Kitra Ambatondrazaka: tompondakan’ny D2 Ambakireny-Betsiboka

Foot - News - Sport - Kitra Ambatondrazaka: tompondakan’ny D2 Ambakireny-Betsiboka

Foot - News - Sport - Kitra Ambatondrazaka: tompondakan’ny D2 Ambakireny-Betsiboka

Ny fitiavam-baolina, tsy mahalavi-tany! Tompondaka diviziona faharoan’ny seksion’ny baolina kitran’Ambatondrazaka, faritra Alaotra-Mangoro, tamin’ity taom-pilalaovana 2018 ity, ny ekipan’ny Zook Massik-n’Ambakireny ao amin’ny distrikan’i Tsaratanàna, faritra Betsiboka. Resiny teo amin’ny fandakana ny “tirs au but”, 5 no ho 4, teo amin’ny famaranana, ny ekipan’ny Marianina-Ambatondrazaka II. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny roa tonta tao anatin’ny 90 mn nilalaovana sy taorian’ny fanalavam-potoana 15 mn indroa miditra. Niady ny baolina ary ny Zook Massic no nampiditra ny baolina voalohany, saingy nosahalain’ny tompon-tanana izany avy eo.

Raha tsiahivina, 120 km avy eo Ambatondrazaka ny misy an’Ambakireny, any atsimo-andrefan’Amparafaravola. “Manao latsakemboka izahay “staff”, na mivarotra tee-shirt na mikarakara alim-pandihizana ho fidiram-bolan’ny ekipa”, hoy ny Dr Mamy Harijaona, filohan’ny ekipa. Lavitra ary mihodina be sy ratsy lalana avy eo Ambakireny mankany Tsaratanàna, foiben’ny distrika misy ny Zook Massic ka aleony milalao aty Ambatondrazaka, lalana vita tara.

             .                                                                                                                                                       Rarivo

Article tiré de Newsmada

L’article Kitra Ambatondrazaka: tompondakan’ny D2 Ambakireny-Betsiboka a été récupéré chez Newsmada.

Ambatondrazaka  -  Kitra

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Sport - News Mada

Slalom: tompondaka nasionaly Rakotomiarana Tsiory

Nafana vay ny fifaninanam-pirenena, dingana farany, slalom. Fifaninanana izay natao teny amin’ny TMF Ivato, ny faran’ny herinandro lasa teo. Voatazon’i Tsiory ny lohany ary misalotra ny anaram-boninahitra 2018 izy.Nifarana, tamin’ny dingana faha-7, notontosaina ny asabotsy lasa teo sy omaly alahady, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara 2018, slalom. Tsy nahagaga loatra ny vokatra ho an-dRakotomiarana Tsiory satria nanantombo izy tamin’ny isa ka misalotra ny anarana maha tompondakan’i Madagasikara azy, amin’ity taona 2018 ity. Vitany tao anatin’ny fe-potoana tsara dia ny tsara ny fifanandrinana ary tsy nahita fahasoratana firy loatra miohatra amin’ny mpanamory hafa izy. Maro ihany mantsy ny fiara nivadika sy nisedra olana noho hasarotan’ny lalana. Na izany aza, samy niezaka ny namita hatramin’ny farany avokoa ireo mpandray anjara rehetra.Laharana voalohany, araka izany, i Tsiory amin’ny filaharana ankapobeny ary namiratra tao amin’ny sokajy nisy azy (2RM). Nanitsaka ny fahatongavana farany izy tamin’ny fotoana 2 mn sy 50 s. Laharana faharoa manaraka azy amin’ity sokajy 2RM ity kosa Rasoamaromaka Mika ary Rabekoto Frédéric kosa ny mamarana ny telo voalohany. Tsy tazana Rasoamaromaka Faniry tamin’ity dingana farany ity.Nanao pao-droa Rabekoto Frédéric satria tompondaka ihany koa izy tamin’ny sokajy 4RM. Rabesaotra Mickael ny faharoa ary Rafenoarisoa Steffy ny fahatelo, mpilalao vehivavy anisany sangany amin’ity fifaninanana ity.Nifarana, araka izany, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly 2018 ary Rakotomiarana Tsiory no nibata ny amboara amin’ny filaharana ankapobeny. Mpanamory niady mafy hatrany am-piandohan’ny fifaninanana, dingana voalohany. Mi.Raz Ireo telo voalohany, dingana faha-7, slalom  Cross Car:1-Rabenanahary Rado (Cross Car Wild): 03:032-Rabenanahary Velotiana (Cross Car Wild): 03:143-Razanamparany Jhimmy (Cross Car):03:15 2RM:1-Rakotomiarana Tsiory (Peugeot 106 Motul Service): 02:502-Rasoamaromaka Mika (Citroen C2 TMF): 02:52:023-Rabekoto Frédéric (Peugeot 206): 02:52:82 4RM:1-Rabekoto Frédéric (Subaru N12): 02 :482-Rabesaotra Mickael (Subaru Go Janga) : 02 :543-Rafenoarisoa Steffy (Subaru Go Janga) : 03 :09 L’article Slalom: tompondaka nasionaly Rakotomiarana Tsiory a été récupéré chez Newsmada.

