“Tournoi d’échecs Random Fischer”: norombahin’i Magnus Carslen ny fandresena

News - “Tournoi d’échecs Random Fischer”: norombahin’i Magnus Carslen ny fandresena

News - “Tournoi d’échecs Random Fischer”: norombahin’i Magnus Carslen ny fandresena

Nizotra tsara araka ny tokony ho
izy ilay lalao “Random Fischer”, natao ny faran’ny herinandro teo.
Raha ny valin-dalao, ilay tompondaka eran-tany sady mpilalao
mendrika maneran-tany, i Magnus Carslen, ny nahazo ny fandresena,
taorian’ny “round” 9. Efa nisy fotoana anefa nihoaran’ireo mpilalao
sasany, toa an’i Aronian Levon, ity tompondaka eran-tany ity, izay
nahazo isa 6.

Tsiahivina fa ny maitre
Rakotomaharo Fy no nanao ny “live” sy nitantara ity lalao
nandraisan’ny kalaza maro maneran-tany anjara ity. Nandritra izany,
miezaka manazava ny lalaon-tsaina “échecs 960”, nolalaovina
tamin’io fotoana io, i Fy sady mamaly ny fanontanian’ireo mpanaraka
ny “live”. Nambaran’i Fy fa samy hafa ny “échecs 960” sy ny “échecs
classiques”. Amin’ny “échecs 960”, tsy ilaina ny manao fiomanana be
fa ny fahaizana mikaroka ny tena ilaina. Misy tombony ara-tsaina,
araka izany, ity karazany iray ity, raha hoarina amin’ny “échecs”
tsotra, mila famerenana sy fanomanana be.

 

Mi.Raz

Article tiré de Newsmada

L’article “Tournoi d’échecs Random Fischer”: norombahin’i Magnus Carslen ny fandresena a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Vaovao tambatra

Miisa 2 tapitrisa ny taratasy fanamarinana fananan-tany hozaraina hatramin’ny taona 2022. Manohana ity fandaharanasa ity ny Banky iraisam-pirenena, nampitombo avo roa heny ny famatsiam-bola ho an’ny fambolena sy ny fiompiana, ary hiarovana ny fananan-tany (Casef).Hatao atsy ho atsy ny sonia ny fifanarahana famatsiam-bola hanamboarana ny lalana RN-5A, mampitohy an’Ambilobe sy i Vohemar. Tsiahivina fa efa natomboka ny taona 2018 ity asa ity ary nohavaozina ny taona 2019. Mamatsy vola azy ny governemanta sinoa amin’ny alalan’ny banky Exim Bank, mitentina 150 tapitrisa dolara. Tsy maintsy ampiasaina amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa (tohodrano, sekoly, lalana, fitaovam-pambolena sy fiompiana, sns) ny fanampiana avy any ivelany. Nanamarika mantsy ny filoha Rajoelina fa saika mifototra amin’ny andrimpanjakana, toy ny fampiofanana, ny fanomezana ordinatera sy fiara ho an’ny fitantanana ny fanampiana nefa tsy misy vokatra mivantana amin’ny fiainam-bahoaka. Notendrena ny lehiben’ny vaomieram-paritry ny tolotrasam-panjakana any amin’ny faritra miisa 16. Voatendry koa ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Antokon-draharaha misahana ny famatsian-drano any atsimo (AES), i Fiandraza. Lasa tale misahana ny mpiasa ao amin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny fizahantany koa Rtoa Rakotoarisoa Volanirina ary sekretera jeneraly Rakotovahiny Liva Jean Luc.L’article Vaovao tambatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Cnaps-Dinec: fiofanana fiahiana sosialy tany Antsiranana

Nanome fiofanana ho an’ny Vondron’ny ray aman-drenin’ny mpianatra (Vram) ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (Cnaps) tany amin’ny diosezin’Antsiranana. Nitarika ny fotoana Rtoa Riziky Abdou, nisolo tena ny tale jeneraly vonjimaika ny Cnaps, Rtoa Tsaboto Joslina. Noresahina ny hanamorana ny hahazoana fiahiana sosialy, ny handresen’ny mpiofana lahatra ny manodidina azy, ny lanjan’ny tombontsoa omen’ny Cnaps. Nampahafantarina ny tolotry omena ny mpikambana, toy ny fiahiana ny fianakaviana, ny solon-takaitra raha sendra tra-doza na ny aretina vokatry ny asa, ny fisotroan-dronono, sns.Nanomboka ny taona 2016 ny fiaraha-miasan’ny Cnaps sy ny Foibe nasionalin’ny sekoly katolika Didec, nahatanterahana ny fiofanana amin’ny fiahiana sosialy, toy izao. Nilaza ny tompon’andraikitry ny fiofanana sady mpandrindra ny asa an-tsekoly (Didec), Rabenandrasana Alfred, fa “tanjona ny fahalalana ny lalàna sy ny mpahafantatra izany amin’ny hafa”.Niofana koa ny ray aman-drenyHo an’ny talen-tsekoly, ny mpampianatra, ny mpitantana eny amin’ny sekoly katolika ny tapany voalohan’ny fiofanana. Nomena fiofanana koa ny ray aman-drenin’ny mpianatra any amin’ny diosezy, ho an’ny tapany faharoa. Vonona ny handresy lahatra ny namany hiditra Cnaps i Mananstoa Monios Flidos, ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ny sekoly Fo Masin’i Jesoa Antsiranana.Nanamarika ny mompera Thierry Landry, mpanampy ao amin’ny fitantanana ny Dinec Antsiranana, fa efa mpikambana Cnaps avokoa ny mpampianatra ao amin’ny diosezy afa-tsy ny any ambanivohitra, izay miisa vitsivitsy sisa, satria misolo mpampianatra matetika.Njaka A.L’article Cnaps-Dinec: fiofanana fiahiana sosialy tany Antsiranana a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

EDGARD RAZAFINDRAVAHY :: «Fahasahiana ny fanaovan’i Andry Rajoelina velirano amin’ny vahoaka »

