Apple

News - Téchnologie - Tezitra tamin’ny Tim Cook i Mark Zuckerberg ka mandidy ny mpiasan’ny facebook hampiasa Android
Tezitra tamin’ny Tim Cook i Mark Zuckerberg ka mandidy ny mpiasan’ny facebook hampiasa Android

Voatsindrona tamin'ilay fanamarihana nataon'i Apple i Mark Zuckerber ka dia nandidy ny mpiansany hampiasa finday Android ary tsy hampiasa ny iPhones-ny. Tsy tian'i Mark Zuckerberg ilay tsindrona kely nataon'i Tim Cook ny momba azy tamin'ny Mars farany teo. Nanontaniana izy momba an'ilay disadisa mikasika ny Cambridge Analytica, ka ny talen'ny Apple dia nanambara : "Izahay tsy manao trafika ny fiainanareo manokana. Ny fianana manokana ho anay dia zon'olombelona, fahalalahana sivily". Ny iPhone dia voararan'i Mark Zuckerberg ao amin'ny Facebook Ny kihana izay natao ho an'i Facebook dia tsy nisarona akory, ary i Mark Zuckerberg, araka ny voalazan'i New York Times, dia naneo hevitra avy hatrany ny amin'ny tsy hampiasain'ny ekipan'ny fitantanana ny hampiasa ny iPhones fa hampiasa ny finday mampiasa Android. Mba hanamarihany ny fanam-pahankeviny, ilay miliaridera dia nanindrona ihany koa avy eo hoe ny Android dia be mpampiasa lavitra noho ny iOS. Volana maromaro, ny mpitantana an'ireo orinasa roa ireo dia mifamely foana amin'ny alalan'ny haino aman-jery maro ny amin'ny fitantanana ny données amin'ny fianana manokana. Mbola ho ela vao hilamina ny raharaha. Nalaina tany amin'i 9to5Mac

Tohizo ny famakiana >>

Téchnologie

Ireo entana antitra sy lany andro hoy i Apple

  Ny iPhone 5 dia lany andro hoy i Apple. Io finday io dia nampidirina tao amin'ny lisitra ny entana lany andro araka ny mason-tsivana napetrak'i Apple. Raha hazavaina misy misy kokoa izany dia ny iPhone 5 izay nivoaka tamin'ny taona 2012 dia efa "antitra" ho an'ny mpanjifa any Etazonia ary efa "lany andro"  kosa ho an'ny firenena hafa, izany hoe tsy tokony hanantena "mise à jour" intsony izany ho an'io finday io, ary tsy manamboatra an'io finday io intsony ny ekipan'ny Apple raha sanatira ka simba ny finday iPhone 5. Marihana etoana anefa fa ny iPhone 5 dia nahazo tombony satria ny "garantie" nomen'i Apple ny iPhone 5 dia 6 taona raha tokony ho 5 taona izany. Ao amin'io pejy an'i Apple io dia misy ny lisitry ny entana namboarin'i Apple efa lany andro rehetra. Ankoatran'ny iPhone 5 dia hita ao ihany koa ny Macbook nivoaka talohan'ny taona 2012, ny iPhone 4 sy ny teo alohany mazava ho azy, ny iPad "3ème génération" sy ny teo alohany sy ny entana maro samy hafa. Afaka mijery an'io pejy io ianao raha ohatra ka te ahafantatra hoe ny entana novokarin'i Apple izay hananao ve dia efa lany andro sa tsia.

