Sport

Famintinana ny lalao nataon’ny Barea sy Kongo

Nandresy ny ekipan'ny Kongo ny Barea de Madagascar omaly rehefa vita ny fandakana ny Tir au but. 2 noho 2 no nisarahan'ny roa tonta tao aorian'ny 120 minitra. Niditra tamin'ny fandakana ny tir au but ary ny Barea sy ny Kongo, ka teo no nivoaka mpandresy ny Malagasy tamin'ny isa 4 - 2. Tafiakatra izany ny Barea de Madagascar ho an'ny dingana ampahefa-dalana. Miandry ny mpifanandrina aminy izy izao, iray amin'ny Ghana sy Tonizia izany. Misaotra Barea - Alefa Barea - Miara Mirona

Tohizo ny famakiana >>

Foot - News - Sport

Ny nisongadina tamin’ny fihaonan’ny Barea sy ny Gineana

Ireo baolina maty nandritra ny fihaonan'ny Barea sy ny Gineana tamin'ny 22 Jona 2019. 2 - 2 no isa nisarahana tamin'io lalao io. Ny Gineana no nanokatra ny isa tamin'ny alalan'i Sory Kaba tamin'ny minitra faha 34 tamin'ny fizaram-potoana voalohany. Nosalahan'ny Malagasy ny isa tamin'ny minitra faha 49. I Anicet Abel no nampiditra ny baolina taorian'ny corner nodakan'i Carolus Andrea (Charles Andriamanitsinoro). Enina minitra taorian'io dia nampian'i Carolus Andrea ny isa ka lasa 2 - 1. Tamin'ny minitra faha 66 no nanasahala ny isa i François Kamano tamin'ny alalan'ny Penalty. Misaotra Barea. Miara Mirona. Alefa Barea

Foot - News - Sport

Hafaliana ho an’ny vahoaka Malagasy taorian’ny fandresen’i Barea an’i Nigeria

Sary mampiseho ny hafalian'i Malagasy taorian'ny fandresen'i Barea an'i Nigeria. Sary nindramina avy amin'i Harry Tiana Teddy, Ets Steeve-net sy Orange Misaotra Barea, Alefa Barea, Miara mirona

Foot - News - Sport

Nandresy an’i Nigeria 2 – 0 ny Barea – CAN 2019

Tafiakatra amin'ny dingan'ny ampahavalon-dalana ny Barea an'i Madagasikara rehefa avy nandresy an'i Nigeria tamin'ny isa 2 - 0. I Lalaina Nomenjanahary (Bolida) no nampiditra ny baolina voalohany tamin'ny faha 13 minitra nilalaovana. Nampian'i Charles Andriamanitsinoro (Carolus Andrea) ny isa tamin'ny minitra faha 53. Mitana ny laharana voalohany izany ny Barea an'i Madagasikara amin'ny isa 7 taorian'iny fandresena iny ao amin'ny vondrona B misy azy. Isaorana be dia be ny ekipantsika. Alefa Barea. Miara Mirona.

Foot - News - Sport

Mikotrana ny Barea ankehitriny eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus

Amin'izao ora hanoratana an'ity lahatsoratra ity diay manao fanazaran-tena eny amin'ny kianjan'ny Elgeco Plus eny amin'ny Bypass ny Barea de Madagascar. Ito manaraka ito ny lien raha hijery izany ianareo : https://www.facebook.com/zone.kitra/videos/2263031310623639/. Hisaorana be dia be ny 24.kitra mizara an'izany video izany.

Basket - News - Sport - News Mada

Basikety – “Tournoi des Elites 3×3”: hotsongaina ireo handrafitra ny ekipam-pirenena

Hiditra amin’ny fifantenana farany, ho an’ireo handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, ny komision’ny basikety lalaovina olona telo, miaraka amin’ny tale teknika nasionaly. Hotanterahina, etsy amin’ny « parking »-n’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny asabotsy 27 sy ny alahady 28 avrily ho avy izao, ny andiany voalohany amin’ny “Tournoi des Elites”, basikety lalaovina olona telo (3 x 3). Mpilalao 32 lahy sy 32 vavy ny hiatrika izany. Nambaran-dRandrianarisoa Riana, tomponandraikitry ny komisiona, fa hiady ny lohany ireo  sangany indrindra, notsongaina, nanomboka ny taon-dasa. Tanjona ny hifantenana ireo handrafitra ny ekipam-pirenena, hiatrika ny « Lalao afrikanina », any Maraoka ny aogositra ho avy izao, sy ny fiadiana ny ho « Tompondakan’i Afrika », any Egypta, ny novambra 2019.Hahazo 500 000 Ar ny tompondakaHozaraina ao anaty sokajy valo ireo mpilalao ireo ka mitsinjara ny iray tarika ny tale teknika nasionaly sy ny ekipany.  Zava-dehibe ny fanatontosana ny “tournoi” toy izao, araka ny nambaran’i Angelot, tale teknika nasionaly. Mila manana isa ny mpilalao tsirairay eo anivon’ny federasiona iraisam-pirenena hahafahana miatrika ireo lalao any ivelany. Mbola vitsy ireo mpilalao manana isa 100. Ho an’ny lehilahy : i Fabrice, i Ricky, i Arnol, i Livio, i Steve ary i Walter. I Sarobidy sy i Murielle kosa ny eo amin’ny vehivavy.Manohana ny fifaninanana ny Telma ka  hanolotra 500 000 Ar ho an’ny tompondaka.  300 000 Ar ny an’ny faharoa ary 200 000 Ar ny fahatelo. Hanome 150 000 Ar ho an’ny fahefatra kosa ny federasiona. Hiantohan’ny Star ny rano fisotro ho an’ny ekipa tsirairay. Torcelin L’article Basikety – “Tournoi des Elites 3×3”: hotsongaina ireo handrafitra ny ekipam-pirenena a été récupéré chez Newsmada.

News - Sport - News Mada

Lomano: montsan’i Jonathan ny zava-bita tsara indrindra

Nanomboka, omaly ao amin’ny dobo filomanosana CRJS Toamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja lomano, ho an’ny halavirana 50 m. Niakatra ny haavo teknikan’ny mpilomano, raha ny hita nandritra io andro voalohany io satria nisy ny zava-bita tsara indrindra tamin’ny alalan-dRaharvel Jonathan, mpilomano ao amin’ny klioban’ny Cosfa Analamanga, sokajy “open”. Vitany tao anatin’ny fe-potoana 29’’: 96 ny 50 br raha toa ka izy ihany ny nahavita ny 50 m tsara indrindra tany La Réunion, tao anatin’ny fe-potoana 30”: 34.Tsahivina fa mpilomano miisa 350 ao anatin’ny klioba 19 ny mifaninana ary nahitana fiakarana taham-pahavitrihana izany. Ankoatra ireo ligy dimy efa nandray anjara tamin’ny herintaona, ahitana ny ligin’Analamanga, ny ligin’i Boeny, ny ligin’Atsinanana, ny ligin’i Vakinankaratra ary ny ligin’i Vatovavy Fitovinany, nahatonga solontena ihany koa ny ligin’Alaotra Mangoro sy ny ligin’i Matsiatra Ambony, sambany vao mifaninana ao anatin’ny fiadiana ny tompondaka nasionaly, raha ny nambaran’ny filohan’ny federasiona ny taranja lomano, ny jeneraly Ramanantsoa Gabriel.Mi.RazL’article Lomano: montsan’i Jonathan ny zava-bita tsara indrindra a été récupéré chez Newsmada.

News - Sport - News Mada

Tenisy- «BMOI Premium Challenge»: novaina ny endriky ny fifaninanana

Iray volana mialoha ny hanombohan’ny «BMOI Premium Challenge», taranja tenisy, natao ho an’olon-droa miaraka, lahy sy vavy, isika ankehitriny. Fihaonana hotanterahina, eny amin’ny kianja Country Club Ilafy, ny 25 sy ny 26 mey ho avy izao. Nisy ny fanovana ny endriky ny fifaninanana. Nofoanana ny tabilao iarahan’ny ray sy ny zanaka ka novaina ho tabilao ho an’olon-droa miaraka lehilahy, nozaraina ao anaty sokajy «steel» sy «titanium», arakaraka ny taon’ny mpifaninana.Zava-baovao amin’ny fitsipika mifehy ny lalao koa ny tsy fisian’ny «no ad», izany hoe, tsy misy «avantage» intsony raha mitovy ny isa fa mivoaka ho mpandresy ny mahazo isa voalohany.Toy izany koa ny «balle let» na ny baolina mikasika ny harato, aorian’ny “service”, azon’ny iray amin’ireo mpilalao mpifanandrina raisina.Manampy izany ny fisian’ny «point orange». Omen’io orinasan-tserasera io fahana ny ekipa mahazo isa voalohany, raha toa ka mitovy ny tarehimarika ao anatin’ny fe-potoana hilalaovana, maharitra 15 mn indroa miditra.Hotoloran’ny Orange fanomezana  ny ekipa mandrombaka fandresena be indrindra amin’ny alalan’ny “point decisif”.Torcelin  L’article Tenisy- «BMOI Premium Challenge»: novaina ny endriky ny fifaninanana a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

