Tontolon’ny Hip Hop – Samaritan: “Tsy natao hitadiavam-bola fa fanabeazana ny Rap”

News - Tontolon’ny Hip Hop – Samaritan: “Tsy natao hitadiavam-bola fa fanabeazana ny Rap”

News - Tontolon’ny Hip Hop – Samaritan: “Tsy natao hitadiavam-bola fa fanabeazana ny Rap”

Eo am-piketrehana ny rakitsary
“Fankasitrahana”, vokatra faharoa ao aorian’ny “Antsirabe 113″,
nivoaka ny taona 2016 i Samaritan. 15 taona niseharana teo amin’ny
tontolon’ny mozika Rap ny lehilahy. Anisan’ny  manavanana an’i
Samaritan ny fampivadiana ny Rap amin’ny kanto malagasy ka namoaka
ny “Rap semi- acoustique”, mampiasa gitara sy valiha, sns.”
Rehefa hanao ihany, aleo manao zavatra tena mipetraka tsara
(tonony, feony, fandrindrana) mba ho voninahitry ny tenanao aloha
ka hametraka izany amin’ny maha ianao anao… Tsy ilaina ny
manivaiva ny ataon’ny hafa fa matokisa ny zavatra ataonao.
Tsy hitadiavako vola na laza ny Rap fa fanabeazana ny
fiarahamonina “, hoy i Samaritan.

Ahitana rindrantsary (clip) valo eo
ho eo ilay raikitsary kasainy havoaka. « Mbola eo
am-panamasahana ny nahandro tanteraka isika amin’izao ka ho hita eo
ihany ny tohiny. Nosafidina manokana ny lohaten’ito rakitsary ito
ka natao hoe “Fankasitrahana”, satria ahitana karazana
fanomezam-boninahitra ny rehetra. Fankasitrahana ny Avo, fisaorana
mitafotafo ho an’ireo loharano nipoirana ary toraka voninkazo ho
an’ny mpankafy sy  ” mpiondana” Rap eto Madagasikara”, hoy
hatrany i Samaritan.

Efa maro ny sehatra nandraisany
anjara sy nanehoana ny maha izy azy teo amin’ity tontolo ity.
Anisan’ireny ny “Rap fiesta”, tao amin’ny Alliance française
Antsirabe, ny taona 2007. Ny “Fetin’ny mozika” tany Mahajanga ny
taona 2017, sns. Manana eritreritra ny handeha lavitra eo amin’ny
mozika i Samaritan. Iray amin’izany ny haneho ny talentany ivelan’i
Madagasikara.

« Tsy maty ny Rap, fa miankina amin’ny mpanao azy ihany io.
Raha mbola misy aho tsy ho faty ny zavatra ataoko. Ny zavakanto
rahateo tsy ho faty izany fa eo foana… », hoy i Samaritan.

Narilala

Article tiré de Newsmada

L’article Tontolon’ny Hip Hop – Samaritan: “Tsy natao hitadiavam-bola fa fanabeazana ny Rap” a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Jery taratra… herinandro

Mbola misy ny tsy mampilamina…  Hatramin’ny fotoana farany, tsy nisy na nandrasana aza ny famoahan’ny fitondram-panjakana didy fihaikana mpifidy handatsa-bato amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana mpanolotsain’ny Tanàna. Nokasain’ny Ceni hatao amin’ny 28 oktobra ho avy izao izany, araka ny tetiandrom-pifidianana natolony ny governemanta.Mbola hisy ny fanamboarana ireo vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana toy ny fanasokajiana ny kaominina, ohatra, ny amin’ny fahefana omena azy… Noho izany, mbola mitohy hatrany aloha ny fe-potoam-piasan’ireo ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna, raha tokony hifarana amin’ny septambra izany.Araka izay, tsy mbola fantatra izay tena hanatanterahana ny fifidianana eny anivon’ny kaominina. Manoloana izany, nampiaka-peo ny firaisamonina sivily sasany. Na tsy ho amin’ny 28 oktobra aza ny fifidianana, azo hatao tsara amin’ity taona ity. Mila hajaina ny lalàna amin’ny maha tany demokratika an’i Madagasikara.Nisy ny fivoriana atrikasan’ny Tafika malagasy namaritana paikady mandritra ny enim-bolana manaraka amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana. Hafatry ny praiminisitra tamin’izany ny fijerena ny fari-dranomasin’i Madagasikara: fiarovana ny harena an-dranomasina, tsy ho fidiran’ny zava-mahadomelina…Amin’izany, mbola tsy mahafa-bela ny asan-jiolahy etsy sy eroa. Raha nangingina ny fakana an-keriny an-tanàn-dehibe, nisy tany Amparafaravola, ohatra. Soa ihany, votsotra ilay zazavavy 12 taona, saingy nandoavam-bola. Nisy fanafihan-jiolahy naharatrana mpitandro filaminana sy ben’ny Tanàna tany Befandriana Avaratra.Tsy mampandry fahalemana ny sain’ny ray aman-dreny kosa ny fahalavan’ny taom-pianarana dodoria be amin’izao. Iray volana no mba fotoam-pialan-tsasatra, manoloana ny fanapahan-kevitry ny fanjakana fa averina amin’ny teo aloha ny taom-pianarana. Mbola be ny tsy mampilamina? Indrindra ho an’ny vahoaka ifotony…R.Nd.  L’article Jery taratra… herinandro a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tetikasa Sahofika: hanamboatra tohodrano hamokarana angovo

