Voka-panadihadiana tany Antsirabe :: Matin’ny entona misy poizina izy enina mianaka

News - Voka-panadihadiana tany Antsirabe :: Matin’ny entona misy poizina izy enina mianaka

News - Voka-panadihadiana tany Antsirabe :: Matin’ny entona misy poizina izy enina mianaka

Nifanojo tamin’ny vokatry ny famotoran’ny Zandarimaria ny valin’ ny fizahana nataon’ny mpitsabo tamin’ireo eni-mianaka, reny sy ny zanany dimy, izay nindaosin’ny fahafatesana tany Maromandraisoa-Tsarahonenana, any Antsirabe II, tamin’ny 12 septambra lasa teo. Nanasongadina ny fisian’ny fahasemporana ireo zandary, raha nampahafantatra ny fisian’ny poizina avy amin’ny fofon’ arina tao amin’ny trano nitoeran’izy eni-mianaka ireo ny mpitsabo. “Fahafatesana avy amin’ny fahasemporana hatramin’ny 90% no nihatra tamin’ireo olona ireo”, hoy iretsy farany.

Voarakitry ny fitanana an-tsoratra nataon’ireo mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana, taorian’ny loza, ny nahitana arina fandrehitra mitsitokotoko efa lasa lavenona tao ambany rihan’ny trano nahitana ny razan’izy enina mianaka. Mbola nahitana arina fandrehitra mivaingana mitsitokotoko ihany koa, tsy lavitra teo. Tsiahivina fa ny raim-pianakaviana nody tao antrano nahita azy eni-mianaka nitsotra teo am-pandriana saingy efa samy tsy nisy aina intsony,tamin’ny sabotsy lasa teo.

L’article Voka-panadihadiana tany Antsirabe :: Matin’ny entona misy poizina izy enina mianaka est apparu en premier sur AoRaha.

Voka-panadihadiana tany Antsirabe :: Matin’ny entona misy poizina izy enina mianaka

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fifamoivoizana eto an-dRenivohitra: miverina ny gaboraraky ny sarety sy ny kalesy…

Mbola resaka hafa ny taxi-be sy ny fihoaram-pefy ataon’izy ireo.  Niserana ihany ny fampiharan-dalana ho an’ireo sarety sy posy ary kalesy teto Antananarivo Renivohitra. Miverina sahady ny gaboraraka eny an-dalana. Manjaka amin’ny fotoana rehetra izy ireo. Antony miteraka fitohanana lavareny manampy trotraka ny fanamboaran-dalana ary mampikaikaika ny maro anefa ny fikisahan’izy ireny eny an’arabe.Ankoatra ny fandikana ny fotoana iasana, manimba zavatra ary tsy mahay ny lalan’ny fifamoivoizana ireo mpitarika posy sy sarety ireo. Betsaka ireo efa velon-taraina amin’ny fahapotehan’ny fiara amin’ny hafitsok’izy ireny.Miala maina anefa ireo manana ny simba satria tsy misy fiantohana ireny sarety sy posy ireny. Ankoatra izany ny vava ratsy sy ompa hataon’ireo mpitarika azy izay tsy manaiky hanana ny fahadisoana.Anisan’ny sosokevitr’ireo mpampiasa ny fifamoivoizana ny tokony hametrahana lalàna mazava, manaraka ny zava-misy ankehitriny sy fampiharan-dalàna hentitra sy maharitra amin’izy ireny.Tokony hazava ao anatin’izany lalàna izany ny refin’ny sarety na posy ampiasaina. Tokony  hiditra anaty trano fiantohana izy ireny hahafahana miady aminy raha manimba zavatr’olona.Tompon’antoka amin’izay mety ho fahasimbana ny mpitari-posy, tompon’ny posy ary ny tompon’ny entana entina.Efa napetraka mazava ny ora hahafahan’ireny mivezivezy izay voatondro fa manomboka amin’ny 10 ora maraina hatramin’ny 12 ora antoandro izy ireo no miasa ny maraina. Amin’ny 2 ora hatramin’ny 4 ora kosa ny hariva.Voafetra ihany koa ny toerana hahafahan’izy ireo mivezivezy. Tsy azon’izy ireo aleha ny faritry ny afovoan-tanàna. Tafiditra ao anatin’izany ny ao Analakely, Ambohijatovo, Antaninarenina, Soarano ary Ankadifotsy. Tsy tokony hivezivezy amin’ny toerana misy fiakarana ihany koa ireny sarety sy posy ireny.Tatiana A L’article Fifamoivoizana eto an-dRenivohitra: miverina ny gaboraraky ny sarety sy ny kalesy… a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Zahavoary ao Ankarafantsika: mahavarina ilay lavakabe ao Ankarokaroka

Toerana iray tena mahasarika mpizahatany mitsidika ny valanjavaboary ao Ankarafantsika   ny lavaka na antsoina koa hoe « Canyon » ao Ankarokaroka. Misy toerana avo ety ambony ahafahana mitazana ny hakanton’ny lavaka midadasika be izay vokatry ny asan’ny rivotra sy ny ranon’orana ka nanome endrika miavaka. Anisan’ny valanjavaboary 43 tantanin’ny Madagascar National Parks ny ao Ankarafantsika, mivelatra amin’ny faritra 136 513 ha.Valo ny karazana fitsidihana azo atao ao anatin’ny valanjavaboary ka anisany ny fijerena akaiky ny lavaka. 24 km ny lalana azo diavin-tongotra ao anatiny. Raha hidina hijery ny lavaka any ambany, 20 minitra eo ho eo ny faharetany mamakivaky ny ala. Namboarina manokana ny lalana handray ny mpitsidika mandeha an-tongotra tsy hitera-doza ho azy ireo.Tsy maintsy ialohavan’ny mpitari-dalana ny fitsidihana satria be efitrefitra ny lavaka. Nahavariana ny nahita ny cheminés des fées sy demoiselles coiffées voatefin’ny rivotra ka lasa kindrindriana rehefa tazanin’ny maso. Tsy azon’ny mpitsidika kitihina satria malemy ireny cheminés ireny ka mandrava ny hakanton’ny voary.Ankoatra ny Malagasy, maro ny mitsidika ny lavaka be ao Ankarokaroka ny Frantsay sy ny Amerikanina, indrindra amin’izao fotoana izao. Noho ny tsy fandriampahalemana anefa, nihena 14% ny isan’ny mpitsidika. Nanomboka ny fiandohan’ny taona ka hatramin’ny volana jolay lasa teo, 3 117 ny isan’ny mpitsidika tonga nidina tao anatin’ny lavaka be.Ny taona 2018, nahatratra 11 426 ny olona voasarika ka ny 40%,  Malagasy avokoa. Manana karazam-borona 130 ao Ankarafantsika ankoatra ny sifaka sy ny angonoka (tsy azon’ny mpitsidika jerena). Rehefa hiakatra indray hamonjy ny toeram-pitazanana ery ambony, misy faritra nokarakaraina ahazon’ny mpitsidika miala sasatra sy mijery ny zava-maniry samihafa.2 000 Ar ny saran’ny fitsidihana ny lavaka be  Fikaohan’ny riaka sy ny rivotra tao anatin’ny  taon-jato telo teo ho eo no nanome ny endriky ny lavaka amin’izao fotoana izao, tany fasihana no manodidina ny lavaka ka mila fitandremana, hoy ny mpitari-dalana Ratsinjovindraibe Tahiry Germain. 2 000 Ar ny saran’ny fidirana ho an’ny Malagasy raha 55 000 Ar ho an’ny vahiny. 65 000 Ar kosa ny saran’ny fitondrana mpitari-dalana (ho an’ny olona latsaky ny dimy) satria saro-pady ny toerana. 23 ny mpitari-dalana rehetra misahana ny zahavoary ao Ankarafantsika izay entina koa hamelomana sy hampihodinana ny valanjavaboary.Vonjy A. L’article Zahavoary ao Ankarafantsika: mahavarina ilay lavakabe ao Ankarokaroka a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fahatongavan’ny papa François: horaisin’ireo Ekar miisa 21 ireo vahiny avy amin’ny diosezy

