IPhone

News - Téchnologie - Tezitra tamin’ny Tim Cook i Mark Zuckerberg ka mandidy ny mpiasan’ny facebook hampiasa Android
Tezitra tamin’ny Tim Cook i Mark Zuckerberg ka mandidy ny mpiasan’ny facebook hampiasa Android

Voatsindrona tamin'ilay fanamarihana nataon'i Apple i Mark Zuckerber ka dia nandidy ny mpiansany hampiasa finday Android ary tsy hampiasa ny iPhones-ny. Tsy tian'i Mark Zuckerberg ilay tsindrona kely nataon'i Tim Cook ny momba azy tamin'ny Mars farany teo. Nanontaniana izy momba an'ilay disadisa mikasika ny Cambridge Analytica, ka ny talen'ny Apple dia nanambara : "Izahay tsy manao trafika ny fiainanareo manokana. Ny fianana manokana ho anay dia zon'olombelona, fahalalahana sivily". Ny iPhone dia voararan'i Mark Zuckerberg ao amin'ny Facebook Ny kihana izay natao ho an'i Facebook dia tsy nisarona akory, ary i Mark Zuckerberg, araka ny voalazan'i New York Times, dia naneo hevitra avy hatrany ny amin'ny tsy hampiasain'ny ekipan'ny fitantanana ny hampiasa ny iPhones fa hampiasa ny finday mampiasa Android. Mba hanamarihany ny fanam-pahankeviny, ilay miliaridera dia nanindrona ihany koa avy eo hoe ny Android dia be mpampiasa lavitra noho ny iOS. Volana maromaro, ny mpitantana an'ireo orinasa roa ireo dia mifamely foana amin'ny alalan'ny haino aman-jery maro ny amin'ny fitantanana ny données amin'ny fianana manokana. Mbola ho ela vao hilamina ny raharaha. Nalaina tany amin'i 9to5Mac

19/11/2018
Tohizo ny famakiana >>

Téchnologie
07/11/2018

Ireo entana antitra sy lany andro hoy i Apple

  Ny iPhone 5 dia lany andro hoy i Apple. Io finday io dia nampidirina tao amin'ny lisitra ny entana lany andro araka ny mason-tsivana napetrak'i Apple. Raha hazavaina misy misy kokoa izany dia ny iPhone 5 izay nivoaka tamin'ny taona 2012 dia efa "antitra" ho an'ny mpanjifa any Etazonia ary efa "lany andro"  kosa ho an'ny firenena hafa, izany hoe tsy tokony hanantena "mise à jour" intsony izany ho an'io finday io, ary tsy manamboatra an'io finday io intsony ny ekipan'ny Apple raha sanatira ka simba ny finday iPhone 5. Marihana etoana anefa fa ny iPhone 5 dia nahazo tombony satria ny "garantie" nomen'i Apple ny iPhone 5 dia 6 taona raha tokony ho 5 taona izany. Ao amin'io pejy an'i Apple io dia misy ny lisitry ny entana namboarin'i Apple efa lany andro rehetra. Ankoatran'ny iPhone 5 dia hita ao ihany koa ny Macbook nivoaka talohan'ny taona 2012, ny iPhone 4 sy ny teo alohany mazava ho azy, ny iPad "3ème génération" sy ny teo alohany sy ny entana maro samy hafa. Afaka mijery an'io pejy io ianao raha ohatra ka te ahafantatra hoe ny entana novokarin'i Apple izay hananao ve dia efa lany andro sa tsia.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina

