Tontolon’ny fampianarana :: Mikorontana ny resaka manodidina ny Teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana (PSE)

News - Tontolon’ny fampianarana :: Mikorontana ny resaka manodidina ny Teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana (PSE)

News - Tontolon’ny fampianarana :: Mikorontana ny resaka manodidina ny Teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana (PSE)

Taorian’ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ ireo ray aman-drenin’ ny mpianatra, dia ireo sekoly tsy miankina indray no mampiaka-peo. Nivoaka tamin’ny fahanginany ry zareo avy ao amin’ny Federasionan’ny sekoly tsy mian kina eto amintsika mano loa na ny firosoana any amin’ny fankatoavana ny antontan-kevitra farany amin’ilay Teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana na PSE.

Voakiana mafy ny fisalobon-koman’ny fanjakana tamin’ny famaritana an’ireo hevi-dehibe tapaka sy nasiam-panitsiana ao anatin’izany PSE izany. Heverin’ireo lehiben’ ny sekoly tsy miankina fa misy ny fanilihan’ny fanjaka na azy nandritra ny fanovàna natao tamin’ny PSE. “Fampandalovana an’izay fanitsiana ihany no nataon’izy ireo taminay. Heverinay nefa fa mpiaramiombon’antoka amin’ny famolavolana sy ny fiheverana ny fanatsarana ny fampianarana izahay”, hoy Rakotonirina Jean Claude, filoha lefitry ny Federasionan’ ireo sekoly tsy miankina, teny Analakely, omaly.

Takian’izy ireo ny tokon’ ny hisian’ny firindran’ny asa eo amin’izy ireo sy ny fanjakana ka handraisany anjara amin’ny fakan-kevitra samihafa. “ Tsy ny fanovàna no tsy ekenay fa tokony hiainga amin’ny fiarahana mamolavola ny fandraisanay anjara. Somary nisy fahatarany rahateo ny fahazoanay vaovao mikasika izany”, hoy ny fanampim-pazavan- dRakotonirina Jean Claude.

Tetiandrom-pampianarana

Manainga ny tompon’ andraikitra izy ireo mba hisian’ny fiaraha-miasa sy ny fisokafan’ny minisitera tompon’andraikitra amin’ireo mpisehatra samihafa amin’ ny fanatsarana ny tontolon’ ny fampianarana. Nasian’ireo talem-paritra folo mandrafitra ny Federesiona tsindry ny tokony hamerenana ny tetiandrom-pampianarana amin’ny teo aloha ka hiantomboka amin’ny volana septambra ny fampianarana ary hifarana ny volana jona amin’ny taona ho avy. Efa nifandimby naneho hevitra tamin’ity teboka ity tokoa, ny ampahany tamin’ izy ireo teo aloha saingy nohamafisin’izy rehetra izany, omaly.

Voalazan’izy ireo rahateo fa manana lanjany amin’ny fampianarana eto amintsika ny sekoly tsy miankina. “Mangataka izahay mba ho amin’io no fototra hiaingana amin’ny fandrafetana ny tetiandrom-pampianarana. Mba hahafahan’ny mpianatra misitraka sy mankalaza ny Fetim-pirenena am-pilaminana tsy tandindonin’ny fanadinana no anton’izany”, hoy hatrany ny mpitondra tenin’izy ireo ity. Nanamafy kosa ny tompon’ andraikitra iray ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam- pirenena, ny fampianarana teknika ary ny fanofanana araka asa fa tsy nisy velively ny fanilihana an’ireo sekoly tsy miankina. “Anisan’ny mpandray anjara tao anatin’ny fanaovana tombana an’io Teti-pivoarana io izy ireo”, hoy ny fanazavany. Ny sekretera jeneralin’ny minisitera, Razafinjato Aurélie kosa indray no nanamafy fa: “ho tohin’ny dinika tombana ho an’ny PSE, dia efa noraisina ny soson-kevitry ny rehetra. Efa misy volavolan-kevitra niarahana nanao teny ary efa any amin’ny governemanta io soson-kevitra io saingy miandry fankatoavana ny famoahana azy ofisialy”, hoy izy.

Marihina fa efa mirona ho amin’ny famerenana ny tetiandro teo aloha ny minisitera ankehitriny.

L’article Tontolon’ny fampianarana :: Mikorontana ny resaka manodidina ny Teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana (PSE) est apparu en premier sur AoRaha.

Nivoaka tamin'ny : 26/07/2019

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Ambasadaoron’i Pakistan, i Syed Rizwan: « Efa azo antoka ny fitoniana politika eto… »

  Nandray ambasadaoro vaovao miisa telo be izao ny filoha Rajoelina, omaly teny Iavoloha. Anisan’ny nivoitra tamin’izany ny fahavononan’izy ireo hanohana sy ny hiara-kiasa amin’ny  fitondrana, ho fanatanterahana ny IEM.Anisan’izany ny ambasadaoron’i Pakistan, ny Dr Syed Rizwan Ahmed, liana amin’ny fandraharahana eo amin’ny orisana afakaba. “Efa azo antoka ny fitoniana politika ka azo atao ny mampiasa vola eto… Efa nisy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpandraharaha pakistaney, saingy tsy niroborobo firy izany”, hoy izy raha noraisin’ny filoha. Nambarany fa hisy ny fanofanana isan-taona ho an’ireo diplaomaty ary hojerena koa ny fanampiana fitaovana sy ny fizarana traikefa amin’ny lafiny fiarovana sy ny miaramila.Notsiahivin’ny ambasadaoro frantsay, i Christophe Bouchard, kosa fa mizotra araka ny tokony ho izy ny fiaraha-miasa niainga tamin’ny fihaonana teo amin’ny filoha roa tonta: i  Macron sy Rajoelina. “Hirosoana ny dinika momba ireo Nosy Malagasy “Iles Eparses”ary efa nanangana ny komity hanafainganana izany ny eto Madagasikara na tsy mbola voafritra aza ny daty ho amin’ny fivoriana”, hoy izy. Ankoatra izany, nambarany fa hiompana amin’ny sehatra fampandrosoana ny vahoaka, manomboka izao, ny fiaraha-miasa amin’i Frantsa, ankoatra ny fizahantany, ny famokarana herinaratra, ny fambolem-bary ary ny fotodrafitrasa, iarahana amin’ny Vondrona eoropeanina (UE).Famoronana asa sy ny sehatra tsy miankina Ankoatra izany, nanterin’ny ambasadaoron’i Alemaina, i Michael Derus, ny fanoloran-tanan’ny fireneny ny fifidianana natao teto amintsika. Eo koa ny hanohanany ny tetikasa ho an’ny herinaratra ary koa ny famoronana asa sy ny fiarovana ny tontolo iainana. “Ao anatin’izany koa ny fanohananay ny IEM, ho fampiroboroboana ny toekarena sy ny  fanomezan-danja ny sehatra tsy miankina”, hoy izy.Synèse R.  L’article Ambasadaoron’i Pakistan, i Syed Rizwan: « Efa azo antoka ny fitoniana politika eto… » a été récupéré chez Newsmada.