Basket - Sport

Voka-dalao 21 Nov 2018 – Milwaukee Bucks vs Portland Trail Blazers

Bucks / 143 Tirs Rebonds Joueurs Min Tirs 3pts LF Off Def Tot Pd Fte Int Bp Ct Pts Eval G. Antetokounmpo 30 13/20 1/3 6/9 5 11 16 9 1 3 3 0 33 48 K. Middleton 24 7/12 2/5 5/5 0 7 7 4 3 2 1 0 21 28 B. Lopez 20 1/3 1/3 0/0 0 1 1 2 4 0 3 0 3 1 E. Bledsoe 24 7/13 2/6 0/0 0 6 6 5 2 0 0 0 16 21 M. Brogdon 24 7/12 0/2 2/2 2 1 3 2 1 0 1 1 16 16 E. Ilyasova 12 0/5 0/3 0/0 0 4 4 1 5 0 0 0 0 0 C. Wood 11 5/6 1/2 0/0 1 4 5 2 0 0 0 0 11 17 T. Maker 21 4/10 3/7 0/0 2 6 8 0 2 0 2 1 11 12 M. Dellavedova 11 1/4 0/1 0/0 0 0 0 4 0 1 3 0 2 1 P. Connaughton 19 2/4 1/2 0/0 1 2 3 2 1 1 0 1 5 10 S. Brown 19 4/8 1/4 0/0 2 3 5 2 2 0 1 0 9 11 J. Morris 10 3/3 1/1 0/0 0 1 1 1 1 1 0 0 7 10 T. Snell 15 3/8 2/6 1/1 0 0 0 0 1 0 0 0 9 4 Total 57/108 15/45 14/17 13 46 59 34 23 8 14 3 143 Trail Blazers / 100 Tirs Rebonds Joueurs Min Tirs 3pts LF Off Def Tot Pd Fte Int Bp Ct Pts Eval A. Aminu 26 1/13 0/9 2/2 1 8 9 0 3 1 1 1 4 2 J. Layman 9 1/3 0/2 0/0 0 0 0 0 1 0 1 0 2 -1 J. Nurkic 22 6/8 0/1 4/5 4 2 6 0 2 0 3 1 16 17 D. Lillard 31 5/12 1/6 11/13 0 4 4 5 2 0 4 2 22 20 C. McCollum 33 7/14 2/4 6/6 0 0 0 1 4 2 2 0 22 16 M. Leonard 16 2/4 2/3 0/0 0 4 4 0 0 1 1 0 6 8 C. Swanigan 11 1/5 0/1 0/0 1 3 4 0 0 1 1 0 2 2 Z. Collins 18 3/4 2/2 0/0 2 2 4 0 2 1 0 1 8 13 M. Harkless 13 1/5 0/4 0/0 1 2 3 0 4 2 0 1 2 4 W. Baldwin IV 12 2/7 1/1 0/0 0 1 1 3 0 0 1 0 5 3 E. Turner 22 2/6 0/2 0/0 0 2 2 3 1 0 0 0 4 5 A. Simons 12 1/4 0/1 0/2 0 0 0 0 0 0 2 0 2 -5 N. Stauskas 16 2/8 1/6 0/0 0 2 2 1 1 0 1 0 5 1 Total 34/93 9/42 23/28 9 30 39 13 20 8 17 6 100

News - Sport - News Mada

Kick boxing – «Mada 2018»: vonona Analamanga

Efa ao anatin’ny fanomanana farany hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja kick-boxing, sokajy “senior”, ny atleta avy amin’ny ligin’Analamanga. Raha tsiahivina, hotanterahina etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ity fifaninanam-pirenena ity, ny 14 ka hatramin’ny 16 desambra ho avy izao. Nambaran-dRatolojanahary Jean Aimé, tale teknika rezionaly (DTR), fa efa telo na efatra herinandro teo izao ny mpikatroka Analamanga 25 mianadahy no efa niaraka nanoman-tena.Vonona amin’ny vatana sy ny saina izy ireo handrombaka medaly volamena araka izay ho tratra. Tsiahivina fa miisa 11 ireo ligim-paritra handray anjara amin’izany: Analamanga, i Boeny, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Ihorombe, i Matsiatra Ambony, i Melaky, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, i Vatovavy Fitovinany, i Vakinankaratra. Ankoatra ny K1 sy “low kick”, hiady izay ho tompondakany koa ny “pancrace” amin’io fotoana io. Nisaotra ny federasiona Rakotomino Harifetra, filohan’ny ligin’Analamanga, ny amin’ny nanomezana azy ireo fitokisana hampiantrano ity fifaninanam-pirenena ity.Ankoatra izay, nambaran’i Anigael Gastros, tale teknika nasionaly, fa maro ireo fifaninanana iraisam-pirenena miandry an’i Madagasikara, ho an’ny taona 2019. Anisan’izany ny  » Irish Open International », hatao any Dublin, Irland, ny 1 – 3 marsa sy ny « Best fighter », hotanterahina any Rimini, Italia, ny 14 – 16 jona, ary ny « World Championships », any Bosnie Herzegovine, ny 19 – 27 oktobra 2019. TorcelinL’article Kick boxing – «Mada 2018»: vonona Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

News - Sport - News Mada

63 taon’ny CBT: mitohy hatrany ny fankalazana

Miditra amin’ny andro faharoa amin’ny fifaninanana “Doublette equilibrée” ny eo anivon’ny klioba CBT (Club des boulistes de Tananarive), ny asabotsy sy alahady ho avy izao etsy amin’ny toeram-pilalaovana Mahamasina. Natao izao fifaninanana izao hanamarihana ny faha-63 taon’ny CBT ary hampivondronana ihany koa ireo mpilalao tsipy kanetibe, na lahy, na vavy. “Tanjona ny hampiroboroboana ny taranja tsipy kanetibe, eo anivon’ny klioba CBT. Anton’izao lalao izao indrindra izany. Efa vina napetraka nandritra izay 63 taona izay izany”, hoy ny fanazavana nentin-dRaheriniaina Yves, filohan’ny CBT. “Ary ao anatin’izany fifaninanana izany, ezahina hatrany ny haha matihanina, na ny eo amin’ny fitsipika izany, na eo amin’ny fahaizan’ny mpilalao tsirairay”, raha ny fanazavana hatrany. Raha tsahivina, nisongadina ny ekipan’i Tsialonina sy i Solofo, nandritra ny fifaninanana ny andro voalohany notanterahina ny asabotsy sy alahady lasa teo. Nanao pao-droa ireto farany ary tena nampiseho ny fahaizany tokoa. Lavony tamin’ny isa 13 no ho 7 i Miandritiana sy i Stephano, ary isa 13 no ho 8 kosa ny nandavoan-dry Tsialonina sy i Solofo ny tarik’i Tendry sy i Naivo.   Mi.RazL’article 63 taon’ny CBT: mitohy hatrany ny fankalazana a été récupéré chez Newsmada.

