Can 2019

Famintinana ny lalao nataon’ny Barea sy Kongo

Nandresy ny ekipan'ny Kongo ny Barea de Madagascar omaly rehefa vita ny fandakana ny Tir au but. 2 noho 2 no nisarahan'ny roa tonta tao aorian'ny 120 minitra. Niditra tamin'ny fandakana ny tir au but ary ny Barea sy ny Kongo, ka teo no nivoaka mpandresy ny Malagasy tamin'ny isa 4 - 2. Tafiakatra izany ny Barea de Madagascar ho an'ny dingana ampahefa-dalana. Miandry ny mpifanandrina aminy izy izao, iray amin'ny Ghana sy Tonizia izany. Misaotra Barea - Alefa Barea - Miara Mirona

Tohizo ny famakiana >>

Foot - News - Sport

Songadina tamin’ny fandresana azon’i Barea tamin’ny Burundi

Fandresena voalohany no azon'ny Malagasy tamin'ny CAN. Nandresy ny Burundy ny Barea tamin'ny isa 1 - 0. I Marco Ilaimaharitra no nampiditra ny baolina matin'ny Barea teo amin'ny minitra faha 76. Misaotra Barea. Alefa Barea. Miara Mirona.

Foot - News - Sport

Ny nisongadina tamin’ny fihaonan’ny Barea sy ny Gineana

Ireo baolina maty nandritra ny fihaonan'ny Barea sy ny Gineana tamin'ny 22 Jona 2019. 2 - 2 no isa nisarahana tamin'io lalao io. Ny Gineana no nanokatra ny isa tamin'ny alalan'i Sory Kaba tamin'ny minitra faha 34 tamin'ny fizaram-potoana voalohany. Nosalahan'ny Malagasy ny isa tamin'ny minitra faha 49. I Anicet Abel no nampiditra ny baolina taorian'ny corner nodakan'i Carolus Andrea (Charles Andriamanitsinoro). Enina minitra taorian'io dia nampian'i Carolus Andrea ny isa ka lasa 2 - 1. Tamin'ny minitra faha 66 no nanasahala ny isa i François Kamano tamin'ny alalan'ny Penalty. Misaotra Barea. Miara Mirona. Alefa Barea

Foot - News - Sport

Hafaliana ho an’ny vahoaka Malagasy taorian’ny fandresen’i Barea an’i Nigeria

Sary mampiseho ny hafalian'i Malagasy taorian'ny fandresen'i Barea an'i Nigeria. Sary nindramina avy amin'i Harry Tiana Teddy, Ets Steeve-net sy Orange Misaotra Barea, Alefa Barea, Miara mirona

Foot - News - Sport

Nandresy an’i Nigeria 2 – 0 ny Barea – CAN 2019

Tafiakatra amin'ny dingan'ny ampahavalon-dalana ny Barea an'i Madagasikara rehefa avy nandresy an'i Nigeria tamin'ny isa 2 - 0. I Lalaina Nomenjanahary (Bolida) no nampiditra ny baolina voalohany tamin'ny faha 13 minitra nilalaovana. Nampian'i Charles Andriamanitsinoro (Carolus Andrea) ny isa tamin'ny minitra faha 53. Mitana ny laharana voalohany izany ny Barea an'i Madagasikara amin'ny isa 7 taorian'iny fandresena iny ao amin'ny vondrona B misy azy. Isaorana be dia be ny ekipantsika. Alefa Barea. Miara Mirona.

Foot - News - Sport

Mikotrana ny Barea ankehitriny eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus

Amin'izao ora hanoratana an'ity lahatsoratra ity diay manao fanazaran-tena eny amin'ny kianjan'ny Elgeco Plus eny amin'ny Bypass ny Barea de Madagascar. Ito manaraka ito ny lien raha hijery izany ianareo : https://www.facebook.com/zone.kitra/videos/2263031310623639/. Hisaorana be dia be ny 24.kitra mizara an'izany video izany.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra – «Can 2019»: «Tsy tokony ho olana ny hiakarana amin’ny fihodinana faharoa», hoy ireo teknisianina

Mbola ambentin-dresaky ny mpitia fanatanjahantena, indrindra fa ny mpankafy baolina kitra, ny sokajy misy ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika «Can 2019». «Azo atao tsara ny vondrona misy antsika», hoy ireo teknisianina.  -I Debon Jean-François (tale teknika nasionaly)Azo atao tsara, raha ireo mpifanandrina amin’ny Barea ireo fa miankina amin’ny fahavononana sy ny paik’ady apetraky ny mpanazatra fotsiny sisa. I Nizeria no heverina fa ho mafy, saingy azo resena ihany koa. Na izany aza, afaka miady ny toerana faharoa ny Barea ary tokony ho tafavoaka amin’ity vondrona B ity.Mino aho fa anisan’ireo ekipa 16 hiatrika ny dingana ampahavalon-dalana ny Barea de Madagascar, amin’ity, raha lazaina ny lojikam-baolina. – Odon Michel (mpanazatra Jet Mada)Ny sarotra, ao amin’ity sokajy ity, i Nizeria izay manao baolina anglisy, izany hoe, matanjaka. Raha ny hevitro, hiadiana ny toerana faharoa. Miankina amin’ny voka-dalao eo amin’ireo lalao roa voalohany ihany koa anefa io. Mandeha io raha vao tsara fanombohana. Azo atao tsara izany ny miakatra amin’ny dingana faharoa.Feno fanantenana aloha ny tenako fa mbola hahita ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fihodinana faharoa, amin’ity “Can 2019 ity. Tsy tokony ho sakana mihitsy i Ginea sy i Borondi. -I Raux Auguste (mpanazatra Uscafoot)Raha ny vokatry ny fisarihana aloha, nahazo vondrona mora ny Barea. Miankina amin’ny fanomanana sy ny paikadin’ny mpanazatra ny herijika hiakarana amin’ny fihodinana faharoa. Na izany aza, mila mailo ihany satria mahay koa ireo mpifanandrina ireo matoa tafita hiatrika ny “Can 2019” ka tsy tokony hambaniana.Mitovy hevitra amin’ny rehetra aho fa mba anisan’ireo ekipa miakatra amin’ny fihodinana faharoa ny Barea de Madagascar, amin’ity. Mirary soa ho azy ireo hahavita dingana lavidavitra kokoa, amin’ity “Can 2019” ity. Nangonin’i Tompondaka L’article Kitra – «Can 2019»: «Tsy tokony ho olana ny hiakarana amin’ny fihodinana faharoa», hoy ireo teknisianina a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

«Can 2019»: nijery ny kianjan’i Alexandrie ny Gineanina sy ny Nizerianina

Tsy niandry ela fa iray andro monja taorian’ny fahavitan’ny antsapaka nahalalana ireo ekipa iray vondrona, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”, hatao any Egypta, izany hoe : ny asabotsy lasa teo, nijery avy hatrany ny kianja hilalaovany ao Alexandrie ireo tomponandraikitra sy ny teknisianina, avy amin’ny ekipan’i Ginea Konakry sy ny Nizerianina, iray vondrona amin’ny Barea de Madagascar.Nidina nijery ifotony mihitsy izy ireo ny amin’ny toetoetry ny bozaka hilalaovana sy ny firafitry ny toerana ary ny pitsopitsony rehetra. Midika izany fa mailo tanteraka izy ireo ka mitandrina mafy, amin’ity fifanintsanana isam-bondrona ity.Raha tsiahivina, kianja anisan’ny zokiny indrindra ao Egypta ny Stade d’Alexandrie. Natsangana ny taona 1929 izany fotodrafitrasa izany, ary efa nandray ny lalao fifanintsanana, tamin’ny “Can”, notanterahina tany an-toerana, ny taona 2006.Ny taona 2009 vao nasiam-panamboarana izany kianja ao Alexandrie izany, mahazaka mpijery mihoatra ny 80.000. Bozaka natoraly no hilalaovana ao fa tsy “synthétique” akory. Kianja hilalaovan’ny Ittihad Alexandrie sy ny Al Olympi ary ny Smouha Sporting Club. TompondakaL’article «Can 2019»: nijery ny kianjan’i Alexandrie ny Gineanina sy ny Nizerianina a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

