«World clean up day »: nandray anjara ny tetikasa Kopakelatra

News - «World clean up day »: nandray anjara ny tetikasa Kopakelatra

News - «World clean up day »: nandray anjara ny tetikasa Kopakelatra

Fampirisihina ny mponina amin’ny
fandraisana anjara amin’ny ady amin’ny loto ny “World clean up
day”. Andro iray natokana ho an’ny fahadiovana ka anisan’ny nandray
anjara tamin’izany koa ny tetikasa Kopakelatra, an’ny Star, ny
asabotsy teo. Nafantoka tamin’ny fanentanana ny mponin’Antananarivo
amin’ny fanangonana ny tavoahangy plastika izany, tamin’ity taona
ity. Raha toa ka amina toerana voatokana hatramin’izay no misy ireo
toeram-panangonana tavoahangy, nanatona ireo mponina kosa ny
tetikasa Kopakelatra, ny asabotsy teo. Nisy ny “caravane”, izay
notontosaina tamin’ny lalana Ambohimanarina-67 Ha hatreny
Ampefiloha. Nentanina hanatitra ireo tavoahangy plastika any aminy
ireo mponina mba hangonina sy hopotehina. Natao endrika fifaninana
izany ka zay mahangona tavoahangy maro indrindra no mahazo ny loka
100.000 Ar. Tratra ny tanjona amin’ny “Clean up day” ny hariva,
satria nahatratra 400 kilao tany ho any ny tavoahangy voangona
nanaditra ny “caravane”.

Zo ny Aina

 

Article tiré de Newsmada

L’article «World clean up day »: nandray anjara ny tetikasa Kopakelatra a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 21/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

Tatitry ny voina :: Marary an-jatony notaomina ho eny amin’ny Hjra nandritra ny Fetim-pirenena

Olona maherin’ny zato no marary tonga tetsy amin’ ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (Hjra), afak’omaly, 25 jona. Enimpolo kosa ireo marary nandalo sy nozahana tao amin’io hopitalibe io, omaly 26 jona nankalazana ny Fetim-pirenena, araka ny tatitra voaray hatramin’ny 4 ora hariva. Misy amin’izy ireo no voa­tery notazonina manaraka fitsaboana. Ny sasany kosa nalefa nody, rehefa avy nozahan’ny mpitsabo. Olona telo no namoy ny ainy, izay voa­laza fa efa maty tany ivelan’ny hopitaly ka tsy voavonjy intsony. Nahazoana tatitra tamin’ ny akon’ny fankalazana ny Fetim-pirenena, ny 25 sy 26 jona ny tao amin’ny sampana vonjy aina sy ny tao amin’ny sampana famelomana aina. Ny tamin’ny talata 25 jona manokana, dia olona fito ambin’ny folo no voarain’ny mpitsabo tao amin’ny sampana famelomana aina. Olona telo narary vokatry ny hamamoana, roa nikasa namono tena ary ny telo hafa tsy nahazaka sakafo. Nisy olona roa efa maty tsy avotra intsony tonga tao amin’io sampana io. Ratra sy adiady «Maro ireo marary tonga tao amin’ny sampana vonjy aina, ny talata 25 jona, izay nahatratra telo amby zato. Tsy nitsahatra nisy marary tonga tao hatramin’ny sasak’ alina. Marary sy naratra vokatry ny adiady sy fikasihan-tanana ny ankamaroan’izy ireo », hoy ny profesora Rakoto Alson Olivat, talen’ny Hjra. Tsy nisy azo natao kosa nanavotana ny ain’ny olona iray tonga tao amin’ny sampana vonjy aina, omaly. Marary efatra amby dimampolo hafa no nandalo tao amin’io sampana io ka voatery notazonina ny roa ambin’ny folo. Niharan’ny lozam-pifamoivoizana ny enina ambin’ny folo tamin’izy ireo. Ny tao amin’ny sampana famelomana aina kosa indray dia nahitana olona roa nararin’ ny toaka, niampy iray namono tena. Marary enina no voaray tao, hatramin’ny omaly harivariva. L’article Tatitry ny voina :: Marary an-jatony notaomina ho eny amin’ny Hjra nandritra ny Fetim-pirenena est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kitra – «Telma coupe 2019»: tompon’ny amboaran’i Madagasikara ny Fosa Jr Boeny

Nifarana omaly ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara «Telma coupe de Madagascar 2019 », taranja baolina kitra. Resin’ny Fosa Jr Boeny, teo amin’ny famaranana ny Cnaps Sport Itasy.Voahosotra ho tompon’ny amboaran’i Madagasikara, “Telma coupe de Madagascar”, taranja baolina kitra, ho an’ny taom-pilalaovana 2019 ny Fosa Jr Boeny. Resiny teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 ny Cnaps Sport Itasy. Fihaonana, notanterahina, omaly alahady, tetsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina. Baolina tokana, tafiditr’i Elefoeni, tany amin’ny minitra faha-115, tao anatin’ny fanalavam-potoana.Azo lazaina fa niady ny fihaonana teo amin’ny roa tonta, ary samy naneho endri-dalao mahafinaritra ny andaniny sy ny ankilany. Samy nanana ny baolina tokony ho faty, izy ireo, saingy tsy tao ny famaranana. Anisan’izany ny an-dry Niasex sy ry Eric ho an’ny Cnaps. Teo koa ny an-dry Santatra sy ry Baggio, ny an’ny Fosa Jr.Voatery niditra tamin’ny fanalavam-potoana ny roa tonta. Tsy mbola nisy ihany ny baolina maty teo amin’ny 15 mn voalohany. Nihevitra ny rehetra fa ho tonga any amin’ny fandakana ny “tir au but” izany, saingy nanana fanafihana tsara rindra ny Fosa, teo amin’ny minitra faha-115, nifarimbonan-dry Besna sy ry Santatra, ary niafara tamin’ny baolina matin’i Elefoeni.Voahosotra ho mpanazatra mendrika, i Bob Kootwitsk, avy amin’ny Fosa Jr, izay notolorana 500.000 Ar. Mpiandry tsatoby mendrika kosa i Ando, avy amin’ny Cnaps Sport ary i Théodin avy amin’ny Fosa kosa ny mpilalao. Samy notoloran’ny Telma, lelavola, 800.000 Ar avokoa, izy ireo.Ankoatra ny amboara, mbola nahazo lelavola, 5 tapitrisa Ar koa ny Fosa Jr. Tompondaka L’article Kitra – «Telma coupe 2019»: tompon’ny amboaran’i Madagasikara ny Fosa Jr Boeny a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ady amin’ny “kidnapping” : nanamafy traikefa ny Zandarimaria

