Valo ny tranga vaovao eto Analamanga, tsy nisy ny lavo

News - Valo ny tranga vaovao eto Analamanga, tsy nisy ny lavo

News - Valo ny tranga vaovao eto Analamanga, tsy nisy ny lavo

Miisa 31 ireo tanga vaovao tamin’ny
fitiliana vita miisa 257, araka ny antontanisa, navoakan’ny CCO,
omaly. Avy eto Analamanga ny valo amin’izany raha 10 ny avy any
Diana. Miisa dimy ireo nifindran’ny valanaretina any Vatovavy
Fitovinany ary enina ny any Alaotra Mangoro. Iray avy kosa ny any
Itasy sy any Matsiatra Ambony.

Tsy nisy kosa ny aina nafoy.
Mijanona ho 226 ireo lavon’ny valanaretina eto amintsika
hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty. Tsy niova koa fa miisa 20 ireo
anaty fahasarotana. Na izany aza, miisa 45 ireo sitrana ka maro
anisa amin’izany ny any Boeny, miisa 15. Tafakatra 14 788
izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana
amin’ireo mitondra ny tsimokaretina miisa16 167. Mbola
maherin’ny 1 000, miisa 1 151, ireo mbola tsaboina sy
arahi-maso ny toe-pahasalamany.

Miisa 68 564 ireo fitiliana PCR
vita raha 7 289 kosa izany ho an’ny fitiliana GenExpert.

Synèse R.

Article tiré de Newsmada

L’article Valo ny tranga vaovao eto Analamanga, tsy nisy ny lavo a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 24/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Mahavatse – Toliara: tratra ry Dame de Pique, jiolahy nokarohina nandritra ny 10 taona

Tratran’ny vela-pandriky ny polisy ireo jiolahy telo tompon’antoka tamin’ny fanendahana pasitera tao Mahavatse Toliara, ny asabotsy lasa teo. Voalazan’ny polisy fa tao an-tranon’ny lehilahy iray antsoina hoe Dame de Pique ao Mahavatse no nahatrarana ireto jiolahy ireto, nomarihin’ny polisy fa isaky ny mahavita ny asa ratsiny ry zalahy ireto no miafina ao amin’io lehilahy io. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny polisy hatrany, jiolahy nokarohina nandritra ny folo taona ireto jiolahy ireto ary maro ny raharaha mahavoasaringotra azy ireo, toy ny vonoan’olona sy ny halatra isan-karazany. Isan’ny nandray anjara tamin’ny fakana taratasim-bolan’ny beantitra tao Toliara ry zalahy ireto. Efa nifanehatra tamin’ny polisy inefatra izy ireo, saingy tafaporitsaka hatrany. Isan’ny nampikolay ny ao an-tanànan’i Toliara ireto jiolahy ireto ka vola iray hetsy Ar sy firavaka ary entana sarobidy ny lasan-dry zalahy tao amin’ilay pasitera nandritra ny fanafihana. Voalaza fa jiolahy avy aty an-dRenivohitra sy Toliara avokoa ry zalahy ireto sady efa manana trano any Toliara. Nahitana basy mahery vaika koa tany amin’ireo jiolahy ireto.CMS sy J.CL’article Mahavatse – Toliara: tratra ry Dame de Pique, jiolahy nokarohina nandritra ny 10 taona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ecole d’Etat-Major: nivoaka ny andiany faha-15

“Maro ireo ambana sedraina amin’ny asa fampandriana fahalemana ilàna paikady manokana. Tsy tokony ho ny miaramila no matahotra dahalo fa ny dahalo no matahotra miaramila. Ny dahalo anefa, tsy fahavalo fa mpifanandrina amin’ny vahoaka, olom-pirenena ary ao anatin’izany zava-misy izany ny hampiharana ny rafitr’asa vaovao avy amin’ny fiofanana eo anivon’ny Etat major”, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotonirina Léon Richard, nandritra ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ny andiany faha-15 ny sekoly ambony manofana manamboninahitra zokiny, omaly teny amin’ny Cemes Soanierana. Miisa 12 mirahalahy ireto navoakan’ny Sekoly ambony manofana manamboninahitra zoky eo anivon’ny Tafika malagasy na ny ecole d’Etat-Major eny Fiadanana. Nisy ny lanonana ara-miaramila nanolorana azy ireo ny mari-pahaizana “diplôme de l’Etat-Major”, natao teo ambany fiahian’ny MDN, ny Jly Rakotonirina Léon Richard, ny lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika malagasy, ny Jly Rakotonirina Théophile, notronin’ireo manamboninahitra ambony eo anivon’ny fianakaviamben’ny Foloalindahy malagasy. Nandritra ity fotoana ity koa, nisy famindrana ny fanevan’ny sekoly teo amin’ny talen’ny sekoly teo aloha, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, sy ny tale mpandimby azy, ny Jly Razafitombo Maminirina. Nanamafy ny MDN fa amin’ny taona 2020, tsy maintsy miofana eo anivon’ny sekoly avokoa ireo manamboninahitra ambony ary tsy maintsy arahina sivana hatrany ny fidirana amin’izany.Jean ClaudeL’article Ecole d’Etat-Major: nivoaka ny andiany faha-15 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF): dimy ny kandidà hifaninanan ho filoha

