Voasambotry ny polisy teny Andravoahangy : mampiasa sabatra sy sakay ilay mpanendaka raindahiny

News - Voasambotry ny polisy teny Andravoahangy : mampiasa sabatra sy sakay ilay mpanendaka raindahiny

News - Voasambotry ny polisy teny Andravoahangy : mampiasa sabatra sy sakay ilay mpanendaka raindahiny

Tra-tehaky ny polisy avy ao amin’ny
boriborintany fa­havalo, ny alarobia teo tokony ho tamin’ny 11 ora
sy sasany alina ny jiolahy iray avy nanendaka. Vaky nandositra
anefa ireo andian-jiolahy vao nahita ireo mpitandro filaminana.
«Nitondra moto ny iray tamin’izy ireo ka io no tra-tehaky ny polisy
raha tafaporitsaka kosa ny namany», hoy ny fanazavan’ny
polisim-pi­renena, loharanom-baovao. Fan­tatra fa avy nanendaka
mpivady tetsy Manjakaray tamin’ny moto izy sy ny na­many. Niaraka
tamin’ny fitaovam-piadina toy ny sabatra sy ny sakay. Ireo
fitaovam-piadiana voatanisa kosa, lasan’
ireo namany tafatsoka, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Naman’ny
jiolahy atao hoe Raleva ilay olon-dratsy ary nambarany ny misy azy.
Raikitra, araka izany, ny fitadiavana ilay jiolahy ka tratra teny
Andravoahangy ambony, ny alakamisy teo tokony ho tamin’ny 02 ora sy
30 mn ralehilahy. Mbola tratra niaraka tamina moto halatra ihany
koa izy. Voalaza fa isan’ireo andian-jiolahy mpanendaka miaraka
amin’ny sabatra eny Manjakaray i Raleva sy ny namany. Manana
fitoriana azy avy avokoa ny polisin’ny boriborintany miisa telo.
Isan’ izany ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo, fahenina ary
fahavalo miampy ny SUT eny Tsaralalana.
Ankoatra izay, voasambotra ihany koa ny tovolahy iray 21 taona
mpanendaka sady mpangaron-paosy eny Nani­sana. Fantatra ihany koa
fa mpifoka rongony 11 isa voasambotry ny polisy teny Man­jakaray,
ny herinandro lasa teo. «Izao no atao dia hoentina miady amin’ireo
asan-jiolahy eny amin’ny faritra Manjakaray sy ny manodidina iny»,
hoy hatrany ny polisim-pirenena.

Henintsoa Hani

Article tiré de Newsmada

L’article Voasambotry ny polisy teny Andravoahangy : mampiasa sabatra sy sakay ilay mpanendaka raindahiny a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 17/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fanahiana valanaretina: raikitra ny fitiliana amin’ny mety ho fidiran’ny “Ebola”

Maty ilay olona voan’ny aretina Ebola tany amin’ny tanàna lehibe iray Goma, any atsinanan’i Kongo, rehefa saika hafindra toerana tany Butembo, omaly, araka ny vaovao nampitain’ny tomponandraikitry ny faritra Kivu Avaratra, i Carly Nzanz. Tanàna lehibe iray ifamezivezen’ny olona maro i Goma ary betsaka ireo mivoaka ho any amin’ny firenena hafa ivelan’i Kongo miainga avy ao. “Mampanahy ity tranga voalohany izay namoy ny ainy ity noho izany”, hoy ny tomponandraikitry ny Crox Rouge any an-toerana, i Gwen Eamer, raha nanontanian’ny mpanao gazetin’ny fahitalavitra France 24. Tanàna ahitana ireo toeram-piasan’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana sy ny raharaham-barotra goavana rahateo ity nitrangan’ny aretina voalohany. Miantso ny vahoaka ao aminy ho tony ny fitondrana kongoley. 60 ireo olona nifampikasoka tamin’ilay pasitera narary voalohany ary efa vita vaksiny ny antsasa-manila amin’izy ireo, efa eo an-dalana hanaovana izany ny ambiny. Mbola miandry 21 andro ny tomponandraikitra hitiliana na namindra tamin’ny olon-kafa ilay olona maty tany Goma.Nanomboka ny volana aogositra 2018, fotoana nilazana ny valanaretina, efa 1 665 ireo maty noho ny Ebola any amin’ny Kivu Avaratra. Nampitsahatra ny asany any amin’io toerana io ny ekipan’ny Médecins sans frontières noho ny tsy fandriampahalemana.Nanomboka ny volana aogositra 2018, anarivony ny aina avotra vokatry ny fampiasana ilay vaksiny rVSV-ZEBOV miaro amin’ny aretina Ebola novokarin’ny laboratoara amerikanina Merck.Miasa 24 ora ny ekipa eny amin’ny seranana Eto Madagasikara, mandalo fitiliana avokoa ny mpandeha nidina avy amin’ny fiaramanidina avy any ivelany taorian’ny famenoana ny taratasy momba ny toeram-piaviany sy ny toe-pahasalamany. Ho an’ny polisy sy ny mpiasan’ny fahasalamana ireo taratasy ireo ahafahana mahafantatra ny toeram-piavian’ilay mpandeha sy ny adiresy misy azy rehefa tonga eto. Manana efitra fanokanana ny seranam-piaramanidina ho an’ireo olona ahina mandray zotra avy any ivelany rehetra, misy ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamana tsy tapaka manara-maso ny mpandeha rehetra. “Vonona koa ny ambulance manokana hitondrana ny marary ho any amin’ny tobim-pahasalamana raha ilaina”, hoy ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana, Rakotoarivony Manitra, omaly. Tafiditra amin’ny règlement sanitaire international (RSI) tokony hampiharin’ny firenena rehetra ireo, araka ny toromariky ny OMS iarovana ny fahasalaman’ny mponina. Hatreto aloha, tsy nahitana tranga nampiahiahy ny mpandeha avy any ivelany tonga teny amin’ny sambo na ny seranam-piaramanidina.Vonjy A.L’article Fanahiana valanaretina: raikitra ny fitiliana amin’ny mety ho fidiran’ny “Ebola” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Seranana Ivato: 109.300 euros tratra saika havoaka tsy ara-dalàna