Karibotel 26 Analakely: hanafana ny “After Work” ny tarika Ejema
25/09/2020

Mikarakara  “After Work”, amin’ity, anio, zoma 25 septambra, manomboka amin’ny 7 ora hariva  ny Karibotel Twenty Six Analakely. Hanome hafanana amin’izany ny tarika Ejema,izay tsy zovina amin’ny maro intsony, anisan’ny andrarezin’ny kanto malagasy tsy lefin’ny vanimpotoana. Hovetsoina ao daholo ireo hira anisan’ny nanamarika ny tarika sy ny tena nahafantarana azy rehetra, toy ny “Djarina banou”, ny “Manahiragna”,  ny “Aza ela any”, indrindra  ilay hira vao vita rindrantsary “Zaza Gasy”… Hisy tsy ampoizina samihafa hanomezana fahafahampo ny mpanatrika amin’io “After Work” io, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra. Hisy sakafo sy tsakitsaky isan-karany amin’izany, matihanina rahateo amin’ny fahandroana sakafo malagasy sy ny fikarakarana lanonana ny  Karibotel-Twenty Six Restaurant Bar Lounge eo anoloan’ny hotel de ville Analakely. Efa manomboka miverina tsikelikely ny karazana hetsika isan-karazany, indrindra ny faran’ny herinandro, na dia eo aza ny hamehana ara-pahasalamana.NarilalaL’article Karibotel 26 Analakely: hanafana ny “After Work” ny tarika Ejema a été récupéré chez Newsmada.

Cisco Antananarivo Renivohitra: Anarivony ireo tsy tonga tamin’ny BEPC
22/09/2020

Nanomboka omaly ary hitohy anio ny fiatrehan’ny mpiadina 327 455 ny fanadinana BEPC. Tsy nisy olana saro-bahana fa nizotra tsara ny andro voalohany.  26 485 ny isan’ny mpiadina nanatrika ny fanadinana BEPC ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra raha 27 699 no nisoratra anarana. 1214 ireo tsy tonga, omaly, tamin’ny andro voalohany, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco, Ramananantony Lalaina, omaly. Nizotra tsy nisy olana saro-bahana ny fanombohana ny BEPC. Mpiadina iray avy any Ambatondrazaka no voatery niatrika ny fanadinana teto an-dRenivohitra ka rehefa voamarina fa voasoratra anaty ny lisitry ny mpiadina izy dia nomena ny taratasy fiantsoana ary nomena alalana hanaraka ny fanadinana. Nisy koa ireo diso foibem-panadinana, saingy tsy niteraka olana fa tonga teny amin’ny ivontoerana tokony niadinany ihany izy ireo.Nanamafy koa ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazana, Razafimahefa Herman fa na nisokatra aza ny lalana hivoaka ny faritra rehetra, azo noraisina hanatanteraka ny BEPC ihany ireo mpiadina taraiky tany amin’ny faritra ary nohamoraina ny fahazoany miatrika izany. Nitsidika ny CEG Ambatolampy Tsimahafotsy ny tompon’andraikitry ny minisiteraho fanombohana tamin’ny fomba ofisialy sy ny fanokafana ny laza adina, omaly maraina. Manana tombony ny teto Madagasikara afaka nanao ny fanadinana roa ara-panjakana raha mitaha ny tany ivelany, izay nanambara fa taona fotsy ny taom-pianarana 2019-2020, indrindra taty Afrika. 272 ny mpiadina teny amin’ny foibem-panadinana CEG Ambatolampy Tsimahafotsy, Cisco Ambohidratrimo.Nohajaina avokoa ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina Coronavirus.Hiatrika ny taranja matematika sy ny français (LV1) ny mpiadina, anio tontolo andro.356 ny tsy tonga tao ToamasinaHo an’i Toamasina manokana, nitombo tsy toy ny fahita isan-taona ny isan’ireo mpiadina tsy tonga niatrika ny fanadinana BEPC, ho an’ny omaly, izay mahatratra 356. Mitotaly 19 055 ireo mpiadina voasoratra anarana ao anatin’ny faritra Atsinanana, izay mitsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 56. 6 357 kosa ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina voalohany voazarazara amin’ny toeram-panadinana 14. Vonjy A. sy SajoL’article Cisco Antananarivo Renivohitra: Anarivony ireo tsy tonga tamin’ny BEPC a été récupéré chez Newsmada.