Hifantohan’ny sain’ny rehetra, taorian’ny lalaon’ny “Can 2019”, natrehin’ny Barean’i Madagasikara, ny fifidianana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Dimy mirahalahy mianaka ny hiady izany toerana izany.Rabekoto Raoul Arizaka, filoha lefitra faharoan’ny federasiona teo aloha. Andriamiasasoa Doda, filohan’ny federasiona nandimby an’i Ahmad. Rakotomamonjy Neypatraiky, filoha lefitra voalohan’ny federasiona teo aloha. Rasoamaromaka Hery, mpitantana ny fanamboarana ny kianja synthètique ary i Mohamad Abdillah, mpitsara baolina kitra iraisam-pirenena. Ireo izy dimy mirahalahy mianaka hifaninana ho filoha hitantana ny federasiona malagasin’ny baolina kitra.Raha zohina, olona efa nilona naharitra ao anatin’ny tontolon’ny baolina kitra avokoa izy rehetra ireo ary samy nametraka tantara tsara ho an’izany taranja izany avokoa. Samy manana ny vina hampivoarana sy hampiroboroboana ity taranja ankamamian’ny vahoaka malagasy ity avokoa izy rehetra ireo. Efa samy nahazo ny fankatoavan’ireo ligim-paritra araka ny lalàna mifehy ny fifidianana ireo kandidà dimy ireo.Heverina fa tsy misy handiso fanantenana ny mpankafy izay ho lany hitantana izany. Na ireo tsy ho lany aza, tsy maintsy hanome tanana sy hanampy izay ho filoha vaovao eo satria ny baolina kitra no jerena sy iarahana mibanjina fa tsy sanatria fitiavan-tseza. Nisy ireo kandidà efa nitonona ny hirotsaka niala an-daharana ka nanohana kandidà, tamin’ity. Eo koa nefa ireo izay mihazakazaka mirotsaka ho komity mpanatanteraka.Kandidà iray ihany ny tsy afaka nirotsaka tamin’ity, Ramisamanana Lova, filohan’ny fikambanana Alefa Barea. Tsy nisy ligy nanome fankatoavana azy mantsy ka izao izy tsy afaka hilatsaka izao.Tsiahivina fa hotontosaina ny asabotsy 24 aogositra izao ny fifidianana ho filohan’ny federasiona ka handatsa-bato ireo ligim-paritra 22, hifidy ny ho filoha vaovao eo. Tompondaka L’article Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF): dimy ny kandidà hifaninanan ho filoha a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Teny an’anona teny

   L’article Teny an’anona teny a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Imbiki Herilaza : “Voahaja sy narahina ny lalàmpanorenana”

“Nanaraka ny pitsopitson’ ny And. 96 amin’ny lalàm­panorenana ny fampanda­niana iny lalàna iny, nanomboka tamin’ny voalohany ka hatramin’ny farany” hoy ny mpahay lalàna, Imbiki Herilaza. Tsara koa ny mijery fa tsy azo ihodivirana ny fampandehanana ny raharaham-pirenena. Ho tapitra ny janoary 2021 ny fe-potoam-piasan’ny mpikamban’ny Antenimi­eran­do­ho­lona. Milaza koa ny lalàm-pifidianana fa 90 andro farafahelany alohan’ny fifidianana no iantsoana ny mpifidy. Ta­fi­ditra ao anatin’io lalàna 001-2020 io ny didy hitsivolana momba ny Antenime­ran­do­holona na ny didy hitsivolana momba ny fifidianana, samy lasa lalàna. «Nisy ny fiha­onana teo anivon’ny vaomiera iombonana isasahan’ny Antenimiera roa tonta fa tsy nisy ny fitovian-kevitra. Na­nontany ny praiminisitra ny filohan’ny Anteni­mi­eram­pirenena hoe: misy he­vitra hafa tokony hatao sa hiroso amin’ny fifidianana na fankatovana farany ilay volavolan-dalàna ny Antenimi­eram­pirenena?» hoy kosa ny mpahay lalàna, Ranesa Fi­riana. Rehefa nahazo alalana tamin’ny governemanta ny Ante­nimierampirenena, nampihatra ny And. 96 amin’ny lalàmpanorenana mamaritra fa rehefa tsy mifanaraka ny Antenimiera roa tonta, afa-mifidy ny Antenimi­eram­­pi­renena. Heverina ho lany ilay volavolan-dalàna raha lany amin’ny antsasa-ma­nilan’ny solombavamba­hoaka.R. Nd.L’article Imbiki Herilaza : “Voahaja sy narahina ny lalàmpanorenana” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fizarana Vatsy Tsinjo: manampy amin’ny fanisana olona ny miaramila

 Taorian’ireny zava-nitranga manoloana ny savorovoro teny anivon’ny fokontany samihafa, ny herinandro teo nandritra ny fizarana ny fanampiana ara-tsosialy avy amin’ny fitondram-panjakana, mirotsaka an-tsehatra eny anivon’ny fokontany ireo miaramilan’ny Bataillon Multi-missions BMM toy ny nataon’ireo minisitera hafa, miaraka amin’ireo tompon’andraikitra amin’ny fanisana ireo mponina isam-pokontany. Natao izao mba hanamorana ny fizarana ny fanampiana avy amin’ny fanjakana. Nomarihin’ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena fa ny asa fandaminana ny fandraisana sy ny fanadihadiana isan-tokantrano dia iarahana amin’ny fokontany. Nanomboka ny zoma lasa teo izany ka teny amin’ny fokontany Ambatovinaky no nanombohana izany. Nitohy ny faran’ny herinandro teo ny asa fanisam-bahoaka ka miaramilan’ny BMM miisa 450 no nidina ifotony nanatanteraka izany. Mizara roa ny asa ka misy ireo misehatra manao fanadihadiana eny anivon’ny isan-tokantrano avy, misy kosa ireo mirakitra an-tsoratra izany amin’ny alalan’ny “saisie des données” eny amin’ny minisitera eny Ampahibe.Jean ClaudeL’article Fizarana Vatsy Tsinjo: manampy amin’ny fanisana olona ny miaramila a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ho an’ny kilasy «intermédiaire»: tombanana araka ny fahaizany ny mpianatra