Hatomboka ny volana avrily 2020 ny fanamboarana ilay tohodrano lehibe ho an’ny famatsiana angovo avy amin’ny renirano Onive, faritra Vakinankaratra. Miandraikitra izany ny Tetikasa Sahofika. Haharitra efa-taona ny fanamboarana tohodrano ao amin’ny renirano Onive, hamokarana angovo 200 Mw, tetikasa efa novolavolaina ny taona 2016. Mialoha izany, tsy maintsy misy ny fanamboaran-dalana avy eo Antanifotsy, Belanitra, hatrany Faravohitra, anatin’ny distrikan’Anosibe An’ala, faritra Alaotra Mangoro. Any amin’io tanàna Faravohitra io no hananganana orinasa mamokatra herinaratra hamatsiana ny tontolo ambanivohitra.Fanamboaran-dalana aloha tsy maintsy hatao voalohany amin’ity tetikasa ity, jerena manaraka izay ny mahakasika ireo mponina manodidina ny faritra hanorenana ny tohodrano. Tsy maintsy hesorina amin’ny misy azy ankehitriny ireo olona ireo, ary hiantohana izy ireo amin’ny fananany sy ny fivelomany ka ny Tetikasa Sahofika no handray izany an-tanana.Momba izay famatsiana herinaratra any ambanivohitra izay ihany, manana ny fandaharam-potoany koa ny Ader (Agence de développement de l’électrification rurale), amin’ny fampiasana angovo azo avaozina. Amin’ity taona 2019 ity, fanamboarana tohodrano mamokatra herinaratra any Ambohimasoa sy Bealanana; hisy ihany koa ny famokarana angovo avy amin’ny masoandro any amin’ny faritra Diana sy Atsimo Andrefana.11 % amin’izao fotoana izao ny mahazo famatsiana herinaratra any ambanivohitra, raha 6 % tamin’ny taona 2015. Kendrena ny hampitombo izany hanatsarana ny fihariana any ambanivohitra. Tsy tokony sarahina amin’izany tetikasa izany koa anefa ny fanamboaran-dalana. R.MathieuL’article Tetikasa Sahofika: hanamboatra tohodrano hamokarana angovo a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Tsy ampy taona

Niaraka voasambotry ny mpitandro filaminana, teny Tsiadana, tamin’ny faran’ny herinandro teo, ny ankizilahy roa 16 taona avy sy tovolahy iray 22 taona. Voatondro ho nanendaka mpandeha an-tongotra teny amin’iny faritra iny ireto farany. Notazonina eny Anjanamasina ireo tsy ampy taona. Nalefa eny amin’ny fonjan’Antanimora kosa ilay tovolahy. L’article Tsy ampy taona est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Andron’ny asa izao, fa efa lasa ny lasa…   

Mby aiza ny raharaham-pirenena amin’izao? Manohy ny asany ny governemanta hoe vaovao. Mifanindran-dalana amin’izany, tafajoro ny Antenimierampirenena vaovao. Tsy vitan’izay, voatendry ny tale jeneraly vaovao hitantana ny Bianco. Inona na ahoana koa?Omanina fatratra ny fandraisana ny fitsidihan’ny papa François amin’ny volana septambra. Aoriana kelin’izay, eo ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna, na mbola mampanontany tena aza ny hoe: ho voatana sa tsia ny andron’ny 28 oktobra?Mbola misy ve ny fisarahan-kevitra? Eny, na mbola tsy mazava be ihany aza, ohatra, ny amin’izay hoe ho lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimierampirenena.Tsy mazava ny lalàna sy izay ampiharana azy? Na mifanohitra an-toerana ny samy mpanohitra…Tsy efa mba niombona sy nampiombonin’ny ekipam-pirenena amin’ny baolina kitra, tamin’ny dingana lehibe vitany, ve ny samy Malagasy tsivakivolo? Na toy inona, ohatra, toerana misy ny tsirairay, na manao ahoana tsy fitovin-kevitra sy fijery…Izany rehetra izany, mila fijery sy ainga vaovao amin’izao? Be ny azo atao sy mety ho vita, ao ny tsy maintsy atrehina, misy ny maika… Efa natomboka, ohatra, ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana… Ahoana ny tohiny sy ny sehatra hafa?Miandrandra fiovana ny vahoaka ifotony, araka ny fanamby sy ny fampanantenana rahateo. Fihatsaram-piainana mivaingana amin’izay ahay. Tsy lavina, arakaraka ny ataon’ny tsirairay no mahasoa na maharatsy ny fiainan’ny tena. Eo koa ny fiaretana sy ny faharetana.Na izany aza, tsy efa mba hisy zavatra hita soritra ve amin’izao? Tsy inona fa ny finoana sy ny fanantenana fa tena mandeha sy atao tokoa ny raharaha: tsy misy intsony, sanatria, ny kitsapatsapa, ny endri-javatra ivelany, ny mbola fifandresen-dahatra indray…Andron’ny asa izao, firosoana amin’izay atao. Izay tena miasa sy be asa, tsy misy fotoana holanina amin-javatra hafa. Efa lasa ny lasa fa ny ankehitriny no atrehina hahitana ny hoavy… ho hafa sy ho tsaratsara kokoa. Mby aiza amin’ity raharaham-pirenena?Rafaly Nd.  L’article Andron’ny asa izao, fa efa lasa ny lasa…    a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanabeazana sy Bianco: hatao taranja any an-tsekoly ny ady amin’ny kolikoly

Notanterahina tetsy Antaninarenina ny atrikasa fankatoavana ny fametrahana ny amin’ny kolikoly ao anatin’ny fandaharam-pianarana. Tanjona ny hametraka ny ady amin’ny kolikoly ho taranja mihitsy hatao any an-tsekoly.Amin’io taom-pianarana vaovao 2019-2020 io, efa hisy ny kilasy sasantsasany amin’ny EPP sy ny CEG ary ny lycée hianatra izany taranja izany. Hatomboka tsikelikely io fampidirana ny ady amin’ny kolikoly ho taranja io fa hahenika ny kilasy rehetra kosa any aoriana.Tanjona iarahan’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) sy ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ny hanana taraka lavitry ny kolikoly. Fantatra fa zava-dehibe ao anatin’izany ny fanabeazana, ny fisorohana ary ny fampiharan-dalana.Mila atomboka any amin’ny fanabeazana ny ankizy, araka izany, ny ady amin’ny kolikoly haha olom-banona azy sy hibeazana ny fisainany dieny mbola kely ho lavitr’izany kolikoly izany. Ampiarahina amin’ny fanabeazana momba ny fanajana ny soatoavina, toy ny fihavanana, izany hahamora raisina ny fampitana ny hafatra.Mbola hisy ny drafitrasa mazava hapetraka amin’ny fampiharana ity taranja ity any an-tsekoly. Hisy ny fiofanana omena ny mpampianatra ary indrindra, ny karazana tahirin-kevitra ilain’ny mpampianatra hanamorana ny fampitana ny hafatra mitovy lenta amin’ireo mpianatra.Efa betsaka ny fakan-kevitra natao mahakasika ity ady amin’ny kolikoly any am-pianarana ampidirina anaty fandaharam-pianarana ity. Efa nisy ny fandravonana izany fakan-kevitra izany ka izao faranana amin’ny fankatoavana azy izao ho azo ampiharina amin’izay.Tatiana AL’article Fanabeazana sy Bianco: hatao taranja any an-tsekoly ny ady amin’ny kolikoly a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Noho ny tetikasa Tafita: nitombo ny fahaizan’ny mpianatra, nahomby ny fitantanana ny sekoly

