Tolotra Fety – BNI: 1% isam-bolana ny zanabola

News - Tolotra Fety – BNI: 1% isam-bolana ny zanabola

News - Tolotra Fety – BNI: 1% isam-bolana ny zanabola

Hifarana izao ny taona, koa nampahalala ny tolotra fampindramam-bola Fety ny BNI Madagascar, omaly. « Ho fanomezana fahafaham-po ny fianakaviana hanomana ny fetin’ny Krismasy sy handraisana ny taona vaovao izany. Mandritra ny enim-bolana hatramin’ny dimy taona ny fe-potoana famerenana ny vola amin’ny zanabola 1 % ihany isam-bolana », hoy ny ao amin’ny BNI.

Tsy mahasakana io tolotra vaovao io ny findramam-bola ho an’ny fidiran’ny mpianatra, ho an’izay efa nanao izany ka hita fa mbola mahazaka ny karaman’ilay mpindrana, mpiasam-panjakana na amin’ny tsy miankina ; efa manana petra-bola ao amin’ny BNI na mbola vao hanokatra. Nanomboka ny 3 desambra teo hatramin’ny 31 janoary 2019 izany fampindramam-bola Fety izany. Aorian’izay, hisy fisarihana hanomezana loka maro samihafa, anisan’izany ny  fitsangantsanganana ho an’ny olon-droa miaraka.

Nasian-teny koa ireo ezaka vitan’ny BNI amin’ny fanokafana masoivoho vaovao, ohatra, ilay mandeha amin’ny herin’ny masoandro any Mahajanga. « Mila fampiasam-bola betsaka vao mahavita ireny satria ao anatin’ny andraikitry ny BNI ny fitarovana ny tontolo iainana », hoy ny mpandrindra ny masoivoho rehetra, Rasoloarijao Fanja. Jerena ihany koa ny fomba fandaminana ireo mpianatra mandoa ny saram-pianarany any amin’ny banky.

 

R.Mathieu

 

 

Article tiré de Newsmada

L’article Tolotra Fety – BNI: 1% isam-bolana ny zanabola a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 05/12/2018

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fitondrana repoblikanina misy lalàna sy rafitra                     

Fifanakalozan-kevitra indray izao no ketrehina sy takin’ny mpanohitra? Tsy zava-baovao fa efa fahazaran-dratsy, tarazo. Nefa na ny samy mpanohitra aza, tsy mifankahazo an-toerana be ihany: tsy mahay sy mahavita na mihevitra akory izay hifanakalo hevitra. Efa za-dratsy manohitra ny sasany, ka toherina avokoa izay azo mitranga.Izany rehetra izany, tsy inona fa kajikajy sy paipaika amin’izay hifampizarana andraikitra na seza fotsiny ihany: ady tombontsoa manokana hialokalofana amin’ny hoe fiaraha-mamaha olana, fiaraha-mandamina ny toe-draharaha amin’izay mahametimety ny tena iniana korontanina lava, fiaraha-mitantana amina tetezamita…Izay mandrakariva ve no ndeha hatao sy hiainana eto amin’ny tany sy ny fanjakana amin’izay heverina ho olana? Eny, na izay olana amin’ny tena na ny sasany manokana: fahaverezana na tsy fahazoana tombontsoa manokana, ohatra. Mahavery rariny ny vahoaka tsy mahita rirany amin’izay fampandrosoana noho ny adilahy politika lava.Mbola ilaina ve, ohatra, ny fifidianana, raha izany hatrany no atao ho lala-masaka amin’ny fitadiavam-bahaolana amin’itsy sy iroa? Nefa ny mpitondra no efa nampindraman’ny maro anisa amin’ny vahoaka fahefam-panjakana tamin’ny alalan’ny latsa-bato: hanatanteraka ny fanamby nifidianana azy, hamaha ny olan’ny vahoaka…Eny, na ny lalàmpanorenana aza, ohatra, tsy ilaina, raha fifanakalozan-kevitra ho amin’ny  fizarana toerana amin’ny fiaraha-mitantana lava no atao eto. Nefa efa voafaritra amin’izany, ohatra, ny amin’ny fe-potoam-piasan’ny mpitondra, ny rafitra na andrimpanjakana iadian-kevitra amin’izay tsy mety ataon’ny fahefana mpanatanteraka.Ny mampanontany tena amin’izany rehetra izany, sao tsy zakan’ny mpanao politika tsy sahy miatrika fifidianana ny fitondrana repoblikanina? Ao anatin’izany ny lalàna, ny rafitra, ny dingana sy fomba amin’izany… Politikan’ny mpitavandra toerana mora foana tsinona no iadiana sy tadiavina lava eto? Na ifandavoana sy ifandovana…Rafaly Nd.L’article Fitondrana repoblikanina misy lalàna sy rafitra                      a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Literatiora: namoaka ny boky “Lafatra” i Nala Tiana

Rehefa avy nitondra “Hafatra”, nitohy tamin’ny “Lafatra” indray… Nivoaka ny herinandro teo ny boky amboaran-tononkalo nosoratan’i Nala Tiana, izay nampitondrainy ny lohateny hoe “Lafatra”. Ahitana tononkalo miisa 70 eo izany ary 80 pejy. Nanao ny teny fanolorana i Fanojo Arivelo, izay manana ny toerany eo amin’ny sehatry ny literatiora ankehitriny. Ny edisiona Fontsy no nanatontosa ny boky.“Lafatra, eo amin’ny maha olombelona nofo dia sarotra hita ary tsy misy misy mihitsy ary izany hoe “tongalafatra” fa amin’ny maha zava-panahy masina ny poezia dia angamba mety hisy ihany ny lafatra noho ny fiboiboikan’ny kanto sy ny aingam-panahy ao anatiny… Hafaliana, alahelo, fitiavana, fankahalana ary indrindra fananarana no mandrafitra “lafatra” Tsy lafatra fehy lafatra fotsiny fa lafatra feno hafatra hampitraka ireo milofika”, hoy ny tovolahy nanazava ny tarakevitry ny boky. Amin’ny maha mpanoratra azy, efa maro ny seho an-tsehatra nandraisany anjara nanehoany ny talentany, raha tsy hilaza afa-tsy ny hetsiky ny mpizaka Stelarim tetsy amin’ny Craam Ankatso vao tsy ela akory izay. Marihina fa boky faharoa navoakan’i Nala Tiana ny “Lafatra”.NarilalaL’article Literatiora: namoaka ny boky “Lafatra” i Nala Tiana a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Ambositra : Vaccin anti-Covid 19