Jeux - News - Sport - News Mada

« Rallye virtuel »: tompondaka 2018 Ratsimbazafy Riry  

Taorian’ny fanambarana ny isa ho an’ireo mpandray anjara tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny « Rallye virtuel », taona 2018, voahosotra ho tompondaka i Riry teo amin’ny filaharana ankapobeny sy ny sokajy « 2RM ». Nahazo fandresena in-droa nisesy izy, tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny FSAM sy ny lalao farany « Final Round », ny volana novambra lasa teo. Marihina fa dingana miisa 7 no nifaninanana tamin’ity taom-pilalaovana ity ary niampy ny lalao fanokafana sy ny lalao famaranana. Ny isa azon’ny mpanamory nandritra izany no natambatra ka nahazoana ny vokatra farany. Manana isa 182 Ratsimbazafy Riry ary mitàna ny lohany. Ity farany izay teo amin’ny familiana ny fiara marika Citroen DS3 R3-MAX. Manaraka azy ao amin’ny laharana faharoa kosa Ralahy Hobimalala Andriantsaina, manana ny isa 156. Rakotobe Serge, fantatra amin’ny solon’anarana hoe Sergerktb no mamarana ny telo voalohany amin’ny filaharana ankapobeny izay manana isa 76. L’article « Rallye virtuel »: tompondaka 2018 Ratsimbazafy Riry   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Masoivohon’i Frantsa: hisolo an’i Veronique Vouland-Aneini i Christophe Bouchard

Voatendry ho ambasadaoro vaovao ho an’i Frantsa hiasa sy honina eto amintsika, ny volana mey lasa teo, i Christophe Bouchard. Handimby toerana ny teo aloha, i Véronique Vouland-Aneini, nalefa niasa any Jordanie, ny tenany. Nivoaka tao amin’ny ivontoerana IEP ao Paris sy ny ENA ity ambasadaoro vaovao ity. Efa niasa teo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny frantsay niasa tany Afrika Avaratra sy ny faritra Moyen Orient iny ny tenany ny taona 1989. Efa mpanolotsain’ny minisitra Laurent Fabius misahana ny lafiny diplaomasia koa izy ny taona 1997. Ankoatra izany, andraikitra nosahaniny ny maha mpanolotsaina voalohany azy teo anivon’ny ambasady frantsay tany Alzeria ny taona 2005. Masoivoho niasa tany Niger taty amin’ny taona 2011. Mialoha izao fanendrena  zao, talen’ny fitantanan-draharaha ho  an’ny  konsily sy ny Frantsay any ivelany (DFAE) tao Paris, hatramin’ny taona 2015.Synèse R. L’article Masoivohon’i Frantsa: hisolo an’i Veronique Vouland-Aneini i Christophe Bouchard a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiompiana sy fambolena: nanohana ny “Fepa” ny Cnaps

Anisan’ireo tranoheva miisa 300, nandray anjara nandritra ny “Foara ho an’ny fiompiana, ny fambolena ary ny jono” (Fepa), natao ny 30 mey hatramin’ny 2 jona teo, teny Andohatapenaka, koa ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (Cnaps).Tanjona sy antony nandraisany anjara ny hampiditra ny mpamboly sy ny mpiompy ary ny mpanao asa tanana ho ao anaty fiahiana sosialy satria azo atao tsara izany ho an’ireo mivondrona ao anaty kaoperativa. Fotoana nihaonana mivantana tamin’izy ireo koa io. Isan’ny nitsidika ny tranohevan’ny Cnaps Rakotondraibe Raymond, filohan’ny fikambanana Afiveria, mpanao fatampera, nilaza fa “tsy ho ahy ny antony nahaliana ahy satria efa mihoatra ny 60 taona aho fa ho an’ny zanako. Nahazo ny zony tamin’ny Cnaps avokoa ny ray aman-dreniko satria niasa isam-bolana fa izaho, miasa tena ka tsy nisitraka izany, ka tsy nahafantatra hoe azo atao. Amin’ny maha sefo fokontany ahy ihany koa, hanentana ny rehetra aho mba hiditra Cnaps”.Azo natao koa, nandritra ity “Fepa” ity, ny nanamarina ny kaontin’ny mpikambana Cnaps tsirairay na voaloa ny latsakembony na tsia. Teo koa ny fanentanana an-dampihazo, sy ny fifaninanana mikasika ny fanampiana samihafa omen’ny Cnaps. Tafiditra ao anatin’ilay telo volana nomen’ny fanjakana ny Cnaps, hanentanana ny mpampiasa hampiditra ny mpiasa hahazo fiahiana sosialy rahateo ity fanentanana ity.Njaka A.L’article Fiompiana sy fambolena: nanohana ny “Fepa” ny Cnaps a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Faritra maromaro arahi-maso: manahy ny mety ho firongatry ny covid-19 ny minisitera

