Premier league – Voka-dalao 9 Decembre 2018 – West Ham v. Crystal Palace

Nivoaka tamin'ny : 10/12/2018
Crystal Palace  -  Premier League  -  West Ham

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

Foot - News - Sport - News Mada

Barea hatramin’ny farany!

Henjana ao anatin’ny henjana ! Io ny azo ilazana ny Barea taorian’ny fandresena miezinezina azony, omaly, tao anatin’ny lalao ampahavalon-dalana, nifandonana tamin’ny ekipan’ny Repoblika Demokratikan’i Kongo. Misandratra avo ny voninahi-pirenena malagasy, nisongadina tao anatin’ireo firenena noheverina ho voadingana eo amin’ny sehatry ny baolina kitra afrikanina i Madagasikara. Faly ny vahoaka malagasy! Nidera eram-po eran-tsaina ireto maherifon’ny Malagasy ireto i Madagasikara iray manontolo, niaiky izao tontolo izao. Ny Barea hatramin’ny farany, tsy maintsy mandresy! Io ny ambentin-teny re teny am-bavan’ny rehetra, mandra-maraina ary hitohy hatramin’ny farany, hanosika ny Barea ho amin’ny ambony hatrany. Alefa Barea! Alefa hatramin’ny farany, manohana ary miara-mirona ny Malagasy 20 tapitrisa, ao an-damosina tsy hiala hatramin’ny farany.Fitaintainana no niainana,  saingy fandresena ny setrin’izany rehetra izany! Hatramin’ny sengondra farany, tsy nisy niala fa nankahery, nitabataba, nivavaka ny rehetra. Nandresy ny Barea, hiakatra ho an’ny amin’ny ampahefa-dalana, tranga tsy nampoizin’ireo firenena mpifanandrina, saingy efa voasoratra ho an’ny Malagasy. Tantara iray tsy ho voafafa mandrakizay eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena malagasy sy ho an’i Madagasikara iray manontolo izao fandresena miezinezina izao, izay irariana hitohy hatramin’ny farany! Ny Barea hatramin’ny farany!Samy naneho ny hafaliany ny rehetra, hafaliana tsy omby tratra, hafaliana nivadika ho fihavanana sy firaisankina, faly ny Malagasy! Raha izao herim-pontsika izao, ho lasa lavitra ny Barea an’i Madagasikara, nitondra anjara biriky lehibe ho fanomezana hery ireto mpilalaontsika ireto ny fiombonam-pon’ny Malagasy toy izao, hampitombo ny herijika, vao mainka hampisandratra amin’ny faratampony ny voninahi-pirenena, hiroso hatrany ny Barea, tsy miverin-dalana intsony. Lalana efa natomboka, tsy maintsy vitaina hatramin’ny farany. Hatramin’ny farany, mandresy ny ekipam-pirenena malagasy, ny Barea, Alefa Barea, Alefa hatramin’ny farany! Ao an-damosina hatrany ny Malagasy tsivakivolo! Mi.RazL’article Barea hatramin’ny farany! a été récupéré chez Newsmada.