Une grande majorité des tireurs de pousse réticente La campagne de vaccination anti-Covid-19 se déroule comme prévu à Ambositra, bien que l’affluence tarde encore à se faire sentir au niveau de la population ciblée. Une population qui reste plutôt réticente pour diverses raisons. Face à la recrudescence de la pandémie qui sévit dans l’ensemble de ce district, le climat d’incertitude quant à l’efficacité de ce vaccin reste palpable. La municipalité d’Ambositra recense plus de 500 tireurs de pousse. Le pousse-pousse demeure un moyen de locomotion très utilisé jusqu’à présent, alors que dans la pratique, les mesures sanitaires sont difficilement applicables et le virus circule facilement. La grande majorité de ces tireurs de pousse affirme être réticente à se faire vacciner aux bras. Chose somme toute compréhensible dans la mesure où ces hommes utilisent leurs bras et leurs jambes pour travailler, et que ces injections et ces vaccins pourraient les handicaper pendant une durée indéterminée. Alors que comme beaucoup de Malgaches, ils sont obligés de travailler, trouver à manger pour nourrir leur famille au quotidien en ces temps de crise sanitaire. De plus, ils ne bénéficient d’aucune quelconque aide ou « tosika fameno ». Anastase L’article Ambositra : Vaccin anti-Covid 19 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Ambositra : Vaccin anti-Covid 19 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Midi Madagasikara

Musique : La dance cover en vogue

« Sao hagnenina » de Ljo très prisé en matière de dance cover. (Copyright : Loïc  photography) Petit à petit, le monde essaie de s’habituer à vivre avec le coronavirus. Tant bien que mal dira-t-on, et certains se trouvent plus dans une impasse que d’autres. Comme bon nombre de personnes dans le monde, les musiciens et chanteurs ont opté pour les interactions en ligne. Parmi ceux qui percent se trouve Ljo. Sur les réseaux sociaux, son morceau fait l’objet de reprises pour le bonheur des fans. Pour sa part la danseuse Olivia Faridah sort du lot en choisissant de faire un « dance cover ». A mi-chemin entre la danse contemporaine et urbaine, la jeune femme fait preuve de  talent et de créativité. Malgré la pandémie, Ljo fait partie de ces jeunes qui continuent de se frayer un chemin dans le monde de la musique. Après « Ninao », son duo avec Lion Hill, le jeune homme enchaîne les succès avec « Sao hagnenina ». La chanson en hommage aux disparus a produit l’effet escompté en matière de popularité. Par ailleurs, les singles de Ljo  sont disponibles sur les plateformes légales, en attendant les ouvertures de scène. Zo Toniaina L’article Musique : La dance cover en vogue est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Musique : La dance cover en vogue a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Fivorian’ny minisitra sy ny filohan’ny oniversite: hatomboka volana marsa avokoa ny taom-pianarana  

Hatomboka amin’ny volana marsa avokoa ny taom-pianarana ho an’ny oniversite enina eto Madagasikara, araka ny tapaka tao amin’ny fivorian’ny minisitry ny Fampianarana Ambony, profesora Richard Blanche Nirina sy ny filohan’ny oniversite enina, izay fanao isan-taona. Amin’izao fotoana izao, mbola mizotra ny taom-pianarana ka misy ny oniversite hamita ny taom-pianarana amin’ny desambra, ny sasany mety hiitatra hatramin’ny taona 2020. Toromarika nomen’ny minisitra ny tokony hisantarana ny taom-pianarana amin’ny fotoana iray. Mila mitovy koa ny fitantanana ny oniversite rehetra ka hampiasa ny comptabilité analytique ny tompon’andraikitra hampirindra ny kajy, hampifanaraka ny vola misy eo an-tanana sy ny asa hotanterahina. Hisy teknisianina havanana amin’ny fitantanam-bola hiara-kiasa amin’ireo tompon’andraikitry ny minisitera misahana ny vola. Napetraka ihany koa fa 1500 ora no tokony hataon’ny mpampianatra tsirairay, arakaraka ny asany fa misy ny fandaminana azo atao.Hojerena ny fanatanterahana ny fampanantenana Voaresaka tao anatin’ny fihaonana koa ny fitakian’ny mpampianatra mpikaroka eto Antananarivo (Seces). An-dalana avokoa ny antontan-taratasy ilaina min’ny fanatanterahana ny fampanantenana nataon’ny praiminisitra ka hanara-maso ny fivoaran’izany ny minisitera.Ho an’ny oniversiten’i Toamasina, efa vonona hanaraka ny toromarika amin’ny fitantanana mangarahara ny tompon’andraikitra, hoy ny fanazavan’ny filohany, i Zafitody Conscient.VonjyL’article Fivorian’ny minisitra sy ny filohan’ny oniversite: hatomboka volana marsa avokoa ny taom-pianarana   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Nesorina Ratsiraka Elysé: PDS vaovao Razafimanana Christain

Nilatsaka ny fanapahan-kevitry ny fanjakana nanaisotra azy amin’ny  toerany,  ben’ny Tanànan’i Toamasina, araka ny didim-pitondrana navoakan’ny minisiteran’ny Atitany, ny zoma 31 mey teo ka mametraka ny delegasiona  manokana (PDS), tarihin-dRazafimanana Christain, efa filohan’ny  mpanolotsain’ny kaominina ihany.  Ahitana mpiara-miasa roa miaraka aminy :  Razafiarisoa Marie Celestine  sy  Toto  Jean.  Nanambara avy hatrany  ny  PDS mitantana ny kaominina Toamasina fa hisy fanovana miaraka amin’nympiasa sy ny vahoaka. “Tanjona ny haha tena Renivohitry ny toekarena an’i Toamasina na fahadiovana na fandrosoana. Hojerena manokana ny momba ny karaman’ny  mpiasan’ny  kaominina, tsy voaloa 40 volana, mialoha ny 26 jona  izao”, hoy  izy.Ankoatra izany, hiditra an-tsehatra manomboka  anio ireo iraka manokana hanao ny fanadihadiana eo anivon’ny kaominina, araka ny efa nanambaran’ny filoha Rajoelina izany, ny 26 mey teo tany an-toerana.   Efa nahavita ny azy kosa ny mpisafon-draharaham-panjakana Ige sy ny avy amin’ny minisiteran’ny Atitany.Sajo L’article Nesorina Ratsiraka Elysé: PDS vaovao Razafimanana Christain a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé

IREO TOERANA VOATOKANA HANAOVANA NY VAKSINY FANEFITRA NY COVID-19 ETO AMIN’NY FARITRA AMORON’I MANIA

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « IREO TOERANA VOATOKANA HANAOVANA NY VAKSINY FANEFITRA NY COVID-19 ETO AMIN’NY FARITRA AMORON’I MANIA » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.L’article IREO TOERANA VOATOKANA HANAOVANA NY VAKSINY FANEFITRA NY COVID-19 ETO AMIN’NY FARITRA AMORON’I MANIA a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - News Mada

