Tsy mifantoka intsony ny mpianatra: mangataka ny hamerenana ny tetiandrom-pampianara teo aloha ny ray aman-dreny

News - Tsy mifantoka intsony ny mpianatra: mangataka ny hamerenana ny tetiandrom-pampianara teo aloha ny ray aman-dreny

News - Tsy mifantoka intsony ny mpianatra: mangataka ny hamerenana ny tetiandrom-pampianara teo aloha ny ray aman-dreny

Mametraka olana sahady ny fotoana fanombohana ny taom-pianarana vaovao ary milaza ny ahiahiny ny ray aman-dreny sy ny mpanabe. Efa nanamafy ny minisitra mpiahy fa hotazonina ny tetiandro teo aloha ka miandry ny fampiharana izy ireo.

Mangataka ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny sekolim-panjakana, haverina amin’ny teo aloha ny tetiandrom-pampianarana. Manomboka ny volana oktobra ny taom-pianarana ka mifarana ny volana jolay ary miaraka amin’izany ny fanatontosana ny fanadinam-panjakana telo sosona. Nisy ny fivoriana sy fampahafantarana izany hetaheta izany teny amin’ny tokotanin’ny lycée Jean Joseph Rabearivelo,omaly. Fangatahana avy amin’ny ray aman-dreny izany fa mampita fotsiny ny mpampianatra. Ireto farany rahateo mahatsapa fa tsy mifantoka intsony ny mpianatra raha vao dila ny volana jona ho an’ny ambaratonga voalohany. Tsy mandray ny fampianarana koa ny ambaratonga faharoa sy fahatelo, manomboka ny volana agositra, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny zone d’administration pédagogique eto Antananarivo, Njatovola.

Fiombonan’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana no naseho omaly ary nandray anjara ny ray aman-dreny sy ny mpanabe. Tsy maintsy miaritra kely aloha ny mpianatra satria hiditra ny volana oktobra nefa ny volana septambra vao niala sasatra. Afaka jerena koa ny fandaminana ho an’ny fidiran’ny mpianatra kilasy famaranana satria izy ireo no tena tsy manana fotoam-pialan-tsasatra mihitsy. Hotanterahina ny 30 septambra ka hatramin’ny 4 oktobra ho avy izao ny dingana voalohany ho an’ny fanadinam-panjakana bakalorea iarahan’ny fampianarana ankapobeny sy teknika. Ny 7 oktobra hatramin’ny 10 oktobra kosa ny dingana faharoa ho an’ny fampianarana teknika fotsiny.

Mety hitombo ny tahan’ny tsy fidirana an-dakilasy 

Mahatsapa ny mpanabe fa hosahirana ny ray aman-dreny raha hanomana ny fidirana ao anatin’ny fotoana maitsoahitra raha heverina fa ny volana marsa ny fanombohana ny taom-pianarana voasoratra ao amin’ny Teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana (2017-2021). Efa nampiharina io tetim-pivoarana io ary tsapa ny lesoka indrindra ho an’ny fotoana fanombohana ny taom-pianarana. Manahy izy ireo fa vao mainka hitombo ny tahan’ny tsy fidirana an-tsekoly raha hotohizana ny fanakisahana ny tetiandrom-pampianarana.

Tsy hevitry ny ray aman-dreny ao anatin’ny Dren Analamanga irery izany fa iraisan’ny faritra maro, hoy ny mpanabe. Mangataka ny hamoahana haingana ny tetiandro izy ireo hanomanana sahady ny taom-pianarana vaovao.

Vonjy A.

Article tiré de Newsmada

L’article Tsy mifantoka intsony ny mpianatra: mangataka ny hamerenana ny tetiandrom-pampianara teo aloha ny ray aman-dreny a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 05/08/2019

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

Valim-pangatahana

Afak’omaly ry zareo avy ao amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana (HCC) no namoaka an’ireo didy mamaly ny fangatahan’ireo filohana Antenimiera roa momba ny hamenoana ny banga eny anivon’ireo andrimpanjakana, izay tantanany avy. Ny didy laharana 48-HCC/AR no nanendry an’i Famindra Justin sy Ravenasy Jean Emanielson ho lasa solombavambahoakan’i Toamasina I sy solombavambahoakan’i Bealanana eny anivon’ny Antenimierampirenena. Ny didy laharana 4-HCC/AR kosa no manome fahefana ny Filoha Rajoelina Andry mba hanendry loholona vaovao handray ny seza banga eny amin’ny Antenimierandoholona. L’article Valim-pangatahana est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Nanehoan’ny Maorisianina ny fahaizany ny fanokafana

Nangotraka ary niavaka ny fampisehoana isan-karazany nandravahana ny lanonam-panokafana, taorian’ny fanambarana tamin’ny fomba ofisialy, amin’ny fisokafan’ny andiany faha-10 ny lalaon’ny Nosy, nataon’ny filoham-pirenena maorisiana, i Barleen Vyapoory. Natomboka tamin’ny fitondran’ireo firenena ny jiro sy ny fampitàna izany ary ny fanentanana maro isan-karazany. Nirefodrefotra ny afomanga taorian’izay, izay naharitra minitra vitsivitsy. « Hampitombo ny firahalahiana eo amin’ny Nosy rehetra manerana ny ranomasimbe Indiana, izao lalaon’ny Nosy tanterahina eto Maorisy izao”, io no hafatra matanjaka avy amin’ny kaomisiona mpikarakara ity andiany faha-10 ity, nandritra ny lanonam-panokafana, omaly. Tsy nanadino ny nisaotra sy naneho fankasitrahana ireo delegasiona rehetra tonga hifaninana, izy ireo ary nirary soa hahavitan’ny lalao hatramin’ny farany, amin’ny antsakany sy andavany.Mivonona ny handray ny JIOI 2023 i Madagasikara Hatolotra sy velabelarina anio, eto Maorisy, ny vinan’ireo firenena maniry ny handray ny andiany faha-11 amin’ny lalaon’ny Nosy, tanterahina ny taona 2023. Anisan’ny hanolotra izany eo anatrehan’ny CIJ ( Comité International des Jeux) i Madagasikara. Efa nanambara moa ny filohan’ny CIJ, nandritra ny fitsidihana ny firenena malagasy, roa herinandro lasa izay fa tsy manana fahasarotana i Madagasikara amin’ny fandraisana ny JIOI 2023, saingy mila fanatsarana kely ny « site » tsirairay handraisana ireo lalao rehetra. Nangonin’i Miarintsoa.Raz (Iraka manokana aty Maurice) L’article Nanehoan’ny Maorisianina ny fahaizany ny fanokafana a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Plan Emergence Madagascar : Le dossier déjà bouclé selon Andry Rajoelina

