Tezitra tamin’ny Tim Cook i Mark Zuckerberg ka mandidy ny mpiasan’ny facebook hampiasa Android

News - Téchnologie - Tezitra tamin’ny Tim Cook i Mark Zuckerberg ka mandidy ny mpiasan’ny facebook hampiasa Android

News - Téchnologie - Tezitra tamin’ny Tim Cook i Mark Zuckerberg ka mandidy ny mpiasan’ny facebook hampiasa Android

Voatsindrona tamin'ilay fanamarihana nataon'i Apple i Mark Zuckerber ka dia nandidy ny mpiansany hampiasa finday Android ary tsy hampiasa ny iPhones-ny.

Tsy tian'i Mark Zuckerberg ilay tsindrona kely nataon'i Tim Cook ny momba azy tamin'ny Mars farany teo. Nanontaniana izy momba an'ilay disadisa mikasika ny Cambridge Analytica, ka ny talen'ny Apple dia nanambara : "Izahay tsy manao trafika ny fiainanareo manokana. Ny fianana manokana ho anay dia zon'olombelona, fahalalahana sivily".

Ny iPhone dia voararan'i Mark Zuckerberg ao amin'ny Facebook

Ny kihana izay natao ho an'i Facebook dia tsy nisarona akory, ary i Mark Zuckerberg, araka ny voalazan'i New York Times, dia naneo hevitra avy hatrany ny amin'ny tsy hampiasain'ny ekipan'ny fitantanana ny hampiasa ny iPhones fa hampiasa ny finday mampiasa Android. Mba hanamarihany ny fanam-pahankeviny, ilay miliaridera dia nanindrona ihany koa avy eo hoe ny Android dia be mpampiasa lavitra noho ny iOS.

Volana maromaro, ny mpitantana an'ireo orinasa roa ireo dia mifamely foana amin'ny alalan'ny haino aman-jery maro ny amin'ny fitantanana ny données amin'ny fianana manokana. Mbola ho ela vao hilamina ny raharaha.

Nalaina tany amin'i 9to5Mac

Nivoaka tamin'ny : 19/11/2018
Android  -  Apple  -  Cambridge Analytica  -  Facebook  -  IOS  -  IPhone  -  Mark Zuckerberg  -  Tim Cook

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Midi Madagasikara

Affaire 73,5 kg d’or : Procès des 3 passeurs ce jour en Afrique du Sud :

Journée décisive pour le dénouement de l’affaire des 73,5 kg d’or saisis par le service des douanes sud-africaines. En effet, sauf changement de dernière minute, le procès des trois passeurs malgaches, à savoir Mahamodo, Anjaranantenaina Heriniaina et Regasy Francis Deliot, interpellés à l’aéroport international O.R Tambo de Johannesburg le 31 décembre 2020, aura lieu ce jour. Initialement prévu se dérouler le 2 janvier, le procès a connu un premier report. Les trois trafiquants vont donc comparaître au Kempton Park Magistrate’s Court ce jour. D’après les informations, des avocats auraient été engagés pour les représenter lors de cette comparution. Leur sort va être définitivement fixé. A moins que la Justice sud-africaine ne décide d’un second report. Jusqu’ici, les autorités du pays de Mandela n’ont donné aucune suite à la demande d’extradition de ces trois personnes et de rapatriement de ces lingots d’or. Dès le début de cette affaire, le gouvernement Malagasy a mené une démarche à la fois diplomatique et juridique dans ce sens. Mais pour l’heure, aucune réponse officielle de la part des autorités sud-africaines. La question est de savoir si ce silence ne vaut pas refus. L’on aura la réponse à cette question à l’issue du procès de ce jour à Jobourg. En effet, si la Justice locale décide de condamner les trois passeurs, l’affaire deviendra difficile pour Madagascar car cela veut dire qu’ils vont purger leur peine en Afrique du Sud. Il sera difficile par la suite pour la Justice Malagasy de juger des prévenus qui ont déjà été condamnés dans un autre pays. Pour ce qui est de la question du rapatriement des 73,5kg d’or, les négociations vont être menées sur le terrain diplomatique. Il ne faut donc pas s’attendre à ce qu’une décision y afférente soit prise durant le procès de ce jour. Quoiqu’il en soit, l’on peut affirmer que la Justice et les autorités de la Nation arc-en-ciel ont déjà eu un long moment de réflexion avant de se prononcer sur le sujet. Rapprochements judiciaires. Côté Malagasy, l’enquête avance à vitesse grand V. Pas plus tard que vendredi dernier, la Gendarmerie nationale a sorti un avis de recherche contre 7 personnes soupçonnées d’être impliquées dans cette affaire. Il s’agit de Andriafendrianana Amstrong, Saady Fanohizana, Ben Hassan Salimo, Mahamodo Saïd, Azaly Failaza Pacheco, Toky Nathan alias Teddy, ainsi que Andrianantenainambinintsoa Pierre Stenny. Selon l’avis de recherche établi par le service des fichiers et des rapprochements judiciaires au niveau de la Gendarmerie nationale au Toby Ratsimandrava, ils sont recherchés pour leur implication dans l’affaire de mise en circulation à titre gratuit, de substances minérales avec des pièces justificatives sciemment établies de façon inexacte, faux et usage de faux en écriture publique, bénéficiaire d’abus de fonction, corruption active, corruption passive, délit de contrebande par aéronef, non-respect des obligations de rapatriement des devises, acte d’exploitation de substances minérales et mise en circulation à titre gratuit des substances minérales. Pour le moment, ces six hommes et une femme restent introuvables. Faut-il rappeler qu’actuellement, une dizaine de personnes ont déjà été placées sous mandat de dépôt à Tsiafahy et Antanimora dans le cadre de cette affaire. En tout cas, si l’on se réfère aux chefs d’inculpation qui pèsent à leur encontre, ces individus risquent gros dans cette affaire. Histoire à suivre. Davis R L’article Affaire 73,5 kg d’or : Procès des 3 passeurs ce jour en Afrique du Sud : est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Affaire 73,5 kg d’or : Procès des 3 passeurs ce jour en Afrique du Sud : a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Hetsiky ny Samifin; 161 ireo tranga famotsiam-bola

Nomarihina ny herinandro teo tetsy 67 ha ny  faha-10  taon’ny Samifin. Niady amin’ny famotsiam-bola sy famatsiam-bola amin’ny fampihorohoroana ity rafitra iray  ity  tao anatin’izany fotoana  izany.  Fantatra fa tafakatra 161 ireo tranga naharaisany fitarainana, tamin’ny taona 2018 raha toa ka 151 ny taona 2017.Na izany  aza anefa, mbola maro ireo olana sedrain’ny Samifin.  Anisan’izany ny tsy fahampian’ny mpiasa. Misy ihany koa ireo rafitra tokony hovana hahafahana manatsara ity sampandraharaha ity. Voafetra hatrany ny asa aman’andraikiny amin’ny fotoana sasany. “Tsy afaka mivelatra ny asanay satria rehefa voamariny hoe misy famotsiam-bola ny raharaha iray, ampiakarina any amin’ny fitsarana (chaine penale) fotsiny izany. Mijanona hatreo izany kanefa mety hiainga amin’izany ny kolikoly avo lenta  ary matetika mivadika ho raharaha very anjavony  ireny matetika”, hoy ny tale jeneralin’ny Samifin, Lamina Boto Tsaradia. Ankoatra  izany, efa mba nisy ihany ny ezaka natao satria nitombo isa ny fanamelohana ireo tratra nanao heloka,  araka ny nambarany ihany.Synèse R. L’article Hetsiky ny Samifin; 161 ireo tranga famotsiam-bola a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tetikasa Tana Masoandro: miisa 20 ny trano avo hatsangana

