UNICEF: Ny tokony ataon’ny mpanao gazety manoloana ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizy

News - UNICEF: Ny tokony ataon’ny mpanao gazety manoloana ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizy

News - UNICEF: Ny tokony ataon’ny mpanao gazety manoloana ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizy

Mba tsy hampitombo ny takaitran’ilay niharan’ny herisetra. Mpanao gazety avy amin’ny haino vaky jery aman-tranokala miisa 20 avy eto Antananarivo no nahazo fiofanana avy amin’ny UNICEF momba ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy sy herisetra atao amin’ny ankizy. Ny 16 sy ny 17 novambra 2020 teny Antaninarenina no nanatanterahina izany. “Ny haino vaky jery aman-tranokala dia sehatra iray ahafahana mandefa  vaovao sy mampita hafatra mba handraisana anjara amin’ny fanabeazana ny vahoaka Malagasy amin’ny lohahevitra tena  ilaina toy ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy, ny herisetra atao amin’ny ankizy. Tafiditra ao anatin’ny sahan’asa momba ny hetsika 16 andro iadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy izay hanomboka ny 25 novambra ary hifarana ny 10 desambra 2020 ity fiofanana ity”, hoy ny mampiofana Rossella Albertini, manam-pahaizana manokana momba ny maha lahy sy maha vavy avy ao amin’ny UNICEF Madagasikara.

Nambarany fa nifanandrify tamin’ny tranga niseho matetika, herinandro lasa, tamin’ny haino vaky jery aman-tranokala momba ny  herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy sy herisetra ara-nofo atao amin’ny ankizy ihany koa ity fampiofanana mpanao gazety ity. Noho izany, “tena ilaina ny fiofanana hampitàna ireo vaovao tokony alefa sy ampahafantarana ny fanararaotana ara-nofo atao amin’ny ankizy sy ny vehivavy  ary koa ampahafantarana amin’ny vahoaka ireo ivon-toerana mandray an-tanana izany”, hoy izy. Nandritra ny fiofanana dia  voalaza fa tomponandraikitra ny mpanao gazety satria mety hampitombo ny takaitra mahazo ilay niharan’ny herisetra indray ny lahatsoratra na fanadihadiana nataony. Ho fisorohana izany ihany koa no anisany zava-kendreny ny fiofanana nomen’ny UNICEF.

Lynda A.

Cet article UNICEF: Ny tokony ataon’ny mpanao gazety manoloana ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizy est apparu en premier sur déliremadagascar.

UNICEF: Ny tokony ataon’ny mpanao gazety manoloana ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizy

L’article UNICEF: Ny tokony ataon’ny mpanao gazety manoloana ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizy a été récupéré chez Délire Madagascar.

Nivoaka tamin'ny : 19/11/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

Pilo Kely aroson’i Mamy Be

L’article Pilo Kely aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Basikety – “Smatch’in XXL”: tsara toerana ny ekipan’ny DEGS

Niditra tamin’ny andro fahefatra, omaly, ny fifaninanana eo amin’ny taranja basikety “Smatch’in XXL”, hifanandrinan’ireo sekoly ambony, miisa 32. Efa nahitana sahady ireo ekipa misongadina izay lalao maromaro efa vita izay. Ho an’ny sampam-pianarana DEGS, tsara toerana ity ekipa ity, taorian’ny fandresena intelo azony, nandritra izay efatra andro izay. Raha tsiahivina, fandresena nanoloana ny ekipan’ny ENS Ampefiloha no nisantaran’ny DEGS ny fahombiazana, ny alahady lasa teo, tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Mbola notohizany izany, tamin’ny alalan’ny fandresena indroa izany, omaly. Ny lalao voalohany izay nandavoany ny ekipan’ny INSCAE tamin’ny isa 39 no ho 36, fifandonana tena niady tokoa, saingy nampisehoan’ireo kalaza lahy avy ao amin’ny DEGS ny fahaizany. Ny lalao faharoa kosa, nihaonany tamin’ny ekipan’ny UCM Ambatoroka, ity farany izay tsy afa-bela fa voailika tamin’ny isa 48 no ho 33. Azo lazaina, araka izany, fa efa anisan’ny ekipa ho tafakatra amin’ny dingana ambonimbony ny DEGS raha izao vokatra tsara azony izao. Hiditra amin’ny andro fahadimy ho amin’ny anio, ity fifaninanana ity, ny asabotsy sy alahady izao no hanatanterahana ny lalao manasa-dalana sy famaranana. Mi.Raz Voka-dalao, talata 14 mey 2019:Cnela 53-54 AceemESD 44-59 UprimEscame 44-37 SamisSciences 85-67 St Michel ItaosyUCM 57-26 UprimInscae 36-39 DegsCNTEMAD 31-57 EspaMedecine 42-29 IEPDegs 48-33 UCML’article Basikety – “Smatch’in XXL”: tsara toerana ny ekipan’ny DEGS a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanovana toe-tsaina: natahoran’ny mpanjanaka ny teatra

Anisan’ireo zavakanto vahiny nofolahin’ny Malagasy hifanaraka amin’ny aingam-panahiny,ny  fomba fisainany, sns, ny teatra. Nanjary teatra klasika malagasy mihitsy aza moa ny anarany taty aoriana… Nandalo fotoan-tsarotra anefa izy io…Iray amin’ireo kolontsaina sy ny zavakanto niroborobo fatratra ny teatra, nandritra ny vanim-potoan’ny fanjanahantany teto Madagasikara ka hatraty amin’ny Repoblika voalohany. « Raha ny vaovao ofisialy, nitriatra Ambatovinaky (trano filalaovana teatra) ka izay ny antony nandrodanana azy », hoy i Mbato Ravaloson. Raha ny filazan’ny mpilalao teatra sy ireo mpitia teatra tamin’izany fotoana izany anefa, vokatry ny fahatezeran-dry zareo mpanjanaka, noho ny « Raharaha 1947 », ny anisan’ny antony nandrodanana ilay trano fanaovana teatra tetsy Ambatovinaky. « Raha ny fanadihadiana nataon’ny teo aloha sy notohizana taty aoriana, nanana ny lanjany teo amin’ny fiainam-piarahamonina malagasy ny fisian’ny teatra tamin’izany. Kolontsaina malagasy, hira malagasy, teny malagasy, sns, no novoizina tao, hany ka natahotra ny mpanjanaka sao sanatria hampitombo ilay fitiavan-tanindrazana ao amin’ny Malagasy ny fisian’ny teatra ka naleony narodana ny taona 1953 Ambatovinaky », hoy hatrany i Mbato Ravaloson.Notsiahiviny ihany koa ny vina tany amin’ny taona 2010. Efa nisy ny dinika nifanaovana tamin’nireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Averina ny endrika ivelan’ilay trano filalaovana teatra tetsy Ambatovinaky. Ny anatiny kosa, atao « Musée d’art ». Hatreto anefa, mijanona ho vina tokoa io fa tsy mbola nisy asa notanterahina. Efa zary toerana fanariana maloto rahateo Ambatovinaky nijerena teatra fahiny !HaRy RazafindrakotoL’article Fanovana toe-tsaina: natahoran’ny mpanjanaka ny teatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Adin’akoho – «Grand combat de coq 2.0»: 5 tapitrisa Ar ny loka hozaraiana