“M’Foot Fokontany”: miaraka ny baolina kitra sy ny fanabeazana

Vita, ny 21 avrily teo, ny dingana voalohany “M’Foot Fokontany”, nifanaovan’ny ankizy 13-15 taona, natomboka ny 30 marsa ka nandraisan’ny ekipa anjara niisa 75 tany am-boalohany avy amina boriborintany enina eto Antananarivo.Hanomboka ny 27 avrily izao ny dingana faharoa fifanintsanana eo amin’ireo ekipa enina voalohany isaky ny boriborintany sy ireo enina voafantina ahitana ireo ankizy mpilalao mahay, nofantenana avy amin’izay nihintsana ny dingana voalohany.Vita, omaly, ny fisarihana ireo ekipa telo isam-bondrona amin’izao dingana manaraka izao, natao tao amin’ny Skate Park Antanimena, nahitana ireo mpanohana isan-tsokajiny (Airtel, Total, Sanifer, Jumbo Score, Supermaki, Big, Aro, BOA) miaraka amin’ny Alefa Barea, mpikarakara ny fifaninanana. Kendrena koa ny fanabeazana sy ny fijerena ny lafiny sosialy ho an’ireo ankizy ireo hiomana ny hoavy ka singa iray lehibe ny fanohanana azy ireo amin’ny fanatanjahantena. Antony iray lehibe koa nisafidianan’ny mpanomana ny kianja manara-penitra (synthétique) any Andralanitra, misy ny toby Akamasoa, nifampiresahana tamin’ny mpitantana, ny mompera Pedro.“Mahafaly anay ny mandray anjara ho fanabeazana ireo ankizy ireo amin’ny baolina kitra, taranja fanatanjahantena mampiombona. Vonona hatrany izahay manohana, hanomana sy hampivoatra ireo tanorantsika ireo miainga avy any amin’ny fokontany misy azy avy”, hoy ny filohan’ny mpanohana Alefa Barea, Ramisamanana Lova.Raha mpilalao fito isaky ny ekipa no nifanandrina tany amin’ny dingana voalohany, sivy kosa ny handray anjara amin’izao manaraka izao. Ny 12 mey ny lalao famaranana eny amin’ny toby Akamasoa ihany. R. Mathieu   Ireo enina voalohany isaky ny boriborintany :Boriborintany 1 : CF TFC Anatihazo Isotry;  Boriborintany 4 : Ouest MananjaraBoriborintany  2: JSM Morarano               ;   Boriborintany 5 : FC ZandrikelyBoriborintany 3 : FC Betongolo                ;    Boriborintany 6 : Sport 6 City Ireo no hifanintsana amin’ny ekipa voafantina. L’article “M’Foot Fokontany”: miaraka ny baolina kitra sy ny fanabeazana a été récupéré chez Newsmada.

News - Sport - News Mada

Boxe – “Lalaon’ny Nosy”: hanaovana ady fitsapana ireo mpikatroka

Taorian’ny fiatrehana ny tapany voalohany amin’ny fampivondronana ho fanomanana ny « Lalaon’ny Nosy », nanapa-kevitra ny hanao ady fitsapana ireo mpikatroka ny eo anivon’ny federasiona malagasy ny taranja boxe. Hotanterahina ny 27 sy 28 avrily izao izany, hijerena akaiky ny tena mendrika. Araka ny efa notaterina teto, misy ekipa roa ny hifanintsana amin’ity ady fitsapana ity. Ny ekipa A, ivondronan’ireo atleta voafantina hiatrika ny fampivondronana. Ny ekipa B kosa, ireo solontena isaky ny ligim-paritra manerana ny Nosy. Hamoaka mpikatroka iray isaky sokajy ny ekipa A raha toa ka mpikatroka miisa roa isaky ny sokajy kosa ny hotsongaina ao amin’ny ekipa B. Izay tena mendrika amin’izy ireo avy eo no handrafitra ny ekipa hiatrika ny “Lalaon’ny Nosy”. Ho hentitra tanteraka ny mpitsara amin’ity fitsapana satria tanjona amin’ity “Lalaon’ny Nosy” ity ny handrombaka medaly volamena maro, raha ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasy, Rabarison Hery Mamy.Eo amin’izay fanomanana ny “Lalaon’ny Nosy” izay hatrany, nahazo fanampiana fitaovana avy amin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotonirina Léon Richard, ny mpikatroka, ny talata lasa teo. Gants miisa 20 sy “sac de sable” maromaro ny natolony tamin’izany. Mbola hisy ny fanampiana homen’ity minisitra mpiahy ny taranja boxe ity, ho fanohanana hatrany ny atleta malagasy. Mi.RazL’article Boxe – “Lalaon’ny Nosy”: hanaovana ady fitsapana ireo mpikatroka a été récupéré chez Newsmada.

News - Rugby - Sport - News Mada

Rugby U20 – «Trophy Barthès 2019»: resin’ny Makis de Madagascar ny Maraokanina

Tsara fanombohana ny Makis de Madagscar, sokajy U20, teo amin’ny fiadiana ny amboara “Trophy Barthès 2019”. Resin’ny Malagasy, teo amin’ny lalao manasa-dalana mantsy, ny Maraokanina.Nomontsanin’ny Makis de Madagascar, tamin’ny isa mavesatra, 51 no ho 0 i Maraoka, teo amin’ny lalao manasa-dalana, hiadiana ny “Trophy Barthès 2019”, taranja rugby, ho an’ny sokajy U20. Fihaonana, notanterahina, omaly alarobia, tao amin’ny kianja Prince Edward School, Zimbaboe.Azo lazaina fa nataon’ny Malagasy, tsy nisotro rano mihitsy ny Maraokanina, tamin’ity. Nanjakan’ny Makis tanteraka mantsy ny fihaonana. Porofon’izany, nisaraka tamin’ny isa, 18 no ho 0 ny roa tonta, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Nahatonga, baolina nentin-tanana telo, ny Makis, tamin’izany ka ny roa voatsara ary ny iray kosa tsy voatsara. Mbola nisy ihany koa ny “hors jeu”, matin’ny Malagasy.Nanantombo teo amin’ny haben’ny vatana ny Maraokanina, saingy hain’ny Malagasy ny niala tamin’izany. Nampiasa, ny hafainganana sy ny tolotolotra haingam-pandeha, tao anaty “trois quart”, ny Makis, izay tsy arakin’ny Maraokanina, mihitsy, ka nahatonga ireo baolina netin-tanana.Tsy nanova ny paikadiny ny Makis de Madagascar, teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, fa vao mainka nanindry. Nitohy araka izany, ny baolina nentin-tanana. Tetsy an-kilany, sahirana ny  Maraokanina, tamin’ny tanjaky ny mpilalao malagasy.Hidona, amin’i Zimbaboe, mpampiantrano, eo amin’ny famaranana, amin’ity “Trophy Barthès” ity, ny Makis de Madagascar. Ny Zimbaboeanina, izay nandavo ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, tamin’ny isa, 26 no ho 10, teo amin’ny ankatoky ny famaranana, ilany. Ry zareo, Ivoarianina anefa no nitarika tamin’ny isa, 10 no ho 6, teo am-pialan-tsasatra.Hotanterahina, ny asabotsy ho avy izao, ny famaranana eo amin’ny Makis sy i Zimbaboe. Tompondaka L’article Rugby U20 – «Trophy Barthès 2019»: resin’ny Makis de Madagascar ny Maraokanina a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

«Ligue des champions»: resin’ny Ajax ny Juventus

Nitranga, ny tsy nampoizina teo amin’ny lalao ampahefa-dalana miverina, hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra “ligue des champions”. Nihintsana mantsy ny Juventus de Turin. Nosakanan’ny Ajax d’Amsterdam, tao amin’ny kianjany tao Turin, ny lalan-dry Ronaldo sy ny namany.Resin’ny Holandey, tamin’ny isa, 2 no ho 1 izy ireo, ny talata lasa teo. Vokatra, tsy nisy nampoizin’ny rehetra, satria noheverina fa tsy haharesy ny Italianina, ao amin’ny kianja filalaovany ry zareo Ajax. Na izany aza, ny tompon-tanana, no nanokatra ny isa voalohany, tamin’ny alalan’i Ronaldo, teo amin’ny minitra faha-28, tamin’ny alalan’ny lohany. Nihevitra ny rehetra teo fa hisesy ny baolina ho tafiditry ny Italianina.Nanohitra kosa nefa ny Ajax, nampiseho endri-dalao, tsara sy haavo teknika ambony, na teo amin’ny fiarovan-tena na teo amin’ny fanafihana. Tsara rindra avokoa, izay rehetra nataon’izy ireo. Nahitam-bokany izany, tany amin’ny minitra faha-34, izay nanasahalan’izy ireo, ny isa. Baolina tafiditr’i Van Den Beek. Io isa io, no nentin’ny roa tonta, niala sasatra. Nanao izay ho afany, ny Juve, teo amin’ny tapa-potoana faharoa, saingy ry zareo Ajax indray no nahafaty ny baolina faharoa, tamin’ny alalan’i De Ligt.Teo amin’ny fihaonana ilany, nomontsanin’ny FC Barcelone, tamin’ny isa mazava, 3 no ho 0 ny Manchester United, Ny baolina roa, tamin’io dia matin’i Messi, avokoa. TompondakaL’article «Ligue des champions»: resin’ny Ajax ny Juventus a été récupéré chez Newsmada.

