Vehivavy namaky trano: ny namany ihany no nahavanon-doza

News - Vehivavy namaky trano: ny namany ihany no nahavanon-doza

News - Vehivavy namaky trano: ny namany ihany no nahavanon-doza

Tra-tehaky ny polisim-pirenena teny
Ambodirano ny vehivavy roa tompon’antoka tamin’ny vaky trano tetsy
Ambodirano Androndrakely. Naharay fitarainana mahakasika ny tranga
ny polisy ka nanokatra fanadihadiana avy hatrany. Voasambotra
tamin’izany ny vehivavy roa voarohirohy tamin’ny raharaha. Fantatra
taorian’ny fanadihadian’ny polisy fa naman’ilay mpamaky trano ny
iray tamin’ireo nahavanon-doza. Efa mpiditra matetika ao amin’ilay
lasibatra izy talohan’ny tranga. Ary vitan’ireo mpamaky trano dika
mitovy mihitsy ny fanalahidin’ilay trano novakiny. Vokany, nanao ny
asa ratsiny ireo olon-dratsy tamin’ny fotoana nandehanan’ilay
tompon-trano nianatra. Very tamin’izany ny entana maro
isan-karazany izay efa namidin’ireo mpamaky trano tamina toerana
iray eto an-drenivohitra. Taorian’ny fahatrarana an’ireo
olon-dratsy, azo avokoa ireo entana nangalariny ka efa tafaverina
tamin’ny tompony ihany koa izany. Naiditra am-ponja vonjimaika eny
Antanimora ihany koa ireo nahavanon-doza rehefa avy nandalo
fampanoavana.

 

Henintsoa Hani

Article tiré de Newsmada

L’article Vehivavy namaky trano: ny namany ihany no nahavanon-doza a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 09/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Seraseran’ny CUA, Rabeharisoa T: « Eo amin’ny dingan’ny fanentanana aloha… »

Nitondra fanazavana. «Mbola eo amin’ny dingan’ny fanentanana sy fanofanana aloha isika izao fa tsy mbola any amin’ny sazy. Ilaina ny hahafantaran’ny olom-pirenena mialoha ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana (CMH)», hoy ny talen’ny Serasera eo anivon’ny CUA, Rabeharisoa Tsi­re­sy. Efa an-dalana ny fanofanana ireo mpiasan’ny kaominina hidina ifotony hampahafantatra sy hanentana ny momba izany. Manampy ireo ny fanentanana amin’ireo haino aman-jery, ny fikarakarana adihevitra iarahana amin’ny olom-pirenena sy ny fiarahamonim-pirenena…Nohavaozina hifanaraka amin’ny vanim-potoana ny CMH Notsiahiviny fa tsy vaovao ny CMH. “Efa teo io fa no­hatsaraina sy nohavaozina hifanaraka amin’izao vanim-potoana izao. Zava-dehibe ny fihetsika tsotra, indrindra ny fanajana ny hafa na anatin’ny demokrasia aza isika», hoy ihany izy. Noraisiny ho ohatra amin’izany ny fanaovana fety nefa tokony hotsinjovinasy hajaina ihany ny manodidina amin’ny fotoana efa fatoriana.Fotoana ialana amin’ny fahazaran-dratsy Nohitsiny koa fa tsy tokony ho tonga amin’ny sazy isika. “Tsy misy afa-tsy ny fanajana ny fitsipika ihany. Fotoana izao hamerenana ny fahadiovana ka anisan’ny fitaovana amin’izany ny CMH, hialana amin’ny mety ho fahazaran-dratsy”, hoy izy.Synèse R.L’article Seraseran’ny CUA, Rabeharisoa T: « Eo amin’ny dingan’ny fanentanana aloha… » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra afrikanina: hitsara ny «Can 2019» i Lionel

Manana mpitsara iray i Madagasikara, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra “Can 2019”, hotanterahina any Egypta, manomboka ny 21 jona ho avy izao. Andranantenaina Lionel no hany voatendrin’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf) hiatrika izany fihaonana an-tampony amin’ny baolina kitra aty Afrika izany.Tsy mpitsara afovoany anefa izy fa mpitsara mpanampy, mandritra ity “Can 2019” ity. Nahagaga ny rehetra ihany koa anefa ny tsy nahatafiditra an’i Andofetra, tamin’ity. Araka ny vaovao voaray, toa voasazy ny tovolahy nefa tsy afaka nanamarina izany ny tale teknika nasionaly.Mahatratra 56 ireo mpitsara voatendry hitsara ity “Can 2019” ity ka 27 ny mpitsara afovoany ary 29 kosa ny an-jorony. Anisan’ireo firenena manana mpitsara betsaka indrindra ry zareo Magrebianina, toa an’i Egypta sy i Maraoka ary i Tonizia. Tompondaka L’article Kitra afrikanina: hitsara ny «Can 2019» i Lionel a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Ady… midi-droa izao

Hanao ahoana ihany? Tsy inona fa izao ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 izao: mihamafy ny fiatrehana ity hoe andiany faharoa, mihasarotra ny raharaha, mihalalina ny fahavoazana, mihamitombo isa ny tratran’ny tsimokaretina Coronavirus… Nefa tsy misy resy tsy miady amin’izao. Ady fiady io, tsy maintsy atrehina.Eo ihany izay firongatry ny aretina sy ny hery vaikany izay fa misy ny manampy trotraka amin’izany. Efa tsy tenenina amin’izany intsony, ohatra, fa manata-bava ireo manentsin-tadiny amin’ny tsy fanajana ireo fepetra sakana, indrindra ny fanaovana arotava: miandany amin’ny aretina rehefa tsy miaro tena sy mitsinjo ny hafa?Tsy inona fa karazana famonoan-tena sy famonoana ny hafa tsotra izao izay tsy fanajana fepetra sakana iadiana amin’ny fihanaky ny valanaretina izay. Tsy mahalala na tsy miraharaha afa-tsy ny fitadiavana sy ny fiainana isan’andro vaky? Fa misy koa ny minia manararao-paty amin’izao ady mafy sy sarotra manahirana ny firenena izao.Tsy iza tsy aiza ireo manararao-paty fa ireo mitonon-tena hoe marary hahazoana fanafody maimaimpoana havadika ho varo-maizina fa tsy marary tsinona ny tena. Izay ny anisan’ny mahatonga ny tsy fisiana na ny tsy fahampian’ny fanafody eny ifotony amin’ny tobim-pahasalamana sasany, hany ka sahirana sy fadiranovana izay tena marary.Soa ihany, tsara ratsy: nalaky hitan’ny tomponandraiki-panjakana ny raharaha. Nisy ny fanaraha-maso, famakiana bantsilana, fampitandremana… Na izany aza, tsy kely lalana mandrakariva ny ratsy, matoa tonga amin’izay fanaovana varo-maizina amin’ny alalan’ny tranonkalam-pifandraisana sy ny tambajotran-tserasera.Mety mahafaly ny sasany izay mampalahelo ny hafa? Izay no hitandremana sy hitsinjovana mialoha mandrakariva izay mety hitranga amin’izay lazaina sy atao. Eo ihany ny ady amin’ny aretina fa tsy maintsy atrehina koa ny ady amin’ny fahavalom-pirenena sy ny fanetribe… mety ho ratsy sy mamono lavitra no ho ny tena aretina. Ady… midi-droa izao?Rafaly Nd.  L’article Ady… midi-droa izao a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Terrain Ambohidratrimo : Pose du gazon artificiel

