Barea hatramin’ny farany!

Foot - News - Sport - Barea hatramin’ny farany!

Foot - News - Sport - Barea hatramin’ny farany!

Henjana ao anatin’ny henjana ! Io ny azo ilazana ny Barea taorian’ny fandresena miezinezina azony, omaly, tao anatin’ny lalao ampahavalon-dalana, nifandonana tamin’ny ekipan’ny Repoblika Demokratikan’i Kongo. Misandratra avo ny voninahi-pirenena malagasy, nisongadina tao anatin’ireo firenena noheverina ho voadingana eo amin’ny sehatry ny baolina kitra afrikanina i Madagasikara. Faly ny vahoaka malagasy! Nidera eram-po eran-tsaina ireto maherifon’ny Malagasy ireto i Madagasikara iray manontolo, niaiky izao tontolo izao. Ny Barea hatramin’ny farany, tsy maintsy mandresy! Io ny ambentin-teny re teny am-bavan’ny rehetra, mandra-maraina ary hitohy hatramin’ny farany, hanosika ny Barea ho amin’ny ambony hatrany. Alefa Barea! Alefa hatramin’ny farany, manohana ary miara-mirona ny Malagasy 20 tapitrisa, ao an-damosina tsy hiala hatramin’ny farany.

Fitaintainana no niainana,  saingy fandresena ny setrin’izany rehetra izany! Hatramin’ny sengondra farany, tsy nisy niala fa nankahery, nitabataba, nivavaka ny rehetra. Nandresy ny Barea, hiakatra ho an’ny amin’ny ampahefa-dalana, tranga tsy nampoizin’ireo firenena mpifanandrina, saingy efa voasoratra ho an’ny Malagasy. Tantara iray tsy ho voafafa mandrakizay eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena malagasy sy ho an’i Madagasikara iray manontolo izao fandresena miezinezina izao, izay irariana hitohy hatramin’ny farany! Ny Barea hatramin’ny farany!

Samy naneho ny hafaliany ny rehetra, hafaliana tsy omby tratra, hafaliana nivadika ho fihavanana sy firaisankina, faly ny Malagasy! Raha izao herim-pontsika izao, ho lasa lavitra ny Barea an’i Madagasikara, nitondra anjara biriky lehibe ho fanomezana hery ireto mpilalaontsika ireto ny fiombonam-pon’ny Malagasy toy izao, hampitombo ny herijika, vao mainka hampisandratra amin’ny faratampony ny voninahi-pirenena, hiroso hatrany ny Barea, tsy miverin-dalana intsony. Lalana efa natomboka, tsy maintsy vitaina hatramin’ny farany. Hatramin’ny farany, mandresy ny ekipam-pirenena malagasy, ny Barea, Alefa Barea, Alefa hatramin’ny farany! Ao an-damosina hatrany ny Malagasy tsivakivolo!

 

Mi.Raz

Article tiré de Newsmada

L’article Barea hatramin’ny farany! a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 08/07/2019
Barea  -  CAN  -  Can 2019  -  Kitra

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

Basket - News - Sport - News Mada

Basikety – CACC: laharana faha-8 ny MB2All

Niatrika ny lalao fiadian-toerana ny ekipa malagasy, MB2All, omaly tany Maputo, Mozambika, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, ho an’ny ekipa tompondaka sokajy vehivavy, taranja basikety. Eo amin’ny laharana faha-8 ny misy an’i Madagasikara, taorian’ny faheresena nanoloana ny ekipan’ny KPA avy any Kenya. Hita ho nanezaka mafy ireto mpilalao malagasy nanomboka tany amin’ny ampahefa-potoana voalohany. Nitarika tamin’ny isa 12 noho 6 ny ekipa Malagasy, saingy nanantombo kosa ry zareo Kenyanina nandritra ny ampahefa-potoana faharoa ka noverezin’izy ireo tamin’ny isa 24 noho 19 indray ny Malagasy. Nampitombo ny teknika teny ambony an-kianja ny ekipa malagasy tamin’ny ampahafefa-potoana fahatelo ka nitarika tamin’ny isa 39 noho 37. Tsy nanaiky lembenana anefa, tetsy ankilany, ny KPA avy any Kenya ka tsy nitsahatra nampitombo isa. Nisesisesy ny isa telo ka nanomboka nibanaka ny elanelanelana teo amin’ny roa tonta. Nivoaka mpandresy ny ekipan’ny Kenya ka isa 52 no ho 49 ny nandavoany ny MB2All. Raha tsahivina,10 ny ekipa nandray anjara tamin’ity fifaninanana afrikanina amin’ny taranja basikety ity ary notsinjaraina ho vondrona roa. Ekipa fahaefatra tao amin’ny vondrona nisy azy i Madagasikara rehefa avy nifanandrina tamin’ny Lakers avy any Mozambika ka nibata ny fandresena tamin’ny isa 58 no ho 48. Nihintsana teo amin’ny lalao ampahefa-dalana kosa rehefa nifampitana tamin’ny ekipa kalaza Inter Clube avy any Angola. Isa mavesatra 78 no ho 46 ny nandavoan’ny Angoleizy ny ekipa malagasy tamin’izany. Azo lazaina ho ratsy ihany ny vokatra, saingy ampy hakana lesona ny fiatrehana ity fifaninanana ity, raha ny nambaran’ny mpanazatran’ny MB2All. “Zava-dehibe ny fandraisana anjara tamin’ny lalao iraisam-pirenena toy itony”, hoy hatrany ny fanazavana.   Mi.RazL’article Basikety – CACC: laharana faha-8 ny MB2All a été récupéré chez Newsmada.

News - Sport - News Mada

Badminton: nanjaka ny Baobad sy ny klioban’Itaosy

Notanterahina, ny asabotsy 8 desambra sy omaly alahady 9 desambra, ny lalao fiadiana ny tompondaka nasionaly, sokajy “seniors”, taranja badminton. Samy niezaka nanome ny tsara ireo mpandray anjara rehetra, saingy tena nanjaka ny klioban’ny Baobad sy ny avy amin’ny lisea Saint Michel Itaosy. Raha atao mantsy ny kajy, medaly volamena miisa telo avy ny azon’ireto klioba roa ireto nandritra ity fifaninanana ity.Tompondakan’i Madagasikara lehilahy, sokajy A, i Haja Marc (Baobad), rehefa avy nandavo an-dRakotoarinaivo Herizo (ABC Antsirabe), tamin’ny seta 2 no ho 0. Ho an’ny sokajy B sy C kosa, tompondaka Randrianantenaina Sitraka (Baobad), 2 no ho 0; sy Ramanjakanoro Mialy (LSM Itaosy), seta 2 no ho 0.Ho an’ny sokajy “vétérans” lehilahy kosa indray, nanamarika isa ambony Rakotomalala Zo nanoloana an-dRakotozafy Mon Claire ka nibata ny fandresena, tamin’ny seta 2 no ho 1.Raha toa ka nanao pao-droa ry zareo avy ao amin’ny Baobad ho an’ny sokajy lehilahy, nanjaka kosa ny klioban’ny Saint Michel Itaosy, nandritra ny lalaon’ny vehivavy. Norombahin-dRazanamaly Ntsoaniaina sy Razafinimanana Miangola, avy amin’ny LSM Itaosy, mantsy ny amboara ho an’ny sokajy A sy C. Ramanandraisoa Sahondra (Baobad) kosa ny nahazo ny fandresena ho an’ny sokajy B, nanoloana an-dRasolomanana Voahangy, mpilalao avy amin’ny Baobad ihany. Amboara sy loka maro ny nozaraina ho an’ireo mpilalao mendrika, natolotry ny federasiona malagasy ny badminton.Nihanitombo ny traikefan’ireo mpilalao tamin’ity lalao fiadiana ny tompondaka nasionaly 2018 ity, raha ny nambaran’ny mpitsara ny lalao sy ny mpikarakara izao fifaninanana izao. Manana hoavy mamiratra ary antenaina ny hivelaran’ny badminton eto Madagasikara, indrindra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Efa manao ezaka rahateo ny federasiona amin’ny fampitomboana ny traikefan’ny mpanazatra sy ny mpilalao amin’ny alalan’ny fanomezana fampiofanana azy ireo. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ho amin’ny taom-pilalaovana 2019 izany, raha ny fanazavana nentin’ny federasiona. Mi.RazL’article Badminton: nanjaka ny Baobad sy ny klioban’Itaosy a été récupéré chez Newsmada.