Hotanterahina, ny asabotsy 5 sy ny alahady 6 desambra ho avy izao, eny amin’ny kianja Anosisoa Ambohimanarina, ny adin’akoho na ny “Grand combat de coq 2.0”, andiany voalohany. Ady 10 ny voalahatra ka hifanandrina amin’izany ireo akoholahy raitra sy mendrika indrindra. Io ny nambaran’ireo mpikarakara ny hetsika mivondrona ao anatin’ny fikambanana Rooster King, tamin’ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly zoma tetsy Antsahavola.Hahatratra 5 tapitrisa Ar ny vola hozaraina ho an’ireo mpandresy amin’ity. Tanjon’ny Rooster King ny hanome vahana ireo mpiompy izay tena fototra hahazoana akoho mpiady kalaza ka ezahin’izy ireo ny hanohana fitaovana sy vola. Ezahina ihany koa ny hampifanatona ny efa matihanina sy ny vao misandratra amin’ity adin’akoho ity. Araka izany, tsy hisy ilay fakana 10% toy ny mahazatra amin’ny mpiompy. Tsy ferana kosa ny lelavola hiadian’ny akoho amin’ity fa izay hifanarahan’ny tompon’akoho roa tonta.Mialoha ny ady, hisy ny fampitoviana ny akoho, hotanterahina ny alahady 22 novambra ho avy izao, ka eo no hifantenan’ireo mpitsara efa matihanina ny akoho 10 mendrika hiakatra kianja. Araka izany, hisy ny fanadihadiana hatao amin’ny akoho tsirairay. Ankoatra izay, ady tsy misy “jockey” ity atao ity, saingy kosa manaraka ny fepetra rehetra ny fihaonana. Nomarihin’i Roger Luc, mpitondra tenin’ny fikambanana Rooster King, fa natao ho an’ny sokajy rehetra ity “Grand combat de coq 2.0” ity. Nolazain’Andriantsidikana, filohan’ny fikambanana, fa alefa mivantana amin’ny “facebook” sy ny “youtube” Rooster King ny ady rehetra. TorcelinL’article Adin’akoho – «Grand combat de coq 2.0»: 5 tapitrisa Ar ny loka hozaraiana a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Handball- CAN : Une chaîne de solidarité tissée autour des joueuses

Les membres de Madas dont l’ancien grand gardien Charlot Andriamady remettant du matériel à Miora. Il a suffi d’un coup de fil du président de la Fédération Malgache de handball, Fidèle Razafintsalama, à son ancien coéquipier de l’AS St Michel, Alain le Cobra, pour mettre en place une véritable chaîne de solidarité. Comme ce dernier est également président de l’association Madas, il a sollicité tous les membres pour apporter aide et soutien à l’équipe nationale féminine qui va défendre nos couleurs au Cameroun du 8 au 18 juin. C’est ainsi que deux membres issus du CAP Madagascar en l’occurrence Zo Rabarijaona et Andry Solofo Raveloson ont pu négocier une importante remise sur les billets des quatre joueuses en France, de deux autres de la Réunion et la capitaine Valérie de Mayotte. Un tarif trois fois moins cher qui n’a pas pour autant empêché les membres de Madas de mettre la main à la poche. En prenant une part active sur le prix des billets mais aussi en cotisant pour offrir du matériel dont des ballons, une pompe et l’indispensable résine. Mais la chaîne s’est étendue à d’autres membres de Madas dont Vévé- Olivier Andriamanantena qui est allé accueillir à Roissy les deux joueuses de la Réunion envoyées par Tsimba Kely, la star de St Michel football. Patoune, pour sa part, est allé prendre, tôt hier matin, les passeports à Roissy. Un très bel élan de solidarité en fait et qui ferait très certainement école. Celle du Masindahy entre autres. Clément RABARY L’article Handball- CAN : Une chaîne de solidarité tissée autour des joueuses est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Handball- CAN : Une chaîne de solidarité tissée autour des joueuses a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Meteo malagasy: ho maina ny andro

Maina ny andro amin’ny ankapobeny manerana ny Nosy, mandritra ny hateloana, araka ny fanamarihan’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Ny tapany avaratra atsinanana (Sava sy Analanjirofo) no hahazo orana. Hiakatra ny maripana ambony indrindra raha mitaha ny tamin’ny omaly satria efa maivana ny fitsokan’ny alizay. Manodidina ny 25°C ny hafanana ho tsapan’ny rehetra eto Analamanga. Mbola hidina kosa anefa ny maripana ambany indrindra ho an’ny afovoan-tany, mandritra ny telo andro, noho ny zavona maraina. Hidina hatrany amin’ny 4°C ny any Vakinankaratra sy ny faritra avo rehetra. Momba ny toetry ny andro anio, ho maina ny eto afovoan-tany mandritra ny tontolo ny andro. Eto Antananarivo, rahampitso, ho rakotra zavona ny faritry ny afovoan-tany ny maraina izay hisava miandalana ary ho maina ny andro avy eo.Vonjy L’article Meteo malagasy: ho maina ny andro a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fandraisana lalao: mila fankatoavana avy amin’ny Fifa ny kianja Barea

Araka ny lalàna, izay nohazavain’ny tomponandraikitry ny baolina kitra iray, tsy maintsy mahazo fankatoavana avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa), vao azo hanatanterahana lalao ny kianja Barea  Mahamasina. “Tsy maintsy mijery ifotony toy izay efa natao tamin’ny  kianja Barikadimy izany fa tsy lazalazaina fotsiny amin’izao fa azo atao eo ny lalaon’ny Barea sy i Niger, amin’ny 30 marsa ho avy izao”, hoy ihany ity tomponandraikitra iray ity.Nambarany koa fa “tsy maintsy mbola hisy tomponandraikitry ny Fifa, ho avy eto Madagasikara hijery ireo pitsopitsony rehetra mahakasika ny fotodrafitrasa ka hanaovan’izy ireo tatitra any amin’ny foibeny”. Aorian’izay vao manome ny fahazoan-dalana na tsia ny Fifa. Araka izany, tompon-teny farany ny federasiona iraisam-pirenena fa tsy ny fitondrana malagasy akory. Faniriana ihany, araka izany, ny an’ny mpitondra ny hanaovana ilay lalao eo Mahamasina. Tsiahivina fa araka ny fanambarana nataon’Andriamanohisoa Gérard, mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena, nandritra ny fidinana ifotony, ny alatsinainy lasa teo, tsy mbola vita tanteraka akory ny kianja fa ny bozaka no ezahina amboarina handraisana ny lalao. Hisy faritra tsy mbola azo idiran’ny olona. TompondakaL’article Fandraisana lalao: mila fankatoavana avy amin’ny Fifa ny kianja Barea a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Orinasa Base Toliara: miandrandra fampandrosoana ny mponina