  Misy toerana maromaro mbola ahitana tranga Coronavirus eto amintsika amin’izao fotoana izao. Arahin’ny minisiteran’ny Fahasalamana akaiky ny fivoaran’ny valanaretina amin’ireo toerana amin’ny fampiharana ny fepetra momba ny ady amin’ny Covid -19. « Raha tsy mitandrina ny rehetra, mety hahina hirongatra izany ka hamafisina ny fandraisana andraikitra ho an’ny tomponandraikitra efa mahalala ny tandrify azy avy », hoy ny minisitry ny Fahasalamana, ny profesora Rakotovao Jean Louis, omaly teny Ambohidahy. Niantso manokana ny mpiasan’ny fahasalamana miasa eny amin’ny tobim-pahasalamana koa ny minisitra. Nanantitrantitra izy amin’ny tokony hahamailo hatrany ny mpitsabo sy ny mpiasa rehetra eny an-kianja. Nambarany fa hatsaraina ny fanaovana fitiliana ary tokony hitohy hatrany ny fandraisana an-tanana ireo rehetra voatily fa mitondra ny tsimokaretina ka manaraka fitsaboana. Niantefa amin’ny vahoaka iray manontolo ny antso farany, tokony handray andraikitra ny isam-batan’olona satria faly fa afaka niverina amin’ny fiainana andavanandro ka mety hanao gaboraraka ny fanajana ny fepetra rehetra hiarovana amin’ny tsimokaretina. Mbola mitoetra avokoa ny fepetra samihafa ary misy ny mpitandro filaminana manara-maso ny fampiharana izany. Raha tiana ny hampahomby ny ady ka hitondra amin’ny fandresena ny valanaretina, mitaky andraikitra avy amin’ny rehetra izany fa tsy miankina amin’ny minisitera irery fotsiny. Nidina ny tranga noho ny fanajana ny fepetra ka tokony hotohizana.Vonjy AL’article Faritra maromaro arahi-maso: manahy ny mety ho firongatry ny covid-19 ny minisitera a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Dihy ankehitriny: nampiofana ireo vehivavy any Toliara i Julie I.

Nanomboka ny 15 jolay teo hatramin’ny androany, nizara ny fahalalany sy ny traikefany tamin’ireo tovovavy manan-talenta, any Toliara, i Julie Iarisoa, mpamorona sy mpanao soradihy. Niompana tamin’ny tontolon’ny dihy ankehitriny ny fiofanana, izay hita ho nahaliana ireo andriambavilanitra any an-toerana.“D’un sud à l’autre” ny lohatenin’ity tetikasa miavaka ity. Nampiharina avy hatrany amin’ny famoronana ny fianarana ka hisy ny fanehoana izany an-tsehatra, anio hariva ao amin’ny Vakok’arts Trano ao Toliara. Fampisehoana maimaimpoana, izay hanentanan’ireo mpandray anjara sy ny mpikarakara ny rehetra.Nialoha ity fampiofanana ity, namolavola soradihy iray, mitondra ny lohateny hoe “Tsioka” ihany koa i Julie Iarisoa, niaraka tamin’ny mpanakanto mpandihy any Toliara. Noforonina sy natsangana ary nomena aina nandritra ny fivahiniana, tao amin’ny Alliance française ao Toliara izany. Naharitra dimy andro ihany koa ny fiarahan’izy ireo niatrika izany asa goavana izany, izay nofaranana tamin’ny fanehoana an-tsehatra ilay soradihy, ny 12 jolay lasa teo, tao amin’ny Vakok’arts Trano hatrany.Landy R.  L’article Dihy ankehitriny: nampiofana ireo vehivavy any Toliara i Julie I. a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Minisiteran’ny Fitsarana : “Tokony hanazava ny didy avoaka ny mpitsara”

“Efa niangavy ny mpitsara rehetra izahay fa tokony hanazava ny didim-pitsarana avoaka izy ireo. Mba hahazoan’ny olona mahafantatra bebe kokoa sy manaja ny didim-pitsarana mivoaka izany.” Io ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Imbiki Herilaza, momba ny raharaham-pitsarana misy didim-pitsarana tsy mazava na tsy eken’ny vahoaka.Manao antso avo ihany amin’ny olona rehetra izy hoe: tsara ny manatona ny tomponandraiki-pitsarana rehetra any ifotony, raha misy raharaham-pitsarana somary manahirana na somary miteraka fanontaniana maro samihafa. Efa misy didy koa izay manome fahefana ny tonia mpampanoa hanazava bebe kokoa ny raharaham-pitsarana nisy. Efa azo tsapain-tanana ny ezaka lehibe ataon’ny tomponandraiki-pitsarana sy ny mpiasa amin’ny fitsarana amin’ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana amin’izao fotoana izao.Raha ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana manokana, mipetraka ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana. Eo ny fametrahana fitondrana tsara tantana, ny fitsarana manakaiky vahoaka, indrindra ny fotodrafitrasa maro ezahina apetraka: eo, ohatra, ny fitsarana ambaratonga voalohany any Sainte-Marie, any Besalampy…R.Nd. L’article Minisiteran’ny Fitsarana : “Tokony hanazava ny didy avoaka ny mpitsara” a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Ambanidia : Nahafaty olona ny taxi-be

Taxi-be iray no nandona ramatoa iray izay nitantana an-janany kely. Ny harivan’ny alahady teo no nodomin’ny taxi-be izy mianaka. Naratra mafy ilay renim-pianakaviana ary teo ihany dia efa hita fa sarotsarotra ny hahavelomany. Nentina teny amin’ny hopitaly avy hatrany mba ho fanavotana ny ainy. Omaly anefa dia fantatra fa namoy ny ainy izy na dia teo aza ny ezaka rehetra nanavotana ny ainy tao amin’ny toeram-pitsaboana. Ilany zanany kely kosa mba tsy naninona. Soa fa notantaniny taty amin’ny tsy mifanandrify ny fiavian’ilay fiara fitaterana, raha tsy izany dia ahiana ho niharan-doza teo koa, raha araka ny fitantaran’ny olona nahita. Ireo loharanom-baovao ireo ihany no nilaza fa misy fofon-toaka ny mpamily sy ny resevera ary saika hanao fihodinana farany izy ireo mba hanampiana ny any am-paosy, kinanjo io nitera-doza io. Etsy andanin’izany, fanindroany izay no nisy loza nitranga izay nahafaty olona teo amin’ilay toerana izay somary misy fiolanana kely, tao anatin’ny volana vitsivitsy izay. Ilay toerana izany sady efa mitera-doza no mbola misy koa ny entin’ny alikaola mitondra fiara dia mainka koa misesy ny akony amin’ny olon-tsotra mpandeha an-tongotra. D.RL’article Ambanidia : Nahafaty olona ny taxi-be a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Volley-ball: resy teo amin’ny famaranana avokoa ny lahy sy ny vavy