Nanao atrikasa fanatsarana ny tontolon’ny maha zandary, nandritra ny efatra andro tao amin’ny Toby Jly Randria­nazary ao amin’ny vondron-tobim-paritra Atsinanana, no­tarihin’ny Kly Ratsimbazafy Jerry Michel, iraka avy amin’ny foibem-pibaikoana ny Zan­dary Antananarivo, sy ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Atsinanana, ny Kly Ranaivoarison Théodule. No­re­sahina tamin’izany ny fampahafantarana ny momba ny fitafiana zandary ary ireo karazany misy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena mba hanara-dalàna. Voaresaka koa ny fitantanana ny maha olona eo anivon’ny zandary. Teo koa ny fanamafisana traikefa ho an’ireo kaomandin’ny borigady manerana ny faritra Atsi­nanana. Anisan’ny nisongadina ny fanamafisana traikefa nataon’ny ekipa manokan’ny hery vonjy taitran’ny zandary “ELI” (Equipe légère d’intervention) notarihin’ny lefitry ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Atsinanana, ny kapiteny Arthur. Amin’ny fiatrehana ny “kidnapping”, ny asan-jiolahy mahery vaika no nanaovan’ny zandary fanamafisana tamin’io fotoana io izay niarahana amin’ny orinasam-piambenana tsy miankina “Bodyguard” tamin’ny fampiasana alika mpitsongodia. Nambaran’ny Kly Ranaivoa­rison Théodule fa ezahina hatrany ny hitohizan’ny fampiofanana ireto ELI ireto hisian’ny fitomboan’ny traikefa hiatrehana ny asan-jiolahy mahery vaika.Sajo sy Jean ClaudeL’article Ady amin’ny “kidnapping” : nanamafy traikefa ny Zandarimaria a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Firongatry ny valanaretina: nandavo olona telo ny covid-19

 Misy hatrany ireo nodimandry isanandro. Notsaboina teto Analamanga avokoa ireo olona telo matin’ny covid-19, omaly, araka ny tatitry ny CCO. Tafakatra 151 izany ireo lavon’ity valanaretina ity, amin’izao fotoana izao. Manodidina ny efatra isan’andro eo ho eo ireo matin’ny coronavirus eto amintsika, tato ho ato.Etsy an-daniny, miisa 116 kosa ireo tranga vaovao ka mbola misongadina amin’izany ny eto Analamanga. Ahitana olona 99 nifindran’ny valanaretina raha 11 kosa ny any Mahajanga. Miisa telo ny ao Toliary ary roa ao Ambositra miampy iray any Soavinandriana, faritra Itasy.Ankoatra izany, miisa 82 ireo marary mafy ka avy eto Analamanga ny 60 amin’izany.Miisa 37 ireo « forme grave » etsy BefelatananaMitsinjara ho 37 ireo marary mafy etsy Befelatanana raha 11 eny amin’ny HJRA. Sivy kosa ny eny Anosiala ary dimy etsy amin’ny CMC-19 Mahamasina. Roa ny eny amin’ny Homi Soavinandriana  ary iray eny Fenoarivo Atsimondrano.  Manampy ireo ny any Fianarantsoa miisa 11 raha enina any Boeny ary dimy kosa ao Vakinankaratra.Na izany aza anefa, niampy 195 ireo sitrana ka avy eto Analamanga ny 80% amin’izany. Any amin’ny faritra kosa ny 18 amin’izany.Maherin’ny iray alina ireo sitranaMiisa13 202  izany izao ireo nifindran’ny valanaretina hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty. Tsy mifanalavitra amin’io, miisa 11 011kosa ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana raha mbola manaraka fitsaboana ny 2040.Synèse R.L’article Firongatry ny valanaretina: nandavo olona telo ny covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Filoha Rajoelina tao Fianarantsoa: nisitraka tohana ny mpitatitra, ny «bar», ny mpampianatra «privé»

Nitohy tao Fianarantsoa indray ny fidinana ifotony nataon’ny filoha Rajoelina Andry mivady. Nanolotra amin’ny fomba ofisialy ny tohana sosialy, ny Vatsy tsinjo sy ny Tosika fameno II. Nisitraka izany ireo sehatra hafa voadona amin’ny voka-dratsin’ny aretina Covid-19. Anisan’izany ny mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina. Ny mpitatitra sy ny mpanampy ny mpamily amin’ny zotra nasionaly mampitohy – Tana – Fianarantsoa – Toliara. Eo koa ny tompona « bar » sy « karaoke », nikatona ary ireo sefo fokontany miisa 53 ao anatin’ny kaominin’i Fianarantsoa. Nahazo vary amin’ny gony, menaka roa litatra, tambavy CVO, ronono mandry mamy izy ireo. Manampy izany ny legioma, novokarin’ny tantsaha ao an-toerana, ka niantohan’ny fanjakana izany. Nanokana vola efatra miliara Ariary ny fitondrana ahafahana manatanteraka ny tosika sosialy ho an’ny any an-toerana. Miisa 20 000 ireo misitraka ny Tosika fameno ho an’eo an-tampon-tanàna raha 10 000 kosa ho an’ny distrikan’i Lalangina.Misy ny mason-tsivana amin’ireo tokony hahazoEtsy andaniny, miisa 1 635 ireo nahazo Vatsy tsinjo amin’izao fanombohana izao. Efa nisitraka ny fanampiana sosialy ireo tena marefo toy ny mpanasa lamba sy ny mpanao asa antselika. Hitohy ao anaty andro maromaro ny fizarana. « Tsy hisitraka intsony ny Tosika fameno ireo nahazo Vatsy tsinjo ary toraka izany koa, tsy hahazo Vatsy tsinjo ireo efa nahazo Tosika fameno », hoy ihany izy. Hodiovina hatramin’ny herinandro ny lisitry ireo misitraka ny fanampiana  hahafahan’ireo tena tokony hisitraka izany mahazo ny anjarany. Mila mametraka fomba fiasa vaovao ny fokontany, araka ny nambarany. Anisan’izany ny fitanana an-tsoratra ny isan’ny olona isan-trano sy ny momba ny olona anaty tokantrano iray. Tafiditra amin’ny fitantanana mirindra sy mangarahara izany, araka ny nambarany.Hamboarina ny lalanaNitondra fitaovana sy fanafody ho an’ireo toeram-pitsaboana ao Fianarantsoa koa ny filoha. Anisan’izany ny « concentrateur d’oxygène », hamonjena ireo marary, ahitana fahasemporana. Novatsina fanafody avokoa ireo CSBII miisa efatra mandray an-tanana ny fitsaboana ny covid-19. « Maimaimpoana avokoa ny fanafody eny amin’ny CSB. Tsy maintsy ho resintsika io. Mitohy koa ny fampandrosoana ny faritra», hoy ihany izy. Natsidiny fa ho tonga ny fitaovana hanamboaran-dalana ao an-toerana sy ho an’ireo distrika mifandray aminy. Roa miliara Ariary ny tetibola omen’ny fanjakana hanaovana ny lalan-tany ho rarivato ka tokony hahavitana lalana hatrany amin’ny 20 km izany.Synèse R. sy CMS Nisitraka ny Vatsy tsinjo ireo marefo miisa 6 000 ao Toliary. Nanokatra izany an-toerana ny filoha Rajoelina mivady. Notanterahina tao amin’ny « ecole normal » any an-toerana izany. Nisaotra ny filoha ny governora sy ny minisitra mpiahy amin’ny ezaka sy izao tohana izao. « Efa in-telo nandefa fiaramanidina nanaterana fitaovana hiadiana amin’izao aretina izao ny filoha », hoy izy ireo. Nanamafy ny filoha fa tsy manadino an’i Toliara ka izao tonga izao, haneho ny firaisankina sy ny firaisam-po. « Betsaka ny tokantrano sahirana ka mahatonga anay mitsinjo anareo », hoy izy. L’article Filoha Rajoelina tao Fianarantsoa: nisitraka tohana ny mpitatitra, ny «bar», ny mpampianatra «privé» a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ampiasao ny teny Malagasy: “Gasio” ny zavatra ianarana…  