Nanapa-kevitra ny fanjakana fa hohafainganina ny fotoana hamoahana ny tolo-bidy amin’ny fananganana trano avo miisa 20, ao anatin’ny tetikasa Tana Masoandro, eny Imerintsiatosika. Tafiditra ao koa ny fandrafetana ny drafitry ny tanàna, ny fanamboaran-dalana ao anatin’ny tanàna, ny fotodrafitrasa samihafa ilaina amin’ny fananganana tanàna vaovao, sns. Mifanindran-dalana amin’izany koa ny fanokafana ny tsenambaro-panjakana, ho an’izay hanatanteraka ny fa­nadihadiana araka ny tontolo iainana. Tsiahivina fa mirefy 982 ha ny haben’ny tanàna Tana Masoandro. Ahitana fotodrafitrasa maro, toy ny biraom-panjakana, ny trano fonenana, ny tranombarotra, ny toerana fialamboly sy ny fanatanjahantena sy ny sisa. Tanim-panjakana ny 700 ha amin’izany ary an’ny olon-tsotra ny manodidina ny 200 ha. Hitondra tombontsoa toekarena sy sosialy ary hanova ny fiainan’ny mponina eny an-toerana sy ho an’ny firenena ny fisian’ny tanàna vaovao toy izao. Hanome asa ny tanora sy ny mponina, hampiroborobo ny varotra sy ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra. Tsy maintsy misy anefa ny rafitra mazava sy maharitra, hampaharitra azy, hampirindra ny fiarahamonina.Njaka A.L’article Tetikasa Tana Masoandro: miisa 20 ny trano avo hatsangana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Nofaohin’ny kamiao «semi-remorque» tao anaty fiolahana: potika tanteraka ilay 4×4, maty potsitra tao ny mpamily  

 Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray, omaly maraina, tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny, 12 km miala an’i Moramanga, raha hiatsinanana. Fiarakodia Toyota 4×4 iray no potika tanteraka raha nofaohin’ny kamiao “semi-remorque” tao anaty fiolahan-dalana.Niraisan’ny rehetra izay nahita fa vokatry ny tsy fitandremana tanteraka ny niteraka ity lozam-pifamoivoizana nahatsiravina nitranga tao Moramanga, omaly maraina, ity. Tsy misy tsy mahalala fa anisan’ny lalam-pirenena tery sady be fiolahana iny lalam-pirenena faharoa mampitohy an’Antananarivo amin’ny faritra Atsinanana iny. Tsy vitan’izay fa toerana mando lava sady ifamezivezen’ny fiarakodia maro, na andro na alina, indrindra ireo fiara vaventy mpitatitra entana sy ny taksiborosy, ny RN 2. Samy mahalala tsara izany ny mpampiasa iny lalam-pirenena faharoa iny afa-tsy ny olon-tsotra tsy za-dalana loatra angamba. Izay indrindra no heverina fa nahatonga ity lozam-pifamoivoizana nahatsiravina nitranga, omaly maraina, ity.Araka ny voalaza mantsy, nisongona ny fiara teo alohany tao anaty fiolahan-dalana ity fiara 4×4 ity. Ilay fiolahan-dalana anefa, tsy ahitana akory ny fiara mety hifanena. Mety ho efa akaiky vao hitan’ilay mpamily ilay kamiaobe nifanena aminy, saingy tsy nisy azo natao intsony. Voafaoka mafy ary potika tsy nisy noraisina, araka izao hita amin’ny sary izao, ilay fiara 4×4.Nosokirina vao tafavoaka…Noho ny fahavoazana nahazo ity 4×4 ity, voalazan’ny tatitra fa nanano sarotra ny famonjena ireo mpandeha tao anatiny. Nifarimbona nifanome tanana tamin’ny famonjena ireo mpandeha tao anatiny ny olona nahita. Nisy ireo tafavoaka hainganan ihany, ary nentina namonjy ny hopitaly ao Moramanga. Anisan’izany ny ankizikely iray naratra mafy. Naharitra ora vitsivitsy kosa ny fisokirana ilay mpamily vao tafavoaka tao anatiny, saingy efa tsy avotra intsony ny ainy.Fotoana fohy taorian’ny nitrangan’ny loza, tonga teny an-toerana nanao fanadihadiana ny zandary ao Moramanga. Nezahina natao haingana koa izay nanalana ilay fiara niharan-doza tamin’ny lalana hahafahan’ny fifamoivoizana miverina amin’ny laoniny izay tapaka nandritra ny ora maromaro.Tsetsatsetra tsy aritra ihany ny ilazana fa na eo aza ny fisian’ireo mpamily mety hoe tsy za-dalana loatra, mampitaraina ny maro ihany koa ny fanararaotana ataon’ny mpamily fiara vaventy, kamiaobe mpitondra entana. Tsy vitan’ny hoe mandeha mafy fa sady manararaotra ny habeny no mibahan-dalana, tsy mitsinjo ireo fiara madinika… indrindra ao anaty fiolahan-dalana tahaka ity nitranga omaly ity.M.R. L’article Nofaohin’ny kamiao «semi-remorque» tao anaty fiolahana: potika tanteraka ilay 4×4, maty potsitra tao ny mpamily   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mampiahiahy ny tsy fanazavana…  

Vitan’ny ekipam-pirenena amin’ny baolina Barea, nampiombom-po ny Malagasy ve ny fampihavanam-pirenena? Mbola resaka lava izay. Mihavana ve ny Malagasy amin’izao? Na tena mifampatoky amin’izay rehetra mitranga sy atao…Lasa resaka tato ho ato, ohatra, ny amin’ny fampiasan’ny mpitandro filaminana ireo fiara manokana 4 x 4 nomen’ny fanjakana: iadiana amin’ny dahalo any ifotony sa iasana  andavanandro? Soa ihany, nanazava ny tomponandraikitra.Samy asa avokoa izay atao? Saingy misy ny hoe laharam-pahamehana sy zava-dehibe, efa nanaovana fanamby sy fampanantenana. Manjary miteraka tsy fifampitokisana sy ahiahy tsy ihavanana izay atao, raha tsy misy fanazavana mialoha.Tsy vitan’izay, mampisy ahiahy tsy ihavanana koa tato ho ato ny fanajana lalàna amin’ity hoe tany sy fanjakana tan-dalàna. Tsy inona fa ny amin’ity fanemorana ny fanatanterahana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna.Nampiaka-peo, ohatra, ny firaisamonina sivily sasany fa tokony hohajaina ny fe-potoam-piasan’ireo olom-boafidy ireo. Mampiahiahy ho azy ny tsy fanajan-dalàna ny amin’ny tokony hanatanterahana fifidianana amin’ity taona ity ihany.Misy ny fanovana ny amin’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana na ny kaominina? Mila nohetsehina mialoha izany mba tsy hisian’ny ahiahy tsy ihavanana. Natao hitsinjo mialoha ny mpitondra, indrindra amin’izay (h)ataony.Ny amin’izay fifidianana izay ihany, misy milaza fa tsy tokony hokitikitihina fahatany ho azy  amin’izao ny lisitry ny mpifidy: alalana avy aiza no ahazoan’ny Ceni manao izany? Mila mazava izay mba tsy hisian’ny ahiahy.Inona na ahoana koa? Santionany ireo… Misy ihany ahiahy tsy ihavanana indraindray amin’izay mitranga sy atao. Tena mifampatoky ve ny Malagasy? Ny ataon’ny tena ihany no mahasoa na maharatsy, mampihavana na tsia.Mba tsy ho marina ny hoe: ny vazaha, mody miady; ny Malagasy, mody mihavana. Na ampiadiana, tsy miady; ampihavanina, tsy mihavana… Mbola samy maka ho azy? Fotoan’ny fangaraharana izao, hialan’ny ahiahy tsy ihavanana.Rafaly Nd.       L’article Mampiahiahy ny tsy fanazavana…   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tetikasa Kazan – EPQ: hahazo 5 hatramin’ny 25 tapitrisa ariary ireo mpandresy