News - Sport - News Mada

JIOI – Ministera: niantohana ny fampivondronana

Niantohan’ny minisiteran’ny  Tanora (MJS) tanteraka ny tapany voalohany. Nifarana, omaly, ny andiany voalohany amin’ny fampivondronana ireo atleta miisa 228, niaraka tamin’ny mpanazatra 46 , hiatrika  ny lalaon’ny Nosy “JIOI”. Nisy ny lanonana namaranana izany teny Bypass, nanaovana ny tatitra sy ny jery todika nandritra ny 30 andro. Niantoka tanteraka ny lany rehetra tamin’izany ary mbola miezaka mitady hatrany ny hanatsarana ny fanomanana ho an’ireo atleta  ny minisitera. “Mety nisy ny lesoka, saingy hatsaraina izany amin’ny tapany faharoa“, hoy izy ireo. Manan-danja voalohany ny atleta satria hifaninanana  izy  ireo. Nampiavaka ny tapany voalohany ny fiarahana mipetraka tamin’ny hotely lehibe, i Madagascar Espace Bypass sy ny M Hotel Ampefiloha ary mbola ho torak’izany ihany koa ny amin’ny tapany faharoa. Najanona ny fampivondronana amin’izao andro fety  izao na  tsy mbola tokony hifarana aza izany, raha ny fanazavana. Tsy mbola nanomboka kosa ny fampivondronana ho an’ny taranja miisa efatra, ahitana ny judo, ny voile, ny baolina kitra ary ny lomano noho ny antony teknika, raha ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny MJS. Efa eo am-pijerena akaiky ny fanatsarana sy fanamboarana fotodrafitrasa ho an’ny taranja maromaro, ny MJS, ho an’ny fanoman-tena  hatrany. Anisany hisitraka izany, ny tenisy ambony latabatra, ny lomano, ny atletisma, ny fibatana fonjamby ary ny badminton. Nisaotra ny MJS ireo atleta sy ny solontenan’ny federasiona ary nangataka ny hanohizana izao ezaka izao hahazoana vokatra tsara.Mi RazL’article JIOI – Ministera: niantohana ny fampivondronana a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra atsy Afrika Atsimo: nahafaty ny baolina voalohany ho azy, i Dax

Manomboka mametraka ny anarany, eo amin’ny fifaninanam-pirenena, Afrikanina tatsimo, i Andriamirado Aro hasina (Dax). Porofon’izany, nahatafiditra baolina ny tovolahy, ny asabotsy lasa teo.Ela ny ela ka nahatafiditra ny baolina voalohany, ho azy, i Dax, ilay Malagasy milalao ao amin’ny Kaizer Chiefs, Afrika Atsimo. Fihaonana, tafiditra amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Praiminisitra Absa, notanterahina ny asabotsy 13 aprily lasa teo, tao amin’ny kianja Thohoyandou. Nisaraka, ady sahala, 1 sy 1 tamin’ny Black Léopards, ny ekipan’i Dax, tamin’izany. Ny Kaizer Chiefs, no nampiditra ny baolina voalohany, teo amin’ny minitra faha-11, tamin’ny alalan’ny daka mandrivorivo, nataon’i Dax, rehefa nahazo tolotra avy amin’i Kabelo Mahlasela. Nosahalain’ny Black Leopards, kosa izany teo amin’ny minitra faha-23. Baolina tafiditr’i Hlongwane. Tsy niova intsony io isa io, mandrapirava, na samy nanao izay ho afany aza, ny roa tonta. Marihina fa mbola saika nampiditra baolina faharoa, i Dax, teo amin’ny minitra faha-76 saingy nidona tamin’ny vodilaharana ny dakany, tamin’ny tongotra havia. Tsiahivina, fa avy hatrany, dia nataon’ny mpanazatra, tompon-toerana i Dax, ary ilalao nandritra ny 90 mn.   Nahafa-po, ny mpijery sy ny mpanazatran’ny Kaizer chiefs, ny endri-dalao nasehon’i Dax, tamin’ity fihaonana ity, izay efa manomboka matotra sy manana fahatokisan-tena, eny ambony kianja. Ao anatin’ny heriny sy ny tanjany tanteraka i Dax, amin’izao fotoana izao. Izy izay takin’ny mpijery baolina malagasy, mba ho anisan’ireo, ho antsoina hanatevina ny Barea de Madagascar, amin’ny fiatrehana ny “Can 2019”. Mbola miankina amin’ny fanapahan-kevitr’i Nicolas Dupuis, anefa izany, izay tsy nanafina fa mahay i Dax, ary manana ny toerany ao amin’ny ekipam-pirenena, saingy miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny “comité de normalisation” sy ny Fosa Juniors, ny amin’ny hiantsoana azy, na tsia. TompondakaL’article Kitra atsy Afrika Atsimo: nahafaty ny baolina voalohany ho azy, i Dax a été récupéré chez Newsmada.

News - Sport - News Mada

JIOI – Fampivondronana: hifarana anio ny tapany voalohany

Mandeha ny fotoana, tapitra sahady ny tapany voalohany amin’ny fampivondronana ireo atleta hifantenana handray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy, hatao any Maorisy, ny volana jolay izao. Ity tapany voalohany ity izay nanomboka ny 23 marsa lasa teo ka hofaranana anio. Raha ny tokony ho izy, amin’ny herinandro vao tena feno ilay 35 andro, saingy amin’ny maha fety ny andro, dia nanapa-kevitra ny teo anivon’ny ministera ny hanakatona izany amin’ity herinandro mialoha ny fetin’ny Paska ity.Araka ny loharanom-baovao, saika afa-po tamin’ny fanazaran-tena avokoa ireo atleta rehetra isaky ny federasiona, na dia nisy aza ireo nanana olana teo amin’ny tsy fahampian’ny fotoana.Ho an’ny taranja volley ball manokana, nahitana taratra sahady ireo izay tena mendrika iny tapany voalohany iny. Nanambara ny mpanazatra nasionaly eo amin’ity taranja ity fa izay tena mahay no ho antsoina indray hiatrika ny tapany faharoa amin’ny fampivondronana.Izay tena hita fa afaka misolo tena an’i Madagasikara no ho any Maorisy fa tsy misy ny fanavakavahana.Marihina, niavaka ny fandraisana ireo atleta ao anatin’izao fanomanan-tena izao satria miara- mipetraka amin’ny hotely lehibe avokoa izy rehetra ary efa samy manana ny toerana fanaovana ny fampivondronana ny taranja tsirairay. Etsy ankilany, tsy tapaka manara-maso sy mijery akaiky ireo atleta ny Minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ary indrindra ireo minisitra mpiahy isanisany izay manolotra fanampiana ihany koa. Mi.Raz L’article JIOI – Fampivondronana: hifarana anio ny tapany voalohany a été récupéré chez Newsmada.

News - Sport - News Mada

Savate: hanomboka ny zoma izao ny «Mada 2019»

Taorian’ny fifaninanam-paritra ho an’ny ligin’Analamanga, ny 5 hatramin’ny 7 avrily lasa teo, hotanterahina amin’ny zoma 19 avrily hatramin’ny 21 avrily ho avy izao etsy amin’ilay trano fisakafoanana Tournesol Andoharanofotsy, indray, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny taranja haiady Savate Boxe Française. Lalao iraisam-pirenena maro no miandry izay mendrika amin’ity fifaninanam-pirenena ity, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny federasiona, ka ho mafy ny fitsarana sy ny fifantenana ireo mpikatroka mifaninana. Isan’ny ady lehibe miandry ny mpiangaly ity taranja ity, ny fiadiana ny tompondaka manerantany. Izany dia hatao any Hummet Tonizia, ny 12 hatramin’ny 16 jona, ho an’ny sokajy “junior” sy “senior”. Any Budapest Bolgarie kosa no hanaovana ny ady eo amin’ny sokajy “cadets”, ny 20 hatramin’ny 24 jolay ho avy izao, raha ny fanazavana hatrany. Aorian’izay, handray anjara amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ihany koa ny solontenantsika, ny volana septambra izao atsy Maorisy.Raha hiverenana kosa ilay fifaninanam-paritra ho an’Analamanga, ny klioban’ny EBI Itaosy no nandrombaka ny anaram-boninahitra maro tamin’izany izay nahazo medaly volamena miisa 14. Mi.Raz L’article Savate: hanomboka ny zoma izao ny «Mada 2019» a été récupéré chez Newsmada.

News - Rugby - Sport - News Mada

Fampiharana ny miralenta: tetikasa mitentina 400 000 euros ho an’ny rugby

Nampahafantarina, omaly tetsy amin’ny IFM Analakely, ny fanombohan’ilay tetikasa fampihenana ny tsy fitoviana eo amin’ny lahy sy vavy, amin’ny alalan’ny rugby, mitarika amin’ny fampisondrotana sy fampivoarana, eto Madagasikara”. Tetikasa mitentina 400.000 euros ka ny 330 000 euros, avy amin’ny masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara, angady nananana sy vy nahitana izany. Marihina fa hiarahany miasa, amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny Malagasy rugby ary ny Akademiam-pirenen’ny fanatanjahantena (ANS), sy ny fikambanana Terres en Mêlées izy ity. Samy nanoritsoritra ny maha zava-dehibe ny tetikasa ireo nandaha-teny: ny masoivoho frantsay eto Madagasikara, Rtoa Véronique Voulan sy ny filohan’ny Malagasy Rugby, Rakotomalala Marcel. Ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fanatanjahantena malagasy, Ralaivao Lovatiako, nisolo tena ny minisitra Tinoka Roberto.Singa fototra telo Hahatrarana ny tanjona, noraisina ho fitaovam-panabeazana ny fanatanjahantena, indrindra fa ny rugby. Hiorina amin’ny singa fototra telo izy ity: ny fanofanana ka hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fanomezam-pahalalana ireo mpampiofana. Eo koa ny fiofanana voalohany, mandritra ny roa taona, ho an’ny mpampianatra fanatanjahantena, izay 60 % ny vehivavy sy ny an’ireo mpanazatra, miaraka amin’ny fanampian’ireo mpampiofana sy manampahaizana frantsay, eo am-panombohana.Eo koa ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy fampirisihana ny lehilahy sy ny vehivavy, miankina amin’ireo ivontoeram-piofanana dimy an’ny fikambanana Terre en mêlées. Eo koa ny fanatanjahantena sy ireo mpiara-miombon’antoka, amin’ny alalan’ny fanatontosana semineram-paritra, miaraka amin’ireo kapitenin’ny ekipa isan-tokony, izay vehivavy ny ankamaroany avy amin’ireo taranja samy hafa hahalan’izy ireo ny karazam-panatanjahantena.Nanatrika ity lanonana ity sy nanome ny heviny mikasika ny tetikasa ny talen’ny fanatanjahantena sy ny tale jeneralin’ny ANS. TompondakaL’article Fampiharana ny miralenta: tetikasa mitentina 400 000 euros ho an’ny rugby a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra – «Can 2019»: «Tsy tokony ho olana ny hiakarana amin’ny fihodinana faharoa», hoy ireo teknisianina