Rugby à XV vehivavy: hiady ny tapakila hiatrehana ny «Mondial 2021» ny Makis

Fanamby goavana no miandry ny Makis vehivavy, amin’ity. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny rugby lalaovina olona 15 mantsy izy ireo. Fihaonana, hiadian-toerana, ho an’ny “Mondial 2021”.Hotanterahina atsy Johannesbourg, Afrika Atsimo, ny 7 –  18 aogositra ho avy izao, ny dingana famaranana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny rugby lalaovina olona 15, sokajy vehivavy. Hanana ny lanjany, izany fihaonana izany satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2021”, tanterahina any Nouvelle-Zelande.Firenena efatra no hiady izany amin’ity dia i Afrika Atsimo, mpampiantrano, Oganda, Kenya ary ny Makis de Madagascar. Mifandimby mihaona ny rehetra ka izay ekipa be isa indrindra no ho tompondaka ary hisolotena an’i Afrika, any amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany.Raha ny fandaharam-potoana, hidona amin’ny Makis voalohany, ry zareo Kenianina. Lalao hotontosaina, ny 10 aogositra. Fihaonana faharoa, hikatrohana amin’i Afrika atsimo, ny 13 aogositra ary amin-dry zareo, Ogandà ny 16 aogositra. Manana herijika tsara handrombahana ny toerana voalohany, ny Makis, araka ny nambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Na izany aza, nomarihiny fa ry zareo Kenianina no heverina fa ho mafy ary tsy maintsy dinganina.Raha toa kosa ka ny laharana faharoa, no misy ny Makis dia hiatrika ny “repechage”, amin’ireo kaontinanta  dimy hafa. Hatreto, mbola mpilalao 36 no manaraka fanazarantena miaraka. Ny faran’ity volana jolay ity kosa vao hivoaka ny anaran’ireo 26 handrafitra ny Makis, ho atsy Afrika Atsimo. Tompondaka L’article Rugby à XV vehivavy: hiady ny tapakila hiatrehana ny «Mondial 2021» ny Makis a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Basikety-2021: Any Matsiatra Ambony ny N1A dingana voalohany

Tsy niandry ela, andro vitsy taorian’ny fiafaran’ny fifaninanana nasionaly N1A 2020, efa fantatra sahady ny daty sy ny toerana hanatanterahana ny dingana voalohany amin’ity fifaninanana ity, ho an’ny taom-pilalaovana 2021. Raha ny hita ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny federasiona malagasy ny basikety, hatao any Matsiatra Ambony, ny 12 hatramin’ny 20 jona izao, ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A lahy sy vavy. Efa-bolana monja, araka izany, ny hananan’ny ekipa mpandray anjara miomana ho fiatrehana indray ity fifaninanam-pirenena manana lanjany lehibe ho an’ny basikety malagasy ity. Amin’ny 2 hatramin’ny 10 oktobra kosa ny hanatanterahana ny dingana faharoa ny N1A, hatao eto Antananarivo ihany.Ankoatra izay, hisandrahaka manerana ny Nosy ireo fifaninanana nasionaly. Ny volana novambra 2021 kosa ny hanaovana ny Fivoriambe arahina fifidianana ho an’ny FMBB, izay tsy mbola fantatra ny toerana hanaovana izany. Mi.Raz L’article Basikety-2021: Any Matsiatra Ambony ny N1A dingana voalohany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hanomezana diplaoma manokana: tontosa ny CEPE andrana katolika

Nanatontosa ny CEPE andrana, omaly tontolo andro ny sekoly katolika manerana ny Nosy araka ny toromariky ny sampandraharaha misahana ny fampianarana ho an’ny fiangonana katolika (Dinec) izay nivory tany Toliara farany teo. Enina ny distrika mandrafitra ny Vikaria afovoany eto Antananarivo. Samy nandray anjara tamin’ny fanatontosana ny fanadinana CEPE andrana avokoa izy ireo, omaly tontolo ny andro. Ho an’ny teny amin’ny distrikan’i Mahamasina, nandeha tsara ny fanadinana CEPE andrana. Nisy ihany anefa ny ankizy vitsivitsy nanadino ny taratasy fiantsoana, 10 ireo mpiadina tsy tonga tamin’ny 1034 ao amin’ny kilasy 7ème. Vonona ny mpiadina, efa niomana koa ny ray aman-dreny satria tonga maro nanotrona ny zanany. Tonga daholo ny mpanabe, araka ny lamina efa napetraka. Taranja sivy, mihoatra roa amin’ny CEPE mahazatra no nanadinana ny ankizy, omaly. Sekoly 12 no mandrafitra ny distrikan’i Mahamasina;  Saint Michel, Sainte Famille, Providence, Sainte Chantale hatrany amin’ny sekoly katolika eny Anosibe, Anosizato, Antangaina, Ankazoto. Ankoatra eny Mahamasina, tafiditra ao anatin’ny Vikaria afovoany koa ny Mangasoavina, Isotry, Andohalo, Faravohitra ary Antanimena, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Vikaria afovoany momba ny fanabeazana, Razafimahatratra Rakotovao Jean Emile, omaly teny Amparibe.Mizara isaky ny distrika ny fanantanterahana ka ireo sekoly fito ao anatin’ny distrikan’Antanimena nanao ny fanadinana andrana teny amin’ny lycée Notre dame de rosaire Antohomadinika. Mitovy amin’ny fizotry ny CEPE karakarain’ny fanjakana ihany ny andrana ary tokana ny laza adina ho an’ny taranja rehetra. Mampiavaka azy fotsiny ny éducation à la vie et à l’amour  (EVA)sy ny fandalinam-pinoana amin’ny maha sekolim-pinoana azy ireo, hoy ny fanazavan’ny mpikarakara. Nilamina ny zava-drehetra ary nozarina sahady hiatrika fanadinana ny mpianatra. 588 ny isan’ny mpiadina ho an’ny sekoly katolika navondrona tao anatin’ny distrikan’Antanimena.Ilaina ny andrana tahaka izao hitsapana ny fari-pahazain’ny mpiadina sy hanitsiana ny lesoka raha misy izany, hoy ny ray aman-dreny, tonga nanatitra sakafo ny zanany ny antoandro.Hotolorana ny mari-pahaizana CEPE katolika ireo mpianatra tafita tamin’ny andrana, diplaoma tsy mahasolo ny mari-pahaizana omen’ny fanjakana fa manana ny lanjany kosa ho an’ny fampianarana katolika manokana, hoy ny mpiandraikitra ny fanabeazana eny anivon’ny sekoly katolika.Vonjy A. L’article Hanomezana diplaoma manokana: tontosa ny CEPE andrana katolika a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services DÉCLARANT EN DOUANE SENIOR
13/10/2021

Nous recrutons pour un client dans le domaine du transit:  DÉCLARANT EN DOUANE SENIORPoste basé à Antananarivo et Toamasina Missions :- Recueillir les informations nécessaires à l’établissement d’une déclaration en douane- Établir des nomenclatures douanières à utiliser- Réaliser la saisie des éléments d’une déclaration en douane à partir des documents reçus- Enregistrer les déclarations validées par le Responsable Douane- Garantir la transmission au service facturation des copies des DAU enregistrées dans la ligne de crédit de la société- Etablir les DAU draft pour les clients qui en ont besoin Profil:- Bac+3 a en commerce international ou équivalent- Expérience de 02 ans minimum dans le domaine similaire- Bonne connaissance des opérations douanières et des législations douanières- Bonne maîtrise de la langue française- Maîtrise des outils bureautiques- Rigoureux, Integer et dynamique Envoyez-nous votre candidature à talent@human-talent-consulting.com avec comme objet du mail la référence DECLARANTDOUANE-1021Veuillez préciser dans votre candidature la localité du poste qui vous convient. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services DÉCLARANT EN DOUANE SENIOR".

