Valandresaka nifanaovana tamin’ireo mpanao gazety nandritra ny fandraisana ireo Ambulances teny amin’ny CCI Ivato

News - Santé - Valandresaka nifanaovana tamin’ireo mpanao gazety nandritra ny fandraisana ireo Ambulances teny amin’ny CCI Ivato

News - Santé - Valandresaka nifanaovana tamin’ireo mpanao gazety nandritra ny fandraisana ireo Ambulances teny amin’ny CCI Ivato

Nandritra ny fotoana nandraisana ireo ambulances miisa 06, teny amin’ny CCI Ivato dia nanao valandresaka hoan’ny mpanao gazety ny Minisitriny Fahasalamam-bahoaka, Prof RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis, nitondra fanazavana momba ireo fanomezana ireo sy nisaotra ny Filoha sy ny Praiminisitra, ny mpikambana ao amin’ny Governemanta ary ireo mpiaramiombonantoka.Nandritra izany fotoana izany ihany koa no nanentanany ny tsirairay ny amin’ny fiatrehana ny CORONAVIRUS.

Sary sy Fanadihadiana: SCM/MSANP

Valandresaka nifanaovana tamin’ireo mpanao gazety nandritra ny fandraisana ireo Ambulances teny amin’ny CCI Ivato

L’article Valandresaka nifanaovana tamin’ireo mpanao gazety nandritra ny fandraisana ireo Ambulances teny amin’ny CCI Ivato a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020
Coronavirus  -  COVID19  -  Fahasalamana

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Midi Madagasikara

Reconfinement : Les populations concernées sont à bout de souffle

Bon nombre de gens ont l’impression d’étouffer sous leurs caches-bouches surtout après un long trajet à pied Les mesures restrictives liées à la crise sanitaire empêchent de plus en plus les ménages de …respirer.  « Sokafo aho fa sempotra ». C’est le titre d’une vieille pièce de théâtre qui illustre la situation actuelle avec des populations littéralement asphyxiées par le confinement, tout particulièrement en milieu urbain. Il ressort de l’enquête réalisée par l’INSTAT sur l’impact de l’épidémie de Covid-19 sur les conditions de vie des ménages à Madagascar, que « la plupart des travailleurs urbains sont dans le secteur informel et il n’est pas soutenable pour eux de rester une longue période sans travailler pour subvenir à leurs besoins ». En effet, après avoir bénéficié d’un bol d’air lors de la période de déconfinement, les populations des régions fortement covidées comme Analamanga ont été aussitôt reconfinées après l’explosion du nombre de cas confirmés et l’augmentation des décès. Difficilement applicable. Le reconfinement va probablement se poursuivre pour une nouvelle période de 15 jours allant du 25 juillet au 08 août. Le pic de l’épidémie étant prévu à la fin du mois prochain, le mot d’ordre « Mijanona an-trano » a même de fortes chances d’être maintenu durant deux autres quinzaines, s’étalant respectivement du 08 août au 22 août pour la première ; et du 22 août au 05 septembre pour la seconde. C’est dire que les populations des zones concernées ne sont pas près de sortir du reconfinement qui est somme toute partiel dans la pratique. « Le confinement total est difficilement applicable malgré les mesures prescrites par le gouvernement », selon la conclusion de l’enquête sur l’impact du Covid-19 sur les conditions de vie des ménages.  Pire situation. L’enquête de l’INSTAT vise à « soutenir les efforts du gouvernement  dans la mise en œuvre du plan national de réponse sociale et de relance économique ». Dans cette optique, les ménages attendent les réponses du gouvernement aux impacts du Covid-19 qui se ressentent sur l’emploi, les revenus, l’éducation, la santé, les prix des produits de consommation courante, la sécurité… Y compris la sécurité ou l’insécurité (c’est selon) alimentaire. « La crainte de ne pas avoir assez de nourritures est la pire situation pour 60% des ménages », selon les résultats de l’enquête qui estiment à « 54,4% ceux qui avaient mangé moins ; 55% ceux qui mangeaient la même chose ; et 54% ceux qui avaient faim mais n’avaient pas mangé ». Avec la reconduction indispensable du confinement ou du reconfinement (l’effet est le même), les ménages et les entreprises aujourd’hui à bout de souffle, attendent du gouvernement, un « respirateur ». R. O L’article Reconfinement : Les populations concernées sont à bout de souffle est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Reconfinement : Les populations concernées sont à bout de souffle a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

 Andranomanelatra sy i Manandona: niaiky ny vahoaka fa efa miainga ny  IEM

Misoko mangina, tsy re tsaika.  Efa mandeha ny IEM ary anisan’ny nisitraka izany ireo tantsaha any Vakinankaratra.  Nidina ifotony tany an-toerana ny filoha Rajoelina, omaly.Nihaona mivantana amin’ireo tantsaha nahazo ny fanohanana.“Mipaka aty amin’ny tokantranonay mihitsy, Andriamatoa filoha, ilay IEM », hoy ny renim-pianakaviana tao Andranomanelatra Antsirabe.  Fito  ireo nahazo famatsiam-bola ary kendrena hahatratra 800 ny hisitraka ny fihariana sy homena omby, hatramin’ny faran’ny taona any an-toerana. Nahazoana ronono 5 litatra isanandro ny  ombivavy teo aloha. Maherin’ny 20 litatra izany izao.  “Hisy veterinera maimaimpoana hanaraka ny fahasalaman’ny omby eto amin’ny fikambanan’ny tantsaha Sandratra. Homena fiofanana ianareo.  Afaka mametraka dosie  ireo  tsy mbola nahazo omby…  Efa nampanantena ny Socolait  fa hividy ny ronono”, hoy ny filoha Rajoelina. Nambarany fa mbola hisy koa ny fiompiana akoho sy ny fanomezana lalam-barotra ho azy ireo. Nampanantena  ny  hanampy eo amin’ny fitaovana na vola na koa zezika sy masomboly  ny filoha. Natsidiny koa fa hitsangana tsy ho ela ny orinasa mpanamboatra “Plaque solaire”. Ho avy ny “kits solaires” ka  hahazo izany voalohany ny ao Andranomanelatra.Ho avy ny fitaovana hanamboaran-dalana Ho an’ny tao Manandona kosa indray, misitraka ny tetikasa fihariana ny fianakaviana miisa 20 eo ho eo ary  mamboly velaran-tany 30ha. Eo koa ny fiompiana kisoa matavy. Mamboly vary, ny tongolo, ny ovy, ary legioma koa  izy ireo. « Tokony hijery ny tsena any ivelany ny tantsaha ary tokony ho matihanina fa tsy hijanona amin’ny fambolena sakafo ao an-tokantrano fotsiny”, hoy izy. Notsiahivina ny velirano hanampiana ny tantsaha. Fanoitra lehibe amin’ny fahantrana ny fanampiana ny tantsaha sy ny tontolo ambanivohitra, araka ny nambarany. Hahazo omby maherin’ny 800 ny tantsaha ao Andranomanelatra, mialoha ny faran’ny taona. Hahazo koa ny ao Manandona. Notsiahiviny fa homena fitaovana daholo ny faritra  rehetra.  Anisan’izany ny  “Tracks sy ny Bulls” hanamboarana ny lalana mampifandray ny kaominina. Hahazo fiara fitondrana marary koa ny ao Manandona…Nomena toromarika ny tompon’andraikitra hijery ny fampiasana izany.Synèse R. L’article  Andranomanelatra sy i Manandona: niaiky ny vahoaka fa efa miainga ny  IEM a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Antananarivo: foana ny aretina tazomoka

