CAN

Famintinana ny lalao nataon’ny Barea sy Kongo

Nandresy ny ekipan'ny Kongo ny Barea de Madagascar omaly rehefa vita ny fandakana ny Tir au but. 2 noho 2 no nisarahan'ny roa tonta tao aorian'ny 120 minitra. Niditra tamin'ny fandakana ny tir au but ary ny Barea sy ny Kongo, ka teo no nivoaka mpandresy ny Malagasy tamin'ny isa 4 - 2. Tafiakatra izany ny Barea de Madagascar ho an'ny dingana ampahefa-dalana. Miandry ny mpifanandrina aminy izy izao, iray amin'ny Ghana sy Tonizia izany. Misaotra Barea - Alefa Barea - Miara Mirona

Tohizo ny famakiana >>

Foot - News - Sport - Ao Raha

BEACH SOCCER – «CAN 2018» :: Nosakanan’i Maraoka ny lalan’ ny Barean’i Madagasikara

Nihintsana teo am-pototry ny dingan’ny manasa-dalana ny ekipam-pirenena malagasy, taranja baolina lalaovina amina tora-pasika, nandritra ny lalao farany teo amin’ny dingan’ny fifanintsanana ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika na ny CAN Beach Soccer fa tsy araka ny voasoratra teto amin’ny gazety, omaly. Ialana tsiny indrindra amintsika mpamaky noho io fifandisoana io. Resin’i Maraoka, tamin’ny alalan’ny isa 6 noho 4, ny Barean’i Madagasikara, tamin’ity lalao farany ity ka nahatonga azy ireo tsy tafiditra ho isan’ireo ekipa efatra hanohy ny fifaninanana. Faharesena roa (Ejypta sy Maraoka) sy fandresena tokana (Côte d’Ivoire) no nanjo ny ekipam-pirenentsika tamin’ity fifaninanana kaontinantaly ity. Voatery hiatrika ny lalao fanasokajiana ny Barean’i Madagasikara, manomboka anio. Hiady ny laharana fahadimy manoloana ny ekipan’i Tanzania, izay nitana ny laharana fahatelo teo amin’ny vondrona B, izy ireo. Ny ekipan’i Ejypta sy Maraoka no hisolo tena ny vondrona misy antsika eo amin’ny dingan’ny manasa-dalana, raha i Sénégal sy Nizeria kosa no hiaro ny voninahitry ny vondrona B. Hotanterahina, anio, ny manasa-dalana ilany, raha rahampitso kosa ny manasa-dalana iray, izay samy hialohavan’ ny lalao fiadian-toerana avokoa. L’article BEACH SOCCER – «CAN 2018» :: Nosakanan’i Maraoka ny lalan’ ny Barean’i Madagasikara est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - News Mada

