Valanaretina Covid-19: olona vaovao 36 mitondra ny Coronavirus eto Analamanga

News - Valanaretina Covid-19: olona vaovao 36 mitondra ny Coronavirus eto Analamanga

News - Valanaretina Covid-19: olona vaovao 36 mitondra ny Coronavirus eto Analamanga

Olona iray matin’ny Covid-19 ny
alarobia teo tany Matsiatra Ambony. Nisy olona vaovao 54 kosa
voaporofo fa mitondra tsimokaretina Coronavirus tamin’ireo 517
nanaovana fitiliana. Teto Analamanga avokoa ny 36 amin’ireo ary any
Matsiatra Ambony ny fito, efatra hafa any Anosy. Roa kosa ny any
Boeny ary iray avy ny any amin’ny faritra hafa. Mbola misy olona 93
tratran’ny tranga fahasarotana marary mafy eny amin’ny hopitaly ary
manaraka fitsaboana akaiky. Nisy anefa ireo 28 sitrana rehefa
nahavita tanteraka ny fitsaboana azy.

 

Article tiré de Newsmada

L’article Valanaretina Covid-19: olona vaovao 36 mitondra ny Coronavirus eto Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 11/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Oniversiten’i Fianarantsoa : mitokona  ireo mpandraharaha  

Herinandro tamin’ny alakamisy lasa teo no nanao fitokonana fanairana ny tomponandraikitra ireo mpandraharaha ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa.Nanomboka ny volana janoary teo, misy fahatarana hatrany ny fahatongavan’ny karaman’ny mpiasa eny anivon’ny banky. Raha tokony ho isaky ny faha-20 ny volana diavina no mandray vola izy ireo, tsy izay ny zava-mitranga. Ny volana marsa vao nisitraka ny karama febroary sy marsa ireo mpiasa ary tsy mbola nahazo ny karama avrily sy mey hatramin’ny omaly, hoy ny mpitondra tenin’ny cellule de crise any an-toerana, Ralambozafy Damenja, omaly. Ny tena olana, mindram-bola any amin’ny banky avokoa ny 80%-n’ny mpiasa ka misy ny sazy manodidina ny 60 000 Ar isam-bolana raha vao tara ny fahatongavan’ny vola ao amin’ny kaontin’ny mpiasa tsirairay. Tokony honeran’ny fanjakana izany sora-bola noesorina tamin’ny karaman’ny mpiasa izany satria tsy avy amin’izy ireo ny anton’ny fahatarana. 500 latsaka kely ireo mpiasa voakasiky ny tsy fandraisana karama ary efa nisy ny namoy ny ainy. Hanidy ny sampandraharaha misahana ny bakalorea izy ireo, anio, hanehoana fa tsy handefitra intsony. Tsy mbola tonga ny vola… Tokony hihodina hikirakira ny antontan-taratasy samihafa ny mpiasa ao amin’io sampandraharaha io ka hikatso avokoa izany. Tsy hiverina hisokatra ny birao raha tsy mandray karama avokoa ny mpiasa rehetra. Ny minisitra koa mangina tsy ahazoam-baovao momba ity raharaha ity. Nanambara ny filohan’ny oniversite fa tsy mbola tonga any Fianarantsoa ny karama fa mbola aty amin’ny foibe ka tsy afaka hanao na inona na inona ireo tomponandraikitra.Vonjy A.L’article Oniversiten’i Fianarantsoa : mitokona  ireo mpandraharaha   a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Attaque meurtrière à Faratsiho : huit morts, deux maisons incendiées

 La nuit du  vendredi dernier vers 23 heures, des bandits munis d’un FC et de plusieurs armes blanches à causer la mort tragique de toute une famille à Ankidaondrano, dans la commune rurale d’Ambohiborina, district de Faratsiho. Le drame s’est produit pendant que les dahalo ont incendié deux maisons de leur victime. Ils ont entré par la force dans la maison de leur victime. Armés, ils ont terrorisé les membres de la famille et l’obligent de leur donner tous les objets de valeurs dans la maison. Sans défense, les victimes se laissent faire et font ce que les bandits leur demandent.  Après avoir tout saccagé, avant de quitter les lieux, les dahalo ont brûlé deux maisons d’habitation. L’incendie fait huit morts dont un père de famille, son épouse et leur enfant. Un homme a aussi été tué par balles. Dès que la gendarmerie a su la nouvelle, vers deux heures du matin, une dizaine de gendarmes se sont dépêchés sur place. Un représentant de la mairie et un responsable de la santé étaient présents sur les lieux pour constater les faits. A leur arrivée, les fokonolona ont procédé à l’enterrement des victimes tout en respectant les formalités requises. Selon les informations, les enquêteurs ont déjà un suspect. Ils soupçonnent une attaque commanditée par un homme qui a eu un antécédent criminel. Cet individu est fortement soupçonné suite à une audience passée le mois de novembre dernier au tribunal d’Antsirabe pour acte de banditisme contre les victimes actuelles. Cette personne a été placé sous mandat de dépôt avec son complice après décision du juge. Pour sécuriser lieux,  les éléments de la gendarmerie ont effectué une opération de ratissage. Par ailleurs, un contrôle physique à la maison centrale d’Antsirabe a été réalisé dans le cadre de l’enquête. Cette action a permis de constater que les deux personnes condamnées citées in supra ne sont pas à l’intérieur de la prison mais au camp pénal de Mahandraza. En conséquence, l’investigation continue  pour mettre la lumière sur ce drame. Yv Sam L’article Attaque meurtrière à Faratsiho : huit morts, deux maisons incendiées est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Attaque meurtrière à Faratsiho : huit morts, deux maisons incendiées a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Kolo anaka: ny tsara ho fantatra momba ny androbe