Basket - News - Sport - Ao Raha

BASKET-BALL CACC 2018 :: Tafita hiatrika ny ampahefa-dalana ny MB2All

Nanoratra tantara ho an’ny basket-ball malagasy ny klioba MB2All vehivavy. Sambany no hisy klioba malagasy hiatrika ny dingan’ny ampahefa-dalana eo amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, ho an’ireo ekipa tompondaka. Fandresena tokana tamin’ ireo lalao efatra nataony, nanoloana ny Lakers avy any Zimbaboe, no nampiakatra ny ekipan’i Ndranto Rakotonanahary, ho eo amin’ io dingana io. Tamin’ny alalan’ny isa 58 noho 48 no nandresen’izy ireo an’ity solontena zimbaboeana ity. Isan’ireo ekipa valo voalohany aty Afrika, amin’ireo folo mifaninana, izany ny ekipan’ny MB2All. Teo amin’ny ampahe­fa-potoana voalohany dia nita­rika ny ekipa zimbaboeana (11 – 13). Nanomboka teo amin’ny ampahefa-potoana faharoa no nanomboka nihiratra ny masoandrom-panantenana ho an’ity solontena tokan’i Madagasikara, any Maputo Mozambika ity. Nitsimbadika ho 26 noho 21 ny isa teo amin’ny fotoam-pialan-tsasatra, raha 39 noho 32 kosa teo amin’ny fiafa­ran’ny ampahefa-potoana fahatelo. Faharesena intelo sy fandresena tokana no azon’ny tompondakan’ny ranomasimbe Indianina tamin’ny lalaom-bondrona. Ny ekipan’i Interclube Desportivo avy any Angola, izay nahavita fandresena efatra tamin’ireo lalao efatra nataony teo amin’ ny vondrona A, no hifanan­drina amin’ny MB2All eo amin’ ny ampahefa-dalana, anio. Sarotsarotra ihany ny lalana ho an’ny solontena malagasy saingy mila miady mafy izy ireo raha te ho eo amin’ny dingan’ny manasa-dalana. L’article BASKET-BALL CACC 2018 :: Tafita hiatrika ny ampahefa-dalana ny MB2All est apparu en premier sur AoRaha.

News - Sport - News Mada

Kempo – Fiofanana: afa-po ny mpandray anjara

Tsy ampy ny fotoan’ny fifampizarana, tapany voalohany, ho an’ny mpitarika mpanampy, taranja kempo sy MMA. Fiofanana notanterahina ny asabotsy lasa teo tao Mahamasina. Nanapa-kevitra ny hitady fotoana malalaka, ny volana janoary 2019, araka izany, ny mpikarakara hanomezana fahafaham-po ireo mpandray anjara. Ny volana febroary 2019 kosa  no hamaranana tanteraka ny fiofanana ho an’ny mpitarika mpanampy ka hotsinjaraina amin’izany, araka ny sokajy misy azy avy, ny mpiofana.Raha hiverenana ny fiofanana ny asabotsy teo, 12 ireo tonga namaly ny antso avy amin’ny klioba miisa dimy: ny Club WFC Mahamasina, ny CSLA Ambohimanarina,  ny Tsunami Betongolo, ny J&K Fitness 67ha ary ny Temple’s Artiste Itaosy. Nampitain’ny mpampiofana, Rakotonindriana Parfait, tamin’ireo mpanampy mpitarika ny mahakasika ny karazan’olona hampianarina ity taranja ity sy ny fahalalana ankapobeny, indrindra eo amin’ny fiarovantena.Any Ambositra indray ny hanohizana ny fifampizarana avy amin’ny filohan’ny komity mpitantana kempo sy MMA, ny 21 sy ny 22 desambra izao. Ny 29 desambra kosa, hiditra amin’ny fifaninana voalohany ho amin’ity taom-pilalaovana ity ireo klioba eo anivon’ny komity. Mi.RazL’article Kempo – Fiofanana: afa-po ny mpandray anjara a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

Beach soccer – «Can 2018»: nihintsana ny Barea de Madagascar

Tapitra hatreo ny lalan’ny Barea de Madagascar eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2018), taranja beach soccer. Mbola resin’i Maraoka indray ny Malagasy, teo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona.  Lavon’ny Liona-n’i Atlas avy any Maraoka, tamin’ny isa 6 no ho 4, ny Barea de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2018), taranja beach soccer, ho an’ny sokajy “A”. Fihaonana,  notanterahina omaly talata, tao amin’ny kianja Laguna Vista Stadium, Sharm El Sheikh.Sahirana ny Barea de Madagascar satria nofehezin’ny Maraokanina tanteraka ny lalao tao anatin’ireo fe-potoana 12 mn, intelo miditra. Vao nanomboka dia efa nitarika an’isa ny Maraokanina. Tao anatin’ny minitra 5 monja dia efa nitarika tamin’ny isa, 3 no ho 0 ry zareo.Tsy tafiditra mihitsy ny mpilalao malagasy fa toa niharitra ny fanafihana nataon’ny mpifanandrina.Nanao fahadisoana matetika ihany koa ry zalahy ka nanome vahana ny Maraokanina, tamin’ny “coup de pied arrêté”. Teo amin’ny fiafaran’ny fizaram-potoana faharoa, nitarika 5 no ho 0 ny Maraokanina. Anisan’ny nampiditra baolina tamin’izany, ry Abada sy i Iazal ary El Hadaoui. Taorian’io vao nifoha tamin’ny torimasony ry Romain sy i Enidiel ary ry Tinasoa. Niezaka nanafika sy nanao izay ho afany, saingy efa nahazo tombony lavitra ny Maraokanina, ka sarotra ny nanenjika azy ireo.Na nahatafiditra baolina aza mantsy ny Barea de Madagascar, mbola nanampy isa ho azy ihany koa ry zareo, ka tsy nisy fanafany intsony. Manohy ny lalany ary hiatrika ny manasa-dalana, ho an’ny sokajy “A”, izany, ny liona-n’i Atlas, miaraka amin’ny Faraonan’i Egypta.Hiady ny toerana fahadimy kosa ny Barea de Madagascar, amin’ity alarobia ity ka hifanandrina amin’i Tanzania, laharana fahefatra, tao amin’ny sokajy “B”.Efa tafakatra amin’ny ankatoky ny famaranana ihany koa ny liona Teranga avy any Sénégal sy ny voromaherin’i Nizeria. TompondakaL’article Beach soccer – «Can 2018»: nihintsana ny Barea de Madagascar a été récupéré chez Newsmada.

Basket - Sport

Mitady ekipa vaovao ho an’i Carmelo Anthony ireo manodidina azy

Na dia nandà ny tsaho mikasika ny hialan’i Carmelo Anthony ao amin’y Rockets aza i Daryl Morey, dia efa mazava izao fa tsy ahita azy hiara hilalao amin’i James Harden sy i Chris Paul intsony isika. Tsy nety ilay fiarahana, ary i ESPN dia nilaza fa ireo olona manodidina azy dia nandany fotoana mihitsy tamin’ny alatsinainy ny hamantatra ny heritreritr’ireo ekipa hafa momba an’i Carmelo. Ny tanjona dia ny ahita ekipa hafa ho azy alohan’ny tena ialany ao amin’ny Rockets, ankehitriny izy dia tsy milalao intsony noho ny « aretina » raha ny filazan’ireo mpitantana. Ny olana dia efa ambany dia ambany ny fahatokisan’ny olona an’i Carmelo, indrindra tao aorian’ny nandalovany tao amin’ny Thunders ary ity tsy fahombiazana tato amin’ny Rockets ity. Mbola manohy manohana azy anefa ireo namany Dwyane Wade sy LeBron James. Andeha hanamporofo ve i Melo fa tsy mbola very ny fahaizany raha miaraka amin’ny ekipa mahatoky azy izy ? ireo ekipa mety ho liana anefa dia mety tena ho vitsy dia vitsy tokoa, ary ny ankamaroan’izy ireo dia mety ho voatery handroaka mpilalao hafa vao afaka maka an’i Anthony. Azo heritreretina koa fa te hiaraka amin’ny ekipa efa sangany i melo kanefa izany dia vao maika ahavitsy ireo « options » ananany.