Namaly an’ireo fanontanian’ny gazety l’express de madagascar manodidina ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa ny mpitari-dalana nasionalin’ny antoko adn (antoka sy dinan’ny nosy) edgard razafindravahy. Manaraka akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena ny tenany sady nampitandrina mba tsy hanadinoana ny tantara satria tsy manan-jo ny ho diso amin’ny safidiny intsony ny malagasy. L’Express de Madagascar : Tsy nankasitraka ny fanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena mialoha ny firosoana amin’ny Fanorenana ifotony eto amin’ny firenena ianao, midika ve izany fa mitodi-damosina tanteraka amin’ny fifidianana ianao? Edgard Razafindravahy: Marina tokoa izany ary tsy miova ny hevitry ny antoko ADN fa tokony ho ny Fanore­nana ifotony no mandeha alohan’ny fifidianana rehetra. Manamarina an’ireo fanambaràna efa nataoko ny disadisa nahazo laka tamin’iny fifidianana fihodinana voalohany iny. Tsy tonga tamin’izany olana izany isika raha nomena andraikitra feno tamin’ny fandrafetana ny lisi-pifidianana ireo fokontany. Fa efa nanao ny safidiny anefa ny vahoaka tamin’ny fihodinana voalohany. Manaja ny safidim-bahoaka aho satria olom-pirenena tompon’andraikitra sady mpanao pôlitika sarotiny amin’ny ho avin’ny firenena. Ahoana ny fomba fijerinao ny ho fizotran’ny fihodinana faharoa? ER: Efa niasa mba hampandresy ny Fanorenana ifotony hatrany ny ADN ka hanohy hatramin’ny farany ny ady efa natombony. Tsy afaka ny hitazam-potsiny kosa anefa aho manoloana ny toe-draharaha ankehitriny sy izay mety mbola hiseho amin’izao fihodinana faharoa izao. Adidiko izany ary manana andraikitra aho hanoro hevitra an’ireo mpiray tanindrazana. Raha tiana ny hisoroka ny toe-draharaha tsy hahasoa mety hiseho aoriana ao, dieny izao dia mila mitandrina. Eo amin’ny kihon-dalana mavaivay isika, amin’izao vanim-potoana izao, ka raha tsy mandinika tsara dia hampidi-kizo tanteraka ny firenena. Hirona amin’iza izany ny safidinao amin’ireo kandidà roa ireo? ER: Aoka tsy hohadinoina ny tantara. Ny fitadidiana ny tantara no hahafahana tsy mamerina an’ireo hadisoana taloha sy hisafidianana lalana hafa. Tokony ho fantatry ny rehetra fa raha tonga amin’ izao toerana misy azy izao ny firenena, dia noho ny zava-nisy tamin’ny taona 2009 rehefa nametra-pialana ny Filoha Ravalomanana Marc vokatry ny fihetseham-bahoaka teto. Tsy tongatonga ho azy ny fahatezeran’ny vahoaka tamin’izany fotoana izany. Nahery vaika ny fana­raraotam-pahefana nampiha­rin’ny Filoha Ravalomanana tamin’ireo mpandraharaha, ireo mpanao pôlitika, ireo manamboninahitra, ireo mpanao gazety, ireo olom-piangonana sy fikambanam-pinoana samihafa hatramin’ny olom-pirenena tsotra, talohan’ny taona 2009. Hamerina ny tantara ratsy indray isika raha ho diso safidy amin’izao fihodinana faharoa izao. Mandeha ho azy izany ve ny safidinao any amin’i Andry Rajoelina? ER: Mazava angamba ny fitanisako ny santionan’ireo fahoriana nianjady tamin’ny sokajin’olona samihafa nan­dritra ny fitondrana jadona talohan’ny taona 2009 ireo. Matoky aho fa sahy hanova ny tantaran’ny fireneny ny Malagasy. Manaporofo an’izany ny safidim-bahoaka nahazoan’i Andry Rajoelina ny vato be indrindra tamin’ny fihodinana voalohany. Inona no antoka hanantenana fiovana tokoa ka mahatonga anao hiandany amin’ny kandidà Andry Rajoelina? ER: Masina loatra ny safidim-bahoaka. Tsy tokony hohadinoina mihitsy fa tetezamita feno tsindry sy fepetra tena nanahirana no noentin’i Andry Rajoelina tao anatin’ny dimy taona. Aorian’izao fiho­dinana faharoa izao izy vao tena hanana hirika hanaporofoany amin’ny vahoaka ny fahaiza-manao amin’ny fitantanana ny firenena. Tsy toy ny manao andra­nandrana ihany ve izany ho an’ny dimy taona manaraka? ER: Raha andranandrana, angamba, mety tsy ho sahin’i Andry Rajoelina ny hanao velirano imasom-bahoaka an’ireo fampanantenana 13 ao anatin’ny fandaharanasany. Ary heveriko fa hotsarain’ny tantara amin’izany izy. Tena ampy amin’ny tokony hifidianan’ny maro an’isa ny kandidà Andry Rajoelina ve izany? ER : Anisan’ny nanaitra ahy io velirano io satria tsy ataotao foana izany amintsika Malagasy. Ny fanaovana fifanekena amin’ny vahoaka dia mitaky fahasahiana sy fahavononana amin’ny fanatanterahana an’izay nampanantenaina. Hiandry inona indray moa isika mpifidy, raha misy kandidà roa eo ka ny iray no efa manao fianianana amintsika sahady? Ny tantara sy ny velirano ve no mason-tsivana nampirona anao amin’izao safidy amin’ny fihodinana faharoa izao ? ER: Ny tantara aloha dia efa mazava iny. Betsaka no lasibatra. Raha tena sahy kosa ny vahoaka dia mametraka ny fitokisany amin’ny mpanao pôlitika tanora izay mifanao velirano aminy. Efa zava-dehibe ny isian’ny teny ifanomezana dieny izao. Izaho Edgard Razafindravahy kosa no hijoro voalohany hanaraka akaiky ny fanatante­rahana an’ireo fampanantenana nanaovan’i Andry Rajoelina velirano amintsika vahoaka ireo. Tsy amin’ny kajikajy pôlitika mihitsy ny safidiko fa ny tombontsoa iombonana hatrany no tokony hibaiko ny fanaovana pôlitika. L’article EDGARD RAZAFINDRAVAHY :: «Fahasahiana ny fanaovan’i Andry Rajoelina velirano amin’ny vahoaka » est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Hetsika Rohy: “Tsy ekena ny tsimatimanota amin’ny fifidianana”

