Varotra: miakatra ny fanjifana solika

News - Varotra: miakatra ny fanjifana solika

News - Varotra: miakatra ny fanjifana solika

Miverina miakatra tsikelikely ny
fanjifana solika eto Madagasikara, nanomboka ny volana aogositra,
rehefa nohalefahana ny fihibohana, indrindra hatramin’ny
fisokafan’ny fitaterana. Mbola tsy misy antontanisa mazava avy
amin’ny OMH momba izay fiakaran’ny fanjifana izay fa samy
nanamarika izany kosa ny toby fivarotan-tsolika samihafa.

Eto an-dRenivohitra, toby iray
nanaovana fanadihadiana avy hatrany, nitombo 15 % ny fanjifana
gazoala, raha vao niverina ny fitateram-bahoaka ny fiandohan’ny
volana septambra, misy ambonin’izany any amin’ny toby lehibe
sasany. Manamarina izany ny kaoperativa mpitatitra maro, saingy
nanamarika koa izy ireo fa tsy afaka mihitsy ny fitohanan’ny
fifamoivoizana, mandany  fotoana sy gazoala fotsiny, nefa
mbola ho ela vao tafarina.

Tsiahivina fa nihena 40 % ny
fanjifana solika, ny volana mey, vao mainka nihena  50 – 60
%  ny volana jona sy jolay. Tsy nampidina ny vidin-tsolika
anefa izay fanjifana nihena izay. Raha ny fanazavan’ny
Praiminisitra Ntsay Christian, mbola misy volan’ireo kaompania
mpaninjara solika ireo amin’ny fanjakana, antony tsy mampidina azy.
Antsipiriany maro ny mamaritra ny vidin-tsolika : masonkarena tonga
eny amin’ny seranana (57%), fitaterana sy tahiry (8 %),
fitsinjarana (12 %), hetra sy haba (30%).

Salanisa amin’ny ankapobeny ireo fa
samy manana ny azy ny solika fandrehitra, ny lasantsy, ny gazoala.
Miainga avy amin’izay ny kajy rehetra sy ny tombom-barotra, manome
ny vidiny ho an’ny mpanjifa. Tamin’ny 20 jona 2019 ny
vidin-tsolika, amin’izao fotoana izao. 70 dolara ny baril iray
tamin’izany teny amin’ny tsena iraisam-pirenena, hatramin’ny
nisian’ny Covid-19, efa nisy fotoana tafidina 10 dolara,
ankehitriny manodidina ny 40 dolara.

 

R.Mathieu

Article tiré de Newsmada

L’article Varotra: miakatra ny fanjifana solika a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

SESAM andiany faha-2: afa-po tanteraka ireo mpandray anjara

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Parvis Analakely, ny andiany faharoa tamin’ilay hetsika Sesam (Sports Extrêmes et Salon des Arts Martiaux), karakarain’ny Seho Évent. Afa-po ireo mpandray anjara, raha ny nambaran’ny ankabeazan’izy ireo, omaly. Tsiahivina, trano heva miisa 50 no nampiranty ny fahaiza-manaony sy ireo vokatra avy aminy tsirairay avy, nanomboka ny zoma lasa teo hatramin’ny omaly. Nampitolagaga ireo mpitsidika ny seho nataon’ireo tanora sy ankizy mikatroka anivon’ny haiady isan-karazany sy ireo taranja miavaka toy ny « parcours » sy ny « roller ».Kempo sy MMA Ho an’ny taranja kempo sy MMA (Mixed Martial Arts) manokana, ampy tsara ny telo andro nahafahana nampahafantatra ny taranja tamin’ireo mpitsidika ny trano heva nisy azy ireo, maro ny liana, isan’izany ireo Ray aman-dreny izay te hampiditra ny zanany anaty klioba mianatra ny taranja kempo sy MMA. Ho an’ity haiady ity, ny fanaovana seho, ny fomba fanaovana totohondry, ny MMA ary ny full kempo no tena nasongadina nandritra ny fampirantiana. Araka ny nambaran-dRakotonindriana Parfait, filoha mpitantana ity taranja ity, miezaka hatrany izy ireo mampivoatra ny kempo sy ny MMA, ao anatin’ny fiomanana amin’ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagascar, amin’izao ny mpitantana sy ny mpikatroka, hisy, araka izany, ny fampiofanana ireo mpitsara izay hatao ato ho ato. Mi.RazL’article SESAM andiany faha-2: afa-po tanteraka ireo mpandray anjara a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rakotomanga Eric: “Tokony hazava izay toherin’ny mpanohitra”

“Hanohitra inona marina aloha? Sa rehefa nifaninana tamin’ny fifidianana ka tsy voafidy dia tsy maintsy manohitra? Na hoe halako bika tsy tiako tarehy ny filoha ankehitriny, ka toherina na amin’ny fomba ahoana na ahoana. Tokony hapetraka mazava ny hoe: hanohitra inona?”Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny AKFM, Rakotomanga Eric, ny amin’ny toeran’ny mpanohitra amin’izao fotoana izao.Tsy fantatra mazava hoe: tena mijoro ho antoko na vondrona antoko ara-dalàna ve aloha ireo hoe mpanohitra? Ny minisiteran’ny Atitany koa tsy namoaka ny hoe: iza no nanao an’izay fametrahana ny antontan-taratasy ho mpanohitra izay?Ideolojia no toherinaEfa anisan’ny antoko mpanohitra, ohatra, ,ny AKFM tamin’ny Repoblika I. Ny ideolojia nitondrana an’i Madagasikara no notoheriny. Rehefa tonga ny Repoblika II, nifanaraka amin’ny ideolojiany ny foto-kevitra naroso: manohana izy. Tonga ny Repoblika III nisesisesy izay nankany amin’ny ideolojia liberaly, nanohitra indray ny antoko.Arakaraka ny ideolojia itondrana ny firenena no anoherana na anohanana. Raha mbola anatin’ny ideolojia iray ihany ny rehetra, ary ny samy ao anatin’ny ideolojia liberaly, ohatra, no mifanohitra: tsy fanoherana, angamba, izany fa fifandrafiana. Tokony hahitsy izay fomba fanaovana politika izay eto Madagasikara.Misy olana ny lalànaMisy olana ny momba ny lalàna. Marina fa nivoaka amin’ny maha lalàna azy izany. Nefa tsy mbola feno ny didim-panjakana, ka samy manana ny andikany azy izay sahy misintona ny lalàna amin’izay heveriny fa mahametimety azy.Ny Tim, ohatra, milaza fa izy no tokony ho lehiben’ny mpanohitra. Milaza ny lalàna fa ireo antoko nandray anjara tamin’ny fifidianana ka manana solombavambahoaka be indrindra ao anatin’ny Antenimierampirenena no lehiben’ny mpanohitra.Etsy andaniny, misy ireo mpanohitra lalandava na ny fitondrana teo aloha na ny ankehitriny,  milaza fa ny fivoriamben’ny antoko mpanohitra mijoro ara-dalàna rehetra ary nanora-tena ho mpanohitra no manonona izay ho lehiben’ny mpanohitra.R.Nd.L’article Rakotomanga Eric: “Tokony hazava izay toherin’ny mpanohitra” a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Voina tampoka :: Zazakely, herintaona, namoy ny ainy latsaka tao anaty tatatra