Miharesy lahatra hatrany ny mponina any Toliara sy ny any amin’ny toeram-pitrandrahana fasimainty any Ranobe sy ny manodidina, ny voka-tsoa entin’ny fisian’ny orinasa Base Toliara. Hitondra fampandrosoana ho an’ny mponina sy ny faritra, ary mba tsy hisy intsony ny filazana fa « fasan’ny tetikasa ny any Toliara ».Natao, ny alarobia 31 jolay teo, ny fombafomba, “titike”*, midika ho fampihavanana, sy fandravonana ny disadisa eo amin’ny mpomba sy ny manohitra ny fisian’ny tetikasa Base Toliara, hitrandraka fasimainty, any Ranobe Toliara, faritra Atsimo Andrefana. Fotoana ihany koa nangatahana tsodrano, hananganana ny fotodrafitrasa hiantsonan’ny sambo any Andaboly, morontsiraka, hitaterana ny fasimainty avy any an-tanety mankeny afovoan-dranomasina, mialoha ny hitondran’ny sambo ny akora mankany ivelany.Nanatrika ny fotoana ny manam-pahefana sy ny tompon’andraiki-panjakana samihafa, notarihin’ny prefen’ny faritra Atsimo Andrefana, ny mpitandro filaminana, niaraka amin’ny mpitantana ny orinasa Base Toliara. Teo koa ny ankolafin’ny mponina, ny fikambanana samihafa, toy ny fikambanan’ny zana-driaka ivondronan’ireo mpanjono (Fivetelo, Vezo Tealongo Besakoa, ny fikambanana Nosivato Miray Anketraka (ANMA), ny fikambanan’ny zatovo tsy an’asa any Toliara (ZTAT), sns.Maro ny zanak’i Toliara manana diplaomaAnisan’ny solotenan’ny olobe any an-toerana nandray fitenenana i Soafilira Cinah, nilaza fa  nanohitra ity tetikasa fitrandrahana fasimainty ity izy ireo tany am-boalohany satria tsy mazava ny fototry ny tetikasa. Saingy, resy lahatra ankehitriny, ary miandrandra haingana ny hanatanterahana azy mba hitondra fampandrosoana ny faritra Atsimo Andrefana sady hanome asa ny tanora ary tsy ho fasan’ny tetikasa intsony i Toliara. Maro rahateo ny zanak’i Toliara manana diplaoma maniry hiasa.Voakasik’ity tetikasa Base Toliara ity ny kaominina efatra ahitana fokontany 18. Nilaza ny filohan’ny filankevitra monisipaly ny kaominina Tsihanisia fa tsy misy intsony ny tsy fifankahazoana eo amin’ny mponina, koa vonona hiasa ny vahoaka sy ny tanora. Notsoriny fa efa maro ny fotodrafitrasa naorin’ny Base Toliara, toy ny famatsiana rano madio fisotro, ny fanamboaran-dalana amin’ny alalan’ny asa tana-maro, ny fananganana tohodrano sy lakandrano, ny famatsiana fitaovam-pamokarana, sns.Tsy mankarary ny fasimaintyNitsotra ny manamboninahitra zandarimaria, sady filohan’ny fikambanan’ny Vezo, fa nanohitra tokoa izy tany am-boalohany, saingy nihemotra izy taty aoriana. « Tsy ho izaho mihitsy no hanakana ny fampandrosoana aty an-toerana”, hoy izy.Tafaresaka tamin’ny filohan’ny faritra Anosy (misy ny tetikasa QMM) ihany koa ity manamboninahita ity, fony izy filohan’ny faritra Atsimo Andrefana, ary nilaza taminy fa tsy mankarary ny fasimainty. Nanamafy izany ny tale jeneralin’ny Base Toliara, Ramahefarivo Jean Bruno, fa “araka ny tatitry ny INSTN (Ivontoeram-pirenena mikasika ny teknolojia nokleary), ny taona 2013 sy 2018, tsy atahorana ho an’ny olombelona ny fasimainty.“Esory ny sakana”, hoy ny préfetNilaza ny préfet-n’ny faritra Atsimo Andrefana, i Vladmir Edmond, fa “aoka isika tsy hamita-tena ka raha sendra marary dia ailika any amin’ny Base Toliara ny nahatonga ny aretina. Manana bokin’andraikitra ity orinasa ity ary manara-maso ny fanjakana”. Etsy ankilany, nambarany fa nahaheno tatitra izy fa misy manao sakana any akaikin’ny toerana hananganana ilay fotodrafitrasa amoron-dranomasina. Hentitra ny nanomezany baiko, “esory haingana teo izany sakana izany, anaro ny zanatsika, aoka tsy ho tia ady na korontana satria samy Malagasy isika”.Njaka Andriantefiarinesy Fandaharam-potoan’ny Base Toliara2001 : Fahazoan-dalana hikaroka2012 : Fahazoan-dalana hitrandraka2015: Fahazoan-dalana ara-tontolo iainana2017: Nohavaozina ny fahazoan-dalana hitrandraka2019: Fanadihadiana ny fanorenana ny fiantsonan’ny sambo2020: Fanamboarana ny fotodrafitrasa2021: Fitrandrahana ny fasimaintyFaharetan’ny fitrandrahana: 40 taona amin’ny velaran-tany 7 000 ha. Tsy ao anatiny ny faritra arovana misy ny alan’ny Mikea. Hoy izy ireo…I Régis : Nanohitra izahay tany aloha satria nahaheno fa mankarary ny fasimainty. Nazava aminay anefa fa diso tanteraka izahay ary mahatsapa ankehitriny fa ilaina ny fampandrosoana entin’ny Base Toliara. Andrasanay ao anatin’ny fikambanan’ny zana-driaka (mpanjono) ny hamatsiana fitaovana toy ny lakana, ny fianarana ho an’ny ankizy, ny asa ho an’ny tanora tsotra sy ny manana diplaoma, ny fitaovam-pamokarana ho an’ny vehivavy, toy ny mpanao asa tanana avy amin’ny akorandriaka, sns.I Edmond: Fantatray ny fahasoavana entin’ny Base Toliara, ankehitriny. Anisan’ny nifampiraharahanay fokonolona aminy ny fananganana fotodrafitrasa ilain’ny vahoaka, toy ny famatsian-drano sy ny herinaratra, ny toeram-pitsaboana sy fianarana. Eo koa ny fangatahanay fitaovana hitahirizana hazandrano eto Ambohitrabo, ny fiofanana ho an’ny mponina, sns. L’article Orinasa Base Toliara: miandrandra fampandrosoana ny mponina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