“Anisan’ny sakana manimba ny fahamarinana eo amin’ny fifidianana, indrindra ny demokrasia, izao tsimatimanota eo amin’ny fifidianana miseho izao. Hita taratra ny fahakivian’ny olom-pirenena mpifidy satria mihamihena ny fandraisany anjara amin’ny fifidianana, izay tokony hitondra amin’ny fanorenana ny firenena.”Io ny fanambaran’ny hetsika Rohy teny Antaninarenina, omaly, momba ny fisian’ny tsimatimanota amin’ny fifidianana. Mbola hotohizina hatrany ve izao tsimatimanota izao eo amin’ny lafin’ny fifidianana? “Tsy azo jerem-potsiny”, hoy ny hetsika Rohy.Fanontaniany amin’ny fanambarany ny hoe: “Mikolokolo ny tsy rariny sy ny tsimatimanota eo amin’ny lafin’ny fifanolanana mikasika ny fifidianana ve ny HCC? Ohatra entina amin’izany ny valim-pitsaran’ny fitoriana napetraky ny Ivontoerana fanarahamaso Safidy”Mila faritana ny porofo takin’ny HCCNiisa 656 ireo fitoriana noraisin’ny HCC ary nokarakarainy. Niisa 356 tamin’ireo (54,76%) no nambarany fa azo raisina fa tsy mitombina, noho ny tsy fisiana na tsy fahampian’ny porofo. Ireo fitoriana enina nataon’ny Ivontoerana Safidy noho ny fampiasana tsy ara-drariny ny tombontsoan’ny tanjaky ny vahoaka, notapahin’ny HCC fa azo raisina fa tsy mitombina.“Maninona ny HCC nionona amin’ny tsy famaritana mazava ny porofo tokony hoentina amin’ny fitoriana? Moa tsy tsapany ny tsy fahafaham-po miendrika alahelo nasehon’ny mpifidy sy ny kandidà tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika?”, hoy ny fanambarana.Nankasitrahana ny torolalana momba ny fifanolanana tamin’ny fifidianana solombavambahoaka naelin’ny HCC, izay niendrika fampianarana sy fanazavana ny tokony ho fizotran’ireo fitoriana. Maninona ny porofo mivaingana tokony hoentina tsy nofaritana hazava bebe kokoa, nefa efa tsapa ny alahelo sy ny fahakivian’ny mpifidy sy ny kandidà (fihodinana voalohany sy faharoa) manoloana ny fitoriana napetrak’izy ireo?“Noho ny lalàna , masi-mandidy tokoa ny HCC. Izany fahefana masi-mandidy eo amin’ny fanapahana iandraiketany izany ve tsy tokony ampisehoany fanetren-tena sy hitsim-po?“, hoy ihana ny hetsika Rohy.Mampalahelo ihany ny fitakiana porofo tsy azo ivalozana, nefa tsy voafaritry ny lalàna mazava izany ary koa tsy nezahin’ny tomponandraikitra velively ny hamaritra azy.R.Nd.L’article Hetsika Rohy: “Tsy ekena ny tsimatimanota amin’ny fifidianana” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lapan’i Mahazoarivo: noderain’ny ambasadaoro frantsay ny Praiminisitra Ntsay C.

Noraisin’ny Praiminisitra  Ntsay Christian  teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo, omaly  ny  ambasadaoro frantsay, niasa sy nonina teto Madagasikara, Veronique Vouland- Aneini. Voaresaka  ny fiaraha-miasan’ny firenena roa  tonta sy  ny ezaka nataon’ny lehiben’ny governemanta.Narahabain’ny ambasadaoro ny praiminisitra tamin’ny andraikitra sy ny adidy lehibe notazoniny ary niantsorohany, tamin’ny taona 2018, tamin’ireny fotoan’ny krizy politika  teto amin’ny firenena  ireny. « Fotoana nilana fandraisana fanapahan-kevitra hentitra  ireny ka nahafahan’ny firenena niatrika izany fotoan-tsarotra izany ny fepetra noraisin’ny Praiminisitra Ntsay Christian »,  hoy  izy  tamin’izao fihaonana izao. Fotoana  koa io nametrahany  veloma ny lehiben’ny governemanta noho ny fahataperan’ny fe-potoana niasany teto amintsika.Nambaran’ity masoivoho ity ihany koa fa maro ny tranga, nanamarika azy nandritra ny efatra taona niasany teto Madagasikara. Anisan’izany ny fihaonana an-tampon’ny firenena miteny frantsay, noraisina teto Antananarivo, nampiseho taratra ny fahombiazan’ny diplaomasia malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. « Teo ihany koa ny fandraisan’anjaran’i Frantsa tamin’ny ady amin’ny fipariahan’ny valanaretina samihafa… »,  hoy ihany izy.Nanafatrafatra ny ambasadaoro Veronique Vouland- AneiniTsiahivina fa anisan’ny lahateny nambaran’ity masoivoho Frantsay  ity, farany teo, tamin’ny  fanamarihana ny fetim-pireneny, ny 14 jolay teo teny Ivandry ny resaka politika. « Teo  ny fihetsika matotra nasehon’ny mpanao  politika  niray hina tao anatin’ny  fotoana manokana tamin’ny fianianan’ny filoha Rajoelina, ny 19 janoary  teo. Teo koa ny fihaonan’ny filoha roa tonta :  Emmanuel Macron sy Rajoelina  Andry, ny  volana mey teo tany Frantsa », hoy izy tamin’izany ». Natsidiny sahady koa fa hatsangana ny komity iraisana hitady vahaolana amin’ny ireo resaka mampifanolana… Anisan’ny nangatahan’ny ambasadaoro ary hafatra napetrany  ny tokony hiarovana ny olona sy ny fananany, manoloana ny  asan-jiolahy.  Ny fiarovana ny harena an-dranomasina. Ny hifehezana ny mpitandro filaminana manaraka ny fitsipi-pitondran-tena.Synèse R.  L’article Lapan’i Mahazoarivo: noderain’ny ambasadaoro frantsay ny Praiminisitra Ntsay C. a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – «Major League Soccer»: voahosotra ho mpilalao mendrika i Metanire