Basket - Sport

NBA- Voka-dalao 19 Nov 2018- Millwaukee Bucks vs Denver Nuggets

Bucks / 104 Tirs Rebonds Joueurs Min Tirs 3pts LF Off Def Tot Pd Fte Int Bp Ct Pts Eval G. Antetokounmpo 39 13/25 0/6 3/6 3 9 12 6 3 2 4 0 29 30 K. Middleton 37 4/15 1/8 4/4 1 5 6 5 2 2 0 0 13 15 B. Lopez 33 3/10 2/7 0/0 1 9 10 0 3 0 1 3 8 13 E. Bledsoe 35 8/10 3/4 4/9 2 3 5 5 1 3 4 0 23 25 M. Brogdon 31 5/11 1/2 2/3 1 7 8 3 0 0 3 0 13 14 E. Ilyasova 19 3/6 2/2 0/0 2 2 4 0 3 0 1 0 8 8 T. Maker 4 0/0 0/0 0/0 0 0 0 0 0 0 0 0 0 0 P. Connaughton 18 2/3 1/2 0/0 1 2 3 2 1 0 0 0 5 9 S. Brown 6 1/4 0/2 0/0 1 0 1 0 2 0 0 0 2 0 T. Snell 18 1/4 1/3 0/0 1 1 2 0 1 0 1 0 3 1 Total 40/88 11/36 13/22 13 38 51 21 16 7 14 3 104 Nuggets / 98 Tirs Rebonds Joueurs Min Tirs 3pts LF Off Def Tot Pd Fte Int Bp Ct Pts Eval P. Millsap 29 3/9 0/4 2/2 2 7 9 2 3 1 1 1 8 14 J. Hernangomez 29 2/10 1/5 1/1 3 4 7 0 5 1 1 0 6 5 N. Jokic 33 8/18 3/8 1/1 3 2 5 5 1 1 3 0 20 18 J. Murray 36 7/14 2/5 1/2 2 6 8 9 3 0 5 1 17 22 G. Harris 35 6/16 2/6 0/0 0 0 0 6 3 1 2 0 14 9 T. Lyles 16 3/8 0/4 0/1 0 2 2 1 1 0 1 0 6 2 M. Plumlee 15 2/3 0/0 1/2 3 2 5 1 2 0 2 2 5 9 M. Morris 25 5/9 0/2 0/0 0 3 3 4 2 0 1 0 10 12 M. Beasley 22 4/7 4/7 0/0 0 4 4 2 0 1 0 0 12 16 Total 40/94 12/41 6/9 13 30 43 30 20 5 16 4 98

Basket - Sport

Mitady ekipa vaovao ho an’i Carmelo Anthony ireo manodidina azy

Na dia nandà ny tsaho mikasika ny hialan’i Carmelo Anthony ao amin’y Rockets aza i Daryl Morey, dia efa mazava izao fa tsy ahita azy hiara hilalao amin’i James Harden sy i Chris Paul intsony isika. Tsy nety ilay fiarahana, ary i ESPN dia nilaza fa ireo olona manodidina azy dia nandany fotoana mihitsy tamin’ny alatsinainy ny hamantatra ny heritreritr’ireo ekipa hafa momba an’i Carmelo. Ny tanjona dia ny ahita ekipa hafa ho azy alohan’ny tena ialany ao amin’ny Rockets, ankehitriny izy dia tsy milalao intsony noho ny « aretina » raha ny filazan’ireo mpitantana. Ny olana dia efa ambany dia ambany ny fahatokisan’ny olona an’i Carmelo, indrindra tao aorian’ny nandalovany tao amin’ny Thunders ary ity tsy fahombiazana tato amin’ny Rockets ity. Mbola manohy manohana azy anefa ireo namany Dwyane Wade sy LeBron James. Andeha hanamporofo ve i Melo fa tsy mbola very ny fahaizany raha miaraka amin’ny ekipa mahatoky azy izy ? ireo ekipa mety ho liana anefa dia mety tena ho vitsy dia vitsy tokoa, ary ny ankamaroan’izy ireo dia mety ho voatery handroaka mpilalao hafa vao afaka maka an’i Anthony. Azo heritreretina koa fa te hiaraka amin’ny ekipa efa sangany i melo kanefa izany dia vao maika ahavitsy ireo « options » ananany.