Le plan émergence de Madagascar (PEM) est déjà prêt. Le président de la République Andry Rajoelina  l’a annoncé vendredi soir, lors de son intervention télévisée. « Le PEM est une version plus détaillée de l’IEM »,  a précisé le président de la République en ajoutant qu’il y aura au moins trois sources de financements. Il y a bien évidemment les financements des bailleurs de fonds, mais l’Etat peut aussi utiliser des fonds souverains pour les travaux d’infrastructures. Enfin, les autres projets du PEM pourront être financés par le secteur privé.  Pour le financement du PEM, le gouvernement a opté pour une autre formule qui va se démarquer des anciennes conférences de bailleurs. Cette fois-ci c’est  la partie malgache qui fixe les infrastructures à réaliser puis à négocier avec les bailleurs avant de déterminer quelles sont les sources de financements qui peuvent être apportées.  Le président a donné l’exemple des infrastructures routières. « Les bailleurs misent sur 500 km de routes, mais nous pensons qu’il  faut multiplier cette longueur  par quatre pour développer Madagascar », a-t-il précisé. En tout cas, le PEM sera présenté d’ici peu. R.Edmond. L’article Plan Emergence Madagascar : Le dossier déjà bouclé selon Andry Rajoelina est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Plan Emergence Madagascar : Le dossier déjà bouclé selon Andry Rajoelina a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Talenta sy fianarana: mampita hafatra ho an’ny tanora i Saunia Clarence

I Saunia Clarence, anarana sy endrika tsy zovina amin’ny mpankafy hira voasokajy ao anatin’ny « variétés », nanomboka teo amin’ny taona 2019. Tarika sy mpanakanto maro ny efa niara-niasa aminy. Anisan’izany ry Kougar sy ny ADR, ny S6JYZ, i Devis, i Rixlaine, sns. Amin’ny maha tanora azy no nampitany hafatra ho an’izay ao anatin’io sokajin-taona io ihany koa. « Ny nofinofinao sy ny talenta anananao dia ilofosy ka tanteraho », hoy i Saunia Clarence. Marihina fa ankoatra ny maha mpanakanto azy, mpianatra taona faharoa amin’ny lalam-piofanana « management et développement d’entreprise » izy. Anisan’ny tanjona tratrariny amin’izany ny hahatontosany hatrany amin’ny fahazoana ny maripahaizana « master ».Tao anatin’izay taona vitsivitsy nirotsahany amin’ny hira izay, 12 ny hira efa eo am-pelatanana ka ny 10 amin’ireo, efa vita rindrantsary na « clip ». Anisan’izany ny « Fitia hafakely », ny « Ifaliho », ny « Hagegeko », sns. Hivoaka tsy ho ela kosa ny « Tokan’ny fo ». Marihina fa mitendry vatamaroafitsoka ihany koa i Sauna Clarence. Eo an-dalam-panamafisana sy fanatevenana ny fahaizana mitendry « violon » kosa izy amin’izao fotoana izao.Tsetsatsetsa tsy aritra ny nilazany fa anisan’ny nahafapo azy ny fandraisany anjara tamin’ny fifaninanana « La voix d’or » “saison 2” ny taona 2017. « Fa ny nandiso fanantenana, angamba, tsy nisy satria nahazoana traikefa avokoa izay lalana nodiavina rehetra. « Anisan’ny mpanakanto malagasy tiako ny zavatra ataony dia i Noely Kely. Raha ny vahiny indray, tany amin’ny taona 2013 aho no efa tia ny BTS. Tena ankafiziko ity tarika avy any Azia ity », hoy hatrany i Saunia Clarence.Nanangona : HaRy Razafindrakoto L’article Talenta sy fianarana: mampita hafatra ho an’ny tanora i Saunia Clarence a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fibodoana ny Nosy Sambatra – MAE : Tsinontsinoavin’ny Frantsay ny antson’ny Malagasy

Namaly bontana ny fanjakana Frantsay, manoloana ny fibodoany ny Nosy Sambatra ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny (MAE). Mazava ny fanambarana fa toherin’ny fanjakana malagasy tanteraka izany.“Tsy miova ny foto-kevitra ijoroan’ny fanjakana malagasy manoloana ny didim-panjakana navoakan’ny governemanta frantsay, ny 10 jona 2021. Fanaovana tsinontsinona ny antso nataon’ny fanjakana malagasy io fanapahan-kevitra samirery io sady mifanohitra amin’ny fanambarana iombonana navoaka ta­min’ny fihaonana voalohany notanterahin’ny vaomiera irai­san’ny roa tonta, ny 18 novambra 2019”. Io ny fanambaran’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny malagasy, omaly, manoloana ny famoahan’ny governemanta frantsay ny didim-panjakana lah. 2021-734 tao amin’ny Gazetim-panjakana frantsay, ny 10 jona 2021, izay manangana valan-javaboary arovana ao amin’ny Nosy Sambatra (Glorieuse). Nifanarahana ta­min’ny fanambarana iombonana fa hotohizana amin’ny fo madio ny fifampiresahana hi­katsahana vahaolana momba an’ireo Nosy ireo.Efa notoherina hatrany am-boalohany… Efa notoherin’ny fitondram-panjakana malagasy ny volavolan’io didim-panjakana io, ny 18 mey 2020, narahin’ny antso avo tamin’ny tomponandraikitra ambony frantsay mba tsy handraisan’izy ireo fanapahan-kevitra samirery momba ny Nosy Sambatra, ny Nosy Nandalova (Juan de No­va), ny Nosy Ampela (Euro­pa), ny Nosy Bedimaky (Bas­sas Da India) mandritra ny fifampiresahana eo amin’ny roa tonta momba azy ireo. Mampahatsiahy ny fanjakana malagasy fa manambara ny fehinkevitra lah. 34/91 no­raisin’ny Fivoriamben’ny Fi­renena mikambana fa an’i Madagasikara ireo Nosy ireo. Noho izany, mandidy ny go­ver­nemanta frantsay ny fehinkevitra hanaisotra ireo fepetra noraisiny manohintohina ny fiandrianam-pirenena malagasy; tsy handray fepetra vaovao mety hanohintohina ny maha iray tsy anombinana ny tanin’ny Repoblika malagasy, izay mety hisy fiantraikany amin’ny fikarohana vahaolana ara-drariny amin’ny disadisa misy eo amin’i Madagasikara sy i Frantsa momba an’ireo Nosy ireo. Manamafy ny fitondram-panjakana malagasy ny tsy fankatoavany ny fihetsika samirery nataon’ny governemanta frantsay. Tsy mifanaraka amin’ny fifaneken’ny roa tonta hikatsaka vahaolana amin’ny fomba marim-pototra sy ao anaty fifanajana eo amin’ny disadisa momba an’ireo Nosy ireo izany.R. Nd. L’article Fibodoana ny Nosy Sambatra – MAE : Tsinontsinoavin’ny Frantsay ny antson’ny Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Ministère de la population : 7 personnes MD pour détournement, cadeaux illicites, blanchiment de capitaux…

