Tontosa ny 60% hatramin’ny 90%-n’ny asa: ho vita ny volana janoary ny Akademian’ny zavakanto

News - Tontosa ny 60% hatramin’ny 90%-n’ny asa: ho vita ny volana janoary ny Akademian’ny zavakanto

News - Tontosa ny 60% hatramin’ny 90%-n’ny asa: ho vita ny volana janoary ny Akademian’ny zavakanto

Fotodrafitrasa iray
lehibe, hisy ny Akademia nasionalin’ny zavakanto sy ny kolontsaina
na ny Anac no hatsangana etsy Ambohitsorohitra ambany. Miandry
fatratra ny fahavitany ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny
zavakanto sy ny kolontsaina.

Goavana ! Izay no azo hanasokajiana ity fotodrafitrasa iray
ity. Ireo izay mandalo eny Ambohitsorohitra ambany, manoloana ny
farihin’Anosy dia mahatsikaritra avokoa ny fihazakazak’ilay tranobe
hahorina eo. Ny Akademia nasionalin’ny zavakanto sy ny kolontsaina
(Anac) io, izay tafiditra anatin’ny vina napetraky ny
filoham-pirenena sy ny minisitera tompon’andraikitra amin’ny
fampiroboroboana ny tontolon’ny kolontsaina marolafy.
Nisy ny fidinana ifotony, nataon’ny minisitry ny Serasra sy ny
kolontsaina, Andriatongarivo lalatiana sy ireo mpiara-miasa aminy
teny an-toerana, omaly. Fantatra tamin’izany fa manodidina ny 60%
hatramin’ny 90% eo ho eo izao ny tontosa amin’ireo asa goavana.
Mizara efatra  mazava ny asa tontosaina ao ka anisan’izany ny
toerana lehibe fanaovana fampisehoana, izay efa tontosa hatramin’ny
60%. Eo koa ny toerana hanaovana ny fampirantiana efa mananika ny
80 % ny asa. Ireo trano ho an’ny birao samihafa kosa dia efa
mananika ny 90% ny fahavitany. Miandry farany kosa ny fanatsarana
ny endrika ivelany sy ny manodidina ny trano iray manontolo.
“Raha tadidintsika, ny 15 novambra 2019 no nametrahantsika ny vato
fototra voalohany teto, ary notombanana ho vita amin’ity faran’ny
volana septambra 2020 ity ny asa rehetra. Noho ny zava-nisy anefa,
nisy ny fahatarana ka vinavinain’ny orinasa miandraikitra ny
fananganana ny Anac ho vita ny faran’ny volana janoary 2021 ny asa
rehetra”, hoy ny nambaran’ny minisitra teny an-toerana.
Miezaka manenjika ny fahatarana amin’ny fahavitan’ny asa, araka
izany, ny orinasa miandraikitra ny fananganana ny tranoben’ny Anac.
Etsy an-kilany, nanambara koa ny minisitra fa efa eo am-panomanana
ny rijantenin-dalàna mahakasika ity akademia ity ny eo anivon’ny
minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Tombanana ho efa miasa
tsara sy hihodina, araka ny antom-pisiana ny akademia nasionalin’ny
zavakanto sy ny kolontsaina, amin’ny telovolana voalohan’ny taona
2021.

Zo ny Aina

Article tiré de Newsmada

L’article Tontosa ny 60% hatramin’ny 90%-n’ny asa: ho vita ny volana janoary ny Akademian’ny zavakanto a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fanahiana valanaretina: raikitra ny fitiliana amin’ny mety ho fidiran’ny “Ebola”

Maty ilay olona voan’ny aretina Ebola tany amin’ny tanàna lehibe iray Goma, any atsinanan’i Kongo, rehefa saika hafindra toerana tany Butembo, omaly, araka ny vaovao nampitain’ny tomponandraikitry ny faritra Kivu Avaratra, i Carly Nzanz. Tanàna lehibe iray ifamezivezen’ny olona maro i Goma ary betsaka ireo mivoaka ho any amin’ny firenena hafa ivelan’i Kongo miainga avy ao. “Mampanahy ity tranga voalohany izay namoy ny ainy ity noho izany”, hoy ny tomponandraikitry ny Crox Rouge any an-toerana, i Gwen Eamer, raha nanontanian’ny mpanao gazetin’ny fahitalavitra France 24. Tanàna ahitana ireo toeram-piasan’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana sy ny raharaham-barotra goavana rahateo ity nitrangan’ny aretina voalohany. Miantso ny vahoaka ao aminy ho tony ny fitondrana kongoley. 60 ireo olona nifampikasoka tamin’ilay pasitera narary voalohany ary efa vita vaksiny ny antsasa-manila amin’izy ireo, efa eo an-dalana hanaovana izany ny ambiny. Mbola miandry 21 andro ny tomponandraikitra hitiliana na namindra tamin’ny olon-kafa ilay olona maty tany Goma.Nanomboka ny volana aogositra 2018, fotoana nilazana ny valanaretina, efa 1 665 ireo maty noho ny Ebola any amin’ny Kivu Avaratra. Nampitsahatra ny asany any amin’io toerana io ny ekipan’ny Médecins sans frontières noho ny tsy fandriampahalemana.Nanomboka ny volana aogositra 2018, anarivony ny aina avotra vokatry ny fampiasana ilay vaksiny rVSV-ZEBOV miaro amin’ny aretina Ebola novokarin’ny laboratoara amerikanina Merck.Miasa 24 ora ny ekipa eny amin’ny seranana Eto Madagasikara, mandalo fitiliana avokoa ny mpandeha nidina avy amin’ny fiaramanidina avy any ivelany taorian’ny famenoana ny taratasy momba ny toeram-piaviany sy ny toe-pahasalamany. Ho an’ny polisy sy ny mpiasan’ny fahasalamana ireo taratasy ireo ahafahana mahafantatra ny toeram-piavian’ilay mpandeha sy ny adiresy misy azy rehefa tonga eto. Manana efitra fanokanana ny seranam-piaramanidina ho an’ireo olona ahina mandray zotra avy any ivelany rehetra, misy ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamana tsy tapaka manara-maso ny mpandeha rehetra. “Vonona koa ny ambulance manokana hitondrana ny marary ho any amin’ny tobim-pahasalamana raha ilaina”, hoy ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana, Rakotoarivony Manitra, omaly. Tafiditra amin’ny règlement sanitaire international (RSI) tokony hampiharin’ny firenena rehetra ireo, araka ny toromariky ny OMS iarovana ny fahasalaman’ny mponina. Hatreto aloha, tsy nahitana tranga nampiahiahy ny mpandeha avy any ivelany tonga teny amin’ny sambo na ny seranam-piaramanidina.Vonjy A.L’article Fanahiana valanaretina: raikitra ny fitiliana amin’ny mety ho fidiran’ny “Ebola” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanatanjahantena: ampitomboina ny teti-bola iasana