News - Rugby - Sport - News Mada

Fampiharana ny miralenta: tetikasa mitentina 400 000 euros ho an’ny rugby

Nampahafantarina, omaly tetsy amin’ny IFM Analakely, ny fanombohan’ilay tetikasa fampihenana ny tsy fitoviana eo amin’ny lahy sy vavy, amin’ny alalan’ny rugby, mitarika amin’ny fampisondrotana sy fampivoarana, eto Madagasikara”. Tetikasa mitentina 400.000 euros ka ny 330 000 euros, avy amin’ny masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara, angady nananana sy vy nahitana izany. Marihina fa hiarahany miasa, amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny Malagasy rugby ary ny Akademiam-pirenen’ny fanatanjahantena (ANS), sy ny fikambanana Terres en Mêlées izy ity. Samy nanoritsoritra ny maha zava-dehibe ny tetikasa ireo nandaha-teny: ny masoivoho frantsay eto Madagasikara, Rtoa Véronique Voulan sy ny filohan’ny Malagasy Rugby, Rakotomalala Marcel. Ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fanatanjahantena malagasy, Ralaivao Lovatiako, nisolo tena ny minisitra Tinoka Roberto.Singa fototra telo Hahatrarana ny tanjona, noraisina ho fitaovam-panabeazana ny fanatanjahantena, indrindra fa ny rugby. Hiorina amin’ny singa fototra telo izy ity: ny fanofanana ka hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fanomezam-pahalalana ireo mpampiofana. Eo koa ny fiofanana voalohany, mandritra ny roa taona, ho an’ny mpampianatra fanatanjahantena, izay 60 % ny vehivavy sy ny an’ireo mpanazatra, miaraka amin’ny fanampian’ireo mpampiofana sy manampahaizana frantsay, eo am-panombohana.Eo koa ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy fampirisihana ny lehilahy sy ny vehivavy, miankina amin’ireo ivontoeram-piofanana dimy an’ny fikambanana Terre en mêlées. Eo koa ny fanatanjahantena sy ireo mpiara-miombon’antoka, amin’ny alalan’ny fanatontosana semineram-paritra, miaraka amin’ireo kapitenin’ny ekipa isan-tokony, izay vehivavy ny ankamaroany avy amin’ireo taranja samy hafa hahalan’izy ireo ny karazam-panatanjahantena.Nanatrika ity lanonana ity sy nanome ny heviny mikasika ny tetikasa ny talen’ny fanatanjahantena sy ny tale jeneralin’ny ANS. TompondakaL’article Fampiharana ny miralenta: tetikasa mitentina 400 000 euros ho an’ny rugby a été récupéré chez Newsmada.

News - Sport - Delire Madagascar

ASIEF: Nitombo ny taranja hifaninanana amin’ity taom-pilalaovana 2019 ity

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 6 aprily 2019 teny amin’ny kianja mitafo Mahamasina ny taom-pilalaovana 2019 ny ASIEF (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires). Natambatra tamin’io fotoana io ihany koa ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena miasa ho an’ny fandriam-pahalemana. Isan-taona dia misy ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana eny anivon’ny minisitera, ny andrim-panjakana isan-tsokajiny izay mivondrona ao amin’ny fikambanana ASIEF. Nitombo enina ny taranja hifaninanana amin’ity taom-pilalaovana ity. 19 ny fitambaran’ny ireo taranja ho an’ny olo-tokana sy iraisana raha ny tarehimarika voaray.  “Hisy taranja vaovao hosokafana manomboka amin’ity taona ity dia ny mouvement gymnique d’entretien, fitaizam-batana ho an’ny mpiasam-panjakana efa tsy nanao fanatanjahantena intsony”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisitera ny tanora sy ny fanatanjahantena. Noho ny fiaraha-miasa tamin’ny akademiam-pirenena ny fanatanjahantena sy ny ASIEF dia nivoaka ny andiany voalohany  amin’ireo“animateur santé sport” hampiofana io taranja io. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny ministera fa taranja tsy maintsy atao isaky ny ministera izy ity ho fitaizam-batana ho an’ny mpiasam-panjakana sy hisorohana ireo aretina maro mahatonga fahafatesana aloha loatra. Ao anatin’ny tanjony ny ASIEF rahateo izany. Noho izany, anisany taranja ho hita mandritra ny fifaninanana nasionaly ny ASIEF atao any Diego amin’ny volana oktobra ity taranja vaovao ity. Ankoatra izany dia taranja vaovao ihany koa ny belote, jeu d’echec, fanorona, ny hazakazaka amin’ny bisikileta, araka ny fanazavan’ny filohan’ny ASIEF, Andrianarison Jean Aimé na John Love. Raha ny fantatra dia ny 13 aprily 2019 ho avy izao ny fifanintsanana amin’ny taranja tsipy kanetibe. Manao antso  fitondram-panjakana ny filohan’ny ASIEF mba hampitombo ny tetibola natokana ho fikambanana. “Raha ny fantatro dia 60 tapitrisa  Ariary ny fanampiana ara-bola omen’ny fanjakana. Nihena izany tamin’ny taona lasa. Mangataka mba ho ampiana izany satria mitombo ny mpiasam-panjakana mandray anjara”. Marihina fa 12.000 mpiasam-panjakana nandray anjara tamin’ny fifanintsanana nasionaly natao tany Toamasina tamin’ny taona lasa. Lynda A. Cet article ASIEF: Nitombo ny taranja hifaninanana amin’ity taom-pilalaovana 2019 ity est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - Sport - Téchnologie - News Mada