Tsy namokatra, ny ekipam-pirenena malagasy, teo amin’ny taranja volley-ball. Samy resy teo amin’ny famaranana avoko mantsy, ny lehilahy sy ny vehivavy, tamin’ity. Fihaonana, notanterahina, ny asabotsy lasa teo, tao amin’ny kianja mitafon’i Pandit Sahadeo, ao Vacoas. Teo amin’ny vehivavy, resin’i Seychelles, tamin’ny seta 3 no ho 2 ny Malagasy. Efa nitarika tamin’ny seta 2 no ho 0, anefa ry Melissa, sy ny namany, tamin’ity.Nihevitra ny rehetra fa ho lasan’ny Malagasy ny fandresena. Nanohitra hatramin’ny farany anefa ny Seiseloazy, ka nosahalainy, ho 2 sy 2 ny seta. Voatery niditra teo amin’ny “tie-break”, ny roa tonta. Mbola niseho indray anefa ny traikefan’i Seychelles, ka lasany mihitsy ny fandresena farany.Nomontsanin’i Maorisy, tamin’ny seta, 3 no ho 0 kosa ny Malagasy, teo amin’ny sokajy lehilahy. (25/16 ; 25/22 ; 25/18), niafaran’ny fihaonana teo amin’ny roa tonta. Tsy nampino ny rehetra, ny fizotran’ny lalao satria tsy afaka nanohitra mihitsy ry Manou sy ry Andry, niampy an-dry Mamizara sy i Fenozara. Teo amin’ny seta faharoa, no saika azon’ny Malagasy saingy, betsaka loatra ny fikoropahana, ka nahaverivery ny baolina. Nahazo ny medaly alimo, teo amin’ny vehivavy, i Maorisy raha Seychelles, teo amin’ny lehilahy. Tompondaka L’article Volley-ball: resy teo amin’ny famaranana avokoa ny lahy sy ny vavy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Songadina an-tsary

Sary: Fanou sy Tiana RL’article Songadina an-tsary a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

UNICEF: Ny tokony ataon’ny mpanao gazety manoloana ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizy
19/11/2020

Mba tsy hampitombo ny takaitran’ilay niharan’ny herisetra. Mpanao gazety avy amin’ny haino vaky jery aman-tranokala miisa 20 avy eto Antananarivo no nahazo fiofanana avy amin’ny UNICEF momba ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy sy herisetra atao amin’ny ankizy. Ny 16 sy ny 17 novambra 2020 teny Antaninarenina no nanatanterahina izany. “Ny haino vaky jery aman-tranokala dia sehatra iray ahafahana mandefa  vaovao sy mampita hafatra mba handraisana anjara amin’ny fanabeazana ny vahoaka Malagasy amin’ny lohahevitra tena  ilaina toy ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy, ny herisetra atao amin’ny ankizy. Tafiditra ao anatin’ny sahan’asa momba ny hetsika 16 andro iadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy izay hanomboka ny 25 novambra ary hifarana ny 10 desambra 2020 ity fiofanana ity”, hoy ny mampiofana Rossella Albertini, manam-pahaizana manokana momba ny maha lahy sy maha vavy avy ao amin’ny UNICEF Madagasikara. Nambarany fa nifanandrify tamin’ny tranga niseho matetika, herinandro lasa, tamin’ny haino vaky jery aman-tranokala momba ny  herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy sy herisetra ara-nofo atao amin’ny ankizy ihany koa ity fampiofanana mpanao gazety ity. Noho izany, “tena ilaina ny fiofanana hampitàna ireo vaovao tokony alefa sy ampahafantarana ny fanararaotana ara-nofo atao amin’ny ankizy sy ny vehivavy  ary koa ampahafantarana amin’ny vahoaka ireo ivon-toerana mandray an-tanana izany”, hoy izy. Nandritra ny fiofanana dia  voalaza fa tomponandraikitra ny mpanao gazety satria mety hampitombo ny takaitra mahazo ilay niharan’ny herisetra indray ny lahatsoratra na fanadihadiana nataony. Ho fisorohana izany ihany koa no anisany zava-kendreny ny fiofanana nomen’ny UNICEF. Lynda A. Cet article UNICEF: Ny tokony ataon’ny mpanao gazety manoloana ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizy est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article UNICEF: Ny tokony ataon’ny mpanao gazety manoloana ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizy a été récupéré chez Délire Madagascar.

Soavina: navotsotr’ireo jiolahy ilay ankizikely nalaina an-keriny
19/11/2020

Notazonin’ireo mpaka an-keriny nandritra ny dimy andro ity ankizikely nalaina an-keriny ity tao Benobasy, fokontany Malaindromisotra, kaominina ambanivohitra Soavina, distrikan’Ambatofinandrahana. Araka ny fanazavana voaray teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, ny alin’ny 10 novambra lasa teo no nisy naka an-keriny tao an-trano ny ankizilahikely antsoina hoe Pierre. Ny faran’ny herinandro teo, navotsotr’ireo olon-dratsy izy. Tsy fantatra na nahazo vola takalonaina avy amin’ny fianakaviany ireo jiolahy ka namotsotra ity ankizilahikely satria mbola mandeha ny fanadihadiana ataon’ny zandary. Tsiahivina fa andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ny nanafika sady naka an-keriny azy tamin’io fotoana io.Fa nitrangana fanafihan-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika koa tao Andonabe Mananjary, ny alahady alina teo. Andian-jiolahy miisa fito no tompon’antoka amin’ny fanafihana. Nanapoaka basy ireo olon-dratsy nandritra ny fanafihana. Lasan’ireo mpanafika ny entana sarobidy tao an-trano niaraka amin’ny fahana telefaonina finday. Nitsoaka nihazo ny fokontany Androrangavola Andonabe ireo malaso taorian’izay. Mandeha ny fikarohana sy ny sakana ataon’ny zandary.J.C L’article Soavina: navotsotr’ireo jiolahy ilay ankizikely nalaina an-keriny a été récupéré chez Newsmada.