Tsy atao faralahy intsony ny fanatanjahantena. Araka izany, ampitomboina ny teti-bola iasana, hahafahan’ireo federasiona miatrika am-pahatoniana ireo lalao iraisam-pirenena, araka ny nambaran’ny filoham-pirenena malagasy, tamin’ny lahateniny, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, omaly.Ankoatra izay, hatsangana tsy ho ela akademiam-pirenena ho an’ny atleta avo lenta na ny “Academie Nationale pour les athletes de haut niveau”. Toerana hiofanan’ireo atleta manan-talenta, hiatrika fifaninanana. Sady hianatra izy ireo no hanomana ny tenany ao anatin’ny fanatanjahantena. Omena vatsim-pianarana, araka izany, ny atleta hiofana ao. Hapetraka any Toliara ihany koa ny dobo filomanosana olympika ary any Toamasina ny lapan’ny fanatanjahantena. Hananganana “dojo”, manara-penitra ihany koa ny isaky ny Renivohi-paritany, rehetra manerana ny Nosy. Efa any amin’ny komity olympika ny “tatami”, ho amin’izany, toerana natokana ho an’ny taranja haiady izany.Farany, araka ny fangatahan’ireo filohan’ny Komity olympika malagasy, homena pasipaoro maitso ireo filohan’ny federasiona rehetra, hahafahany mivezivezy, manatrika ireo fifaninanana sy fivoriana iraisam-pirenena. TompondakaL’article Fanatanjahantena: ampitomboina ny teti-bola iasana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fahatongavan’ny papa François: nametraka lamina sy fepetra ny Emmo/Nat

Zava-dehibe eto amin’ny firenena. Vory  lanona tetsy amin’ny Toby  Ratsimandrava, omaly ireo olobe eo anivon’ny fitandroana  ny filaminana sy ny avy amin’ny fitaterana ary  koa ny eo anivon’ny fiangonana katolika. Maherin’ny enina  hetsy ireo mpino ho avy ka  niompana amin’ny fepetra horaisina momba izany ny fivoriana.Nambaran’ny kaomandin’ny  zandarimariam-pirenena, ny  Jly Andrianjanaka  Njatoarisona tamin’izany fa tsy maintsy raisina ny fepetra satria marobe ireo vahoaka sy ny kristianina ho avy  amin’izany fitsidihana ataon’ny papa François eto amintsika  izany. Maherin’ny 600  000 izy ireo ka  ny 500  000 avy eto amin’ny diosezin’Antananarivo raha avy any amin’ny  diosezy hafa kosa ny ambiny, amin’ireo nisoratra anarana.  Hisy ny fandaminana  tsy maintsy atao, araka ny nambarany. Anisan’izany  ny eny amin’ny seranam-piaramanidina. “Olona voatokana sy  voafaritra ihany ireo mitsena eny  Ivato. Tahaka izany koa amin’ireo lalana izorany ka tokony  handray ny fandaminana ny rehetra mba hizotra araka ny tokony ho izy ny  fahatongavan’izany  raimandreny izany”, hoy  izy.Maherin’ny 7 500 ireo mpitandro filaminana  Tahaka  izany koa  ireo toerana rehetra hotsidihin’ny papa François : Andohalo, Amparibe, Toby Akamasoa sy  Mahatazana…   “Tsy maintsy  ho hentitra izahay  mba  hipetrahan’ny filaminana. Efa voatokana avokoa ny  olona afaka mandeha amin’ireny faritra ireny”, hoy  ihany izy. Natsidiny koa fa  efa misy ny  toerana natokana  ho an’ny  fiara ary ny tokony handehanana an-tongotra mba tsy  hampitohana ny fifamoivoizana.  Hanetsika mpitandro filaminana 7 500 ny fitondrana amin’izany.  Nanterin’ny prefet-n’Antananarivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo kosa, fa mbola hojerena manokana ny fiahiana ny fandriampahalemana andavanandro tsy hiseho ny fanararaotana ataon’ny jiolahy. “Hojerena amin’ny Emmo/Nat izany ary tsy misy tokony hifanilika andraikitra”, hoy izy.Fiaraha-miasa amin’ny Amerikanina Ankoatra izany,  efa misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny zandary sy ny Amerikanina amin’ny fitandroana ny filaminana amin’ny fotoana ahatongavan’ny papa François. “Hisy ny fifandraisana tsy tapaka  amin’ny masoivoho eo amin’ny fampitana  vaovao. Mifanila  rahateo ny toerana hivantanan’ny delegasiona tarihin’ny Ray Masina sy ny toeram-ponenan’ireo diplaomaty amerikanina sasany”, hoy ny Jly Ravalomanana, afakomaly.Ho an’ny antokon-draharahan’ny fitaterana (ATT) indray,  hojerena manokana ny momba ireo fiara sy ny fitaterana. Ny toerana iaingana sy ny fahatongavana, avy amin’ireo diosezy miisa 21. Tokony hampiasa fiara hatrany amin’ny 4  000 mahery  nefa tsy tokony hampiato ny fitaterana andavanandro any amin’ny faritra izany.Tsiahivina fa hisy hatrany ny fivoriana isan-kerinandro ataon’ireo tompon’andraikitra rehetra ireo, amin’izao herinandro vitsy hahatongavan’ny avy any Vatikana izao.Synèse R.    L’article Fahatongavan’ny papa François: nametraka lamina sy fepetra ny Emmo/Nat a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo: hifaninana amin’ny fambolena legioma ireo tsy manan-kialofana

