Toetr’andro: efa anaty ririnina i Madagasikara

News - Toetr’andro: efa anaty ririnina i Madagasikara

News - Toetr’andro: efa anaty ririnina i Madagasikara

Efa tafiditra anaty vanim-potoana
ririnina isika eto Madagasikara, raha ny nambaran’ny mpamantatra ny
toetr’andro etsy Ampandrianomby. Manaporofo izany indrindra ny
firotsahan’ny fanala mamirifiry rehefa madiva haraina. Eo koa ny
zavona miraraka matevina izay manelingelina ny fahitana ho an’ny
mpitondra fiara amin’ny maraina.

 Na izany aza, novinavinaina
hafana kokoa ny maripana mandritra ity volana ity, raha ampitahaina
amin’ny maripana tokony ho izy isaky ny volana jona.
 Hifanahantsahana na ambany kokoa noho ny tokony ho izy ny
rotsakorana. Mety ho maimaina mihitsy aza saika manerana ny Nosy.
Hisy ihany anefa ny orana any amin’ny faritra Melaky, Atsimo
Atsinanana, Fitovavy. Ny tapany avaratry ny faritra Atsimo
Andrafena no hifanaraka na ho mando kokoa raha oharina amin’ny
mahazatra isaky ny volana jona.

Hisy fiakarany kely ny maripana
ambony ho an’ny afovoan-tany sy ny ilany atsinanana, manomboka ny
zoma fa hidina kosa izany ho an’ny tapany atsimo andrefana.

Tatiana A

Article tiré de Newsmada

L’article Toetr’andro: efa anaty ririnina i Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 10/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Kolikoly sy fanodinkodinam-bolam-panjakana: namoahan’ny fitsarana (Pac) didy fampisamborana i « Peta »

Nivoaka ny  didy fampisamborana avy amin’ny Tendrom-pitsarana misahana  ny ady amin’ny kolikoly  (Pac) ho an’ilay orinasa “Peta” sy ny tompony,  Razafindrabakoarisoa Marie Jocelyne Léonard na i Peta.  Efa niakatra fitsarana, ny herinandro teo ity raharaha fanodinkodinam-bolam-panjakana sy kolikoly ity.  Vokany,  voasazy asa an-terivozona dimy taona i “Peta” na Razafindrabakoarisoa Marie Jocelyne Léonard na tsy nipoitra nandritra ny fotoam-pitsarana aza, ka izao namoahana didy fampisamborana izao avy hatrany. Voatana any am-ponja kosa ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny minisiteran’ny Atitany, ahina ho  mpiray tsikombakomba amin’io tompon’ny orinasa io.Tsy araka ny asa vita ny vola… Raha tsiahivina, kolikoly avo lenta sy fanodinkodinana volam-panjakana tamin’ny tolo-baro-panjakana ho an’ny kaominina Sahasinaka sy Ampasimanjeva ao amin’ny distrikan’i Manakara, Faritra Vatovavy Fitovinany izao nahavoasaringotra azy ireo izao. Nahazo fanampiana manokana avy amin’ny fanjakana, 173 746 571.30 Ar  sy  173 096 008  Ar ireo kaominina roa ireo ka natao hanavaozana  tranompokonolona izany vola  izany. Azon’io orinasa io noho ny resaka kolikoly  ny tsenan’asam-panjakana, fanavaozana  ny  tranompokonolona amin’ny kaominina  Sahasinaka sy Ampasimanjeva. Nidina ifotony nanao ny fitsirihana sy fanamarinana ny sampandraharaham-paritry ny fanajariana ny tany, faritra Vatovavy Fitovinany  ary nanao tombana ny asa voalaza fa nandaniana ny vola 173.746.571. 30 Ar ho an’i Sahasinaka ary 173 096 008 Ar ho an’Ampasimanjeva.  Nivoaka tamin’ny tatitra fa 76.300.920 Ar ny tomban’ny asa fanarenana ny tranompokonolona nambara fa vita tao Sahasinaka, ary 66.208.734 Ar kosa ny tomban’ny asa natao tao Ampasimanjeva.  Mitentina  204.332.925,30 Ar  izany ny fatiantoka na volam-panjakana very tamin’ireo tsenan’asam-panjakana roa nomena ny orinasa “Peta” ireo. Voalaza anefa fa maherin’ny roapolo ny tranga mitovy amin’ireo ny fomba nanaovana azy.Trondro vaventy  eny anivon’ny minisitera… Anisan’ny nahina ho tafiditra ao anatin’izao nefa ny tale iray eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany, saingy nanda izany hatramin’ny farany ny  tenany  noho izy tsy  manana fahefana hanome fanampiana manokana « subvention exceptionnelle”, araka ny fiarovan-tenany. Anisan’ny voarohirohy tamin’ireo raharaha ireo koa ny sekretera mpitambola (STC) ho an’ny kaominina Sahasinaka, sy Ampasimanjeva noho izy ireo, voalaza fa noteren’ny tale ara-pitantanana sy ara-bola teo anivon’ny minisiteran’ny Atitany hanao sonia ny taratasim-bola ho an-dRazafindrabakoarisoa Marie Jocelyne Léonard na i “Peta” nefa ny asa tsy mbola nanomboka akory.Midika izany fa anisan’ny “Trondro vaventy” na tsy heno laza firy aza  ity raharaha ity raha mitaha amin’ny “Raharaha Razaimamonjy Claudine”.  Tsy tokony ho afa-bela avokoa ireo mpiray tendro sy tao ambadik’izao kolikoly izao, indrindra fa  ireo tompon’andraiki-panjakana ambony, eny anivon’ny minisitera  “Trondro vaventy” tamin’izany.Synèse R.  L’article Kolikoly sy fanodinkodinam-bolam-panjakana: namoahan’ny fitsarana (Pac) didy fampisamborana i « Peta » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Jery taratra: lamina handrosoana amin’izay…