Ranomaso sy hiakiaka ny an’ireo olona sy mpivarotra tany AmbohijafyToamasina omaly antoandro, tamin’ny loza nahazo ny zazalahikely iray, herintaona sy tapany. Namoy ny ainy latsaka tamin’ ny rano maloto tao anaty tatatra io zaza io, araka ny fizahana nataon’ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana. Tsy nampandre ny polisy ny ray aman-drenin’ilay zaza nindaosin’ny fahafatesana, taorian’ny voina niseho tamin’ io antoandro io. Nanamarina ny vaovao sy nanao fanadihadiana no nahatongavan’ ny polisy teny an-toerana, saingy efa tsy tratra teny intsony ny ray aman-drenin’ ilay zaza maty. Nanontaniana momba ny zava-niseho ny olona teo amin’ny manodidina. Fantatra fa zanaka mpivarotra akondro teo Ambohijafy ilay namoy ny ainy.«Tsy nisy nahita ny nilatsahany tao anaty tatatra. Teo am-pivarotana teo akaiky teo ny ray aman-dreniny. Ilay zaza efa nitsingevana teo amin’ny rano maloto no nisy nahita. Tsy avotra intsony ny ainy», hoy ny mpitandro ny filaminana. Zaza tsy hita Ny polisy mpanao famotorana lalina no misahana an’ ity raharaha ity. Nambaran’ izy ireo fa tsy maintsy tadiavina sy halaina am-bavany ny ray aman-drenin’ilay zazakely. Hatao ny famotorana noho ny fisiana fahafatesana olona. Miankina amin’ny valin’ny fanadihadiana anefa ka tsy voatery hampiakarina eny amin’ny Fampanoavana ireo ray aman-dreniny ireo. Nisy voina nihatra tamina zaza tsy ampy taona tahaka ity tany Ambohijafy ity ihany koa tany Ankirihiry Toamasina, tapa-bolana lasa izay. Voalaza fa nisy zaza iray, folo taona, latsaka tao anaty lakandrano. Tsy mbola hita, hatramin’ny omaly, ilay zaza. Mitohy ny fikarohana azy. Ny polisy ihany koa no misahana ny fanadihadiana momba io tranga io. L’article Voina tampoka :: Zazakely, herintaona, namoy ny ainy latsaka tao anaty tatatra est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

«  Etablissement Agréé par l’Etat… »: aoka tsy hatao bambaray… Mila jerena manokana ny zavakanto malagasy

Ilaina ny manara-drafitra. Ilaina ny mivelatra eo amin’ny sehatra lehibe kokoa hatrany. Raha eo amin’ny fampianarana ankapobeny sy teknika, azo lazaina fa efa mipetraka ihany izay rafitra izay. Ho an’ny fampianarana kolontsaina sy zavakanto kosa mbola tena marisarisa sy tsy mbola misongadina loatra ny fananana mazava io rafitra io…Na mbola somary vitsy aza, manomboka miorina tsikelikely eto an-drenivohitra ireo sekoly fianarana zavakanto ambara fa nahazo fankatoavana tamin’ny fanjakana na ny fisiany na ny diplaoma omeny (Etablissement agréé par l’Etat – Diplômes reconnus par la Fonction Publique). Saika sekoly ambaratonga ambony ny ankamaroan’izy ireny. Endrika iray mana-porofo fa mihamivelatra lehibe kokoa hatrany ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto eto Madagasikara. Matoa azo ny fankatoavana tahaka io, manaraka ny fenitra takina ho amin’izany ilay toerana fampianarana (fotodrafitrasa, mpampianatra, fandaharam-pianarana, sns). Faharoa, manana rafitra mazava afaka mankato izany ihany koa ny fanjakana.Tsy tokony hatao bambaray anefa ny zava-misy sy iainan’ny kolontsaina rehetra fa misy tokony  hodinihina akaiky kokoa ny amin’izy ireny. Manana ny zavakanto sy ny kolontsaina mampiavaka azy ny Malagasy. Efa misy ny mampianatra azy ireny. Anisan’izany ny kabary,  ny valiha, ny fanorona, ny fahaiza-mihira (firafitry ny hira sy feo malagasy), ny katro, ny raokandro,  ny fanandroana, ny sikidy, ny fomba amam-panao, sns. Mila rafitra manokana izy ireny mba hahazo fankatoavana amin’ny fanjakana ny fisian’ilay toerana fampianarana sy ny diplaoma omeny. Tsy tokony hatsofotsofoka any anatina toeram-pampianarana mozika lazaina fa « agréé par l’Etat » fotsiny, ohatra, ny fianarana valiha na sodina ka lazaina fa manana diplaoma ankatoavin’ny fanjakana izay mpianatra avoakan’ireny sekoly ireny.Omeo lanja sy hasina ny MalagasyMila rafitra hafa mihitsy hoenti-mankato azy ireny. Tsy sarotra ny manao izany. Rafitra izay hampitodika, na ny Malagasy na ny vahiny any amin’ireny kolontsaina sy zavakanto ireny ka hampisongadina indray ny lanja aman-kasin’ny Malagasy sy i Madagasikara. Tsy olona zara fa mahay mitsoka vava tavoahangy akory no hanome diplaoma ankatoavin’ny fanjakana ho an’ny mpitsoka sodina. Tsy ny mpampianatra valiha tsy mahay akory ireo karazana « velombaliha » no hanome mari-pahaizana ankatoavin’ny fanjakana ny mpianatra nianatra tao aminy satria lazaina fa « agréé par l’Etat » ilay toeram-pampianarana iasany.Omeo lanja sy hasina ny Malagasy. Mila ankatoavin’ny fanjakana ny fahaizan’ny Malagasy ny zavakantony. An’ny Malagasy ny fanorona, ny katro, ny valiha, ny sokela, ny kabary, ny beko, sns, mila ankatoavin’ny fanjakana ireny ary hampahafantariny maneran-tany ny fisiany.… Tsy azo hadinoina fa ilay firoboroboana tafahoatra teo amin’itony antsoina hoe « Etablissemnent agréé par l’Etat » itony no anisan’ny nampihen-danja ny diplaoma sy ny fari-pahaizan’ny mpianatra raha eo amin’ny fianarana ankapobeny. Aleo misoroka toy izay mitsabo mba tsy hianaka any amin’ny fampianarana zavakanto sy kolontsaina malagasy ny tranga tahaka io.Ilaina ny manara-drafitra. Apetrao io rafitra io. Tsy vitan’ny olon-tokana ny fametrahana izany. Ny tsy azo lavina anefa, an’ny Malagasy ireny zavakanto ireny, noho izany,  ny Malagasy no tokony hisikim-ponitra amin’ny fanasoavana ny azy !HaRy Razafindrakoto L’article «  Etablissement Agréé par l’Etat… »: aoka tsy hatao bambaray… Mila jerena manokana ny zavakanto malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - News Mada