Beach soccer – «Can 2018»: nihintsana ny Barea de Madagascar

Tapitra hatreo ny lalan’ny Barea de Madagascar eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2018), taranja beach soccer. Mbola resin’i Maraoka indray ny Malagasy, teo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona.  Lavon’ny Liona-n’i Atlas avy any Maraoka, tamin’ny isa 6 no ho 4, ny Barea de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2018), taranja beach soccer, ho an’ny sokajy “A”. Fihaonana,  notanterahina omaly talata, tao amin’ny kianja Laguna Vista Stadium, Sharm El Sheikh.Sahirana ny Barea de Madagascar satria nofehezin’ny Maraokanina tanteraka ny lalao tao anatin’ireo fe-potoana 12 mn, intelo miditra. Vao nanomboka dia efa nitarika an’isa ny Maraokanina. Tao anatin’ny minitra 5 monja dia efa nitarika tamin’ny isa, 3 no ho 0 ry zareo.Tsy tafiditra mihitsy ny mpilalao malagasy fa toa niharitra ny fanafihana nataon’ny mpifanandrina.Nanao fahadisoana matetika ihany koa ry zalahy ka nanome vahana ny Maraokanina, tamin’ny “coup de pied arrêté”. Teo amin’ny fiafaran’ny fizaram-potoana faharoa, nitarika 5 no ho 0 ny Maraokanina. Anisan’ny nampiditra baolina tamin’izany, ry Abada sy i Iazal ary El Hadaoui. Taorian’io vao nifoha tamin’ny torimasony ry Romain sy i Enidiel ary ry Tinasoa. Niezaka nanafika sy nanao izay ho afany, saingy efa nahazo tombony lavitra ny Maraokanina, ka sarotra ny nanenjika azy ireo.Na nahatafiditra baolina aza mantsy ny Barea de Madagascar, mbola nanampy isa ho azy ihany koa ry zareo, ka tsy nisy fanafany intsony. Manohy ny lalany ary hiatrika ny manasa-dalana, ho an’ny sokajy “A”, izany, ny liona-n’i Atlas, miaraka amin’ny Faraonan’i Egypta.Hiady ny toerana fahadimy kosa ny Barea de Madagascar, amin’ity alarobia ity ka hifanandrina amin’i Tanzania, laharana fahefatra, tao amin’ny sokajy “B”.Efa tafakatra amin’ny ankatoky ny famaranana ihany koa ny liona Teranga avy any Sénégal sy ny voromaherin’i Nizeria. TompondakaL’article Beach soccer – «Can 2018»: nihintsana ny Barea de Madagascar a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - Ao Raha

BEACH SOCCER – «CAN 2018» :: Tafita amin’ny manasa-dalana ny Barean’i Madagasikara

Samy hiatrika ny lalao manasa-dalana avokoa ny ekipan’i Ejypta sy Madagasikara, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra lalaovina amina tora-pasika na ny CAN Beach Soccer, tanterahina any Ejypta. Faharesena tamin’ny alalan’ny isa 4 noho 2 no nanjo ny Barean’i Madagasikara nanoloana ny Faraonan’i Ejypta, mpampiantrano, omaly, nandritra ny andro faharoan’ny lalaom-bondrona. Tamin’ny andro voa-lohany dia lavon’ny Barea tamin’ny alalan’ny isa 4 noho 3 ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Samy tsy ho any amin’ny dingan’ny manasa-dalana kosa ity farany sy Maraoka. Lavon’i Maraoka, tamin’ny alalan’ny isa 5 noho 4, ny ekipan’i Côte d’Ivoire, omaly. Mitana ny laharana voalohany, taorian’ireo fandresena roa azony, ny Ejyptiana. Tamin’ny andro voalohany dia tamin’ny isa 6 noho 1 no nandresen’izy ireo an’i Maraoka. Laharana faharoa kosa i Madagasikara ary mbola manana lalao iray hoentina hanamafisana ny tapakilan’ny manasa-dalany izy ireo, anio. Hihaona amin’i Maraoka isika amin’izany. Ho an’ny vondrona B kosa indray dia efa tafita hiatrika ny lalao manasa-dalana i Sénégal sy Nizeria, raha efa naman’ny mangoron’entana i Tanzania sy Lybia. Tamin’ny alalan’ny “tirs au but” (2 – 0) no nivoahan’i Sénégal ho mpandresy, nanoloana an’i Nizeria, tamin’ny andro voalohany, raha resin’i Lybia tamin’ny isa 5 noho 2 i Tanzania. Tamin’ny andro faharoa indray dia resin’i Sénégal tamin’ny isa 12 noho 2 i Tanzania, raha tafavoaka ho mpandresy nanoloana ny ekipan’i Lybia, tamin’ny alalan’ny isa 6 noho 3, kosa i Nizeria. Mbola nibata fandresena ihany koa ity farany, omaly, nanoloana an’i Tanzania (4 – 2). Hiatrika ny lalao farany ho azy i Sénégal, anio, manoloana an’i Tanzania. L’article BEACH SOCCER – «CAN 2018» :: Tafita amin’ny manasa-dalana ny Barean’i Madagasikara est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - News Mada