Nifarana ny famoahan’ny Ceni ny fironana amin’ny voka-pifidianana. Miroso amin’ny  famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika amin’izay izy. Tsy inona fa ny fikirakirana ny fitantanana an-tsoratra (PV) tena izy avy any amin’ny SRMV amin’ny distrika tsirairay avy. Azo atao amin’izay ny manao fampitahana PV.Nilaza ny eo anivon’ny Ceni fa tsy mitarika ho famoahana am-ponja avy hatrany izay kandidà efatra voatana vonjimaika any am-ponja ny fahalaniana amin’izao fifidianana depiote izao. Mitohy ny raharaham-pitsarana azy ireo, ary ny HCC no manapaka ny amin’ny fahabangan-toerana raha mbola tsy mivoaka ny fonja izy ireo.Hiova ny fankalazana ny 26 jona amin’ity taona ity. Nofoanana, ohatra, ny fanasan’ny filohan’ny Repoblika ireo olo-manan-kaja eto amin’ny firenena, ny masoivoho vahiny… Ao anatin’ny politika fitsitsiana izany. Hatao ny tolakandro ny matso lehibe eny Mahamasina hahazoan’ny any amin’ny faritany manaraka azy.Nilaza ny filohan’ny Sendikàn’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), fa mila fanovana na foanana ny lalàna momba ny Fitsarana avo (HCJ) hitsarana mpitondra ambony. Sarotra sy ela ny dingana arahina, ka tsy hisy ho voatsara amin’izany. Fitsarana tsotra ihany no tokony hitsara azy ireo rehefa tsy eo amin’ny fitondrana.Namoaka fanambarana ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Tsy hisy fiantraikany amin’ny fanajana ny safidim-bahoaka ny faneriterena sy ny fanodinkodinana ny saim-bahoaka rehetra. Manao ny asany ao anatin’ny tsy fiandaniana na fitongilanana araka ny lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana izy.Amin’izany, aiza ho aiza ny fiainam-bahoaka: efa tena irosoana ny fampanjakana ny fandriampahalemana, ohatra? Miisa 36, ohatra, ireo zandary tanana am-ponja noho ny firaisana tsikombakomba amin’ny dahalo, ny tsy fanarahan-dalàna… Na izany aza, tsy ilaozan’izay fitarainana etsy sy eroa ihany.R.Nd.  L’article Jery taratra: lamina handrosoana amin’izay… a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Madajazzcar 2020 – « Conférence-concert »: tsy mbola mivarotra anaty aterneto ny mpanakanto

