Zahavoary ao Ankarafantsika: mahavarina ilay lavakabe ao Ankarokaroka

News - Zahavoary ao Ankarafantsika: mahavarina ilay lavakabe ao Ankarokaroka

News - Zahavoary ao Ankarafantsika: mahavarina ilay lavakabe ao Ankarokaroka

Toerana iray tena mahasarika mpizahatany mitsidika ny valanjavaboary ao Ankarafantsika   ny lavaka na antsoina koa hoe « Canyon » ao Ankarokaroka. Misy toerana avo ety ambony ahafahana mitazana ny hakanton’ny lavaka midadasika be izay vokatry ny asan’ny rivotra sy ny ranon’orana ka nanome endrika miavaka. Anisan’ny valanjavaboary 43 tantanin’ny Madagascar National Parks ny ao Ankarafantsika, mivelatra amin’ny faritra 136 513 ha.

Valo ny karazana fitsidihana azo atao ao anatin’ny valanjavaboary ka anisany ny fijerena akaiky ny lavaka. 24 km ny lalana azo diavin-tongotra ao anatiny. Raha hidina hijery ny lavaka any ambany, 20 minitra eo ho eo ny faharetany mamakivaky ny ala. Namboarina manokana ny lalana handray ny mpitsidika mandeha an-tongotra tsy hitera-doza ho azy ireo.

Tsy maintsy ialohavan’ny mpitari-dalana ny fitsidihana satria be efitrefitra ny lavaka. Nahavariana ny nahita ny cheminés des fées sy demoiselles coiffées voatefin’ny rivotra ka lasa kindrindriana rehefa tazanin’ny maso. Tsy azon’ny mpitsidika kitihina satria malemy ireny cheminés ireny ka mandrava ny hakanton’ny voary.

Ankoatra ny Malagasy, maro ny mitsidika ny lavaka be ao Ankarokaroka ny Frantsay sy ny Amerikanina, indrindra amin’izao fotoana izao. Noho ny tsy fandriampahalemana anefa, nihena 14% ny isan’ny mpitsidika. Nanomboka ny fiandohan’ny taona ka hatramin’ny volana jolay lasa teo, 3 117 ny isan’ny mpitsidika tonga nidina tao anatin’ny lavaka be.

Ny taona 2018, nahatratra 11 426 ny olona voasarika ka ny 40%,  Malagasy avokoa. Manana karazam-borona 130 ao Ankarafantsika ankoatra ny sifaka sy ny angonoka (tsy azon’ny mpitsidika jerena). Rehefa hiakatra indray hamonjy ny toeram-pitazanana ery ambony, misy faritra nokarakaraina ahazon’ny mpitsidika miala sasatra sy mijery ny zava-maniry samihafa.

2 000 Ar ny saran’ny fitsidihana ny lavaka be 

Fikaohan’ny riaka sy ny rivotra tao anatin’ny  taon-jato telo teo ho eo no nanome ny endriky ny lavaka amin’izao fotoana izao, tany fasihana no manodidina ny lavaka ka mila fitandremana, hoy ny mpitari-dalana Ratsinjovindraibe Tahiry Germain. 2 000 Ar ny saran’ny fidirana ho an’ny Malagasy raha 55 000 Ar ho an’ny vahiny. 65 000 Ar kosa ny saran’ny fitondrana mpitari-dalana (ho an’ny olona latsaky ny dimy) satria saro-pady ny toerana. 23 ny mpitari-dalana rehetra misahana ny zahavoary ao Ankarafantsika izay entina koa hamelomana sy hampihodinana ny valanjavaboary.

Vonjy A.

Article tiré de Newsmada

L’article Zahavoary ao Ankarafantsika: mahavarina ilay lavakabe ao Ankarokaroka a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 05/08/2019

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Mahavatse – Toliara: tratra ry Dame de Pique, jiolahy nokarohina nandritra ny 10 taona

Tratran’ny vela-pandriky ny polisy ireo jiolahy telo tompon’antoka tamin’ny fanendahana pasitera tao Mahavatse Toliara, ny asabotsy lasa teo. Voalazan’ny polisy fa tao an-tranon’ny lehilahy iray antsoina hoe Dame de Pique ao Mahavatse no nahatrarana ireto jiolahy ireto, nomarihin’ny polisy fa isaky ny mahavita ny asa ratsiny ry zalahy ireto no miafina ao amin’io lehilahy io. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny polisy hatrany, jiolahy nokarohina nandritra ny folo taona ireto jiolahy ireto ary maro ny raharaha mahavoasaringotra azy ireo, toy ny vonoan’olona sy ny halatra isan-karazany. Isan’ny nandray anjara tamin’ny fakana taratasim-bolan’ny beantitra tao Toliara ry zalahy ireto. Efa nifanehatra tamin’ny polisy inefatra izy ireo, saingy tafaporitsaka hatrany. Isan’ny nampikolay ny ao an-tanànan’i Toliara ireto jiolahy ireto ka vola iray hetsy Ar sy firavaka ary entana sarobidy ny lasan-dry zalahy tao amin’ilay pasitera nandritra ny fanafihana. Voalaza fa jiolahy avy aty an-dRenivohitra sy Toliara avokoa ry zalahy ireto sady efa manana trano any Toliara. Nahitana basy mahery vaika koa tany amin’ireo jiolahy ireto.CMS sy J.CL’article Mahavatse – Toliara: tratra ry Dame de Pique, jiolahy nokarohina nandritra ny 10 taona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

CFM: « Lavitra ezaka ny  fampihavanana… »

“Tokony hatao  ao anatin’ny fo sy saina ny fampihavanana. Mbola lavitra  ezaka anefa izany na  efa  manomboka aza isika”, hoy ny filoha lefitry ny  CFM,  Ramamimampionona Gerard,  omaly  tetsy  Ampefiloha. Notsiahiviny  fa  efa nisy ny aingavao tamin’ny alalan’ny Barea.  Teo  koa ny fiombonana   teny anivon’ny  Antenimierampirenena  ka lany 100% ny filohan’io  Andriampanjakana  io. “Iriana  ho amin’ny  sehatra  maro izany. Ohatra  ny eo amin’ny lafiny  politika,  ny toekarena.  Ny lafiny sosialy, miverina  indray  ny  herisetra…”, hoy  ihany izy. Niaiky koa ny tenany  fa mahazo laka indray ny fahazarana ny amin’ny fitakiana ny tokony hisian’ny minisitra avy atsy amin’ny  faritra izao  na izao. Ilana fandinihana lalina sy  lavitra ezaka izany satria  lasa fahazarana. Nampitoviana amin’ny mpanazatra ny Barea izany ka nilazany fa efa misy  ny  tompon’andraikitra mifantina sy mifidy, arakaraka ny  fahaizany sy ny fahalalany. “Tokony hojerena  ny fomba fanaovana  politika ary tokony  hatoky ny  mpanazatra isika amin’ny fifantenana ny  ho ao anatin’ny governemanta”, hoy ny  CFM. Tsiahivina fa hanao tatitry ny asany izy  ireo, ny zoma izao  etsy amin’”ny foiben-toerany, Ampefiloha.Synèse  R. L’article CFM: « Lavitra ezaka ny  fampihavanana… » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Behoririka: jiolahy miisa dimy indray saron’ny 1/RM1

Mitohy hatrany ny hetsika fitandroana filaminana ataon’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Nahitam-bokany izany satria jiolahy miisa dimy indray voasambotry ny miaramila avy ao amin’ny 1/RM1, nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo teny amin’ny faritra Antanimena sy teny Behoririka iny, omaly. Fantatra fa isan’ireo faritra mampitaraina olona maro amin’ny firongatry ny tsy fandriampahalemana iny faritra iny ka nanaovan’ireo miaramila ezaka manokana amin’ny fisafoana ireto faritra ireto ary izao niafara tamin’ny fahatrarana andian-jiolahy izao. Nisy mihitsy ny fifanenjehana tamin’ireo jiolahy, saingy tsy afa-bela teo am-pelatanan’ny miaramila izy ireo ka noraisim-potsiny. Fantatra fa jiolahy raindahiny amin’ny fanaovana herisetra sy sinto-mahery ry zalahy ireto, araka ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny 1/RM1 hatrany. Natolotra ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany (CSP1) Analakely hanohizana ny fanadihadiana ireto jiolahy ireto. Tsy mitsahatra fa mitohy hatrany na andro na alina ny fisafoana ataon’ireo miaramila manao “police militaire” eto an-dRenivohitra.J.C L’article Behoririka: jiolahy miisa dimy indray saron’ny 1/RM1 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rugby – «Top 20 Analamanga»: tsy tonga ny UASC sy ny SOE