Mbola misy sahy mandika lalàna ihany: kamiao hihazo an’i Toliara, tratra nitondra olona 16 an-tsokosoko

Mitohy hatrany ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ireo mpamily mivoaka ny Renivohitra. Kamiao iray indray no tratra nitondra olona antsokosoko teny Ambalavao, Antananarivo Atsimondrano, ny asabotsy alina teo.Tra-tehaky ny zandary tao Ambalavao Antanana­rivo Atsimondrano, ny alin’ny asabotsy teo tamin’ny 8 ora ny kamiao iray saika hihazo an’i Toliara nitondra olona 16 an-tsokosoko niainga avy ao amin’ny Fasan-karana. «…Tsirihina sy savaina avokoa ny fiara mihazo ireo lalam-pirenena… Niangavina ny mpamily hamoha ny labasy aoriana hanaovana fitsirihana. Tampoka teo anefa, nisy finday naneno avy ao amin’ny fitoeran’entana », hoy ny zandary, loharanom-baovao. Hita tamin’ny fizahana natao ireo olona mivangongo miafina voatakon’ireo kesika sy baoritra tao aorina. Nahitana lehilahy miisa enina, vehivavy efatra ary ankizy miisa enina ireo mpandeha an-tsokosoko ireo. Olona samy niakatra teo amin’ny fiantsonan’ny Fasan’ ny karana handeha hianatsimo avokoa. Nogiazana avy hatrany ny fiara, notanana harahi-maso kosa ny mpamily sy ny mpanampy azy. Notanana sy nanaovana famotorana koa ireo mpandeha. Nilaza ny zandary fa mamoafady tanteraka ny fitaterana olona an-tsokosoko. Izany, hoy izy ireo, no mahatonga ny fiparitahan’ny valanaretina manerana ny Nosy. Manoloana ny tranga toy izao, tsy handefitra ary mampitandrina fa tsy hisy ny fitserana na kely akory aza, hoy ny fanazavan’ny zandarimariam-pirenena.Henintsoa HaniL’article Mbola misy sahy mandika lalàna ihany: kamiao hihazo an’i Toliara, tratra nitondra olona 16 an-tsokosoko a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hizarana arotava avokoa ny mpiadina CEPE: manomboka anio ny fakana taratasy fiantsoana

Vonona ny mpisehatra ifotony ary tsy maintsy tontosa ny CEPE, ny 1 septambra ho avy izao. Efa nivaha ny olan’ny mpiasan’ny Cnapmad momba ny karama ka hanonta ny laza adina ireo mpiasa. Mahatratra 88 000 mahery ny isan’ny mpiadina amin’ny fanadinana CEPE ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Analamanga ao anatin’ny Cisco valo ka hiparitaka amin’ny foibem-panadinana 214, araka ny fanazavan’ny mpiandraikitra ny Dren, omaly. Hotanterahina ny 1 septambra izany ho an’ny eto Antananarivo sy any Antsiranana, araka ny toromariky ny filoha. “Samy nanolotra ny tetiandro mety aminy araka ny zava-misy any an-toerana ny Dren 22 nialoha ny namoahana ny tetiandro farany”, hoy ny minisitry ny Fanabeazana, Sahondrarimalala Marie Michelle tao anatin’ny fandaharana mivantana. Hotsinjaraina isaky ny Dren ny laza adina, amin’ity herinandro ity, satria mipetraka telo andro mialoha ny fanadinana hatrany ny laza adina. Tsy mitovy ny laza adina isam-paritra fa arakaraka ny fandaharam-pianarana tontosa ny famolavolana. Efa niravona koa ny olan’ny karama tsy voaloa ho an’ny mpiasan’ny Cnapamd ka manohy ny asa fanontana ny laza adina izy ireo, nanomboka omaly.Hosantarina anio ny fizarana ny taratasy fiantsoana ho an’ny mpiadina amin’ny CEPE ary hitohy hatramin’ny zoma ho avy izao izany. Misy ny lamina voaomana momba izay ka ny talen’ny sekoly no tonga maka izany eny anivon’ny foibem-panadinana samihafa.Tokony hanana taratasy fiantsoana avokoa ny mpiadina fa tsy azon’ny talen-tsekoly amin’ny sehatra tsy miankina ny mitazona azy ho fitsinjovana ny hoavin’ny mpiadina tsirairay.Vonona ny olona rehetra hisehatra amin’ny fanatanterahana ny CEPE ary hizarana arotava avokoa ny mpiadina sy ny mpiasa rehetra. Tsy maintsy handrarahana fanafody ny efitrano ampiasaina mandritra ny fanadinana ary hajaina ny fepetra ara-pahasalamana.29 143 ny mpiadina anatin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra, hozaraina amin’ny foibem-panadinana 42 ahitana efitrano 683. Mahatratra 22 ny olona manana fahasembanana hiatrika ny fanadinana amin’ity taona ity, araka ny fanazavana azo. Vonjy A.  L’article Hizarana arotava avokoa ny mpiadina CEPE: manomboka anio ny fakana taratasy fiantsoana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kick Boxing –Tompondaka an’ Analamanga: ho hentitra amin’ny fitsarana ny mpitsara

Hotontosaina ny alahady 16 jiona ho avy izao ao amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano ny fiadiana ny tompondaka an’Analamanga, eo amin’ny taranja kick boxing. Ny “Classe A” amin’ny sokajy rehetra no mandray anjara amin’ity fifaninanana ity, sokajy hahitana ireo mpikatroka efa manana traikefa ambony sy efa niatrika lalao iraisam-pirenena maro. Araka izany, ho sarotiny ny fitsarana, raha ny fanazavana nentin’ny solontenan’ny mpitsara, ny asabotsy lasa teo. Hifantenana izay hisolo tena an’Analamanga amin’ny fiadiana ny tompondaka nasionaly sy ireo lalao iraisam-pirenena handraisantsika anjara rahateo ity fifaninanana ity ka izay tena mendrika no hahazo ny fandresena. Nanamafy izany ny filohan’ny ligin’Analamanga izay nilaza fa saika efa nahazo fandresena teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena avokoa ireo ao anatin’ity “classe A” ity ka ho hentitra ny fitsarana ny ady.Mahakasika ity fiadiana ny tompondaka an’Analamanga ity hatrany, seksiona miisa 5 no hanana solontena, hahitana an’Antananarivo Renivohitra, Avaradrano, Atsimondrano, Andrefan’Iarivo ary Atsinananana. Ity farany izay vao avy natsangana tsy ela ary efa handray anjara sahady amin’ity fihaonana ity. Tonga tetsy amin’ny Pietra Hotel Analakely ny solontenan’izy ireo nampahafantatra ity hetsika ity, niaraka tamin’ny ligin’Analamanga sy ireo mpanohana marobe, isan’izany ny Gastronomie Pizza sy ny Savonnerie Tropicale.Araka ny fandaharam-potoana, hezahina, hoy ny nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga ny hanombohana ny fifaninanana amin’ny 8 ora maraina tsy diso, mba hahafahana mamita izany alohan’ny amin’ny 6 ora hariva. Ny fanaovana ny fiantsoana ireo mpikatroka sy ny fanamarinana ny fahazoan-dalana hilalao ary ny filatroana no hisantarana ny fotoana, mialohan’ny hidirana amin’ny ady. Mi.RazL’article Kick Boxing –Tompondaka an’ Analamanga: ho hentitra amin’ny fitsarana ny mpitsara a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lalaon’ny Nosy 2019: samy naneho ny hafaliany ny rehetra