Basket - Sport

NBA – Voka-dalao 5 Decembre 2018 – Minnesota Timberwolves vs Charlotte Hornets

Timberwolves / 121 Tirs Rebonds Joueurs Min Tirs 3pts LF Off Def Tot Pd Fte Int Bp Ct Pts Eval T. Gibson 25 4/5 2/3 1/2 1 9 10 1 1 0 0 1 11 21 R. Covington 33 6/9 1/3 4/4 0 6 6 1 4 2 2 1 17 22 A. Wiggins 34 11/19 3/5 1/3 1 5 6 5 1 0 4 1 26 24 K. Towns 36 13/20 4/5 5/7 4 8 12 3 4 2 2 6 35 47 J. Teague 34 1/6 0/1 1/1 0 2 2 18 2 1 3 2 3 18 D. Saric 21 3/8 2/3 0/0 2 5 7 1 1 0 0 0 8 11 A. Tolliver 2 0/0 0/0 0/0 0 1 1 0 0 0 0 0 0 1 J. Nunnally 2 0/1 0/0 0/0 0 0 0 1 0 0 0 0 0 0 G. Dieng 12 2/4 0/1 1/1 1 4 5 0 1 0 2 0 5 6 T. Jones 14 0/2 0/1 0/0 0 0 0 1 1 1 1 0 0 -1 D. Rose 26 8/15 0/2 0/2 1 0 1 3 0 0 1 0 16 10 J. Okogie 2 0/0 0/0 0/0 0 0 0 0 0 0 0 0 0 0 Total 48/89 12/24 13/20 10 40 50 34 15 6 15 11 121 Hornets / 104 Tirs Rebonds Joueurs Min Tirs 3pts LF Off Def Tot Pd Fte Int Bp Ct Pts Eval M. Kidd-Gilchrist 23 4/10 1/2 0/0 5 0 5 0 1 1 2 0 9 7 N. Batum 37 7/17 3/6 1/1 2 5 7 8 1 1 0 0 18 24 C. Zeller 33 4/8 1/3 0/0 3 3 6 3 4 2 1 0 9 15 K. Walker 30 6/16 1/5 2/3 0 2 2 5 2 1 1 0 15 11 J. Lamb 30 6/18 2/5 4/5 2 9 11 2 2 1 0 0 18 19 F. Kaminsky 22 4/7 2/4 0/0 0 1 1 2 4 0 1 0 10 9 M. Bridges 21 4/9 2/5 0/0 0 2 2 1 1 0 1 0 10 7 B. Biyombo 4 0/0 0/0 1/2 0 1 1 0 0 0 1 0 1 0 W. Hernangomez 2 2/2 0/0 0/0 1 1 2 0 0 0 0 0 4 6 T. Parker 15 0/4 0/0 0/0 0 2 2 5 0 0 1 0 0 2 D. Graham 2 0/0 0/0 0/0 0 0 0 1 0 0 0 0 0 1 D. Bacon 2 0/1 0/0 0/0 0 0 0 0 0 0 0 0 0 -1 M. Monk 18 3/6 0/3 4/4 0 1 1 0 0 1 2 1 10 8 Total 40/98 12/33 12/15 13 27 40 27 15 7 10 1 104

Basket - News - Sport - Delire Madagascar

« TOURNOI JUMP »: Niverina indray

2002 no nisy farany ny fifaninana « « Tournoi Jump »  izay hifaninanan’ny mpiantra eny amin’ny sekoly kolejy sy lisea amin’ny lalao basikety. Niverina indray izany tamin’ity taona ity noho ny fahatsapan’ny fikambanana Jump Basketball fa ilaina ny fitaizana ireo tanora amin’ny sehatry ny fanatanjahantena. Roa andro no anaovana ny fifaninana ka hanomboka amin’ny 11 atondro ny andron’ny sabotsy 13 Aprily 2019 ny fifaninana ka hifarana ny Alahady 14 Aprily 2019. Ny maraina mialoha an’io kosa anefa dia hisy ny hetsika  « sport et loisir » karakarain’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena hitaizana ny tanora ahitana lalao ping pong, tenisy ambony latabatra, zomba ary fampilalaovana ny ankizy. Tsy hisy ny vidim-pidirana amin’io maraina io. Tanjona amin’ity hetsika ity ny hanentanana ny tanora sy fitaizana amin’ny fandrindram-piterahana. Eo amin’ny sehatry ny fifaninana « Tournoi Jump » kosa indray dia sekoly 16 no mandray an-jara ka 12 no avy eto Antananarivo avokoa, efatra avy any amin’ny faritra toa an’i kolejy St Gabriel mahajanga, kolejy David Johns Toamasina, St François Xavier Fianarantsoa ary St Joseph Antsirabe. « Betsaka no maniry ny handray an-jara kanefa noferana izany satria tsy ho vita ao anatin’ny roa andro ny fifaninana. Amin’ny manaraka kosa anefa dia ho ezahina ny hampitombo izany. Tanora latsiky ny 18 taona no afaka milalao amin’ity fifaninana ity », hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana Jump Basketball, Arivelo Hajaniaina Vévé. Eo amin’ny fizotrany lalao dia 10 minitra miditra indroa amin’ny fifanintsanana  fa any amin’ny manasa-dalana sy ny famaranana kosa no 8 minitra inefatra. Marihana fa eny anelanelan’ny lalaon’ireo tanora ireo dia hisy ny fandraisana an-jaran’ireo nilalao tany amin’ny taona 1995 ka hatramin’ny taona 2002. Ankoatra izay dia hisy lalao fanomanan-tena ho an’ireo ekipam-pirenena lahy sy vavy hiatrika ny lalaon’ny nosy amin’ity taona ity. Hifanandrina amin’izy ireo amin’izany ny ekipan’ny « reste du monde ». Marihana fa tamin’ny taona 1995 no niforina ny fikambanana. Nirina R. Cet article « TOURNOI JUMP »: Niverina indray est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - Rugby - Sport - News Mada

