Santé

News - Santé - Kolo anaka: ny tsara ho fantatra momba ny androbe
Kolo anaka: ny tsara ho fantatra momba ny androbe

(Fizarana faha-4)Efa hitantsika fa tsy voatery hiseho miaraka amin’ny fahatorànana hatrany akory ny krizin’androbe. Na misy aza ny karazana krizy atao hoe « absence », tsy voatery manao izany ny zaza rehefa verivery saina, tsy mifantoka na mandrevirevy. Ao koa anefa ny fisehoan’aretina toy ny fanimpanina, ny maso manjavozavo, ny fihetsiky tsy mahazatra eo amin’ny vatana izay mety ho fambara na koa endrika fisehoan’ny androbe.Ny fanadihadiana sy fizahana ataon’ny mpitsabo matihanina misahana manokana ny atidoha sy ny saina ihany no ahafahana mizotra any amin’ny fahafantarana ny aretina androbe. Matetika, ilaina ny fitiliana amin’ny alàlan’ny fitaovana voatokana (électroencéphalogramme, ny fitiliana ra, ny fanaovana “scanner” amin’ny atidoha…) hanamafisana ny maha krizin’androbe ilay zava-miseho sy ny antony mahatonga azy. Ny vokatry ny fanadihadiana no manome toromarika ny mpitsabo izay karazam-panafody mifandraika amin’ny aretina. Rehefa izany, hanamarinana izany ny fanaraha-maso ara-potoana ataon’ny dokotera fa mahomby tsara ny fiasan’ny fanafody na tokony hovaina ny daoziny.13.Inona ny antony mahatonga ny aretina androbe eto Madagasikara?Efa fantatsika fa misy karazany amin’ny androbe ny manaranaka. Raha ny eto Madagasikara kosa, ny vohoka tsy voaara-maso sy ny fahasarotam-piterahana ny antony lehibe indrindra mahatonga ny androbe eo amin’nyzaza. Ny fahasembanana, ny olana eo amin’ny fitomboan’ny atidoha, ny karazana dona mahery mahazo ny faritry ny loha, ary koa ny tsy fahampian’ny oksizena mandritra ny fahaterahana izay samy azo anasokajiana ho isan’ny antony manamora ny fahatongavan’ny krizy.Eo amin’ny zaza sy ny ankizy, singanina eto ny aretina sasany misy fiantraikany mivantana eo amin’ny atidoha toy ny « méningite… ». Aokoa ny aretina mety misy eo amin’ny ankizy na ny lehibe izay vokatry ny karazana kankana « cysticércose, bilharziose… ».Eo amin’ny olon-dehibe indray, ankoatra ireo antony efa voalaza, ao ny fahatapahan’ny lalandra, ny voka-dratsin’ny fisotroan-toaka na ny fandraisana zava-mahadomelina naharitra ela, na koa ireo karazana fivontosana samihafa ao anaty loha. Ireo rehetra ireo, mety hitarika ho amin’ny aretina androbe avokoa.Raha fintinina, rehefa mbola tsy vory ny atidoha na efa miha antitra izy io, lasa mihamarefo sy mora andairan’ny androbe.Voalohany aloha, tokony ho voamarina sy matotra tsara ny fitiliana ka hita fa aretina androbe ny mahazo ny marary.Tsy fihetsehan’aretina raha indray maka fotsiny ary tsy voatery hotsaboina. Misy tokoa ny karazana krizy mety miserana ihany nefa tsy miverina intsony. Ny fanaraha-maso ataon’ny mpitsabo matihanina sy ny fizahana isaky ny ampaham-potoana voalamina mialoha no tena ilaina.Efa nolazaintsika teto fa mifamatotra amin’ny dona na fikorontanan’ny fiasan’ny atidoha ny androbe. Mizara roa mazava tsara ny fitsaboana izany: voalohany ny fitsaboana izay aretina mety mahatonga ny krizy. Faharoa kosa ny fitsaboana manokana ny krizy.                                                                                               Firaiketan’i Niry Tatiana                                                                                                                                  (Hitohy)L’article Kolo anaka: ny tsara ho fantatra momba ny androbe a été récupéré chez Newsmada.

Tohizo ny famakiana >>

News - Santé - News Mada

Namonjy lanonam-panambadiana: fianakaviana maromaro tratran’ny fanapoizinana ara-tsakafo

Namonjy lanonam-panambadiana teny amin’iny faritra Avarandrano iny, ny asabotsy teo, ireto fianakaviana tratran’ny fanapoizinana amin’ny sakafo ireto. Raha ny fanazavana voaray momba ny antony nahatonga izao fanapoizanana ara-tsakafo izao, maionezy tanaty boaty nafangaro tamin’ny maionezy namboarina tamin’ny tanana no nivadika poizina rehefa nampifangaroana tamin’ny sakafo natao fanokafam-bavony mialoha ny tena nidirana tamin’ny vary sy laoka. Kanjo, fotoana fohy taorian’ny nihinanana ny sakafo natao fanokafam-bavony, narary tampoka ny ankamaroan’ireo olona nanatrika ilay fanasana. Voalaza fa ireto fianakaviana ireto ihany no nifanome tanana tamin’ny fikarakarana ny sakafo fa tsy naka mpahandro sakafo matihanina manokana izy ireo. Nisy ireo nandoa sady narary kibo sy tsy nahatsiaro tena mihitsy aza ny sasany amin’izy ireo. Nentina haingana namonjy ny hopitaly eny Anosy Avaratra sy HJRA ary Befelatanana ireo fianakaviana narary ireo. Feno hipoka ny hopitaly hatramin’ny omaly. Nisy ireo afaka nody avy hatrany taorian’ny fizahana nataon’ny dokotera, tao kosa ireo mbola nijanona teny amin’ny hopitaly satria mila fanaraha-maso akaiky ny toe-pahasalaman’izy ireo. Tokony hitandrina hatrany amin’izao ankatoky ny fety izao amin’ireny sakafo anaty boaty ireny, indrindra koa amin’ny fikarakarana ny sakafo, toy ny maionezy mba ho ao anatin’ny fahadiovana tanteraka ny hanamboarana azy ireny.J.C L’article Namonjy lanonam-panambadiana: fianakaviana maromaro tratran’ny fanapoizinana ara-tsakafo a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - Midi Madagasikara

Olona voapoizina ara-tsakafo : Feno hipoka Hjra sy Befelatanana

Tany ho any amin’ny dimampolo  tany ho any ireo narary mafy voatery naiditra hôpitaly vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo nahazo azy ireo tany amin’iny faritra Ambohitsarantany Ankazondandy iny, ny sabotsy hariva teo. Raha ny angom-baovao azo, dia vokatry ny menaka tsy ara-pahasalamana nanaovan’ireo olona ireo sakafo nandritra ny fampakaram-bady tao an-toerana no nahatonga ny loza. Voatery nampakarina tany an-dRenivohitra avokoa ireo olona nihinana izany, izay nalemilemy tampoka : nandoa sy nivalana. Fa ankoatr’io tany Ankazondandy io, dia olona 13 ihany koa naiditra hôpitaly tao Anjozorobe vokatry ny fihinana izany menaka tsy ara-pahasalamana izay ihany, tany Andreba Avaratra. Raha ny vaovao azo moa dia samy efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ary efa tsy misy ahatahorana intsony ny ain’ireto olona an-jatony  narary ireto. m.LL’article Olona voapoizina ara-tsakafo : Feno hipoka Hjra sy Befelatanana a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Santé - Ao Raha

ARETI-MIFINDRA :: Tohanana ara-tsaina ireo mitondra ny tsimok’aretina VIH/Sida

Hanome tohana ara-kevitra manokana ireo olona mitondra ny tsimok’aretina VIH/Sida ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fikambanana « Madagascar Save ». Amin’ny alalan’ny boky ahitana ny antontan-kevitra mikasika ny VIH/Sida no hanatanterahana izany. Fandraisana anjara amin’ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo olona mitondra ity tsimok’aretina ity izany, araka ny fantatra. « Ny zava-misy ankehitriny dia mitaky fomba maty paika sy voadinika tsara hoenti-miatrika ireo fanamby amin’ny ratra, henatra, fandavana sy fanavakavahana ary asa ratsy mifandray amin’ny VIH /Sida », hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny fikambanana, omaly teny Antaninarenina. Ankoatra izany, manolotra boky ihany koa izy ireo mba hafafahan’ireo olona mitondra ity tsimok’aretina ity miaina am-pilaminana naa misy aza ireo tranga manavesatra azy ireo. « Tanjona ny hanome fahalalana bebe kokoa ho an’ireo mitondra ny tsimok’aretina tsirairay avy sy ny fikambanana misy azy mba hahafahany miatrika ireo tranga samihafa manodidina azy ireo sy hahafahany mitsinjo ny ho aviny », hoy hatrany ny tompon’andraikitra. Tsiahivina fa efa misy ny fanafody hitsaboana ny aretina Sida hahafahan’ireo marary miaina miaraka amin’ny tsimok’aretina ao anatiny . Manodidina ny arivo sy telo alina ireo olona mitondra ity tsimok’aretina ity raha ny fanadihadiana natao tamin’ny taona 2017. Mbola misy ihany koa nefa ireo tsy fantatra noho fivezivezen’ireo olona marary tsy mitsabo tena. Eo ihany koa ireo tsy sahy miatrika ny fananany an’ity aretina ity . L’article ARETI-MIFINDRA :: Tohanana ara-tsaina ireo mitondra ny tsimok’aretina VIH/Sida est apparu en premier sur AoRaha.

News - Santé - Ao Raha

ARETI-MIFINDRA :: Tohanana ara-tsaina ireo mitondra ny tsimok’aretina VIH/Sida

Hanome tohana ara-kevitra manokana ireo olona mitondra ny tsimok’aretina VIH/Sida ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fikambanana « Madagascar Save ». Amin’ny alalan’ny boky ahitana ny antontan-kevitra mikasika ny VIH/Sida no hanatanterahana izany. Fandraisana anjara amin’ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo olona mitondra ity tsimok’aretina ity izany, araka ny fantatra. « Ny zava-misy ankehitriny dia mitaky fomba maty paika sy voadinika tsara hoenti-miatrika ireo fanamby amin’ny ratra, henatra, fandavana sy fanavakavahana ary asa ratsy mifandray amin’ny VIH /Sida », hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny fikambanana, omaly teny Antaninarenina. Ankoatra izany, manolotra boky ihany koa izy ireo mba hafafahan’ireo olona mitondra ity tsimok’aretina ity miaina am-pilaminana naa misy aza ireo tranga manavesatra azy ireo. « Tanjona ny hanome fahalalana bebe kokoa ho an’ireo mitondra ny tsimok’aretina tsirairay avy sy ny fikambanana misy azy mba hahafahany miatrika ireo tranga samihafa manodidina azy ireo sy hahafahany mitsinjo ny ho aviny », hoy hatrany ny tompon’andraikitra. Tsiahivina fa efa misy ny fanafody hitsaboana ny aretina Sida hahafahan’ireo marary miaina miaraka amin’ny tsimok’aretina ao anatiny . Manodidina ny arivo sy telo alina ireo olona mitondra ity tsimok’aretina ity raha ny fanadihadiana natao tamin’ny taona 2017. Mbola misy ihany koa nefa ireo tsy fantatra noho fivezivezen’ireo olona marary tsy mitsabo tena. Eo ihany koa ireo tsy sahy miatrika ny fananany an’ity aretina ity . L’article ARETI-MIFINDRA :: Tohanana ara-tsaina ireo mitondra ny tsimok’aretina VIH/Sida est apparu en premier sur AoRaha.

News - Santé - Ao Raha

FAHASALAMANA :: Nihena ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza eo am-piterahana

Vokatra tsara. Nidina ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza eo am-piterahana tamin’ny Faritra 16 nandritra ny fametrahana ny fandaharanasa ho an’ny fahaveloman’ny reny sy ny zaza na MCSP, izay nanomboka nihatra tamin’ ny taona 2014. Raha 250 no maty isan-taona dia nihena ho 19 ankehitriny. “ Matetika zaza iray ao anatin’ny telo no maty alohan’ny hahaterahany satria betsaka ny olana mitranga eo am-piterahana. Amin’izao fotoana izao, dia nihena be izany araka io antontan’isa io na eny amin’ny hopitaly na CSB”, hoy Razafimandimby Eliane Ramiandrison, talen’ny fandaharan’ asan’ny MCSP. Toeram-pitsaboana fototra na CSB sy hopitalin’ ny distrika na CHRD miisa 822 ao anatin’ny Faritra 16 no niasan’ity fandaharanasa ity. Anisan’izany i Diana, Sava, Boeny, Melaky, Sofia, Analamanga, Vakinankaratra, Haute Matsiatra, Vatovavy Fitovinany, Amoron’i Mania, Ihorombe, Atsinanana, Analanjirofo sy Ihorombe ary Atsimo Andrefana. Nahatratra efajato sy arivo ny olona nisitraka ny fampiofanana.“Nahazo fiofanana izahay amin’ny fomba fampiterahana. Teo ny fisorohana ny fahaverezan-drà eo am-piterahana amin’ ny alalan’ny tsindrona. Betsaka ny olona nanatona toeram-pitsaboana tao anatin’izany. Tao anatin’ny roa volana nahatratra 145 no tonga niteraka teto amin’ny CSB raha tany amin’ny renin-jaza foana hatramin’izay. Ny taona 2015 no nisy zaza efatra maty teo am-piterahana fa rehefa nahazo io fiofanana io aho dia tsy nisy intsony izany”, raha ny fanamafisan’ Andriamasoandro Edy, lehiben’ ny CSB II Anjiamangirana ao amin’ny distrikan’ Antsohihy. L’article FAHASALAMANA :: Nihena ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza eo am-piterahana est apparu en premier sur AoRaha.