Nivalona tanteraka, ny andiany faha-10 tamin’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2019), notanterahina tany Maorisy. Any Maldives, indray ny fotoana manaraka, afaka efa-taona. Samy naneho ny heviny, tamin’ny fandraisany anjara, tamin’iny fihaonana iny avokoa ireo atleta sendra ny gazety Taratra. Niraisan’izy ireo, kosa ny hafaliana Sary Noré-Razafinjatovo Jean Honoré, mpanazatra taranja volleyball: “Efa niezaka sy niady mafy ny ekipa malagasy,nisy ny fivoarana, saingy ny fahamatorana sy ny fifantohana no tsy ampy. Tokony ho azontsika ny laharana voalohany, saingy nisy fahatahorana kely ihany ny mpilalao malagasy, indrindra nanoloana ireo mpijery marobe nanohana ny mpifanandrina. Na izany aza, faly fa afaka niatrika tsara ny lalaon’ny Nosy”. -Rasoambolanoro Ange, mpilalao taranja basikety: “Faly fa nahazo fandresena, nitondra medaly volamena ho an’i Madagasikara. Ity no lalaon’ny Nosy farany hatrehiko, afa-po aho ary mitsodrano ny zandry isany hahavita be amin’ity taranja ity. Mahay ny mpilalao malagasy ary afaka manandratra avo ny fanevam-pirenena raha manana tanjona ny handresy. Rehefa miady tsy maintsy mandresy”. -Randafiarison Rosina, atleta taranja fibatana fonjamby: “Nahafinaritra ny fiatrehana ny lalaon’ny Nosy tamin’ity andiany faha-10 ity. Efa nivonona ny hahazo fandresena ary nivoady mafy ny hitondra medaly volamena hiverina an-tanindrazana. Afa-po satria tratra ny tanjona ary afaka mirehareha fa nanandratra avo ny voninahi-pirenena. Tanjona hafa indray izao no banjinina amin’ny fiatrehana ireo lalao iraisam-pirenena maro”. -Razafindralambo Zo (Lino), mpilalao tenisy ambony latabatra : “Nahafaly ary nahafinaritra fa nahavita soa aman-tsara ny fifaninanana. Ambony be ny teknika ny lalao, tamin’ity raha oharina ny tamin’ny efa-taona lasa, indrindra ny taranja tenisy ambony latabatra. Soa fa nahazo vokatra tsara ihany isika izay tena nahafa-po satria tena ambony ny lentan’ny mpifanandrina. Manana tombony ny mpifanandrina amin’ny fanomanana, lesona azo notsoahina izany, tsy ampy intsony ny fiomanana enim-bolana mialohan’ny lalao, mila hampitomboina ihany koa ny fifaninanana iraisam-pirenena, mba hananana fahazarana”. Nangonin’i Mi.Raz  L’article Lalaon’ny Nosy 2019: samy naneho ny hafaliany ny rehetra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kaominina Sarobaratra, Miarinarivo: nametrahan’ny sehatra tsy miankina famatsiana angovo

Mbola olana goavana ny famatsiana herinaratra any ambanivohitra. Mijery ny famahana izany akaiky ny avy amin’ny sehatra tsy miankina maro, mampisy ny famatsiana herinaratra ao amin’ny kaominina Sarobaratra, distrikan’i Miarinarivo, faritra Itasy.   Tompon-kevitra tamin‘ny famolavolana ny tetikasa ny Patmad (1), tarihin’i Dama ao amin’ny tarika Mahaleo ; ny CEAS (2) ; ny Aider (3); ary ny orinasa WeLight Madagascar miandraikitra ny fitantanana ny famatsiana. Efa misy traikefa vitan’izy ireo momba izany famatsiana herinaratra izany, hita any Andevoranto (Atsinanana), Sandrakatsy (Analanjirofo), Betsiaka (Diana), Bemaneviky (Diana), ary izao vita any Sarobaratra izao, sy izay mbola hatao any amin’ny kaominina ambanivohitra hafa.Natomboka ny taona 2017 ny asa fanamboarana tohodrano mamokatra herinaratra ao Andriamamovoka, fokontany Fialofa, sy ny andrin-jiro, nataon’ny orinasa Sagemcom. Teknisianina malagasy avy amin’ny fikambanan’ny injeniera ho an’ny fampandrosoana ny angovo any ambanivohitra (Aider) nisahana ny asa manontolo hatramin’ny fametrahana milina (turbines). “Manana teknisianina ampy sy mahay ny Malagasy, betsaka ihany koa ny fikarohana vitan’ny tanora avy amin’ny Polytechniques, nefa tsy voatrandraka”, hoy i Dama. Koa izao porofoin’ny Patmad sy ny Aider izao izany fahaiza-manao izany.“Tokony hohararaotin’ny fitondram-panjakana ny fiaraha-miasa amina sehatra tsy miankina toy izao, raha misy tokoa ny finiavana hampitombo ny famatsiana angovo eto Madagasikara. Tsy azo antenaina hahavita izany raha ny Jirama”, hoy ny teknisianina iray. Matoky azy ireo tanteraka ny mpamatsy vola : COI, sampana angovo ; FGC (4) ; ary ny Repic (5) ; niampy ny  vola nampiasan’ny WeLight Madagascar. Ireo rehetra ireo amin’ny ankapobeny 393.000 euros (1,572 miliara Ar) nahavitana io tetikasa io.Mahita sy mahatsapa ny fijalian’ny mponina any ambanivohitra izy ireo, izay tsy misy afa-tsy 5 % monja ny mahazo famatsiana herinaratra amin’izao taonjato izao. Ny rano anefa misy, miampy ny rivotra sy ny masoandro, tsara ho trandrahina hahazoana angovo azo avaozina. R.Mathieu  Patmad (1) : Partenariat technique à MadagascarCEAS (2) : Centre écologique Albert Schweitzer SuisseAider (3) : Association des ingénieurs pour le développement des énergies renouvelablesFGC (4) : Fédération Genevoise de coopérationRepic (5): Renewable energy promotion in international cooperation L’article Kaominina Sarobaratra, Miarinarivo: nametrahan’ny sehatra tsy miankina famatsiana angovo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mombassa, Kenya: amidy amin’ny tsena iraisam-pirenena ny dite Sahambavy