Rugby – «Top 6 Aroi 2019»: voahosotra ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ny FTM Manjakaray

 Nifarana, omaly alahady tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, ny andiany faharoa, niadiana ny tompondakan’ny ranomasimbe Indianina “Top 6 Aroi 2019”, taranja rugby. Norombahin’ny FTM Manjakaray ny amboara tamin’ity. Resiny teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa mazava 47 no ho 24, ny Cosfa.Ekipa efa diso mifankalala tsara ny roa tonta. Tsy nihambahamba fa nampiseho avy hatrany ny fahaiza-manaony sy ny hakingany teo am-panombohana ny FTM, notarihin-dry Lahatra sy i Koroka. Nahitam-bokany izany satria nisesy ny baolina nentin-tanana vitan’izy ireo, efa nitarihany tamin’ny isa 14 no ho 0. Taorian’io vao nahatsara “hors jeu” iray ny Bebaoty, tamin’ny alalan’ny baolina voatsaran’i Gougou, ka nahatonga ny isa ho 14 no ho 3.Nanomboka teo, nifoha tamin’ny torimasony ny Miaramila ka nanomboka nanafika, saingy tsy nanaiky lembenana ihany koa ny boaikelin’ny Manjakaray. Na izany aza, samy nahafaty baolina avokoa ny andaniny sy ny ankilany. Nitarika hatrany anefa ny FTM Manjakaray. 24 no ho 14 ny isa nentin’ny roa tonta niala sasatra, tamin’ity.Teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, niezaka nanohitra ry Mael sy ny namany, ho an’ny Bebaoty, saingy efa tsara fiarovantena ny Manjakaray ka tsy tafavoaka mihitsy izy ireo. Vokany, nihanahazo vahana ny FTM ka nisesy indray ireo baolina nentin-tanana. Nitarika tamin’ny isa 47 no ho 17 ry zalahy. Efa tany amin’ny fiafaran’ny fotoana vao nahatonga baolina nentin-tanana ny Cosfa, izay tsy ampy nisongonana ny FTM intsony izany.Mbola hodinihina ny firenena hampiantrano ny andiany fahatelo, sy ny fomba hanatsarana ny lalao satria mety hisy sokajy hafa hampidirina hifaninana amin’ity “Aroi” ity, araka fivoriana niarahana tamin’ny federasiona frantsay, omaly. TompondakaL’article Rugby – «Top 6 Aroi 2019»: voahosotra ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ny FTM Manjakaray a été récupéré chez Newsmada.

Basket - News - Sport - Ao Raha

BASKET-BALL «CACC 2018» :: Nisedra faharesena roa sahady ny MB2All

Ratsy fanombohana. Niondrika teo anatrehan’ny klioban’i Firstbank avy any Nizeria, tamin’ny isa 74 noho 70, ny ekipa solontenan’i Madagasikara any amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ireo klioba tompondaka (CACC) tanterahina any Maputo, Mozambika, nandritra ny andro voalohany. Taorian’io dia mbola resy tamin’ny alalan’ny isa 75 noho 51, indray izy ireo nanoloana ny INSS avy any Côte d’Ivoire, nandritra ny andro faharoa. “Tena azo heverina ho lenta hafa mihitsy ity fifaninanana kaontinantaly ity. Mbola voatantanay aloha ireo ampahefa-potoana roa nandritra ny fihaonana tamin’ny Firstbank, laharana fahatelo tamin’ny fifaninanana teo aloha. Niezaka izahay nanatsara hatrany izahay nony avy teo”, hoy i Ndranto Rakotonanahary, mpanazatra ny MB2All. Mbola hifanandrina amin’ny ekipan’ny KPA avy any Kenya isika, rahampitso, mialoha ny hihaonana amin’ny Lakers avy any Zimbaboe amin’ny alarobia ho avy izao. L’article BASKET-BALL «CACC 2018» :: Nisedra faharesena roa sahady ny MB2All est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - Ao Raha

KITRA AMINA TORA-PASIKA :: Manomana CAN any Mahajanga ny Barea Beach Soccer

Mpilalao enina ambin’ny folo mirahalahy, ahitana mpilalao tranainy sy vaovao, no manoman-tena any Mahajanga, mialoha ny hiaingana ho any Ejypta amin’ny 6 desambra ho avy izao. Hotanterahina any amin’ ity firenen’i Faraona ity, amin’ny 9 – 13 desambra ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, lalaovina amina tora-pasika na Beach Soccer. Talohan’izao dia niatrika lalao tany Morondava, tamin’ ny anaran’ny klioba Gasikara Beach Soccer, ny ankamaroan’ ireo mpilalao noentin’i Solofo Tsiavahana, mpanazatra nasionaly. “Tsy ekipam-pirenena no noentinay tany fa klioba”, hoy izy. Isan’ireo mpilalao efa tranainy ary efa voahosotra ho tompondakan’i Afrika tamin’ny taona 2015 tafiditra ao anatin’ireo hofantenana ho Barea i Jhorialy, Pierralit, Giovanni, Ymelda, Toky ary Dadah. Efa matetika voantso ary efa niatrika fifaninanana iraisam-pirenena kosa Chrétien, Marcel, Julio, Angeluc ary Enidiel. Nantsoina hanatevina ny ekipam-pirenena kosa i Hollas, Jean Jacques, Eusèbe, Honoré ary Romain. Manana roa andro hizarana tany any Ejypta ireo mpilalao, mialoha ny hiatrehana ny fifaninanana. Hifanintsana ao amin’ny vondrona A i Madagasikara, Ejypta, Maraoka ary Côte d’Ivoire. Hiray vondrona kosa i Sénégal, Nizeria, Lybia ary Tanzania. Ny 9 desambra no hihaona amin’i Côte d’Ivoire ny Barea. Ny ampitso kosa no hifanandrina amin’i Ejypta, mialoha ny hiatrehana ny lalao fifa-nintsanana farany amin’i Maraoka ny 11 desambra. Hiatrika ny ampahefa-dalana ireo ekipa valo, aorian’izany ary hitohy hatramin’ny famaranana. Tamin’ny taona 2016 dia tafalatsaka ho any amin’ny laharana fahadimy ny Barea, izay nisalotra ny anaram-boninahitra tamin’ny taona 2015. L’article KITRA AMINA TORA-PASIKA :: Manomana CAN any Mahajanga ny Barea Beach Soccer est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Notsongaina