News - Santé - Ao Raha

FANDAZOAN’NY ARETINA :: Zazalahy telo ambin’ny folo taona voatery hiatrika fandidiana loha indroa miantoana

Hiatrika fandidiana indroa misesy, rajaonarisoa riana nantenaina, zazalahy, telo ambin’ny folo taona, monina any talakimaso, distrikan’ambatolampy gara. Marary andoha lava no niantombohan’ny aretina, tao anatin’ny efa-bolana. nasain’ny mpitsabo nijery maso sy nividy solomaso izy. Nihombo hatrany ny aretin’ andoha ka voatery nampidirina tamin’ny hôpitaly tsy miankina iray tao ambatolampy, nandritra ny roa andro. Nitohy ny tsy fahasalamany, ka voatery nafindra tetsy amin’ny hôpitaly joseph raseta befelatanana. Noho ny tsy fahampian’ny fitaovana fitiliana dia nafindra ao amin’ny hôpitaly joseph ravoahangy andrianavalona, ankehitriny. Naverina ny fitiliana sy ny “scanner” ho fitsirihana ny fototry ny aretiny, ka nandany ny vola teo an-tanany. Hiaritra ny mafy. Mitaraina ho marary andoha lava, Rajaonarisoa Riana Nantenaina, zazalahy, telo ambin’ny folo taona, isaky ny avy mianatra. Kilasy fahavalo na “4ème” ao amin’ny Ceg Ambatolampy ary mipetraka any amin’ny fokontanin’i Talakimaso, distrikan’Ambatolampy Gara, izy. Voatery hamerin-taona izy, amin’ity taom-pianarana 2018 – 2019, vokatry ny aretin’andoha nandazo azy. Matetika no tsy afa-mianatra izy noho ny hamafin’ny aretiny. Nanatona mpitsabo tamin’ny hôpitaly tsy miankina iray tao an-toerana izy ireo. “Nasain’ny mpitsabo hijery maso izahay sao izay no fototry ny aretin’andoha tsy misy fiafarany”, hoy Raheliarisoa Lalao Jacqueline, reniny. Lasa njola ny maso Niteraka fikorontanan-tsaina ny fihombon’ny aretina. Nila fanaraha-maso akaiky, ka voatery nampidirina hôpitaly ilay zaza. “Nisy olona manodidina nilaza fa voan’ny tazovony ny zanako. Nisotro karazana tambavy natoron’ny olona satria te ho sitrana. Niteraka aretin’aty izany satria voakaokan’ilay tambavy ny atiny”, hoy hatrany Raheliarisoa Lalao Jacqueline mitantara. Tsy nisy anefa ny trangan’aretina hita taratra nandritra ny fitiliana rehetra natao. Vao mainka nihombo niandalana ny aretina. “Nihangeza ny lohan’i Riana ary tsy nitsaha-nitombo. Nasain’ny mpitsabo nanao fitiliana na “scanner” izahay. Teo no nahitana fa misy rano ny lohan’ny zanako. Lasa njola ihany koa ny masony anankiroa, ankehitriny. Mahatsiaro saina tsara izy rehefa ifampiresahana fa somary malaina misakafo”, hoy hatrany Jacqueline. Fandidiana indroa misesy Notsaboina nandritra ny roa andro tao amin’ny hôpitaly tsy miankina iray tao Ambatolampy, Rajaonarisoa Riana Nantenaina. “Natao daholo ny fitiliana rehetra sy ny “scanner”. Novidiana avokoa izao karazam-panafody rehetra izao. Tsy nisy ny fiovana. Nanapa-kevitra ny mpitsabo nandefa anay hiakatra taty an-drenivohitra”, hoy Raheliarisoa Lalao Jacqueline. Nivantana avy hatrany tao amin’ny hôpitaly Joseph Raseta Befelatanana izahay. Tsy naharitra ela anefa no niatrehana ny aretina tao. Nafindra ao amin’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona, ankehitriny, ilay zaza. Tsy hampitombo ny haben’ny loha, ny fanesorana ny rano no laharam-pahamehana, ao anatin’ny fotoana fohy. “Sahirana tanteraka izahay satria efa lany vola tamin’ny fitiliana sy ny “scanner”. Tsy misy fianakaviana eto Antananarivo fa olona tsara sitra-po no mampiantrano. Any no mahandro sakafo sy midio izahay. Raha ny teti-bidin’ny fandidiana dia mahatratra telo ka hatramin’ny efatra hetsy ariary eo ho eo, ankoatra ny vidim-panafody”, hoy hatrany Jacqueline. Mifampitohy ny fanesorana ny rano ao anatin’ny loha sy ny fandidiana ny loha mivonto, ao anatin’ny fotoana fohy. Mila vola, araka izany, ny fandidiana roa misesy. Tsy mifanalavitra ny fotoana hanaovana ny fandidiana anankiroa, mazava ho azy fa tahaka izany koa dia hifanesy ihany koa ny saran’izany . “Ny fianakaviana sy ny mpiara-monina no nanambatambatra vola nomena anay, hatramin’ izay nidiranay hôpitaly izay. Isaorana azy ireo izany zava-bitan’izy ireo izany fa mbola mamerina ny fanga­tahana hatrany satria mbola ezaka be ny vola haloa, amin’izao fandidiana indroa misesy izao”, hoy Raheliarisoa Lalao Jacqueline. Fitsaboana ivelan’ny hôpitaly Aorian’ny fandidiana roa misesy dia mila fanaraha-maso akaiky ataon’ny mpitsabo ny aretin-dRajaonarisoa Riana Nantenaina. Voatery hivezivezy hiakatra eto Antananarivo sy hiverina any Ambatolampy ao anatin’ny fotoana tsy voafetra izahay hanadio sy hanarona ny fery. “Na mbola tsy vita aza ny fandidiana dia eto no hitondrako fiangaviana amintsika malala-tanana rehetra sy tsara sitra-po amin’ny fanampiana ara-bola hitsaboako ny zanako fa tsy mora ny ady hatrehinay”, hoy Raheliarisoa Lalao Jacqueline, sady latsaka ny ranomasony. Manoloana ny fahasahiranana dia manao antso avo amin’ny malala-tanana sy ny olom-pantatra ary ny havana aman-tsakaiza ry Raheliarisoa Lalao Jacqueline, renin’i Riana. Azo atao ny mandefa ny fanampiana amin’ny laharana 034 04 524 58 – 032 92 297 60 – 033 85 459 11 na manatona mivantana eny amin’ny foiben’ny Compassion Madagascar, etsy amin’ny hôpitaly Joseph Raseta Befelatanana, na izay torohevitra azo ifampizaràna hoentina hanasitranana an’ity zazalahy ity. L’article FANDAZOAN’NY ARETINA :: Zazalahy telo ambin’ny folo taona voatery hiatrika fandidiana loha indroa miantoana est apparu en premier sur AoRaha.

News - Santé - News Mada

Praiminisitra: voafehy ny pesta, hovahana ny kitrotro….

Notanterahina, teny Mahazoarivo, ny fivoriana ho fiomanana amin’ny fiatrehana ireo loza voajanahary ny taona 2018-2019, teo ambany fitarihan’ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta, i Ntsay Christian.Nisy, araka izany, ny fanaovana jery todika ireo asa vita sy ireo mbola hatrehina ary ny fijerena ny hevitra entina handrindrana izany eo amin’ireo sampandraharaha isan-tsokajiny voakasik’izany. Niompana tamin’ny fijerena akaiky ireo valanaretina miparitaka sy ny haintany mahakasika ny faritra atsimo, indrindra ireo paik’ady entina miady amin’izany, ny fivoriana. Nahomby ny asa natao tany atsimo, tahaka ny ao amin’ny distrikan’i Beloha sy Ampanihy, nahitana trangana tsy fanjarian-tsakafo. Nanamafy ny tokony hisian’ny firindran’ireo fanapahan-kevitra sy ny asa isan-karazany sahanin’ireo sampandraharaha misehatra mivantana amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary ny taona 2018-2019 ihany koa ny praiminisitra. Anisan’izany ny BNGRC, ny ONN, ny Fid, sy ny minisiteran’ny Mponina, ny fiahiana sosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy. Ankoatra ireo ireo ny mpiara-miombon’antoka. Mikasika ireo valanaretina, nanambara ny praiminisitra fa efa voafehy ny pesta ary ao anatin’ny fandaminana ny vahaolana horaisina handringanana ny kitrotro isika amin’izao fotoana izao. Misy ny fanafarana ireo vaksiny ilaina hiatrehana izany. Mba ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka, noresahin’ny praiminisitra ny fanampiana rehetra atolotra ny Samva, entina hanatanterahana ny fanadiovana ny tanàna. Ho hentitra ny fanaraha-maso ary hisy ny fanentanana hitandroana ny fahadiovana sy ny fanajana ny lalàna ankapobeny mifehy ny fahadiovana.Ankinina amin’ny minisiteran’ny Vola sy ny tetibola handaminana ny amin’ny sora-bola hanatanterahana izany rehetra izany. Ankoatra ny loza voajanahary, notsindrin’ny praiminisitra manokana ny fisian’ireo minia mandoro tanety sy mandripaka ala. Araka izany, azo lazaina fa efa vonona tanteraka amin’ny fiatrehana ny fotoam-pahavaratra isika amin’izao fotoana izao.Tatiana AL’article Praiminisitra: voafehy ny pesta, hovahana ny kitrotro…. a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - News Mada

8 215 ny tranga hita : 575 ny mararin’ny kitrotro niditra hopitaly

Nanomboka ny volana septambra lasa teo no niseho ny trangana aretina kitrotro teto amintsika. Ny volana oktobra vao nitombo tsikelikely ny tranga voatily ary nahatratra 250 na mihoatra izany. Ho an’ny volana novambra, nahatratra 400 mahery ny tranga, araka ny antontanisa avy any amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana. 19 ny hopitaly mandray ny mararin’ny kitrotro ka mila fitsaboana manokana noho ny fahasarotana. 575 ny isan’ny nanaraka fitsaboana hatramin’izao ka ao amin’ny hopitaly Befeletanana (Antananarivo) ny 206 amin’izy ireo. Ny zaza herintaona ka hatramin’ny 14 taona ny maro an’isa amin’ireo voan’ny aretina kitrotro. Voakasika ny distrikan’Arivonimamo, Ambatondrazaka, Tsironoamandidy, Amparafaravola…Anisan’ny voalaza fa nampirongatra ny aretina kitrotro tamin’ity taona ity ny fahalainan’ny reny nampanao vaksiny miaro amin’ny kitrotro ny zanany feno 9 volana. Marefo izy ireny ka mora ifindran’ny aretina kitrotro. Ny fahataran’ny fanatonana mpitsabo no mampitombo ny fahasarotana amin’ny fitsaboana.  8 215 ny tranga voatily amin’ny distrika 38 tao anatin’ny efa-bolana.Vonjy A. L’article 8 215 ny tranga hita : 575 ny mararin’ny kitrotro niditra hopitaly a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - Ao Raha

FAHASALAMANA :: Distrika dimy no efa tsy ahitana ny tazomoka intsony

Miroso tsikelikely amin’ny fanafoanana tanteraka ny tazomoka i Madagasikara. Distrika dimy, ankehitriny no nahavita nandresy io aretina io, dia Antananarivo renivohitra, Avaradrano, Atsimondrano sy Antsiranana I ary Antsirabe I. “Tamin’ity taona 2018 ity ny minisiteran’ny Fahasalamam- bahoaka, dia nanao ny paikady nasionaly ho an’ny ady amin’ny tazomoka. Ny tanjona ao anatin’ny dimy taona ho avy ny hanafoana tsikelikely ny tazomoka eto Madagasikara. Anisan’ny ady lehibe izany satria mbola misimisy ihany ny faritra mihoatra ny 50% ny olona voan’ny tazomoka. Betsaka ny zavatra sy ny fanavaozana entina hanatsarana hiadiana amin’io aretina io. Misy dimy ny distrika manana ny tahan’ny tazomoka latsaky ny 1%”, raha ny voalazan’Andriamananjara Mauricette, talen’ ny foiben’ny ady atao amin’ny tazomoka. Mitohy hatrany ny ady any amin’ireo faritra tena mbola misy ny otrik’aretina sy amin’izao vanim-potoanan’ny aretina izao, ny volana desambra hatramin’ ny volana mey. Ny famedrahana fanafody sy ny fampiasana lay misy odimoka dia anisan’ny paik’ady hohamafisina ao anatin’ny fandaharanasa amin’ny fanafoanana ny tazomoka manomboka ny taona 2019 hatramin’ny 2022. Ny fanatonana toeram-pitsaboana no ahafahana mamantatra ny aretina fa tsy ny fanaovana dokotera tena. “Maro ny aretina miteraka hafanana eo amin’ny olona izay heverina fa tazo. Izay no hanafarana antsika fa rehefa mafanafana hoditra dia aza manao dokotera tena. Tsy voatery ho tazomoka no mahazo fa mety ho aretina hafa ka ilaina ny fahafantarana azy sy ny mitsabo azy mba tsy hiparitahany. Tsy maintsy fitiliana no atao amin’ny aretina tazomoka ka mila manatona toeram-pitsaboana hatrany”, hoy Rakotoarivony Manitra, talen’ny fampiroboroboana ara-pahasalamana eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam- bahoaka. Distrika miisa sivy amby telopolo, izany hoe 21,6%-n’ny mponina no mbola miaina ao anatin’ny faritra be ny otrik’aretina tazomoka. Anisan’izany ny any Toliara II, Sakaraha, Ampanihy, Betioky, Ihosy. L’article FAHASALAMANA :: Distrika dimy no efa tsy ahitana ny tazomoka intsony est apparu en premier sur AoRaha.