Anisan’ny nandrandrain’ny ray aman-drenin’ny mpianatra, ny alahady alina teo ny fverenana an-tsekoly ho an’ireo mpianatra amin’ny kilasy tsotra tsy manala fanadinam-panjakana (intermediaires). Tsy nasian’ny filoham-pirenena resaka anefa ny mahakasika izany ary nampanontany tena ny rehetra .Omaly antoandro kosa, nitondra fanazavana ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, fa apetraka amin’ny fahendren’ny talen-tsekoly ny famerenana ny ankizy an-dakilasy. Samy mandray sy manao ny fandrindrana rehetra ny sekoly amin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana.Anjaran’ny sekoly no mandamina sy manao ny tombana ho an’ny mpianatra tsiraitray ao aminy. Arakaraky ny fahaizan’ilay mpianatra no hiakarany kilasy na tsia. Iarahana mijery akaiky amin’ireo mpampianatra izany.Maro amin’ireo sekoly anefa no tena nijanona tanteraka, tsy nanara-maso ny mpianany na dia ampitain-davitra aza noho ny antony maro. Sahirana ny sekoly amin’ny hanaovana tombana satria na ny fandaharam-pianarana aza zara fa vita.Tsy miova ihany koa ny tetiandrom-pampianarana, araka izay voarakitra ao anatin’ny didim-pitondrana nivoaka tamin’ny 21 aogositra 2019. Mifarana ny volana jolay ny fampianarana ary tokony hanomboka ny volana oktobra indray ny taom-pianarana vaovao 2020-2021.Tatiana AL’article Ho an’ny kilasy «intermédiaire»: tombanana araka ny fahaizany ny mpianatra a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

FITATERAM-BAHOAKA :: Mitohy ny fampiakarana ny saran-dalana

Kaoperativa roa hafa indray no hanampy ireo namany hampiakatra ny saran-dalana ho 500 ariary. Manomboka ny 15 desambra ho avy izao izany ho an’ireo ao amin’ny kaoperativa Tselatra raha voalaza fa ny 10 desambra kosa ho an’ny kaoperativa Cotral. “Ny tompon’andraikitra eo anivon’ny vondron’ny kaoperativan’ny mpitatitra eto an-drenivohitra na UCTU no manapaka ny tokony hiakaran’ny saran-dalana. Tafiditra ao anatiny ihany koa ny fiakaran’ny vidin’ny solika 50 ariary isaky ny litatra no voalaza”, hoy ny mpamily iray eo anivon’ny kaoperativa Cotral. Ity kaoperativa ity izay ahitana ny zotra 129 mampitohy an’Ambohipo amin’Analakely. Eo ihany koa ny zotra 017 izay mitatitra ireo mpanjifa avy eny Ambohipo mankany Mahamasina. Toy izay ihany koa ny antony ho an’ny kaoperativa Tselatra ahitana ny zotra 146,147, 147 D ary ny 178. Mbola manome fe-potoana hiomanan’ny mpanjifa, araka izany, ireo mpitatitra milaza fa hampi- akatra saran-dalana ireo. Tsiahivina fa tsy nandray saran-dalana tsy feno intsony ny kaoperativa Tselatra taorian’ny fitazonan’izy ireo ny saran-dalana tokana 400 ariary. Mbola nanaiky ny saran-dalana tsy feno kosa ny zotra Cotral sasantsasany. Na izany aza, maro ireo mbola tsy mankasitraka izany fiakaran’ny saran-dalana izany. “Efa zatra ny saran-dalana tokana 400ariary izahay. Tokony tsy hiova intsony satria tsapanay fa sady mahazo tombony ireo mpitatitra noho ny tsy fisian’ny tapa-dalana intsony. Na izany aza, tsy maintsy manaraka izay fandaminana izahay mpandeha”, hoy i Lalao, mponina eny Ambatomaro manjifa ny zotra 147 ao amin’ny kaoperativa Tselatra. Ankoatra ireo efa voalaza ireo, mbola misy ihany ny zotra tsy mbola nanapa-kevitra ny hampiakatra ny saran-dalana 500 ariary. L’article FITATERAM-BAHOAKA :: Mitohy ny fampiakarana ny saran-dalana est apparu en premier sur AoRaha.

News - Midi Madagasikara

Digue : Lehilahy maty nodomin’ny fiara, nitsoaka ny mpamily

Fatin-dehilahy nihosin-drà tanteraka no nitsena ireo olona teny amin’iny lalan’i Digy iny omaly vao maraim-be.  Araka ny angom-baovao azo dia lehilahy iray no namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana, ny alin’ny alahady lasa teo. Tsy nijanona anefa ilay fiara nahavanon-doza fa mbola nanohy ny lalany nitsoaka, namela ilay olona voadona teo amin’ny arabe. Tsy fantatra mazava araka izany, hoe tamin’ny fomba ahoana no nahatonga ny loza. Izy efa nitsirara nihoson-drà teo am-povoan’arabe no nanaitra ny maro ary nitangoronan’ireo mponina teny an-toerana. Efa tonga teny an-toerana moa ireo tompon’andraikitra nijery ifotony ny zava-nisy. Ry zareo avy ao amin’ny BMH ihany koa efa nantsoina haka ny razana, ary nitondra izany teny amin’ny trano-patin’ny hôpitaly tetsy Ampefiloha, miandry izay mety ho fianakaviany. Fa ankoatran’io dia mpifankatia nitondra môtô ihany koa no naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy ireo tetsy Ampandrana ny alahady antoandro lasa teo. Araka ny voalazan’ireo nanatri-maso dia fiara kely iray teny an-toerana no nifaoka azy roa ireto. Avy any Antsakaviro avy any ilay môtô tamin’io fotoana io, raha nifanena tampoka tamin’ity fiara ity, izay raha ny fantatra hatrany, dia handeha hivily tampoka haka « parking ». Tsy tafajanona araka izany ny môtô nentin’izy roa ireto ary tsy tana ihany koa ny fifandonana. Nandriaka ny rà. Samy vaky loha ireto mpifankatia saingy ilay lehilahy no voalaza hatreto fa toa hoe tena voa mafy ary mbola miady amin’ny fahafatesana. Efa tonga teny an-toerana nanantanteraka ny fizahana ifotony ary nanokatra ny fanadihadiana ihany koa moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana. m.LL’article Digue : Lehilahy maty nodomin’ny fiara, nitsoaka ny mpamily a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Lalàna… tsy mahatapi-dalan-kaleha  

