Tratra ilay mpamatsy odigasy dahalo

News - Tratra ilay mpamatsy odigasy dahalo

News - Tratra ilay mpamatsy odigasy dahalo

Tra-tehaky polisy avy ao amin’ny
faritra Menabe ny lehilahy iray malaza mpama­tsy odigasy ireo
dahalo. Voa­sambotra tao amin’ny kaominina Tsimiafana io lehilahy
45 taona io, ny alarobia teo. Fantatra fa tonga tao amin’ilay
kaominina izy, ny alahady teo ary nivatsy ireo odigasy marobe.
Vokany, nisy ireo nampahafantatra ny tranga tamin’ireo polisy teo
an-toerana. Nandray ny andraikiny ihany koa ny olomboafidy mba
hanaovana famotorana an-dralehilahy. «… Avy any amin’ny distrikan’i
Mahabo io lehilahy io ary efa malaza ratsy amin’ny famatsiana
odigasy ireo dahalo any amin’ny distrikan’i Belo Tsiribihina», hoy
ny fanazavan’ny polisim-pirenena, loharanom-baovao. Nikasa hiverina
tany Mahabo ralehilahy ka nosamborin’ny mpitandro filaminana, ny
alarobia teo tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro. Tratra tamin’ny
fisavana azy ny mohara, ny tapakazo maro. Nogiazana avy hatrany
ireo odigasy marobe, nentina nanaovana fanadihadiana ny tenany.
«Mitohy ny fanadihadiana azy», hoy hatrany ny loharanom-baovao.

Henintsoa Hani

Article tiré de Newsmada

L’article Tratra ilay mpamatsy odigasy dahalo a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 17/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Na nanohitra ireo nisambotra azy aza: tratra ilay jiolahy nanendaka vehivavy naka vola tamin’ny Gab

Tra-tehaky ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Analamahitsy ny lehilahy iray, 31 taona, nanendaka vehivavy iray teny amin’ny Gag BFV, eny Ambatobe. Araka ny fantatra, avy naka vola teo an-toerana ilay ramatoa, omaly maraina tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany. Raha vao nivoaka ny toerana fakana vola izy, nosintonin’ilay jiolahy ny poketrany. Niezaka nanakana ilay jiolahy tsy handositra amin’ny moto ilay ramatoa, saingy novelesiny teo amin’ny lohany ka tsy nahatazona azy. Lehilahy iray hafa kosa ny nahita ny fihetsik’ilay jiolahy ka nanampy ilay ramatoa. « Namaly indray ity jiolahy ity ka novelesiny teo amin’ny tratrany ihany koa ilay lehilahy» ,araka ny fanazavan’ny polisy.Tsy nitsazam-potsiny anefa ny manodidina ka tonga nirodorodo nitazona ilay jiolahy. Niantso ny polisy ny fokonolona ka nentin’ny mpitandro filaminana teny amin’ny birao ilay olon-dratsy. Nogiazana avy hatrany ilay moto saika hoentin’io lehilahy io sy ny kitapony. Hita tamin’izany ny saron-tava, ny taratasy misy ny mombamomba azy, ny findainy ary ny zava-maranitra fampiasany amin’ny asa ratsiny. Ilay ramatoa lasibatra kosa, nasain’ny polisy nametraka fitoriana. Fantatra fa nentina teny amin’ny HJRA ilay lehilahy voadarok’ilay jiolahy. Henintsoa HaniL’article Na nanohitra ireo nisambotra azy aza: tratra ilay jiolahy nanendaka vehivavy naka vola tamin’ny Gab a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Potika ilay moto nifandona tamin’ny fiaran’ny Jirama

Misesisesy ny lozam-pifamoivoizana. Omaly fotsiny, mo­­to miisa efatra tra-doza. Isan’izany ny moto iray voadonan’ny fiara 4×4-n’ny Jirama teny Anosimasina Itaosy, omaly manodidina ny tamin’ny 3 ora 30 minitra. Nitranga teo amin’ny fiolanan’ny tetezana ny loza raha ny filazan’ny ma­nodidina. Nianjera noho izany ilay lehilahy ka naratra ary potika tanteraka kosa ilay moto nentiny. Vehivay iray nitondra moto ihany koa voadonan’ny fiara tsy mataho-dalana teny Ana­lakely, omaly tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro. Nianje­ra teny ambonin’ilay moto nentiny izy ka naratra. Nitango­ron’ireo mpandalo teo amin’ny manodidina ity tra-doza ity. Lehilahy iray hafa koa nianjera teny ambony moto nentiny rehefa nodomin’ny fiara, tetsy akaikin’ny pharamacie Ando­hatapenaka, omaly maraina to­kony ho tamin’ny 10 ora. Voka­ny, tsy nahatsiaro tena ilay mpitondra moto ka nifamonjen’ny fokonolona. Entanina hatrany ny rehetra hitandro ny fifamoivoizana fa lahitokana ny aina. Raha sendra misy ihany koa ny tranga miseho, fadina ny fivorivoriana hialana amin’ny fiparitahan’ny valanaretina. Ny tranga iray mahazo ny hafa, mety hahazoan’ny tena aretina.Henintsoa HaniL’article Potika ilay moto nifandona tamin’ny fiaran’ny Jirama a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Zava-bita tsara indrindra: 2 600 000 ny hazo voavoly