Emploi et services COURS PARTICULIER à DOMICILE MATHEMATIQUES programme française et/ou Malagasy et/ou Universitaire
13/10/2021

Ayant 9ans d'expérience dans le domaine de l'enseignement et diplômé en Master Mathématiques. Je vous propose des cours particulier à domicile et ou en ligne - mathématiques (6ème --> Tle A, C, D, spé math ou techno) - mathématiques appliquées, mathématiques financières, statistiques, base informatiques(L1, L2, L3 Universitaires).  N'hésitez pas a me contacter pour plus d'information. Mr Jackis Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services COURS PARTICULIER à DOMICILE MATHEMATIQUES programme française et/ou Malagasy et/ou Universitaire".

A vendre Ordinateur portable HP Compaq 6910p AMIDY
13/10/2021

Amidy Ordinateur portable HP en bon étatWindows 8.1 pro  Processeur Intel core 2duo  Ram 2gb  Graph AMD Radeon X2300 (256mb) Dur 100 go Ecran 14.1" Misy lecteur CD DVD.3 ports USBEfa misy Office 2016Batterie 50 mn environ Mandeha tsara avokoa ny zavatra rehetra. Azo antoka.Mail: kelydoda724@gmail.comFacebook: Doda Kely   Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Ordinateur portable HP Compaq 6910p AMIDY".

Emploi et services ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
15/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

Emploi et services COMMERCIAL SENIOR
13/10/2021

 Nous recrutons pour un client dans l’impression et fabrication en papier :  COMMERCIAL SENIOR Missions :- Identifier des cibles pertinentes et rechercher de nouveaux marchés- Prospecter et développer le portefeuille clients- Assurer la gestion et le suivi de la relation clients BtoB- Participer à l’élaboration et l’optimisation du plan d’action commercial et le mettre en œuvre- Assurer le suivi de l’activité commerciale via tableaux de bord relatifs à l’activité Profil :- Titulaire d’un bac +3 en commerce, marketing, vente ou équivalent- Minimum 2 ans d’expérience réussie dans le domaine commercial- Possession d'un portefeuille client entreprise serait un atout- Bonne connaissance et intérêt pour le marché BtoB- Maîtrise des techniques de vente et de négociation- Bonne maîtrise de la langue française- Ayant une aisance relationnelle et un bon sens de la communication- Rigoureux(se), proactif(ve) et flexible- Titulaire du permis moto Envoyez-nous votre candidature à talent@human-talent-consulting.com avec comme objet du mail, la référence COMMERCIAL-1021 Tél: 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services COMMERCIAL SENIOR".

A vendre Residence Rundong
15/10/2021

La Société Run Dong International Development S.A.R.L est en cours de constructions d’ un grand  projet qui consiste à construire une résidence de haut standing qu’ on a nommé  ‘’ Résidence Run Dong ‘’ située à Tanjombato - Anosimahavelona 500m du pont de Jumbo Smart.Nous allons commercialiser plusieurs appartements différents selon votre choix avec ou sans piscine.T3 1 living +2 chambres = 89m2 – 112m2T4 1 living +3 chambres = 112m2-136 m2-148m2T5 1 living +4 chambres = 148m2T4 et T5 avec piscine privée = 255m2En Duplex = 1ere étage 150m2 et rez de chaussé = 190m2Si nos appartements vous intéressent nous vous incitons déjà à réserver dès maintenant car vous bénéficieriez d’une grande réduction de prix et d’autres avantagesN’hésitez pas à nous contacter si vous avez besoins d’autres renseignements complémentaires034 37 333 33 / 033 05 666 66 / 033 25 999 999Contactrdg69@gmail.comNotre site: www.residencerundong.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Residence Rundong".

Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE
13/10/2021

Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSEProfil : -  FEMME de plus de 20 ans -  Expériences dans le domaine de la vente de produits informatiques seraient un atout -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 2 minimum en Informatique -  Parfaite maîtrise du français oral/écrit et des outils informatiques et bureautiques, notamment Word et Excel -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Mission : -  Accueil client au magasin et réception d’appels clients -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Développement des ventes compte tenu des objectifs de ventes du magasinEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste de « STAGIAIRE VENDEUR »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE".

Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
13/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

Emploi et services Manao Instrumental
13/10/2021

Manao Instrumental Rap, rnb, zouk, tropical, salegy, reggae, ragga, évangelique, chorale, folk, piano, sy ny manodidina azy rehetra, tononkira, feonkira, video lyrics, mise en youtube, manampy vue am youtube, Afaka manome tononkiraAfaka manao video liricsFacebook.com/instrukreator Prix mora Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Manao Instrumental".

Emploi et services Travail stable pour les Malgaches
13/10/2021

KAZAJOBS est une plateforme dédiée aux Malgaches qui veulent travailler depuis la Maison: (Assistants Virtuels) même pour les débutantsVous pouvez gagner des revenus depuis la maison... Un ordi, une connexion internet et le rêve d'une vie meilleure suffisent.Veuillez vous inscrire sur le lien : https://kazajobs.com/referral?&r=701037108 c'est totalement gratuitCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail stable pour les Malgaches".

A vendre Yamaha twin
11/10/2021

moto : Yamaha twin 850ccContact: 0330805246Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Yamaha twin".

Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
13/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

Notsongaina

Fisotroan-dronono: nilahatra maharitra ireo zokiolona
12/10/2021

Nanomboka omaly ny fizarana fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona eny amin’ireo tahirim-bolam-panjakana eto Antananarivo. Efa nisy ny fandaminana napetraky ny tomponandraikitra mba tsy hisian’ny filaharambe sy hitsinjovana ireo ray aman-dreny. Omaly anefa, tsikaritra tetsy amin’ny “perception” tetsy Ankadifotsy fa nilahatra maharitra ireo zokiolona tonga teny. Nisy tamin’izy ireo efa tonga teny tamin’ny 6 ora maraina kanefa tsy voaray raha tsy efa antoandro.Velon-taraina, noho izany, izy ireo ary nisy mihitsy no safotry ny hafanana sy ny havizanana ary ny hanoanana rehefa nilahatra ela loatra. Marihina fa ireo manana laharana miafara amin’ny 4-5-6 no handray ny volany, anio. Mitohy izany ho an’ireo manana laharana miafara amin’ny 7-8-9 maka ny anjarany, rahampitso alarobia. Anjaran’ny laharana miafara amin’ny A-B-C-D kosa, ny alakamisy. Natokana ho an’ireo mitondra “procuration” sy ireo taraiky kosa, ny zoma. Ho an’ny faritra hafa, mety miova ny daty fanombohan’ny fizarana fa mitovy ny fandaminana amin’ny laharana.Azo alaina amin’ny fotoana rehetra ny vola fisotroan-dronono ho an’ireo izay mbola tsy nahazo izany tamin’ny andro voatondro.Tatiana AL’article Fisotroan-dronono: nilahatra maharitra ireo zokiolona a été récupéré chez Newsmada.