Raharaham-bahoaka :: Hanamora ny fikarakarana taratasim-panjakana ny Ivotoro
23/09/2020

Hisokatra amin’ny besinimaro, ato ho ato, ilay birao manokana hisahana ny fanomezana torolalana ho an’ireo olom-pirenena mikarakara taratasim-panjakana na Ivotoro. « Pitsopitsony kely madinidinika sisa dia ho am-perinasa tanteraka io birao io », hoy ny fanazavan’i Fetraniaina Mamimbahoaka, tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Asa iandraiketan’ny birao ny fandraisana ny antson’ireo olona mila fanampiana amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana.  Mety ho laharana maitso io na laharana tsotra. « Hapetraka ny olona maromaro natokana hanao an’io asa io fotsiny eto amin’ny minisitera. Raha misy olona hanao pasipaoro, ohatra, dia hatoro azy ny taratasy rehetra ilaina amin’izany sy ny toerana ary ny birao tokony hidirany. Afaka mamerina miantso izy raha tojo olana », hoy ihany ny tale jeneraly mpisolo toerana. Azo anontaniana ao amin’ny Ivotoro avokoa ny fomba fikarakarana an’ireo karazana taratasim-panjakana, na fikarakarana tany io na fikasana hanangana haino aman-jery. Fantatra fa hiarahana miasa akaiky amin’ireo sampandraharaham-panjakana samihafa ny fametrahana ny birao mba tena hanamorana ny fivezivezen’ireo olompirenena manao taratasy, sady hiantohana amin’ny fanafoanana ny kolikoly. L’article Raharaham-bahoaka :: Hanamora ny fikarakarana taratasim-panjakana ny Ivotoro est apparu en premier sur AoRaha.

Fametrahana ny tany tan-dalàna: malahelo sy menatra amin’ny ataon’ny fitsarana ny KMF/Cnoe
24/09/2020

Tsy nitsitsy fitenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, manoloana ny fametrahana ny tany tan-dalàna. Anisan’ny notsikerain’izy ireo ny fitsarana.“Foto-kevitra iray iainan’ny KMF/Cnoe ny fanajana lalàna. Ho anay, rehefa izay ny fanapahan-keviny: mampalahelo sady mahamenatra. Mampalahelo sy mahamenatra tsy hoe tsy nahavoa na resy izahay fa Repoblika sy fanjakana tan-dalàna no iainantsika nefa mahasahy milaza fa tsy mahefa ny raharaha ny mpitsara.”Io ny nambaran’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, notarihin’ny filoha nasionaliny, Andriamalazaray Andoniaina, teny Antanimena, afakomaly, manoloana ny tsy fahefan’ny Filankevi-panjakana mitsara ny fitoriany amin’ny hanafoanana ny didim-panjakana fihaikana mpifidy vaventy sy ny hanafoanana ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra.Ny fanambaran’ny Filankevi-panjakana fa tsy mahefa hitsara ny raharaha amin’izay io fitoriana izay no tsy nampoizina. Efa nisy ny ady toy izao tany amin’ny taona 2008. Angamba, mety ho diso fitadidy ireo mpitsara. Nisy didim-panjakana navoakan’ny Filankevi-panjakana tamin’izany. Amin’ny maha didy fakan-tahaka azy fotsiny, mahamenatra ny nambaran’ny fitsarana ho tsy mahefa ny raharaha. “Mahamenatra izany fa tsy maninona: izay ny rafitra sy ny lalàna, hajaina ny lalàna”, hoy izy.Tsy ny voka-pifidiana no zava-dehibeRehefa mifidy ny olona, tsy ny voka-pifidianana no zava-dehibe fa ny fahazoana maneho hevitra amin’ny latsa-bato. Izay famoahana ny safidy avy amin’ny tsirairay izay no manambara fa tany tan-dalàna sy fanajana ny demokrasia, manoloana ny filazana fa tsy hanova ny voka-pifidianana ny tsy fahafenoan’ny mpifidy vaventy amin’io fifidianana loholona io.Nilaza ny mbola hivory sy handinika tsara ny KMF/Cnoe na hanara-maso na tsia ny fifidianana. Tsy azo entina amin’ny hafanampo sy ny hataitairana ny raharaham-pirenena.R.Nd.L’article Fametrahana ny tany tan-dalàna: malahelo sy menatra amin’ny ataon’ny fitsarana ny KMF/Cnoe a été récupéré chez Newsmada.