Tsy mbola  nisy tahaka izao. Tanjona napetraky ny filoha ny hamboly hazo amin’ny velarana 40 000 ha isan-taona hameranana ny Nosy ho maitso sy hanalefahana ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetry ny andro. “38 500 ha hatramin’izao no vita, araka ny tatitra taorian’ny fivorian’ny talem-paritry ny minisiteran’ny Tontolo iainana”, hoy ny fanazavan’ny talen’ny fambolen-kazo ao anatin’ny minisitera, i Jaozandry Jean Jacques, tany Mahajanga. Heverina fa ho tratra izany hatramin’ny faran’ny taona. Anisan’ny hamaliana ny vina ny fambolena zanaka ala honko any Boanamary, ao amin’ny distrikan’i Mahajanga II, ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Tafiditra ao anatin’ny Andro maneran-tany ho an’ny ala honko rahateo ny hetsika. 1 tapitrisa ny hazo voavoly tao anatin’ny tontolo andro, notarihin’ny minisitry ny Tontolo iainana, i Alexandre Georget. Niampy iray tapitrisa tany Befotaka Morombe  sy ny tany Diana miisa 600  000 izany. Nampiasa ny fomba “Tangnamaro” ny mpamboly hazo ka nirindra ny asa nahavitana ny velarana 200 ha. “Ny fahavononana politika mihitsy no tsy ampy”, hoy ny minisitra.Vonjy A. L’article Zava-bita tsara indrindra: 2 600 000 ny hazo voavoly a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Belo Tsiribihina : kamiao nivadika namono olona

Niakatra fampanoavana, omaly, ilay mpamily sy ny tompona kamiao nivadika, ny talata alina teo manodidina ny tamin’ny 11 ora alina. Vokany, nampidirina am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’i Morondava ny mpamily. Afaka tamin’izany kosa ny tompon’ny fiara. Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa kamiao mpitatitr’entana ilay kamiao avy ao Tsimafana nihazo an’i Belo Tsiribihina. Nony dify ny sakana sy ny fisavana nataon’ny mpitandro filaminana tsy lavitra teo, nampiditra olona manodidina ny 20 isa ny mpamily teo amin’ny fokontany Lambokely. Tapaka hisatra anefa ny fiara teo amin’ny kaominina Bero­boka ka nivadika. Vokany, olona roa indray namoy ny ainy, ny mpanampy ny mpamily sy ny rangahy lehibe iray manodidina ny 50 taona. Maty voatsindrin’ireo entana ilay mpanampy ny mpamily raha maty noho ny dona mafy nahazo azy kosa ilay mpandeha. Olona dimy hafa kosa naratra nandritra ny loza ary efa tsy ahina ny ainy, ankehitriny. Nambaran’ny zandary fa ratsy ny lalana mampifandray an’ireo toerana ireo, antony nahatonga ihany koa ny loza.Henintsoa HaniL’article Belo Tsiribihina : kamiao nivadika namono olona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

SESAM – Andiany faharoa: taranja 12 hifampizara traikefa

Miditra ao anatin’ny andiany faharoa amin’ny taona ity ny hetsika karakarain’ny Seho Event, nomeny ny anarana hoe Sesam (Sports Extrêmes et Salon des Arts Martiaux). Hetsika natokana indrindra ho an’ny taranja “arts martiaux”. Ny 9 hatramin’ny 11 aogositra no hanatanterahana izany, eny amin’ny Parvis Analakely, hampisehoan’ireo mpikatroka ao anatin’ireo taranja 12 mandray anjara, ny mampiavaka ny taranjany tsirairay. Araka ny efa nahafantarana azy, hisarika ny tanora hankafy sy hampiroborobo ny fanatanjahantena, fa tsy ho variana amin’ny zava-mahadomelina sy ny revy, no tena tanjona amin’ity hetsika ity. Hiavaka ny amin’ity andiany faharoa ity satria misy ireo taranja vaovao sambany ho tazana amin’ity hetsika ity, toy ny taranja Kempo, ny taibo, ny Akama ary ny Kickboxing.Araka ny nambaran’ny mpikarakara, amin’ny toerana be olona no hanaovana azy ary hitombo bebekokoa noho ny tamin’ny taon-dasa ny fampisehoana isaky ny taranja. Hisy mihitsy, ny tatami lehibe hanaovana izany fampisehoana izany, hisy ihany koa ny fampianarana maimaimpoana. Ankoatra izay, toy ny mahazatra, tsy ho very anjara ireo izay maniry ny hividy na hanjifa fitaovana ara-panatanjahantena, hisy ny fampirantiana izany, toy ny fanamiana ara-panatanjahantena sy ireo fitaovana ilaina amin’ny taranja “arts martiaux” ary ny “sports extrêmes”. Mbola hisy ihany koa ilay tombola hahazoana loka goavana sy loka maro be mifandraika indrindra amin’ny resaka fanatanjahantena. Tapakila fidirana 2000 ar dia efa mety hahazoana izany loka izany.Araka ny fanazavana nentin’ireo dojo sy ny taranja efa nandray anjara tamin’ny herintaona, nahafa-po ary tena nitondra vokatra tsara tamin’ny fampandrosoana ny taranja tsirairay avy, ny andiany voalohany. Antony mbola mahatonga azy ireo hanatevin-daharana izany amin’ity andiany faharoa ity. Ho an-dRakotonirina Parfait, avy amin’ny taranja Kempo sy MMA (Mixed Martial Arts), sambany ny fandraisana anjara amin’ity, isan’ny nanosika azy ny fahafahany mampisongadina ny taranja Kempo sy MMA eto Madagasikara, amin’ny alalan’ity hetsika karakarakin’ny Seho Event ity, hampisehoany ihany koa fa manana zavatra betsaka omena ny mpikatroka malagasy amin’io taranja io.Mampanantena, araka izany, ny Seho Event, fa ho seho sy hetsika miavaka no ho hita mandritra ny 3 andro, ny 9, 10 ary 11 aogositra eny amin’ny Parvis Analakely. Mi.RazL’article SESAM – Andiany faharoa: taranja 12 hifampizara traikefa a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rugby – «Top 20 Analamanga»: tsy tonga ny UASC sy ny SOE