Mizotra miandalana mankany amin’ny fanafoanana ny aretina tazomoka isika ho fanatanterahana ny voarakitra ao anatin’ny drafitra stratejikam-pirenena 2018-2022.Nampahafantarina teny Androhibe, araka izany, ny fivoaran’ny ady amin’ny aretina tazomoka eny anivon’ny faritra rehetra eto Madagasikara.Eo ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny mpampahalala vaovao hahafantarana marina ny tontolon’ny fahasalamana eto amintsika manoloana ireo vaovao tsy marim-pototra  niely tato ho ato, indrindra eny anivon’ny tambajotra sosialy.Fantatra fa ny distrikan’Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Avaradrano, Ambohidratrimo ary Antsirabe I no nahafoana ny aretina tazomoka, nahitana taha latsaky ny 1 amin’ny arivo (1/1000) ho an’ity taona 2018 ity.Mitohy, araka izany, ny ezaka ataon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny alalan’ny foibe mpitantana ny ady amin’ny tazomoka ho famongorana miandalana ity areti-mandoza ity. “« Malagasy tsy ho fatin’ny tazomoka », izay ny tanjona iraisina”, hoy ny minisitera.Mitondra anjara biriky lehibe ihany koa, eo amin’ny lafiny teknika sy vola amin’ity ady atao amin’ny tazomoka ity ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.Tatiana AL’article Antananarivo: foana ny aretina tazomoka a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé

COVID-19 : Fandaminana ankapobeny ny fandraisana an-tanana ireo marary misy soritr’aretina.

TRANGA TSY MISY FAHASAROTANA (Forme simple): Tsaboina eny anivon’ny CSB II (Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina) sy eny amin’ny CMC-19 Andohatapenaka ary arahi-maso any an-trano (traitement ambulatoire). FANAMARIHANA : Ny eny Anivon’ny « CMC-19 » Andohatapenaka, dia mandray an-tanana vonjimaika ihany koa ireo olona maneho tranga misy fahasarotana (Forme modérée, Forme grave) ary mandefa azy ireo any amin’ny « CTC-19 » na « CHU ». ————————————- « FORME MODEREE» : Ampidirina ka tsaboina any amin’ny: CTC-19 : Ivato (CCO), LTP Alarobia, Palais des Sports Mahamasina, CHRD : CHRD Anosiavaratra, CHRD Itaosy, CHRD Ambohimangakely, CHRD Bongatsara, CHRD Andramasina,CHRD Mahitsy. ————————————- TRANGA MISY FAHASAROTANA (Forme Grave) Ampidirina ka tsaboina eny anivon’ny Hôpitaly Lehibe: CHU Anosiala CHUJRA Ampefiloha CHUJRB Befelatanana, CHU Andohatapenaka CHU Fenoarivo, HOMI Soavinandriana ————————————- VEHIVAVY BEVOHOKA : CHU GOB Befelatànana ————————————- ZAZA LATSAKY NY 15 TAONA : CHUMEA Ambohimiandra ————————————- TOERANA AFAKA HANATONANA MIVANTANA HO AN’IREO OLONA MISY SORITR’ARETINA HANAO FITILIANA (PCR)  CMC-19 Andohatapenaka  CHUJRB Befelatanana  CHUJRA Ampefiloha FANAMARIHANA :  Ny eny Anivon’ny « CMC-19 » Andohatapenaka dia toeram-pangalana singa fotsiny ihany, noho izany tsy mamoaka valim-pitiliana.  Ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina « Covid-19 » taorian’ny fitiliana natao azy dia mahazo antso na « sms » miampy toromarika avy amin’ny « Plateforme ».  HIALANA AMIN’NY FIVEZIVEZENA IZAY MAMPITOMBO NY FIPARITAHAN’NY ARETINA DIA TSY MISY INTSONY NY FAMOAHANA « ATTESTATION » MIKASIKA NY VOKATRY NY FITILIANA « PCR », FA NY « SMS » AVOAKAN’NY « PLATEFORME » DIA MAHASOLO IZANY. Loharanom-baovao: DGMP, DGFS_MSANP Fanadihadiana: SCM/MSANP L’article COVID-19 : Fandaminana ankapobeny ny fandraisana an-tanana ireo marary misy soritr’aretina. a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - News Mada