Nitohy, ny alahady lasa teo, tao amin’ny kianja Allianz Field ao St Paul, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Major League Soccer  (MLS), taranja baolina kitra. Niatrika izany, ny Minnesota United FC, klioba hilalaovan’i Romain Metanire, vodilaharan’ny Barea de Madagascar  sy ny Vancouver Whitecaps. Nisaraka ady sahala, samy tsy nisy nitoko ny roa tonta. Na teo aza io vokatra io, voahosotra ho mpilalao mendrika, i Metanire. Ny zava-bitany teny ambony kianja no nahazoany izany amboara izany. Marihina fa manan-danja ny lalao natrehiny satria hitadiavana isa, hiatrehana ny “play-offs”. Hatreto, fahadimy ny Minnesota United FC, izay manana isa 35 ary efa manana tongotra ila, any amin’izany “play-offs”, izany. Mbola mila miady mafy ry Metanire, amin’ny lalao hikatrohany amin’ny Portland Timbers, ny alahady ho avy izao.Mialoha io, hiatrika ny All Star Game, any Orlando, i Romain Metanire, ny alarobia ho avy izao. Raha tsiahivina, lalao hihaonan’ny ekipa voafantin’ny MLS sy ny ekipa eoropeanina, iray izy io. Amin’ity, ny Atletico de Madrid, no hikatroka amin-dry MLS, ka anisan’ireo mpilalao voafantina amin’izany, i Romain Metanire. TompondakaL’article Kitra – «Major League Soccer»: voahosotra ho mpilalao mendrika i Metanire a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tatitry ny OMH: mihena hatrany ny varotra solika fandrehitra

 Mbola mitana ny sain’ny maro ny vidin-tsolika nahena nanomboka ny 20 jona teo, taorian’ny fifampidinihana teo amin’ny filoha Rajoelina sy ireo mpandraharaha amin’ny solika. Ny vidin-tsolika fandrehitra no tena nihena, 500 Ar. Ny azo ambara, araka ny tatitry ny OMH.Ho fitsinjovana ny maro mampiasa solika fandrehitra, indrindra fa ny ambanivohitra. Izay ny antony lehibe naroson’ny fitondram-panjakana, niadiana varotra tamin’ireo mpandraharaha ka nahatonga ny vidiny ho 2 130 Ar ny litatra raha 2 630 Ar izany teo aloha. Nihena 500 Ar be izao, tombony lehibe izany ho an’ireo mpampiasa solika fandrehitra, ary milaza ny sasany fa tsy ny sitrapon’ny mponina an-tanàn-dehibe ihany no arahina. Efa nahena 100 Ar ny lasantsy ary 150 Ar ny gazoala.Raha iverenana ny momba ny solika fandrehitra, tokantrano maro, indrindra ny any ambanivohitra, ny mampiasa solika fandrehitra manazava amin’ny alina ; fa mampiasa izany akora izany koa ny orinasa sasany. Araka ny tatitra navoakan’ny OMH (Office malgache des hydrocarbures), ny taona 2013, nihena 36 % avy hatrany ny varotra solika fandrehitra raha ampitahana ny taona 2012. Tsy mitsahatra mihena intsony ny fanjifana azy io nanomboka teo hatramin’ny 2018, ary mitohy hatramin’izao.Antony lehibe nampihena betsaka izany fanjifana izany noho ny fahitana angovo azo havaozina any ambanivohitra. Raha 6 % ny nahazo herinaratra tany ambanivohitra, ny taona 2005, tafakatra 11 % izany izao, noho ny fiparitahan’ny angovo azo havaozina izay. Tanjona kendren’ny Ader (Agence de développement de l’électrification rurale) ny hampitombo izany hatrany. Maro ihany koa ny tantsaha mahatsapa ny fiantraikan’ny solika fandrehitra amin’ny fahasalamana, manimba ny taovam-pisefoana.Tena be mpampiasa ny gazoalaNy gazoala no tena be mpampiasa anisan’ny iankinan’ny fiainam-bahoaka sy ny fampandrosoana ny toekarena. Mampiasa io akora io, ohatra, ny fitaterana, ny orinasa, ny famokarana angovo, ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ny asa vaventy. Ny taona 2018, gazoala 607 821 m3, raha 27 895 m3 monja ny solika fandrehitra tamin’iny taona iny ihany. Tsy any amin’ny solika fandrehitra mihitsy ny tombontsoan’ny maro anisa, na ireo toby fivarotan-tsolika aza, vitsy sisa ny mivarotra azy io. R.MathieuL’article Tatitry ny OMH: mihena hatrany ny varotra solika fandrehitra a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

GFEM: Manome tolotra manokana ho an’ny vehivavy mpandraharaha ny BOA

Mbola sakana ho an’ny fandraharahana eto amintsika ny fahasarotan’ny fitadiavana famatsiambola. Raha ny vehivavy mpandraharaha no resahana dia misedra olana izy ireo rehefa hindram-bola any banky. Nambaran’ny Filohan’ny GFEM, Razakaboana Fanja fa marobe ireo taratasy ilaina amin’ny findramambola eny amin’ny banky. Na dia voarafitra tsara aza ny mombamomba ny tetikasa dia tranga miverimberina, mahazo ireo vehivavy mpandraharaha mpikambana ao GFEM ny tsy fananana antoka ara-bola. Ho fanamorana ny fahazoan’ireo vehivavy mpandraharaha famatsiambola dia nohavaozina ny fiarahamiasa eo GFEM sy ny banky BOA. Mandritra ny roa taona ny faharetany fiarahamiasa eo amin’ny roa tonta ka anjara biriky ho ho entin’ny BOA amin’ny fanampiana ireo vehivavy manana tetikasa ny fampianarana azy ireo fomba fitantanam-bola ary ny tena lehibe indrindra dia fanomezana tolotra manokana ho azy ireo amin’ny findramambola. Hanentana azy ireo hanokatra kaonty any amin’ny banky ihany koa ny tomponandraikitr’ity fivondronan’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara, araka ny fanazavan’ny Filohan’ny GFEM nandritra ny fifanaovantsoniam- piarahamiasa, ny 3 jona 2019 lasa teo. Marihina fa manomboka androany 11 jona 2019 ny fihaonamben’ny vehivavy mpandraharaha manerana an’i Madagasikara, karakarain’ny GFEM. Nirina R. Cet article GFEM: Manome tolotra manokana ho an’ny vehivavy mpandraharaha ny BOA est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Ambodihady: nidoboka eny Tsiafahy ny lehilahy iray nandratra polisy

Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, omaly rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny lehilahy iray 22 taona tompon’antoka tamin’ny fandratrana polisy teo am-panatanterahana ny asany teny Ambodihady Ambohimanarina. Araka ny fanazavan’ny polisy, ny 16 jolay tokony ho tamin’ny 5 ora maraina teny Ambodihady Ambohimanarina dia nitrangana fifamaliana teo amina olona roa tao Anosisoa Ambodihady. Nifamaly tamin’ny rafozam-baviny ity lehilahy voasambotra ity noho ny fidirana an-keriny tao an-trano fonenan’ny rafozam-baviny ary nodarohany tao ilay rafozany. Niantso polisy avy hatrany anefa ilay vehivavy vadin’ilay nahavanon-doza ary nilaza tamin’ny polisy fa novonoim-badiny ny reniny mipetraka ao Anosisoa. Tonga ara-potoana ny polisy avy ao amin’ny FIP sy ny avy ao amin’ny kaomisarian’Ambohimanarina (CSP6). Raikitra ny fifanenjehana ka raha vao nahatazana ireo polisy ity lehilahy ity dia nitoraka tamin’ny biriky avy hatrany sady nanompa variraraka. Voa teo amin’ny lohany ny polisy iray ka naratra mafy ary nalefa nentina notsaboina. Tafaporitsaka ilay lehilahy ka nitohy ny fikarohana nataon’ny polisy, tratra tao an-trano fonenany ao Ambodihady izy, ny zoma lasa teo.Jean ClaudeL’article Ambodihady: nidoboka eny Tsiafahy ny lehilahy iray nandratra polisy a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

Kandidà Serge Zafimahova, N°3, Antananarivo II: Ny isam-batan’olona no miresaka aminy

Nivalona ny herinandro voalohany amin’ny fampielezan-kevitra. Ny fihaonana sy ny dinika mivantana amin’ireo mponina, sy ny isam-batan’olona hatrany no tena iompanan’ny dian’ny kandidà Serge Zafimahova, any amin’ireo fokontany ao amin’ny boriboritanin’Antananarivo II. Ahoana marina moa ity 320 tapitrisa ariary ity ? Ahoana sy ho amin’ny inona no tokony ho fipetraky ny fampiasana azy ? Mitovy ny feo, niala tany Androndrakely, nandalo an’i Mahazoarivo sy Ambohidraserika, nipaka tany Ampasanimalo, na koa niainga teny Manjakamiadana sy Andohamandry ka hatrany Ankatso sy Ambolokandrina. Ireo no fanontanian’olona, nitondràn’ny kandidà valiny mazava, manoaloana ny manjavozavo nisy hatrizay. Ny fototra hiaingana dia ny fitsinjarampahefana tena izy, hisian’ny Sefompokontany sy Delegen’ny boriboritany voafidim-bahoaka, mahalala ny hetaheta any ifotony, ka ny Komitin’ireo Sefompokontany no hamaritra sy hitantana ny fampiasana ny 320 tapitrisa. Tonga nizara ny ahiahiny sy ny fanontaniana momba ny ho aviny ihany koa ny tanora, ary dia nanazava ny endrika vaovao hametrahana ny fanompoam-pirenena ny kandidà Serge Zafimahova : ho sokajiana roa, araka ny mari-pahaizan’ny tanora ; hisy ny fiofanana ara-miaramila, ary ho arahin’na fianarana asa ho an’ireo izay manohy antsitrapo, ka ny asa miteraka harena no hahazo tosika, toy ny fahazoana tany, fitaovana, na koa fampindamam-bola. Mahaliana ny mponina, indrindra moa fa ny renim-pianakavana, ny momba ilay tahirimbola ifampitsinjovana, hajoron’ny mpiara-monina. Fanohanana tsotra, miompana amin’ny sehatra fihariana, toy ny fambolena, fiompiana, varotra, zaitra, hotely gasy, sns. Ny mpikambana no mametraka ny fitsipika, hofanina ny mpitantana, ary samy handrotsaka vola amin’ny fotoana hifanomezana ny mpiara-miombona. Maro ny vehivavy mananontena sahirana rahefa misedra olana ara-pahasalamana na momba ny fianaran-janany, ka, amin’izay, dia ho azony atao ny mindram-bola ao amin’ny tahiry iombonana. Any an’elakelantrano, any amin’ny tontolo iainan’ny mponina mandava-taona, no mafana ny resaky ry zareo sy ny kanddà Serge Zafimahova : fandriampahalemana, varotra, fambolena, fianarana, ary koa ady amin’ny kolikoly, aretina mikiky ny fiaraha-monina, sy hisatra ho an’ny fampandrosoana. “Mila depiote hitanay tena miasa izahay, fa tsy rehefa fotoam-pifidianana vao tonga handambolambo anay”, hoy ny mponina. Nanangona: Nirina R. Cet article Kandidà Serge Zafimahova, N°3, Antananarivo II: Ny isam-batan’olona no miresaka aminy est apparu en premier sur déliremadagascar.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina

Karate-Avaradrano: efa miverina mikotrana avokoa ireo klioba
22/09/2020

Tontosa soa aman-tsara teny Ampangabe Alasora, ny fivoriambe teo anivon’ny seksiona Avaradrano, taranja karate, izay notarihin’ny filohany, Sensei Ramanitra Andriamamonjy sy ireo mpikambana ao amin’ny birao mpitantana. Noresahina nandritra ny fivoriana ny mahakasika ny “statut” ho an’ny fe-potoana hitantanana sy ny fitsipika anatiny. Ankoatra izay, nambaran’ i Sensei Manitra fa tsy mbola misy aloha hatreto ny fitadiavam-bola azo atao. Toraka izany koa ny fifaninanana, izay mbola miato satria tsy maintsy miandry ny avy eo anivon’ny federasiona ny mahakasika ny tetiandron’ny fifaninanana. Na izany aza, efa eo an-dalam-panomanana ny Gassaku na fiofanana ny seksiona Avaradrano. Eo amin’ny fanazaran-tena kosa, efa saika miverina mikotrana avokoa ireo klioba.Araka ny hita teny an-toerana, klioba miisa 15 teo ho eo ny nahatonga solontena tamin’ity fivoriambe ity (Kokaju, kawam, kenkaju,Akka, Tfska, Rengkiu, Wado Gosetlai, Fudeshin, Ambohimanga Rova,…). Tonga nanome voninahitra ihany koa ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, nisoloan’ny delege an’Avaradrano , tena. Mi.RazL’article Karate-Avaradrano: efa miverina mikotrana avokoa ireo klioba a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – lalao firahalahiana: tsy maintsy manao fitiliana ireo mpilalaon’ny Barea
22/09/2020