Nitohy ny asabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Alarobia ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Top 20”, hiatrehana ny fifaninanana eto amin’ny ligin’Analamanga. Fihaonana, nokarakarain’ny Malagasy Rugby, noho ny tsy fahazoan’ny mpitantana ny ligy, manatanteraka izany.Lalao dimy no voalahatra, saingy ny telo ihany no tontosa, tamin’izany. Tsy tonga niatrika ny fihaonana, ny UASC Cheminots (Besetroka) sy ny Stade Olympique de l’Emyrne (SOE).Raha tsiahivina, tokony hifanehatra tamin’ny Uscar, ny Besetroka ary ny 3FAI Ambalavao Isotry kosa tokony hikatroka tamin’ny Stade. Araka izany, samy “forfait”, avokoa izy roa tonta ireo. Tsy fantatra aloha, ny antony tsy nanatrehan’ireo fileovana roa tonta ireo, izany lalao izany.Toy izao kosa ireo vokatra hafa, resin’ny Savony, tamin’ny isa 39 no ho 23 ny UIRC. Tsy mbola afa-bela tamin-dry zareo STM indray izany teto ny fivondronana Kely. Lavon’ny US Ikopa, tamin’ny isa, 28 no ho 24 kosa ny Mangart ary nomontsanin’ny XV Avenir, tamin’ny isa mavesatra, 14 no ho 0 ny AFA Ankazomanga. TompondakaL’article Rugby – «Top 20 Analamanga»: tsy tonga ny UASC sy ny SOE a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Koweït: jiolahy iray tratra namboly rongony

Tra-tehaky ny zandarimaria avy ao amin’ny borigadin’i Sambava, ny asabotsy 27 jolay 2019 teo ny jiolahy iray raindahiny amin’ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina. Monina ao Koweït fokontany Soavinandriana, kaominina ambonivohitr’i Sambava ity jiolahy izay voalaza fa mpamboly sy mpifoka ary mpivarotra rongony any amin’iny faritra iny, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary any an-toerana. Nandritra ny fisavana ny tranony dia nahitana rongony dimy fonosana sy rongony maniry sahabo ho zato fototra tany amin’ny saha famboleny izany. Nohamafisin’ny zandary fa jiolahy efa notadiavina hatry ny ela noho ny raharaha maro izy ity. Hatolotra ny fampanoavana izy aorian’ny famotoran’ny zandary.Jean ClaudeL’article Koweït: jiolahy iray tratra namboly rongony a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Fifidianana ho filohan’ny FMF: hanomboka anio ny fampielezan-kevitra

Araka ny tetiandro napetraky ny “comité de normalisation”, eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra, hanomboka amin’ity alakamisy 8 aogositra ity, ny fampielezan-kevitra, hataon’ireo kandidà dimy mirahalahy mianaka, hirotsaka hofidina ho filohan’ny federasiona (FMF). Hanoloran’izy ireo ny fandaharanasany, enti-mampandroso ny baolina kitra, ary handreseny lahatra ireo filohana ligy miisa 22, mpandatsa-bato.Manana anjara fitenenana 5 mn avy ao amin’ny onjam-peo sy ny fahitalavi-pirenena, izy ireo izay tsy handoavana vola,  Arakaraka ny filaharany ao anaty biletà tokana, izany fandraisam-pitenenana izany. Raha tsiahivina, laharana voalohany, Rabekoto Raoul Arizaka Romain, faharoa, i Mohamad Abdillah Abdou ary fahatelo, Andriamiasasoa Doda. Fahefatra, Rasoamaromaka Hery ary fahadimy, Rakotomamonjy Neypatraiky. Ankoatra izay, hisy ady hevitra mivantana “savaravina manokana”, hataon’ireo kandidà mpifaninana ireo, ny alahady 18 aogositra, ho avy izao, ao amin’ny RNM, izay hahafahan’ireo mpihaino miditra an-tariby, mametraka fanontaniana amin’izy ireo. Toy izany koa ny ao amin’ny fahitalavi-pirenena izay hisian’ny kianja manokana, ny alatsinainy 19 aogositra, ho avy izao. Marihina, fa hifarana ny 22 aogositra, izany fampielezan-kevitra, izany. TompondakaL’article Kitra – Fifidianana ho filohan’ny FMF: hanomboka anio ny fampielezan-kevitra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hisy orana rahampitso: mbola hafana be ny andro