Mihazakazaka ny teknolojia… Tsy maintsy arahina ve izy ireny ? Nandritra ny « Conférence-concert », hetsika tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny Madajazzcar 2020, omaly, teny amin’ny Alliance Française Antananarivo (Aft Andavamamba) no nampifandraisan’ireo mpanao velakevitra ny tontolon’ny zavakanto sy ny mpanakanto ary ny teknolojia hoenti-mamadika izany ho varotra. Raha ny fanazavan’ireo nandaha-teny, mbola ny facebook ihany aloha hatreto no ampiasain’ny ankamaroan’ny mpanakanto malagasy. Sehatra tsy azo ivarotana loatra anefa izy io. Noho ny antony maro samihafa, vitsy dia vitsy ny mpanakanto malagasy no manana « site web », raha ny fanazavan’ireo mpandaha-teny hatrany. Io teknolojia iray io anefa no anisan’ny varavarana misokatra ho an’ny mpanakanto ka ahafahany mitsofoka ao anatin’ny tontolon’ny varotra. Any ivelany, saika efa ahitana izany avokoa ny sehatry ny kolontsaina rehetra, tahaka ny hira, ny dihy, ny hosodoko, ny fampirantiana isanèkarazany, sns. Efa rivotra iainan’ny mpanakanto vahiny ny fifampiraharahana anaty « site web » raha ilaina ny fanaovana izany amin’ny mpanjifa na amin’ny mpikarakara hetsika isan-karazany. Ny an’ny mpanakanto malagasy anefa, mbola mijanona hatreo amin’ny fampahafantarana ny vokatra vaovao sy ny fandaharam-potoana ho avy ihany ny fampiasana ny « facebook » hatreto. Nandray anjara tamin’ity « conférence-concert » ity Bruce Rakotovelo sy Anjara Rakotozafiarison, nandrindra i Domoina RatsaraFandaharam-potoana anio amin’ny 5 ora hariva eny amin’ny AFT Andavamamba ny seho lehibe miaraka amin’ny groupe Issik feat. Authalia Raveloarison, izay ahitana an’i Sanda Ranaivosoa (guitare), Samy Andriamanoro (clavier), Sitraka Ranaivosoa (batterie), Tahiry Ranaivosoa (basse), Authalia Raveloarison (hira) sy ny AF Jazz eo amin’ny fizarana voalohany.HaRy RazafindrakotoL’article Madajazzcar 2020 – « Conférence-concert »: tsy mbola mivarotra anaty aterneto ny mpanakanto a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsipy kanetibe – FSBM: mpitantana vonjimaika Randriamarohaja Dolys