Manamafy ny fanaraha-maso sy fitsikilovana eny amin’ny seranam-piaramanidina ny mpiasan’ny fadintseranana. Ny 21 novambra teo, Malagasy efatra tratran’ny ladoany nitondra vola vahiny 109.300 euros, na 448.130.000 Ariary. Mpandeha iray, nahitana 19.000 euros ; iray hafa, nisy 49.850 euros ; iray namany, nitondra 20.000 euros ; ary ny iray farany, 20.450 euros. Voatazona izy efatra ireo izao ary mitohy ny fakana am-bavany azy ireo. Tsy misy fanambarana na fahazoan-dalana mazava ny saika hamoahana ireo vola vahiny ireo ho any Nosy Maurice (zotra MK 289), rehefa nanontanian’ny mpanara-maso ao amin’ny ladoany izy ireo. Ny nasehon’izy ireo ny fahazoana mividy izany ihany, izay tsy ampy sy tsy manan-kery amin’ny fomba famoahana azy. Manomboka ahitam-bokatra izao ny fanaraha-maso hentitra ataon’ny ladoany eo amin’ny seranana Ivato. Mila fahaiza-miasa anefa izany, ny fomba fiatrehana sy ny fanadihadiana ireo mpandeha mampiahiahy. Tsy maintsy mivonona amin’izany ny mpiasan’ny fadintseranana ary indrindra fandavana ny kolikoly. Ireo no miantoka ny fahatrarana ireny fanondranana an-tsokosoko ireny. Nanamarika ny ao amin’ny ladoany fa maro ny vola ny vahiny avoaka tsy ara-dalàna amin’izao fotoana tsy maha mafy orina ny toekarena izao. Fanohitra iray farany ny fadintseranana miaro ny toekarena manerana ny sisin-tany rehetra, ka miantso ny Malagasy hifanome tanana hiady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena. Tsy tokony eo Ivato ihany anefa izany fa manerana ny seranana rehetra, toy ny any amin’ireo seranan-tsambo “malalaka”, famoahan’ny sasany andramena, omby, sokatra, vatosoa…   R.MathieuL’article Seranana Ivato: 109.300 euros tratra saika havoaka tsy ara-dalàna a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Depiote Edizard: « Tokony hojerena ny olan’ny rano »

Tsy ankiandriandry fa nitondra ny hetahetany sy ny olana avy hatrany. “Misedra olana eo amin’ny rano fisotro izahay. Efa an-taony maro izany ny niainan’ny mponina.  Tsy eto an-tampon-tanàna ihany fa iharan’izany avokoa ny kaominina rehetra manerana ny distrika”, hoy ny depiote voafidy tao Vohemar, i Edizard, omaly teny amin’ny lapan’i Tsimbazaza.  Nanteriny anefa fa manana riandrano azo trandrahina ho amin’izany ny any an-toerana. Olana anefa ny fotodrafitrasa hitarihana izany. Manoloana ireo, velon’ahiahy ny mponina any amin’ity distrika ity. “Atahorana ny valanaretina, toy ny takilidrano. Manao antso avo amin’ny fanjakana, indrindra fa ny minisitera, izahay hijery vahaolana momba izany”, hoy  ihany izy. Na misy paompy aza ny kaominina sasany, olana koa anefa ny tsy fahampian’izany. Mampiasa vovon-drano sy renirano ny ankamaroan’ny mponina.Synèse  R.   L’article Depiote Edizard: « Tokony hojerena ny olan’ny rano » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Olan’ny AFT: hametraka fangatahana ny mpampianatra

Niato ny fampianarana teny frantsay eny amin’ny Alliance française Andavamamba, ny 30 jolay lasa, teo nandritra ny tontolo andro noho ny fitakiana nataon’ny mpampianatra momba ny fahataran’ny fandoavana ny karaman’izy ireo volana jolay. « Ho fanamafisana ny fangatahana maro efa nataon’izy ireo hatramin’izay hanatsarana ny fanatontosana ny asa ny fampiatoana ny fampianarana ny talata lasa teo », hoy ny fanazavan’ny solontenany. 60 ny mpampianatra nanasonia ny fangatahana voalaza. Taorian’ny hetsika, tsy nisy ny fifanatonana teo amin’ny roa tonta fa tonga dia tapaka avy hatrany ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny mpampianatra sy ny AFT, araka ny fanambarana navoakan’ny tomponandraikitry ny Alliance. Noheverina fa nanapaka ny fifanarahana ny mpampianatra rehefa nampiato ny asany ny talata teo. Mbola vonona ny handray ny mpampianatra maniry ny hanohy ny fiaraha-miasa aminy anefa ny AFT ka afaka mametraka fangatahana vaovao ireo mazoto hanaraka ny fepetra apetrak’izy ireo. Ambara fa tapaka tanteraka ny fifanarahana momba ny asa ho an’ny mpampianatra tsy nametraka fangatahana hatramin’ny anio hariva amin’ny 5 ora.Ny mpampianatra kosa, manizingizina fa marim-pototra ny fangatahana nataon’izy ireo ka mangataka ny hampiatoana ny fanapahana ny fifanarahana momba ny asa ary hiroso amin’ny dinidinika miaraka amin’ny mpitantana ny AFT.Vonjy   L’article Olan’ny AFT: hametraka fangatahana ny mpampianatra a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fisandohana teny Tsarasaotra :: Lehilahy tratra nitonona ho inspekteran’ny polisy

Voatazona ao amin’ny fonjakelin’ny polisy, eny amin’ ny Kaomisarian’ny polisy foibe, etsy Tsaralalàna, ny lehilahy iray nisandoka ho polisy. Nilaza ho inspekteran’ ny polisy izy, nandritra ny fandalovany teny Tsarasaotra, afak’omaly. Hoentina eny amin’ny Fampanoavana, anio, ity lehilahy ity. Nosakanan’ny polisy ny mpitondra môtô iray tsy nanao aroloha nandalo teny Tsarasaotra, afak’omaly tolakandro. Voalaza fa saika tsy nety nijanona io mpitondra môtô io sady nilaza fa mahafantatra polisy ka hiantso izany raha tsy avela handeha. “Niantso tamin’ny telefaonina an’ilay havany nolazainy fa polisy io mpitondra môtô io. Tonga teny Tsarasaotra tokoa ny lehilahy iray nanao akanjo ba miloko maitso mitovy amin’ny an’ny Polisim-pirenena. Nilaza ho inspekteran’ ny polisy izy, saingy sarona ny fisandohany andraikitra rehefa nangatahina taminy ny karatra maha polisy azy. Mpamily no asany voasoratra tao amin’ny kara-panondrony ”, araka ny fanampim-panazavana avy amin’ny Polisim-pirenena. Nosamborina avy ha- trany ity mpisoloky. Nogiazana toy ireny môtô tsy manara-dalàna ireny ilay kodiaran-droa. Fantatra fa teny amin’ny fivarotana lamba efa avy nampiasaina na (friperie) no nahitan’ilay lehilahy ny akanjo mitovy amin’ny an’ny mpitandro ny filaminana. L’article Fisandohana teny Tsarasaotra :: Lehilahy tratra nitonona ho inspekteran’ny polisy est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fibatana fonjamby: nanome 8 tapitrisa ariary ny Minisitra mpiahy