Hanao ahoana ihany ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana mpanolotsain’ny Tanàna? Andrasana izay ho fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana. Ho raikitra amin’ity taona ity ihany sa tsia? Mbola hifampidinihana na hifampierana izany, ka ho hita eo…Tsy lavina: ny teny miakatra, ifampierana; ny teny midina, ifampifehezana. Na izany aza, sao ela fikenona ka ho very fotoana amin’ny fifampidinihana sy fifampierana lava amin’izay mitranga sy atao rehetra? Eny, na eo aza ny hoe; izay lava dinika, lava rariny.Tsy izany ve no anisan’ny ilàna ny fifidianana mpitondra amin’ny fifandimbiasam-pahefana hoe ara-pomba demokratika? Nampidramina fahefana hanapa-kevitra amin’izay efa nofaritan’ny lalàna, hanatanteraka izay fanamby nifidianan’ny vahoaka azy…Mbola miara-dalàna amin’izany koa ny lalàna ifampifehezana sy ifampitondrana, mba tsy hiadian-kevitra avokoa izay mitranga sy atao rehetra; eny, na efa misy sy mazava izao aza ny lalàna: inona no marina na hatao, ny an’iza no harahina sy hotanterahina… ?Na ahoana na ahoana ary na inona na inona mitranga sy atao, tsy ilaozan’izay manan-kambara hatrany: ny itsitokotokoan’ny loha, samy manana ny heviny. Rehefa inona na ahoana no atao sy  ilaina ny hoe fifampidinihana, na rehefa iza no miteny, henoina… ?Anisan’ny mety hahatonga ahiahy tsy ihavanana izay, rehefa tsy ny lalàna misy no hajaina sy hampiharina ary tanterahina avy hatrany? Tsy inona fa hoe kajikajy sy paipaika politika, araka ny ahiahy noho ny tsy fahatokisan-tena mahazatra ny sasany hatramin’izay.Saika ambonin’ny lalàna mandrakariva ny dinika politika? Na mahatapi-dalan-kaleha, sanatria, ny lalàna, ka voatery hitadiavam-bahaolana hafa tsy fidiny amin’ny fifampidinihana sy fifampierana… politika. Tonga amin’izany ve ny toe-draharaha amin’izao?Raha tiana ny hanova tokoa ny fomba fanaovana politika, tsy anisan’ny fototra sy voalohany amin’izany ve ny fanajana sy fampiharan-dalàna, ny fisaraham-pahefana, ny tsy fanavahana raha misy sy tsy azo ihodivirana ny hoe fifampidinihana sy fifampierana…?Rafaly Nd.       L’article Lalàna… tsy mahatapi-dalan-kaleha   a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

Transport en commun : Vers un contrôle du respect des gestes-barrière dans les Taxi-Be
28/10/2020

Le ministère des Transports, du Tourisme et de la Météorologie vient de publier une note, dans laquelle il est affirmé que les sanctions tomberont, dans les prochains jours, pour les Taxi-Be qui ne respectent pas les gestes-barrière. La reprise des transports en commun et surtout des bus, est le synonyme du retour à la normale à Antananarivo. L’état d’urgence sanitaire étant levé, tout le monde peut désormais vaquer à ses occupations et prendre les fameux Taxi-Be. Néanmoins, le coronavirus est toujours là et le non-respect des gestes-barrière peut favoriser sa propagation. Aussi, le ministère des Transports et le département de la Santé publique recommandent à tous de toujours appliquer les gestes-barrière (port de masque, distance physique d’un mètre, le lavage fréquent des mains, etc.), et pour les responsables des véhicules de transport en commun de ne pas utiliser les strapontins. Etant donné que ces indications ne sont pas toujours suivies, «les deux ministères vont procéder très prochainement à un contrôle, et des sanctions vont tomber pour ceux qui osent défier les recommandations », met en garde la note du MTTM. Réalité. La réalité est qu’une grande partie des habitants de la capitale prennent le Taxi-Be pour leurs déplacements quotidiens. Les bousculades ne sont pas rares en raison de la forte demande et le manque de professionnalisme des chauffeurs et des aide-chauffeurs. Ce qui fait qu’à bord des Taxi-Be, du moins ceux qui échappent à la vigilance des policiers de la route, le nombre de places recommandé (18 dans la plupart des cas) n’est pas toujours respecté. Néanmoins, certains transporteurs font l’effort de calmer les ardeurs des passagers pressés de rentrer chez eux, tandis que d’autres se focalisent sur la recette et embarquent plus de personnes qu’il n’en est permis. Est-ce que cela favorise la propagation de la Covid-19 ? Certainement oui, mais depuis la première vague de confinement, une partie de l’opinion ne s’en inquiète plus. Ce qui pousse les deux ministères à effectuer des contrôles pour le respect des gestes-barrière. Ligne régionale et nationale. Le ministère des Transports et l’Agence des Transports Terrestres ont déclaré que le nombre des passagers par banquette revenait à la normale pour les lignes régionales et nationales, conformément à celui indiqué dans la licence d’exploitation. Toutefois, les grosses marchandises qui peuvent gêner ou représenter un danger ne sont pas autorisés dans les voitures de transport en commun. En plus de cela, les carnets de bord et tous les documents relatifs au voyage doivent être expédiés sous format XML au MTTM et à l’ATT par les gérants des stations, ceci dans un délai de un jour après le départ de chaque véhicule. Anja RANDRIAMAHEFA L’article Transport en commun : Vers un contrôle du respect des gestes-barrière dans les Taxi-Be est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Transport en commun : Vers un contrôle du respect des gestes-barrière dans les Taxi-Be a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Noho ny Covid-19: nofoanana ny fampisehoana
28/10/2020