Fizahantany any Vatovavy Fitovinany: manohana 300 miliara ariary ny Fihariana
23/09/2020

   Mifantoka amin’ny fitaterana sy ny fizahantany ny minisiteran’ny Fitaterana hanomezana aina indray ireo sehatra roa mifamatotra ireo. Maro ny olona mivelona mivantana amin’izany ka mila arenina hainganaTsy afa-misaraka ny fitaterana sy ny fizahantany. Roa volana izao, nifantoka tanteraka amin’ireo sehatra roa mifamatotra ireo ny minisiteran’ny Fitaterana hanomezana aina indray ireo fiharian-karena fototra niharam-pahavoazana toy ny sehatra hafa rehetra tratran’ny krizy ara-pahasalamana. Sarotra arenina izany ankehitriny noho ny fahavoazana isan-tokony mifandray amin’ny fitaterana sy ny fizahantany.Fototry ny toekerem-pirenena ireo, iveloman’ny olona antapitrisany mivantana, ka nametraka paikady vaovao ny minisitera mpiahy ho mpanelanelana sy ho fanarenana izany, any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Ho fiatrehana izany ny tetikasa Fihariana sy ny banky Indostrian’i Madagasikara, mifampiraharaha manamora ny fampindramam-bola ho an’ireo sehatra roa roa ireo: fitaterana sy fizahantany. 300 miliara ariary ny hatokana ho amin’izany ary haverina mandritra roa taona, miaraka amin’ny zanabola 8 % isan-taona ho an’ny mpitari-dalana sy ny mpitatitra ahafahan’izy ireo mamelona indray ny sehatra tandrify azy.Maika miaraka amin’izany tetikasa ny fanajariana ny manodidina izany, ny fitandroana ny tontolo iainana. Fandriamapahalemana, fanamboarana fotodrafitrasa manodidina, toy ny lalamby, ny seranam-piaramanidina, tsy ambanin-javatra koa ny fanadiovana ny lakandron’i Pangalana. Manana harena voajanahary mampiavaka samihafa ny manamorona ny lakandrano Pangalana sy ny lalamby FCE ireo rehetra ireo. R.MathieuL’article Fizahantany any Vatovavy Fitovinany: manohana 300 miliara ariary ny Fihariana a été récupéré chez Newsmada.

Fisorohana ny valanaretina: nisintaka tany ambanivohitra ny ankizy
24/09/2020

“Noho ny faharefoan’ny ankizy raisina an-tanana ao amin’ny akany, nisintaka mihitsy tany ambanivohitra ny zaza sy ny mpikarakara nandritra ny fihibohana hisorohana ny fahazoan’izy ireo ny tsimokaretina”, hoy ny mpitantana ny akany fandraisana. Nikatona tanteraka ny akany eny Mahamasina. Antso amin’ny finday fizarana vaovao sy fandefasana vola amin’ny finday ny tantsoroka natao ireo ray aman-dreny rehetra tohanan’ny ONG.Nisy nanala fanadinana CEPE ny ankizy tohanana ary afaka soa aman-tsara avokoa fa roa kosa no niala an-daharana noho ny fahasahiranana tao anatin’ny fihibohana. “Zavatra mampalahelo izany nefa izahay koa, niala teto amin’ny akany ka sarotra ny faharaha-maso ny ankizy », hoy ny fanazavany ihany. Ankehitriny, efa miverina tsikelikely amin’ny fiainany ny akany sy ireo asa rehetra nataon’ny ONG ho tantsoroka amin’ny fianakaviana. Hatramin’ny taona 1988 niorenan’ny akany, 180 mahery ny ankizy nobeazina sy noraisina an-tanana tao. Nivoatra tsikelikely ny toeram-pandraisana izay niandoha tamin’ny zaza roa voan’ny aretina raboka ka nalain’ny mpanorina notsaboina tao an-tokantranony. Avy amin’ny fianakaviana sahirana monina eny amin’ny faritra iva: Andavamamba, Anatihazo, Itaosy, Ambatomaro … ireo ankizy beazina ao. Betsaka ny antso azo nandritra ny fihibohana fa noho ny antony ara-pahasalamana, tsy afa-nanoatra ny mpitantana. Vonjy    L’article Fisorohana ny valanaretina: nisintaka tany ambanivohitra ny ankizy a été récupéré chez Newsmada.