Efa eo am-panomanana ny lalao firahalahiana, hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Etalon-n’i Borkina Faso, ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny federasiona roa tonta, amin’izao fotoana izao. Tsy mantsy manaraka fepetra ny delegasiona roa tonta.Hatreto, tsy misy ny fiovana fa hotanterahina ny asabotsy 10 oktobra 2020 ny lalao fanomanantenan’ny Barea de Madagascar, hikatrohana amin’ny Etalons-n’i Borkina Faso. Nohamafisin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) fa tsy mbola misy ny fiovana fa any amin’ny kianja Lisbonne Portugal, no hanatanterahana io lalaon’ny roa tonta io. Efa eo anatin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao.Anisan’ireny ny fandefasana ny taratasy fiantsoana ireo mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar sy ny fanomanana ny fampivondronana azy 23 mirahalahy, izay efa voalahatra fa atao any Frantsa, manomboka ny 5 oktobra, ho avy izao. Ankoatra izay, tsy maintsy manao fitiliana avokoa ireo mpilalao rehetra mialoha sy mandritra ary aorian’ny lalao. Tsy ny Barea de Madagascar irery no manao izany fa ry zareo Borkinabe, ihany koa.Ao anatin’ny fanajana ny hamehana ara-pahasalamana izany rehetra izany. Anisan’ireny ny tsy maintsy hanajana ny elanelana 1 m ao anatin’ny kianja sy ny fanaovana arovava ho an’ireo mpilalao fiandry, ny mpanazatra, ny dokotera ary ny fanasana tanana amin’ny fanafody voatokana amin’izany. Ankoatra izay, tsy azo jerena ny lalaon’ny roa tonta, amin’ity.Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny fihaonana hikatrohana amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2022).Tsiahivina fa raha tsy misy ny fiovana, hatao any Abidjan, ny 9 novambra ho avy izao, ny lalao mandroso ary eto Madagasikara, any amin’ny kianja Barikadimy Toamasina, ny 17 novambra, ny fihaonana miverina. TompondakaL’article Kitra – lalao firahalahiana: tsy maintsy manao fitiliana ireo mpilalaon’ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Kianja Barikadimy Toamasina: misy mitady hanakorontana ny lalaon’ny Barea
21/09/2020

Tsy mbola milamina ny ao amin’ny kianja Barikadimy, amin’izao iray volana mahery handraisana ny lalao miverina eo amin’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, izao. Niteraka gidragidra ny fanesorana ireo trano manamorona ny kianja.Nisavorovoro ny tao amin’ny kianja manara-penitra Barikadimy Toamasina I, ny alakamisy 17 sy ny zoma 18 septambra lasa teo. Anton’izany ny tsy maintsy nandravana ireo trano manamorona ny lalana miditra ao amin’ity fotodrafitrasa ara-panatanjahantena ho an’ny baolina kitra ity.Raha tsiahivina, anisan’ny fepetra takin’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa) ny tsy hisian’ny trano fonenana manakaiky ny kianja filalaovana. Tsy maintsy nirosoana izany hahazoana fankatoavana handraisana ny lalaon’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Efa hatramin’ny 10 febroary lasa teo no nandefa taratasy laharana 09-20/Cut/Toa, ho an’ireo mponina voakasika amin’izany ny kaominina an-drenivohitra Toamasina, handrava tsy misy hatakandro ny trano rehetra. Voalaza mantsy fa tsy ara-dalàna ny fananganana izany satria tsy nisy fahazoan-dalana.Atao lalana migodana misy soritra efatra ho an’ny fiara roa mandroso sy roa miverina mantsy izany, izay hita amin’ny ilany antsinanana sy atsimo ary andrefan’ny kianja Barikadimy, ankoatra ny toeram-piantsonan’ny fiara na “parking”. Manoloana izany, misy ireo mamadika azy ity ho resaka politika ka mitady ny hirika rehetra tsy hahavitan’ny fotodrafitrasa, mba tsy haneken’ny Fifa ny kianja Barikadimy ka tsy hahafahan’i Toamasina mampiantrano io lalao lehibe, efa andrasan’ny vahoakan’ny faritra Antsinanana fatratra io.Vokatr’izay, manao antso avo hiray hina ny mpitia baolina kitra eto Toamasina, satria antomotra ny fe-potoana hanaovan’ny solontenan’ny Fifa fitsirihana ny kianja Barikadimy, sao sanatria tsy hahazo fankatoavana ka ho votsotra ny fandraisana io fihaonan’ny Barea sy i Côte d’Ivoire, io. SajoL’article Kianja Barikadimy Toamasina: misy mitady hanakorontana ny lalaon’ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Toby Makis Andohatapenaka: fitantanana amin’ny informatika ny mpandeha
25/09/2020

Natao sonia, omaly, teny amin’ny toby fiantsonana Makis Andohatapenaka, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny mpiara-miombon’antoka maromaro. Nanatanteraka izany ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny fizahantany, ny sampandraharaha iraisam-pirenena Pnud sy ny Ocha ary ny Vovonana mikasika ny maha olona iarahan’ny sehatra tsy miankina (PHSP). Nanolotra fitaovana informatika ny PHSP, ahitana ordinatera maromaro miampy ny kojakoja miaraka aminy, entina hitantanana sy hanarahana ny mikasika ny mpandeha, indrindra amin’izao tranga Covid-19 izao.Mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika ny Pnud-Ocha, ho endriky ny fanohanany ny sehatra tsy miankina. Nilaza ny solontenan’ny PHSP fa santatra hatao filamatra ny eny amin’ny toby Andohatapenaka, tanjona ny hanatanterahana toy izao manerana ny toby fiantsonan’ny fitaterana zotram-paritra sy nasionaly manerana ny Nosy. Ho an’ny minisiteran’ny Fitaterana, fivoarana lehibe mankany amin’ny fandrosoana ny fampiasana ny teknolojia vaovao amin’ny fitantanana ara-informatika ny mombamomba ny mpandeha.Njaka A.L’article Toby Makis Andohatapenaka: fitantanana amin’ny informatika ny mpandeha a été récupéré chez Newsmada.