Antenimierampirenena: nilaza hijoro ho arofanina ireo depiote Repoblikanina

Tafatsangana  eny amin’ny Antenimierampirenena eny  Tsimbazaza,  omaly  ny Vondrona parlemantera Repoblikanina (GPR).  “Ho hery afovoany ka ho arofanina izahay.  Tsy  ho mpanohitra befahatany  nefa koa tsy ho mpanohana sy mpila ranondranony. Hametraka  ny demokrasia ety amin’ny Antenimiera”, hoy ny filohany, ny depiote  voafidy avy any Ihosy, Rakotomamonjy Nepatraiky, omaly teny Tsimbazaza. Ahitana solombavambahoaka miisa 21 avy amin’ny tsy miankina na ny mahaleo tena ny GPR ary mbola miantso sy manentana ireo  namany hanampy azy ireo amin’izany.Nangataka seza  eny anivon’ny vaomiera Hifanatona amin’ny depiote avy amin’ny maro anisa IRD koa  izy ireo amin’ny tokony  hanomezana  seza azy ireo amin’ny fitarihana eny anivon’ireo vaomiera miisa 32 eny amin’ny Antenimierampirenena.Ankoatra izany, anisan’ireo mba nanolo-kevitra sy  nanampy ny  depiote avy amin’ny vovonona IRD koa amin’ny fanolorana ny anarana ho praiminisitra hotendren’ny praiminisitra izy ireo.Tsiahivina  anisan’ny niteraka resabe sy adihevitra  teto amin’ny firenena ny momba ireo mitonona  ho tsy miankina sy mahaleo tena voafidy ho solombavambahoaka ireo.Synèse  R.   L’article Antenimierampirenena: nilaza hijoro ho arofanina ireo depiote Repoblikanina a été récupéré chez Newsmada.

Efa nigadra teny Antanimora: tratra ireo jiolahy mpanendaka olona avy manao Karaoke

Tsy mety fay! Noraisim-potsiny ireo jiolahy efatra malaza ratsy amin’ny fanendahana olona avy manao Karaoke eny amin’ny faritra Tanjombato. Ireo polisy miasa ao amin’ny Commissariat Central Tanjombato no nahasambotra ireto jiolahy ireto, ny 16 sy 19 jolay 2019 no nahasambotra azy efa-dahy ireto. Taorian’ny angom-baovao sy ny fanaraha-maso nataon’ny polisy no nahasamborana ny telo amin’izy ireo teny Andafiatsimo, ny zoma maraina tamin’ny 5 ora. Nohamafisin’ny polisy fa ry zalahy ireto no mpanendaka eny amin’ny faritra Ankady sy ny manodidina. Manomboka amin’ny 6 ora ka hatramin’ny 10 ora alina no tena fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Ireo olona avy manao karaoke sy tara fodiana amin’ny alina no tena mitondra faisana amin-dry zalahy ireto. Mody mianjaika toy ireny avy namonjy alim-pandihizana ireny ry zalahy ary tsy mifidy asiana fa izay tratra dia mitondra faisana. Ny jiolahy iray hafa kosa tratra teny Tanjombato, omaly maraina. Izy ity indray dia eny amin’ny lalana RN 7 faritra Tanjombato no tena manao ny asa ratsiny. Ireo mpitondra moto no tena lasibatra. Voalaza fa manao andiany telo ry zalahy rehefa manao ny asa ratsiny. Efa nigadra ry zalahy ireto, saingy miverina manohy ny asa ratsiny indray aorian’ny fivoahana ny fonja.Jean ClaudeL’article Efa nigadra teny Antanimora: tratra ireo jiolahy mpanendaka olona avy manao Karaoke a été récupéré chez Newsmada.

« Lalaon’ny Nosy » – Kitra: mila mandresy an’i Maorisy ny Barea, anio

Anisan’ny andrasan’ny mpanaraka ny “Lalaon’ny Nosy”, amin’ity andiany faha-10, tanterahina aty Maorisy ity, ny vaovao mahakasika ny ekipam-pirenena malagasy, ny Barea, eo amin’ny taranja baolina kitra. Niakatra an-kianja voalohany, ny asabotsy lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Geoges V, Flic en Flac, Maorisy, izy ireo. Ny ekipan’ny Seychelles no nifanandrina tamin’i Madagasikara nandritra izany ary isa sahala, 0 no ho 0, ny nisarahan’ny roa tonta. Raha ny tokony ho izy ary araka ny nambaran’ny mpanazatra, tokony ho mora tamintsika ny nandavo an’i Seychelles, saingy tsy ampy ny fahamatorana teny ambony kianja.Raha hiverenana ny lalao, nanam-bintana ny Malagasy ary nahazo penalty, saingy tsy maty. Nandaka ity penalty ity i Xavier, laharana faha-6.Ho amin’ny anio, hifandona amin’ny ekipan’i Maorisy ny Barea, ao amin’ny kianjan’i Georges V hatrany. Ho mafy ny miandry ireto mpilalao malagasy ireto, saingy tsy maintsy mandresy raha te ho tafakatra amin’ny dingana manaraka. Ho raraka avy hatrany kosa izay resy eo satria efa samy nanao ady sahala 1 no ho 1 Maorisy sy 1 Seychelles, tamin’ny andro voalohany. Mi.Raz L’article « Lalaon’ny Nosy » – Kitra: mila mandresy an’i Maorisy ny Barea, anio a été récupéré chez Newsmada.

