Vaovao tambatra

News - Vaovao tambatra
Tapaka tanteraka ny
herinaratra teto Antananarivo, omaly tolakandro. Antony,
tapaka ny tambajotra roa mitondra herinaratra mahery vaika avy any
Andekaleka, mamatsy ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Efa
niverina tamin’ny laoniny tamin’ny ankapobeny ny herinaratra,
minitra vitsy taty aoriana. Nisy kosa anefa ny faritra vitsivitsy
tapaka toy izany koa ny nanomboka ny takarivan’ny alakamisy 12
novambra ary tsy mbola niverina ny asabotsy 14 novambra maraina,
toy ny teny Amboditsiry Marais Masay. Anisan’ny mampitaraina ny
mpanjifa, ny valiteny ao amin’ny laharana 3547, milaza fa “efa
raisin’ny tompon’andraikitra”, na koa hoe “marobe ny mitaraina aty
aminay ka tsy araka”.
Mangataka ny hametrahana
CMR (Centre des métiers ruraux) tohanan’ny tetikasa Formaprod ny
faritra Analamanga. Nambaran’ny filankevi-paritra momba ny
fampiofanana ara-pamokarana any ambanivohitra, Analamanga, fa io
CMR io ny mamaritra miaraka amin’ny tompon’andraikitra eny amin’ny
faritra sy ny tanora, orinasa, rafitra, sy tetikasa misy ny asa
mety azo tanterahina ao amin’ny faritra misy ny tanora. Manampy
amin’ny torolalana samihafa ireo rehetra ireo, satria ny ao amin’ny
distrika iray, ohatra, mahalala tsara ny lalam-piharina
azo tanterahina.
Anatin’ny fifampiraharahana
amin’ny Cites ny fanjakana malagasy momba ireo hazo sarobidy tratra
saika naondrana. Manaja ny fanapahan-kevitry ny fanjakana
ny Cites, manaiky izay fepetra noraisina amin’ny fampiasana ireny
hazo ireny. Efa nisy moa nampiasana tamin’ny fanarenana ny Rova.
Voararan’ny lalàna izao ny famoahana hazo sarobidy mbola tsy voadio
(brut). Dinihina eny amin’ny filankevitry ny minisitra ny
fampiasana ireo hazo sarobidy ary haroson’ny minisiteran’ny Tontolo
iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, hahazo fankatoavana avy
amin’ny Cites. Miato kosa ny fitsarana momba ireo hazo any ivelany,
izay efa nandalo ny ladoany.
L’article Vaovao tambatra a été récupéré chez Newsmada.
Vakio ihany koa
News - Midi Madagasikara
Fonja vaky tany Mananara Avaratra : Gadra telo no efa voasambotra, efatra mbola karohina
Taorian’ny fitsoahana voafonja tao Mananara avaratra, ny alahady alina tokony ho tamin’ny 08ora sy sasany alina , dia nikaroka azy ireo avy hatrany ireo mpandraharahan’ ny fonja tany an-toerana raha fantatra fa nisy io fitsoahana io. Voasambotra ny telo nandritra izany fikarohana azy ireo izany, saingy voatery nampiasa ny fitaovana teny aminy ireo mpandraharahan’ ny fonja ka naratra vokatr’ izany izy telo lahy. Ny roa mbola tsaboina ao amin’ny hopitaly Mananara avaratra hatramin’izao noho izy ireo voatifitra tamin’ny faritry ny tendany, fa ny iray kosa efa nivoaka ny hopitaly raha voatifitra teo amin’ny tongony. Mbola karohina kosa ny efatra hatreto, ary efa nilaza ny mpandraharahan’ ny fonja fa efa fantatra ny misy azy ireo, saingy noho fahasarotan’ny lalana no antony. Raha ny fanazavana azo, dia nohararaotin’ireto voafonja nitsoaka ireto ny zava-misy noho faharatsian’ny andro nandritra izao fitsoahan’izy ireo izao ; amin’ny maha-« maison de sureté » ny ao Mananara avaratra, dia somary kelikely ihany ity fonja ity, nefa tsy mitsaha-mitombo ny voafonja raisiny no olana ka misy ireo voafonja koa no manararaotra izany. Nanome baiko ny talen’ny fandraharahana ny fonja Toamasina, fa tsy maintsy atao izay hahazoana ireto voafonja nitsoaka ireto na aiza no misy na aiza, ary tsy maintsy samy manamafy ny fonja any aminy avokoa ny mpandraharaha ny fonja rehetra na « maison de sureté » izany na « maison centrale », fa lasa olana ho an’ny fiarahamonina ireo voafonja mitsoaka, nefa ny andian-jiolahy aza efa mampanahirana mpitandro ny filaminana ny fanaraha-maso sy ny fisamborana azy ankehitriny Malala DidierL’article Fonja vaky tany Mananara Avaratra : Gadra telo no efa voasambotra, efatra mbola karohina a été récupéré chez Midi Madagasikara.