Mbola hitoetra ny hafanana 30°C eto afovoan-tany mandritra ny hateloana, araka ny fanazavan’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. 18°C ny maripana ambany indrindra ary hahitana zavona ny vao maraina fa hisava ihany ao anatin’ny tontolo andro. Momba ny rotsak’orana kosa, rahampitso vao hiandry orana ny eto Antananarivo fa maina ny andro omaly sy anio. Hahazo orana koa ny ilany andrefan’ny afovoan-tany (i Vakinankaratra, Amoron’i Mania…) ka mety harahina kotroka izany. Orana malefaka no hirotsaka ho an’ny faritra Sava sy ny atsinanana iray manontolo ao anatin’ny telo andro manaraka.Tsy misy fiforonana andro ratsy ahina amin’ity herinandro ity, efa hiditra amin’ny vanim-potoana manasara-taona amin’izao fotoana izao izay mety hisehoan’ny vanim-potoana rehetra.Ambany ny tsindrin’ny atmosfera fa amin’ny zoma izao vao hangatsiaka ny andro. Ho an’ny anio, ho an’ny tapany maraina, hiseho ny orana tandrifin-drahona ho an’ny morontsirak’i Sofia sy i Boeny, Antalaha, Analanjirofo. Ho betsaka ny zavona ho an’ny faritra Analamanga, ny faritra Itasy, ny faritra Vakinankaratra, faritanin’i Fianarantsoa, ny faritra Anosy, ny faritra Androy. Ny hariva, hisy orana tandrifin-drahona harahin-kotroka any Nosy Be Sambirano, any Sofia, amin’ny ilany atsinanan’i  Matsiatra Ambony, any Ihorombe, any Atsimo Atsinanana, any Anosy, any Itasy, any Vakinankaratra, any Amoron’i Mania, amin’ny ilany atsinanan’ny Afovoan-tany.VonjyL’article Hisy orana rahampitso: mbola hafana be ny andro a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - Ao Raha

Ady amin’ny valanaretina :: Manavotra tanteraka ny fanatonana mpitsabo haingana

Zava-dehibe amin’ny fanasitranana sy fanavotana aina ny fahatongavan’ireo olona mararin’ny Covid-19 ara-potoana eny amin’ny toeram-pitsaboana. Sarotsarotra ny fandraisana an-tanana an’ireo efa ao anatin’ny fahasemporana izay vao tonga manatona ny mpitsabo. Manome toky amin’ny fisian’ny fanafody fitsaboana ireo tompon’andraikitra samihafa. Miankina amin’ny soritr’aretina kosa, hoy izy ireo, no ahafahan’ny mpitsabo mamaritra ny fanafody ho an’ny marary tsirairay.  « Azo sitranina 100% ireo marary tonga mitsabo tena, ka tsy mbola tonga any amin’ny fahasarotana. Miha mihena ny taham-pahasitranana ho an’ireo taraiky vao manatona toeram-pitsaboana, izay mety hiafara hatramin’ny fahafatesana », hoy Dr Razafimahatratra Rado, talen’ny hopitaly eny Anosiala. Fadiana ny manao « mpitsabo tena » any an-trano. Nitondra fanazavana momba ny fifindran’ny tsimok’aretin’ny Covid-19 ihany iry mpitsabo iry. « Amin’ny orona sy ny vava ary ny maso ihany no tena idiran’ny Covid-19, ankoatra ny amin’ny alalan’ireo fitaovana avy nampiasain’ny olona mitondra ny tsimok’aretina, tahaka ny sotro tsy voadio tsara. Ilaina ny mampiditra rivotra madio tsara sy ny masoandro ao an-trano raha misy olona voan’ny aretina ao, mba hampihena ny fiangonan’ny aretina ao anatin’ny efitra », hoy izy. Fanafody telo maimaim-poana Filaharambe kosa no hita eny amin’ireo toeram-pitsaboana fototra na CSB II, vao mangiran-dratsy, noho ireo toby ireo mandray an’izay olona misy soritr’aretin’ny Covid-19. Ny fanafody hitsaboana an’io valanaretina io ihany anefa no maimaim-poana, araka ny filazan’ny mpitsabo iray ao amin’ny CSB II eny Ankadikely Ilafy, dia ny « paracétamol », « magnesium », « Vitamine C ». Misy kosa ireo fanampiny tsy maintsy vidiana eny amin’ny fivarotam-panafody. Ireo marary tsy isehoana soritr’aretina sarotra no raisin’ny CSB II. Fantatra fa iretsy fanafody telo iretsy ihany no tsy andoavam-bola izay nomen’ny fanjakana, ka miteraka fahadisoam-panantenana amin’ny sokajin’olona maro. L’article Ady amin’ny valanaretina :: Manavotra tanteraka ny fanatonana mpitsabo haingana est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

Solo Andrianasolo: hiverina ny «Jeudi du jazz»
29/10/2020

 Seho efa fanao any ivelany ny « Jeudi du jazz ». I Solo Andrianasolo kosa no nitondra sy namelona azy teto an-tanindrazana, raha vao tonga izy. Fantatra, omaly fa hamerina ny hetsika « Jeudi du Jazz » indray ity mpanakanto ity, ny 5 novambra izao ka ao amin’ny Le 5ème Element , etsy Ankadivato no hanatanterahany izany. « Tena jazz standard zakan’ny sofina sy hakana tsirony ho an’ny mpihaino no hatao fa tsy ilay jazz ho an’ny mpitendry. Jazz manadio sofina », hoy izy. Hiaraka hitendry aminy amin’io i July Rakoto (piano électrique Fender Rhodes), i Martin Randriamampianina (contrebass) ary i Mihaja Rakotoarisoa (batterie).Efa nataon’i Solo Andrianasolo io fiarahana io tamin’ny taona 2003 niverenany nody teto  an-tanindrazana. Tao amin’ny Sweety Home Ambatoroka, nifindra tao amin’ny Restaurant Ny Avo Ambatoroka… Ankehitriny, ao amin’ny Le 5ème Element »Nanjary nanao « Jeudi du Jazz » ny ankamaroan’ny toerana fanaovana lanonana sy fisakafoana taty aoriana. « Fahafinaretana ho ahy ny fahitana an’izany », hoy i Solo Andrianasolo.HaRy RazafindrakotoL’article Solo Andrianasolo: hiverina ny «Jeudi du jazz» a été récupéré chez Newsmada.