Nitohy ny asabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Alarobia ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Top 20”, hiatrehana ny fifaninanana eto amin’ny ligin’Analamanga. Fihaonana, nokarakarain’ny Malagasy Rugby, noho ny tsy fahazoan’ny mpitantana ny ligy, manatanteraka izany.Lalao dimy no voalahatra, saingy ny telo ihany no tontosa, tamin’izany. Tsy tonga niatrika ny fihaonana, ny UASC Cheminots (Besetroka) sy ny Stade Olympique de l’Emyrne (SOE).Raha tsiahivina, tokony hifanehatra tamin’ny Uscar, ny Besetroka ary ny 3FAI Ambalavao Isotry kosa tokony hikatroka tamin’ny Stade. Araka izany, samy “forfait”, avokoa izy roa tonta ireo. Tsy fantatra aloha, ny antony tsy nanatrehan’ireo fileovana roa tonta ireo, izany lalao izany.Toy izao kosa ireo vokatra hafa, resin’ny Savony, tamin’ny isa 39 no ho 23 ny UIRC. Tsy mbola afa-bela tamin-dry zareo STM indray izany teto ny fivondronana Kely. Lavon’ny US Ikopa, tamin’ny isa, 28 no ho 24 kosa ny Mangart ary nomontsanin’ny XV Avenir, tamin’ny isa mavesatra, 14 no ho 0 ny AFA Ankazomanga. TompondakaL’article Rugby – «Top 20 Analamanga»: tsy tonga ny UASC sy ny SOE a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mpianatra avy any Sambirano: manolotra fampisehoana ho fanatanterahana ny asa sosialy

« Antom-pisian’ny fikambanan’ny mpianatra avy any Ambanja (AESUA) ny fifanohanana, indrindra eo amin’ny  lafiny fianarana. Tanjona ny hahatafita ny tsirairay amin’izay lalam-piofanana nofidiny », hoy i Ludovic Odon, filohan’ity fikambanana ity. Tsy vitsy ny misedra olana, mila fanampiana. Izay indrindra ny nahatonga ny biraon’ny fikambanana hikarakara fampisehoana, rahampitso hariva, eny amin’ny Fast Food eny Ankatso.Mpanakanto hanafana ny lanonana amin’ity asabotsy ity i Smaven. “ Soiree m’feeling” ny lohateny nampisaloran’ny mpikarakara ny hetsika. Nambaran’i Ludovic Odon,  filohan’ny fikambanana  fa  tena tanjona amin’io ny hampiseho firaisankina eo amin’ny samy mpikambana sy hitadiavam-bola hoentina manatanteraka asa sosialy  ho fanampiana ny mpianatra tojo fahasahiranana. Hampahafantarina ny rehetra, mandritra io fotoana io, ny birao vaovaon’ny AESUA.Hanamarika ity lanonana ity koa ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo nahavita be teo anivon’ny fikambanana. Hanelanelana ny fampisehoana ny fanentanana, iarahana amin’ny DJ.Landy R.  L’article Mpianatra avy any Sambirano: manolotra fampisehoana ho fanatanterahana ny asa sosialy a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Mort de Michel Rabearimanana : Une étoile s’est éteinte !

Le monde du football est en deuil. Michel Telesphore Rabearimanana est mort vendredi à Antsirabe, la ville de ses débuts en football où il a gagné à deux reprises avec le 3FB le championnat du Vakinankaratra aux côtés du jeune gardien Charlot Andriamady qui était encore junior à l’époque. Mais les deux hommes ont en commun la Coupe du Président qu’ils ont gagnée devant la sélection majungaise de Dezy Ramasy. Michel Rabearimanana ou Sely selon ses nombreux amis quitta le 3FB pour l’ASPTT de Tana où il est resté durant toute sa carrière. Une carrière bien remplie car il était le latéral gauche de l’équipe nationale sous l’ère Gonzales puis plus tard avec les deux entraîneurs Leaby et Louis Robson. Autant de bons souvenirs pour cet homme qui s’entend très bien avec tout le monde et particulièrement avec Baovola Augustin Andriamiharinosy qu’il considère comme un frère et un exemple pour les générations futures. Clément RABARY L’article Mort de Michel Rabearimanana : Une étoile s’est éteinte ! est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Mort de Michel Rabearimanana : Une étoile s’est éteinte ! a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Mpanao lalàna… mitsara 

Ela ny ela, hivoaka ihany ny raharaha mihemo-dava? Tsy maintsy hanapa-kevitra. Ny amin’ny fampiakarana na tsia eny anivon’ny Fitsarana avo (HCJ) ny fanenjehana ireo tomponandraiki-panjakana ambony io. Eo an-tanan’ny vaomieran’ny HCJ eny amin’ny Antenimierampirenena ny antontan-taratasy ny amin’izany, mila ny roa ampahatelon’ny solombavambahoaka amin’ny fivoriambe vao hatao ny fitsarana.Tsy efa naman’ny mpitsara ve ny eny anivon’ny Antenimierampirenena manapa-kevitra amin’ny fahazoana mitsara na tsia ireo tomponandraiki-panjakana ambony? Tsy hita be ihany. Fanapahan-kevitra politika sa araka ny lalàna? Mampanahy, mampisalasala, manahirana… Mpanao lalàna no mitsara. Amin’izany, efa saika nitsoaka any ivelany ny sasany amin’ireo enjehina; eny, na efa nahazo fandrarana aza.Mandeha koa ny resaka etsy sy eroa fa misy ny fifandraisana an-telefaonina amin’izany. Ny fombafomba arahina amin’ny fanenjehana ara-pitsarana izay tomponandraiki-panjakana ambony manao fandikan-dalàna no sarotra na hasarotina? Na ny lalàna fototra no mila fanitsiana… Nahoana, ohatra, ny fahefana mpanao lalàna no atsabaka hanapaka ny amin’ny fitsarana na tsia ny fahefana mpanatanteraka?Tsy vitan’ny hoe tsy misy ny fisaraham-pahefana fa lasa politika… Na mila hankalilo sofina ny sasany aza ny resaka, averina ihany. Miharihary izao ny vokatry fanaovana kitsapatsapa sy ny fanomezana vahana ny lafiny politika hatrany amin’ny fanaovan-dalàna, tsy nijerena lalina sy lavitra ary izay ho vokany. Tsy fandatsana na fandatsahana amin’ny efa fahasahiranana, sanatria, fa mba misy hitsinjovana ny ho avy.Tsy misy ambanin’ny lalàna: iray ny lalàna, iray ny fitsarana. Nahoana no fitsarana sy fomba hafa manokana ny fitsarana ny tomponandraiki-panjakana ambony izay tokony ho fitaratra amin’ny fanajan-dalàna? Ahina mafy ny mbola hisian’ny tsimatimanota hatrany. Tsy ny fitsarana ambaratonga voalohany toy izay ho an’ny olom-pirenena tsotra rehetra ve no itsarana azy ireo, raha tsy nanao heloka bevava?Rafaly Nd.  L’article Mpanao lalàna… mitsara  a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Men: raikitra ny fanangonana boky