Nosokafana, omaly, ny fambolena legioma sy voankazo teny amin’ny akany « Iarivo mivoy » Anosizato. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa iarahan’ny CUA sy ny « Fondation Axian » , izany hamatsiana sakafo ny « cantine scolaire » sy ireo tsy manan-kialofana tezaina eny anivon’ny akany. Mandray anjara amin’ ny fambolena sy ny fikarakarana ny zaridaina ireo tsy manan-kialofana tezaina ao.Afahana miatrika ny ho avy sy ny fiainany“Tsy an-tery fa ireo mazoto no manao ny asa. Hisy ny fampiofanana sy fampianarana mba hoentin’izy ireo miatrika ny fiainany sy ny hoaviny. Anisan’izany ny fambolena”, hoy ny talen’ny fampandrosoana ny lafiny toekarena eo anivon’ny CUA, Kamena Ivon. Nozaraina vondrona maromaro izy ireo ka hisy ny fifaninanana masina hahazoana fanomezana ireo hita fa mahafatra-po sy mavitrika indrindra.Tetikasa hitarina eny anivon’ny EPP eto an-dRenivohitraAnisan’ny karazam-pambolena hita eny an-toerana: « agri-fu », « agri -table » ary ny fambolena amin’ny toerana mirefy 600 m2. Eo koa ny fambolena amin’ny alalan’ny ambin’ny fitaovana tsy ilaina, toy ny fantsona “tyuaux” avy nanaovana trano. Mbola hitohy eny anivon’ny EPP ny hetsika tahaka izao.Synèse R.L’article Fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo: hifaninana amin’ny fambolena legioma ireo tsy manan-kialofana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Radanoara Julien: “Tokony hanan-kambara momba ny raharaham-pirenena ny mpanohitra”

Aiza ho aiza marina ny toerana misy ny mpanohitra amin’izao fotoana izao? Maneho ny fijeriny ny mpahay fifandraisana iraisam-pirenena, Radanoara Julien: “Tokony hanan-javatra holazaina momba ny fandehan’ny raharaham-pirenena ny antoko mpanohitra rehetra.” Dinidinika…Gazety Taratra (*): Ahoana ny fahitanao ny amin’ny hoe lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimierampirenena tsy hita be ihany hatramin’izao?   Radanoara Julien (-): Izao fotsiny ilay izy: ao anatin’ny demokrasia no misy an’io. Ao anatin’ny andrin’ny demokrasia ny hoe fanajana ny mpanohitra. Ny anton’izay, fanabeazana ny vahoaka. Eo koa ny fifandimbiasan-toerana ara-pomba demokratika: tokony hanan-javatra holazaina momba ny fandehan’ny raharaham-pirenena ny antoko mpanohitra rehetra.Mandray ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, ohatra, ny eo amin’ny fitondrana, ilazany izay antony andraisana azy. Amin’izany, mitsangana ny mpanohitra, izay ho minisitry ny Fitantanam-bola amin’ny ho avy raha ny tena izy: milaza ny fijeriny amin’ny maha mpanohitra azy ny amin’izay lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana izay. Mihaino ny vahoaka.Rehefa tonga ny fifidianana, mieritreritra ny vahoaka miainga amin’izay voalaza izay, ohatra. Aleony ihany, ohatra, ny olona eo amin’ny fitondrana. Ho an’ny sasany indray, aleony maka ny mpanohitra. Izay no ahitana ny mahomby sa tsia ny fitondrana. Satria mety ho latsa-bato famaizana no ataon’ny vahoaka aminy, na latsa-bato famerenana azy eo amin’ny fitondrana ihany.* Aiza ho aiza marina ny toeran’ny mpanohitra amin’izany? – Izay lalàn’ny demokrasia izay no tsy anampenam-bava ny mpanohitra. Voalaza ao anatin’ny demokrasia rahateo izany, fanajana ny zo fototra: zo haneho hevitra an-kalalahana, zo hisafidy. Afa-miteny sy afa-maneho ny heviny ny olon-drehetra, fa tsy hoe sakanana na sazina na gadraina isaky ny miteny na maneho hevitra.Satria efa mandala ny hoe demokrasia ny tena, ary mifototra amin’ny demokrasia ny lalàmpanorenana izay nampandaniana ny vahoaka eto Madagasikara. Ao anatin’ny savaranonando amin’ny lalàmpanorenana ny hoe: ny demokrasia no fototry ny Repoblika. Ny dikan’izay, hanaja sy handala an’izay ny tena.Izay no antom-pisian’ny antoko politika: fahefana no tanjony. Ahoana no hahazoany fahefana raha tsy manazava ny heviny sy ny vinam-piarahamoniny amin’ny vahoaka izy? Izay no hifidianan’ny vahoaka azy, raha resy lahatra ny vahoaka?* Nefa tsy mety milamina aloha  ny samy mpanohitra hatramin’izao, fa tsy mazava be ihany koa ny lalàna? – Toa atao fanahy iniana manjavozavo ilay izy… Mba  tsy hasiana zavatra hitombina. Raha hijery an’izay ny solombavambahoaka mba tena hazava amin-kitsim-po, fa tsy hasiana haratsian-toetra ka hanjary tsy hisy zava-banona eto Madagasikara. Na hasiana mpanohitra ao anatin’ny Antenimierampirenena na tsia. Rehefa tsy hasiana mpanohitra eo anivon’ny Antenimierampirenena, aleo any ivelany izany izy no hiteny sy hitabataba. Raha tiana hipetraka ao izy, avelao ho ao… Arakaraka isika mianakavy ihany izay.Izay ny demokrasia. Asa raha hoekentsika izany na tsia. Anjarantsika izay: sao ekena fotsiny, nefa tsy atao. Izay koa ny aty amin’ny firenena mahantra, ekena avokoa izany mba hahazoana vola. Be dia be ny zavatra ekena eo imason’ny mpamatsy vola hoe tena manaraka izany demokrasia izany isika. Nefa rehefa dinihina, tsy manao akory ny aty amin’ny firenena fa resaka be fotsiny.* Efa miteny demokrasia ianao, ahoana ny fahitanao  amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana mpanolotsain’ny Tanàna tsy hita be ihany koa amin’izao? – Tsy mbola fantatra io… Mety kajikajy politika io, mety mbola tsy fahavononana, mety ho zavatra maro samihafa toy ny enti-manana, ohatra. Raha tena hanao, efa nomanina dieny mialoha avokoa izany. Satria efa fantatra fa hisy izay fifidianana izay. Izay ilay hoe alaina avokoa io karazana lalàna rehetra io, nefa tsy misy tanterahina rehefa avy eo.Nangonin’i R. Nd.L’article Radanoara Julien: “Tokony hanan-kambara momba ny raharaham-pirenena ny mpanohitra” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