News - Santé - Ao Raha

VALAN’ARETINA :: Manodidina ny valo arivo ireo olona voan’ny kitrotro

Miparitaka. Manodidina ny valo arivo ankehitriny ireo olona voamarina fa voan’ny kitrotro manerana ny Nosy. Efa mahazo vahana any amin’ny distrika efapolo mahery izany. Araka ny fantatra, noho ny tsirambina nataon’ ireo ray aman-dreny amin’ny tsy fanaovana vaksiny ny zaza mandritra ny fotoana tokony hanaovana izany no antony mbola mampirongatra ity aretina ity ankehitriny. Ankoatra izay , voalazan’ ny tompon’andraikitra ihany koa fa misy ireo olona mandefa zaza voan’ny kitrotro mandeha mianatra ka manaparitaka haingana ny aretina. “Misy ireo dokotera milaza fa rehefa vita tsindrona ny zaza dia afaka miverina mianatra. Tsy marina anefa izany fa tsy tokony hamonjy sekoly, fiangonana, tsena ary tsy tokony handeha fitateram-bahoaka ireo olona voakasik’ity aretina ity mba tsy hamindra amin’ny olon-kafa”, hoy ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny minisitera, omaly. Araka ny fanazavana hatrany, efa eo am-pitadiavana ny hevitra izay hamehezana ny aretina ny minisitera sy ny mpiara- miombon’antoka aminy ankehitriny. “Ao anatin’ny vahaolana ny fikarakarana ny vaksiny natokana ho an’ireo ankizy dimy taona no ho miakatra. Efa ato ho ato no hahatongavan’ izany ka ireo faritra tena ahitana ny aretina betsaka indrindra no hanombohana ny vaksiny. Anisan’izany ny eto Antananarivo, Toamasina, Ambatondrazaka sy Antsohihy ary ny maro hafa”, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity. Tsiahivina fa tsy ny ankizy sy ny zaza irery fa maro be ihany koa ireo olon-dehibe no efa voan’ny kitrotro. Ny fanamafisana ny fiarovan-tena ihany no nambaran’ny tompon’andraikitra fa fomba hiatrehan’izy ireo ny aretina. Anisan’izany ny fihinanana sakafo sahaza, ampy torimaso sy ny maro hafa. Manamafy ihany koa ny tompon’ andraikitra fa mbola misy ireo vaksiny hiarovana amin’ity aretina ity ho an’ireo zaza latsaky ny herintaona eny amin’ireo tobim-pahasalamana sy ny toerana voatokana ho amin’izany. L’article VALAN’ARETINA :: Manodidina ny valo arivo ireo olona voan’ny kitrotro est apparu en premier sur AoRaha.

News - Santé - News Mada

Tao amin’ny distrika 13: tafakatra 17 ireo matin’ny pesta

Taorian’ny fitiliana natao teny anivon’ny Laboratoire central peste (LCP), 52 ireo olona voamarina fa nahitana trangan’aretina pesta. Pesta atoditarimo ny 41 raha pesta aretin-tratra kosa ny 11ambiny. Amin’ireo olona iraika ambin’ny efapolo (41) voan’ny pesta atoditarimo, 34 efa manaraka fitsaboana eny anivon’ny tobim-pahasalamana, namoy ny ainy kosa ny fito. Ho an’ny pesta aretin-tratra indray, iray no tsaboina fa 10 ireo olona izay voamarina fa nahitana ny trangan’aretina namoy ny ainy. Nanomboka ny 1 aogositra hatramin’ny 3 desambra lasa teo, 17 ireo namoy ny ainy noho ny trangana pesta amin’ny distrika 13 : Tsiroanomandidy, Befotaka, Manandriana, Ambalavao, Ambatofinandrahana, Miarinarivo, MidongyAtsimo, Anjozorobe, Ankazobe, Moramanga, Ambositra, Betafo ary Faratsiho. Ho fitandroana ny fahadiovana tsy hiparitahan’ny valanaretina pesta eto an-dRenivohitra , efa nanao ezaka ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Samva, maka ny fako tsy tapaka, saingy tsy maharaka. Namboarina ary nasiana fitoeram-pako vita amin’ny biriky nasolo ny daba vy teo aloha efa harafesina nefa mbola ety ivelany ihany no arian’ny olona ny fako amn’ny toerana sasany. Nisy fandaminana manokana ihany koa ny fakana ny fako any an-tokantrano, nanomboka tamn’ity herinandro ity, ho an’ireo manana rafitra RF2. Vonjy  L’article Tao amin’ny distrika 13: tafakatra 17 ireo matin’ny pesta a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - Ao Raha

ADY AMIN’NY KITROTRO :: Norarahana ranom-panafody teny Ambohimiadana Atsimo

Nandray fepetra. Norarahan’ny Birao monisipaly misahana ny fahadiovana na BMH ranom-panafody teny amin’ny fokontany Ambohimiadana Atsimo tao amin’ny Boriborintany fahenina, ny faran’ny herinandro teo. Raha tsiahivina dia nahitana trangana kitrotro teny amin’ity fokontany ity ny zoma lasa teo, ka zaza iray no noahiana fa namoy ny ainy vokatr’izany. Tsy nitazam-potsiny ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) fa avy hatrany dia nandefa ny ekipa avy tao amin’ny amin’ny BMH, nandraraka ranom-panafody, teny amin’ny toerana manodidina ny trano fonenan’ny niharam-boina. “Mba hamonoana ireo bibikely sy ny otrik’aretina mety hiparitaka manodidina ny trano sy hitsinjovana hatrany ny fahasalaman’ny daholobe ny tanjon’izao hetsika izao”, raha ny fanazavana noentin’ ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny CUA. L’article ADY AMIN’NY KITROTRO :: Norarahana ranom-panafody teny Ambohimiadana Atsimo est apparu en premier sur AoRaha.

Cuisine - News - Santé - Delire Madagascar

HAZANDRANOMASINA MISY POIZINA: Vanim-potoanany izao

Mateti-pitranga amin’ny faritra manamorona ny morontsiraka eto Madagasikara ny fanapoizinana vokatry ny fihinanana hazandranomasina. Misy tranga foana isan-taona. Anisany sakafo manan-karena otrikaina ny hazandranomasina saingy mety hiteraka tsy fahasalamana sy aretina raha toa ka tsy mitandrina. Miteraka fanapoizinana ny fihinanana hazandranomasina misy poizina na  ny tsindron’ireo tsilo misy poizina eo amin’ny vombony ny trondro. Azo sorohana tsara anefa izany fahapoizinana avy hazandranomasina izany  amin’ny alalan’ny  fampahafantarana bebe kokoa ireo mpanjono sy ny mpikirakira ireo santionan’ny karazan-trondro fahita matetika misy poizina na amin’ny alalan’ny tsindrona na amin’ny fihinanana azy na ny fanarahana  ny toro-làlana sy ny famantarana ny antony mahatonga ny fanapoizinana ary ny fotoana mety mampisy ny poizina. Santionany amin’ireo hazandranomasina mety hiteraka fanapoizinana ny fihinanana azy mandritra ny fotoana voatondro ny  atsantsa, ny geba, ny sokatra an-dranomasina. Matetika eo anelanelan’ny volana novambra ka hatramin’ny volana aprily, indrindra amin’ny vaninandro mafana ny vanim-potoana ahitana ireo hazandranomasina misy poizina. Koa entanina ny rehetra mba hanaraka ny toro-làlana omen’ny tomponandraikitra toy ny hoe: tsy azo atao ny manjono, ny mitatitra, ny mivarotra ary mihinana ireo karazana hazandrano misy poizina voarara mandritra ny voalohan’ny volana novambra hatramin’ ny faran’ny aprily,  mila manatona ny tobim-pahasalamana  akaiky indrindra raha vao misy trangan’aretina miseho taorian’ny fihinanana hazandranomasina. Nangonin’i Lynda A. Cet article HAZANDRANOMASINA MISY POIZINA: Vanim-potoanany izao est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - Santé - Delire Madagascar

Primatiora : Misy eto Madagasikara ny aretina pesta

Toy izao no fanambarana sy fanentanana navoakan’ny te anivon’ny fiadidiana ny Primatiora eny Mahazoarivo: -Azo sitranina zato isan-jato izany aretina izany raha vantany vao marary ka entina avy hatrany eny amin’ny hopitaly ilay olona, ary arahina ireo fepetra rehetra lazain’ny mpitsabo. – Fadio araka izany ny manao dokotera tena. – Avy amin’ny parasy, ny voalavo sy ny loto ny pesta koa entanina ny isan-tokantrano mba hanadio ny manodidina azy sy tsy hanary ireo potikanina toa ny varimasaka satria ireny no misarika ny voalavo. -Rarana ny famoriambahoaka samihafa mba hiarovana ny tsirairay toa ny fety. Fepetra noraisina manokana ho an’ny fifaninana baskety ao amin’ny lapan’ny fanatanjahan-tena ny anaovana azy mikato trano sy tsy azon’ny be sy ny maro hatrehina hatramin’ny dingana famaranana noho ny trangan’aretina pesta izay nahafaty ilay seychellois. – hamafisina ny fizaham pahasalamana izay mivoaka sy miditra eto Madagasikara, izay atao eny amin’ny seranam-piaramanidina sy eny amin’ny toerana ijanonan’ny taxi-brousse Misy ny tetibola iadiana amin’ny pesta ary ireo mpiara-miombon’antoka dia manampy an’i Madagasikara amin’ny fisorohana izany aretina izany. Araka izany dia misy famandriam-boalavo 20 000 ho zarain’ny OMS. Sady maty ny voalavo no maty ny parasy amin’izany famandriam-boalavo izany.Eto Madagasikara ihany ny orinasa mpamorina izany ka tsy misy ahiana raha lany ireo. Maimaimpoana izany famandriam-boalavo izany. Nisy fivoriana tsy ara-potoana entina hisorohana ny fihanaky ny aretina pesta teny Mahazoarivo androany 30 septambra 2017. Fivoriana izay notarihin’ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier sy notronin’ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka, ny minisitry ny fanatanjahan-tena, Minisitry ny Rano, ny Angovo ary ny Akoranafo, ny solontena maharitry UNICEF, ny OMS, ny PNUD Cet article Primatiora : Misy eto Madagasikara ny aretina pesta est apparu en premier sur déliremadagascar.

Santé - Jejoo

Efa vita vaksiny, mbola mety ho voan’ny kitrotro ve ?

Antony iray mampihanaka ny aretina kitrotro ny tsy fanatonana mpitsabo avy hatrany raha vantany vao misy fambara hafahafa eo amin’ny marary. Ny mpitsabo irery ihany mantsy no afaka manamarina, raha trangan’aretina kitrotro tokoa no mahazo ny olona na zaza iray ka mahafantatra ny fisehony. Miteraka resa-be eny amin’ny fiarahamonina koa ny hoe, efa vita vaksiny nefa mbola ahiana ho tratran’ny kitrotro ihany. Namaly izany rehetra izany ny mpitsabo… Aretina vokatry ny virosy Aretina mpahazo ny zazakely sy ny ankizikely ny kitrotro. Azo avy amin’ny virosy antsoina hoe “myxovirus” izy ity. Mora mifindra ny aretina : amin’ny alalan’ny rivotra, ny piti-drora, ny fofon’aina. Rehefa voan’ity aretina ity in-1 mandeha ny olona iray dia tsy atahorana ho voa intsony, izany hoe, in-1 mandeha eo amin’ny fiainana ihany no miseho ny kitrotro. Pentipentina tsy mangihidihidy 10 andro aorian’ny nahazoan’ilay zazakely na ankizikely ilay virosy mitondra ny kitrotro dia miotrika ao anatiny ilay aretina. Efa mora mifindra izy manomboka eo. Misy hafana 38° no miakatra ilay zaza; misy lelo; manganohano ny masony; misy taimaso izy ary misy pentipentina mivoaka amin’ny vatany. Manomboka eny amin’ny tenda aloha izany avy eo mihitatra hatrany amin’ny tratra sy ny vatana rehetra. Tsy mangidihidy io pentipentina io ary rehefa mipoitra dia miafana ny hafanana. Ahitana pentipentina fotsifotsy ihany koa ny lela sy ny ati-vavan’ilay zaza. Mety hihitatra… Raha tsy voatsabo mialoha ny kitrotro dia mety hihitatra ka hitarika “surinfection”. Mety hivalana ilay zaza ary ho tratry ny tsy fahampian-drano; mety handoa be ihany koa; hikohoka be sy harary tratra. Noho izany indrindra dia tsy tokony atao tsinontsinona mihitsy ny aretina. Rahoviana no tokony hanatona dokotera? Tsy miandry fa tokony hanatona dokotera avy hatrany raha vao mihoatra ny 2 andro ilay hafanana, na maharitra 2 andro. Tsy miandry hoe mipoitra ireo fambara vao mikoropaka. Anton’izany mantsy ny hahafahan’ny mpitsabo mitily hoe inona no mahazo ilay zaza. Matetika koa, aorian’ny fipoiran’ny hafanana no mipoitra ireo fambara hafa. Tahaka ny ahoana ny fitsaboana? Tsy maintsy atoka-monina mihitsy ilay zaza, mandritra ny 20 andro hitsaboana azy. Mbola mamindra mantsy ilay aretina, 10 andro mialohan’ny hisehoany sy 10 andro aorian’ny fahasitranany. Mijanona ao an-trano ary tsy alefa mianatra na mifanerasera amin’ny olon-kafa. Mifototra amin’ny fanatoniana ireo soritra miseho amin’ny vatana ny fanafody omena : fampidinanana hafanana, ody kohoka sns. Raha sendra misy ny “surinfection” dia omena “antibiotique” ilay zaza, araka ny torohevitry ny dokotera. Mety ahiana ho voan’ny kitrotro ve ny zaza efa vita vaksiny ? Manomboka amin’ny faha-9 volany no atao vaksiny miaro amin’ny kitrotro ny zazakely. Na izany aza anefa dia tsy ampy hiarovana azy amin’ny kitrotro io vaksiny io raha tsy manao “rappel” izy. Vita izany ny vaksiny miaro amin’ny kitrotro eo amin’ny faha-9 volany, dia tokony hanao “rappel” indray ilay zaza afaka 3 volana na 4 volana, izany hoe eo amin’ny faha-14 volany na 15 volany. Miverina manao “rappel” indray izy any amin’ny faha-3 taonany, faha-5 taonany, hatramin’ny faha-18 taonany. Rehefa vita an’ireo fameranana ireo vao azo antoka ny zazakely, ankizikely na olon-dehibe iray, fa tsy ho azon’ny kitrotro intsony, eny fa na midina aza ny hery fiarovany voanjanahary. Isaorana ny dokotera Mami Razafimandimby. Pédiatre Centre de Santé pédiatrique Mahasoa, Tsiadana Nangonin’i Nelly-Bri Cet article a été récupéré chez Jejoo