CAN 2019: Miroso any Cameroun ny dian’ny Barea

Nandresy an’i Nzalang Nacional tamin’ny isa 1 no 0 ny Barea tany amin’ny Kianja Nkoantoma omaly Sabotsy 13 Oktobra 2018. Miroso mankany amin’ny CAN 2019 atao any Cameroun ny dian’ny Barea tao aorian’ny fandresena azony ny andro fahatelo iny. Baolina nampidirin’i Faneva Ima tamin’ny 18 minitra fidirana voalohany. « reprise de volée » nalefany elatra ankavia no nampidirany azy. Tsy vitan’ny ekipan’i Guinée-équatorial izay notarihan’i Angel Lopez teratany Espaniola ny nahasahalana ny isa io. Ho fandraisana anjaran’’ny Barean’i Madagascar ny  CAN 2019 atao any Cameroun raha mitohy izao fandresena izao. Ho atao eny Vontovorona rahampitso Talata 16 Oktobra 2018 ny lalao amin’ny andro fahaefatra amin’ity fifanintsanana ity. Azo antoka ny fiankarana any amin’ity CAN 2019 ity raha toa ka mandresy ny Guinée-équatorial i Madagasikara  amin’io andro io. Voalohany amin’ny tantaran’ny baolina kitra malagasy noho izany io CAN 2019 atao any Cameroun io. Mbola mitarika amin’ity vondrona A misy an’i Madagasikara ity ny Senegaly raha nandresy an’i Soudan tamin’ny isa 3 no 0 omaly Sabotsy 13 Oktobra 2018  izay natao tany Senegal. Mijanona ho laharana faharoa hatrany noho izany ny Barean’i Madagasikara. Nirina R. Cet article CAN 2019: Miroso any Cameroun ny dian’ny Barea est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - Delire Madagascar

Hanao CAN ny Gasy: Takona ny propagandy

Tafakatra any amin’ny dingan’ny famaranan’ny tompondakan’i Afrika (CAN 2019 ) atao any Cameroun ny taona ho avy 2019. Resin’i Barea tamin’ny isa 1 no 0 indray ny Guinée Equatorial tamin’ity andro fahaefatra. Baolina tafiditr’i Njiva minitra 41 izay fahaizana manokany. Tonga amin’ny tanjona nokendrena ny ekipam-pirenena Malagasy tamin’iny omaly Talata 16 Oktobra 2018 teny amin’ny kianjan’ny CnaPs Sport Vontovorona. Manana isa folo ny Barea izay ampy hiakarana any Cameroun na dia laharana faharoa aza no misy antsika ao amin’ny vondrona A. Nifanatsahana ny lalao saingy nanatombo isika tamin’io isa iray io. Mitarika ny Senegaly, faha telo ny misy an’i Guinée équatorial ary farany ny Soudan.  « Efa mivoatra ny baolina kitra malagasy rehefa miray hina ny rehetra dia mahazo fahombiazana », hoy ny kapiten’ny Barea, Faneva Ima. Lalao manaraka ataon’ny ekipa-pirenena malagasy,  ny Alahady 18 Oktobra 2018 atao eny amin’ny Vontovorona ihany izay hihaonany amin’ny ekipan’i Soudan ary amin’ny volana Martsa kosa ny lalao farany amin’ny fifanitsanana CAN 2019 amin’ity vondrona A misy antsika ity izay hifandonana amin’i Senegaly. « Mafy io lalao farany io saingy hanao izay mety ny mpilalao », hoy ny mpanazatran’i Barea, Nicolas Dipuis. Nirina R. Cet article Hanao CAN ny Gasy: Takona ny propagandy est apparu en premier sur déliremadagascar.

Foot - News - Sport - Delire Madagascar

CAN 2019: Mijanona eo amin’ny laharana faharoa ny Barea

Boribory tokoa ny baolina ary tsy nanam-po ny vokatra ny mpitia baolina kitra malagasy. Resin’ny ekipa-pirenena avy any Soudan tamin’ny isa 1 no 3 ny Barean’i Madagasikara teny amin’ny kianjan’ny Cnaps Sport Vontovorina omaly Alahady 18 Novambra 2018. Faharesena voalohany ho an’ny ekipa-pirenena malagasy iny lalao omaly iny teo amin’ity fifanitsanana amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika atao any Cameroun ity ny taona 2019( CAN 2019 ).  Mijanona eo amin’ny laharana faharoa izany ny laharana misy an’i Barea amin’ity vondrona A ity ary voalohany kosa ny Senegaly manana isa 13 satria nandresy an’i Guinée équatorial tamin’ny isa 1 no 0 . « Voa fetaka izahay androany fa anjaranay tsirairay no mieritreritra sy mandinika ny hanarenana ny ho avy. Izay mitambatra vato izay misaraka fasika. Ifonako ny hadisoanay. Mba hahay andray lesona hibanjinana ny ho avy iny vokatra iny », hoy ny kapiten’ny Barea, faneva Ima.  Ny faharesena tokoa dia tokony hijerena ireo lesoka mila  harenina satria tsy mora izany miatrika ny CAN izany ka mila fiomanana tsara. Manana volana maromaro isika hanitsiana ny tsy mety. Tsy ambinina Roa minitra monja niantombohan’ny lalao dia nahatafiditra ny baolina voalohany ny Soudan tamin’ny alalan’i Mohamed. Nampiseho endrin-dalao nahafinaritra ny Barea ary nanindry hatrany fa tsy ambinina amin’ny fampidiram-baolina. Nihanona tamin’ny valim-panafihana ny ekipan’i Soudan. Tandrevaka teo amin’ny vodilaharana kosa no nampidiran’i laharana 17, Mohamed Abakar minitra faha 61. Nitohy hatrany ny fanafihana nataon’ny ekipa-pirenena malagasy ka nahita baolina iray i Carolus minitra 76 izay dimy minitra nidirana ny kianja. Nahatafiditra baolina fahatelo ny vahiny tany amin’ny 84 minitra tamin’ny alalan’i Yazir Mohamed. Marihana fa mbola hisy ny fihaonana eo amin’ny Senegaly amin’ny volana Martsa 2019 atao any an-toerana eo anelanelan’ny 22 sy 25 volana Martsa  amin’ny andro fahaenina sady farany amin’ity fifanitsanana CAN 2019 ity. Nirina R. Cet article CAN 2019: Mijanona eo amin’ny laharana faharoa ny Barea est apparu en premier sur déliremadagascar.

Foot - News - Sport - Ao Raha

BAOLINA KITRA – “CAN 2019” :: Nokitikitihan’ny CAF i Afrika Atsimo

Taorian’ny nanesorana tamin’i Caméroun ny fampiantranoana ny fiadiana ny amboaran’i Afrika na ny CAN 2019 dia manomboka mitady firenena hafa homena izany ny Kaonfederasiona afrikanina ho an’ny taranja baolina kitra (CAF). Isan’ireo nokitikitihan’ity rafitra afrikanina ity ny Federasionan’i Afrika Atsimo. Tamin’ny alahady lasa teo no voalazan’ny Federasiona afrikanina tatsimo fa “noresahan’ny CAF” izy ireo handray an’ity fifaninanana ity. “Mila miresaka amin’ny governemanta izahay vao afaka mamaly izany fiangavian’ ny CAF izany. Tsy afaka ny hangataka fanampiana amin’izy ireo ihany koa izahay satria mandalo fotoan-tsarotra ny fiainana ara-tsôsialy aty aminay ankehitriny. Mety ho sarotra ny haneken’ny governemanta izany”, hoy i Russel Paul, filoha lefitry ny Federasiona afrikanina tatsimo ho an’ny baolina kitra (SAFA). Raha toa ka manaiky an’izany soson-kevitry ny CAF izany ny governemanta any an-toerana dia heverina fa fahadisoam-panantenana no mahazo an’i Maraoka, izay efa naniry mafy ny hampiantrano izany, taorian’ny faha-sahiranana teo amin’i Caméroun. L’article BAOLINA KITRA – “CAN 2019” :: Nokitikitihan’ny CAF i Afrika Atsimo est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - Ao Raha

BAOLINA KITRA – CAN 2019 :: Nahatafita an’i Ghana sy Kenya ny sazy azon’i Sierra Leone