Le terrain devrait être opérationnel juste après la levée du confinement. Huit mois après la pose de la première pierre du stade Ambohidratrimo, le travail continue actuellement avec l’installation du tapis synthétique. Ce terrain fait partie des trente avec une pelouse synthétique à travers le pays dans le cadre du projet présidentiel. Plus précisément, la treizième promesse électorale d’Andry Rajoelina prévoit la construction de nouvelles infrastructures sportives en particulier dans toutes les provinces. Pour le cas d’Ambohidratrimo, qui se situe à environ deux cents mètres de la route principale, ce terrain dédié aux pratiquants du ballon rond sera opérationnel très bientôt. A cause de l’épidémie de Covid-19, le travail a connu un peu de retard mais malgré tout cela, le travail avance toujours. Outre la belle pelouse, la tribune sera également rénovée et pourra accueillir une centaine de spectateurs. Manjato Razafy L’article Terrain Ambohidratrimo : Pose du gazon artificiel est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Terrain Ambohidratrimo : Pose du gazon artificiel a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Delire Madagascar

KATRO & CO: Modely ny toeram-pivarotan’i Selesy mofo akondro

Tsy iadian-kevitra intsony ny hatsaran’ny kalitaon’ny mofo akondro amidin’i Selesy eny Ambohijatovo Avaratra. Na dia efa miharatsy aza ny toeram-pivarotany dia hifanotofan’ny mpanjifa hatrany ny tsenany. Nanapa-kevitra ny « Katro and Co » fa hanavao ny toeram-pivarotan’i Selesy. Vita soamantsara izany ary nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy androany Alakamisy 01 aogositra 2019. “Amin’ny maha mpiantsehatra  manampy ny maha olona ny  Katro and Co dia manolo-tanana maimaim-poana ireo mpivarotra madinika izahay ary tsy mangataka tamberim-bidy. Fanirianay ny hanampy mpivarotra hafa eto Antananarivo ankoatra an’i Selesy. Mason-tsivana voalohany hisafidianana ireo  mpivarotra  ny fandehanan’ny tsena na dia ratsy aza ny toeram-pivarotana”, hoy Razafindrasatrana  Haja Fahaleovantena. Efa an-dalam-pikarakarana ny antontan-taratasin’i Selesy ho lasa toeram-pivarotana ara-dalàna ary ho fitaratry ny mpivarotra hafa ihany koa ity mpikatroka amin’ny lafiny ara-tsosialy ity.  Vola voaangona avy amin’ireo Malagasy mila ravinahitra any ivelany no nahafahana nanamboatra, nandoko ny toeram-pivarotan’i Selesy sy nividianana fitaovam-panendasana vaovao. Mitentina 600 euros ny totalin’ny fandaniana. Ny valin-tenin’ireo mpikambana tao amin’ny  groupe facebook  Katro Community no nosafidianana ity mpivarotra mofo akondro ity. Fanontaniana napetraka tamin’izany ny hoe: “Iza no mpivarotra tsara mofo akondro indrindra”. Mofo akondron’i Selesy no voaresaka be indrindra tao.  Nambaran’i Selesy fa avy any Arivomamo izy ary niasa an-trano no nahatongavany teto Antananarivo. Nanomboka nivarotra mofo akondro izy ny taona 1993. 4700 Ariary no vola nampiasainy voalohany  ary tafakatra 70.000 Ariary izany ankehitriny. Lynda A. Cet article KATRO & CO: Modely ny toeram-pivarotan’i Selesy mofo akondro est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

FAKAFAKA: aza mba mora ambakaina ihany !

Aleo tsy idirana ny lafin-javatra hafa fa andao ny kolontsaina no hatsinkafona. Satria io no anisan’ny singa fototra lehibe ahafahan’ny firenena iray mahafantatra marina ny momba azy, nataon’ny “matanjaka” izay hahapotika tanteraka azy. Hatramin’izao,  mbola manan-kery tanteraka ireo paikady napetrak’izy ireo any amin’ny firenena tondroiny ho “madinika”. Na tsy mandray anjara mivantana amin’izany aza ry zareo, manana olona mahatoky zanak’ilay toerana na faritra na firenena azony ampiasaina izy.Na ilavoamena sy loso aza ny fanampiana omen’ny “matanjaka” ny “madinika”, tehaka mirefodrefotra no andraisana izany. Na famotehana ankarihary ny soatoavin’ny firenena “madinika” izao aza no ataon’ireo “matanjaka” any aminy, miraradraraka ny “misaotra tompoko”! Tahaka izany hatrany hatrany… Ankavitsiana ihany ireo mahita sy mahatazana fa longoa mitoto bozaka sy fandrika tsy mamela mahazo ary vahoho mangeja ange ireny lela mamy sy fanampiana omen’ny “matanjaka” ireny.… Fa rehefa ambara fa “mahantra” ve ny firenena iray dia mahantra manaraka izany ihany koa ny toe-tsain’ny olona ao aminy ka tsy mahita ny tranga tahaka izany? Lasa mora ambakaina amin-java-tsy misy fotony. Misy aza moa fanampiana omen’ny “matanjaka” ho an’ny “madinika” mba hoentin’izy ireo hitodika sy hiverina any an-doharano hono. Izany ve dia mba mitombina? Raha ny firenena “madinika” ve no miverina amin’ny fahaizan’ny razany mitsabo amin’ny alalan’ny zavaboary, ataon’ny firenena matanjaka aiza ireto fanafody simika an-taoniny maro vokariny isan’andro?… Mila mifanaitra sy mifanentana ny tsirairay mba hanana saina mivelatra, maso mahita, sofina mandre, sns. Tsy iandrasana fanampian’ny vahiny ny fanaovana izany fa efa azo atomboka tsara mba tsy ho tratra aoriana.HaRy RazafindrakotoL’article FAKAFAKA: aza mba mora ambakaina ihany ! a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra: niala tao Reims i Fontaine ary hilalao ao Lorient