Lapan’i Mahazoarivo: noderain’ny ambasadaoro frantsay ny Praiminisitra Ntsay C.

Noraisin’ny Praiminisitra  Ntsay Christian  teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo, omaly  ny  ambasadaoro frantsay, niasa sy nonina teto Madagasikara, Veronique Vouland- Aneini. Voaresaka  ny fiaraha-miasan’ny firenena roa  tonta sy  ny ezaka nataon’ny lehiben’ny governemanta.Narahabain’ny ambasadaoro ny praiminisitra tamin’ny andraikitra sy ny adidy lehibe notazoniny ary niantsorohany, tamin’ny taona 2018, tamin’ireny fotoan’ny krizy politika  teto amin’ny firenena  ireny. « Fotoana nilana fandraisana fanapahan-kevitra hentitra  ireny ka nahafahan’ny firenena niatrika izany fotoan-tsarotra izany ny fepetra noraisin’ny Praiminisitra Ntsay Christian »,  hoy  izy  tamin’izao fihaonana izao. Fotoana  koa io nametrahany  veloma ny lehiben’ny governemanta noho ny fahataperan’ny fe-potoana niasany teto amintsika.Nambaran’ity masoivoho ity ihany koa fa maro ny tranga, nanamarika azy nandritra ny efatra taona niasany teto Madagasikara. Anisan’izany ny fihaonana an-tampon’ny firenena miteny frantsay, noraisina teto Antananarivo, nampiseho taratra ny fahombiazan’ny diplaomasia malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. « Teo ihany koa ny fandraisan’anjaran’i Frantsa tamin’ny ady amin’ny fipariahan’ny valanaretina samihafa… »,  hoy ihany izy.Nanafatrafatra ny ambasadaoro Veronique Vouland- AneiniTsiahivina fa anisan’ny lahateny nambaran’ity masoivoho Frantsay  ity, farany teo, tamin’ny  fanamarihana ny fetim-pireneny, ny 14 jolay teo teny Ivandry ny resaka politika. « Teo  ny fihetsika matotra nasehon’ny mpanao  politika  niray hina tao anatin’ny  fotoana manokana tamin’ny fianianan’ny filoha Rajoelina, ny 19 janoary  teo. Teo koa ny fihaonan’ny filoha roa tonta :  Emmanuel Macron sy Rajoelina  Andry, ny  volana mey teo tany Frantsa », hoy izy tamin’izany ». Natsidiny sahady koa fa hatsangana ny komity iraisana hitady vahaolana amin’ny ireo resaka mampifanolana… Anisan’ny nangatahan’ny ambasadaoro ary hafatra napetrany  ny tokony hiarovana ny olona sy ny fananany, manoloana ny  asan-jiolahy.  Ny fiarovana ny harena an-dranomasina. Ny hifehezana ny mpitandro filaminana manaraka ny fitsipi-pitondran-tena.Synèse R.  L’article Lapan’i Mahazoarivo: noderain’ny ambasadaoro frantsay ny Praiminisitra Ntsay C. a été récupéré chez Newsmada.

Tenisy ambony latabatra: nandrombaka medaly 2 ny Malagasy

Taranja anisan’ny nampamiratra ny solontena Malagasy, miatrika ny lalaon’ny nosy aty Maorisy, ny taranja tenisy ambony latabatra. Medaly volafotsy iray sy alimo iray hatreto no norombahan’ny Malagasy, teo amin’ny fifaninanana isam-bondrona lahy sy vavy. Niditra an-tsehatra ny alakamisy 20 jolay lasa teo ireo atleta Malagasy, teo amin’ny sokajy isam-bondrona, tao amin’ny toeram-piofanana nasionaly ny tenisy ambony latabatra, tao Beau Bassin Maorisy. Ny ekipan’ny Maldives no nifanandrina voalohany tamin’ny ekipa lehilahy Malagasy, izay nolavointsika tamin’ny isa 3 noho 0. Mbola namiratra ihany koa ireto mpiangaly ny tenisy ambony latabatra Malagasy, lehilahy, nanoloana an-dry zareo Maorisiana, mpampiantrano, ny alahady teo.Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa, niady ny laharana fahatelo nanoloana ny Renioney ihany koa, omaly, ny mpilalao Malagasy, sokajy vehivavy. Tamin’izany no nandavoantsika ireto mpilalaon’ny La Réunion ireto, tamin’ny isa 3 noho 2. Mi.RazL’article Tenisy ambony latabatra: nandrombaka medaly 2 ny Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Ambanidia: tratra ny halatra ranon’ny Jirama

 Nidina tampoka teny ifotony ny Fitantanana ny fiarovana ny fidiram-bolan’ny rano (DPRO) ao amin’ny Jirama, omaly maraina teny Miandrarivo Ambanidia. Tratra ny fangalarana rano ataon’ny ramatoa iray, A.Volatiana ao an-tokantranony. Niaiky ny halatra nataony izy, ary nolazainy fa efa tao anatin’ny roa taona ny fangalarany ranon’ny Jirama, tsy miankina amin’ny kaontera. Amidiny 50 Ar ny iray daba mavo (jerricane) amin’ny olon-kafa ny rano avy eo, ary milahatra toy ireny amin’ny paompin-drano ho an’ny daholobe ireny mihitsy ny ao aminy. Misokatra amin’ny 5 ora sy sasany maraina hatramin’ny 8 ora maraina ny fivarotany rano, sy amin’ny 5 ora sy sasany hariva hatramin’ny 8 ora alina. Nandritra ny valo volana no nivarotany rano tamin’ny mponina manodidina.Nohararaotiny tamin’ny fotoana nisy fantsona vaky nahafahany namily ny ranon’nyJirama, nakao an-tranony.Handoa ny sarany sady hotoriana Nijery ny zava-misy teny an-toerana ny mpitantana ny orinasa Jirama, notarihin-dRandriamanana Henri, Tale Jeneraly lefitra, notronin’ny vaditany. Nambarany fa, tsy azo leferina ny halatra toy izao, satria miteraka fatiantoka goavana ho an’ity orinasam-panjakana ity, indrindra, mahatonga ny tsy fahampian-drano amin’ny tokantrano maro eto an-dRenivohitra. Noho izany, hanery ilay tokan-trano hanefa ny sarany tokony honerany amin’ny Jirama, ny mpitantana ny orinasa sady hampiakatra ny raharaha eny amin’ny fitsarana. Hosazina ihany koa izay mpiasan’ny Jirama voatonontonona tamin’izao raharaha halatra rano izao.Njaka A.L’article Ambanidia: tratra ny halatra ranon’ny Jirama a été récupéré chez Newsmada.