Malaza androany

Notsongaina

Kitra – Famaranana ny «Can 2019»: hanala vela amin’i Alzeria i Senegal, anio

Hifantoka any Alzeria avokoa ny sain’ny besinimaro, amin’ity anio ity. Ho fantatra eo mantsy izay handrombaka ny amboaran’i Afrika, taranja baolina kitra “Can 2019”. Hiady izany, ny Liona-n’i Teranga avy any Senegal sy ny Fennecs-n’i Alzeria.Hitodika ao amin’ny kianja Cairo Stadium avokoa ny mason’ny rehetra, amin’ity zoma ity, hiatrika ny famaranana hiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja baolina kitra “Can 2019”, andiany faha-32. Hamarana izany, ny Liona-n’i Teranga avy any Senegal sy ny Fennecs-n’i Alzeria.Ekipa diso mifankahalala tsara ny roa tonta, satria efa niray vondrona tamin’ity “Can 2019” ity. Raha tsiahivina, resin’i Alzeria, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 tamin’izay, ny Senegaly. Hanala vela izany, eto ry Sadio Mané. Hatreto, tsy mbola nandrombaka ny “Can” mihitsy ny Liona avy any Teranga. Fanindroany amin’izao, ry zalahy no tonga eo amin’ny famaranana. Ny voalohany, tamin’ny taona 2002, saingy resin’ny Liona tsy voafolak’i Kameronina, izy ireo, tamin’izany. Ity no famaranana fanindroany.“Hiezaka izahay, hamafa ny nofy ratsy, tamin’ny taona 2002, ka hitady fandresena. Fanalana vela ihany koa ity ka tsy maintsy hiady mafy ny mpilalao rehetra, handrombahana ny amboara”, hoy i Alliou Cissé, mpanazatra senegaley.Etsy an-kilany, mikendry ny hamerina ny anaram-boninahitra efa azony, 29 taona lasa ry zareo Alzerianina. Ny Fennecs no ekipa nahavita dingana tsara indrindra tamin’ity “Can 2019” ity satria tsy mbola resy na nanao ady sahala mihitsy izy ireo, nanomboka tany amin’ny fifanintsanana ka hatreto amin’ity famaranana ity.Manana olana ny Liona-n’i Teranga, amin’ity famaranana ity satria tsy afaka ny hiakatra kianja i Kalidou Koulibali, vodilaharana mahatokin-dry zareo Senegaly, noho ny fahazoany karatra mavo roa. Na eo aza izany, nanambara i Cissé, fa vonona ny mpilalaony ary tsy matahotra na manana ny fahaiza-manaony aza, i Riyad Mahrez. Tompondaka L’article Kitra – Famaranana ny «Can 2019»: hanala vela amin’i Alzeria i Senegal, anio a été récupéré chez Newsmada.

Seranan’i Toamasina: hopotehina sy hatao lavanty ny entana tsy alain’ny tompony

Feno ny toerana! Nanao fitsirihana tampoka ny faritry ny ladoany ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, omaly talata maraina, ny tompon’andraikitry ny ladoany, notarihin’ny tale jeneraly (DG) ny fadin-tseranana, i Zafivanona Lainkana Ernest, notronin’ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, Rtoa Delmotte Stéphanie. Tsikaritra fa maro loatra ireo entana mitoby tahirizina ao. Nambaran’ny tale jeneraly fa ilaina ny fanalalahana ny faritra sy ny toerana fametrahana entana ao amin’ny ladoany manerana an’i Madagasikara ka anisan’izany ny ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Misy ny entana lany fetr’andro nefa tsy nalain’ny tompony. Ao koa ny nogejain’ny fanjakana toy ny karazan-kazo, sy ny hafa.Hisy komity iraisana handinikaKoa tsy maintsy raisina ny fepetra, hanaovana lavanty ny entana na koa hanapotehana na handorana ary handevenana ireo entana sasany, toy ny sakafo fihinana, ohatra, satria tsy azo antoka intsony ny hitahirizana azy mihoatra ny roa volana, nefa tsy tafavoakan’ny tompony. Singanina amin’izany ny entana ao anaty kaontenera miisa 500 ao amin’ny orinasa MICTSL. Eo koa ireo fiara tsy tokony hiditra eto Madagasikara, manana familiana ankavanana, ny fiara mpitatitra entana mihoatra ny 15 taona, ny fiarakely mihoatra ny 10 taona. Tsy maintsy hatao lavanty izy ireny na hopotehina, arakaraka ny fanapahan-kevitry ny komity manokana iraisan’ny minisitera sy ny rafi-panjakana voakasika samihafa.Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny ladoany fa ankoatra ireo fiara sy karazan-kazo, misy koa ny entana hafa, toy ny lafarinina, ny fanafody, ny siramamy, ny vary, ny kilalao, ny akanjo na lamba efa niasa (friperie), sns. Misy amin’ireo entana ireo ny efa tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina hatramin’ny taona 2009, saingy tsy navoakan’ny tompony.SajoL’article Seranan’i Toamasina: hopotehina sy hatao lavanty ny entana tsy alain’ny tompony a été récupéré chez Newsmada.