(Fizarana faha 6)18 – Amin’ny maha « Neuropsychiatre » anao, inona no torohevitra ho an’ny vehivavy voan’ny androbe nefa te hanan-jaza ?Alohan’ny hanapahan-kevitra fa hanan-janaka dia tokony hanatona mpitsabo matihanina ny vehivavy manana io aretina io. Ny dokotera (neurologue) miara-miasa amin’ny mpitsabo mpampivelona (gynécologue-obstétricien) no mandanjalanja ny mahamety na tsia ny fitondrana vohoka na ho an’ny reny na ho an’ny zaza vao hiforona.Ankoatra ny fanadihadiana ara-medikaly, dia tontosaina koa ny fitsapana sy ny fizahàna manaraka programa maty paika.Misy karazana krizy sasan-tsasany sy soritr’aretina mety ampihemotra ny fitondrana vohoka. Misy fanafody sasany fitsaboana ny androbe tsy azo omena ny vehivavy mitondra vohoka. Ankoatra izany, ny fitondrana vohoka dia tranga manokana hafa mihitsy ka tokony harahi-maso mitokana. Ny tanjona ho an’ny mpitsabo (Neurologue) dia ny fampiasana fanafodin’ny aretina androbe mandaitra nefa amin’ny daozy faran’izay ambany sady tsy misy fiantraikany rahateo amin’ny fahasalaman’ny reny sy ny fitomboan’ny zaza. Eo no anisany tena ilàna fatra manara-penitra eo amin’ny fanafody fitsaboana ny Androbe ka amin’ny ra no refesina izy io (dosage sanguin). Ny fanomezana fanafody dia miankina ihany koa amin’ny fahafaha-manao sy ny enti-manana eo amin’ny marary. Io dia hialana amin’ny tsy fihinanan’ny marary ny fanafody izay omen’ny dokotera azy. Misy fanaraha-maso samihafa arakaraka ny fitomboan’ny vohoka hisorohana izay mety ho aretina na koa mety hampisy fahasamponana eo amin’ny zaza vokatry ny fampiasana fanafody fitsaboana ny androbe. Tsy hadino koa ny mety fiantraikan’ny fanafody sasany eo amin’ny zaza minono ka tokony hotandremana fatratra.Tena zava-dehibe tsy azo hodian-tsy hita ihany koa ny fanaovana fizahàna amin’ny alalan’ny ekografia, mandritra ny dingana rehetra eo amin’ny fitomboan’ny zaza am-bohoka mba hisorohana ny tsy fahalavorariana. 19 – Tokony hanaraka fombam-piainana ara-pahasalamana manokana ve ny olona voan’ny androbe ?Araka ny efa voalaza, ny androbe dia vokatry ny karazana fihetsehan’ny herin’aratra tsy manaraka ny tokony ho izy ao anatin’ny ati-doha. Izany dia avy amin’izay rehetra mety manakorontana ny fiasan’ny sela ao amin’ny atidoha ao. Anisan’ny antony manamora ny fitrangan’ny krizy, dia ny tsy fihinanana fanafodin’androbe eo amin’ireo marary, eny na dia indray mandeha fotsiny aza. Ny fihinanana fanafody izany dia tokony ho lasa fomba aman-panao mahazatra andavanandro. Ny tsy fahampian’ny tori-maso, indrindra fa raha miverimberina dia vao mainka mety manakorontana ny fomba fiasan’ny selan’ny atidoha. Ny zavatra rehetra izay tafahoatra ka manelingelina ny fiasan’ny atidoha dia mety miteraka krizy eo amin’ny olona efa voan’ny androbe. Mety mifanampy koa ny korontana samihafa, toy izany ny adin-tsaina diso tafahoatra (alahelo, hafaliana, fahatezerana…) na koa ny fisotroan-toaka, ny fandraisana zavamahadomelina sy ny fihinanana fanafody sasan-tsasany. Ny marary koa dia samy manana ny mampiavaka azy ka mety misy toe-javatra manokana mora mampihetsika ny kriziny. Anjaran’ny manodidina azy no manampy sy manazava aminy fa tokony ho lanjalanjainy na foanany mihitsy izay rehetra antony mety hitarika any amin’ny krizy. Ny tenany rahateo koa dia tokony ho tonga saina amin’ny zavatra ataony. Indreto misy ohatra vitsivitsy amin’ireo antony marobe mety hitarika any amin’ny krizy : ny tsy fahampian’ny torimaso, ny fiainana tsy milamina, ny tabataba be, ny fahazavana sasan-tsasany maharitra na tsia, ny fijerena « écran » ny telefona, « tablette », ny fanaovana jeux amin’ny solosaina na koa ny fijerena fahitalavitra.                                                                                                                                  Nangonin’i Tatiana     (hitohy)L’article Kolo anaka: ny tsara ho fantatra momba ny androbe a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsy fahita firy: anyam-ponja ilay ramatoa nividy… voninkazo halatra

Ramatoa iray mpivarotra voninkazo etsy amin’ny sisin’ny tambohon’ny HJRA Anosy no nigadra vonjimaika, ny zoma 12 febroary teo. Ny alin’ny talata hifoha alarobia 10 febroary, nitrangana fangalarana voninkazo tao amina tokantrano iray, any  Arivonimamo.Nihoaran’ireo jiolahy ny fefy ka nididtra naka ireo voninkazo niisa 30 mahery izay tsy nisy afa-tsy  “orchidée” sy “anthurium” tao amin’ilay tanàna, izy ireo. Mahatratra 20 tapirisa Ariary ny vidin’ireo voninkazo very ireo. Ny maraina, hatairana ny an’ilay tompon-trano satria tapitra very ny voninkazony. Dian-tongotr’ireo olon-dratsy sisa hita ao an-tokotany.   Niantso avy hatrany  mpitandro filaminana ity farany ka natao ny fanarahan-dia tamin’ny alalan’ny alika mpitsongo. Very momoka anefa izany, toa nifarana teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy ny fanarahan’ny alika ny dian-tongotry ny mpangalatra. Taorin’io, niezaka nikaroka ireo entana very tao amin’ny tanànan’i Miarinarivo sy Arivonimamo ny fianakavian’ny tompom-bonikazo, saingy sasa-poana.Tetsy ankilany, ny alakamisy lasa teo, hita tetsy amin’ny mpivari-boninkazo iray etsy Anosy ireo “anthurium” sy “orchidée” very ireo. Tsy nahalala ilay ramatoa mpivarotra fa nihevitra ireo fianakavian’ny very voninkazo ho mpividy tsotra ihany. Mbola saika hamidin’io mpivarotra io tamin’ny vidiny mirary amin’ireo fianakavian’ilay tompon’entana very ihany ireo voninkazo halatra ireo. Gina tsy nahateny anefa io mpivarotra io rehefa tonga ny mpitandro filaminana. Avy hatrany, nentina nihazo an’Arivonimamo ilay mpivarotra natao famotorana satria voamarina fa isan’ireo voninkazo nisy nangalatra tokoa ireo hita teo aminy. Tsy nanondro ny olona nahazoany ireo entana ireo anefa ilay ramatoa fa lehilahy tsy fantany, hono, ny nitondra ireo entana ireo teo aminy. Vokatr’izany, niakatra fampanoavana ny zoma teo izy ka voatazona vonjimaika any am-ponja izy. Marihina fa nangataka raharaham-pihavanana tamin’ny mpitory ihany io ramatoa mpivarotra io, saingy tsy nanaiky ireo fianakaviana noho izy tsy nety nanoro ireo nahavanona ny fangalarana.Tsiferana Randriatiana L’article Tsy fahita firy: anyam-ponja ilay ramatoa nividy… voninkazo halatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rugby vehivavy – «Can 2019»: 25 mirahavavy hanafika atsy Afrika Atsimo

Fantatra avokoa ireo mpilalao mandrafitra ny Makis de Madagascar, sokajy vehivavy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”, taranja rugby lalaovina olona 15.Vo afantina ho ao anatin’ny Makis de Madagascar ny mpilalao 25 mirahavavy, handray anjara amin’ny andiany voalohany, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”, taranja rugby, lalaovina olona 15. Fihaonana, hotanterahina ao amin’ny kianja Bosman Stadium, Johannesbourg, atsy Afrika Atsimo, ny 8 ka hatramin’ny 17 aogositra ho avy izao. Mpilalao efa zatra fihaonana iraisam-pirenena ny ankamaroan’izy ireo. Anisan’izany ireo niatrika fiofanana, tany Japon, ny volana jona lasa teo.Tsiahivina fa firenena efatra ny hiady io fifaninanana io: i Kenya, i Madagasikara, i Ogandà ary i Afrika Atsimo. Raha ny fandaharam-potoana, hidona amin’i Kenya ny Makis, eo amin’ny lalao voalohany, ny zoma 9 aogositra ho avy izao. I Afrika Atsimo kosa ny fihaonana faharoa, ny talata 13 aogositra, ary ny alarobia 14 aogositra ny lalao farany, hifandonana amin’i Ogandà. Tsiahivina fa ankoatra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hanana ny lanjany manokana izy ity satria hiadiana ihany koa ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, hatao any Nouvelle-Zelande, ny taona 2021. Tompondaka Ireo mpilalao mandrafitra ny Makis :1-Voahangy Lalaina (JSM) ; 2-Nanou Loula (SCB) ; 3-Josiane Patricia (JSM) ; 4-Nomenjanahary Sarindra (3FB) ; 5-Monica (FTVL) ; 6-Delphine Sarindra (FTM) ; 7-Sariaka (SCB) ; 8-Laurence (SCB) ; 9-Vonjimalala (3FB) ; 10-Voahirana Marie Sophie (3FB) ; 11-Tiana Jinah (SCB) ; 12-Nantenaina Patricia (SCB) ; 13-Farasoa Tantely (3FB) ; 14-Claudia Maminiaina (FTM) ; 15-Fabrina (FTM) ; 16-Hajalalaina Marie Josiane (JSM) ; 17-Tikasoa (JSM) ; 18-Veronique Eluriche (RCTS) ; 19-Tsiriniaina Bodonirina (3FB) ; 20-Andoniaina (SCB) ; 21-Herizo Lydia (SCB) ; 22-Joela (FTM) ; 23-Marie Christine (FTFA) ; 24-Fenitriniaina Hanta (FTM) ; 25-Ginah Christine Fihononana (FTM)Mpanazatra : Lanto Nirina  L’article Rugby vehivavy – «Can 2019»: 25 mirahavavy hanafika atsy Afrika Atsimo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Minisitry ny Fiarovam-pirenena: “Maika ny filaminana maharitra” 