News - Sport - News Mada

JIOI – Fampivondronana: hifarana anio ny tapany voalohany

Mandeha ny fotoana, tapitra sahady ny tapany voalohany amin’ny fampivondronana ireo atleta hifantenana handray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy, hatao any Maorisy, ny volana jolay izao. Ity tapany voalohany ity izay nanomboka ny 23 marsa lasa teo ka hofaranana anio. Raha ny tokony ho izy, amin’ny herinandro vao tena feno ilay 35 andro, saingy amin’ny maha fety ny andro, dia nanapa-kevitra ny teo anivon’ny ministera ny hanakatona izany amin’ity herinandro mialoha ny fetin’ny Paska ity.Araka ny loharanom-baovao, saika afa-po tamin’ny fanazaran-tena avokoa ireo atleta rehetra isaky ny federasiona, na dia nisy aza ireo nanana olana teo amin’ny tsy fahampian’ny fotoana.Ho an’ny taranja volley ball manokana, nahitana taratra sahady ireo izay tena mendrika iny tapany voalohany iny. Nanambara ny mpanazatra nasionaly eo amin’ity taranja ity fa izay tena mahay no ho antsoina indray hiatrika ny tapany faharoa amin’ny fampivondronana.Izay tena hita fa afaka misolo tena an’i Madagasikara no ho any Maorisy fa tsy misy ny fanavakavahana.Marihina, niavaka ny fandraisana ireo atleta ao anatin’izao fanomanan-tena izao satria miara- mipetraka amin’ny hotely lehibe avokoa izy rehetra ary efa samy manana ny toerana fanaovana ny fampivondronana ny taranja tsirairay. Etsy ankilany, tsy tapaka manara-maso sy mijery akaiky ireo atleta ny Minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ary indrindra ireo minisitra mpiahy isanisany izay manolotra fanampiana ihany koa. Mi.Raz L’article JIOI – Fampivondronana: hifarana anio ny tapany voalohany a été récupéré chez Newsmada.

Basket - Sport

Zahana toetra ny faharetan’i LeBron James

Faharetana. Hatramin’ny nahatongavan’i Lebron James tao amin’ny Lakers, dia eo ambavan’ny olona rehetra aty Californie izany teny izany, na dia tsy mora aza ny mampihatra azy. Kanefa na dia kely fotsiny foana aza ny faharesena azon’izy ireo, dia mampikorontana ihany ireo tsy fahombiazana eo amin’ny defense, indroa nandresy tao anatin’ny lalao fito. Koa dia nibedy mafy an’i Luke Walton i Magic Johnson, na dia mamerimberia foana isaky ny lalao ny « King » fa tsy hilamina tampoka ohatry ny magie magie io zavatra io. « Izany no notoriako hatramin’ny fiatombohan’ny saison : mila faharetana », araky ny nohazavainy tany Portland 10 andro lasa izay. « ny tsirairay aminay mahalala fa tokony ho hitanay izay tsara vitanay sy izay tsy mety ihany koa. Ny mampitombo an’izay fiaraha-milalao izany dia tsy mora araky ny heritreretinareo. Tsy tahaka ny hoe zavatra mamatam-bonona io. » Na izany aza tsy mahataty faharesena i Lebron ary manomboka leo ihany ko aizy. « Tsy niteny mihitsy aho, fa fantatrareo aho, fantatrareo ny toetrako », raha ny nazavainy tamin’i Yahoo ! Sports. « Saika kivy aho tamin’ny herinandro. Tsy maintsy nipetraka aho dia niteny tamin’ny tenako ho : « efa fantatr’ialahy tsara ny zavatra nidiran’ialahy ». tsara ho anahy izany lalana nodiavina izany. Mila manahy ny faharetana aho. » Hatramin’io fiatombohana sarotsarotra io, dia nihezaka ny Lakers. Marina fa nananosarotra ny fandresena kanefa fandresena dimy ao anatin’ny lalao enina izao ry zareo, ka dia efa mihoatra ny 50% izany ny fandresena ananany. Miampy ny fanampian’i Tyson Chandler eo amin’ny Defense, dia afaka mifantoka amin’izay izao ny Lakers. Ny tapa-bolana ho avy izao izao dia afaka ny hanaovana an’izay satria mila mandray an’ny Portland sy Utah izy ireo, ny lalao roa amin’ny Magic sy ny dia atao ho any Miami sy i Cleveland dia mety mbola afaka hanampiana ny fandresena. Sady hampatsiahy zavatra an’i Lebron ihany koa…

Foot - Sport

Deco : “Ronaldinho no tena mahay indrindra”

Tamin’ny resaka nifanaovany tamin’ny AS, i Deco, izay efa samy niara nilalao tamin’i Lionel Messi sy i Cristiano Ronaldo, dia nandray anjara amin’ny ady hevitra "Ronaldo/Messi" izay resaka mafampana nandritra ny taona maro. Fa mifanohatra amin’ny mety ho noheverina, dia sady tsy naka ilay iray na ilay hafa ilay Portugais. Nandalo tao amin’ny FC Barcelone teo anelanelan’ny 2004 sy 2008, i Deco mpilalao ekipa nasionaly portugais taloha dia nanamarika ny talentan’i Ronaldinho, izay mbola mpilalao nampitolagaga azy indrindra hatramin’izao. "ny nampitolagaga ahy indrindra, na tsy dia hoe nanova ny fizotran’ny lalao tahaka ny sasany aza izy dia i Ronaldinho. Ho ahy, ho izy foana no mpilalao mahay indrindra maneran-tany", hoy i Deco. Fa nomarihiny ihany mikasika an’i Cristiano Ronaldo sy i Lionel Messi : "izy ireo no goavana ndrindra, satria nanao izay tsy vitan’nyhafa hatramin’izay izy ireo." Samy nahazo dokadoka avokoa izany.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra – Fiadiana ny amboara eran-tany : ho raikitra any Qatar amin’ ny novambra 2022 ny «Mondial»

Izay vao tena raikitra ary ofisialy eo anivon’ny Fifa, araka ny vaovao amin’ny tambajotran-tsosialy, omaly. Tsy miova izany ny firenena handray ny fiadiana ny amboara eran-tany «Mondial 20­22», taranja baolina kitra, fa i Qa­tar. Hotanterahina any amin’ io fi­re­nena izany, saingy tsy ho tahaka ny mahazatra ny fotoana ha­na­tanterahana izany fa ha­no­mboka ny 21 novambra hatramin’ ny 18 desambra amin’ny taona 20­22. Lalao efatra isan’andro no hatao amin’ny fifanintsanana isa­ky ny sokajy ka amin’ny 1 ora antoandro hatramin’ny 10 ora alina iza­ny. Miisa valo ireo kianja ka handraisana ny lalao fanokafana ny kianjan’i Al Bayt, mahazaka mpijery miisa 60 000. Hotanterahina any amin’ny kianjan’i Lusail, ma­hazaka mpijery miisa 80 000, ny lalao fa­maranana.Ekipam-pirenena dimy hisolo tena an’i Afrika Ho an’ny Barea manokana, miray vondrona amin’ny RD Con­go sy i Benin ary i Tanzania ao amin’ny sokajy J amin’ny fi­fanintsanana aty Afrika. An­isan’ireo firenena 40 mandray anjara, mizara amin’ny sokajy folo amin’izany ny ekipam-pirenena malagasy. Hiady ny toerana ho anisan’ireo firenena dimy hisolo tena an’i Afrika hiatrika ny «Mondial» hatao any Qatar.Synèse R.L’article Kitra – Fiadiana ny amboara eran-tany : ho raikitra any Qatar amin’ ny novambra 2022 ny «Mondial» a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

A vendre Charmante villa
02/08/2021

A Maroala Amborovy Mahajanga, une charmante villa équipée avec une vue imprenable sur mer, Référence VMM 192/19AMB . Cette belle villa surélevée de 200 m² avec une terrasse panoramique sur un superbe terrain de 1000 m² ; est à 20 minutes du centre-ville et à 50 mètres de la plage. Elle est composée d’un salon, d’une cuisine aménagée, de trois suites parentales toutes climatisées, d’un WC. Elle est équipée d’un surpresseur et d’un groupe électrogène. Un grand parking complète l’ensemble.Pour tout renseignement supplémentaire et pour une visite, merci de prendre contact avec l’agence AIM, par téléphone au 032 97 156 68 et 032 68 576 41 ou par mail à contact@mahajanga-immobilier.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Charmante villa".

Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues germanophones
28/07/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseiller(ères) germanophones bilingues.Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 150 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC.Vos missions : En tant que Téléconseillers(ères) bilingues, vos missions :Votre profil :Vos avantages : Veuillez adresser votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues germanophones".