Sekoly iray anisan’ny nanaporofo ny fahombiazan’ny tetikasa Tafita ny EPP Ambohinambo Talatamaty. Nohazavain’ny talen’ity sekoly ity fa niakatra ny taham-pahaizan’ny ankizy (T2 hatramin’ny T5) kajy sy vakiteny, rehefa nampiharin’ny mpampianatra azy ireo ny paikady vaovao. Tsy inona izany fa ny fanazavana amin’ny alalan’ny fitaovana mora hitan’ny ankizy, nandritra ny ora fanampiny, izany hoe, ankoatra ny tapany maraina efa voarafitry ny fandaharam-pianarana ofisialy.Nanomboka ny volana mey hatramin’iny volana jolay iny, manomboka amin’ny 2 ora hatramin’ny 5 ora ary intelo isan-kerinandro, izany ora fanampiny izany. Ankoatra ny fampiasana fitaovana tsotra sy mora hita, tsy mijanona eo ambony dabilio sy miatrika solaitrabe ny mpianatra fa atao toy ny lalao, miala amin’ny mahazatra, ny fampitana ny fahalalana.Tetsy ankilan’izay, vokatry ny tetikasa Tafita hatrany, mazava sy mahomby kokoa ny fitantanana ny sekoly. Tsiahivina fa, nanomboka ny taom-pianarana 2016-2017, ny fiaraha-miombon’ezaka ho fanatsarana ny fanabeazana ifotony (Feffi) ny rafitra mitantana ny sekoly (EPP). Demokratika kokoa ity rafitra ity, ahitana « assemblée générale » ka voafidy ny filohany, ny birao maharitra (ahitana mpitambola sy mpanolotsaina) ary ny rafitra mpanara-maso.Rafetina, mandritra ny fivorian’io « assemblée générale » io, amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana, ireo asa hotanterahina ao amin’ny sekoly. Ho an’ny EPP Ambohinambo, io no nandany ny tokony hanatanterahana ora fanampiny amin’ny fampianarana ka nahazoana izao vokatra tsara izao.Teo amin’ny fitantanana ny sekoly, mazava sy ampahafantarina ampahibemaso (eo anatrehan’ny ray aman-dreny), toy ny natao omaly teny amin’ny EPP Ambohinambo, ny zava-bita sy ny fandaniam-bola tamin’izany, hatramin’ny mahakasika ny fampandehanan-draharaha ao amin’ny sekoly.Nitondra tohana betsaka ny governemanta japoneyTanjon’ny tetikasa Tafita ny hampitombo ny isan’ny zaza miditra an-tsekoly sy ny famitan’izy ireo hatramin’ny farany ny fianarana, ny hanatsara ny kalitaon’ny fianarana sy ny fitantanana ny sekoly. Manohana teknika ity tetikasa ity ny governemanta japoney, amin’ny alalan’ny antokon-draharaha iraisam-pirenena misahana ny fiaraha-miasa japoney (Jica).Misitraka ny tetikasa ny faritra Analamanga sy Amoron’i Mania. Mizara roa ny fanohanan’ny Jica ka voalohany ny fanampiana ny fametrahana ny Feffi, efa tafapetraka amin’ny 99%-n’ny sekoly eto Analamanga ary 100% kosa ny any Amoron’i Mania. Nanampy tamin’ny fanofanana ireo rantsamangaikan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ihany koa ny Japoney.Nanomboka tamin’ireo tale isan-tsokajiny eo anivon’ny minisitera ka hatramin’ny mpampianatra. Niompana tamin’ny fitantanana ny fiofanana. Nisy koa ny paikady fampianarana, mahakasika ny famakiana teny malagasy sy ny kajy. Ho tapitra amin’ny volana mey 2020 ny tetikasa Tafita ka anjaran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny manohy ireo voka-tsoa avy amin’izany.Landy R. L’article Noho ny tetikasa Tafita: nitombo ny fahaizan’ny mpianatra, nahomby ny fitantanana ny sekoly a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - Ao Raha

KITRA AFRIKANINA :: Voatery hizara roa ireo mpijery baolina eto Antananarivo

Samy miziriziry amin’ny heviny ireo mpitantana ny klioban’ny Cnaps Sport sy ny Elgeco Plus amin’ny daty hanaovana ny lalao mandroso handraisan’izy ireo anjara amin’ny fifaninanana kaontinantaly, taranja baolina kitra. Hatramin’ny omaly dia tsy mbola nisy ny marimaritra iraisana ho an’ireo klioba roa ireo, ka voatery hizara roa ny mpijery baolina eto Antana­narivo amin’ny alarobia 28 novambra ho avy izao. Hampiantrano ny FC Platinium avy any Zimbaboe eny amin’ny kianjan’i Vontovorona ny Cnaps Sport, amin’ny lalao savaranonandon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika na ny “Caf Champions League”, raha eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina kosa no handray ny Deportivo Unidad avy any Guinée Equatoriale ny ekipan’ny Elgeco Plus amin’ ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona afrikanina na ny “Coupe de la CAF”. L’article KITRA AFRIKANINA :: Voatery hizara roa ireo mpijery baolina eto Antananarivo est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