“Ho antsika Foloalindahy manokana, laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana ny filaminana maharitra. Koa alao hery ary aza mikely soroka hanompo ny vahoaka malagasy; hanompo ny Nosy malalantsika.” Io ny hafatry ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotonirina Léon Jean-Richard, afakomaly, ho an’ny Foloalindahy noho ny fetim-pirenena. Ahazoan’ireo mpiray tanindrazana miaina amim-pitoniana sy ho amin’ny asa fampandrosoana izay filaminana izay.59 taona izao ny niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara, ary 59 taona koa ny Tafika malagasy. “Tsiahivintsika isan-taona izany”, hoy izy. Fa ity taona 2019 diavintsika ity kosa, tsiahivina amin’ny fomba miavaka ny datin’ny 26 jona. Satria tsioka vao no iainana ary ainga vao ihany koa no manosika sy mandrisika.Hita taratra ampahibemaso izany, raha tsy hiteny afa-tsy ny fiverenan’ny fiainan’ny Malagasy amin’ny laoniny. Satria efa mizotra mankany amin’ny filaminana sy ny fandriampahalemana tokoa ny fiainana andavanandro. Miantso ny rehetra hifandray tanana hatrany ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara izy.Misy ny fanalefahan-tsazy ho an’ireo voasazy latsaky ny valo andro eo anivon’ny Foloalindahy. Foana ny sazy nanomboka ny 11 janoary hatramin’ny 26 jona, raha tao anatin’izay no nahazoana azy. Noho ny fahavitan’ny matso, mahazo fialan-tsasatra 24 ora ireo miaramila rehetra manerana an’i Madagasikara nandray anjara tamin’izany. R. Nd.L’article Minisitry ny Fiarovam-pirenena: “Maika ny filaminana maharitra”  a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fampihorohoroana: nisy nitoraka grenady ny tranon-dRaholdina Naivo

Asa fampihorohoroana ! Nisy nitoraka tamin’ny grenady ny tranon’ny depiote Raholdina Naivo, ny zoma lasa teo, tokony ho tamin’ny 9 ora alina, teny Ambohidahy Ankadindramamy. Nirefotra teo amin’ny rindrina ilay grenady raha saika hatoraka any anaty trano mihitsy. Tsy nisy naninona ireo fianakavian’ingahy depiote avy amin’ny mapar. Na izany aza, niteraka tahotra ho azy ireo, na ny olona teny amin’ny manodidina aza ny hamafin’ny fipoahana. Naheno azy io daholo mantsy hatrany Ampasampito sns. Ankoatra ity grenady teny Ambohidahy Ankadindramamy ity koa, nahenoana zavatra nipoaka mafy teny Mahamasina. Fantatra fa zavatra tao amin’ny toerana misy mpanakanto iray izy io. Tsy grenady kosa anefa fa na izany aza, nanaitra ny olona teny amin’ny manodidina ny fipoahana. Nifanandrify tamin’io ihany koa anefa ilay zava-nitranga teny amin’ny tranon-dRaholdina. Tonga teny an-toerana ny polisin’ny BC sy ny avy ao amin’ny boriborintany fahatelo nizaha ny zava-nisy. Mandeha ny famotorana manodidina ity toraka grenady ity. Misy avy hatrany ny fitoriana olona tsy fantatra amin’ny trangan-javatra tahaka izao. Resaka politika? Mandeha avy hatrany ny resaky ny olona fa misy ambadika politika ny toe-javatra. Anatin’ny hafanana politika tanteraka isika ary iray andro mialoha ny namoahan’ny Ceni ny vokam-pifidianana vonjimaika ny tranga. Mifamahofaho eo ny raharaha. Misy mikendry hanakorontana eto amin’ny firenena? Efa nanao fampitandremana ihany ny Emmo/Nat amin’izay mikasa hanao izany, ka andrasana ny fanadihadian’izy ireo. Yves S.  

News - News Mada

Sao mba…?

Ny mpitondra, mahay; ny vahoaka, miray saina! Io ny fototry ny fandrosoan’ireo firenen-dehibe, matanjaka toekarena ankehitriny. Samy manana ny paikadiny izy ireo. Tsy amin’ny kajikajy ambony latabatra ihany io fa, indrindra, amin’ny toe-tsaina naorim-paka tamin’ny vahoaka, tany am-piaingana, ka nahatraran’izy ireo ny tanjona.Eto amintsika, tsy ny manampahaizana no tsy misy. Ambaran’ireo vahiny aza fa tokony ho tombony lehibe ho antsika ny fananana harena voajanahary, azo trandrahina tsara ho tombontsoan’ny maro anisa. Mbola mipetraka ihany anefa ny fanontaniana hoe: nahoana isika no toy izao foana? Sao mba io toe-tsaina io mihitsy no tokony hovàna?Ahariharin’ny kisarisary, any anaty tambajotran-tserasera any, ohatra, fa ny misintona ny “tafa” mba ho lava no haintsika fa tsy mba ny manosika azy ireny ho lasa lavitra kokoa. Eo koa ny hoe zatra manao tsindrio fa lavo isika na maniry ny hafa ho potraka hatrany, rehefa tafita amin’ny sehatra misy azy izy. Sao mba mitombina ihany ireo fijery ireo?Misy koa ny mahita hoe lany andro mimenomenona sy mitaraina lava ny Malagasy fa tsy mijery avy hatrany ny vahaolana tandrify ny tena, raha misy tsy fahatomombanan-javatra. “Aiza ny tompon’andraikitra?” Io, matetika, ny fanontaniana hapetraka. Sao mba hoe inona ny mety ho vitako?Tsy hay ny tsy hampahatsiahy indray ny fiombonam-pontsika nandritra ireny fiadiana ny amboaran’i Afrika tamin’ny taranja baolina kitra ireny. Samy nahatsapa ny Malagasy fa misy ny toa azy, miasa mafy ho voninahitra iombonana. Eny anivon’ny fiarahamonina, amin’ny fiainana andavanandro eny anefa, toa mbola mipetraka ihany ny fanaovana tsinontsinona ny hatsembohan’ny hafa.Tandra vadin-koditra amintsika ny hoe tombany tsy mba vidiny, hany ka na izay fantatra fa nisasarana sy nikelezan’ny hafa aina aza, tsy maintsy iadiam-barotra. Toa odian-tsy hita, ohatra, ny aina sy ny fotoana ary ny vola lany tamin’ny fambolena voatabia, anana, tongolo, sns. Ka rehefa mandalo tsenan’ny tantsaha, tsy misalasala akory isika miady varotra amin’ny antsasaky ny vidiny nolazainy. Sao mba mety ihany ny mifanome lanja noho ny herim-po tamin’ny asa vitan’ny hafa? Asa, saingy sao mitombina ihany izany fomba fijery izany…Landy R. L’article Sao mba…? a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ady totohondry: nahazo medaly miisa telo ny mpikatroka malagasy