Shell Vivo energy: tsy mijaly solika intsony ny eny Mahitsy

Notokanana, omaly, ny toby fitsinjaran-tsolika vaovao an’ny Shell eny Mahitsy. Fivarotan-tsolika faha-72 eto amintsika, an’ny orinasa Vivo Energy, manaparitaka sy mivarotra ny vokatra Shell (solika sy ny vokatra samihafa mifandraika aminy) eto Madagasikara.Manamora ny fividianan’ny mpanjifa ny vokatra ilainy, hita ao amin’ity toby vaovao ity, ny fampiasana ny karatra “prépayée Shell Petro+”. Ho an’ny ben’ny Tanànan’i Mahitsy, Rakotovao Andriambololona, “tsy mijaly famatsiana solika intsony ny any Mahitsy satria mitombo ny toby mpaninjara, raha iray ihany no nisy tany amin’ny 10 taona lasa”.Nilaza ny tale jeneralin’ny Vivo Energy, i Mondher Bouhouche, fa endriky ny fandraisan’anjaran’ny orinasa tantaniny amin’ny fampiasam-bola eto Madagasikara ary mitondra fampandrosoana ny firenena izao fotodrafitrasa izao. Marihina fa efa nisokatra ho an’ny mpanjifa teo amin’ny iray volana eo ity toby vaovao ity.Njaka A.L’article Shell Vivo energy: tsy mijaly solika intsony ny eny Mahitsy a été récupéré chez Newsmada.

News - Triatra

Fakana voamaso tany Toliara II : Olona roa hatolotra ny fampanoavana

Habibiana tsy roa aman-tany no mihatra amin’ny mponina ao Toliara II. Miverina mahazo vahana indray ny fakana voamaso any amin’ity renivohitra iray ity. Mampametra-panontaniana ny maro izao zava-misy izao, satria dia efa karazana vonoan’olona tsotr’izao no kendren’ireo olon-dratsy. Mitetika valifaty na koa lonilony no tena mitranga, hany ka mahatonga izao resaka fakana voamason’ankizy mampihorin-koditra izao. Ny zava-misy aloha izany dia tsy vonoina fa ny maso ihany no tena alain’ireo tsy mataho-tody, raha ny tranga efa hita tany amin’iny faritra iny. Raha tsiahivina dia zazalahikely vao enina taona no niharan’ny herisetra nataon’ireo olon-tsy fantatra, tany amin’ny fokontany Ankiliabo, kaomina Ankililoaky, ny zoma lasa teo. Araka ny fanazavana voaray, zaza efa kilemaina izy ity no mbola nanamparan’ireo olon-dratsy ny habibiana, rehefa avy nalaina an-keriny ary noloarana tamin’izany ny voamasony roa. Olona roa avy hatrany no voarohirohy tamin’izany, ary voatazona eny amin’ny zandary amin’izao fotoana izao, raha toa ka mbola manaraka fitsaboana ity farany. Hatolotra ny fampanoavana any Toliara kosa izy ity anio raha tsy misy fiovana. Efa mateti-pitranga ny habibiana tahaka ity, na eto amintsika na any amin’ny faritra hafa. Ny fantatra kosa amin’izao dia efa miverimberina izy ao amin’ny distrikan’i Toliara II. Efa nisy sahala amin’ity ihany koa tany amin’ny fokontany Belavenoka kaomina Milenaka, ny tapaky ny volana janoary lasa teo. Teo ihany koa ilay ramatoa vaviantitra avy naka kitay noloaran’ny olon-dratsy tamin’ny famaky ny voamasony. Hatreto, mandeha ny fanadihadiana hoe inona tokoa izany no tena mampihazakazaka ny olona ao Toliara ao manao ity halatra voamaso ity, izay matetika ireo ankizy no lasibatra? Raha ny tsilian-tsofina mantsy, misy ny milaza fa azo hatao fanafody ihany koa izy itony, tahaka izany ihany koa ny taolam-paty, saingy miharihary fa efa tena mivadika biby ny olombelona mahavita manao izao habibiana izao. Valérie R. L’article Fakana voamaso tany Toliara II : Olona roa hatolotra ny fampanoavana est apparu en premier sur .L’article Fakana voamaso tany Toliara II : Olona roa hatolotra ny fampanoavana a été récupéré chez Triatra.

News - News Mada

Fanambaran’ny UE – «Raharaha Farafangana»: «Aoka hangarahara ny vokatry ny fanadihadiana»

Efa tonga any amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny « Raharaha Farafangana » ka nanindrian’izy ireo ny tsy tokony hahamaty momoka ny tahaka itony. Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Vondrona eoropeanina, omaly, manoloana ny fitifirana nataon’ny mpitandro filaminana ka nahafaty gadra nandositra miisa 20 mahery tany Farafangana. « Manantena izahay fa hizotra araka ny tokony ho izy ny fanadihadiana ary hampahafantarina ny besinimaro ao anatin’ny mangarahara ny vokatr’izany », hoy izy ireo. Nankasitrahin’ny UE ny fanambaran’ny minisitry ny Fitsarana ny hanofakana fanadihadiana momba io raharaha io, ahafantarana ny tena tompon’antoka.Tsy vitan’ny fanorenana fotsiny fonja …Etsy andaniny, notakin’izy ireo ny hanohizana ny ezaka ho amin’ny fampanajana ny zon’olombelona. « Tafiditra ao anatin’izany ny momba ireo efa migadra na koa ireo hazonina am-ponja nefa tsy mbola voatsara. Anisan’ny niteraka ny fandosiran’ireo voanfonja izany », hoy ihany ny UE. Nohitsin’izy ireo koa fa tsy tokony hianona fotsiny amin’ny filazana fa hanorina fotodrafitrasa, fonja ihany. Tokony hovana hatrany ifotony ny resaka fitsarana sy ny rafitra momba izany. Manampy izany ny rafitra sy ny fomba fiasan’ireo mpiandry fonja.Synèse R.L’article Fanambaran’ny UE – «Raharaha Farafangana»: «Aoka hangarahara ny vokatry ny fanadihadiana» a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Tetikasan’ny kaominina Antananarivo :: Hatsangana etsy Anosy ny tsena rihana efatra