Il s’agit d’une affaire de marchés de prestation fictifs qui implique des hauts responsables au sein du ministère de la Population, de la protection sociale et de la promotion féminine. La vigilance de la direction générale du contrôle financier a porté ses fruits et démonte une affaire de malversations financières orchestrées au niveau du ministère de la Population, de la protection sociale et de la promotion féminine. Durant une activité de routine relative au contrôle a posteriori des exécutions budgétaires, la police des finances publiques a pu déceler un certain nombre de faits illégaux en matière de gouvernance financière dans ce département. Le rapport de cette direction générale a donc  révélé, notamment durant l’exercice 2018, des cas de faux et usage de faux en écriture publique, abus de fonction, détournement d’usage de biens publics, cadeaux illicites et blanchiment de capitaux à l’occasion des marchés de prestation fictifs. Directeur financier. Une fois les dossiers  constitués, la direction générale du contrôle financier a saisi, le 1er septembre 2020, la direction territoriale du bureau indépendant anti-corruption à Antananarivo pour mener une enquête qui a permis à mettre en lumière les dessous de l’orchestration. Plusieurs personnes sont impliquées, sait-on, dans cette affaire dont des hauts responsables du département de la population, en l’occurrence un directeur en charge des finances, qui, lui, a un homme de main pendant la manigance. Elle mouille également deux dépositaires comptables et deux personnes responsables de marchés publics ainsi qu’un autre gestionnaire d’activités du ministère. Nos sources révèlent également que plusieurs fournisseurs sont aussi cités dans l’affaire. Les têtes sont tombées après avoir été rattrapées par la justice. 15 personnes ont été déférées au pôle anti-corruption dont 7 personnes ont été placées sous mandat de dépôt le 17 novembre 2020. Les 8 autres, en revanche, bénéficient d’une liberté provisoire en attendant la suite du traitement de cette affaire. L’investigation menée par le bianco a donc permis de démonter un pan entier des pratiques bien ancrées dans ce département, en l’occurrence des malversations commises par un collectif d’auteurs et de complices assez rompus dans ce genre d’exercice, des falsifications des documents officiels, des certifications des prestations et livraisons fictives, au cours des années 2017 et 2018. Rija R. L’article Ministère de la population : 7 personnes MD pour détournement, cadeaux illicites, blanchiment de capitaux… est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Ministère de la population : 7 personnes MD pour détournement, cadeaux illicites, blanchiment de capitaux… a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Ao Raha

Vahiny nikasi-tanana

Efa nandefasan’ny polisy taratasy fampiantsoana ilay lehilahy frantsa nisy nitory ho nikasi-tanana vehivavy mpivarotra iray, tetsy Analakely, tamin’ny sabotsy. Hofotorana eny amin’ny Kaomisaria foibe, etsy Tsaralalàna izy. Voalaza fa mbola mana-raka fitsaboana ilay vehivavy niharan’ny herisetra. L’article Vahiny nikasi-tanana est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Vary “stock”: efa misy mampihatra ny 550 Ar ny kapoaka

Manamafy ny fanaraha-maso ny « Vidin’entana » ny minisiteran’ny Indostria, ny varotra sy ny asa Tanana, ny faran’ny herinandro teo. Nojerena manokana ny vidim-bary 550 Ar ny kapoaka, araka ny teny midina avy any amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian.Ny 12 desambra lasa teo, nidina teny amin’ny tsenan’Isotry sy Mahamahasina ny talen’ny varotra anatiny. Nizaha izany vidim-bary izany ity sampandraharaha ity, miantoka isan’andro ny fanaraha-maso  ny « Vidin’entana » eny an-tsena, miara-miasa amin’ireo lehiben’ny tsena. Ampy tsara izao ny hamaroan’ny vary tonga ao Toamasina, ampy mampidina ny vidiny haparitaka manerana ny Nosy, araka ny nambaran’ny ao amin’ny sampandraharahan’ny varotra anatiny.  Marihina hatrany fa vary avy any ivelany ny 550 Ar ny kapoaka, na 1950 Ar ny kilao.« Mila voahaja isan’ambaratongany ny fitsinjarana azy ary sarotiny amin’izay tsy manaraka ny vidiny amin’izany ny minisitera », hoy ny talen’ny varotra anatiny, Rakotoson Fanomezantsoa Gilchrist. Manerana ny Nosy izao fepetra raisina izao, amin’ny alalan’ny sampandraharaham-paritra (DRICA). Tsy vitsy anefa ireo mpivarotra antsinjarany milaza ny masonkarenany ka voatery mivarotra mihoatra, tsy hisian’ny fatiantoka. Izahay mpaninjara foana no voa mafy, hoy izy ireo. R.MathieuL’article Vary “stock”: efa misy mampihatra ny 550 Ar ny kapoaka a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanahiana kolikoly: nalefan’ny Bianco any amin’ny fitsarana ny raharaha “Ecran plat”

Nahavita ny nankinina taminy. “Efa vita ny fanadihadianay  momba ny “Raharaha Ecran plat – CCO. Nalefa eny amin’ny fitsarana izany ka anjaran’izy ireo ny manapaka”, hoy ny tale jeneralin’ny Bianco, Andrianirina Laza Eric, omaly teny Ambohibao. Anisan’ny niteraka resabe ary nametrahan’ny mpanao politika fitoriana teny amin’ny Bianco io “Raharaha écran plat”, ahina ho mahavoasaringotra ny vadin’ny minisitra iray.Nahitsy ny teo anivon’ny Bianco nilaza fa hanaovana fanadihadiana avokoa ireo fitarainana rehetra voarain’izy ireo.  “Tsy misy very anjavony ny antontan-taratasy na kely na lehibe. Tokony hiandry isika ary tsy voatery hanao tatitra izahay. Alefanay eny amin’ny fitsarana ny raharaha rehefa vita ny anjaranay”, hoy ihany izy.Tsy anavahana… Rehefa vandana dia karyNanteriny fa anisan’ny miandry ny tohiny sy ny fiafaran’ny fanadihadiana na ny famotorana amin’ireo fanodinkodinam-bola  eny anivon’ny minisitera sy ny sampan-draharaha rehetra koa ny Bianco. “Anisan’ny lehibe amin’izany ny sehatry ny fitantanam-bolam-panjakana. Betsaka izy io tamin’ny herintaona . Rehefa vandana dia kary. Tsy azo ekena na iza na iza nanao izany. Na ny mpitantana teo aloha na ny amin’izao fotoana izao”, hoy ihany izy.Tsiahivina fa niakatra hatrany ny isan’ny fitarainana voarain’ny Bianco. Anisan’ny nampitombo izany ny fanavaozana ny fomba fiasa. “Eo ny fahombiazan’ny fanentanana sy ny fampiasana fitorohana tsy mitonana anarana. Eo koa ny fitarainana avy amin’ny tambajotran-tserasera…”, hoy ihany ny eo anivon’ny Bianco.Synèse R. L’article Fanahiana kolikoly: nalefan’ny Bianco any amin’ny fitsarana ny raharaha “Ecran plat” a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Pertes d’emplois : Difficile reconversion pour les chômeurs de la crise