Baolina kitra – Can 2021 :: Miandry ny Filoha ny fidiran’ i Côte d’Ivoire eto amintsika
27/10/2020

Miankina tanteraka amin’ny fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Repoblika malagasy sy ny valanaretina Covid-19, amin’ny fanokafana ny lanitr’i Madagasikara, ny mety hahatanteraka ny lalaon’ny Barean’i Madagasikara sy ny Elefanta Ivoariana eto amintsika, amin’ny 17 novambra ho avy izao. Mikaroka ny fomba rehetra hialana amin’izany ny Federasiona ivoariana (FIF), raha mino sy manantena ny hahatontosa ny lalao any Barikadimy kosa ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra. Niangavy tamin’ny Kaonfederasiona afrikanina (CAF) ny hanaovana an’io lalao io any amin’ny firenen-kafa, noho ny fikatonan’ny sisin-tany malagasy. Mbola tsy namaly izany hetahetan’izy ireo izany anefa ny CAF. Etsy an-kilany, mangataka fahazoan-dalana manokana, homena ny delegasiona ivoariana hahafahan’izy ireo miditra eto hanatontosana ny fihaonana eo amin’ny roa tonta, any any amin’ny Filohampirenena ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). “Tsy hikatona foana akory ny sisin-tany malagasy. Ny azo antoka dia hatao eto amintsika ny lalao miverina hifandonan’i Barea sy i Côte d’Ivoire”, hoy Andrianony Victorien, filoha vonjimaikan’ny FMF. L’article Baolina kitra – Can 2021 :: Miandry ny Filoha ny fidiran’ i Côte d’Ivoire eto amintsika est apparu en premier sur AoRaha.

Enina ireo lavo: 158 ny tranga vaovao
26/10/2020

Misoko mangina tsy re tsaika. Miisa enina ireo lavon’ny Covid-19, tao anatin’ny herinandro. Teo anelanelan’ny 17 hatramin’ny 23 oktobra izany. Manodidina ny iray isan’andro eo ho eo izany ireo matin’ity valanaretina ity eto amintsika ary mananika ny 244 izao ireo nodimandry hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty. Efa manakaiky ny 250 izany.Etsy andaniny, miisa 158 ireo tranga vaovao tao anatin’izany herinandro izao. Manodidina ny 26 isan’andro eo ho eo izany ny isan’ireo nifindran’ny valanaretina eto amintsika. Miisa 86 kosa anefa ireo sitrana. Tafakatra 16 301 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo 16 968 mitondra Covid-19 eto Madagasikara hatramin’ny nisian’ny valanaretina. Izany hoe, misy 423 izany ireo mbola manaraka fitsaboana.Synèse R.L’article Enina ireo lavo: 158 ny tranga vaovao a été récupéré chez Newsmada.

FONDATION ORANGE : Nandrombaka ny « coup de cœur ô feminin 2019 » Rasoarimanga Vololona
29/10/2020

Nofy tanteraka. Nahazo famatsiam-bola mitentina 7.900.000 Ariary Rasoarimanga Vololona hanatanterahana ny tetikasany. Nanatrika ny lanonana fanolorana izany, ny alarobia 28 oktobra 2020, ny Ben’ny tanànan’Ambohidratrimo, ny DGA sy ny Secrétaire Général Orange Madagascar Benja Arson, ny filohan’ny Orange Solidarité Madagascar Josie Randriambeloma ary ny filohan’ny Soroptimist International Club Mandrosoa Bodo Ramangason. Nanomboka ny taona 2016, manome tohana ho an’ireo vehivavy mandray anjara amin’ny fandaharan’asa “ maison digitale” ny  « coup de cœur ô feminin” an’ny Fondation Orange. Mahazo tohana ara-bola sy ara-teknika hanatanterahana ny nofiny izay mendrika indrindra ka Rasoarimanga Vololona avy amin’ny “Maison Digitale pour les femmes” Ambohidehilahy ao amin’ny Soroptimist Club Mandrosoa no nandrombaka izany ho an’ny taona 2019. “Zanaka tantsaha, renim-pianakaviana manan-janaka efatra Rasoarimanga Vololona ary nanaraka fiofanana karazany maro tao amin’ny Maison Digitale pour les Femmes. Niofana momba informatika, ny fampiasana ny Excel, ny fitantanana tetikasa izy. Eo am-pandrafetana ny tetikasany ahazoana ny taratasy fanamarinana fahavitana fiofanana izy amin’izao fotoana izao. Nofiny ny hanitatra ny asa fiompiana akoho gasy ka ao anatin’ny tetikasany ny famokarana, ny fanakotrehana, ny fiompiana akoho ho atao sakafo ary amidy eto amin’ny tsena anatiny fa indrindra haondrana any amin’ireo nosy manodidina an’i Madagasikara. Mila fanampiana izy noho izany amin’ny fananganana tranon’akoho mahazaka zanak’akoho an-jatony, reny akoho 10, akoholahy roa ary vorontsiloza telo”. Marihina fa nanomboka tamin’ny taona 2015, “maison digitale” 30 no natsangana  teto amintsika mba hanamorana ny fampidirana ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny asa, ny fanampiana azy ireo hahay hifehy ny fitaovana nomerika sy ireo rindram-baiko fototra. Eo ihany koa fampianarana mamaky teny sy manoratra, ny fitantanana ny varotra, ny bureautique sy ny maro hafa. Nirina R. Cet article FONDATION ORANGE : Nandrombaka ny « coup de cœur ô feminin 2019 » Rasoarimanga Vololona est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article FONDATION ORANGE : Nandrombaka ny « coup de cœur ô feminin 2019 » Rasoarimanga Vololona a été récupéré chez Délire Madagascar.