 Notanterahina nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny hetsika « Fanangonana boky », tanterahin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (Men). Anisan’ny nanombohana izany ary mbola hitohy ny tetsy amin’ny CEG Antanimena, Anlamahitsy, Andranonahoatra, Antanimbarinandriana sy ny JJ Rabearivelo ary ny LMA Ampefiloha. « Tanjona amin’izao hetsika izao ny fanampiana ireo mpianatra eny anivon’ny EPP sy hitarihana ny zaza ho tia vaky boky. Ezahina hatao mialoha ny fidirana izany », hoy ny minisitra, i Sahondrarimalala Marie Michelle. Nentaniny koa ny rehetra mba hanome boky efa tsy vakina intsony mba homena sy aterina amin’ireo toerana ireo ho lova ho an’ny taranaka.  Nanteriny fa efa misy ny lamina miaraka amin’ny fitantanana mangarahara eo anivon’ny minisitera ny amin’ny hitsinjarana izany boky izany ka ho tonga any amin’ny toerana tokony hizarana azy. « Efa misy fomba fanarahana azy ka tsy very ilay boky fa tonga eny an-tanan’ny mpianatra… Tena mbola ambany ny tahan’ny famakiana boky eto amintsika”, hoy ihany izy.Synèse R.L’article Men: raikitra ny fanangonana boky a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Cream sy Université Normale de Jiangxi: miara-manao fikarohana momba ny toekarena sy ny sosialy

Niara-nanao sonia ho fiaraha-miasa, omaly, ny Cream (1), manao fikarohana sy fanadihadiana momba ny toekarena eto Madagasikara, sy ny Foibe iray manao fikarohana momba an’i Madagasikara ihany ao amin’ny Université normale de Jiangxi, any Sina. Fifanarahana mariky ny fahavononana miara-miasa manao fikarohana, ho an’ny fampandrosoana ny lafiny toekarena sy sosialy eto an-toerana.Fikarohana fandalinana sy fanadihadiana lalina momba ny toekarena sy ny sosialy ahitana izay tokony hofaritana sy hotrandrahina. Anatin’ny fifanarahana, manohana ny Cream amin’izay ataony, ny fikarohana momba an’i Madagasikara vitan’ny Université normale de Jiangxi, amin’izay tolotra fampahalalam-baovao omeny ka azo trandrahina.Manana andraikitra amin’ny fanampiana ireo andrimpanjakana momba ny fitantanana ny toekarena ny Cream, miainga avy amin’ireo fanadihadiana vitany, ny fehin-kevitra arosony, ny fampiasana izany, ny fanarahana sy fanaovana tomban’ezaka politika sy toekarena. Andrasana ny mba tsy hijanona ho soratra fotsiny izay fikarohana sy ny fanadihadiana mifanaraka amin’izany. R.Mathieu Cream : Centre de recherches, d’études et d’appui à l’analyse économique à Madagascar    L’article Cream sy Université Normale de Jiangxi: miara-manao fikarohana momba ny toekarena sy ny sosialy a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Fête de fin d’année : Trois grosses pointures partageront la scène  

Tovo J’hay secouera les têtes des inconditionnels. Le Karibotel, Domaine Manerinerina Ambohibao, accueillera trois artistes de talent ce soir: Jazz Mmc, Johane et Tovo J’Hay. La fête de la fin d’année sera dans une ambiance de Rnb et de Waza. Après avoir fait le tour des régions Diana et Sofia, Jazz MMC livrera un concert ce jour. Après quelques jours  de repos ,  le revoilà dans la capitale malgache. De 2015 à 2019, Makoa Mifangaro Culture (MMC) est passé d’un danseur professionnel à un patron de label.  Il est habitué à animer la scène. Quant à  Tovo J’hay, après quelques années de silence, il signe donc son grand retour. Avec toujours le même style mais aussi un rafraîchissement musical dans le contexte actuel, il est clair que son retour sous les projecteurs est très attendu et pas seulement par ses fans. Johane et Deejay Jerry accompagneront ces deux hommes. Entre Deejing en concert, ce sera un show. Iss Heridiny L’article Fête de fin d’année : Trois grosses pointures partageront la scène   est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Fête de fin d’année : Trois grosses pointures partageront la scène   a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services ASA TENA RENTABLE FA METY 1TAONA VAO MIVALY 10000000AR
21/01/2021

https://cryptotabbrowser.com/17674489Ity misy apps na logiciels @io lien io ;io logiciellena applis io de micolecte BTC fataro fa @izao ny 1BTC dia mitentina 122083479Ariary Ary mihamakatra foana ioNy astuce eto dia mampiasa ity apps(android) na logicielle(pc) ity andavanadro fa andro iray any de matratra 1BTC ianao tsara rah olona manao cyber reny no mampiasa ity satria cyber connecté tous les jours de revenus hoan'ilay cyber ny faampiasana izy ty ,fa rah personnel kosa de miadry taona 1 zay vous matratra 1BTC io AFAKA VAERIFENA NY informations teneniko rah diso sy esorina ny comptako rah mavady ah @ADMIN ITY LIEN AKANA ILAY APPS NA LOGICIELLE https://cryptotabbrowser.com/17674489https://cryptotabbrowser.com/17674489Fa @le fakana vola @internet io rah ts manana compte paypal ianao ,adefaso mp za fa touroukou anw maimaipoana ny fanaovana azy asaiko manabiana compte blockchain sahady anao satria iny no akana vola ;sy fakana azy ;misaotra https://cryptotabbrowser.com/17674489Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASA TENA RENTABLE FA METY 1TAONA VAO MIVALY 10000000AR".

A louer ESTEBAN LOKATION
24/01/2021

A louer GRAND STAREX LIMOUSINE  diesel pour tous types d' evenements (Mariage, enterrement, courses en ville ) à Antananarivo ou périphérieTarif à 110 000Ar/jour en ville discutable , avec chauffeur , carburant en sus. Tarif province à discuter selon trajet , nombre de jours et besoinPour plus de détails et réservation: Contact : 034 50 787 01(Esteban)Mail: esteban.carmada@gmail.comFacebook : Esteban LokationCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer ESTEBAN LOKATION".

A vendre TERRAIN AVEC BASSINS PISCICOLE 13Ha A ANKAZOBE
26/01/2021

Terrain de 13 ha aménagés. Prix intéressantIdéal pour un projet de construction des Bungalows....-Dont 4 ha de bassins piscicole pour elevage de poissons(alevins de carpe royale et de tilapias, production de carpe koï et de gold fish.)-3 maisons de gardien-2 maison secondaire-Arbres fruitiers: letchis, manguiers, pommiers et autres.- Eau 24/7 toutes l'année.Terrain sur la RN 4 , PK 78 ROUTE DE MAHAJANGA à 15 km avant Ankazobe.Environ 2 km à l'intérieur sur une route secondaire praticable l'année.Contact 0342814000Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre TERRAIN AVEC BASSINS PISCICOLE 13Ha A ANKAZOBE".

Emploi et services Job en ligne
25/01/2021

https://GramFree.cc/?r=14060835Vous pouvez vous faire de l'argent facilement, il est juste important d'être patient :)Ca m'as beaucoup aidé et je partagesJ'espère que cela vous aidera par la suite,Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Job en ligne".

A vendre Terrain avec bassins piscicole 13ha a ankazobe
26/01/2021

Terrain de 13 ha aménagés. Prix intéressantIdéal pour un projet de construction des Bungalows....-Dont 4 ha de bassins piscicole pour elevage de poissons(alevins de carpe royale et de tilapias, production de carpe koï et de gold fish.)-3 maisons de gardien-2 maison secondaire-Arbres fruitiers: letchis, manguiers, pommiers et autres.- Eau 24/7 toutes l'année.Terrain sur la RN 4 , PK 78 ROUTE DE MAHAJANGA à 15 km avant Ankazobe.Environ 2 km à l'intérieur sur une route secondaire praticable l'année.Contact 0342814000Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Terrain avec bassins piscicole 13ha a ankazobe".

Emploi et services UN INFOGRAPHISTE
20/01/2021

Nous recrutons un INFOGRAPHISTE : Profil :- Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé- Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress- Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine- Maîtrise du français- Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalence Mission :- Conception de tous les supports de communication (images, vidéos)- Conception de plans et maquettes 3D- Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE » Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services UN INFOGRAPHISTE".

Emploi et services Besoin d'un prêt rapide en Madagascar
26/01/2021

Bonjour nous mettons à votre disposition des prêts à des conditions très simple. Notre capacité d'octroi de Prêt est de 3.000 € à 10.500.000 € avec un taux raisonnable de 2%, Pour plus de renseignement, veuillez nous contacter pas E-mail: yasmina.briois01@yahoo.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Besoin d'un prêt rapide en Madagascar".