Governemanta haingam-pandeha ?

Vita ny fitsapana ! Ho fantatra hatramin’ny faran’ity herinandro ity ny ho praiminisitra sy ny mpikambana vaovao ao anatin’ny governemanta. Voafidy ny solombavambahoaka, ny mpikambana isan-tsokajiny ao anatin’ny antenimierampirenena. Araka ny Lalampanorenana, mandroso anarana ny depiote avy amin’ny maro an’isa, mazava ho azy fa ny IRD ary manendry izay safidiny ny filoham-pirenena. Governemanta faharoa ity hitsangana ity.Nilaza rahateo ny filoha Rajoelina, tamin’ny andiany voalohany, fa hotombanana ny zava-bitan’ny minisitra tsirairay nandritra izay enim-bolana niasany izay. Manampy izany anefa, misy amin’ireo minisitra vitsivitsy, voafidy ho solombavambahoaka. Na izany aza, tombanana amin’ny ankapobeny ny vokatra sy ny zava- bitan’ny minisitera tsirairay, ary azo antoka fa tsy misy ny indrafo na ny kinamanamana satria aim-pirenena no resahina.Azo adika izany, fa vita hatreo ny andrana sy ny fitsapana, satria araka ny fanambin’ny filoha, “olon’ny asa” izy, fa mihazakazaka toy ny fiaran-dalamby haingam-pandeha (TGV), araka ny efa nahafantarana azy hatramin’izay. Voamarina izany amin’ireo asa vitany tao anatin’izay enim-bolana voalohany izay, ary tokony haharaka izay hafainganam-pandehany izay koa ny mpiara-miasa aminy, indrindra ny governemanta mpanatanteraka.Laharaham-pahamehana ho an’ny Malagasy 25 tapitrisa ny fijerena ny andavanandrony. Azo tarafina izany amin’ny fiforonan’ny asa, fototry ny fivelomana, ny vidin-javatra takatry ny maro an’isa, ny fandriampahalemana. Zava-dehibe koa ny fitoniana politika hahazoan’ny mpandraharaha eto an-toerana sy ny vahiny, vao hosarihina, antoka ahafahan’izy ireo mampiasa vola maharitra, ka ho azo tsapain-tanana ny fampandrosoana.Maro ny governemanta nitsangana hatramin’izay, miaraka amin’ny fanamby tsara lahatra, toy ny hoe “governemantan’ny asa”, “governemanta hiady”, …. , saingy “ny voa no hitsarana ny hazo”, hoy ny voalazan’ny Soratra Masina.Njaka Andriantefiarinesy  L’article Governemanta haingam-pandeha ? a été récupéré chez Newsmada.

Nanehoan’ny Maorisianina ny fahaizany ny fanokafana

Nangotraka ary niavaka ny fampisehoana isan-karazany nandravahana ny lanonam-panokafana, taorian’ny fanambarana tamin’ny fomba ofisialy, amin’ny fisokafan’ny andiany faha-10 ny lalaon’ny Nosy, nataon’ny filoham-pirenena maorisiana, i Barleen Vyapoory. Natomboka tamin’ny fitondran’ireo firenena ny jiro sy ny fampitàna izany ary ny fanentanana maro isan-karazany. Nirefodrefotra ny afomanga taorian’izay, izay naharitra minitra vitsivitsy. « Hampitombo ny firahalahiana eo amin’ny Nosy rehetra manerana ny ranomasimbe Indiana, izao lalaon’ny Nosy tanterahina eto Maorisy izao”, io no hafatra matanjaka avy amin’ny kaomisiona mpikarakara ity andiany faha-10 ity, nandritra ny lanonam-panokafana, omaly. Tsy nanadino ny nisaotra sy naneho fankasitrahana ireo delegasiona rehetra tonga hifaninana, izy ireo ary nirary soa hahavitan’ny lalao hatramin’ny farany, amin’ny antsakany sy andavany.Mivonona ny handray ny JIOI 2023 i Madagasikara Hatolotra sy velabelarina anio, eto Maorisy, ny vinan’ireo firenena maniry ny handray ny andiany faha-11 amin’ny lalaon’ny Nosy, tanterahina ny taona 2023. Anisan’ny hanolotra izany eo anatrehan’ny CIJ ( Comité International des Jeux) i Madagasikara. Efa nanambara moa ny filohan’ny CIJ, nandritra ny fitsidihana ny firenena malagasy, roa herinandro lasa izay fa tsy manana fahasarotana i Madagasikara amin’ny fandraisana ny JIOI 2023, saingy mila fanatsarana kely ny « site » tsirairay handraisana ireo lalao rehetra. Nangonin’i Miarintsoa.Raz (Iraka manokana aty Maurice) L’article Nanehoan’ny Maorisianina ny fahaizany ny fanokafana a été récupéré chez Newsmada.