Naaton’ny Kaonfederasiona afrikanina ho an’ny taranja baolina kitra ny fandraisana anjaran’i Sierra Leone amin’ny fifanintsanana hiatrehana ny fiadiana ny amboaran’i Afrika na ny CAN 2019. Tsy nanambara ny antony nanasaziana azy ireo ity rafitra mifehy ny baolina kitra afrikanina ity fa raha ny fantatra dia ny sazy fampiatoana nomen’ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa) tamin’ny fitsabahan’ny fanjakana tamin’ny raharahan’ny Federasiona tany an-toerana no mety ho antony. Nambaran’ny fanjakana tany an-toerana fa nanao kolikoly sy sarisarin-dalao ary fitantanana tsy nahomby ny filohan’ny Federasionan’i Sierra Leone sy ny sekretera jeneraliny ka nahatonga ny firotsahan’ny Fifa an-tsehatra. Vokatr’izany dia tafita avy hatrany hiatrika ny CAN 2019 i Ghana sy Kenya, izay niray vondrona tamin’izy ireo. Nofoanan’ny CAF avokoa ny vokatry ny fihaonana tamin’ity ekipa ity, teo amin’ny lalaom-bondrona. Mitarika vonjimaika eo amin’ny vondrona F misy azy ireo, taorian’ny nanesorana an’i Sierra Leone, i Kenya (isa 7), arahin’i Ghana (isa 6) ary Etiopia (isa 1). Ity farany anefa dia nandresy an’i Sierra Leone, tamin’ny lalao miverina (1 – 0). Resy tamin’ny isa 3 noho 1 kosa i Kenya nanoloana an’i Sierra Leone. Ireo lalao roa ireo ihany no vitan’izy ireo talohan’ny fanasazian’ny Fifa. Isan’ireo firenena tsy maintsy miady mafy ny ho tafita ihany koa i Caméroun, taorian’ny nanesoran’ny CAF azy ireo tsy hampiantrano an’ ity hetsika kaontinantaly ity. Miankina amin’ny lalaon’izy ireo sy Kaomôro, amin’ny 22 marsa 2019, ny mety hahatafita azy ireo na tsia. Mila mitady fandresena ny Liona tsy voabaiko, raha te ho isan’ireo firenena tafita. L’article BAOLINA KITRA – CAN 2019 :: Nahatafita an’i Ghana sy Kenya ny sazy azon’i Sierra Leone est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra – Tsy voahaja ny fifanarahana: nesorin’ny Caf ny handraisan’i Kameronina ny “Can 2019”

Nangidy ary tena tsy levon’ny vavonin’ny vahoaka kameroney, ny fanapahan-kevitra noraisin’ny kaonfederasiona afrikanina baolina kitra “Caf”, tamin’ny fanesorana ny fampiantranoana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”, teo am-pelan-tanan’izy ireo. Samy naneho ny alahelony sy ny hatezerany avokoa ireo vahoaka kameroney, vao nandre ity fanapahan-kevitra ity. Tao ny nanambara fa efa tsy fitiavana azy ireo mihitsy ny antony. Ny sasany indray nitoreo fa tena fanaovana tsinontsinona an’i Kameronina, firenena goavana sy manana ny lazany amin’ny baolina kitra izao, ary raisin’izy ireo ho famotehana azy, tanteraka. Tetsy an-kilany, nanambara i Ahmad, filohan’ny Caf fa anisan’ireo olona tena nanohana an’i Kameronina, handray ity “Can 2019” ity ny tenany, saingy noho ny zava-misy, tsy afaka ny hitazam-potsiny izy satria ny fotoana mandeha. Betsaka ireo antony. Eo  ny tsy fanajana ny bokin’andraikitra sy ny fepetra rehetra mifanaraka hanatontosana ny asa, napetraka tamin’ireo tomponandraikim-panjakana, kamerone. Tsy misy fivoarany ny asa fanamboarana sy ny fikarakarana, taorian’ny fijerena ny sary, mahakasika izany. Vokatr’izany, voatery noesorina tamin’i Kameronina, ny fandraisana ny “Can 2019”. Manao antso vaovao ho an’ireo firenena vonona hampiantrano izany, ny Caf. Hatreto aloha, tsara toerana handray izany, i Maraoka efa manana ny fotodrafitrasa mifanaraka amin’izany. Mbola hiady ny handray izany koa anefa i Afrika Atsimo. Ho fantatra mialoha ny faran’ity taona 2018 ity, izay tena hanaovana ny “Can 2019”.   Tompondaka  L’article Kitra – Tsy voahaja ny fifanarahana: nesorin’ny Caf ny handraisan’i Kameronina ny “Can 2019” a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - Triatra

Fampiantranoana ny Can 2019 : Nesorin’ny Caf tamin’i Cameroun

Tsy nampoizina. Notsoahin’ny kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra, na Caf tamin’ny ora farany ny fikarakarana sy fampiantranoan’i Cameroun ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika 2019, na ny Can 2019. Araka ny vaovao, noho ny tsy fahafenoan’ity firenena ity ny fepetra notakian’ny Caf taminy no anton’izany. Anisan’ny goavana tamin’izany tsy fahatraran’i Cameroun ny fe-potoana fananganana sy fanamboarana ireo fotodrafitrasa rehetra handraisana ny Can 2019. Hatramin’izao mantsy, raha ny filazana hatrany, mbola ao anatin’ny asa goavana fanamboarana kianja ny Fanjakana any an-toerana sy ny komity mpikarakara ny Can 2019 ao Cameroun, ary ny sasany aza tsy mbola nihetsika tamin’ny fanamboarana akory. Noho izany, nanambara ny teo anivon’ny Caf fa misokatra ho an’ireo firenena afrikanina te handray sy hampiantrano ny Can 2019 ny fametrahana ny antotan-taratasy filatsahan-kofidina amin’izany. Voalaza ihany koa fa manana iray volana izy ireo amin’ny fametrahana ny antotan-taratasy manambara ny firotsahan-kofidina amin’ny fampiantranoana ny Can 2019, manomboka ny 1 desambra izao. Izany no tapaka nandritra ny fivorian’ny birao mpanatanteraky ny Caf, omaly tao Accra, Renivohitr’i Ghana. Araka izany, mety hananana fanantenana amin’ny fampiantranoana ity fifaninanana kaontinantaly goavana aty Afrika ity i Maroc. Ity farany mantsy efa nametraka ny antotan-taratasy firotsahan-kofidina amin’ny fampiantranoana ny Mondial 2026, saingy tsy lany. Noho izany, azo heverina fa vonona handray sy hampiantrano ny Can 2019 izy ireo. Manaporofo izany koa ny famoahana an’i Maroc an-gazety teo aloha teo, fa izy ireo no firenena aorian’i Cameroun hikarakara sy handray ny Can 2019. Na izany aza anefa, mbola hiady tanteraka ny fifaninanana amin’ireo firenena hafa, satria anisan’ny firenena manana herijika amin’izany koa i Afrika Atsimo, izay efa nandray Mondial, ary efa manana traikefa amin’ny fampiantranoana fifaninanana iraisam-pirenena goavana. Tsiahivina fa anisan’ireo firenena mandray anjara, ary tafita hiatrika ny Can 2019 i Madagasikara. Eny, fa na mbola hiatrika ny lalao miverina amin’i Senegal aza ny Barea, ny volana marsa 2019. MN L’article Fampiantranoana ny Can 2019 : Nesorin’ny Caf tamin’i Cameroun est apparu en premier sur .L’article Fampiantranoana ny Can 2019 : Nesorin’ny Caf tamin’i Cameroun a été récupéré chez Triatra.