Kitra: miaiky ny fisian’ny disadisa eo aminy sy ny FMF i Dupuis
24/09/2020

Izay vao tena fantatra fa misy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar. Ankoatra izay, tsy manantena vokatra loatra amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ny tenany.Novakin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar, ampahibemaso tao amin’ny tambanjotran-tserasera fa misy ny tsy fifankahazoana eo aminy sy ny mpikambana sasany ao amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Notsindriny mihitsy fa olona telo ihany amin’ireo folo mandrafitra ny mpikambana eo anivon’ny komity mpantanteraka no tena tsy mitovy fomba fijery aminy, amin’izany.Raha tsiahivina, tsy vao izao akory no nisy ity tsy fifankahazoana eo amin’i Nicolas Dupuis ity sy ny federasiona malagasin’ny baolina kitra fa efa hatry ny ela. Anisan’ny nampifanolana azy voalohany ny resaka vola azon’ny Barea, tamin’ny “Can 2019”. Teo ihany koa ny resaka fanamiana hanaovan’ny ekipam-pirenena Malagasy. Ary ny farany teo, ny lalao firahalahiana, hanomanana ny fihaonana amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Can 2022”. Misisika mafy ny hanaovana fihaonana firahalahiana amin’ny Swift Hesperange, ekipa D1 any Luxembourg, mantsy ingahy mpanazatra raha tsy manaiky izany kosa ireo mpikambana sasany ao amin’ny federasiona.Vokany, nilefitra ihany i Nicolas Dupuis ka nanaiky fa ny Etalons-n’i Borkina Faso no hihaonana amin’izay fanomanantena izay. Tsy nijanona teo ny olana fa vao mainka nampisy disadisa indray ny famoahana ny lisitr’ireo mpilalao mandrafitra ny Barea. Ny tale teknika nasionaly sy ireo mpikambana eo anivon’ny FMF mantsy no nampahafantatra izany tamin’ny mpanao gazety fa tsy i Nicolas Dupuis. Ankoatra izay, tsy manantena fandresena amin’ny Elefantan’i Cote d’Ivoire i Nicolas Dupuis fa miantehitra amin’ny lalao hikatrohana amin’i Etiopia ny hamaritana ny ho lalan’ny Barea.Mikasika ny lalao firahalahiana, eo am-panaovana fangatahana amin’i Maraoka ny federasiona ankehitriny amin’ny hamindrana ny fihaonana eo amin’ny Barea sy ny Etalons. Efa nofoanana ilay any Portugal noho ny fiakaran’ny tahan’ny valanaretina Covid-19. TompondakaL’article Kitra: miaiky ny fisian’ny disadisa eo aminy sy ny FMF i Dupuis a été récupéré chez Newsmada.

BEPC: tombanana hivaly ny 5 oktobra farafahatarany
23/09/2020

Efa nanomboka, omaly, ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny taranja roa natrehin’ny mpiadina amin’ny BEPC, omaly, ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Napetraka ny « grille de correction » niaraka amin’ny « commission d’entente » ary nisy ny fivoriana niarahana amin’ny mpitsara rehetra. Tombanana ho vita ny faran’ny herinandro ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny taranja natrehina ka hampiditra ny naoty ao amin’ny ordinatera ny mpiasa ny alatsinainy ho avy izao. Mbola misy ny fanamarinana farany momba ny naoty avy eo. Herinandro aorian’izay, heverina fa hivoaka ny valim-panadinana farafahatarany ho an’ny eto an-dRenivohitra. Fito ny toerana fitsarana taratasim-panadinana. Ny taranja histogéo sy ny fizika simia no miandry ny mpiadina anio tontolo andro. Nanambara ny minisitry ny Fanabeazana fa haloa avy hatrany ny karaman’ireo mpiasa mikarakara ny fanadinana hatramin’ny fitsarana ka tsy hisy ny trosa amin’ity fanadinana 2020 ity.VonjyL’article BEPC: tombanana hivaly ny 5 oktobra farafahatarany a été récupéré chez Newsmada.

Indray mijery
23/09/2020

Ho an’ny Dren Bongolava, nahatratra 5 081 ireo niatrika fanadinana BEPC .Misy 14 ireo ivontoeram-panadinana ary ahitana efitrano 222. Mipetraka hatrany ny lamina ara-pahasalamana ka tsy mihoatra ny isaky ny efitranom-panadinana 25 ny mpiadina ary ahitana fanasana tanana avokoa ny foibem-panadinana rehetra. 11 taona ny zandriny indrindra ary 46 taona kosa ny zokiny indrindra amin’ireo mpiadina. Mila fahazoan-dalana avy amin’ny ben’ny Tanàna ny fivarotana hani-masaka anatin’ny fiara, aorian’ny fankatoavan’ny fitaleavana miandraikitra ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy maintsy manatanteraka ireo adidy voasoratra ao anaty bokin’andraikitra izay nahazo alalana. Io bokin’andraikitra io no mametra ireo sokajin-tsakafo na entam-barotra azon’ireo fiara mpivarotra hani-masaka amidy… L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

Covid19-Fiarovana ny mpiasa; 36,85 tapitrisa euro avy amin’ny BAD
23/09/2020

 L’article Covid19-Fiarovana ny mpiasa; 36,85 tapitrisa euro avy amin’ny BAD a été récupéré chez Newsmada.