Sahambavy, kaominina ambanivohitra iray, 20 km atsinanan’i Fianarantsoa, hany tokana eto Madagasikara misy voly dite, hatramin’ny taona 1969. Amin’io toerana io ihany ny toe-tany sy ny toetr’andro mifandraika amin’ny voly dite eto amin’ny Nosy.10 na 15 % ny vokatra ihany ny ampy ho an’ny tsena eto an-toerana satria tsy mpisotro dite ny Malagasy. Ankoatra izay, miondrana any ivelany avokoa. Amin’ny Malagasy, ny hoe dite, ravimboafotsy na ranomafana laroina voasary sy sakamalaho. Tsy tena dite ny dite amin’ny Malagasy. Ny vokarina any Sahambavy no tena dite, tsara kalitao, afaka mifaninana tsara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.Ratsy lalana ny mankany Sahambavy nefa azo leferina ihany raha ampitahana amin’ny kaominina ambanivohitra maro. Velarana maitso misy ny voly dite: 90 ha eo ho eo ny voly tsotra ataon’ny tantsaha, 220 ha ny voly indostrialy. 400 t isan-taona ny vokatra dite any Sahambavy. Betsaka izany raha eto amintsika, saingy tsy ampy 10 % amin’ny vitan’ny hafa. Alefa any Mombassa, Kenya, miditra amin’ny tsenan’ny dite, ny avy any Sahambavy. Mifaninana amin’ny vokatry ny hafa ka izay mahasahy mividy lafo no mahazo ny vokatra. Mividy sy mivarotra dite eto an-toerana ny orinasa Taf.Manome hery… manala havizananaMpanao dite malaza eran-tany, ohatra, ny Lipton any Angletera. Voalohany ry zareo Anglisy, ny Indianina, ny Arabo amin’ny fisotroana dite. Io Lipton io, hatramin’ny 1870, mividy sy manodina ny vokatra asiana fangarony karazany maro. Misy dite atao hosotroina maraina, manome hery hoentina miasa; hafa ny amin’ny 10 ora, mitazona hery; karazany hafa ny amin’ny 2 ora tolakandro, mety tsy mampatory; mbola karazany hafa indray ny amin’ny 6 ora hariva, manala vizana. Mahafantatra izany tsara ry zareo mpisotro dite.Sahirana ny mpandraharaha mpanondrana dite eto amintsika. Talohan’ny 2009, dimy andro monja dia tonga any Mombassa ny vokatra. Mbola niasa ny seranan-tsambon’i Manakara tamin’izany. Ankehitriny, tsy maintsy ampiakarina any Toamasina ny vokatra, miandry sambo, miampita mankany Nosy Maorisy, mihodina mankany Afrika Atsimo… telo na dimy volana vao tonga any Mombassa, raha ny fanazavan’ny mpandraharaha iray. Amin’izao valanaretina izao, mihitsoka tanteraka tsy tafavoaka ny vokatra mitentina anjatony tapitrisa ariary, atahorana sao ho simba. R.MathieuL’article Mombassa, Kenya: amidy amin’ny tsena iraisam-pirenena ny dite Sahambavy a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Tsimokaretina hafa… mila iadiana     
23/09/2020

     Mandry ve ny tanàna? Saika nitaintain-dava ny maro tamin’ny fandalovan’ny valanaretina Covid-19… mandalo toy ny rivodoza. Mbola misy ny ramborambony any ho any: tsy hita maso, ilam-pitandremna. Sao, sanatria, mby amin’izay mahazo ny firenen-dehibe sasany amin’ny fiavy sy ny fihanaky ny valanaretina andiany faharoa amin’izao? Misy ny voatery miverina amin’ny fihibohana.Saingy, tsy ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 ihany amin’izao ny ilam-piambenana. Eo indrindra koa ny fandriampahalemana ifotony. Misy ny sisa navelan’ny aretina tamin’ny hala-boty na ny hala-botry afitsoky ny tontakely noho ny fahaverezana asa, ny tsy fisiana… Mbola misy tsy mahafa-bela ny tsy fandriampahalemana amin’ny endrika maro, mampikaikaika ny  any ifotony hatramin’izay.Anisan’izay toa efa zary mahazatra any amin’ny faritra sasany: ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana ary misy manao andiany, ohatra, ny fakana ankeriny. Ao ny tena mampiraviravy tanana ny mponina sy ny vohitra manontolo: faritra lavitra fanjakana? Na tsy hita na tsy afa-manoatra firy ny mpitandro filaminana… Na ny fampiakarana fitarainana amin’izany aza, manahirana na tsy mampiraika na tsy heno.Eo koa ny ady tany tsy mampilamina be ihany amin’ny faritra sasany; eny, na eo aza, ohatra,  ny taranaka nifandimby nanajary ny tany. Mbola tsy afaka ny tarazo ratsin’ny fanjanahana amin’ny fibodoana tany? Na resy any amin’ny fitsarana aza ny sasany, manao ny ataony ihany. Eo ny ezaky ny fitondrana amin’ny fandaminana ny fananan-tany, saingy misy izay tena manahirana eny ifotony.Misy ny tsimatimanota mampiraviravy tanana: mahitahita, lehibe tsy meloka… Kolikoly avo lenta ny antony? Raha ny ezaky ny fitondrana, tsy efa tokony hihena ve ny hoe mampitaraina ny maro indrindra ny kolikoly eny amin’ny fitsarana talohaloha teo? Na ny amin’ny tsy fandriampahalemana, na ny ady tany, na ny tsimatimanota… Tsimokaretina mikiky ny firenena tena mila iadiana hatrany. Mby aiza?Rafaly Nd.L’article Tsimokaretina hafa… mila iadiana      a été récupéré chez Newsmada.