20 isan-kerinandro ny fitarainana: mirongatra ny halatra moto  ao Toamasina  

 Mahazo vahana ny fandrobana olona mitondra moto, marika “Cygnus” ao Toamasina, araka ny fanadihadiana natao teny anivon’ny polisim-pirenena. Mahatratra hatramin’ny 20 isan-kerinandro ny olona mametraka fitarainana momba ny fahaverezana moto “Signus”.Isan’izany ilay patiraona omby tao Analankininina Hopitalibe Toamasina. Ny 10 isan-jaton’ny fahaverezana moto ihany no marika Jop Pro sy Jog 100. Ny 27 aogositra lasa teo, nisehoana fandrobana tao Bazarikely Toamasina ka lasibatra tamin’izany ny mpivady nitondra moto “Signus” mena.  Notafihin’ny andian-jiolahy miisa efatra nitondra moto sy basy poleta izy ireo. Nianjera niaraka tamin’ny moto izy vady ka tamin’izany no nanararaotan’ireo jiolahy nanambanana basy azy ireo sy nakany ny poketra nisy vola 250 000Ar ary antontan-taratasy isan-karazany. Tsy nahazo ilay moto kosa anefa ry zalahy satria efa vory lanona ny fokonolona. Nametraka fitoriana teny amin’ny biraon’ny polisin’ny boriborintany voalohany ao Tanambao I ireo niharam-boina ka taorian’izay, nisy nahatsikaritra ilay moto “cygnus” fa nihaodihaody teny amin’ny manodidina ny Bazarikely sy ireo tranombarotra lehibe.Nahitana basy poleta iray tao anaty moton’i Rudi…Nampandre ny polisy avy hatrany ny tompony ka niroso tamin’ny fidinana an-tsehatra, notarihin’ny kaomisera Rakotovao Jean Christian. Napetraka ny vela-pandrika rehetra mba hahafahana misambotra ireo jiolahy nitondra ilay moto. Nahitam-bokany izany satria tratra ilay jiolahy, dia i Rudi Wasselin, 27taona, nitondra moto “Signus”. Niaiky izy fa nangalatra ilay moto niaraka tamin’ny namany iray antsoina hoe Olivier, 25 taona, izay mbola karohin’ny polisy. Ny talata maraina teo, natao sarika am-pandriana tao Mahasoa Toamasina II i Olivier. Mbola nahitana moto halatra roa tao an-tranony nandritra ny fisavana nataon’ny polisy. Hita tao anatin’ilay moto “Signus” nentin’i Rudi kosa ny basy poleta tena izy, saingy efa nofafana ny marika mba tsy hahafantarana ny toerana niavian’ilay basy, araka ny fanazavana nomen’ny kaomisera Rakotovao Jean Christian, hatrany.Sajo sy Jean ClaudeL’article 20 isan-kerinandro ny fitarainana: mirongatra ny halatra moto  ao Toamasina   a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fivezivezena an-dranomasina :: Narahi-maso ny sambo indiana iray tany Masoala

Sambo lehibe iray mitondra ny anarana MV MOREAL no hita tany amin’ny morontsiraka Ratrianavona-Vinanivao, any Antalaha, tamin’ny alahady lasa teo. Nanaitra ireo mpitandro filaminana sy manampahefana tany an-toerana ny fahitana io sambo io satria noahiana ho manao trafikana andramena. « Tsy misy mipika ireo tahirina andramena nogiazana hatramin’izay any amin’ny morontsiraka. Sendra mandalo ny morontsiraka ilay sambo hita fa tsy misy hidiran’ny fitrandrahana harem-pirenena », hoy ny loharanom-baovao iray avy amin’ny mpitandro filaminana any an-toerana. « Voaporofo tamin’ny fitaovana manara-penitra antsoina hoe « Automatic verification System » tany amin’ny Foibe fanaraha-maso ny fari-dranomasina na CFIM ny mombamomba io sambo io sy ny fihetsiny. Mizotra mianatsimo ilay sambo fa tsy mijanona », hoy hatrany ny loharanom-baovao. L’article Fivezivezena an-dranomasina :: Narahi-maso ny sambo indiana iray tany Masoala est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

FAHATRARANA ZAVA-MAHADOMELINA :: Mpamily taksiborosy naiditra am-ponja noho ny fitondrana rongony

Natolotra ny Fampanoavana, omaly, ny lehilahy iray mpamily taksiborosy nahatrarana rongony teny amin’ny 67Ha, afak’omaly. Naterina teny amin’ny fonjaben’Antanimora izy, vantany vao nivoaka ny didin’ny mpitsara. Nambarany tamin’ny fakàna am-bavany azy, araka ny voalazan’ny mpanao famotorana, fa avy any Ihosy ireo rongony milanja enina amby dimampolo kilao ireo no nampitondraina azy haterina eto an-drenivohitra. Valo alina ariary no nitondrany ny iray gony. Notadiavina saingy efa tafatsoaka ny olona voatondro ho tompon’izany. Niainga tamin’ny fahenoana fisiana taksiborosy mitondra rongony ny fahasaronan’ny pôlisy an’ireo zava-mahadomelina marobe ireo. Nohamarinina ny vaovao. Natao ny vela-pandrika rehetra, tamin’ny talata maraina. Nosavain’ny mpitandroilaminana ny fiara iray marika « Mercedes Sprinter » nijanona teny amin’ny 67Ha. Hita tao ambany seza ny gony efatra feno rongony. Noentina avy hatrany natao famotorana ny mpamily nitondra ny fiara. Naverimberin’ity mpamily voarohirohy fa vao sambany izao nitondrany zava-mahadomelina tamin’ny fiarany izao. L’article FAHATRARANA ZAVA-MAHADOMELINA :: Mpamily taksiborosy naiditra am-ponja noho ny fitondrana rongony est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Mila miova ny tena hisian’ny fiovana
19/09/2020

Hifarana ny fahamehana ara-pahasalamana, afa-tsy amin’ny faritra vitsivitsy sisa hoe foiben’ny valanaretina Covid-19? Arahaba soa, arahaba tsara. Sarotra sy mafy izay enim-bolana izay. Ankoatra ireo namoy ny ainy, nisy ny nafoy noho ny fihanaky ny valanaretina: ny asa aman-draharaha, ohatra, ny trano fonenana tsy voaloa ny hofany, ny fananana namidy noho ny tsy fisiana… Ahoana no hiarenana? Samy miatrika ny adiny ny tsirairay, ankoatra ny fahazoana karazana fanampiana mbola ady hafa ho an’izay manantena izany fa tsy misitraka inona. Ny miharihary sy tsy azo lavina amin’izao, mihamiverina avokoa ny gaboraraka etsy sy eroa. Samy maika amin’ny fitadiavana ka be ny tsy mahatsiaro tena amin’izay ataony? Ny mety sy ny tsy mety, ny tsara sy ny ratsy, ny mahasoa sy ny manimba… Toy inona ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fifamoivoiza­na, ny fivarotana amoron-dalàna, ny fanajana ny fahadiovana amin’ny fananana iombonana… ? Saika mandeha ho azy raha vao tsy misy fanaraha-maso, fampitandremana, fanitsiana, fanasaziana. Izany, ohatra, ny fanokon-kanina eny amoron’ arabe, ny fanariana fako sy ranondolana amin’iza­ny… Misy aza izay manao izany no voretra, misaritaka, maimbo. Ahoana no hiarenana sy handrosoana amin’izany? Tsy vita ny mandamina sy manadio, na ny tena aza. Tsy mety handeha ho azy na ho kolontsaina ny fanajana lalàna? Mbola tahotra fanasaziana ny antony fa tsy izay mahasoa sy mampandroso. Eny, na izay hoe filaminana sy fahadiovana ihany aza. Hahagaga ve raha miverina avokoa izao fahalotoana sy fisaritahana izao taorian’ny fihibohana… tsy nitondra inona? Hiandry fanovana inona na fiovana iza vao hiova ny tena amin’izay mahazatra efa hita izao fa tsy tsara, tsy mahasoa, tsy mampandroso… ? Soa ihany, tsy ny rehetra. “Atombohy amin’ny fiovana eo aminao izay tianao hiova amin’ny manodidina anao”, hoy ny filoha indianina izay, i Gandhi. Fandinihan-tena izao fialana amin’ny fihibohana izao: resy ny aretina? Fa tsy afaka ny fahazaran-dratsy teo aloha. Hatao ahoana?Rafaly Nd.L’article Mila miova ny tena hisian’ny fiovana a été récupéré chez Newsmada.