News - Sport - Ao Raha

Aza mivoaka ny kianja

Sekolin’ny fiainana ny fanatanjahantena. Tsy ny baolina lavalava ihany no atao hoe sekolin’ny fiainana fa ny fanatanjahantena amin’ny ankapobeny. Mila fehezina avokoa, na aorian’ny fandresena iray na aorian’ ny faharesena. Lesona daholo no azo tsoahina amin’ireo tranga roa ireo, eny fa na ny ady sahala aza. Dia tsy mifanalavitra amin’izany rehefa tojo fahombiazana tsy fahita toy ny hoe fahatafitana voalohany amina fifaninanana kaontinantaly amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika (CAN), izay sambany mba fantatry ny tantaran’ny baolina kitra eto Madagasikara. Tsy vitan’ny fialan-tsiny ny faharesena iray. Sarotra ny ilazana fa tsy nahy iny fahalavoana nanoloana an’i Soudan, tamin’ny alahady lsa teo, iny. Jereo ny vokatra nataon’i Senegal, izay iray vondrona amintsika, raha nandranto lalao tany Guinnée Equatoriale. Tsy misy vazivazy, tsy mahazo misangy, fa efa feno ao anaty sy any an-tsaina ny toetra miady ary miady hatramin’ny farany. Betsaka ny zava-nitranga nanodidina ny ekipam-pirenena Malagasy (BAREA) talohan’ny lalao nifanandrinana tamin’i Soudan. Eo ny politika sy ny pi-maso samihafa nataon’ireo kandidà. Teo ny faharavan’ny rafitra mahefa miahy ny baolina kitra na ny FMF. Ary indrindra ny fitsipi-piaina takian’ny fanatanjahantena avo lenta rehefa hiatrika lalao iraisam-pirenena toy ireny, raha tsy hamaritra afa-tsy ny antsoina hoe “mise au vert”. Mahalala an’izany tsara ireo mpilalao matihanina izay milalao any ivelany. Sanatria ve ka hisy mpilalao hitondra tena toy izany hoe Messi na Ronaldo, na Mbappé sy Griezmann izany sahady eto amintsika ! Ireo kintan’ny baolina kitra ankehitriny ireo aza dia mianatra mafy ny antsoina hoe fanetren-tena hatramin’izao. Aoka tsy ho variana entankentanin’ny mpitia sy mpankafy baolina kitra ireo mpilalao mandrafitra ny BAREA. Mbola miteha-tany ary tsy maintsy hiteha-tany foana. Mijanona ao anatin’ ny kianjan’ny baolina kitra fa aza ilaozana manidintsidina loatra, sao ho potraka mialoha ny fotoana. Tsy miditra amin’ny lafiny teknika isika ka hanilika ny rihatra tamin’ny baolina maty haingana loatra tetsy Vontovorona. Mampi- saintsaina lalina ireny endri-dalao nahalavo ny ekipam-pirenena ireny. Nisy antsipihan-javatra tsy nety tao. Efa hafatra mafonja sahady no atsipy ho an’ireto “mahery fontsika” ireto, mialohan’ny hiatrehana ny dingana famaranan’ny CAN amin’ny taona 2019: tontolo hafa no miandry any Cameroun. Fitsipi-pifehezana hentitra no takiana any. Fomba fisaina ara-panatanjahantena tsy misy tomika no tsy maintsy asehon’ireo mpilalao. Enga anie ka efa hijoro ny federasiona vaovao alohan’io fotoan-dehibe io. Irariana mba ho raiaman-dreny tsy hitsitsy rotsa-kazo ny ekipa teknika hitantana ny BAREA mandrapahatongan’ny volana jona 2019. Dingana iray ny fahatafitana any amin’ny CAN. Mbola dingana hafa kosa ny lalana hovitantsika any. Tsara raha hahitsy ny tsy nety nialoha an’iny lalao tamin’ i Soudan iny, rehefa hanoman-tena hiatrika ny lalao farany any Dakar… L’article Aza mivoaka ny kianja est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - Ao Raha

BAOLINA KITRA – «CAN 2019» :: Voavalin’i Soudan faty ny Barean’i Madagasikara

Nakan’ny ekipa farany isa telo. Nibaby faharesena nanoloana ny ekipan’i Soudan, omaly teny amin’ny kianjan’ny Cnaps, teny Vontovorona, ny ekipam-pirenena malagasy taranja baolina kitra. Tamin’ny alalan’ny isa 1 noho 3, nitovy tamin’ny isa nandresentsika azy ireo tany aminy, no nivoahan’i Soudan ho mpandresy tamin’ny andro fahadimy ho an’ny lalaom-bondrona eo amin’ny fiadiana ny amboa­ran’i Afrika, izay hatao any Caméroun amin’ny taona 2019 (CAN 2019). Azo heverina ho vita ny valin’adin’ i Soudan, tamin’ny nandre­sentsika azy ireo tany amin’ny taniny. Faharesena mitondra lesona ho an’ireo mpilalao malagasy iny hoentina manarina amin’ny manaraka. « Mitondra fifonana ho an’ny vahoaka malagasy izahay noho iny felaka mandrivorivo nahazo antsika teo anatrehan’i Soudan iny. Raisiko ny andraikitra amin’ny maha kapiteny ahy. Rehefa tsy ampy ny fifantohana dia tsy maintsy misy ny faharesena. Soa fa nisy an’iny faharesena iny mba hahafahanay manontany tena amin’ny zavatra tsy nety ka nahatonga izany», hoy i Faneva Ima Andriantsima, kapitenin’ny Barea, taorian’ny lalao. Iny no faharesena voalohany hitan’ny ekipam-pirenena malagasy, notarihin’ i Nicolas Dupuis, teknisiannia frantsay, mitantana ny Barea. « Rehefa misy ny faharesena dia tsy maintsy jerena ny lesoka nahatonga izany, hanarenana azy amin’ny manaraka. Tsy hanilika andraikitra izahay fa horaisinay izany », hoy ity mpana­zatra nasionaly malagasy ity. Tamin’ny ankapobeny dia nanindry ny Barean’i Madagasikara saingy tsy nitongilana tany amin’izy ireo ny vintana. “Rehefa manindry ianao nefa tsy mamokatra dia tsy maintsy ny mpifanandrina aminao no manana tombony. Izay ilay baolina kitra”, hoy i Nicolas Dupuis. Isan’ny nanampoka ny Barea ihany koa ny nidiran’ny baolina haingana, teo amin’ ny minitra faharoa, nandritra ity lalao ity. “Rehefa nisaina ny baolina nodakantsika tao anatin’ny tsatokazo nandrasan’i Soudan dia naha­tratra sivy, saingy ny iray ihany no maty”, hoy hatrany ny mpanazatra nasionaly malagasy. Efa tany amin’ny minitra faha-76 no nampiditra ny baolina tokana ho an’i Madagasikara i Carolus Andriamahitsinoro. L’article BAOLINA KITRA – «CAN 2019» :: Voavalin’i Soudan faty ny Barean’i Madagasikara est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra – «Can 2019»: nomontsanin’i Soudan teo amin’ny kianjany ny Barea de Madagascar