Beach soccer – «Can 2018»: resin’ny Barea ny Elefantan’i Côte d’Ivoire

Tsara fanombohana ny Barea de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2018”, beach soccer. Fandresena avy hatrany mantsy ny azon-dry zalahy nanoloana ny Elefantan’i Côte d’Ivoire.Nisantatra fandresena ny Barea de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2018”, baolina kitra lalaovina amin’ny torapasika “beach soccer”. Fifaninanana, tanterahina ao amin’ny Charm el-Cheikh, ao Egypta.Resin’i Madagasikara, tamin’ny isa tery 4 no ho 3, teo amin’ny lalao voalohany, ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, teo amin’ny andro voalohany notanterahina, omaly alahady. Niady hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ny fihaonan’ny roa tonta. Nifandimbiasana ny nitarika ny isa tao anatin’ireo 12 mn intelo miditra. Nanahirana ny Ivoarianina ny traikefa sy ny hakingana eo amin-dry Tiana (Tsiliva) sy ry Juliot ary i Angeluc.Hifandona amin’ny Faraonan’i Egyta ny Barea, anio, eo amin’ny andro faharoa. Ry zareo Egyptianina izay nandavo an’i Maraoka, tamin’ny isa mavesatra 6 no ho 1, ho an’ity sokajy “A” ity.Nivoaka sempotra kosa ny Lionan’i Teranga avy any Sénégal, tompondakan’i Afrika farany,  vao nivoaka nandresy nanoloana ny Voromaherin’i Nizeria, ho an’ny vondrona “B”. Efa tany amin’ny fandakana ny “tirs au but”, 2 no ho 1, mantsy vao tafavoaka izy ireo. Nisaraka tamin’ny isa 4 no ho 4 ny roa tonta, tao anatin’ny fe-potoana ara-dalàna sy ny fanalavam-potoana.Ho an’ny lalao ilany, ho an’ity sokajy ity ihany, lavon’i Lybia, tamin’ny isa mazava 5 no ho 2, i Tanzania. TorcelinL’article Beach soccer – «Can 2018»: resin’ny Barea ny Elefantan’i Côte d’Ivoire a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Notsongaina

Rugby à XV vehivavy: hiady ny tapakila hiatrehana ny «Mondial 2021» ny Makis

Fanamby goavana no miandry ny Makis vehivavy, amin’ity. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny rugby lalaovina olona 15 mantsy izy ireo. Fihaonana, hiadian-toerana, ho an’ny “Mondial 2021”.Hotanterahina atsy Johannesbourg, Afrika Atsimo, ny 7 –  18 aogositra ho avy izao, ny dingana famaranana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny rugby lalaovina olona 15, sokajy vehivavy. Hanana ny lanjany, izany fihaonana izany satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2021”, tanterahina any Nouvelle-Zelande.Firenena efatra no hiady izany amin’ity dia i Afrika Atsimo, mpampiantrano, Oganda, Kenya ary ny Makis de Madagascar. Mifandimby mihaona ny rehetra ka izay ekipa be isa indrindra no ho tompondaka ary hisolotena an’i Afrika, any amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany.Raha ny fandaharam-potoana, hidona amin’ny Makis voalohany, ry zareo Kenianina. Lalao hotontosaina, ny 10 aogositra. Fihaonana faharoa, hikatrohana amin’i Afrika atsimo, ny 13 aogositra ary amin-dry zareo, Ogandà ny 16 aogositra. Manana herijika tsara handrombahana ny toerana voalohany, ny Makis, araka ny nambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Na izany aza, nomarihiny fa ry zareo Kenianina no heverina fa ho mafy ary tsy maintsy dinganina.Raha toa kosa ka ny laharana faharoa, no misy ny Makis dia hiatrika ny “repechage”, amin’ireo kaontinanta  dimy hafa. Hatreto, mbola mpilalao 36 no manaraka fanazarantena miaraka. Ny faran’ity volana jolay ity kosa vao hivoaka ny anaran’ireo 26 handrafitra ny Makis, ho atsy Afrika Atsimo. Tompondaka L’article Rugby à XV vehivavy: hiady ny tapakila hiatrehana ny «Mondial 2021» ny Makis a été récupéré chez Newsmada.