Mbola ambentin-dresaky ny mpitia fanatanjahantena, indrindra fa ny mpankafy baolina kitra, ny sokajy misy ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika «Can 2019». «Azo atao tsara ny vondrona misy antsika», hoy ireo teknisianina.  -I Debon Jean-François (tale teknika nasionaly)Azo atao tsara, raha ireo mpifanandrina amin’ny Barea ireo fa miankina amin’ny fahavononana sy ny paik’ady apetraky ny mpanazatra fotsiny sisa. I Nizeria no heverina fa ho mafy, saingy azo resena ihany koa. Na izany aza, afaka miady ny toerana faharoa ny Barea ary tokony ho tafavoaka amin’ity vondrona B ity.Mino aho fa anisan’ireo ekipa 16 hiatrika ny dingana ampahavalon-dalana ny Barea de Madagascar, amin’ity, raha lazaina ny lojikam-baolina. – Odon Michel (mpanazatra Jet Mada)Ny sarotra, ao amin’ity sokajy ity, i Nizeria izay manao baolina anglisy, izany hoe, matanjaka. Raha ny hevitro, hiadiana ny toerana faharoa. Miankina amin’ny voka-dalao eo amin’ireo lalao roa voalohany ihany koa anefa io. Mandeha io raha vao tsara fanombohana. Azo atao tsara izany ny miakatra amin’ny dingana faharoa.Feno fanantenana aloha ny tenako fa mbola hahita ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fihodinana faharoa, amin’ity “Can 2019 ity. Tsy tokony ho sakana mihitsy i Ginea sy i Borondi. -I Raux Auguste (mpanazatra Uscafoot)Raha ny vokatry ny fisarihana aloha, nahazo vondrona mora ny Barea. Miankina amin’ny fanomanana sy ny paikadin’ny mpanazatra ny herijika hiakarana amin’ny fihodinana faharoa. Na izany aza, mila mailo ihany satria mahay koa ireo mpifanandrina ireo matoa tafita hiatrika ny “Can 2019” ka tsy tokony hambaniana.Mitovy hevitra amin’ny rehetra aho fa mba anisan’ireo ekipa miakatra amin’ny fihodinana faharoa ny Barea de Madagascar, amin’ity. Mirary soa ho azy ireo hahavita dingana lavidavitra kokoa, amin’ity “Can 2019” ity. Nangonin’i Tompondaka L’article Kitra – «Can 2019»: «Tsy tokony ho olana ny hiakarana amin’ny fihodinana faharoa», hoy ireo teknisianina a été récupéré chez Newsmada.

News - Sport - Delire Madagascar

ASIEF: Nitombo ny taranja hifaninanana amin’ity taom-pilalaovana 2019 ity

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 6 aprily 2019 teny amin’ny kianja mitafo Mahamasina ny taom-pilalaovana 2019 ny ASIEF (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires). Natambatra tamin’io fotoana io ihany koa ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena miasa ho an’ny fandriam-pahalemana. Isan-taona dia misy ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana eny anivon’ny minisitera, ny andrim-panjakana isan-tsokajiny izay mivondrona ao amin’ny fikambanana ASIEF. Nitombo enina ny taranja hifaninanana amin’ity taom-pilalaovana ity. 19 ny fitambaran’ny ireo taranja ho an’ny olo-tokana sy iraisana raha ny tarehimarika voaray.  “Hisy taranja vaovao hosokafana manomboka amin’ity taona ity dia ny mouvement gymnique d’entretien, fitaizam-batana ho an’ny mpiasam-panjakana efa tsy nanao fanatanjahantena intsony”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisitera ny tanora sy ny fanatanjahantena. Noho ny fiaraha-miasa tamin’ny akademiam-pirenena ny fanatanjahantena sy ny ASIEF dia nivoaka ny andiany voalohany  amin’ireo“animateur santé sport” hampiofana io taranja io. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny ministera fa taranja tsy maintsy atao isaky ny ministera izy ity ho fitaizam-batana ho an’ny mpiasam-panjakana sy hisorohana ireo aretina maro mahatonga fahafatesana aloha loatra. Ao anatin’ny tanjony ny ASIEF rahateo izany. Noho izany, anisany taranja ho hita mandritra ny fifaninanana nasionaly ny ASIEF atao any Diego amin’ny volana oktobra ity taranja vaovao ity. Ankoatra izany dia taranja vaovao ihany koa ny belote, jeu d’echec, fanorona, ny hazakazaka amin’ny bisikileta, araka ny fanazavan’ny filohan’ny ASIEF, Andrianarison Jean Aimé na John Love. Raha ny fantatra dia ny 13 aprily 2019 ho avy izao ny fifanintsanana amin’ny taranja tsipy kanetibe. Manao antso  fitondram-panjakana ny filohan’ny ASIEF mba hampitombo ny tetibola natokana ho fikambanana. “Raha ny fantatro dia 60 tapitrisa  Ariary ny fanampiana ara-bola omen’ny fanjakana. Nihena izany tamin’ny taona lasa. Mangataka mba ho ampiana izany satria mitombo ny mpiasam-panjakana mandray anjara”. Marihina fa 12.000 mpiasam-panjakana nandray anjara tamin’ny fifanintsanana nasionaly natao tany Toamasina tamin’ny taona lasa. Lynda A. Cet article ASIEF: Nitombo ny taranja hifaninanana amin’ity taom-pilalaovana 2019 ity est apparu en premier sur déliremadagascar.

Foot - News - Sport - News Mada

«Can 2019»: nijery ny kianjan’i Alexandrie ny Gineanina sy ny Nizerianina

Tsy niandry ela fa iray andro monja taorian’ny fahavitan’ny antsapaka nahalalana ireo ekipa iray vondrona, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”, hatao any Egypta, izany hoe : ny asabotsy lasa teo, nijery avy hatrany ny kianja hilalaovany ao Alexandrie ireo tomponandraikitra sy ny teknisianina, avy amin’ny ekipan’i Ginea Konakry sy ny Nizerianina, iray vondrona amin’ny Barea de Madagascar.Nidina nijery ifotony mihitsy izy ireo ny amin’ny toetoetry ny bozaka hilalaovana sy ny firafitry ny toerana ary ny pitsopitsony rehetra. Midika izany fa mailo tanteraka izy ireo ka mitandrina mafy, amin’ity fifanintsanana isam-bondrona ity.Raha tsiahivina, kianja anisan’ny zokiny indrindra ao Egypta ny Stade d’Alexandrie. Natsangana ny taona 1929 izany fotodrafitrasa izany, ary efa nandray ny lalao fifanintsanana, tamin’ny “Can”, notanterahina tany an-toerana, ny taona 2006.Ny taona 2009 vao nasiam-panamboarana izany kianja ao Alexandrie izany, mahazaka mpijery mihoatra ny 80.000. Bozaka natoraly no hilalaovana ao fa tsy “synthétique” akory. Kianja hilalaovan’ny Ittihad Alexandrie sy ny Al Olympi ary ny Smouha Sporting Club. TompondakaL’article «Can 2019»: nijery ny kianjan’i Alexandrie ny Gineanina sy ny Nizerianina a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra – «THB ligue des champions»: Jet Mada Itasy (2) – (2) Fosa Jr Boeny

Nitohy, ny asabotsy sy omaly alahady, ny andro faharoa, amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “THB ligue des champions”, taranja baolina kitra. Tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, nisaraka ady sahala, 2 no ho 2, ny Jet Mada Itasy sy ny Fosa Jr Boeny. Azo lazaina fa tratry ny tsy nampoizina ihany ny ekipan’Itasy izay efa nitarika tamin’ny isa, 2 no ho 0 teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Baolina matin’i Tsiry sy i Tsito, tamin’ny alalan’ny “pénalty”.Nosahalain’ny Fosa Jr izany teo amin’ny fidirana faharoa, tamin’ny alalan’ny “pénalty”, tafiditr’i Baggio. Tsy nijanona teo fa mbola nanampy ny isa ho azy indray ny ekipan’i Boeny, tamin’ny alalan’ny “coup francs” matin’i Santatra, nahavery an’i Joma, mpiandry tsatobin’ny Jet Mada Itasy.Ankoatra izay, tany Toliara, resin’ny AS Adema Analamanga, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny 3FB Atsimo Andrefana. Tany Fianarantsoa, nisaraka ady sahala 1 sy 1, ny  FC Zanakala sy ny Ajesaia. Teny Vontovorona kosa, nahiliky ny Cnaps sport tamin’ny isa 5 noho 1 ny FC Ilakaka. Tompondaka L’article Kitra – «THB ligue des champions»: Jet Mada Itasy (2) – (2) Fosa Jr Boeny a été récupéré chez Newsmada.

News - Rugby - Sport - News Mada

Rugby – «Top 6 Aroi 2019»: voahosotra ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ny FTM Manjakaray

 Nifarana, omaly alahady tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, ny andiany faharoa, niadiana ny tompondakan’ny ranomasimbe Indianina “Top 6 Aroi 2019”, taranja rugby. Norombahin’ny FTM Manjakaray ny amboara tamin’ity. Resiny teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa mazava 47 no ho 24, ny Cosfa.Ekipa efa diso mifankalala tsara ny roa tonta. Tsy nihambahamba fa nampiseho avy hatrany ny fahaiza-manaony sy ny hakingany teo am-panombohana ny FTM, notarihin-dry Lahatra sy i Koroka. Nahitam-bokany izany satria nisesy ny baolina nentin-tanana vitan’izy ireo, efa nitarihany tamin’ny isa 14 no ho 0. Taorian’io vao nahatsara “hors jeu” iray ny Bebaoty, tamin’ny alalan’ny baolina voatsaran’i Gougou, ka nahatonga ny isa ho 14 no ho 3.Nanomboka teo, nifoha tamin’ny torimasony ny Miaramila ka nanomboka nanafika, saingy tsy nanaiky lembenana ihany koa ny boaikelin’ny Manjakaray. Na izany aza, samy nahafaty baolina avokoa ny andaniny sy ny ankilany. Nitarika hatrany anefa ny FTM Manjakaray. 24 no ho 14 ny isa nentin’ny roa tonta niala sasatra, tamin’ity.Teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, niezaka nanohitra ry Mael sy ny namany, ho an’ny Bebaoty, saingy efa tsara fiarovantena ny Manjakaray ka tsy tafavoaka mihitsy izy ireo. Vokany, nihanahazo vahana ny FTM ka nisesy indray ireo baolina nentin-tanana. Nitarika tamin’ny isa 47 no ho 17 ry zalahy. Efa tany amin’ny fiafaran’ny fotoana vao nahatonga baolina nentin-tanana ny Cosfa, izay tsy ampy nisongonana ny FTM intsony izany.Mbola hodinihina ny firenena hampiantrano ny andiany fahatelo, sy ny fomba hanatsarana ny lalao satria mety hisy sokajy hafa hampidirina hifaninana amin’ity “Aroi” ity, araka fivoriana niarahana tamin’ny federasiona frantsay, omaly. TompondakaL’article Rugby – «Top 6 Aroi 2019»: voahosotra ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ny FTM Manjakaray a été récupéré chez Newsmada.