 Hatramin’izao, mbola tafalatsaka ao anaty fisalasalana ihany ny Malagasy sasany satria tsy misy tompon’andraikitra sahy manapa-kevitra sy afaka manazava ny tokony hanovana ifotony io rafi-pampianarana eto Madagasikara io. Miankin-doha loatra amin’ny vahiny ny fampianarana hoenti-mamolavola ny sain’ny taranaka malagasy ankehitriny. Izay no anisan’ny antony lehibe mahatonga ny fihenan-danjan’ny fampianarana eto Madagasikara…Tsy misy fanomezan-danja ny maha Malagasy ny fampianarana ankehitriny fa miompana fotsiny any amin’ny fanenjehana diplaoma, hany ka na maro sy manaka-danitra aza ilay “baoritra”, tsy misy fiantraikany na dia ampahany kely akory any amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara sy ny Malagasy monina ao aminy. Misy zavatra tsy mitohoka ao!Mila “gasiana” ny zavatra ianarana. Marobe amin’ireo fandaharam-pianarana isan-taranja ireo no tsy ilaina akory. Maninona ireny raha soloina zavatra hafa mba tsy hiteniteny foana, mba tsy hanaotao foana, sns, ny Malagasy ka hahalala tsara ny momba azy sy ny taniny? Amin’izay fotoana izay, teny malagasy no hoenti-mampianatra. Sarotra be ve ny manao izany sa mbola iandrasana famatsiana vola avy any ivelany? Ka raha io no haroso eo anatrehan’ny mpamatsy vola, tsy hanome lasiray an’i Madagasikara akory ry zareo ka aleo tsy miandry vasoka!HaRy RazafindrakotoL’article Ampiasao ny teny Malagasy: “Gasio” ny zavatra ianarana…   a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Tsena sosialim-bahoaka :: Iharan’ny hatezeran’ny mponina ireo sefo fokontany

Tototry ny fanontanian-dava sy ny fanakianana avy amin’ireo mponina ny ankamaroan’ireo sefo fokontany eto an-drenivohitra, amin’izao fotoana izao, manoloana ny fitarazohana sy fikorontanan’ny fiasan’ilay tapakila 30 000 ariary hividianana entana ilaina andavanandro eny amin’ireo tsena sosialim-bahoaka. Velona ny ahiahy sao misy indray ny fanodinkodinana ny anjara fanampiana ho an’ireo olona marefo sy lasibatry ny krizy ara-pahasalamana, ankehitriny. Misy hatrany ireo milaza ho tsy nahazo anjara tamin’ny tapakila, tato anatin’izay tapabolana nanombohan’ny fametrahana ny tsena sosialim-bahoaka izay, nefa sady tsy nisitraka tamin’ny Vatsy Tsinjo no tsy tao anaty lisitry ny Tosika Fameno ihany koa. Mitovy avokoa anefa ny fanazavan’ireo sefo fokontany niresahana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby, omaly, toy ny tetsy Tsiadana, Ambohipo, Ankaraobato, Andavamamba, Anosibe Andrefana. « Tsy izahay no miandraikitra ny Tsena sosialim-bahoaka fa ry zareo any amin’ny boriborintany. Tapakila efa misy anarana no voarainay avy any. Ny fizaràna Tosika Fameno sy ny fakàna tambavy CVO irery no nisoratana anarana tety amin’ny fokontany. Miteraka ady ny fizaràna an’ilay tapakila 30 000 ariary satria tsy mirindra ny fahatongavan’izany. Indraindray telo fotsiny, na folo, na dimy, no miaraka tonga ety amin’ny birao », hoy ry zareo. Voatery mampiantso manokana an’ireo olona nahazo ny tapakila 30 000 ariary eny anivon’ny fokontany ireo tompon’andraikitra noho izao fahatarana izao. Folo hafatra ry zareo eo am-panomezana miaraka amin’ny hoe : « aza miteniteny amin’ny olona hoe efa nahazo ny fanomezana ianao sao hiteraka korontana izany ». Antso mangina Nohazavain’ny governoran’ ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery kosa fa « misy foana ny fizaràna ny tapakila, isan’andro, mandra-pahavitan’ny isan’ny tokantrano tratrarina, izay dimy arivo sy efatra alina». « Ireo tsy nahazo Tosika Fameno sy Vatsy Tsinjo ihany no hisitraka ny fanampiana. Ny fahasarotan’ ny fanadihadiana no miteraka korontana kely amin’ny fizaràna azy », hoy izy. L’article Tsena sosialim-bahoaka :: Iharan’ny hatezeran’ny mponina ireo sefo fokontany est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Pilo Kely aroson’i Mamy Be