Fitantanana an’Antananarivo Renivohitra: niofana momba ny tetibola ireo mpanolotsain’ny Tanàna
24/09/2020

Nifarana, omaly tetsy Ankorondrano, ny fampiofanana ireo mpanolotsaina monisipaly eto  Antananarivo Renivohitra. Nampiofana sy nizara traikefa tamin’izany ny eo anivon’ny FES, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny CUA. Niompana amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao ny fiofanana ka anisan’izany ny fitantanana tsara rindra. Eo koa ny fitantanana sy ny lalàna mifehy ny tetibola: fanombohana sy ny tetibola fanampiny ary ny fanitsiana ny tetibola  mba hitovy ny fomba fijery sy ny fahalalan’ireo mpanolotsaina .Mbola hiofana koa ireo mpanatanterakaManampy ireo ny fampahafantarana ny andraikitra sy ny anjara asan’ny mpanatanteraka na koa ireo mpanolotsaina monisipaly. Tanjon’ny fampiofanana ny hanatsarana ny fomba fijery amin’ny fampandrosoana ny tanànan’Antananarivo ary ny fizarana ny traikefa. “Mbola hisy vinavina amin’ny fampiofanana ireo mpanatanteraka eo anivon’ny CUA”, hoy ny mpampiofana, i Miandriarivo John.Etsy andaniny, mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny CUA ho fanatsarana hatrany ny fifamoivoizana eto an-dRenivohitra.Nesorina avokoa ireo fiara tonta sy tsy mandeha…Nesorina avokoa ireo fiara efa tonta sy tsy mandeha intsony ka mibahan-dalana na mameno toerana fotsiny. Nesorina, tahaka izany, koa ireo « piquets » tsy ara-dalàna, mibahana ny lalàna sy ny toeram-pijanonan’ny fiara.« Vonona hatrany ny sampandraharahan’ny kaominina misahana ny fitaterana hiara-kiasa amin’ny tsirairay sy handray ny fitarainan’ny mponina, hampizotra tsara ny fifamoivoizana”, hoy ny tompon’andraikitra.Synèse R.  L’article Fitantanana an’Antananarivo Renivohitra: niofana momba ny tetibola ireo mpanolotsain’ny Tanàna a été récupéré chez Newsmada.