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tao amin’ny efitrano malalaky ny lapan’ny tanànan’Antananarivo, tetsy Analakely, ny fivoriana tsy ara-potoanan’ireo mpitantana sy mpanolotsainan’ny tanàna. Isan’ny vinavinan’asa goavana nampahafantarin’ny Ben’ny tanàna, Andriatsitohaina Naina, ny fananganana tsena lehibe manana rihana efatra etsy amin’ny fiantsonan’ny fiara am-pitan’ny lapan’ny Antenimierandoholona etsy Anosy. Lehibe ihany koa ny asa fanavaozana ny tsenan’ny « Coum » eny 67Ha. Fampahafantarana tamin’ ny ankapobeny an’ireo lahadinika kosa no azo amintinana an’ity andro voalohany ity satria hitohy mandritra ny roa andro manaraka ny fandinihana sy fankatoavana an’ireo tetikasan’ny kaominina Antananarivo renivohitra ireo. Nomarihin’ny ben’ny tanàna avy hatrany fa : « tanim-panjakana ny etsy Anosy ka hamahana ny olan’ny tsena no antony hanorenana fotodrafitrasa goavana eny, izay hatokana ho an’ireo mpivarotra ivelan’ny tsena etsy Anosy sy Anosibe » . Ankoatra izay, dia saika mifototra amin’ny fanavaozana ny endriky ny tanàna sy amin’ny lafiny fahadiovana sy fidiovana ny tetikasa maromaro ambiny, hatramin’ny faran’ity taona 2020 ity, miampy ny fametrahana daba fanariana fako dimampolo amby zato manerana an’ireo fokontany, ny famadihana ny Kianjan’ny demokrasia etsy Ambohijatovo ho lasa zaridaina misy dobo sy fambolen-kazo ary ny fanavaozana trano lehibe iray etsy Behoririka. L’article Tetikasan’ny kaominina Antananarivo :: Hatsangana etsy Anosy ny tsena rihana efatra est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kitra: hilalao any Arabie Saoudite i Faneva Ima

Ela ny ela ka nahita klioba hilalaovana ihany i Faneva Ima, kapitenin’ny Barea. Hiala an’i Frantsa ary handeha hamonjy an’i Arabie Saoudite indray, manomboka izao, ny lehilahy. Fantatra mantsy izao fa hilalao ao amin’ny klioban’ny Abha Football Club ny tenany. Tontosa, omaly tany Arabie Saoudite, ny fanaovan-tsonia eo amin’ny roa tonta. Mandritra ny roa taona ny fe-potoana hilalaovan’i Faneva Ima any amin’ity firenena ity. Tsy voalaza kosa anefa ny sandan’izao fifindran-toerany izao sy ny karamany. Marihina fa ekipa diviziona voalohany (D1), any an-toerana, ny Abha.Tsiahivina fa  35 taona izy ankehitriny. Nandritra ny taona maro no nilalaovan’i Faneva Ima, tany Frantsa, toy ny tao amin’ny FC Nantes, ny tao Sochaux, ny tao Clermont Foot 63 ary ny farany, ny tao Le Havre. Hiova kianja hilalaovana mihitsy izany Rakapy, manomboka eto.Marihina fa anisan’ireo mpilalao malagasy mifaninana any Arabie Saoudite, ao amin’ny D1, ihany koa Andriamahitsinoro Andrea Carolus, milalao ao amin’ny Al-Adalh FC. I Carolus izay nandrafitra ny Barea de Madagascar, niaraka tamin’i Ima, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2019), natao tany Egypta, ny volana jolay lasa teo. Anisan’ireo mpamono baolina ho an’ny ekipam-pirenena malagasy ny tenany, nahafaty roa.Hangotraka izany ny fifanandrinan’izy mirahalahy any amin’ity fifaninanam-pirenena saodianina ity. TompondakaL’article Kitra: hilalao any Arabie Saoudite i Faneva Ima a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Chapelle Militaire: nahazo tohana avy amin’ny MDN ny Aomonie Miaramila

  Tsy nataon’ny Foloalindahy ambanin-javatra ny finoana. Porofin’izany ny fananan’izy ireo fitaizam-panahy miisa efatra eo anivon’ny Foloalindahy Malagasy. Tsapan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotonirina Léon Richard ny andraikitra sahanin’ireo Aomonie Miaramila amin’ny fanabeazana ara-panahy ireo miaramila eo anivon’ny Tafika Malagasy sy ny zandarimaria ka nahatonga azy nanolotra fiara 4×4 iray sy fanampiana vola mitentina 6 tapitrisa Ar hoentina hampandehan-draharaha eo anivon’ny fiangonana. Notanterahina nandritra ny fivavahana iraisam-pinoana nataon’ny MDN, omaly teny amin’ny Chapelle Militaire Ampahibe izany. nahatsiaro manokana ireo olona niharam-boina taorian’ny matso teny amin’ny Kianjaben’i Mahamasina izy. Mbola nampanantena ihany koa ny minisitra fa hijery akaiky sy hanatsarana ny fiangonana izay hita fa mila fanavaozana sy fanitarana.Jean ClaudeL’article Chapelle Militaire: nahazo tohana avy amin’ny MDN ny Aomonie Miaramila a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Fidinanana ifotony nataon’ny filoha : « Tsy ho tara amin’ny fampandrosoana ny faritra Sava… »
19/09/2020