Mitohy ny fifindran-toeran’ireo mpilalao malagasy, nandrafitra ny Barea de Madagascar, avy niatrika ny Can 2019, tany Egypta. Fantatra izao fa hiala ao amin’ny Stade de Reims, i Thomas Fontaine, vodilaharan’ny Barea de Madagascar ka hifindra any amin’ny Lorient, mifaninana ao amin’ny “Ligue 2” frantsa.Efa tontosa ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta. Hanamafy ny fiarovantenan’ity ekipa L2 ity, no tena antony niantsoana an’i Fontaine. Hiaraka amin’i Julien Laporte, izy amin’izany. Tsy mbola fantatra kosa ny faharetam-potoana, hilalaovany ao Lorient. Marihina fa anisan’ireo, andrin’ny fiarovantena Malagasy, tany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, tany Egypta i Fontaine. 28 taona ny tovolahy amin’izao fotoana izao, ary mbola tena ao anatin’ny heriny tanteraka.Raha tsiahivina, nifindra lasy toa izao ihany koa i Jeremy Morel, vodilaharan’ny Barea. Tapitra ny filalaovany tao amin’ny Olympique Lyonnais, izay tsy nanavao ny fifanarahana, taminy intsony. Nifindra ao amin’ny Stade Rennais, i Jeremy Morel, ary taom-pilalaovana iray ihany no hilalaovany ao. TompondakaL’article Kitra: niala tao Reims i Fontaine ary hilalao ao Lorient a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mozika mafana: manasongadina ny hafatra entin’ny hira i Zair

Tia mamaky boky Ravoajanahary Nancy, noho ny fahatsapany fa io ny fitaovana mahomby indrindra raha te hanovo fahalalana sy fahendrena. Mankafy mihira koa anefa izy, hatramin’ny fahazazany.Nanomboka tamin’ity taona ity, tapa-kevitra ny tovovavy fa hampivady ireo fitiavana roa ireo ka hanome lanja manokana ny hafatra raiketin’ny hira, araka ny fanazavany.Nisafidy ny anarana Zair izy, amin’ny maha mpanakanto azy, ary nanomboka namoaka vokatra, izay efa mandeha any amin’ny onjampeo sy ny fahitalavitra any, amin’izao fotoana izao. Vokatry ny fiarahany miasa akaiky tamin’ny Davalt Rwickords, nandrindra ankapobeny, sy i Caeli, mpamoron-kira, ny hirany voalohany.Efa ela ny naniry ho lasa mpihira i Nancy, saingy ankehitriny vao tanteraka izany. Efa niatrika fifaninanan-kira samihafa ny tovovavy ary ambarany fa nahazoany traikefa maro izy ireny, nentiny nanomana zava-baovao sy miavaka amin’izay efa ataon’ny hafa. Araka ny voalazany, efa manana hira maro vonona i Zair ary hezahiny havoaka tsikelikely izany.Anisan’ny mampiavaka ity tovovavy ity koa ny fanehoana hatrany ny maha Malagasy, indrindra amin’ny fomba fiakanjo, izay toy ny tsy voahaja intsony ho an’ny ankamaroan’ny mpiangaly mozika mafana, izay matetika zara raha mitafy. “Amiko, fanabeazana sy fitaizana ny mozika”, hoy izy. Mifantoka amin’ny fampahafantarana io vazony vaovao io i Zair, amin’izao fotoana izao.Landy R. L’article Mozika mafana: manasongadina ny hafatra entin’ny hira i Zair a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsy mazava ny fitantanana: takin’ny mpikambana ny hialan’ny mpitantana ny Otiv Boeny

Misy tsy mazava. Nanao fanambarana narahina sonia marobe ny solontenan’ny mpiasa eo anivon’ny Otiv Boeny, ny 7 jona teo, manoloana ny tsy fisian’ny mangarahara sy ny fitotongan’ity mpampindram-bola ity. Miantso vonjy izy ireo amin’ny alalan’ny taratasy ho an’ny tompon’andraikitra isan-tokony, manomboka amin’ny filoham-pirenena ary mitaky ny hialan’ny mpitantanana. “Tsy azo ara-dalàna ny karamanay nanomboka ny volana marsa 2017 afa-tsy ny 50% ihany… Efa nanalana ny Irsa sy ny Cnaps 100% anefa izany ary tsy azo raha tsy nanaovana fitakiana mivantana tany amin’ny mpisaforaharaham-panjakana (inspection de travail) sy ny CSBF. Tsy tonga any amin’ny Canps sy ny sampandraharaha hetra akory anefa izany zavatra notapahina izany… Isaky ny enim-bolana vao mahazo io antsasa-karama 50% io nefa miteraka fahasahiranana ho anay mpiasa izany”, hoy ny fanambaran’izy ireo. Noraisin’izy ireo ho ohatra amin’izany raha misy marary na zanaka maty, na tsy mianatra na koa ny sakafo sy ny hofan-trano…Nitotongana sy tsy mandeha amin’ny laoniny…  Notsiahivin’izy ireo  fa nitotongana tanteraka ny Otiv  ary tsy misy mandeha amin’ny laoniny, nanomboka ny taona 2016 manoloana ny fitantanan’ireo tompon’andraikitra ao. Misongadina amin’izany ny trano tsizarizary, ny karama tsy voaloa araka ny tokony ho izy. “Mitovy amin’ny magazay fitahirizan’entana ny Otiv eto aminay… Simba avokoa ny fitaovana rehetra, toy ny solosaina, ny seza, ny moto, ny latabatra, ny fiara… Tsy misy ny fitakiana ny trosa tsy voaverina. Tsy misy ny tatitra mazava atao amin’ny mpiasa. Milefa mihitsy ireo lehibe rehefa tonga eto, matetika… Mahazo vola ny mpikambana sasany rehefa mifanaraka amin’izy ireo…”, hoy ny ampahan’ny fanambaran’ireo solontenan’ny mpiasa sy ny mpikambana. Manantena izy ireo fa ho voavahan’ny filoham-pirenena izao olana izao.Synèse  R.  L’article Tsy mazava ny fitantanana: takin’ny mpikambana ny hialan’ny mpitantana ny Otiv Boeny a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tanjombato: sesilany ny asan-jiolahy, telo lahy saron’ny polisy