A louer Location Chapiteaux , parasols (elo gasy) et tapis rouge
24/01/2021

Location chapiteau tente pliable ,  parasols et tapis rouge pour tous types d'évènements -Mariage - enterrrement - fiancaille - anniversaire - etc...Transport , installation et desintallation possible sur AntananarivoContact : 034 80 660 14 - 034 50 787 01Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location Chapiteaux , parasols (elo gasy) et tapis rouge".

Emploi et services Travail en ligne
25/01/2021

Bonjour vous voulez travailler en ligne et gagner réellement de l'argent ? je vais vous parler d'un site où vous pouvez en gagner des crypthomonnaies et les convertir ensuite en la monnaie de votre choix le site qui permet de gagner des litecoins ( 1 litecoin = 135,14 dollars USD ) vous pouvez convertir à partir du dollar pour voir combien ça fait dans votre pays. Sur le site ils y a plusieurs tâches à effectuer pour gagner des litecoins ( cliquer sur des pub c'est mon préféré parceque ça ne prend pas trop de temps car tu clic sur une pub une page s'affiche tu apu sur regarder, tu dois regarder pendant 10 secondes seulement. Il y a aussi la possibilité de gagner en regardant des vidéos et bien autres moyens. Voici le lien pour ce sitehttps://litecoinads.com/register.aspx?u=252168Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail en ligne".

Emploi et services ANALYSTE COMMERCIAL( H/F)
20/01/2021

Nous recrutons pour un de nos clients un  ANALYSTE COMMERCIAL( H/F) Missions et tâches: - Elaborer et alimenter des KPI de suivi de gestion hebdomadaire et mensuelle- Récolter, sélectionner, modéliser et analyser des données commerciales- Proposer des axes de travail et préconisations en fonction des résultats- Analyser les données de vente sur différentes fréquences- Optimiser la segmentation client à l'aide des statistiques et de données de consommation- Optimiser le ciblage des campagnes de marketing directProfil - Bac +3 en informatique, mathématiques statistiques ou équivalent- Grande connaissance du domaine commerciale- Bonne maîtrise de l’exploitation de données- Bonne maîtrise des outils d’analyse de données- Bonne maîtrise de MS office: Access- Excel notamment- Possédant un esprit d’analyse et de synthèse Envoyez votre candidature à l’adresse recrutement@human-talent-consulting.com en mentionnant en l’objet la reference du poste: analysteCOM/.0121Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ANALYSTE COMMERCIAL( H/F)".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
21/01/2021

Etudes, Dimensionnements et Plans en : ·       Gros Œuvre ; VRD ; Assainissement ; Second Œuvre·       Electricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·       Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Moyens de Lutte Contre l’Incendie·       Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée Tél : 033 08 909 22E-mail : ajafluides@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services ASSISTANT(E) SUPPORT TECHNIQUE BILINGUE (Français – Anglais)
25/01/2021

ASSISTANT(E) SUPPORT TECHNIQUE BILINGUE (Français - Anglais)  Missions principales : Profil :Qualités exigées :Travailler chez Smartelia, c’est développer des compétences à la pointe de la technologie dans une ambiance conviviale et stimulante.Alors si vous êtes sérieux (se), ce job est fait pour vous ! Envoyez nous vite votre CV avec une photo récente et un numéro de téléphone pour contact rapide ainsi qu’une lettre de motivation avec votre prétention salariale, le tout avec la référence “APH ” à talents@smartelia.com  Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANT(E) SUPPORT TECHNIQUE BILINGUE (Français - Anglais)".

Notsongaina

LES ANCIENS DE LA MARINE NATIONALE MALAGASY : Le nouveau Président de la FLM ancien mataf
25/01/2021

Samedi 23 Janvier 2021, à partir de 9 heures, des visites et des venues inhabituelles, des personnes portant des paniers comme si elles allaient en pique nique, d’autres encore alourdies par des éléments de sono. La scène se passe à Ampamaho Andafiavaratra Haute-Ville : ce beau monde tout excité se dirige en cortège discontinu vers un domicile situé en contrebas du Palais d’Andafiavaratra. Domicile de Razaka Oliva : ce n’est pas pour une rencontre et félicitations pour cause de « Bonne année ! ». Encore moins pour un « Bal des jeunes ». C’est tout simplement une retrouvaille entre anciens marins, familles ami(es) et sympathisant(es). Ils ont l’habitude de le faire deux fois par an, mais  à cause de la COVID 2020, l’occasion ne s’est pas présentée l’an dernier. Ce qui explique l’excitation. Sixties. Les anciens matafs, tous de classes différentes, unis main dans la main plus que jamais Pas de programme bien déterminé. Seulement, il était prévu des invités de marque dont un « MATAF » surnommé Tokiky, Andriambololona de son vrai nom, en vadrouille depuis des années à l’extérieur et qui est de retour au pays. Un autre « mataf » devenu chef d’Institution « religieuse » : il s’agit du Rév Dr Rakotozafy Denis, Président de la FLM (Eglise Luthérienne Malgache) ». Pour des raisons indépendantes de leur volonté respective, ils n’ont pas pu venir. Ce qui n’a enlevé en rien au charme de la fête. Tokiky faisait partie de la Classe 1966/1, tandis que le Dr Rakotozafy Denis était dans le rang des 1987/2. Parmi les présents se trouve le doyen Raberanto Bob, de la Classe 1963/1, un ancien du porte-avions Foch de la Marine Nationale Française. Bob était l’instructeur d’arts martiaux à bord du garde-côtes Fanantenana. Fara Raharinosy n’était pas en reste. C’est la veuve du Capitaine de Corvette Raharinosy Jean Danielson, un ancien grand du bâtiment de guerre malgache Fanantenana. Elle a participé activement par des chants, des danses, des rappels de souvenirs et des fou rires Sympathisants. Le petit barbu Razaka Oliva, ancien timonier du Fanantenana, interprétant « Tendres années » de Johnny Halliday L’assemblée était hétéroclite : s’y trouvaient des membres du corps médical, des hauts gradés de la sécurité publique, du journalisme, des opérateurs économiques, des ados, des enfants, Rien de spécial au fait : des rappels d’aventures perso durant les parcours des uns et des autres, des rires en éclats, partages de repas et de « boustifaille », musique en plein vent, chants à s’égosiller, évidemment danses à s’essouffler sous le tempo d’un modeste orchestre très cool et énergique. « Fety sy Mozika » était composé de Lala et Franck au clavier, Sesely à la basse, Ange et Lalao chanteuses, Astier sonorisateur. Lala outre sa qualité de claveciniste, n’a pas manqué d’amuser le public par le geste de son visage et de son corps. Les guitaristes affirment avoir l’habitude de jouer avec le groupe. La « cerise sur le gâteau » était la présence d’un éminent haut commis d’Etat, un Amiral encore en fonction qui a honoré la réjouissance d’un bout à l’autre de la journée avec sa femme. Et il faut dire que  la journée s’est terminée au-delà du « coucher du soleil ». L’équipe de la Télévision Malagasy TVM dirigée par Norosoa Randriamanana et Feno Randriamalala a couvert cet événement exceptionnel des anciens Matafs publié dans son Journal télévisé du samedi. Dues aux avances de la technologie et de la communication, ces informations se sont répandues comme une poudre le jour même auprès de tous les anciens éparpillés dans la Grande Île en particulier Diego. Ony Rambelo / Ra-Nirina / Lynda A. Cet article LES ANCIENS DE LA MARINE NATIONALE MALAGASY : Le nouveau Président de la FLM ancien mataf est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article LES ANCIENS DE LA MARINE NATIONALE MALAGASY : Le nouveau Président de la FLM ancien mataf a été récupéré chez Délire Madagascar.