Tetikasa Atrika: tohana ho an’ny mpandraharaha madinika
24/09/2020

Natao, omaly tetsy Tsaralalana, trano fiasan’ny Madagascar Entreprise Développement (MED), ny fanolorana ny tohana ara-bola ho an’ireo mpandraharaha madinika 100 voafantina tamin’ny tetikasa “Atrika” nokarakarain’ny vondrona MED. 50 000 000 Ar izany tohana izany izay natao indrindra hanohanana ireo mpandraharaha madinika mpikambana ao amin’ny MED, noho ny fahavoazana vokatry ny valanaretina Covid-19. Efa nahazo fiofanana tao amin’ny MED izy ireo. 1 900 ireo nametraka antontan-taratasy tamin’ity tetikasa ity fa ireo 100 ireo no voafantina taorian’ny sivana natao ny 7 sy ny 8 septambra teo. Nisy ny masontsivana napetraka natao laharam-pahamehana tamin’ireo mpifaninana: vehivavy mpikambana ao amin’ny vondrona, olona manana fahasembanana ary mivelona amin’ny sehatrasa tena manakaiky vahoaka.Marihina fa ny IECD (Institut européen de coopération et de développement) no mpamatsy vola tamin’izao tetikasa “Atrika” izao. Miasa amina firenena 15 izy io ka anisany i Madagasikara izay sahanin’ny MED. Mpikambana efa anjatony, amin’izao fotoana izao, ny avondron’ny MED izay efa nanaraka fiofanana tao aminy amina sehatrasa fito, toy ny sehatry ny fiompiana sy ny fambolena, ny asa tanana, ny varotra, ny indostria, ny fizahantany…Andry F.L’article Tetikasa Atrika: tohana ho an’ny mpandraharaha madinika a été récupéré chez Newsmada.

Kitra: miaiky ny fisian’ny disadisa eo aminy sy ny FMF i Dupuis
24/09/2020

Izay vao tena fantatra fa misy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar. Ankoatra izay, tsy manantena vokatra loatra amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ny tenany.Novakin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar, ampahibemaso tao amin’ny tambanjotran-tserasera fa misy ny tsy fifankahazoana eo aminy sy ny mpikambana sasany ao amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Notsindriny mihitsy fa olona telo ihany amin’ireo folo mandrafitra ny mpikambana eo anivon’ny komity mpantanteraka no tena tsy mitovy fomba fijery aminy, amin’izany.Raha tsiahivina, tsy vao izao akory no nisy ity tsy fifankahazoana eo amin’i Nicolas Dupuis ity sy ny federasiona malagasin’ny baolina kitra fa efa hatry ny ela. Anisan’ny nampifanolana azy voalohany ny resaka vola azon’ny Barea, tamin’ny “Can 2019”. Teo ihany koa ny resaka fanamiana hanaovan’ny ekipam-pirenena Malagasy. Ary ny farany teo, ny lalao firahalahiana, hanomanana ny fihaonana amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Can 2022”. Misisika mafy ny hanaovana fihaonana firahalahiana amin’ny Swift Hesperange, ekipa D1 any Luxembourg, mantsy ingahy mpanazatra raha tsy manaiky izany kosa ireo mpikambana sasany ao amin’ny federasiona.Vokany, nilefitra ihany i Nicolas Dupuis ka nanaiky fa ny Etalons-n’i Borkina Faso no hihaonana amin’izay fanomanantena izay. Tsy nijanona teo ny olana fa vao mainka nampisy disadisa indray ny famoahana ny lisitr’ireo mpilalao mandrafitra ny Barea. Ny tale teknika nasionaly sy ireo mpikambana eo anivon’ny FMF mantsy no nampahafantatra izany tamin’ny mpanao gazety fa tsy i Nicolas Dupuis. Ankoatra izay, tsy manantena fandresena amin’ny Elefantan’i Cote d’Ivoire i Nicolas Dupuis fa miantehitra amin’ny lalao hikatrohana amin’i Etiopia ny hamaritana ny ho lalan’ny Barea.Mikasika ny lalao firahalahiana, eo am-panaovana fangatahana amin’i Maraoka ny federasiona ankehitriny amin’ny hamindrana ny fihaonana eo amin’ny Barea sy ny Etalons. Efa nofoanana ilay any Portugal noho ny fiakaran’ny tahan’ny valanaretina Covid-19. TompondakaL’article Kitra: miaiky ny fisian’ny disadisa eo aminy sy ny FMF i Dupuis a été récupéré chez Newsmada.