Saron’ny polisy ao amin’ny kaomisarian’i Tanjombato, omaly maraina, ny telo tamin’ireo jiolahy tompon’antoka tamina fanafihana mitam-piadiana nisesy amin’iny faritra Tanjombato hatrany Andoharanofotsy iny. Maro ireo olona mitaraina amin’ny afitsok’ireo jiolahy, saika ho isan’andro izany, araka ny fijoroana nataon’ireo olona lasibatra. Raha ny loharanom-baovao voaray, nanomboka ny talata hatramin’ny alakamisy teo, nisy asan-jiolahy mitam-piadiana niseho tao Belambanana Andoharanofotsy. Tsy vitan’izay fa ankoatra ny fandrobana, mbola nisy vehivavy iray voaolana mihitsy aza nandritra izany. Nitohy ny zoma indray izany tao Ankadilalampotsy, kaominina Tanjombato, nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana koa tao an-toerana. Tokantrano iray notafihin’ny jiolahy, saingy tsy tontosan’ireo jiolahy hatramin’ny farany anefa ity fanafihana ity satria henon’ny tompon-trano. Nandeha ny fanadihadiana rehetra taorian’izay. Omaly tamin’ny 8 ora sy 30 mn maraina, nisy nahatsikaritra teo an-tanàna ihany ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity. Niantsoana polisy avy hatrany izy ireo ka noraisim-potsiny. Ao anatin’ny fanadihadiana ny polisy satria mbola tsy fantatra na iray ihany na samihafa ireto jiolahy ireto.J.CL’article Tanjombato: sesilany ny asan-jiolahy, telo lahy saron’ny polisy a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services PDF à propos de ADWORD
14/06/2021

Vous vous demandez peut-être comment les grandes entreprises utilise la technologie pour promouvoir ses produits.Ne vous inquiétez voici-ci quelques notion qui pourrait vous aider.Dans ce pdf de Content Marketing 101https://bit.ly/3cqJQLY AdWords Annihilationhttps://bit.ly/3zavLMDCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services PDF à propos de ADWORD".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
16/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services Asa en ligne
14/06/2021

Asa en ligne mety ho an'ny rehetra,  afaka atao na tsisy investissemenr aza satria omwna bonus 10$ ianao hampiakatra nybalsnce_nao, nefa raha te hahazo vokatrhttps://fastscash.online/?ref=25212 raha te hahazo vokatra haingana dia afaka manao investissemebt 0,5$minimum. Manaova inscription eto https://fastscash.online/?ref=25212  fa omena fanazavana ianao. Ny sakana ho anao dia ny tsy fanombohana azy. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Asa en ligne".

A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE – TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨
18/06/2021

✨✨  ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE -  TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨L’Agence Immobilière AINA Antsirabe vous propose à la vente, ce beau terrain plat constructible,  idéal pour des projets. Terrain titré et borné. Situé au bord de route principale. Accessible en voiture.Electricité à proximité.➡️ LOCALISATION : ANDRANOMANELATRA à 500m  de la route nationale  RN7➡️ SURFACE DU TERRAIN : 02HA 10A 09CA   NON MORCELABLEPour plus d’informations contactez-nous🏠 AGENCE IMMOBILIÈRE AINA ANTSIRABE🌐 https://aina-immobilier-antsirabe.com📩 contact@aina-immobilier-antsirabe.com☎ 0340255077 - 0330255077 – 0328347800Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE - TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨".

Emploi et services Développeur Codeigniter
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le BTP,Développeur CodeigniterEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVCODEIGNITER-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Codeigniter".

Emploi et services Antares trade, prêt possible
18/06/2021

Bonjour à tous!Il est maintenant possible de demander un prêt avec Antares. Vous n'avez plus d'excuse pour ne pas vous inscrire sous motif de manque de fond. Antares est là pour vous dépanner, et vous prouver que l'investissement dans le site marche et n'est pas une arnaque comme les gens le pensent. Le prêt va de 100$ à 4000$! Ils appellent l'investissement P2P c'est-à-dire de partenaire à partenaire. Avec cet investissement, vous pouvez percevoir des revenus de 0,5% par jour pendant 12 mois, tandis que la plateforme rembourse votre prêt à votre place. Par exemple vous empruntez 2500$ pour prendre le pack de 2500$. Au lieu de recevoir les 1% par jour soit 25$ par jour environ, vous recevez 12,5$ par jour et votre prêteur revoir également 12,5$ par jour.Il est n'est valable que pour les nouveaux arrivants et ne fonctionne que si: - l'emprunteur sollicite un prêt et s'inscrit auprès d'Antares- l'investisseur émet un emprunt sur 12 mois avec un rendement moyen de 0,5%/jour- l'emprunteur investit dans un produit d'investissement séparé avec un rendement de 0,5% par jourCe programme vous permet de participer à un programme d'affiliation basé sur le marketing linéaire, dont vous pouvez en savoir plus ici : https://antares.trade/antares-p2p-platform/#partners.Pour vous inscrire: https://antares.trade/personal/?signup=MG000823370Pour plus d'informations, veuillez me contacter par mail: shonaliyah3@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Antares trade, prêt possible".

Emploi et services Développeur Phyton
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le domaine de l'externalisation,Développeur PhytonEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVPHYTON-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Phyton".

Emploi et services Un Contrôleur de gestion
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans la relation clientèle et BPO à Madagascar, recherche activement un (01) contrôleur de gestion :   Vous aurez pour mission :Votre Profil :Vos avantages :Merci d’adresser votre candidature composée de votre CV et d’une lettre de motivation à l’adresse recrutement@eufonie.frSeules les candidatures présélectionnées feront l’objet d’un entretienCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Un Contrôleur de gestion".

Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) bilingues anglophone.Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 150 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC.En tant que  Téléconseiller(ère) bilingue, vos missions seront de :PROFIL :VOS AVANTAGES :Merci de postuler votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ;Pour entrevoir nos offres d'emplois, merci de visiter www.eufonie.fr/jobs.Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones".

Emploi et services Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction
16/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement un Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction.Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 150 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC.MISSIONS:Le Business Unit Manager développe et assure le bon fonctionnement de ses activités :PROFILS :AVANTAGES :Veuillez adresser votre candidature à l’adresse recrutement@eufonie.fr à l'aide de votre CV et d’une lettre de motivation. Pour entrevoir nos offres d'emploi, merci de visiter www.eufonie.fr/jobs.Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction".

Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT
14/06/2021

Voici des sites qui permettent de gagner de l'argent gratuitementhttps://mining-forever.com/?ref=rajaonarshttps://duplinow.com?aff=70888https://banana-cash.com?aff=15898https://topmining.host/?ref=1190Vous n'avez pas de compte payeer ?https://payeer.com/?session=16887921Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT".

Emploi et services Gagner de l'argent en ligne
19/06/2021

Nous vous proposons une opportunité intéressante pour gagner de l'argent en ligne. Votre rôle consiste à remplir des micro-tâches comme répondre à des sondages, essayer certaines applications, répondre à des quiz etc. Cliquez sur ce lien :https://paidera.com/?r=2057784Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Gagner de l'argent en ligne".

Notsongaina

« Tana masoandro »: hisokatra ny fahazoana ny trano fonenana  
17/06/2021

Hiainga amin’izay ny tetikasa ary handeha tsikelikely ny famindrana ny biraom-panjakana. Efa mandeha koa ny fanadihadiana ho an’ireo fangatahana ahazoana trano fonenana. Nidina ifotony teny Tsimahabeomby, Imerintsiatosika, omaly, ny minisitra lefitra misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, i Zasy Angelo. Nijery ny famaritana ny toerana hanorenana ny tetikasan’ny filoham-pirenena eny an-toerana ny tenany. Anisan’izany ny fanamboaran-dalana amin’izany toerana izany. Efa miatrana hanao ny asa ireo fitaovana fanamboaran-dalana avy amin’ny faritra Analamanga sy ny avy Itasy. Mirefy eo amin’ny 980 ha ny toerana hanaovana tetikasa.Hafindra eny Tsimahabeomby ny biraom-panjakanaEo koa anefa ireo ampahan-tanin’olona tafiditra ao anatin’izany. “Ahafahana manitatra ny tanàn-dehibe izao tetikasa izao ka hafindra ny biraon’ny minisitera etsy Anosy. Mitovitovy amin’ireo ihany ny haorina ety”, hoy izy.Natsidiny sahady fa natokana ho an’ireo manana fidiram-bola mazava ny trano “logements sociaux”.Trano fonenana maherin’ny 50 000 haorinaEfa mandeha ny fanadihadiana momba izany. “Misokatra ho an’ny rehetra ny fahazoana ny trano, indrindra ho an’ireo mpiasam-panjakana manana kaonty any amin’ny banky na koa ireo manana taratasy fandraisam-bola ary manana ny fiahiana eo amin’ny asa”, hoy ihany izy. Maherin’ny 50 000 rahateo ireo trano fonenana haorina mitsinjara amin’ny toerana samihafa, ankoatra ny eny amin’ny Tana masoandro. Anisan’izany ny eny Bongatsara, Anosy Avaratra sy ny toerana hafa koa.Synèse R.L’article « Tana masoandro »: hisokatra ny fahazoana ny trano fonenana   a été récupéré chez Newsmada.

Androy sy Anosy: hahena ny isan’ny zaza teraka
14/06/2021

Ho an’ny sehatry ny fahasalamana, nivoitra tao anatin’ny akon’ny fikaonan-doha ifotony tany Taolagnaro ho fanatanterahana ireo asa vina fampandrosoana ny faritra Androy sy Anosy fa hanangana CSB 21 sy hopitaly manara-penitra roa ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Voaresaka koa ny centre de réhabilitation nutritionnelle et médicale (CRNM) ao Amboasary hitiliana sy handraisana an-tanana ireo olona tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo voatily any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara iny. Hisy mpitsabo sy mpikarakara tsy tapaka ny toeram-pandraisana amin’ny fotoana rehetra. Ankoatra izay, momba ny fandrindram-piterahana maimaim-poana, nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis fa voapetrapetraka avokoa ireo paikady hoentin’ny minisitera hampihenana ny taham-pahaterahana any amin’ny faritra Atsimo, izay anisan’ny ambony indrindra eto Madagasikara.Hisy fampahafantarana sy fanentanana miainga avy eny ifotony mikasika ny fandrindram-piterahana ary hohamafisina ny fanentanana amin’ny haino aman-jery.Hotohizana ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ireo minisitera hafa amin’ny fampiharana ireo paikady ireo.Vonjy A.L’article Androy sy Anosy: hahena ny isan’ny zaza teraka a été récupéré chez Newsmada.

Hisy ny “Festival Sômaroho!” 2021: ho vahinin’i Wawa i Innoss’B
16/06/2021

Hotontosaina ny 25 hatramin’ny 29 aogositra izao ny “Festival Sômaroho!” 2021, any Nosy Be. Efa andro vitsivitsy lasa izay ny nanambara izany tao amin’ny pejy “facebook” i Wawa, mpanorina ny hetsika. Vaovao lehibe faharoa, fantatra fa ho vahinin’ny hetsika manokana i Innoss’B, mpanakanto avy any Congo, efa manana ny lazany eo amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena. Mazava loatra fa tsy tongatonga ho azy ny safidin’i Wawa sy ny ekipany mpikarakara ny “Sômaroho!”, raha niantefa any amin’i Innoss’B. Niaka-daza vetivety mantsy ity mpanakanto mivoy ny pop afrikanina ity, indrindra taorian’ny nivoahan’ilay hirany “Yo Pe”. Nahaliana an’i Diamond Platnum izy tamin’io hira io, izay niarahan’izy ireo namerina. Ito farany izay mpanakanto tanzanianina, manana ny lazany ary efa vahinin’i Wawa tamin’ny “Festival Sômaroho!” ihany koa. Toy ny mahazatra, hanampy ny vahiny manokana ireo mpanakanto malaza avy eto an-toerana. Tsy mbola nisy, hatramin’izao, ny fampahafantarana avy amin’ny komity mpikarakara fa ho avy miandalana kosa izany raha ny fanazavana. Ny azo antoka aloha izany, efa vonona ny mpikarakara ny “Festival Sômaroho!”, izay ao amin’ny kianjan’Ambodivoanio hatrany.Zo ny AinaL’article Hisy ny “Festival Sômaroho!” 2021: ho vahinin’i Wawa i Innoss’B a été récupéré chez Newsmada.