L’article Pilo Kely aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Cnaps: fiahiana sosialy ho an’ny mpiasa amin’ny masera

Anisan’ny mpiasa mpikarama ny sehatry ny fampianarana sy ny fiangonana. Tafiditra ao anatin’izany ny “Fikambanan’ny masera madinika eraky ny fitiavana”, miparitaka manerana ny Nosy. Sahanin’izy ireo ny manabe sy mitaiza ny zaza sahirana any ambanivohitra. Koa satria mampiasa olona ry masera, zon’ny mpiasa ny misitraka ny fiahiana sosialy. Natao teny Andrambato Itaosy, ny herinandro lasa teo, ny fiofanana mikasika ny fitantanana maha olona, toy ny fampidirana ao anatin’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS), ny fanefana latsakemboka, ny fanampiana ny mpiasa sy ny ankohonany, ny fanampiana ny tra-doza na marary vokatry ny asa, ny fisotroan-dronono, sns. Nilaza ny mpanolotsain’ny toniam-pitantanan’ny CNaPS, Rakotomanana, fa tafiditra ao anatin’ny fifanarahana fiaraha-miasa amin’ny fiangonana katolika ity fiofanana ity. Nampahafantarina koa ny dingana arahina amin’ny fangatahana fanampiana.Nambaran’ny masera Agnès sy Gabrielle, fa tena ilaina amin’ny asan’izy ireo ny fiahiana sosialy. Ankoatra ny asa fitoriana, afaka manentana any ambanivohitra koa izy ireo ary mangataka ny tohan’ny CNaPS, indrindra ny any lavitra.Njaka A.L’article Cnaps: fiahiana sosialy ho an’ny mpiasa amin’ny masera a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mitsinjo: tsy hita izay fivoarana, mijaly ny mponina

Sakana iray lehibe amin’ny fampandrosoana ny faharatsian-dalana Mahajanga mankany Mitsinjo., mirefy 71 km. Mialoha izany, tsy maintsy miampita baka avy eo Mahajanga mankany Katsepy izay mandray fiara. Nisy tany aloha, lalana avy Marovoay mankany Mitsinjo, saingy mihodina be sady tsy azo aleha intsony izany efa 10 taona mahery. Sahirana ny mponina, lafo amin’ny rehetra ny saran-dalana : miampita amin’ny baka 5000 Ar, avy eo Katsepy indray, raha misy fiara tsy mataho-dalana, 10 000 Ar amin’ny main-tany ary tafakatra 30 000 Ar amin’ny fahavaratra, andro iray vao tonga raha ho tonga.Mampalaza ny faritra Boeny io distrika iray io noho ny fisian’ny orinasa Sirama tantanin’ny Sinoa. Hery iray lehibe ao amin’ny distrikan’i Mitsinjo ny fisian’io orinasa io. Tsy lavitra avy eo koa ny distrikan’i Soalala nahazoana famatsiam-bola 100 tapitrisa dolara tao anatin’ny fitondrana tetezamita. Vita sonia tamin’ny orinasa Wisco izany, an’ny Sinoa ihany, ny taona 2010. Tetikasa nokasaina ny fitrandrahana vy. Tsy hita hatramin’izao ny fiantraikan’ireo any amin’iny faritra iny. Toy ny any amin’ny kaominina ambanivohitra maro hafa, betsaka ny vokatra tsy tafavoaka, sahirana izay manana ny marary.Koa nitondra teny ny depiote any Mitsinjo, Randriamisa Nicolas David, mba hisy tamberina ny tatitra ataony. Ankoatra maha mpanao lalàna azy ireo , mitondra ny feon’ny vahoaka koa izy ireo , ka avy amin’izany ihany ny azo hamaritana lalàna vaovao, hatolotra ny fahefana mpanatantanteraka. R.MathieuL’article Mitsinjo: tsy hita izay fivoarana, mijaly ny mponina a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

The little corner: hikalo hiram-pitiavana i Farakely
28/10/2020

 Hitondra ny « Hivetso Hafaliana», ny asabotsy 31 okobtra ho avy izao, manomboka amin’ny 11 ora sy sasany antoandro eny amin’ny toeram-pialamboly The Little Corner Ambatomirahavavy i Farakely. Ho an’ireo efa mpankafy ny talentany, io no azo lazaina fa fihaonan’ny tia sy manina ka iaraha-mikalo amin’i Farakely ireo vazo efa tsy afaka am-bavan’ny maro toy ny «Tsy foiko ianao» « Ny akaikinao», « Samy tiako ianareo», « Voady», «Rotsirotsy», sy ny maro hafa.« Hizara fitiavana sy hafaliana amin’ny alalan’ny hira milantolanto ho an’ny olon-drehetra taorian’iny fihibohana iny no antony nahatonga ny safidy  haka an’i Farakely hanafana ny fety », hoy ny mpikarakara. Hampiala voly ny rehetra sy ampahafantatra ny fisian’ny toerana no tena tanjona. Raha ny fanazavana voaray, maro ny mpanakanto efa nampiseho ny talentany tao taorian’ny nisokafany tamin’ny fomba ôfisialy. Ankoatra ny seho iarahana amin’i Farakely, karazan-dalao fialamboly maro no efa nomanin’ny mpikarakara ka samy hahazo ny anjarany ny tsirairay. Ho faranana amin’ny fiaraha-mikorana iarahana amin’ny mpikosoka kapila ny fotoana.NarilalaL’article The little corner: hikalo hiram-pitiavana i Farakely a été récupéré chez Newsmada.

Nandona sy nahafaty olona: tratra rehefa nifampitadiavana ilay mpamily
27/10/2020