Taorian’ny vokatra tsara nentin’ireo mpibata fonjamby malagasy avy any Maorisy, nandritra ny lalaon’ny Nosy, nanome fankasitrahana azy ireo, ireo Minisitra mpiahy, avy eo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny Minisiteran’ny asa sy ny fampananan’asa ary ny lalana sosialy, omaly. Vola mitentina 10 tapitrisa ariary no natolotra azy ireo nandritra izany. Nanambara Andriamatoa Minisitra, fa ny taranja fibatana fonjamby no tena nitondra an’i Madagasikara ho eo amin’ny laharana faharoa, ka izany indrindra no anton’izao fihetsika feno fankasitrahana izao. Sady nanandratra avo ny fanevam-pirenena izy ireo no nahatanteraka ny voady nataony, talohan’ny nialana teto an-tanindrazana dia ny hitondra vokatra tsara. Mbola vonona hatrany moa ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka hanohana ny mpanao fanatanjahantena malagasy, indrindra ireo manao ny ainy tsy ho zavatra ho fiarovana sy fitondrana avo ny voninahi-pirenena. Mi.RazL’article Fibatana fonjamby: nanome 8 tapitrisa ariary ny Minisitra mpiahy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Asa sosialin’ny antoko: nanao didim-poitra faobe ny MMM

Nanamaivana ny fahasahiranana ray aman-dreny maro indray ny antoko Malagasy miara-miaina Malagasy miara-miainga, ny herinandro lasa teo. Zazalahy miisa 92 indray no vita didim-poitra maimaimpoana ao amin’ny kaominina Manandriana sy ny any Vilihazo, ary koa ny  etsy Ankadikely sy ny eny amin’ny kaominina Ambohimalaza. Nahazo ny anjara kilalaony avokoa ireo zazalahy ireo taorian’ny hetsika didim-poitra faobe nataon’ity antoko  ity. Asa sosialy efa fanaon’ny Malagasy miara-miainga isan-taona ny tahaka izao, ankoatra  ny hetsika fivarotana fitaovana sy kojakojam-pianarana amin’ny vidiny mirary mitety tsena efa fanaony. Eo koa ny fanohanana sy ny fanampiana ny tantsaha ary ny fanorenana na  ny fanampiana amin’ny  fotodrafitrasa, toy ny efitranon-tsekoly na ny fanamboaran-dalana sy ny tetezana. Manampy izany ny fanomezana boky ho an’ny trano famakiam-boky sy ny hetsika samihafa.Hitohy amin’ny kaominina hafa ny hetsika na ny asa sosialy ataon’ny antoko Malagasy miara-miainga.Synèse  R.   L’article Asa sosialin’ny antoko: nanao didim-poitra faobe ny MMM a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Arivonimamo: mpangarom-paosy saika nodoran’ny olona

Hatolotra ny fitsarana ao Arivonimamo, anio ireo jiolahy miisa dimy saika matin’ny fitsaram-bahoaka tao Arivonimamo, omaly. Araka ny fampitam-baovao voaray, nahazo antso avy amin’ny vahoaka ny polisy fa misy olona tratra nangarom-paosy ao an-tsenan’Arivonimamo. Efa saika nodoroan’ny vahoaka ilay jiolahy, soa ihany fa nalaky ny fahatongavan’ny polisy naka azy. Nandritra ny famotorana nataon’ny polisy no nanononany ireo jiolahy atidoha miray tsikombakomba aminy. Nosamborin’ny polisy ireo mpiray tsikombakomba aminy ka samy niaiky ny heloka vitany. Fantatra fa isan’ireo jiolahy nampitondra faisana ny mponina ao Arivonimamo ireo jiolahy tratra ireo.Jean ClaudeL’article Arivonimamo: mpangarom-paosy saika nodoran’ny olona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ala honko: tsara fiarovana izay tantanin’ny vondron’olona ifotony

Feno 20 taona izao ny nanaovana fanadihadiana momba ny ala honko eto amin’ny Nosy, niainga avy amin’ny lohahevitra hoe « Arovy ny honkontsika ankehitriny ». Fepetra iraisam-pirenena  noraisina izany amin’ny alalan’ny WWF.Nandritra izay 20 taona izay, tohanana ireo miasa eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana, ho fampitsaharana ny fanapotehana ny ala honko. Manana ny toerany manokana aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny fandaharanasa « Arovy ny honkontsika ankehitriny », iarahan’i Madagasikara, ny WWF, ny UICN*, sy ny minisitera ny Fiaraha-miasa momba ny toekarena sy ny fampandrosoana any Alemaina. Misy fiovana betsaka ny ala honko teo anelanelan’ny taona 1998 sy 2018 avy amin’ny sary nalaina teny amin’ny habakabaka. Fantatra tamin’izany fanadihadiana siantifika izany fa mihena io karazan-kazo io amin’ny faritra rehetra : 294 387 ha, ny taona 2000, lasa 236 400 ha tamin’ny taona 2018. Vitsy kosa ny rava any amin’ireo faritra arovana ahitana azy raha ampitahana any amin’ny faritra hafa. Fantatra ihany koa, niainga avy amin’izany fanadihadiana ihany, fa tsara fiarovana kokoa izay ala honko tantanin’ny vondron’olona ifotony. Nanomboka ny taona 2007, miara-miasa amin’ireo vondron’olona ifotony ireo ny WWF any amin’ny faritra Menabe, Melaky sy Diana. Raha atambatra, 50 000 ha ny ala tantanin’ireo vondron’olona ifotony ireo ; roa tapitrisa ny zanakazo novolena, nanomboka 2007 hatramin’ny 2017. Manampy tosika azy ireo, ny vondrona na fikambanana miisa 16 avy amin’ireo faritra ireo ihany. Eo koa ny fanohanan’ny WWF sy ny fikambanana hafa miasa ho amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana ny faritra.« Tsy mahomby izay fiarovana ny honko izay raha tsy eo ny fahalalana siantifika, ny politika sy ny lalàna mifanaraka amin’izany ary ny fampiharana azy », hoy talen’ny WWF eto Madagasikara, Ratsifandrihamanana Nanie. Ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny miankina amin’ny fisian’ny seha-pihariana hafa mampiakatra ny fari-piainan’ny mponina. Mbola tsy hita taratra izany hatramin’izao, raha ny fitombon’ny fandripahana  ala. R.Mathieu UICN* : Union internationale pour la conservation de la natureL’article Ala honko: tsara fiarovana izay tantanin’ny vondron’olona ifotony a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Minisitra Blanche Nirina Richard: “Hojerena ireo tsy tafita eny amin’ny oniversite”