Emploi et services Collaborateur comptable confirmé (H/F)
28/07/2021

Nous recherchons une/un collaborateur comptable confirmé (H/F) pour un Cabinet d'expertise comptable. Compétent pour gérer un portefeuille clients.Vos missions :- Tenue complète des dossiers (saisie, lettrage des comptes, rapprochements bancaires)- Révision des dossiers- Élaboration des déclarations de TVA- Établissement des bilans, liasses fiscales- Télétransmissions déclarations fiscales- Accompagnement et conseil auprès des clients Profil : - Diplôme en Gestion ou option comptabilité bac+3 ou équivalent minimum - Connaissance de l'environnement comptable, fiscal, et social français - Expérience 3 ans minimum dans un cabinet de comptabilité offshore / d’externalisation dossiers Français - Personne sérieuse, organisée, indépendante et ambitieuse - Apte à travailler en équipe - Connaissance de logiciels comptables standard type : Coala, EIC, Quadratus, Cegid - Maîtrise de la langue française à l’écrit et à l’oral et des outils Microsoft - Rémunération intéressante avec système de primes, cantine et autres avantages - Environnement social très agréable (lieu de détente ….) - Disponible très rapidementLieu : Ankorondrano Adressez-nous directement votre lettre de motivation et votre CV avec photo récente + prétentions salariales à l’adresse mail suivante : cab.recrutement2018@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Collaborateur comptable confirmé (H/F)".

A vendre un petit ensemble immobilier
02/08/2021

A Mahajanga, référence VMV 211/21 CFR, un petit ensemble immobilier située dans le quartier d'Ambondrona en direction de l’aéroport au bout d’une piste carrossable, à 10 mn du centre-ville et des plages d’Amborovy, dans un quartier calme.Cet ensemble bâti sur un terrain d’environ 350 m² clos de murs est constitué :- d’une maison principale composée d’un living, d’une cuisine séparée, de deux chambres, d’un bureau et d’une salle-d ‘eau ;- d’une seconde maison composée d’un living ouvrant sur une petite terrasse, d’une cuisine séparée, d’une chambre et d’une salle d’eau ;- d’un studio avec kitchenette et salle d’eau- d’une petite maison de gardien.Construits en 2016 et agrandis en 2018, ces bâtiments sont en bon état. L’électricité est fournie par la Jirama et par un panneau solaire, l’eau tirée d’un puits relié à un château d’eau.Pour tout renseignement supplémentaire et pour une visite, merci de prendre contact avec l’agence AIM, par téléphone au  032 97 156 68 et 032 68 576 41(durant les heures de travail) ou par mail à contact@mahajanga-immobilier.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre un petit ensemble immobilier".

Emploi et services Love Binding Spells To Return Lost Lover +27788889342 in South Africa,UK,USA,Spain,Italy,Canada,UAE,Malta,Brunei,Japan,Ireland,Turkey,Luxembourg,Iceland,Norway,Australia,Qatar,Croatia
27/07/2021

Love Binding Spells To Return Lost Lover +27788889342 in South Africa,UK,USA,Spain,Italy,Canada,UAE,Malta,Brunei,Japan,Ireland,Turkey,Luxembourg,Iceland,Norway,Australia,Qatar,Croatia,Austria,Denmark,Netherlands,Romania,Belgium,Greece,Belarus,New Zealand,Switzerland,Cyprus,Poland,Estonia,Egypt,Fiji,Wales,Bahamas,Taiwan,Indonesia,Singapore,Czech Republic,Serbia,Palau,Lithuania,Malaysia,France,Bulgaria,German,Jordan,Chile,Algeria,Zambia,Zimbabwe,Botswana,Lesotho,Sweden,Philippines,Honduras,Finland,Hungary,Mexico,Macedonia,Argentina,Syria,China,Hong Kong,Myanmar,Kuwait,South Korea,Morocco,Tunisia,Libya,Sudan,San Marino,Israel.lost love spells caster+27788889342 drmamanketi , in USA,England,Ireland,Germany,Australia,Canada Mama nsimbi who may sort your issues and problems. "I Cast spells". With the help my spiritual powers, my spell casting is done in a unique way to help in your problems. If you have been disappointed by other spell casters and healers who have failed to provide you with the results they promised you and you're stuck with no option of happiness. It’s never too late for your problems to be solved, it’s time to have a change in life for the better and don't just sit back and think your worst situation cannot be changed for better because GOD helps those who help themselves, could submit to me your details I may be in position to help you out. 1) DO YOU HAVE A PROBLEM IN YOUR LOVE, IS IT DETERIORATING? I think your partner is no longer interested in you. -You might think that there is no other solution. I offer solutions for all love related problems. I could strengthen bonds in all love relationships and marriage. 1) DO YOU WANT AN EVERLASTING LOVE WITH YOUR PARTNER? 2) I may restore love and happiness when relationships break up or down. 3) I may bring back your lost love. 4) I may help you look and choose for the best suitable partner when you can’t break the cycle of loneliness. 5) I may help to keep your partner faithful and be loyal to you alone. 6) I may create an everlasting love between couples.Call / Watsapp : +27788889342 drmamanketi , Email: leadingspells@gmail.com Website: https://leadingspells.com Website: https://drmamaalpha.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Love Binding Spells To Return Lost Lover +27788889342 in South Africa,UK,USA,Spain,Italy,Canada,UAE,Malta,Brunei,Japan,Ireland,Turkey,Luxembourg,Iceland,Norway,Australia,Qatar,Croatia".

Emploi et services SECRETAIRE COMMERCIALE
02/08/2021

CLINIC INFO  Société leader dans le domaine INFORMATIQUE Cherche Une Secrétaire commercialeTaches demandées : réception appel /Accueil client /établissement proformat / facturationBAC +2 minimum/ ayant une expérience dans le domaine /disponible de suiteDéposer directement votre CV avec PHOTOS et prétention au bureau ou envoyer par email sur l’adresse ci-dessous.au plus tard le 31 Aout 2021 ou envoyer par e mail à l Adresse: ernest@clinic-info.mgContact : ernest@clinic-info.mgCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services SECRETAIRE COMMERCIALE".

A vendre Auberge de charme avec piscine et bungalows
28/07/2021

Ref. VCB 224 - Prix sur demandeTrès bel ensemble de charme édifié au cœur d’un jardin tropical clôturé de + 1.070 m2 à proximité de la plage d'Ambondrona. La propriété comprend : (i) une bâtisse principale de +- 300 m2 édifiée en R+1 contenant : - 1 appartement "propriétaire" composé de 3 chambres/SDB et d'un grand séjour cuisine ouvert sur terrasse en surplomb de la piscine et du jardin ; - 3 studios au rez-de-jardin : 1 chambre/SDB, séjour cuisine et terrasse ; - 1 duplex : 1 chambre/SDB, séjour cuisine et terrasse; - divers locaux techniques et de réserves. (ii) un bungalow de charme de 60 m2 : 1 chambre/SDB et séjour cuisine; (ii) un bungalow de charme de 50 m2 : 2 chambres, 1 SDB et séjour cuisine; Cet ensemble est agrémenté de : - 1 grande piscine avec paillotes et chaises longues ; - 1 bar / cuisine de jardin ; - 1 bungalow pour le personnel ; - 1 groupe électrogène de secours; Le tout est implanté au cœur d’un beau jardin tropical sans vis-à-vis. L'ensemble est vendu meublé et équipé prêt pour une mise en exploitation immédiate. Très belle opportunité à saisir !Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Auberge de charme avec piscine et bungalows".