CHU GOB Befelatanana: hatokana ireo bevohoka mararin’ny covid-19

Nohavaozina ny efitrano maromaro ao amin’ny hopitaly fiterahana Befelatanana hahafahana mandray an-tanana ireo reny bevohoka mitondra ny tsimokaretina coronavirus na ireo efa mararin’ny aretina covid-19 mihitsy, eny fa na ireo ahitana fambaran’aretina fotsiny ihany aza. Nisy ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny UNFPA nahafahana nanatsara ireo efitrano ireo. Tanjona ny hisorohana ny valanaretina amin’ny reny tonga manao fizaham-pahasalamana sy manaraka ny vohoka ary ireo miteraka ao.Tafiditra ao anatin’ny sokajin’olona marefo rahateo ny reny mitondra vohoka ka mora handairan’ny aretina. Mila fitandremana manokana izy ireny, araka izany.Hopitaly anisan’ny mandray mpiteraka maro ny etsy Befelatanana. Ao no misy ireo mpampivelona efa tena za-draharaha ary manana ny fitaovana ampy amin’ny fiatrehana ny fiterahana ka maro ireo renim-pianakaviana misafidy ny hiteraka ao. Matetika, mandray ireo saro-piterahana avy any ambanivohitra alavitra ihany koa ity hopitaly lehibe ity noho ny fananany traikefa amin’izany.Tatiana AL’article CHU GOB Befelatanana: hatokana ireo bevohoka mararin’ny covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

“Somarôho!” andiany faha-6: vahiny andrasana i Flavour sy i Diamond Platnumz

Ny azy, izay ampanantenainy dia tanterahiny… Toetran’i “Konka”, anarana nomen’ireo akaiky azy, an’i Wawa, izay. Ho avy any Nosy Be i Flavour amin’ity…Efa teto i Diamond Platnumz. Tsy hoe nandalo fotsiny fa nametraka fahatsiarovana tsara ho an’ireo mpankafy azy ao Nosy Be, nandritra ny fandraisany anjara tamin’ny “Festival Sômaroho!” ity mpanakanto iraisam-pirenena ity. Fitia mifaly satria tsy nahafoy ihany koa an’i Madagasikara ka mbola hiverina amin’ity andiany faha-6 ity i Diamond Platnumz. Anisan’ireo vahinin’i Wawa, mandritra ny “Festival Sômaroho!”, hotontosaina ny 31 jolay hatramin’ny 4 aogositra ho avy izao, ao Nosy Be, izy. Nampisafidy ny mponin’i Nosy Be i Wawa, nandritra ny seho famaranana ny andiany fahadimy, tamin’ny taon-dasa. “Iza ny tianareo ho avy: i Kassav, i P Square sa i Flavour? Tsy maintsy tongantsika eto farafaharatsiny ny iray amin’ireo amin’ny taona ho avy”, hoy izy. Ho tanteraka tokoa izany satria fantatra fa ho avy i Flavour. Mpanakanto nizerianina malaza izy, ary efa nampiara-peo tamin’i Diamond Platnumz ihany koa tao anaatin’ilay hira “Time to party”. Tsy izy ireo ihany fa mbola ho avy koa i Franko, ilay mihira ny “Coller la petite”, efa nanao seho tsy nahomby teto Antananarivo. Ankoatra izay, nasaina manokana ry Chigoma & Mbiwi, avy atsy La Réunion. Tsy ho latsa-danja amin’ireo vahiny anefa ireo mpanakanto malagasy nasain’i Wawa. Ao ireo efa malaza eto sy any ivelany ihany koa, ary misy kosa ireo vao misondrotra. Hifandimby ao amin’ny sehatra ao Ambodivoanio ry Black Nadia, Amc Junior, Lahety, Tax Olo Fotsy, Sofia Goma, Bibiana, Tence Mena, Big MJ, Taa Tense, Haramy, Jaojoby, Lico Kininiky, Mario, El Kiss, Dedaky, Madmax, Rijade, Basta Lion, sns. “Efa tomombana ny fanomanana sy ny fandraisana ao Nosy Be amin’izao fotoana izao. Tsy ny lafiny fampisehoana ihany fa eo koa ny lafiny fanatanjahantena sy ny fizahantany, izay tsy afa-misaraka amin’ny “Sômaroho!”, hoy ny nambaran’i Perkin, solontenan’ny mpikarakara, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly tetsy amin’ny Futsal Andraharo. Zo ny Aina L’article “Somarôho!” andiany faha-6: vahiny andrasana i Flavour sy i Diamond Platnumz a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

A vendre Vend CF Moto 150NK
18/06/2021

🚦CF Moto 150nk 🏍 - 6 vitesses - Kilométrage 15xxx km - 2 modes de conduites : Sportive 🚀/ Economique⛽️ - Peinture carbone personnalisée  - Rétroviseur kit Rizoma - Anti crache et cache réservoir installé  - Immatriculé WWTMoto très bien entretenue, rien à prévoir, très faible consommation.Prix: 8.000.000Ar légèrement à débattre Contact: 0327850398 📞 ToamasinaCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Vend CF Moto 150NK".

Emploi et services Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction
16/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement un Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction.Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 150 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC.MISSIONS:Le Business Unit Manager développe et assure le bon fonctionnement de ses activités :PROFILS :AVANTAGES :Veuillez adresser votre candidature à l’adresse recrutement@eufonie.fr à l'aide de votre CV et d’une lettre de motivation. Pour entrevoir nos offres d'emploi, merci de visiter www.eufonie.fr/jobs.Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction".

A louer Location voiture
15/06/2021

Location 4×4 - Toyota New Prado >>7 places, voiture confortable et économique,  >>Voiture classe, adéquats pour les évènements familiaux ou affaires, >courses en ville, en périphérie, ou en province - Chauffeur expérimenté pour les circuits touristiques - Le tarif varie en fonction de la destination et du trajetContact: 034 84 747 64Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location voiture".

Emploi et services Développeur Phyton
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le domaine de l'externalisation,Développeur PhytonEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVPHYTON-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Phyton".

A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE – TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨
18/06/2021

✨✨  ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE -  TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨L’Agence Immobilière AINA Antsirabe vous propose à la vente, ce beau terrain plat constructible,  idéal pour des projets. Terrain titré et borné. Situé au bord de route principale. Accessible en voiture.Electricité à proximité.➡️ LOCALISATION : ANDRANOMANELATRA à 500m  de la route nationale  RN7➡️ SURFACE DU TERRAIN : 02HA 10A 09CA   NON MORCELABLEPour plus d’informations contactez-nous🏠 AGENCE IMMOBILIÈRE AINA ANTSIRABE🌐 https://aina-immobilier-antsirabe.com📩 contact@aina-immobilier-antsirabe.com☎ 0340255077 - 0330255077 – 0328347800Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE - TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨".