Tsy nampoizin’ny Barea de Madagascar ny fahareseny teo anatrehan’i Soudan, nandritra ny lalao miverina, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika «Can 2019», taranja baolina kitra. Afa-bela ry zareo Sodaney. Afa-baraka tanteraka ny Barea de Madagascar. Resin’i Soudan, tamin’ny isa mazava, 3 no ho 1, ny ekipam-pirenena malagasy, nandritra ny lalao miverina, notanterahina tetsy amin’ny kianja Complexe sportif Vontovorona, omaly. Fihaonana, tafiditra amin’ny andro fahadimy, eo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona. Tsy nisy nanam-po ity vokatra ity satria noheverina fa tsy hahasakana ny Barea de Madagascar mihitsy ry zareo Sodaney, raha ny herijika sy ny laharana misy azy ireo. Tsy izany anefa no nitranga fa lavo teo an-kianja filalaovany ny ekipam-pirenena malagasy. Nanjakan’ny Barea, tanteraka anefa ny fihaonana, nandritra ny 90 mn nilalaovana. Betsaka ireo baolina tokony ho tafiditry ny Malagasy, saingy tsy tao ny vintana. Nifanitsy tamin’ny mpiandry tsatoby an-dry zareo Sodaney ny dakan-dry Njiva sy ry Paulin ary i Bolida.  Nanokatra ny isa ry zareo Sodaney, tamin’ny alalan’i Mohamed Moussa, teo amn’ny minitra faharoa. Niezaka nanindry ny Malagasy avy eo, saingy tsy nety nahakobana ny masonaraton’i Soudan mihitsy. Io isa tokana, 1 no ho 0 io, no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Mbola nanohy nanafika hatrany ny Barea, teo amin’ny fidirana faharoa, saingy tsy nety nahasahala ny isa. Nanampy isa indray ry zareo Sodaney, teo amin’ny minitra faha-61, taorian’ny valim-panafihana tsara. Voatery nanolo mpilalao i Nicolas Dupuis, avy eo ka nanala an’i Njiva ary nampiditra an’i Carolus. Nahitam-bokany izany ka nahafaty baolina ny Malagasy, tamin’ny alalan’i Carolus, teo amin’ny minitra faha-76. Tsy nitohy anefa izany fa ry zareo Sodaney, indray no mbola namono ny baolina fahatelo, teo amin’ny minitra faha-85. Mijanona ho isa 10 izany ny Barea. Voalohany hatrany ny Senegal, nanilika an’i Ginea Ekoatorialy, tamin’ny isa, 1 no ho 0.   Tompondaka HOY IZY IREO : Nicolas Dupuis (mpanazatra Barea) : Tsy nampoizinay mihitsy iny vokatra iny. Variana loatra nanodinkodina sy nanao fampisehoana fahaizana fotsiny ny mpilalaon’ny Barea de Madagascar, ka nanadino ny tena zava-dehibe dia ny famonoam-baolina. Tonga aloha loatra koa ilay baolina voalohany tafiditry ry zareo Sodaney ka somary nampikorapaka ny mpilalao malagasy. Na izany aza, nahay ilay mpiandry tsatoby an-dry zareo Sodaney. Ho jerenay miaraka ny fomba famonoana baolina izay mbola tena lesoka be eo amin’ny Barea de Madagascar. Morel (mpilalao Barea) : Mahay baolina ny Malagasy, tsy tao amin’ny Barea de Madagascar ilay vintana nomoana baolina. Tao aminay mpilalao rehetra anefa ilay finiavana handresy, saingy iny ny vokatra. Moussa (mpilalao Soudan) : Faly tokoa izahay fa nahafaka vela, ary nahazo isa 3, taty amin’ny tanin’ny Barea de Madagascar. Izaho no nahafaty ny baolina voalohany, nanome hery ny namako rehetra teny ambony kianja. Efa nohadihadianay tsara ny fomba filalaon’ny Barea, taorian’ny lalao mandroso ka nahitam-bokany izany. Na izany aza, mahay ny Malagasy ary mirary soa ho azy ireo, hahavita be any amin’ny “Can 2019”.   Nangonin’i Tompondaka

Foot - News - Sport - Ao Raha

BAOLINA KITRA – «CAN 2019» :: Niantso mpilalao folo avy eto an-toerana i Nicolas Dupuis

Mpilalao avy eto an-toerana miisa folo no nantsoina handrafitra ny Barean’i Madagasikara hifanandrina amin’i Soudan, amin’ny andro fahadimy eo amin’ny lalaom-bondrona hiadiana tapakila hiatrehana ny fiadiana ny amboaran’ i Afrika (CAN 2019). Hotanterahina amin’ny 18 novambra ho avy izao eny amin’ny kianjan’i Vontovorona ity lalao ity, araka ny fandaharam-potoana voafaritry ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra. Isan’ireo nantsoin’i Nicolas Dupuis, mpana- zatra nasionaly, amin’ izany i Leda, Toby, Ando ary Mika avy ao amin’ny CNaPS Sport ; Mario, Théodin ary Baggio avy ao amin’ny Fosa Juniors ; Joma, Tsito ary Carlos avy ao amin’ny Jet Mada. “Hatramin’izay dia mpila ravinahitra manodidina ny enina ambin’ny folo hatramin’ny valo ambin’ ny folo no nantsoina. Betsaka amin’izy ireo anefa no mpisolo toerana rehefa tonga. Misedra fahasahiranana rahateo ny federasiona eo amin’ ny resa-bola ka izany no nahatonga an’ireo mpilalao avy eto an-toerana nomena vintana”, hoy ny loharanom- baovao avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra. Isan’ireo mpilalao namaly ny antson’ny firenena amin’ity lalao ity i Jeremy Morel, mpilalaon’ny Olympique Lyonnais avy any Frantsa. Voalohany izy no hilalao ary eto an-tanindrazana no hisantarany izany. Saika ireo tompon-toerana kosa no nantsoina tamin’ireo mpila ravinahitra, ankoatra an’i Dabo Ibrahim, mpiandry tsatokazo. Vokatr’izany dia misy an’ireo mpilalao avy any ivelany no manome tsiny an’izany. Toy izany i Voavy Paulin, izay namoaka tao amin’ny tambajotran-tseraserany hoe “manomana lalao iraisam-pirenena ve isika amin’ireo mpilalao ireo sa tsia?”, araka ny nambarany. L’article BAOLINA KITRA – «CAN 2019» :: Niantso mpilalao folo avy eto an-toerana i Nicolas Dupuis est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - Ao Raha

BAOLINA KITRA – BAREAN’I MADAGASIKARA :: Miantso ireo mpilalao tsy ho voaloton’ ny pôlitika i Nicolas Dupuis

Manoloana ny faharavan’ny komity mpa­natanteraka ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ny olana eo amin’ny fifidianana dia nanao antso avo ho an’ireo mpilalao ny amin’ny hialana lavitra ny resaka pôlitika i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea. “Nanomboka tamin’ny volana marsa no efa nisavorovoro ny toe-draharaha. Efa tamin’izany no tokony ho natao ny fifidianana. Taty aminay dia niezaka ny niala lavitra izany resaka pôlitika izany izahay. Nifantoka tante­raka tamin’ny maha fanatanjahantena ny taranja baolina kitra ka izao ny vokatra azo”, hoy ity teknisianina frantsay “angady nananana sy vy nahitana” ny tapakila hiatrehana ny CAN 2019, hatao any Caméroun amin’ny taona ho avy, ity. Na izany aza anefa dia naneho fankasitrahana ny Federasiona iraisam-pirenena tamin’ny fanapahan-kevitra noraisiny ity mpanazatra nasionaly malagasy ity. “Soa ihany fa efa tafita isika alohan’izao lalao hotanterahina amin’ny alahady izao. Afa-po tamin’ny fanapahan-kevitry ny Fifa aho satria efa ela loatra no nitarazoka ity olana ity”, hoy izy. Nankahery an’ireo mpilalaony ihany koa izy amin’izao toe-draharaha misy izao. “Teknika no anjaran­tsika. Mila miray hina isika mba hahafahana mandresy hatrany ka hanatsara ny endrik’i Madagasikara”, hoy hatrany izy. “Niezaka ny nitady ny fomba rehetra nahafahan’ireo mpilalao niara-niketrika ny fahazoana ny tapakilan’ny CAN izahay. Tsy rariny loatra raha tapahana mialoha ny efa fahaiza-miarak’ireo mpilalao ireo. Na ireo voaantso na ireo tsy voaantso dia noezahina ny nahatongavany teto, tamin’ ny alalan’ny famatsiam-bola ivelan’ny federasiona. Tsy manambany an’ireo mpilalao avy eto an-toerana anefa izany satria ilaina ny fitohizan’ny fanazarantena miaraka”, hoy hatrany i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea. Mila miady mafy izy ireo, araka ny nambarany hatrany, satria nivoaka sempotra ny Malagasy tany Soudan tamin’ny lalao mandroso. “Mety ho mafimafy ihany koa ny lalao miverina”, hoy izy. L’article BAOLINA KITRA – BAREAN’I MADAGASIKARA :: Miantso ireo mpilalao tsy ho voaloton’ ny pôlitika i Nicolas Dupuis est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra – «Can 2019»: mbola vonona hanome fandresena ho an’ny mpijery ny Barea