Anisan’ireo taranja tsy niveri-maina ny ady totohondry satria nandrombaka medaly volamena  ihany koa. Nampitolagaga ny nanatrika ny zava-bitan’ireo mpikatroka malagasy.Nihofahofa indray ny saina sy ny hiram-pirenena malagasy, omaly, taty amin’ny Centre national Vacoas, Maorisy, ho an’ny taranja ady totohondry. Nandrombaka medaly volamena indray mantsy ny atletantsika, teo amin’ny latsaky ny 52 kilao, satria lavon’i Marco Jérôme, tamin’ny alalan’ny KO, teo amin’ny fidirana faharoa, ilay Maorisianina, i Bactora Gilbert. Niady ny fihaonan’izy mirahalahy ireto, nanampy tosika mafy ity solontenany ity ireo mpijery sy mpanohana ny tompon-trano, saingy tsy nampihetsi-bolo sy nampitahotra an’i Marco Jérôme izany fa vao mainka nanome hery azy aza. Vao nanomboka kely ny fidirana faharoa, nanomboka nivoa-dri teo amin’ny tatamason’ity Maorisiana ity, rehefa voan’ny totohondry nipetapetaka teny amin’ny tarehiny. Nifehy ny ady, nanomboka teo, i Marco ary tsy namelany raha tsy nianjera tamin’ny tany ny mpifanandrina taminy. Natsahatry ny mpitsara ny ady rehefa avy nisaina ilay Maorisianina ka nambara fa tompondaka ny Malagasy. Ankilany, nanao ny tsy nambinina ihany i Heriniaina Nomenjanahary (48kg), izay lavona teratany maorisianina, i Beedasse, teo amin’ny lalao famaranana. Na izany aza, mendrika ny zava-bitan’ity Malagasy ity, izay somary betsaka ihany ny tsindry nahazo azy nanoloana ireo mijery nihorakoraka sy ny fanapahan-kevitry ny mpitsara. Miarintsoa.Raz L’article Ady totohondry: nahazo medaly miisa telo ny mpikatroka malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Brieville : Quatre bandits de grand chemin abattus par la gendarmerie

Mardi 23 février, le sang a coulé à Brieville dans le district de Tsaratanàna. Des gendarmes de la brigade de Brieville ont recouru à leurs armes pour arrêter quatre individus suspectés d’être des bandits de grand chemin lors d’une course-poursuite. Cette fusillade a fait suite à un appel reçu par cette brigade signalant la présence de ces quatre individus déclarant être des Zazamena venant du district d’Anjozorobe et rodant dans un bar dans le fokontany de Betafo, commune Brieville, ce 23 février vers 17 heures 30. Selon les renseignements parvenus aux autorités de ladite commune, ces Zazamena portaient des armes et leur présence a apeuré la population. Sitôt informés, quatre éléments mixtes composés de deux gendarmes de la brigade de Brieville et deux militaires de la 322è compagnie d’Ambakireny se sont dépêchés sur le lieu pour identifier ces personnes suspectes. En apercevant l’arrivée des éléments, ces malfaiteurs ont tenté de prendre la fuite et les éléments se sont lancés à leur poursuite. Malgré les efforts effectués par les éléments mixtes, ils ne sont pas  arrivés à arrêter ces fuyards que par l’usage des leurs armes, après l’échec des sommations données à haute voix. Ces quatre individus ont succombé à la suite de leurs blessures par balles. Des ody gasy (moara…) et deux cartes Zazamena ont été trouvés dans leurs bagages. Leurs corps ont été remis aux autorités et à la population locale après constatation. T.M. L’article Brieville : Quatre bandits de grand chemin abattus par la gendarmerie est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Brieville : Quatre bandits de grand chemin abattus par la gendarmerie a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT
14/06/2021

Voici des sites qui permettent de gagner de l'argent gratuitementhttps://mining-forever.com/?ref=rajaonarshttps://duplinow.com?aff=70888https://banana-cash.com?aff=15898https://topmining.host/?ref=1190Vous n'avez pas de compte payeer ?https://payeer.com/?session=16887921Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
15/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
18/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

A louer Location voiture
15/06/2021

Location 4×4 - Toyota New Prado >>7 places, voiture confortable et économique,  >>Voiture classe, adéquats pour les évènements familiaux ou affaires, >courses en ville, en périphérie, ou en province - Chauffeur expérimenté pour les circuits touristiques - Le tarif varie en fonction de la destination et du trajetContact: 034 84 747 64Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location voiture".

Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) francophones. Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 160 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC. MISSION En tant que Téléconseiller(ère) francophone, vos missions seront : PROFIL VOS AVANTAGES Si tout cela vous parle, vous êtes le candidat qu’il nous faut ! Merci de postuler en ligne sur notre site www.eufonie.fr/jobs. Vous pouvez également adresser votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ; Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones".

Emploi et services Gagner de l'argent en ligne
19/06/2021

Nous vous proposons une opportunité intéressante pour gagner de l'argent en ligne. Votre rôle consiste à remplir des micro-tâches comme répondre à des sondages, essayer certaines applications, répondre à des quiz etc. Cliquez sur ce lien :https://paidera.com/?r=2057784Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Gagner de l'argent en ligne".

A vendre A vendre Fauteuil dentaire complet en bonne état
14/06/2021

Un fauteuil dentaire complet en parfait état  constitué d’un fauteuil inclinable, d’un bras articulés, d’un compresseur, d'un ensemble d’ instrumentation dentaire, d’une soufflette à air/eau, d’un crachoir, d’un système d’aspiration, d’un scialytique, et d’un siège à roulettes pour le praticien, stérilisateur pour les outils à main, ...Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A vendre Fauteuil dentaire complet en bonne état".

Emploi et services Développeur Phyton
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le domaine de l'externalisation,Développeur PhytonEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVPHYTON-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Phyton".

Emploi et services PDF à propos de ADWORD
14/06/2021

Vous vous demandez peut-être comment les grandes entreprises utilise la technologie pour promouvoir ses produits.Ne vous inquiétez voici-ci quelques notion qui pourrait vous aider.Dans ce pdf de Content Marketing 101https://bit.ly/3cqJQLY AdWords Annihilationhttps://bit.ly/3zavLMDCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services PDF à propos de ADWORD".

Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay
15/06/2021

site légitime qui paye très bienfaucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay.Pas de retrait minimum, claim tous les 5min.Ci-joint le lien:https://ezbit.co.in/ref/13850Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay".

Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) bilingues anglophone.Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 150 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC.En tant que  Téléconseiller(ère) bilingue, vos missions seront de :PROFIL :VOS AVANTAGES :Merci de postuler votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ;Pour entrevoir nos offres d'emplois, merci de visiter www.eufonie.fr/jobs.Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones".

A vendre Mégane Scénic
15/06/2021

A vendre RENAULT MEGANE SCENICVitre Electrique, Verrouillage Centralisé, direction assistée, AIRBAGS, Très Bonne Etat, SANS DEVOIR, Année de mise en circulation 2001, bôite de vitesse manuel, diesel, faible consommation, puissant, 5 places, 5 portes, radio d'origine, intérieur très bonne état. Prix: 11 200 000 ar à debattreContact: 033 37 574 65Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Mégane Scénic".