 ( CIJ): naverin’i Britanika amin’i Maorisy ireo nosy Chagos

Naverin’ny Britanika amin’ny Nosy Maorisy manomboka izao ireo nosy kely Chagos, misy ny tobim-pamaharan’ny tafika britanika sy amerikanina ao Diego Garcia. Nanao izay fomba rehetra ny hijerena ity raharaha ity ny Maorisianina tany amin’ny Fitsarana iraisam-pirenena (CIJ), ka nankatoavina teo anivon’ity Fitsarana ity izany, ny volana febroary 2019. Telo volana taorian’izay, nangatahan’ny Firenena mikambana (ONU) ry zareo Britanika hampitsahatra faran’izay haingana ny fitantanana ny nosy Chagos.Nambaran’ny CIJ fa tsy ara-dalàna ny fihazonan’ny Britanika ireo Nosy Chagos tamin’ny 1965 eo anatrehan’ny lalàna iraisam-pirenena, nefa nomena fahaleovantena ny Nosy Maorisy tompony tamin’ny 1968. Fandresena ho an’ny diplomasia maorisianina izao fanapahan-kevitra izao. Ny 15 jolay teo, narahin’ny vahoaka maorisianina tamin’ny haino aman-jery rehetra ny fanamafisana ny fanambarana nataon’ny CIJ.Nankatoavin’ny solombavambahoaka maorisinina rehetra ny fandraisana ireo Nosy manodidina ireo, ary nisy solontenan’ny vahoaka avy any Chagos nanatrika ny fivorian’ny Antenimieram-pirenena tany an-toerana. Hanana solombavambahoaka i Chagos amin’ny taom-piasan’ny Antenimiera maorisianina manaraka.Fitambaran’ny Nosy kely maromaro i Chagos, 56,13 km2.  Misy azy, 1 174 km atsimon’i Malé, 1 832  km atsinanan’i Victoria, any Seychelles. Anisan’ny lehibe : Diego Garcia, Nosy Salomons, Peros Banhos, Great Chagos, Nosy Egmont… R.MathieuL’article  ( CIJ): naverin’i Britanika amin’i Maorisy ireo nosy Chagos a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra maneran-tany : tsy hisy ny «Ballon d’or 2020»

Nambaran’ny “France foot­ball” tamin’ny fomba ofisialy omaly alatsinainy fa foana ary tsy hisy ny fanendrena ireo mpilalao mendrika ho an’ny taona 2020 na ny “Ballon d’or”. Anton’izany, araka izay efa fantatry ny rehetra, ny fisian’ilay valanaretina Covid-19, mamely mafy ireo firenena maneran-tany, amin’izao fo­toana izao. Voalohany hatramin’ny nisian’ny “Ballon d’or”, nanomboka ny taona 1956, no tsy hisy izany amin’ity. Tsy feno ny fepetra amin’ny fisafidianana izay ho mpanao baolina kitra mendrika, amin’ity taona ity, araka ny tatitra avy amin’ny mpikarakara. Tsy mitovy ny mason-tsivana, eo amin’ireo fifaninanana isan-tokony sy ny fiovana maro naterak’ity valanaretina ity ka ahazoana mamantatra izay ho mpilalao mendrika. Teo koa ny fahatapahana antenantenany ny taom-pilalaovana, ho an’ireo firenena isanisany. Roa volana monja, amin’ny 11, no hanaovana ireo fifantenana isan-karazany. Na izany aza, nampanantena ny France football fa tsy miova ny endriky ny fifaninanana, amin’ny taona 2021. Fotoana ahalalana ihany koa izay handimby an’i Lionel Messi sy i Megan Rapinoe, “Ballon d’or 2019”, lahy sy vavy.TompondakaL’article Kitra maneran-tany : tsy hisy ny «Ballon d’or 2020» a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tombanezaky ny BM: miharatsy toerana hatrany i Madagasikara

Navoakan’ny Banky iraisam-pirenena ny tatitra momba ny tombanezaka (CPIA)* 2018 tsara ho fantatra aty Afrika. Tombanana amin’izany ny rafitra politika amina firenena iray, fitomboan’ny harinkarena sy ady amin’ny fahantrana. Isa 1 ny ambany indrindra, 6 ny ambony indrindra amin’ny fitsarana firenena iray,  mahakasika singa 16, nosakajina efatra : ny toekarena (fifanakalozana, tetibola, trosa) ; ny politika ara-drafitra (vola,  varotra , orinasa);  ny sosialy (lahy sy vavy, fiahiana ny maha olona…) ; ny fitantanana sy ny andrim-panjakana (lalàna, fangaraharahana…).Eto Madagasikara, salanisa eo amin’ny lafiny toekarena 3,7; ny rafitra momba ny vola , varotra, 3,3 ; ny lafiny sosialy amin’ny ankapobeny, 3,3 ; ary ny  fitantanana sy ny andrim-panjakana 2,8. Ho an’i Madagasikara izany, 3,3 tamin’ny taona 2018. Miharatsy toerana hatrany nanomboka ny taona 2010, miabo 0,2 ; ny taona 2018, miiba -0,1 ny CPIA.Fitaovana iray lehibe tsara ho fantatry ny fahefam-panjakana ny CPIA amin’izay ezaka atao amin’ny ady amin’ny fahantrana. Hamaritan’ny vondrona mpamatsy vola ao amin’ny Banky iraisam-pirenena ny fanampiana sy ny fampindramam-bola  ho an’ny firenena iray ny isa azo avy amin’izany tombana izany. R.MathieuCPIA* : Évaluation des politiques et des institutions en AfriqueL’article Tombanezaky ny BM: miharatsy toerana hatrany i Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra: tsy tafita amin’ny manasa-dalana ny Barea