Les employés de la zone franche et ceux du secteur tourisme se trouvaient, au plus fort de la crise sanitaire, en première ligne, exposés aux risques de licenciement ou de baisse de salaire.(Photo d’archives) Difficile pour les salariés qui ont perdu leur emploi durant la crise sanitaire de retrouver du travail du même niveau et avec le même salaire. Il en est de même pour les auto-entrepreneurs qui ont dû mettre les clefs sous la porte, faute d’activités viables durant la crise. La grande majorité des ménages ont vu leurs revenus baisser considérablement au plus fort de l’épidémie de Covid-19 à Madagascar. En août 2020, alors que le déconfinement n’était que partiel, plus de 65% des ménages se trouvaient encore dans cette situation. Le déconfinement total n’a pas permis aux salariés victimes des dommages collatéraux de la pandémie de combler le trou laissé par cette crise sanitaire dans les budgets familiaux. La piste de la reconversion est forcément explorée face à la baisse brutale de revenus, en raison des pertes d’emplois, des baisses de salaire et des fermetures momentanées ou définitives des entreprises, faute de clientèle. Cependant, en l’absence de réouverture totale de l’ensemble des secteurs d’activité, notamment le tourisme, et faute de réouverture de l’espace aérien, les possibilités sont fortement limitées pour retrouver du travail décent ou pour en recréer. Les chômeurs de la crise sanitaire basculent alors massivement dans l’informel, seule option qui reste pour faire bouillir la marmite. Pour espérer un léger mieux, la redynamisation de l’emploi devrait se trouver au cœur des priorités dans la période post-covid. Hanitra R. L’article Pertes d’emplois : Difficile reconversion pour les chômeurs de la crise est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Pertes d’emplois : Difficile reconversion pour les chômeurs de la crise a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services DÉCLARANT EN DOUANE SENIOR
13/10/2021

Nous recrutons pour un client dans le domaine du transit:  DÉCLARANT EN DOUANE SENIORPoste basé à Antananarivo et Toamasina Missions :- Recueillir les informations nécessaires à l’établissement d’une déclaration en douane- Établir des nomenclatures douanières à utiliser- Réaliser la saisie des éléments d’une déclaration en douane à partir des documents reçus- Enregistrer les déclarations validées par le Responsable Douane- Garantir la transmission au service facturation des copies des DAU enregistrées dans la ligne de crédit de la société- Etablir les DAU draft pour les clients qui en ont besoin Profil:- Bac+3 a en commerce international ou équivalent- Expérience de 02 ans minimum dans le domaine similaire- Bonne connaissance des opérations douanières et des législations douanières- Bonne maîtrise de la langue française- Maîtrise des outils bureautiques- Rigoureux, Integer et dynamique Envoyez-nous votre candidature à talent@human-talent-consulting.com avec comme objet du mail la référence DECLARANTDOUANE-1021Veuillez préciser dans votre candidature la localité du poste qui vous convient. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services DÉCLARANT EN DOUANE SENIOR".

Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
13/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

A vendre Residence Rundong
15/10/2021

La Société Run Dong International Development S.A.R.L est en cours de constructions d’ un grand  projet qui consiste à construire une résidence de haut standing qu’ on a nommé  ‘’ Résidence Run Dong ‘’ située à Tanjombato - Anosimahavelona 500m du pont de Jumbo Smart.Nous allons commercialiser plusieurs appartements différents selon votre choix avec ou sans piscine.T3 1 living +2 chambres = 89m2 – 112m2T4 1 living +3 chambres = 112m2-136 m2-148m2T5 1 living +4 chambres = 148m2T4 et T5 avec piscine privée = 255m2En Duplex = 1ere étage 150m2 et rez de chaussé = 190m2Si nos appartements vous intéressent nous vous incitons déjà à réserver dès maintenant car vous bénéficieriez d’une grande réduction de prix et d’autres avantagesN’hésitez pas à nous contacter si vous avez besoins d’autres renseignements complémentaires034 37 333 33 / 033 05 666 66 / 033 25 999 999Contactrdg69@gmail.comNotre site: www.residencerundong.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Residence Rundong".

Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
13/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

Emploi et services AGENT DE TRANSIT
13/10/2021

Nous recrutons pour un client dans le domaine du transit :  AGENT DE TRANSIT Poste basé à Antananarivo et Toamasina Missions:- Assurer la réception et transmission de documents interne et externe- Ouverture et gestion de dossier sur logiciel informatique- Préparation des programmes d’enlèvement des marchandises- Tenue des états documentation- Réception des copies des documents ou pré alerte par e-mail- Vérification des documents reçus par le client avant remise à Responsable Import- Préparation et remise des sous dossiers au Responsable Douane- Envoi de situation des clients- Préparation des divers documents du service- Réception des dossiers retour du service Douane et retour aux clients- Préparation aet remise des dossiers à remettre à la facturation pour paiements- Préparation des programmes d’enlèvement internes Profil :- Bac+2 en commerce international ou équivalent- Expérience dans le domaine souhaitée- Maîtrise de la langue française- Maîtrise des outils bureautiques- Rigoureux, Integer et dynamique Envoyez-nous votre candidature à talent@human-talent-consulting.com avec comme objet du mail la référence AGTTRANSIT-1021Veuillez préciser dans votre candidature la localité du poste qui vous convient.  Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services AGENT DE TRANSIT".

Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
13/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

Emploi et services STAGIAIRE VENDEUSE
15/10/2021

Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSEProfil : -  FEMME de plus de 20 ans -  Expériences dans le domaine de la vente de produits informatiques seraient un atout -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 2 minimum en Informatique -  Parfaite maîtrise du français oral/écrit et des outils informatiques et bureautiques, notamment Word et Excel -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Mission : -  Accueil client au magasin et réception d’appels clients -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Développement des ventes compte tenu des objectifs de ventes du magasinEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste de « STAGIAIRE VENDEUR »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services STAGIAIRE VENDEUSE".