Fananan-jo…  maharaikitra adidy       
26/09/2020

 Hatramin’izay, saika mampiaka-peo hatrany ny hoe mpanohitra ny amin’ny fananan-jo hiteny, haneho hevitra, hamory vahoaka. Voalaza fa zo fototra izany, nefa mitaky adidy aman’andraikitra ihany koa. Tena mba atao sy vitan’izy ireo ve izay? Anisan’izany, ohatra, ny fitaizana ny mpikambana ao aminy, raha misy: be ny tsy manana mpikambana amin’ny antoko misy azy akory hatrany ifotony.Eo koa ny fandraisana anjara isaky ny fifidianana fa tsy mikisina manohana izay matanjaka hahazoan-toerana: rehefa tsy mahazo, miverina ho mpanohitra. Miara-dalana amin’izany ny fiomanana handray fahefam-panjakana amina foto-kevitra sy fandaharanasa ary paikady fanatanterahana mazava, ny fandresen-dahatra ny olom-pirenena amin’izany handatsa-bato ho an’ny tena amin’ny fifidianana manaraka…Atao sy vitan’izy ireo ve izany, raha tsy hilaza afa-tsy izay? Mampiaka-peo lava amin’ny hoe fananan-jo haneho hevitra sy hihetsika. Toy ny manana olona maro iny ao an-damosina raha sakantsakanana amin’ny fanakorontanana. Nony avela malalaka, zara raha mahajoro sy maharitra amin’izay lazainy sy ataony. Matoa nahomby ny hoe hetsiky ny vahoaka, mby amin’izay tsy zakany… hararaotin’ny sasany.Faly mamerina izay mahazatra hoe mahomby? Fanakorontanana, fandravana… rehefa tsy mahaovoka amin’ny hoe fiaraha-mitantana. Tsy misy antony anaovana fifidianana, raha tsy avela hamita ny fe-potoam-piasan’ny mpitondra. Raha tsy amin’izay tsy nifanarahana amin’ny tsy famitana izay nampanantenaina, sanatria, ka tsy zakan’ny vahoaka intsony: iandrasany ny farany, na ihetsehany avy hatrany.Izany rehetra izany no anisan’ny mankaloiloy ny maro amin’ny fomba fanaovana politika? Tsy mianga amin’izay tena hetaheta ifotony fa izay hahazoan-toerana fotsiny, anaovana ny fahasarihanam-bahoaka ho fitaovana politika enti-miady sy mitady. Mbola mandaitra sy mahomby ve izany, raha tsy mahavita izay adidy aman’andraikiny ny mpanohitra amin’ny hoe zo ananany isaky ny mihetsika?Rafaly Nd.  L’article Fananan-jo…  maharaikitra adidy        a été récupéré chez Newsmada.

Minisitra Bavy Michelle Angelica: « Midina ifotony hahitana ny filan’ny vahoaka »
23/09/2020

Nidina ifotony tamin’ny faritra telo: i Vakinankaratra sy Amoron’i Mania ary i Matsiatra Ambony ny minisitry ny Mponina, i Bavy Michelle Angelica, ny herinandro teo. Narahina asa sy nitondrana fanampiana izany. “Fidinana ifotony, ahitana mivantana ny zava-misy sy ny tena ilain’ny mponina izao atao izao. Eo koa ny fitia mifamaly, mahatsara fihavanagna“, hoy hatrany izy tamin’izany. Anisan’ny notsidihiny ny fijerena ny Centre Tsarahonenana ao Ambositra, misy ireo manana fahasembanana saina, tantanan’ny mompera Max. Miisa 17 ireo tsy misy mpiahy raisin’ity ivontoerana ity. Nitondra fanampiana ho an’ireo jamba, manao asa tanana ho an’ny foibe koa ny minisitra. Notokanany koa ny ivontoerana ho an’ny fikambanam-behivavy ao Ambatofinandrahana. Ny fanokafana ny tetikasa “Asa avotra mirindra” ho an’ny distrikan’i Manandriana, ahitana fianakaviana miisa 6 000 misitraka izany amin’ireo kaominina miisa 10.Fikambanam-behivavy nahazo tohanaFanombohan’ny tetikasa ny fanamboarana lakandrano mirefy 1 800 m. Nanolotra bodofotsy sy lay misy ody moka ho an’ireo zokiolona ao an-toerana koa ny minisitra. Ho an’ny ao Isandra kosa, nisy ny asa “Avotra mirindra Voamamy” amin’ny fanajariana ny tany voavoly hazo, mangahazo, kafe, tanterahin’ny mponina. Nizarana Vatsy tsinjo ireo marefo ary nomena milina fanjairana ny fikambanam-behivavy any an-toerana. Notolorana lelavola 4 hetsy Ar ny fikambanam-behivavy ao Ambohimahasoa, ankoatra ny fianakaviana 6 000 mahery, samy tohana avy amin’ny Fid avokoa izany.Etsy andaniny, hisy ny Tosika famokarana ka hivatsiana 30 000 ka hatramin’ny 50 000 Ar ireo raiamandreny ampirisihana azy ireo hampiditra an-tsekoly ny zanany.Tany Vakinankaratra kosa, nitsidika ny fikambanam-behivavy “Mamafitia” ao anatin’ny kaominina miisa 18 ao Betafo ny minisitra. Notolorana fitaovana izy ireo, ankoatra ireo sembana miisa 50 ao Mandoto ary nisitraka fanampiana avy aminy.Synèse R.L’article Minisitra Bavy Michelle Angelica: « Midina ifotony hahitana ny filan’ny vahoaka » a été récupéré chez Newsmada.