Emploi et services Spell caster +27788889342 How to bring back lost lover in USA,France,New Zealand, Switzerland,Ireland,Scotland,Australia,Norway,Germany,England
27/07/2021

Spell caster +27788889342 How to bring back lost lover in USA,France,New Zealand, Switzerland,Ireland,Scotland,Australia,Norway,Germany,England+27788889342 drmamanketi , who may sort your issues and problems. "I Cast spells". With the help my spiritual powers, my spell casting is done in a unique way to help in your problems. If you have been disappointed by other spell casters and healers who have failed to provide you with the results they promised you and you're stuck with no option of happiness. It’s never too late for your problems to be solved, it’s time to have a change in life for the better and don't just sit back and think your worst situation cannot be changed for better because GOD helps those who help themselves, could submit to me your details I may be in position to help you out. 1) DO YOU HAVE A PROBLEM IN YOUR LOVE, IS IT DETERIORATING? I think your partner is no longer interested in you. -You might think that there is no other solution. I offer solutions for all love related problems. I could strengthen bonds in all love relationships and marriage. 1) DO YOU WANT AN EVERLASTING LOVE WITH YOUR PARTNER? 2) I may restore love and happiness when relationships break up or down. 3) I may bring back your lost love. 4) I may help you look and choose for the best suitable partner when you can’t break the cycle of loneliness. 5) I may help to keep your partner faithful and be loyal to you alone. 6) I may create an everlasting love between couples.Call / Watsapp : +27788889342 drmamanketi , Email: leadingspells@gmail.com Website: https://leadingspells.com Website: https://drmamaalpha.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Spell caster +27788889342 How to bring back lost lover in USA,France,New Zealand, Switzerland,Ireland,Scotland,Australia,Norway,Germany,England".

A vendre USA lost love spell caster +27788889342 in Toronto,Tokyo,Torino,Torshavn,Tirana,Tijuana,The settlement,tegucigalpa,Tahiti
27/07/2021

USA lost love spell caster +27788889342 in Toronto,Tokyo,Torino,Torshavn,Tirana,Tijuana,The settlement,tegucigalpa,TahitiDo you need a lost love spell caster, love specialist, voodoo spells caster, a witch doctor, a native healer, a spiritual healer, a traditional doctor, black magician? You need a spell caster? Looking for a love spells caster? How to get a spell caster? You want a spell caster with in? Need to bring back your lost lover? You want your lost lover back? You need your ex return? You want your ex return? I need I want a love spells caster / a spell caster to bring back lost lover, return reunite ex-boyfriend girlfriend wife husband? I am an international online traditional healer based in South Africa, a spell caster, a spiritual healer, astrologer, a psychic, black magician and a love healing expert , a love spell caster to bring back your lost lover in Alabama, Alaska, Arizona, Arkansas, California, Colorado, Connecticut, Delaware, Columbia, Florida, Georgia, Hawaii, Idaho, Illinois, Indiana, Iowa, Kansas, Kentucky, Louisiana, Maine, Maryland, Massachusetts, Michigan, Minnesota, Mississippi, Missouri, Montana, Nebraska, Nevada, New Hampshire, New Jersey, New Mexico, New York, North Carolina, North Dakota, Ohio, Oklahoma, Oregon, Pennsylvania, Rhode Island, Tennessee, South Dakota, Utah, Vermont, Virginia Washington dc, West Virginia, Wisconsin, Wyoming, American Samoa, District of Columbia, Guam, Northern Mariana Islands, Puerto Rico, Virgin Islands. I can bring back your ex-lover, lost lover, ex-girlfriend, girlfriend, ex-boyfriend, boyfriend, ex-wife, wife, ex-husband husband. I am a true love specialist in spell healing. I am real, best and good love spells caster/voodoo spells caster/a spell caster in Miami Michigan Chicago. I am a lost love voodoo spell caster/ a lost love spell caster/a lost love psychic. I practice spell healing and spiritual healing that work immediately within and around. I am a traditional doctor. A witch doctor a native healer a traditional herbalist and a spiritual healer. I am a traditional fortune teller. I have authentic spells healing powers to work faster, my voodoo spell healing power returns reunites ex- lover in 2 days. I am the spell caster to Bring Back Lost Lover Even If lost for a Long Time. Call / Watsapp : +27788889342 drmamanketi , Email: leadingspells@gmail.com Website: https://leadingspells.com Website: https://drmamaalpha.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre USA lost love spell caster +27788889342 in Toronto,Tokyo,Torino,Torshavn,Tirana,Tijuana,The settlement,tegucigalpa,Tahiti".

A louer STUDIO MEUBLE ET EQUIPE
02/08/2021

En location annuelle, à Mahajanga, en centre-ville, dans un secteur calme, Référence LVA 138/19 MB1, un studio meublé et équipé au premier étage d’un immeuble récent de cinq étages bien sécurisé qui surplombe la Corniche.Ce studio est constitué d’une grande pièce ouvrant par une grande baie vitrée sur une terrasse face à la mer, d’une cuisine américaine et d’une salle de bain.  L’immeuble dispose à l’arrière d’une piscine réservée aux occupants de l’immeuble et d’un emplacement de parking couvert.Le montant du loyer est fixé sur la base d’un bail d’un an renouvelable par tacite reconduction et  d’une augmentation annuelle de 5%. A la signature du bail versement du premier loyer, d’une caution équivalent et des honoraires d’agence fixés à 75% du montant du loyer.Pour tout renseignement supplémentaire et pour une visite, merci de prendre contact avec l’agence AIM, par téléphone au  032 97 156 68 et 032 68 576 41 ou par mail à contact@mahajanga-immobilier.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer STUDIO MEUBLE ET EQUIPE".

A vendre VILLA DE STANDING
02/08/2021

A Mahajanga Réf VMV 213/21AMB, une belle villa située à Mahajanga Amborovy, proche de l’aéroport, dans un secteur calme, sur un terrain arboré et clos de murs d’une superficie de 2 573 m².Cette villa de standing est constituée en rez-de-jardin d’un grand living, d’une cuisine placardée, de trois chambres climatisées dont une spacieuse suite parentale avec sa salle de bain privative, d’une salle d’eau commune avec douche à l’italienne, et d’une pièce de rangement sur terrasse couverte.A l’extérieur dans le jardin, un petit bâtiment indépendant composé de deux chambres, une salle d’eau commune et une cuisine.Dans l’attente de sa vente, possibilité d’une location de cette villa partiellement meublée sur la base d’un loyer de l’équivalent de 450 €, soit 2.000.000 d’Ariary, hors JIRAMA.Pour tout renseignement et pour une visite, merci de prendre contact avec l’agence AIM, par téléphone au 032 97 156 68 et 032 68 576 41 ou par mail à contact@mahajanga-immobilier.com Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre VILLA DE STANDING".

Emploi et services +27788889342 Genuine 100% love spells addison, ny lost love spell caster in alabama, ny saint martin herbalist
27/07/2021

+27788889342 Genuine 100% love spells addison, ny lost love spell caster in alabama, ny saint martin herbalist+27788889342 drmamanketi , who may sort your issues and problems. "I Cast spells". With the help my spiritual powers, my spell casting is done in a unique way to help in your problems. If you have been disappointed by other spell casters and healers who have failed to provide you with the results they promised you and you're stuck with no option of happiness. It’s never too late for your problems to be solved, it’s time to have a change in life for the better and don't just sit back and think your worst situation cannot be changed for better because GOD helps those who help themselves, could submit to me your details I may be in position to help you out. 1) DO YOU HAVE A PROBLEM IN YOUR LOVE, IS IT DETERIORATING? I think your partner is no longer interested in you. -You might think that there is no other solution. I offer solutions for all love related problems. I could strengthen bonds in all love relationships and marriage. 1) DO YOU WANT AN EVERLASTING LOVE WITH YOUR PARTNER? 2) I may restore love and happiness when relationships break up or down. 3) I may bring back your lost love. 4) I may help you look and choose for the best suitable partner when you can’t break the cycle of loneliness. 5) I may help to keep your partner faithful and be loyal to you alone. 6) I may create an everlasting love between couples.Call / Watsapp : +27788889342 drmamanketi , Email: leadingspells@gmail.com Website: https://leadingspells.com Website: https://drmamaalpha.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services +27788889342 Genuine 100% love spells addison, ny lost love spell caster in alabama, ny saint martin herbalist".