Fantatra tamin’ny alalan’ny atsapaka, omaly, taorian’ny ady sahala 1 no ho 1 nifanaovan’ny Malagasy sy i Maorisy, tao amin’ny kianjan’ny Georges V Curepipe, teto Maorisy, fa tsy isan’ireo hiakatra amin’ny amanasa-dalana ny Barea.Tapitra hatreo ny dia ho an’ny Barea, nandritra ny “Lalaon’ny Nosy” andiany faha-10, tanterahina aty Maorisy, taranja baolina kitra. Nahatonga izany ny atsapaka. Ity lalana ity izay voasoratra ao anatin’ny lalan’ny fifaninanana fa atao aorian’ity lalao ity. Azo lazaina ho vintana ho antsika izany, saingy tsy voasarika ka voatery tsy maintsy nijanona hatreo ny lalan’ny Barea.Taorian’ny isa mitovy azon’ny ekipa roa (i Madagasikara sy i Seychelles), samy nanana isa 2 sy nahatafiditra baolina iray avy ny nahafantarana izany. Araka ny fitsipika mifehy ny fifaninanana, tsy maintsy amin’ny alalan’ny atsapaka ny hisafidianana ny ekipa hanohy ny dia ka tsy nitsiky ho antsika ny vintana teo. Raha hiverenana ny lalao omaly, nahazo karatra mena i Dadafara na i Avotriniaina, 5 minitra monja nanombohana ka efa nilalao10 teo.Tany amin’ny minitra faha-43, nahatafiditra baolina ny Barea, tamin’ny alalan i Rinho, saingy nosahalain-dry zareo Club M maorisianina izany taty amin’ny ampahefa-potoana farany ka io ady sahala 1 no ho 1 io ny nisarahana. Niaiky ny mpanazatra Roro fa ratsy ny vokatra ho antsika, satria ady sahala roa ny azo tamin’ny lalao roa natao. Ankilany, nilaza i Ando, mpiandry tsatokazo, fa ny karatra mena azon’ny mpilalaontsika aloha be no nahatonga ny vokatra. “Nijaly izahay”, hoy izy, satria nilalao folo hatrany am-boalohany. Na izany aza, niady ireto mpilalao ireto, saingy ny tsy nambinina fotsiny ihany. Mi.Raz L’article Kitra: tsy tafita amin’ny manasa-dalana ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fanampian’Ambatovy

Manampy ireo tantsaha hanitatra ny lalam-barotra ny tetikasa Ambatovy. Tanjona ny hanampiana ny tantsaha hanome lanja kokoa ny vokatr’izy ireo eo imason’ny mpandraharaha eo amin’ny lafiny toekarena, mba hahafahany manitatra ny lalam-barotra ho azy ireo. Tohana eo amin’ny lafiny teknika sy fanomezana akora ary ny fikarakarana fitsidihana any amin’ny faritra hafa no ataon’izy ireo amin’izany. L’article Fanampian’Ambatovy est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Toamasina: 84,95 % taham-pahafahana CEPE
21/09/2020

Nivoaka, omaly maraina ny voka-panadianana CEPE, natao ny 15 septambra lasa teo ho an’i Toamasina. Nisy ny fihaonan’ ireo mpampianatra nisahana ny fanadinana hatramin’ny fitsarana ka niara-nidinika ny naoty farany ambany. Tapaka fa ny salan’isa 09/20 miakatra no ekana fa mahazo ny mari-pahaizana CEPE. Vokany, nahatratra 84.95% ny taham-pahafahana, izay nisy fitomboany kely raha noharina tamin’ny taon-dasa 83,34%. Ho an’ny taona 2018- 2019, natao 9,75/20 ny naoty farany ambany noraisina ka tsy tokony hibitaka ihany ny fari-piadidiam-pampianarana manoloana ny vokatra tamin’ity taona ity.7 428 ny isan’ny mpiadina voasoratra anarana ka 52 ireo tsy tonga nanatrika ny fanadinana, ary nahatratra 6 012 ny mpiadina afaka. Raha noferana ho 9,50/20 ny salanisa ahafahana CEPE, 87,05% ny taham-pahafahana. Raha ny noraisina ho 10/20  kosa dia ambany ny taham-pahafana satria manome 76,64%.  Nitarika teo amin’ny naoty farany ambony ny mpiadina avy amin’ny sekoly tsy miankina katolika nahazo ny naoty 19, 80/20 ny voalohany. 19,75/20 ny faharoa ary 19,70/20 ny fahatelo, samy avy amin’ny sekoly finoana katolika avokoa izy ireo. Ireo 10 voalohany dia avy amin’ny sekoly tsy miankina katolika avokoa. BEPC-Tsy mahazo miditra ny ray aman-dreny…Ho an’ny fanadinana BEPC kosa, izay hanomboka anio, ho hentitra ny fanaraha-maso sy fanarahana ny fepetra ara-pahasalamana : fanaovana arotava sy orona, fanasan-tanana mialoha ny hiditra ny faritry ny toeram-panadinana. Tsy mahazo mitondra fitaovana elektronika toy ny finday ny mpiadina, araka ny nambaran’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianara Toamasina I, Ramarolahy Joseph, tetsy amin’ny CEG de reference, omaly. Nohamafisiny fa tsy azon’ny raiaman-dreny atao ny miditra ny faritry ny sekoly mandray fanadinanana. Ho an’ ireo mpiadina tsy afaka mamonjy fodiana ny antoandro kosa fa hanaterana sakafo, olona iray ihany no afaka miditra manatitra ny sakafo raha tsy hivoaka ny faritry ny sekoly ilay mpiadina. Ho fiarovana ny filaminana mandritra ny fiatrehan’ny mpiadina ny fanandinana BEPC, efa vonona ny mpitandnro filaminana handray ny andraikiny. Toerana telo ihany no ametrahana ny petadrindrina ho an’ny valin’ny CEPE: ao amin’ny biraon’ny Cisco sy ny Dren ary etsy amin’ny EPP Beryl Rose hisorohana ny fitangoranana  SajoL’article Toamasina: 84,95 % taham-pahafahana CEPE a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – «Europa league»: nihintsana ny ekipan’i Hery sy i Ouassiero
21/09/2020