Hitana ny sain’ny rehetra, amin’ity faran’ny herinandro ity, ny lalao baolina kitra, hiadiana ny “Can 2019”. Hampiantrano an’i Soudan, amin’ity, ny Barea de Madagascar. Mbola vonona hanaporofo ny maha andrarezina azy ny ekipam-pirenena malagasy. Hotanterahina, rahampitso eny amin’ny kianja Complexe Vontovorona, ny lalao hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy i Soudan. Fihaonana, tafiditra amin’ny andro fahadimy, fifanintsanana isam-bondrona, hiadian-toerana amin’ny “Can 2019”. Marina fa efa tafita any Kameronina ny Barea de Madagascar, saingy hanamafy ny toerana efa misy azy. Lalao miverina eo amin’ny roa tonta ity hatao ity. Hanala vela amin’ny Barea ry zareo Sodaney, izay efa resin’ny Malagasy, tany amin’ny kianja filalaovany, tamin’ny isa mazava 3 no ho 1. Efa tsy manana herijika intsony ry zareo Sodaney fa lalao hiarovan-boninahitra fotsiny sisa hataony. Nanambara i Faneva Ima, kapitenin’ny Barea de Madagascar, fa tsy manambany ity fihaonana amin’i Soudan ity mihitsy ry zalahy fa tena mandray izany ho fihaonana lehibe. Mbola vonona indray ry zalahy hanolotra fandresena ho an’ireo mpijery. Tsiahivina fa efa tonga eto an-toerana avokoa ireo mpilalao mpila ravinahitra avy any Frantsa sy avy any Thaillande ary avy any Egypta, nantsoin’i Nicolas Dupui, mpanazatra malagasy. Izay mendrika no ho tafiditra “18 ihany ny azo atao ao anaty lisitra, amin’io lalao io, noho izany, izay mendrika no tsy maintsy ho tafiditra ao anatin’izany. Tsy hijerena hoe mpila ravinahitra na avy eto an-toerana io satria ny voninahitr’i Madagasikara ny arovana”, hoy i Nicolas Dupuis. Tetsy ankilany, efa tonga eto Madagasikara ny alakamisy lasa teo ny mpilalaon’i Soudan. Nilaza ry zalahy fa tsy hitsangantsangana ny hahatongavany eto Madagasikara fa tena hilalao ary vonona ny handresy ny Barea. Efa nitsapa ny kianjan’i Vontovorona izy ireo, omaly zoma, ary mbola manohy ny fanomanan-tenany eo amin’izany fotodrafitrasa izany, amin’ity asabotsy ity. Miantso ireo mpijery ho tonga marobe hanohana azy ireo hatramin’ny farany ireo mpilalaon’ny Barea. Miangavy ry zalahy mba tsy hiala aloha izy ireo fa hiandry ny kiririoka hatramin’ny farany, hiaraka hiaina ny fandresena homen’ireo mpilalao azy ireo, amin’ity fihaonana farany, atao eto Madagasikara, ity. Tsiahivina fa ny lalao hikatrohana amin’ny Liona senegaley, ny volana marsa 2019, ny mamarana ny fifanintsanana, hiadian-toerana amin’ity “Can 2019” ity.   Tompondaka  

Malaza androany

Notsongaina

Orange Madagascar: manodidina ny 450 ny nanome ra, ny notilina…

 Nanokana andro ho an’ny fahasalaman’ireo mpiasa ao aminy sy ny fianakaviany avy ny Orange Madagascar, omaly  ary natao teny amin’ny foiben’ny orinasa, eny Ankorondrano.Afaka nanao maimaimpoana fitiliana ireo aretina samihafa (VIH Sida, diabeta, tosidra) izy ireo. Teo koa ny fahafahana manome ra sy azon’ny mpitsabo nozahana manokana. Efa fanaon’ny Orange Madagascar izy ity, saingy nampiavaka ny tamin’ity taona ity ny fitiliana maimaimpoana ny aretina homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza.450 ny mpiasa sy ny fianakaviany avy, miampy ireo sehatra hafa miasa ao amin’ny La Tour, misy ny Orange Madagscar, nandray anjara tamin’izany. Nisy koa avy amin’ny fokontany manodidina. Ankoatra izany, miezaka hatrany ny orinasa min’ny fametrahana ny fitaovana rehetra ilay ahafahana mandray ireo  manana fahasembanana eo amin’ny tontolon’ny asa.Nanome aina ny hetsika ny seho zavakanto natolotry ny Joyfull Music, antoko mpihiran’ireo mpiasa ao amin’ny Orange Madagascar, sy ny Orange Danse, mpandihy ao aminy ihany.Landy R. L’article Orange Madagascar: manodidina ny 450 ny nanome ra, ny notilina… a été récupéré chez Newsmada.

Faha-herintaonan’ny Fikambanana “MIRAMA” : Noraran’ny fanjakana ny fankalazana izany teto Toamasina

Tsy afaka nankalaza ny tsingerin-taona nijoroany feno herin-taona ny sabotsy teo ny fikambanana “MIRAMA” na “Miaro ny Rariny sy ny Marina” eto Toamasina. Notsipahan’ny prefektioran’i Toamasina ny fangatahana nataon’ny fikambanana, izay saika hanao “carnaval” hitety fokontany sy ny rindran-kira saika niarahana tamin’ny mpanan-kanto DIN Rotsaka. Voalaza fa resaka filaminam-bahoaka no antony, nefa raha ny hita dia resaka politika no tena antony, satria adversera akaikin’ny birao politikan’ny IRD eto Toamasina ny mpitarika ity fikambanana ity, ny Me Tody Arnaud. Raha ny fanazavan’ny mpikamban’ny Mirama anefa dia resaka sosialy sy fety rano fotsiny no nokasain’izy ireo atao, fa tsy misy idiran’ny politika mihitsy, saingy tahotra fotsiny ny an’ny fanjakana ka namoaka fandrarana. Tsy ny fikambanana Mirama ihany anefa no efa nanao fangatahana hankalazana ny tsingerin-taonany toy izao teto Toamasina; saingy ity fikambanana ity sy ny Tim ihany no voararan’ny fanjakana tsy nahazo nanao izany. Ny ambiny rehetra anefa ny Mapar, ny Ird, ny Fimami, ny Arema, sy ny maro hafa dia saika nahazo alàlana avokoa nanao izany. Ho an’ny mpikamban’ny Mirama, dia tsy hahakivy azy ireo ny tsy fanajana ny demokrasia izao, fa mitohy hatrany ny asan’izy ireo sy ny tolona; na ho ela na ho haingana dia afaka hankalaza izany ihany izy ireo ho fahafaham-pon’ny mpikambana sy ny vahoakan’i Toamasina. Malala DidierL’article Faha-herintaonan’ny Fikambanana “MIRAMA” : Noraran’ny fanjakana ny fankalazana izany teto Toamasina a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fitakin’ny MCFIE: « Havaozy ny  lisi-pifidianana… »

Namoaka  fehin-kevitra ireo eo anivon’ny Fikambanan’ny olom-pirenena tsy mankasitraka ny hosoka sy ny halabato ary koa ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fifidianana (MCFIE). “Havaozina  tanteraka aloha  ny lisi-pifidianana. Takinay  ny tsy fiandaniana  sy ny fahaleovantenan’ny  Ceni. Havaozina ny mpikambana  eo  anivon’ny  HCC”, hoy  ny fanambaran’izy ireo,  navoaka, omaly. Tsy vitan’izany fa takin’izy ireo hotanterahina ireo vao azo  irosoana sy  hatao ny  fifidianana ben’ny Tanàna. “Tsy tokony  hatao aloha izany raha  tsy  tanteraka  avokoa ireo  fitakiana sy fepetra ireo”, hoy ihany  izy ireo. Ankoatra izany, anisan’ny takin’izy  ireo  ny hitondran’ny  HCC fanazavana amin’ny  antsipiriany ny momba  ireo fitoriana  sy fitarainana  maherin’ny 700  tamin’ny fifidianana  solombavambahoaka  farany teo  iny. Anisan’ny mpikambana mandrafitra ity MCFIE ity  ireo olom-pirenena tsotra.  Fa eo koa  ny pasitera Tsarahame Edouard,  Riribe, ny Dr Razafindrakoto Harison…Synèse R.  L’article Fitakin’ny MCFIE: « Havaozy ny  lisi-pifidianana… » a été récupéré chez Newsmada.