Adihevitra… mampandroso      
21/09/2020

          Mafanafana ny tontolo politika amin’izao? Tsy inona fa ny adihevitra ny amin’ny maha ara-dalàna na tsia ny fanatanterahana ny fifidianana loholona, amin’ny 11 desambra ho avy izao. Amin’izany, samy manana ny filazany, ohatra, na ny mpanao politika, na ny avy amin’ny firaisamonina sivily; eny, na ny samy mpahay lalàna aza.Mahavalalanina sy mahafanina ny olom-pirenena tsotra mpanara-maso ny raharaham-pirenena; tsy mpanara-maso fotsiny aza, fa mpandray anjara amin’izany: inona ny marina? Na ny ara-dalàna, ny tsy azo ialana, ny tokony hatao… Lalàna iray izao, ohatra, no hoe lazaina, nefa samy manana ny filazany be ihany itsy sy iroa.Arakaraka ny toerana misy ny tsirairay ny fanazavana? Na fanamaizinana sy fanakorontanana… Tsy mbola milamina tsinona ny adihevitra. Tafiditry ny politika na avadiky ny sasany ho izany ho azy ny raharaha ka tsy hita intsony izay marina hoe tena araka ny lalàna velona. Soa ihany, misy ny rafitra tompon’ny teny farany ny amin’izany.Na eo aza izany, ny tsy azo lavina sy tsy takona afenina: mibahan-toerana loatra ny politika amin’izay atao sy ny mitranga rehetra: paipaika sy kajikajy amin’izay misy ny tena. Arakaraka izay tadiavina sy arovana amin’izany no andikana ny lalàna? Hany ka na izay heverina ho tena marina izao aza, avadiky ny sasany ho politika hatrany.Rahoviana vao tena handeha ho azy amin’ny raharaham-pirenena ny tena fanajana sy fampiharana lalàna? Tokony handeha ho azy ho an’ny rehetra izay, hahasaro-piaro azy amin’izay mitranga sy atao rehetra: tsy vonjivonjena, tsy ifandroritana, tsy ifampiandrasana kendry tohina, tsy atao amin’izay mahametimety ny tena.Anisan’ny fototra sy fositra koa ny tsy fahazarana mijery lavitra amin’izay atao. Hany ka mampiady an-toerana zary fanakorontanana izay mety ho fanehoan-kevitra am-poto-moty, na adihevitra, na fanitsiana… Tena jerena amin-kitsim-po ve izay hahasoa ny firenena ho amin’ny fampandrosoana, na tsy mitovy aza ny fijery?Rafaly Nd.  L’article Adihevitra… mampandroso       a été récupéré chez Newsmada.

DGSR: hanomboka ny fisavana ireo laharana WW
17/09/2020

Hisy ny hetsika manokana ataon’ny foibe fitsarana fiarakodia (DGSR) miaraka amin’ny mpitandro filaminana, ny alatsinainy 21 septambra 2020 ho avy izao mahakasika ny fanaraha-maso ny fampanarahan-dalàna ireo mampiasa ny laharana “WW…” sy ny laharana vahiny. Manoloana izany indrindra, nitondra fanampim-panazavana ny teo anivon’ny DGSR. Ho an’ny fiaran’olon-tsotra dia hisy ny fisavana ny rosia nahavitana ny fandraisana ara-teknika teny amin’ny ivontoerana fandraisana ara-teknika eny Alasora, By-Pass ary eny amin’ny ivontoerana fitsarana fiarakodia ho an’ny any amin’ny renivohi-paritra. Ho an’ireo fiara vaovao novidina teny amin’ny orinasa mpanafatra sy mpivarotra fiara “concessionnaires”, hisy ny fisavana mandritra ny hetsika ny fitanana an-tsoratra nahavitana ny fandraisana ara-teknika. “Hamafisina fa ny fandraisana ara-teknika eny anivon’ny foibe fitsarana fiarakodia amin’ny alalan’ireo ivontoerana manerana ny Nosy no anisan’ny fepetra takina hahafahana mahazo laharana eny amin’ny mpamoaka izany, na ho an’ny fiara vaovao izany na ireo efa niasa”, hoy ny DGSR.Jean Claude L’article DGSR: hanomboka ny fisavana ireo laharana WW a été récupéré chez Newsmada.

Rabenandrasana Lalao – Boky: « Tsy mankasitraka ity nomerika ity aho »
24/09/2020

Tsy ny hira irery intsony fa hatramin’ny boky, anjakan’ny mpanao piraty! “Raha izaho manokana, tsy mankasitraka ity nomerika ity aho. Jereo tsara fa mitondra faisana mihitsy ny tontolon’ny boky manoloana ny PDF ataon’ny sasany. Boky amidy 10 000 Ar, amidin’ny mpanao piraty any anaty “facebook” 500 Ar”, hoy ity filohan’ny Federasion’ny mpikanto teny sy soratra ity.Tahaka izany ihany koa ny fampiasana ny tablety. “Tsy mahasolo ny boky na oviana na oviana iny. Rehefa tena mivoaka ny tanàn-dehibe, tena mbola vitsy dia vitsy ny tanana manana herinaratra. Dia ho azo antenaina ve fa hitondra vokatra tsara ho an’ny Malagasy ny fananana ny tablety kanefa ny herinaratra, tsy lasa lavitra akory? Ny eto an-dRenivohitra aza, tapa-dava!”, hoy hatrany Rabenandrasana Lalao.Nambarany fa mila paikady mazava ny tontolon’ny boky eto Madagasikara raha tiana ny hahazo vokatra tsara avy aminy.HaRy RazafindrakotoL’article Rabenandrasana Lalao – Boky: « Tsy mankasitraka ity nomerika ity aho » a été récupéré chez Newsmada.

Covid-19 sy ny toekarena: miantso maika fikaonandoha ny Harena
23/09/2020

Tsy afaka ny hangina. Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Harena, amin’ny alalan’ny filohany, Rabarison Lezava Fleury, omaly. “Ndao haverintsika ny toe-tsaina sy ny toe-po nananantsika nanohanana ny Barea, herintaona lasa izay. Samia manana fahavononana hifanatona sy hifampiresaka. Hikaon-doha sy hikaroka vahaolana mahomby sy maharitra handresentsika ny fahavalo iombonana”, hoy izy ireo. Anisan’izany ny mbola tsy nandresena tanteraka ny Covid-19, ny adilahy politika arahin’ny fifanasana vangy. Eo koa ny fanarenana ny toekarena, tsy mbola hita taratra izany, araka ny fanambarana. Miantso ny mpikambana eo anivon’ny antokony sy ireo mpiara-dia aminy hanentana ny olom-pirenena hiaraka hamolavola isan-tsehatra ny fomba sy ny paikady hiatrehana ny Covid-19 sy ny fahantrana ary koa ny fanarenana ny fihariana. “Tsarovy ny adidy masina miandry antsika: ny hitia sy hanolokolo ary hanatsara ny lovasoa sarobidy nalevan’ireo razantsika. Ndao isika rehetra hiaraka hikatsaka, hanorina ary hiaina fiadanana sy filaminana ary fandrosoana eto Madagasikara,”, hoy ihany ny antoko Harena.Synèse R. L’article Covid-19 sy ny toekarena: miantso maika fikaonandoha ny Harena a été récupéré chez Newsmada.