Emploi et services Travail stable pour les Malgaches
13/10/2021

KAZAJOBS est une plateforme dédiée aux Malgaches qui veulent travailler depuis la Maison: (Assistants Virtuels) même pour les débutantsVous pouvez gagner des revenus depuis la maison... Un ordi, une connexion internet et le rêve d'une vie meilleure suffisent.Veuillez vous inscrire sur le lien : https://kazajobs.com/referral?&r=701037108 c'est totalement gratuitCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail stable pour les Malgaches".

Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE
13/10/2021

Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSEProfil : -  FEMME de plus de 20 ans -  Expériences dans le domaine de la vente de produits informatiques seraient un atout -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 2 minimum en Informatique -  Parfaite maîtrise du français oral/écrit et des outils informatiques et bureautiques, notamment Word et Excel -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Mission : -  Accueil client au magasin et réception d’appels clients -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Développement des ventes compte tenu des objectifs de ventes du magasinEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste de « STAGIAIRE VENDEUR »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE".

A vendre Ordinateur portable HP Compaq 6910p AMIDY
13/10/2021

Amidy Ordinateur portable HP en bon étatWindows 8.1 pro  Processeur Intel core 2duo  Ram 2gb  Graph AMD Radeon X2300 (256mb) Dur 100 go Ecran 14.1" Misy lecteur CD DVD.3 ports USBEfa misy Office 2016Batterie 50 mn environ Mandeha tsara avokoa ny zavatra rehetra. Azo antoka.Mail: kelydoda724@gmail.comFacebook: Doda Kely   Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Ordinateur portable HP Compaq 6910p AMIDY".

A vendre Tany Mora
13/10/2021

Raha tia hisitaka kely ny "VIlle", hitady toerana milamina sy rivotra madio dia ity no mety....Tany Mirefy 11a (1.100m²), efa- Mifefy tamboho biriky.- Amoron-dalala ary tongan'ny fiara rehetra.- Titré et Borné- Tanàna efa mandroso be. Tongan'ny BusToerana : Atsimon'ny Lac Vontovorona (19mn en voiture miala OASIS).Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Tany Mora".

Emploi et services UN ou UNE INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
15/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services UN ou UNE INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

Notsongaina

Nécrologie du 15 octobre 2021
15/10/2021

Cliquez pour agrandir L’article Nécrologie du 15 octobre 2021 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

FEPA : La 12 édition aura lieu dans l’enceinte du MPE à Nanisana
12/10/2021

La Foire de l’élevage, de la pêche et de l’agriculture (FEPA) n’a pas eu lieu l’an dernier en raison de la crise sanitaire liée à la pandémie de Covid-19. Cette année, la 12è édition de cet événement de grande envergure se tiendra du 15 au 17 octobre 2021 dans l’enceinte du MPE (Malagasy Professionnels de l’Elevage) à Nanisana. L’objectif consiste à booster tous les secteurs d’activité contribuant au développement rural et constituant également le pilier du développement économique de Madagascar. Outre les ventes-expositions de tous les produits issus de ces secteurs, notamment l’agriculture, l’élevage et la pêche, ainsi que des matériels et accessoires et intrants agricoles, sans oublier les ventes d’animaux vivants, des rencontres entre tous les acteurs concernés seront organisées. Les différents projets et programmes œuvrant pour le développement rural y exposeront également les produits spécifiques de leurs régions d’intervention. Il est à noter que cette 12è édition de la FEPA coïncide avec la célébration de la Journée mondiale de l’alimentation et de la Journée mondiale des femmes œuvrant dans le monde rural ainsi que la Journée mondiale de la lutte contre la pauvreté. Diverses actions y seront ainsi menées en partenariat avec le ministère de l’Agriculture et de l’élevage ainsi que la FAO. Le comité d’organisation a choisi cette année un slogan « FEPA 2021, Valorisation et relance du développement économique de Madagascar. Navalona R.  L’article FEPA : La 12 édition aura lieu dans l’enceinte du MPE à Nanisana a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Tselatra
11/10/2021

Ravan’ny zandarimaria avy ao Mandoto, ny zoma teo ny fikambanan-jiolahy enin-dahy nikasa haka an-keriny, nandrahona ho faty sy nitaky volabe taman’olona avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola-Mandoto. Zandary ihany no nandraisany ny vola ka noraisim-potsiny ny roa lahy. Saika mbola hitsoka ireo namany, saigy voasambotra tsirairay avy rehefa nifanenjehana sy natao savahao. Nisy tovolahy vao 16 taona ireo jiolahy.   L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

Mpanao fanatanjahantena nalaza: lehilahy iray maty nianjera teo am-pangalarana
11/10/2021

Tsy voatifitry ny mpitandro filaminana, na matin’ny fitsaram-bahoaka, fa noho ny fianjerany, ka notantazan’ny vohon’angady no nahafaty ity lehilahy iray, nikasa hangalatra tao an-tranon’olona, tao Analakininina Toamasina, ny zoma teo ity. Fantatry ny maro eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena izy io.60 taona izy izao namoy ny ainy izao Lehilahy nalaza teo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena (basikety, hand ball, kitra…) tao Toamasina, tany amin’ny taona 80 tany ho any i R. Alain, saingy… lasa jiolahy. Ny marainan’ny zoma teo, hitan’ny rangahy iraytompon-trano nitsirara teo antokonam-baravavarana, tao Analakininina,  ny vata-mangatsikany raha iny izy niverina saika haka ireo mofo hamidiny. Niantso sefo fokontany avy hatrany io raim-pianakaviana, nampandrenesina ny tranga ihany koa ny polisy sy ny BMH.“Tsy nisy nidaroka na niniana novonoina ity raim-pianakaviana ity fa nianjera ka notsenain’ny vohon’angady sy vato mitohana ny varavarana”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao any an-toerana. Nambarany fa mety mahafantatra tsara ny fandaharam-potoan’ny tompon-trano io lehilahy mpangalatra io ka nihevitra ny hangalatra ao an-tokatranony, kanjo izao no niafarany. Matetika sarona amina halatra sy vaky trano ao Toamasina ity mpanao fanatanjahan-tena kalaza ity. Hatramin’ny fianakaviany aza efa nitaraina taminy noho io asa ratsy ataony io hatreny Analankinina sy hopitaly be. Sajo sy Henintsoa HaniL’article Mpanao fanatanjahantena nalaza: lehilahy iray maty nianjera teo am-pangalarana a été récupéré chez Newsmada.