 Mbola eo ihany ny valanaretina covid-19! Nisy nikarakara fampisehoana nakàna mpanakanto malaza, tao Manakambahiny-Andrefana, Disitrikan’Ambatondrazaka. Nokasaina hotanterahina ny alahady 25 oktobra teo izany. Anisan’ny tarika nokasaina hiseho tamin’izany ny tarika Jean Aimé. Raha ny fantatra, efa voafandrika  mialoha ireo mpisehatra. Ny 20 oktobra, nandefa taratasy fanakanana ny hanatanterahana izany fapisehoana izany ny ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamana.Ny 22 oktobra io rafitry ny minisiteran’ny fahasalamana io no nanao tatitra tao amin’ny Radio iray ao Ambatondrazaka fa ny disitrikan’Anosibe an’Ala sy ny Andilamena no tsy ahitàna olona voamarina fa mitondra Covid-19. Nanantena ireo nikarakara fampisehoana fa mba hisy fihatsaràna ny toe-javatra, kanjo tao Manakambahiny-Andrefana mihitsy no nisy tratran’ny covid-19 miisa telo sy tranga mampiahiahy 16! Nofoanana ilay fampisehoana… Samy mbola tokony hanao arovava sy orona avokoa ny aty Ambatondrazaka.RarivoL’article Noho ny Covid-19: nofoanana ny fampisehoana a été récupéré chez Newsmada.

Fametrahana fanjakana tsara tantana Natsinkafon’Imbiky Anaclet ny kolikoly ao amin’ny fitsarana
27/10/2020

 Nitondra famelabelarana momba ny paikady iadiana amin’ny kolikoly eny anivon’ny fitsarana, mifandray amin’ny Covid-19 sy ny toekarena,  ny mpahay lalàna, Imbiky Anaclet, omaly tetsy Ampefiloha.Nambarany fa voa mafy isika tamin’iny valanaretina iny ka tsy maintsy mitady vahaolana sy fomba hanarenana indray ny toekarena sy ny fihariana. Nahitsy anefa ny tenany nilaza fa mitaky fepetra hentitra sy mafy izany iatrehana ny hampandehanana ny toekarena. Niaiky izy fa misy ny olana. “Miankina amin’ny fahatsaran’ny fitsarana ny fahombiazan’izany. Anisan’ny mahatonga ny toekarena marefo ny kolikoly… Firenena be kolikoly indrindra maneran-tany isika raha ny filaharana sy ny antontanisa. Anisan’ireo sampandraharaha telo na efatra voalohany be kolikoly ny fitsarana, raha ny tsapan-kevitra”, hoy izy.Tsy maintsy diovina ny fitsaranaNotsiahiviny fa efa maro ireo rafitra sy lalàna natao iadiana amin’ny kolikoly. Tsy maintsy diovina ny fitsarana hampandehanana indray ny fihariana sy ny toekarena.Etsy andaniny, nohitsiny koa fa betsaka loatra ny kabary etsy sy eroa manoloana ity ady iray ity. “Tsy misy ny fanatanterahana fa resabe, tsy arahina asa izany”, hoy ihany izy. Noderainy koa anefa ny fanjakana amin’ny fandaharanasany maneho fahavononana hiady amin’ny kolikoly.Famakiana bantsilana sy fanenjehanaTsy ampy anefa izany, araka ny nambarany hatrany. “Tsy tokony hiantehitra amin’izany fotsiny isika raha te hahita vahaolana mahafa-po fa ilaina koa ny fiarahamonim-pirenena. Tokony handray andraikitra izy ireo hampibaribary sy hamaky bantsilana ary hitory ireo mpanao kolikoly”, hoy ihany ity minisitra teo aloha ny Fitsarana ity. Noraisiny ho ohatra amin’izany ny fahitana ireo fananana harena sy ny fandaniana mihoa-pampana nefa tsy mifanaraka amin’ny vola raisiny. Tokony henjehina sy hanaovana fanadihadiana ireny. Ohatra, ireo tsy mandoa hetra, na fadin-tseranana, na ny kolikoly eny amin’ny tsenambaro-panjakana, araka ny nambarany.Synèse R.L’article Fametrahana fanjakana tsara tantana Natsinkafon’Imbiky Anaclet ny kolikoly ao amin’ny fitsarana a été récupéré chez Newsmada.

Hakan’ny depiote fanapahan-kevitra: Minisitra telo teo aloha nanodinkodim-bolam-panjakana
28/10/2020

 Am-perinasa tanteraka ilay vaomiera misahana ny fitsarana avo eo anivon’ny Antenimierampirenena amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny filohan’ny vaomiera, ny depiote Tsabotokay Honoré fa voasaringotra amin’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana sy hosoka, fanaovana hosoka ary koa kolikoly amin’ny tolobaro-panjakana ireo minisitra telo teo aloha ireo. Eo koa ny asa tsy vita nefa ny vola lany. « Ahitana minisitra tamin’ny fitondrana Tetezamita sy ny fitondrana teo aloha izy ireo. Hiakatra eo amin’ny fivoriana azon’ny besinimaro atrehina, amin’ny 17 novambra ny momba azy ireo. Handatsa-bato ny amin’ny hampiakarana azy ireo na tsia eny amin’ny Fitsarana avo natao ho an’ny mpitondra ambony (HCJ) ny depiote amin’io fotoana io ary ho fantatry ny rehetra eo koa ireo minisitra ireo », hoy izy raha nantsoina an-telefaonina, omaly. Nanteriny fa miasa hatrany ny eo anivon’ny vaomiera mandra-pahatonga izany daty izany amin’ny alalan’ny fanadihadiana sy fiantsoana ireo minisitra ireo. Na eto an-tanindrazana na any ivelany, araka ny nambarany.Tsy handray baiko avy amin’iza na avy amin’izaTsy vitan’izany fa tsy maintsy hovitain’ny vaomiera amin’izao fivoriana ara-potoana izao ireo minisitra miisa sivy teo aloha, ambiny anisan’ny ahina ho nanao ny tsy mety teto amin’ny firenena koa.«Hitsara araka ny feon’ny fieritreretanay izahay ary tsy handray baiko na avy amin’iza na iza », hoy ihany ny filohan’ny  vaomiera, ny depiote  Tsabotokay Honoré.Araka izany, hitodika eny Tsimbazaza izany izao ny mason’ny mpanara-bavaovao ato ho ato, manolona ny fanenjehana ireo mpitantana teo aloha, ahina ho nanodinkodim-bolam-panjakana.Synèse R.L’article Hakan’ny depiote fanapahan-kevitra: Minisitra telo teo aloha nanodinkodim-bolam-panjakana a été récupéré chez Newsmada.