Nitohy tany Sambava indray ny fidinana ifotony naton’ny filoha Rajoelina Andry mivady, omaly. Nitokana fotodrafitrasa maromaro ny tenany sady nitondra fanampiana koa. “Tsy ho faritra tara intsony tahaka ny teo aloha i Sava sy i Sambava. Manao fanamby isika fa fotoana hampandrosoana ity distrika ity izao. Tsy maintsy hotanterahina ireo fotodrafitrasa efa nampanantenaina ho an’ny faritra”, hoy izy tany an-toerana. Notokanana tamin’izany ny Hotel des Finances ao Besopaka. Fotodrafitrasa manafaingana ny raharaham-panjakana. Eo ny fanomezana fisotroan-dronono, karaman’ny mpiasam-panjakana, ny hetra sy fadin-tseranana.Nampiasa ny CVO + “gelule”Nankahery sy nanome ny tamby fandrisika ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny Hopitalibe koa ny filoha mivady. Nanolotra fiara tsy mataho-dalana ho an’ny hopitaly, ahitana ireo fitaovana manara-penitra ahafahana haingana mamonjy aina ny tenany. Natolotra koa ireo “extracteur d’oxygène” miisa 50 handraisana ireo marary manana fahasarotana. Voalohany nisitraka ny « gelule CVO + » koa ny any Sambava. “Ho mora atelina sy ampiasaina kokoa ny CVO + mitaha amin’ny tambavy CVO ka antony namoronana azy io”, hoy ny filoha. Nijery ny fanamboarana ny lalana “pavet” sy “beton” eo an-tampon-tanàna sy ny manodidina koa ny tenany.Vatsy tsinjo sy Rakibolana ary kamiaoNotoloran’ny filoha fiara tsy mataho-dalana miisa roa koa ny faritra Sava ka ho an’ny distrikan’Andapa sy i Sambava izany. Manampy ireo ny “ca­mion benne” sy “benne” miisa dimy ho an’ny kaominina Sam­bava. Nifarana tamin’ny fanolorana Vatsy tsinjo avy aminy sy ny fanolorana milina fanjairana ary ny fizarana Rakibolana ho an’ny kilasy T5 sy T9 ny fitsidiham-paritry ny filoha mivady tao Sambava.Synèse R.L’article Fidinanana ifotony nataon’ny filoha : « Tsy ho tara amin’ny fampandrosoana ny faritra Sava… » a été récupéré chez Newsmada.

Ady amin’ny valanaretina :: Haverina eny amin’ny tobim-pahasalamana ny fitsaboana ny Covid-19
21/09/2020

Omeo an’i Kaisara izay an’i Kaisara. Tapa-kevitra ny hamerina ny raharahampitsaboana eny anivon’ireo tobim-pahasalamana manerana ny Nosy ny fanjakana malagasy amin’izao dimy ambin’ny folo andro faha-15 ho an’ny hamehana ara-pahasalamana izao, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny fandaharana manokana tao amin’ny Fahitalavi-pirenena, omaly. « Hofoanana, tahaka ny teny Ivato sy Alarobia, ihany koa ny ivon-toeram-pitsaboana (CTC) eny amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ka haverina eny amin’ny tobim-pahasalamana ny fitsaboana. Mitsahatra ihany koa ny asan’ny Borigady vonjitaitra manokana (BIS), nisy an’ireo miaramila nirotsaka teny an-kianja », hoy izy. Ankoatra izay dia hirosoana hatrany ny fampianarana ny Malagasy hiarahiaina amin’ny valanaretina Covid-19, amin’ny fampanajana an’ireo fepetra rehetra efa napetraka hatramin’ny dimy ambin’ny folo andro voalohany. « Voalohany amin’ izany ny tsy maintsy hanaovana aron-tava, ny fanajana an’ireo fihetsika misakana ny aretina ary ny fanasana tanana matetika. Mahavoasazy ny tsy fanajana izany », hoy izy. Efa manomboka miverina tanteraka amin’ny fiainana andavanandro ny olona saingy tsy mbola tena malalaka. « Hiverina tsikelikely amin’izany isika saingy mila miara-mientana kosa hanafoanana tanteraka ny valanaretina eto Madagasikara », hoy hatrany izy. Na izany aza anefa dia mbola voarara ny fivezivezena amin’ny alina, manomboka amin’ny 12 ora alina hatramin’ny 4 maraina, ho an’ny faritra Analamanga sy Diana. « Mihatra kosa ny fepetra manokana avy amin’ny ivontoeram-pibaikoana rejionaly, arakaraka ny fivoaran’ny toedraharaha », raha ny filazany. Mbola voarara ny famadihan-drazana, manerana ny Nosy. Isan’ireo fepetra noraisina ihany koa ny fanokafana an’ireo lalam-pirenena rehetra manerana ny Nosy ho an’ireo taksiborosy. «Amin’ny sabotsy 26 septambra no afaka miasa ireo fiara fitateram-bahoaka avy eto Antananarivo mihazo an’Antsiranana sy ny faritra Sava », hoy ny Praiminisitra. L’article Ady amin’ny valanaretina :: Haverina eny amin’ny tobim-pahasalamana ny fitsaboana ny Covid-19 est apparu en premier sur AoRaha.

Nitombo 1992 ny isan’ny efitrano fanadinana: tsy mihoatra ny 50 ny mpiadina iray efitra amin’ny BEPC
21/09/2020

Tsy mahazo mihoatra ny 50 ny isan’ny mpiadina anatin’ny efitrano fanadinana iray ho an’ny BEPC, ary nampitomboina 12 noho izany ny foibem-panadinana ary 1992 ny efitrano handraisana ny fanadinana amin’ity taona ity, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fanabeazana, i Sahondrarimlala Marie Michelle. Efa notsinjaraina isaky ny faritra ny fitaovana arotava sy ny gel ho an’ny foibem-panadinana ho an’ny mpiadina sy ny mpiasa rehetra mampihodina ny fanadinana BEPC. Tokony ho afaka miatrika ny fanadinana avokoa ireo rehetra voasoratra anatin’ny lisitra ary ny taratasy fiantsoana tsy azon’ny talen-tsekoly giazana fa azo vahana ny olana aorian’ny fanadinana. Nitaraina anefa ny tompon’ny sekoly tsy miankina fa lasa manararaotra ny ray aman-dreny ka manery ny tale hanome ny taratasy fiantsoana ho an’ny zanany na tsy nahaloa ny saram-pianarana volana maro aza. Tsy mandalo eny amin’ny sekoly intsony izy ireo manefa ny trosa aorian’ny fivalian’ny fanadinana ka lasa mibaby vesatra ny tompon-tsekoly. Ny minisitera mpiahy koa tsy manome na tohana kely aza tao anatin’ny fihibohana ho an’ny mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina, hoy ny tale nasionalin’ny sekoly miahy tena Association des instituts laïques pour l’éducation (AILE), Rakotomalala Célin. Nohamafisiny fa lasa miady irery ny sekoly tsy miankina ary tsy vitsy no nampiato ny asany ka tsy handray mpianatra intsony.Hiatrika ny taranja Malagasy sy ny tenim-pirenena hafa ho an’ny mpiadina tsy manao malagasy ny tapany maraina, hitohy amin’ny SVT ny hariva. Mbola haharitra hefarana ny BEPC.Vonjy A.   L’article Nitombo 1992 ny isan’ny efitrano fanadinana: tsy mihoatra ny 50 ny mpiadina iray efitra amin’ny BEPC a été récupéré chez Newsmada.