Fandresena nanoloana ny RD Congo (1-0): velona indray ny fanantenana, mitohy ny lalan’ny Barea
11/10/2021

Nampitaintaina! Namelona indray ny fanantenana teo amin’ny mpitia baolina kitra malagasy ny fandresen’ny Barea ny Leopard-n’i Congo, omaly. Nahazo isa 3 ny Barea ary mbola manohy ny lalana amin’ny fifanintsanana ho an’ny “Mondial 2022”.Niverina ao anaty hazakazaka ho an’ny fiadian-toerana, amin’ny “Mondial 2022”, indray ny Barea de Madagascar, rehefa nandresy ny Leopard-n’i Congo, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0. Fihaonana notanterahina tetsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina, omaly alahady 10 oktobra. Ny faharesen’i Benin, nanoloana an’i Tanzania, tamin’io isa tokana io ihany koa no hananan’ny Barea, herijika indray. Samy mbola afaka miandrandra ny ho tafita avokoa, araka izany, ireo ekipa efatra.Hatreto,  mitarika amin’ny isa 7 mitovy i Benin sy i Tanzania arahiin’i RD Congo, amin’ny isa 5 ary fahefatra ny Barea, isa 3. Mbola hangotraka, araka izany, ny andro fahadimy sy fahenina. Raha tsy misy ny fiovana, hanafika any Benin ny Barea, ny 11 novambra ary hampiantrano an’i Congo kosa i Tanzania. Ny 14 novambra, handray an’i Tanzania ny Barea ary hanafika any Congo i Benin.Raha hiverenana ny lalaon’ny roa tonta, naneho fahavononana avy hatrany ny Barea, nahitana ireo mpilalao tanora nalahatr’i Eric Rabe, mpanazatra. Anisan’ireny i Mathyas, mpiandry tsatoby. Teo koa i Fabien Boyer sy i Fabrice, niampy an’i Marco sy i Rayan. Vao nanomboka 2 mn dia efa matin’i Njiva ny baolina taorian’ny tranonkala nifanaovan’i Rayan sy i Marco ary i Metanire. Nanindry avy eo ry Bakambu sy ry Binda ary i Samuel, saingy tsara ny hiditrano nataon’i Boyer sy i Mamy Gervais. “Afa-po tamin’ny lalaon’ny ekipa aho, satria nisy fahatokisana sy toe-tsaina vonon-kiady. Misy valiny foana ny ezaka atao ary mandeha miandalana ny vokatra. Tonga dia tafiditra ireo mpilalao tanora, saingy mila fahazarana kely. Tsy ho antsoina intsony ireo mpilalao nanda ny hanatevina ny Barea”, hoy i Eric Rabe. TompondakaL’article Fandresena nanoloana ny RD Congo (1-0): velona indray ny fanantenana, mitohy ny lalan’ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Tanjombato : Echange de tirs mortels
14/10/2021

En plein milieu de l’après-midi, des coups de feu ont retenti hier à Tanjombato. Des bandits armés, pris en filature depuis un certain temps par la police, y ont organisé une réunion de mise au point pour un cambriolage. Au nombre de cinq et armés d’au moins cinq pistolets automatiques, ils sont sur le point de finaliser leur plan lorsque la police est intervenue. Un échange de tirs entre les deux protagonistes est survenu. Le tout Tanjombato a été terrifié par cette opération inattendue. Après un accrochage sans relâche, trois des bandits ont été abattus par les éléments de la police qui ont barricadé le quartier avant de se mettre à l’assaut. Selon la police, le lieu de rencontre des bandits  leur sert également de fabrique d’armes. Une usine bien équipée qui est capable de produire des pistolets artisanaux. La même source indique que les membres de ce réseau de malfrats ont récemment tué par balle un jeune homme pour le délester de quatre millions d’ariary, à Anosibe la semaine dernière. Le chassé-croisé entre la police et les bandits continue de plus belle dans la Capitale où l’insécurité est montée d’un cran ces derniers temps. D.RL’article Tanjombato : Echange de tirs mortels a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Tsy fandriampahalemana…: hametrahana tobi-miaramila DSS ny faritra mena
12/10/2021

Taorian’Iakora, hisitraka tobi-miaramila vaovao koa ny ao Ambalakindresy, distrikan’Ambohimahasoa, izay hiantoka ny fandriampahalemana ao amin’ity distrika ity. Notokanan’ny filoha Rajoelina, ny asabotsy 9 oktobra teo ny “détachement spécial de sécurité” (DSS) ao Ambalakindresy, tafiditra ao anatin’ny fari-piarovana sy fandriampahalemana Andringitra. Nanotrona izany ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard sy ny lehiben’ireo Etamazaoron’ny Tafika, ny Jly Sahivelo Delphin. Nohamafisin’ny filoha fa ny fananganana fotodrafitrasa toy izao dia isan’ny vahaolana maharitra entina hiadiana sy hamongorana hatrany amin’ny fakany ny tsy fandriampahalemana. Nosafidina hametrahana izao toby izao ity toerana ity noho izy voasokajy ho isan’ny faritra mena amin’ny asan-dahalo noho izy saro-dalana sy somary mitokana. Tanjona amin’ny fanavaozan-drafitra ny hanakekezana kokoa ny vahoaka. Ampinga iray lehibe hoenti-manafoana ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny fari-piarovana sy fandriampahalemana Andringitra ka ahafahan’ny vahoaka any an-toerana mifantoka tanteraka amin’ny asa fampandrosoana.Jean ClaudeL’article Tsy fandriampahalemana…: hametrahana tobi-miaramila DSS ny faritra mena a été récupéré chez Newsmada.

Jaojoby, Tence Mena…: nahaliana ny maro ny “Jazz tropikaly”
11/10/2021

Seho hafakely, nampientanentana ny maro… Jaojoby sy i Tence Mena, kalazan’ny mozika tropikaly no naneho ny talentany tamina gadona Jazz, notendren-dry Weaver Trio, teo anoloan’ny Gara Soarano, ny asabotsy teo tamin’ny 4 ora 30 hariva.  Nampihetsi-po ny maro ny seho, tamin’izany no nitondran’i Tence Mena ny “Sitran’solo” sy ny an’i Jaojoby… Nampihetsika ny mpanatrika ny fiangalian-dry weaver trio ny feonkira jazz nolaroina tamina gadona salegy sns… “Mpanakanto manana ny maha izy azy “sakamalaho sy havozo”  eo amin’ny tontolon’ny mozika malagasy ireto niaka-tsehatra ireto”.“Mandritra ity herinandro ity dia hiaina jazz foana isika, ary hisy hetsika maro”, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Araka izany, fanombohana ihany ny tetsy Soarano fa maro ny seho sy hetsika isan-karazany, mandritra ity “Madajazzcar” andiany faha-32. Seho entina hanomezam-boninahitra an’i Désiré Razafindrazaka, izay filohan’ny komity mpikarakara, nodimandry tsy ela akory izay ity“Madajazzcar” andiany faha-32 ity . NarilalaL’article Jaojoby, Tence Mena…: nahaliana ny maro ny “Jazz tropikaly” a été récupéré chez Newsmada.