News - Santé - Ao Raha

Akany Sembana mijoro

Nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana ny Akany Sembana mijoro, etsy Ambohibao, omaly. Efa 15 taona nitaizana sy nandraisana an-tanana ireo zaza manana faha-sembanana mavesatra ity akany ity ary mankalaza izany amin’ity taona ity. Nambaran’ny tompon’andraikitra fa isan’ny olana amin’ny fitaizana ireo zaza tra-paha-sembanana ny tsy fahampian’ny vola sy ny fitaovana ary ny fotodrafitrasa. Maniry izy ireo mba hampian’ny fanjakana ireo olona manana fahasembanana sy mpanabe azy ireo. Voatery mangataka fanampiana amin’ny mpamatsy vola ny akany mba hampandehanana ny asa fitaizana. Manampy amin’ny fitadiavana asa ho an’ireo izay nahavita fiofanana tao aminy ity akany Sembana mijoro ity. L’article Akany Sembana mijoro est apparu en premier sur AoRaha.

News - Santé - Ao Raha

FAHASALAMANA :: An’arivony ireo vehivavy voatsabo amin’ny aretina mamany lava

Manodidina ny zato sy arivo ireo vehivavy nandalo fandidiana mikasika ny aretina mamany lava mandritra ny taona 2018 teto Madagasikara. Fiaraha-miasan’ny governemanta malagasy sy ny Vondron’ny Firenena Mikambana misahana ny mponina na ny UNFPA izany. Fiaraha-miasa niarahana tamin’ny governemanta japoney kosa ny fandidiana vehivavy dimy amby zato tany amin’ny hôpitalim-paritra Ambovombe. Nivohitra izany nandritra ny fampahafantarana ny vokatry ny fiaraha- miasan’ny governemanta malagasy, japoney ary ny UNFPA, omaly, teny Befelatanana. Mifantoka tanteraka amin’ny fandraisana an-tanana ireo vehivavy sy ankizivavy rahateo ny fiaraha-miasa misy eo amin’ireo mpisehatra telo ireto. Mbola maro ireo vehivavy tratran’ity aretina ity eto Madagasikara. Iray amin’izany i Fideline, monina any Ejeda. Teo amin’ny fahadimy ambin’ny folo taonany izy no niteraka ny zanany saingy tsy azo ilay zaza. Voatery nitoka-monina sy nijanona tamin’ny fianarany nefa izy avy eo satria nahazo ny aretina mamany lava ihany koa. Olona iray tao amin’ny fianakaviany no naharenesany fa misy ny fitsaboana ity aretina ity any Ambovombe ka nanatona izany i Fideline sy ny fianakaviany. Afaka nianatra mikasika ny zaitra sy ny fiompiana akoho izy rehefa vita ny fandidiana azy. Mbola manohy ny fianarany kosa izy ankehitriny ary maniry ny hahazo ny mari-pahaizana Bakalôrea. “ Zava-dehibe ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny telo tonta satria mampiova fiainan’olona maro toa an’i Fideline”,hoy Rantomalala Harinirina Yoel, minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, omaly, teny Befelatanana. L’article FAHASALAMANA :: An’arivony ireo vehivavy voatsabo amin’ny aretina mamany lava est apparu en premier sur AoRaha.

Santé - Jejoo

Akondro sy ronono, manatsara hodi-tava vetivety

Manan-karena « antioxydants » ny akondro. Fahita mandavan-taona koa ity voankazo ity, ka azo atao tsara ny mikarakara tarehy aminy. Manala an’ireo sela maty izy, ary manatanora endrika ihany koa. Tsy vitan’izay fa manamandina hoditra, manaitaitra ny hoditra maloka sy vizana, ary manarina ireo hodi-tava simba sy reraka. Ahoana àry ny atao ? Akondro sy siramamy Atao ao anaty lovia kely ny akondro masaka tsara iray, sy ny siramamy vaventy 1 sotrokely. Afangaro tsara izany dia ahosotra amin’ny tarehy sady manoritra boribory. Mandritra ny dimy minitra no hanaovana izany sady kosehina moramora ihany. Kobanina avy eo. Sady ho afaka ny sela maty no ho toy ny vaovao ny hodi-tava. Mandina ihany koa ny hoditra maina sy maloka. Akondro sy ronono Ao anaty lovia kely koa ny akondro masaka iray, ary poretina amin’ny sotrorovitra. Arotsaka ao avy eo ny « avoine » 2 na 3 sotrokely novidiana teny amin’ny pavillon Analakely. Rarahana tantely sy ronono 1 sotro avy eo. Rehefa mifangaro tsara ireo rehetra ireo dia alona eo amin’ny tarehy mandritra ny 5 minitra. Kosehina moramora sy malefaka avy eo ary atao manoritra boribory. Kobanina amin’ny rano mangatsiaka. Raha maina sy makiana be ny hoditrao dia tsara raha soloina “crème fraiche” ny ronono. Ando Cet article a été récupéré chez Jejoo

News - Santé - News Mada

CHRR Alaotra Mangoro: vita ny toeram-pitsaboana ho an’ny reny

Notokanana ny asabotsy teo ny sampan-draharaha misahana ny reny sy ny zaza manokana ao amin’ny hopitaly CHRR Alaotra Mangoro. Mamaly ny filan’ny mponina ao Ambatondrazaka sy any amin’ny faritra Alaotra Mangoro manontolo ny fisian’ity sampan-draharaha manokana miahy ny reny sy ny zaza ity. Niaraka tamin’ny fampitaovana toy ny fandriana 22, fitaovam-pandidiana sy kojakojam-pitsaboana maro ary fitaovam-pitarafana,  ity fotodrafitrasa vaovao ity.  Teo koa ny kojakoja ho an’ny mpiteraka, lay misy odimoka, fanafody… Ankoatra ireo ny fiara tsy mataho-dalana natao hitondrana marary, indrindra ireo any amin’ny toerana saro-dalana. Ahitana ny sampana ho fitsaboana ny zaza manokana sy toeram-piterahan’ny reny ary toeram-pandidiana izany sampan-draharaha vaovao izany. Laharam-pahamehana ho an’ny fanjakana ny fahasalamam-bahoaka. Manampy ny mponina ny fisian’ny fotrodraitrasa ara-pahasalamana toy izao. Tanjona ny hampihena ny taha-pahafatesan’ny reny sy ny zaza. Misedra olana ireo reny hiteraka teo aloha, saingy mivaha izany ankehitriny ary arifomba ny fitaoam-piterahana. Manana ny dokotera manam-pahaizana amin’ny fitsaboana zaza ihany koa ny hopitaly amn’izao fotoana. Nanentana ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny dokotera ihany koa ny fanjakana hanao ny asany antsakany sy andavany ary hampiroborobo ny tontolon’ny fahasalamana. Nanentana ny mponina  hanaja ny fotodrafitrasa iombonana ny tompon’andraiki-panjakana. Natolotra tamin’izany koa ny fitaovana ho an’ireo mpiandraikitra ny fandriampahalemana any an-toerana. Nahitana moto 15 ireo fanomezana natolotra ireo. Nahazo ny anjarany koa ny CEG sy ny EPP…. Tatiana AL’article CHRR Alaotra Mangoro: vita ny toeram-pitsaboana ho an’ny reny a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - News Mada

Befelatanana –Ambovombe: manohana ny fahasalamana ny Japoney

Nanohana ny fanjakana malagasy ho fanatsarana ny fahazoan’ny vahoaka fahasalamana ny fanjakana japoney amin’ny alalan’ny masoivohony miasa eto amintsika. Niara-niasa tamin’ny minisiteran’ny Fahasalamana ihany koa ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA). Nandritra ity taona ity, namatsy vola ny fametrahana lavarangana ahafahan’ny rihana mifandray teny amin’ny toeram-piterahana misahana ny reny sy ny zaza Befelatanana ny fanjakana japoney, ny taona 2016. Nahatratra 572 tapitrisa Ar mahery ny tetibola natokana tamin’ny fotodrafitrasa intsinjovana ny marary. Nampitaovana ny sampana fampiterahana ihany koa izy ireo hanatsarana ny fandraisana an-tanana ny mpiteraka sy ny zaza vao teraka. Nanampy ny hopitaly ao Ambovombe ny Japoney, nitarina ny hopitaly ary nohavaozina ny toeram-pandidiana. Nahafahana nandray mpiteraka, araka ny fenitra, ny fitaovana sy ny fanatsarana samihafa nentina ho an’ny hopitaly. Efa nandray fandidiana ny vehivavy tratran’ny aretina mamany lava ny toeram-pandidiana ka 150 ireo nahazo tombontsoa noho ny fanohanan’ny Japoney ihany. Vonjy A.  L’article Befelatanana –Ambovombe: manohana ny fahasalamana ny Japoney a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - News Mada

Fitiliana ny VIH/Sida: 10% n-ny olona mitondra ny tsimokaretina no mahafantatra

Ny taona 2017, nahatratra 9 tapitrisa mahery kely maneran-tany ny olona nitondra ny tsimokaretina VIH/Sida nefa tsy nahafantatra izany toe-pahasalamana izany akory. Eto Madagasikara, 10%  ihany amin’ny olona vinavinaina fa miaina miaraka amin’ny tsimokaretina no mahafantatra fa mitondra izany taorian’ny fitiliana nataony . Ny ambiny, vokatry ny tsy fahafantarana, tsy mazoto manao fitiliana na tsy mahalala ny maha-zava-dehibe izany. Natokan’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana miady amin’ny tsimokaretina VIH/Sida ho fanentanana ny daholobe ahafantantra ny toe-pahasalamana, ny 1 desambra, Andro natokana iadiana amin’ny tsimokaretina, maneran-tany. 30 taona no nanamarihana ny Andro ary natao ahatsiarovana manokana ireo olona marobe namoy ny ainy noho ny tsy fahalalany na koa tsy fahazoany fitsaboana sy fanafody. « Fantaro ny toe-pahasalamanao, mitondra ny tsimokaretina ve ianao na tsia ? » ny lohahevitra nitondrana ny fanentanana. Tokony hiompana amin’ny fandresen-dahatra ny olona hanao fitiliana ny asa amin’ny ho avy. Nanome ohatra ary nanao fitiliana ny filoham-panjakana, Rakotovao Rivo, ny asabotsy lasa teo teny Iavoloha tao anatin’ny fanamarihana ny 1 desambra. Tokony ialana koa ny fanilikilihana sy ny fanavakavahana ireo olona mitondra ny tsimokaretina handresena ny tsimokaretina, hoy ny nambarany. Vonjy A. L’article Fitiliana ny VIH/Sida: 10% n-ny olona mitondra ny tsimokaretina no mahafantatra a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - Ao Raha

ARETINA MITARAZOKA :: Iray amin’ny fiarovana amin’ny VIH/Sida ny fanaovana fitiliana

Fisorohana. Nanka­lazaina ny sabotsy lasa teo ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ady amin’ny VIH/ Sida. Ho an’ny Komitim-pirenena miady amin’ny tsimok’aretina ity dia ny fanaovana fitiliana ihany no isan’ny fiarovana amin’izany. “Ilaina ny manao fitiliana mialoha ahafahana mitsabo tena ary mba hahafantarana ireo aretina mpanararaotra amin’ny vatan’ny olona iray raha sanatria misy izany tsimok’aretina izany ny olona iray”, hoy Rasoanarivo Jasminah, tompon’andraikitra teknika eo anivon’ny Komi­tim-pirenena miady amin’ny Sida, ny sabotsy lasa teo, nandritra ny fitiliana mai­maim-poana notanterahina teny Ambohijatovo. Ho an’ny taona 2018, efa nanomboka ny 27 novambra lasa teo ny fanaovana fitiliana maimaim-poana eny anivon’ ny tobim-pahasalamana CSB II teto amin’ny Faritra Anala­manga. Voalaza fa saika ahitana olona mitondra ity tsimok’aretina ity avokoa isaky ny misy fitiliana maimaim-poana atao. Olona manodidina ny 31 000 no vinavinaina hahavita fitiliana mandritra ny volana desambra. Araka ny fantatra, mano­didina ny 0,3 isan-jato ny tahan’ireo olona mitondra ity tsimok’aretina ity eto amintsika. Voalaza fa mety hahaka­sika ny olon-drehetra izany saingy ambony kokoa ny taha ho an’ireo lehilahy miaraka amin’ny lehilahy satria manodidina ny 14% izany raha 8,2% kosa ho an’ireo vondron’olona mitsindrona zava-mahadomelina. Ny dimy isan-jaton’ireo vehivavy mpampanofa tena kosa no fantatra fa mitondra izany. Tsiahivina fa efa misy ireo fanafody hahafahan’ny olona miaina miaraka amin’ ny VIH/Sida mandritra ny fotoana maro. Maimaim-poana ny fahazoana izany fitsaboana izany eny amin’ny tobim-pahasalamana miankina amin’ny fanjakana rehetra. “Mampihena ny lanjan’ny tsimok’aretina ao anatin’ny vatan’ny olona ity fanafody ity. Mety tsy hamindra amin’ ny hafa intsony koa izay mihinana izany raha manaraka tsara ny torolalana omen’ny mpitsabo”, hoy hatrany Rasoanarivo Jasminah. L’article ARETINA MITARAZOKA :: Iray amin’ny fiarovana amin’ny VIH/Sida ny fanaovana fitiliana est apparu en premier sur AoRaha.