Rugby : Test de détection des Makis U20
23/01/2021

Les Makis U20 ont été sacrés champions d’Afrique du groupe B en 2019. Dans le cadre de la préparation au Championnat d’Afrique U20, la direction technique au sein du Malagasy Rugby organisera un test de détection la semaine prochaine. Le Rugby Afrique a dévoilé le nouveau calendrier du Championnat d’Afrique de la catégorie de moins de vingt ans qui devait se dérouler l’an dernier mais a été décalé en raison de la crise sanitaire. En effet, les éliminatoires du groupe A se dérouleront fin mars à Nairobi. Etant champions du groupe B en 2019, les Makis U20 sont promus dans ce groupe supérieur en s’imposant face aux Zimbabwéens à Harare. La sélection nationale évoluera aux côtés des équipes du Kenya, de Zambie et de la Tunisie dans la poule A, tandis que le groupe B comprend la Namibie, la Côte d’Ivoire, le Sénégal et le Zimbabwe. Après les matchs de poules, les deux meilleures équipes des deux poules disputeront la finale. Le champion représentera le continent au World Trophy Juniors 2021.  Dans le cadre de ce sommet continental, le Malagasy Rugby renouvellera les joueurs membres de l’équipe nationale des Makis U20. L’entraîneur national Mboazafy Rakotoarivelo dit Razily et consorts organiseront un test de détection qui s’étalera en trois jours du 27 au 29 janvier au stade Makis Andohatapenaka. Cela s’ouvrira à tous les joueurs nés en 2001, 2002 et 2003, issus des clubs affiliés aux sections.  « Vu la situation actuelle, le Malagasy Rugby ne pouvait pas organiser un championnat national mais ce serait à travers cette organisation qu’on pourrait détecter les meilleurs joueurs. On a déjà eu une discussion avec les autres ligues régionales et elles devront envoyer leurs représentants respectifs pour ce test », a fait savoir le directeur technique national (DTN) Antsoniandro Randrianorosoa. A l’issue de plusieurs épreuves notamment le test médical, le test physique et technique, le travail de vitesse et de musculation, 350 joueurs entameront le premier regroupement. L’effectif sera réduit en fonction de leur évolution. 45 joueurs seront ensuite retenus pour un stage bloqué. Après la sélection finale, 25 joueurs constitueront l’équipe nationale. « Les candidats devraient être habitués à jouer le rugby. Pour les postes, il en faut 1m70 et 100 kg pour le pilier, 1m85 et moins de 85kg pour la 2e ligne tandis que 1m75 et 75kg pour la 3e ligne. Avoir 1m65 et peser 70kg pour la charnière et 1m70 et plus de 75kg pour l’arrière », a-t-il ajouté.  Manjato Razafy  L’article Rugby : Test de détection des Makis U20 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Rugby : Test de détection des Makis U20 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Mizara Soa: hanao tolo-tanana ho an’ny mpatory an-dalana
21/01/2021

Tsy ny fitiavan-tanindrazana avoitra anaty teatra sy sarimihetsika ihany fa tena iainana mihitsy ny talenta. Hanao tolo-tanana ho an’ireo sahirana eny amoron-dalana ny “Mizara Soa” sy ny namany. Izany dia notanterahina nanomboka tamin’ity volana ity ary ny farafandraisana ny fanampiana avy amin’ny rehetra malala-tanana dia ny alatsinainy 25 janoary 2021 izao. Amin’ny asabotsy 30 janoary ny fizarana izany ho an’ny eto Antananarivo. “Raisina am-pitiavana daholo izay foin’ny olona, toy ny vilany, lovia, fitafiana, vary, menaka ary afaka mandray Mvola ihany koa. “Atao mangarahara amin’ny rehetra ny zavatra voangona”, hoy i Rhuja na i Rasoa, namorona ny “Mizara Soa” izay midika hoe “Rasoa mizara”, raha ny filazany.  Ny fanampiana dia azon’ny rehetra aterina amin-dRasoa, ho  an’ireo etsy Analakely sy ny manodidina. Ny eny Ambohimanarina, homena an’i Rary Mampionona. Ampasampito, atolotra an’i Ando Harinjaka. Itaosy sy ny manodidina, amin’i Jean Degra. Tanjombato, amin-dramatoakely Ivo’art, Ambohimalaza amin’i Nantenaina Patrick, ary ny Ankazomanga sy ny manodidina kosa, aterina amin’i Amboara A.  Ny fikambanana Bee z’art sy ny M’art Soa moa no miara-manatontosa ity hetsika ity. Azo aterina eny amin’ny Skate Park Antanimena avokoa ny fanampiana rehetra na miditra amin’ny tambajotran-tserasera facebook “ association Bee Z’art” sy ny M’art Soa”, araka ny toromarika.NarilalaL’article Mizara Soa: hanao tolo-tanana ho an’ny mpatory an-dalana a été récupéré chez Newsmada.

Trésor public : Pas de contrat avec la STA
22/01/2021

Le Trésor public d’Antaninarenina Désinformation. Aucun contrat n’a été passé entre le ministère et la société de Service et de Transport Aérien (STA), ni pour le transport des bons de caisse, ni pour le transport des fonds des perceptions principales. C’est la précision qu’apporte le ministère de l’Economie et des Finances, dans un communiqué publié par la Direction générale du Trésor. Une manière pour ce département de démentir formellement les fausses informations véhiculées ces derniers temps. Plus particulièrement  sur un article paru sur le site Africaintellugence.fr et diffusé sur les réseaux sociaux. « Suite aux révélations du site africaintelligence.fr, relatant que l’avion de la Société de Service et Transports Aériens (STA) est régulièrement mis à sa disposition, le ministère de l’Économie et des Finances tient à démentir formellement ces informations qui induisent le public en erreur », précise ce communiqué. Le ministère de l’Économie et des Finances ajoute que « l’acheminement des bons de caisse des fonctionnaires dans toute l’île se fait uniquement par voie terrestre ». Toutefois, « dans le cadre de l’apprivoisement des fonds, en vue du paiement   des pensions et des salaires des fonctionnaires,  dans les zones enclavées, un contrat en bonne et due forme  a été établi entre le ministère de l’Economie et des Finances et une autre entreprise opérant dans le secteur ». En somme, comme le ministère n’a pas d’avion, il a recours à des prestataires privés  pour des services de transports aériens qui s’avèrent utiles pour les fonctionnaires en service dans les localités difficiles d’accès. « Le ministère de l’Economie et des Finances, à travers le Trésor Public a confié à ce prestataire de service, le transport par voie aérienne  des fonds de vingt perceptions principales  difficilement accessibles pour un total de 32 vols en 2020 ». Des services qui sont assurés dans les règles de l’art puisque « l’attribution de ce marché et toutes les procédures afférentes ont scrupuleusement respecté les règles de passation des marchés publics ». R.Edmond. L’article Trésor public : Pas de contrat avec la STA est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Trésor public : Pas de contrat avec la STA a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Tsy fandriampahalemana, fitantanana ny Covid, kere: namatrapatratra ny FFKM tamin’ny hafatra taona 2021
25/01/2021

Tsy nitsitsy fitenenana. “… Miantso ny mpitondra hanohy ny ezaka efa natao momba ny kere ka hitady vahaolana maharitra, hitondra fanantenana ho an’ny vahoaka”, hoy ny hafatry ny FFKM, tamin’ny alalan’ny fotoam-bavaka iraisam-pinoana natao tetsy amin’ny FLM Ambatovinaky, omaly. Notakin’ny FFKM ny hampitsaharana ny karazana herisetra manitsakitsaka ny hasin’ny aina noho ny fitiavan-karena na noho ny filana adala fotsiny. “Mitaona ny manampahefana sy ny vahoaka hiezaka hampanjaka ny fandriampahalemana ary samy hanaja ny aina”, hoy izy ireo.Mangarahara momba ny tatitra fitantanana ny covid-19Nohitsin’ny fiangonana fa tsy ampy ny tatitra avy amin’ny governemanta momba ny fitantanana ny fanampiana ho an’ny covid-19. “Miteraka alahelo, fifandrafiana eo amin’ny vahoaka efa sahirana izany. Aoka hisy tatitra mazava avy amin’ny mpitondra hanala ny ahiahy”, hoy ny FFKM. Nentanin’izy ireo koa ny fanjakana hanao fandalinana vaovao momba ny fitantanana ny fahasalamana mba hisitraka fitsaboana feno fahamarinana sy azon’ny rehetra ianteherana ny marary ary ho takatry ny vahoaka ny saram-pitsaboana sy ny fanafody.Harem-pirenena : volamena, andramena…Ankoatra ireo, tonga any an-tsofin’ny fiangonana ny fanondranana ny harem-pirenena, toy ny volamena, andramena, sokatra… Miantso ny FFKM ny hanavaozana ny politika amin’ireo sehetra ireo mba hisitraka ny hakanton’ny haren’ny taniny ny Malagasy ka hampisy fivoarana ho azo tsapain-tanana eo amin’ny fiainany.Momba ny fampihavanam-pirenena kosa, manantitra ny fiangonana fa loharano mitondra fahombiazana ho an’ny firenena ny fihavanana sy ny fampihavanana ny rehetra amin’Andriamanitra. “Mampihavana ny olona samy olona izany ary ny olona sy ny zavaboary… Manainga ny manampahefana mba hiverina amin’ny fahatahorana sy fanajana an’Andriamanitra…”, hoy ihany ny FFKM.Tsiahivina fa natao tamin’io fotoana io ny famindram-pitantanana eo amin’ny fitarihana ny FFKM ka  filoha amin’ity taona ity ny Mgr Razanakolona Odon.Tsiahivina fa tsy nisy mpanao politika avy amin’ny mpanohitra na mpomba ny fitondrana teny an-toerana. Hany tazana ny minisitra iray sy filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena.Synèse R.L’article Tsy fandriampahalemana, fitantanana ny Covid, kere: namatrapatratra ny FFKM tamin’ny hafatra taona 2021 a été récupéré chez Newsmada.