Efa anaty fiomanana sy fandaminana tanteraka. Ho avy afaka iray volana mahery eto amintsika ny papa François. Anisan’ny andrasana amin’izany koa ireo vahiny sy mpino kristianina avy any amin’ny faritra. Efa mametrapetraka ny handraisana azy ireo ny mpikarakara.« Horaisin’ireo fiangonana katolika miisa 21 eto Antananarivo ny fampiantranoana ireo vahiny avy any amin’ny diosezy miisa 21 amin’ny fitsidihan’ny papa François eto amintsika”, hoy ny vikera jeneraly, ny Mgr Rabenantoandro Ludovic, omaly. Nanteriny fa efa misy ny fifandraisana mivantana eo amin’ny pretra miahy ireny paroasy handray vahiny ireny sy ny diosezy. Nofidina manokana kosa ireo fiangonana 21 ireo mba ho akaiky kokoa ny eny Adrohibe Soamandrakizay, hanaovana  ny sorona masina ny alahdy 8 septambra izao.  “Marobe ny vahiny ho avy ka azo ampiasaina amin’izany avokoa ny “sale d’ouevre” sy ny sekoly na trano malalaka hafa. Nentanina koa ireo tokantrano eny anivon’ny paroasy ireo hilaza ny fahafahany mandray vahiny telo na efatra, ohatra, arakaraka ny fandaminana”, hoy ihany izy.Ny mpitandro filaminana avy any VatikanaTsiahivina fa anisan’ny mandray vahiny ny Ekar Mahamasina, ny Ekar Soanierana, ny Ekar Ivato, ny Ekar Manjakaray, ny Ekar Antanimena, ny Ekar 67 ha, ny Ekar Tsaramasay…Ankoatra izany, efa miroso ny asa fanajariana ny eny amin’ny kianjan’i Soamandrakizay Androhibe amin’izao fotoana izao. Miara-miasa amin’ny fanatanterahana izany ny eo anivon’ny fiangonana katolika sy ny fitondram-panjakana ary ny eo anivon’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo. Efa maromaro koa ireo iraka manokana avy any Vatikana nifandimby nitsidika teto amintsika nijery ny fandaminana rehetra amin’izany handraisana ny papa François izany. Teo koa ny mpitandro filaminana manokana avy any amin’ny fiketrahana masina, nametrapetraka ny lamina rehetra ho fiahiana izany filaminana izany.Hira amin’ny lamesa hotarihin’ny papa FrançoisManampy izany, efa hiainga tsy ho ela ny eo anivon’ny ekipan’ny Ankalazao ny Tompo amin’ny fampianarana ny hira rehetra, amin’ny sorona masina hotarihin’ny ray masina. Misy hira amin’ny teny vahiny, toy ny latinina sy ny frantsay hatao amin’izany.Midika ireo fa efa am-periny tanteraka ny eo anivon’ny fiangonana amin’izany handraisana  ny papa François izany.Synèse R.     L’article Fahatongavan’ny papa François: horaisin’ireo Ekar miisa 21 ireo vahiny avy amin’ny diosezy a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Betroka : Mpanankan-dalana nifanehatra tamina fiaran’ny zandary

Ela nitoratorahana. Ara-bakiteny mihitsy ity oha-pitenanana ity tany amin’ny tanana iray antsoina hoe Ampandrana, 15 km tsy ahatongavana any Betroka. Ny alarobia lasa teo mantsy dia nieritreritra ny hanafika ireto fiara roa, nandalo tamin’izany lalana izany ny andian-jiolahy maromaro. Ny tsy nampoizin’izy ireo anefa dia fiaran’ny zandary manao fisafoana tany amin’iny faritra iny ireto fiara roa saika notafihan’izy ireo ireto. Na izany aza dia mbola nanao toy ny fanaony izy ireo, nieritreritra fa hampitahotra ireo olona tao anatin’ilay fiara tamin’ny alalan’ny tifitra variraka. Poa toa izay anefa ny famaliana. Namaly tifitra ihany koa ireo zandary tao anatiny. Taitra tamin’ny valin-kafatra haingana dia haingana ireo olon-dratsy ary nirifatra nitsoaka. Taorian’io, ary teo ho no eo ihany dia nandeha ny savahao sy ny fikarohana ireo mpanafika ireto. Ny ampitson’io, ny alakamisy teo no voasambotra ny olon-dratsy niisa fito, niaraka tamin’ny basim-borona roa. Notazomina avy hatrany natao fanadihadiana ao amin’ny tobim-paritry ny zandary ao Betroka moa ireto mpanakan-dalana ireto. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo namany hafa. m.LL’article Betroka : Mpanankan-dalana nifanehatra tamina fiaran’ny zandary a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Midi Madagasikara