Fiahiana sosialy avy amin’ny minisiteran’ny Mponina: raikitra ny “Kaly tsinjo” ho an’ny olona 16 000 isan’andro
20/11/2020

Natomboka teto Antananarivo Renivohitra ny hetsika « Kaly Tsinjo », tetikasan’ny minisiteran’ny Mponina ho fanampiana ireo tokantrano tena marefo. Mahatratra hatrany amin’ny 16 000 ireo olona hisitraka izany isan’andro, ao anatin’ny 78 andro. Tsy voatery hohanina eo an-toerana fa azo entiny mody koa ny sakafo. Hahazo tombony amin’izany ireo boriborintany enina. Kendrena hisitraka ny “Kaly tsinjo” ireo fianakaviana tena marefo, araka ny masontsivana voalohany napetraky ny minisitera hitsinjovana ireo tena sahirana sy tsy mahita na ny sakafo hohanina ao anatin’ny iray andro aza.Nirindra ny tetsy amin’ny boriborintany IIINambaran’ny tale misahana ny fiahiana ara-tsosialy eo anivon’ny minisitera, Randriamanjara Andrianiaina fa miara-miasa feno amin’ny fokontany sy ireo olom-boafidy eny ifotony izy ireo, hisorohana amin’ny mety hisian’ny korontana tahaka ny niseho tamin’ireo hetsika fizarana teo aloha. Arahin’ny fanaraha-maso koa izany ary miara-miasa ny distrika sy ny kaominina miaraka amin’ny depiote sy ny fokontany.  « Mitondra ny lisitra ny minisiteran’ny mponina ary misy ny fanaraha-maso. Avy eo mahazo ny tapakila ilay olona”, hoy ihany izy. Anisan’ny nanaovana ny hetsika ny tetsy amin’ny boriborintany III. Nilamina sy nirindra ny fizarana. Marobe ireo tokantrano nisitraka ny sakafo masaka tamin’ny  “Kaly tsinjo”.Hisitraka ny “Kaly tsinjo” ny any atsimoHiavaka kosa ny« Kaly tsinjo » hatao any atsimo. Tsy sakafo masaka fa manta ny azy ireo. Tanjona ny ahafahan’izy ireo manao tahiry araka ny safidiny na koa mizara izany ho an’ny fianakaviany. Fifampidinihana niarahana tamin’ny filoha Rajoelina ny anton’izany fanapahan-kevitra izany.Anisan’ny hisitraka ny “Kaly tsinjo” ny any Toamasina, Fenoarivo Atsinanana, Fianarantsoa, Toliara, Betroka, Bekily, Ampanihy, Beloha, Tsihombe, Ambovombe ary Amboasary. Efa nisy lasa any an-toerana ny ekipan’ny minisiteran’ny Mponina handrindra sy handamina izany.Synèse R.L’article Fiahiana sosialy avy amin’ny minisiteran’ny Mponina: raikitra ny “Kaly tsinjo” ho an’ny olona 16 000 isan’andro a été récupéré chez Newsmada.

Toamasina: maro ny tetikasa tohanan’i Japon
19/11/2020

Nitsidika ny governoran’ny faritra Atsinanana ny masoivoho japoneny, i Higuchi Yoshihiro. Nampahafantariny tamin’izany fa maro ireo tetikasa tohanan’ny firenena japoney ao an-toerana. Anisan’izany ny tetikasa Ambatovy, mampiasa teratany malagasy maro ka ny orinasa japoney Shutimoto ny mitazona ny ampaham-bola betsaka amin’izany orinasa izany.Eo koa ny tetikasa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa goavana indrindra vatsin’ny fanjakana japoney aty Afrika izany. Iandraiketan’ny orinasa japoney Penta ny fanatanterahana izany seran-tsambo itarina izany.Ankoatra ireo ny tetikasa Tatom, fanatanterahana ny drafi-panajariana ho an’i Toamasina sy Antananarivo. Eo koa ny vinam-panitarana ny lalam-pirenena faharoa.Eo amin’ny sehatra sosialy, nanao tantsoroka goavana amin’ny fanorenana sekoly anjatony eto Madagasikara ny Japoney. Anisan’ny nisitraka izany ny faritra Atsinanana. Manana ny fenitra miaro amin’ny rivodoza sy ny tafiotra ny sekoly ary mafy amin’ny fisedrana ny fihetsehan’ny tany ihany koa.Teo koa ny ady amin’ny valanaretina Covid-19. Maro ny tantsoroka nataon’ny firenena japoney nahafahana niady amin’ny fiparitahan’ny aretina sy ny fiarovana ireo mpiasan’ny fahasalamana niasa mafy tokoa nandritra ireny fotoana nampirongatra ny aretina ireny.Tatiana AL’article Toamasina: maro ny tetikasa tohanan’i Japon a été récupéré chez Newsmada.

Malagasy anciens Maroc: « Helohinay ireo milisy Polisario »
18/11/2020

Tsy afaka ny hangina. Namoaka fanambarana ny Fikambananan’ireo Malagasy tany Maraoka teo aloha, manoloana ny toe-draharaha any amin’iny faritra iny. « Helohinay tanteraka ny fihetsika feno fihantsiana ataon’ireo milisy « Polisario » any amin’ny faritr’i  Guergarate any Sahara an’i Maraoka manoloana ny sakantsakana tsy famelana ny fahazoan’ny olona sy ny entana mivezivezy eo amin’ny fanjakan’i Maraoka sy ny any Maoritania », hoy ny izy ireo. Nohitsin’ny fanambarana fa tsy azo ekena izany tranga izany, efa nanomboka ny 21 oktobra lasa teo. Nanterin’izy ireo fa fanitsakitsahana tsotra izao ny fifanarahana sy ny antso avo nataon’ny sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana (ONU) izany. Eo koa ny fehinkevitry ny filankevi-pilaminan’ny Firenena mikambana ny amin’ny fametrahana fitoniana sy filaminana any amin’iny faritra iny. Naneho ny fanohanany sy ny firaisankiny amin’ny fanohanana ny fanjakana maraokanina izy ireo amin’ny fihetsika tsy manara-dalàna ataon’ny Polisario any amin’ny faritr’i El Guergarat. « Ilaina ny fametrahana ny filaminana sy ny fiahiana ireo olom-pirenena amin’ny fahafahany mivezivezy amin’izany faritra izany », hoy ihany ny birao mpanatanteraka eo anivon’ny Fikambanan’ireo Malagasy tany Maraoka teo aloha.Synèse R. L’article Malagasy anciens Maroc: « Helohinay ireo milisy Polisario » a été récupéré chez Newsmada.