Emploi et services Travaille en ligne
18/06/2021

Quelle est l'essence de l'œuvre ? Nous proposons aux utilisateurs de visionner des vidéos promotionnelles prépayées de divers annonceurs mondiaux et d'obtenir de l'argent pour cela. Parmi nos annonceurs figurent les plus grands producteurs d'appareils électroménagers, les principaux détaillants et les meilleurs blogueurs vidéo. Notre système accepte uniquement les vidéos à haut rendement et de haute qualité sélectionnées et testées par nos experts. Combien puis-je gagner ? À l'heure actuelle, le coût d'une minute de vidéo promotionnelle est de 50 centimes. C'est simple : pour 1 heure de travail, vous pouvez gagner 30,00 dollars. Si vous travaillez au moins 3 heures par jour, votre revenu quotidien sera de 90,00 $, et dans un mois, il sera de 2700 dollars. Selon les résultats des enquêtes menées, le site txovideo.xyz est actuellement le système leader parmi les autres systèmes de visionnage de vidéos payantes. Vous pouvez le constater par vous-même - voir  les paiements en ligne Comment puis-je retirer de l'argent? À la demande de l'utilisateur, l'argent est retiré du système dans un délai d'une heure pendant les heures de travail ou dans un délai de 3 à 4 heures en dehors des heures de travail (y compris les jours fériés et les week-ends). Nous proposons un choix de plusieurs systèmes de paiement, à l'aide desquels vous pouvez retirer l'argent gagné. Pour le moment, le retrait est possible sur les cartes bancaires de toutes les banques étrangères, les comptes bancaires, les portefeuilles Bitcoin et PayPal (via le système de paiement Western Union)Plus d'informations et inscrivez vous à partir de ce lien  https://txovideo.xyz/969907918013662Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travaille en ligne".

Emploi et services Gagner de l'argent en ligne
19/06/2021

Nous vous proposons une opportunité intéressante pour gagner de l'argent en ligne. Votre rôle consiste à remplir des micro-tâches comme répondre à des sondages, essayer certaines applications, répondre à des quiz etc. Cliquez sur ce lien :https://paidera.com/?r=2057784Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Gagner de l'argent en ligne".

Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT
14/06/2021

Voici des sites qui permettent de gagner de l'argent gratuitementhttps://mining-forever.com/?ref=rajaonarshttps://duplinow.com?aff=70888https://banana-cash.com?aff=15898https://topmining.host/?ref=1190Vous n'avez pas de compte payeer ?https://payeer.com/?session=16887921Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT".

Emploi et services Développeur Codeigniter
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le BTP,Développeur CodeigniterEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVCODEIGNITER-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Codeigniter".

Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)
18/06/2021

Nous recrutons pour un structure d’externalisation, unASSISTANT COMMERCIAL SENIORMissions :- Assurer les premières démarches commerciales (mail / téléphone) via base des données existante- Assurer l’Onboarding des professionnels sur la plateforme- Assistance clientèle sur les démarches d’inscription sur la plateforme- Assurer le suivi des procédures d’achat et de livraisons- Assurer le SAV : Gestion du service client (Mail / téléphone / chat)Profil:- Titulaire d’un bac +3 minimum en commerce, marketing, communication- Expériences probantes dans le domaine de la relation client- Bonne maîtrise du Français (lu, écrit, parlé)- Bonne maîtrise du pack office- Autonome, rigoureux (se) et professionnel (le) Envoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence ASSISTANTCOMS-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)".

Emploi et services PDF à propos de ADWORD
14/06/2021

Vous vous demandez peut-être comment les grandes entreprises utilise la technologie pour promouvoir ses produits.Ne vous inquiétez voici-ci quelques notion qui pourrait vous aider.Dans ce pdf de Content Marketing 101https://bit.ly/3cqJQLY AdWords Annihilationhttps://bit.ly/3zavLMDCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services PDF à propos de ADWORD".

A louer TANY AHOFA
15/06/2021

Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer TANY AHOFA".

Notsongaina

Izay manan-tsaina, manangan-tsaina…
14/06/2021

Amin’izao ankatoky ny 26 jona izao, lasa adihevitra etsy sy eroa ho azy ary ifampijerijerena havia sy havanana ny amin’ny fananganan-tsaina enti-manamarika sy mankalaza ny ny fiverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena. Mbola mila fampahatsiahivana, fanentanana, fanazavana. Misy ny manadino na tsy mahalala? Na manao fanahy iniana… Ao ny tsy misy na tsy manana saina ka tsy manangan-tsaina?Misy ny mahita ka milaza fa difotry ny fahasahiranana efa ho lava ny ankamaroan’ny olona, tsy tsarotsaroana ho azy mbamin’ny fiainam-pirenena. Tsy mahagaga raha tsy mahatsiaro saina? Mbola mafy fa tsy mahafa-bela koa ny dona sy ny fiantraikan’ny fihibohana noho ny hamehana ara-pahasalamana iadiana amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19. Tsy hita na verivery ho azy mbamin’ny saina ny an’ny sasany?Tsy vitan’izay, misy koa ny tena manao fanahy iniana noho ny antony politika: tsy mahazoazo na tsy mahazaka ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Any amin’ny saina no miala vonkina? Toa ny firenena no iadiana, ny fiandrianam-pirenena no tsy ahatsiarovan-tsaina. Anamarinan-tena amin’izany ny hoe tsy mbola mahaleo tena i Madagasikara, very ny hasin’ny fiandrianam-pirenena… Izany moa no inona?Tsy vao mainka fanariana hasina ny fiandrianam-pirenena ve ny tsy fananana sy fananganana saina amin’izany? Ady fiady mandrakariva… Tsy ao anatin’ny ady aza ve, ohatra, ny mpiantafika no tena mampiseho saina fa vonon-kiady sy vonon-kandresy? Tsy arefarefa na afenina ny saina. Misy ny minia manabotetaka saina amin’izao fahatsiarovana ny fiverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena izao?Na ahoana na ahoana, ndeha hanova na hanovana ny maha firenena ny firenena sy ny fiandrianany ve, ohatra, ny tsy fitovian-kevitra politika? Dia arefarefa ny saina, ahorona ny saina, tsy mitsangana ny saina… Nefa misy ihany ny hoe manana sy misy saina? Na heverina ho izany… Izay manana sy misy saina, manangan-tsaina. Mba tsy ho voasarika amin’izany koa ny hafa na ny tena. Mila ampiasaina ny saina?Rafaly Nd.  L’article Izay manan-tsaina, manangan-tsaina… a été récupéré chez Newsmada.