Nifampizaran’i  Maorisy, Seychelles ary La Réunion ny medaly

Mbola hanjakan’ireo Nosy rahavavy, Maorisy, La Réunion ary Seychelles, ny fandrombahana ny medaly, eo amin’ny taranja lomano. Anisan’ny mendrika ary nahavita nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra ho an’ny lalaon’ny Nosy, ny teratany maorisiana, Bradley Vincent. Vitany tao anatin’ny 22 sec 57 ny halavirana 50 m NL, ho an’ny sokajy lehilahy. Ilay teratany seychelloise, Felicity Passon kosa no nahazo ny medaly,teo amin’ny 50 m NL, vehivavy, tamin’ny fe-potoana 26 sec 21. Tsy hita taratra ny mpilomano malagasy hatreto Nanombohana ny fifaninanana, omaly maraina, ny teo amin’ny taranja lomano. Solontena malagasy miisa 10 mianadahy no mifaninana ao anatin’ity taranja ity ary ny 7 mianadahy tamin’izy ireo no niditra an-tsehatra, voalohany, tamin’ny lalao famaranana, nahitana an-dRamiakatrarivo Ando, Rakotomavo Herinirina John, Rakotovelo Nomentsoa, Andrianirina Malalasoa, Rakotomamonjy Tiavina, Rakotomavo Hajanirina ary Rabejaona Holy Antsa. Niady mafy avokoa ireto solontenantsika ireto, saingy tsy mbola hita taratra, hatreto, raha ny voka-dalao, omaly.Anisan’ny tsara indrindra ny vokatra azon-Rakotovelo Nomentsoa, tamin’ireo Malagasy nandray anjara ireo, izay nipetrahany teo amin’ny laharana faha-4, teo amin’ny fifaninanana 50 m brasse vehivavy, 37 sec 75 no fe-potoana nahavitany izany. Mi.Raz L’article Nifampizaran’i  Maorisy, Seychelles ary La Réunion ny medaly a été récupéré chez Newsmada.

Cnaps: fiahiana sosialy any Antsohihy

Tapitra amin’ity volana jolay ity ny fe-potoana, telo volana, nomen’ny fanjakana ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (Cnaps) eo ambany fiahian’ny minsiteran’ny Asa (METFPLS). Natsangana ny vaomiera manokana « Task force » iarahan’ny roa tonta hanatanteraka ny fitetezana manerana ny faritra eto amintsika. Anisan’ny tanjona ao anatin’izany ny fanentanana ny mpampiasa hanara-dalàna, toy ny fanomezana ny zon’ny mpiasa amin’ny fiahiana sosialy, hisian’ny asa mendrika.Nitety orinasa maro any amin’ny faritra Sofia, toy ny any Antsohihy, ny any Port Bergé,… ity vaomiera ity, ny 16 hatramin’ny 19 jolay teo. Nisy koa atrikasa telo sosona nokarakaraina tany Antsohihy, nifantoka tamin’ny fiahiana sosialy, ho an’ny sehatra tsy miankina (fampianarana, fihariana, vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana mampiasa ECD), mikasika ny Fahasalamana sy ny aroloza (SST) ary ho an’ny mpampiasa sy ny sendikalista ary ny mpianatra, ao anatin’ny fandaharanasa fampiroboroboana ny fiarovana sosialy (PPPS).Manodidina ny 10 isan’andro ny orinasa tsy miankina notsidihina nandritra ireo telo andro ireo. Nomena torohevitra ny mpampiasa amin’ny fomba fandoavana latsakemboka, ny filazan-karama, ny famahana ny olan’ny orinasa sy ny sakana amin’ny fidirana Cnaps, sns. Nentanina koa ny mpiasa hiaro ny zony. Napetraka ny tranoheva manakaiky vahoaka ho an’ny besinimaro, nampahafantatra ny asan’ny Cnaps sady nanoro hevitra sy nanampy ny rehetra.Njaka A.L’article Cnaps: fiahiana sosialy any Antsohihy a été récupéré chez Newsmada.