Ankerana : Jiolahy tra-tehaka saika hamaky trano

Tratra am-body trano ! Lehilahy iray no voasambotry ny pôlisy avy etsy amin’ny boriborintany fahavalo Analamahitsy raha saika hamaky tranon’olona iray teny amin’iny faritra Ankerana iny, ny faran’ny herinandro teo. Tsy nampoizin’ilay ranamana ity tokoa fa nisy « camera de surveillance » ilay trano, izay nahitàna azy tsara nivezivezy nitady hirika hamahana varavarana. Tokony ho tamin’ny roa ora maraina tokoa dia taitra ny tompon-trano fa naheno olona nivezivezy tao an-tokontany. Nojerena avy hatrany amin’ilay alalan’ny « camera » izany ary hita teo tokoa ity olon-dratsy. Niantso pôlisy avy hatrany ireto voatafika, ary tonga haingana teny an-toerana ireo mpitandro filaminana. Asa na mahana tamin’ny fikoropahana tao an-trano angamba ilay mpangalatra ka lasa nandositra, saingy nifanena tsara tamin’ireo pôlisy. Rehefa nosavaina dia mbola nahitàna fitaovana maromaro, toy ny baramina sy « pince » maromaro tany aminy. Niaiky ihany koa ingahirainy fa niomana ny hamaky io trano io tokoa izy, rehefa nitady nandritra ny fotoana maro, izay trano mora novakiana teny an-toerana. Natolotra teny anivon’ny Fampanoavana moa ity lehilahy ity taorian’ny fanadihadian’ireo mpitandro filaminana ary nadoboka am-ponja avy hatrany. m.LL’article Ankerana : Jiolahy tra-tehaka saika hamaky trano a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Lemaka Bas Mangoky: nomena hisafidy karazam-bary volena ny tantsaha

Ifantohana manokana miaraka amin’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad) ny fampiroboroboana ny fambolena ao amin’ny lemaka Bas Mangoky. Ankoatra ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, nentina any an-toerana ny vokatry ny fikarohana karazam-bary.Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Priaso (1) ny fikarohana karazam-bary mety any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Ny herinandro lasa teo, niarahana tamin’ny tantsaha mpamboly amin’ny lemaka Bas Mangoky, ny vokatry ny fikarohana. Nisy karazam-bary 18, ka 14 ny avy amin’ny Africarice ary efatra ny avy amin’ny Fofifa. Nomena sehatra malalaka hisafidy amin’izay mety aminy na PVS (2) ny tantsaha, hanatsara kokoa ny vokatra raha oharina amin’ny efa fanao tany aloha.Raha eo anivon’ny Africarice, firenena maro aty Afrika ny efa nitondrana izany nanomboka tamin’ny fanaovana andrana, misy maharitra telo taona, tonga amin’ny fambolena karazam-bary mifanaraka amin’ny toe-tany sy ny toetr’andro, hatramin’ny fomba amam-panaon’ny mpamboly. Toy izany koa ny atao any amin’ny lemaka Bas Mangoky.Tonga any an-toerana ny teknisianina avy ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena nampiofana sy nampahalala ireo tantsaha momba ireo karazam-bary ireo. Momba izay safidy izay indrindra, nampahalalana azy ireo ny dingana natao momba ny fikarohana mialoha izao fanaparihana azy izao.Atao izay hahamora ny fanapariahana sy ny handraisan’ny tantsaha azy, koa raha hita ny fahombiazana amin’ny taom-pambolena fampiharana azy, hatao izay hanatevenana azy hahazoana masomboly vaovao ho an’ny taom-pambolena manaraka. Hampahafantarana ny sampam-pikarohana ihany koa izay karazam-bary nahitana fahombiazana teo amin’ny vokatra.Tanjona ny hahazoam-bokatra 10 t/haTanjona ny hahazoam-bokatra 10 t/ha, efa vitan’ny tany Afrikanina sasany (Gabon, ohatra), any amin’ny lemaka Bas Mangoky, manomboka amin’ny fanajariana ireo fotodrafitrasa, tonga amin’izao teknika vaovao izao. Fianakaviana iray alina mahery ny mahita tombontsoa any an-toerana. Tohanan’ny Bad amin’ny famatsiam-bola ny lemaka Bas Mangoky nefa tsy any ihany ny faritra mpamboly vary eto amin’ny Nosy mila tosika amin’ny lafiny maro. Ny fanjakana koa moa, zatra miandry famatsiam-bola avy any ivelany. R.Mathieu Piaso (1) : Projet de réhabilitation des infrastructures agricoles de la région Sud-OuestPVS (2) : Sélection variétale participativeL’article Lemaka Bas Mangoky: nomena hisafidy karazam-bary volena ny tantsaha a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fiondranana an-tsokosoko :: Tra-tehaka ireo olona fito ambin’ ny folo saika ho any Mayotte

Saron’ny Zandarimariam-pirenena, tao Ampasimbary, kaominina ambanivohitr’Antafiambotry, ao amin’ny distrikan’Ambanja, ireo olona fito ambin’ny folo nikasa hiondrana an-tsokosoko ho any Mayotte, tamin’ny sabotsy lasa teo. Olona avy any Mahajanga, Nosy Be, Antsiranana sy avy any amin’ny faritra Sava ireto niaraka tamina sambo (La Coque) ireto, araka ny fanazavana avy amin’ny Zandarimariam-pirenena avy any Ambanja. Miisa roapolo izy ireo no niaraka tamin’ity sambo ity, araka ny loharanom-baovao, saingy tsy hita ireo mpandeha telo. Efa nandoa saran-dalana avokoa izy ireo, araka ny fantatra. Mitentina 2 800 000 ariary no efa naloan’izy ireo, araka ny fantatra. Vela-pandrika nataon’ny zandary, notarihin’ny Lietna Antrefinomenjanahary Solofo sy ny ekipany, no nahatrarana an’ireto andian’olona nikasa hiondrana an-tsokosoko ho any Mayotte ireto. Nomarihan’ny zandary tany an-toerana fa efa fomban’ilay mpitondra an’io sambo io izao, saingy tamin’ity indray mitoraka ity vao sarona izy. L’article Fiondranana an-tsokosoko :: Tra-tehaka ireo olona fito ambin’ ny folo saika ho any Mayotte est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kitra vehivavy – “Cosafa cup 2019”: resin’i Malawi ny ekipam-pirenena malagasy