Atrika: 50 tapitrisa Ar hanohanana ireo orinasa madinika
25/09/2020

Namoaka tahirim-bola manokana ho vonjy taitra ny ivontoerana eoropeanina ho an’ny fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana (IECD). Hanohanana ireo orinasa madinika manodidina ny 100 eto Madagasikara, izay mivondrona ao anatin’ny Madagascar Entreprise developpement (MED) izany. Orinasa misedra olana noho ny covid-19 avokoa izy ireo.Amin’ny anaran’io tahirim-bola io no hahafahan’ireo orinasa manarina indray ny fahavoazana sy mamerina mampihodina ny orinasa na mampiroborobo sehatrasa vaovao hafa indray mba ho tosika vaovao amin’ny sehatry ny toekarena. Tohana ara-bola tsy haverina ny Atrika mitentina 50 tapitrisa Ar.Nandray mivantana izany vola izany ny solontenan’ireo orinasa teny amin’ny foiben’ny MED teny Tsaralalàna, tamin’ity herinandro ity. Ireo vehivavy, ireo manana fahasembanana, ireo mpikamba ao anatin’ny vondron’orinasa MED sy ireo orinasa samihafa tena voakasiky ny valanaretina covid-19 no laharam-pahamehana mahazo ny fanampiana.Ireo mpahazo tombontsoa ireo dia anisan’ny mpandraharaha 1900 nahazo fiofanana hatramin’ny fiandohan’ny fandaharanasa ho fanohanana ireo orinasa madinika ao anatin’ny MED, izay mifampiankina amin’ny IECD eto Madagasikara efa hatramin’ny taona 2013.Tanjona ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fahaiza-mitantana ireo orinasa madinika ivoahan’ireo tetikasa afaka manandratra ny toekarena.Marihina fa firenena 15 no namoahan’ny IECD tahiry manokana toy izao ao anatin’ny fandaharanasany.Tatiana AL’article Atrika: 50 tapitrisa Ar hanohanana ireo orinasa madinika a été récupéré chez Newsmada.

Raharaham-bahoaka :: Hanamora ny fikarakarana taratasim-panjakana ny Ivotoro
23/09/2020

Hisokatra amin’ny besinimaro, ato ho ato, ilay birao manokana hisahana ny fanomezana torolalana ho an’ireo olom-pirenena mikarakara taratasim-panjakana na Ivotoro. « Pitsopitsony kely madinidinika sisa dia ho am-perinasa tanteraka io birao io », hoy ny fanazavan’i Fetraniaina Mamimbahoaka, tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Asa iandraiketan’ny birao ny fandraisana ny antson’ireo olona mila fanampiana amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana.  Mety ho laharana maitso io na laharana tsotra. « Hapetraka ny olona maromaro natokana hanao an’io asa io fotsiny eto amin’ny minisitera. Raha misy olona hanao pasipaoro, ohatra, dia hatoro azy ny taratasy rehetra ilaina amin’izany sy ny toerana ary ny birao tokony hidirany. Afaka mamerina miantso izy raha tojo olana », hoy ihany ny tale jeneraly mpisolo toerana. Azo anontaniana ao amin’ny Ivotoro avokoa ny fomba fikarakarana an’ireo karazana taratasim-panjakana, na fikarakarana tany io na fikasana hanangana haino aman-jery. Fantatra fa hiarahana miasa akaiky amin’ireo sampandraharaham-panjakana samihafa ny fametrahana ny birao mba tena hanamorana ny fivezivezen’ireo olompirenena manao taratasy, sady hiantohana amin’ny fanafoanana ny kolikoly. L’article Raharaham-bahoaka :: Hanamora ny fikarakarana taratasim-panjakana ny Ivotoro est apparu en premier sur AoRaha.

JIRAMA SY NY ORANGE MONEY: Manamora ny fiainana andavanandron’ny mpanjifa
20/09/2020

Fanatsarana ny fomba fandoavana faktiora. Nanavao ny fiarahamiasany indray ny Jirama sy ny Orange Money. Tontosa ny 18 septambra 2020 ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny Tale jeneralin’ny Jirama, Andriamanga Vonjy sy ny filohan’ny filankevim-pitantanan’ny Orange Money, Degland Michel.  Entina hanampiana ireo “antokon-draharaha ara-barotra” sy ireo toerana fandoavam-bola an’ny Jirama ity fiarahamiasa vaovao ity mba hanamorana ny fiainana andavanandron’ny mpanjifa ao amin’ny Jirama. Nanomboka tamin’ny taona 2014 dia nanampy ireo mpanjifa tamin’ny fomba tsotra sy haingana ary tsy andoavam-bola sy tsy mila mivezivezy ny fandoavana ny faktiora tamin’ny alalan’ny Orange Money. Fomba iray ialana amin’ny filaharana elabe ity tolotra ity. Raha toa ka tsy manana kaonty amin’ny Orange Money ireo mpanjifa dia azo atao ny manefa izany eny amin’ny “Cash Point Orange Money”. Ankoatr’izany, azo atao amin’ny alalan’ny Orange Money na eny amin’ny botika Orange ny fividianana fahana ho an’ireo manana kaontera “prépayé”. Vokatr’ity fiarahamiasa ity, afaka manaramaso ny faktiora nandoavam-bola ireo mpanjifa ary mamoaka izany amin’ny taratasy rehefa avy mitsidika ny tranokalan’ny Orange Money Madagascar. Nirina R. Cet article JIRAMA SY NY ORANGE MONEY: Manamora ny fiainana andavanandron’ny mpanjifa est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article JIRAMA SY NY ORANGE MONEY: Manamora ny fiainana andavanandron’ny mpanjifa a été récupéré chez Délire Madagascar.

Famakiana bantsilana ny raharaham-pirenena: mivonona ny hanenjana ireo vondron’ny mpanohitra
26/09/2020

Fanambarana faharoa. “Nisy fahadisoana ny voka-pifidianana noho ny “doublons”. Tsy ahitana taratra ny fahaleovantenan’ny Ceni izany… Ho avy ny fotoana hamakiana bantsilana sy hampahafantarana ampahibemaso ny vahoaka ny tsy mety ataon’izao fitondrana izao”, hoy ny ampahan’ny fanambaran’ireo vondron’ny olom-boafidy, ahitana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina ary ny maro hafa, teny Andrainarivo, omaly. Anisan’izany ny fanararaotam-pahefana sy ny fanitsakitsahana ny demokrasia.  Nohitsin’izy ireo fa tsy hijanona intsony ny hetsika ataon’izy ireo raha tsy tanteraka ny hetahetan’ny Malagasy. Nentanin’izy ireo koa ireo olom-boafidy hafa tokony ho mpifidy ireo loholona mba hanara-dia azy ireo amin’ny tsy handraisany anjara amin’ny fifidianana. Anisan’ny iantefan’izany ireo voafidy amin’ny antoko politika sy ny tsy miankina.Synèse R. L’article Famakiana bantsilana ny raharaham-pirenena: mivonona ny hanenjana ireo vondron’ny mpanohitra a été récupéré chez Newsmada.