Samy resy avokoa ny Linfield FC, misy an’i Hery sy ny CS Fola Esch, ilalaovan’i Ouassiero, teo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny «Europa league», taranja baolina kitra, ny alakamisy lasa teo. Raha tsiahivina, resin’ny Floriana FC avy any Malte, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 tao amin’ny kianja filalaovany ao Windsor Park de Belfast ry Hery Bastien. Baolina tokana matin’i Matias Nicolas Garcia, teo amin’ny minitra faha-10.Henjankenjana ny fifandonana ka niraradraraka ny karatra mavo, na ho an’ny an-daniny na ho an’ny an-kilany. Niafara mihitsy tamin’ny karatra mena azon’i Ross Larkin, mpilalaon’ny Linfield, izany, minitra faha-74. Ankoatra izay, nesorina i Hery, minitra faha-78 noho ny havizanana.Tamin’ny isa tery, 4 no ho 3 kosa ny niondrehan’ny CS Fola Esch nanoloana ny FC Ararat avy any Armenia. Fihaonana notontosaina tao amin’ny kianja FFA Academy Stadium. Efa tany amin’ny fanalavam-potoana vao nivoaka ho mpandresy ny Armenianina, rehefa nitarika tamin’ny isa 3 no ho 1 ny ekipan’i Ouassiero hatreo amin’ny 90 mn. Voasahala izany, tany amin’ny fanampim-potoana (90 + 1 mn) sy (90 + 4 mn). Teo amin’ny minitra faha-113 tamin’ny fanalavam-potoana ny baolina fahefatra naharesy ny CS Fola Esch. Nilalao 10 ihany koa ry zalahy, teo amin’ny faha-90 mn, rehefa nahazo karatra mena i Diogo Miguel Zambujo Pimentel. TompondakaL’article Kitra – «Europa league»: nihintsana ny ekipan’i Hery sy i Ouassiero a été récupéré chez Newsmada.

Sombintsombim-baovao
18/09/2020

 Karate-Analamanga: efa saika misokatra avokoa ny Dojo fikotranana eto amin’ny ligin’Analamanga, ho an’ny taranja Karate. Efa fantatra tsara amin’ny fanajana sy fanarahana fitsipika ny mpiangaly ity taranja ity, raha ny nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga, Rakotomalala Jean Paul, ka tsy ilaina fanentanana amin’ny fanajana ny fepetra. Isan’izany ny famerana ny isan’ny mpikotrana, tsy tokony hihoatra ny 100, ny fanasana tanàna ary ny fanajana ny elanelana. Judo-Analamanga: Miandry ny “coup d’envoi” avy amin’ny Ministera, ny fanatanterahana ny fifidianana eo anivon’ny Ligin’Analamanga Judo, raha ny nambaran’ny filoha amperin’asa, Raoelison Vola. Raha ny tokony ho izy, amin’ny volana oktobra ho avy io, ny tokony hanaovana ity fifidianana ity. Mahakasika ny famerenana ny fanazaran-tena kosa, tsy mbola isan’ireo taranja mamerina ny kotrana ny Judo. Nambaran’ny mpanazatra fa tsy maintsy miandry torolalana avy amin’ny filohan’ny FMJ, izany. Nangonon’i Mi.Raz L’article Sombintsombim-baovao a été récupéré chez Newsmada.

Fotodrafitrasa eny ifotony: nijery ny fanamboaran-dalana RN5A ny minisitra Hajo
21/09/2020

Miroso sy mandeha ny asa fanamboaran-dalana Ambilobe- Vohémar (RN5A). Anisan’nyfampanantenana nataon’ny filoha Rajoelina Andry ny fanarenana tanteraka iny lalam-pirenena mampitohy ny distrika roa iny.Nidina ifotony tao Vohémar nijery ny fandroson’ny asa fanarenana sy ny fanamboarana izany ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy Andrianainarivelo Hajo, ny herinandro teo. Nambarany fa mizotra araka ny tokony ho izy amin’ny ankapobeny ny asa amin’izao fotoana izao. Efa saika tafapetraka avokoa ireo toerana hiasan’ny orinasa manao ny fanamboarana. Efa miroso ny asa fanamarinana sy fanajariana ny lalana (terrassement) na avy any Vohémar na ny avy any Ambilobe.Natao hijerena ny olana…Efa an-dalana tahaka izany koa ny fandrafetana sy fametrahana ireo fotodrafitrasa fivarinan’ny rano (dalots) miisa 60 mahery. Manampy ireo ny fijeren’ny minisitra ireo toerana fakana ranontany sy ny vato ary ny toby hipetrahan’ny orinasa manatentaraka ny asa. “Natao indrindra hijerena ny fandrosoan’ny asa sy hifampidinihina amin’ny fitadiavana vahaolana ho an’ireo olana mety mitranga ny fidinana ifiotony tahaka izao. Jerena koa ny mety hampitarazoka na hampikatso ny asa, ary hanomezana toromarika amin’ny fandrindrana ny asa amin’ny ankapobeny”, hoy ny minisitra Andrianainarivelo Hajo.Tsiahivina fa anisan’ny miantoka ny fampandrosoana any amin’iny faritra avaratra iny ny fahavitan’io lalam-pirenena io. Tahaka izany koa ny efa hirosoana amin’ny fanamboarana ny lalana Ambilobe mihazo ny any Antsiranana.Synèse R.L’article Fotodrafitrasa eny ifotony: nijery ny fanamboaran-dalana RN5A ny minisitra Hajo a été récupéré chez Newsmada.

Tambajotran-tserasera: niakatra ny vola kirakiraina
23/09/2020

Nampihodina vola 1 246,367 Ariary, niakatra ho 22,46 % ny vola kirakirain’ny tambajotran-tserasera rehetra eto Madagasikara, ny taona 2019, raha oharina ny taona 2018, araka ny tarehimarika navoakan’ny Artec (Autorité de régulation des technologies de communication). Ny sersera amin’ny antso sy ny sms no mitana ny loharaharana amin’izany, manome 528,378 Ariary, na nitombo ho 4,94% raha ampitahana ny tamin’ny 2018.Ny sampana Data kosa, nitombo 23,74% ny tamin’ny 2019, araka ny fanazavan’ny Artec. Noho ny fitombon’ny fampiasana “fibre optique” tamin’ny 2019 ny nahatonga izany. Nampiditra 270 miliara Ariary ny Data tamin’io fotoana io.Miroborobo, araka izany, ny tambanjotra ny fifandraisan-davitra. Ny foibe fiantsoana Towerco, ohatra, nampiditra 214 miliara Ariary, niakatra ho 228 % nandritra iny taon-dasa iny. Azo lazaina fa sehatra tsy nianjadian’ny Covid-19 ny fifandraisana. R.MathieuL’article Tambajotran-tserasera: niakatra ny vola kirakiraina a été récupéré chez Newsmada.