« Lalaon’ny Nosy » – Kitra: mila mandresy an’i Maorisy ny Barea, anio

Anisan’ny andrasan’ny mpanaraka ny “Lalaon’ny Nosy”, amin’ity andiany faha-10, tanterahina aty Maorisy ity, ny vaovao mahakasika ny ekipam-pirenena malagasy, ny Barea, eo amin’ny taranja baolina kitra. Niakatra an-kianja voalohany, ny asabotsy lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Geoges V, Flic en Flac, Maorisy, izy ireo. Ny ekipan’ny Seychelles no nifanandrina tamin’i Madagasikara nandritra izany ary isa sahala, 0 no ho 0, ny nisarahan’ny roa tonta. Raha ny tokony ho izy ary araka ny nambaran’ny mpanazatra, tokony ho mora tamintsika ny nandavo an’i Seychelles, saingy tsy ampy ny fahamatorana teny ambony kianja.Raha hiverenana ny lalao, nanam-bintana ny Malagasy ary nahazo penalty, saingy tsy maty. Nandaka ity penalty ity i Xavier, laharana faha-6.Ho amin’ny anio, hifandona amin’ny ekipan’i Maorisy ny Barea, ao amin’ny kianjan’i Georges V hatrany. Ho mafy ny miandry ireto mpilalao malagasy ireto, saingy tsy maintsy mandresy raha te ho tafakatra amin’ny dingana manaraka. Ho raraka avy hatrany kosa izay resy eo satria efa samy nanao ady sahala 1 no ho 1 Maorisy sy 1 Seychelles, tamin’ny andro voalohany. Mi.Raz L’article « Lalaon’ny Nosy » – Kitra: mila mandresy an’i Maorisy ny Barea, anio a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Famaranana ny «Can 2019»: hanala vela amin’i Alzeria i Senegal, anio

Hifantoka any Alzeria avokoa ny sain’ny besinimaro, amin’ity anio ity. Ho fantatra eo mantsy izay handrombaka ny amboaran’i Afrika, taranja baolina kitra “Can 2019”. Hiady izany, ny Liona-n’i Teranga avy any Senegal sy ny Fennecs-n’i Alzeria.Hitodika ao amin’ny kianja Cairo Stadium avokoa ny mason’ny rehetra, amin’ity zoma ity, hiatrika ny famaranana hiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja baolina kitra “Can 2019”, andiany faha-32. Hamarana izany, ny Liona-n’i Teranga avy any Senegal sy ny Fennecs-n’i Alzeria.Ekipa diso mifankahalala tsara ny roa tonta, satria efa niray vondrona tamin’ity “Can 2019” ity. Raha tsiahivina, resin’i Alzeria, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 tamin’izay, ny Senegaly. Hanala vela izany, eto ry Sadio Mané. Hatreto, tsy mbola nandrombaka ny “Can” mihitsy ny Liona avy any Teranga. Fanindroany amin’izao, ry zalahy no tonga eo amin’ny famaranana. Ny voalohany, tamin’ny taona 2002, saingy resin’ny Liona tsy voafolak’i Kameronina, izy ireo, tamin’izany. Ity no famaranana fanindroany.“Hiezaka izahay, hamafa ny nofy ratsy, tamin’ny taona 2002, ka hitady fandresena. Fanalana vela ihany koa ity ka tsy maintsy hiady mafy ny mpilalao rehetra, handrombahana ny amboara”, hoy i Alliou Cissé, mpanazatra senegaley.Etsy an-kilany, mikendry ny hamerina ny anaram-boninahitra efa azony, 29 taona lasa ry zareo Alzerianina. Ny Fennecs no ekipa nahavita dingana tsara indrindra tamin’ity “Can 2019” ity satria tsy mbola resy na nanao ady sahala mihitsy izy ireo, nanomboka tany amin’ny fifanintsanana ka hatreto amin’ity famaranana ity.Manana olana ny Liona-n’i Teranga, amin’ity famaranana ity satria tsy afaka ny hiakatra kianja i Kalidou Koulibali, vodilaharana mahatokin-dry zareo Senegaly, noho ny fahazoany karatra mavo roa. Na eo aza izany, nanambara i Cissé, fa vonona ny mpilalaony ary tsy matahotra na manana ny fahaiza-manaony aza, i Riyad Mahrez. Tompondaka L’article Kitra – Famaranana ny «Can 2019»: hanala vela amin’i Alzeria i Senegal, anio a été récupéré chez Newsmada.