Nisokatra, ny faran’ny volana jolay lasa teo ary haharitra hatramin’ny 14 aogositra izao, ny fametrahana ny antontan-taratasin’ireo maniry hifaninana amin’ilay fifaninanana « Prix de bonnes pratiques en éducation physique de qualité (EPQ). Tetikasa, nomena ny anarana hoe « Fanoitra », karakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, tafiditra indrindra anatin’ny famolavolana ilay Vinan’asa Kazan an’ny Unesco. Araka ny loharanom-baovao, hisitraka famatsiam-bola 5 hatramin’ny 25 tapitrisa ariary ireo mpifaninana mendrika ary hahazo ny anarana ho mpandray anjara mendriky ny EPQ ho amin’ity taona 2019 ity.Mariiana fa hatao ny 16 sy 20 aogositra izao ny fisafidianana ny antontan-taratasin’ireo mpandray anjara ka hamoahana izay dimy mendrika indrindra. Ny 23 aogositra izao kosa ny hamoahana ireo anarana ireo amin’ny fomba ofisialy.Misy ny fepetra tsy maintsy arahina ao anatin’ity fifaninanana ity ary azo jerena ao amin’ny tranonkalan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena www.mjs.gov.mg izany. Eny amin’ny Akademia nasionaly ny fanatanjahantena na ny Complexe scolaire Ampefiloha, na eny amin’ny biraon’ny DRJS manerana ny Nosy, ny hahafahana manatitra ny antontan-taratasy hifaninana, afaka alefa amin’ny adiresy mailaka ihany koa anefa, araka ny fanazavana hatrany. Mi.RazL’article Tetikasa Kazan – EPQ: hahazo 5 hatramin’ny 25 tapitrisa ariary ireo mpandresy a été récupéré chez Newsmada.

News - Triatra

Fanotofana tany tsy ara-dalàna : Misy misandoka ny anaran’ny CUA

Mbola mitana ny sain’ny maro ny fanotofana tany eto Antananarivo Renivohitra. Na misy aza mantsy ny fandrarana nataon’ny kaomina Antananarivo Renivohitra dia mitohy hatrany izany fanotofana tany izany na dia hita aza fa tsy ara-dalàna. Fanotofana tany izay ahiana hitarika tondra-drano indrindra amin’iny Marais Masay iny, satria ny lemaka manodidina an’i Masay no fivarinan’ny rano rehefa avy ny orana. Tsy mankasitraka io fanotofana io ihany koa ny mponina manodidina noho ny antony samihafa. Isan’izany ny fihovitrovitry ny tany ateraky ny fandalovan’ireo kamio mpitatitra tany, ka miteraka fitresahana ho an’ireo trano manodidina, izay vita amin’ny biriky tany avokoa. Ny tena loza, misandoka ny anaran’ny kaomina ireo mpanao fanotofana, araka ny fanamarihan’ny mpanolotsaina manokan’ ny ben’ny tanàna, Ravalomanana Marc, omaly. “Misy misandoka ny sonia ny kaomina. Hita amin’ny taratasy hampiasain’ireo mpanototra fa tompon’andraikitra ato amin’ny kaominina no manao sonia ny taratasy fahazoan-dalana nefa olona niasa tato taloha”, hoy ity Mpanolotsaina manokana ity. Olana ihany koa ny nambarany dia samy manao izay tiany atao ireo mpanam-bola izay manararaotra ny fahantran’ny vahoaka malagasy. Tsy hitazam-potsiny anefa ny kaomina fa tsy maintsy hiaro ny vahoaka malagasy manoloana ireny mpambotry firenena ireny, izay tsy mijery afa-tsy ny tombontsoany manokana. Izany hoe, jerena ny fomba hanatsarana ny fiainan’ny mponina eny amin’ny faritra iva, amin’ny alalan’ny fametrahana “bassin de decantation”. Rehefa tonga ny orana alefa amin’iny fitaovana iny ny rano hiarovana ireo mponina. Tereo ny Samva hanala ny fako Manoloana ny fivangongoan’ny fako eto an-drenivohitra indray dia niantso ny minisitry ny Rano handray andraikitra ity mpanolotsaina manokana ny ben’ny tanàna ity. Efa tsy hay iainana hoy ny nambarany ny fako ka mijaly ny vahoaka. Ankoatra ny fofona mankadiry dia mbola voabahana ihany koa ny lalana, ka miteraka fitohanana. Marihina fa eo ambany fifehezan’ny minisiteran’ny Rano ny Samva ka tokony handray fepetra. “Miteny mivantana amin’ny minisitry ny Rano, ataovy ny asanao, tereo ny Samva. Minisitry ny Rano, jereo ny olona ambany fifehezanao. Ny Samva izay sahinareo. Manofà kamio na hajanony amin’ny asany vonjimaika ireo tsy mandray andraikitra eo anivon’ny Samva dia mitadiava vahaolana. Rehefa tsy hanao ny Samva, vahaolana ny hamerenana ny Samva eo ambany fiahiana sy ny fitantanana ny kaomina”, hoy i Ravalomanana Marc, Mpanolotsaina manokana ny ben’ny tanàna Ravalomanana Lalao. Nanamafy ihany koa ny kaomina fa vonona hanampy sy hanolo-tanana ny Sava amin’ny fandraofana ny fako eto an-drenivohitra. “Tokony jerena ny fiaraha-miasa azo hatao hanadiovana ny fako, satria miteraka aretina ary mampianaka ny valanaretina toa ny pesta. Marihina fa efa miezaka ny kaomina fa tsy misy ny fiaraha-miasa. Efa nisy ny kamiao nomen’ny kaomina hanampiana ny fandraofana ny fako fa tsy ampiasain’ny Samva izany”, hoy hatrany ny fanamarihana. Laurena Nany L’article Fanotofana tany tsy ara-dalàna : Misy misandoka ny anaran’ny CUA est apparu en premier sur .L’article Fanotofana tany tsy ara-dalàna : Misy misandoka ny anaran’ny CUA a été récupéré chez Triatra.

News - Midi Madagasikara

Présidentielle de 2023 : Rajoelina annonce le droit de vote pour la diaspora en France