News - Santé - Triatra

Miha mahazo vahana ny kitrotro : Miisa 4 600 efa voany

Mbola mampiteny azy ny aretina kitrotro amin’izao fotoana izao. Tao anatin’ny andro vitsy dia nitombo isa indray ny olona voany. Raha 4 000 ireo voany ny alarobia teo dia efa tafakatra 4 600 izany ny zoma teo ka na olon-dehibe na zazakely tratrany avokoa. Na efa miparitaka manerana ny distrika 23 aza ny aretina dia mbola mitana laharana amin’ny olona voan’ny aretina ny eto amin’ny faritra Analamanga. Amin’ireo olona 4 600 ireo tokoa dia eto Antananarivo sy ny manodidina azy ny 3 900 amin’ireo. Marihina fa ireo olona namonjy toeram-pitsaboana ireto fantatra ireto ary voamarika ihany koa fa ireo olona tsy vita vaksiny tamin’ny mbola kely ny ankamaroany. Ny tsy fahavitana vaksiny tamin’ny mbola koa no antony maha maro isa ireo olona voa. Nambaran’ny mpitsabo tsy miankina iray fa tsy ampy hery fiarovana na koa diso reraka loatra na tsy ampy sakafo mihitsy aza no mahatonga ny fiverimberenan’ny aretina. Nomarihany ihany koa fa mahafaty na mampitondra takaitra mandrapahafaty ny tsy fitsaboana ny aretina kitrotro. Tsiahivina hatrany fa ny fanaviana, reraka, malain-komana, mena maso no fisehoan’ny aretina. Mikohaka, avy amin’ny ranon-delo sy ny rehoka kosa no fomba fifindrany. Tsara marihina koa fa ny fanaovana vaksiny ihany no hiadiana amin’ny aretina kitrotro, hoy ny ministera ary tsy maintsy atao vakisiny miaro amin’ny kitrotro ny zaza latasaka ny 5 taona. Laurena Nany L’article Miha mahazo vahana ny kitrotro : Miisa 4 600 efa voany est apparu en premier sur .L’article Miha mahazo vahana ny kitrotro : Miisa 4 600 efa voany a été récupéré chez Triatra.

News - Santé - Triatra

Tsimok’aretina Sida : Malagasy miisa 35 000 mitondra azy

37 tapitrisa ny olona mitondra ny tsimok’aretina Sida manerantany, ary 1 tapitrisa efa namoy ny ainy, raha ny tatitra navoakan’ny Medecin du monde. Eto Madagasikara kosa, olona miisa 35 000 no voany ary efa maro ireo namoy ny ainy saingy tsy fantatra mazava ny isa. Tarehimarika izay mbola ambany raha oharina amin’ny firenena hafa saingy ambony ho an’i Madagasikara. Mpivarotena sy mpitsindrona zava-mahadomelina kosa no tena ahitana azy. 34 000 isa amin’io 35 000 io kosa olon-dehibe 15 taona hatramin’ny 49 taona no eritreretina mitondra ny aretina ary zaza 0 hatramin’ny 14 taona kosa ny 1 300, raha ny fanamarihan’ny Dr Ravelonirina Ange Aimée, tompon’andraikitra ny fandaharan’asa IST Sida. Ny zavatra tsikaritra ihany koa, mbola vitsy ny olona manao fitiliana ny aretina. Ho an’ny eto Analamanga izao dia 4 isan-jaton’ny olona ihany no tonga manao fitiliana ka 0,3 isan-jato amin’io no eritreretina mitondra ny tsimok’aretina. Ny zavatra hita sy tsikaritra dia malaina manao fitiliana ny olona. Tamin’ireo olona 8 000 nataon’ny Medecin du monde fanadihadiana teto Madagasikara dia tahotra no anton’ny tsy hanaovan’ny olona fitiliana. Tahotra ny ho voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina. Nambara fa 10 isan-jaton’ny olona voany ihany no vita fitiliana sy mahalala fa voany nefa zava-dehibe ny fanaovana fitiliana mba hahafahana mifehy ny fiparitahan’ny aretina, hoy kosa ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Rantomalala Hantanirina Yöel. Manoloana izay dia ampirisihana ny olona hanao ny fitiliana satria izay ihany no hahafantarana na mitondra ny tsimok’aretina na tsia ny olona iray. Marihina koa fa efa misy ny fandraisana an-tanana ireo olona raha toa ka, voamarina fa voan’ny aretina sady maimaim-poana ny fanafody. Nomarihana ny sabotsy 1 desambra teo, ny andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny aretina VIH/Sida. Loha-hevitra tamin’izany, “fantaro ny momba anao.” Nisongadina nandritra ny fanamarihana ny fanentanana ny olona, indrindra ny fiaraha-monina tsy hanilikilika ny olona voan’ny tsimok’aretina. Laurena Nany L’article Tsimok’aretina Sida : Malagasy miisa 35 000 mitondra azy est apparu en premier sur .L’article Tsimok’aretina Sida : Malagasy miisa 35 000 mitondra azy a été récupéré chez Triatra.

News - Santé - Midi Madagasikara

Maevatanàna : Mahazo vahana sy miparitaka ny aretina kitrotro

Mahazo vahana sy miparitaka ny aretina kitrotro eto amin’ny renivohi-paritra Betsiboka. Ankizy miisa valo eo indray mantsy no tratran’ny aretina kitrotro raha ny tarehimarika navoakan’ny tompon’andraikitry ny fanaovam-baksiny ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Ankoatra ireo ankizy madinika latsaky ny dimy taona dia mahita faisana ihany koa ny olon-dehibe, eny fa na dia ireo efa vita vakisiny tamin’ny fahakeliny aza. Raha ny fanazavan’ny mpitsabo iray dia miseho amin’ny alalan’ny fanaviana io aretina io. Mitsororika ranon-delo ilay olona, maharary be  ny lohany, manakotsako ny vanin-taolany ary mety hikohaka izy. Mety hitsororika ihany koa ny ranomasony, na menabe ilay maso, izay fantatra fa mety hahajamba na hafaty raha tonga eny amin’ny atidoha. Mety hiteraka tsiranoka any amin’ny atidoha ilay aretina, na mety hampivalana ihany koa raha tsy voatsabo. Manoloana izay dia nisy ny fidinana ifoton’ny nataon’ny mpiasan’ny fahasalamana tamin’ireo sekoly rehetra teto Maevatanàna tampon-tanàna na miankina amin’ny fanjakana na ihany koa tsy miankina. Na izany aza, dia tsy ilay kitrotro loatra no mahafaty fa ireo karazan’aretina manafika ilay marary raha vatany vao midina ny hery fiarovana ao anatiny. Ny fanaovana vaksiny no vahaolana tsara indrindra. Maimaimpoana ny fanaovana izany eny anivon’ireo hopitalim-panjakana, toy ny CSB. Afaka mandray an-tanana ireo marary ihany koa ny fitandroana hatrany ny fahadiovana ary ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana feno hery sy be otrikanina. Nolazain’ity dokotera Felucien ity, hatrany fa tsy tokony hianatra ao anatin’ny 15 andro ny mpianatra voan’ny kitrotro fa manaraka fitsaboina, fa ireo  mpiasam-panjakana ihany koa  tsy tokony hiasa ao anatin’ny 15 andro rehefa tratran’ny kitrotro. Araka ny fanazavan’ity dokotera ity hatrany dia manomboka amin’ny 07 ora maraina ka hatramin’ny 06 ora sy sasany hariva ny hopitalim-panjakana no tsy mitsahatra ny mandray marary isan’andro. RatantelyL’article Maevatanàna : Mahazo vahana sy miparitaka ny aretina kitrotro a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Santé - Midi Madagasikara

Ambatoboeny : Mpianatra 10 indray voan’ny ambalavelona  

Niverina indray tato ho ato tany amin’iny faritra iny ny  trangana ambalavelona. Tovovavy mpianatra miisa folo ao amin’ny ceg sy lycée, sainte Thérèse katolika ao Ambatoboeny, any amin’ny faripiadidiam-pampianarana Boeny, no indray nihetsika Ambalavelona ny Alakamisy teo. Taorian’ny fifampiresahana tamin’ny ray aman-drenin’ireo mpianatra dia nanapa-kevitra ny tompon’andraikitra ao amin’ny sekoly Saint Therèse, fa horaisina an-tanana fitsaboina amin’ny alalan’ny fivavahana ataon’ireo « karismatika » amin’ity retina ity. Raha ny vaovao voaray hatrany, dia mbola nisehoana trangan’ambalavelona ihany tamin’ity sekoly voalaza etsy ambony ity, ny zoma maraina teo, ka mpianatra iray indray mantsy no nihetsika sy marary. Noho ny tahotra mba tsy hiparitahan’ny aretina hafahafa ity haingana, dia nakatona ny sekoly ary nalefa nody ireo mpianatra. RatantelyL’article Ambatoboeny : Mpianatra 10 indray voan’ny ambalavelona   a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Santé - Triatra

Fihinanana ioda : Antoky ny fivelaran’ny atidoha

Mbola ny 21,3 isan-jato ny tokantranon’ny malagasy ihany no mampiasa ny sira misy ioda raha tokony 90 isan-jato izany. Ny olana matahotra ny vahoaka malagasy satria maro ny feo mandeha momba ny fihinana ny sira misy ioda. Isan’ny goavana amin’izany ny fahatapahan’ny lalan-dra tampoka. Manoloana izay ahiahian’ny malagasy izay dia nanambara ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamana fa ilain’ny vatan’ny olombelona ny ioda. Mbola nohamafisiny ihany koa fa tsy ny fihinanana sira misy ioda no mahatonga ny fahatapahan’ny lalan-dra tampoka fa ny fihinanana sira be loatra. “5 grama isan’andro ny sira tokony ao anatin’ny sakafon’ny olona iray. Tsy ny ioda no mampiakatra tosin-dra ka mety hahatapaka lalan-dra tampoka fa ny fihinanana sira be loatra. Raha mihininana sira ara-dalàna ny olona iray tsy misy ny atahorana. Tsara marihina fa ny sakafo rehetra misy ioda avokoa, toy ny legioma fa ny trondro no tena ahitana izany satria anaty ranomasina no tena ahitana ioda. Izay no mahatsara ny fihinanana trondro avy anaty ranomasina matetika”, hoy ny fanazavan’ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana, Dr Rakotoarivony Manitra, omaly. Fantatra fa any ivelany toy ny any Frantsa dia ao anaty mofo ny azy no asiana ioda satria mofo ny fihinan’izy ireo. Misy koa any amin’ny tany hafa dia ao anaty menaka ny azy. Ho an’i Madagasikara, ao anaty sira no asiana ioda ary voafetra ny ioda ao anatiny ka tsy misy ahiana. Nomarihany ihany koa fa sakafo tsy tokony hoanina be loatra ny laisoa, ny mangahazo,… fa mahatonga goatra. Araka ny fanambaran’ny minisitry ny Fahasalamana kosa indray, Pr Rantomalala Hariniaina Yöel, omaly dia mampivelatra ny atidoha ny fihinanana ioda ary misy fiantraikany maro eo amin’ny vatan’olombelona kosa ny tsy fahampian’ny ioda. Tafiditra amin’izany ny fahafahan-jaza matetika, fahasembanana ara-batana na ara-tsaina hatrany ambohoka. Ny fahavotsan’ny saina any ampianarana ho an’ireo zaza madinika sy ny ankizy izay mbola mianatra. Ny goatra na ny fivontosana eo amin’ny tenda. Ireo voka-dratsy ireo sakana amin’ny fivelaran’ny maha izy ny olona iray ary hahatonga vesatra ho azy sy vesatra ihany koa hoa n’ny fianakaviana ary ny firenena mihitsy aza. “Ny fanadihadiana natao teto Madagasikara nahitana fa 21,3 isan-jaton’ny tokantrano no mampiasa sira misy ioda. Raha ny fenitra napetraka ny fikambanambe iraisam-pirenena tokony 90 isan-jaton’ny tokantrano no mampiasa sira misy ioda. Manoloana ireo rehetra ireo, mampihatra ny fitakiana hapetraky ny fikambanana manerantany misahana ny fahasalamana (OMS) amin’ny fametrahana lalàna ny fanasiana ioda ny sira rehetra izay vokarina eto Madagasikara ny ministera izay efa nanomboka tamin’ny taona 1994 ka natao ho vaindohan-draharaha ny fanentanana sy ny fampirisihana ny rehetra hisafidy sy hampiasa ny sira misy ioda izay voamarika ny fonosana misy soratra SIF (Sira misy ioda sy fluor)”, hoy ny minisitry ny Fahasalamana hatrany. Nomarihana omaly, manerana ny Nosy ny androm-pirenena ho an’ny fampiasana sira misy ioda. “Ny fihinanana sira misy ioda antoky ny fivelaran’ny saina ny zaza sy ny fahasalaman’ny daholo be”, loha-hevitra ny fanamarihana. Laurena Nany L’article Fihinanana ioda : Antoky ny fivelaran’ny atidoha est apparu en premier sur .L’article Fihinanana ioda : Antoky ny fivelaran’ny atidoha a été récupéré chez Triatra.