Fahamaizan’i Bazarikely: tsy nitovy ny tatitry ny tomponandraikitra ao Toamasina

Tonga nitsidika ny tsena Bazarikely may, ny alin’ny asabotsy teo, sy nanao fanadihadiana momba ny antony nahatonga ny fikomian’ny fonjan’Ambalatavoahangy, ny asabotsy maraina teo ihany koa, ny Praiminisitra, i Ntsay Christian, omaly. Nitarika ny fihaonana tamin’ireo lehiben’ny sampandraharaham-panjakana isan-tsokanjiny toy ny prefet-n’i Toamasina eto an- toerana tao amin’ny faritra Atsinanana ny tenany. Nanangona vaovao momba ny fahamaizan’ny tsena Bazarikely izy. Nivoaka ny tatitra samihafa nataon’ny tompon’andraikitra izay tsy mitovy fa samy manana ny azy ny tarehimarika momba ny isan’ny naratra sy ny tranoheva may tao amin’ny toerana nisehoan’ny firehetana. Nilaza ny talen’ny tsena fa 1 900 ny may; ny prefet, nanambara fa 1 200, ary olona iray naratra. Ny lefitra faharoan’ny delegasiona manokan’ny kaominina ambonivohitra Toamasina, nahita fa 1 500. Ny tatitra efa tonga nialoha tany amin’ny praiminisitra nilaza fa 600 ny tranoheva may ary olona telo naratra. 600 ny tena mpivarotra misoratra ara-dalàna ka mandoa haban-tsena tsy tapaka ao amin’ny kaominina. Ny sisa ambiny, tranoheva aferan’ireo mpanao kolikoly ao amin’ny kaominina.Nisy nanipy « Cocktail molotov » ? Voaresaka ny antony nahatonga ny firehetana izay tsy nitovian-kevitra ihany koa. Nisy nilaza fa niainga avy tamin’ny fifampikasohan’ny taribin’ny Jirama. Tao kosa ireo nanambara fa nisy olona nanipy tavoahangy « Cocktail molotov ». Farany, nijery ifotony ny toerana nisy ny tranoheva voalaza fa nisy ny kaontera nahatonga ny fifampikasohan’ny herinaratra ny praiminisitra. Niangavy ny polisy misahana ny famotorana hamoaka ny marina izy. Nilaza ny loharanom-baovao niainga tao an-tsena fa misy ambadika avy amin’ny tale teo aloha ny tsena ny raharaha hanafenana ireo tranoheva tsy ara-dalàna anarivony. Nohamafisin’ny praiminisitra fa tsy maintsy hanokafana ny lalana ifamezivezen’ny fiara ahafahana manao famonjena voina ny tsena raha toa ka misy izany. Hanolotra fanampiana fanitso 2 500 amin’ny 2 metatra ary hazo fisaka 400, avy tamin’ny filoha, ny tenany ary nasiany fampitandremana ho an’izay hamilivily ny fitaovana hozaraina amin’ny vahoaka.Sajo L’article Fahamaizan’i Bazarikely: tsy nitovy ny tatitry ny tomponandraikitra ao Toamasina a été récupéré chez Newsmada.