Fanarenana orinasa malagasy: nanaovana fanadihadiana manokana ny Lazan’i Betsileo
26/10/2020

 Nangatahin’ireo manana petra-bola ao amin’ny orinasa Lazan’i Betsileo sy izay mpiara-miombona antoka aminy ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria any Fianarantsoa hanao ny kajim-pitantanana momba ity orinasa ity. Ny Lazan’i Betsileo, tsiahivina fa mpamokatra divay, niforona ny taona 1971. Latsaka ao anaty krizy amin’izao fotoana izao.Ny herinandro lasa teo, nandritra ny efatra andro nanaovana fanadihadiana amin’ny antsipiriany ny olana rehetra ao amin’ny Lazan’i Betsileo, nofantarina momba izay rehetra mampihodina ny orinasa: ny olona, ny vola, ny fitaovana, sns. Samy manao tatitra tandrify azy ny sampana fitantanana mpiasa, teknika, famokarana. Navondrona ireo rehetra ireo ho “état fancier” ahitana  ny zava-misy manontolo.Tamin’ny taona 2007, tonga tany Matsiatra Ambony ny filankevitra any Bourgogne, Frantsa. Nampahafantarina tamin’io fotoana io ny tokony hanarenana ny Lazan’i Betsileo. Tanjona ny fanatsarana ny kalitaon’ny divay vokarina, ahitana tombombarotra ho tombontsoan’ny mpiasa sy ny fianakaviany. Nefa mbola tsy tafarina hatramin’izao ity orinasa nanana ny lazany ity ka izao alefa indray any amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria izao. Tafiditra ao anatin’ny politika fanomezan-danja ny orinasa malagasy izao fanarenana ny Lazan’i Betsileo izao. Mampahafantatra hatrany ny vokatra vita malagasy sy manome asa ho an’ny eto an-toerana. R.MathieuL’article Fanarenana orinasa malagasy: nanaovana fanadihadiana manokana ny Lazan’i Betsileo a été récupéré chez Newsmada.

Fambolena zava-mahadomelina: saron’ny zandary ny sahan-drongony 3 hektara
29/10/2020

  Tra-tehaky ny zandary avy ao Ambilobe ny toeram-pambolena rongony mirefy 3 hektara. Sarona tamin’izany koa ny rongony 20.000 fototra tao Maroamalona, fokontany Bobantsery, kaominina ambanivohitr’i Anaborano Ifasy ao Ambilobe. Tratra tamin’io fidinana tampoka nataon’ny zandary avy ao Anaborano io koa ireo rongony milanja 540 kilao sy ny trano heva miisa telo tao an-toerana. Lehilahy dimy ihany koa voasambotra. Nahitana ny mpividy, ny mpamboly, ny mpitatitra ny rongony avy ao amin’io toerana io ihany. Nanaovana famotorana ireo voasambotra ary hatolotra ny fampanoavana aorian’izay. « Tsy maintsy nodorana kosa ireo rongony izay mitarika ny tsy fandriam-pahalemana », hoy ny zandarimariam-pirenena, loharanom-baovao. Misaotra amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo nanome loharanom-baovao ny zandary. Mitohy hatrany ny ezaka ataony amin’ny ady amin’ny famokarana sy fanapariahana zava-mahadomelina.Henintsoa HaniL’article Fambolena zava-mahadomelina: saron’ny zandary ny sahan-drongony 3 hektara a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasan’ny UE : nahazo fotodrafitrasa ny eny Ampitatafika
24/10/2020

Notokanana, omaly, ireo fo­todrafitrasa miisa fito ao amin’ ny kaominina Ampitatafika sy ny eny Alakamisy, distrikan’ Atsimondrano. Anisan’izany ny fanavaozana ny tsena, ny efitrano fivarotana miisa 10 sy ny tranoheva lehibe roa, etsy Ampita­tafika. Eo ny lalana 1 km 400 mampitohy an’Ankadintany sy Avarajorozo. Nampiana efatra kosa ny efitrano fianarana ao amin’ny CEG Antanety, Alaka­misy Fenoarivo. Ny fahavitan’ ny lalana « pavet » mampitohy an’Andohony sy Antanety, mi­refy 720 m. Natao tahaka izany koa ny tahala eo amin’ny tsena sy ny lakandrano, anariana ny rano maloto. Nametrahana toeram-pivoahana koa izany. Niara-niasa amin’izany ny ONG Ketsa. Teo koa ny fanohanan’ny Von­drona eoropeanina (UE) sy ny fikambanana MSIS Tatao. Natao mangarahara ny nananganana izany ary nandray anjara ny manampahefana sy ny eny ifotony. Mampivoatra ny andavanandron’ny mponina ireo fotodrafitrasa ireo. Mamaly ny hetaheta eny ifotony kosa ny kaominina. Napetraka koa ny rafitra ho fitandroana sy ho fitantanana ny fotodrafitrasa ho tombontsoan’ny maro. Ao anatin’izany ny fampandraisana andraikitra ireo mponina, hitandro hatrany ny fotodrafitrasa, araka ny lahateny nifandimbiasana.Synèse R.L’article Fiaraha-miasan’ny UE : nahazo fotodrafitrasa ny eny Ampitatafika a été récupéré chez Newsmada.