Tselatra
18/06/2021

 Voasambotry ny polisy, ny alarobia teo ilay teratany vahiny 41 taona mpanao trafikana rongony. Tratra teny Analamahitsy izy ary mbola nahatrarana rongony milanja 450g. Fantatra ihany koa fa efa tapitra efa ela ny fe-potoanan’ny taratasy ahafahany mijanona eto Madagasikara, hoy ny polisy. Nambarany fa sady mivarotra no mifoka rongony io lehilahy io. Mifoka izany indroa isan-kerinandro izy ary ireo olona fantany sy mifandray aminy eny Analamahitsy sy Ambatobe no manjifa izany amin’ny vidiny 40.000Ar ny grama.Tra-tehaky ny polisy tetsy anoloan’ny HJRA, omaly maraina, ny lehilahy iray voalaza fa mpamaky fiara. Lasibatrany tamin’izany ny fiarana mpitsabo ao amin’ny HJRA ka lasany  ny « auto-radio » tao anatiny. Tsikaritry ny tompon’ny fiara ny asa ratsin’io lehilahy io ka niantso polisy avy hatrany izy. Tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana ka mbola tratra teny aminy avokoa ireo fitaovana efa namboariny manokana hanokafany fiara. Natao fanadihadiana ralehilahy ary efa naverina tamin’ny tompony ny entana nangalariny. L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

Jly Sahivelo Delphin: voatendry ho lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika
19/06/2021

Tontosa omaly teny amin’ny Etamazaoron’ny Tafika eny Andohalo ny famindram-pitantanana ara-taratasy teo amin’ny lehiben’ny Etama­zao­ron’ny Tafika teo aloha, andeha hisotro ronono, ny Jly Rabenaivoarivelo Jean Claude sy ny lehiben’ny Etamazao­ron’ny Tafika vaovao, ny Jly Sahivelo Delphin. Voatendry nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny 18 jona 2021 teo ity manamboninahitra ambony hisahana ny fibaikoana eo anivon’ny Tafika Malagasy ity. Marihina fa nisahana ny fandrindrana ankapobeny ny tetikasa teo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny lehiben’ny Etamazao­ron’ ny Tafika vaovao.Jean ClaudeL’article Jly Sahivelo Delphin: voatendry ho lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika a été récupéré chez Newsmada.

Antsiranana : La cherté de la vie fait rage !
15/06/2021

Pendant que l’Etat plonge dans une impasse due à la crise sanitaire, les foyers malgaches en général et ceux des Antsiranais en particulier, eux, souffrent de la flambée des prix. Quant aux commerçants, ils se plaignent de ne pas recevoir de clients, et de vendre parfois à perte. A Antsiranana, ça chuchote dans les rues. Comme toutes les régions, depuis presque un an, la région Diana traverse une crise financière sans précédent. Pour juguler cette crise, l’autorité locale a pris une série de mesures, parmi lesquelles la distribution de poissons dans chaque quartier. Mais cela n’apaise pas cette situation alarmante. Conséquence, les foyers ont des difficultés pour se nourrir car les prix des denrées alimentaires continuent de flamber. L’économie de la région est en difficulté à cause surtout d’une forte baisse du nombre de touristes et du manque d’investissements étrangers. La hausse du prix des produits de consommation de base au cours des derniers mois est, pour de nombreux habitants, le problème le plus important. Par rapport aux Malgaches plus fortunés, la hausse du prix des aliments de base a été particulièrement importante, et a nui de façon disproportionnée aux habitants les plus pauvres qui doivent consacrer à l’alimentation une part plus importante de leurs maigres revenus. Iss Heridiny  L’article Antsiranana : La cherté de la vie fait rage ! est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Antsiranana : La cherté de la vie fait rage ! a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fandrahonana ho faty anaty finday: mpivady sy tovolahy iray mpisoloky samy voasambotra
18/06/2021

 Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora, ny alarobia teo ireo mpisoloky sahy mandrahona olona ho faty amin’ny finday rehefa tsy manome vola izay tadiaviny. Voasambotra, ny alahady teo, teny Androndra ireo mpivady mpanao ny asa ratsy, dia ny vehivavy iray 34 taona sy ny lehilahy vadiny 24 taona. Nanoro ireo mpiray tsikombakomba taminy koa izy mivady ka tratra teny Ampamatanana ilay tovolahy vao 19 taona.Miantso amin’ny finday amin’ny laharana miafina ireo mpisoloky. Lasibatra tamin’izany ny raim-pianakaviana iray ka notakin’ireo mpisoloky vola mitentina 10 Tapitrisa Ar. Mbola nilaza koa izy ireo fa hananany vola ny zanany ka vonoin’izy ireo ho faty ilay lehilahy raha tsy mandoa ny vola amin’ny fotoana voatondro.  Nitohy  ny fandrahonana voarainy ary nilaza ho mahafantatra ny toeram-piasana sy ny toeram-ponenany ireo mpisoloky ka hopotehina sy dorana ireo rehetra ireo raha tsy manome ny vola izy. Velon-tahotra ny raim-pianakaviana ka niantso ny polisy hiaro azy. Hatairana ny an’ilay raim-pianakaviana raha nahita ireo mpampihorohoro azy voasambotra. Efa nangalan’ireo olon-dratsy vola izy, efa voasolokiny ihany koa tamin’ny alalan’ny kariera iray izay tsy misy akory. Fantatra fa safidin’ireo mpisoloky mihitsy ny olona hampihorohoroany. Tsy vao sambany koa izy ireo no mitady fomba ratsy hahazoana vola aman’olona. Ary ilay tovolahy mpiray tsikombakomba aminy no nasainy miantso io raim-pianakaviana tamin’ity tranga ity. Henintsoa HaniL’article Fandrahonana ho faty anaty finday: mpivady sy tovolahy iray mpisoloky samy voasambotra a été récupéré chez Newsmada.