Ambositra : nanampy ireo marefo ny minisitra Angelica Michelle
19/09/2020

Nidina tany Ambositra ni­tondra fanampiana ho an’ireo olona marefo any an-toerana. Nitsidika ny foibe fampiroboroboana ny sehatra sosialy sy toekarena CPSE ny mi­nisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy, i Michelle Bavy Angelica, tamin’ity herinandro ity. Nanolotra fitaovana toy ny milina fanjairana sy akora hoentina miasa ho an’ireo manana fahasembanana, ny zaza kamboty ary nizara mari-pahaizana ho an’ireo nahavita fiofanana tao amin’izany toerana izany ny tenany. Nitsidika ny Centre Tsa­rahonenana misahana ireo mikorontan-tsaina sahanin’ny mompera Max ihany koa izy. Mahatratra 17 ny olona tsy misy miahy noraisiny an-tanana tao hatramin’izay nijoroan’ny centre. Nanolotra fanampiana ihany koa izy ary nampanantena fa hanolotra jiro azo avy amin’ny herin’ny ma­soandro ho fanalana ny fahasahiranan’ireo beazina ao. Nitondra fanampiana ho an’ireo jamba mpanao asa tanana ao amin’ny Centre Tsaraho­nenana ihany koa ra­matoa minisitra ary nanome toky fa hampita amin’ny tompon’andraikitra rehetra ny hijerena ity ivontoerana ma­melon-tena sy hita fa manao ezaka lehibe ity. Ankoatra ireo, nisy ny fitsidihana ny Centre de kinetherapie Mitasoa. Ivontoerana hitsaboana ireo olona sembana. Efa nahatratra 600 no efa tonga nitsabo tena tao.Tatiana AL’article Ambositra : nanampy ireo marefo ny minisitra Angelica Michelle a été récupéré chez Newsmada.

Fitantanana an’Antananarivo Renivohitra: niofana momba ny tetibola ireo mpanolotsain’ny Tanàna
24/09/2020

Nifarana, omaly tetsy Ankorondrano, ny fampiofanana ireo mpanolotsaina monisipaly eto  Antananarivo Renivohitra. Nampiofana sy nizara traikefa tamin’izany ny eo anivon’ny FES, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny CUA. Niompana amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao ny fiofanana ka anisan’izany ny fitantanana tsara rindra. Eo koa ny fitantanana sy ny lalàna mifehy ny tetibola: fanombohana sy ny tetibola fanampiny ary ny fanitsiana ny tetibola  mba hitovy ny fomba fijery sy ny fahalalan’ireo mpanolotsaina .Mbola hiofana koa ireo mpanatanterakaManampy ireo ny fampahafantarana ny andraikitra sy ny anjara asan’ny mpanatanteraka na koa ireo mpanolotsaina monisipaly. Tanjon’ny fampiofanana ny hanatsarana ny fomba fijery amin’ny fampandrosoana ny tanànan’Antananarivo ary ny fizarana ny traikefa. “Mbola hisy vinavina amin’ny fampiofanana ireo mpanatanteraka eo anivon’ny CUA”, hoy ny mpampiofana, i Miandriarivo John.Etsy andaniny, mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny CUA ho fanatsarana hatrany ny fifamoivoizana eto an-dRenivohitra.Nesorina avokoa ireo fiara tonta sy tsy mandeha…Nesorina avokoa ireo fiara efa tonta sy tsy mandeha intsony ka mibahan-dalana na mameno toerana fotsiny. Nesorina, tahaka izany, koa ireo « piquets » tsy ara-dalàna, mibahana ny lalàna sy ny toeram-pijanonan’ny fiara.« Vonona hatrany ny sampandraharahan’ny kaominina misahana ny fitaterana hiara-kiasa amin’ny tsirairay sy handray ny fitarainan’ny mponina, hampizotra tsara ny fifamoivoizana”, hoy ny tompon’andraikitra.Synèse R.  L’article Fitantanana an’Antananarivo Renivohitra: niofana momba ny tetibola ireo mpanolotsain’ny Tanàna a été récupéré chez Newsmada.

Basikety-FMBB: hatambatra ny fanazarantenan’ny ekipam-pirenena sy ny GNBC
24/09/2020

Ho fiomanana amin’ny BAL (Basket afro league) sy ny “Afrobasket 2021”, nanapaka ny federasiona fa hatambatra ny fanazarantena ho an’ny ekipam-pirenena sy ny klioban’ny GNBC. Io ny isan’ny nivoitra nandritra ny fivorian’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny federasiona ny talata lasa teo tetsy amin’ny ANS Ampefiloha. Mbola hojerena ny fomba hanatanterahana izany satria efa niverina nanao fanazarantena ny ekipan’ny GNBC, hampifandrindrana miaraka amin’izany koa ny an’ny ekipam-pirenena. Raha ny fantatra, saika ny akamaroan’ireo mpilalaon’ny Zandarimaria no mandrafitra ny ekipam-pirenena ka moramora ny fampivondronana azy ireo, raha ny vaovao teo anivon’ny federasiona. Mahakasika ny fifaninanana eto an-toerana indray, miandry tanteraka ny fanampahan-kevitry ny fitondrana ny hanapahana ny tohin’ny fandaharam-potoana ho an’ny FMBB. Isan’izany ny fifaninanam-pirenena N1A, mbola tsy voafaritra, hatreto. Mety hiavaka ihany ny amin’ity andiany 2020 ity satria raha ho raikitra ihany izany, tsy maintsy lalao mandroso tokana ihany ary mazava ho azy fa eto Antananarivo ny hanaovana azy. Tombantombana avokoa anefa izany fa miankina amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-pahasalamana ny fandaharam-potoana rehetra.Marihina fa nanolotra baolina ho an’ny ekipan’i GNBC ny federasiona, nandritra ity fivoriana ity.Mi.Raz L’article Basikety-FMBB: hatambatra ny fanazarantenan’ny ekipam-pirenena sy ny GNBC a été récupéré chez Newsmada.