« Orange Esport Experience »: tompondakan’i Afrika Rakotoarison Mamitiana  

  Tsara ny vokatra ho an’i Madagasikara. Tompondaka Rakotoarison Mamitiana ary tompondaka lefitra kosa Ralainaivo Mamitiana Herilanto, tamin’ny sokajin-dalao nisy azy avy. Niakatra ny haavo teknikan’ny mpilalao “jeu vidéo” malagasy, raha ireo vokatra ireo no jerena. Nahita fahombiazana ny solontena malagasy niatrika ny lalao famaranana tamin’ny fifaninanana “Esport Orange Experience”, notontosaina tao amin’ny lapan’ny Kongresy “King Fahd” tao Dakar. Lalao “jeu vidéo” izay natao omaly alakamisy hariva. Nandrombaka ny amboara tamin’ny sokajy “Asphalt 9” , Rakotoarison Mamitiana. Tsiahivina fa “jeu vidéo” miisa 4, dia ny “Pro Evolution Soccer 2019”, “Asphalt 9”, “Street Fighter V” ary ny “Arena of Valor” no hifaninanan’ireo mpifaninanana miisa 50 ary ny 3 amin’ireo no nananan’ny Malagasy solontena. Nandravarava ary nanamarika isa ambony i Mamitiana nanoloana ny mpifanandrina taminy, Emmanuel Weaver avy any Kameronina. Nisesy ny fandresena nandritra ny dingana telo ho an’ity solontena malagasy ity ary tsara ny vokatra satria vitany tao anatin’ny 12’46’’ ireo dingana telo ireo, raha toa ka 12’54” no nanaovan’ilay Kameroney izany. Vokatr’ity fandresena ity, nahazo vola mitentina 1500 euros Rakotoarison Mamitiana. Tompondaka lefitra “PES 2019” i Rayan Namiratra i Madagasikara tamin’ny fifaninanana ity satria tafakatra tamin’ny dingana famaranana, sokajy “PES 2019” ihany koa Ralainaivo Mamitiana Herilanto, fantatra amin’ny solon’anarana hoe Rayan ary tompondaka lefitra amin’ity sokajy ity. Tsy afa-bela nanoloana azy ilay Ivorianina antsoina hoe Hermann, hatrany am-piandohan’ny fifanandrinanana. Nanjakan’i Rayan tanteraka ny 20 minitra nilalaovana ary izy no nanokatra ny isa. Nanejika azy hatrany i Hermann, saingy tsy nahatohitra firy. Nisaraka tamin’ny isa 3 no ho 2 ny roa tonta teo am-pialana sasatra. Vao maika nihanahazo hery i Rayan nandritra ny ampaham-potoana faharoa ary nanamarika isa iray indray, 5 minitra tsy hifarananan’ny lalao. Isa 4 no ho 3 no nisarahan’izy ireo tamin’ny ora farany. Ratsy kosa ny vokatra ho an’ilay mpilalao malagasy iray, Ratsimiliavahoaka Ranto Manoro, sokajy “Street Fighter V”. Raraka teo amin’ny lalao fifanintsanana ho an’ny 8 voalohany izy ary tsy afaka nanohy intsony ny fifaninanana. Marihina fa hitodi-doha eto an-tanindrazana, anio, asabotsy 8 desambra ireto mpilalao “jeu vidéo” malagasy, 3 mirahalahy, ireto. Mi.Raz L’article « Orange Esport Experience »: tompondakan’i Afrika Rakotoarison Mamitiana   a été récupéré chez Newsmada.