Fanamboarana ny kianja Barea :: Vita 90% ny fototry ny « gradins » etsy Mahamasina
17/09/2020

Miditra amin’ny fananganana ny fototra ambony ho an’ny toeran’ny mpijery na ny «gradins» vaovao ny asa ao amin’ny kianja Barea, etsy Mahamasina, amin’izao fotoana izao. Fantatra fa ny sivifolo isan-jaton’ny asa fanamboarana ny  fototra (midina telopolo metatra ambanin’ny tany) miisa roa amby fitopolo amby zato no efa tontosa. Mandroso miaraka amin’izay ny fitarihandrano. Navily lalana ao anatin’ny asa mandeha ankehitriny izany ka lasa mizara manodidina ny kianja, raha namakivaky tao ambanin’ny kianja filalaovana ny fantsona lehibe mitondra ny rano avy any amin’ny faritra ambonin’i Mahamasina (Andohalo, Tsimialonjafy) mankany Anosy. Kendrena ho azo ampiasaina alohan’ny 14 oktobra 2020 kosa ny « tribune », rehefa nisedra fahatarana fanavaozana azy noho ny Covid-19.  Manodidina ny fitopolo isan-jaton’ny rafitry ny « tribune » ivelany no vita. Eo amin’ny rihana fahatelo, amin’ny rihana efatra ny fanamboarana, ankehitriny. Efa voarafitra manaraka ny fenitra ny fantsona ho an’ny jiro sy ny rano, ho an’ny ao anatiny. Voaomana ihany koa ireo  efitrefitra samihafa, toy ny birao sy toeram-panomanana isankarazany, ny toeram-pivoahana ary ny tohatra. Mandritra ny fotoanan’ny orana no hamitana ny pitsopitsony anatiny rehetra. Bozaka voajanahary Anisan’ny fepetra takian’ ny FIFA amin’ny fanamboarana kianja manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny fiarovana ny mpijery. Hisorohana ny fifanosehana miteraka faharatrana sy ny fahafatesana olona amina lalao na fotoana lehibe no tanjona. « Hisy tohatra fidirana lehibe roa hatsangana amin’ny sisin’ny « tribune » ka hitondra avy hatrany ny mpijery ao amin’ny rihana voalohany. Mirefy 726m avy ireo ary mahazaka olona 2 904, miara-miditra na miara-mivoaka », hoy Andriamanohisoa Gérard, mpikambana ao anatin’ny komity misahana ny asa fanavaozana ny kianja. Eo am-pifantenana ny orinasa hanatanteraka ny fanavaozana ny kianja filalaovana kosa, ny orinasa sinoa CSCOD, izay miandraikitra ny fanamboarana ny Kianja Barea. Bozaka voajanahary no hatao hilalaovana eo Mahamasina, saingy misy fomba fanondrahana avy any ambanin’ny tany. Vinavinaina amin’ny volana desambra ho avy izao ny fametrahana ireo fantsona fanondrahana any ambanin’ ny tany. Aorian’ny fotoampahavaratra manaraka eo kosa no hanomboka hampitsiry ny bozaka. L’article Fanamboarana ny kianja Barea :: Vita 90% ny fototry ny « gradins » etsy Mahamasina est apparu en premier sur AoRaha.

COVID-19: Situation du 17 Septembre 2020
17/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Situation du 17 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Madagascar compte actuellement 15925 contaminations selon le rapport journalier sur l’évolution du covid-19 annoncé ce jeudi 17 septembre. Au cours des dernières 24 heures, 54 personnes sont diagnostiquées positives au coronavirus sur les 595 tests effectués. Ces nouveaux cas sont localisés dans 8 différentes régions: 13 cas à Alaotra Mangoro, 11 cas à Menabe, 10 cas à Analamanga, 9 cas à Diana, 5 cas à Sava, 3 cas à Matsiatra Ambony, 2 cas à Boeny et 1 cas à Vatovavy Fitovinany. Le CCO a également communiqué que 65 patients ont recouvré la santé, portant à 14547 le nombre total de guérisons soit plus de 91%. De ce fait, 1160 malades sont actuellement en cours de traitement dont 25 développant une forme grave. Officiellement, le territoire malagasy compte 216 décès dont un signalé ce jour.L’article COVID-19: Situation du 17 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Famerenan-kasina an’Antananarivo: niofana mialoha ny hidinany eny an-kianja ireo hanentana ny CMH
23/09/2020