Raharaham-bahoaka :: Hanamora ny fikarakarana taratasim-panjakana ny Ivotoro
23/09/2020

Hisokatra amin’ny besinimaro, ato ho ato, ilay birao manokana hisahana ny fanomezana torolalana ho an’ireo olom-pirenena mikarakara taratasim-panjakana na Ivotoro. « Pitsopitsony kely madinidinika sisa dia ho am-perinasa tanteraka io birao io », hoy ny fanazavan’i Fetraniaina Mamimbahoaka, tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Asa iandraiketan’ny birao ny fandraisana ny antson’ireo olona mila fanampiana amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana.  Mety ho laharana maitso io na laharana tsotra. « Hapetraka ny olona maromaro natokana hanao an’io asa io fotsiny eto amin’ny minisitera. Raha misy olona hanao pasipaoro, ohatra, dia hatoro azy ny taratasy rehetra ilaina amin’izany sy ny toerana ary ny birao tokony hidirany. Afaka mamerina miantso izy raha tojo olana », hoy ihany ny tale jeneraly mpisolo toerana. Azo anontaniana ao amin’ny Ivotoro avokoa ny fomba fikarakarana an’ireo karazana taratasim-panjakana, na fikarakarana tany io na fikasana hanangana haino aman-jery. Fantatra fa hiarahana miasa akaiky amin’ireo sampandraharaham-panjakana samihafa ny fametrahana ny birao mba tena hanamorana ny fivezivezen’ireo olompirenena manao taratasy, sady hiantohana amin’ny fanafoanana ny kolikoly. L’article Raharaham-bahoaka :: Hanamora ny fikarakarana taratasim-panjakana ny Ivotoro est apparu en premier sur AoRaha.

Fisorohana ny valanaretina: nisintaka tany ambanivohitra ny ankizy
24/09/2020

“Noho ny faharefoan’ny ankizy raisina an-tanana ao amin’ny akany, nisintaka mihitsy tany ambanivohitra ny zaza sy ny mpikarakara nandritra ny fihibohana hisorohana ny fahazoan’izy ireo ny tsimokaretina”, hoy ny mpitantana ny akany fandraisana. Nikatona tanteraka ny akany eny Mahamasina. Antso amin’ny finday fizarana vaovao sy fandefasana vola amin’ny finday ny tantsoroka natao ireo ray aman-dreny rehetra tohanan’ny ONG.Nisy nanala fanadinana CEPE ny ankizy tohanana ary afaka soa aman-tsara avokoa fa roa kosa no niala an-daharana noho ny fahasahiranana tao anatin’ny fihibohana. “Zavatra mampalahelo izany nefa izahay koa, niala teto amin’ny akany ka sarotra ny faharaha-maso ny ankizy », hoy ny fanazavany ihany. Ankehitriny, efa miverina tsikelikely amin’ny fiainany ny akany sy ireo asa rehetra nataon’ny ONG ho tantsoroka amin’ny fianakaviana. Hatramin’ny taona 1988 niorenan’ny akany, 180 mahery ny ankizy nobeazina sy noraisina an-tanana tao. Nivoatra tsikelikely ny toeram-pandraisana izay niandoha tamin’ny zaza roa voan’ny aretina raboka ka nalain’ny mpanorina notsaboina tao an-tokantranony. Avy amin’ny fianakaviana sahirana monina eny amin’ny faritra iva: Andavamamba, Anatihazo, Itaosy, Ambatomaro … ireo ankizy beazina ao. Betsaka ny antso azo nandritra ny fihibohana fa noho ny antony ara-pahasalamana, tsy afa-nanoatra ny mpitantana. Vonjy    L’article Fisorohana ny valanaretina: nisintaka tany ambanivohitra ny ankizy a été récupéré chez Newsmada.

Ady amin’ny covid-19: manomboka mivaha ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana
17/09/2020

Tsikaritra eny anivon’ny fiarahamonina fa mihagoragora ny fanarahana ny fepetra ara-pahasalamana. Tsy ny tahotra ny aretina intsony no anaovan’ny olona arotava fa tahotra ny mpitandro filaminana.Eny an-dalambe, efa misy mahasahy tsy manao arotava intsony. Vao mivadika any anelakela-trano dia efa esorina ny takom-bava. Tsy misy manao fiarovana izany amin’ireo toerana tsy fandehanan’ny mpitandro filaminana.Tsy voahaja intsony koa ny elanelana na amin’ny fisisihana taxi-be, amin’ny hariva, na eny an-tsena na eny an-dalana. Miverina amin’ny teo aloha ny fiainan’ny mponina etoAntananarivo ary vitsy ireo tena manaja ny fepetra ara-pahasalamana.Ho an’ireo taxi-be, tsy misy mampiasa « gel désinfectant » hozaraina amin’ny mpandeha intsony. Tsy ampiasaina, araka ny tokony ho izy, ny arotava ho an’ny mpamily sy ny mpanampy azy. « Mafana ny andro ka mahatsiaro ho voahelingelina izahay », hoy izy ireo. Ny mpandeha taxi-be betsaka ireo manala arotava rehefa tafapetraka mahazo toerana ao anaty fiara ary tsy misy mifampiteny.Any an-tsekoly, ho an’ireo efa niditra nianatra kosa, misy ireo manaja tsara ny fepetra fiarovana amin’ny fakana sy fanaterana mpianatra. Toraka izany ny biraom-panjakana sy ny orinasa izay mbola sarotiny amin’ny fanasana tanana mialoha ny hidirana ao an-toerana sy fanaovana arovava. Eo koa ny fiangonana izay fatra-panaja ny fepetra rehetra mba hahalavorary ny fahasalaman’ny kristianina.Tatiana AL’article Ady amin’ny covid-19: manomboka mivaha ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana a été récupéré chez Newsmada.

Iray lavon’ny covid-19 68 ireo tranga vaovao
17/09/2020

Niakatra tampoka indray. Miisa 68 ireo olona vaovao mitondra ny tsimokaretina, tamin’ny fitiliana miisa 453. Avy eto Analamanga ny 26 amin’izany raha avy any Vatovavy Fitovinany ny 13 ary 15 avy any Diana. Efatra avy ny any Vakinankaratra sy Sava raha telo ny any Atsimo Andrefana. Iray avy kosa ny any Itasy sy Alaotra Mangoro ary any Matsiatra Ambony.Niampy iray indray ny lavo ary avy eto Analamanga. Tafakatra 215 izany izao ireo namoy ny ainy noho ity valanaretina ity hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty. Misoko mangina hatrany, iray isan’andro ireo nodimandry izany.Etsy an-daniny, nihena dimy ireo marary anaty fahasarotana ka 25 izany izao ireo “forme grave”. Na izany aza, miisa 30 ireo sitrana ka avy any Sava ny 10 amin’izany. Tafakatra14 482 ny isan’ny marary sitrana tamin’ireo 15 871 mitondra ny covid-19. Miisa 1 172 kosa ireo mbola manaraka fitsaboana.Synèse R. L’article Iray lavon’ny covid-19 68 ireo tranga vaovao a été récupéré chez Newsmada.