Basikety N1A 2021: misalotra ny anaram-boninahitra ny Mb2All Analamanga sy ny Cospn Analamanga
11/10/2021

Nifarana, omaly, teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara, N1A lahy sy vavy, taona 2021. Voahosotra ho tompondaka ny ekipan’ny Mb2All Analamanga sy ny Cospn Analamanga.Nanao pao-droa ny ekipa an’Analamanga, tamin’ity fifaninanam-pirenena N1A 2021 ity.  Nafana sy nampitsanga-nitoetra ny mpijery ny lalao famaranana, na teo amin’ny sokajy lehilahy izany na ny sokajy vehivavy. Niakatra ny lentan’ny mpilalao tamin’ity, hany ka niady ny fifandonana. Teo amin’ny vehivavy, fitaintainana hatramin’ny farany ny niandrasana izay hibata ny amboara. Na dia somary nangatsiatsiaka aza ny ekipan’ny SBBC Boeny tany am-panombohana, nanezaka mafy izy ireo ka nitsimbadika ny isa teny amin’ny solaitrabe. Tsy nahasakana ny ekipan’ny Mb2All anefa izany ka azony ny amboara, tamin’ny isa 71 no ho 69, sengondra vitsy tsy hifaranan’ny lalaon’ny roa tonta. Tsiahivina, intelo nisesy izao ny nisaloran-dry Malala sy ry Rasoa ary ry Murielle ny anaram-boninahitra ho tompondaka an’i Madagasikara. Laharana faharoa toy ny tamin’ny taon-dasa hatrany kosa ny ekipan-dry Maeva, Coralie, Dalya ary Sarobidy.Nangotraka ihany koa ny teo amin’ny sokajy lehilahy Toraka izany koa ny teo amin’ny sokajy lehilahy, nangotraka ny fihaonan’ny Cospn Analamanga sy ny Sebam Boeny, nandritra ny lalao, omaly. Ekipan’ny samy henjana ka samy tsy nisy nanaiky lembenana. Nifandimbiasana ny fampitomboana ny isa teny amin’ny solaitrabe. Nisy fotoana efa nifanakaiky be 22 no ho 23 ny isa, nandritra fizaram-potoana faharoa.  Nitohy tamin’ny fizaram-potoana fahatelo sy farany izany, somary nihalefy kely anefa ny herin-dry Faralahy sy ry Martial ka nobatain’ny ekipan’i Livio sy ry Kakay mora foana, tamin’ny isa 57 no ho 50 ny fandresena. Indroa izao ny nisaloran’ny Cospn izao tompondaka nasionaly ny N1A, sokajy lehilahy izao.Lavo tamin’ny manasa-dalana ny andrarezinaTsy nampoizin’ny maro ny valin-dalao teo amin’ny manasa-dalana, teo amin’ny sokajy lehilahy. Nolavoin’ny Sebam tamin’ny isa hety dia hety …. ny andrarezina, ny GNBC. Tafapetraka teo amin’ny laharana fahatelo kosa anefa ity ekipan’ny Zandary ity, rehefa nandavo ny Cosfa tamin’ny isa 68 no ho 60. Laharana fahadimy ny Mb2All, faha-6 ny Ascut, faha-7 ny Cospn 2 ary faha-8 kosa ny As Fanalamanga. Teo amin’ny vehivavy, laharana fahatelo ny Cospn2 Atsinanana rehefa nanilika ny Ankaratra, tamin’ny isa 66 no ho 65. Laharana fahadimy ny Jea Vakinankaratra, faha-6 ny Serasera Vakinankaratra, faha-7 ny Tamifa Amoron’i Mania ary faha-8 kosa ny Ascut Atsinanana.Mi.RazVehivavyMM:  Ramino Nivo Irma N°7 – COSPN2 (192)MVP:  Ranarisaona Elinah Chantiah N°23 -MB2ALLEkipa Fair play: Serasera VakinankaratraLehilahyMM: Tsialefitra Jino N°14 – COSPN2 (252)MVP: Ratianarivo Livio N°06 -CospnEkipa Fair Play: Ajrt Androy L’article Basikety N1A 2021: misalotra ny anaram-boninahitra ny Mb2All Analamanga sy ny Cospn Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

Basket-ball – Tana-ville : Mamisoa Lalaina Rakotomavo élu président 
11/10/2021

La section Tana-ville de basket-ball a un nouveau patron, il s’agit de Mamisoa Lalaina Rakotomavo. Ce nouveau président a été élu à l’issue d’une Assemblée Générale Elective de la section en date du 26 septembre. La passation de pouvoir entre ce dernier et le président sortant Edson Rabakoherinjatovo, s’est tenue samedi à Ampefiloha. Sans tarder, les membres du bureau ont été déjà constitués. Le lancement officiel de leurs activités est prévu le 23 octobre et les projets à réaliser durant son mandat se divisent en deux grandes parties. « Nous aurons comme première tâche la multiplication des compétitions à commencer par la catégorie U10, afin que les clubs aient suffisamment de temps de jeu durant la saison. Nous devons aussi améliorer la technique de gestion et mettre en place une base de données. L’objectif final c’est de promouvoir la discipline dans la section, et de rehausser le niveau technique des joueurs. Pour cela, il est essentiel de trouver des partenaires clés. Ainsi, il est important d’avoir une collaboration étroite avec l’Etat afin que nous puissions bénéficier ou au moins avoir facilement un accès aux infrastructures sportives pour les championnats », a fait savoir le président. Les membres du bureau : Mamisoa Lalaina Rakotomavo (Président),  Helina Randrianjatovo (SG), Mialitiana Ratsimba (Trésorier), Jean Felix Andrianantenaina (Responsable technique),   Olivier Ranaivoson, Fenonjara Rakotomaharo, Arsène Rakotoarimanana, Prisca Radafy, Lalaina Randrianiaina (Conseillers), Idealisoa Ramanoelinirina (Secretaire). Manjato Razafy  L’article Basket-ball – Tana-ville : Mamisoa Lalaina Rakotomavo élu président  a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Me Olala – Fitsarana raharaha goavana: “Misy mahazo tombony amin’ny fitarazohan’ny « Apollo21 »
12/10/2021