Notsongaina

Omnisports : Siteny Randrianasoloniaiko accueilli en héros
15/06/2021

Siteny à son arrivée, hier, à Ivato. La grande famille du mouvement sportif était réunie au grand complet, hier, à l’aéroport d’Ivato. Trois semaines après son élection à Dakar à la tête de l’Union africaine de Judo, Siteny Randrianasoloniaiko est de retour au pays. Comme lors de la présentation de sa candidature à cette élection, le mouvement sportif était venu en masse, hier, à Ivato, pour accueillir le nouveau patron du judo africain. Cette élection de Siteny à la présidence de l’UAJ place le sport malgache sur le devant de la scène continentale et mondiale. « Le pays et les athlètes ont besoin qu’un des leurs ait une place au niveau des instances sportives internationales pour porter leur voix » a souligné, Siteny dans sa prise de parole. En plus de cette nouvelle fonction, Siteny a plusieurs casquettes à la fois. Il reste encore le président de la fédération malgache de judo du Comité Olympique Malgache, et député de Madagascar. « Je vais terminer jusqu’à la fin ces postes car c’est un mandat élu. Et je remercie l’État pour leur soutien, et espère la continuité de la collaboration pour cette nouvelle fonction », a poursuivi le vice-président de la fédération internationale de judo. Préparation. Profitant de cette rencontre avec la presse qui a vu la présence de l’ensemble du mouvement sportif, le président du comité olympique a parlé de la nécessité d’une réelle implication et volonté politique de l’Etat en matière de sport. « Nous remercions le chef de l’État à travers la construction des différentes infrastructures, mais pour qu’il y ait un vrai envol du sport, il faut que l’État s’implique davantage dans la préparation des athlètes. Il faut surtout que les champions d’Afrique et les anciennes gloires soient considérés par l’État, pour éviter qu’ils sombrent à la fin de leur carrière », a continué Siteny. Dans deux ans, Madagascar sera l’hôte des 11es Jeux des Îles de l’Océan Indien. La préparation de cette échéance doit débuter dès maintenant pour que la Grande Île puisse terminer à la première place. T.H L’article Omnisports : Siteny Randrianasoloniaiko accueilli en héros est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Omnisports : Siteny Randrianasoloniaiko accueilli en héros a été récupéré chez Midi Madagasikara.

« Raharaha Nosy Sambatra » – Iles Glorieuses: manomana ny hamaly bontana an’i Frantsa ny fanjakana
16/06/2021

Anisan’ny niaka-tsehatra teo anivon’ny Antenimierampirenena nanao tatitra tamin’ny alalan’ny visioconference, omaly, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Tehindrazanarivelo Djacoba. “Efa mivonona amin’ny fomba hamaliana an’i Frantsa sy ny antontan-taratasy rehetra hanoherana ny azy ireo isika », hoy izy. Anton’izany ny didim-panjakana noraisin’ny fitondrana frantsay momba ny Nosy Sambatra « Iles Glorieuses », tafiditra ao anatin’ireo Nosy manodidina fa hatao tahiry ara-boajanahary faha-170 ho azy ireo. Hanohitra sy hitsipaka marindrano izany ny fanjakana raha miainga amin’io minisitra io.Notsiahiviny fa efa nampiantsoiny teny Anosy ny ambasadaoro frantsay ny volana mey tamin’ny taona 2020 ary nilazany fa tsy hanaiky velively ny hanaovana ho faritra frantsay ara-boajanahary ireo Nosy ireo ny Malagasy. “Tena midika ho tsy fanajana ny fifampiraharahana efa an-dalana eo amin’ny firenena roa tonta momba ireo Nosy manodidina izao ataon’i Frantsa izao”, hoy ihany izy. Anisan’izany ny Nosy Bedimaky (Juan de Nova), ny Nosy Ampela (Europa) ary ny Nosy Kely (Bassas da India).Fanohanan’ny Sadc an’i MadagasikaraEtsy andaniny, efa nanao fanambarana ny filankevitry ny minisitry eo anivon’ny Fiaraha-miasa ara-politika sy ny fiarovana ary ny filaminana (CMO) eo anivon’ny Sadc, ny volana jona 2020; fa manohana 100% ny fanjakana malagasy izy ireo amin’ny fitakiana ireo Nosy ireo. Takin’izy ireo ny hampiharana ny fehinkevitra navoakan’ny filankevitry ny minisitra teo anivon’ny Firaisambe afrikanina (OUA) ny 20 jolay 1979 sy ny fehinkevitra navoakan’ny fivoriamben’ny Firenena mikambana (ONU) ny 12 desambra 1979. Voalaza ao anatin’ny fehinkevitra tamin’izany fa tafiditra ao anatin’ny faritry ny Repoblikan’i Madagasikara ireo Nosy ireo.Harena voajanahary tsy hita noanoaTsiahivina fa namoaka didy ny fanjakana frantsay ny talata 8 jona teo ary nanamafy fa tafiditra ao anatin’ny tahiry ara-boanajahary “Réserves naturelles” an’i Frantsa ny Nosy Sambatra. Tsy vitan’izany fa mbola nohamafisina tao amin’ny gazetim-panjakana frantsay , ny  Journal officiel, izany didy izany ny alakamisy 10 jona.Anisan’ny mampiavaka ity Nosy Sambatra ity ny fananany karazan-javamaniry sy biby maherin’ny 2 500 ary tsy fahita manerana izao tontolo izao. Ahina sy atahorana ny 20% amin’izany.Synèse R.L’article « Raharaha Nosy Sambatra » – Iles Glorieuses: manomana ny hamaly bontana an’i Frantsa ny fanjakana a été récupéré chez Newsmada.

Oniversiten’i Maninday Toliara: nirotaka ny mpianatra, nirefotra ny lakrimozena, 18 voasambotra
16/06/2021

Mbola resaka fitakiana vatsim-pianarana ihany no anton’ny savorovoro tany Toliara, omaly tontolo andro. Niafara tamin’ny sakoroka an-dalambe ny hetsiky ny mpianatry ny oniversiten’i Maninday. Tsy nifankahitana ny lakrimozena natoraky ny Emmo/Reg. 18 tamin’ireo mpanao fihetsiketsehana no voasambotra.Raikitra ny savorovoro niafara tamin’ny fifandonana teo amin’ny mpianatry ny oniversiten’i Maninday sy ny mpitandro filaminana. Vokany, mpianatra miisa 18 indray voasambotra, omaly. Raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, omaly maraina tamin’ny 4 ora, niakatra tao an-tampon-tanànan’i Toliara ka nizarazara tamina toerana maro ireo mpianatra. Tokony ho tamin’ny 6 ora, nanakana ny lalam-pirenena RN7 eo Sanfily ny andiany voalohany. Nirefodrefotra avy hatrany ny grenady lakrimozena avy amin’ny mpitandro filaminana nanakanana ny hetsika nataon’ireo mpianatra teo amin’ny lalam-pirenena. Taorian’izay, raikitra koa ny fifandonana teo anoloan’ny biraon’ny presidansa nanaparitahana ireo mpianatra andiany faharoa. Tsy nijanona teo anefa izany fa nitohy hatrany Maninday ny fifanenjehana sy ny fandefasana grenady mandatsa-dranomaso. Efa tamin’ny 2 ora tolakandro vao nifarana izany, raha ny fampitam-vaovao voaray hatrany. Vokatr’izay fifandonana izay, nahatratra 18 ireo mpianatra voasambotra ka nentina nanaovana fanadihadiana. Nisy koa ireo mpianatra naratra vokatry ny fifandonana.Voakasi-tanana hatramin’ny mpanao gazety… Isan’ireo voadaroka koa ny mpanao gazety nanangom-baovao teny an-toerana. Nitondra vahaolana ny olobe ao Toliara… Manoloana ny zava-misy sy ny olana sedrain’ny mpianatry ny oniversiten’i Maninday, Toliara, nangataka fihaonana amin’ny OMC ny raiamandreny (olobe) hijerena vahaolana maharitra manoloana izao raharaha izao. Nankasitraka izany ireto olobe ireto tamin’izao fihaonana izao. Isan’izany ny famotorana ireo mpianatra, ny fampahafantarana fa havoakan’ny minisitera ny “habilitation” momba ny master. Momba ny vatsim-pianarana indray, efa misy ny fandaminana ka ny iray volana no hivoaka ny faran’ny volana izao ary efa ao amin’ny Paositra. Ny volana jolay ho avy izao kosa ny roa volana ambiny. Araka izany, manainga ny rehetra ho tony ireto olobe ireto hisian’ny filaminana hahafahana mamita ny taom-pianarana. Marihina fa tsy nandray anjara amin’izao dinika izao ireto mpianatra ireto. Nilaza kosa anefa ireo mpianatra fa tsy hanaiky ny fanapahan-kevitra nivoaka ka rahampitso (anio io) no hamantarana ny tohin’ny hetsika indray na hitohy na ho tapitra.CMS/Jean ClaudeL’article Oniversiten’i Maninday Toliara: nirotaka ny mpianatra, nirefotra ny lakrimozena, 18 voasambotra a été récupéré chez Newsmada.