Holafitry ny mpitsabo: tsy mazoto  miasa any ambanivohitra ireo dokotera

4 500 ny isan’ny mpitsabo voasoratra ao anatin’ny Holafitry ny mpitsabo eto Madagasikara miparitaka manerana ny Nosy, 4 000 ireo miasa eto Analamanga. Misy anefa ny  olana  sedrain’izy ireo. « Ampy ny isan’ny mpitsabo fa ny fitsinjarana azy hisandrahaka amin’ny faritra rehetra no manahirana, indrindra ho an’ny any ambanivohitra saro-dalana », hoy ny filohan’ny holafitry ny mpitsabo, Andrianasolo Eric, omaly teny Anosy. Mbola maro rahateo ny toerana tsy mandry fahalemana ka tsy mazoto miasa any ny mpitsabo, vokatr’izay.Misandoka  ho  mpitsaboTsy vitsy noho izany ny olona misandoka ho mpitsabo amin’ny faritra lavitry ny tanàn-dehibe. Isan-taona, manodidina ny telo ireo tratra miaraka amin’ny porofo fa misandoka ho mpitsabo nefa tsy manana ny diplaoma sy ny fanamarinana momba ny asam-pitsaboana. Tokony hiezaka hanara-maso sy hitory ireny ny solontenan’ny holafitra isam-paritra hiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka. Tsy tafiditra ao kosa ny mpitsabo nentim-paharazana izay manana lalàna mifehy azy manokana.Natokana ho an’ny Andron’ny mpitsabo eto Analamanga, ny omaly teny Anosy ka nizarana fitaovana « Application amin’ny Android » ho an’ny mpitsabo. Mivoatra hatrany ny fitsaboana ka zava-baovao (tao anatin’ny 10 taona farany) momba ny certificat médical, fanafody ary ny fomba fitsaboana no naparitaka amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao ahafahan’ny mpitsabo manatsara ny asany.Hanangana vaomiera  manokana Nanamarika ny tompon’andraikitra ny minisiteran’ny Fahasalamana, nandritra ny hetsika teny Anosy fa hanangana cellule de crise hitantanana ny asa rehetra, ny fanaraha-maso ny fisorohana ny tsy hidiran’ny aretina Ebola eto Madagasikara. Miara-miasa amin’ny tompon’andraikitry ny fanaraha-maso ny sisin-tany sy ny seranana izy ireo. Nambaran’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikamban momba ny fahasalamana fa hamehana ara-pahasalamana ny ady amin’ny aretina Ebola ka tokony handray fepetra ny firenena rehetra.Vonjy A.      L’article Holafitry ny mpitsabo: tsy mazoto  miasa any ambanivohitra ireo dokotera a été récupéré chez Newsmada.

Miaramilan’ny Tafika

Naiditra am-ponja vonjimaika, omaly, tany Antsirabe ireo miaramila telo lahy avy amin’ny Tafika rehefa avy natolotra ny Fitsarana noho ny raharaha fanolanana vehivavy iray tamin’iny herinandro lasa iny, teo amin’ny vavahadin’ny Sekoly fanofanana ho manamboninahitra lefitra, any Antsirabe. Naratra voatsindron’antsy ny lamosin’ny iray tamin’izy ireo ka nanamora ny fisamborana azy rehetra, taorian’izay. Nilaza fa nampi­asa antsy ny mpitory rehefa nitambaran’ireo lehilahy miisa efatra manao fanamiana miaramila. L’article Miaramilan’ny Tafika est apparu en premier sur AoRaha.

Fanotofana tany

Mitaraina ny tompona tanimbary eny Andraharo noho ny fanotofana tany ataon’olon-tsotra. Efa nisy ny fitoriana nataon’izy ireo, ny 24 jona lasa teo, ka nisy ny didy fanajanonana ny asa, izay nanomezana azy ireo fe-potoana 48 ora. Gaga anefa ny tompon’ny tanimbary rehefa nandalo teny an-toerana ny sabotsy teo fa mbola manohy miasa ihany ireo olona ireo. Nilaza ireto farany fa nahazo alalana hanao izany. L’article Fanotofana tany est apparu en premier sur AoRaha.

Fetim-pirenena Amerikanina :: Niantso firaisankina ny masoivohon’i Etazonia

“Ny taotrano tsy efan’ny irery”. Io fehezan-teny io noentin’ny masoivohon’i Etazonia, Michaell Pelletier namintina ny hetahetan’ ny fitondram-panjakana amerikanina hanamafy ny fiaraha-miasany amin’ny fitondram-panjakana malagasy. Hafatra napetrany tao anatin’ny kabary noentina nanamarihana ny tsingerin-taona faha-243 nahazoan’i Etazonia ny fahaleovan-tenany sy ny faha-150 taona mahery nisian’ny firahalahiana teo amin’ity firenena ity sy i Madagasikara, ny hisian’ ny firaisankina eo amin’ireo mpiray firenena, na samy Amerikanina io na samy Malagasy. “Samy mitondra anjara biriky hananganana ny trano tokoa ny tsirairay, ary isika ireo miaraka no manamafy ny fototra ijoroany. Koa amin’izao anohizan’i Madagasikara mandrafitra sy manamafy ny fototra ijoroany izao, dia hijanona ho mpiara-miasa akaiky aminy izahay ary hitondra ny anjara birikinay. Hotohizanay ny famoronana tetezana ara-kolontsaina eo amin’ny firenena sy vahoakan­tsika roa tonta. Hotohizanay ny fanabeazam-boho ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny politika, toe-karena, sosialy, tontolo iainana ary tafika”, hoy i Michaell Pelle­tier nandritra ny kabary fanoka­fana ny fanamarihana ny fetim-pirenena amerikanina, ny zoma 28 jona 2019 lasa teo. Ny 4 jolay 2019 izao no ivon’ny fankalazana ny fetim-pirenena amerikanina. L’article Fetim-pirenena Amerikanina :: Niantso firaisankina ny masoivohon’i Etazonia est apparu en premier sur AoRaha.

Befotaka: nalaina tamin’ny helikoptera ny zandary iray narary

Zandary kilasy faharoa miasa ao amin’ny “poste avancé” Befotaka, borigadin’Itondy, no tratran’ny aretina mahery vaika tao an-tranony ny alin’ny 19 jolay 2019 teo ka reraka tanteraka. Raha vao nahita izany ireo namany sy ny fokonolona ao an-toerana, nandray andraikitra avy hatrany nitondra azy hamonjy tobim-pahasalamana ao Ankavandra. Ora dimy be izao ny nandehanana nitondra azy teny amin’ny tobim-pahasalamana. Tsy vita tao anefa ny fitsaboana azy ka voatery nakarina aty an-dRenivohitra tamin’ny alalan’ny helikoptera izy. Noho ny fielezan’ny tobin’ny zandarimariam-pirenena any amin’ny toerana lavitra sy saro-dalana manerana ny Nosy, maro ireo zandary misedra olana vokatry ny fitokana-monina sy ny tsy fisian’ny lalana. Ny asabotsy teo, tonga teto an-dRenivohitra ny helikoptera naka azy ka ny mpandrindra ankapobeny ny asa stratejika eo anivon’ny Seg, ny Jly Rabehajasoa Andrianarivo, sy ny lefitra voalohan’ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Randriamanesy André, no nitsena azy. Naneho fisaorana ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny fanomezan-tanana nandefasana helikoptera nanavotana ny ain’ity zandary ity ireto tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ireto. Nohamafisin’izy ireo hatrany fa manome lanja ny fitsinjovana ny maha olona ny zandarimaria ka tsy manao ambanin-javatra ny fahasalaman’ireo zandary ary tsy maintsy mandray andraikitra avy hatrany raha vao misy tranga toy izao.J.CL’article Befotaka: nalaina tamin’ny helikoptera ny zandary iray narary a été récupéré chez Newsmada.