EISA : Renforcement des capacités des assistants des femmes parlementaires
25/11/2020

Eisa a procédé au renforcement des capacités des assistants des femmes parlementaires. Dans le cadre du projet «Africa Democracy Strengthening IV» ou ADS IV mis en œuvre par l’Institut Electoral pour une Démocratie Durable en Afrique (EISA) et financé par l’Agence Suédoise de Coopération au Développement International (Sida), EISA entend contribuer à l’amélioration de la participation des femmes dans les processus de prise de décision à Madagascar. Dans cet objectif, EISA apporte un appui spécifique aux femmes parlementaires depuis la mise en place de l’actuelle législature en juillet 2019. L’assistance apportée par EISA aux députés s’inscrit dans la volonté de l’organisation de contribuer à l’avènement d’un parlement plus sensible au genre, la promotion de réformes législatives qui prennent en compte l’égalité hommes-femmes et au renforcement de l’influence des femmes à travers une série de thématiques techniques visant à accroître leur participation effective aux travaux parlementaires. Ces objectifs sont conformes aux visions et priorités définies par le Plan Stratégique de l’Assemblée nationale (2020-2025). Ainsi, et en réponse à la requête du Caucus des femmes parlementaires, EISA prévoit organiser un séminaire de renforcement des capacités des assistants des femmes parlementaires en rédaction de proposition de lois ou d’amendements de lois, les 24 et 25 novembre 2020 à l’hôtel Carlton Antananarivo. Elaboration de lois. L’objectif global de l’atelier est de renforcer les compétences des assistants parlementaires dans le domaine de la logistique afin qu’ils puissent appuyer les femmes parlementaires dans leur pouvoir de légifération. De façon plus spécifique, l’atelier vise à expliquer les rôles et responsabilités des assistants parlementaires dans l’élaboration d’une loi, mettre à la disposition des assistants parlementaires les outils nécessaires en matière d’élaboration de lois notamment les règles qui président la conception, l’élaboration et l’évaluation des lois, renforcer les capacités des assistants parlementaires à rédiger des propositions de lois et améliorer les capacités des assistants parlementaires en matière d’interprétation et d’analyse de projets de lois. La méthodologie de la formation sera participative, interactive et basée sur des cas pratiques afin de favoriser les échanges et partages des expériences entre facilitateurs et participants. Recueillis par Dominique R. L’article EISA : Renforcement des capacités des assistants des femmes parlementaires est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article EISA : Renforcement des capacités des assistants des femmes parlementaires a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Agriculture : 120 000 dollars offerts par la BAD aux gagnants du concours AgriPitch
24/11/2020

La BAD encourage l’entreprenariat dans le secteur de l’agriculture. Le développement agricole pour l’autosuffisance alimentaire figure parmi les grands défis que la BAD (Banque africaine de développement) compte relever. C’est dans ce cadre que cette institution a organisé le concours pour les entrepreneurs agricoles. 120 000 dollars américains ! C’est ce qu’ont reçu les trois entrepreneurs du secteur de l’agriculture, récompensés par la BAD à l’issue du concours AgriPitch. Bien que les start-ups malgaches brillent parfois dans ce genre de concours, aucun entrepreneur de la Grande île n’a remporté le prix, pour cette fois. « La première lauréate, Kenyane, est fondatrice d’une entreprise de transformation du manioc. Les deux autres sont Nigérians, l’un cofondateur d’une start-up de transformation des aliments par les nouvelles technologies, l’autre propriétaire d’une entreprise d’approvisionnement alimentaire auprès de petits exploitants agricoles », a déclaré la BAD, organisatrice du concours. A noter qu’AgriPitch a permis à de nombreux jeunes entrepreneurs agricoles du continent de présenter leurs projets à un groupe d’experts et d’investisseurs, qui a sélectionné des lauréats classés dans trois catégories notamment la catégorie des Startups, des Startups matures et la catégorie des Entreprises dirigées par des femmes. « J’étais tellement contente à l’annonce de mon nom ! », a réagi Elizabeth Gikebe, fondatrice de « Mhogo Foods » au Kenya, qui a remporté le prix de 20 000 dollars américains dans la catégorie des entreprises dirigées par des femmes. Ravie de n’avoir pas baissé les bras, Elizabeth Gikebe avait déjà présenté « Mhogo Foods » aux éditions 2018 et 2019 d’AgriPitch. Son entreprise apporte de la valeur à la production de manioc en transformant les tubercules pour en faire de la farine, des en-cas au manioc (repas léger) et des aliments pour animaux sans gluten. « C’est avec beaucoup de persévérance qu’on arrive à obtenir ce qu’on recherche. C’est bien la preuve que tout arrive au temps qui lui est propre », a-t-elle déclaré. Mode virtuel. Pour faciliter la participation de tous, le concours a été organisé de façon virtuelle dans le contexte de la pandémie de Covid-19. Il a enregistré plus de 2 500 candidatures et 605 propositions en provenance de trente pays africains. Au total, 25 finalistes de douze pays ont été retenus. Les finalistes ont participé à un campus de deux semaines sur le développement des affaires, puis les neuf premiers ont obtenu une ultime chance de faire valoir leur projet devant un jury en ligne composé d’experts et d’investisseurs. « On éprouve toujours une grande satisfaction lorsqu’on est choisi parmi une telle panoplie d’entreprises », a confié Ikenna Nzewi, lauréat dans la catégorie « Start up », qui représentait Releaf , une société technologique de pré-transformation d’aliments. Créée par des diplômés nigéro-américains des universités du MIT, de Yale et Duke et implantée à Uyo, au Nigeria, Releaf envisage de réserver son prix de 20 000 dollars à des investissements futurs. Pour Femi Aiki, PDG de Foodlocker, lauréat du prix de 40 000 dollars dans la catégorie des Start-ups matures, ce financement de démarrage donne « un bon coup de vent dans les voiles » de son entreprise, soutient les petits agriculteurs en leur procurant des technologies pour produire des aliments comme les tomates et le poulet. « Avec ce prix, nous pourrons nous permettre d’acheter plus d’intrants. Nous disposons maintenant des fonds pour faire appel à davantage d’experts dans les chaînes de valeur qui peuvent soutenir les petits agriculteurs plus excentrés. Cet argent aidera l’entreprise à obtenir de bons résultats », a-t-il expliqué. Bref, pour la BAD, ce concours vise à encourager l’entreprenariat dans le secteur de l’agriculture, pour capitaliser les grandes opportunités qui se présentent en termes d’avantages comparatifs dont bénéficient de nombreux pays africains comme Madagascar. Antsa R. L’article Agriculture : 120 000 dollars offerts par la BAD aux gagnants du concours AgriPitch est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Agriculture : 120 000 dollars offerts par la BAD aux gagnants du concours AgriPitch a été récupéré chez Midi Madagasikara.