Des Malgaches venant des quatre coins de la France, mais aussi venant d’autres pays européens y ont pris part. Démonstration de force des partisans d’Andry Rajoelina en Europe. Conformément à ce qui a déjà été prévu dans son agenda, le président Andry Rajoelina a clôturé sa visite officielle en France par une rencontre avec la diaspora malgache en Europe. Une rencontre que bon nombre d’observateurs ont qualifiée de franc succès. En effet, le jardin de la Résidence de Madagascar a été plein à craquer à cette occasion. Des Malgaches venant des quatre coins de la France, mais aussi venant d’autres pays européens y ont pris part. Pour exprimer leur soutien au TGV, des membres de la diaspora venant entre autres de Lyon, Grenoble, Bordeaux, Annecy, Rome, Strasbourg, Nancy, Marseille, Nice, Avignon, mais aussi de La Réunion, Belgique, Italie et Suisse étaient présents dans la capitale française. Tous ont profité de l’occasion pour avoir un contact direct avec le chef de l’État. C’est la première fois en effet qu’un président de la République organise un tel événement pour prêter une oreille attentive à la diaspora. Andry Rajoelina a accordé un long moment pour se mettre à l’écoute des Malgaches résidant à l’étranger. Ces derniers ont notamment fait part des difficultés relatives à la lenteur du traitement des dossiers au niveau de l’Ambassade et réclament une amélioration des services offerts par notre représentation diplomatique. Quant à eux, les Malgaches à Rome, en Italie, demandent l’installation d’une Ambassade. Mesures. En tout cas, la rencontre s’est déroulée dans le calme. Aucun incident n’a été relevé. Et ce, bien malgré la tenue d’une contre-manifestation que Fanirisoa Ernaivo et le RMDM France ont organisé à quelques mètres seulement de la Résidence de Madagascar. Il convient de noter aussi qu’un contrôle strict du pass sanitaire s’imposait à l’entrée. Bien que l’État français n’interdise pas les rassemblements en public, les organisateurs de cet événement ont pris toutes les mesures pour éviter la propagation du Coronavirus. La Croix-Rouge française et la Région Île-de-France ont installé des stands à l’entrée pour que les personnes non vaccinées puissent réaliser un test antigénique ou un test PCR avant d’entrer. Lors de cette rencontre, Andry Rajoelina a fait une annonce relative au droit de vote des membres de la diaspora en France à partir de l’élection présidentielle de 2023. Il a donné une instruction aux responsables au niveau de l’Ambassade à Paris afin de prendre toutes les dispositions nécessaires pour mettre en œuvre cette décision. À noter que la participation de la diaspora aux scrutins est une promesse faite par Andry Rajoelina durant ses précédents voyages dans l’Hexagone. Mais le droit de vote sera conditionné pour la diaspora. Seuls ceux qui disposent d’une carte consulaire pourront y participer, a annoncé Andry Rajoelina. Contribution. Le Chef de l’Etat a aussi lancé un appel à la solidarité et à l’entraide à l’endroit de la diaspora et encourage cette dernière à prendre part aux actions de développement du pays.  » Pour ceux qui ont le savoir-faire, nous sommes prêts à les accueillir au pays pour qu’ils puissent apporter leur contribution « , a-t-il lancé. Andry Rajoelina encourage particulièrement les jeunes diplômés à participer au développement de Madagascar. Il a aussi fait un tour d’horizon sur les grands chantiers en cours dans le cadre du Plan émergence Madagascar. Il a notamment cité le projet de mise en place d’une ligne de train urbain et une ligne téléphérique à Antananarivo, financé par le Trésor de France, le projet Miami à Toamasina, le kianja Barea qui sera inauguré d’ici peu, la construction d’hôpitaux manara-penitra et de 101 CSB II à travers la Grande île, mais aussi la mise en place d’un énorme pipeline dans le Sud, destiné à éradiquer le kere. La France et l’Europe étant encore fortement touchées par la pandémie de Covid-19, le Chef de l’Etat a annoncé la distribution de CVO+ gratuits pour la diaspora. Quoi qu’il en soit, les Malgaches à l’étranger ont assisté à un moment de détente et de retrouvailles assez particulier samedi. L’événement a été animé par des artistes de renom tels que Jaojoby, Shyn et Denise. Ayant participé à la Rencontre des entrepreneurs francophones, la Star Madagascar a, quant à elle, offert de la bière à gogo aux participants. Davis RL’article Présidentielle de 2023 : Rajoelina annonce le droit de vote pour la diaspora en France a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Teatra: hanamarika ny 90 taony ny tropy Jeannette

Iray amin’ireo hetsika hanamarihan’ny tropy Jeannette ny faha-90 taony ny filalaovana ilay tantara « Ny Voromailala » nosoratan’i Rosa Beby ravahin’ny hiran’Andrianary Ratianarivo, ny 9 aogositra izao. Tovovavy teren’ny rainy hanambady ny tsy safidiny… Ho tanteraka ve ny mariazy? Handresy ve ny fitiavan’ilay tovovavy ny olon-tiany ka haharesy lahatra an-drainy izy? Ny fijerena io tantara io no hamantarana izay hiseho marina sy ny valin’ireo fanontaniana ireo, raha ny fanazavan’i Mbato Ravaloson tale artistikan’ny tropy Jeannette sady handrindra an-tsehatra rahateo ny filalaovana ny « Ny Voromailala ».Raha tsiahivina, andiany fahatelo B, ankehitriny ity tropy teatraly manana ny maha izy azy ity.HaRy RazafindrakotoL’article Teatra: hanamarika ny 90 taony ny tropy Jeannette a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsy fahatomombanan’ny milina ao Andelakela: lasa faobe ny fahatapahan-drano eto Antananarivo  

 Fay rano Antananarivo! Lasa faobe ny fahatapahan-drano ka mampitaraina ny mponina. Misy tsy fahatomombanana ny milina ao Andekaleka ka mahatonga izao tsy fisian’ny rano izao. Mitohy ny fahatapahan-drano eto Antananarivo, nandritra ny faran’ny herinandro teo. Nimenomenona ny olona fa tsy nahazo rano na ireo manana famatsin-drano ao an-trano na ireo mampiasa ny paompy iraisana.Lasa olana iraisan’ny vahoaka eto an-dRenivohitra sy ny manodidina ny tsy fisian-drano tao anatin’ny herinandro maromaro ka manakorontana ny fiainana andavanandro mihitsy. Anisan’ny niharan’ny fahatapahana ny teny Mahazo, Amboanjobe, Andoharanofotsy… Teny Amboanjobe (RN 7), efa ho telo andro no tapaka ny rano ary tsy mbola niverina, hatramin’ny omaly.Tsy maintsy mitady vahaolana amin’ny mpiray monina manana lava-drano na koa mandeha mantsaka lavitra. Mitombo ny vola mivoaka amin’ny isan-tokantrano amin’ny fividianana rano satria mila manomana hatramin’ny 10 000 Ar karaman’ny mpantsaka sy ny vidin-drano.Nanome vahaolana amin’ny fizaran-drano amin’ny kamiaobe ny Jirama ho an’ny fokontany maromaro voakasika. Misy ireo mponina nanambara fa tsy nahita  ny fizaran-drano mitety vohitra hatramin’izao.Nanamafy ny Jirama fa misy fikorontanana ny famatsiana rano amin’ny toerana maro eto Antananarivo noho ny tsy fahampian’ny tanjaka herinaratra ilain’ny tobim-pamokarana rano eny Mandroseza.Vokatry ny tsy fahatomombanan’ny milina mpamokatra herinaratra avy ao Andekaleka. Efa mamerina izany ny teknisianin’ny Jirama ka hiverina tsikelikely amin’ny laoniny ny famatsiana rano aorian’izay.Mandra-piandry izany, sahirana ny vahoaka satria aina ny rano. Nisy ny fivoriana niarahan’ny minisitry ny Rano sy ny mpiasan’ny Jirama nijerena ny vahaolana momba ity fahatapahan-drano faobe ity.Vonjy A. L’article Tsy fahatomombanan’ny milina ao Andelakela: lasa faobe ny fahatapahan-drano eto Antananarivo   a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services Manao Instrumental
13/10/2021

Manao Instrumental Rap, rnb, zouk, tropical, salegy, reggae, ragga, évangelique, chorale, folk, piano, sy ny manodidina azy rehetra, tononkira, feonkira, video lyrics, mise en youtube, manampy vue am youtube, Afaka manome tononkiraAfaka manao video liricsFacebook.com/instrukreator Prix mora Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Manao Instrumental".

Emploi et services Travail stable pour les Malgaches
13/10/2021

KAZAJOBS est une plateforme dédiée aux Malgaches qui veulent travailler depuis la Maison: (Assistants Virtuels) même pour les débutantsVous pouvez gagner des revenus depuis la maison... Un ordi, une connexion internet et le rêve d'une vie meilleure suffisent.Veuillez vous inscrire sur le lien : https://kazajobs.com/referral?&r=701037108 c'est totalement gratuitCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail stable pour les Malgaches".

Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
13/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
13/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

Emploi et services ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
15/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

Cherche Cherche moteur 0.8 Matiz 3
17/10/2021

Bonjour à tous,Je recherche un moteur complet d'occasion de Daewoo Matiz 3. Celui avec 3 cylindres en ligne et 0.8l de cylindrée.Un moteur sans défaut et bien conservé avec le minimum d'entretien à prévoir.Je fait appel aux marchands de piéces détachées spécialisé dans les coréennes et, les connaisseurs et le habitués de la marque sur Tana.Merci d'avance à ceux qui répondront à mon annonce pour me proposer leurs offres ou juste pour me dirriger éventuellement vers des magasins spécialisés ou des spécialistes.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Cherche Cherche moteur 0.8 Matiz 3".

A vendre Residence Rundong
15/10/2021

La Société Run Dong International Development S.A.R.L est en cours de constructions d’ un grand  projet qui consiste à construire une résidence de haut standing qu’ on a nommé  ‘’ Résidence Run Dong ‘’ située à Tanjombato - Anosimahavelona 500m du pont de Jumbo Smart.Nous allons commercialiser plusieurs appartements différents selon votre choix avec ou sans piscine.T3 1 living +2 chambres = 89m2 – 112m2T4 1 living +3 chambres = 112m2-136 m2-148m2T5 1 living +4 chambres = 148m2T4 et T5 avec piscine privée = 255m2En Duplex = 1ere étage 150m2 et rez de chaussé = 190m2Si nos appartements vous intéressent nous vous incitons déjà à réserver dès maintenant car vous bénéficieriez d’une grande réduction de prix et d’autres avantagesN’hésitez pas à nous contacter si vous avez besoins d’autres renseignements complémentaires034 37 333 33 / 033 05 666 66 / 033 25 999 999Contactrdg69@gmail.comNotre site: www.residencerundong.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Residence Rundong".

A vendre Ordinateur portable HP Compaq 6910p AMIDY
13/10/2021

Amidy Ordinateur portable HP en bon étatWindows 8.1 pro  Processeur Intel core 2duo  Ram 2gb  Graph AMD Radeon X2300 (256mb) Dur 100 go Ecran 14.1" Misy lecteur CD DVD.3 ports USBEfa misy Office 2016Batterie 50 mn environ Mandeha tsara avokoa ny zavatra rehetra. Azo antoka.Mail: kelydoda724@gmail.comFacebook: Doda Kely   Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Ordinateur portable HP Compaq 6910p AMIDY".

A vendre Tany Mora
13/10/2021

Raha tia hisitaka kely ny "VIlle", hitady toerana milamina sy rivotra madio dia ity no mety....Tany Mirefy 11a (1.100m²), efa- Mifefy tamboho biriky.- Amoron-dalala ary tongan'ny fiara rehetra.- Titré et Borné- Tanàna efa mandroso be. Tongan'ny BusToerana : Atsimon'ny Lac Vontovorona (19mn en voiture miala OASIS).Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Tany Mora".

Emploi et services AGENT DE TRANSIT
13/10/2021

Nous recrutons pour un client dans le domaine du transit :  AGENT DE TRANSIT Poste basé à Antananarivo et Toamasina Missions:- Assurer la réception et transmission de documents interne et externe- Ouverture et gestion de dossier sur logiciel informatique- Préparation des programmes d’enlèvement des marchandises- Tenue des états documentation- Réception des copies des documents ou pré alerte par e-mail- Vérification des documents reçus par le client avant remise à Responsable Import- Préparation et remise des sous dossiers au Responsable Douane- Envoi de situation des clients- Préparation des divers documents du service- Réception des dossiers retour du service Douane et retour aux clients- Préparation aet remise des dossiers à remettre à la facturation pour paiements- Préparation des programmes d’enlèvement internes Profil :- Bac+2 en commerce international ou équivalent- Expérience dans le domaine souhaitée- Maîtrise de la langue française- Maîtrise des outils bureautiques- Rigoureux, Integer et dynamique Envoyez-nous votre candidature à talent@human-talent-consulting.com avec comme objet du mail la référence AGTTRANSIT-1021Veuillez préciser dans votre candidature la localité du poste qui vous convient.  Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services AGENT DE TRANSIT".

Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE
13/10/2021

Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSEProfil : -  FEMME de plus de 20 ans -  Expériences dans le domaine de la vente de produits informatiques seraient un atout -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 2 minimum en Informatique -  Parfaite maîtrise du français oral/écrit et des outils informatiques et bureautiques, notamment Word et Excel -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Mission : -  Accueil client au magasin et réception d’appels clients -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Développement des ventes compte tenu des objectifs de ventes du magasinEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste de « STAGIAIRE VENDEUR »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE".

Emploi et services UN ou UNE INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
15/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services UN ou UNE INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

Notsongaina

E-journées nucléaires virtuelle : L’INSTN représente Madagascar
10/10/2021

Dans le contexte pandémique qui sévit encore le monde actuellement, l’ouverture officielle des e-journées nucléaires virtuelles s’est faite par visio-conférence, à Fiadanana. Comme à l’accoutumée, Madagascar participe  à ce rendez-vous hautement scientifique par le biais de Institut National des Sciences et Techniques Nucléaire ou INSTN. A L’occasion de l’ouverture officielle, Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice, ministre de l’Enseignement supérieur et de la Recherche scientifique a réitéré l’importance du secteur nucléaire pour en faveur du développement du pays. Ainsi, le programme en question tient compte de quelques secteurs, à savoir : la santé avec la radiothérapie pour le traitement des cancers par exemple ; l’agriculture avec l’optimisation des engrais ; l’eau avec le suivi de la pollution des nappes phréatiques ; les mines avec les mesures d’accompagnement en radioprotection ; l’élevage avec l’optimisation de la reproduction et de la santé animales. Par la même occasion, elle a procédé à la signature du programme cadre national régissant la coopération technique avec et financée par l’AIEA pour les cinq prochaines années. Pour cette année, la séance s’est déroulée dans  3  centres dont Madagascar, Afrique, Vienne, siège  de L’AIEA (Agence Internationale de l’Energie Atomique), organisatrice de l’événement avec l’AUF, pour Madagascar et a pour thème : “ la contribution de la technologie nucléaire à la lutte contre les maladies zoonotiques émergentes et ré-emergentes (Covid19) , le Kere, le changement climatique et l’instabilité énergétique à Madagascar » Tout au long de ces 64 ans d’existence, L’AIEA a  toujours contribué aux processus des résolutions des différents problèmes de l’humanité. Madagascar est membre de L’AIEA depuis 1976. Quelques centres nationaux à l’instar de L’Institut Malgache des Vaccins Vétérinaires (IMVAVET), Centre National de la Recherche Appliquée Cet article E-journées nucléaires virtuelle : L’INSTN représente Madagascar est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article E-journées nucléaires virtuelle : L’INSTN représente Madagascar a été récupéré chez Délire Madagascar.