ONG Bel’Avenir: niverina nisokatra ny foibe ho an’ny vehivavy

Noho ny fanampian’ny Fundación Barceló, niverina nisokatra indray ny foibe mpandray sy mpikarakara ny vehivavy (Caif) an’ny fikambanana Bel’Avenir, any Toliara, nanomboka tamin’iny volana jona iny. Miisa 42 ny renim-pianakaviana efa nisoratra anarana ka hiatrika fiofanana araka asa, mandritra ny 12 volana.Tanjon’ny foibe ny hanohana ny vehivavy amin’ny fiainany andavanandro sy hanome azy ny fahalalana ahafahany mivelatra sy mampivelatra ny asa fidiram-bolany. Kendrena manokana amin’izany ireo renim-pianakaviana sahirana ara-pivelomana, indrindra ireo ao amin’ny fokontany Ankalika.Anisan’ny fototra amin’ny fampandrosoana ara-toekaren’ny isan-tokantrano ny fanomezana sehatra mahaleotena ny vehivavy eo amin’ny lafiny fihariana. Resy lahatra amin’izany ny fikambanana Bel’Avenir ka namolavola fandaharanasa, izay mifantoka bebe kokoa amin’ny fanatsarana ny fahalalana sy ny fahaizan’ny vehivavy. Izay ny antom-pisian’ny Caif, niorina tamin’ny taona 2017.Ny 25 jona teo, noho ny fanamarihana ny fetim-pirenena, nitsidika ity foibe ho an’ny vehivavy ity ny filohan’ny fikambanana, Volanjary Hélène, ary nizara fitafiana sy harendrina ho an’ireo ankizy. Nahazo ny anjarany ihany koa ireo tera-bao.Landy R.L’article ONG Bel’Avenir: niverina nisokatra ny foibe ho an’ny vehivavy a été récupéré chez Newsmada.

Fitakin’ny MCFIE: « Havaozy ny  lisi-pifidianana… »

Namoaka  fehin-kevitra ireo eo anivon’ny Fikambanan’ny olom-pirenena tsy mankasitraka ny hosoka sy ny halabato ary koa ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fifidianana (MCFIE). “Havaozina  tanteraka aloha  ny lisi-pifidianana. Takinay  ny tsy fiandaniana  sy ny fahaleovantenan’ny  Ceni. Havaozina ny mpikambana  eo  anivon’ny  HCC”, hoy  ny fanambaran’izy ireo,  navoaka, omaly. Tsy vitan’izany fa takin’izy ireo hotanterahina ireo vao azo  irosoana sy  hatao ny  fifidianana ben’ny Tanàna. “Tsy tokony  hatao aloha izany raha  tsy  tanteraka  avokoa ireo  fitakiana sy fepetra ireo”, hoy ihany  izy ireo. Ankoatra izany, anisan’ny takin’izy  ireo  ny hitondran’ny  HCC fanazavana amin’ny  antsipiriany ny momba  ireo fitoriana  sy fitarainana  maherin’ny 700  tamin’ny fifidianana  solombavambahoaka  farany teo  iny. Anisan’ny mpikambana mandrafitra ity MCFIE ity  ireo olom-pirenena tsotra.  Fa eo koa  ny pasitera Tsarahame Edouard,  Riribe, ny Dr Razafindrakoto Harison…Synèse R.  L’article Fitakin’ny MCFIE: « Havaozy ny  lisi-pifidianana… » a été récupéré chez Newsmada.