Efa maka bahana. Niofana momba ny fampahafatarana ny fihezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana (CMH) ireo tompon’andraikitra isan-tokony. Nisokatra, omaly etsy amin’ny lapan’ny Tanàna, Analakely, izany. Anisan’ny niatrika izany ny solontenan’ny Zandarimariam-pirenena, ny lehiben’ny kaomisaria avy amin’ireo boriborintany enina, ny eo anivon’ny Bianco sy ireo tale mpitantana ao amin’ny CUA.Fanentanana sy fisorohana ny kolikolyMiompana amin’ny fampahafantarana ny CMH sy ny fanentanana ary ny fisorohana ny kolikoly amin’ny fampiharana ilay fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana ny votoatin’ny fiofanana. Ahitana sokajy miisa 12 ireo mpiofana ka niditra an-tsehatra nanomboka, omaly, ny andiany voalohany, miisa 125, saingy nozarana roa izany noho ny hamehana ara-pahasalamana.Hitohy eny amin’ny BMH Isotry ny fampiofanana, ahitana mpandray anjara miisa 500 ka hozaraina andiany 50 isa avy. Anisan’ny handray anjara amin’izany ireo sefo fokontany rehetra, ny lehiben’ny tsena eo anivon’ny CUA, ny tompon’andraikitra ny fitaterana eto Antananarivo Renivohitra, ny mpiandraikitra eny anivon’ny CSB II. Manampy ireo ny “inspecteur d’hygiène” sy ny “inspecteur de voirie” miaraka amin’ireo polisy monisipaly sy ny polisim-pirenena.Fakan-kevitra sy adihevitra eny ifotonyNa izany aza anefa, nitondra fanazavana ny mpanolotsain’ny ben’ny Tanàna, Rasaony Pascal. “Mbola hisy fakan-kevitra ataon’ny CUA eny ifotony. Eo koa ny ady hevitra momba ny CMH eny anivon’ny birao ho an’ny boriboritany ka andraisan’ireo olom-pirenena anjara”, hoy izy.Tsiahivina fa efa nisy ny CMH ny taona 1960 ho an’ny kaominina manerana ny Nosy. Narafitra ho boky izany ny 27 aogositra 2013, ahitana andininy miisa 103. Nohatsaraina kosa ny andininy miisa 20 amin’ireo 103, ny volana mey 2020.Synèse R.L’article Famerenan-kasina an’Antananarivo: niofana mialoha ny hidinany eny an-kianja ireo hanentana ny CMH a été récupéré chez Newsmada.

Fomba mahomby hanimbana ny teny malagasy: mila mitandrina amin’ny fampiasana ny “facebook”
18/09/2020

Toa zary lasa mahazatra ny Malagasy ny mahita ny teny malagasy diso fanoratra ao anatin’ny “facebook”. Vitsy dia vitsy ny manitsy ny diso fa mitazam-potsiny ny ankamaroany. Nahitsy be kosa ny fanehoan-kevitra nataon’i Arikaomsa Randria, omaly. “Ity FB ity no fomba mahomby indrindra hanimbana ny fomba fanoratra teny malagasy”, hoy izy. Ankoatra ireo fanafohezan-teny teraka noho ny hakamoana, mbola ao ihany koa ireo mpanao tandrametaka amina fanoratana ny teny malagasy amina fomba fiteny vahiny. Tahaka ny “olona” manjary “oul”, sns.Mila mitandrina fatratra amin’ny fampiasana ny teny malagasy ifaneraserana sy ifampitan-kevitra ao anaty “facebook” ny Malagasy. Maro loatra ny fahadisoana tazana amin’ny teny malagasy ao anatin’izany tambajotran-tserasera anisan’ny be mpampiasa indrindra eto ambany masoandro izany. Raha vao miparitaka sy mivelatra be tahaka izany anefa ny sehatra itenenana na anoratana, mila mitandrina ny tsirairay!Mety ho azo adika ho tsy fahafehezana ny tenindrazana ihany koa ny fitobahan’ireny fahadisoana amin’ny fomba fanoratra ny teny malagasy any anaty “facebook” ireny. Tranga mahamenatra manoloana ny “fandrosoana”. Ny toknolojia sy ny fampiasana azy, ilingiligiana kanefa ny tenin’ny tena alefa ao anatiny, diso avokoa ny ankamaroana. Mihaingo ambony tsikoko!HaRy RazafindrakotoL’article Fomba mahomby hanimbana ny teny malagasy: mila mitandrina amin’ny fampiasana ny “facebook” a été récupéré chez Newsmada.

Valo ny tranga vaovao eto Analamanga, tsy nisy ny lavo
24/09/2020

Miisa 31 ireo tanga vaovao tamin’ny fitiliana vita miisa 257, araka ny antontanisa, navoakan’ny CCO, omaly. Avy eto Analamanga ny valo amin’izany raha 10 ny avy any Diana. Miisa dimy ireo nifindran’ny valanaretina any Vatovavy Fitovinany ary enina ny any Alaotra Mangoro. Iray avy kosa ny any Itasy sy any Matsiatra Ambony.Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Mijanona ho 226 ireo lavon’ny valanaretina eto amintsika hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty. Tsy niova koa fa miisa 20 ireo anaty fahasarotana. Na izany aza, miisa 45 ireo sitrana ka maro anisa amin’izany ny any Boeny, miisa 15. Tafakatra 14 788 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo mitondra ny tsimokaretina miisa16 167. Mbola maherin’ny 1 000, miisa 1 151, ireo mbola tsaboina sy arahi-maso ny toe-pahasalamany.Miisa 68 564 ireo fitiliana PCR vita raha 7 289 kosa izany ho an’ny fitiliana GenExpert.Synèse R.L’article Valo ny tranga vaovao eto Analamanga, tsy nisy ny lavo a été récupéré chez Newsmada.

“Z’art Manankasitsara”: hizara maimaimpoana ny talentany Rabefitia
18/09/2020

Ho tazana ao avokoa na ny teny, na ny soratra, na ny zaitra, na ny mozika… Hanatanteraka ny “Z’art 2020”, etsy amin’ny sekoly Cendrillon Soavimasoandro, ny asabotsy 19 septambra izao manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, i James Rabefitia. Hetsika fanao isan-taona izy ity ary andiany fahatelo ito nampitondraina ny lohateny hoe “Z’art Manankasitsara” ito. “Raha hadika tsotra io dia hoe hizara ho an’i Madagasikara”, raha ny nambaran’i James Rabefitia, mpikarakara ny hetsika “Z’art 2020”.Nozaraina efatra ny hetsika tontosaina ao anatiny ka samy hahazo ny anjarany avokoa ny rehetra. Raha ny fandaharam-potoana, ny tamin’ny asabotsy voalohany (asabotsy heriny teo), ho an’ny« Taninketsa », zaza telo taona hatramin’ny 13 taona. Ny faharoa, « Tsimoka », ho an’ny tanora 14 taona ka hatramin’ny 21 taona, hotanterahina ny asabotsy izao. Ny fahatelo, ho an’ny sokajy « Felana », ahitana ny 22 taona ka hatramin’ny 35 taona. Ny fahefatra kosa, sokajy “Vony”, natao ho an’ireo zokiolona sy ray aman-dreny.“Tsy hisy olona ho lany fotoana amin’ny fahavelomany fa tokony hahafantatra ny fisiany amin’ny maha olombelona azy izy. Izany hoe, hanitatra ireo talenta sy fikarohana efa ao anatiny”, araka ny nambaran’i James Rabefitia, raha nanazava ny tanjony amin’ny fizarana ny mahasoa ny mpiara-belona izao.Marihina fa hetsika natao ho an’ireo olona tsy manana fahafahana hianatra sy hanatevim-pahalalana noho ny tsy fahampian’ny eo am-pelatanana ny “Z’Art Manankasitsara”. Maimaimpoana tsy misy fandraisana anjara.Narilala sy HaRy Razafindrakoto L’article “Z’art Manankasitsara”: hizara maimaimpoana ny talentany Rabefitia a été récupéré chez Newsmada.