 Ratsy fanombohana ny ekipam-pirenena vehivavy, taranja baolina kitra. Resin’i Malawi avy hatrany mantsy izy ireo teo amin’ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny “Cosafa cup 2019”. Niondrika tamin’ny isa mazava, 2 no ho 0, nanoloana an’i Malawi ny ekipam-pirenena malagasy, vehivavy, taranja baolina kitra, nandritra ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny “Cosafa cup women 2019”, ho an’ny vondrona A. Fihaonana notanterahina, omaly alarobia, tao amin’ny kianja Wolfson Stadium, Afrika Atsimo.Ekipa zakan’ny Malagasy tsara ry zareo Malaoita, saingy lesoka hatrany teo amin’ny famonoam-baolina. Nanjakan-dry Mampionona sy ry Christina mantsy ny fizaram-potoana voalohany. Nihanona tamin’ny valim-panafihana tsy dia natahorana loatra ry zareo Malawi. Nisaraka tamin’ny isa 0 no ho 0 ny roa tonta, teo amin’ny am-pialan-tsasatra.Niova tanteraka kosa ny endri-dalao teo amin’ny tapa-potoana faharoa satria toa hita nitambesatra tamin’ireo mpilalao malagasy ny havizanana. Nihanahazo hery kosa ny Malaoita ka nanao totoafo ny fanafihan’izy ireo.Na izany aza, nisy ihany ny baolina tokony ho tafiditry ny Malagasy, saingy voasakan’ny mpiandry tsatobin’i Malawi ny daka nataon-dry Sarah. Efa tany amin’ny 10 mn farany no namonoan’ny tovovavin’i Malawi ireo baolina roa nahazoany ny fandresena, tamin’ity andro voalohany ity. “Coup franc”, teo amin’ny minitra faha-81 ny baolina voalohany, izay tsy voatosik’i Nanah, mpiandry tsatoby malagasy tsara ka niantefa teny amin’ny tongotr’i Salome Vinkhumbu, nanosika izany tany anaty harato.Valim-panafihana kosa ny faharoa, tafiditr’i Zainab Kapanda, teo amin’ny minitra faha-89. Na teo aza ny faharesen’ny ekipam-pirenena malagasy, voahosotra ho mpilalao mendrika, tamin’ity, i Mamy Lalaina Prisca, kapitenin’ny ekipa.Hidona amin’i Kaomoro indray ny Malagasy, ny zoma ho avy izao, eo amin’ity fiadiana ny “Cosafa womens cup 2019” ity. Tompondaka L’article Kitra vehivavy – “Cosafa cup 2019”: resin’i Malawi ny ekipam-pirenena malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Cinéma - News

Spike Lee nampifamadihana tamin’i Stan Lee

Nampifamadihan’ny olona tamin’i Stan Lee, nandà ny fahafatesany i Spike Lee "Velona soa aman-tsara aho!", hoy ilay mpanantontosa tamin’ny Instagram. Lasa nalaza tampoka omaly ny teo amin’ny gazety néo-zélandais Gisborne Herald, satria afaka vakiana hoe « Maty tamin’ny 95 taona i Spike Lee ». y sary dia ny an’i Stan Lee tokoa, ilay mpamorona super héros marvel maro izay maty tamin’ny alatsinainy, fa efa navoaka ilay izy. Voatery ilay mpanantontosa 61 taona ny handà ny fahafatesany. Teo amin’ny compte Instagram, nozarainy ilay sarin’ilay gazety ary nilaza izy fa « velona soa aman-tsara ». « Andriamanitra anie hitahy ny fanahin’i Stan Lee, fa ny anahy aloho, mbola aoka aloha .», hoy ilay mpanantontosa ny Do The Right Thing et Blackkklansman. Jeremy Muir, ilay mpanoratra ao amin’ny Gisborne Herald, dia niala tsiny ho an’izany fahadisoana izany, ka nilaza fa tena « mahamenatra izany » ho an’ny endrika asehon’ity gazety ity, izay nisy hatramin’ny 1874. « nampihomehy ny olona izany, dia tsy maninona, fa tena mahamenatra. Fahadisoan’olom-belona izany. »

News - News Mada

Fandraikiraikena: voasambotra ireo mpisoloky milaza ho mpanamboatra vola

Tsy lany paika ny olon-dratsy. Voasambotra tao Antsirabe ny asabotsy teo ny mpisoloky milaza ho mahavita vola tena izy amin’ny alalan’ny ravin-taratasim-bola ampiarahina amina akora.Mpisoloky miisa telo, ahitana lehilahy roa sy vehivavy iray, voasambotry ny zandary tao An­tsirabe ny asabotsy teo. Milaza ho mahavita lelavola tena izy amin’ny fampiasana taratasy fanamboarana vola izy ireto. Misy akora ampiarahina sasàna amin’izany ahazoana vola tena izy. Nahazo angom-baovao ny zandary, ny 16 jolay teo, fa misy olona mpanamboatra vo­la ao Antsirabe. «Rehefa izany, nanaovana tatitra avy hatrany ny fitsarana ary nahazo alalana hanao fizahana sy fisamborana ny zandary», hoy ny fanazavan’ny zandarimariam-pirenena, loharanom-baovao. Napetraka nanaraka izany koa ny paikady hihaonana amin’ireo olona ireo. Nihaona mi­van­tana tamin’ny ramatoa iray ny zandary. «Nilaza ilay vehivavy fa misy mpiasan’ny banky foibe eto Antananarivo afaka mamoaka ravin-taratasy fanamboarana vola. Misy koa ny akora ampiarahina amin’ireo taratasy ireo ka rehefa sasàna miaraka ireo, vola 20 000 Ar sy 10 000Ar no mivoaka. Vola tena izy fa tsy sandoka», hoy hatrany ny zandary.Sarona tamin’ny vela-pandrikaRaikitra ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta hanaovana andrana ny asabotsy teo. Nomena ireo mpisoloky ny vola mitentina 10 tapitrisa Ar, niaraka amina ravin-taratasim-bola sy akora ahavitana vola mitentina 30 tapitrisa Ar. Natao ny fifanakalozana tao amina hotely iray eny Amba­vahadimangatsiaka, toerana nifanomezan’ny roa tonta fo­toana. Nitondra ravin-taratasy voadidy mitovy habe amin’ny vola 10 000 Ar ireo mpisoloky izay voafono tao anaty «papier alu» sy akora. Ilay zandary kosa, nitondra vovo-tsavony sy «seringue». Rehefa natao ny fanandramana, nivoaka ny vola 40 000 Ar tamin’ireo vola 10 000 Ar. Hakingan-tanana anefa no ataon’ireo mpisoloky amin’izany. Vokany, nantsoina ireo zandary efa niandry tsy lavitra teo ka tratra am-bodiomby ireo olon-dratsy.Henintsoa HaniL’article Fandraikiraikena: voasambotra ireo mpisoloky milaza ho mpanamboatra vola a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