Tontosa, omaly, ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitra teo aloha, i Rejo-Fienena Felicitée,  sy ny vaovao hisahana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, i Blanche Nirina Richard. Tahaka izany koa ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.“50%-n’ireo tanora afaka bakalorea anefa, tsy tafita eny amin’ny oniversite. Tsy maintsy hojerena ny hoavin’izy ireo hitovian’ny tanora malagasy sy ny zana-bahoaka. Tsy maintsy misy ny fanaraha-maso sy ny fizohiana amin’ny asa rehetra atao… Omena hasina ireo mendrika eo amin’ny andraikitra”, hoy ny minisitra vaovao, i Blanche Nirina Richard, omaly tetsy Fiadanana tamin’ny lahateniny, raha vao nandray ny fitantanana. Nanteriny fa hapetraka ny toko telo: fiaraha-miasan’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpandraharaha ary ny mpianatra. Ilaina ny kalitaon’ny fampianarana ary hotanterahina ao anatin’ny fitoniana ny asa rehetra. “Hanampy sy hanohana eo amin’ny fampitaovana ny fanjakana hanatrarana ny fanamby”, hoy ihany izy. Notsiahivin’ny minisitra teo aloha kosa ny dingana vita. Anisan’izany ny ady atao amin’ny kolikoly sy ny hosoka eo amin’ny diplaoma. Ny fametrahana ny oniversite manakaiky vahoaka, ny nametrahana ny sehatra ifanakaozan-kevitra, ny famahana ny olan’ny vatsim-pianaranana…Hamaky ady amin’ny kolikolyVita koa ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitra vonjimaika, i Rejo-Fienena Felicitée, sy ny ministra teo aloha ny Fanabeazam-pirenena, naverina amin’ny toerany, i Volahaingo Marie Thèrese. Nanteriny fa hanohy sy hanatsarana ary hanatratra ny tanjon’ny minisitera miainga amin’ny veliranon’ny filoha ny tenany. Anisan’ny laharam-pahamehana ny fanatontosana ny fanadinana, tsy misy hadisoana. Ny fanorenana trano sekoly EPP sy CEG ary lycée… “Ho lavitry ny kolikoly izany fanamboarana izany…”, hoy izy. Hapetraka ny vaomiera hifantina ireo fampidiranam-piasam-panjakana, tsy misy kolikoly… Hohafainganina ka haloa mialoha ny fotoam-pialan-tsasatra ny volan’ny mpampianatra Fram. “Miantso ny tsy miankina sy ny teknisianina ary ny mpamatsy vola hifandinika handrindrana ny PSE ho amin’ny fanatsarana ny fanabeazana”, hoy izy.Synèse R.   L’article Minisitra Blanche Nirina Richard: “Hojerena ireo tsy tafita eny amin’ny oniversite” a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

Roa lahy nalaina an-keriny: maty nisy namono ny iray
30/10/2020

  Mihorohoro saina tanateraka ny fianakavian’ireo mpirahalahy mpiandry omby nisy naka an-keriny, ny herinandro lasa teo tao amin’ny fokontany Amparihibe Ambatomanohina-Anjozorobe. Hatramin’izao, tsy mbola nandrenesam-baovao ny momba ilay zandriolona, raha hita faty teo amin’ny fokontanin’Amparihibe kosa ilay zokiny, ny alarobia antoandro teo rehefa avy novonoin’ireo jiolahy. Fantatra fa nitaky vola mitentina 5 tapitrisa Ar amin’ireo fianakaviana ireo olon-dratsy talohan’izay. Efa nisy anefa fifampiraharahana teo amin’ny roa tonta. Saingy, niharan’ny heristran’ireo mpaka an-keriny hatrany ilay tovolahy 16 taona ka maty.Mponina ao amin’ny fokontany Amparihibe ireo roa lahy mpiandry omby. Tsy hita nanomboka ny harivan’ny 25 oktobra lasa teo izy roa lahy ireo. Nanaovana ombay mitady avy hatrany raha vao tsy nandrenesam-baovao ireo mpiarahalahy 10 sy 16 taona. « Tsy nampahafantatra ny zava-nitranga ireo mpitandro filaminana ireo fianakaviany », hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Taorian’ny tranga, naharay antso avy amin’olona tsy fantatra ireo fianakaviana. Nitaky vola mitentina 5 tapitrisa Ar ilay mpiantso ho tambin’ny famotsorana azy roa lahy.Taorian’ny fanadihadiana ny raharaha, efa misy ny olona roa voasambotra, ahina ho ao ambadiky ny raharaha. Andrasana ny tohin’ny famotorana.Henintsoa HaniL’article Roa lahy nalaina an-keriny: maty nisy namono ny iray a été récupéré chez Newsmada.

Hetsika ara-pahasalamana – CUA: hotilina diabeta sy tosidra ny mponin’Ambohimanarina
29/10/2020

Hitohy anio eny Ambohimanarina, boriborintany fahenina hatramin’ny 30 oktobra izao ny hetsika sy tolotra ho an’ny fahasalamanana maimaim-poana ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Nifarana, omaly ny teny amin’ny fokontany Soavimasoandro ary niarahana amin’ny sampana sosialy eo anivon’ny fiadidiana ny Tanàna.Fidinana ifotony eo amin’ny fahasalamanaTanjona ny fidinana ifotony, fanatonana ny mponina eo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Nahitana trano heva maromaro teny an-toerana, nidinan’ny ekipan’ny CSB II sy  ny kaominina. Teo koa ny fanasana ireo mpisehatra maro mpiara-miombon’antoka misahana ny fahasalamana sy sosialy nandray anjara. Anisan’izany ny fijerena sy fitiliana diabeta sy ny fiakarana tosidra, ny fitiliana VIH/SIDA, ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny.Mihaino ireo vehivavy iharan’ny herisetra koa ny polisy Nampiavaka ity hetsika ity ny fandraisan’anjaran’ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena nanentana ny ankizy tsy ampy taona sy ireo vehivavy iharan’ny herisetra mba hanatona azy ireo. Manampy izany ny fampirantiana ireo fanafody vita amin’ny akora natoraly ary ny trano heva mampahafantatra ireo mponina ny torolalana sosialy.Niara-niasa amin’ny CUA tamin’izany ny AIMF, ny « Ville de Paris » ary ny  « ISSV ».Synèse R.L’article Hetsika ara-pahasalamana – CUA: hotilina diabeta sy tosidra ny mponin’Ambohimanarina a été récupéré chez Newsmada.