Rabenandrasana Lalao – Boky: « Tsy mankasitraka ity nomerika ity aho »
24/09/2020

Tsy ny hira irery intsony fa hatramin’ny boky, anjakan’ny mpanao piraty! “Raha izaho manokana, tsy mankasitraka ity nomerika ity aho. Jereo tsara fa mitondra faisana mihitsy ny tontolon’ny boky manoloana ny PDF ataon’ny sasany. Boky amidy 10 000 Ar, amidin’ny mpanao piraty any anaty “facebook” 500 Ar”, hoy ity filohan’ny Federasion’ny mpikanto teny sy soratra ity.Tahaka izany ihany koa ny fampiasana ny tablety. “Tsy mahasolo ny boky na oviana na oviana iny. Rehefa tena mivoaka ny tanàn-dehibe, tena mbola vitsy dia vitsy ny tanana manana herinaratra. Dia ho azo antenaina ve fa hitondra vokatra tsara ho an’ny Malagasy ny fananana ny tablety kanefa ny herinaratra, tsy lasa lavitra akory? Ny eto an-dRenivohitra aza, tapa-dava!”, hoy hatrany Rabenandrasana Lalao.Nambarany fa mila paikady mazava ny tontolon’ny boky eto Madagasikara raha tiana ny hahazo vokatra tsara avy aminy.HaRy RazafindrakotoL’article Rabenandrasana Lalao – Boky: « Tsy mankasitraka ity nomerika ity aho » a été récupéré chez Newsmada.

Mitohy ny fahamehana ara-pahasalamana: tsy miova firy ireo fepetra ankapobeny rehetra
21/09/2020

Tsy miova firy ireo fepetra ankapobeny amin’izao hamehana ara-pahasalamana faha-14, ho amin’ny 15 andro manaraka izao raha mitaha amin’ny teo aloha. Nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly fa efa an-dalana amin’ny fifehezana ny valanaretina isika ka nirosoana ny fanakatonana ny CMC-19 etsy Mahamasina. Najanona ny asan’ny BIS noho ny fihenan’ny fifindran’ny coronavirus. Na izany aza anefa, tsy maintsy hajaina hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana. Anisan’izany ny tsy maintsy hanaovana arotava. ”Mahavoasazy ny tsy fanaovana izany raha mivoaka ny trano”, hoy izy. Manomboka amin’ny 12 ora alina ka hatramin’ny 4 ora maraina ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina ho an’ny faritra Analamanga sy ny any Diana.Hisokatra ny zotra Antananarivo – AntsirananaEo amin’ny fitaterana, hisokatra ny asabotsy 26 septambra izao ny zotra Antananarivo – Antsiranana sy Antananarivo – Sambava. Tsy maintsy arahina hatrany anefa ireo fepetra, toy ny fampiasana ny “Manifold” sy ny ara-pahasalamana ary tsy fanondrotana ny saran-dalanaHisokatra ny 1 oktobra izao kosa ny sidina Nosy Be mihazo ny any ivelany. Tahaka izany koa ny hanokafana ny seranam-piaramanidina hifandraisana amin’ny aty amin’ny ranomasimbe Indianina amin’ny 29 oktobra izao. Anisan’izany ny any Antsiranana, Toamasina, Taolagnaro, Toliara.Eo amin’ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy kosa, misokatra koa izany saingy mbola voarara ny fampidirana na fitondrana olona avy any ivelany.Momba ny kolontsaina sy ny fialam-boly kosa, tsy mihoatra ny 200 ireo olona ao anatin’ny toerana. Mikatona amin’ny 11 ora alina. Harahi-maso izy ireny ka hakatona raha tsy voahaja ny fepetra rehetra.Efaka misokatra koa ny fiangonana manerana ny Nosy, saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra ara-pahasalamana.Hirosoana ny fifidianana loholonaEo amin’ny lafiny politika kosa, nambaran’ny praiminisitra fa tapitra ny fe-potoam-piasan’ny Antanimierandoholona ka tsy maintsy hirosoana ny fifidianana ny 11 desambra izao.”Manaja ny lalàna velona sy ny lalàmpanorenana isika”, hoy izy. Notsindriny koa fa tsy mitanila ny fampandrosoana. Tsy hisy ny faritra sy distrika ho hadino ary efa nomena vola ireop governora sy ny faritra amin’ny fametrahana fotodrafitrasa eny ifotony. Anisan’izany ny fanabeazana sy ny fampianarana ary ny fahasalamana sy ny rano madio fisotro.Synèse R. L’article Mitohy ny fahamehana ara-pahasalamana: tsy miova firy ireo fepetra ankapobeny rehetra a été récupéré chez Newsmada.