Tohin’ny sazy avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena ny taranja tsipy kanetibe ampihatoana ny filohan’ny federasiona malagasy teo aloha, voatendrin’ny FIPJP (Fédération internationale de pétanque et jeu provincial) hitantana vonjimaika ny fampandehanan-draharaha ny tsipy kanetibe malagasy Randriamarohaja Dolys. Nanambara izany tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ity mpitantana voatendry ity sy ireo mpikambana rehetra eo anivon’ny fikambanana vaovao vao natsangana, nomena ny anarana hoe FSBM (Fédération des sports boules de Madagascar). Marihina fa efa nisy ny fifanatonana teo aminy sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, taorian’ny fankatoavana avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena. Noraisina ity fanapahan-kevitra ity, araka ny nambaran-dRandriamarohaja Dolys ny hahafahan’i Madagasikara miatrika ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika, hotanterahina any Lomé, Togo, ny 14 hatramin’ny 16 jona ho avy izao. Araka izany, hisy ny fifaninanana lehibe hifantenana izay mendrika hisolo tena an’i Madagasikara amin’io fiadiana ny tompondaka an’i Afrika io. Ny 23 hatramin’ny 25 mey izao no hanatanterahana izany, eny amin’ny kianja Complexe Gamo Ampasampito. Mazava ho azy, hikarakara ity lalao ity ny FSBM. Ity farany izay hitantana ny federasiona mandra-pahavita ny fifidianana eny anivon’ny seksiona sy ny ligy ary ny fifidianana hitondra ny federasiona malagasy ny taranja tsipy kanetibe.Tsy nanadino ny nisaotra ny FIPJP Randriamarohaja Dolys, tamin’ny fametrahana fitokisana aminy ary nanamafy ity farany fa hifantoka tanteraka amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fomba fitantanana sy ny fifandraisana amin’ny rantsa-mangaika rehetra ho fampandrosoana ity taranja ankafizin’ny Malagasy ity ny tenany. Mi.RazL’article Tsipy kanetibe – FSBM: mpitantana vonjimaika Randriamarohaja Dolys a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Tranga hafahafa :: Fatin-jaza tsy nisy tapany ambony hita teny an’arabe

Ny tapany ambany amin’ny vatan’ny zazakely iray sisa no hita teny amin’ny arabe, tany Anambo Andrefana-Ampanefena-Vohémar, tamin’ny talata maraina lasa teo. Lahikely io zaza io ary tombanana ho efatra taona. Tsy fantatra ny momba­momba azy. Nandray andraikitra nandevina ny razana ny Ben’ny tanànan’ Ampanefana sy ireo foko­nolona any an-toerana. “Notapahina mihitsy ilay zazakely raha ny fahitana ny vatany. Tsy fantatra izay nahavanon-doza fa mbola karohina. Na izay mety ho havan’io zaza io ihany koa aza tsy mbola fantatra. Ahiana ho efa novonoina tany amin’ny toerana hafa izy vao natsipy teo amin’ny arabe”, hoy ny fitantaran’ireo mponina any an-toerana.   L’article Tranga hafahafa :: Fatin-jaza tsy nisy tapany ambony hita teny an’arabe est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Songadina an-tsary: fanamasinana eveka tetsy Mahamasina

L’article Songadina an-tsary: fanamasinana eveka tetsy Mahamasina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mpanao politika, i Jean Zorés: « Manohera amin’ny fanitsiana fa aza manakorontana »