News - Sport - News Mada

Badminton: nanjaka ny Baobad sy ny klioban’Itaosy

Notanterahina, ny asabotsy 8 desambra sy omaly alahady 9 desambra, ny lalao fiadiana ny tompondaka nasionaly, sokajy “seniors”, taranja badminton. Samy niezaka nanome ny tsara ireo mpandray anjara rehetra, saingy tena nanjaka ny klioban’ny Baobad sy ny avy amin’ny lisea Saint Michel Itaosy. Raha atao mantsy ny kajy, medaly volamena miisa telo avy ny azon’ireto klioba roa ireto nandritra ity fifaninanana ity.Tompondakan’i Madagasikara lehilahy, sokajy A, i Haja Marc (Baobad), rehefa avy nandavo an-dRakotoarinaivo Herizo (ABC Antsirabe), tamin’ny seta 2 no ho 0. Ho an’ny sokajy B sy C kosa, tompondaka Randrianantenaina Sitraka (Baobad), 2 no ho 0; sy Ramanjakanoro Mialy (LSM Itaosy), seta 2 no ho 0.Ho an’ny sokajy “vétérans” lehilahy kosa indray, nanamarika isa ambony Rakotomalala Zo nanoloana an-dRakotozafy Mon Claire ka nibata ny fandresena, tamin’ny seta 2 no ho 1.Raha toa ka nanao pao-droa ry zareo avy ao amin’ny Baobad ho an’ny sokajy lehilahy, nanjaka kosa ny klioban’ny Saint Michel Itaosy, nandritra ny lalaon’ny vehivavy. Norombahin-dRazanamaly Ntsoaniaina sy Razafinimanana Miangola, avy amin’ny LSM Itaosy, mantsy ny amboara ho an’ny sokajy A sy C. Ramanandraisoa Sahondra (Baobad) kosa ny nahazo ny fandresena ho an’ny sokajy B, nanoloana an-dRasolomanana Voahangy, mpilalao avy amin’ny Baobad ihany. Amboara sy loka maro ny nozaraina ho an’ireo mpilalao mendrika, natolotry ny federasiona malagasy ny badminton.Nihanitombo ny traikefan’ireo mpilalao tamin’ity lalao fiadiana ny tompondaka nasionaly 2018 ity, raha ny nambaran’ny mpitsara ny lalao sy ny mpikarakara izao fifaninanana izao. Manana hoavy mamiratra ary antenaina ny hivelaran’ny badminton eto Madagasikara, indrindra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Efa manao ezaka rahateo ny federasiona amin’ny fampitomboana ny traikefan’ny mpanazatra sy ny mpilalao amin’ny alalan’ny fanomezana fampiofanana azy ireo. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ho amin’ny taom-pilalaovana 2019 izany, raha ny fanazavana nentin’ny federasiona. Mi.RazL’article Badminton: nanjaka ny Baobad sy ny klioban’Itaosy a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra any Eoropa: sahiran-tsaina ny PSG fa maratra i Mbappé sy i Neymar