« Sport et Entrepreneuriat » : Une quarantaine de jeunes en formation à Diego
25/11/2020

Une quarantaine de jeunes à la découverte des métiers du sport et de l’entrepreneuriat. Le cinquième séminaire régional sur « Les métiers du sport et entrepreneuriat » a débuté ce lundi, et ce jusqu’au 27 novembre à Diego. C’est une initiative de l’ambassade de France à Madagascar, l’Académie nationale des Sports, en collaboration avec La Maison du Sport et la Direction régionale de la jeunesse et des sports Diana. Une quarantaine de jeunes sportifs et sportives de 15 à 25 ans toutes disciplines sportives confondues ou dans une association de jeunes ont suivi cette formation. Ils sont issus des trois régions à savoir Diana, Sava et Sofia. La formation a pour objectif de renforcer leurs compétences en matière de « métiers du sport et de l’entrepreneuriat », et en création d’entreprise dans le secteur.  « Comment faire pour que le métier du sport soit un emploi stable et à vivre ? » fait partie des thèmes importants à aborder durant les cinq jours. A travers cette formation, les participants pourront se familiariser avec tous les métiers du sport. La première journée de formation a vu l’engouement des jeunes. En effet, la formation a été suspendue à cause de l’épidémie de Covid-19. Par conséquent, l’effectif est limité à 40 participants pour cette édition. Manjato Razafy L’article « Sport et Entrepreneuriat » : Une quarantaine de jeunes en formation à Diego est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article « Sport et Entrepreneuriat » : Une quarantaine de jeunes en formation à Diego a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fikaonan-dohan’ny minisiteran’ny Fitsarana: ho tonga hatrany amin’ny fanamelohana ho faty ny fanolanana
25/11/2020

Mbola eny ambony latabatra aloha fa iandrasana vokatra mivainga. Mikaon-doha eny Ambohimanambola, hatramin’ny rahampitso ireo mpitsara miisa 138 manerana ny Nosy. Anisan’izany ireo miandraikitra ny raharaha momba ny herisetra mianjady amin’ny maha lahy na ny maha vavy. “Misy fidinana ifotony ataon’ny minisitera ho fanamafisana ny ady. Hapetraka ny tanjona fohy sy lavitra ezaka manoloana io herisetra sy fanolanana ankizy tsy ampy taona io”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Imbiky Herilaza, omaly. Notsiahiviny fa efa nisy ny toromarika hahafahana mametraka ireo mpitsara manerana ny faritra hiandraikitra izany ady izany.Fanamelohana ho faty amin’ny fanolananaHisy koa ny fivoriana momba ny heloka bevava sy ny herisetra. Ho avy ny fanentanana any amin’ny faritra ny amin’ny hanovana ny toe-tsaina sy ny fitondran-tena ary ny fametrahana ny fanenjehana sy fanasaziana, araka ny nambarany. Nanteriny fa tsy tokony hatahotra amin’ny fitorohana ny rehetra satria efa mihanaka ny raharaha ary ho tonga hatrany amin’ny fanamelohana ho faty io resaka herisetra sy fanolanana io. “Anisan’ny anton’io herisetra io ny zava-mahadomelina, ny resaka toe-tsaina. Eo koa ireo tokony hiteny nefa tsy sahy”, hoy ihany izy. Nanentana ny mpitandro filaminana ny fitsarana mba hitondra ny antontan-taratasy feno rehefa eny amin’ny fitsarana, hahafahana mitsara araka ny tokony ho izy.Fitsarana manakaiky vahoakaTafiditra amin’izao atrikasa izao koa ny famolavolana boky mampahafantatra ny asan’ny fitsarana, tafiditra amin’ny politikan’ny minisitera amin’ny fametrahana ny fanjakana tan-dalàna. Eo koa ny fiarovana ny zo.Tsiahivina fa anisan’ny miatrika izany ireo mpitandro filaminana, ny mpisolovava ary ny fiarahaomonim-pirenena. Hifantohan’ny dinika amin’izany ny fitsarana manakaiky vahoaka sy natao ho an’ny rehetra. Hihainoana sosokevitra izany ary havadika ho boky. Haparitaka ahalalan’ny rehetra ny dingana atao eny anivon’ny fitsarana sy ireo torolalana samihafa manodidina izany.Synèse R.L’article Fikaonan-dohan’ny minisiteran’ny Fitsarana: ho tonga hatrany amin’ny fanamelohana ho faty ny fanolanana a été récupéré chez Newsmada.