ONG OPERATION SMILE: Olona 500 manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany hahazo fandidiana maimaim-poana
16/10/2021

Fampitomboana ny olona misitraka fandidiana. Te hampitombo ny isan’ny olona manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany ny ONG Operation Smile. Manana vina  ny ONG handidy marary miisa 500 amin’ny taona 2022. Ho maimaim-poana ny fandidiana. Mikarakara hetsika ry zareo hanentanana ireo mpiara-miombon’antoka afaka manampy amin’ny fanatanterahana io tanjona io.  Nanomboka ny 15 oktobra 2021 ny hetsika fanentanana ary tsy hifarana raha tsy amin’ny faran’ny volana desambra 2021. “Ndao hifanome tanana hanome tsiky indray ireo manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany”, hoy Rakotomalala Mirana, Country Manager ny Operation Smile eto Madagasikara. Ny fanampiana voaangona amin’ity hetsika ity dia hanohanana ny fitsaboana ireo marary sy hanavaozana ny sampandraharaha misahana ny fandidiana ho an’ny zaza ao amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA) mba hampitomboana hatrany ny isan’ny marary voadidy isan-taona. Noho ny krizy ara-pahasalamana tamin’ny taona 2020, anarivony ny Malagasy  manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany mbola miandry fandidiana. Araka ny fanazavan-dRamatoa Rakotomalala Mirana fa ny ankabeazan’ny olona marary manana fahasembanana dia avy any ambanivohitra. “Tsy ampy ny enti-manan’ireo marary ka tsy miroso amin’ny fandidiana”. Misedra olana anefa izy ireo eny anivon’ny fiarahamonina. “Ao no voahilikilika, betsaka ny olona matahotra azy ireo. Ny zaza te hianatra nefa jerijeren’ny namany dia lasa tsy mazoto intsony. Ho an’ny olon-dehibe dia tsy mahazo vady fa voahilikilikin’ny fiarahamonina”, hoy izy. Raha ny fanazavany dia manaranaka ny fahasembanana sima molotra sy vaky lanilany. Efa mandeha ihany koa ny fikarohana ny hifandraisan’izany amin’ny tontolo iainana. Ra-Nirina. Cet article ONG OPERATION SMILE: Olona 500 manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany hahazo fandidiana maimaim-poana est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article ONG OPERATION SMILE: Olona 500 manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany hahazo fandidiana maimaim-poana a été récupéré chez Délire Madagascar.

Tetikasa « Rary Aro Mada » Tohanan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony
10/10/2021

Teny amin’ny trano fiasany teny Fiadanana no nandraisan-dRamatoa minisitry ny fampianarana ambony, ny mpandrindra ny rafitry ny firenena mikambana izay miasa sy monina eto Madagasikarara. Dinika tsotra sy tamin’ny fomba fifanajana no nisy teo amin’ny roa tonta ka nahafahan’izy ireo nanasongadina hatrany ny fiaraha-miasa sy ny fanaovana sonia tetikasa lasitra momba ny fiarovan’ireo tanora ny zon’olombelona sy fametrahana ho fanamafisana ny fandriampahalemana, sy ny fametrahana ihany koa ny fitoniana ara-tsosialy eny anivon’ny fiaraha-monina… Ity tetikasa ity izany raha ny marimarina kokoa dia vokatry ny asan’ny OHCHR sy ny UNESCO ary vatsian’ny PBF vola, izany dia ho fanohanana ireo tanora mianatra eny amin’ny oniversité eto amintsika. Navoitran’ny minisitra Assoumacou Elia Béatrice, nandritra ity fihaonana ity ihany koa ny fifandraisan’ireo samy mpianatry ny oniversité, indrindra rehefa misy fihetsiketsehana sy fitakiana ataon’izy ireo… Ny  tetikasa « Rary Aro Mada » ihany koa, hoy izy, no hanampy amin’ny fanabeazana ireo tanora, ary ahafantarany tsara izany fiarovana ny zon’olombelona izany, ary ny fiarovana ny fananana iombonana ka mba tsy hisian’ny fihetsika mety ho fanimbàna na koa hnelingelenana ny fizotry ny fampianarana. Izany indrindra dia mba ahafahana manala ny tanora amin’ny haraton’ny kotontana ara-piaraha-monina sy ara-politika Issa Sanogo, ilay mpandrindra maharitry ny rafitry ny firenena mikambana eto amintsika kosa tetsy ankilan’izany dia niarahaba sy nankasitraka an-dRamatoa minisitra amin’ny fanohanan’ny minisitera izay tarihiny ity tetika ity ho an’nireo tanoran’ny oniversite eto amintsika. Cet article Tetikasa « Rary Aro Mada » Tohanan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article Tetikasa « Rary Aro Mada » Tohanan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony a été récupéré chez Délire Madagascar.

Basket –N1A : Cospn et MB2All au pinacle
11/10/2021

MB2All reste indétrônable sur le paysage du basket féminin malgache. Un doublé d’Analamanga au Championnats de Madagascar N1A avec le sacre du COSPN chez les hommes et MB2All du coté des dames. Le titre change de mains chez les hommes. Le Club omnisport de la police nationale (Cospn) a repris le titre qu’il a perdu il y a trois ans. Les poulains de Deda Randrianarivelo remportent leur deuxième étoile au palmarès. Au terme d’un match tendu jusqu’à la fin, les Livio, Arnold et compagnies se sont imposés devant les Majungais du SEBAM par 57 à 50. L’équipe de la police nationale a remporté le premier quart-temps par 12 à 8, mais, Faralahy et consorts ont repris les commandes de la rencontre d’un point d’avance à la pause par 23 à 22. De retour des vestiaires, les hostilités reprennent des plus belles sur le parquet du Palais des Sports. D’un côté Sebam est composé de jeunes joueurs, si COSPN est formé de joueurs expérimentés. Et cette expérience de matchs a fait la différence au final. Les policiers ont dominé les deux derniers quart-temps et filent vers le sacre. Livio avec 20 points marqués lors de cette finale a été élu meilleur joueur. L’équipe a décroché le gros lot de 2 500 000 ariary offert par MVola, partenaire de la Fédération malagasy du basketball. Jino Tsialefitra du Cospn 2 Atsinanana avec 252 points remporte  le trophée du meilleur marqueur. Suspense.  Chez les dames, la finale présagée depuis le début de la compétition a tenu en haleine le public. Longtemps devant au score, l’équipe championne MB2All se fait rattraper par les Majungaises du  Sôma Basketball Club de Boeny (SBBC) par 47-47 partout à la fin du 3e quart-temps. Pourtant, à la pause les protégées de Deda, coach du MB2All ont été devant par 33 à 25. Ce n’est qu’à 13 secondes de la fin de la rencontre que les Chantiah (15 points) et ses camarades ont crié victoire et surtout que Sidonie du SBBC, meilleure marqueuse de la rencontre avec 18 points est sortie après 5 fautes. Trop forte dans les tirs à longue-distance que dans la défense, Elinah Chantiah Ranarisaon a été élue meilleure joueuse du championnat. La victoire d’hier par 71 à 69 a bouclé la belle saison du  MB2All, invincible tout au long de cette année. Le trophée de la meilleure marqueuse a été décerné à Nivo Irma Ramino du Cospn 2 d’Atsinanana avec 192 réalisations durant le championnat. T.H  L’article Basket –N1A : Cospn et MB2All au pinacle a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Lac sacré de Mangatsa : L’effet de la pandémie se ressent
13/10/2021