Tambajotran-tserasera: niakatra ny vola kirakiraina
23/09/2020

Nampihodina vola 1 246,367 Ariary, niakatra ho 22,46 % ny vola kirakirain’ny tambajotran-tserasera rehetra eto Madagasikara, ny taona 2019, raha oharina ny taona 2018, araka ny tarehimarika navoakan’ny Artec (Autorité de régulation des technologies de communication). Ny sersera amin’ny antso sy ny sms no mitana ny loharaharana amin’izany, manome 528,378 Ariary, na nitombo ho 4,94% raha ampitahana ny tamin’ny 2018.Ny sampana Data kosa, nitombo 23,74% ny tamin’ny 2019, araka ny fanazavan’ny Artec. Noho ny fitombon’ny fampiasana “fibre optique” tamin’ny 2019 ny nahatonga izany. Nampiditra 270 miliara Ariary ny Data tamin’io fotoana io.Miroborobo, araka izany, ny tambanjotra ny fifandraisan-davitra. Ny foibe fiantsoana Towerco, ohatra, nampiditra 214 miliara Ariary, niakatra ho 228 % nandritra iny taon-dasa iny. Azo lazaina fa sehatra tsy nianjadian’ny Covid-19 ny fifandraisana. R.MathieuL’article Tambajotran-tserasera: niakatra ny vola kirakiraina a été récupéré chez Newsmada.

Nieren-doza ilay fivarotan-tsolika: trano 15 levon’ny afo avy amin’ny… taim-bankona
22/09/2020

Trano miisa 15 no indray kila hotohoton’ny afo, omaly tamin’ny 10 ora maraina tao Mangarano Toamasina, mifanila amin’ny tobin-tsolika iray. Taim-bankona niainga avy ao amin’ny toeram-piompiana akoho matavy no nitarika ny firehetana…Loza iray, loza roa…! Saika izany hatrany no hita tato ho ato izay, na lozam-pifamoivoizana io na haintrano goavana. Raha ity zava-nitranga tao Toamasina, omaly ity, niainga avy tamina afona taim-bankona ao amin’ny trano fiompiana akoho matavy no pitik’afo nampijoalajoala ny afo, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny mpamponjy voina ao Toamasina, ny Kly Charles Desiré. Nisoko mangina tao anaty taimbankona ny afo ka nahazo ny fitaovana tao an-trano ka nampiitatra ny afo. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ireo niharam-boina satria nalaky ny fiitaran’ny afo. Saika zava-doza ny fisian’ny tobin-tsolika iray teo akaikin’ireto trano nirehitra ireto. Samy nanao izay ho afany ny teo amin’ny manodidina nifanome tanana tamin’ny mpamonjy voina mba tsy hiitaran’ny afo. Voafehy ihany anefa ny izany ka tsy tonga tany amin’ny faritra misy ny tobin-tsolika. Ankoatra, ny fanafihan-jiolahy mitam-pidiana mahery vaika, isan’ny mampalaza ny faritra Atsinanana ny fisian’ny haintrano matetika any an-toerana. Ho an’i Toamasina manokana, tato anatin’ny volana septambra ity, indroa nisehoana haintrano goavana tany an-toerana. Miisa 18 tafo ireo trano nirehitra tao anatin’izay 21 andro izay, nahitana traboina miisa 123 raha antapitrisany maro kosa ny entana lasa lavenona.Sajo sy J.CL’article Nieren-doza ilay fivarotan-tsolika: trano 15 levon’ny afo avy amin’ny… taim-bankona a été récupéré chez Newsmada.

Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: «Hametraka Antananarivo madio sy milamina isika»
17/09/2020

Hampahafantarina ny rehetra, anio, etsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely ny “Lalàna amam-pitsipika mifehy ny fahadiovana – CMH). Iarahan’ny CUA miasa amin’ny Friedrich-Ebert-Stiftung(FES) izany amin’ny alalana fifanaovan-tsonia fiaraha-miombona antoka eo amin’ny roa tonta. “Tonga ny fotoana hametrahana an’Antananarivo sy hamerenana ny hasina ka ho tanàna madio, mazava, milamina ary maoderina”, hoy ny fanambaran’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina.Tsy fotoan’ny gaboraraka sy tsy fanajana lalàna…Nohitsiny fa niainan’ny mponina Antananarivo nandritra ny fotoana maro ny korontana, ny kolikoly, ny fitohanan’ny fifamoivoizana, ny gaboraraka, ny fanorenana tsy ara-dalàna, ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy fanajana lalàna… “Tanànantsika ity sady Renivohitr’i Madagasikara ka tsy azo ekena intsony izany”, hoy ihany izy.Araka izany, hisy ny fampitaovana samihafa sy fanofanana ary fanentanana, hotanterahina anio, mifandraika amin’izany fahadiovana amin’ny lafiny rehetra izany.Fanambin’ny CUA ny fahadiovanaHo fantatra eo koa ireo lalàna sy fitsipika mifehy izany fahadiovana izany. Ny fizarana ny andraikitry ny tsirairay satria fanamby ho an’ny CUA ny fahadiovana. Tsy maintsy jerena sy apetraka miaraka amin’izany ny rafitra hampiharana ny CMH.Synèse R.L’article Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: «Hametraka Antananarivo madio sy milamina isika» a été récupéré chez Newsmada.