Tsy mitsahatra maneho hevitra ka manafatrafatra ireo mpanao politika i Nambinisoa Jean Zorés. Anisan’ny nomeny lesona ny eo anivon’ny fanoherana. « Ny mamboly atao sakafo no vahaolana fa tsy ny mamboly korontana. Manohera amin’ny fanitsiana fa tsy ho amin’ny fanakorontanana. Fantatra ny fiantombohan’ny korontana fa tsy fantatra ny hiafarany. Hevi-diso ny fiheverana fa fanavotana ny fijaliam-bahoaka efa misy ny fisian’ny korontana”, hoy izy. Nisaorany ny filoha mpitarika ny mpanohitra, Ravalomanana Marc, naniraka ireo mpiara-miasa aminy nizara sakafo sy rano tany atsimo. Fanehoana fitiavana sy fandavan-tena izany, araka ny nambarany.Mizotra amin’ny lalan-diso RavalomananaGaga anefa ny tenany raha naheno ny lahatenin’ny mpanorina ny Tim tamin’ny fiandohan’ny taona ny amin’ny hitarihany ny mpanohitra mba hanamafy ny hetsika fanoherana. “Inona ny hevitr’izany ? Hanakorontana sa hidina an-dalambe ?”, hoy ny fanontaniany. Nohitsiny fa tsy tokony ho tonga amin’izany lalan-diso izany ity filoha teo aloha ity. Notsiahiviny fa manana andraikitra eo anivon’ny fiangonana Ravalomanana Marc. “Tsy mankasitraka ny fikomiana Andriamanitra ary mampanaja sy mampanaiky ny olom-boafidy eo amin’ny firenena”, hoy izy.Ireo manodidina ny filoha Rajoelina AndryNanafatrafatra ny eo anivon’ny fitondrana koa ity mpanao politika ity. Mazava ny nambarany ny amin’ny tsy tokony handaniana fotoana, mbola ananana nefa hisehosehoana fotsiny. “Aoka hatokanareo ho an’ny filan’ny vahoaka maro anisa ny 80% amin’ny hery sy ny fahefana eo an-tananareo. Aoka koa mba ho olona manana traikefa no ho maro anisa amin’ireo manodidina ny filoha Rajoelina Andry, hanampy anao hiatrika izao fahasahiranana eto amin’ny firenena izao”, hoy ihany izy.Synèse R. L’article Mpanao politika, i Jean Zorés: « Manohera amin’ny fanitsiana fa aza manakorontana » a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

FANODInKODINAM-BOLA :: Niato ny famatsiana vola ho an’ny Croix-rouge Malagasy

Mandalo fotoan- tsarotra ny Croix- rouge Mala- gasy na ny CRM, ankehitriny. Niato ny famatsiam-bola ho azy ireo taorian’ny fisiana ahiahy fanodinkodinam-bola tao amin’io rafitra io. Fantatra fa tsy nandeha amin’ny lalana tokony ho izy ny vola hanaovana tetikasa. Nisy ny fanodinkodinam-bola tao anatin’izay fitantanana izay. “Misy fiantraikany amin’ny asan’ny CRM izany satria ny mpamatsy vola rehefa manome ny volany dia mitaky ny fampiasana ny volany amin’ny tokony ho izy ary ao amin’ny hikendreny azy kanefa rehefa nojerena ny zava-misy dia tsy tratra izay tanjona izay ka nihantona ireo ny famatsiana vola mandra-pahazavan’ ny raharaha”, raha ny fanamafisan-dRazafimahatratra Jean Michel, mpitam-bola jeneralin’ny Vokovoko Mena Malagasy. Efa mandray an-tanana ny raharaha ny eo anivon’ny Bianco. Tsy nanamarina ny fisian’ny vola voahodinkodina sy ny olona nanao azy ny teo anivon’ny CRM fa miandry ny valin’ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitra misahana ity raharaha ity. Mpitantana Ho famahana izay olana izay dia hisy ny fivoriam-be hataon’ny mpitantana ny CRM rehetra eo anivon’ny distrika sy ny faritra izayh atao any Antsirabe manomboka androany ary hifarana ny zoma ho avy izao. Ao anatin’izay no handeha ny fifidianana izay hitantana indray ny CRM. “Ny fifidianana dia dingana iray ahafahana miverina amin’izay fitokisana izay. Aorian’izay dia eritreretina fa hiverina amin’ny laoniny indray ny hetsika rehetra sy ny famonjena izay fanaon’ny CRM ho an’ireo marefo. Izany indrindra no nahatonga ny CRM manangana mpitantana vaovao mba hiverenan’ny fanampiana satria betsaka ny zavatra tokony hatao. Ohatra amin’izany ny fandalovan’ ny rivo-doza atsy ho atsy”, hoy hatrany izy. Tsy nijanona tanteraka ny famonjena voina nataon’ny CRM, tahaka ny pesta fa ny ampahany amin’ireo mpamatsy vola no niato. Izy ireo ihany no nitantana ny vola tao anatin’ izany hetsika izany. L’article FANODInKODINAM-BOLA :: Niato ny famatsiana vola ho an’ny Croix-rouge Malagasy est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Indray mijery