  Tra-tehaky ny zandarimaria, omaly maraina tao Androvakely-Ambohimandroso, ilay mpamily sy ny fiara nentiny nahavanon-doza. Nenjehina noho ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ilay mpamily. Miharo fitsoahana rehefa avy nandika lalàna ny heloka iampangana azy. Tsiahivina fa maty vokatry ny dona mafy nahazo azy ny lehilahy iray, ny alahady hariva teo tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany tao Avaratsena. Maty tsy tra-drano izy ary nitsoaka avy hatrany ny fiara taorian’izay. Nambaran’ny zandary fa 38 taona ilay namoy ny ainy ary monina ao Andeboka-Ambohimandroso ihany. Taorian’izay, raikitra ny fikarohana ilay fiara sy ny mpamily ka voasambotra omaly. « Vesatra maro ny anenjehana ny mpamily satria na inona na inona antony, tsy azo atao ny mandositra adidy ka mamela ny olona voadona hiady irery amin’ny fahafatesana », hoy ny fanazavan’ny Zandariamaria ao Vakinankaratra. Fantatra fa raisin’ny zandary ao Ambohimandroso ny fanadihadiana ny raharaha ary hatolotra ny fitsarana aorian’izay.Ankoatra izay, nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ihany koa teo Antanambao-Talata Volonondry, ny alahady teo tokony ho tamin’ny 6 ora hariva. Voadonan’ny fiara taxi-be mampitohy ny Renivohitra sy ny ao an-toerana ny mpirahalahy roa nandeha moto. Tranga niseho teo amin’ny fiolanan-dalana ao Antanambao. Voadona teo amin’ny lohany ireo lehilahy 23 sy 26 taona ka naratra mafy. « Nandeha mafy ireo mpandeha moto ka nifatratra tamin’ilay taxi-be », hoy ny fanazavan’ny zandary misahana ny famotorana. Taorian’izay, nianjera tamin’ny tany ireo roa lahy avy namangy havana ary namonjy ny Renivohitra. Mbola nentina teny amin’ny hopitaly teny Anosy Avaratra ireo tra-doza, saingy namoy ny ainy minitra vitsy taorian’ny nahatongavany teny. Ankehitriny, atao andrimaso ao amin’ny zandary ao Antanambao ny mpamily ilay taxi-be. Nogiazana avy hatrany kosa ny fiara.Henintsoa HaniL’article Nandona sy nahafaty olona: tratra rehefa nifampitadiavana ilay mpamily a été récupéré chez Newsmada.

Te ho katolika alohan’ny Papa?
24/10/2020

« Mahafinaritra ity Papa ity… ». Fotoana fohy taorian’ny nanosorana ny Papa Fransoa ho Ray masina, maro ny fanehoan-kevitra heno maneran-tany toy izany. « Papa misokatra amin’ny firehan-kevitra maro », « Papa mijery akaiky sy manome lanja ny maha olombelona », sns. Tsy ny mpino katolika irery, fa na ireo hafa finoana aza, nahenoana fanehoan-kevitra mirona mankany amin’izay avokoa. Eny, olon’ny fisokafana tokoa ny Papa Fransoa. Anisan’ireo nanana tombony manokana i Madagasi­kara satria vao tamin’ny taon-dasa no nandalovany teto ka nahita sy nandre akaiky ity dimbin’ny Apostoly ity. Fa toa ny vara-datsaka ny nilatsahan’ny vaovao, ary toy ny fitsoriakan’ny tselatra koa ny fipariahan’ny vaovao…Resabe tamina tambajotran-tserasera ilay voalaza ho fanambarana nataon’ny Papa Ray masina momba ny fiarahan’ny mitovy fananahana. Fanadihadiana tamin’ny teny espaniola, nandritra ny fetin’ny Sarimihetsika tao Roma, ny nataon’ilay mpanao gazety, i Evgeny Afinnevsky. Voalaza tao anatin’izany fa mano­hana ny fiarahana sivily eo amin’ny olona mitovy fananahana ny Papa… Eo ny fototry ny olana. Samy nandroritra izany araka izay zoro metimety aminy ny tsirairay. Samy nanana ny fandraisany azy koa. Ho an’ireo mpino katolika, sanganehana tanteraka, satria hoe tsy mifanaraka mihitsy amin’ny lalàn’ny Eglizy izany. Mazava loatra fa nandray izany ho fitaovana handotoana ny Fiketrahana masina sy ny Papa ireo hafa firehana… Misy ireo miezaka miaro fa nisy fahaizana “montage” tao anatin’ilay fanadihadiana, nanodinana izay tian’ny Papa hola­zaina. Na inona na inona anefa ny marina, ny zava-nisy dia nihaino ireo olombelona manana fironana amin’ny mitovy fana­nahana ny Papa. Nihaino sy nandray ny fanirian’izy ireo, amin’ ny maha samy zanak’Andriamanitra… Anisan’ireo nijoro vavo­lombelona tao anatin’ilay fanadihadiana i Andrea Rubera, nangataka raha mba afaka mivavaka any am-piangonana toy ny olon-drehetra. Mazava loatra fa nalahelo amin’ny fanilikilihana, ny tondro molotra, ny fanavakavahana tonga any amin’ny fikasihan-tanana aza, ny Ray masina. Ny zo maha olona no narovan’ny Ray masina. Tsy tao anatin’iny fanadihadiana iny ihany fa efa nialoha izao. Ny zo ho an’ireo mitovy fananana, tsy tokony hailiky ny fianakaviana sy ny mpiara-monina. Na marina na tsia ilay fanambarana, ny azo antoka kosa, tsy eken’ny lalàn’ny fiangonana katolika ny fanambadian’ny mitovy fananahana. Tsy midika fa tokony hailika satria tsy zanak’Andriamanitra izy ireo… Ka ahoana aza, nety sa tsia ny nataon’ny Ray masina? Io indray aloha izany ny anton-dresaka mandritra ny andro maromaro…Zo ny Aina RandriatsiresyL’article Te ho katolika alohan’ny Papa? a été récupéré chez Newsmada.

Kamiao nivadika an-kady: olona roa sy omby valo  maty
28/10/2020

  Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teo amin’ny tetezan’Anjamana, fokontany Ampano, kaominina Talata Ampano, distrikan’i Vohibato, omaly maraina tokony ho tamin’ny 08 ora. Vokany, mpandeha miisa roa (lehilahy 23 sy 33 taon) maty tsy tra-drano. Lehilahy roa hafa koa maratra mafy raha tsy naninona kosa ilay mpamily fiara. ” Kamiao nitondra omby miisa 44 avy any Ihosy io tra-doza io ary saika hivarotra ireo omby ao amin’ny tsenan’i Vohiposa androany”, hoy ny fanazavan’ny polisy ao Fianarantsoa, misahana ny famotorana. Fantatra fa vokatry ny fandehanana mafy, tafavoaka ny fiolahan-dalana mahazo ny tetezana eo Anjamana ny fiara ka nivarina an-kady.Taorian’ny loza, tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nijery ny zava-nisy. Nandefa ihany koa an’ireo naratra any amin’ny toeram-pitsaboana ary nanokatra fanadihadiana mahakasika ny raharaha. Voalaza tamin’izany fa maty teo no ho eo koa ny omby valo tamin’ireo saika hamidy. Ny mpamilin’ny fiara kosa atao andrimaso sy hanaovana fanadihadiana ao Fianarantsoa. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, mbola ao an-toerana ilay kamiao nivarina an-kady. Efa an-dalana haka ireo razana roa ihany koa ny fianakavian’ny maty. Ireto farany, izay samy avy ao Ihosy avokoa. Voalaza fa ombivavy ny ankamaroan’ireo omby noentin’ny fiara saika hamidy. Fantatra fa matetika isehoana lozam-pifamoivoizana eo an-toerana ary lasibatra amin’izany ireo kamiao mpitondra omby.Ankoatra izay, mpivady nanao taingin-droa tamin’ny moto koa voafaokan’ny fiara 4×4, omaly tetsy Mandroseza. Vokany, nipitika avy eny ambony moto ilay ramatoa raha nosokirina tao ambany fiara ilay rangahy vadiny. Naterina vonjimaika teny amin’ny hopitaly ireo niharam-boina taorian’izay.  Henintsoa HaniL’article Kamiao nivadika an-kady: olona roa sy omby valo  maty a été récupéré chez Newsmada.