Ao anatin’ny fitaintainana fatratra ireo tomponandraikitry ny Paris St Germain, amin’izao fotoana izao. Fantatra mantsy fa maratra ireo mpilalao andrin’ity ekipa parizianina ity dia i Kylian Mbappé sy i Neymar. Samy voadona mantsy izy mirahalahy ireto, nandritra ny filalaovany tany amin’ny ekipam-pireneny avy, ny talata lasa teo. Araka ny fantatra, mety haharitra herinandro ny tsy fahazoan’izy mirahalahy ireo miakatra kianja. Araka izany, mety tsy ho afaka hiatrika ny lalao mandroso hikatrohana amin’ny Liverpool, eo amin’ny andro fahadimy amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «ligue des champions», izy mirahalahy. Fihaonana, hotanterahina ao amn’ny Parc des Princes, ny alarobia 28 novambra, ho avy izao. Raha tsiahivina, niatrika lalao firahalahiana, tamin’ny liona tsy voafolak’i Kameronina, ny talata lasa teo, i Brezila. Vao nanomboka 8 mn monja anefa ny fihaonana dia efa niala ny kianja i Neymar, taorian’ny daka lavitra nataony ka naharovitra ny tongony havanana. Marihina fa nandresy tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 ny Brezilianina, tamin’izany. Mbappé indray voadona teo amin’ny sorony, nandritra ny fihaonan’i Frantsa, tamin’i Orogoay, izay nandresen’ny Frantsay, tamin’ny isa 1 no ho 0 ihany koa. Manana isa 5 ary mitana ny laharana fahatelo, ny PSG ao amin’ny vondrona misy azy, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa.   TompondakaL’article Kitra any Eoropa: sahiran-tsaina ny PSG fa maratra i Mbappé sy i Neymar a été récupéré chez Newsmada.

Basket - News - Sport - Ao Raha

BASKET-BALL CACC 2018 :: Tafita hiatrika ny ampahefa-dalana ny MB2All

Nanoratra tantara ho an’ny basket-ball malagasy ny klioba MB2All vehivavy. Sambany no hisy klioba malagasy hiatrika ny dingan’ny ampahefa-dalana eo amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, ho an’ireo ekipa tompondaka. Fandresena tokana tamin’ ireo lalao efatra nataony, nanoloana ny Lakers avy any Zimbaboe, no nampiakatra ny ekipan’i Ndranto Rakotonanahary, ho eo amin’ io dingana io. Tamin’ny alalan’ny isa 58 noho 48 no nandresen’izy ireo an’ity solontena zimbaboeana ity. Isan’ireo ekipa valo voalohany aty Afrika, amin’ireo folo mifaninana, izany ny ekipan’ny MB2All. Teo amin’ny ampahe­fa-potoana voalohany dia nita­rika ny ekipa zimbaboeana (11 – 13). Nanomboka teo amin’ny ampahefa-potoana faharoa no nanomboka nihiratra ny masoandrom-panantenana ho an’ity solontena tokan’i Madagasikara, any Maputo Mozambika ity. Nitsimbadika ho 26 noho 21 ny isa teo amin’ny fotoam-pialan-tsasatra, raha 39 noho 32 kosa teo amin’ny fiafa­ran’ny ampahefa-potoana fahatelo. Faharesena intelo sy fandresena tokana no azon’ny tompondakan’ny ranomasimbe Indianina tamin’ny lalaom-bondrona. Ny ekipan’i Interclube Desportivo avy any Angola, izay nahavita fandresena efatra tamin’ireo lalao efatra nataony teo amin’ ny vondrona A, no hifanan­drina amin’ny MB2All eo amin’ ny ampahefa-dalana, anio. Sarotsarotra ihany ny lalana ho an’ny solontena malagasy saingy mila miady mafy izy ireo raha te ho eo amin’ny dingan’ny manasa-dalana. L’article BASKET-BALL CACC 2018 :: Tafita hiatrika ny ampahefa-dalana ny MB2All est apparu en premier sur AoRaha.