News - Sport - News Mada

Tsipy kanetibe: vaky ny ady eo amin’ny FMP sy ny federasiona iraisam-pirenena

Nanao ampamoaka tamin’ny mpanao gazety ny federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe (FMP), ny asabotsy lasa teo tetsy amin’ny ANS Ampefiloha. Nambaran-dRazafindrainiony Beryl Lala, filohan’ny federasiona malagasy, fa ampy izay ny fotoana hanginana. Nolazainy fa tsy hipetra-potsiny intsony ny tenany sy ny ekipany, amin’ny fanaratsiana sy ny fanasoketana azy ireo ho manao kolikoly sy manimba ny tsipy kanetibe ka ilazana fa maka vola amin’ny mpilalao.Hitondra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana mihitsy izy ireo ka hametraka fitoriana amin’ireo olona voakasik’izany. Anisan’ireny i Alenj Joel (Toutoune), izay nilaza fa nisy volana 5 tapitrisa Ar noraisin’ny federasiona. Nolazain’i Beryl fa vonona izy ny hiatrika ny famotorana, ary hiala amin’ny  toerany raha manana porofo ireo olona mitoroka azy ho manao ny tsy rariny.Nanambara ny fahavononany ihany koa ny tenany hiatrika sy hamaly ireo fiampangana nataon’ny federasiona iraisam-pirenena azy ho manao hosoka amin’ny kara-pilalaovana sy ny fanangonam-bola, amin’ireo mpilalao malagasy any Frantsa. “Ny mahagaga, hatreto, tsy mbola nahazo fanasana hiatrehana ny fivoriambe hatao any Espaina, ny 1 mey ho avy izao, izahay. Efa indroa nangataka izany tany amin’ny federasiona iraisam-pirenena, saingy tsy misy valiny. Ilaina anefa ny fakàna “visa” handehanana any. Tsy fantatray intsony na tsy tiana hanatrika izany izahay na ahoana”, hoy izy.Na izany na tsy izany, tsy maintsy hitady ny hevitra rehetra ny FMP hiatrehana izany. Torcelin L’article Tsipy kanetibe: vaky ny ady eo amin’ny FMP sy ny federasiona iraisam-pirenena a été récupéré chez Newsmada.

Basket - News - Sport - Delire Madagascar

« TOURNOI JUMP »: Niverina indray

2002 no nisy farany ny fifaninana « « Tournoi Jump »  izay hifaninanan’ny mpiantra eny amin’ny sekoly kolejy sy lisea amin’ny lalao basikety. Niverina indray izany tamin’ity taona ity noho ny fahatsapan’ny fikambanana Jump Basketball fa ilaina ny fitaizana ireo tanora amin’ny sehatry ny fanatanjahantena. Roa andro no anaovana ny fifaninana ka hanomboka amin’ny 11 atondro ny andron’ny sabotsy 13 Aprily 2019 ny fifaninana ka hifarana ny Alahady 14 Aprily 2019. Ny maraina mialoha an’io kosa anefa dia hisy ny hetsika  « sport et loisir » karakarain’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena hitaizana ny tanora ahitana lalao ping pong, tenisy ambony latabatra, zomba ary fampilalaovana ny ankizy. Tsy hisy ny vidim-pidirana amin’io maraina io. Tanjona amin’ity hetsika ity ny hanentanana ny tanora sy fitaizana amin’ny fandrindram-piterahana. Eo amin’ny sehatry ny fifaninana « Tournoi Jump » kosa indray dia sekoly 16 no mandray an-jara ka 12 no avy eto Antananarivo avokoa, efatra avy any amin’ny faritra toa an’i kolejy St Gabriel mahajanga, kolejy David Johns Toamasina, St François Xavier Fianarantsoa ary St Joseph Antsirabe. « Betsaka no maniry ny handray an-jara kanefa noferana izany satria tsy ho vita ao anatin’ny roa andro ny fifaninana. Amin’ny manaraka kosa anefa dia ho ezahina ny hampitombo izany. Tanora latsiky ny 18 taona no afaka milalao amin’ity fifaninana ity », hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana Jump Basketball, Arivelo Hajaniaina Vévé. Eo amin’ny fizotrany lalao dia 10 minitra miditra indroa amin’ny fifanintsanana  fa any amin’ny manasa-dalana sy ny famaranana kosa no 8 minitra inefatra. Marihana fa eny anelanelan’ny lalaon’ireo tanora ireo dia hisy ny fandraisana an-jaran’ireo nilalao tany amin’ny taona 1995 ka hatramin’ny taona 2002. Ankoatra izay dia hisy lalao fanomanan-tena ho an’ireo ekipam-pirenena lahy sy vavy hiatrika ny lalaon’ny nosy amin’ity taona ity. Hifanandrina amin’izy ireo amin’izany ny ekipan’ny « reste du monde ». Marihana fa tamin’ny taona 1995 no niforina ny fikambanana. Nirina R. Cet article « TOURNOI JUMP »: Niverina indray est apparu en premier sur déliremadagascar.

Foot - News - Sport - News Mada

Kick-off – «Futsal tournament 2019»: norombahin’ny UCM ny amboara

 Tontosa, ny asabotsy lasa teo tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny andiany faharoa, amin’ny Kick-off – «Futsal tournament 2019». Voahosotra ho tompondaka ny UCM (Université catholique de Madagascar), rehefa nandresy ny Imgam, teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 6 no ho 4. Niady ny lalaon’ny roa tonta satria nifanenjehana ny isa teny amin’ny solaitrabe. Nisaraka tamin’ny isa mitovy, 3 no ho 3, ny roa tonta, teo am-pialan-tsasatra. Efa tany amin’ny 10 mn farany vao afaka ny UCM. Nitana ny laharana fahatelo ny IUM (Institut des universités de Madagascar).Voahosotra ho mpilalao nampiditra baolina be indrindra i Rado avy amin’ny IUM ary i Rejela, kapitenin’ny Imgam, kosa ny mpilalao mendrika. Nomena ny mpianatra avy amin’ny Esmia ny amboaran’ny “fair-play” ary ny mpanohana ny INTH no nandrombaka ny “meilleur supporteur”.“Afa-po izahay ary misaotra ireo mpanohana sy ny mpijery ary ireo mpandray anjara rehetra, ianareo mpanao gazety, tamin’ity andiany faharoa ity. Ezahina ny hanatsara ny andiany fahatelo”, hoy Rajaona Davida, filohan’ny IEP, mpikarakara. Torcelin L’article Kick-off – «Futsal tournament 2019»: norombahin’ny UCM ny amboara a été récupéré chez Newsmada.

Basket - News - Sport - News Mada

Basikety – « Jump tournoi »: tompondaka ny Esca Antanimena

Notanterahina tetsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo, ilay fifaninanana eo amin’ny samy kolejy sy lycée, taranja basikety. Nafana vay ny lalao famaranana teo amin’ny fifanandrinan’ny Esca Antanimena sy ny Saint François Xavier. Samy dadany ireto ekipa roa ireto ary nifandimby nampitombo ny isa hatrany am-piandohan’ny lalao. Sahala, 53 no ho 53, ny isa teny amin’ny solaitrabe, teo am-piafaran’ny fe-potoana ara-dalàna ka niroso tamin’ny fanalavam-potoana. Nivoaka mpandresy tamin’izany ny Esca Antanimena, rehefa avy niady mafy. Mi.RazL’article Basikety – « Jump tournoi »: tompondaka ny Esca Antanimena a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - Delire Madagascar

KIANJAN’NY ELGECO PLUS: Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena

Nitombo iray indray ny kianja filalaovana baolina kitra manara-penitra eto Madagasikara. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 12 aprily 2019 ny « terrain synthétique » an’ny klioba Elgeco Plus eny amin’ny By Pass Ambohijanaka. Nanatrika izany ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Rajoelina Andry, ny ministry ny tanora sy ny fanatahanjahantena, Tinoka Roberto niaraka tamin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Nambaran’ny filoham-panorina ny klioba Elgeco Plus, Randriamanampisoa Alfred fa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena io kianja io ary afaka mandray lalao baolina kitra iraisam-pirenena. Ahitana trano fisakafoana ihany koa ity foto-drafitr’asa vaovao ity mba ahafahan’ireo mpilalao misakafo. Mbola tsy vita tanteraka ny foto-drafitr’asa fa vao ny kianja iny notokanana iny izay valo volana ny faharetany nanamboarana azy. Ao anatin’ny asa mbola ho atao manaraka ny fanamboarana hotely, ny tribune central ary ny gradin. Tamin’io fotoana io no nametrahana ny vato fototra ho an’ny tribune central ary ny gradin. Roa taona ny fitambaran’ny fotoana hamitàna  tanteraka foto-drafitr’asa raha ny vina tany am-boalohany, hoy hatrany Randriamanampisoa Alfred. Ankoatra izany dia mampiavaka ity kianja ity ny fisian’ny “pilone” sy ny “projecteur” mba hanazarana ny mpilalao amin’ny fifaninanana amin’ny alina. Mahazaka mpijery 2000 ny kianjan’ny Elegeco Plus eny By Pass Ambohijanaka. Raha ny fantatra dia ny klioba sy ny mpiara-miombona antoka aminy no niara-nisalahy tamin’ny fanamboarana. Mbola miantso ireo malala-tanana afaka manampy amin’ny famitàna tanteraka ny kianja iray manontolo anefa ny filohan’ny klioba. Lynda A. Cet article KIANJAN’NY ELGECO PLUS: Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena est apparu en premier sur déliremadagascar.