ILS ONT DIT
11/10/2021

Eric Rabesandratana, coach « Je suis très content du jeu produit, de la mentalité affichée par l’équipe, ça c’est très important. C’est le point sur lequel on a beaucoup parlé. On a essayé de mettre ça en place. Je sais qu’il n’y a pas de hasard dans le football. Quand on travaille, on ne peut pas être récompensé tout de suite. Aujourd’hui on est récompensé et le peuple malgache est récompensé  aussi. Les jeunes joueurs apprennent vite. On a savouré sincèrement de ce résultat car il y avait un tout petit peu une série vraiment négative depuis 2019 que les Barea n’ont gagné aucun match. Aujourd’hui, on a arrêté ça et on repartira à nouveau avec un état d’esprit qui a changé. Si on affiche cet état d’esprit, cette envie et ce jeu, j’espère qu’on sera récompensé souvent. On a été fragile de temps en temps sur certaines phases défensives. Je pense que c’est un petit peu la peur (…) on n’a pas eu le temps de les travailler. Fabien Boyer est arrivé hier. Effectivement il n’a pas travaillé avec l’équipe. Il connaît les joueurs, il a fait de grandes performances défensives(…)tout le monde a fait un travail défensif incroyable. Il reste six points à prendre, on va essayer de les prendre, après on verra. Cela dépend aussi des autres résultats. Il y a encore une possibilité de faire quelque chose. On a la tête sur les épaules. On va avoir  le même état d’esprit et la même envie de gagner ». Ibrahim Amada « Nous avons toujours donné un maximum d’efforts même si on n’avait pas de résultats. Nous l’avions promis au président de la république et au ministre de la jeunesse et des sports. Aujourd’hui, tous les efforts sont récompensés. Nous réitérons notre engagement que nous chercherons toujours des victoires sur les prochains matchs. Cette victoire, ce n’est que le début. D’autant plus que les autres joueurs commencent à s’y intégrer. Nous aurons une belle équipe nationale dans les années à venir ». Njiva, le buteur « Le vœux de chacun s’est réalisé. Nous essayons toujours de donner la meilleure satisfaction au peuple et de protéger l’honneur du pays. Merci aux spectateurs qui ont été derrière nous et qui nous ont soutenus  jusqu’au bout ». Manjato Razafy  L’article ILS ONT DIT a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Gaboraraka, tsy fanajana ny mpandeha sy ny bokin’andraikitra…: nanaovan’ny kaominina sy zandary angaredona ny taxi-be Ivato
12/10/2021

Nihaona, omaly, ny tomponandraikitry ny kaominina Ivato, ny solontenan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, ny mpitatitra ary ny koperativa rehetra miasa ao Ivato, ary ny avy amin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Ivato.Nijery ny fandaminana sy fandrindrana indray ny fitaterana amin’ny taxi-ben’Ivato,  izay miteraka lonilony sy fahatezeram-bahoaka izy ireo tamin’izany. “Tsy azo ekena ny fampijaliana ny mpandeha taxi-be eto Ivato fa tsy maintsy arahinareo taxi-be ny bokin’andraikitra izay nekenareo. Tsy nisy nanery anareo hiasa hitatitra olona eto Ivato fa sitraponareo izany kanefa raha hampijaly ny mpandeha na manahirana anareo ny hanao ny asanareo dia mandehana mitady zotra hafa fa tsy hampijaly ny mponina eto Ivato sy hampisy disadisa eto”, hoy ny hafatry ny Ben’ny Tanàna, i Penjy Randrianarisoa hentitra,Nivantana ny sekretera jeneralin’ny kaominina fa hotsoahina tsy hiasa eo Ivato intsony, izay taxi-be tsy manara-dalàna sy tsy manaja ny bokin’andraikitra. Hanasazy kosa izahay, hoy ny mpitandro filaminana ary tsy hitsitsy mihitsy fa lasa fifanalam-baraka sy fanasoketana no azo amin’ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpitatitra. Tetsy an-daniny mitaky famaizana avy hatrany omena ny mpamily sy ny mpanampy azy ireo tompona fiara sy kaoperativa na eo aza ny asan’ny ATT sy ny vaomiera iraisana momba ny fitaterana. Fihodinana an-dalana, fandehanana mafy loatra, fanevatevana mpandeha, fijanonana maharitra amin’ny toerana iray… ampahany amin’ireo tena mahatezitra ny mpandeha. Mitaky ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay, araka izany, ny fampanjariana ny fitateram-bahoaka amin’ny zotra D mampitohy an’i Vasakaosy amin’Ivato iny. Efa imbetsaka ny fihaonana teo amin’ireo tomponandraikitra, saingy herinandro na iray volana ihany dia miverina ny gaboraraka, izay mampijaly tanteraka ny mponina mpampiasa taxi-be.Asiana zotra hafa eny amin’ny lalam-baovao TsarasaotraTetsy an-daniny, nilaza ny sekretera jeneralin’ny kaominina Ivato, Rabeharivelo Rivo fa hisy ny zotra hafa hifaninana amin’ireo taxi-be zotra D ireo satria manjaka tokana izy ireo ka manao izay danin’ny kibony. Mangataka amin’ny fitondram-panjakana ny kaominina Ivato mba hanokatra ny zotra vaovao mandeha amin’ny lalam-baovao mihazo an’i Tsarasaotra iny. Mampihena ny fitohanana lavareny eny Ambohibao, izay mandany fotoana ela. Io koa no hiteraka fifaninanana eo amin’ireo taxi-be ka hahafahan’izy ireo manaja ny mpandeha.Tatiana AL’article Gaboraraka, tsy fanajana ny mpandeha sy ny bokin’andraikitra…: nanaovan’ny kaominina sy zandary angaredona ny taxi-be Ivato a été récupéré chez Newsmada.