Notsongaina

Fanitsian-drafitry ny Tafika…: hapetraka ny “base aérienne” 213 ao Arivonimamo
29/07/2021

“Miaina rivo-baovao ny Tafika ana habakabaka hatramin’ny nametrahana ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka ny taona 2020 sy ny nahazoana ireo fitaovana vaovao toy ny helikoptera sy ny fiaramanidina ny taona 2019 avy amin’ny fanjakana”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotonirina Richard, afakomaly, raha namory ireo eo anivon’ny Tafika ana habakabaka teny amin’ny Bani Ivato notronin’ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Sahivelo Delphin sy ireo manamboninahitra mpiara-miasa aminy. Nohamafisiny tamin’izany fa miompana amin’ny fanampiana ny vahoaka amin’ny fiarovana amin’ny ambana maro lafy, ny fanavotana ny ain’ireo mpiray tanindrazana ary ny fanohanana amin’ny fampandrosoana no isan’ny andraikitry ny Tafika ana habakabaka, ankoatra ireo asa efa nosahaniny teo aloha. Nohazavainy fa ny fametrahana ny “base aérienne” 213 ao Arivonimamo izay fivondronan’ny Bani Ivato sy ny Batac Arivonimamo, ny hananana olombelona manana traikefa afaka mikarakara fiaramanidina ka ho Tafika ana habakabaka mifarana amin’ny taonjato faha-21. Noho izany, nampitomboina ny isan’ny miaramila misehatra amin’ity antokon-tafika ka hatsangana ny “Académie de l’air” ao Arivonimamo hanatrarana izany tanjona izany. Eo koa ny fanaparitahana ireo vondron-tafika manerana ny Nosy ka hapetraka tsy ho ela ny “détachement aérien” ao Antsohihy sy Ihosy hanafainganana ny famitana ny iraka fampandriana fahalemana.Jean ClaudeL’article Fanitsian-drafitry ny Tafika…: hapetraka ny “base aérienne” 213 ao Arivonimamo a été récupéré chez Newsmada.

Tafakatra 21 ireo ahina nikasa hamono ny filoha: miaramila sy zandary 12 ahitana jeneraly dimy voasambotra
02/08/2021

Mivoatra ny toe-draharaha. Nanao fanambarana faharoa manoloana ny raharaha fikasana hamono mpitondra fanjakana ambony “Apollo 21” ny eo anivon’ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambony (PGCA), Razafiarivony Berthine, omaly tetsy Anosy. Maromaro ireo ahina ho voasaringotra amin’izany ka maro anisa ireo miaramila sy zandary.Miisa 21 ireo voasambotra sy nohenoina, hatramin’izao, araka ny nambarany momba ity raharaha ity ka ahitana miaramila sy zandary 12 izany. Mitsinjara ho jeneraly ny dimy amin’izany raha kapiteny ny roa. Manamboninahitra lefitra kosa ny dimy hafa ary miaramila sy zandary efa nisotro ronono ny efatra ka ahitana teratany malagasy sy vahiny. Miisa dimy kosa ireo sivily ahina ho tafidtra amin’izao raharaha izao.Paikady sy ny sorabola… Na izany aza, mbola ao anatin’ny famotorana sy anaovana andrimaso manokana kosa ny 14 amin’izy rehetra ireo.Etsy andaniny, nogiazana kosa ny vola 900 tapitrisa Ar sy ny fitaovam-piadiana, toy ny basy “Fusil à pompe calibre 12”, miampy bala enina sy ny fiara roa. Sarona nandritra ny fisavana nataon’ny mpitandro filaminana tamin’ilay teratany frantsay sy Malagasy mizaka zom-pirenena frantsay avokoa ireo.Nambaran’ity tompon’andraikitra ambony ity koa fa ny fisavana ny telefaonina sy ny fitaovana informatika no nahitana ny SMS sy ny mailaka nifanaovana. “Hita tamin’ny antontan-taratasy ny paikady sy ny sorabola hanatanterahana ny asa ratsy. Nokasaina hovonoina ireo olona ambony ara-politika miisa dimy. Anisan’izany ny filoham-pirenena”, hoy izy.Heverina ho toy ny tsy meloka…Nahitsy ny kosa anefa ny tenany nilaza fa mbola mitohy ny fanadihadiana ka mbola heverina ho toy ny tsy meloka ireo rehetra voalaza ireo, araka ny nambarany.Tsiahivina fa ny 21 jolay teo, izany hoe herinandro mahery izao, ny fanambarana voalohany nataon’ny eo anivon’ny PGCA, nampahafantatra ny vaovao momba ity “Apollo 21” ity.Synèse R.L’article Tafakatra 21 ireo ahina nikasa hamono ny filoha: miaramila sy zandary 12 ahitana jeneraly dimy voasambotra a été récupéré chez Newsmada.

Fanampiana ialàna amin’ny fanampiana              
28/07/2021

                    Ny hohanina anio, tadiavina anio? Tsy izany intsony amin’izao izay iainan’ny ankamaroan’ny isan-tokantrano. Izay hohanina anio, tadiavina rahampitso fa notrosaina omaly. Zara aza mbola azo nangatahina andro ny fanefana trosa… ihantonan’ny fiainana. Misy ny tsy mety ho afa-trosa amin’izany: boka forehitra, tsy afa-bela. Volan’ny olona mandehaleha ho azy ny tena amin’izany. Mandra-pahoviana?Ohatra ihany izay ny amin’ny fahasahiranana lalina sy maharitra mahazo ny vahoaka ifotony. Tsy mbola ahita-mangirana na tsinjo sompirana izay fihatsaram-piainana ahay. Mbola mba misy rirany sy rariny ihany amin’izany? Tsy lavina, misy ny karazana fanohanana etsy sy eroa. Saingy, tsy mahahenika ny rehetra izany, tsy maharitra na mahavita taona… Tsy misy vahoaka ifotony tsy sahirana amin’izao?Ohatra malaza iray ny hoe raha misy mitady trondro, tolory haranjono. Mila hetsika ny fanatsaram-piainana fa tsy vitan’ny fanampiana… mandavantaona. Na fanampiana mandalo tsy mahavita taona. Tsy hoe tsy ilaina ny karazana tohana na fanampiana fa tena ilaina na takina aza amin’izay ahazoana mihetsika amin’ny fitadiavana sy ny famoronana asa hiatrehana ny fiainana ho amin’ny fahavitan-tena.Tsy lavina koa, misy ny karazana tetikasa ho amin’ny fihariana sy ny famoronana asa. Saingy, ny tsy sahirana rehetra noho ny fahantrana ve no misitraka izany? Mila politika mazava ny raharaha ho amin’ny fanarenana ny fahavoazana, ny fanonerana ny fandrosoana tsy tratra hatramin’izay, ny fanorenana ho amin’ny fanovana. Vitan’ny fanampiana mahatonga fiankinan-doha na fiandrasana fanampiana lava?Terabary ny hevitra, sao misy tezi-dresaka. Tsy ny fanajariana ny tany sy ny fanorenana tohodrano na toeram-piompiana salantsalany etsy sy eroa ve, ohatra, no tsara ihazakazahana be koa? Na efa misy fa tsy ampy… Miara-dalana amin’ny sekoly, hopitaly, kianja… manara-penitra. Eo dia eo ny mahatsara azy. Mba manara-penitra koa ny fitadiavana sy ny fivelomana eny ifotony? Amin’izay, miara-mandroso…Rafaly Nd. L’article Fanampiana ialàna amin’ny fanampiana               a été récupéré chez Newsmada.

Soarano, Behoririka, Antanimena…: hihatra manomboka rahampitso ny fanovana lalana
27/07/2021

Nampahafantatra ny polisy misahana ny fifamoivoizana eto Antananarivo Renivohitra miaraka amin’ny CUA, omaly fa hihatra manomboka rahampitso alarobia ny fanovana ny lalana sasany.Anisan’izany ny rond point Antanimena sy ny manodidina. Ny eny Behoririka sy Soarano hatrany amin’ny rond point Vassacos.Tsenan’Andravoahangy, rahampitso ka antony  nanaovana ny fampiharana ho ao anatin’ny fotoana maha maro olona sy fiara mivezivezy hampahafantarana ny mpampiasa lalana ny fepetra vaovao.Tanjona ny ialana amin’ny fitohanana amin’ireo toerana nosantarina ireo. Noezahina ho lalana mikodana tsy hifanenana ny ankamaroany mba hampalalaka ny fifamoivoizana.Efa mipetraka miandalana ny takelaby famantarana sy ny marika eny amin’ny arabe, hanampy ny mpampiasa lalana amin’ny fanovana hatao. Manara-maso sy manazatra ny mpitondra fiara rahateo ny polisy.“Santatra  ihany izao fa mbola hitohy amin’ny toerana hafa izany mba hampirindra ny fifamoivoizana”, hoy ny avy amin’ny polisy.Anisan’ny lalana vaovao koa ny Rocade Iarivo ka maro ireo fiara mibosesika mihazo izany. Antony tsy maintsy nandraisana ny fepetra, efa voadinika sy hita fa hahomby, raha ny fanazavana hatrany. Maromaro koa ireo fiatoan’ny taxi-be nofoanana sy nasiam-panovana ka mila mizatra izany na ny mpamily na ny mpandehaTatiana A L’article Soarano, Behoririka, Antanimena…: hihatra manomboka rahampitso ny fanovana lalana a été récupéré chez Newsmada.