Basikety-“Afrobasket 2021”: lalao 6 avy ny hatrehin’ny ekipa tsirairay amin’ny fifanintsanana
29/10/2020

 Antomotra ny fifanintsanana Afrobasket 2021 ho an’ny vondrona A, misy an’i Madagasikara. Iray volana latsaka sisa dia higadona io fotoana io. Raha ny fantatra, lalao miisa enina avy eo no hatrehin’ny ekipa tsirairay, mandritra ny “tournoi” miisa roa hangalana ny tapakila hiatrehana ny Afro basket amin’ny taona ho avy. Ny “tournoi” na “fenêtre” voalohany, izay hahitana lalao miisa telo ny miandry an’i Madagasikara, ny 25 hatramin’ny 29 novambra izao any Kigali Rwanda. Mitaky fanomanan-tena goavana izany satria tsy an-jaza ny fihaonana amin’ireo ekipa mpiray vondrona, hahitana an’i Centrafrique, i RD Congo ary i Tonizia. Eo amin’izay lafiny fanomanan-tena izay, araka ny loharanom-baovao, somary nisy fahabangana kely ny ekipa malagasy teo alohaloha teo, satria tsy afaka niatrika fanazaran-tena i Elly, noho ny tsy fahatomombanan’ny fahasalamany. Araka ny vaovao farany voaray anefa, efa misy fivoarana izay fahasalamany izay ka efa manomboka miverina mikotrana miaraka amin’ny namany i Elly, amin’izao fotoana izao.Tsiahivina, izay firenena telo manana isa ambony indrindra ao anatin’ny vondrona ny hahazo ny tapakila hiatrehana ny Afrobasket 2021. Mbola manana vintana kosa izay laharana fahefatra manana isa ambony indrindra, amin’ny vondrona rehetra. Eo am-pelatanan’i Madagasikara, araka izany, ny vintana kanefa mitaky ezaka hatrany izany.Mi.RazL’article Basikety-“Afrobasket 2021”: lalao 6 avy ny hatrehin’ny ekipa tsirairay amin’ny fifanintsanana a été récupéré chez Newsmada.

Maroantsetra: tratra ny lehilahy iray saika hivarotra basy any Ambilobe
28/10/2020

 Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny CSPD Maroantsetra, ny faran’ny herinandro teo, ny lehilahy iray nahatrarana basy vita gasy miisa dimy. Nahazo loharanom-baovao mialoha ny polisy fa misy lehilahy iray monina ao amin’ny fokontany Ankiakabe, kaominina ambanivohitr’i Maroantsetra no milaza fa manana basy vita gasy maromaro ka mitady mpividy izany izy. Ny fanadihadian’ny polisy koa no nahafantarana fa noho ity lehilahy ity tsy nahita mpividy dia nanana eritreritra ny hitondra ireo basy ireo any Ambilobe izy ka ao indray no hivarotra izany. Manoloana izany indrindra, nandray andraikitra avy hatrany ny polisy ka nanao ny famotorana momba izao raharaha fikasana hivarotra fitaovam-piadiana izao. Nahitam-bokany izany satria, ny alahady teo amin’ny 12 ora antoandro, tratra tao an-tranony ao Ankiakabe ity lehilahy ity. Nosavaina teo anatrehan’ny sefom-pokontany ao an-toerana ny trano fonenany ka basy vita gasy miisa dimy no tratra niaraka tamin’ny fitaovana fanapahana vy miisa roa. Nogiazan’ny polisy ireo fitaovana ireo ary nentina nanaovana famotorana kosa ity lehilahy ity.Jean ClaudeL’article Maroantsetra: tratra ny lehilahy iray saika hivarotra basy any Ambilobe a été récupéré chez Newsmada.

Haintrano teny Manarintsoa Atsinanana: maherin’ny 700 ireo traboina, olona roa naratra
26/10/2020