Fanabeazana katolika :: Mifandimby mankany an-tsekoly ireo mpianatra isan-dakilasy
23/09/2020

Manomboka mamerina ny mpianatra an-tsekoly tsikelikely ireo sekoly katolika, amin’izao fotoana izao. Notanterahina, omaly, ohatra, ny fidiran’ireo mpianatra teny amin’ny sekoly Ny Sekolintsika Analamahitsy. Tsy niaraka niditra daholo anefa ireo mpianatra fa nampifandimbiasina isaky ny kilasy izy ireo. Arakaraka ny fivoaran’ny valanaretina eto amin’ny firenena no fandaminana vaovao hampiharina, hoy ireo tompon’andraikitra. Ny taona fahafito (5ème), fahavalo (4ème) ary fahasivy (3ème) no nisantatra ny taompianarana, omaly. Tsy miverina mianatra kosa, ny tolakandro. Ny taona fahafolo (première) sy ny famaranana indray no mianatra, anio, saingy tsy miverina ihany koa, ny tolakandro. Manomboka amin’ny alatsinainy 28 septambra ny garabola hatramin’ny taona fahadimy, ny tapany maraina, ary tolakandro ireo amin’ny kilasy hafa. Toy izany hatrany ny fandaharam-potoana napetraky ny sekoly. Misy fandaminana vaovao ho an’ny ambiny, amin’ny 12 oktobra 2020. Tsy maintsy manao aron-tava ny mpianatra rehetra sy ny mpanabe ary ny ray aman-dreny. Andraikitry ny talen-tsekoly Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Fitaleavana nasionalin’ny fanabeazana katolika (Dinec), Mompera Ranaivoson Jules fa « hapetraka amin’ireo talen-tsekoly ny fandaminana ny fampidirana ny mpianatra eny anivon’ny sekoly tsirairay. Izy ireo ihany no mahita ny isan’ny mpianatra anaty efitrano iray, hoy izy, mba hahafahana manaja ireo fepetra ara-pahasalamana ». Manafatrafatra ny zanany kosa ireo ray amandreny mba hitandrina any an-tsekoly, tahaka ny tsy fanesorana ny aron-tava, ny fanasana ny tanana amin’ny tsiranoka mamono tsimok’aretina foana (ampitondraina ny ankizy), ary ny fitondrana safako ody am-bavafo. « Matahotra mihitsy saingy tsy maintsy alefa ny ankizy. Tokony mba hozaraina efitrano roa ny mpianatra satria efa ho 60 ny isan’ny ao amin’ny kilasy. Roa isaky ny latabatra mantsy izao ry zareo. Rehefa mivory ny ray aman-dreny dia mba handroso an’izany soso-kevitra izany izahay », hoy ny renim-pianakaviana iray mampiana-janaka etsy Analamahitsy. L’article Fanabeazana katolika :: Mifandimby mankany an-tsekoly ireo mpianatra isan-dakilasy est apparu en premier sur AoRaha.