Lalam-pirenena – RN2: mila fandaminana ny eo Marozevo

Sahirana ireo mpitondra fiara rehefa handalo ny tanànan’i Marozevo, tanàna eo am-pototry ny fiakaran’i Mandraka iny. Mandalo eo avokoa na ireo fiara mitondra entana tonga avy ao Toamasina na ireo mitatitra entana haondrana ao amin’io seranana io avy aty Antananarivo sy avy any Alaotra, ny kraoma, ohatra. Miampy izany ireo mpitatitra olona sy fiaran’olon-tsotra.Toerana fisakafoan’ny maro ny eo Marozevo. Isan’ireny ireo fiara goavana sy lavabe. Maro ireo fiara miantsona eo ka zary ampahan-dalana kely sisa azon’ny fiara aleha. Lavabe ny filaharan’izay mijanona eo ka tsy tazan’ny mpamily avy amin’ny ilany iray ny fidiran’ny fiara avy any amin’ny ilany faharoa. Tafiditra ao afovoany vao mifankahita. Tsy afaka mihemotra, satria fiara maro no efa manaraka aoriana.Mandany fotoana, tonga hatamin’ny fifamaliana.”Tsy antoandro, tsy alina, ary samy manao beloha!”, hoy ny mpitondra fiara. Misy tobin’ny zandary tsy lavitra eo ka heverina fa tokony hisy ny fandaminana. Rarivo       L’article Lalam-pirenena – RN2: mila fandaminana ny eo Marozevo a été récupéré chez Newsmada.

Vita ny fandidiana: salama tsara i Eric Fou Hehy

Omaly tolakandro no re mivantana tao amin’ny RDJ 96.6Mhz ny vaovao ! Tontosa soa aman-tsara ny fandidiana an’i Eric Fou Hehy tany Inde. Nanamafy izany rahateo izy raha nanontanian’ny olona avy aty Madagasikara mivantana tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera : « Eric ihany ity e ! Eric efa olom-baovao… Salama tsara ! ». Raha ny fanazavany, nosoloina ny voa ary  natao grefy ny aty. Ireo ny fandidiana natao taminy. Mbola mila fanaraha-maso akaiky ny fivoaran’ny toe-pahasalamany, raha ny fanazavan’ny mpitsabo azy, noho izany, mbola hijanona volana vitsivitsy any an-toerana i Eric Fou Hehy. Nanamafy izany rahateo izy. Nambaran’i Eric fa tsara ny fikarakarana rehetra. Nahafinaritra avokoa na ny fandraisana na ny « administration » na ny mpitsabo any an-toerana.Raha tsiahivina, ny volana jolay 2018 no niala teto an-tanindrazana nihazo an’i Inde i Eric Fou Hehy rehefa tojo tsy fahasalama (insuffisance rénale) ka nilaina fitsaboana ivelan’i Madagasikara.HaRy Razafindrakoto L’article Vita ny fandidiana: salama tsara i Eric Fou Hehy a été récupéré chez Newsmada.

Tselatra

 Jiolahy miisa enina indray saron’ny polisy miasa ao amin’ny PPA Antaniavo, ny 24 jona 2019 alina teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy mankany Mahitsy. Jiolahy malaza ratsy amin’ny fanendahana amin’iny faritra iny ry zalahy ireto, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy. Ny 24 jona 2019 tamin’ny 8 ora alina, nisy vehivavy roa sy lehilahy roa efa mamomamo niharan’ny fanendahan’ireto jiolahy ireto.L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

Razanamahasoa  C: « Haverina ny hasin’ny depiote »