  Fanimbazimbana ranoiray: ho very ny hasin’ny teny malagasy
17/09/2020

 Hatreto, mbola misy ihany ny tsy mahafantatra fa manan-jina ny teny. Tafiditra ao anatin’izany ny teny malagasy. Miainga hatrany amin’ny niforonany ka mipaka hatrany amin’izay hiantefany, manan-kasina ny teny malagasy. Tsy azo itenitenenana foana. Tsy azo amelomana ady, sns. Ny mitranga ankehitriny? Tranga miteraka alahelo na hatezerana na fanafintohinana izao ka lazaina fa “mampihomehy”! Sanatria ve ka nihomehy tamin-javatra mampalahelo ny Malagasy? Very tanteraka ny hasin’ilay teny satria tenenina sy tononina ary ilazana endrin-tranga mifanohitra. Tsy io ihany fa misy hafa ihany koa.Tsy tokony ho matinkenamaso ny Malagasy tsirairay hanitsy ny tranga tahaka itony. Matetika mantsy teraka avy any amin’ny tery vay mantan’ny fiarahamonina ireny teny manimbazimba ny hasin’ny teny malagasy ireny ka tokony ho avy eny ihany no hikaro-bahaolana ho fanarenana izany. Na iza na iza, na zovy na zovy nipoiran’ireny teny  manimbazimba ny hasin’ny teny malagasy ireny, tokony ho afaka hanitsy izany avokoa ny rehetra. Efa endriky ny fanitsiana ny tsy fampiasana ilay teny, saingy tsy ampy izany.Mila miaro ny teniny ny Malagasy mba tsy ho very hasina tanteraka izany any aoriana any ka na ny ozona mahazo azy aza sao heverin’ny sasany ho tsodrano. Ny alahelon’ny hafa eo an-tampon’ny lohany sao adikany ho fahasoavana. Rehefa mitranga ny tsy ampoizina vao “miova fo”, hono!HaRy RazafindrakotoL’article   Fanimbazimbana ranoiray: ho very ny hasin’ny teny malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Taom-pambolena 2020-2021 : misy ny fanantenana amin’ny vary any Alaotra
18/09/2020

Tsy ratsy, araka ny nahiana, ny voka-bary 2019-2020 farany teo tany Alaotra na nisy aza ny hetraketraky ny toetr’andro sy ny fahanteran’ny fotodrafitrasa. Indro kely anefa ny tsy fahampian’ny rano sy ny tsy fifehezan’ny tantsaha ny zezi-pahitra fa voatery mampiasa ny zezi-bazaha.Tsara ny voka-bary farany teo raha ny fahitan’ny tompon’andraikitry ny rafitra mpampindram-bola (Cecam, Otiv,…) aty Alaotra. Toerana iray tena mijaly rano isan-taona koa ny any Amboavory, saingy nahafa-po ny vokatra.Anisan’ny hanamarinana ny hatsaran’ny vokatra ny fitomboan’ny tantsaha mividy Kubota. Nilaza ny mpiasa iray amin’ny tranombarotra eto Ambatondrazaka fa “efa maherin’ny 100 ny lafonay… Roa isan’andro kosa amintsika miteny izao”. Dimy ny toerana ivarotana Kubota eto amin’ny renivohitr’Alaotra-Mangoro ka 7 tapitrisa Ar ny vidin’ny iray.Tsy nihoatra ny 1 000 Ar ny akotryTsy nihoatra ny 1 000 Ar ny vidin’ny kilaon’ny akotry eny amin’ny mpamboly tamin’ity taona ity, raha ny filazan’ny tantsaha any Ambatomainty, nisy foibe Somalac fahiny ary efa nidina indray aza izany, ankehitriny. Niaka-bidy kosa ny vary fotsy, mihoatra ny 500Ar ny kapoaka (1 750 -1 800 Ar/ kg) ao Ambatondrazaka, 480Ar (1 680 Ar-1 700 Ar/kg) any Ambohitrarivo, sompitry ny vary.Tombanana hamokatra tsara ireo tanimbary ,117 000 ha, amin’ny taom-pambolena 2020-2021. Manantena ireo sampandraharaha miara-miasa amin’ny tantsaha hatreny ifotony(CSA) fa ho tonga ara-potoana ny vola hoentina miasa.Tsy ampy ny ranoTsy ny vola enti-mihetsika ihany fa iankinan’ny fahombiazan’ny fambolena koa ny masomboly, ny zezika, ny teknika enti-mamboly…ary indrindra, ny rano. Mitaraina ingahy Dinah Green sy ny lehiben’ny fari-piadidian’ny Fambolena fa efa saika ilaozan’ny rano ny maro amin’ireo tohodrano. Nomarihin’izy ireo koa fa tsy mahita vokatra raha tsy mampiasa zezi-bazaha nefa manimba ny tontolo iainana.Hotantanin’ny Italianina ny any Anosiboribory?Marihina fa tsy vita hatramin’ny farany ny fampiofanana momba ny fanamboarana zezi-pahitra (compost), natomboka taona vitsy lasa izay. Mikasika ny masomboly, milaza ny tantsaha fa “toa Italianina indray, hono, no hitantana ny foibe any Anosiboribory…. Aoka ho marin-toerana ny fitantanana ity foibe ity, ary tokony hovokarina eto amintsika ny “hybride” fa lafo loatra”. RarivoL’article Taom-pambolena 2020-2021 : misy ny fanantenana amin’ny vary any Alaotra a été récupéré chez Newsmada.

R.N.S Kolontsaina – Loabary an-dasy: hodinihina ny fandikana ny teny malagasy…
21/09/2020

Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny “Andro iraisam-pirenena ho an’ny fandikan-teny 2020”. Hanatanteraka loabary an-dasy mivantana ao anaty “facebook” ny R.N. S Kolontsaina. Hetsika hotanterahina ny alahady 27 septambra izao, manomboka amin’ny 4 ora sy 30mn tolakandro (oran’i Madagasikara) ka hatramin’ny 6 ora hariva. Lohahevitra nosafidina amin’izany ny “Fandikana ny teny malagasy ho amin’ny teny vahiny”. Handray anjara amin’ny famoaboasana izany i Irène Rabenoro, mpikambana mahefa ao amin’ny Akademia malagasy, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, i Johary Ravaloson, mpanoratra, mpanonta boky, mpandikateny; i Hajaina Andrianasolo, mpanoratra mpikambana mpiombona antoka ao amin’ny Akademia malagasy filohan’ny Havatsa-Upem ary i Hanitr’Ony Salomon, mpanoratra, poeta, filohan’ny Havatsa-Upem sampan Frantsa. I Salohy Rahaingoson kosa no handrindra ity loabary an-dasy ity. Hanasana ny rehetra kosa ny fandraisana anjara.… Anisan’ny fanoitra lehibe hoenti-mampivoatra ny fiainam-pirenena ny famelomana hatrany ny tenin-drazana. Na izany aza, tsy afa-miala amin’ny fifaneraserana eo anivon’izao tontolo izao ny Malagasy sy i Madagasikara. Antony iray mahalehibe sy mampanan-danja ny fandikan-teny ireo.HaRy RazafindrakotoL’article R.N.S Kolontsaina – Loabary an-dasy: hodinihina ny fandikana ny teny malagasy… a été récupéré chez Newsmada.