Misy mahita tombontsoa amin’ny korontana
20/01/2021

Ny fahoriana ho an’ny hafa, fifaliana ho an’ny sasany. Izany no miseholany amin’izao? Na tanàna tsy ilaozan’adala… Misy ny mitetika na mikotrika na efa minia manao izay hisian’ny korontana amin’izao fahasahiranam-bahoaka izao? Na izay indray ilay hoe mahazatra misy ambadika politika…Izay mitranga sy atao rehetra, tsaraina na ahina hatrany ho misy ambadika politika. Tsy hay vita ny mamaky bantsilana ny raharaha, na tsy hay ny manazava azy… Na ny fanaovana izany aza no vao mainka mety hanakorontana? Na vao fanahiana na fahatahorana… Tsy fantatra na tsy araka intsony.Ambadika politika, hono, na avadika ho politika. Dia velona ny hoe tsy misy mahita na mahazo na manana tombontsoa amin’ny fanakorontanana… amin’izao efa fahasahiranam-bahoaka lalina sy maharitra izao. Nefa iza koa no hanao zavatra mety hiteraka fatiantoka ho azy na hamono azy?Politika ny politika, arakaraka ny fifandanjan-kery sy ny hery enti-miady ary tombontsoa iadiana na arovana: tena misy, rey olona, ny mikendry tombontsoa manokana amin’ny fanakorontanana. Loza iray, loza roa… Nefa mahita, mahazo, manana tombontsoa amin’izany ny sasany.Fomba fiady politika ny minia manakorontana ny toe-draharaha misy mba hahazoana mametraha vahaolana amin’izay mety amin’ny tena na mahametimety… Tsy vaovao izay, na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena aza; eny, na amin’ny fifandraisana amin’ny vahiny eto an-toerana na any ivelany aza.Politika izay na mivantana na ankolaka, na ambadika na ankarihary. Anjaran’ny tsirairay ny mandinika sy manapa-kevitra: iza na aiza no mahazo tombontsoa amin’izao na izatsy? Amin’izany rehetra izany, mba iza na aiza, hono, izay miady sy mitady ny tena tombontsoa ho an’ny vahoaka ifotony?Izay no mahatonga ny fanapahan-kevitry ny vahoaka amin’ny fifidianana. Eny, na ny fandavana na fironany amin’izay mety ho karazana hetsika etsy sy eroa aza: mitondra mankaiza, ho amin’ny tombontsoan’iza… ? Fa misy ny mahita na manantena tombontsoa amin’ny fanakorontanana.Rafaly Nd.  L’article Misy mahita tombontsoa amin’ny korontana a été récupéré chez Newsmada.

Manif de l’opposition : Crainte d’un 7 février bis
27/01/2021

La tension politique monte d’un cran en ce début d’année. La manifestation prévue par l’opposition le 6 février prochain risque d’être décisive. Plusieurs informations sont véhiculées autour de ce rassemblement populaire organisé par le « Rodoben’ny Mpanohitra eto Madagasikara » (RMDM) et les responsables de l’émission « Miara-manonja ». Ces derniers n’envisagent de demander aucune autorisation auprès des autorités. Et ce, même si selon une source proche du parti « Tiako i Madagasikara », cette « excursion » aura lieu sur un lieu public. En tout cas, ce rassemblement populaire constitue une sorte de ballon-sonde pour les partisans de l’ancien président Marc Ravalomanana et le RMDM. L’objectif serait de tester si face aux incitations véhiculées par l’émission Miara-manonja et vu les difficultés socio-économiques engendrées par la période post-COVID, les Tananariviens sont prêts à descendre dans la rue. D’ailleurs, d’après les informations, les partisans venant des autres districts sont aussi appelés à participer à cet évènement. La poursuite du mouvement dépendra donc de la réussite de cette première manifestation. « Sakoroka ». Du côté du régime, l’on craint le risque d’un 7 février bis. La date du 6 février n’aurait pas été choisie d’une manière anodine. Toutes les mesures vont donc être prises pour éviter les éventuels débordements. Les forces de l’ordre vont certainement être mobilisées, comme ce fut le cas lors des manifestations que Hanitra Razafimanantsoa, Fidèle Razara Pierre et consorts ont organisé à Fianarantsoa et Ambatondrazaka. Le risque d’un « sakoroka » n’est donc pas à écarter. Certains observateurs affirment d’ailleurs que l’objectif de l’opposition est de provoquer les tenants du pouvoir à favoriser le recours à la force. D’après les informations, l’opposition aurait déjà commencé à contacter, notamment, des sous-officiers au niveau des casernes pour les convaincre de soutenir leurs actions. La question est de savoir si la population, lasse des effets néfastes qu’ont laissé la Covid-19 sur sa vie quotidienne, va accepter de prendre part à une manifestation… politique. Davis R L’article Manif de l’opposition : Crainte d’un 7 février bis est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Manif de l’opposition : Crainte d’un 7 février bis a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Réunion de l’OMC-Nat ce jour : Directives du PM pour restaurer l’autorité de l’Etat
26/01/2021