Tahan’ny fahantrana: anatiny ny fahasalamana sy ny fanabeazana
30/10/2020

 Natao, ny 27 sy ny 28 oktobra teo, ny atrikasa nitadiavana ireo singa hamaritana ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara (IPM)*. Atrikasa notohanan’ny Fandaharasan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud), nandraisan’ny sokajin’olona maro anjara. Maro ireo singa nofaritana amin’izany eto amin’ny firenena, ankoatra ny fahantrana amin’ny vola. Ampidirina anisan’ny IPM, ohatra, ny momba ny raharaham-panjakana, naroson’ny tale jeneralin’ny toekarena ao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola, Ramiandrisoa Olivier. “Hatramin’izay, noferana ho 1,90 dolara ny fidiram-bola isan’andro farany ambany, isan’olona. Misy olona mahita io vola io, saingy tsy afa-po any amin’ny raharaham-panjakana”.Araka izany, azo amaritana ny tahan’ny fahantrana ireo asam-panjakana ireo, azo ampidirina  koa ny tsy fandriampahalemana, zava-misy iainan’ny maro. Koa am-pandinihana izany singa izay ho azo amaritana azy, izay voalohany ny hamoahana izany eto Madagasikara, fa efa namoaka singa iombonana eo amin’izao tontolo izao ny Pnud. Ho an’ny Pnud, tena fahantrana ny mahakasika ny fahasalamana, ny fanabeazana, sy ny fari-piainana.Mahakasika firenena 101 ny tatitra farany navoakan’ny Pnud. Hita tamin’izany fa miisa 1,3 miliara ny olona miaina ao anaty fahantrana. 2/3 amin’ireo, any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, 84 % ny aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika. Anisan’ireo 101 ireo i Madagasikara. Ny taona 2012 sy ny 2013 ny nanaovana fanadihadiana farany teto an-toerana. Ity taona 2020 ity no saika nanaovana fanadihadiana manaraka isan-tokantrano eto an-toerana, iarahana amin’ny Banky iraisam-pirenena, saingy tsy tanteraka noho ny Covid-19.R.MathieuL’article Tahan’ny fahantrana: anatiny ny fahasalamana sy ny fanabeazana a été récupéré chez Newsmada.

Nandona sy nahafaty olona: tratra rehefa nifampitadiavana ilay mpamily
27/10/2020

  Tra-tehaky ny zandarimaria, omaly maraina tao Androvakely-Ambohimandroso, ilay mpamily sy ny fiara nentiny nahavanon-doza. Nenjehina noho ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ilay mpamily. Miharo fitsoahana rehefa avy nandika lalàna ny heloka iampangana azy. Tsiahivina fa maty vokatry ny dona mafy nahazo azy ny lehilahy iray, ny alahady hariva teo tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany tao Avaratsena. Maty tsy tra-drano izy ary nitsoaka avy hatrany ny fiara taorian’izay. Nambaran’ny zandary fa 38 taona ilay namoy ny ainy ary monina ao Andeboka-Ambohimandroso ihany. Taorian’izay, raikitra ny fikarohana ilay fiara sy ny mpamily ka voasambotra omaly. « Vesatra maro ny anenjehana ny mpamily satria na inona na inona antony, tsy azo atao ny mandositra adidy ka mamela ny olona voadona hiady irery amin’ny fahafatesana », hoy ny fanazavan’ny Zandariamaria ao Vakinankaratra. Fantatra fa raisin’ny zandary ao Ambohimandroso ny fanadihadiana ny raharaha ary hatolotra ny fitsarana aorian’izay.Ankoatra izay, nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ihany koa teo Antanambao-Talata Volonondry, ny alahady teo tokony ho tamin’ny 6 ora hariva. Voadonan’ny fiara taxi-be mampitohy ny Renivohitra sy ny ao an-toerana ny mpirahalahy roa nandeha moto. Tranga niseho teo amin’ny fiolanan-dalana ao Antanambao. Voadona teo amin’ny lohany ireo lehilahy 23 sy 26 taona ka naratra mafy. « Nandeha mafy ireo mpandeha moto ka nifatratra tamin’ilay taxi-be », hoy ny fanazavan’ny zandary misahana ny famotorana. Taorian’izay, nianjera tamin’ny tany ireo roa lahy avy namangy havana ary namonjy ny Renivohitra. Mbola nentina teny amin’ny hopitaly teny Anosy Avaratra ireo tra-doza, saingy namoy ny ainy minitra vitsy taorian’ny nahatongavany teny. Ankehitriny, atao andrimaso ao amin’ny zandary ao Antanambao ny mpamily ilay taxi-be. Nogiazana avy hatrany kosa ny fiara.Henintsoa HaniL’article Nandona sy nahafaty olona: tratra rehefa nifampitadiavana ilay mpamily a été récupéré chez Newsmada.

Herisetra tao an-tokantrano :: Reny niaritra ny mangidy sy mafaitra mandra-pikimpy ny masony
24/10/2020