Vehivavy 22 nahazo fiofanana :mampivelatra ny fanaovan-gazety siantifika
19/09/2020

477 ny isan’ny mpanao gazety vehivavy eto Analamanga sy amin’ny faritra telo hafa mandrafitra ny fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety eto Madagasikara. Miezaka ny ho matihanina izy ireo ary misokatra amin’ny fikirakirana karazam-baovao toy ny vaovao siantifika.Manomboka mahasarika ny mpanao gazety, indrindra ny vehivavy, ny fanaovan-gazety siantifika izay mbola vaovao ihany satria hatramin’izay, misahana ny lohahevitra rehetra amin’ny ankapobeny ny mpanao gazety malagasy. “Ho fanampiana ny vehivavy mpanao gazety hirona kokoa amin’izay fanaovan-gazety siantifika izay, nisy fanofanana nomena azy ireo avy amin’ny tetikasa “Adidin­tsika” nokarakarain’ny Fikam­banan’ny vehivavy mpanao gazety eto Madagasikara nandritra ny roa andro teny Antanimena”, hoy ny filohan’ny fikambanana, Andrianaivo­nirina Anny. Amin’izao fotoana mbola iadiana amin’ny valanaretina Coronavirus izao, nizara traikefa momba ny fikirakirana vaovao siantifika ma­nodidina ny valanaretina ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana, ny dokotera Rakotoarivony Manitra. Voa­resaka ny fomba fitrandrahana loharanom-baovao sy ny fandanjalanjana ny azo zairaina amin’ny mpamaky sy ny mpijery ka hampitony ny olona ny fizarana hahalalany ny tokony hatao manoloana ny Covid-19.Hatrany ivelany …“Mila fitiavana sy faharetana ny famokarana lahatsoratra na fandaharana mivoy vaovao siantifika ary tsy maintsy omanina andro maromaro”, hoy Razafiarison Rivonala, mpanao gazety siantifika efa an-taony maro. Mbola vitsy ny mpanao gazety malagasy nisafidy ny hitrandraka izany nefa manokatra fivelarana amin’ny asa maha mpanao gazety hatrany ivelany. Mpanelanelana eo amin’ny mpikaroka siantifika sy ny vahoaka ny mpanao gazety hitondra ny vaovao misy fiantraikany amin’ny fiainany andavanandro. Sarotra ny asan’ny mpanao gazety amin’ny fotoan’ny hamehana tahaka izao nefa adidiny ny mitondra vaovao marina. 22 ny mpanao gazety vehivavy nanaraka ny fiofanana ary nizarana ny taratasy fanamarinana ny fahavitan’ny fizarana izy ireo, omaly. Nanotrona ny lanonana fizarana ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ary ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara. Nanohana ny tetikasa nahafahana nanofana ny Agence française de coopération médias (CFI) sy ny Agence française d’expertise technique ary ny AFD.Vonjy A.L’article Vehivavy 22 nahazo fiofanana :mampivelatra ny fanaovan-gazety siantifika a été récupéré chez Newsmada.

SEKOLY TELMA : Vahaolana ho an’ireo ankizy ao amin’ny tanànan’i Mokotra sy ny manodidina
19/09/2020

Vokatry ny fanafihan-dahalo matetika. Noho ny fiarahamiasa teo amin’ny Fondation Axian sy ny ONG Blue Ventures dia vita soamantsara ny fanamboarana ny EPP tao amin’ny tanànan’ny Mokotra, faritra Menabe. Notontosaina ny 17 septambra 2020 ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ity Sekoly Telma faha-78 ity.Tao anatin’ny fanajana ny fenitra  tanteraka no nanamboarana ny sekoly ka efitrano fianarana telo, efa misy fitaovana toy ny latabatra, dabilio, trano fivoahana sy fidiovana ary lavan-drano no hita ao anatin’izany. Ankoatra ny tohana ara-bola sy ara-pitaovana avy amin’ny fandaharan’asa Sekoly Telma dia nandray anjara tamin’ny asa fanamboarana  ny EPP Mokotra ny ONG Blue Ventures sy ny mponina tao an-toerana. “Afaka mandray mpianatra 150 isa ny sekoly manomboka amin’ny taom-pianarana vaovao ho avy eo, hoy ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny Fondation Axian”, Rajemison Dina. Nambarany ihany koa fa nanaiky ireo manam-pahefana any an-toerana toy ny Governoran’ny faritra, ny faripiadidiam-pampianarana fa handray an-tanana ny fandefasana mpampianatra telo sy fanomezana latabatra sy dabilio miisa 75. Fandaharan’asan’ny Fondation Axian ny Sekoly Telma ho fampitomboana ny tahan’ny zaza miditra an-tsekoly sy fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana. Miara-miasa amin’ireo fikambanana eto an-toerana sy any ivelany izy. Teo anelanelan’ny taona 2015 ka hatramin’ny 2019 dia sekoly Telma miisa 77 no namboarina manerana an’i Madagasikara ary ankizy tokony hianatra miisa 15.000 no nisitraka mivantana izany. Raha ny ONG Blue Ventures kosa no resahana dia fikambanana miasa amin’ny sehatry ny tontolo iainana manohana ny velontenan’ireo mponina any amorontsiraka ho fiarovana ny harena an-dranomasina ho lovainjafy. Ny taona 2005 izy no tonga teto Madagasikara ka any Ambanja (DIANA), Besakoa (Boeny), Maintirano (Melaky), Belo sur  Mer (Menabe)  ary Andavadoaka (Atsimo Andrefana), no toerana iasany.  Araka ny fanisam-bahoaka nataon’ny fikambanana tamin’ny taona 2018 dia fantatra fa ankizy 146, eo anelanelan’ny 5 ka hatramin’ny 14 taona no tsy mankany an-tsekoly ao amin’ny tanàna telo ao amin’ny faritra Menabe: Belalanda, Marovitiky sy Mokotra.  Ny rejistran’ny DREN (Direction Régionale de l’Éducation Nationale) Menabe ihany koa dia milaza fa nisy EPP tao Belalanda ary vita tamin’ny vondro saingy potika izany ny taona 2013 ary tsy nasiam-panamboarana mihitsy. Tsy nety nampianatra ireo mpampianatra nalefa tany noho tsy fisian’ny foto-drafitr’asa. Voatery mandeha mamonjy sekoly andehanan-tongotra mandritra ny 45 minitra ireo ankizy. Noho ny fanafihan-dahalo matetika anefa dia tsy mahafohy mandefa ny zanany  an-tsekoly ireo ray aman-dreny. Nirina R. Cet article SEKOLY TELMA : Vahaolana ho an’ireo ankizy ao amin’ny tanànan’i Mokotra sy ny manodidina est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article SEKOLY TELMA : Vahaolana ho an’ireo ankizy ao amin’ny tanànan’i Mokotra sy ny manodidina a été récupéré chez Délire Madagascar.