Ntsay Christian va diriger aujourd’hui la première réunion de l’année de l’OMC-Nat. Jamais deux sans trois pour le locataire de Mahazoarivo qui est le chef de l’Organisme Mixte de Conception au niveau National. 02 janvier 2019. Le Premier ministre Ntsay Christian avait convoqué une réunion de l’Organisme Mixte de Conception au niveau National (OMC-Nat) pour évaluer la situation sécuritaire dans le pays après le second tour de l’élection présidentielle. L’objectif principal de la réunion était d’adopter des mesures destinées à assurer un climat d’apaisement et à maintenir l’ordre public sur toute l’étendue du territoire national, en attendant la proclamation des résultats officiels du scrutin du 19 décembre 2018. 16 novembre 2020. Le locataire de Mahazoarivo a convoqué une seconde réunion d’urgence de l’OMC-Nat pour sécuriser les élections sénatoriales et veiller au respect de l’apaisement et du maintien de l’ordre public. La recrudescence du phénomène dahalo, des vols de bovidés, des viols sur mineurs ainsi que des crimes contre l’environnement était également à l’ordre du jour de la réunion qui a duré 6 heures de temps. 26 janvier 2021. Le chef du gouvernement convoque aujourd’hui, une troisième réunion de l’OMC-Nat. Juste au lendemain de la passation entre le bureau permanent sortant du Sénat et le nouveau bureau permanent qui met définitivement fin à la « période de transition » au niveau du Palais d’Anosikely où la présidence était même devenue bicéphale depuis le 19 janvier dernier. 6 février 2021. La réunion de l’OMC-Nat de ce jour va analyser la situation actuelle marquée par des actes sapant l’autorité de l’Etat pour ne rappeler que l’attaque de la Brigade de la Gendarmerie à Imerintsiatosika et le Gendarme qui a été récemment battu à mort à Besakay Amparafaravola où les émeutiers ont forcé un autre élément des bérets noirs à s’agenouiller. Comme pour montrer que le « Fanjakana » se plie devant eux. Figure aussi à l’ordre du jour de la réunion de l’OMC-Nat, la « sortie » de l’Opposition prévue le 06 février 2021, c’est-à-dire la veille de la commémoration du 12ème anniversaire de la tuerie du 7 février 2009. Foyers de tension. Ne vont pas être non plus oubliés, les multiples foyers de tension localisés tout particulièrement dans le milieu estudiantin (ENS, Faculté de Médecine…). Ceci expliquant cela, la ministre de l’Enseignement Supérieur est appelée à participer à la réunion. En effet, le décret portant création de l’OMC-Nat qui dispose qu’ « en cas de besoin, d’autres représentants ministériels peuvent être appelés pour faire partie de cet organisme ». Et ce, en plus des membres de droit, en l’occurrence, les ministres de la Défense nationale, de l’Intérieur, de la Justice et de la Sécurité Publique ainsi que le Secrétaire d’Etat chargé de la Gendarmerie. Liberté d’expression. D’autres membres du gouvernement, entre autres et non des moindres, le ministre de l’Économie et des Finances, va être aussi de la partie. Participation également du Commandant de la Gendarmerie nationale, du Directeur général de la Police nationale et du Procureur général près la Cour d’Appel à cette troisième réunion de l’OMC-Nat présidée par le Premier ministre Ntsay Christian. L’occasion pour le chef du gouvernement qui « assure la sécurité, la paix et la stabilité sur toute l’étendue du territoire national », de donner des directives fermes pour restaurer et instaurer l’autorité de l’Etat. À cette fin, il pourrait rappeler que les libertés d’opinion et d’expression trouvent leurs limites dans la sauvegarde de l’ordre public, de la dignité humaine, de l’unité nationale et de la sécurité de l’État. R. O L’article Réunion de l’OMC-Nat ce jour : Directives du PM pour restaurer l’autorité de l’Etat est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Réunion de l’OMC-Nat ce jour : Directives du PM pour restaurer l’autorité de l’Etat a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Changement climatique : Ikopa et Sisaony s’assèchent dangereusement
20/01/2021

Malgré les précipitations attendues ce jour, la situation ne risquerait pas encore de s’améliorer. Les rivières d’Ikopa et de Sisaony sont presque taries avec un niveau de moins de zéro mètre. Les rizières aux alentours de ces rivières sont asséchées au grand désespoir des paysans Les anguilles ainsi que les poissons qui flottaient à la surface de la rivière d’Ikopa, plus précisément du côté de Tanjombato, ont fait l’objet d’attraction des badauds ces derniers jours. En effet, le tarissement de la rivière d’Ikopa est à l’origine de ce phénomène. Selon les informations obtenues auprès du directeur général de l’Autorité pour la protection contre les inondations de la plaine d’Antananarivo (APIPA) , Ranto Rakotonjanahary , le niveau de cette rivière est au-dessous de 0,20m à l’échelle d’Anosizato. La rivière de Sisaony n’est pas également épargnée par cet assèchement car son niveau est à moins de 0,27 m à l’échelle d’Ampitatafika et le niveau de Bevomanga est actuellement de 1,47m. La situation est critique comparée à l’année dernière. À la même période en 2020, le niveau de l’Ikopa à l’échelle d’Anosizato était de 1,60m contre 2m pour Sisaony à l’échelle d’Ampitatafika et de 3,19m pour Bevomanga. « C’est l’effet du changement climatique et l’évolution de la situation dépendra des précipitations. Le niveau de ces rivières a certes connu une baisse significative mais il ne faut pas perdre espoir car la saison pluvieuse ne s’achèvera que vers le 15 avril », a-t-il souligné Optimisme. Si l’on se réfère aux prévisions du service de la météorologie, la situation ne risque pas encore de s’améliorer dans les prochains jours. Des précipitations sont attendues à Analamanga notamment à Antananarivo, ce jour. Mais contrairement aux régions Betsiboka, Melaky, Sofia et Boeny , elles ne seront pas abondantes. Cependant, des pluies abondantes sont attendues durant ce mois de janvier sur une grande partie des Hautes Terres centrales, d’après le bulletin saisonnier du mois de janvier au mois de mars. Inquiétude. Le déficit pluviométrique a fait le bonheur des piégeurs de poissons mais il a par contre suscité une vive inquiétude chez les paysans. Les rizières sont asséchées du côté d’Ambohitrimanjaka mais heureusement qu’ils ont déjà fait leurs récoltes de riz. « Nos activités dépendent de l’eau de l’Ikopa , nous nous inquiétons de la situation. La production rizicole n’arrive plus à subvenir aux besoins des familles qui dépendent de la filière agricole et la prochaine saison s’annonce déjà catastrophique », se plaint un cultivateur d’Ambohitrimanjaka. Narindra Rakotobe L’article Changement climatique : Ikopa et Sisaony s’assèchent dangereusement est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Changement climatique : Ikopa et Sisaony s’assèchent dangereusement a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Judo: kandidà ho filohan’ny UAJ Randrianasoloniaiko Siteny
21/01/2021

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny filohan’ny federasiona malagasin’ny judo, Randrianasoloniaiko Siteny, fa kandida hofidina ho filohan’ny UAJ (Union Africaine de Judo).Hotanterahina ny 18 mey 2021 izao, any Casablanca, Maraoka, ny Kongresy eo anivon’ny UAJ (Union Africaine de Judo), fotoana hanaovana ny fifidianana izay ho filoha vaovao ihany koa. Efa ho roa herinandro izay ny nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina amin’izany ny filohan’ny FMJ, Randrianasoloniaiko Siteny. Ny talata alina kosa vao nanambara tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny “Youtube”, izany firotsahany izany, izy. Nolazainy nandritra ny fanambarany fa ny hampisongadina ny judo eto Afrika manerana izao tontolo izao ny tanjony ka isan’ny nahatapa-kevitra azy hifaninana. Tetsy ankilany anefa, marobe ireo federasiona afrikanina, nampirisika ity filohan’ny federasiona malagasy ity, mba hirotsaka, rehefa nahita ny fahombiazana goavana, nandritra ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika, sokajy Seniors, notanterahina teto Madagasikara, farany teo.Araka ny vaovao voaray, iray ihany ny mpifaninana hafa ankoatra an-dRandrianasoloniaiko Siteny. Ny filohan’ny federasion’ny judo ao Tchad, i Abakar Djermah Aumi, io kandidà io, izay efa elaela ihany ny nanomboka  ny fampielezan-kevitra tany amin’ireo firenena afrikanina, mpikambana eo anivon’ny « Union Africaine de Judo ». Tsiahivina, firenena miisa 57 ny mivondrona ao amin’ny UAJ, izay samy handrotsa-bato avokoa raha tsy misy ny sampona. Ankoatra ny fifidianana ho filoha, hatsangana amin’io 18 mey 2021 io ihany ny birao mandrafitra ny UAJ.Mi.RazL’article Judo: kandidà ho filohan’ny UAJ Randrianasoloniaiko Siteny a été récupéré chez Newsmada.

IGAM: voatendry hanara-maso ankapobeny ny Tafika ny Jly Andriamaholy
27/01/2021

Voatendry ho “inspecteur général de l’armée Malagasy” (IGAM) ny Jly Andriamaholy Jaona Solomona araka ny filan-kevitry ny minisitra ny 13 janoary lasa teo ka notontosaina omaly ny lanonana fifamindram-pitanana teny Andafiavaratra. Ny IGAM dia sampandraharaha iray eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny fisafoana sy fanaraha-maso ambony isan’ambaratonga ao anatin’ny rafitry ny Tafika. Manoloana izany, miitatra amin’ny fandaminana ny fomba fiasa ra-pitantanana sy ara-bola ao amin’ireo singa eo aminy ny IGAM ka ny fanatanterahana izany dia miainga avy amin’ny baikon’ny Filohan’ny Repoblika. Tonga nanatrika ny lanonana omaly ny Amiraly Rakotoarisoa Lucien sekretera maharitry ny fiarovana sy ny fandriampahalemana eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika sy ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny repoblika.Jean ClaudeL’article IGAM: voatendry hanara-maso ankapobeny ny Tafika ny Jly Andriamaholy a été récupéré chez Newsmada.

