Ny "Dual SIM" dia namela ny finday iray hanana laharana 2. Verizon (opérateur amerikanina) miaraka amin'i My Numbers dia nanapa-kevitra ny hihoatra an'izany. Miaraka amin'i "Dual SIM", dia afaka manana laharana 2 ny finday iray. Izany dia manatsotra ny fiainana satria dia tsy voatery hitondra finday 2 ny olona iray nefa afaka antsoina amin'ireo laharana 2 ireo. Ny indro kely dia tsy maintsy manana finday mahazaka SIM 2. Verizon My Numbers dia mamela ny hanana laharana an-tarobia 5 ao anaty finday iray I Verizon dia te hanova izany ka dia nanambara izy fa hamoaka ny "My Numbers". Miaraka amin'i "My Numbers", ny olona iray manana finday iray dia mety afaka manana laharana an-tarobia 5 ary dia afaka antsoina amin'ireo laharana tsirairay ireo. Araka ny nambaran'i Keena Grisby, talem-barotra ny vokatra ao amin'i Verizon, "My Numbers dia vaha-olana tena tsara ho an'ireo mpandraharaha, ho an'ireo mpanjifa manana karazan'asa maro sy ho an'ireo izay mitady zavatra tsotra sy mahomby ny amin'ny fitantanana laharana an-tarobia 5 kanefa tsy tia ny mitondra finday iray na maro." Maza ho azy fa io "fonctionnalité" io dia tsy maimaimpoana. Ary mifanohitra amin'ny finday manana SIM anankiroa izay afaka mampiasa an'ireo application ao anatin'ilay finday, dia tsy maintsy mi-installer an'ilay application "My Numbers" an'i Verizon, ary tsy maintsy io applicaiton no ampiasaina raha te hiantso na handray antso. Tsy afaka mampiasa ireo application toy ny iMessages na ny mitovitovy aminy. Noho izany rehetra rehetra izany, dia raha hitantana laharana an-tarobia 5 ianao dia tsara ny mampiasa an'ilay Verizon My Numbers. Izy io dia efa afaka télécharger-na ho an'ny finday mampiasa ny iOS na Android. Mety afaka ketrehana eto amintsika izy io izany !!!
18/11/2018
Tohizo ny famakiana
>>
News
- News Mada
12/12/2018
Nampahatsiahy ny lalàna (nivoaka ny fiandohan’ity taona ity) hiadiana amin’ny fampidirana finday hosoka ny Artec (Autorité de régulation des technologies de communication) sy ny fadintseranana, omaly, teny Alarobia. Navoaka ny volana janoary, tamin’ity taona ity, ny didy fandraràna ny fampidirana izany eto amintsika.Manomboka amin’ny jolay 2019, ho tapahina tanteraka ny tambajotra ary tsy ho azo ampiasaina intsony ny finday tsy manana IMEI, araka ny fepetra iraisam-pirenena. « Koa manentana ny rehetra ny Artec* hitaky amin’ireo mpandraharaha ny fahazoan-dalana mivarotra finday, araka ny fepetra takina amin’izany », hoy ny talen’ny fankatoavana sy ny fanaraha-maso ao amin’ny Artec, Rakotomalala Laurent.Miara-miasa ny Artec sy ny fadintseranana momba ny fanaraha-maso ny fampidirana ireo finday ireo eto amintsika. Anjaran’ireo mpanafatra entana (finday sy fitaovana amin’ny fifandraisan-davitra) ny manao fangatahana any amin’ny Artec.Misy fiantraikany amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana ny finday tsy misy IMEI. Manimba ny fifaninanana amin’ny sady mampihena ny vola miditra amin’ny fanjakana.R.Mathieu IMEI (International mobil equipement identify): famantarana manokana, misoratra ao an-damosin’ny finday tsirairay, ahitana tarehimarika miisa 15. Tsindrio *#06# eo amin’ny finday, ahitana io tarehimarika miisa 15 io, hamantarana na ara-dalàna na tsia. Afaka manatona ny Artec na ireo tranombarotra mpivarotra finday hanazava bebe kokoa ny amin’izay.L’article Manomboka ny jolay 2019: tsy azo ampiasaina intsony ny finday tsy misy IMEI a été récupéré chez Newsmada.
News
- Téchnologie

Téchnologie
07/11/2018
Ny iPhone 5 dia lany andro hoy i Apple. Io finday io dia nampidirina tao amin'ny lisitra ny entana lany andro araka ny mason-tsivana napetrak'i Apple. Raha hazavaina misy misy kokoa izany dia ny iPhone 5 izay nivoaka tamin'ny taona 2012 dia efa "antitra" ho an'ny mpanjifa any Etazonia ary efa "lany andro" kosa ho an'ny firenena hafa, izany hoe tsy tokony hanantena "mise à jour" intsony izany ho an'io finday io, ary tsy manamboatra an'io finday io intsony ny ekipan'ny Apple raha sanatira ka simba ny finday iPhone 5. Marihana etoana anefa fa ny iPhone 5 dia nahazo tombony satria ny "garantie" nomen'i Apple ny iPhone 5 dia 6 taona raha tokony ho 5 taona izany. Ao amin'io pejy an'i Apple io dia misy ny lisitry ny entana namboarin'i Apple efa lany andro rehetra. Ankoatran'ny iPhone 5 dia hita ao ihany koa ny Macbook nivoaka talohan'ny taona 2012, ny iPhone 4 sy ny teo alohany mazava ho azy, ny iPad "3ème génération" sy ny teo alohany sy ny entana maro samy hafa. Afaka mijery an'io pejy io ianao raha ohatra ka te ahafantatra hoe ny entana novokarin'i Apple izay hananao ve dia efa lany andro sa tsia.