ADY AMIN’NY VALANARETINA – Fivoriana «CTR/Réseau SEGA/COI»
Notanterahina nanomboka omaly ary hifarana rahampitso 12 novambra 2020 ao amin’ny Hotel Colbert Antaninarenina ny fivoriana fanaon’ny « CTR » ao anatin’ny « réseau SEGA /COI ». Fivoriana fanao isan-taona izay andraisan’ireo teknisianina misahana ny fahasalamana eny amin’ny seranana sy ny sisi-tany eto amin’ny Ranomasimbe indiana anjara. Anisan’izany ny avy eto amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny alalan’ny « DVSSER » sy ny « INSPC ». Firenena dimy (05) no mandrafitra ny « réseau Sega », izay ahitana antsika eto Madagasikara, ny Nosy La Réunion, Seychelles, Maorisy ary Kaomôro. Tanjon’izao fivoriana izao ny fifampizarana fahalalana sy traikefa hanamorana ny fiatrehana ny valanaretina. Noresahana manokana nandritra ny andro voalohany omaly ny ady amin’ny valanaretina « Covid-19 » sy ireo paikady nentin’ny firenena tsirairay niatrika izany. Nisongadina ny fahombiazana azontsika malagasy vokatry ny paikady noraisin’ny Fitondram-panjakana na teo amin’ny fanarahamaso izany (Surveillance épidémiologique) na teo amin’ny fandraisana an-tanana ireo tranga (Riposte) araka ny nambaran-dRamatoa Talen’ny DVSSER izay isan’ireo misolotena ny Ministeran’ny Fahasalamana mandritra izao fivoriana izao. Sary sy fanadihadiana: Dir Com/SCM-MSANP L’article ADY AMIN’NY VALANARETINA – Fivoriana «CTR/Réseau SEGA/COI» a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.
News - News Mada
Afham : nanao seho hanoherana ny herisetra
Distrika fahatelo nitondran’ny fikambanam-behivavy manana fahasembanana eto Madagasikara (Afham) ny seho hanoherana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy manana fahasembanana ny tao Ambatolampy, ny alarobia lasa teo tao amin’ny lapan’ny Tanàna. Nampahafantarina tamin’ny alalan’ny dihy, tantara an-tsehatra ny zavatra iainan’ny vehivavy manana fahasembanana ao anatin’ny fianakaviana, fiarahamonina ary amin’ny tontolon’ny asa, araka ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny Afham, Razafinjato Fela. Ireo zavakanto roa karazana ireo no nivoizana ny hafatra fa tsy sakana eo amin’ny fiarahamonina ny fahasembanana ho an’ny vehivavy mitondra izany. Afaka mianatra, miasa, miteraka sy mikarakara tokantrano toy ny vehivavy rehetra na eo aza ny fahasembanana. Mpikambana ao amin’ny Afham ihany no nanoratra ny tantara an-tsehatra « Ohatra anao ihany aho » ary ireo vehivavy mpandrafitra ny fikambanana no milalao miaraka amin’ny mpiantsehatra lehilahy. « Tanjon’ny fampisehoana dihy tao anatin’ny ora iray sy sasany ny fanehoana fa mahita fifaliana amin’ny fiainana sy manaiky ny toe-tena ny vehivavy manana fahasembanana. Ny tantara an-tsehatra kosa fizarana ny zavatra zakain’ny vehivavy sembana amin’ny fiainana andavanandro, indrindra ny fanilikilihana. Tafita kokoa ny hafatra amin’ny fanehoana amin’ny dihy sy ny tantara tahaka izao ka izay no nisafidiananay azy, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana. Sambany nisy seho tahaka izao nandraisan’ny olona manana fahasembanana anjara mivantana teto Ambatolampy ka nahavariana tokoa, hoy ny mponina nijery ny fampisehoana. Hoentina any Moramanga sy any Miarinarivo ny seho, ny volana jona sy jolay. Tetikasa niarahana amin’ny XOESE izay tahiry ho an’ny vehivavy miaina aty