Fidy de l’Anôsy – Afro beat: “Manana ny hoaviny mamiratra i Karinah”
22/09/2020

Karinah, mpanakanto andriambavilanitra nisafidy ny fivoizana ny « Afro beat ». Nomarihin’i Fidy de l’Anôsy, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny tranom-pamokarana « Fido prod », mandray an-tanana ny famolavolana an’i Karinah eo amin’ny lafiny mozika fa “mpanakanto manana ny hoaviny mamiratra i Karinah. Manaporofo izany ny fankafizan’ireo liankanto sahady ireo vazony. Ampahany amin’ireny ny « Engagé » sy ny « Tompony Zah ». Ity farany izay efa tsy afaka am-bavan’ireo mpankafy, tsy eto Iarivo ihany fa hatrany amin’ny faritra manerana ny Nosy”. Raha ny fanazavany hatrany, fa tombony ho an’i Karinah ny fahafahany milalao ny feo ambany sy manakatra ny avo. Tsy mionona hatreo amin’ny famolahana ny « Afro beat » fa miezaka mivelatra amina gadona hafa toy ny « slow », “reggae », « sega ». Tsy mitsaha-mikaroka amin’ny fampiarahana ny gadon-kira malagasy sy vahiny hanjary mozika vaovao ihany koa.Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa tao anatin’ny fihibohana no namokaran’ny « Fido prod » ireo vazon’i Karinah sy nanatontosana ary nanapariahana ireo rindran-tsariny. Nampanantena ny hanajary hira sahaza ny fetin’ny faran’ny taona i Karinah ho fanomezana fahafaham-po ireo mpiondana mozika mihetsika sy mafana. Tsy ho diso ihany koa anefa ireo mankafy ny mozika milamina.Nanangona: HaRy Razafindrakoto L’article Fidy de l’Anôsy – Afro beat: “Manana ny hoaviny mamiratra i Karinah” a été récupéré chez Newsmada.

Toamasina: 84,95 % taham-pahafahana CEPE
21/09/2020

Nivoaka, omaly maraina ny voka-panadianana CEPE, natao ny 15 septambra lasa teo ho an’i Toamasina. Nisy ny fihaonan’ ireo mpampianatra nisahana ny fanadinana hatramin’ny fitsarana ka niara-nidinika ny naoty farany ambany. Tapaka fa ny salan’isa 09/20 miakatra no ekana fa mahazo ny mari-pahaizana CEPE. Vokany, nahatratra 84.95% ny taham-pahafahana, izay nisy fitomboany kely raha noharina tamin’ny taon-dasa 83,34%. Ho an’ny taona 2018- 2019, natao 9,75/20 ny naoty farany ambany noraisina ka tsy tokony hibitaka ihany ny fari-piadidiam-pampianarana manoloana ny vokatra tamin’ity taona ity.7 428 ny isan’ny mpiadina voasoratra anarana ka 52 ireo tsy tonga nanatrika ny fanadinana, ary nahatratra 6 012 ny mpiadina afaka. Raha noferana ho 9,50/20 ny salanisa ahafahana CEPE, 87,05% ny taham-pahafahana. Raha ny noraisina ho 10/20  kosa dia ambany ny taham-pahafana satria manome 76,64%.  Nitarika teo amin’ny naoty farany ambony ny mpiadina avy amin’ny sekoly tsy miankina katolika nahazo ny naoty 19, 80/20 ny voalohany. 19,75/20 ny faharoa ary 19,70/20 ny fahatelo, samy avy amin’ny sekoly finoana katolika avokoa izy ireo. Ireo 10 voalohany dia avy amin’ny sekoly tsy miankina katolika avokoa. BEPC-Tsy mahazo miditra ny ray aman-dreny…Ho an’ny fanadinana BEPC kosa, izay hanomboka anio, ho hentitra ny fanaraha-maso sy fanarahana ny fepetra ara-pahasalamana : fanaovana arotava sy orona, fanasan-tanana mialoha ny hiditra ny faritry ny toeram-panadinana. Tsy mahazo mitondra fitaovana elektronika toy ny finday ny mpiadina, araka ny nambaran’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianara Toamasina I, Ramarolahy Joseph, tetsy amin’ny CEG de reference, omaly. Nohamafisiny fa tsy azon’ny raiaman-dreny atao ny miditra ny faritry ny sekoly mandray fanadinanana. Ho an’ ireo mpiadina tsy afaka mamonjy fodiana ny antoandro kosa fa hanaterana sakafo, olona iray ihany no afaka miditra manatitra ny sakafo raha tsy hivoaka ny faritry ny sekoly ilay mpiadina. Ho fiarovana ny filaminana mandritra ny fiatrehan’ny mpiadina ny fanandinana BEPC, efa vonona ny mpitandnro filaminana handray ny andraikiny. Toerana telo ihany no ametrahana ny petadrindrina ho an’ny valin’ny CEPE: ao amin’ny biraon’ny Cisco sy ny Dren ary etsy amin’ny EPP Beryl Rose hisorohana ny fitangoranana  SajoL’article Toamasina: 84,95 % taham-pahafahana CEPE a été récupéré chez Newsmada.

Tao anatin’ny roa andro: 46 ireo olona tsy nanao arotava
17/09/2020

Tao anatin’ny roa andro, nahatratra 46 isa ireo olona tratra tsy nanao arotava. Isa voaangona nandritra ny hetsika ataon’ny Police urbaine eo anivon’ny commissariat central d’Antananarivo, ny talata sy alarobia teo. Voasazy avokoa ireo tsy manaja ny fepetra fiarovana ny fihanaky ny valanaretina ka nampanaovina ny “Travaux d’intérêt general” na TIG. Miisa 43 kosa ireo moto voasava ary fantatra fa tsy ara-dalàna ny taratasy momba azy. Ankoatra izay, mpanampy mpamily miisa valo ihany koa tratran’ny polisim-pirenena tsy nanao arotava “visière”. Henintsoa HaniL’article Tao anatin’ny roa andro: 46 ireo olona tsy nanao arotava a été récupéré chez Newsmada.

COSTM-EST: nahavita fifanaraham-piaraha-miasa
21/09/2020

Nivoitra taorian’ny fifampiresahana nisy teo amin’ny Club Omnisport Tanambao Morafeno (COSTM) sy ny fikambanana Espoirs Sportifs de Tuléar (EST), natao ny alakamisy lasa teo, fa hiaraka hiasa ny roa tonta. Nikaon-doha ny filohan’ny klioba COSTM, Rafanomezana Lalo sy ny filohan’ny EST, i Vital Serge, samy nahatsapa fa ilaina ny fiaraha-miasa. Maro ny azo hifanampiana, raha ny fanazavana, isan’izany ny famatsiana ara-pitaovana ny COSTM omen’ny EST sy fahavononan’ity farany hanampy ny hoenti-manana ny klioba amin’ny fiatrehana fifaninanana nasionaly. Tanjona amin’izao fiaraha-miasa izao, raha ny nambaran’ny filohan’ny EST, voalohany ny hijerena izay fomba hahafahana manambatra ny klioba, faharoa, ny hanitarana ny klioba EST hivelatra amin’ny taranja hafa. Tsiahivina, efa nanomboka ny taona 1983 no niforona ny COSTM, izay misy taranja baolina kitra, ady totohondry, Handball, atletisma ary ny taona 2016 ny nanomboka nisy ny taranja Judo. Nohamafisin’ny roa tonta fa ho maro ny tetikasa hiaraha-manao, mikasa ny hanangana Dojo iraisana izy ireo, amin’ny taona 2021. Mi.Raz  L’article COSTM-EST: nahavita fifanaraham-piaraha-miasa a été récupéré chez Newsmada.