Détournement des deniers publics : Un ancien directeur régional du MAEP de la région Sofia mis en arrêt
31/07/2021

L’ancien directeur régional de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche de la région Sofia et le comptable ont été mis aux arrêts à Antsohihy. Selon des sources proches du dossier, ces cadres sont accusés de détournements de fonds évalués à des millions d’ariary et d’abus de pouvoir. L’affaire a été saisie par le pôle anti-corruption (PAC) de Mahajanga. Ce dernier a été interpellé par un salarié qui a été démis de ses fonctions sans motif, en 2018. II a également annoncé que ce fonctionnaire de bureau du MAEP a fait preuve d’un abus d’autorité sur des nouvelles recrues dans le service, en leur faisant payer trois mois de salaire en échange de leur recrutement dans la direction. Après avoir pris connaissance de ces informations, le PAC de Mahajanga s’est dépêché d’ouvrir une enquête et a identifié le suspect, qui a par la suite été poursuivi en justice. Il a aussi été découvert, pendant l’enquête, que ces cadres de la fonction publique sont impliqués dans une affaire de détournement de fonds. L’inspection de la police judiciaire a procédé cette semaine à l’arrestation de hauts cadres de la fonction publique. La population tient à ce que le gouvernement mène à bien son opération sur l’arrestation de ces hauts fonctionnaires auteurs de détournements de deniers publics qui nuisent à la fonction publique. Yv Sam L’article Détournement des deniers publics : Un ancien directeur régional du MAEP de la région Sofia mis en arrêt a été récupéré chez Midi Madagasikara.

« Doritos la relève »: mitohy ny fihodinana faharoa amin’ny fifaninanana
29/07/2021

Hanomboka ny faran’ity herinandro ity ny fihodinana faharoa amin’ny fifaninanana « Doritos la relève » iandraiketan’ny mpanazatra teo aloha ny Barea, i Nicolas Dupuis. Tontosaina etsy amin’ny kianjan’ny Cnaps Vontovorona ny fifandonana eo amin’ireo ekipa eto Antananarivo Renivohitra ny 31 jolay sy ny 1 aogositra ho avy izao. Hifanandrina mandritra izany ny ekipa miisa 32 ka samy hitiliana ireo mpilalao sangany ahafahana manatanteraka ny vinan’ny filoham-pirenena amin’ny fanatontosana tsy ho ela ny akademia Barea. Tsy eto an-dRenivohitra ihany, hitohy hatrany amin’ny faritany ny fitiliana ataon’ity mpanazatra ny ekipam-pirenena teo aloha ity ka aorian’ny eto Antananarivo, ireo tanora ao Mahajanga indray no hanohizany ny fikarohana. Ny 3 aogositra hatramin’ny 10 aogositra izao ny anjaran’ny any an-toerana ka azon’ireo mpandray anjara atao ny misoratra anarana ao amin’ny Fosa Juniors. Ireo tanora teraka tao anelanelan’ny 1 janoary 2006 ka hatramin’ny 31 desambra 2007 no kendrena manokana amin’ity hetsika ity.Tsiferana R.L’article « Doritos la relève »: mitohy ny fihodinana faharoa amin’ny fifaninanana a été récupéré chez Newsmada.

Tennis – Ligue Haute Matsiatra : Manga Rakotoniaina reconduit !
30/07/2021

La nouvelle équipe dirigeante de la Ligue de tennis de Fianarantsoa avec, de gauche à droite, Elise Margelidon, Manga Rakotoniaina et Mamy Ramarojaona. Le président de la Ligue de tennis de Haute Matsiatra, Manga Rakotoniaina, rempile pour un nouveau mandat à la suite de l’assemblée générale élective du week-end à Fianarantsoa. Une réélection qui coule de source tant l’ancien champion de Madagascar fait l’unanimité au sein du petit monde de cette discipline. Un président qui ne rechigne pas à retrousser les manches pour remettre le tennis fianarois sur les rails. Bref, un président aussi dévoué que passionné. Pour ce nouveau mandat synonyme d’un nouveau pari, Manga Rakotoniaina a remanié son staff en nommant au poste de Secrétaire Général, Mamy Ramarojaona, tandis que la trésorerie est confiée à Elise Margelidon. Une sacrée équipe en somme avec comme CTR, un autre Rakotoniaina tout aussi passionné que le grand frère. Mais c’est tant mieux pour l’esprit de famille et surtout de cohésion. Clément RABARY L’article Tennis – Ligue Haute Matsiatra : Manga Rakotoniaina reconduit ! a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Tsaralalàna: saron’ny zandary ny orinasa mpamboatra “plaque chassis” hosoka      
29/07/2021

Hiakatra fitsarana, anio, ireo olona telo amin’ireo enina voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanamboarana “plaque chassis” hosoka amina orinasa kely iray eny Tsaralalàna. Tratra niaraka amin’izy ireo ny fitaovana samihafa fanamboaran’izy ireo izany…Noraisim-potsiny! “Nahazo loharanom-baovao izahay eto anivon’ny Zandarimariam-pirenena fa misy orinasa kely iray eny Tsaralalàna manamboatra “plaque chassis” hosoka. Niainga avy amin’izany no nametrahana ny vela-pandrika rehetra hahafahana misambotra ireo olona tompon’antoka amin’izany”, hoy ny fanazavan’ny GPCE, Randriambololona Jean Françisco, miasa ao amin’ny sampandraharaha miandraikitra ny heloka bevava sy manokana. Nametraka ny paikady rehetra sy ny fitsirihana ity orinasa ity ny zandary ka voamarina ny fisian’ireo mpanao hosoka. Niroso amin’ny fisavana ny trano ny zandary rehefa nahazo taratasy avy amin’ny fitsarana ka hita tamin’izany ireo fitaovana fampiasan’izy ireo. Nosamborina ihany koa ny olona enina ka isan’izany ny mpitantana ity orinasa kely ity. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana nataon’ny zandary. Efa hatramin’ny taona 2020 izy ireo no nanao ity asa ratsy ity, saingy izao vao tratra, araka ny fanazavan’izy ireo nandritra ny famotoran’ny zandary.Ny DGSR irery ihany no afaka manamboatra “plaque chassis”…Heloka anenjehana azy ireo ny fanaovana hosoka sy ny fampiasana hosoka “plaque chassis” araka ny fehezan-dalàna famaizana 139.  Nilaza izy ireo fa 69 500Ar (raha 75 000Ar kosa eny amin’ny DGSR) ny hanamboarany ny “plaque” iray. Nambaran’ny tale jeneralin’ny foibe fitsarana fiarakodia (DGSR), ny Jly Tsirivelo Nicolas, kosa fa ny DGSR irery no sampandraharam-panjakana voatondron’ny lalàna hanamboatra ny “plaque chassis” sy manana ny fitaovana arifomba fanamboarana izany satria hita ao avokoa ny PV nandritra ny fitsirihana ara-teknika tany amin’ny fitsarana fiara. Manentana ireo tompona fiara mampiasa “plaque chassis” hosoka hanatona ny DGSR hisorohaha ny hosoka sy ny fampiasana hosoka satria tsy maintsy hita any amin’ny fitsirihana ny fiara ny fampiasana izany ka mety hidirana am-ponja, araka ny nambarany hatrany.Jean ClaudeL’article Tsaralalàna: saron’ny zandary ny orinasa mpamboatra “plaque chassis” hosoka       a été récupéré chez Newsmada.