Nahatratra 740 isa ireo traboina vokatry ny haintrano goavana tetsy Manarintsoa Atsinanana, ny asabotsy atoandro teo. Hatreto, olona miisa roa ihany koa naratra vokatr’izany, raha ny voalazan’ny minisiteran’ny Mponina. Voalaza fa fianakaviana 145 ireo may trano. Ao anatin’izany ireo hazo marobe hotohoton’ny afo sy ireo trano biriky may ihany koa. Taorian’ny loza, tonga nijery ireo traboina ny minisiteran’ny Mponina. Nanolotra fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana ny minisitera sy ny BNGRC. Niaraka aminy ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Croix Rouge, ny lehiben’ny distrika ary ny solombavambahoaka. Tao anatin’izany ny lamba firakotra, ny fanampin-tsakafo sy ny kojakoja fampiasa andavanandro.Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa niainga tamina trano hazo iray teny an-toerana ny afo ny asabotsy teo tokony ho tamin’ny 12 ora. Niitatra tamin’ireo trano teny amin’ny manodidina anefa ny fahamaizana vokatry ny fitsoky ny rivotra. « Nandritra io fahamaizana io, nahatratra 65 ireo trano hazo may, nisy koa ireo trano biriky simba vokatr’izany », hoy ny fanazavan’ny lietnà kolonely Razafimanahaka Tiana, lehiben’ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalàna. Fantatra fa manodidina ny dimy eo ireo trano biriky may raha roa kosa ny simba tanteraka.Sarotra ny famonoana ny afoNanano sarotra ny famonoana ny afo. « Mifanakaiky avokoa ireo trano, eo koa ny fahateren’ny lalana sy ny fahalaviran’ny “bouche d’incendie” », hoy hatrany ny lehiben’ny mpamonjy voina. Nambarany fa naharitra ora roa ny famehezana ny afo, levona tanteraka kosa izany tokony ho tamin’ny 5 ora latsaka fahefany hariva.« Efa niredareda be ny afo ary natao faran’izay haingana ny famoahana ny entana rehetra tao an-trano. Maro amin’ireo entanay ny simba, nisy ny natsipy teny am-baravarakely. Misy koa ireo natsipy tao amin’ny lakandranon’Andriantany », hoy ny fanazavan’i Jaona, isan’ireo traboina. Nambarany fa sarotra koa ny fidirana tamin’ireo trano may ka kilan’ny afo avokoa ny ankamaroan’ireo entany. « Ny akanjo ety an-koditro sisa hany ananako », hoy hatrany ny fitarainan’ilay raim-pianakaviana.Niara-niisalahy ny mponina eny an-toerana namono ny afo, nisy ireo nitatitra ny ranon’Andriantany ho famonoana izany. Ireo mpamonjy voina kosa, niezaka namono ny lelafo sy nifehy izany. Henintsoa HaniL’article Haintrano teny Manarintsoa Atsinanana: maherin’ny 700 ireo traboina, olona roa naratra a été récupéré chez Newsmada.

Haintrano :: Ankizy 4 taona maty irery tao antranon-draibeny
24/10/2020

Maty noho ny fahamaizana tao an-tranon’ny raibeny, tany Ankonabe-Analavory, ity ankizy lahy, 4 taona, afak’ omaly tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Tsy tao antranony itsy raibeny itsy fa nandeha namangy fahoriana tany amin’ny tanàna iray antsoina hoe Andranonatoho, tokony ho efatra kilaometatra miala an’Ankonabe tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Nanomboka tamin’ny 1 ora tolakandro teo ho eo ny firehetan’ny trano, araka ny fitantaran’ireo mponina teo amin’ny manodidina. Potika tanteraka ireo trano roa, izay vita amin’ny biriky ny iray. Samy mitafo bozaka avokoa izy ireo. Isan’ireo potika tamin’io firehetana io ny kahie fanisana omby an’ireo mponina ao anatin’ny fokontany. Lehiben’ny fokontany ao Ankonabe itsy lehilahy raiben’ny zaza namoy ny ainy itsy. L’article Haintrano :: Ankizy 4 taona maty irery tao antranon-draibeny est apparu en premier sur AoRaha.

Karate-Afrika “kata en ligne”: mbola hiatrika fampiofanana ireo voatsonga hifaninana
26/10/2020

Raha ny vinavinan’ny Union des fédérations africaines de karate-do”, hatao ny 13 hatramin’ny 30 novambra izao, ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika “kata en ligne”, sokajy latsaky 14 taona. Vita, omaly, ny fiofanana nomena ireo mpikatroka malagasy, nakana izay hisolo tena an’i Madagasikara, amin’ity fifaninanana ity. Fiofanana nandritra ny roa andro, nahitana ny talentan’ny karateka tsirairay, valo hatramin’ny 14 taona. Araka ny fantatra, miisa efatra isaky ny sokajy ny voatsonga ka mbola homena fiofanana manokana, mialoha ny hakana horonantsary azy ireo, hifaninanana amin’ny mpikatroka manerana an’i Afrika, amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra.Nambaran-dRazafindrakoto Miora, mpandrindra sady mpitsara, fa tafiditra anatin’ny tanjon’ny Ufak izao programa izao, ahafahana mampiseho ny talentan’ny mpikatroka, indrindra ny sokajin’ny ankizy. Hetsika maro ny hotontosaina ka isan’izany ity fiofanana ho an’ny ankizy ity sy ny fikarakaraka fifaninanana hampitain-davitra. Hisy ny fiofanana hampitain-davitra ho an’ny mpitsara, sahanin’ny komisionan’ny mpitsara sy ho an’ny mpanazatra, sahanin’ny komisiona teknika, raha ny fandaharam-potoana manaraka.Tsiahivina fa voatendry ho filohan’ny Union africaine de karate-do”, faritra Atsinanana, ny filohan’ny federasiona malagasy ny karate, Andrianaivomanana Solofonirina Barijaona, ny herinandro lasa teo. Mi.RazL’article Karate-Afrika “kata en ligne”: mbola hiatrika fampiofanana ireo voatsonga hifaninana a été récupéré chez Newsmada.

Fandalovana eto Madagasikara :: Hitety faritra maro ilay mpihira ny “Jerusalema”
27/10/2020