Vono olona :: Ben’ny tanàna vehivavy maty voatifitra
27/10/2020

Maty tsy tra-drano i Faly Françoise Zamena, vehivavy ben’ny tanànan’ny kaominina Marohazo-Maintirano, tamin’ny alin’ny alahady 25 oktobra lasa teo. Lehilahy iray tonga tao aminy no voalaza ho nitifitra ka nahafaty azy avy hatrany. Fantatry ny fianakaviany io olona io, raha ny fanampim-baovao azo, omaly, izay voalaza fa lehiben’ny dahalo any an-toerana ary havan’ny maty ihany. Ben’ny tanàna naman’itsy niharam-boina itsy no nampandre ny mpitandro filaminana, tamin’ny alina nisehoan’ny loza. Tonga nanadihady ny zava-niseho tany an-toerana ireo mpitandro filaminana. Lehilahy voatondro ho dahalo raindahiny efa nanafika naka ny ombin’ny ben’ny tanànan’Antsaindoha Bebao, tamin’ny 5 oktobra lasa teo, izy, raha ny fitantaran’ireo fianakavian’ny maty. Eo am-pikarohana azy ny mpitandro filaminana any Maintirano, ankehitriny. L’article Vono olona :: Ben’ny tanàna vehivavy maty voatifitra est apparu en premier sur AoRaha.

Famine : D’espoir et d’eau fraîche dans le sud malgache
28/10/2020

Une femme en chaise roulante et son enfant, dans un des fokotany de la commune d’Andranohinaly. La famine qui frappe le sud de Madagascar est en train de faire braquer le regard du monde entier vers le présent et l’avenir de milliers de personnes affamées depuis les environs de Toliara, jusqu’à Amboasary, Ampanihy, etc. Des décès et des centaines de déplacés sont comptés depuis plusieurs semaines. « Seulement de l’eau », cette phrase s’entend dans la bouche de toutes les personnes à qui on demande quelle est la meilleure solution pour combattre le « kere », la famine. Cette période d’extrême disette, qui frappe de sud depuis des lustres. Connu aussi sous le nom d’« arikatoke », à partir du mois d’octobre, plutôt cette année, des centaines de personnes se déplacent vers des terres et des localités plus généreuses. Quand les pluies arrivent, ils reviennent chez eux. Ensuite, tout le monde accourt. L’Etat, les diverses organismes internationaux, les associations de tous bords, les particuliers au grand cœur… mais l’aspiration de ceux qui viennent du sud reste la même depuis des lustres, « seulement de l’eau ». Un puits peut sauver un village, « seulement de l’eau ». Face à la sécheresse, cause de la famine récurrente,  qui sévit sans aucune forme de pitié, plusieurs questions méritent maintenant d’être posées et d’en trouver des premières pistes de réponse. Si les régions comme l’Androy ou l’Atsimo-Andrefana attirent des milliers de touristes, n’est-il pas venu le temps de se demander : « quels sont profits entraînés par le tourisme ? ». Selon les chiffres, la part de cette partie de Madagascar représenterait plus de 38 % de la demande touristique. Un part de marché conséquent, dont les probables retombées, aurait déjà pu inspirer à pouvoir commencer un effort de développement dans ces confins sans eau ni nourriture. La deuxième question est de savoir « quelle est l’importance de l’aide internationale ? ». Depuis les gouvernements successifs, le Sud est, qu’on le veuille ou non, un aimant à aides. Qu’il faut aussi faire la distinction entre les aides aide d’urgence (produits de consommation, vivres, etc.) et aide destinée à des investissements techniques, etc. Il faut remonter à plusieurs décennies pour pouvoir faire le calcul exact des montants déjà alloués à cette partie de la Grande Île. Mais, le constat est dur. Des morts, la famine chronique, la sécheresse, les terres arides… restent le lot annuel d’Ambovombe, d’Amboasary, d’Ejeda, d’Ampanihy et d’autres régions sévèrement affamées. Il est aussi temps de se tourner vers le ciel : la météo. Si jamais, le réchauffement climatique pourrait aggraver encore plus la pluviométrie. Selon des spécialistes, le nombre des enfants touchés par la famine atteindrait les 35 000. ces statistiques pourraient augmenter face aux changements environnementaux. Un avenir qui s’éloigne en rapprochant l’obscurité. Cependant, au contact de ses mères, de ses hommes, de ses enfants toujours souriants, que la fin n’éreinte en rien la dignité… l’espoir semble toujours être de mise. Comme un sniper fou, le « kere » abat un à un les plus vulnérables, ou bien laisse des blessures à vie : la résignation chez les proches des décédés. Maminirina Rado L’article Famine : D’espoir et d’eau fraîche dans le sud malgache est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Famine : D’espoir et d’eau fraîche dans le sud malgache a été récupéré chez Midi Madagasikara.