«Hip Hop 4 Peace» : Anisan’ireo firenena 62 handray anjara i Madagasikara
19/09/2020

Ho fankalazana ny faha-75 taona niforonany sy ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana, manomana hetsika goavana antsoina hoe «Hip Hop 4 Peace» ny rantsan’ny Firenena mikambana, miara-miasa amin’ny UHHM (Universal Hip-Hop Museum).Amin’ny 21 septambra 2020, hisy seho goavana, «Hip Hop 4 Peace», hampitaina amin’ny fahitalavitry ny Firenena mikambana (United Nations Television) sy eny amin’ny tambajotran-tseraseran’ny UHHM sy ny youtube UHHM. Hetsika ahitana mpa­nankanto maneran-tany, miriaria ao amin’ny tonto­lon’ny Hip Hop. Anisany handray anjara amin’izany ny avy eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ireo firenena 62 mpikambana ao amin’ny GHH Global i Ma­da­gasikara. Tsy vao sambany ny mikarakara hetsika ny GHH Madagasikara, tarihin’ i Luis Herald, fa efa nikarakara hetsika sy famelabelaran-kevitra tao amin’ny Alliance française Andava­mam­ba, ny jona 2019. Amin’ity taona ity, mandray anjara amin’ny “Hip Hop4 Peace” i Madagasikara ary hisolo tena azy amin’izany ireo mpanakanto ao amin’ny tontolon’ny hip hop toa an-dry Doublenn, i MBL (Kar­naz), i Mymen Kaïd, i Ysa­ra­ya, i Adrien (mpandihy) ary i Clipse (artiste graffiti).Misehatra amin’ny maha olona “Manosika ireo tanora hiantsehatra sy handray an­draikitra eo amin’ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny famoronana sy talenta, ao anatin’ny tontolo hip hop, ny GHH. Soatoavina efatra ny tena ifantohan’ireo hetsika sy asa rehetra ataony: ny Fan­­driampahalemana, ny Fi­tiavana, ny Firaisankina, ny Fialamboly. Ny fandaharanasany mahakasika sehatra maromaro toy ny fandravonana ady, fanampiana ireo mpifindra monina, ady amin’ny hanoanana ary ady amin’ny famarotana olona”, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra. 62 ireo firenena mikambana ao anatin’ ny GHH ka tarihin’ireo am­basadaorony avy izany. Fa­m­pivoarana ny tontolo ivelarana sy ny fiarahamonina no anisan’ny tanjona lehibe ezahin’ny GHH tratrarina. Marihina fa “ny Hip Hop dia tsy mozika fotsiny na hetsika kolontsaina ihany fa efa mivondrona ho fianakaviambe. Mitondra ny feontsika ho ren’izao tontolo izao, amin’ ny fitenintsika, ary manamarika ny fisiantsika ao anatin’izany fianakaviamben’ny hip hop maneran-tany iza­ny”, araka ny nambaran’i Luis Herald, mpitarika ny Generation Hip Hop Ma­da­gascar.Narilala sy HaRy RazafindrakotoL’article «Hip Hop 4 Peace» : Anisan’ireo firenena 62 handray anjara i Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.

Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: “Ilaina ny fahasahiana ka tsy hihemotra isika…”
22/09/2020

Hentitra ary nahitsy ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. “Efa nivoaka tamin’ny fomba ofisialy izao ny Fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana (CMH), anisan’ny tetikasa lehibe nataontsika ho an’Antananarivo… Mila fahasahiana ny zavatra toy izao ary tsy hihemotra isika satria efa nandrasan’ny mponina amintsika izany”, hoy izy, tamin’ny fananganan-tsaina niarahana amin’ny mpiasan’ny CUA, tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna, omaly.Nanteriny fa ahafahana mitondra fanovana eto an-dRenivohitra, amin’ny fifanajana, ny fanabeazana, ny maha olona, ny fahadiovana, ny filaminana sy ireo maro samihafa izany.Niaiky ny tenany fa mbola tsy tena azon’ny mponina ny tena votoatin’ny CMH sy ireo zavatra ao anatiny. Mila fotoana ny fampahafantarana ireo fitsipika maro ireomba hipaka tsara any amin’ny tsirairay sy hampiova ny fomba fisainantsika, araka ny nambarany.Mpanao politika manimbazimba ny ezaka fitaizana…Etsy an-daniny, naneho ny alahelony amin’ireo mpanao politika sasany ny ben’ny Tanàna. Nohitsiny fa manararaotra manakiana sy manimbazimba ny ezaka atao ho fitaizana sy fampianarana ny olom-pirenena mba ho mendrika. “Mila miroso hatrany isika manohy ny ezaka, mahafa-po ny vahoaka maro anisa sy mahasoa ny tanànantsika, ka hilamina sy hirindra tsara ny fiainana andavan’andro”, hoy ihany izy.Efa tsy mahagaga ny fanakianana anaty tambajotra sosialyAnkoatra izany, notsindriny fa mbola maro ireo tsy mahalala sy mampifangaro ny hetra sy ny atao hoe lamandy. “Tsara ho fantantsika fa tsy ny lamandy velively ny natao hampiakatra ny vola miditra ato amin’ny kaominina. Fa natao izany mba ho fanabeazana ny tsirairay. Ny fanakianana eny amin’ny tambajotra sosialy ireny efa tsy mahagaga. Zava-dehibe ny fanohanan’ny ankamaroan’ny  mponina  sy mankasitraka ny ezaka ataontsika”, hoy ihany Andriantsitohaina Naina.Matoky ireo mpiasan’ny CUA rehetra ny ben’ny Tanàna amin’ny fandraisana ny andraikitra tandrify azy.Synèse R. L’article Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: “Ilaina ny fahasahiana ka tsy hihemotra isika…” a été récupéré chez Newsmada.