Politikam-pirenena momba ny kolontsaina: lany teo anivon’ny Antenimierampirenena
17/06/2021

16 taona ny niandrasana azy… Efa tamin’ny taona 2005 tokoa mantsy no nisy fanovàna farany ny lalàna mikasika ny politikam-pirenena momba ny kolontsaina ka tsy mifanaraka amin’ny zava-misy intsony izany. Nandalo dingana maro ilay volavolan-dalàna mifehy ny Politikam-pirenena momba ny kolontsaina vao tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoan’ny Antenimierampirenena ny fandinihana azy, amin’izao fivoriana ara-potoana izao. Lany nandritra ny fivoriana itambarambe izay nampitain-davitra, omaly, ity lalàna ity. Antoka lehibe ho an’ny sehatry ny kolontsaina ity lalàna ity. Maro ny fanovana nentina, mifanaraka amin’ny fivoaran’ny fiarahamonina sy ny zava-misy manerana izao tontolo izao. Teboka maro koa ny fiarovana ny fototra, toy ny fanajana ny soatoavina nentim-paharazana, ka nametrahana ny fanekena ny maha marolafy ny kolontsaina malagasy. Eo koa ny fifanomezan-tanana ho an’ny soa iombonana amin’ny alalan’ny “Tagnamaro”, ny fampirisihana ny famoronana eo amin’ny sehatry ny kolontsaina, ny fiarovana ny kolontsaina sy ny harem-bakoka malagasy, ny politika momba ny teny malagasy, ny fanomezana tosika ny sarimihetsika sy sarimiaina, ny fametrahana ho matihanina ny mpanakanto isan-tsokajiny ka ahafahany misitraka tombontsoa maro amin’ny alalan’ny fametrahana ny satan’ny mpanakanto, sns. Tsy nametraka olana firy ireo solombavambahoaka nandray anjara tamin’ny fivoriana, na maro aza ireo teboka nanitikitika. Taorian’ny fanazavana nentin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Andriatongarivo Lalatiana, sy ny ekipa tarihiny, nolanin’ireo solombavambahoaka ilay volavolan-dalàna. Miandry ny eny amin’ny Antenimierandoholona indray amin’ny dingana manaraka.Zo ny AinaL’article Politikam-pirenena momba ny kolontsaina: lany teo anivon’ny Antenimierampirenena a été récupéré chez Newsmada.

« Concert classique de midi »: hiaka-tsehatra ny tarika Tsimihole
16/06/2021

Hiavaka tsy tahaka ny nahazatra hatramin’izay ny « Concert classique de midi » amin’ity indray mitoraka ity. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny niverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena ny seho hotontosaina ny talata 22 jona izao manomboka amin’ny 1ora tsy diso, ao amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely. Ny tarika Tsimihole no hitondra ny talentany ho an’ny mpitia zavakanto amin’io fotoana io. Tarika mivoy ny mozika avy any atsimon’ny Nosy. Ahenoana ihany koa ny fihaonan’ny mozika malagasy sy ny mozika ankehitriny. Mamoitra ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina, indrindra fa ny any atsimo, kosa ny tononkira.Marihina fa faha-118 amin’ny seho « Concert classique de midi » ity karakarain’ny Madagascar Mozarteum izay mandia ny faha-10 taony ity.HaRy RazafindrakotoL’article « Concert classique de midi »: hiaka-tsehatra ny tarika Tsimihole a été récupéré chez Newsmada.

Nécrologie du 17 juin 2021
17/06/2021

Cliquez pour agrandir L’article Nécrologie du 17 juin 2021 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Nécrologie du 17 juin 2021 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fivorian’ny COI: fiarovana ny fari-dranomasina
15/06/2021

Niombon-kevitra ireo firenena mpikambana ao amin’ny COI (Commision de l’océan indien), anisan’izany i Madagasikara, tamin’ny fivoriana farany natao ny volana mey teo , amin’ny fiarovana ny fari-dranomasina. Ny « Regional maritime information fusion center » no manome ny vaovao rehetra tsara ho fantatra amin’ny fiarovana ny fari-dranomasina. Samy mahita ireo firenena mpikambana fa ianjadian’ny tsy fandriampahalemana ny fari-dranomasina aty amin’ny Nosy manodidina.Tapaka teo anivon’ny COI koa ny lamina hampiharana ny « toekarena manga », raha fintinina dia toekarena miompana amin’ny fitrandrahana ny harena an-dranomasina, tafiditra amin’izany ny jono, ny fizahantany, ny tontolo iainana …Takina ny fahaiza-mitantana maharitra, izay andry iray iankinan’ny toekarena aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Ary nohatsaraina ny rafitra ao amin’ny COI, sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny maro,  indrindra ny amin’ny fiarovana ny fari-dranomasina. Eto Madagasikara, olana mampitaraina ny mpanjono madinika maro ny fidiran’ireo sambo vahiny vaventy. Tompon’andraikitra voalohany amin’izany ny fitondram-panjakana. R.MathieuL’article Fivorian’ny COI: fiarovana ny fari-dranomasina a été récupéré chez Newsmada.