Nitondra ny heviny, manoloana ireo raharaham-pitsarana anisan’ny lehibe eto amin’ny firenena ny mpisolovava, Me Olala. Anisan’izany ny fikasana hamono ny filoha na ny “Raharaha Apollo 21” sy ny momba ilay volamena 73,5kg atsy Afrika Atsimo.“Misy mahazo tombony amin’ny fitarazohan’ny raharaha fikasana hamono ny filoha. Na izany aza, mizotra araka ny dingana rehetra ny antontan-taratasy ary manara-dalàna izany. Tsy mametraka ahiahy amin’izany izahay”, hoy izy raha nantsoina an-telefaonina, omaly. Nisafidy ny tsy hanonona izay mahazo tombony amin’izao fahelan’ny firosoana amin’ny fitsarana izao anefa ny tenany.Etsy an-daniny, nitondrany ny heviny koa ny momba ilay volamena 73,5kg atsy Afrika Atsimo. Mazava ny nambarany fa tompon’ny fanapahan-kevitra momba izany ny fitsarana sy ny fanjakana afrikanina tatsimo. “Tratra tany an-toerana fa tsy teto amintsika ilay volamena sy ireo teratany malagasy miisa telo, ahina ho voasaringotra amin’io raharaha io ka miankina amin’izy ireo any izany”, hoy ihany izy.Vatosoa 8 kaontenera sarona  Hatreto aloha izany, tsy mbola voafaritra ny fotoana hiakaran’ireo raharaha roa lehibe ireo eny anivon’ny fitsarana. Na ny “Raharaha Apollo 21”, nanomboka ny volana jolay teo na ilay “73,5kg” any ivelany, efa nipoaka nanomboka ny faran’ny taona 2020.Na izany aza, efa hiakatra fitsarana, ny 14 oktobra izao ilay “Raharaha vato sarobidy, valo kaontenera” saron’ny ladoany tany Toamasina. Anisan’ny andrasana koa ny momba izany.Synèse R. L’article Me Olala – Fitsarana raharaha goavana: “Misy mahazo tombony amin’ny fitarazohan’ny « Apollo21 » a été récupéré chez Newsmada.

Lapan’ny tanàna Analakely : tafapetraka ny tsangamby kanto mifono hafatra
11/10/2021

 Fanomezan-danja ny sanganasan’ny mpamorona malagasy sy fanaingoana ny tanànan’Antananarivo renivohitra, miavaka ny tsangamby notontosain’i Joël Andrianomearisoa etsy Analakely…Ao anatin’ny fanatsarana ny tanànan’Antananarivo renivohitra sy ny fanasongadinana hatrany ny kolontsaina entin’ny mpanao zavakanto malagasy, notokanana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely, ny asabotsy lasa teo ny sanganasan’i Joël Andrianomearisoa. Mifono hevi-dalina izay miainga amin’ny fanatanterahana ny nofinofy iombonan’ny tsirairay izany.  Napetraka eo anoloan’ny lapan’ny tanàna manokana io soratra amin’ny vy lehibe mirefy valo metatra  « Eto isika dia manandratra ny nofin’izao tontolo izao » io hahafan’ny mponina Antananarivo mianoka izany kanto raketiny izany, indrindra amin’ny maha renivohitra azy.  Eo koa ny fahazoana  fisainana  miabo hatrany ho an’ny mpamaky ity sanganasa ity. Niaraka nisalahy tamin’ny fanatontosana tanteraka io tsangamby io moa ny teo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny “Fond Yvarhoussen”. Raha tsiahivina, efa maro ny firenena tany ivelany nanehoan’i Joël ny sanganasany ary tsy nataony diso anjara tamin’izany ny renivohitra.Tsiferana R.L’article Lapan’ny tanàna Analakely : tafapetraka ny tsangamby kanto mifono hafatra a été récupéré chez Newsmada.

CENI : Rapport de fin de mandat le 29 octobre prochain
13/10/2021

La CENI procédera à son rapport de fin de mandat du bureau permanent 2015-2021, le 29 octobre prochain à son siège à Alarobia. Elle est chargée de l’organisation et de la gestion de toutes les opérations électorales et référendaires. Dans l’exercice de ses attributions, la CENI agit en toute indépendance, impartialité, intégrité, transparence et professionnalisme. Elle est autonome, dans la prise de décisions qui entrent dans le cadre de l’exercice des attributions qui lui sont conférées par la loi. Les membres de la Commission Électorale Nationale Indépendante ne reçoivent aucune instruction dans l’exercice de leurs fonctions, et ne sollicitent pas d’instruction, d’ordre ou d’injonction d’aucune autorité publique, privée ou politique. Ces articles qui régissent la commission électorale n’ont pas été respectés, d’après certaines entités. Recueillis par Dominique R.L’article CENI : Rapport de fin de mandat le 29 octobre prochain a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fifampitokisana mila fahatokisan-tena
11/10/2021

Tsy fifampitokisan’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana no lazain’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) no anisan’ny mahatonga ny olana aloha na mandritra na aorian’ny fifidianana. Aiza na inona no tena fototra sy fositra amin’izany? Ahina lava ny mety hisian’ny korontana.Ny tsy fanajana sy fampiharana amin’ny antsipiriany sy manontolo ny lalàna ve, ohatra, no mahatonga ny fifampiahiahiana lava? Misy ny mihevi-tena ho ambonin’ny lalàna, mibahan-toerana loatra ny kajikajy sy paipaika politika ka voahosihosy ho azy ny lalàna… Eo koa ny rafitra, ny fomba fiasa…Tsy vitan’izay, ao ny tsy matoky tena amin’izay lazainy sy ataony, hany ka miahiahy hatrany ny hafa ho antony tsy fahombiazan’ny tena? Na tsy mahalala ny momba aza izy amin’izany, fa mitsapatsapa fotsiny ka mitsarapaka any amin’ny fahavoazana. Dia ny hafa no omen-tsiny, ialana vonkona…Atao ahoana, ohatra, ny handresen-dahatra ny hafa amin’ny fifidianana, raha ny tena aza tsy resy lahatra amin’izay lazaina sy atao? Iray tarika amin’izany ny matokitoky tena fahatany na mitompo teny fantatra fa tsy maintsy ho voafidy. Nefa na herin’ny tena aza, ohatra, tsy fantatra mazava.Ekena, mety manao ny ataony tokoa ny hafa: ady fiady ny fifidianana. Mety eo koa ny lalàna, ny rafitra, ny fomba fiasa… Na izany aza, miankina  amin’ny fahatokisan-tena marim-pototra eo amin’ny tsirairay no anisan’ny manorina ny fifampitokisana amin’izay atao. Izay matoky tena no azo itokisana?Amin’izany, atao izay lazaina ary lazaina izay atao. Dia mifanara-maso sy mifampiteny: iza no manao inona, iza no tsy manatanteraka? Hampiharina ny lalàna amin’izany raha ilaina, na iza izy na iza manao ny tsy mety. Tsy misy henamaso na tahotra, na fangatahana andro. Ho vita ve izany?Izay ilay hoe miankina amin’ny tsirairay miaraka amin’ny fampiharan-dalàna, hisian’ny fangaraharana fa tsy hifampitahana an-toerana. Hisy fahatapahan-kevitra, fahasahiana, fahavononana, fijoroana…? Ny tena na ny tsirairay no antony, fa ny atao ihany no mampikorontana na tsia?Rafaly Nd.L’article Fifampitokisana mila fahatokisan-tena a été récupéré chez Newsmada.