Fanambadian’ny mitovy fananahana :: Naboraky ny kardinaly Tsarahazana Désiré ny fandisoana ny hevitry ny Papa
27/10/2020

Nodisoin’ny fiombonamben’ny Eglizy Katôlika Romana eto Madagasikara ny fampielezam-baovao manambara ny « faneken’ny Papa François ny mariazy arapanjakana eo amin’ireo olona mitovy fananahana». Nampahafantarin’ny Kardinaly Tsarahazana Désiré tao anatin’ny fanambarana novakiany, omaly, fa « niharan’ny famitahana avo lenta ny Papa François (…) satria tsy mbola nanao fanehoan-kevitra vaovao momba ny fanambadiana eo amin’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy ny Papa Ray Masina ». Horonantsary ir ay nataon’ilay mpanao gazety rosiana, Evgeny Afineevsky, izay naseho tany Roma, tamin’ny 21 oktobra 2020, nampitondrainy ny lohateny « Franchesco » no fototra niteraka ny resabe tamin’ireo haino aman-jery sy tranonkalam-pifandraisana, ka nilaza ny faneken’ny Papa François ny fanambadiana sivily eo amin’ireo mitovy fananahana. « Tsy marina velively izany. Navadik’ilay mpanao gazety araka izay nitiavany azy ny fanehoan-kevitry ny Papa François momba ny fanambadian’ireo olona mitovy fananahana », hoy ny Kardinaly Tsarahazana Désiré. Tafatafa nataona mpanao gazety meksikana, Valentina Alazraki, teny ambony fiaramanidina tamin’ny fiteny Espanôla, 18 volana lasa izay, no notapatapahina sy nalain’io mpanao gazety rosiana io ka nampidirina tao anatin’ny horonantsary fanadihadiana nataony. Iraika amby roapolo segaondra monja ny faharetan’ny resaky ny Papa François tao anatin’ilay fanadihadiana. Antso fitoniana « Notapatapahina ary natambatra mba hoentina hanaporofoana ny faneken’ny Papa ny fanambadiana sivily eo amin’ny lahy sy ny lahy ary ny vavy samy vavy, avy eo. Niniana nodisoina mihitsy ny dikan-teny nanazavana an’io fanehoan-kevitr’io », araka ny fanampim-panazavan’ny kardinaly Tsarahazana Désiré. « Aoka isika ho tony sy tsy ho tafintohina satria tsy misy velively ny fanekena ny fanambadiana sivily eo amin’ ireo olona mitovy fananahana. Hamafiso hatrany ny finoantsika », hoy ny toromariky ny Kardinaly, omaly. Nampahafantariny ny fisian’ny fanazavana amin’ny antsipiriany amin’ny fomba ofisialy mikasika ny fanambadiana, tsy ho ela, izay hataon’ny fiombonamben’ireo Eveka katôlika eto amintsika. L’article Fanambadian’ny mitovy fananahana :: Naboraky ny kardinaly Tsarahazana Désiré ny fandisoana ny hevitry ny Papa est apparu en premier sur AoRaha.

Fanadiovana ny asam-panjakana: hahazoana ambim-bava 11,4 miliara Ar
27/10/2020

  Taorian’ny tatitry ny Filankevitry ny minisitra ny 21 oktobra teo, niroso tamin’ny fampiatoana vonjimaika ny fandoavana ny karaman’ireo mpiasa tsy ara-dalàna miisa 591 ny  minisiteran’ny Toekarena sy ny vola. Nanomboka ity volana oktobra ity izany fandraisana fepetra izany, dingana tsy maintsy notanterahina araka ny lalàna mirakitra ny sata ankapoben’ny mpiasam-panjakana. Hahazoan’ny fanjakana ambim-bava manodidina ny 11,4 miliara Ar ity fanadiovana ny asam-panjakana ity.Miakatra eo amin’ny Filankevitra momba ny fitsipi-pifehezana (Codis) tarihin’ny minisiteran’ny Asa ny mpiasa voakasik’izany. Raha amafisin’ny Codis ny tsy fanarahan-dalàna, tapahina tanteraka ny fandoavana ny karaman’ilay mpiasa. Ataon’io rafitra io izay hanefana ny karama tsy voaray, raha toa ka tsy mitombina kosa ny fiampangana. Ny mpiasa tsy tokony nandray ny karamany nefa nahazo ihany, tokony hamerina izay efa noraisiny aorian’ny famoahan’ny fanjakana ny taratasy fitakiam-bola.Hotohizana ny fanadiovana amin’ny antontan-kevitra mahakasika ireo mpiasam-panjakana;  efa an-dalana, ohatra, ny fitsirihana mpiasa miisa 7007. Manamora ny fandehanana mamita iraka ny fahataperan’ny hamehana ara-pahasalamana, koa ilaina ny fanamarinana momba izany iraka izany. Tonga amin’ny tokony hanapahana ny karama manaraka ny tsy fisian’ny porofo maha mpiasa ao anatin’ny sampandraharaha iray. Ilàna fanamarinana, araka izany, ny mpiasa rehetra hita manerana ireo sampandraharaham-panjakana sy ny Andrimpanjakana.R.MathieuL’article Fanadiovana ny asam-panjakana: hahazoana ambim-bava 11,4 miliara Ar a été récupéré chez Newsmada.