Hiova ny tantara: hifantohana ny fampandrosoana ny faritra Anosy sy Androy
14/06/2021

Nifarana ny 12 jona 2021 ny Fikaonandoha lehibe ifotony ho fampandrosoana ny faritra atsimon’i Madagasikara. Maro ny lohahevitra sy ny lafin-javatra nodinihina sady notapahina fa hotanterahina.Tapaka nandritra ny fikaonandoha ho an’ny fampandrosoana ny tapany atsimon’i  Madagasikara, ny paikady mifanaraka amin’ireo sehatrasa tsirairay hoentina hamahana ny olana amin’ny lafiny sosialy sy toekarena any amin’ireo distrika rehetra ao anatin’ny faritra Anosy sy Androy.Vahaolana ho an’ny tsy fisian’ny rano any atsimo ny fitarihan-drano lehibe amin’ny alalan’ny fantsombe. Hoentina hanondraka ny veralan-tany hamokarana, ary misy koa ho an’ny rano fisotro. Hampiroborobo ny fambolena sy ny fiompiana izany hanatrarana ny tanjona fahavitan-tena ara-tsakafo araka ny veliranon’ny filoha Rajoelina. Eo koa ny fananganana toeram-pitsaboana hanatsarana ny lafiny fahasalamana.Atomboka amin’ny tetibolam-panjakanaAnisan’ny nisongadina tamin’ity fikaonandoha ity koa ny fanarenana ireo lalam-pirenena, ny RN 13, ny RN 10 ary ny RNT 12 A. Eo koa ny fampiasana ny angovo azo havaozina, ny fandriampahalemana, ny fananganana indostria hanodina ny vokatra any an-toerana, sns.Nambaran’ny filoham-pirenena, fa hatolotra ireo mpiara-miombona antoka sy ny mpamatsy vola ireo paikady novolavolaina. Atomboka avy hatrany kosa ny tetikasa azo tanterahina avy amin’ny tetibolam-panjakana, satria tsy afaka miandry ny fampandrosoana ny faritra atsimo. “Napetraka ny fanamby ary isika rehetra no hiaraka hanova ny tantaran’ny faritra atsimo sy Madagasikara manontolo”, hoy ihany izy.Njaka AndriantefiarinesyL’article Hiova ny tantara: hifantohana ny fampandrosoana ny faritra Anosy sy Androy a été récupéré chez Newsmada.

Lalana Rocade: atao hampalalaka ny fifamoivoizana eto Antananarivo
19/06/2021

Omaly, nanazava ny lafiny teknika ny lalana Rocade Atsinanana sy Avaratra Atsinanana ny lehiben’ny tetikasa ao amin’ny Agence Routière, Rakotovao Rivoary. Lalana atao hampalalaka ny fifamoivoizana.Mirefy 8,2 km io lalana io (lalan-droa), atao hampalalaka ny fifamoivoizana. Mpanara-maso ny asa ny Cetec, mpanatanteraka ny Sogea Satom. Mirefy 3,8 km ny Rocade Atsinanana, ny Avaratra Atsinanana, 3,4 km. Avy eo amin’ny masoivohin’i Chine ny fidirana an-dReni­vo­hitra, 1 km (lalan-tokana). Nanomboka tamin’ny 15 mey 2018 ny asa, mitentina 62,8 tapitrisa euros, famatsiana avy amin’ny AFD, UE, BEI, fanjakana malagasy. Nasiana tetezana fiampitana avy any amin’ireo fokontany, fiampitana any ambany sy lalana eny amorony voafefy natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra sy bisikileta. Ahi­tana tetezana roa : Ampa­simbe sy Soamanandrariny. Manana endrika tanàn-dehibe kokoa ny lalana. Eo am-pama­ranana ny asa izao, 99 % ny vita, ny asa madinidinika sisa tavela. Vinavina tokanana amin’ny 24 jona ary hisokatra ho an’ny daholobe avy ha­trany.Andraikitry ny rehetra Hisy taxi-be zotra vaovao, hanampy ireo efa misy afaka mandeha amin’io Rocade io. Eo am-piomanana izany ny kaominina sy ny minisiteran’ ny Fitaterana. Andraikitry ny rehetra, ny kaominina sy ny fokontany manamorona ny fanaraha-maso ny fotodrafitrasa, atao haharitra amam-polo taona. Napetraka ireo fe­petra hisorohana ny loza araka izay azo atao : famerana ny hafainganam-pandeha, sns, ary tsy maintsy hisy mpitandro filaminana. Ny fanefana onitra ireo olona voakasiky ny fanaovana ny Rocade no olana. Na izany aza, 70 % efa nandray ny azy ho an’ireo nanana taratasy fanamarinan-tany mazava, ny ambiny eo am-pikarakarana ny taratasiny, miaraka amin’ ny minisitera hanafainganana ny fikarakarana izany.R.MathieuL’article Lalana Rocade: atao hampalalaka ny fifamoivoizana eto Antananarivo a été récupéré chez Newsmada.

Web festival : Fenoamby figure parmi les participants
16/06/2021

Le collectif « Paroles et Musiques » lance son premier festival Web intitulé « Paroles et  Musique 2021 » qui se tiendra les 17, 18, 19 et 20 juin. Ce sera une découverte de l’univers des différents artistes et intervenants membres du collectif, au travers de rencontres musicales en visioconférence, et de webinaires. Le festival Web « Paroles et Musiques » est une levée de fonds. Elle soutient ainsi l‘action et les projets coopératifs du collectif « Paroles et Musiques ». Ce collectif regroupe des artistes et des consultants, toutes disciplines confondues. Il a la volonté de rompre l’isolement, et de créer des valeurs, de la richesse pour un monde solidaire, toujours plus humain. Parmi les artistes figure le griot d’Ampanifiana, Marius Fenoamby. Auteur-compositeur et multi-instrumentiste (Kabossy, Valiha, Marovany, Guitare et Harmonica, accordéon diatonique, Blap , percussionniste, batteur), Paul Marius Fontaine est originaire du nord-est de Madagascar, né à Ampanefena entre Sambava et Vohémar. Il commence à chanter en tant qu’enfant de chœur dans l’Eglise catholique d’Ampanefena, et à jouer de la batterie à l’âge de 11 ans, avec le groupe Paroka dans la brousse d’Ampanefena (Ankotoba), un village de cultivateurs de vanille, café , riz et d’éleveurs de zébus. La distraction après le travail, c’est de gratter le kabossy en chantant la vie, la joie et l’amour. En grandissant, il fréquente plusieurs orchestres de bal comme The Thunders ,The Spiders , Les Super-Jazz , Les 7 aigles , Les Anges noir , Tropical de Diego. Il quitte Madagascar en 1982 pour rejoindre sa famille à l’île de la Réunion. Réunionnais d’adoption, chanteur charismatique aux registres multiples, de la complainte au salegy (rythme 6/8 le plus endiablé et le plus populaire à Madagascar), en passant par le reggassy (reggae malgache), le Maloya de l’île de la Réunion et le rock zoulou d’Afrique du Sud. Il forme le groupe Fenoamby fin 89. Avec cinq albums, Fenoamby se fait très vite une réputation dans tout l’Océan Indien, poursuit une carrière internationale et s’installe en France en 1998. Variant les rythmes, Fenoamby est le porte flambeau de l’Ile rouge de Madagascar et plus largement de l’Océan Indien.  Il montera sur la scène virtuelle le 19 juin (10:00 – 11:30 UTC+0). Il jouera ses titres comme Alako, ou Sarah. Bien entendu les fans de reggassy vont se régaler. Zo Toniaina  L’article Web festival : Fenoamby figure parmi les participants est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Web festival : Fenoamby figure parmi les participants a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Anjanahary : Recrudescence des vols à la tire
14/06/2021