697 ieo tanora tsy manana asa ao amin’ny faritra Itasy nisitraka fampiofanana hahafahana miditra amin’ny sehatry ny asa ara-dalàna. Anisan’ny be mpanaraka ny fiofanana mikasika ny teknikam-piompiana kisoa sy voly avotra ary ny fiompiana akoho gasy nohatsaraina.Tanjona ny hampahaleotena ara-pivelomana ireo tanora aorian’ny fiofanana. Niarahana tamin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa sy ny MFR ao Miarinarivo ary ny Formaprod ao Itasy izany.Nihaona tamin’ny solontena maharitry ny OMS, mandrindra maneran-tany ny tontolon’ny fahasalamana ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny faraparan’ny herinandro teo. Noresahina ny vina napetraky ny filoha hitondrana ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara. Nifantoka tamin’ny lohahevitra dimy ny resaka ka teo ny mahakasika ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, ny fampitaovana ireo hopitaly, ny mahakasika ny mpiasan’ny fahasalamana amin’ireny toerana ireny ary ny fametrahana ny tolotra ara-pahasalamana  manaja ny maha olona. Noresahina koa ny ady amin’ny kolikoly. Hanamafy ny rafitry ny fahasalamana eto Madagasikara izany.Hotanterahina ny alahady 6 desambra izao ao amin’ny Lycée Nanisana ny fitsapam-pahaizana amin’ny teny japoney (JLPT), fanao isan-taona.Hatao ao amin’ny masoivoho japoney, hatramin’ny 9 oktobra izao, ny fisoratana anarana ho an’ireo hanatanteraka izany. Mila manaja ny fepetra ara-pahasalamana ireo rehetra tonga misoratra anaranaL’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra vehivavy – “Cosafa cup 2019”: resin’i Malawi ny ekipam-pirenena malagasy

 Ratsy fanombohana ny ekipam-pirenena vehivavy, taranja baolina kitra. Resin’i Malawi avy hatrany mantsy izy ireo teo amin’ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny “Cosafa cup 2019”. Niondrika tamin’ny isa mazava, 2 no ho 0, nanoloana an’i Malawi ny ekipam-pirenena malagasy, vehivavy, taranja baolina kitra, nandritra ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny “Cosafa cup women 2019”, ho an’ny vondrona A. Fihaonana notanterahina, omaly alarobia, tao amin’ny kianja Wolfson Stadium, Afrika Atsimo.Ekipa zakan’ny Malagasy tsara ry zareo Malaoita, saingy lesoka hatrany teo amin’ny famonoam-baolina. Nanjakan-dry Mampionona sy ry Christina mantsy ny fizaram-potoana voalohany. Nihanona tamin’ny valim-panafihana tsy dia natahorana loatra ry zareo Malawi. Nisaraka tamin’ny isa 0 no ho 0 ny roa tonta, teo amin’ny am-pialan-tsasatra.Niova tanteraka kosa ny endri-dalao teo amin’ny tapa-potoana faharoa satria toa hita nitambesatra tamin’ireo mpilalao malagasy ny havizanana. Nihanahazo hery kosa ny Malaoita ka nanao totoafo ny fanafihan’izy ireo.Na izany aza, nisy ihany ny baolina tokony ho tafiditry ny Malagasy, saingy voasakan’ny mpiandry tsatobin’i Malawi ny daka nataon-dry Sarah. Efa tany amin’ny 10 mn farany no namonoan’ny tovovavin’i Malawi ireo baolina roa nahazoany ny fandresena, tamin’ity andro voalohany ity. “Coup franc”, teo amin’ny minitra faha-81 ny baolina voalohany, izay tsy voatosik’i Nanah, mpiandry tsatoby malagasy tsara ka niantefa teny amin’ny tongotr’i Salome Vinkhumbu, nanosika izany tany anaty harato.Valim-panafihana kosa ny faharoa, tafiditr’i Zainab Kapanda, teo amin’ny minitra faha-89. Na teo aza ny faharesen’ny ekipam-pirenena malagasy, voahosotra ho mpilalao mendrika, tamin’ity, i Mamy Lalaina Prisca, kapitenin’ny ekipa.Hidona amin’i Kaomoro indray ny Malagasy, ny zoma ho avy izao, eo amin’ity fiadiana ny “Cosafa womens cup 2019” ity. Tompondaka L’article Kitra vehivavy – “Cosafa cup 2019”: resin’i Malawi ny ekipam-pirenena malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) francophones. Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 160 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC. MISSION En tant que Téléconseiller(ère) francophone, vos missions seront : PROFIL VOS AVANTAGES Si tout cela vous parle, vous êtes le candidat qu’il nous faut ! Merci de postuler en ligne sur notre site www.eufonie.fr/jobs. Vous pouvez également adresser votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ; Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones".