Zo Sitrakiniavo: “Manana andraikitra amin’ny tanindrazana ny mpanoratra sy ny poeta”
22/01/2021

Feno enimpolo taona tamin’iny taona 2020 iny ny fiverenan’ny Fahaleovanten’i Madagasikara. Manomboka izao indray izany ny enimpolo taona manaraka.  Hanao ahoana ny fiatrehan’ny mpanoratra ankehitriny izany?Manoloana ny zava-misy ankehitriny, fanontaniana manitikitika ny saina aman’eritreritra ny hoe: tsy tafita tamin’ny taranaka aty aoriana ve ny fanilon’ny fitiavan-tanindrazana? Tsy naharary antsika tokoa angamba ny nitaky izany teo am-pelatanan’ny mpanjanatany, nibodo antsika nandritra ny efatra amby enimpolo taona, na ny fanabeazana maha olom-pirenena vanona no tsy ampy. Tsikaritra fa tsy mifantsika intsony ao am-pon’ny ankamaroan’ny taranaka ankehitriny ny lanjan’izany atao hoe Fahaleovantena izany. Raha anontaniana aza ny fahalalan’ny olom-pirenena ny hevitra fonosin’izany, azo antoka fa betsaka ireo tsy mahalala. Raha ireo singa fantatry ny besinimaro toy ny fananana lalàmpanorenana manokana, ny fananana manokana filoham-pirenena sy governementa, ny fananana sainam-pirenena sy hiram-pirenena mampiavaka azy… no atao indray mijery, feno ny fepetra ilazana fa mahaleo tena isika. Saingy, alaim-panahy matetika ny olom-pirenena liana sy mpanaraka ny zava-misy iraisam-pirenena hieritreritra fa tsy foana tsy akory ny fanjanahantany. Naka endrika vaovao fotsiny izany ary maro ny endrika isehoany, toy ny fanaovana kely tsy mba mamindro ny firenena marefo, ny fanambakana sy ny fandrobana ankolaka ny haren’izy ireo, ny fanaovana ankivy ny toekareny, ny famotehana ny kolontsainy sy ny teniny, ny fanaovana saribakoly ireo mpitondra ao amin’izy ireo hikatsahana tombontsoa sy ny maro tsy voatanisa. Iniana takonana izany! Ny raharaha politika ao amin’ny firenena matetika, toy ny horonantsary tsara rindra ka izy efa vita no hitan’ny besinimaro fa ny ao ambadiky ny fakan-tsary kosa, mijanona ho tsiambaratelon’ny mpanatontosa sy ny mpilalao. Tsy tokony hitazam-potsiny izany ny poeta sy ny mpanoratra.Tsy mahaliana loatra ny mpanoratra sasany ny manoratra politikaOlona afaka sy miaina ny fahafahany anaty izy ireo ka tsy tokony ho mena-maso miteny sy hiraviravy tanana. Efa mankaleo sy mankadilo sofina ny olom-pirenena ny resaka mamofompofona politika sy ny kabary ambony vavahady; efa tsy mahaliana intsony ny tanora ankehitriny ny vaovao mikasika ny raharaham-pirenena ka ny zavakanto sy ny soratra sisa fitaovana tena mahomby hoenti-mampita hafatra. Indrisy, maro amin’ireo tanora poeta ihany koa ny tratran’izay viriosin’ny tsy fahalinana amin’ny raharaha politika sy ny raharaham-pirenena izay. Nefa tsara indrindra raha tena miaina ny vanim-potoany izy ireo ary manova manaraka izany ny tolona an-kanto ataony hahatonga ny mpamaky hiaina ny vanim-potoany ihany koa. Irariana indrindra ny hisokafan’izy ireo amin’ny lohahevitra hafa fa tsy mijanona fotsiny amin’ny resaka fitiavan’olon-droa, na raha manoratra mikasika ny tanindrazana, mifantoka amin’ny fitsikerana ny mpitondra sy ny fahalovan’ny fiarahamonina ato anatiny. Tsy sanatrian’ny vava isika ihany no hifanipaka anatiny toy ny valala an-karona. Manoloana izany, mila manabe ny poeta, mila manakatra ny miafitra any ambadiky ny endrika ivelan’ny politika enti-mandrebireby ny saim-bahoaka, hamoha ireo valalabemandry iniana ampatoriana. Mila mitolona ho an’ny tena fahaleovantena!Zo Sitrakiniavo sy ny literatioraRajaonarison Sitrakiniavo Njaratiana Herizo, fantatra amin’ny hoe Zo Sitrakiniavo, eo sehatry ny Literatiora. Mpanoratra sy Poeta ao amin’ny Faribolana Sandratra, nanomboka ny taona 2015 ny lehilahy. Nianatra tao amin’ny Sekoly Fanabeazana Fototra Tsarahonenana Sadabe izy ny 1988-1989. Voatendrin’ny Fanjakana hiasa tao Ambohimanarina Ambohitrolomahitsy ireo nahitany masoandro (Rajaonarison evariste sy Razoelisoa), izay samy mpampianatra tamin’ny ambaratonga fototra, ny taona 1990 ary tao izy no nahazo ny mari-pahaizany voalohany. Tombony manokana ho azy ny fisian’ireo marobe teo ambany masony, izay azo heverina fa namolavola azy ho tia vakiboky sy retsika nanitikitika sahady ny talentam-panoratana natory tao anatiny. Nalefa nanohy fianarana tany an-dRenivohitr’i Vakinankaratra ny tenany, ny taona 1993 (Kôlejy Md Vincent de Paul Ambohimena sy Notre Dame de l’Annonciation Mandaniresaka). Rehefa nahazo ny mari-pahaizana Bakalôrea, ny taona 2000, dia niakatra teto Vohitsara ary nandranto fahaizana amam-pahalalana tao amin’ny Departemanta Jeografia, Oniveriste an’Antananarivo. Namafisiny tamin’ny fianarana Lalàna izany. Tafiditra tamin’ny fifaninanana handraisana ho mpiasam-panjakana ambony Enam (Ecole Nationale d’Administration de Madagascar) izy, ny taona 2011. Ny fankafizana ny tononkalon-Dry J.J. Rabearivelo sy ireo Mpanoratra kalaza hafa ao amin’ny Takelaka Notsongaina no hiaka nampifoha ny talentam-panoratany, tamin’ny taona 2005. Ny fifampikasohana tamin’ireo sakaizany Mpanoratra ao amin’ny Faribolana Sandratra no nampiboiboika sy nampahazo sehatra tanteraka teo amin’ny kianjan’ny kantony, indrindra ny fanoratana tononkalo, sombintantara, sombintsoratra, riankalo, tantara foronina ary lahatsoratra an-gazety.Ny bainga voavadika 2014: « Onja iray firitsoka », hetsika sy amboaran-tononkalo niarahany tamin-dry Tsy Avahana, Zazangaly ary  Martelle Nath; 2015: « Ritsoka », amboaran-tononkalo amin’ny anarany manokana; « Malaimisaraka », amboaran-tononkalo niarahany tamin’i Tsy Avahana; 2016-2017: « Soradia I sy II », tononkalo mitety vazan-tany sy amboara notontosainy niaraka tamin-dry Riambola Mitia,  Zazangaly, Andriniela, Tahirintsoa, Eluart Andriantovonirina ary i Tsy Avahana. « Anjavidy », hetsika sy amboaran-tononkalo nifandrimbonany tamin’i Tsy Avahana ; 2018: « Anjankira », hetsika sy amboaran-tononkalo nifanotronany tamin-dry Andriniela, Narilala, Rojo. Tantara foronina indray no vinavinainy havoaka ato ho ato. Lahatsoratra nangonin’i NarilalaL’article Zo Sitrakiniavo: “Manana andraikitra amin’ny tanindrazana ny mpanoratra sy ny poeta” a été récupéré chez Newsmada.