Faritra Analamanga: hatramin’ny alakamisy ny fisokafan’ny toeram-panaovam-baksiny 
16/06/2021

Herinandro farany fanaovam-baksiny ity raha nisokatra ny 10 mey lasa teo izany teny amin’ny vaccindromome HJRA.Hatramin’ny 17 jona ho avy izao ny fisokafan’ireo toeram-panaovam-baksiny rehetra eto amin’ny faritra Analamanga manokana. Paikady roa ny hanatanterahana izany: fanaovana vaksiny mitety vohitra hita eny amin’ny distrika manodidina an’Antananarivo Renivohitra: Ankazobe, Anjozorobe, Andramasina, i Manjakandriana. Misy koa ny fiara tsy mataho-dalana mitety vohitra sady manentana ary manatanteraka ny fanaovam-baksiny ho an’izay vonona hisitraka izany. Mbola mitohy mandray olona koa ireo toerana raikitra fanaovam-baksiny manatona vahoaka eny amin’ny vaccinodrome université Ankatso, eny amin’ny Esplanade. Eny Vontovorona koa, ahitana toerana iray mandray, ny Sehatra maitso Analamahitsy… Ankoatra ny vaccinodrome voalohany napetraka teto Antananarivo, nitarina teny anivon’ny CSB2 ny fanavam-baksiny. Ny CSB2 Anosy Avaratra, Ambohimangakely, Ampahimanga, i Sabotsy Namehana, Ambohimalaza, Alasora hatrany Ampanotokana, Imerimandroso, Ampangabe. Manomboka misokatra amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 4 ora hariva ny alatsinainy hatramin’ny alahady ireo toerana ireo. Mitety fokontany ireo mpanentana mandresy lahatra ny mponina hanao vaksiny satria amin’ity herinandro ity ny fotoana farany ahafahana hanao izany ho an’ny fatra voalohany ho an’ny vaksiny Covishield avy amin’ny fandaharanasa Covax. Afaka roa na telo volana ny fanatanterahana ny fatra faharoa. 250 000 ny fatra tonga natokana ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpitandro filaminana ary ny zokiolona 60 taona no ho miakatra. Rehefa tsapa fa tsy nazoto loatra nanao vaksiny ireo vondrona nofaritan’ny fanjakana mialoha, nantsoina indray ny olona feno taona manana kara-panondro vonona handray ny fatra voalohany. Ilay karazan’ny vaksiny azon’i Madagasikara no tsy namparisika ny ankamaroan’ny olona hanao azy.VonjyL’article Faritra Analamanga: hatramin’ny alakamisy ny fisokafan’ny toeram-panaovam-baksiny  a été récupéré chez Newsmada.

Sabotsy-Namehana : Formation pour des handicapés
14/06/2021

L’Espace Étoiles des Neiges sis à Sabotsy-Namehana, a été le cadre la semaine dernière d’une formation pendant deux jours portant sur la permaculture. Des handicapés, au nombre de 20 de l’association A.Pe.Ha.S en sont les bénéficiaires. Cette formation a été concrétisée grâce au partenariat du projet Mihary du « Sampan’asa Loterana momba ny Fahasalamana » (SALFA) et de Christoffel-Blindenmission. La première journée a été consacrée à la formation proprement dite et la deuxième à un stage pratique qui a été marqué par une remise de certificat ainsi que de matériel, notamment des brouettes, des arrosoirs, des pelles, des fourches et des râteaux. L’objectif est que les personnes présentant un handicap ne soient pas un fardeau pour la société. Notons que cette formation a vu la présence du coordonnateur du projet Mihary. Dr Andrianainarivelo Mahandrimanana et du maire de Sabotsy-Namehana, Andriamosa Avotraina. Recueillis Par Dominique R.  L’article Sabotsy-Namehana : Formation pour des handicapés est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Sabotsy-Namehana : Formation pour des handicapés a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fifohana rongony: andian-jatovo tsy ampy taona voasambotra
14/06/2021

Eo anelanelan’ny 13 ka hatramin’ny 16 taona avokoa ireo zatovolahy voasambotry ny polisy avy ao Itasy  noho ny antony fifohana rongony. Tra-tehaka tao amina toerana iray ao Arivonimamo ireo tovolahy ireo, ny asabotsy teo, hoy ny polisim-pirenena. Nisy, araka izany, ny vaovao nampahafantatra ny tranga ka niroso tamin’ny fiambenana ilay toerana voalaza avy hatrany ny polisy ao an-toerana. Tamin’izay indrindra, nisy andian-jatovo 7 lahy niditra tao amin’ilay trano fifohana rongony. Vokany, noraisim-potsiny ireo tanora mbola tsy ampy taona ary nentina nanaovana fanadihadiana. Fantatra tamin’izay fa 13 taona no zandriny indrindra, 16 taona ny 04 tamin’izy ireo ary 15 taona ireo 03 hafa.Ankoatra izay, olona roa hafa ihany koa no tra-tehaky ny polisy avy ao Tsiroamandidy, ny zoma teo noho ny fivarotana rongony. Fantatra taorian’ny loharanom-baovao voaray ny polisy ny fisiana lehilahy iray 26 taona sy vehivavy iray vao 19 taona mpivarotra zava-mahadomelina io tao amin’ny fokontany Atsimontsena. Araka izany, nanao vela-pandrika ny mpitandro filaminana ka tratra tao amin’ny tranon’ireo mpivady tamin’izany ny rongony miisa 19 fonosana. Voasambotra avy hatrany  ireo olon-dratsy ka nanokafana fanadihadiana. Henintsoa HaniL’article Fifohana rongony: andian-jatovo tsy ampy taona voasambotra a été récupéré chez Newsmada.