Niafara tamin’ny fahafatesany ny fiafiana ara-bakiteny niaretan’i Haingonirina Claudia, renimpianakaviana namoy ny ainy teo amin’ny 37 taonany, tao an-tokantranony. Vokatry ny vono sy daroka nataon’ny vadiny no nahafaty azy, raha ny voalazan’ny fianakaviany. Toy ny any amin’ny tany miady ny fiainan’i Haingonirina sy ireo zanany efatra mianadahy tao an-tranony, araka ny fitantaran’ireo havany. Nipetraka tany Ambositra ry Haingonirina Claudia. Tsy dia nisy maminy ny fiainan’izy ireo niaraka tamin’ilay raim-pianakaviana, vadiny sady rain-janany. Niharan’ny herisetra avokoa, hoy ny zandry vavin’i Haingonirina, ny tao an-trano. Eny, hatramin’ireo zanany naterany aza. Ny tena loza, dia nanaraka hatramin’ny ain’itsy renim-pianakaviana. Sady kamboty izy efatra mianadahy no voatazona any am-ponja ny rain’izy ireo vokatry ny voina nitranga tao an-tokantrano. Saika niharan’ny fanolanan’iry raim-pianakaviana, ohatra ilay vavimatoa. Efa saika namidy sy nalevina velona kosa ny zandriny. Nijoro vavolombelona nitantara ny fahoriana nanjo ny zokiny sy ny zanak’itsy farany vavimatoa antsoina hoe Diary, 15 taona, i Tolojanahary Marie Claudine . Manan-janaka efatra mianadahy Itompokovavy Haingonirina: vao tapabolana, herintaona sy tapany, 4 taona ary ny vavimatoa, 15 taona. Tamin’ny 15 oktobra lasa teo no niakaran’ny raharaha ka nampidirana am-ponja vonjimaika an’ilay vady, voatondro ho mpanao herisetra tao an-tokantranony. Fizakam-pahoriana samirery Tsy mba mitantara ny fahoriany amin’ny olona mihitsy Itompokovavy, fony fahavelony, eny fa na dia ireo fianakaviana akaiky aza, araka ny resaka nifanaovana tamin’iry zandriny vavy, Tolojanahary Marie Claudine, izay monina eto Antananarivo. “Noferany mafy ny zanany vavimatoa mba tsy hitantara na amin’iza na amin’iza momba an’izay zava-manjo azy ireo”, hoy izy. Namoy ny ainy, tamin’ ny 10 oktobra lasa teo, i Haingonirina Claudia, nefa dia vao tera-bao, tamin’ny 26 septambra 2020. “Nisedra ny herisetra nataom-badiny azy izy, hatramin’ny nanambadiany. Efa tsy mifanaraka amin’ny fianakaviana noho io toetrany io mihitsy aza ilay rangahy. Entin’ny fahatsorana moa i Haingo ka rehefa mifona ny vadiny dia hadinony avy hatrany ny vono nahazo azy”, araka ny fitantaran’i Tolojanahary Marie Claudine. Efa niara-nipetraka tamin’ izy ireo tany Mahajanga itsy farany. Nambarany fa efa saika niharan’ny fanararaotana ara-pananahana nataon’io zaodahiny io koa izy. “Rehefa tsy manaiky ny hiaraka aminy aho, dia ny zokiko hatrany no voavono sady tsy tafiditra an-trano mihitsy”, hoy i Claudine. Tampon’ny fampijaliana Nanamafy an’ireo voalazan’ny rahavaviny ireo i Diary, zanak’i Haingo vavimatoa. Efa fanaon’ny rainy ny mamono andreniny. Raha tsy mamono izy dia asainy mivoaka any an-tokotany ka tsy ampidirina raha tsy maraina ny andro, izay miitatra hatramin’ny tsy fanome-zana sakafo. Voalaza ho mpandray zava-pisotro mahamamo rahalehilahy. Nihalasa lavitra mihitsy ny zava-nitranga, satria nisy fotoana izay nisehoan’ny fivarotana ny zanaka vavy tamin’ny lehilahy sy ireo zanany roa tamin’ny sefompokontany iray tany Ambositra mihitsy. Fantatra fa mpanjaitra ity raim-pianakaviana. Mpanasa lamba sy manao izay asa kely hitany eny kosa i Haingo, fony fahavelony. “ Inefatra saika naolany aho, indrindra rehefa matory amin’ny antoandro. Namidiny tamin’ny lehilahy koa aho ary akany vola io olona io. Vonoiny aho rehefa tsy mitondra vola mody. Noteneniny aho hoe hividianana sakafonay satria tsy afaka mitady vola intsony i mamanay”, hoy ny fitantaran’i Diary. Zaza namidy roa hetsy Isan’ny naborak’i Diary ihany koa io fikasana hivarotra ny zandriny (herintaona sy tapany) tany amin’ny lehiben’ny fokontany, tany Ambositra io. “Roa hetsy ariary no nivarotany azy. Nilaza ho tsy nanam-bola ilay sefo fokontany ka nitakiany iray alina ariary indray. Nangady lavaka teny amin’ny zoro firarazana izy rehefa tsy nahazo ny vola, saika nandevenany velona an’i zandrinay”, hoy i Diary. Niantraika tamin’ny fiainana ankapoben’ny vadiny sy ireo zanany ny herisetra nataon’ilay lehilahy tao an-tokantrano. Voadona mafy iry tovovavikely, izay nijanona tamin’ny fianarana teo amin’ny taona fahadimy, na dia nahazo fahombiazana tamin’ny fanadinana CEPE aza. Manam-paniriana ny hianatra asa i Diary mba hahafahany miasa sy mampidi-bola hoentiny hanampiana an’ireo zandriny. Nihivingivin-doha izy raha nanontaniana ny mbola mety hiarahany mipetraka amin’ny rainy, rahatrizay ka ho tafavoaka ny fonja itsy farany. Avoaka any an-tokotany… “Kendainy i zokinay rehefa tsy azony ny tadidiaviny aty amiko. Hidiany any antokontany amin’ny 12 ora alina i Haingo. Tena toy izany foana no niainanay”, hoy i Claudine. Nitady hevitra nanalavitra an’i Haingo tamin’ny fianakaviana ny vadiny noho ireo korontan-dava ireo. Niala tany Mahajanga, avy eo, nanorim-ponenana tany Ambositra. Tany koa no nialany aina. Tsy nahenoam-baovao intsony ry zareo taorian’ny nifindrany tany Ambositra. Tsy manana finday rahateo i Haingo mba hifaneraserana amin’ny fianakaviana. Monina any Mahajanga ny anadahiny. Eto Antananarivo kosa ny rahavaviny. Tsy fantatr’ireto farany akory ny fitondran’iry mpiray tampo amin’izy ireo vohoka faninefany, tamin’ity farany ity. “Ny havam-badiny no niantso anay hoe marary zokinay. Vao avy teraka izy, tamin’io fotoana io. Tsy afaka nifana toy ny vehivavy rehetra fa nasaina nanao ny asa aman-draharaha rehetra tao an-tokantrano, raha ny henonay. Manaraka ny vono rehefa tsy manaraka an’izay notenenina. Fantatray fa niditra hopitaly noho ny vono nahazo azy i Haingo. Ny tao amin’ny lohany no tena tsy zakany satria nisy manganabe be mihitsy. Rehefa natao ny fitarafana no nahitana fa vaky roa ny tao amin’ny lohany, izay nitete ra rehefa maty izy”, araka ny tohin’ny tantara nampahafantarin’i Claudine momba ny sedra mahery vaika nolalovan’ny zokiny mandra-pikimpin’ny masony. Antso vonjy Mitaky ny hanasaziana an’io lehilahy io mandra-pahafatiny kosa ny fianakavian’i Haingo, na dia tsy hampiverina ny havan’izy ireo intsony aza izany. Mangataka fanampiana ireto fianakaviana ireto amin’ny fitaizana an’izy efatra mianadahy. Any amin’ny anadahin’i Haingo, any Mahajanga, i Diary sy ny zandriny, 4 taona, taorian’ny fahoriana nihatra tamin’izy ireo. Eto Antananarivo, any amin’ny rahavavin-dreniny kosa, ilay herintaona sy tapany ary ilay vao teraka. Ny rononon’ity menavava no tena ilain’izy ireo fanampiana satria tsy araka ny fividianana azy. Nametraka laharana hahazoana mifandray aminy ireo fianakaviany mitaiza an’izy efatra mianadahy: 032 45 134 22 (Antananarivo)/034 92 126 42(Mahajanga). L’article Herisetra tao an-tokantrano :: Reny niaritra ny mangidy sy mafaitra mandra-pikimpy ny masony est apparu en premier sur AoRaha.