Vakinankaratra: mitombo isan-taona ny fahapotehan’ny ala
22/09/2020

Hatramin’ny nisian’ny krizy noho ny  coronavirus, tsy latsaky ny 20 000 ny fanapahana hazo tsy ara-dalàna ho an’ny faritra Vakinankaratra, araka ny vaovao nampitain’ny minisiteran’ny Tontontolo iainana.Ny tsy fahampian’ny tolotra eo amin’ny h    azo fahandroana sakafo no fototry ny olana ka tsy mifidy ireo mikapa hazo hanaovana saribao sy kitay. “Hafantoka amin’ny voly hazo fanaovana kitay ny ampahany betsaka amin’ny fambolen-kazo manaraka”, hoy ny minisitra Baomiavotse Raharinirina. Tena mbola tsy afaka amin’izany ny tokantrano maro. Fambolen-kazo tsy lavitry ny tanàna ny vahaolana amin’izany, araka ny nambarany.Mahatratra 60 tapitrisa isan-taona ny zanakazo volena, efa natomboka tamin’ny taom-pambolena 2019-2020. Ny fari-piainana eto Madagasikara  niainga avy amin’ny fanadihadiana nataon’ny Usaid izany, tany amin’ny taona 2004, hoy Razakarimanana Ndranto, ao amin’ny Alliance Voahary Gasy. « Avy amin’izany fanadihadiana izany ny tokony hambolen-kazo 1500 fototra isaky ny hekitara amina velarana 40 000 ha isan-taona manerana ny Nosy, hanampiana ny tolotra hazo fanaovana kitay sy saribao », hoy izy. R.MathieuL’article Vakinankaratra: mitombo isan-taona ny fahapotehan’ny ala a été récupéré chez Newsmada.

Fanabeazana katolika :: Mifandimby mankany an-tsekoly ireo mpianatra isan-dakilasy
23/09/2020

Manomboka mamerina ny mpianatra an-tsekoly tsikelikely ireo sekoly katolika, amin’izao fotoana izao. Notanterahina, omaly, ohatra, ny fidiran’ireo mpianatra teny amin’ny sekoly Ny Sekolintsika Analamahitsy. Tsy niaraka niditra daholo anefa ireo mpianatra fa nampifandimbiasina isaky ny kilasy izy ireo. Arakaraka ny fivoaran’ny valanaretina eto amin’ny firenena no fandaminana vaovao hampiharina, hoy ireo tompon’andraikitra. Ny taona fahafito (5ème), fahavalo (4ème) ary fahasivy (3ème) no nisantatra ny taompianarana, omaly. Tsy miverina mianatra kosa, ny tolakandro. Ny taona fahafolo (première) sy ny famaranana indray no mianatra, anio, saingy tsy miverina ihany koa, ny tolakandro. Manomboka amin’ny alatsinainy 28 septambra ny garabola hatramin’ny taona fahadimy, ny tapany maraina, ary tolakandro ireo amin’ny kilasy hafa. Toy izany hatrany ny fandaharam-potoana napetraky ny sekoly. Misy fandaminana vaovao ho an’ny ambiny, amin’ny 12 oktobra 2020. Tsy maintsy manao aron-tava ny mpianatra rehetra sy ny mpanabe ary ny ray aman-dreny. Andraikitry ny talen-tsekoly Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Fitaleavana nasionalin’ny fanabeazana katolika (Dinec), Mompera Ranaivoson Jules fa « hapetraka amin’ireo talen-tsekoly ny fandaminana ny fampidirana ny mpianatra eny anivon’ny sekoly tsirairay. Izy ireo ihany no mahita ny isan’ny mpianatra anaty efitrano iray, hoy izy, mba hahafahana manaja ireo fepetra ara-pahasalamana ». Manafatrafatra ny zanany kosa ireo ray amandreny mba hitandrina any an-tsekoly, tahaka ny tsy fanesorana ny aron-tava, ny fanasana ny tanana amin’ny tsiranoka mamono tsimok’aretina foana (ampitondraina ny ankizy), ary ny fitondrana safako ody am-bavafo. « Matahotra mihitsy saingy tsy maintsy alefa ny ankizy. Tokony mba hozaraina efitrano roa ny mpianatra satria efa ho 60 ny isan’ny ao amin’ny kilasy. Roa isaky ny latabatra mantsy izao ry zareo. Rehefa mivory ny ray aman-dreny dia mba handroso an’izany soso-kevitra izany izahay », hoy ny renim-pianakaviana iray mampiana-janaka etsy Analamahitsy. L’article Fanabeazana katolika :: Mifandimby mankany an-tsekoly ireo mpianatra isan-dakilasy est apparu en premier sur AoRaha.

CFM – Krizy 2002-2013: “Tsy mbola misy didim-panjakana ny fanomezana onitra”       
22/09/2020

                 Valin-kafatra. Nitondra fanazavana momba ny onitra ho an’ireo niharam-boina noho ny krizy ny eo anivon’ny CFM. Tsy mitombina koa ny resaka nataon’ireo gadra politika, ny herinandro teo. “Diso ny filazana fa anjaran’ny fanjakana malagasy ny 30 % amin’ny fanonerana sy fanarenana ary an’ny mpiara-miombon’antoka ny 70%. Tsy misy milaza an’izany na any amin’ny tondrozotra na any amin’ny lalàna” hoy ny filohan’ny CFM, i Maka Alphonse, teny Ampefiloha. Tsy manao ny nahimpony amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra amin’ny  hanomezana na tsia fanonerana fanarenana ry zareo fa tsy maintsy manaraka ny voalazan’ny lalàna. Hisy didim-panjakana ny fanonerana na ny fanomezana onitra hamaritra ny fomba arahina. Hatramin’izao, tsy mbola misy izany didim-panjakana izany. “Mahatsapa izahay  ary nanapa-kevitra fa misy andraikitra tokony hataonay”, hoy izy. Namolavolana mialoha ny volavolana didim-panjakana, natolotra ny governemanta tamin’ny aogositra 2019 izany.Feran’ny lalàna mifehy ny tetibola ny fanonerana Anisan’izany ny   fananganana “Fond nationale de solidarité” (FNS) sy ny “Caisse nationale de réparation et d’indemnisation” (CNRI). Eo koa ny momba ny foto-kevi-dehibe amin’ny fanomezana fanonerana sy fanarenana.Voalaza amin’izany mialoha ny volavolana didim-pitsarana izany fa mandray anjara amin’ny tahirim-pirenen’ny firaisankina ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka. Feran’ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola ny an’ny fanjakana amin’izany. Hatramin’izao, tsy mbola misy sora-bola ny amin’ny fanonerana sy fanarenana. Tsy anjaran’ny CFM ny manao tetibola na ny lalàna mifehy ny tetibola. Tsy misy ny fanonerana azo atao, raha tsy misy ny didy fampiharana izany.R.Nd. L’article CFM – Krizy 2002-2013: “Tsy mbola misy didim-panjakana ny fanomezana onitra”        a été récupéré chez Newsmada.