 35 taonan’ny Tarika Kiaka: nafana ny fiarahana tamin’ny mpankafy
12/10/2021

Heni-boninahitra ny fankalazana ny faha35 taona ho an’ny tarika Kiaka… niara-nifety tamin’ny mpankafy mozika metaly tetsy Antsahamanitra, afakomaly tolakandro izy ireo. Novazoina tao avokoa ireo hira nanamarika ny tarika. Nampitora-jofo ny mpiondana metaly, ohatra, ilay hira “Revy” nataon’ny tarika Kiaka, ary nanehoan’izy ireo ny maha izy azy, na tamin’ny fomba fihira izany, na ny fomba fitendrena zavamaneno.  Nanotrona azy ireo amin’izany i Niry avy ao amin’ny tarika Iraimbilanja, i Abasse avy ao amin’ny tarika Apost, i Jacquot amin’ny tarika Green. Nikarakara ity hetsika ity ny Gasy Fest. Ny taona 1986 ny niforonan’ny tarika Kiaka. Ny kiaka dia avy amin’ny hoe hiaka hoenti-mampita hafatra, raha ny nambaran’izy ireo. Tafita tokoa ny hafatra matoa mbola am-bavan’ny olona ireo tononkira maro isan-karazany, toy ny “Ilay mahantra” sns…NarilalaL’article  35 taonan’ny Tarika Kiaka: nafana ny fiarahana tamin’ny mpankafy a été récupéré chez Newsmada.

STAR : 217 collaborateurs récompensés pour leur fidélité
14/10/2021

Les collaborateurs de STAR, décorés lors d’une cérémonie organisée hier au Carlton Anosy. Un poids lourd de l’industrie nationale. C’est ainsi que la STAR est décrite par son DG Marc Pozmentier, lors de la cérémonie  de remise de médaille de travail et distinctions honorifiques  aux collaborateurs de la société. En effet, la STAR affiche plus de 2.550 emplois directs, 5 usines et 15 agences commerciales à travers le pays. « Nous sommes d’ailleurs très fiers de voir apposer sur l’ensemble de notre production le label Malagasy Ny Antsika que nous a attribué le SIM (Syndicat des industries de Madagascar). C’est une reconnaissance de notre implication permanente dans la promotion et la défense du Vita Malagasy cher à chacun d’entre nous. Seul, nous ne sommes rien, ensemble nous pourrons déplacer les montagnes et surtout viser les étoiles », a-t-il déclaré. À noter que la société a récompensé 217 employés pour leur fidélité, lors de cérémonies organisées dans plusieurs villes. La dernière s’est tenue hier, au Carlton Anosy, pour 63 récipiendaires. Parmi les employés décorés, 154 récipiendaires ont obtenu une médaille de travail, 58 ont reçu le grade de « Chevalier de l’ordre national », et 5 ont reçu le grade de « Officier de l’ordre national ». Par ailleurs, pour marquer l’existence d’un réel partenariat public-privé, les dirigeants de STAR ont invité les autorités locales à chaque cérémonie. Antsa R.L’article STAR : 217 collaborateurs récompensés pour leur fidélité a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Analanjirofo : Développement régional
12/10/2021

Le député de Soanierana Ivongo donne la leçon   Tout comme le ministre de la Justice, Imbiki Herilaza, a sacrifié trois mois de salaire pour le Sud, le député Ramamonjisoa Rakotonirina, député de Soanierana Ivongo, a accepté de payer le fuel de l’ambulance d’évacuation sanitaire vers Fenerive-Est pendant tout son mandat de député.   L’activité fluviale de Fotsialalana, une des neuf communes rurales de Soanierana Ivongo, va bon train. En 1966, un maire y a apporté une amélioration particulière pour booster le commerce et espérer une bonne redevance quand les récoltes de girofles, d’essence de girofle, de cannelles vont affluer pour renflouer les caisses de la mairie et accomplir des devoirs de redevabilité. « L’autre homme fort de la localité », dit le journaliste Brudo Raseta, « c’est le député Ramamonjisoa Rakotonirina ». Il veut satisfaire son électorat à tout prix, en réponse à la confiance qui lui a été accordée. Observant les traditions successives des maires, il s’est rendu compte, lui aussi, de l’utilité du port de Fotsialanana, un point stratégique commercial, donc à améliorer coûte que coûte. Il va utiliser le CIAD 2021, ex-commission locale de développement, pour construire un nouveau port, comme le veut la bonne gouvernance. Toujours dans le souci de fluidifier la circulation des gens, comme celle de la monnaie. En outre, il va faire construire deux ponts (un de 10m, un autre de 36m), exécutés en quatre mois, par l’entreprise Eco-Tsarazara. Dans l’agenda de ses actions figure, enfin, la finition de la salle de spectacle de la ville de Soanierana Ivongo, qui sera inaugurée le 23 octobre prochain. Ainsi se construit une nation, comme le disait le Président Kennedy. « Ne pas attendre ce que votre pays peut faire pour vous mais proposer ce que vous pouvez faire pour votre pays ». Il y a tant d’hommes de bonne volonté pour faire avancer leur patrie, leur ville, leur pays. Charles RAZA  L’article Analanjirofo : Développement régional a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Razafiarivony Solofohery Angelot: manana ny diplaoma faratampony amin’ny fanazarantena avo lenta
11/10/2021