Ralambomahay Toavina: “Mahaleo tena ny mpanohitra”

Hatramin’izao, tsy mazava be ihany ny amin’ny fanendrena izay ho lehiben’ny mpanohitra. “Tsy miankina amin’ny minisitera fa mahaleo tena ny mpanohitra”, hoy ny mpandinika ara-politika, Ralambomahay Toavina.“Momba ny fanendrena ny lehiben’ny mpanohitra misy milaza hoe mila ny minisitera na ny andrimpanjakana. Andrimpanjakana ny mpanohitra. Ao anatin’ny lalàmpanorenana izay ary anatin’ny lalàna ihany koa.”Io ny fanehoan-kevitry ny mpandinika ara-politika, Ralambomahay Toavina, momba ny fanendrena izay ho lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimierampirenena, izay mbola mahabe resaka sy adihevitra politika amin’izao.Rehefa mifidy ny filohany, ohatra, ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), tsy mila minisitera na andrimpanjakana. Izy ihany dia efa mahaleo tena amin’izay fifidianana ny filohany izay. Tahaka izany koa ny Antenimierampirenena, tsy misy minisitera na governemanta rehefa mifidy ny filoha. Izy ihany no mahaleo tena mifidy izay filohany izay.“Toy izay ihany koa ny mpanohitra rehefa hifidy ny lehibeny: tsy mila minisitera, tsy mila governemanta, tsy mila HCC”, hoy ity mpandinika politika ity. Mahavita tena ny mpanohitra satria fantatra ny antoko mpanohitra misoratra anarana eny anivon’ny minisiteran’ny Atitany. Mahaza ka tena izy raha ny marina.Ny olana: betsaka ny mandroritra ny lalàna fa samy manana ny fomba famakiany azy. Ny vokany, tsy nisy ny lehiben’ny mpanohitra hatramin’ny fitondrana Rajaonarimampianina hatramin’izao…Hahay hifanaraka àry ve ny samy mpanohitra amin’izao? Na mbola hifanohitra an-toerana ihany ny samy mpanohitra…R.Nd.L’article Ralambomahay Toavina: “Mahaleo tena ny mpanohitra” a été récupéré chez Newsmada.

Betroka : Dahalo dimy azo sambo-belona niaraka tamin’ny omby 4

Noho ny fanomezam-baovao marim-pototra avy tamin’ny olona tsara sitrapo ny mpitandro filaminana, ka tao anatin’ny fanarahan-dia niarahan’ny Fokonolona sy ny Zandary, dia voasambotra tao Ilakaka ny dahalo dimy sy omby  efatra tamin’ireo very tany amin’ny Kaominina Andriadapy, Distrikan’i Betroka, ny 20 Jona lasa teo. Raha ny vaovao voaray, efa niaraka tamin’ny kavina vaovao sy taratasy famotsiana  omby halatra ny telo tamin’ireo omby. Nisy avy hatrany moa ny fanadihadiana lalina nataon’ny Zandary amin’ny ady atao amin’ny famotsiana omby izao, ka misy patiraon’omby sy mpanao ny taratasin’omby (dahalo ambony latabatra) no voasaringotra ao anatin’ity raharaha famotsian’omby ity. Eric ManitrisaL’article Betroka : Dahalo dimy azo sambo-belona niaraka tamin’ny omby 4 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fifidianana birao maharitra

Araka ny fanazavan’ny depiote Marie Thérèse Volahaingo, nitondra tenin’ny vondrona IRD, omaly, tetsy Ambohidahy, dia efa mivonona ny hanolotra an’ireo kandidà ho mpikambana ao anatin’ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena izy ireo. Nambarany fa olona mahavita azy no hapetrak’izy ireo ho eo amin’ny toeran’ny filohan’ny Antenimierampirenena eny Tsimbazaza. Afaka herinandro eo ho eo no hiroso amin’ny fifidianana ireo mpikambana ao anatin’ity birao ity ireo depiote vao lany taorian’ny voka-pifidianana ofisialy nivoaka, omaly. L’article Fifidianana birao maharitra est apparu en premier sur AoRaha.