News - Santé - News Mada

Eny anivon’ny hopitaly: raikitra ny fifaninanana hahazoana ny  « Label 5S »

Nampahafantarina, omaly, tetsy amin’ny HJRA Ampefiloha ny “Label 5S”, mari-pankasitrahana hametrahana ny lentan’ny hopitaly mendrika amin’ny fomba fiasa sy fanatsarana ny tontolon’ny hopitaly, ary indrindra ny fanajana ny marary…. Toky ho an’ny marary eny anivon’ny hopitaly ny hisitraka ny tontolo mirindra sy madio ary anjakan’ny fandriampahalemana sy ny fandraisana mendrika ny fametrahana ity “Label 5S” ity. Ankoatra ireo, hahamora ny fandraisana an-tanana ny marary sy ny hakingan’ny fomba fiasan’ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ny mangarahara eo amin’ny vola ilaina ary ny vidim-panafody ihany koa izany. Fomba fiasa manaraka ny ny fitantanana tsara sy kalitao mendrika hanatsarana ny tontolon’ny asa eny anivon’ny hopitaly ny 5S Kaizen-TQM, izay nentin’ny Japoney teto Madagasikara efa hatramin’ny taona 2007. Sivanina, Sokajiana, Sasana, Soratana, Sokajiana (5S). Mila mahay manavaka tsara ny antontan-taratasy sy ny karazana fitaovana ilaina sy ny tsy ilaina. Mahay manasokajy ireo antontan-taratasy ilaina ireo amin’ny toerana tokony hisy azy ary mora ny fitadiavana azy. Mila sasana madio sy havaozina ny fitaovana mba ho azo ampiasaina avy hatrany sy ho ara-pahasalamana tokoa. Voarakitra an-tsoratra ary hatao tazan’ny maso ny fomba fiasa mba tsy hohadino… Ankoatra ireo, saintsainina avokoa ny tokony hatao ary arahina ny fitsipi-pifehezana. Amin’izao fotoana, efa mihatra amin’ny hopitaly  CHU 22 sy CHRR 16 eto Madagasikara ny fomba fiasa 5S. Miitatra amin’ireo hopitaly eny anivon’ny distrika CHRD 23 ihany koa izany, amin’izao fotoana ary tonga hatreny amin’ny CSB 1654. Raha ny tombana hatao isan-taona, fantatra fa efa mahafehy ny fampiharana ity fomba fiasa 5S ity ireo mpiasan’ny hopitaly. Azo tsapain-tanana ny vokatra, indrindra ny fahitana ny fanatsarana ny fahadiovana sy ny fotodrafitrasa ary ny fanatsarana ny fandraisan’olona. Mendrika ny omen-danja izany ezaka izany entina hampaherezana ireo mpiasan’ny hopitaly ka izany indrindra no nanaovana ny “Label 5S”. Ho azon’izay hopitaly mahafeno ny fepetra, araka izany, ity “Label 5S” ity. Anisan’ny fepetyra voalohany fampiharana ny 5S amin’ireo sampan-draharaha rehetra ao amin’ny hopitaly. Tokony hahafa-po ny fampiharana ny 80% io 5S io. Mahasahy manao fanamby fa hahavita hitazona ao anatin’ny roa taona io fomba fiasa io ary hahatratra ny fenitry ny kalitao “Kaizen”. Manokatra fijery hafa ho an’ny mpitazana ny fahazoan’izay hopitaly mendrika ity “Label 5S” ity. Toy ny dokambarotra ho an’ny hopitaly ihany koa izany, manoloana ny marary sy ireo mpiara-miombon’antoka. Hanomboka amin’ny voalohan’ny taona 2019 ny fanombohan’ny fangatahana ity mari-pankasitrahana “Label 5S” ity. Tatiana AL’article Eny anivon’ny hopitaly: raikitra ny fifaninanana hahazoana ny  « Label 5S » a été récupéré chez Newsmada.

Santé

Ny tsara ho fantatra momba ny aretina kitrotro

Ankehitriny dia malaza eto amin'ny tany sy ny firenena ny aretina kitrotro na rougeole amin'ny teny frantsay. Ka rariny raha nanokana lahatsoratra iray i ewa.mg hiresahana nybtsara ho fantatra rehetra momba ani'ity aretina ity. Ny kitrotro dia aretina tena mora mifindra. Fibotsobotsinana amin'ny vatana arahan'ny rhinite, conjonctivite, kohoka sy fanaviana malefadefaka no manamarika ny kitrotro. Fa inona marina ny kitrotro ? Ny kitrotro dia fananviana misy fibotsibotsinana amin'ny vatana izay mahazo ny ankamaroan'ny zaza maneran-tany. Ny fahasarotana aterany dia vitsy amin'ny tany mandroso fa tena betsaka tokoa amin'ny tany an-dalam-pandrosoana ka mahatonga fahafatesana maro. Ny kitrotro dia mifandray amin'ilay viriosy paramyxovirus. Izy io dia manana endrija areti-mifindra rehefa ririnina amin'ny tany mafana. Ny zaza latsaka ny enim-bolana dia matetika voa aro amin'ny alalan'ny hery fiarovan'ilay reny (raha ohatra ka ity farany efa manana hery fiarovana na efa vita vaksiny). Ny fifindran'ny kitrotro dia avy amin'ny piti-drora an'ireo olona marary. Ireo maeary dia afaka mamindra aretina 4 na 5 andro alohan'ny hipotran'ny fibotsibotsinana amin'ny vatana. Ny viriosy dia tsy hita ao anatin'ny ra 4 na 5 andro aorinan'ny fibotsibotsinana. Ny fisehoan'ny kitrotro Ny aretina kitrotro dia miseho matetika alohan'ny fidiran'ny zaza an-tsekoly. Ny fikotrehan'ny aretina dia manodidina ny 10 andro aorian'ny fifindrany. Ny fiparitahan'ny aretina dia manodidina ny 4 andro arahan'ny fanaviana, conjonctivite, fivontosan'ny maso, firotsahan'ny ranon-delo, kohoka, fivalanana, areti-kibo, maloiloy, fandoavana, sns... Kizitina be ilay zaza voan'ny kitrotro ary mitomany tsy amin'antony. Ilay fambaran'i Köplik dia ahafahana mamantatra an'ilay aretina eo. Ao anatin'ny ativava mifanandrify amin'ny vazana dia misy pentimptina fotsy kely lehibe ohatran'ny loham-panjaitra izay mipetraka eo ambonin'ny zavatra mena. Telo na efatr'andro avy eo dia manjavona ilay fambaran'i Köplik ka soloin'ny fibotsibotsinana. Ilay fibotsibotsinan'ny kitrotro dia miavaka : misy zavatra kely menamena izay mivohitra ka mirefy milimetatra vitsivitsy. Ireo botsibotsina menamena ireo dia mitambatambatra fa elanelanin'ny hoditra tsy maninona. Ny ampahan'ilay hoditra dia mety hitovy loko amin'y ra. Ny fibotsibotsinana dia manomboka eo amin'ny tarehy ao ambadiky ny sofina aey mihitatra tsikelikely. 2 andro aorinan'ny fisehoan'ny votsibotsina dia rakotra ny tarehy, ny tenda sy ny tapany ambony amin'ny tratra. Ny andro fahatelo, rakota ny tapany ambonin'ny vatana. Ny tapany ambany kosa dia voa afaka efatr'andro. Mandritra ny fotoana hisehoan'ny botsibotsina dia mafana ilay marary. Ny kohoka, ny filatsahan'ny ranomaso sy ranon-delo, otite,rhinite, angine, laryngite, fivalanana (na antqoina ihany koa hoe : catarrhe oculo-oto-naso-pharyngo-laryngo-intestinal) dia mitohy. Malemy ilay marary. Rehefa miala ilay mibotsibotsina dia misinda ilay fanaviana raha tsy hoe misy fahasarotana. Mbola vizaka foana ilay zaza rehefa afaka ilay aretina. Fitsaboana ny kitrotro Ny fitsabona manasitrana Tsy tokony hampidirina hopitaly ny olona voan'ny kitrotro raha tsy misy fahasarotana toy ny broncho-pneumonie majeure, laryngite asphyxiante na encéphalite na misy hatahorana toy ny mucoviscidose, insuffisance respiratoire, sns... Ny antibiotiques dia tena ilaina tokoa raha toa ka misy be loatra ny bacterie. Ny fitsaboana ny fanaviana dia atao, ny fisotrona rano tsara, ny fakana aina dia atao ihany koa. Indraindray dia mila alefahana ny hazavana. Ny fitsabona ny encéphalite dia miankina amin'ny fandajalanjana ny hydro-électrolytiquebsy calorique, ny fampiasana ny anticonculsivants sy ny nursing. Ny fitsabona fisorohana Ny vaksiny fisorohana amin'ny kitrotro dia tsy maintsy atao ho an'ny zaza. Ny fahadiovana hisorohana ny fiparitahan'ny kitrotro Fihetsika vitsivitsy ahafahan'ny kitrotro tsy hiparitaka: Fanasana tanana matetika ary mampianatra ny zaza ny fomba fanaocana azy tenà iay. Sasana amin'ny sérum physiologiqueqw Tapenana ny vavan'ilay marary rehefa mikohoka na mievona. Mampiasa mouchoir à jeter Tsy mifanoroka amin'ny olona voan'ny kitrotro Sasana tsara ny entana nampiasain'ny marary sokafana ny trano mandritra ny 20 mn Cet article a été récupée chez Doctissimo.fr

News - Santé - News Mada

Hopitaly Manjakandriana: nanda ho tsy manana “clinique” ny lehiben’ny mpitsabo 

Manjavozavo tanteraka sy mifamahofaho ary samy manana ny filazany. Nitaraina ny olona nanatona teny amin’ny hopitalin’i Manjakandriana fa alefany aty amin’ny toeram-pitsaboana tsy miankina iray eny Ampitatafika, an’ilay mpitsabo ihany, rehefa tonga mitsabo tena ao amin’ny lehiben’ny mpitsabo ka mila fandidiana, araka ny fanazavan’ny vehivavy mpiteraka iray, ny talata lasa teo tany Manjakandriana. Rehefa niresaka tamin’ny lehiben’ny mpitsabo ity vehivavy mpiteraka ity, mila fandidiana noho ny fahateren’ny lalan-jaza, nilaza ity farany fa mety raha manatona eny Ampitatafika amin’ny “Clinique” izy. Vola mitentina 720 000 Ar ny notakin’ny tomponandraikitra rehefa tonga teny ny mpiteraka. Vokany, voatery nisafidy toeram-pitsaboana hafa izy ireo satria noho ny tsy fahampiana ny nanatonana hopitalim-panjakana nefa voairaka hanatona toeram-pitsaboana tsy miankina indray aty aoriana. “Tokony handray ny fitsaboana rehetra ny hopitalim-panjakana fa tsy haniraka ny olona ho any amin’ny “Clinique” tsy miankina indray”, hoy ny fitarainana voaray. Rehefa nanontaniana momba ny fitarainana ny lehiben’ny mpitsabo, nanda fa tsy manana velively “clinique” tsy miankina eny Ampitatafika izy. Vaovao tsy marina nivoaka tamin’ny tambajotra Momba ny trangana fanaratsiana niseho tamin’ny tambajotra sosialy amin’ny tsy fandraisana andraikitry ny mpampivelona ao amin’ny hopitalin’i Manjakandriana manoloana ny mpiteraka ny zoma alina lasa teo, nanambara ny lehiben’ny mpitsabo sy ny rain’ny zaza vao teraka fa tomombana ny fandraisana an-tanana teo amin’ny hopitaly. Mpiteraka efa reraka no noraisin’ny mpampivelona, nahita fa tokony halefa aty Antananarivo satria tsy nety tafavoaka ny zaza. Teraka soa aman-tsara ihany anefa ilay zaza ary nisahana ny fikarakarana rehetra ilay mpampivelona avy eo. Vonjy A. L’article Hopitaly Manjakandriana: nanda ho tsy manana “clinique” ny lehiben’ny mpitsabo  a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - News Mada