DGSR-Gcam: tokony horaisina ara-teknika ny fiara vaovao vao amidy
29/10/2020

 Nihaona mivantana ny tompon’andraikitry ny foibe fitsarana fiarakodia sy ireo mpandraharaha mpanafatra sy mpivarotra fiara vaovao, omaly. Tonga nanatrika izany ireo solontenan’ny vondron’ireo mpandraharaha mpanafatra sy mpivarotra fiara vaovao (Gcam). Tanjon’ny fihaonana ny fampanarahan-dalàna ny sehatra fanafarana fiara sy fampidirana fiara vaovao eto Madagasikara. Eo koa ny fanamboarana sy ny fikirakirana ny ara-taratasy rehetra hahatomombana ny fivezivezena.Nasiana tsindrim-peo manokana ny mikasika ny tokony hanaovana fandraisana ara-teknika ireny fiara vaovao ireny mialoha ny hamarotana azy. Teo koa ny lalàna mikasika ny laharana WWT, izay voafaritra mazava fa ireo fiara vaovao navoakan’ny orinasa nanamboatra azy ihany no tokony hitondra izany.Anisan’ny nampitaraina mafy ny foibe fitsarana fiara teo aloha ny gaboraraka teo amin’io laharana WWT io satria misy fiara tena efa ratsy kanefa mbola mitondra izany ihany fa tsy milamina ny taratasiny.Hodinihina amin’ny fivoriana manaraka indray ny mikasika ny fanitsiana ireo andinin-dalàna efa misy hatramin’izay mba hifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny. Iarahana amin’ny sampan-draharaham-panjakana voakasik’izany ny fihaonana amin’io fotoana io.Tatiana AL’article DGSR-Gcam: tokony horaisina ara-teknika ny fiara vaovao vao amidy a été récupéré chez Newsmada.

Vao nivoaka ny fonja ny janoary teo: maty rotiky ny balan’ny zandary Rams, dahalo raindahiny    
27/10/2020

   Ny zoma alina lasa teo, nisy andian-dahalo nanafika sy nangalatra omby tao Ambatofolaka, kaominina ambanivohitr’Alatsinainikely, distrikan’i Miarinarivo, faritra Itasy. Niantso vonjy tamin’ny mpiray tanàna ireo niharan’ny fanafihana ka votsotra ny omby miisa 13.Ny asabotsy maraina tamin’ny 8 ora, nosakanan-dRams, iray amin’ireo dahalo nanafika teo amin’ny tetezana Sakay, ny zanaky ny voatafika roa lahy sady norahonany fa ho avy hiverina izy ireo fa latsaka ao anaty valan’omby ny tranon’antsiny ary tsy maintsy halainy. Nanao avy hatrany fiambenana niaraka amin’ireo fokonolona tamin’io alina io ny zandary. Tokony ho tamin’ny 10 ora alina, niakatra tao Ambatofolaka ity dahalo nandrahona ity ka noraisim-potsiny. Nanokatra fanadihadiana ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Analavory misahana iny faritra iny ka nitonona ireo namany Rams, voalaza fa ao Ankadimena Alatsinainikely. Omaly tamin’ny 4 ora maraina, nidina hisambotra ireo namany ny zandary ka rehefa tonga tao Andranomahitsibe Alatsinainikely, nanaraotra ny andro maizina ity dahalo ity ka nitsoaka. Raikitra ny fifanenjehana ka maty voatifitra avy hatrany izy. Nomarihin’ny zandary fa dahalo efa mpamerin-keloka ary vao nivoaka ny fonja noho ny raharaha halatr’omby ny volana aogositra 2019 izy, saingy tafavoaka sahady ny volana janoary 2020 teo. Anisan’ny nandray anjara koa tamin’ny fanafihana nahafatesana olona tao amin’ny kaominina Ankaranana Rams sy ny namany.Jean ClaudeL’article Vao nivoaka ny fonja ny janoary teo: maty rotiky ny balan’ny zandary Rams, dahalo raindahiny     a été récupéré chez Newsmada.

Solo Andrianasolo: hiverina ny «Jeudi du jazz»
29/10/2020

 Seho efa fanao any ivelany ny « Jeudi du jazz ». I Solo Andrianasolo kosa no nitondra sy namelona azy teto an-tanindrazana, raha vao tonga izy. Fantatra, omaly fa hamerina ny hetsika « Jeudi du Jazz » indray ity mpanakanto ity, ny 5 novambra izao ka ao amin’ny Le 5ème Element , etsy Ankadivato no hanatanterahany izany. « Tena jazz standard zakan’ny sofina sy hakana tsirony ho an’ny mpihaino no hatao fa tsy ilay jazz ho an’ny mpitendry. Jazz manadio sofina », hoy izy. Hiaraka hitendry aminy amin’io i July Rakoto (piano électrique Fender Rhodes), i Martin Randriamampianina (contrebass) ary i Mihaja Rakotoarisoa (batterie).Efa nataon’i Solo Andrianasolo io fiarahana io tamin’ny taona 2003 niverenany nody teto  an-tanindrazana. Tao amin’ny Sweety Home Ambatoroka, nifindra tao amin’ny Restaurant Ny Avo Ambatoroka… Ankehitriny, ao amin’ny Le 5ème Element »Nanjary nanao « Jeudi du Jazz » ny ankamaroan’ny toerana fanaovana lanonana sy fisakafoana taty aoriana. « Fahafinaretana ho ahy ny fahitana an’izany », hoy i Solo Andrianasolo.HaRy RazafindrakotoL’article Solo Andrianasolo: hiverina ny «Jeudi du jazz» a été récupéré chez Newsmada.

Filoha Rajoelina Andry tany Ambatondrazaka : “Tsy fotoan’ny kabary izao, aleo tsaraina amin’ny asa vita”
24/10/2020