La formulation des vœux devant le « Zafinimena » Le nombre de visiteurs au lac sacré de Mangatsa à Mahajanga a largement diminué depuis la pandémie. Le site reste toutefois ouvert au grand public sauf les mardis et jeudis, jours « fady » pour les offrandes. Depuis le confinement, les visiteurs du lac de  Mangatsa qui se trouve à 18 km de la ville de Mahajanga, dans la région Boeny, arrivent au compte-gouttes. Auparavant, les visiteurs venaient des quatre coins du monde et se comptaient par plusieurs dizaines par jour contre un maximum de cinq actuellement. Selon le guide sur place, Charlot Raveloniaina, seuls ceux qui veulent demander une bénédiction viennent. Les fonds générés par le ticket d’entrée fixé à 2 000 ariary n’arrivent plus à combler les besoins pour l’entretien des lieux. « Il y a des fois où nous n’enregistrons aucune visite en une journée depuis cette pandémie. S’ajoute à cela le raccourcissement des grandes vacances empêchant les touristes locaux de se rendre sur place car généralement, les vacanciers qui rejoignent Mahajanga font un petit détour chez nous », a-t-il indiqué. Au-delà des offrandes et des demandes de bénédictions, le lieu offre aussi la possibilité aux visiteurs d’observer des animaux exotiques tels que les crocodiles, les makis et des variétés de poissons de grande taille sans oublier le grand baobab.  Offrandes. Le site est ouvert au grand public mais les offrandes ne sont pas autorisées les mardis et les jeudis. Étant un lieu sacré, le poulet, le porc et la chèvre sont strictement interdits. Les personnes désirant déposer des offrandes doivent par contre se munir de miel qui symbolise la douceur et l’opulence ; d’agarbatti qui chasse les mauvais esprits et d’une bougie qui représente la vie, la pureté. La formulation des vœux se fait en deux étapes. Les uns au niveau de Zafinimena, et les autres au niveau de Zafinifotsy. Ces deux étant représentés par des arbres. Il est à préciser que les vœux formulés au niveau des deux « entités » doivent être exactement les mêmes. Quant à la nature des vœux, elle est à la fois diverse et différente allant du mariage avec un « vazaha » à la fertilité, en passant par le succès en affaires … Les demandeurs doivent impérativement revenir sur le lieu de culte une fois leur vœu exaucé sous peine de malheur avec l’offrande promise.  Narindra RakotobeL’article Lac sacré de Mangatsa : L’effet de la pandémie se ressent a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Kitra ao Toamasina – Fifafifi FC: tsy nanaja fotoana ny filohan’ny Ligy
11/10/2021

Naneho ny alahelony sy ny hatezerany tamin’ny filohan’ny ligim-paritry ny baolina kitra ao Antsinanana ireo mpitarika ny sekolin’ny baolina kitra  Fifafifi FC ao Toamasina, sy ireo  ray aman-drenin’ankizy manaraka ny zanany, ary ireo mpitsara sy vadintany mitarika ny katitakely ary ireo olo manan-kaja sivily, ny alarobia 22 septambra lasa teo, noho ny tsy fanajan’ity mpitantana ny kitra ao Toamasina ity ny fotoana nifanomezana.Fotoana nanolorana medaly ho an’ireo mpandresy teo amin’ny U9; U11 ; U13 lahy sy vavy ary fanomezana fitaovana entina manao fanatanjahantena ho an’ireo afa-panadinam-panjakana CEPE, BEPC ary bakalorea.Tamin’ny 3 ora folakandro mantsy ny fotoana nifanomezana tamin’ny mpikarakara, saingy efa tamin’ny 5 ora  12 mn hariva kosa vao tonga ny filohan’ny ligy, izay nomena fahefana hanome voninahitra ny hetsika. Fimenomenomana no nandraisan’ny olona izany fihetsika izany. “Izao ve ny filoha hatao ho fitaratry ny ankizy…? “ hoy ny fimenomenoman’ireo olona tonga nanatrika izany. SajoL’article Kitra ao Toamasina – Fifafifi FC: tsy nanaja fotoana ny filohan’ny Ligy a été récupéré chez Newsmada.

 35 taonan’ny Tarika Kiaka: nafana ny fiarahana tamin’ny mpankafy
12/10/2021

Heni-boninahitra ny fankalazana ny faha35 taona ho an’ny tarika Kiaka… niara-nifety tamin’ny mpankafy mozika metaly tetsy Antsahamanitra, afakomaly tolakandro izy ireo. Novazoina tao avokoa ireo hira nanamarika ny tarika. Nampitora-jofo ny mpiondana metaly, ohatra, ilay hira “Revy” nataon’ny tarika Kiaka, ary nanehoan’izy ireo ny maha izy azy, na tamin’ny fomba fihira izany, na ny fomba fitendrena zavamaneno.  Nanotrona azy ireo amin’izany i Niry avy ao amin’ny tarika Iraimbilanja, i Abasse avy ao amin’ny tarika Apost, i Jacquot amin’ny tarika Green. Nikarakara ity hetsika ity ny Gasy Fest. Ny taona 1986 ny niforonan’ny tarika Kiaka. Ny kiaka dia avy amin’ny hoe hiaka hoenti-mampita hafatra, raha ny nambaran’izy ireo. Tafita tokoa ny hafatra matoa mbola am-bavan’ny olona ireo tononkira maro isan-karazany, toy ny “Ilay mahantra” sns…NarilalaL’article  35 taonan’ny Tarika Kiaka: nafana ny fiarahana tamin’ny mpankafy a été récupéré chez Newsmada.

Mpanohitra… mijery lavitra
12/10/2021

Vanim-potoana mialoha ny fifidianana izao. Efa misy ny antoko na vondrona politika miomana amin’izany? Ady fiady io, samy manao izay afany sy efany. Tato ho ato, saika tsy misy fiatoana ny fametrahan’ny fitondram-panjakana vatofehizoro amin’ny fanorenana fotodrafitrasa etsy sy eroa, ny fitsidihana ny fandehanan’ny asa natomboka na an-dalam-pamitana azy, ny fitokanana zava-bita.Misy mahita fa efa karazana fampielezan-kevitra vita ho azy izay ho an’ny eo amin’ny fitondrana. Miasa: marina sa tsy marina? Misy ny zava-bita: ekena sa tsy ekena? Na izany aza, mampiaka-peo hatrany ny mpanohitra sasany ny amin’ny lafiny sosialy na ny fiainam-bahoaka. Eo, ohatra, ny tsy fandriampahalemana, ny fidangan’ny vidim-piainana tsy voafehy, ny tsy fisian’asa, ny ady tany efa ho lava…Mila vahaolana haingana sy maharitra avokoa izany? Miantoka ny filaminan’ny fiainam-bahoaka ny fivahan’ireo fahasahiranana ifotony. Raha voalamina sy voajery lavitra ny famahana izany, ahazoana miatrika ny asa fampandrosoana bebe kokoa na efa anisan’ny mampandroso aza ny sasany. Na izany aza, tsy efa misy ve ny ezaky ny fitondrana amin’izay lafiny sosialy izay? Na eo izay andrasana…Eo ny tsirairay mahita sy mitsara izay tsapany sy iainany: efa misy fihatsaram-piainana? Andrasana, ohatra, ny fahatongavan’ny entana ilaina andavanandro amin’ny vidiny mora. Inona na ahoana koa? Na ahoana na ahoana ary na inona na inona mitranga sy atao, tsy mahita tsikeraina sy kafaraina hatrany ny mpanohitra. Asany izay. Raha tsy manao izy no hafahafa, tsy mahalala sy mahavita ny asany.Saingy ahoana ity fitakiana ny fialan’ny mpitondra? Nefa ny vahoaka nifidy tsy mihevitra na mitetika izany aloha hatramin’izao. Tsy izay nametraka ve no manan-drariny kokoa mitaky ny fialan’izay nofidiny? Raha misy ny fananana vahoaka, tsy hita izay hanombanana izay ny maro anisa raha tsy amin’ny alalan’ny fifidianana. Tsy ho lany hery sy fotoana amin’izany raha efa mihevitra fifidianana ny hafa?Rafaly Nd. L’article Mpanohitra… mijery lavitra a été récupéré chez Newsmada.