Anjanahary : Recrudescence des vols à la tire
14/06/2021

Les citoyens s’inquiètent de la sécurité en raison de la multiplication des vols qui, force est de constater, n’ont jamais été élucidés. La multiplication des vols ne cesse de prendre de l’ampleur dans les quartiers populaires. Ces dernières semaines, de nombreux vols à la tire ont été constatés. « Les malfaiteurs s’activent dans le périmètre urbain en utilisant la ruse et les subterfuges pour arriver à leurs desseins », selon un responsable de fokontany. Dernièrement, les internautes ont assisté à un spectacle inhabituel. Une femme en larmes, en public, à Anjanahary. Elle aurait été victime d’une arnaque et d’un vol, suivis d’une effraction, commis par deux individus (un homme et une femme)). Cette dernière aurait obligé la victime à lui donner son vêtement, « un blouson en cuir », supposant lui appartenir. Choquée, la fille ne comprenait pas ce qui se passait, vu qu’elle ne connaissait même pas ces personnes. Puis, l’homme a haussé la voix et a enlevé la veste en cuir de la victime par la force en prétextant que celle-ci appartenait à sa femme. La victime ne pouvait que pleurer. Le phénomène de vol a été signalé sur les réseaux sociaux. Cette histoire pourrait passer pour un simple fait divers, mais l’incident a provoqué une véritable psychose dans le quartier et au-delà. Les gens évitent actuellement d’avoir un quelconque contact avec des inconnus. Les actions menées par les forces de l’ordre n’arrivent malheureusement pas à endiguer ce phénomène qui ne cesse d’inquiéter la population. Rien n’est épargné par les malfrats qui agissent impunément, même en milieu de journée. Des femmes, des passants ont été les cibles des malfaiteurs, emportant argent, téléphones, bijoux, sacs et vêtements de marque. Un résidant à Anjanahary témoigne «  ce fléau n’est pas nouveau, mais c’est la première fois que j’entends une histoire de vol de « perfecto »…, on ne peut plus porter des habits à la mode et chers ? C’est malheureux... ». Cependant, les quartiers mobiles et les chefs de fokontany tentent toujours d’instaurer des dispositifs de lutte contre le phénomène. Yv Sam L’article Anjanahary : Recrudescence des vols à la tire est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Anjanahary : Recrudescence des vols à la tire a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Musique urbaine : Wada & Yoongs, un G-Funk au menu
19/06/2021

Et oui, ce n’est pas parce qu’ils ont composé du coupé décalé qu’ils ont quitté définitivement le rap ! Wada et Yoongs ne restent pas figés sur un seul rythme, car pour eux, la musique n’a pas de couleur ni de frontière. Après Aye, Tsangory mivadika, Odie, les deux anciens membres de Jiolambups ont sorti un morceau en collaboration avec le rappeur Agrad. « Samva » est un titre auquel les deux jeunes hommes montrent qu’ils sont toujours des rappeurs. Wada Yoongs a choisi  ce genre musical qui commence à ressortir de la surface depuis ces derniers temps dans la Grande-Ile. En effet, « Gangsta funk est un courant du gangsta rap West Coast popularisé, et plébiscité durant la première moitié des années 1990. Le rappeur et producteur, Dr. Dre, membre du groupe fondateur du gangsta rap N.W.A, popularisera le style durant les années 90, en grande partie à l’origine du mouvement par son utilisation de samples de Funkadelic, Parliament, Ohio Players, George Clinton, Zapp et d’autres groupes de funk des années 1970 et 1980. Le trio Agrad, Wada & Yoongs figure dans le répertoire de certains rappeurs conservateurs. « Je pensais que ces deux-là ne rapperaient plus. Depuis trois ans, ils ont choisi un autre rythme. Je ne les écoutais plus, puis hier j’ai vu par hasard dans mon fil d’actualité leur nouvelle chanson, et cela m’a séduit ». Évidemment, ces deux jeunes hommes ne cessent d’ impressionner leurs convaincus. Iss Heridiny L’article Musique urbaine : Wada & Yoongs, un G-Funk au menu est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Musique urbaine : Wada & Yoongs, un G-Funk au menu a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Rap ara-pilazantsara: nitondra “Carpediem” i Aaron Pretra
17/06/2021

Mozika ara-pilazantsara… Namoaka ny “Carpediem” i Aaron Pretra, mpiangaly ny gadona Rap, mitory ny tenin’Andriamanitra an-kira. Vazo anisan’ny hirakitra ilay rakikira “Pandemia”, hivoaka afaka volana vitsivitsy izy ity. Notontosain’ny trano mpamokatra  ShotRec RAP Rima Art. Ezahina ny hamoaka tsirairay ireo hira hirakitra ny “album” “Pandemia” mandra-pivoakany ary mbola misy hira sivy manaraka ny “Carpediem”. Raha fintinina, aingam-panahy avy amin’ny tenin’i Jesosy hoe, “Aza manahy ny ampitso ianareo, fa ny ampitso hanahy azy”, izany hoe, hihaino ny androany fa tsy fantatrao izay havoakan’ny ampitso, araka ny nambaran’i Aaron Pretra.   Tanjony moa ny hitaona ny olona rehetra hanatona an’Andriamanitra ary tsy manavaka finoana ny mozika ataony. “Ohariko amin’ny voankazo fihinam-boa, na dia midoroboka be aza ny sampany sy ny raviny, rehefa tsy misy voa dia zava-poana ihany. Fiandrandrana hioty “voa” no antony hikarakarana azy mba ho tsara sy hamokatra. Matiantoka raha namboly ianao nefa nijanona teo amin’ny raviny midoroboka fotsiny, fa tsy nisy voa”, hoy izy, nanao fanoharan-teny.NarilalaL’article Rap ara-pilazantsara: nitondra “Carpediem” i Aaron Pretra a été récupéré chez Newsmada.

Handball- Coupe d’Afrique des Nations Dames : Troisième défaite pour Madagascar !
15/06/2021

Les joueuses malgaches ont échoué pour la troisième fois à la Coupe d’Afrique des Nations dames qui se tient à Yaoundé. Une expérience malheureuse, d’autant plus que la Fédération Malgache de Handball avait tout faux en rappelant deux joueuses de plus de 40 ans au nom de l’expérience. Madagascar s’est incliné pour la troisième fois devant la Guinée sur un score très sévère de 16 à 35. Une issue d’ailleurs prévisible après les défaites devant le Sénégal au premier jour et face à la Tunisie. Le plus de buts. Des résultats qui renvoient le handball malgache à la case départ. L’idée de recruter des expatriées sur une présentation des vidéos, n’était pas la bonne solution. Notamment en ce qui concerne Sandrine Mordaie, la gardienne en provenance de la Réunion, car à 40 ans, elle n’était plus en mesure de supporter ce jeu très physique imposé par les Africaines. Comme de surcroît, elle doit faire face à cette défense très perméable, elle a sans doute encaissé le plus de buts de sa carrière au cours de ces trois rencontres. Faut-il alors laisser le handball mourir de sa belle mort ? Bien au contraire car ce qu’il faut c’est se tourner vers la relève pour l’amener pas à pas vers le haut niveau. ANS de bas niveau. Les leçons de ce Yaoundé 2021 seraient alors de s’organiser en ciblant les sélections régionales puisque tous les clubs meurent à petits feux. Une décentralisation effective de cette discipline, qui pourrait être renforcée par les infrastructures bien en place avec la construction de plusieurs gymnases « manara-penitra ». Il appartient ensuite au ministère des Sports et l’Académie Nationale des Sports, fut-elle celle du bas niveau, de former des techniciens. Un passage obligé en attendant l’Académie de Tanamasoandro à Imerintsiatosika. Finalement tout est question de volonté pour cette fédération qui doit se battre pour avoir les moyens de ses ambitions. De gros moyens car le succès du handball malgache ne se construit pas en une année. Encore moins avec deux semaines de regroupement. Clément RABARY L’article Handball- Coupe d’Afrique des Nations Dames : Troisième défaite pour Madagascar ! est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Handball- Coupe d’Afrique des Nations Dames : Troisième défaite pour Madagascar ! a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Jirama: nampahafantarina ny fikambanan’ny mpanjifa ny tetikasa rehetra
17/06/2021