Tao anatin’ny telo volana: tafakatra 16 ireo matin’ny aretina pesta

16 ny olona voamarina fa voan’ny aretina pesta ka namoy ny ainy, nanomboka 1 aogositra ka hatramin’ny 26  novambra lasa teo. Voan’ny aretina pesta atodintarina ny enina amin’ireo ary ny 10 kosa, tratran’ny pesta miseho amin’ny tratra. Miisa 49 ireo olona voamarina fa nahitana trangan’aretina pesta tamin’ireo olona rehetra nanaovana fitiliana. Mahakasika ny pesta atodintarina, 38 ny voamarina fa nahitana trangan’aretina. Ho an’ny pesta aretin-tratra indray, 11 ireo olona voamarina fa nahitana trangan’aretina, mbola velona soa aman-tsara ny iray rehefa nanaraka fitsaboana. Ireto avy ireo distrika ahitana ireo trangan’aretina voamarina fa pesta : i Tsiroanomandidy, Ambalavao, i Befotaka, i Manandriana, Ambatofinandrahana, i Midongy Atsimo, Anjozorobe, Ankazobe, i Miarinarivo, Ambositra, i Moramanga, i Betafo ary i Faratsiho. Mitana ny laharana voalohany amin’ny isan’ny tranga ny ao amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy, nahitana marary 13 ka maty avokoa ny fito tamin’ireo. Anisan’ny antony nanaovana ny hetsika Andron’ny fanadiovana isaky ny zoma amin’ny faran’ny volana ny fampianarana ny mponina sy ny mpiasa ho zatra hanadio ny toeram-piasany sy ny tokantranony hisorohana ny loto miteraka valanaretina. Eto an-dRenivohitra, manao ezaka ny kaominina sy ny Samva fa tsy mahafaka tanteraka ny fiparitahan’ny fako, saika efa eny amin’ny arabe mihitsy. Ankoatra ny fofona, miseho koa ny rano maloto miangona rehefa mirotsaka ny orana ka tsentsina ny lakandrano hivarinany. Vonjy A. L’article Tao anatin’ny telo volana: tafakatra 16 ireo matin’ny aretina pesta a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - Ao Raha

FAHASALAMANA HO AN’NY DAHOLOBE :: Olona sahirana an’alina no efa misitraka fitsaboana maimaim-poana

Mandeha tsikeli- kely ny fiahiana ara-pahasalamana ho an’ireo fianakaviana sahirana. Efa mahatratra 12 477 ireo olona sahirana misitraka fitsaboana maimaim-poana amin’ izao fotoana izao. “Ny 11 854 tamin’ireo no niantohan’ny fanjakana tanteraka fa ny 623 kosa mandoa ilay latsakemboka 9 000 ariary isan’olona isan-taona”, raha ny nambaran-dRandimbiarisoa Andrianambinintsoa, lehiben’ny sampan-draharahan’ny fampi- roboroboana ara-tsôsialy misahana ny Tahirim-pirenena hitsimbinana ny fahasalaman’ny daholobe na CNSS. Mbola ireo mponin’i Vatomandry ihany aloha hatreto no misitraka izany taorian’ny nametrahana ny CNSS tany an-toerana ny volana janoary lasa teo tany an-toerana. Efa afaka misitraka ireo tolotra rehetra manomboka eny amin’ny tobim-pahasalamana fototra na CSB hatrany amin’ny hôpitaly eny amin’ny distrika CHRD izy ireo ankehitriny. Fepetra Efa nisoratra anarana sy nahazo ny karatra elektrônika maha mpikambana ao amin’ny CNSS ka afaka misitraka ny tolotra rehetra eny amin’ ireo toeram-pitsaboana, manomboka amin’ny fizahana, ny fanafody hatramin’ny fitaterana raha misy ny vonjy taitra, izy ireo. “Misy ny mason-tsivana ahafahana miditra ho mpikambana ao anatin’ ity CNSS ity. Rehefa fianakaviana mihoatra ny dimy, eo ihany koa ny loham-pianakaviana tsy manana fidiram-bola. Tsy ho diso anjara amin’izany ny zokiolona mihoatra ny 65 taona sy ireo fianakaviana manan-janaka dimy latsaky ny 10 taona. Ireo tsy manana trano fonenana sy ny olona manana fahasembanana ara-batana ary ireo fianakaviana niharam-boina tao anatin’ny rivo-doza na tratry ny asan-dahalo, ohatra. Afaka hisitraka ity tolotra ity ihany koa ny zaza tsy nandia fianarana na niala an-daharana noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana”, raha ny fanamafisany. Hiitatra amin’ny distrika maro ny fametrahana ity tolotra ara-paha-salamana ho an’ny daholobe ity fa santatra ambavarano ihany ny tao amin’ny distrikan’i Vatomandry. “Distrika dimy ambin’ny folo no tokony hoenjehina amin’ny taona 2019 fa amin’izao aloha atao izay hampandeha azy tsara”, hoy Rahantason Misa, lehiben’ny sampandraha- rahan’ny serasera misahana ny CNSS. Raha ny fana- zavana dia efa misy ny tetibola natokan’ny fitondram-panajakana amin’ity tetikasa ity. L’article FAHASALAMANA HO AN’NY DAHOLOBE :: Olona sahirana an’alina no efa misitraka fitsaboana maimaim-poana est apparu en premier sur AoRaha.

News - Santé - News Mada

Hisorohana ny valanaretina: andro ho an’ny fanadiovana ny zoma izao

Manoloana firongatry ny valanaretina toy ny pesta sy ny kitrotro, nandray fanapahan-kevitra ny minisiteran’ny Fahasalamana hanokana andro iray isam-bolana hanadiovana. Manomboka ny zoma ho avy izao ny Andro natokana ho an’ny fanadiovana eny amin’ny toeram-piasana isanisany. Hatao isaky ny zoma faran’ny volana ny hetsika ary mandray anjara avokoa ny sampandraharahan’ny minisitera isam-paritra. Misantatra ny minisiteran’ny Fahasalamana fa entanina koa ny minisitera hafa rehetra, ny fikambanana ary ny sehatra tsy miankina hanao izany. Rehefa mirongatra ny valanaretina samihafa, sahirana voalohany amin’ny fandraisana an-tanana ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fahasalamana nefa andraikitry ny daholobe ny misoroka ny loto sy manadio ny manodidina azy miainga ao an-tokantrano, araka ny fanazavan’ny tale misahana ny fampiroboroboana ny fahasalamana ao amin‘ny minisitera. Hiainga eny amin’ny CSB hatrany amin’ny hopitaly lehibe ny fanadiovana, ny zoma ho avy izao, hanomezana ohatra tsara ny manodidina rehetra. Misy toeram-pitsaboana toy ny any amin’ny faritra Menabe manana fahazarana manadio ny atiny sy ivelan’ny tobim-pahasalamana. Manomboka izao, tokony ho fahazarana ho an’ny rehetra izany. Fisorohana lehibe amin’ny fiparitahan’ny valanaretina ny fanadiovana ankoatra ny fanaovana vaksiny fiarovana eny amin’ny tobim-pahasalamana. « Tontolo madio sy milamina lavitry ny loto sy ny aretina » ny lohahevitry ny hetsika ary anentanana ny mponina rehetra satria samy mahazo tombontsoa avokoa. Vonjy            L’article Hisorohana ny valanaretina: andro ho an’ny fanadiovana ny zoma izao a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - Ao Raha

FAHASALAMANA :: Azo tanterahina any SAVA ny fitiliana ny raboka

Manomboka izao dia azo tanterahina any amin’ny Faritra Sava ny fitiliana ny otrik’aretina raboka na “tuberculose”. Betsaka ny fitiliana azo atao amin’ity milina ity satria natao hitiliana ny raboka ho an’ireo zazakely latsaky ny 14 taona sy hahafahana mahafantatra ny fiarahan’ny tsimok’aretina roa VIH/Sida sy ny raboka amin’ny marary iray izany. Napetraka tamin’ny fomba ôfisialy, ny faran’ny herinandro teo tao amin’ny labôratoaran’ny hôpitaly CHRR Besopaka Sambava ny milina iray izay natokana hitiliana ity aretina ity. Afaka mamoaka vokatry ny fitiliana ao anatin’ny 2 ora latsaka kely monja izany, hoy ny dokotera Rasolofomanana Andriamampiray, teknisianina eo anivon’ny minisitera nandritra ny fametrahana ity milina ity . Mitentina 65 tapitrisa ariary ny vidin’ity milina ity L’article FAHASALAMANA :: Azo tanterahina any SAVA ny fitiliana ny raboka est apparu en premier sur AoRaha.

News - Santé - Triatra

Boriborintany faha-6 : Zaza roa matin’ny kitrotro

Mbola mirongatra ny aretina eto an-drenivohitra. Tsy mitsaha- mitombo ireo voany sy ireo namoy ny ainy. Ny zoma lasa teo, zaza iray no voamarina araka ny tatitry ny kaomini Antananarivo Renivohitra fa namoy ny ainy, vokatry ny aretina kitrotro teny amin’ny fokontany Ambohimiadana Atsimo, ao anatin’ny boriborintany faha-6. Araka ny voalazan’ireo mponina teny amin’ny manodidina iny ihany dia efa ho roa amin’io ny zazakely maty voan’ny aretina kitrotro teny amin’iny toerana iny, nandritra ny herinandro izay. Manoloana io tranga io, tsy nitazam-potsiny ny kaomina fa avy hatrany dia nandray ny andraikiny tamin’ny fandefasana ny ekipa avy tao amin’ny amin’ny BMH (Bureau municipal d’Hygiène), nandraraka ranom-panafody, teny amin’ny toerana manodidina ny trano fonenan’ny niharam-boina. Ny tanjona dia mba hamonoana ireo bibikely sy ny otrik’aretina mety hiparitaka manodidina ny trano, sy hitsinjovana hatrany ny fahasalaman’ny daholobe. Ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ihany koa etsy ankilan’izay, hanantanteraka fanadiovana faobe manoloana ny firongatry ny valanaretina, na ny pesta izany, na ny kitrotro. Tsara ho fantatry ny tsirairay fa vokatry ny loto ny mampirongatra ny aretina, ka antony handraisana izay fanapahan-kevitra izay ho fanentanana ny olona hadio. “Matetika vokatry ny loto ny aretina. Rehefa mirongatra nefa ny aretina dia ny minisiteran’ny Fahasalamana ihany no sahirana sy omena tsiny matetika. Noho izay, nandray andraikitra tandrify azy mba hiadiana amin’ny loto izahay amin’io andron’ny fanadiovana io. Ny ivelany sy anatiny toeram-piasana sy ny toeram-pitsaboana no diovina amin’io, izay manomboka eo amin’ny CSB1 hatreny amin’ny hopitaly lehibe manerana ny Nosy. Aseho amin’ny hetsika io fa tsy voatery mitsabo ihany no ataon’ny minisiteran’ny Fahasalamana fa miezaka koa izy miaro ny aretina ankoatran’ ny vakisiny”, hoy ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamana, Dr Rakotoarivony Manitra. Tsy hijanona eo anefa fa hatao isaka ny faran’ny volana ny hetsika fanadiovana, ary hanentanana ireo fikambanana tsy miankina, ny mponina, ny minisitera isan-tsokajiny. Marihina fa efa misy faritra efa manao an’io foana toa ny any Menabe ary tsy vitan’ny hopitaly sy ny toeram-piasana ihany no diovina fa hatreny amin’ny manodidina. Laurena Nany L’article Boriborintany faha-6 : Zaza roa matin’ny kitrotro est apparu en premier sur .L’article Boriborintany faha-6 : Zaza roa matin’ny kitrotro a été récupéré chez Triatra.

News - Santé - News Mada

Boriborintany VI: zaza iray matin’ny kitrotro

Nahafaty zaza ny aretina kitrotro teny amin’ny boriborintany VI, fokontany Ambohimiadana Atsimo. Voaporofon’ny dokotera eny an-toerana kitrotro ny nahafaty ity zaza ity. Tsy nitazam-potsiny ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa nandefa avy hatrany ny ekipa avy ao amin’ny amin’ny BMH (Bureau municipal d’hygiène), nandraraka ranom-panafody, teny amin’ny toerana manodidina ny trano fonenan’ny niharam-boina. Tanjona amin’izao ny hamonoana ireo bibikely sy ny otrikaretina mety hiparitaka manodidina ny trano, hitsinjovana hatrany ny fahasalaman’ny daholobe. Araka ny voalazan’ireo mponina manodidina, efa ho roa izao ny zazakely maty voan’ny aretina kitrotro teny amin’iny toerana iny nandritra ny herinandro izay. Araka izany, hanamafy ny fanadiovana ny boriborintany fahaenina. Nentanina amin’ny fanaovam-baksiny ny zaza sy ny ankizy ihany koa ny mponina ho fiarovana amin’ity aretina kitrotro efa mby an-koditra sy amoizana ain’olona ity. Tao anatin’ny roa volana izao ny firongatry ny aretina kitrotro ary tsy mifidy na ankizy na lehibe. Efa mivoaka ny mibontsimbontsina amin’ny vatana vao taitra ny ray aman-dreny ka mitondra ny zaza eny amin’ny dokotera. Fanaviana, malain-komana, marary tenda… no iantombohan’ny aretina. Heverin’ny ray aman-dreny ho fanaviana tsotra izany ka fampidinana hafanana ihany ny omeny ny zanany. Efa mihombo ny aretina vao mandeha eny amin’ny dokotera, matetika, ny olona, raha ny fanazavan’ny dokotera hatrany. Tatiana AL’article Boriborintany VI: zaza iray matin’ny kitrotro a été récupéré chez Newsmada.