Misy mahita tombontsoa amin’ny korontana    
19/11/2020

Fiteny mandrakariva ny hoe tsy misy mahita na mahazo na manana tombontsoa amin’ny  korontana, indrindra ny hoe korontana politika. Marina ve izany? Nefa tena misy, rey olona,  ny mitady sy miady tombontsoa manokana amin’ny korontana. Tsy iza tsy iza fa ireo mpilalao politika fatra-piandry kendry tohina ka manararaotra korontana politika hahazoana toerana na fahefam-panjakana.Efa nisy teto izany ary ahina mbola mety hiverina. Tsy ilaozan’izay za-dratsy hahazo tombontsoa manokana amin’ny korontana politika. Tsy sahy miatrika fifidianana fa miandry kendry tohina amin’ny korontana politika. Amin’izany no mampirongatra ho azy ny karazana antoko na fikambanana politika maniry toy ny anana. Mba hahazoana toerana sy fahefam-panjakana amin’ny hoe fiaraha-mitantana.Heverina ho tia tanindrazana ho azy amin’izao avokoa ny olon-drehetra? Tsy inoana izay hoe hamotika ny fiainam-bahoaka, na hampikatso ny raharaham-pirenena… Marina koa ve izany? Tena misy, rey olona, ny tsy mahalala afa-tsy ny tenany sy ny tombontsoa manokana,  mpamadika tanindrazana aza. Tsianjery ihany ny hoe tsy misy mahita tombontsoa amin’ny korontana, samy tia tanindrazana avokoa…Tsy asian-teny betsaka eto andrao manakorontana: misy ny ady tombontsoa afitsoky ny firenen-dehibe sasany, mamboly korontana mivantana na ankolaka, hanomezana vahaolana na fandaminana ho amin’izay mahamety azy. Tsy zava-baovao izany fa fahita eran-tany. Ao aza ny karazana olona na fikambanana miafina na ankarihary karamaina amin’izany. Marina ihany koa ve izany? Samy mieritreritra…Ny tsy azo lavina, tena misy aza ny mitady korontana rehefa voatohintohina ny tombontsoany manokana. Na ahoana na ahoana, ady tombontsoa mandrakariva ny hoe politika? Arakaraka ny fifandanjan-kery amin’ny tombontsoa tadiavina, na iadiana, na arovana… Manao ny ataony hatrany ny mpanakorontana noho ny tombontsoa manokana? Anjaran’ny tena ny miaro tena, tsy ho voafandrika, mijoro, mandroso…Rafaly Nd.   L’article Misy mahita tombontsoa amin’ny korontana     a été récupéré chez Newsmada.

Pédophilie : Quinze vazaha arrêtés à Tuléar
20/11/2020

Le village de Mangily (22 km au nord de Tuléar) est mondialement connu comme le berceau du tourisme sexuel. Beaucoup d’actions de sensibilisation ont été menées auprès des mineures de 12 à 17 ans, afin qu’elles ne monnayent pas leurs corps aux touristes étrangers. Les premières ont, en effet, donné naissance à de jolies métisses et la pratique est devenue une culture locale. Quinze Vazaha habitant à Mangily ont été déférés au parquet hier 19 au tribunal de première instance de Tuléar (TPI). Une plainte a été déposée contre eux pour « détournement de mineures ». Hier soir, ils ont tous passé la nuit au bureau du commissariat de la ville. Le matin, les quinze ont répondu présents devant la Police des mœurs et de la Protection des mineures, avant le déferrement. Six sont placés sous mandat de dépôt. L’un d’entre eux a bénéficié de liberté provisoire. L’enquête se poursuit. Les épouses des présumés pédophiles pointent du doigt l’ONG Bel Avenir, comme auteur de la plainte contre les accusés de détournement de mineures. L’ONG en question éduque et s’occupe de trois mille jeunes et mineures à Tuléar (Kiambe) et à Mangily. Contacté à ce propos, le responsable Roseluiz nie et affirme que l’ONG Bel Avenir est tout à fait étranger à cette affaire qui fait du bruit en ce moment. Une « plateforme » s’occuperait de la communication. Cette plateforme est pourtant inaccessible et beaucoup de flou tourne autour de cette affaire. Le centre Vonjy, au sein du Centre Hospitalier Universitaire de Tuléar, s’occupe aussi des mineures. C’est la Première dame, en personne, qui l’a inauguré, au début de cette année 2020. L’ONG Bel Avenir cacherait-elle quelque chose ? Charles RAZA L’article Pédophilie : Quinze vazaha arrêtés à Tuléar est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Pédophilie : Quinze vazaha arrêtés à Tuléar a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Haintrano tao amin’ny oniversiten’Antsiranana: mpianatra iray maty, olona roa hafa naratra
23/11/2020

Niredareda ny afo tao amin’ny oniversiten’Antsiranana, ny sasakalin’ny asabotsy hifoha alahady teo. May tamin’izany ny trano fonenan’ny mpianatra ao an-toerana. Vokany, rava avokoa ny fotodrafitrasa vitsivitsy. Tovolahy mpianatra iray ao amin’ny taona faharoa, maty vokatry ny loza. Mpianatra roa hafa koa naratra mafy. Araka ny fanadihadiana, « court-circuit » ny nahatonga ny loza sy nitarika ny fahavoazana. Ao koa ireo nanazava fa nitsonika ny taribin-jiro fitsilovana teny ambonina tilikambo. Antony nipoiran’ny afo izany. Nikoropaka ny rehetra raha vantany vao niseho ny loza, tsy tafavoaka tamin’izany kosa anefa ny tovolahy iray vao 22 taona, mpianatra ao amin’ny taona faharoa ny « faculté des sciences » ao an-toerana. Vokany, sempotra tsy tafavoaka ilay trano may izy ka may sy namoy ny ainy. Ireo naratra mafy kosa, nalefa vonjimaika ao amin’ny hopitaly ao Antsiranana.Naharitra manodidina ny 3 ora ny fahamaizana ka nandravarava ireo fotodrafitrasa sy ireo fitaovana ao amin’ny oniversite. Raha ny tatitra navoakan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, maherin’ny 60 ireo traboina. Henitsoa HaniL’article Haintrano tao amin’ny oniversiten’Antsiranana: mpianatra iray maty, olona roa hafa naratra a été récupéré chez Newsmada.