Fanta-daza amin’ny lafiny fanazarana sy fitarihana ny tanora mpilalao basikety, Razafiarivony Solofohery Angelot, tale teknika nasionaly eo anivon’ny federasiona malagasy ny basikety. Nandalovany avokoa ny sehatra maha mpilalao, mpanazatra ary mpitsara, fa ny teo amin’ny maha mpanazatra  ny tena nanamarika azy. Isan’ireo mpanazatra manana ny diplaoma faratampony amin’ny fanazarantena avo lenta na ny “Entrainement de Haut Niveau-Niveau 4) izy, izay vitsy dia vitsy ny mpanazatra manana azy io maneran-tany. Tany Canada ny nahazoan’ny DTN Angelot izany, ny taona 2008. Mbola niatrika fiofanana momba ny “Sciences appliquées aux Sports” tany Canada ihany koa izy, ny taona 2006 ka nahazo ny diplaoma Niveau 3, nitohy hatramin’ny taona 2013 ny fiofanana. Talohan’ireo fotoana ireo, efa nanana ny lazany teo amin’ny fizarana traikefa, ho an’ny taranja basikety, Razafiarivony Solofohery Angelot. Saika mibata fandresena avokoa ny ekipa volavolainy, isan’izany ny klioban’ny Fanjamy tany Mananjary, nahazo ny tompondakan’ny faritra Fianarantsoa intelo nisesy, ny taona 1988, 1989 ary 1990. Nanamarika azy kosa teo amin’ny lafiny fitsarana lalao ny nahafahana ho mpitsara nasionaly, ny taona 1995 ary “major de promotion” mihitsy tamin’izay. Tsiahivina fa efa nanomboka, ny taona 1977, Razafiarivony Solofohery Angelot ny nitsara lalao basikety, izay mbola mpianatra asa tamin’izay.Nilalao tamin’ny seza mihantonaNanomboka tany amin’ny taona 1972 tany Fort Dauphin ny nilalao basikety, Razafiarivony Solofohery Angelot, seza mihantona fa azo ampidirana baolina ny nilalaovana tamin’izany, raha ny fitantarany. Tia fanatanjahantena ny rainy ka nampitaina taminy sy ny iray tampo taminy izany. Tsy ny basikety ihany no nolalaovina fa teo ihany koa ny Hand ball, ny Volley ball, ny baolina kitra ary indrindra ny tenisy ambony latabatra. Isan’ny klioba nandalovan’ny DTN Angelot, ny COCE (Club Omnisport de Côte Est), ny 3FM Mananjary, niarahany tamin’ny mpiray tampo taminy miisa sivy mianadahy (5 vavy- 4 lahy) ary ny BTM. Isany niara-nilalao tamin’i Angelot tamin’izany koa i Herman, i Kiki, i Raymond, i Coco lavaloha, i Didi; i Loulou, i Mamiherilala, i Momo, i Solo, i Noarison, i Firaisana, i Jacques, i Rolland, i Grégoire ary i Tovo, mpilalao tany Mananjary avokoa.Vy nahitana ny fandresena tany Maorisy sy MaraokaTaom-pahombiazana ho an’ny taranja basikety, ny tamin’ny taona 2019. Isan’ny vy nahitana izany fandresena izany ny DTN Angelot, ka nahazoan’ny ekipa malagasy ny medaly volamena tamin’ny lalaon’ny Nosy tany Maorsiy sy nandritra ny lalao afrikanina tany Maraoka, teo amin’ny sokajy 3×3. Ankoatra izay, filohan’ny delegasiona, taranja basket tamin’ny lalaon’ny “francophonie” tany Niamey-Niger ihany koa izy, ny 2005 ary laharana faha valo isika tamin’izany. Nahazo loka iraisam-pirenena kosa, ny taona 2017 (voalohany tamin’ny fifaninanana fitarihana fiofanana). Nanamarika azy koa ny naha mpitarika fiofanana teto an-toerana sy iraisam-pirenena, indrindra aty amin’ny faritra fahafito. Efa nanofana mpanazatra basikety miisa 598 ka ny 36 amin’ireo dia aty amin’ny faritra fahafito.Mbola mila ezaka ny basikety etoMbola maro, hoy ny DTN Angelot ny lesoka, toy ny tsy fahafehezana ny fototra ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa sy fitaovana toy ny baolina… Eo koa ny tsy fahampiana eo amin’ny lafiny ara-bola ka miteraka faharavan’ny klioba ary ny fakana tahaka fahatany ny NBA. Tsy tokony ho kivy anefa, hoy izy, ny mpanao basikety fa efa maro ireo toerana manana sekolin’ny basikety ary azo isafidiana tsara. Etsy an-kilany manao izay ho afany ny FMBB amin’ny fanofanana sy fampandehanana ireo mpilalao hiatrika fiofanana any ivelany. Mandrisika ny rehetra hatrany, Razafiarivony Solofohery Angelot, hanao fanatanjahantena satria mahasalama sy mampavitrika ary mahalasa lavitra raha hay ny mandanjalanja azy amin’ny fianarana.Mi.Raz1981-1991:Filoha lefitra ny mpitsara (Fianarantsoa)1985: Mpanazatra1995-1997: Filoha ny “commission régionale arbitre”(Antananarivo)1998: Filoha ny CCA2003-2005 : DTN lefitra2006-2007/2017-2021 : DTN2008-2021 : « Instructeur » FIBA Afrika2017 : Commandeur de l’Ordre National/Diplaoma « Management du Sport ».L’article Razafiarivony Solofohery Angelot: manana ny diplaoma faratampony amin’ny fanazarantena avo lenta a été récupéré chez Newsmada.

Chronique de Mickey
11/10/2021

La Marine n’a pas le vent en poupe On vous le dira toujours, parlez et médisez sur les autres et pendant ce temps tout se passera bien chez vous. Ainsi, on ne se fâche pas à la maison, les petites bisbilles sont tues et tout le monde pensera que chez nous est toujours le meilleur des mondes. Chez les Le Pen, par exemple, de toutes les façons, on se dit mal, même dans leur propre famille. La Marine ne se porte pas bien, il paraît, à force  de vouloir à tout prix le pouvoir, elle louche maintenant vers le bâbord tant et si bien qu’un tourbillon risque de la faire sombrer vers le fonds, selon les sonars des observateurs. Pourquoi est-elle en arriver là ?  Au point de ne pas être visible des caméras dans la ligne d’arrivée de la régate finale. On le lui a sûrement appris qu’il ne faut jamais se fâcher avec son paternel, mais têtue comme elle est, elle n’en fait qu’à sa tête. Son père, le « Saint Jean Marie » a beau persisté qu’il ne faut jamais dénaturer l’ADN de son patronyme, qu’il ne faut jamais l’édulcorer, car c’est comme remplacer le sucre par de la sucrette parce que personne ne vous reconnaîtra plus (Après, ce n’est ni doux ni amer). Ce n’est pas pour rien que les enfants des autres répètent toujours le célèbre adage « Papa m’a dit !» et toute la progéniture se sentira protégée. Et voilà le résultat, le père est allé chercher un vrai héritier capable de défendre les valeurs familiales, le saint patronne maintenant un fils  venu d’ailleurs, et, qui aurait pu être un rejeton du Lieutenant d’alors, un enfant bien chaussé pour cacher ses pieds et qui ne s’appelle pas Béchir. Pendant ce temps, la jeune guenon perchée sur un arbre comme il a été raconté il y a cinq ans dans la  même chronique, jubile intérieurement et écoute les mêmes palabres des  mêmes vieux et dit à voix basse : « je vous aurai encore cette fois ! » M.Ranarivao  L’article Chronique de Mickey a été récupéré chez Midi Madagasikara.