Tanàna iva ka tsy afa-bela amin’ny fota-mandrevo sy ny fiakaran’ny rano ny any Amba­tondrazaka nandritra ny fotoana maro, araka ny nambaran’ ny mponina. Nampiakarina ambony ny ankamaroan’ny ny haavon’ny lalana. Mafy orina sy mahazaka ny tosiky ny rano izany. Azo antoka fa haharitra ny fotodrafitrasa rehetra naorina, toy ny lalana sy ny tetezana… Novana ho “Tetezan’ny Fihariana” ny eo Manainga­zipo teo aloha. Efa vita ampahany ny fanatanterahana ny asa fananganana tetezana « pont Kafe » miaraka amin’ ny fanaovana ho tara ny lalana Ambatondrazaka mankany Ambandrika sy ny tetezana. Ho vita mialoha ny volana desambra izao izany, miaraka amin’ny fanaovana ho tara ny lalana 25 km ao Vohidiala, Manakambahiny Andrefana. “Holovain-jafy ny fotodrafitrasa, tahaka izao, ary tsy fotoan’ny kabary intsony izao fa maso miara-mahita isika izao”, hoy ny filoha Rajoelina Andry any an-toerana, omaly. Anisan’ny nojereny ny faha­vitan’ny fanamboarana ny lalana tara, 800 m, miainga eo amin’ny seranam-piaramanidin’i Feramanga – Avaratra mivoaka ny lalam-pirenena RN44. Nametrahana andrin-jiro koa ny faritry ny seranam-piaramanidina sy ny lalana. Natao hahazaka fiaramanidina ATR ity seranana ity, manomboka izao. “Zava-dehibe ny sidina anatiny ialana amin’ny fitokanam-monina. Tanàna mamokatra nefa izao vao misy zava-bita goavana eto hatramin’ny nahazoana ny Faha­leovantena”, hoy ihany izy. Vita koa ny fananganana ny EPP manara-penitra ao Amba­tondrazaka. Ahitana ny kilasy « préscolaire » hatramin’ny T5 ny EPP. Hisy fampitao­vana « informatique » sy « can­tine scolaire » koa izany. Ma­nampy izany ny dabilio, ny biraon’ny mpampianatra sy ny fitaovam-pampianarana.Maimaimpoana ny fidiran’ ny zaza an-tsekolyNotsiahivin’ny filoha ta­min’izany fa hahazo “kits scolaires” ireo mpianatra ao an-toerana. Maimaimpoana koa ny fidirana an-tsekoly hampitomboina isa ireo zaza hianatra ka nisy vola 20 miliara Ar ny hatokana amin’ny “caisse ecole”. Ankoatra izany, efa mandroso sy an-dalam-pamaranana ihany koa ireo fotodrafitrasa sasany. Vita 80% ny fananganana ny kianja manara-penitra Rasolonjatvo ao Ambaton­dra­zaka. Efa voapetraka ny « tapis synthétique ». Efa voa­tsangana ny « tribune » ary nampitomboina izany raha mitaha amin’ny teo aloha. Ankoatra izany, efa miditra amin’ny ampahany faharoa ny fanamboarana ny lalam-pirenena RN44, amin’izao fotoana izao. Tombanana ho vita amin’ny taona ho avy izany.Synèse R.L’article Filoha Rajoelina Andry tany Ambatondrazaka : “Tsy fotoan’ny kabary izao, aleo tsaraina amin’ny asa vita” a été récupéré chez Newsmada.

Ady ho an’ny fanjarian-tsakafo: handrakotra ny faritra 22 ny Vovonana Hina 
29/10/2020

 Hiitatra amin’ny faritra 22 ny rantsan’ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena misehatra ho an’ny fanjarian-tsakafo (Hina), manomboka amin’ny volana novambra ka hametraka ny mpikambana ao amin’ny faritra Sofia sy Betsiboka ny mpitantana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Vovonan’ny Hetsika iraisana natokana iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo (Hina), Razafimandimby Andriamandranto, omaly, teny Ambolokandrina. Miatrika fivoriambe mandritra ny hateloana eto Antananarivo ny mpiandraikitra ny masoivohon’ny Hina amin’ny faritra 20 efa ahitana mpikambana. Hamaritra ny laminasa ho an’ny dimy taona ho avy ny mpivory 80 nisolotena ny faritra ary hanombana ny asa vita rehetra. Manana ny toerany ny Vovonana amin’ny vokatra azo teo amin’ny fampihenana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ho 42%, araka ny fanadihadiana MICS raha niainga tamin’ny taha 47,3%, ny taona 2012 (EDS). Mandray anjara hatrany amin’ny fandrafetana ny politika samihafa iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny mpikambana miainga eny ifotony ka mipaka amin’ny governemanta. Zava-dehibe koa ny sisin-kevitra hampiakarana ny vola hatokana ho an’ny fanjarian-tsakafo hampahomby ny asa, hoy ny filoha lefitry ny Hina, Faniry Hantarinivo.Ireo mpikambana rehetra isam-paritra no handrafitra ny asa ho an’ny dimy taona manaraka. Tsinjo sahady fa tsy maintsy hamafisina ny fanentanana sy ny fampianarana ny isan-tokantrano hanovaova ny sakafo amin’ny vokatra misy eo an-toerana. Nampisongadina ny Vovonana tao anatin’ny dimy taona vita ny fampianarana ny maha zava-dehibe ny 1000 andro eo amin’ny zaza, manomboka vao mitsaika ao am-bohoka ka hatramin’ny  faharoa taonany.Vonjy A.L’article Ady ho an’ny fanjarian-tsakafo: handrakotra ny faritra 22 ny Vovonana Hina  a été récupéré chez Newsmada.

Sarimihetsika-Out linemovies: hivoaka rahampitso ny “Tsiafajavona 2 lire”
26/10/2020

Ho fanomezana fahafaham-po ny mpankafy, hivoaka, rahampitso talata 27 oktobra, manerana ny Nosy, ny DVD « Tsiafajavona 2 lire », fizarana farany. Sarimihetsika malagasy novokarin’ny Out linemovies, tao aorian’ny “Tsiafajavona 1”, izy ity. Tantara natao ho an’ny rehetra. Mifono anatra sy lesona ary ny trangam-piarahamonina amin’ny endriny samihafa. Ao anatin’izany ny mampitebiteby sy ny mahatsikaiky isan-karazany.Maro ireo mpilalao sangany eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy hamelona ny “Tsiafajavona 2 lire”. Sarimihetsika tsy ho latsa-danja amin’ireo efa nivoaka hatramin’izay ihany koa raha ny fanomanana sy ny fanatontosana azy. Manamafy izany rahateo ny fandraisana anjaran’ireo mpilalao efa za-draharaha tsara amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy, raha ny filazan’ny Out linemovies.“Raha fintinina ny tantara, niezaka nandamina ny olana eo aminy i Tanjona sy Razily ary i Menja. Kanefa, etsy ankilany, tsy nanaiky hatramin’ny farany i Velo fa nitady izay fomba rehetra hanapotehana ny fianakavian’i Tanjona sy i Navela, ary nitady hevitra hiarahana amin’i Zily”, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra.NarilalaL’article Sarimihetsika-Out linemovies: hivoaka rahampitso ny “Tsiafajavona 2 lire” a été récupéré chez Newsmada.