amin’ny firenena mampiasa ny teny frantsay ny seho. Nanomboka ny volana marsa teo ary hifarana amin’ny volana jolay izany fiaraha-miasa izany.Miasa amin’ny faritra 15 ny Afham Efa misy amin’ny faritra 15 eto Madagasikara ny Afham, niforona ny taona 2011. Andraikiny ny fampahafantarana ny zon’ny vehivavy sembana sy manatsara ny fiainan’ireo vehivavy ireo amin’ny lafiny rehetra. Manome fanofanana sy fanamafisana ny fahaiza-manao ny vehivavy sembana koa ny fikambanana ahafanany mitady asa. Zava-dehibe ny fanentanana toy izao seho izao.VonjyL’article Afham : nanao seho hanoherana ny herisetra a été récupéré chez Newsmada.
News - Midi Madagasikara
Musique : Emergence de la scène électronique tananarivienne
Dernière performance scénique de ces jeunes pousses de la musique assistée par ordinateur malgache. (crédit photo : Tanteliniana Ram) La musique électronique à Antananarivo, c’est tout un autre univers. Ces musiciens ne sont pas nouveaux dans le paysage musical malgache, mais leur musique semble être venue d’ailleurs. Musique électronique et musique assistée par ordinateur (M.A.0), c’est le collectif Buskers Madagascar (un groupe de jeunes qui réunit des passionnés) qui a eu l’idée de mettre sur la même scène ces deux univers musicaux pour la première fois en novembre 2019. Un événement qui n’est pas passé inaperçu puisque le public a répondu et continue de répondre présent jusqu’à l’heure où l’on parle. Parmi les jeunes artistes soutenus par ce mouvement figurent Loop Gang, Encoder Experiment, Tooln Rap, ou encore Kevin Mirija. Des artistes en herbe qui ont été les têtes d’affiche d’un événement qui a eu lieu au Kaly Bar Ankadifotsy le 31 octobre 2020, juste au moment de la reprise culturelle après la crise de la Covid-19. Des pads et des guitares. La musique électronique pratiquée par ces jeunes malgaches n’a toutefois rien de novatrice par rapport à ce qui se pratique déjà ailleurs. Cela peut nous faire penser aux premiers albums de Massive Attack, de Tricky ou de Portishead, les leaders du Trip Hop anglais, et ce même s’ils n’ont jamais cité ces groupes. Par contre, nous ne pouvons pas le nier, c’est bien nouveau à Madagascar, des guitares qui se mélangent à du sampling et à du looping. Cela a de quoi éveiller la curiosité, tout en émerveillant les adeptes locaux du son de Gorillaz et autres groupes de ce genre. De plus, il est incontestable que ces musiciens montrent une certaine maîtrise de leurs instruments qui comprennent des boîtes à rythmes, des ordinateurs et des synthés. Convaincu du potentiel de la scène électronique tananarivienne, Buskers Magazine soutient une nouvelle fois ces artistes à travers une programmation le 19 décembre 2020 à Le Cinquième Elément Ankadivato. Selon Haridio Randriamanantsoa, un des fondateurs de Buskers Magazine, « cet événement sera exceptionnel. Il ne s’agit pas uniquement d’un concert musical mais d’un événement qui regroupe atelier, live vidéo, et mapping». Le rendez-vous est donc fixé pour découvrir ce que vaut réellement cette nouvelle scène. Anja RANDRIAMAHEFA L’article Musique : Emergence de la scène électronique tananarivienne est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Musique : Emergence de la scène électronique tananarivienne a été récupéré chez Midi Madagasikara.