DGSR-Gcam: tokony horaisina ara-teknika ny fiara vaovao vao amidy
29/10/2020

 Nihaona mivantana ny tompon’andraikitry ny foibe fitsarana fiarakodia sy ireo mpandraharaha mpanafatra sy mpivarotra fiara vaovao, omaly. Tonga nanatrika izany ireo solontenan’ny vondron’ireo mpandraharaha mpanafatra sy mpivarotra fiara vaovao (Gcam). Tanjon’ny fihaonana ny fampanarahan-dalàna ny sehatra fanafarana fiara sy fampidirana fiara vaovao eto Madagasikara. Eo koa ny fanamboarana sy ny fikirakirana ny ara-taratasy rehetra hahatomombana ny fivezivezena.Nasiana tsindrim-peo manokana ny mikasika ny tokony hanaovana fandraisana ara-teknika ireny fiara vaovao ireny mialoha ny hamarotana azy. Teo koa ny lalàna mikasika ny laharana WWT, izay voafaritra mazava fa ireo fiara vaovao navoakan’ny orinasa nanamboatra azy ihany no tokony hitondra izany.Anisan’ny nampitaraina mafy ny foibe fitsarana fiara teo aloha ny gaboraraka teo amin’io laharana WWT io satria misy fiara tena efa ratsy kanefa mbola mitondra izany ihany fa tsy milamina ny taratasiny.Hodinihina amin’ny fivoriana manaraka indray ny mikasika ny fanitsiana ireo andinin-dalàna efa misy hatramin’izay mba hifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny. Iarahana amin’ny sampan-draharaham-panjakana voakasik’izany ny fihaonana amin’io fotoana io.Tatiana AL’article DGSR-Gcam: tokony horaisina ara-teknika ny fiara vaovao vao amidy a été récupéré chez Newsmada.

Amnesty International: « Tokony hafainganina ny fitsarana ireo voafonja… »
27/10/2020

 Nampahatsiahy sady nitaky. “Tokony hafainganina ny fitsarana ireo voafonja”, hoy ny eo anivon’ny Amnesty, araka ny fanambarana nataon’izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Nivoitra tamin’izany fa tena mitarazoka ny fanatanterahana ny fampanantenan’ny filoha Rajoelina Andry momba ireo voafonja. Notsiahivin’ny Amnesty International ny fitsidihan’ny filoham-pirenena teny amin’ny fonjan’Antanimora, herintaona tahaka izao, ny 31 okotobra 2019.Hentitra ny tenany tamin’izany manoloana ireo fepetra samihafa tokony hapetraka, ho fitsinjovana ny zon’ny voafonja sy ireo voatana vonjimaika am-ponja.Natsidiny tamin’izany ny amin’ny hanamboarana toeram-pamonjana vaovao. Efa an-dalana ny asa fanorenana eny Imeritsiatosika. Manampy izany ny namotsorana voafonja maromaro tamin’izany.Miisa 88 ireo gadra nandositra…Tsiahivina fa miisa 82 ireo fonja manerana ny Nosy ary manodidina ny 10 000 ireo voafonja zakan’ireo toeram-pamonjana ireo. Avo telo heny, maherin’ny 27 000, anefa ireo tanana vonjimaika am-ponja sy voampanga ka manefa ny saziny, amin’izao fotoana izao. Voatazona vonjimaika ny 54% amin’izy ireo noho ny fandikan-dalàna madinidinika. Anisan’ny antony mahatonga ny fandosiran’ireo gadra miisa 88 izany tamin’ity taona ity. Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny 22 tamin’izany, tany Farafangana.Synèse R. L’article Amnesty International: « Tokony hafainganina ny fitsarana ireo voafonja… » a été récupéré chez Newsmada.

Fadintseranana: hiova ny fanaovana lavanty
26/10/2020

Hatomboka tsy ho ela ny fanaovana lavanty ireo entana tsy nandoavana haba ao amin’ny seranana. Tompon’antoka ny fadintseranana, mametraka fomba ho fanatanterahana izany amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera (en ligne). Araka ny andininy faha-237 amin’ny lalàna mifehy ny fadintseranana, « izay entana tsy alaina anatin’ny roa volana manomboka tamin’ny fotoana nanoratana izany ao amin’ny tahiry, amidy atao lavanty amin’ny rehetra ». Mivoatra izay fomba fanaovana lavanty izay, araka ny fivoaran’ny toetrandro.Fotoana tany aloha, antso avo ny fanaovana ny varotra; taty aoriana, novana tamina fonosana tolo-bidy, naterina eny amin’ny sampandraharahan’ny ladoany. Ireo fomba ireo, samy nandaniam-potoana sy nampiasam-batana.Ampiasana teknolojia vaovaoAnkehitriny, avadika amin’ny fampiasana teknolojia vaovao ny fampiharana izany, hita ao amin’ny tranonkalan’ny fadintseranana. Manaporofo ny mangarahara izao fanavaozana izao. Misokatra ho an’ny rehetra ny tolo-barotra, fanavaozana ny fitantanan-draharaha eo anivon’ny ladoany.Tafiditra tao amin’ny dinika nifanaovan’ny fadintseranana tamin’ireo mpiara-miombona antoka aminy (Tetikasa 27 ho fanavaozana ny ladoany malagasy, Taratra 23 oktobra 2020, p.8) io fanovana fomba fiasa io. Nampahafantarina ireo mpiara-miombona antoka ny fanavaozana eo anivon’ny ladoany nandritra io fivoriana io. Azo tamin’izany ny fahatokisan’ireo mpanohana, toy ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad), ny Banky iraisam-pirenena (BM), sns. Betsaka ny tetikasa iarahana amin’ireo ho an’ny mpandraharaha, ny fitiliana sy ny fanaraha-maso isan-karazany. R.MathieuL’article Fadintseranana: hiova ny fanaovana lavanty a été récupéré chez Newsmada.