Maro ny tetikasan’ny Jirama amin’ny lafiny herinaratra sy ny rano. Tanjona ny hanatsarana ny tolotra ho an’ny mpanjifa, sady hanarenana rahateo ny toe-bolan’ny orinasa.Manana adidy lehibe amin’ny fampahafantarana ny tena zava-misy ny mpanjifa ny fikambanana miaro ny zony. Nihaona amin’ny tompon’andraikitry ny Jirama ireo fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, miisa efatra (Fimpa, VOMZM, MCI, Scae-PC) ny 14 jona teo. Naharitra adiny efatra ny fihaonana, niresahana lafin-javatra maro, nanomezan’ny tale jeneraly, Andriamanga Vonjy, fanazavana avokoa. Anisan’izany ireo tetikasan’ny Jirama rehetra, toy ny fanarenana ny fantson-drano, ny « fampidiran-jiro mora », ny fanarenana sy ny fampitaovana ny tobim-pamokaran’ny Jirama manerana ny faritra, sns. Nohazavaina koa ny fanavaozana ny sandan-jiro vaovao, ny toe-bolan’ny orinasa. Nifarimbona namaly ny fanontaniana ny filohan’ny fikankevim-pitantanana (PCA) ny Jirama sy ny tale jeneraly (DG).Ho vita tsy ho ela ny Mandroseza IINosinganin’ny DG Andriamanga Vonjy manokana fa ho vita tsy ho ela ny foibe mpamokatra rano Mandroseza II. Afaka mitahiry rano 43 000 m3 isan’andro ity toby vaovao ity, ahitana fitaovana fanadiovan-drano. Eo koa ny fanavaozana ireo fantson-drano ampolony kilometatra, hamaha olana betsaka amin’ny famatsian-drano eto Antananarivo. « Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ity toby ity, ampiasana ny teknolojia avo lenta”, hoy ihany izy.Nanazava tamin’ny antsipiriany mikasika ny fanavaozana ny vidin-jiro ny PCA, Andriamanampisoa Solo. Ao anatin’ny ezaka hanarenana ny toe-bolan’ny Jirama izany. Nampahafantariny koa ny fanamby manaraka ho an’ny orinasa.Nisy ny fifanarahana niombonana natao sonia, teo amin’ny Jirama sy ireo fikambanan’ny mpanjifa, miisa efatra.Njaka AndriantefiarinesyL’article Jirama: nampahafantarina ny fikambanan’ny mpanjifa ny tetikasa rehetra a été récupéré chez Newsmada.

Hydrologie : La pénurie d’eau n’est pas à craindre pour Tana
18/06/2021

Ces responsables ont rassuré la population que la pénurie d’eau n’est pas à craindre pour la période d’étiage. Depuis quelques années, la Capitale et les communes périphériques subissent les conséquences de l’assèchement des rivières d’Ikopa et de Sisaony. Nous ne sommes pas encore en période d’étiage mais le niveau de ces rivières est pourtant au plus bas. Durant une rencontre avec la presse à Ambohijatovo, le directeur général du ministère de l’Eau, de l’hygiène et de l’assainissement (MEAH),Thierry Ratovoniaina, a tenu à rassurer que la situation est beaucoup moins critique par rapport à l’année dernière. « Des efforts sont déjà menés depuis l’année dernière pour l’identification des zones les plus critiques. Outre la construction des forages, il y avait également la mise en place de dix stations conteneurisées d’une capacité de 10m3 par heure chacune pour un renforcement additionnel de 2400m3 par jour », a-t-il rassuré. Selon toujours ce responsable, ces réalisations répondent aux besoins de la population et la situation de nombreuses zones qui ont été placées en alerte rouge l’année dernière a connu une nette amélioration. Par ailleurs, l’assèchement des rivières est loin d’être le fruit d’un hasard. La dégradation de l’environnement ainsi que le changement climatique y sont pour quelque chose. Dans ses perspectives, l’Autorité nationale de l’eau et de l’assainissement (ANDEA) prévoit ainsi de mettre en place des projets pérennes pour l’approvisionnement en eau potable pour la population. «Dans un premier temps, nous allons tout d’abord mettre en place un système de suivi en ressource en eau pour l’identification des failles mais également pour nous aider dans les prises de décisions. En parallèle, une enquête sera menée avec la Banque mondiale concernant les réservoirs d’eau. Des efforts seront également mobilisés pour la mise en place du système de stockage d’eau dans tout Madagascar pour qu’aucune localité ne soit oubliée» selon le directeur général de l’ANDEA, Antsatiana Ravaloera. Narindra Rakotobe L’article Hydrologie : La pénurie d’eau n’est pas à craindre pour Tana est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Hydrologie : La pénurie d’eau n’est pas à craindre pour Tana a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Maninday Toliara: nandray vatsim-pianarana ireo mpianatry ny Oniversite
19/06/2021

Nilamina ihany ny toe-draharaha niafara tamin’ny ra mandriaka sy faty olona momba ny raharaha Oniversiten’i Maninday Toliara. Efa nandray vatsim-pianarana telo volana ireo mpianatra, nanomboka omaly…Voavaha amin’ny ampahany ny fitakian’ireo mpianatry ny Oni­versi­ten’i Maninday Toliara, hatramin’ny omaly. Raha ny zava-nisy tany an-toerana, nilamina ireo mpianatra ary efa nanomboka nizara ny vatsim-pianarana ny teo anivon’ny Oniver­site. Na teo aza anefa izany, nahitana mpitandro filaminana nanao fisafoana sy nijanona ihany teny amin’ny manodidina ny toerana misy ireo mpianatra. Nambaran’ireo mpianatra fa hozaraina ihany ny vola kanefa andrasana hisy ra mandriaka hatrany vao mandray fa­napahan-kevitra ny eo anivon’ny fitantanana ny oniversite. Toy izany hatrany ny fom­ba fiasa efa nahazatra ha­tramin’izay ka isan’ny mam­pitairana ireo mpianatra mba hialana amin’ny fifandonana sy/na miafara amin’ny famoizana aina hatrany. Na­namafy kosa ny teo anivon’ny mpitandro filaminana fa na efa milamindamina aza ny toe-draharaha, hisy hatrany ny fanadihadiana ireo mpianatra nitarika izao fihetsiketsehana niafara tamin’ny fanimban-javatra tao amin’ny Oniversite izao.CMS/J.CL’article Maninday Toliara: nandray vatsim-pianarana ireo mpianatry ny Oniversite a été récupéré chez Newsmada.