Niaiky ny tsy nety teo aloha.“Hifamarafara isika ary tsy maintsy mifanafatra noho ny traikefa maro tamin’ny nanaovana depiote sy ny andraikitra maro noraisina ka manana adidy handefa hafatra dieny izao fiandohany izao mba hizorana amin’ny lalana tsara eo amin’ny asa atao amin’ny maha depiote… Mila haverina amin’ny hasiny ny Antenimierampirenena, araka ny nanambaran’ny filoha HCC izany farany teo. Niaraha-nahita ny zava-nisy teo aloha”, hoy izy tamin’ny lahatenin’ny zokiolona, ny depiote Razanamahasoa Christine teny Tsimbazaza, omaly. Nitarika ny fivoriana manokana ny tenany niaraka amin’ny depiote zandriny indrindra, i Tsaradia Marco, nialoha ny fanatanterahana ny fifidianana ny birao maharitry ny Antenimiera. Nohitsiny fa manana adidy ny depiote hanarina ny lesoka teo aloha ary tsy hiverina eny amin’io lapa io intsony ny tahaka izany. Antony tsy namparisika ny mpifidy ireny tranga ireny ka naha ambany ny taha nahavoafidy  azy ireo tamin’ny fifidianana depiote farany teo. Notsiahiviny koa ny tokony hanajana ny lalàna eo amin’ny fisarahan’ny fahefana mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka… Niroso tamin’ny fifidianana ny rehetra ny tolakandro rehefa nandray izany hafatrafatra izany.Synèse R . L’article Razanamahasoa  C: « Haverina ny hasin’ny depiote » a été récupéré chez Newsmada.

Masoivohon’i Frantsa: hisolo an’i Veronique Vouland-Aneini i Christophe Bouchard

Voatendry ho ambasadaoro vaovao ho an’i Frantsa hiasa sy honina eto amintsika, ny volana mey lasa teo, i Christophe Bouchard. Handimby toerana ny teo aloha, i Véronique Vouland-Aneini, nalefa niasa any Jordanie, ny tenany. Nivoaka tao amin’ny ivontoerana IEP ao Paris sy ny ENA ity ambasadaoro vaovao ity. Efa niasa teo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny frantsay niasa tany Afrika Avaratra sy ny faritra Moyen Orient iny ny tenany ny taona 1989. Efa mpanolotsain’ny minisitra Laurent Fabius misahana ny lafiny diplaomasia koa izy ny taona 1997. Ankoatra izany, andraikitra nosahaniny ny maha mpanolotsaina voalohany azy teo anivon’ny ambasady frantsay tany Alzeria ny taona 2005. Masoivoho niasa tany Niger taty amin’ny taona 2011. Mialoha izao fanendrena  zao, talen’ny fitantanan-draharaha ho  an’ny  konsily sy ny Frantsay any ivelany (DFAE) tao Paris, hatramin’ny taona 2015.Synèse R. L’article Masoivohon’i Frantsa: hisolo an’i Veronique Vouland-Aneini i Christophe Bouchard a été récupéré chez Newsmada.

Mahajanga: noraisina manetriketrika ny depiote Nina

 Notsenaina tamin’ny fomba manetriketrika ny fahatongavan’ny depiote sady filoha lefitry ny Antenimierampirenena, ho an’ny faritanin’i Mahajanga, Rahantanirina Lalao, ny faran’ny herinandro teo. Nisy ny filaharambe namakivaky ny tanàna tamin’ny alalan’ny diabe sy ny fiara tamin’izao fahatongavany any an-toerana izao. Nitsena azy tamin’izany ireo vahoaka  marobe ao Mahajanga, notarihin’ny eo anivon’ny distrika sy ny ben’ny Tanàna,  Andriantomanga Mokhtar Salim. Anisan’ny nanotrona sy nanatitra azy tany an-toerana koa ny depiote sady filoha lefitry ny Antenimierampirenena avy any Antsiranana, i Jocelyne Maxime, mbola horaisina manetriketrika koa any amin’ny tany niaviany. Samy avy amin’ny vovonana IRD avokoa izy mirahavavy ireo.Synèse R.  L’article Mahajanga: noraisina manetriketrika ny depiote Nina a été récupéré chez Newsmada.