Foot - News - Sport - Ao Raha

KITRA – «UEFA CHAMPIONS LEAGUE» :: Nanara-dia ny PSG ho any amin’ ny ampahavalon-dalana ny Lyon

Ny klioba frantsay, Olympique Lyonnais (OL), no ekipa faha-16 tafita hiatrika ny dingan’ny ampahavalon-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa ho an’ireo klioba na ny “Uefa Champions League”, taranja baolina kitra. Nisaraka ady sahala, 1 sy 1, izy ireo sy ny Shakhtar Donetsk, ny alarobia alina lasa teo tany Kiev. Tao anatin’ny rano- mandry no nanaovana ity lalao namaritra ny ekipa faha-16 hiatrika ny dingana manaraka ity. Tamin’ny lalao mandroso dia nisaraka ady sahala, 2 sy 2, ny roa tonta tany amin’ny kianjan’i Lyon. Satroka roa Nitarika tamin’ny alalan’ny isa 1 noho 0, teo amin’ny minitra faha-22 ny solontenan’i Ukraine, tamin’ity lalao miverina ity, tamin’ny alalan’i Junio Moraes. Efa tany amin’ny minitra faha-65 vao nahasahala ny isa i Nabil Fekir, kapitenin’ny Olympique Lyonnais, ka nahatonga azy ireo ho tafita amin’ny dingana manaraka. Hotanterahina any Nyon Soisa, amin’ny alatsinainy 17 desambra ho avy izao, ny antsapaka hahafantarana izay hifanandrina amin’ity dingan’ ny ampahavalon-dalana ity. Hozaraina ao anatin’ny satroka roa ireo ekipa enina ambin’ny folo ka napetraka ho lohan’andiany ireo laharana voalohany tao amin’ny vondrona. Isan’ireny ny Barcelone (ESP), Bayern Munich (GER), Borussia Dortmund (GER), Juventus (ITA), Manchester City (ENG), Paris (FRA), Porto (POR), Real Madrid (ESP). Ao amin’ny satroka faharoa kosa ireo laharana faharoa dia ny Ajax Amsterdam (NED), Atlético Madrid (ESP), Liverpool (ENG), Lyon (FRA), Manchester United (ENG), Roma (ITA), Schalke 04 (GER), Tottenham Hotspur (ENG). Klioba Anglisy efatra, Alemana telo, Espaniola telo, Italiana roa, Frantsay roa, Portigaly iray ary Pays Bas iray no tafita hiatrika an’ity dingana ity . Hotontosaina amin’ny 12/13, 19/20 febroary 2019 sy amin’ny 5/6, 12/13 marsa 2019 ho avy izao ireo lalao mandroso sy miverina hanamarika ny dingan’ny ampahavalon-dalana ho an’ity fifaninanana kaontinantaly ity. L’article KITRA – «UEFA CHAMPIONS LEAGUE» :: Nanara-dia ny PSG ho any amin’ ny ampahavalon-dalana ny Lyon est apparu en premier sur AoRaha.

News - Sport - Ao Raha

HAZAKAZA-PIARAKODIA – RUN :: Voahosotra ho tompondaka fanindiminy i Vazaha

Nivoaka ny didy. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara fanindiminy teo amin’ny hazakaza-piarakodia sokajy ProRun i Jean de Dieu Rafanomezantsoa na i Vazaha, mpanamory Subaru Impreza. Io no fanapahan-kevitra noraisin’ny mpanara-maso ny fifaninanana eo anivon’ ny Federasiona malagasin’ ny hazakaza-piarakodia, taorian’ny tsy nahavitan’ny dingana farany ho an’ny fifaninanam-pirenena tamin’ny 2 desambra lasa teo noho ny fiavian’ny orana tampoka. Talohan’io dingana fahenina io dia nanana isa 112 i Vazaha, raha 103 ny an’i Jaona Randriarimalala na i Jaona Elite, nanamory Smart Dragster. Samy nojerena ny isa azon’ny tsirairay, teo amin’ny fitsaharan’ny fifa-ninanana vokatry ny orana tamin’ny 2 desambra lasa teo ka nahazo fanampin’isa 25 i Vazaha niampy isa telo ka tafakatra ho 140. Nandritra ny dimy taona nisesy (2014 – 2018) dia voahosotra foana izy. Teo amin’ny sokajy Run indray dia voahosotra ho tompondaka i Tony Razafintsalama, nitondra ny Renault Super 5. Azony avokoa ny laharana voalohany tamin’ireo dingana rehetra nanamarika ny fifaninanam-pirenena tamin’ity taona ity. L’article HAZAKAZA-PIARAKODIA – RUN :: Voahosotra ho tompondaka fanindiminy i Vazaha est apparu en premier sur AoRaha.

News - Sport - Ao Raha

FIBATANA FONJAMBY – LALAO OLYMPIKA :: Manakaiky an’i Tokyo i Rosina sy Eric Herman

Tafita tamin’ny zana-tohatra voalohany teo amin’ny fifanintsanana hiatrehana ny Lalao Olympika, hatao any Tokyo amin’ny 2020, i Rosina Randafison sy Eric Herman Andriantsitohaina, tany Le Caire, Ejypta. Miankina amin’ny dingana faharoa ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Federasiona iraisam-pirenena na ny “Sylver qualifiers”, ho-tanterahina any Thaïlande, amin’ny volana febroary ho avy izao, ny mety hiatrehana na tsia an’ity Lalao Olympika hatao any Tokyo ity. Mila tafakatra eo amin’ny lampihazo fotsiny izy ireo, amin’io fifaninanana ho avy io, dia efa azo antoka ny Lalao Olympika. Teo amin’ny sokajy latsaky ny 45 kg dia azon’i Rosina avokoa ireo medaly volamena telo. Nahatafakatra fonjamby 60 kg teo amin’ny “arraché” sy 80 kg teo amin’ny “épaulé jeté” izy ary mbola nitana ny laharana voalohany ihany koa teo amin’ny “total olympique” (140 kg). Laharana fahatelo kosa no nisy an’i Eric Herman, tamin’ny fiafaran’ny fifaninanana savaranonando. Medaly volafotsy roa sy alimo tokana no azony teo amin’ny sokajy latsaky ny 55 kg. Nahabata vesatra 95 kg izy teo amin’ny “arraché”, ka nipetraka teo amin’ny laharana fahafito. Faharoa kosa no nisy azy reo amin’ny “épaulé jeté” (136 kg) sy “total olympique” (231 kg). L’article FIBATANA FONJAMBY – LALAO OLYMPIKA :: Manakaiky an’i Tokyo i Rosina sy Eric Herman est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - Ao Raha

KITRA – FIFANINANANA AFRIKANINA :: Hanainga ho any Afrika Atsimo rahampitso ny Elgeco Plus

Hotanterahina, amin’ny sabotsy 15 desambra ho avy izao, amin’ny 8 ora sy 15 minitra alina, any an-toerana (9 ora 15 minitra eto Madagasikara) ny lalao mandroso ho an’ny dingan’ny 1/16-n-dalan’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona afrikanina, taranja baolina kitra, hifanandrinan’ny Kaizer Chiefs avy atsy Afrika Atsimo sy ny Elgeco Plus avy eto Madagasikara. Hanainga rahampitso alakamisy amin’ny 4 ora hariva, hihazo an’i Nairobi ny delegasiona malagasy misy mpilalao valo ambin’ny folo avy eo hamonjy an’i Durban, toerana hanaovana ny lalao amin’ny sabotsy ho avy izao. “Mpilalao iray ihany no mbola tsy afa-milalao amin’ireo delegasiona avy tany Guinée Equatoriale. Voadona nandritra ny lalao miverina i Ando, vodilaharana, ka tsy isan’ireo hiatrika ny lalao mandroso. Ho hita eo ny fivoaran’ny toe-pahasalamany amin’ny lalao miverina”, hoy i Robson Hubert na i Bob, mpanazatra. Klioba vahiny iray avy any Afrika Atsimo, manana mpilalao malagasy iray, no hihaona amin’izy ireo any an-toerana. “Fanamby goavana ho anay ny hilalao amin’ny ekipan’ny Kaizer Chiefs, hilalaovan’i Arohasina na i Dax. Efa matetika nilalao taminay izy niaraka tamin’ ny Tana Formation na ihany koa tamin’ny Fosa Juniors Boeny. Mino aho fa any aminy ny tsindry rehefa hilalao etsy Mahamasina izy amin’ny lalao miverina”, hoy ihany i Bob. Raha tsiahivina dia fandresena tamin’ny isa 3 noho 1 no azon’ny ekipa tompon’ny amboaran’i Madagasikara, tamin’ny lalao mandroso nihaonantsika tamin’ny Deportivo Unidad avy any Guinée Equatoriale, tetsy Mahamasina. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 2 noho 1, indray isika tany Malabo. Ny tambatr’isa 4 noho 3 no nampiakatra antsika ho eo amin’ny 1 /16-n-dalana. Tany amin’ny lalao mandroso, tany Afrika Atsimo, indray dia efa nomontsanin’ny Kaizer Chiefs, tamin’ny isa 4 noho 0, ny Zinamoto avy any Zanzibar. Fandresena aro voninahitra kosa no vitan’ity farany tamin’ny lalao miverina (2 – 1) ka nampihintsana azy ireo. L’article KITRA – FIFANINANANA AFRIKANINA :: Hanainga ho any Afrika Atsimo rahampitso ny Elgeco Plus est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - Ao Raha

BEACH SOCCER – «CAN 2018» :: Nosakanan’i Maraoka ny lalan’ ny Barean’i Madagasikara