News - Midi Madagasikara
IFM – Quatuor Squad: hiverina ny « Concert de midi »
Fito volana lasa, ny LMM Saxophone Quartet no nanatanteraka ny « Concert classique de midi » tao amin’ny Institut Français de Madagascar, eo Analakely… Fantatra fa hitohy amin’ny alarobia 21 oktobra izao, manomboka amin’ny 1 ora antoandro ity seho an-tsehatra karakarain’ny Madagascar Mozarteum ity. Andiany faha-111 hiakaran’ny Quartet Squad ny sehatra. Tarika ahitana fiarahana tanora manana ny maha izy azy eo amin’ny fitendrena zavamaneno toa an’i Hervais Rabarison (Alto), i Kiady Rakotomalala (Cello), i Ravo Raboanarison (Violon) ary i Andry Robinson (violon).Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana nomanin-dry zareo ny filalaovana ny sanganasan’ireo andrarezin’ny mozika klasika. Anisan’ireny ny « Chrisantemi » an’i G. Puccini, ny « Emperor » sanganasan’i J. Haydn, sns. Ao ihany koa ireo feonkira manana ny lazany noforonina tao anatin’izao vanim-potoana izao. Raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra, 150 ny mpijery ho azo raisin’ny efitrano amin’io fotoana io, noho ny hamehana ara-pahasalamana.Anisan’ny zava-dehibe mampiavaka ny mozika klasika ny fananany hery mampivelatra ny saina izany.HaRy Razafindrakoto L’article IFM – Quatuor Squad: hiverina ny « Concert de midi » a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Bazarikely Toamasina: trano fivarotana anarivony kilan’ny afo, olona iray naratra
Io indray! 13 taona aty aoriana, nisehoana fahamaizana goavana indray ny tsena Bazarikely Toamasina ka trano fivarotana eo amin’ny 100 mahery eo indray lasa lavenona tamin’izay fotoana nahamay azy teo aloha izay. Raha ny zava-nisy ny asabotsy tokony ho tamin’ny 8 ora alina teo, fivarotana anarivony indray lasa lavenona. Nijoalajoala nidorehitra mena tsy nisy toy izany ny afo. Nampanano sarotra ny vondrona mpamonjy voina ny famonoana sy ny fifehezana ny afo noho tsy fisian’ny lalana alehan’ireo mpamonjy voina satria feno tsena hatramin’ny lalana. Araka ny loharanom-baovao voaray, voalaza fa fipoahana herinaratra tao amin’ny trano fivarotana fitaovam-pianarana ny nitarika ny firehetana. Loharanom-baovao hafa kosa nilaza fa ankasomparana vokatry ny adiady eo amin’ny tsena noho ny fanesorana ny lehibe teo aloha ny tsena sy olona iray mitady haka io tany malalaka io hanorenana tranovato ny antony nahatonga izao loza izao. Tao kosa ireo loharanom-baovao nilaza fa misy andian’olona nandoro mihitsy hanamora ny fanesorana ireo mpivarotra sasany hakana ny toeran’izy ireo. Ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana anefa no manamarina izany rehetra izany fa mijanona amin’ny tombana sy ny ahiahy fotsiny ny rehetra.Sajo sy J.CL’article Bazarikely Toamasina: trano fivarotana anarivony kilan’ny afo, olona iray naratra a été récupéré chez Newsmada.
Nodimandry i Jaona Elite
Misaona ankehitriny ny tontolon'ny politika. Ilay depiote taloha voafidy tao amin'ny distriktan'ny Atsimondrano, Harijaona RANDRIARIMALALA izay fantatry ny maro amin'ny anarana hoe Jaona Elite dia nodimandry taorian'ny fijanonan'ny fony omaly alina. Nalaza tokoa io vaovao io tao amin'ny tambanjotran-tserasera omaly alina nanodidina ny 11 ora alina. Araka ny vaovao azo dia torana tampoka i Jaona Elite teo am-pijerevana ny lalao izay nifandonan'ny Barea tamin'ny ekipan'ny RDC. I Harijaona RANDRIARIMALALA dia fantatra tokoa teo amin'ny tontolon'ny fandrarahana tamin'ny fanokafany ireo magazay "Elite GSM". Ireo magazay ireo moa dia mivarotra fitaovana elekronika toy ny finday. I Jaona Elite avy eo dia namorona marika finday tamin'ny taona 2009. Avy eo izy dia nanomboka nivarotra entana vita amin'ny Inox tamin'ny alalan'ny orinasa "Mad Inox". Tamin'ny taona 2013 izy no lany depiote an'ny distrika an'Antsimondra. Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana.