Feno ny fepetra…

Manomboka feno tanteraka  ny fepetra ahafahan’ny firenena  miroso. Efa tafapetraka avokoa ireo Andrimpanjakana rehetra. Anisan’izany ny Antenimierampirenena vao nijoro farany teo. Manana ny maro anisa aoriany ny fitondram-panjakana, ankoatra ny hijoroan’ny  governemanta, afaka andro vitsy. Efa eo an-tanan’ny fitondrana avokoa ny fitaovana sy ny olona ary ny hoenti-manana  miaraka amin’ny vina  nampanantenaina. Efa nankatoavin’ny fianakaviambe  iraisam-pirenena ary  nahazo tohana sy famatsiam-bola, izao fitondrana izao. Tsy tokony  hisy  intsony ny fialan-tsiny ao anatin’izany  rehetra izany. Na koa fanilihana andraikitra  tahaka ny nataon’ny  teo aloha, fony  izy teo amin’ny fitondrana. Atombohy amin’izay àry  ny asa vavany avy  hatrany, hiantraika any amin’ny ativilanin’ny sarambabem-bahoaka  sy  ny mponina. Esory amin’ny toerany ary aza andeferana ireo tsy mahavita  ny iraka  sy  ny andraikitra ankinina aminy. Aleo hiavaka ny  vary sy ny tsiparifary na koa ireo zatra ny lalan-dririnina. Tsy tokony  hisy toerana  ho an’ny misalasala intsony  izao.Farito ary ataovy mazava  tsara ny lalan-kombana iaraha-mjery sy manombana. Aiza ho aiza  izao isika amin’ny lamasinina haingam-pandeha ? Inona ny  mbola misakana na koa manahirana ?  Fotoana izao hanatanterahana  ireo nambara  sy notanisaina, araka ilay fiteny nambara fa asa izy ity fa tsy kabary. Ahoana  ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy filaminana manoloana  ireo fitaovana maro samihafa efa azon’ny mpitandro filaminana ?  Ahoana ihany ity delestazy miverimberina mahazo  laka isanandro  tato  ho  ato ity ? Miantraika mivantana amin’ny sosialim-bahoaka amin’ny ankapobeny mihitsy  :  fiakaran’ny vidim-piainana, ny lafiny fitsaboana  sy ny fanadiovana izany, indrindra  eny anivon’ny hopitaly. Ny olan’ny fananan-tany tsy ahitana mangirana hatramin’izao. Ny mbola fihanaky ny kolikoly sy ny fomba hampihenana  izany amin’ny sehatra samihafa eto amin’ny firenena.   Ampahany  ihany  ireo. Tsy vitan’ny  fisehosehoana  fotsiny na  resabe intsony  izao fa  mitaky andraikitra amin’ny rehetra.  Tokony  hanomboka izany ary ho fitaratra ny  mpitantana isan’ambaratongany… Roso toy tsa mipody koa…  Efa feno  tanteraka ny fepetra  ka  tsy tokony  hisy  intsony ny olana  na fialana bala ?Synèse R.       L’article Feno ny fepetra… a été récupéré chez Newsmada.

Fitakiana tsy mbola nivaly: manaitra ny minisitera mpiahy ny Seces Antananarivo

Telo volana aty aorian’ny fanapahan-kevitra, hiroso amin’ny fanatanterahana ny teboka fito momba ny fangatahan’ny mpampianatra mpikaroka sampana Antananarivo, mametra-panontaniana ny mpampianatra fa tsy misy ny dingana vita avy amin’ny fitondram-panjakana. Nivory izy ireo, omaly ary namoaka fanambarana amin’ny teboka efatra mazava. Manamafy fa tokony handefan’ny minisitera mpiahy ny Fampianarana ambony eny anivon’ny fiadidiana ny primatiora ny antontan-taratasy momba ny fangatahana « dérogation » manokana hitazona amin’ny asany ny mpampianatra mpikaroka izay mbola ilaina amin’ny sahanasa maro. Misy antontan-taratasy samihafa tokony hofenoin’ny mpampianatra mpikaroka sasany efa naterina teny amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony ho fanampiny. Mety ho tapaka karama anefa ireo tsy nahafeno ny antontan-taratasy notakiana vokatr’izay fitarazohana izay, hoy ny fanazavana.Misy ny porofo homena ny tompon’andraikitra Voalazan’ny fanambarana koa fa tokony hatolotra ny tompon’andraikitra ny porofo amin’ny fandaniana vola ka tsy nahafahan’ny minisitera mpiahy nanefa ny tambin’ny fikarohana « indemnité de recherche » ho an’ny mpampianatra mpikaroka efa misotro ronono fa mbola manohy ny asa fikarohana, taona 2016. Namonjena ireo mpianatra malagasy mamita fianarana tany Sina sy Frantsa ny vola tokony homena ireo mpampianatra mpikaroka efa misotro ronono ireo. Mitaky izay porofo izay ny Fiadidiana ny primatiora handraisana ny fepetra mifanaraka amin’izay. Ankoatra ireo, miandry ny fandoavana ny trosa rehetra momba ny saran’ny ora fanampiny tamin’ny asany ny mpampianatra vacataire sy ny mpampianatra hafa ho an’ny taom-pianarana 2016-2017 ary ny mbola misy aza tsy nahazo ny saran’ny ora fanampiny nandritra ny taom-pianarana  2015-2016 ireo mpampianatra ao amin’ny fakiolten’ny DEGS.Miantso  fandraisana andraikitra haingana Mangataka koa izy ireo mba haraha-maso ny antontan-taratasy momba ny fanasokajiana na ny « reclassement » ho an’ny mpampianatra mpikaroka 110. Mihisatra ny fikarakarana ny antontan-taratasy ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony nefa miankina amin’izay avokoa ny famahana ny fangatahana samihafa, hoy ny filohan’ny Seces Sampana Antananarivo, Raveloharison Sammy Grégoire, omaly. Fanairana fotsiny aloha izao fanambarana izao satria iankinan’ny fiainan’ny mpampianatra maro ka mila mandray andraikitra haingana ny minisitera mpiahy.Vonjy A.                 L’article Fitakiana tsy mbola nivaly: manaitra ny minisitera mpiahy ny Seces Antananarivo a été récupéré chez Newsmada.

Môtô tra-doza :: Lehilahy iray nivarina tany anaty hantsana

Ora maro taty aoriana vao hita ny loza nahazo ny lehilahy iray, 22 taona, nitondra môtô, teny Alakamisy-Fenoarivo, omaly hariva. Efa tsy nisy aina intsony izy. Handeha hitady lasantsy no nialany tao an-trano, teny Anosizato afak’omaly, ka tsy niverina intsony, araka ny loharanom-baovao. Olona sendra nitady akoho no nahita ny môtô sy ilay lehilahy efa tsy nahatsiaro tena intsony. Monina eny Anosizato ity tra-doza namoy ny ainy io. Raha ny fotoana nialany tao an-tranony dia tombanana ho afak’omaly alina no nitrangan’ny loza. Teo amin’ny fiolahana iray hiakatra an’Alakamisy, izay misy hady kely, no nahitana ny razana nihohoka tamin’ny sisin’ny rindrim-bato. Manambady sy manan-janaka roa ilay lehilahy. Omaly hariva ihany dia tonga teny Alakamisy ireo fianakaviany naka ny razana. Misy ny fanadihadiana ataon’ny Zandarimaria eny Alakamisy momba an’ity tranga nahafaty olona ity. L’article Môtô tra-doza :: Lehilahy iray nivarina tany anaty hantsana est apparu en premier sur AoRaha.

Kitra: nanolotra «maillot», ho an’i Julio i Carolus

Tafahaona tamin’Andriamahitsinoro Andrea Carolus, mpilalaon’ny Barea ihany, ny alarobia lasa teo, i Julio. Ilay tovolahikely, nametaka ny anaran’i Carolus, teo amin’ny fanamiany. Raha tsiahivina, efa tany Égypte, no hitan’i Carolus, tamin’ny tambajotran-tserasera ilay sary, ary nampihetsi-po azy, izany.Nampitady an’i Julio, izy nony tafaverina teto Madagasikara ka izao nifanena izao, izy mirahalahy mianaka. Manana vina hanampy an’i Julio ho lasa lavitra amin’ny baolina kitra i Carolus fa mbola hiresaka tsara amin’ny reniny aloha. Faly, i Julio sy ny reniny, nihaona tamin’i Carolus. Raha ny fitantaran’i Julio dia tsy tia mpilalao afa-tsy i Carolus izy ary tsy manaiky mihitsy raha tsy mijery baolina rehefa manao ny Barea de Madagascar. Avy any Antsirabe, i Julio ary kilasy taona fahatelo na (10 ème), izy amin’izao.Nanolotra fanamiana misy ny laharana sy ny anarany ho an’i Julio, i Carolus, izay nampirisika azy, hianatra tsara sy hilofo mafy amin’ny filalaovana baolina. Nisaotra sy nankahery an’i Carolus, ihany koa tetsy ankilan’izany, ny renin’i Julio. TompondakaL’article Kitra: nanolotra «maillot», ho an’i Julio i Carolus a été récupéré chez Newsmada.