Efa mpamerin-keloka: tratra nisoloky olona ilay mpanendaka
27/10/2020

 Voasambotry ny polisy, ny asabotsy teo tetsy Avaradoha, ny lehilahy iray mpisoloky sy mpandray entana halatra. Misoloky olona amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera “facebook” ihany koa ralehilahy. Milaza izy fa mivarotra findray ka roboka ny olona hividy izany. Rehefa tonga ny fotoana nifanaovana, milaza ilay mpanendaka fa iraka no mandeha mamonjy ilay mpividy. “Izy ihany anefa ilay voalaza ho iraka io fa tsy tiany ho fantratr’olona”, hoy ny fanazavan’ny Polisim-pirenena. Aorian’izay, entin’ilay mpanendaka io any amina toerana mangingina ilay olona mifanao fotoana aminy ka anaovany ny asa ratsiny. Vokany, lasa amin’izany ny vola sy ny finday. Rehefa izay, amidiny amin’ny namany eny Andravoahangy indray ny finday azony.Henintsoa HaniL’article Efa mpamerin-keloka: tratra nisoloky olona ilay mpanendaka a été récupéré chez Newsmada.

Bakalorea :: Hivoaka raha afaka telo herinandro ny voka-panadinana
27/10/2020

Niroso tamin’ny fitsarana an’ireo taratasim-panadinana bakalôrea ny mpitsara, nanomboka omaly tolakandro. Tamin’ ny alakamisy lasa teo no nifarana ny adina an-tsoratra ho an’ny fanadinana bakalôrea ankapobeny raha mbola mitohy kosa ny adina ho an’ireo mpianatra miatrika ny sokajy teknika. Tombanana hivoaka, amin’ny tapaky ny volana novambra any ho any, ny voka-panadinana. “Efa manomboka ny fitsarana an’ireo taratasim-panadinana ho an’ny bakalôrea ankapobeny. Ho vita amin’ ny herinandron’ny 2 novambra ho avy izao ny fitsarana rehetra. Any amin’ny herinandron’ny 16 novambra any kosa no hivoaka ny voka-panadinana”, hoy ny nambaran’ny tompon’ andraikitry ny fanadinana. Tsy mbola manana ambara mikasika ny naotin’ireo mpiadina kosa ireo mpitsara noho izy ireo vao manomboka ny fitsarana. Nizotra am-pilaminana kosa, tamin’ny ankapobeny, ny andiany faharoa amin’ny bakalôrea teknika, omaly. Hifantoka amin’ireo taranja natokana ho azy ireo ny mpiadina, amin’ity herinandro ity. Nanao fidinana ifotony teny amin’ny lisea teknika Ampasampito sy teny Mahamasina ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Assoumacou Elia Béatrice, omaly. Mafy ny fanaraha-maso ny fizotran’ny fanadinana manerana ny Nosy. Omaly ihany dia efa nosantarina ny fitsarana ny taratasim-panadinan’ireo mpiadina. L’article Bakalorea :: Hivoaka raha afaka telo herinandro ny voka-panadinana est apparu en premier sur AoRaha.

Kolontsaina sy serasera: zava-bita roa notokanana ao Toamasina sy ao Fenoarivo Atsinanana
26/10/2020

Anisan’ny singa lehibe mandrafitra sy mampijoro firenena iray ny kolontsaina ao aminy. Miezaka ny manarina ny simba, mampahatsiahy ny tantara ary manasongadina izany ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Nanamarika ny faran’ny herinandro teo tao Toamasina sy tao Fenoarivo Atsinanana ny fampisongadinana sy ny fanandratana avo ny lentan’ny kanto sy ny kolontsaina malagasy. Notokanan’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina ny zava-bita roa sosona. Ho an’ i Toamasina, notokanana ny mozea Vavitiana, fantatry ny maro amin’ny hoe “Maison Nathan” teo aloha. Miorina etsy amin’ny Place Bien-Aimé, Ampasimazava, rehefa nasiana fanarenana taorian’ny fahasimbany. Trano vato lehibe efa niorina hatramin’ny fanjanahantany (taona 1928) ity trano ity ary nampiasaina amin’ny fametrahana andevo mialoha ny handefasana azy ireny hamidy na atakalo.Trano ahitana efitrano lehibe ahafahan’ireo mpanankato manao fampisehoana. Ahitana fitaovana toy ny solosaina ahafahan’ny mpanao gazety mikaro-baovao. Nambaran’ny minisitry Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana, rahateo, nandritra ny lahateniny, fa anatin’ny herinandro voalohany, azon’ny rehetra tsidihina ny mozea Vavitiana fa aorian’izay, hisy fandraisana anjara hahafahana mampihodina ny mozea.Fanoitra ho an’ny fampandrosoana Ny kanto sy ny kolontsaina no fanoitra ho an’ny fampandrosoana isam-paritra ary mipaka amin’ny firenena iray manotolo. Izay kosa ny nivoitra tetsy anoloan’ny Araben’ny Fahaleovantena, ao Fenoarivo Atsinanana, raha nitokana ny tsangambaton-dRabemanantsoa Bertrand (Dédé Fénerive) sy i Jean Fredy ny minisitra Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana, ny asabotsy 24 oktobra maraina.Mpanankaton’ny taona 60 izy roa lahy ireto ary anisan’ny nampisongadina ny kaiamba, raha samy nivoaka avy ao amin’ny tarika Miarema. Nambaran-dramatoa minisitra fa « ny kanto sy ny kolontsaina dia ilain’ny fiainan’ny olombelona. Mivoy sy manandratra ny faritra iray sy ny firenena ary ny maha olona ihany koa. Manome fiantraikany anivon’ny rafi-piaraha-monina, ankaharezana ny malahelo. Ilain’ny manam-pahasoavana sy hanaovana fety. Ampiasaina amin’ny finoana». Anisan’ny andrarezin’ny kanto sy ny kolontsaina rahateo i Dédé Fénerive sy i Jean Fredy. I Dédé Fénerive, teraka ny 19 mey 1961 ary lavo ny 1 jolay 2017. I Jean Fredy, teraka ny 4 martsa 1962 ary lavo ny 16 mey 2001. Ny zanak’izy roa lahy ireo, efa misolo toerana ny rainy avokoa.SajoL’article Kolontsaina sy serasera: zava-bita roa notokanana ao Toamasina sy ao Fenoarivo Atsinanana a été récupéré chez Newsmada.