Mpanao fanatanjahantena nalaza: lehilahy iray maty nianjera teo am-pangalarana
11/10/2021

Tsy voatifitry ny mpitandro filaminana, na matin’ny fitsaram-bahoaka, fa noho ny fianjerany, ka notantazan’ny vohon’angady no nahafaty ity lehilahy iray, nikasa hangalatra tao an-tranon’olona, tao Analakininina Toamasina, ny zoma teo ity. Fantatry ny maro eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena izy io.60 taona izy izao namoy ny ainy izao Lehilahy nalaza teo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena (basikety, hand ball, kitra…) tao Toamasina, tany amin’ny taona 80 tany ho any i R. Alain, saingy… lasa jiolahy. Ny marainan’ny zoma teo, hitan’ny rangahy iraytompon-trano nitsirara teo antokonam-baravavarana, tao Analakininina,  ny vata-mangatsikany raha iny izy niverina saika haka ireo mofo hamidiny. Niantso sefo fokontany avy hatrany io raim-pianakaviana, nampandrenesina ny tranga ihany koa ny polisy sy ny BMH.“Tsy nisy nidaroka na niniana novonoina ity raim-pianakaviana ity fa nianjera ka notsenain’ny vohon’angady sy vato mitohana ny varavarana”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao any an-toerana. Nambarany fa mety mahafantatra tsara ny fandaharam-potoan’ny tompon-trano io lehilahy mpangalatra io ka nihevitra ny hangalatra ao an-tokatranony, kanjo izao no niafarany. Matetika sarona amina halatra sy vaky trano ao Toamasina ity mpanao fanatanjahan-tena kalaza ity. Hatramin’ny fianakaviany aza efa nitaraina taminy noho io asa ratsy ataony io hatreny Analankinina sy hopitaly be. Sajo sy Henintsoa HaniL’article Mpanao fanatanjahantena nalaza: lehilahy iray maty nianjera teo am-pangalarana a été récupéré chez Newsmada.

Taksiborosy Sprinter nivarina tao ambany tetezana: ankoatra zazakely iray mpandeha ampolony maty tsy tra-drano
12/10/2021

Tao Antsahasoa, 10 Km atsimon’Ankaramena, Ambalavao, amin’iny RN 7 iny no nitrangan’ity lozam-pifamoivoizana nahatsiravina, omaly maraina ity. Nivarina avy eny ambony tetezana ny taksiborosy Sprinter iray mampitohy an’Ihosy amin’i Fianarantsoa. Mpandeha am-polony no indray namoy ny ainy teo no ho eo vokatr’izany.Manao sesilany ny lozam-pifamoivoizana. Taksiborosy Sprinter iray, avy any Fianarantsoa hihazo an’Ihosy ity tra-doza teo amin’ny tetezan’Antsahasoa, fokontany Malazarivo, kaominina ambanivohitr’Ankaramena, distrikan’Ihosy, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 07 ora ity. Nivarina avy eny ambony tetezaka ilay taksiborosy ka nidaraboka tery ambany ka potika tanteraka. Araka ny tatitra voaray, ankoatra ireo mpandeha 15 naratra mafy, am-polony no namoy ny ainy teo no ho eo. Anisan’izany ny zazavavikely iray vao 12 taona monja, teny am-pofoin-dreniny, izay fantatra fa namoy ny ainy ihany koaHatramin’ny ora nanoratanay farany, tafakatra 12 ireo maty ary olona 13 isa mbola mitsabo tena. Hatreto, mbola ao anatin’ny fanadihadiana ny mety nahatonga ny loza ny zandarimaria ao an-toerana. Manao antso avo amin’ireo fianakavian’ireo niharam-boina ihany koa ny fokonolona mba hijery ireo havany tra-doza. “Mbola aty Ambalavao ny vata-mangatsiakan’ireo maty hanarahana ireo dingana tokony hatao mahakasika izany raha efa nalefa any amin’ny CSB II Ankaramena, hopitalin’Ambalavao sy Fianarantsoa ireo naratra mafy.”, hoy ny fanazavan’ny zandary. Naratra mafy tamin’ity loza ity koa ny mpamily ny fiara, izay mbola manohy ny fitsaboana ka tsy azo anaovana fanadihadiana.“Fiarana zandary ary tsy manana licence ity tra-doza”, hoy kosa ny loharanom-baovao iray hafa. Mipetraka, araka izany, ny fanontaniana hoe tsy nisy ve izany ny fisavana ny fiara teny an-dalana nahatrarana io taksiborosy io?Mbola teny amin’ny RN7 ihanyNiteraka resabe ireo lozam-pifamoivoizana misessesy efa ho isan’andro.  Tsy vitsy ireo nilaza fa ny mpamily mihitsy no fototra mahatonga izany. Ao ireo nanazava fa tsy mbola mahafehy tsara ny fifamoivoizana ny mpamily kanefa dia misetrasetra tokoa rehefa mitondra fiara. Ao koa ireo mpandeha izay mampirisika ny mpamily handeha mafy tokoa noho ny fahamaizany. Ankoatra izay, maro koa ireo naneho hevitra fa tsy mety amin’ny lalana eto amintsika irony fiara Sprinter irony noho ireo mpamily mitsapa ny tanjaky ny fiara rehefa eny amin’ny lalam-pirenena samihafa…Tsiahivina fa vao tsy ela akory izay ilay lozam-pifamoivoizana namoizan’ain’olona maro hatramin’ny zazamenavava teny Anteza, tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny ihany. Taorian’ny tranga, nisy ny fampiofanana ny mpamily hisorohana ny tranga toy ireny. Nisy koa ny fepetra napetrak’ireo tomponandraikitra samihafa mandrindra ny lalan’ny fifamoivoizana kanefa izao miverina izao indray. Tokony hisy ve izany ny andraikitry ny ministera hijery manokana ny resaka fifamoivoizana, ny fiara ary indrindra ireo mpamily, izay mampitaraina ny maro tokoa. Henintsoa HaniL’article Taksiborosy Sprinter nivarina tao ambany tetezana: ankoatra zazakely iray mpandeha ampolony maty tsy tra-drano a été récupéré chez Newsmada.

Fonds Bezos: ala honko 94.500 ha harovana sy harenina
12/10/2021

Hanohana an’i Madagasikara ny fikambanana iraisam-pirenena Fonds Bezos, hametrahana fitantanana maharitra ny harena voajanahary. Voakasik’izany ny hiarovana ala honko mirefy 87.000 ha any amin’ny morontsiraka andrefan’i Madagasikara sy hanarenana ny ala honko mirefy 7.500 ha hatramin’ny taona 2025. Hotohanana ny tontolo mananaina sy ny mponina eny ifotony ho afaka miatrika ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro any amin’ny faritra Menabe, Melaky ary Diana.Nilaza ny tale jeneralin’ny fikambanana WWF iraisam-pirenena, i Marco Lambertini, fa karohina ny famatsiam-bola sahaza, izay tombanana hatrany amin’ny 700 miliara dolara isan-taona. Araka ny fanadihadiana nataon’ny ivontoerana Institut Paulson, manodidina ny 722 hatramin’ny 967 miliara dolara isan-taona ny tetibola ilaina ato anatin’ny 10 taona ho avy. Ilaina ny famatsiam-bola ho an’ny fanjakana sy ny tsy miankina, hanohanana ny sehatra samihafa hita fa manimba ny tontolo iainana, toy ny fambolena, ny jono, ny fotodrafitrasa, sns.Ho an’ny tale jeneralin’ny WWF Madagasikara, Rtoa Rastifandrihamanana Nanie, mila miray hina amin’ny firenen-drehetra i Madagasikara, hiatrehana ny krizy ara-tontolo iainana sy ny toetr’andro.Njaka A.L’article Fonds Bezos: ala honko 94.500 ha harovana sy harenina a été récupéré chez Newsmada.

Nécrologie du 16 octobre 2021
16/10/2021

Cliquez pour agrandir L’article Nécrologie du 16 octobre 2021 a été récupéré chez Midi Madagasikara.