Les citoyens s’inquiètent de la sécurité en raison de la multiplication des vols qui, force est de constater, n’ont jamais été élucidés. La multiplication des vols ne cesse de prendre de l’ampleur dans les quartiers populaires. Ces dernières semaines, de nombreux vols à la tire ont été constatés. « Les malfaiteurs s’activent dans le périmètre urbain en utilisant la ruse et les subterfuges pour arriver à leurs desseins », selon un responsable de fokontany. Dernièrement, les internautes ont assisté à un spectacle inhabituel. Une femme en larmes, en public, à Anjanahary. Elle aurait été victime d’une arnaque et d’un vol, suivis d’une effraction, commis par deux individus (un homme et une femme)). Cette dernière aurait obligé la victime à lui donner son vêtement, « un blouson en cuir », supposant lui appartenir. Choquée, la fille ne comprenait pas ce qui se passait, vu qu’elle ne connaissait même pas ces personnes. Puis, l’homme a haussé la voix et a enlevé la veste en cuir de la victime par la force en prétextant que celle-ci appartenait à sa femme. La victime ne pouvait que pleurer. Le phénomène de vol a été signalé sur les réseaux sociaux. Cette histoire pourrait passer pour un simple fait divers, mais l’incident a provoqué une véritable psychose dans le quartier et au-delà. Les gens évitent actuellement d’avoir un quelconque contact avec des inconnus. Les actions menées par les forces de l’ordre n’arrivent malheureusement pas à endiguer ce phénomène qui ne cesse d’inquiéter la population. Rien n’est épargné par les malfrats qui agissent impunément, même en milieu de journée. Des femmes, des passants ont été les cibles des malfaiteurs, emportant argent, téléphones, bijoux, sacs et vêtements de marque. Un résidant à Anjanahary témoigne «  ce fléau n’est pas nouveau, mais c’est la première fois que j’entends une histoire de vol de « perfecto »…, on ne peut plus porter des habits à la mode et chers ? C’est malheureux... ». Cependant, les quartiers mobiles et les chefs de fokontany tentent toujours d’instaurer des dispositifs de lutte contre le phénomène. Yv Sam L’article Anjanahary : Recrudescence des vols à la tire est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Anjanahary : Recrudescence des vols à la tire a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Hakanto Contemporary : Une vingtaine d’artistes mis en avant dans « Ny fitiavanay »
17/06/2021

Hakanto Contemporary célèbre et accompagne la créativité artistique à Madagascar Consacré à la valorisation de la richesse de l’art contemporain malgache, Hakanto Contemporary, l’espace indépendant pour les artistes, sera lancé à l’international en octobre 2021. Pour ce faire, une grande exposition baptisée « Ny fitiavanay » mettra en avant une bonne vingtaine d’artistes, toutes disciplines confondues. Sous la direction artistique de Joël Andrianomearisoa, on y retrouvera Alizé, Jean Andrianaivo Ravelona, Philippe Gaubert, Harivola, Joan Paoly, Ludonie Velotrasina, Mat Li, Ndao Hanavao, Zahra Rabeharisoa, Fenosoa Rahajamalala, Viviane Rakotoarivony, Zoly Rakotoniera,  Michèle Rakotoson, Emile Ralambo, Rina Ralay Ranaivo, Maurice Ramarozaka, Antoine Ratrema, Fela Razafiarison, Ketaka Razafimisa, Rijasolo, Serge Henri Rodin, Samoëla et Vonjiniaina. Un patchwork artistique dans lequel photographie, poésie, musique, peinture, danse, théâtre… se conjuguent pêle-mêle pour donner un tout, un microcosme de l’art et du beau. À savoir que Hakanto Contemporary est un lieu de rencontre pour les artistes et le public du monde entier. À part les programmes d’expositions collectives et individuelles qui valorisent des œuvres de l’ensemble de Madagascar et au-delà, le lieu culturel propose des espaces de résidence dédiés aux artistes. S’efforçant d’accélérer les échanges, de renforcer les compétences et de lancer des projets créatifs qui, à la fois, représentent et soutiennent la scène artistique locale. Créé en 2019, le Fonds de Dotation HY se donne pour mission de révéler l’effervescence de la scène artistique contemporaine malgache ici et ailleurs. Conscient que l’art et la culture sont des leviers essentiels de développement, le Fonds de Dotation HY encourage la créativité des futures générations. Ainsi,  Joël Andrianomearisoa supervise le développement et la conservation de Hakanto Contemporary depuis son inauguration, en février 2020, associant son rôle d’artiste et de militant pour la valorisation artistique et culturelle de Madagascar à l’international. Selon ses dires, “Ici à Madagascar, nous portons tous les rêves du monde.” Figure de proue de l’art contemporain malgache, Joël Andrianomearisoa  a représenté Madagascar à la 58e Biennale di Venezia en 2019. En tant que défenseur de la culture, il a fondé 30 et Presque-Songes en 2007 et  2011, un projet multidisciplinaire consacré aux œuvres du poète malgache Jean-Joseph Rabearivelo. Ses premiers pas remontent au milieu des années 90, alors qu’il avait à peine 18 ans. Il sollicite de nombreux supports, de la couture au design, de la vidéo à la photographie, de la scénographie à l’architecture, des installations aux arts plastiques. Probablement,  c’est de là qu’il tire une œuvre polyphonique qui envahit tout l’espace sensible de chacun. Il fait partie de cette première vague pionnière d’artistes contemporains malgaches, tout en participant activement au développement culturel et artistique. Zo Toniaina L’article Hakanto Contemporary : Une vingtaine d’artistes mis en avant dans « Ny fitiavanay » est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Hakanto Contemporary : Une vingtaine d’artistes mis en avant dans « Ny fitiavanay » a été récupéré chez Midi Madagasikara.