COVID-19: Statistiques du 21 Septembre 2020
21/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Statistiques du 21 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Sur les 451 tests effectués ces dernières 24 heures, 20 personnes sont diagnostiquées positives au coronavirus a rapporté ce lundi 21 septembre la porte-parole du CCO. Ainsi, Madagascar compte actuellement 16073 contaminations depuis l’apparition de la pandémie de covid-19 dans le pays. Ces nouveaux cas ont été majoritairement localisés dans la région Analamanga avec un total de 12 cas. Le reste est réparti comme suit: 4 cas à Vakinankaratra, 1 cas à Itasy, 1 cas à Alaotra Mangoro, 1 cas à Matsiatra Ambony et 1 cas à Boeny. Ce jour, 36 patients ont recouvré la santé portant à 14682 le nombre total de guérisons dans tout le territoire malagasy. Par ailleurs, 1164 malades sont encore en traitement, dont 20 dans un état critique. Deux nouveaux décès ont été communiqués. Désormais, le nombre officiel des victimes s’élève à 225. L’article COVID-19: Statistiques du 21 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Kitra: miaiky ny fisian’ny disadisa eo aminy sy ny FMF i Dupuis
24/09/2020

Izay vao tena fantatra fa misy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar. Ankoatra izay, tsy manantena vokatra loatra amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ny tenany.Novakin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar, ampahibemaso tao amin’ny tambanjotran-tserasera fa misy ny tsy fifankahazoana eo aminy sy ny mpikambana sasany ao amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Notsindriny mihitsy fa olona telo ihany amin’ireo folo mandrafitra ny mpikambana eo anivon’ny komity mpantanteraka no tena tsy mitovy fomba fijery aminy, amin’izany.Raha tsiahivina, tsy vao izao akory no nisy ity tsy fifankahazoana eo amin’i Nicolas Dupuis ity sy ny federasiona malagasin’ny baolina kitra fa efa hatry ny ela. Anisan’ny nampifanolana azy voalohany ny resaka vola azon’ny Barea, tamin’ny “Can 2019”. Teo ihany koa ny resaka fanamiana hanaovan’ny ekipam-pirenena Malagasy. Ary ny farany teo, ny lalao firahalahiana, hanomanana ny fihaonana amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Can 2022”. Misisika mafy ny hanaovana fihaonana firahalahiana amin’ny Swift Hesperange, ekipa D1 any Luxembourg, mantsy ingahy mpanazatra raha tsy manaiky izany kosa ireo mpikambana sasany ao amin’ny federasiona.Vokany, nilefitra ihany i Nicolas Dupuis ka nanaiky fa ny Etalons-n’i Borkina Faso no hihaonana amin’izay fanomanantena izay. Tsy nijanona teo ny olana fa vao mainka nampisy disadisa indray ny famoahana ny lisitr’ireo mpilalao mandrafitra ny Barea. Ny tale teknika nasionaly sy ireo mpikambana eo anivon’ny FMF mantsy no nampahafantatra izany tamin’ny mpanao gazety fa tsy i Nicolas Dupuis. Ankoatra izay, tsy manantena fandresena amin’ny Elefantan’i Cote d’Ivoire i Nicolas Dupuis fa miantehitra amin’ny lalao hikatrohana amin’i Etiopia ny hamaritana ny ho lalan’ny Barea.Mikasika ny lalao firahalahiana, eo am-panaovana fangatahana amin’i Maraoka ny federasiona ankehitriny amin’ny hamindrana ny fihaonana eo amin’ny Barea sy ny Etalons. Efa nofoanana ilay any Portugal noho ny fiakaran’ny tahan’ny valanaretina Covid-19. TompondakaL’article Kitra: miaiky ny fisian’ny disadisa eo aminy sy ny FMF i Dupuis a été récupéré chez Newsmada.

Fahantran’ny mponina: tsy ampy 3 % ny afaka mindram-bola amin’ny banky
17/09/2020

Ambany dia ambany ny olona manana fifandraisana amin’ny banky eto Madagasikara, tsy ampy 10 % raha raisina hatrany amin’ny mpampindrana vola madinika ireny (IMF). Ratsy  toerana i Madagasikara aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika, araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena, amin’ny lafiny fihariana raha ny banky. Ny vola avy aminy anefa no hery iray manosika ny fihariana lehibe na madinika, mampihodina ny toekarena amin’ny ankapobeny. Tsy ampy ny fampiasana banky, nefa manana karazana tolotra ho an’ny sokajin’asa rehetra.Tsy ampy  3% ny olona afaka mindram-bola amin’ny banky. Araka ny fanadihadiana, mbola sarotra ny fifampiraharahana amin’ny banky eto an-toerana.  Tsy fahazaran’ny maro ny fifandraisana amin’io rafitra iray io, manambara ihany koa ny fahantrana mahazo vahana. Ireo fepetra maro takina, efa sakana na ho an’ireo olona manam-bola aza.Ireo banky tsy miditra amin’izay, mety tsy mahatafaverina ny volany, moa ny ankamaroan’ny mponina tsy mahafeno izay fepetra takina aminy, indrindra ny antoka. Na misy aza izany, mbola manalasala.   Ambony noho izany ny tahan’ny zanabola ka ny vitsy no afaka mindrana sy mampiasa vola. Tsy mivelatra ihany koa ny sehatra fampiasam-bola, ny efa be mpampiasa ihany no hindramam-bola, ka voafetra ny tolotra.Noho ireo antony rehetra ireo, mila maka traikefa amina firenen-kafa i Madagasikara ny ahazoana mampiasa ny vola anatin’ny sehatra ara-dalàna. Ohatra, ny fanamoràna  ny fifandraisana eo amin’ny samy banky, hisian’ny fifaninanana madio ao anatin’izao fivoaran’ny teknolojia izao. R.Mathieu L’article Fahantran’ny mponina: tsy ampy 3 % ny afaka mindram-bola amin’ny banky a été récupéré chez Newsmada.

Mozika maneran-tany :: Hifaninana amin’ny « Afrimma » indray i Shyn
21/09/2020

Manana solontena amin’ilay fifaninanana maneran-tany momba ny mozika ankehitriny antsoina hoe « African Muzik Magazine Awards and Music Festival » na Afrimma 2020, amin’ny alalan’i Shyn indray, i Madagasikara. Hatao ny Dallas (Etazonia), amin’ny 15 novambra 2020, ny fanolorana  ny amboara amin’io hetsika io, aorian’ny fifidianana hatao ao amin’ny pejy Facebook « Afrimma ». Nivoaka, tamin’ny 11 septambra lasa teo, ny lisitr’ireo mpanakanto voafantina ka nahatafiditra an’i Shyn tao anatin’ny sokajy « Best Male Southern Africa » na ireo mpanakanto lehilahy mendrika avy aty atsimon’i Afrika. Eo amin’ilay fanambaràna  ao amin’ny pejy Facebook an’ny Afrimma, izay misy an’io sokajy io no hametrahana ny safidy amin’ny alalan’ny fanehoan-kevitra. L’article Mozika maneran-tany :: Hifaninana amin’ny « Afrimma » indray i Shyn est apparu en premier sur AoRaha.