Fifindran’ny valanaretina: olona enina vao tonga avy any Eoropa mitondra ny Covid-19
23/09/2020

Mbola mampanahy ary mety ho tonga amin’ny tampody fohin’ny Coronavirus. Nambaran’ny eo anivon’ny CCO, omaly, fa misy olona enina vao tonga avy amin’ny sidina avy any Eoropa, mitondra ny tsimokaretina Covid-19.“Misy olona enina vao tonga avy any Eoropa mitondra ny tsimokaretina… Tsy maintsy atao fitiliana ireo mpandeha iray fiaramanidina vao tonga. Miaraka atoka-monina avokoa izy ireo avy eo ary efa tafiditra anatin’ny paikadin’ny fanjakana izany. Mitohy ny fanaraha-maso sy ny fitsaboana azy ireo, tahaka ny efa natao amin’ireo nitondra ny Coronavirus hatramin’izay ihany”, hoy ny mpitondra tenin’ny CCO, ny Pr Vololontiana Hanta, omaly. Midika izany fa tsy voahaja ny fepetra tany amin’ny firenena niaingana, ny amin’ny tsy maintsy hanaovana fitiliana 48 ora, mialoha ny hahatongavana eto Madagasikara.Miisa 25 ny tranga vaovao any DianaHampanahy koa ny hisokafan’ny sidina Nosy Be sy ny any ivelany, ny 1 oktobra izao, sy ny hanokafana ireo serana-piaramanidina vitsivitsy eto amintsika amin’ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ny 29 oktobra izao.Etsy andaniny, niakatra tampoka indray ny antontanisa navoakan’ny CCO, omaly. Miisa 63 ireo tranga vaovao amin’ny fitiliana natao miisa 598. Enina amin’izany ny avy eto Analamanga. Miisa 13 ny any Alaotra Mangoro raha telo ny any Vatovavy Fitovinany. Iray kosa ny any Boeny raha sivy ny any Diana ary miisa 25, anisan’ny maro indrindra, ireo nifindran’ny valanaretina any Sava.Mamahatra any avaratry ny Nosy ny Covid-19Mbola mamahatra any avaratry ny Nosy izany ny Coronavirus hatramin’izao. Niampy iray indray kosa ny maty ka tafakatra 226 izany izao ireo lavon’ny Covid-19 hatramin’izao. Tsy niova fa mbola miisa 20 ireo anaty fahasarotana amin’izao fotoana izao.Na izany aza anefa, miisa 61 ireo sitrana. Tafakatra 14 743 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo 16 136 mitondra ny tsimikaretina Covid-19. Miisa 1 165 ireo mbola tsaboina sy arahi-maso ny fahasalamany.Miisa 68 375 ireo fitiliana PCR vita raha miisa 7 221 ny fitiliana GenExpert.Synèse R.L’article Fifindran’ny valanaretina: olona enina vao tonga avy any Eoropa mitondra ny Covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

  Fanimbazimbana ranoiray: ho very ny hasin’ny teny malagasy
17/09/2020

 Hatreto, mbola misy ihany ny tsy mahafantatra fa manan-jina ny teny. Tafiditra ao anatin’izany ny teny malagasy. Miainga hatrany amin’ny niforonany ka mipaka hatrany amin’izay hiantefany, manan-kasina ny teny malagasy. Tsy azo itenitenenana foana. Tsy azo amelomana ady, sns. Ny mitranga ankehitriny? Tranga miteraka alahelo na hatezerana na fanafintohinana izao ka lazaina fa “mampihomehy”! Sanatria ve ka nihomehy tamin-javatra mampalahelo ny Malagasy? Very tanteraka ny hasin’ilay teny satria tenenina sy tononina ary ilazana endrin-tranga mifanohitra. Tsy io ihany fa misy hafa ihany koa.Tsy tokony ho matinkenamaso ny Malagasy tsirairay hanitsy ny tranga tahaka itony. Matetika mantsy teraka avy any amin’ny tery vay mantan’ny fiarahamonina ireny teny manimbazimba ny hasin’ny teny malagasy ireny ka tokony ho avy eny ihany no hikaro-bahaolana ho fanarenana izany. Na iza na iza, na zovy na zovy nipoiran’ireny teny  manimbazimba ny hasin’ny teny malagasy ireny, tokony ho afaka hanitsy izany avokoa ny rehetra. Efa endriky ny fanitsiana ny tsy fampiasana ilay teny, saingy tsy ampy izany.Mila miaro ny teniny ny Malagasy mba tsy ho very hasina tanteraka izany any aoriana any ka na ny ozona mahazo azy aza sao heverin’ny sasany ho tsodrano. Ny alahelon’ny hafa eo an-tampon’ny lohany sao adikany ho fahasoavana. Rehefa mitranga ny tsy ampoizina vao “miova fo”, hono!HaRy RazafindrakotoL’article   Fanimbazimbana ranoiray: ho very ny hasin’ny teny malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Sombintsombim-baovao
18/09/2020

 Karate-Analamanga: efa saika misokatra avokoa ny Dojo fikotranana eto amin’ny ligin’Analamanga, ho an’ny taranja Karate. Efa fantatra tsara amin’ny fanajana sy fanarahana fitsipika ny mpiangaly ity taranja ity, raha ny nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga, Rakotomalala Jean Paul, ka tsy ilaina fanentanana amin’ny fanajana ny fepetra. Isan’izany ny famerana ny isan’ny mpikotrana, tsy tokony hihoatra ny 100, ny fanasana tanàna ary ny fanajana ny elanelana. Judo-Analamanga: Miandry ny “coup d’envoi” avy amin’ny Ministera, ny fanatanterahana ny fifidianana eo anivon’ny Ligin’Analamanga Judo, raha ny nambaran’ny filoha amperin’asa, Raoelison Vola. Raha ny tokony ho izy, amin’ny volana oktobra ho avy io, ny tokony hanaovana ity fifidianana ity. Mahakasika ny famerenana ny fanazaran-tena kosa, tsy mbola isan’ireo taranja mamerina ny kotrana ny Judo. Nambaran’ny mpanazatra fa tsy maintsy miandry torolalana avy amin’ny filohan’ny FMJ, izany. Nangonon’i Mi.Raz L’article Sombintsombim-baovao a été récupéré chez Newsmada.

Valanaretina Covid-19
17/09/2020

Betsaka ireo mararin’ny Covid-19 efa sitrana no niverenany indray, araka ny nambaran’ireo mpitsabo. Misy tamin’izy ireo no narary nanana fahasarotana saingy rehefa niverenany dia tsy nananosarotra intsony ny aretina noho ny fananany hery fiarovana. Maivana kokoa ny soritr’ aretina fa maharitra vao sitrana indray, araka ny fanamafisan’ireo mpitsabo. L’article Valanaretina Covid-19 est apparu en premier sur AoRaha.