Kaominina manamorona ny lalamby: hamakian-dalana hifandray amin’ny lalam-pirenena faharoa
15/06/2021

Vahoaka 79.883 avy amin’ny fokontany 34 anatin’ny kaominina ambanivohitra dimy ny manamorona ny lalamby Antananarivo-Toamasina, anivon’ny disitrikan’i Brickaville, faritra Atsinanana. Nanao fitsidihana tany an-toerana, ny 9 sy 10 jona 2021, ny governora Rafidison Richard Théodore sy ireo delegasiona niaraka taminy. Fanadihadiana“Tsy tokony hisy intsony ny kaominina lavitra andriana tsy misy lalana, vesaran’ny tsy fahasalamana sy fanabeazana tsizarizary mahazo ny zanaka malagasy any ambanivohitra. Hamafisina ny fandriampahalemana sy fanatsarana ireo fotodrafitrasa maro. Tsy ekena hitoka-monina intsony ireo kaominina sivy “, hoy ny governora lehiben’ny faritra Atsinanana, Rafidison Richard Théodore.Tamin’ireo kominina dimy, sambany teo amin’ny tantaran’ny kaominina Vohipeno Razanaka, Fanasana, ary Lohariandava no mba nisy tompon’andraikitra nitsidika notronin’ny solombavambahoaka voafidy tao Brickaville, i Satra Augustin. Ho an’ny kaominina Anivorano manokana dia nasian’ny governora maso ny fanarenana ny biraon’ny paositra sy baka ho fiampitana ny reniranon’ny Rianila mihazo ny kaominina Fetraomby, Maroseranana, ary Ambohimanana. Tsy maintsy hamaky lalana hifandraisana amin’ny RN2 ny kaominina rehetra manamorona ny lalamby, hisian’ny fampandrosoana. Any Vohipeno Razanakana, 4 km hanaovana asa tanamaro hifandraisana amin’ny RN2 ; 25 km Lohariandava sy Andekaleka, ary 19 km  avy eo Andekaleka hatreo amin’ny RN2.Notolorana vary fotsy 10 gony sy voamaina  ireo mpanao asa tanamaro hamaky lalana. Na izany aza,  tohizana ny fifampiresahana amin’ny mpandraharaha ao amin’ny orinasa Madarail, hiverenan’ny fitaterana olona an-dalamby, izay heverina hatomboka amin’ny volana aogositra izao, rehefa  niato taorian’ny lozam-pifamoivoizana nahafoizana ain’olona maro, ny taona 2018.FotodrafitrasaHamafisina ny fandriampahalemana any anivon’ny kaominina, hametrahana zandary. “Izany rahateo no hamakiantsika lalana hanamora ny fahatongavan’ny zandary raha sendra hitrangana asan-jiolahy, hanamora ihany koa ny famonjena aina raha misy tsy fahasalamana hanatona toeram-pitsaboana, ankoatra ny famoaham-bokatra”, hoy hatrany ny lehiben’ny faritra.Hodinihina ihany koa ny hitsinjarana ny herinaratra avy ao Lohariandava na koa ny hanomezana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Amin’ireo kominina 18 mandrafitra ny disitrikan’ i Brickaville, sivy ihany no misitraka tambajotram-pifandraisana ka hanaovan’ ireo ben’ny Tanàna antso ho an’ny tompon’andraikitra misahana izany.Kaominina mamokatraKaominina manana vokatra isan-karazany ireo manamorona ny lalamby, ohatra, ny sakaitany, ny tamotamo, indrindra ny akondro, izay misy aman-jato taonina isan-kerinandro, araka nyVoalazan’ireo ben’ny tanàna. Any Vohipeno Razanaka manokana, iray mampiakatra vary tsy latsaky 35 t. Kaominina notoloran’ny governora masomboly 500 kg. Misedra olana amin’ny famoaham-bokatra anefa ireo kaominina ireo ka izany indrindra no tsy maintsy hanaovana lalam-baovao hahatongavan’ny fiara manangom-bokatra. L’article Kaominina manamorona ny lalamby: hamakian-dalana hifandray amin’ny lalam-pirenena faharoa a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Mifandray toy ny mpirahalahy ny Barea
15/06/2021

Miditra amin’ny herinandro faharoa amin’ny fampivondronana ny Barea de Madagascar, nanomboka ny alatsinainy lasa teo. Nanambara ny niainany ny tapany voalohany i Bapasy sy i Tsiry ary i Melvin. Nambaran’izy telo mirahalahy fa mifampitondra toy ny mpirahalahy ny mpilalaon’ny Barea de Madagascar ao anatin’izao fanomanantena izao. Ho an’i Bapasy, matoa nantsoina dia vonona ary hiadiana ny toerana. “Nahazo tombony tamin’ny fiarahana tamin’ny mpanazatra vaovao satria nisy zavatra tsy mbola hita ary nahazo traikefa hoentina any amin’ny klioba hilalaovany. Manoro ireo mpilalao efa manana traikefa toa an’i Morel”, hoy izy. Aminy, ny fiarahana tamin’i Caloin, ny asabotsy lasa teo, nambarany fa ilaina ny fiarahana amin’ny mpilalao rehetra izay mila mahay ny toerana rehetra. Nahafaly ireo mpilalao zokiny ny namalian’ireo mpilalao zandriny, izay ampirisihiny fa mendrika ny hanana ny toerany ao amin’ny ekipam-pirenena fa tsy ho variana amin’ny anarana efa mahazatra.Tsy nanafina kosa i Tsiry fa nahitany zava-baovao ny niatrehany ny fampivondronana tao amin’ny Barea. “Ilay fiarahana na “tandem”, izany no hitako tsy ampy raha iny lalao tamin’ny asabotsy iny”, hoy i Tsiry.Raha ho an’i Melvin Adrien, mpiandry tsatoby indray, nilaza ny tovolahy fa miray saina tsara izy sy i Nina ary i Mathias ary samy manana andraikitra hiaro ny voninahi-pirenena. “Fitsapana ny tamin’ny asabotsy ka miezaka maneho ny fahaiza-manaony ny tsirairay. Toy ny fianakaviana ny Barea ka mifanoro sy mifampizara traikefa”, hoy izy. Torcelin L’article Kitra – Mifandray toy ny mpirahalahy ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Dégradation du pont d’Ampasika : Contrôle strict contre l’extraction de sable et de gravillons
18/06/2021

Des activités d’extraction de sable ont été entreprises illégalement, sous le pont d’Ampasika. Un grand danger pour les infrastructures publiques. C’est ainsi que le DG de l’Aménagement du territoire et des Travaux Publics (DGAT), Solomanoro Andriamalalavonjy, a qualifié la situation inquiétante, sous le pont d’Ampasika, à la frontière de la Commune de Bemasoandro. Hier, lors d’une descente inopinée sur les lieux, la délégation du MATP (Ministère de l’Aménagement et des Travaux Publics) a constaté de grands fossés, menaçant la stabilité des infrastructures. « Heureusement, en période sèche, ces fossés sont visibles. Ils ont été causés par l’extraction du sable des rivières et des gravillons, depuis l’enrochement autour des piliers du pont. La loi est pourtant claire. Il est interdit de toucher aux structures se situant à 50m de rayon, autour du pont. Ainsi, nous faisons appel à toutes les Communes, car il est de leur devoir de surveiller les infrastructures de leur zone et de faire respecter les réglementations en vigueur », a déclaré le DGAT. Par ailleurs, il a noté que l’enrochement sous le pont d’Ampasika sera remis à son état initial, suivant les techniques qui s’imposent, afin d’éviter la dégradation de l’infrastructure, en période de pluie. La commune de Bemasoandro, représentée par Samuel Razanaka, s’est engagée à mobiliser des agents pour surveiller les activités sous le pont. Antsa R. L’article Dégradation du pont d’Ampasika : Contrôle strict contre l’extraction de sable et de gravillons est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Dégradation du pont d’Ampasika : Contrôle strict contre l’extraction de sable et de gravillons a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Efa voafehin’ny CUA-SMA ny olan’ny fako
15/06/2021