Raikitra fa handalo eto Madagasikara, amin’ny 14 – 22 novambra izao ilay mpanakanto avy atsy Afrika Atsimo, Nomcebo, fantatra amin’ilay hira nalaza tao anatin’ny fihibohana “Jerusalema”. Hiatrika fitetezam-paritra, hanomboka any Sambava handalo an’i Toamasina sy Mahajanga ary hifarana eto Antananarivo, ity mpanakanto vahiny ity, amin’ izao fitsidihany an’i Madagasikara izao, araka ny nambaran’i Bryan, avy ao amin’ny Malagasy MusicEvent mpikarakara hetsika any Eoropa. Hiara-hisalahy amin’izy ireo amin’izany ny Mick Prod’Zik. « Madagasikara, toy ny firenena maro maneran-tany, ka niatrika ny fihibohana. Sahirana ny saina ary tao anatin’izany no nipoiran’ilay hira Jerusalem. Na ny mpianakavy, na ny mpinamana, eny hatramin-dry bebe sy dadabe ary ireo kilonga aza samy faly, nianatra ary niezaka nandihy an’ilay hira avokoa », hoy ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny fikambanana mikarakara an’ity seho ity nanazava ny anton’ny safidy. Hira maro Manana hira maro ity mpanakanto ity, ankoatra an’ilay “Jerusalema”, ka afaka hahazaka sehatra tsara. Na izany aza, hizara sehatra amina mpanakanto malagasy maro izy ka isan’izany ry Black Nadia, Nael, Mad Max, Jerry Marcoss, Tence Mena sy ny maro hafa. Hanomboka ny seho any Sambava, amin’ny 14 novambra, i Nomcebo. Any Toamasina (15 novambra) sy Mahajanga (21 novambra) kosa ny tohiny. Hiakatra etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe indray izy amin’ny 22 novambra, araka ny fandaharam-potoana nofaritan’ny mpikarakara. Mialoha ny hiampitany eto Madagasikara dia hanolotra seho iray any Burkina Faso ity, mpanakanto Afrikana Tatsimo ity amin’ ny 31 oktobra ho avy izao. Hifindra lasy atsy amin’ny nosy Maorisy kosa ny vehivavy amin’ ny 13 – 14 febroary 2021. Hetsika karakarain’ny Malagasy MusicEvent hatrany ireo rehetra ireo, araka ny fanazavana. Misy lalao maro efa miparitaka any anatin’ny tambajotran-tserasera sosialy Facebook hahafahan’ireo mpankafy misitraka fanomezana maro manomboka amin’ny tapakila hijerena ny seho ka hatramin’ny lelavola roa tapitrisa ariary. L’article Fandalovana eto Madagasikara :: Hitety faritra maro ilay mpihira ny “Jerusalema” est apparu en premier sur AoRaha.

Kaominina fito ao Amboasary: omena sakafo ireo olona 70 000 reraky ny hanoanana
24/10/2020

Velom-panantenana fa ho afaka amin’ny tsy fanjarian-tsakafo miteraka hanoanana lalina sy fahiazana ho an’ny ankizy ny ao Amboasary rehefa nahita ny fahatongavan’ny sakafo avy amin’ny Pam. Hisitraka izany ireo kaominina fito ao an-toerana. Tonga tsikelikely any amin’ny distrikan’Am­bo­asary any atsimon’ny Nosy ny sakafo avy amin’ny Pam entina hamatsiana ireo mponina efa reraky ny hanoanana any an-toerana. Miisa 70 000 ireo olona omena sakafo isan’andro ao anatin’ny kaominina fito ao anatin’izany distrikan’Amboasary izany. Anisan’ny misitraka ny sakafo entin’ny Pam ny kaominina Maromby, i Ranobe, i Elonty, i Tomboarivo, i Ma­ro­tsi­raka, i Mahabo ary i Tra­no­maro. Tokantrano miisa 14 000 ao anatin’ireo kaominina ireo no hizarana sakafo. Ahitana vehivavy bevohoka sy mampinono miisa 3 500 ary ankizy eo anelanelan’ny 6 ka hatramin’ny 23 volana tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mivaivay ny hahazo izany. Ity fanampiana vonjimaika entin’ny Pam any atsimo ity dia tohin’ny fanairana voarain’izy ireo indray hatramin’ny herinandro ambony iny. Efa mihatrana eny an-toerana ireo ekipa mpandrindra rehetra mitsinjara izany sakafo mi­tondra hery ho an’ireo mponina any Amboasary izany. Mitondra fanantenana sy hery ho an’ireo olona 70 000 any Amboasary, araka izany, ny fahatongavan’ny fanampi­a­na ary mifandraika amin’ny filana any an-toerana manolo­ana ny hamehana ara-tsakafo mihatra amin’ny mponina. Marihina fa nanomboka ny alatsinainy 19 oktobra, efa nisitraka sakafo mafana ara-pahasalamana mitondra hery ny mponina ao amin’ireo kaominina fito ireo. Any amin’ny fokontany Andavabazaha ko­sa, ankizy efa tena mahia sy reraky ny hanoanana noho ny tsy fahampian-tsakafo any an-toerana no nahazo hery indray rehefa notohanana sakafo. Rehefa nahazo fanairana ny Pam mikasika ireo ankizy marefo tanteraka ireo, nidina nijery haingana sy nitondra ny sakafo mitondra hery. Raha ny tatitra, mahia sy tsy ampy sakafo avokoa ny 41%-n’ny ankizy ao amin’ny kaominina 16 ao Amboasary ka anton’izao hamehana any atsimo izao.Tatiana AL’article Kaominina fito ao Amboasary: omena sakafo ireo olona 70 000 reraky ny hanoanana a été récupéré chez Newsmada.

Fandriampahalemana: hanampy ny tafika ana habakabaka ny firenena japoney
23/10/2020

Nihaona tamin’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka, ny Jly Radona Ratiarivelo Ellis, teny Ambohidahy, ny masoivoho japoney, i Higuchi Yoshihiro, omaly. Nisaotra manokana ity manamboninahitra ity ny masoivoho japoney noho ny fandraisana mahafatra-po natao azy. Voaresaka nandritra ny dinidinika ny hanatevenana ny fiaraha-miasa ara-tafika, indrindra ny mahakasika ny tafika ana habakabaka. Nambaran’ny masoivoho japoney fa samy Nosy i Madagasikara sy i Japon ary samy mitantana fari-dranomasina. Noho izany, niomana tamin’ny fahafahan’ny Tafika ana habakabaka mandray anjara feno amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana an-dranomasina ny resaka nifanaovan’izy ireo. Nohamafisin’i Higuchi Yoshihiro koa fa nahafaly sy nahafa-po azy ny hetsika sy ny firotsahana an-tsehana mivantana nataon’ny tafika nandritra ny ady amin’ny valanaretina Covid-19.Jean ClaudeL’article Fandriampahalemana: hanampy ny tafika ana habakabaka ny firenena japoney a été récupéré chez Newsmada.