Santé

Fahasalamana / Momba ny Aretim-po

… INONA NO NAHASITRANANA ILAY ARETIM-PO ? Na eo amin’ny thrombose coronaire, na eo amin’ny angine de poitrine, ny mahatonga ny fahasitranan’ilay fo narary dia avy amin’ny “fanorenana” eo amin’ny “lafiny akaiky”. Rehefa tonga tery ny làlan-dra amin’ny fo, na tonga tsentsina, ny làlan-dra eo akaiky kosa dia mihalehibe, ary misy sampana vaovao miforona hitondra ny ra ilaina ho any amin’ireo toerana manodidina ilay làlan-dra eo akaiky ireo. Io fanafody nanahary mahagaga io no namonjy ny ain’olona an’arivony tsy hita isa ary nahatonga an’ireny olona ireny hanana taona maro mbola hifaliana sy hahavitana zavatra betsaka sy mahasoa. FAMANTARANA SY FANAIRANA MOMBA NY ARETIM-PO Na dia ny 80 % amin’ny marary fo rehetra aza no mbola mety ho velona aorian’ny “attaque” voalohany mahazo azy, dia mety ho azo antoka kokoa izany raha mba fantatra mialoha ny aretina. Ireto misy famantarana fanairana izay tokony hodinihina tsara, na dia mety tsy ho aretim-po mandrakariva aza ny dikany. Ny fahasemporana raha vao misy zavatra mafimafy atao. Ny mahatonga izany matetika dia avy amin’ny fihandronan’ny ra ao amin’ny avokavoka, ary mitranga rehefa ilay ilany havia amin’ny fo malefaka no tsy mahatosika ny ra rehetra voarainy avy amin’ny ilany havanana ka nandalo tao amin’ny avokavoka. Fahatsiarovana fahaterena sy maharary ao amin’ny tratra ary mifanitsy indrindra amin’ny fanezahana mafy na avy amin’ny fahataitairana. Fivontosana eo amin’ny tongotra sy ny hato-tongotra. Rehefa mihamalefaka ny fisosan’ny ra araka izay tokony ho izy, dia misy ranon-javatra mihandrona any amin’ny nofo ka mahatonga ny fivontosana, ary mora hita faingana avy hatrany ireny, noho ny fahalaviran’ny tongotra sy ny hato-tongotra amin’ny fo. Fahasasarana tsy tokony hitranga. Raha mahatsiaro sasatra mafy ianao, nefa tsy dia nanao zavatra mafy na inona na inona mihoatra noho ny isan’andro, dia mety ho famantarana izany fa manana tosidra ambony ianao, na manana fo tsy salama. Misy famantarana hafa koa, tahaka ny tsy azoazo be ihany, ny fenofeno be ihany rehefa avy misakafo, ny tsi-fahalevonan-kanina tsy mitsahatra, ny tsy mahita fahatoniana, ny tsy mahita tory. Na dia hoatry ny hafahafa aminao aza, ny fo toa mitsambikina, mitoto-vary, mitepotepo, da tsy mba heverina mandrakariva ho famantarana aretim-po ireny. Nefa rehefa misy toa aretim-po ahiahianao, dia aza variana amin’ny fisotroana fanafody fanatanjahana, na fanatoniana, fa mandehana manatona dokotera. Mety hamonjy anao tsy ho tratry ny attaque izany, ary mety hanafaingana koa ny fanasitranana anao. NY ANTONY LEHIBE INDRINDRA MAHATONGA NY ARTERIOSCLEROSE Ny toko fahefatra momba ny artères coronaires dia mampiseho fa mahatonga an’ity aretina atao hoe artériosclérose ity dia avy amin’ny firaiketan’ireo karazan-tavin-javatra eo amin’ny làlan-dran’ny fo. Ny dikan’ny hoe artériosclérose dia hoe mihamafy sy mihahenjana ny artères ary io no mahatonga ny 99 % amin’ny aretin’ny artères coronaires rehetra. Ary rehefa nodinihina indray dia ny 70 % amin’ny karazan-tavy mipetaka amin’ny làlan-dran’ny fo dia avy amin’ilay antsoina hoe Cholestérol. Araka ny famakafakana nataon’ny mpandinika dia avy amin’ny tavin-kena hanina no mahatonga an’io cholesterol io ho betsaka ao amin’ny ra. Sivifolo taona lasa izay, ny tavin-javatra hita teo amin’ny sakafon’ny Amerikana dia 30 % amin’ny kaloria teo amin’ny zavatra nohaniny. Ankehitriny dia tafakatra ho 50 % io tarehimarika io, ka dia nisondrotra arak’izany koa ny aretim-po. Any Japon dia vitsy dia vitsy ny isan’ny marary fo. Teo amin’ny tanàna nisy mponina roa tapitrisa dia olona 14 ihany no voalaza ho matin’ny aretim-po tao anatin’ny dimy taona. Ny sakafon-dry zareo Japoney dia saika vary, hazandrano ary Soja, ary ny 12 % ihany no tavin-javatra. Ny isan’ny matin’ny aretim-po tany Norvège, Suède, Danemark ary Finlande dia nitovitovy tamin’ny any Amerika Avaratra ihany raha atao ara-keviny. Nefa nandritra ny Ady lehibe faharoa dia voalanja sy voafetra ny fahazoana tavin-javatra. Vita ny ady dia nisy indray ny tavin-javatra, ka niverina koa ny aretim-po. Nangonin’i RA. M. L’article Fahasalamana / Momba ny Aretim-po a été récupéré chez https://www.fjkm.mg/.

News - Santé - News Mada

Fahasalamana: misy voka-dratsy amin’ny saina sy ny vatana ny tsy fahampiana ioda

Hitohy ny fanovozana ioda ny sira ampiasain’ny tokantrano rehetra ho amin’ny taona 2019, taorian’ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa mpamokatra sira any Antsiranana sy any Morondava, hisy ny fanovozana ioda ny sira vokarina any Toliara, araka ny fanazavan’ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Fahasalamana, Randriamarotia Willy, omaly teny Ambohidahy. Singa iray mampivelatra ny sain’ny zaza any an-dakilasy ny ioda ka tokony hahazo ny fatra sahaza azy ny rehetra, indrindra ny zaza. Maro ny sakafo ahitana ioda ,toy ny eponard sy ny hazandranomasina fa tsy ampy ka tsy maintsy asiana ioda ny sira fampiasa isan’andro. Araka ny fanadihadiana nasionaly momba ny ioda ny taona 2014, mahatratra 21,3% amin’ny tokantrano malagasy ihany ny mampiasa sira misy ioda manaraka ny fenitra. Nanomboka ny taona 1994 no efa nisy ny fanasiana ioda ny sira avy amin’ny toromariky ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS). Mikarakara fankalazana ny Androm-pirenna iadiana amin’ny voka-dratsin’ny tsy fahampiana ioda ny minisitera sy ny mpiray ombon’antoka, ny 28 sy 29 novambra ho avy izao, any Fianarantsoa. « Ny fihinanana sira misy ioda, antoky ny fivelarana ara-tsain’ny zaza sy ny fahasalaman’ny daholobe » ny lohahevitra. Mitondra voka-dratsy maro ny tsy fahampiana ioda toy ny fahafahan-jaza ho an’ny vehivavy mitondra vohoka, fahataran’ny fitomboana, fivontosana eo amin’ny tenda (varingisa). Maro ny hetsika hotanterahina any Fianarantsoa hanentanana ny vahoaka momba ny maha zava-dehibe ny ioda ho an’ny vatana sy ny saina. Manomboka izao, hisy fitiliana ny sira rehetra amidy eny an-tsena raha misy ioda na tsia. Vonjy A. L’article Fahasalamana: misy voka-dratsy amin’ny saina sy ny vatana ny tsy fahampiana ioda a été récupéré chez Newsmada.

Cuisine - Santé - Jejoo

Manary 5 kilao, amin’ny ranona citron…izao atao!

Feno otrikaina mahasoa sady manadio ny voasarimakirana. Ahitana karazana asidra mandoro tavy rao anatiny no sady mandrindra ny tahan’ny siramamy ao anaty ra. Ankoatra izay dia manafaingaina ny metabôlisma ny voasarimakirana no sady manapaka ny fahazotoan-komana. Araka izany, namana akaiky izy ho an’ny olona maniry hampihena tena. Ity régime atolotra anao anio ity dia mampihena 5 kilao ao anatin’ny 2 herinandro… Ny fizotry ny regime : Tanjona ny fampitomboana miandalana ny ranona voasarimakirana sotroina mandritra ny herinandro sy ny fampihenana izany amin’ny faran’ny herinandro. Sotroina amin’ny vao maraina izy ity, raha mbola tsy misy na inona na inona ny vavony, ary mandritra ny tontolo andro koa. Azo atao ny manapoka tantely kely iray sotro, raha tsy mahazaka tsiro marikivy. Toy izao ny fizotry ny regime : Andro 1: Ranona voasarimakirana 1 ampiana rano masaka mangatsiaka 1 vera. Andro 2: Ranona voasarimakirana 1 ampiana rano masaka mangatsiaka 2 vera Andro 3: Ranona voasarimakirana 1 sy tapany, ampiana rano masaka mangatsiaka 3 vera. Andro 4 : Ranona voasarimakirana 2 ampiana rano masaka mangatsiaka 4 vera Andro 5: Ranona voasarimakirana 1 sy tapany ampiana rano masaka mangatsiaka 5 vera. Andro 6: Ranona voasarimakirana 1 ampiana rano masaka mangatsiaka 6 vera.. Andro 7: Ranona voasarimakirana antsasany ampiana rano masaka mangatsiaka 10 vera Andro 8: Ranona voasarimakirana antsasany ampiana rano masaka mangatsiaka 1 vera Andro 9: Ranona voasarimakirana 1 ampiana rano masaka mangatsiaka 2 vera Andro 10: Ranona voasarimakirana 1 sy tapany ampiana rano masaka mangatsiaka 3 vera. Andro 11: Ranona voasarimakirana 2 ampiana rano masaka mangatsiaka 4 vera Andro 12: Ranona voasarimakirana 1 sy tapany ampiana rano masaka mangatsiaka 5 vera. Andro 13: Ranona voasarimakirana 1 ampiana rano masaka mangatsiaka 6 vera. Andro 14: Ranona voasarimakirana antsasany ampiana rano masaka mangatsiaka 10 vera Raha tsy vita ny misotro azy ny maraina dia sotroina mandritra ny tontolo andro ny ranona voasarimakirana . Tokony hotsaroina kosa fa adin’ny iray, fara-fahakeliny, mialohan’ny sakafo, no hisotroana azy raha mbola tsy misy na inona na inona ny vavony. Fampitandremana Satria mampangotsoka nify ny voasarimakirana dia tsara kokoa raha mampiasa « paille » (pipety) rehefa hisotro ny ranona voasarimakirana, mba tsy hikasoka amin’ny nify loatra izany. Torohevitra fanampiny Ahena ny fatran’ny sakafo hanina. Fadiana ny sakafo feno siramamy toy ny paty, ny mofo, ny zava-mamy sy karazana mofomamy. Fadiana ny zava-pisotro misy entona sy ny zava-pisotro misy alikaola, ny sakafo voavoatra vidiana eny an-tsena sy ny sakafo matavy. Mampihetsi-batana mandritra ny 30 minitra isan’andro. Fanamarihana Ho an’ireo manana fahasalamana marefo, toy ireo manana olana amin’ny kalsioma dia aleo manatona mpitsabo, maka alalana vao manaraka ity “regime” ity. Tsy mety amin’ny olona manana olana eo amin’ny voa sy vavony ihany koa ity regime ity. Lilou Cet article a été récupéré chez http://jejooweb.net/pages/modules.php?id=21363&idcat=38&une=1

News - Santé - News Mada

Vakoka ny fitsaboana amin’ny zavamaniry: mila mahay misafidy ny vokatra mahomby ny mpanjifa 

Miroborobo, amin’izao fotoana izao, ny fanodinana ny zavamaniry atao fanafody entina mitsabo eto amintsika. « Vakoka malagasy ny fitsaboana amin’ny alalan’ny zavamaniry ka tokony ho saro-piaro amin’izany isika », hoy ny mpitsabo iray ao amin’ny orinasa Homéopharma, i Laingo Nofy Ny Riana, omaly teny amin’ny Parvis Analakely. Tokony ho mailo ihany koa ny mpanjifa sy ny marary amin’ny fisafidianana ny fanafody azo avy amin’ny zavamaniry eo amin’ny kalitao sy ny fahombiazany tsy hitera-doza ho azy. Manimba ny lazan’ny vokatra voahodina eto amintsika ny mpivarotra vokatra (fanafody na akora hafa) avy amin’ny zavamaniry tsy mikajy ny kalitao, indrindra raha tsy nisy fahazoan-dalana hanodina sy hikirakira izany avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana izy ireny. Ho an’ny Homéopharma manokana, 25 taona nikirakirana ny zavamaniry nohavaozina sy ny akora voajanahary izy ireo, ahodina ho fanafody na akora hikojana ny endrika amam-bika. Laboratoire pharmaceutique nahazo fankatoavana avy amin’ny fanjakana ny orinasa. Mampiavaka ny orinasa ny mampifanaraka ny vokatra amin’ny fivoaran’ny toetrandro sy ny fampiasana fitaovana vaovao. Miara-miasa amin’ny mpitsabo efa voaofana koa izy ireo ka misy ny torohevitra omeny hananan’ny marary fitokisana amin’ny fampiasana ny vokatra. Misy mpitsabo avokoa ny toeram-pivarotana mivantana 42 manerana ny Nosy. Misy ny fitsaboana amin’ny alalan’ny zavamaniry (phytothérapie), eo koa ny fampiasana ny menaka azo amin’ny zavamaniry (aromathérapie). Mandray anjara amin’ny fampirantiana ny vokatra malagasy eny Analakely ny Homéopharma. Vonjy A . L’article Vakoka ny fitsaboana amin’ny zavamaniry: mila mahay misafidy ny vokatra mahomby ny mpanjifa  a été récupéré chez Newsmada.