Nihintsana teo am-pototry ny dingan’ny manasa-dalana ny ekipam-pirenena malagasy, taranja baolina lalaovina amina tora-pasika, nandritra ny lalao farany teo amin’ny dingan’ny fifanintsanana ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika na ny CAN Beach Soccer fa tsy araka ny voasoratra teto amin’ny gazety, omaly. Ialana tsiny indrindra amintsika mpamaky noho io fifandisoana io. Resin’i Maraoka, tamin’ny alalan’ny isa 6 noho 4, ny Barean’i Madagasikara, tamin’ity lalao farany ity ka nahatonga azy ireo tsy tafiditra ho isan’ireo ekipa efatra hanohy ny fifaninanana. Faharesena roa (Ejypta sy Maraoka) sy fandresena tokana (Côte d’Ivoire) no nanjo ny ekipam-pirenentsika tamin’ity fifaninanana kaontinantaly ity. Voatery hiatrika ny lalao fanasokajiana ny Barean’i Madagasikara, manomboka anio. Hiady ny laharana fahadimy manoloana ny ekipan’i Tanzania, izay nitana ny laharana fahatelo teo amin’ny vondrona B, izy ireo. Ny ekipan’i Ejypta sy Maraoka no hisolo tena ny vondrona misy antsika eo amin’ny dingan’ny manasa-dalana, raha i Sénégal sy Nizeria kosa no hiaro ny voninahitry ny vondrona B. Hotanterahina, anio, ny manasa-dalana ilany, raha rahampitso kosa ny manasa-dalana iray, izay samy hialohavan’ ny lalao fiadian-toerana avokoa. L’article BEACH SOCCER – «CAN 2018» :: Nosakanan’i Maraoka ny lalan’ ny Barean’i Madagasikara est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - Ao Raha

KITRA – FIFANINANANA AFRIKANINA :: Hanainga ho any Afrika Atsimo rahampitso ny Elgeco Plus

Hotanterahina, amin’ny sabotsy 15 desambra ho avy izao, amin’ny 8 ora sy 15 minitra alina, any an-toerana (9 ora 15 minitra eto Madagasikara) ny lalao mandroso ho an’ny dingan’ny 1/16-n-dalan’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona afrikanina, taranja baolina kitra, hifanandrinan’ny Kaizer Chiefs avy atsy Afrika Atsimo sy ny Elgeco Plus avy eto Madagasikara. Hanainga rahampitso alakamisy amin’ny 4 ora hariva, hihazo an’i Nairobi ny delegasiona malagasy misy mpilalao valo ambin’ny folo avy eo hamonjy an’i Durban, toerana hanaovana ny lalao amin’ny sabotsy ho avy izao. “Mpilalao iray ihany no mbola tsy afa-milalao amin’ireo delegasiona avy tany Guinée Equatoriale. Voadona nandritra ny lalao miverina i Ando, vodilaharana, ka tsy isan’ireo hiatrika ny lalao mandroso. Ho hita eo ny fivoaran’ny toe-pahasalamany amin’ny lalao miverina”, hoy i Robson Hubert na i Bob, mpanazatra. Klioba vahiny iray avy any Afrika Atsimo, manana mpilalao malagasy iray, no hihaona amin’izy ireo any an-toerana. “Fanamby goavana ho anay ny hilalao amin’ny ekipan’ny Kaizer Chiefs, hilalaovan’i Arohasina na i Dax. Efa matetika nilalao taminay izy niaraka tamin’ ny Tana Formation na ihany koa tamin’ny Fosa Juniors Boeny. Mino aho fa any aminy ny tsindry rehefa hilalao etsy Mahamasina izy amin’ny lalao miverina”, hoy ihany i Bob. Raha tsiahivina dia fandresena tamin’ny isa 3 noho 1 no azon’ny ekipa tompon’ny amboaran’i Madagasikara, tamin’ny lalao mandroso nihaonantsika tamin’ny Deportivo Unidad avy any Guinée Equatoriale, tetsy Mahamasina. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 2 noho 1, indray isika tany Malabo. Ny tambatr’isa 4 noho 3 no nampiakatra antsika ho eo amin’ny 1 /16-n-dalana. Tany amin’ny lalao mandroso, tany Afrika Atsimo, indray dia efa nomontsanin’ny Kaizer Chiefs, tamin’ny isa 4 noho 0, ny Zinamoto avy any Zanzibar. Fandresena aro voninahitra kosa no vitan’ity farany tamin’ny lalao miverina (2 – 1) ka nampihintsana azy ireo. L’article KITRA – FIFANINANANA AFRIKANINA :: Hanainga ho any Afrika Atsimo rahampitso ny Elgeco Plus est apparu en premier sur AoRaha.

Basket - News - Sport - Ao Raha

BASKET-BALL CCCOI 2018 :: Tompondakan’i Afrika faritra Fahafito ny Cospn

Norombahin’ny ekipan’ny Pôlisim-pirenena malagasy, Cospn, ny anaram-boninahitra tompondakan’i Afrika Faritra fahafito, taranja basket-ball. Lavon’izy ireo tamin’ny alalan’ny isa 86 noho 70 ny ekipan’ny Premium Cobra avy any Seychelles, omaly, nandritra ny lalao miendrika famaranana notanterahina tany amin’ity Nosy ity. Fandresena dimy sy faharesena tokana no azon’ity solontena malagasy tokana tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina natao nandroso sy niverina ity. Ankoatra ny anaram-boninahitra azon’izy ireo dia voahosotra ho mpilalao mendriky ny fifaninanana ihany koai Livio Ratianarivo, mpilalao malagasy, efa nandrafitra ny ekipam-pirenena tamin’ny Afrobasket U18 noraisintsika teto Madagasikara tamin’ny taona 2014. Vao teo amin’ny ampahefa-potoana voalohany dia efa nanjakazaka ny ekipan’ny Pôlisim-pirenena malagasy. Teo amin’ny fotoam-pialan-tsasatra dia nitarika tamin’ny isa 45 noho 29 ity solontena malagasy ity. Nitombo izany teo amin’ny ampahefa-potoana fahatelo (67 – 50). Izy ireo izany no hisolo tena ny Faritra fahafito amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika na ny “Afroligue 2019”. L’article BASKET-BALL CCCOI 2018 :: Tompondakan’i Afrika faritra Fahafito ny Cospn est apparu en premier sur AoRaha.

Basket - News - Sport - Ao Raha

BASKET-BALL CCCOI 2018 :: Tompondakan’i Afrika faritra Fahafito ny Cospn

Norombahin’ny ekipan’ny Pôlisim-pirenena malagasy, Cospn, ny anaram-boninahitra tompondakan’i Afrika Faritra fahafito, taranja basket-ball. Lavon’izy ireo tamin’ny alalan’ny isa 86 noho 70 ny ekipan’ny Premium Cobra avy any Seychelles, omaly, nandritra ny lalao miendrika famaranana notanterahina tany amin’ity Nosy ity. Fandresena dimy sy faharesena tokana no azon’ity solontena malagasy tokana tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina natao nandroso sy niverina ity. Ankoatra ny anaram-boninahitra azon’izy ireo dia voahosotra ho mpilalao mendriky ny fifaninanana ihany koai Livio Ratianarivo, mpilalao malagasy, efa nandrafitra ny ekipam-pirenena tamin’ny Afrobasket U18 noraisintsika teto Madagasikara tamin’ny taona 2014. Vao teo amin’ny ampahefa-potoana voalohany dia efa nanjakazaka ny ekipan’ny Pôlisim-pirenena malagasy. Teo amin’ny fotoam-pialan-tsasatra dia nitarika tamin’ny isa 45 noho 29 ity solontena malagasy ity. Nitombo izany teo amin’ny ampahefa-potoana fahatelo (67 – 50). Izy ireo izany no hisolo tena ny Faritra fahafito amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika na ny “Afroligue 2019”. L’article BASKET-BALL CCCOI 2018 :: Tompondakan’i Afrika faritra Fahafito ny Cospn est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - News Mada

Beach soccer – «Can 2018»: nihintsana ny Barea de Madagascar

Tapitra hatreo ny lalan’ny Barea de Madagascar eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2018), taranja beach soccer. Mbola resin’i Maraoka indray ny Malagasy, teo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona.  Lavon’ny Liona-n’i Atlas avy any Maraoka, tamin’ny isa 6 no ho 4, ny Barea de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2018), taranja beach soccer, ho an’ny sokajy “A”. Fihaonana,  notanterahina omaly talata, tao amin’ny kianja Laguna Vista Stadium, Sharm El Sheikh.Sahirana ny Barea de Madagascar satria nofehezin’ny Maraokanina tanteraka ny lalao tao anatin’ireo fe-potoana 12 mn, intelo miditra. Vao nanomboka dia efa nitarika an’isa ny Maraokanina. Tao anatin’ny minitra 5 monja dia efa nitarika tamin’ny isa, 3 no ho 0 ry zareo.Tsy tafiditra mihitsy ny mpilalao malagasy fa toa niharitra ny fanafihana nataon’ny mpifanandrina.Nanao fahadisoana matetika ihany koa ry zalahy ka nanome vahana ny Maraokanina, tamin’ny “coup de pied arrêté”. Teo amin’ny fiafaran’ny fizaram-potoana faharoa, nitarika 5 no ho 0 ny Maraokanina. Anisan’ny nampiditra baolina tamin’izany, ry Abada sy i Iazal ary El Hadaoui. Taorian’io vao nifoha tamin’ny torimasony ry Romain sy i Enidiel ary ry Tinasoa. Niezaka nanafika sy nanao izay ho afany, saingy efa nahazo tombony lavitra ny Maraokanina, ka sarotra ny nanenjika azy ireo.Na nahatafiditra baolina aza mantsy ny Barea de Madagascar, mbola nanampy isa ho azy ihany koa ry zareo, ka tsy nisy fanafany intsony. Manohy ny lalany ary hiatrika ny manasa-dalana, ho an’ny sokajy “A”, izany, ny liona-n’i Atlas, miaraka amin’ny Faraonan’i Egypta.Hiady ny toerana fahadimy kosa ny Barea de Madagascar, amin’ity alarobia ity ka hifanandrina amin’i Tanzania, laharana fahefatra, tao amin’ny sokajy “B”.Efa tafakatra amin’ny ankatoky ny famaranana ihany koa ny liona Teranga avy any Sénégal sy ny voromaherin’i Nizeria. TompondakaL’article Beach soccer – «Can 2018»: nihintsana ny Barea de Madagascar a été récupéré chez Newsmada.