Concert classique de midi: hiatrika ny andiany faha-103 ny Quatuor Majesty

Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-103 ny « Concert classique de midi » karakarain’ny Madagascar Mozarteum. Hiaka-tsehatra, anio etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM), ny Quatuor Majesty. Tarika ivondronan’ireo andrarezina amin’ny fandidiana « violon » sy « violoncelle », ahitana an’i Joachim Rakotoniaina (violon solo), i Samuthiah Andrianarivelo (violon faharoa), i Benja Andriambololona (Alto) ary i Atolotro Ho Fiderana Ny Finoana (violoncelle).Raha ny ao anaty fandaharam-potoana, holalaovin’izy ireo eny an-tsehatra ny “Intermezzo sinfonico du Cavallerie rusticana”, sanganasan’i Pietro Mascagni (quatuor), ny « Quartet n°35 an’i J. Haydn op.64 n°5” sy ny « Divertimento in F KV138 an’i Mozart.Marihina fa i Joachim Rakotoniaina no hitarika sy handrindra ity seho tanterahin’ny Quatuor Majesty, anio manomboka amin’ny 1 ora, ity.HaRy RazafindrakotoL’article Concert classique de midi: hiatrika ny andiany faha-103 ny Quatuor Majesty a été récupéré chez Newsmada.

Kandidà tokana, Lapan’i Tsimbazaza: lany ho filohan’ny Antenimiera Razanamahasoa Christine

Lany tsy nisy mpifaninana. Samy nanohana ny kandidà tokana, ny depiote Razanamahasoa Christine, avokoa ireo depiote eo anivon’ny vondrona parlemantera na koa ny antoko politika  niatrika ny fifidianana ny ho filohan’ny Antenimierampirenena, omaly hariva teny Tsimbazaza. Anisan’izany ny avy amin’ny IRD, ireo depiote eo anivon’ny tsy miankina (GRP) ary koa ny avy amin’ny Malagasy miara-miainga. Manampy izany ny avy amin’ny antoko hafa, toy ny RPSD Vaovao.Nametraka fepetra ny kandidàn’ny Tim Na izany aza, nametraka fepetra ny depiote avy amin’ny Tim na nanohana ny firotsahan-dRazanamahasoa Christine aza. “Ho antoko mpanohitra izahay. Fanoherana manaraka lalàna fa tsy bontolo ho amin’ny fametrahana ny demokrasia sy ho maodely”, hoy ny mpitondra teny, ny depiote Razafimanantsoa. Nanteriny fa kandidà tokana ihany ny nirotsaka nefa na izany aza, tokony haverina ny hasin’ny Antenimiera. Ka mazava ny fepetra. Hanohana anao izahay raha vonona ny hanaja ny demokrasia sy hihaino ny hevitry ny rehetra. Hanome lanja ny hevitry ny mpanohitra”, hoy ihany izy.“Alefa Barea” ho an’ny depiote  Tsy niandry ela fa namaly izany ny filohan’ny Antenimierampirenena vaovao, Razanamahasoa Christine, ka nampahatsiahy ny tranga niseho teto amin’ny firenena. “Alefa  Barea” ho an’ny firaisankinantsika satria vita ny fifidianana filoham-pirenena sy ny depiote ka tafaray eto isika… Hiantoka ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana izao fijoroan’ny Antenimiera izao ary hatanjaka. Nimatimatesantsika izany ary tsy hitsingevaheva ka havitrika amin’ny fampandrosoana ny firenena…”, hoy izy. Nampanantena ny tenany fa handala ny fifanakalozan-kevitra sy ny hevitra tsy mitovy ary hiantoka ny fanatanterahana ny programa  ao anaty fanajana lalàna…Fiketrehana tombontsoa ho an’ny depiote  Na mpanohitra na tsy miankina, tokony hisitraka izany fampandrosoana izany, araka ny  nambarany. Aza matahotra na mihemotra mampahatsiahy ny mpanatanteraka ny tsy mety… Ara-dalàna izany ary araka ny lalàmpanorenana. Efa natsidiky ny filohan’ny Antenimiera vaovao sahady fa hojerena akaiky koa ny fampanantenana natao tamin’ny vahoaka sy ny tokony ho tombontsoan’ireo solombavambahoaka. “Hiadiantsika amin’ny mpanatanteraka  ny fandaharanasantsika. Vonona hiaraka hiady amin’izany isika… Omeo anay ny fitaovana ahafahanay manatanteraka ny asanay. Tsy hisy diso anjara amin’izany isika… Tsy hijery loko foko sy fiaviana na politika fa depiote an’ny Malagasy rehetra”, hoy izy.Tsiahiviana fa filoha fahatelo nitantana ny Antenimierampirenena Razanamahasoa Christine, amin’izao Repoblika fahefatra izao.Synèse  R. L’article Kandidà tokana, Lapan’i Tsimbazaza: lany ho filohan’ny Antenimiera Razanamahasoa Christine a été récupéré chez Newsmada.