Faritra Atsinanana: miroso ho an’ny fampandrosoana
12/10/2021

Mandeha tsikelikely ny fampandrosoana ao amin’ny faritra Atsinanana. Manomboka ny fandoavan’ny karama tsy voaloa ao amin’ny kaominina Toamasina I. Misy ny fiaraha-miasany amin’ny tetikasa Padeve. Mandeha ny fanamboaran-dalana, harenina ny fizahantany, sns. Fanadihadiana.Nanjaka ny gaboraraka teo aloha, nivangongo ny trosa, tara ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa, manodidina ny 500 ny mpiasa matoatoa tsy miasa nefa mandray karama. Maro ny fotodrafitrasa simba, toy ny lalana, misy mivarotra ny tany sy ny tranon’ny kaominina.Manomboka miharin-doha tny kaominina amin’izao fotoana izao, taorian’ny herintaona sy tapany, nitantanan’ny ben’ny Tanàna, Rakotonirina Nantenaina. Arahi-maso ny mpiasa rehetra, ankehitriny. Notsipihiny fa misy koa ny mpiasan’ny seranan-tsambo mandray volan’ny kaominina, ka ilaina ny fanadiovana, satria tsy azo ekena izany. Efa vita 85% ny lalana simba, foana ny fako nivangongo.Padeve IINifarana ny volana septambra teo ny andiany voalohany amin’ny fandaharanasa tohana sy fampandrosoana ny tanàn-dehibe mifandanja (Padeve). Nifantoka tamin’ny fanofanana ny mpiasa sy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny kaominina Toamasina I ity fandaharanasa ity. Nofaranana tamin’ny fanolorana fitaovana samihafa izany, toy ny ordinatera, GPS, “disque dure externe”, “imprimante” (A3, matricielle), sns. Hampiasaina amin’ny fandrafetana ny Drafi-panajariana ny tanàna (Pudi) sy ny faritra isarahan’ny kaominina an-tanàn-dehibe sy ny ambanivohitra ireo fitaovana ireo. Tsiahivina fa voakasiky ny Padeve I ny renivohi-paritany enina miampy an’Antsirabe I, vatsin’ny Fandaharanasa ho an’ny fampandrosoana japoney (Jica), sy ny an’ny Frantsay AFD ara-bola, nanomboka ny taona 2017. Tafiditra ao anatiny ny tetikasa hametrahana ny drafi-panajariana ny lalana ara-toekarena Antananarivo-Toamasina-Madagasikara (Tatom). Isan’izany ilay arabe migodana Antananarivo –Toamasina.Ho an’ny kaominina Toamasina I, eo am-pikarakarana ny karatra biometrika ho an’ny mpiasa tsirairay, mba hisorohana sy hanafoanana ny mpiasa matoatoa, tombanana hatrany amin’ny 500.Hiarina ny fizahantanyMitsinjo sahady ny fiatrehana ny fisokafan’ny fizahantany indray koa ny tomponandraikitry ny faritra Atsinanana. Ny hita aloha, efa tonga tsikelikely any Foulpointe ny mpizahatany eto an-toerana, Malagasy sy vahiny, nanomboka ny fialan-tsasatra lehibe teo. Nilaza ny governoran’ Atsinanana, Rafidison Richard Théodore, fa efa azo ampiasaina ary vita ao anatin’ny 15 hatramin’ny 20 minitra ny lalana 13 km, mampitohy ny lalam-pirenena faharoa (RN 2) mankany Manambato, toerana tena manan-danja amin’ny fizahantany. Tanteraka izany satria efa ampiasaina ireo fitaovana vaventy fanamboaran-dalana avy any amin’ny filoha Rajoelina.Hanarenana izay lafiny fizahantanyizay ihany, natao ny 24 hatramin’ny 26 septambra teo, ny Tsenabe Fagnako, hisarihana ny mpizahatany anatiny rahateo. Nanome toky ny minisitry ny Fizahantany, Randriamandranto Joël, fa hanohana ireo mpikarakara hetsika toy izao, ny minisitera.Manampy ireo, mitohy ny asa fanamboarana ny fotodrafitrasa, toy ny arabe Boulevard Ratsimilaho, simban’ny rivodoza Honorinina, ny taona 1986. Eo koa ny fiarovana ny sisin-dranomasina. Efa hiditra amin’ny andiany faharoa ny tetikasa Miami, fanajariana ny amoron-dranomasina sy ny manodidina. Anjatony kilometatra ny famakian-dalana ao anatin’ny faritra Atsinanana, tanterahin’ny faritra Atsinanana.Lahatsoratra sy sary: Sajo L’article Faritra Atsinanana: miroso ho an’ny fampandrosoana a été récupéré chez Newsmada.

Medem : “Olan’ny mpitsara ny tsindry sy ny fanelanelanana…”
12/10/2021

               “Ny tsindry sy ny fanelanelanana,  tena olana mateti-piseho eo amin’ny mpitsara. Mety avy amin’ny olona manana toerana ambony izany .Manahirana ho an’ny mpitsara izany. Matoa misy tsindry, tsy mifanaraka amin’ny lalàna ny angatahiny na manivaka”, hoy ny minisitry ny Fitsarana teo aloha, filohan’ny ”Mouvement pour l’éthique et la déontologie – Medem”, Ratsiharovala Lala Henriette, teny amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Faravohitra, omaly. Natao sonia tamin’izany ny amin’ny fitondran-tenan’ny mpitsara iarahan’ny minisiteran’ny fitsarana sy ny Medem.Sahirana ny mpitsara manoloana izany tsindry sy fanelanelanana izany. Mieritreritra sao misy valifaty na misy fiantraikany amin’ny toerany amin’ny asany raha tsy manaraka izany. Nefa ny fampiharana ny lalàna no tena tokony hotandrovin’ny mpitsara amin’ny fanapahan-keviny. Ny lalàna ihany no mibaiko azy amin’izany. Arakaraka ny mpitsara koa ny fanapahan-kevitra, nefa tokony hanana ny maha izy azy izy hahazoany mifahatra amin’ny etika sy ny deontolojia, indrindra eo amin’ny asa  ataony.Ezahina ny fametrahana fitsarana marina“Miezaka mametraka, izany hoe fitsarana ao anatin’ny fahamarinana izahay, fitsarana tsy mitanila, fitsarana mamerina ny fitokisan’ny vahoaka”, hoy kosa ny minisitry ny Fitsarana, Imbiki Herilaza. Tsy afa-hanao izany rehetra izany ny mpitsara, raha tsy arovan’ny minisiteran’ny Fitsarana, fa anisan’ny adidy aman’andraikitra mifehy azy rahateo izany. Hita  hihatsara ny didim-pitsarana, ny fifandraisan’ny mpitsara sy ny vahoaka, raha tanteraka an-tsakany sy an-davany ny zavatra voalaza, indrindra ny fitondran-tena sy moraly.R.Nd.   Nankasitrahana ireo minisitra teo alohaNisy ny fanoloran’ny minisiteran’ny Fitsarana mari-pankasitrahana ireo minisitry ny Fitsarana teo aloha miisa 26 na ny taranaka na ny fianakaviana hatramin’ny Fahaleovantena, taona 1960 no ho mankaty. “Hazondamosin’ny firenena sy hazondamosina ho an’ny vahoaka malagasy ny minsiteran’ny Fitsarana”, hoy ny minisitra. Ny fifanajana sy ny fifankatiavana ary ny fahaizana miara-monina ihany no ahazoana mampandroso ny minisiteran’ny Fitsarana.   L’article Medem : “Olan’ny mpitsara ny tsindry sy ny fanelanelanana…” a été récupéré chez Newsmada.