News - Sport - News Mada

Savate: hanomboka ny zoma izao ny «Mada 2019»

Taorian’ny fifaninanam-paritra ho an’ny ligin’Analamanga, ny 5 hatramin’ny 7 avrily lasa teo, hotanterahina amin’ny zoma 19 avrily hatramin’ny 21 avrily ho avy izao etsy amin’ilay trano fisakafoanana Tournesol Andoharanofotsy, indray, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny taranja haiady Savate Boxe Française. Lalao iraisam-pirenena maro no miandry izay mendrika amin’ity fifaninanam-pirenena ity, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny federasiona, ka ho mafy ny fitsarana sy ny fifantenana ireo mpikatroka mifaninana. Isan’ny ady lehibe miandry ny mpiangaly ity taranja ity, ny fiadiana ny tompondaka manerantany. Izany dia hatao any Hummet Tonizia, ny 12 hatramin’ny 16 jona, ho an’ny sokajy “junior” sy “senior”. Any Budapest Bolgarie kosa no hanaovana ny ady eo amin’ny sokajy “cadets”, ny 20 hatramin’ny 24 jolay ho avy izao, raha ny fanazavana hatrany. Aorian’izay, handray anjara amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ihany koa ny solontenantsika, ny volana septambra izao atsy Maorisy.Raha hiverenana kosa ilay fifaninanam-paritra ho an’Analamanga, ny klioban’ny EBI Itaosy no nandrombaka ny anaram-boninahitra maro tamin’izany izay nahazo medaly volamena miisa 14. Mi.Raz L’article Savate: hanomboka ny zoma izao ny «Mada 2019» a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

A vendre Yamaha twin
11/10/2021

moto : Yamaha twin 850ccContact: 0330805246Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Yamaha twin".

Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
13/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

A vendre Residence Rundong
15/10/2021

La Société Run Dong International Development S.A.R.L est en cours de constructions d’ un grand  projet qui consiste à construire une résidence de haut standing qu’ on a nommé  ‘’ Résidence Run Dong ‘’ située à Tanjombato - Anosimahavelona 500m du pont de Jumbo Smart.Nous allons commercialiser plusieurs appartements différents selon votre choix avec ou sans piscine.T3 1 living +2 chambres = 89m2 – 112m2T4 1 living +3 chambres = 112m2-136 m2-148m2T5 1 living +4 chambres = 148m2T4 et T5 avec piscine privée = 255m2En Duplex = 1ere étage 150m2 et rez de chaussé = 190m2Si nos appartements vous intéressent nous vous incitons déjà à réserver dès maintenant car vous bénéficieriez d’une grande réduction de prix et d’autres avantagesN’hésitez pas à nous contacter si vous avez besoins d’autres renseignements complémentaires034 37 333 33 / 033 05 666 66 / 033 25 999 999Contactrdg69@gmail.comNotre site: www.residencerundong.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Residence Rundong".

Emploi et services Travail stable pour les Malgaches
13/10/2021

KAZAJOBS est une plateforme dédiée aux Malgaches qui veulent travailler depuis la Maison: (Assistants Virtuels) même pour les débutantsVous pouvez gagner des revenus depuis la maison... Un ordi, une connexion internet et le rêve d'une vie meilleure suffisent.Veuillez vous inscrire sur le lien : https://kazajobs.com/referral?&r=701037108 c'est totalement gratuitCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail stable pour les Malgaches".

Emploi et services Cours de Soutien en maths, syst Malagasy, syst Fraincais, et universitaire à domicile et/ou en ligne
13/10/2021

Ayant 11ans d'expérience dans le domaine de l'enseignement (9ans particulier, 6ans programme Français et 4ans Universitaire, 3ans cours en ligne(live video) )et diplômé en Master Mathématiques appliquées. Je vous offre des cours particuliers : - Mathématiques: 6eme- Tle A, C, D, ES, S ( systèmes éducatifs malagasy).- Mathématiques: 6eme- Tle Spé math spé maths, option maths expert ou informatique( systèmes éducatifs Français). - Analyse, algèbres, statistiques et probabilités appliquées, mathématiques appliquées, mathématiques générale, mathématiques financière, base informatique(Universitaire: Économie, gestion, Informatiques, ...). Mon but est de faire progresser l'étudiant sans le surcharger avec des méthodes très efficace. N'hésiter pas à me contacter pour de plus amples informations. À bientôtMr JackisCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Cours de Soutien en maths, syst Malagasy, syst Fraincais, et universitaire à domicile et/ou en ligne".

Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE
13/10/2021

Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSEProfil : -  FEMME de plus de 20 ans -  Expériences dans le domaine de la vente de produits informatiques seraient un atout -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 2 minimum en Informatique -  Parfaite maîtrise du français oral/écrit et des outils informatiques et bureautiques, notamment Word et Excel -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Mission : -  Accueil client au magasin et réception d’appels clients -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Développement des ventes compte tenu des objectifs de ventes du magasinEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste de « STAGIAIRE VENDEUR »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE".

Emploi et services ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
15/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

Emploi et services DÉCLARANT EN DOUANE SENIOR
13/10/2021

Nous recrutons pour un client dans le domaine du transit:  DÉCLARANT EN DOUANE SENIORPoste basé à Antananarivo et Toamasina Missions :- Recueillir les informations nécessaires à l’établissement d’une déclaration en douane- Établir des nomenclatures douanières à utiliser- Réaliser la saisie des éléments d’une déclaration en douane à partir des documents reçus- Enregistrer les déclarations validées par le Responsable Douane- Garantir la transmission au service facturation des copies des DAU enregistrées dans la ligne de crédit de la société- Etablir les DAU draft pour les clients qui en ont besoin Profil:- Bac+3 a en commerce international ou équivalent- Expérience de 02 ans minimum dans le domaine similaire- Bonne connaissance des opérations douanières et des législations douanières- Bonne maîtrise de la langue française- Maîtrise des outils bureautiques- Rigoureux, Integer et dynamique Envoyez-nous votre candidature à talent@human-talent-consulting.com avec comme objet du mail la référence DECLARANTDOUANE-1021Veuillez préciser dans votre candidature la localité du poste qui vous convient. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services DÉCLARANT EN DOUANE SENIOR".

Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE
13/10/2021

Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSEProfil : -  FEMME de plus de 20 ans -  Expériences dans le domaine de la vente de produits informatiques seraient un atout -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 2 minimum en Informatique -  Parfaite maîtrise du français oral/écrit et des outils informatiques et bureautiques, notamment Word et Excel -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Mission : -  Accueil client au magasin et réception d’appels clients -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Développement des ventes compte tenu des objectifs de ventes du magasinEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste de « STAGIAIRE VENDEUR »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE".

Emploi et services COURS PARTICULIER à DOMICILE MATHEMATIQUES programme française et/ou Malagasy et/ou Universitaire
13/10/2021

Ayant 9ans d'expérience dans le domaine de l'enseignement et diplômé en Master Mathématiques. Je vous propose des cours particulier à domicile et ou en ligne - mathématiques (6ème --> Tle A, C, D, spé math ou techno) - mathématiques appliquées, mathématiques financières, statistiques, base informatiques(L1, L2, L3 Universitaires).  N'hésitez pas a me contacter pour plus d'information. Mr Jackis Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services COURS PARTICULIER à DOMICILE MATHEMATIQUES programme française et/ou Malagasy et/ou Universitaire".

Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
13/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

Emploi et services Manao Instrumental
13/10/2021

Manao Instrumental Rap, rnb, zouk, tropical, salegy, reggae, ragga, évangelique, chorale, folk, piano, sy ny manodidina azy rehetra, tononkira, feonkira, video lyrics, mise en youtube, manampy vue am youtube, Afaka manome tononkiraAfaka manao video liricsFacebook.com/instrukreator Prix mora Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Manao Instrumental".

Notsongaina