Fihaonana an-tampony any Malawi: handray anjara amin’ny fivorian’ny Sadc i Madagasikara
29/07/2021

Anisan’ny nankatoavina tamin’ny filankevitry ny minisitra natao, omaly teny Iavoloha, ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny filankevitry ny minisitra sy ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-pirenena sy ny lehiben’ny governemanta. Hotanterahina any Malawi, mitantana ny Sadc, ny 9 hatramin’ny 18 aogositra izao, izany. Anisan’ny lohahevitra hodinihina amin’izany ny momba ny fanatanterahana ireo hevitra tapaka amin’ny paikady ho fampandrosoana ireo firenena eo anivon’ny Sadc. Eo koa ny fijerena ny fivoaran’ny fanatanterahana ny sori-dalana eo amin’ny sehatry ny indostria, ny fandinihana ny tatitry ny komity misahana ny lafiny vola sy ny fitantanana ary ny tatitra momba ny fitantanana ny mpiasa sy ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ireo firenena eo anivon’ny Sadc.Hamboarina ny lalana eny anivon’ny kaomininaAnkoatra izany, nankatoavina koa ny fanomezana fitaovana miisa enina avy, toy ny “Porte-chars” sy ny kamiao trakitera. “Ahafahan’ireo faritra manatanteraka ny asa iandraiketany ho an’ny fampandrosoana eo amin’ny toekarena, ny sosialy ary indrindra ho an’ny asa fanarenana sy ny fanamboarana ireo lalana kaominaly. Mba tsy hitoka-monina ireo eny ifotony. Efa nisy fanomezana fitaovana miisy dimy isaky ny faritra”, hoy ny tatitry ny filankevitry ny minisitra. Fangatahan’ny minisiteran’ny Atitany izao nahazoana ny fitaovana enina ho an’ny faritany izao.Synèse R.L’article Fihaonana an-tampony any Malawi: handray anjara amin’ny fivorian’ny Sadc i Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.

Toetr’andro: hangatsiaka sady handrivotra ao anatin’ny telo andro
30/07/2021

Mbola tena anaty ririnina isika eto Madagasikara. Manamarina izany ny niainana nandritra ny herinandro, izay namirifiry ary tafidina hatrany amin’ny 6°C ny tany Fianarantsoa. Hatry ny omaly, nanorana manify ny teto Antananarivo sy ny manodidina ary mangatsiaka tanteraka ny rivodrivotra nandritra ny tontolo andro.Raha ny filazan’ny mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby,  sady handrivotra no hangatsiaka saika manerana ny Nosy ankoatra ny ilany andrefan’ny afovoan-tany. Mila mivonona amin’izany hatrany ireo tsy maintsy mivoaka ny trano na ny mpiasa na ny mpianatra. Eo koa ireo zokiolona, mila miaro tena amin’ny hatsiaka. Rahampitso, hisy ny orana ho an’ ny ilany atsinanan’ny Nosy. Handrahona sy ho merika ny ilany atsinanan’ny afovoan-tany.Ny alahady kosa, hanorana ny tapany avaratra atsinanan’ny Nosy, ny faritra Analamanga ary Vakinankaratra. Handrahona mety ho merika ny ilany atsinanan’ny afovoan-tany. Hibaliaka ny masoandro any an-kafa. Mahazo vahana ny hamafin’ny rivotra noho ny tosika ka hahery vaika ny ranomasina ary hahatratra 3m mahery ny haavon’ny onja any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana any, rahampitso. Hikorontana, araka izany, ny fifamoivoizana an-dranomasina ka mila mailo ireo mpiandriaka ary tokony hampitsahatra ny asany.Tatiana A L’article Toetr’andro: hangatsiaka sady handrivotra ao anatin’ny telo andro a été récupéré chez Newsmada.

RN4 – Taksiborosy nivadibadika: olona enina indray maty, zaza herintaona ny iray
29/07/2021

Zaza vao herintaona ny iray ary 10 taona ny iray hafa. Ireo no nanampy ireo mpandeha efatra namoy ny ainy tamin’ilay loza mahatsiravina teny Andranofotsy RN4, omaly maraina. Taksiborosy avy any Mahajanga ity niharan-doza ity. Ankoatr’ireo maty, marobe ireo naratra mafy.Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray ny lalam-pirenena fahefatra, omaly maraina tokony ho tamin’ny 5 ora. Tra-doza tamin’izany ny taksiborosy mampitohy an’i Mahajanga sy ny Renivohitra teo amin’ny fokontany Andranofotsy Fandrosoana, kaominina ambanivohitr’i Fihaonana, distrikan’Ankazobe. « Nifanena tamina kamiao iray ilay taksiborosy ka nandona mafy an’ilay bisikileta teo alohany », hoy ny fanazavan’ny zandary ao Fihaonana misahana ny famotorana. Nambarany fa vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Vokany, nivoaka ny arabe sy nivadibadika tany ankavian-dalana ilay fiara. Maty teo no ho eo tamin’izany ny olona miisa telo. Isan’izany ilay lehilahy nitondra bisikileta, ny zaza iray sy ny rangahy lehibe mpandeha tao amin’ilay taksiborosy. Marobe ireo naratra mafy sy voatery nalefa vonjimaika teny amin’ny toeram-pitsaboana ao Fihaonana, Andranovelona sy ao Bejofo Mahitsy. Tsy tana anefa ny ain’ny telo tamin’ireo naratra mafy izay nahitana zaza iray.Isan’ireo naratra ihany koa ny mpamily ny fiara, saingy tsy ahina ny ainy. Ny sasany amin’ireo mpandeha, mbola manohy ny fitsaboany eny amin’ny HJRA. Ny vata-mangatsiakan’ireo mpandeha sasany kosa, efa eny anivon’ny fianakaviany tsirairay avy raha mbola miandry ny azy kosa ny roa hafa. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, efa tsy eo an-toerana intsony ilay taksiborosy miasa ao amin’ny kaoperativa Kofila. Efa natao andrimaso ihany koa ny mpamily, misokatra manaraka izany ny famotorana ny raharaha.Matetika isehoan-dozaIsan’ireo lalam-pirenena isehoana lozam-pifamoivoizana matetika ny lalam-pirenena fahefatra. Tsy vitsy ireo efa namoy ny ainy, marobe ihany koa ireo naratra mafy vokatry ny fandehanana mafy.Efa tafiditra anatin’ny fotoam-pialan-tsasatra ihany koa isika izao, marobe ireo fiara fitaterana avy eto an-drenivohitra mihazo an’i Mahajanga. Tokony ho mailo, araka izany, ny tsirairay. Ilaina ihany koa ny famerana ny hafainganam-pandehan’ireo fiara hisorohana ny loza. Henintsoa HaniL’article RN4 – Taksiborosy nivadibadika: olona enina indray maty, zaza herintaona ny iray a été récupéré chez Newsmada.

Maep: hita ny paikady hampandrosoana ny fiompiana
27/07/2021

Natao ny 22 hatramin’ny 24 jolay teo ny atrikasa lehibe entina hampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana, notarihin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep). Voafaritra ny paikady hamaritana ny laharam-pahamehana isan-tsokajiny avy. Nampahatsiahivin’ny tale jeneralin’ny Fiompiana (DGE), Andriamahatola Tsiry Lezoma, fa natao ity fikaonan-doha ity satria tsy nisy ny antontan-kevitra lasitra hatao tondrozotra hamelomana indray ity sehatra ity. Tanjon’ny minisitera ny nanangona ny soso-kevitry ny mpisehatra rehetra, toy ny mpiompy, ny mpanodim-bokatra, ny mpanondrana, ny mpandraharaha amin’ny sakafom-biby sy ny akora ilaina, sns.Nandravona ny paikady isan-tsokajiny entina mitantana ny asam-baomiera. Ao anatin’izany ny lafiny lalàna, ny olona hisahana ny teknika, ny enti-manana ara-teknika sy ara-bola. Eo koa ny tetikasam-pampandrosoana isaky ny lalam-pihariana, toy ny fiompiana omby, ny biby miraok’ahitra, ny akoho amam-borona, ny kisoa, ny tantely, sns.Mpiompy madinika sy ny indostrialyNilaza i Zafisolo Louis, miompy ondry sy osy any amin’ny faritra Androy, fa namantarako ny tena ilana ny fifotoran’ny mpiompy ho matihanina ity fotoana ity. Ilaina ny fanisana ny isan’ny biby ompiana, ny fanatsarana ny lalàna sy ny sakafom-biby. Hampiakatra ny lanjan’ny lalam-pihariana ataonay ireo izay tsy voajery hatramin’izay.Hoan-dRtoa Razafindraibe Haingotiana, filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Malagasy Dairy Board (MDB), anisan’ny orinasa indostrialy amin’ny fiompiana, “nohenoina sady noraisina  ny hetahetanay sy ny soso-kevitray. Misokatra ny fifampidinihan’ny tsy miankina sy ny fanjakana. Antenaina fa hisarika ny orinasa indostrialy hafa izao dingana vita izao. Samy miandry ny fanatanterahana ny rehetra.Njaka AndriantefiarinesyL’article Maep: hita ny paikady hampandrosoana ny fiompiana a été récupéré chez Newsmada.