-taona 8 ka hatramin’ny 12 taona.Norombahin’ny Herofoot, ny amboara, teo amin’ny sokajy 10 – 12 taona, rehefa nandresy ny Net Foot, tamin’ny isa mazava, 3 no ho 1. Lasan-dry zareo 67 city kosa ny fandresena teo amin’ny sokajy  8 ka hatramin’ny 10 taona. Mbola ny ekipan’ny Herofoot, ihany no resy tamin’ny isa tery, 3 no ho 2.Tsiahivina fa 15 mn indroa miditra ny faharetan’ny lalao, tamin’ity. Ekipa efatra no nandray anjara dia ny 67 city Fc, mpikarakara ny hetsika. Teo koa ny Ankoay Fc, ny Herofoot ary ny Netfoot Mada. Afa-po ny mpikarakara sy ireo mpandray anjara satria nahafahan’ireo katitakely, nifanakalo traikefa, ny fihaonana. Nambaran’i Cédric, mpikarakara fa hisy indray ny “Tournoi Nelson Mandela”, ny volana septambra, ho avy izao. Hisy ireo ekipa avy any amin’ny faritra, hifaninana amin’io ary mety handefa ekipa ihany koa ry zareo avy atsy Afrika Atsimo. TompondakaL’article Kitra – “Tournoi city milalao”: nobatain’ny Herofoot  sy ny 67 City ny amboara a été récupéré chez Newsmada.