News - News Mada
Kitra: manohana ireo mpilalao fahiny ny BNI Madagascar
Notanterahina omaly zoma 18 desambra, tetsy amin’ny BNI Analakely ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ity banky ity sy ny fikambanan’ireo mpilalao nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy ny baolina kitra, nanomboka tany amin’ny Club M nandalo ny Scorpions ary mipaka hatraty amin’ny Barea de Madagascar. Fikambanana eo ambany fiahian’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy, izay manamafy ny firaisankina eo amin’ireo niaro ny voninahi-pirenena, tamin’ireo fihaonana iraisam-pirenena maro. Hitondra ny traikefany sy ny fahalalany ireo mpilalao tranainy ireo ary manohana hatrany ny Barea de Madagascar. Ankoatra izay, mifanampy amin’ireo mpilalao nanana ny lazany fahiny ny fikambanana, izay tsy mba manana rafitra miahy azy ireo, indrindra eo amin’ny fahasalamana. Noho izany indrindra no nanampian’izy ireo an’i Me Kira sy i Philibert, izay marary ka mitsabo tena, amin’izao fotoana izao. Tohin’ny politika ho fanomezan-danja ny baolina kitra kosa izao, ho an’ny BNI Madagascar, taranja nanome endrika tsara ny Malagasy ary nampiray ny vahoaka. “Miavaka ny fanohananay ny baolina kitra sy ny Barea, noho ny zava-bitany, raha tsy hilaza ny Can 2019, izay nampirehareha ny vahoaka malagasy ary nanome ohatra tsara tamin’ny firaisan-tsaina, ny fahaiza-manao”, hoy i Alexandre Mey, tale jeneralin’ny BNI Madagascar.Io fijery mitovy io no nampirisika ny BNI Madagascar ka nametraka an’i Abel Anicet, kapitenin’ny Barea, ho masoivohony. Hampita amin’ireo zandry sy ireo miantoka ny fampandrosoana ny firaisankina sy ny ezaka ary ny fanatsarana ny vokatra ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa ny tanjona.TorcelinL’article Kitra: manohana ireo mpilalao fahiny ny BNI Madagascar a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Songadina an-tsary: fanamasinana eveka tetsy Mahamasina
L’article Songadina an-tsary: fanamasinana eveka tetsy Mahamasina a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Minisitra Lalatiana Andriantongarivo: « Nahafa-po ny nambaran’ny HCC momba ny lalàn’ny serasera »
« Nahafa-po ny fanapahana noraisin’ny HCC satria mbola nisy adihevitra be teny amin’ny parlemanta iny. Voalazan’ny And 19 ny fandrarana ny famoahana ny vaovao tamin’ny adihevitra tsy azo atrehina. Tamin’ny fakan-kevitra manerana ny faritra, efa nilaza ny mpanao gazety fa tokony hotsoahina izany satria manohitra ny fahafahana mahazo vaovao », hoy ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Lalatiana Andriantongarivo, omaly teny Ankaraobato. Notsiahiviny fa efa niady ny hanalana izany ny minisitera, saingy tsy naharesy lahatra ireo parlemantera. « Notazonina tao ihany io ka isaorana ny HCC nilaza fa tokony hoesorina anaty lalàna izany. Tokony ho azon’ny maro atrehina ny adihevitra, raha tsy hoe tsy azo ialana ny fivoriana mihiboka… Miarahaba tena ny minisitera satria anisan’ny ady natao izany ary nahatsapa ny HCC fa manohitra ny lalàmpanorenana raha atao ao io », hoy ihany ny minisitra. Notsindriny fa tsy nanova ny votoatiny tian’ny minisitera ambara ny HCC. Zon’ny olom-pirenena ny hahazo vaovao ary adidin’ny mpanao gazety manome ny vaovao ka tokony hohajaina ny fahafaha-mahazo ny loharanom-baovao, araka ny nambarany.Synèse R. L’article Minisitra Lalatiana Andriantongarivo: « Nahafa-po ny nambaran’ny HCC momba ny lalàn’ny serasera » a été récupéré chez Newsmada.