Ady amin’ny kolikoly: mitarazoka ny fanendrena ny tale  jeneralin’ny Bianco

Tsy mazava ny antony mampihisatra. Banga efa ho iray volana izao ny toeran’ny tale jeneralin’ny Bianco. Tapitra tamin’ny 24 jona teo ny fe-potoam-piasan’ny teo aloha, Andriamifidy Jean-Louis, nefa tsy mbola voatendry hatramin’izao ny hisolo ny toerany. Efa nahavita ny adidiny sy ny andraikitra nankinina aminy ny eo anivon’ny Komity miaro ny fahitsiana (CSI) nanao ny fikarakarana sy ny fijerena ny antontan-taratasy ho an’ireo nirotsaka hotendrena amin’izany. Anisan’ny anjara andraikitra nankinina taminy ny nanangana ny komity nifantina ireo ho amin’izany toerana izany. Hatreto, telo ireo hany voafantina farany tokony hotendrena ho tale jeneralin’ny Bianco ka ahitana mpitsara roa sy manamboninahitra ambony iray.Efa voatendry amin’ny andraikitra hafa any Afrika Tsiahivina fa anjaran’ny filoham-pirenena ny manendry izany ho tompon’andraikitra voalohany amin’ny ady amin’ny kolikoly izany. Tsy mbola voatendry anefa izany  hatramin’izao.Marihina fa efa voatendry amin’ny toerana hafa any ivelany, hisahana an’i Afrika momba ny ady amin’ny kolikoly, ny tale jeneraly teo aloha ny Bianco, Andriamifidy Jean-Louis.Synèse R.   L’article Ady amin’ny kolikoly: mitarazoka ny fanendrena ny tale  jeneralin’ny Bianco a été récupéré chez Newsmada.

Fanotofana tany

Mitaraina ny tompona tanimbary eny Andraharo noho ny fanotofana tany ataon’olon-tsotra. Efa nisy ny fitoriana nataon’izy ireo, ny 24 jona lasa teo, ka nisy ny didy fanajanonana ny asa, izay nanomezana azy ireo fe-potoana 48 ora. Gaga anefa ny tompon’ny tanimbary rehefa nandalo teny an-toerana ny sabotsy teo fa mbola manohy miasa ihany ireo olona ireo. Nilaza ireto farany fa nahazo alalana hanao izany. L’article Fanotofana tany est apparu en premier sur AoRaha.

Kizo iray ao Analavory: vehivavy ny mpitahiry ny fitaovam-piadian’ireo dahalo

Dahalo valo mianadahy indray voasambotry ny zandary avy ao ami’ny poste avancé (PA) Analavory distrikan’i Miarinarivo, ny alarobia 17 jolay 2019 lasa teo ka vehivavy (mpitahiry  ny fitaovam-piadiana ampiasain’ireo dahalo, miaraka amin’ny odigasy) ny iray amin’izy ireo.Araka ny fampitam-baovao nampitain’ny zandary avy any an-toerana, fokontany roa (Kianjasoa sy Ankaranana) ao amin’ny kaominina Analavory no lasibatr’ireto dahalo miisa valo ka lasan’izy ireo tamin’izany ny omby miisa 30. Tsiahivina fa ny 8 jolay 2019 lasa teo, nahazo antso ny zandary miasa ao amin’ny Poste avancé Analavory fa misy dahalo manafika ao amin’ny fokontany Kianjasoa, kaominina Analavory ka omby miisa 10 no lasan’ireo malaso. Namonjy teny an-toerana avy hatrany ny zandary niaraka tamin’ny fokonolona ka tratra teo amin’ny kizo fiafenany ireo dahalo ka raikitra ny fifandonana. nitsoaka ireo malaso, navelany teo ny omby miisa enina fa ny efatra kosa efa novonoin’izy ireo. Ny 10 jolay lasa teo indray, naharay antso indray ny zandary fa misy dahalo manafika ao amin’ny fokontany Ankaranana Ambodimanga, misy dahalo manafika io tanàna. Lasan’ireo malaso tamin’izany ny omby miisa 20. Nametraka ny paikady rehetra ny zandary ka niroso tamin’ny fanarahan-dia. Natao ny sakana teo amin’ny kizo izay holalovan’izy ireo ary nampandrenesina koa ny zandary avy ao amin’ny poste avancé Ambalanirana.Olona telo nidoboka am-ponja noho ny FIB hosoka…Rehefa nahatazana ny zandary sy ny fokonolona teo amin’ny kizo niafenany ireo dahalo dia raikitra ny fifandonana. vokany, tsy nahatohitra ny zandary ireo malaso ka navelan’izy ireo ny omby miisa 20 ary dahalo iray tratra niaraka tamin’ny basim-borona calibre 12 vita gasy.Nandritra ny famotorana nataon’ny zandary tamin’ity dahalo ity no nahafahana nisambotra ireo namany fito ka vehivavy ny iray izay nambaran’ny zandary fa mitahiry ny fitaovam-piadiana sy mpitazona odigasy. Nohamafisin’ny zandary fa mipetraka eny amin’iny faritra iny ihany izy ireo. Nahitana basim-borona roa hafa kao niaraka tamin’ny bala miisa enina, lefona, odigasy maromaro tao anaty kizo, ankoatra ireo niambozonan’ireo malaso. Mandritra ny hetsika ataon’ny zandary any an-toerana momba ny fijerena ny taratasin’omby (FIB) eny an-tsenan’omby ao amin’ny distrikan’i Miarinarivo, notarihin’ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovana Itasy, ny Kly Ralaikoa Armandin dia maro ireo taratasin’omby (FIB) hosoka ary olona telo no efa naiditra am-ponja ao Miarinarivo. Manentana hatrany ny zandary amin’ny fifanomezan-tanana amin’ny vahoaka mba hahafahana misoroka mialoha ny asan-dahalo toy izao.Jean ClaudeL’article Kizo iray ao Analavory: vehivavy ny mpitahiry ny fitaovam-piadian’ireo dahalo a été récupéré chez Newsmada.

Pilo Kely aroson’i Mamy Be

L’article Pilo Kely aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.