Basket - News - Sport - Ao Raha

BASKET-BALL «CCOOI 2018» :: Hiady farany ny anaram-boninahitra ny Cospn sy Premium Cobra

Miendrika lalao famaranana eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Faritra fahafito, taranja basket-ball, ny fihaonana farany eo amin’ny Cospn Mada- gasikara sy ny Premium Cobras avy any Seychelles, anio any Seychelles. Fandresena efatra sy faha-resena tokana no vokatra azon’ny ekipan’ny Pôlisim-pirenena malagasy, hatramin’ izao. Teo amin’ny lalao miverina dia niondrika teo anatrehan’ny Cospn, tamin’ny isa 90 noho 65, ny alahady lasa teo ny ekipan’ny Beauvallon Heat, avy any Seychelles. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 89 noho 47, ihany koa ny ekipan’ny Mahebourg Flippers avy any Maorisy, omaly. Fandresena dimy kosa no azon’ny Premium Cobras tamin’ireo lalao dimy efa vitany, hatramin’ ny omaly. Tamin’ny lalao mandroso nihaonan’ity farany tamin’ny Cospn dia elanelan’isa tokana (67 – 66) no nandresen’ny mpampiantrano azy ireo. Mila mitady fandresena izany ny ekipan’ny Cospn, raha te hisolo tena ny faritra fahafito amin’ny fifaninanana kaontinantaly amin’ny taona ho avy na ny “Afroligue 2019”. L’article BASKET-BALL «CCOOI 2018» :: Hiady farany ny anaram-boninahitra ny Cospn sy Premium Cobra est apparu en premier sur AoRaha.

News - Sport - Ao Raha

HAZAKAZA-PIARAKODIA – SLALOM :: Tompondakan’i Madagasikara i Tsiory, laharana faharoa i Mika

Raha efa fantatra, talohan’ ny dingana farany ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara izay nisalotra ny anaram-boninahitra teo amin’ny hazakaza-piarakodia sokajy Slalom, dia nosoniavin’i Mika Rasoamaromaka, ny faran’ny herinandro lasa teo ny maha tompondaka lefitra azy. Nitana ny laharana faharoa, tamin’ny dingana farany na ny “Last Race”, ny faran’ny herinandro lasa teo i Tsiory Rakotomiarana (Peugeot 106) ary nahavita ny anjara hazakazany tamin’ ny fe-potoana 2 minitra 50’’96. Nitana ny laharana faharoa kosa i Mika Rasoamaromaka, izay nanamory Citroën C2, tamin’ ny fe-potoana 2 minitra 52’’02. Tany amin’ny laharana fahatelo kosa no nisy an’ i Fred Rabekoto, izay nitondra Peugeot 206 rehefa nahavita ny hazakazaka tamin’ny fe-potoana 2 minitra 52’’82. Tamin’ny filaharana ankapobeny dia manana isa 154 i Tsiory ka nahavoahosotra azy ho tompondaka, nanomboka teo amin’ny dingana fahefatra. Efa taty amin’ny dingana fahenina kosa vao nazava ny nahalefitry ny tompondaka an’i Mika, manana isa 101 tamin’ny fiafaran’ny fifaninanam-pirenena. Nikatona hatreo ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara tamin’ity taom-pihazakazahana ity. L’article HAZAKAZA-PIARAKODIA – SLALOM :: Tompondakan’i Madagasikara i Tsiory, laharana faharoa i Mika est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport - Ao Raha

BEACH SOCCER – «CAN 2018» :: Tafita amin’ny manasa-dalana ny Barean’i Madagasikara

Samy hiatrika ny lalao manasa-dalana avokoa ny ekipan’i Ejypta sy Madagasikara, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra lalaovina amina tora-pasika na ny CAN Beach Soccer, tanterahina any Ejypta. Faharesena tamin’ny alalan’ny isa 4 noho 2 no nanjo ny Barean’i Madagasikara nanoloana ny Faraonan’i Ejypta, mpampiantrano, omaly, nandritra ny andro faharoan’ny lalaom-bondrona. Tamin’ny andro voa-lohany dia lavon’ny Barea tamin’ny alalan’ny isa 4 noho 3 ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Samy tsy ho any amin’ny dingan’ny manasa-dalana kosa ity farany sy Maraoka. Lavon’i Maraoka, tamin’ny alalan’ny isa 5 noho 4, ny ekipan’i Côte d’Ivoire, omaly. Mitana ny laharana voalohany, taorian’ireo fandresena roa azony, ny Ejyptiana. Tamin’ny andro voalohany dia tamin’ny isa 6 noho 1 no nandresen’izy ireo an’i Maraoka. Laharana faharoa kosa i Madagasikara ary mbola manana lalao iray hoentina hanamafisana ny tapakilan’ny manasa-dalany izy ireo, anio. Hihaona amin’i Maraoka isika amin’izany. Ho an’ny vondrona B kosa indray dia efa tafita hiatrika ny lalao manasa-dalana i Sénégal sy Nizeria, raha efa naman’ny mangoron’entana i Tanzania sy Lybia. Tamin’ny alalan’ny “tirs au but” (2 – 0) no nivoahan’i Sénégal ho mpandresy, nanoloana an’i Nizeria, tamin’ny andro voalohany, raha resin’i Lybia tamin’ny isa 5 noho 2 i Tanzania. Tamin’ny andro faharoa indray dia resin’i Sénégal tamin’ny isa 12 noho 2 i Tanzania, raha tafavoaka ho mpandresy nanoloana ny ekipan’i Lybia, tamin’ny alalan’ny isa 6 noho 3, kosa i Nizeria. Mbola nibata fandresena ihany koa ity farany, omaly, nanoloana an’i Tanzania (4 – 2). Hiatrika ny lalao farany ho azy i Sénégal, anio, manoloana an’i Tanzania. L’article BEACH SOCCER – «CAN 2018» :: Tafita amin’ny manasa-dalana ny Barean’i Madagasikara est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - Sport

Ligue 1 – Andro faha 17

Ligue 1 Conforama - Saison 2018/2019 - Andro faha 17 Paris Saint-Germain - Montpellier Hérault SC (-) Angers SCO - Girondins de Bordeaux (-) EA Guingamp - Amiens SC (1-2) Nîmes Olympique - FC Nantes (-) Stade Rennais FC - Dijon FCO (2-0) Toulouse FC - Olympique Lyonnais (-) RC Strasbourg Alsace - SM Caen (2-2) LOSC - Stade de Reims (1-1) AS Monaco - OGC Nice (-) AS Saint-Etienne - Olympique de Marseille (-) Buteurs : Eddy GNAHORE (63' - Amiens SC) / Etienne DIDOT (70' - EA Guingamp) / Stiven MENDOZA (81' - Amiens SC) / Benjamin BOURIGEAUD (69' - Stade Rennais FC) / Hatem BEN ARFA (90' - Stade Rennais FC) / Pablo MARTINEZ (5' - RC Strasbourg Alsace) / Fayçal FAJR (22' - SM Caen) / Lebo MOTHIBA (23' - RC Strasbourg Alsace) / Saïf-Eddine KHAOUI (80' - SM Caen) / Rémi OUDIN (64' - Stade de Reims) / Nicolas PEPE (90' +6 pen - LOSC) Cartons rouges/exclusions : Marcus THURAM (EA Guingamp)

Basket - Sport

NBA – Voka-dalao 10 Decembre 2018 – Golden State Warriors vs Minnesota Timberwolves

Warriors / 116 Tirs Rebonds Joueurs Min Tirs 3pts LF Off Def Tot Pd Fte Int Bp Ct Pts Eval D. Green 29 3/8 1/4 0/0 1 9 10 7 4 0 2 1 7 18 K. Durant 35 7/15 4/7 4/4 1 4 5 3 1 3 2 0 22 23 K. Looney 23 1/4 0/1 0/0 4 1 5 2 6 0 0 1 2 7 S. Curry 36 12/23 7/14 7/7 1 6 7 6 1 2 2 1 38 41 K. Thompson 37 8/22 4/7 6/6 0 2 2 1 0 1 4 1 26 13 J. Bell 10 1/2 0/0 0/0 1 0 1 0 3 0 1 0 2 1 J. Jerebko 29 3/9 2/7 2/4 1 7 8 5 3 0 1 0 10 14 A. McKinnie 24 3/7 1/3 0/0 4 2 6 0 5 0 2 1 7 8 S. Livingston 16 1/3 0/0 0/0 1 4 5 1 3 0 2 0 2 4 Total 39/93 19/43 19/21 14 35 49 25 26 6 16 5 116 Timberwolves / 108 Tirs Rebonds Joueurs Min Tirs 3pts LF Off Def Tot Pd Fte Int Bp Ct Pts Eval T. Gibson 17 2/7 0/1 0/0 1 2 3 0 1 1 1 0 4 2 R. Covington 26 2/7 1/5 2/2 0 4 4 0 3 1 3 1 7 5 A. Wiggins 36 6/15 3/6 5/6 1 4 5 0 3 1 1 0 20 15 K. Towns 34 11/15 1/4 8/12 4 7 11 4 2 0 4 1 31 35 J. Teague 28 1/5 0/0 1/1 0 2 2 11 6 0 2 1 3 11 D. Saric 31 6/9 0/3 1/1 1 7 8 2 1 0 1 0 13 19 G. Dieng 14 1/3 0/1 5/6 0 3 3 0 0 0 0 1 7 8 T. Jones 17 0/2 0/1 0/0 0 2 2 7 2 0 1 0 0 6 D. Rose 34 8/18 2/3 3/3 1 2 3 4 0 2 3 2 21 19 J. Okogie 3 1/2 0/1 0/0 1 0 1 0 0 0 0 0 2 2 Total 38/83 7/25 25/31 9 33 42 28 18 5 16 6 108