Prosperer: manohana ny tetikasa Salohin’Analamanga
24/09/2020

Tetikasa iray manohana ny tontolo any ambanivohira amina sehatra asa maro ny Prosperer (Programme de soutien aux pôles de micro-entreprises rurrales et aux aux économies régionales). Tanjona amin’izany ny hampitombo ny fidiram-bolan’ny tantsaha mahantra any ambanivohitra hifantoka bebe kokoa amin’ny fambolena sy ny fanaovana asa tanana. Faritra dimy no tena ahitana izany sy distrika 19, ahitana fihariana karazany maro fa ny asa tanana no miaraha-miombona antoka, hampifandraisana ny fahaiza-manao, ny fitaovana iaraha-miasa ho fampandrosoana ny kaominnina sy ny distrika.Eto amin’ny faritra Analamanga, ohatra, anisan’ny mahazo tohana avy amin’ny Prosperer ny mpanao asa tanana Salohin’Analamanga, ivondronan’ny mpanao asa tanana anjatony miasa amin’ny karazam-pihariana enina hanomezan-danja ireo karazana asa tanana ireo sy hanehoana ny fahaiza-manaon’ny avy eto amin’ny faritra.Mahazo tohana avy amin’ny fandaharanasa Prosperer Analamanga ny tetikasa fanampaiana ny tantahasa mifandray amin’ny sehaty ny fizahantany ny fihariana madinika, hanomezana vahana ny mpanao asa tanana, hanana fidiram-bola amin’ny asa ataony, hampisondrotra hatrany ny seha-pihariana antom-piveloman’izy ireo. Na eo aza ny valanaretina Covid-19, tsy mahasakana ny asa fihariana ataon’ireo mpanao asa tanana ny tetikasa tohanan’ny Prosperer. Faritra dimy ny tena misy azy anatin’ny distrika 19, samy manana ny mampiavaka azy. R.MathieuL’article Prosperer: manohana ny tetikasa Salohin’Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

Fepetra amin’ny CMH: voarara ny afo kitay amin’ny hani-masaka
22/09/2020

Voalazan’ny fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana (CMH)  ao amin’ny toko fahatelo ny momba ireo fepetra tsy maintsy arahina amin’ny varotra hani-masaka.Ny andininy faha38 dia milaza fa voarara ny fampiasana kitay amin’ny varotra hani-masaka. Ny mpivarotra tsirairay dia tsy maintsy mandray fepetra hahatonga ny fatana ampiasana etona fandrehitra na afon’arina tsy hanelingelina ny fivezivezen’ny mpandeha an-tongotra. Tokony hamboariny ny toerana mba hahazoany mampiasa fatana mandeha amin’ny etona fandrehitra na arina. Ny toerana nomena ireo mpivarotra hani-masaka dia tsy maintsy sasany sy dioviny alohan’ny hikatonany.Araka ny andininy faha-35 ao amin’ity toko fahatelo ity dia hentitra ny fandraràna ny fivarotana hani-masaka ivelan’ny toerana voatokana sy nohajariana manokana ho amin’izany ao anatin’ny tsena.Ny tsy fanajana io lamina io dia mitarika fandraofana avy hatrany sy fanapotehana ireo entana aorian’ny fitanana an-tsoratra ataon’ny mpanenjika ny fandikan-dalàna. Ny varotra hani-masaka sy sakafo fihinana dia tokony ho anaty vata fitaratra mihidy tsara, izay tsy tafiditry ny bibikely na ny vovoka.Tsy maintsy mampiasa fonon-tanana, na raha tsy misy dia fitaovana voatokana handraisana ireo sakafo amidy.Tokony hanana rano, na tahirin-drano fisotro avokoa ny fivarotana rehetra.Tsy maintsy manana taratasim-panjakana sy fitaovana madinika, izay tanisaina manaraka eto ka takina isaky ny misy ny fanamarinana ireo mpivarotra hani-masaka. Kara-panondrom-pirenena, patanty amin’ny anaran’ny mpivarotra, manan-kery mandritra ny taona diavina, fahazoan-dalana manamarina ny nahazoana ny toerana fivarotana, fankatoavan’ny sampan-draharahan’ny fahasalamam-bahoaka mahefa miantoka ny fahatomombanan’ny sakafo amidy, fanamarinam-pahasalamana manan-kery amin’ny taona diavina. Mila kahie fitananana an-tsoratra voamarika sy misy fitomboky ny kaominina, izay hitanana ireo tsikera avy amin’ny mpiandraikitra isan-tsokajiny misahana ny fanaraha-maso ny fahasalamam-bahoaka.Tatiana AL’article Fepetra amin’ny CMH: voarara ny afo kitay amin’ny hani-masaka a été récupéré chez Newsmada.

Imbiki Herilaza : “Azo atao fa feno ny fepetra fifidianana loholona”
21/09/2020

“Tokony hojerena ny And. 81 sy ny manaraka izany ao amin’ny lalàmpanorenana, izay mamaritra ny mpifidy vaventy amin’ny fifidianana loholona. Feno ny fepetra takin’ny lalàmpanorenana sy ny lalàna hahazoana miroso amin’ny fanatanterahana ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra.” hoy ny mpahay lalàna, Imbiki Herilaza. Tsara marihina koa fa nahavita fifidianana ny fitondram-panjakana tao anatin’ny herintaona sy tapany. Teo ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana mpanolatsain’ny Tanàna, natambatra.Iaraha-mahita koa fa tratran’ny fahamehana ara-pahasalamana noho ny fihanaky Covid-19 isika, nanomboka ny ny volana marsa ka hatramin’izao. Tsy misy azo natao.Tapitra fe-potoam-piasana ny loholonaNa tiana na tsia, tsy maintsy tapitra amin’ny voalohandohan’ny taona 2021 ny fe-potoam-piasan’ny loholona. Tsy azo ihodivirana izany ka irosoana ny fifidianana. Misy koa ny andininy mamaritra ao amin’ny lalàmpanorenana fa hatreo amin’ny 30 novambra no farany azo anaovana fifidianana fa miditra ao anatin’ny vanim-potoan’ny orana. Nefa raha antony tsy azo anoarana, azo atao ihany ny manatanteraka fifidianana.Tamin’ny taona 2015, toy izao ihany ny fifidianana loholona: ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna no nifidy, na mbola tsy feno aza ny rafitra voalazan’ny lalàmpanorenana. Mandroso tsikelikely ny fametrahana izany rafitra izany…Mamaritra ny fahazoana manatanteraka ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra izany. Na araka ny And. 81 sy ny manaraka azy ao amin’ny lalàmpanorenana, na ny voalazan’ny lalàna fehizoro momba ny Antenimierandoholona. Eo koa ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny lalàna rehetra mifandraika amin’izany ary ny didim-panjakana fihaikana mpifidy vaventy, araka ny fanazavany.R.Nd.L’article Imbiki Herilaza : “Azo atao fa feno ny fepetra fifidianana loholona” a été récupéré chez Newsmada.