Efa voafehy tanteraka ny olan’ny fako eto an-dRenivohitra. Efa tsy misy intsony ny fako miparitaka eny amin’ny fitobian’ny fako. Anisan’izany ny fitobian’ny fako etsy Analamahitsy eo ampitan’ny Galana. Feno fako manenika ny arabe rehefa tolakandro nefa efa tafiditra ao anatin’ny daba daholo ny fako aterin’ny olona izao. “Nisy ny fanomezana  dabam-pako avy amin’ny Pnud na ho an’ny SAM, ary mbola hisy maro koa ho avy. Miisa 180 ny dabam-pako vy miparitaka taloha ary nisy ny tsy naharaka. Nisy ny fiovana tamin’ny fomba fiasan’ny SAM mba hifanaraka tsara amin’ny «CMH » mametraka ny ora amin’ny 4 ora ka hatramin’ny 8 ora alina ny fanariana ny fako”, hoy ny tale jeneraly,  Andrianaivo Jaona. Narindra manaraka izany koa ny fomba fiasa sy ny tsy havery ny fotoana be loatra. Fanentanana ny isan-tokantranoMivoaka ny tolakandro ny kamiao maka fako ary mifarana amin’ny 6 ora maraina mba tsy hanelingelina fifamoivizana. Manampy izany ny fiaraha-miasa eo amin’ny CUA sy ny Vigie amin’ny fametrahana ny “Camera” amin’ny fanaraha-maso ny fifamoivoizana, mifanandrify amin’ny akaiky dabam-pako ary natao ny hahatafidiran’ny dabam-pako ao amin’ny ilay sary hahafahana mahita ny eo anivon’ny dabam-pako. Manentana ny mponina hanaja ny fotodrafitrasa hatrany ny kaominina amin’ny hanariana anaty daba ny fako eny anivon’ny tokantrano.Synèse R.L’article Efa voafehin’ny CUA-SMA ny olan’ny fako a été récupéré chez Newsmada.

Fanomanana ny fetin’ny ray: lafo vidy ireo karazana fanomezana
19/06/2021

Natokana ho an’ireo raim-pianakaviana ny andro ra­hampitso. Somebiseby ny ankohonana manomana ny fanomezana ho an’i Dada, ilay lohan’ny fianakaviana. Samy miezaka manao do­kambarotra ireo karazana fanomezana ho an’ny lehi­lahy ireo mpivarotra. Ny tsikaritra, lafo kokoa ny entana natokana ho an’ny lehilahy ary sarotra safidiana mitaha amin’ny an’ny vehivavy satria vitsy ny safidy. Hany ka sahiran-tsaina ny ankohonana misafidy izay hatolotra mba hahafaly azy. Ankoatra ny pataloha, lobaka, kiraro ary fehin-tenda, azo atolotra ho an’ny ray ihany koa ny karazana famantaranandro lamaody, fehikibo, fehitanana, kitapo fitondra miasa izay efa maro hisafidianana izy ireny, in­drindra ny vita malagasy tsara kalitao… Ankoatra izany ny poketra fitoeram-bola, fitoerana lakilen’ny fiara misy ny anarany. Fa anisan’ny be mpitia koa ny ranomanitra an-dehilahy, izay tena lafo vidy anefa ireo vitsy mpanana. Na izany aza, hita ho difotry ny kilalao sy harendrina ho an’ny fetin’ny fahaleovantena malagasy ny tolotra sy ny fanomezana ho an’ny raim-pianakaviana eny an-tsena.Tatiana AL’article Fanomanana ny fetin’ny ray: lafo vidy ireo karazana fanomezana a été récupéré chez Newsmada.

REGION ATSIMO ANDREFANA : Le gouverneur Tovondrainy Edally rassure
15/06/2021

Tout en luttant contre le Covid-19 depuis mars 2020, l’équipe du Gouverneur Tovondrainy Edally a poursuivi son plan pour le développement de la RAA. «RAA Zone blanche » certainement, si on se réfère aux résultats obtenus, car on ne peut travailler sous les feux des pillards. Un bilan, somme toute largement positif, égrené par le gouverneur de la Région Atsimo Andrefana devant plusieurs journalistes de radio, télévision et presse écrite de Tuléar le 10 Juin dernier. Tous les secteurs ont porté des changements, un véritable marathon de performance, en veillant particulièrement à l’économie rurale et à la pêche, tout en préservant l’environnement et protégeant la biodiversité, touchant les 9 districts de la Région. Construction ou réhabilitation de 30 km de canaux d’irrigation, dont 12 km à Bevava et le reste dans le district de Morombe. Des routes en pavé ou terrassement, un peu partout, à Ankazoabo ou Betioky et Tuléar, évidemment, sauf la rue qui mène vers le gouvernorat. La RN9 qui conduit vers le Nord de Tuléar est déjà goudronné jusqu’à Analamisampy (107km). Elle se poursuit vers Morondava, traversant le plus long pont de Madagascar, 900m, enjambant la rivière Bevoay, en passant par Manja. L’éclairage rural gagne du terrain et arrive à Beroroha, à la grande satisfaction des habitants. Un barrage à Ampanihy pour maîtriser l’eau et promouvoir la riziculture. Mais, c’est l’enseignement qui a engagé le plus d’investissement. « Ce qui est normal », dit un vieux professeur. « La province de Tuléar reste toujours la plus analphabète de toutes». 117 salles de classe dont 105 EPP, des Centres d’Enseignement Général, des Lycées et des Centres de Formations Professionnelles (2 680 bénéficiaires de formation en pâtisserie et pisciculture). La jeunesse et le sport n’ont pas été négligés, puisque la Cité du Soleil a bénéficié d’une piscine olympique, en cours. Le Stade de Me Kira entièrement rénové, tapissé de gazon artificiel, sans oublier un gymnase de 4 000 places. Tandis que Sakaraha et Ampanihy ont obtenu des gymnases de 1 000 places. La RAA abrite plusieurs zones enclavées. Des villages absolument inaccessibles, sans l’intervention des nouvelles techniques de communications (NTIC), dans les districts d’Ampanihy, Betioky, de Sakaraha et d’Ankazoabo, utilisation de l’internet et de téléphone travaillant avec un satellite (Vsat à Beroroha) ce qui permet d’appeler du secours en cas d’attaque de brigands de grand chemin. Mais qui dit NTIC, dit aussi panneaux solaires, surtout que la RAA ne manque pas de soleil. Grâce à la vulgarisation des Smartphones, certains maires de ces localités ont installé des HotSpots qui permettent aux jeunes de se connecter gratuitement et de se communiquer entre eux. L’Hôtel de Ville de Tuléar permet aussi de se connecter gratuitement à un service de wifi. Pour la première fois, les tuléarois ont vu s’ériger du sable, un grand Bazar à étage, avec deux bâtiments reliés par une passerelle. Une paix entraîne en une autre. Le vol de zébus a diminué fortement grâce au Dinabe (convention entre communautés de plusieurs localités). En effet, après plusieurs attaques aux textes du Dinabe original, l’équipe de Tovondrainy Edally a apporté une amélioration, en admettant « un conseil des sages », pour réfréner les zèles profiteurs, c’est ce qui manquait pour une meilleure harmonie et une paix sociale chez les éleveurs et possesseurs de milliers de bovidés. D’où la renommée de la RAA de « Zone blanche », que les autres Régions jalousent silencieusement. Charles RAZA L’article REGION ATSIMO ANDREFANA : Le gouverneur Tovondrainy Edally rassure est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article REGION ATSIMO ANDREFANA : Le gouverneur Tovondrainy Edally rassure a été récupéré chez Midi Madagasikara.