Tale jeneralin’ny Bianco

Amin’ity herinandro ity no hiandrasana ny fanendren’ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry ny anaran’ny Tale jeneraly vaovaon’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco). Araka ny fanazavana azo avy any amin’ny Komity misahana ny fahitsiana (Csi) dia mbola maramparana ny firesahany mivantana amin’ireo olona telo natolotry ny Csi ny Filoham-pirenena, ka izany no nahatara ny fanendrena. Hatreto dia mbola misahana ireo raharaha akaiky ny tale jeneralin’ny Bianco teo aloha. L’article Tale jeneralin’ny Bianco est apparu en premier sur AoRaha.

Ady amin’ny kolikoly :: Hogiazana ireo harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna

Tsy hisy hatakandro fa hihatra avy hatrany ny didy hitsi­volana ahafahana manageja sy mitaky ireo vola na fananana azo tamin’ny tsy ara-dalàna, izay lany tamin’ny filan-kevitry ny minisitra, natao tamin’ny 28 jona lasa teo. Nanatrika io fivoriana io ireo tompon’andraikitra avy any amin’ireo sampana miady amin’ny kolikoly ahitana ny Kaomity misahana ny fahitsiana (Csi), Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco), ny Fitsarana manokana momba ny kolikoly (Pac), ary ny Sampan-draharaha Malagasy Iadiana amin’ny Famotsiam-bola (Samifin). Nanazava izy ireo fa “zava-dehibe ny fisintomana ireo harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna satria raha toa ka mbola afaka misitraka ireo harena maloto ny mpanao kolikoly nogadraina dia tsy misy dikany ny asa natao. Hogiazana vonjimaika ireo fananana mandra-pahatongan’ny porofo manamarina ny nahazoana azy avy any amin’ny tompony. Raha toa ka tsy tonga ao anatin’ny fotoana voafetra izany fanamarinana izany, dia hotazomina tanteraka ireo harena ary ny fanja­kana no hitantana azy”. Mbola hisy fametrahana rafi-panjakana manokana hitantana ireo harena voatana tanteraka na orinasa tsy manana taratasy mazava, ka hampiasana ihany izy ireny mba ho tombontsoan’ireo olona miasa aminy saingy ny fanjakana no ho lasa tompony. Manentana ny olon-drehetra, araka izany, ireo sampana miady amin’ny kolikoly mba hanamarina ny taratasim-pananany. Nicoh RICHMAN L’article Ady amin’ny kolikoly :: Hogiazana ireo harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna est apparu en premier sur AoRaha.

Depiote Edizard: « Tokony hojerena ny olan’ny rano »

Tsy ankiandriandry fa nitondra ny hetahetany sy ny olana avy hatrany. “Misedra olana eo amin’ny rano fisotro izahay. Efa an-taony maro izany ny niainan’ny mponina.  Tsy eto an-tampon-tanàna ihany fa iharan’izany avokoa ny kaominina rehetra manerana ny distrika”, hoy ny depiote voafidy tao Vohemar, i Edizard, omaly teny amin’ny lapan’i Tsimbazaza.  Nanteriny anefa fa manana riandrano azo trandrahina ho amin’izany ny any an-toerana. Olana anefa ny fotodrafitrasa hitarihana izany. Manoloana ireo, velon’ahiahy ny mponina any amin’ity distrika ity. “Atahorana ny valanaretina, toy ny takilidrano. Manao antso avo amin’ny fanjakana, indrindra fa ny minisitera, izahay hijery vahaolana momba izany”, hoy  ihany izy. Na misy paompy aza ny kaominina sasany, olana koa anefa ny tsy fahampian’izany. Mampiasa vovon-drano sy renirano ny ankamaroan’ny mponina.Synèse  R.   L’article Depiote Edizard: « Tokony hojerena ny olan’ny rano » a été récupéré chez Newsmada.