Noho ny Covid-19: nofoanana ny fampisehoana
28/10/2020

 Mbola eo ihany ny valanaretina covid-19! Nisy nikarakara fampisehoana nakàna mpanakanto malaza, tao Manakambahiny-Andrefana, Disitrikan’Ambatondrazaka. Nokasaina hotanterahina ny alahady 25 oktobra teo izany. Anisan’ny tarika nokasaina hiseho tamin’izany ny tarika Jean Aimé. Raha ny fantatra, efa voafandrika  mialoha ireo mpisehatra. Ny 20 oktobra, nandefa taratasy fanakanana ny hanatanterahana izany fapisehoana izany ny ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamana.Ny 22 oktobra io rafitry ny minisiteran’ny fahasalamana io no nanao tatitra tao amin’ny Radio iray ao Ambatondrazaka fa ny disitrikan’Anosibe an’Ala sy ny Andilamena no tsy ahitàna olona voamarina fa mitondra Covid-19. Nanantena ireo nikarakara fampisehoana fa mba hisy fihatsaràna ny toe-javatra, kanjo tao Manakambahiny-Andrefana mihitsy no nisy tratran’ny covid-19 miisa telo sy tranga mampiahiahy 16! Nofoanana ilay fampisehoana… Samy mbola tokony hanao arovava sy orona avokoa ny aty Ambatondrazaka.RarivoL’article Noho ny Covid-19: nofoanana ny fampisehoana a été récupéré chez Newsmada.

Toamasina: hisitraka ny « Salon de l’étudiant » ireo mpianatra
26/10/2020

Hotanterahina any Toamasina ny 30 sy 31 oktobra izao ny « Salon de l’étudiant » ho an’ireo mpianatra nahavita ny fanadinana bakalorea sy hiakatra amin’ny tontolon’ny oniversite amin’izay. Hivondrona amin’ny toerana iray ireo sekoly ambony ao Toamasina sy ny manodidina hampahafantatra ireo karazana lalam-piofanana ao aminy.Miresaka mivantana amin’ireo tompon’andraikitry ny sekoly, araka izany, ireo mpianatra. Misokatra ny fanontaniana rehetra hatramin’ny mety ho lalan’asa ho hita aorian’ny fiofanana na fampianarana hatao.Betsaka ireo tanora afa-panadinana bakalorea no sady te hiasa no hianatra ka misy ihany koa ireo sekoly ambony mandefa manao fizarana asa avy hatrany hahafahan’ny tanora mivelatra sahady sy manana lalan-tsaina amin’ny tontolon’ny asa.Takina indrindra amin’izao fotoana ny fananana traikefa ka izany no anton’ny fizarana asa avy hatrany na dia vao manomboka amin’ny taona voalohany aza ho an’ireo sekoly ambony efa manome fahalalahana ny mpianany amin’izany sehatry ny asa izany.Misy amin’ireo tanora ihany koa no tazomin’ny orinasa nanaovany fizarana asa avy hatrany rehefa tsapan’ny mpampiasa fa matotra sy afaka mamokatra ho an’ny orinasany ka avy hatrany dia omeny ny toerany ao amin’izany orinasa izany.Tatiana AL’article Toamasina: hisitraka ny « Salon de l’étudiant » ireo mpianatra a été récupéré chez Newsmada.

Solo Andrianasolo: hiverina ny «Jeudi du jazz»
29/10/2020

 Seho efa fanao any ivelany ny « Jeudi du jazz ». I Solo Andrianasolo kosa no nitondra sy namelona azy teto an-tanindrazana, raha vao tonga izy. Fantatra, omaly fa hamerina ny hetsika « Jeudi du Jazz » indray ity mpanakanto ity, ny 5 novambra izao ka ao amin’ny Le 5ème Element , etsy Ankadivato no hanatanterahany izany. « Tena jazz standard zakan’ny sofina sy hakana tsirony ho an’ny mpihaino no hatao fa tsy ilay jazz ho an’ny mpitendry. Jazz manadio sofina », hoy izy. Hiaraka hitendry aminy amin’io i July Rakoto (piano électrique Fender Rhodes), i Martin Randriamampianina (contrebass) ary i Mihaja Rakotoarisoa (batterie).Efa nataon’i Solo Andrianasolo io fiarahana io tamin’ny taona 2003 niverenany nody teto  an-tanindrazana. Tao amin’ny Sweety Home Ambatoroka, nifindra tao amin’ny Restaurant Ny Avo Ambatoroka… Ankehitriny, ao amin’ny Le 5ème Element »Nanjary nanao « Jeudi du Jazz » ny ankamaroan’ny toerana fanaovana lanonana sy fisakafoana taty aoriana. « Fahafinaretana ho ahy ny fahitana an’izany », hoy i Solo Andrianasolo.HaRy RazafindrakotoL’article Solo Andrianasolo: hiverina ny «Jeudi du jazz» a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Fikatonan’ny sisintany: Afa miditra eto ny Elefanta Ivoarianina saingy manaraka fepetra
29/10/2020

   Azo antoka fa hotanterahina eto Madagasikara ny lalao miverina hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny Can 2022. Tsy misy intsony ny fisalasalana fa hatao eto Madagasikara ihany ny fihaonana miverina eo amin’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Lalao tafiditra amin’ny andro fahefatra amin’ny fifanintsanana ho an’ny Can 2022. Araka ny fanambarana nataon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), nomen’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM), fahazoan-dalana manokana hiditra eto Madagasikara ny delegasiona ivoarianina, na mbola mikatona aza ny sisin-tanin’i Madagasikara. Raha tsy misy ny fiovana, ho tonga ny 15 novambra, ho avy izao ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ka fiaramanidina manokana Airbus no hitondra azy ireo.Mety hiaraka higadona eto avokoa ny ekipa roa tonta satria avy hatrany hamonjy an’i Madagasikara izy ireo, raha vantany vao ho vita ny lalao mandroso, hatao ny 14 novambra ho avy izao.Nahazo fankatoavana avy amin’ny FifaNa izany aza, tsy maintsy misy hatrany ny fitiliana sy ny fizahana ara-pahasalamana atao amin’ireo mpilalao rehetra sy ny mpikambana rehetra ao anatin’ny delegasiona, mialoha sy mandritra ary aorian’ny baikon’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf). Tsiahivina fa hatao any amin’ny kianja Stadium Barikadimy Toamasina, ny talata 17 novambra 2020, amin’ny 4 ora tolakandro io lalao miverina eo amin’ny roa tonta io. Marihina fa efa nahazo fankatoavana avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa) io fotodrafitrasa any amin’ny faritra atsinanana io. Ankoatra izay, tsy hihoatra ny 5000 ny totalin’ny olona afaka miditra ao anaty kianja, hanatrika io fihaonana miverina io.Efa nalefan’ny federasiona malagasy ny baolina kitra any amin’ny Caf sy ny federasiona ivoarianina (Fif) ny valin-teny momba io fahazoan-dalana manokana hidiran’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire eto Madagasikara io.  TompondakaL’article Kitra – Fikatonan’ny sisintany: Afa miditra eto ny Elefanta Ivoarianina saingy manaraka fepetra a été récupéré chez Newsmada.