Ambositra : nanampy ireo marefo ny minisitra Angelica Michelle
19/09/2020

Nidina tany Ambositra ni­tondra fanampiana ho an’ireo olona marefo any an-toerana. Nitsidika ny foibe fampiroboroboana ny sehatra sosialy sy toekarena CPSE ny mi­nisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy, i Michelle Bavy Angelica, tamin’ity herinandro ity. Nanolotra fitaovana toy ny milina fanjairana sy akora hoentina miasa ho an’ireo manana fahasembanana, ny zaza kamboty ary nizara mari-pahaizana ho an’ireo nahavita fiofanana tao amin’izany toerana izany ny tenany. Nitsidika ny Centre Tsa­rahonenana misahana ireo mikorontan-tsaina sahanin’ny mompera Max ihany koa izy. Mahatratra 17 ny olona tsy misy miahy noraisiny an-tanana tao hatramin’izay nijoroan’ny centre. Nanolotra fanampiana ihany koa izy ary nampanantena fa hanolotra jiro azo avy amin’ny herin’ny ma­soandro ho fanalana ny fahasahiranan’ireo beazina ao. Nitondra fanampiana ho an’ireo jamba mpanao asa tanana ao amin’ny Centre Tsaraho­nenana ihany koa ra­matoa minisitra ary nanome toky fa hampita amin’ny tompon’andraikitra rehetra ny hijerena ity ivontoerana ma­melon-tena sy hita fa manao ezaka lehibe ity. Ankoatra ireo, nisy ny fitsidihana ny Centre de kinetherapie Mitasoa. Ivontoerana hitsaboana ireo olona sembana. Efa nahatratra 600 no efa tonga nitsabo tena tao.Tatiana AL’article Ambositra : nanampy ireo marefo ny minisitra Angelica Michelle a été récupéré chez Newsmada.

Loza teny am-panasan-damba :: Niara-lasan’ny rano izy roa vavy, mpizaobavy
23/09/2020

Lasan’ny rano tampoka tany Andalotsimaka-Ambohijanaka i Tiana sy Rasoamalala Victorine, tamin’ny alahady 20 septambra maraina lasa teo. Nanasa lamba izy roa vavy. Vita ny lamba dia nisasa i Tiana. Lasa tampoka tany anaty rano anefa izy. Nandeha nanavotra nisintona azy ny zaobaviny Rasoamalala Victorine no tsy tafaverina fa lasa tany anaty rano ihany koa. « Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo no nitranga ny loza. Olona sendra nandalo no nahita azy roa vavy samy lasan’ny rano, ka nampandre ny teo amin’ny manodidina. Tsy nisy nipoitra intsony izy ireo rehefa nojeren’ireo mponina teo amin’ ny manodidina. Nanapa-kevitra ny hiantso mpamonjy voina izahay, taorian’izay. Hita ny vatana mangatsiakan’i Tiana rehefa nokarohin’ireo mpamonjy voina. Mitohy, hatramin’izao, kosa ny fitadiavana an-dRasoamalala Victorine, vadiko », hoy Rajeankri Modeste, omaly. Tsy very fanantenana amin’ny hahitana am-badiny izy. Nandany andro nikaroka an’i Victorine Rasoamalala ny mpamonjy voina, ny alahady tontolo. Mbola niverina izy ireo, afak’omaly, saingy tsy nahitam-bokany. Ireo fokonolona teo amin’ny manodidina no nifanampy tamin’ny fanohizana ny fikarohana, omaly tontolo. Valo metatra « Nisy ampahany taminay no nandeha tany amin’ny tetezan’Ankadindratombo, vao maraina nanomboka tamin’ny 5 ora. Nizotra nijery sao natsingevan’ny rano ny vatany. Ny ampahany hafa tamin’ny fokonolona sy ny fianakaviana kosa nampiasa hazo lava hatrany amin’ny valo metatra nasiana farango noentina tamin’ny lakana nisavana ny tao ambany rano saingy samy tsy nisy nahitam-bokany ireo », hoy ireo mponina nanampy. Samy nitanjozotra namonjy fodiana ireo mponina sy fianakaviana rehefa tonga ny tamin’ny 5 ora hariva, omaly. Nilaza ny tsy hitsahatra anefa amin’ny fikarohana, mandra-pahita an’i Victorine izy ireo. « Miangavy sy mitalaho amin’ny mpamonjy voina izahay mba hanampy hatrany amin’ny fikarohana raha mbola azo atao », hoy izy ireo nanao antso avo. L’article Loza teny am-panasan-damba :: Niara-lasan’ny rano izy roa vavy, mpizaobavy est apparu en premier sur AoRaha.

Imbiki Herilaza : “Tsy ny isa no zava-dehibe”
18/09/2020

“Raha haintsika ny manaja ary mampiasa ny lalàmpanorenana sy ny lalàna rehetra, tsy ny isa no zava-dehibe fa ny voka-tsoa entin’izay zavatra izay. Eo amin’izay takin’ny firenena izany, indrindra eo amin’ny andavanandrom-piainan’ny vahoaka malagasy.”Io ny nambaran’ny mpahay lalàna, Imbiki Herilaza, manoloana ny adihevitra ny amin’ny fifidianana loholona hatao ny 11 desambra, hampihenana ny isan’ny loholona hofidina.Amin’ny firenena toa an’i Madagasikara izay fitondrana “semi-parlemantaire”, miainga avy amin’izay maro anisa eo anivon’ny Antenimierampirenena ny praiminisitra: tsara raha mitovy foto-kevitra amin’ny filohan’ny Repoblika ny parlemanta. Tsy midika izay hoe tsy misy intsony ny asa fanaraha-maso ataon’ny mpanao lalàna amin’ny fahefana mpanatanteraka. Izay ny fifandanjan-kery eo amin’ny fahefana.Na mitovy firehan-kevitra politika aza, misy hatrany ny asa fanaraha-maso ny fahefana mpanatanteraka eo anivon’ny parlemanta. Tokony ho hain’ny parlemantera ny mandanjalanja an’izay, araka ny fanazavany.R.Nd.  L’article Imbiki Herilaza : “Tsy ny isa no zava-dehibe” a été récupéré chez Newsmada.