Emploi et services Développeur Codeigniter
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le BTP,Développeur CodeigniterEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVCODEIGNITER-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Codeigniter".

A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo
16/06/2021

Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury 4x4 turbo année 2005 diesel  boite automatique, 7 places 163000 kms, première main. Véhicule  très résistant, couleur verte,  phares xenon antibrouillards, radio CD, climatisation, fermeture centralisée, verrouillage à distance. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo".

Emploi et services Travaille en ligne
18/06/2021

Quelle est l'essence de l'œuvre ? Nous proposons aux utilisateurs de visionner des vidéos promotionnelles prépayées de divers annonceurs mondiaux et d'obtenir de l'argent pour cela. Parmi nos annonceurs figurent les plus grands producteurs d'appareils électroménagers, les principaux détaillants et les meilleurs blogueurs vidéo. Notre système accepte uniquement les vidéos à haut rendement et de haute qualité sélectionnées et testées par nos experts. Combien puis-je gagner ? À l'heure actuelle, le coût d'une minute de vidéo promotionnelle est de 50 centimes. C'est simple : pour 1 heure de travail, vous pouvez gagner 30,00 dollars. Si vous travaillez au moins 3 heures par jour, votre revenu quotidien sera de 90,00 $, et dans un mois, il sera de 2700 dollars. Selon les résultats des enquêtes menées, le site txovideo.xyz est actuellement le système leader parmi les autres systèmes de visionnage de vidéos payantes. Vous pouvez le constater par vous-même - voir  les paiements en ligne Comment puis-je retirer de l'argent? À la demande de l'utilisateur, l'argent est retiré du système dans un délai d'une heure pendant les heures de travail ou dans un délai de 3 à 4 heures en dehors des heures de travail (y compris les jours fériés et les week-ends). Nous proposons un choix de plusieurs systèmes de paiement, à l'aide desquels vous pouvez retirer l'argent gagné. Pour le moment, le retrait est possible sur les cartes bancaires de toutes les banques étrangères, les comptes bancaires, les portefeuilles Bitcoin et PayPal (via le système de paiement Western Union)Plus d'informations et inscrivez vous à partir de ce lien  https://txovideo.xyz/969907918013662Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travaille en ligne".

A louer Location voiture
15/06/2021

Location 4×4 - Toyota New Prado >>7 places, voiture confortable et économique,  >>Voiture classe, adéquats pour les évènements familiaux ou affaires, >courses en ville, en périphérie, ou en province - Chauffeur expérimenté pour les circuits touristiques - Le tarif varie en fonction de la destination et du trajetContact: 034 84 747 64Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location voiture".

A vendre Mégane Scénic
15/06/2021

A vendre RENAULT MEGANE SCENICVitre Electrique, Verrouillage Centralisé, direction assistée, AIRBAGS, Très Bonne Etat, SANS DEVOIR, Année de mise en circulation 2001, bôite de vitesse manuel, diesel, faible consommation, puissant, 5 places, 5 portes, radio d'origine, intérieur très bonne état. Prix: 11 200 000 ar à debattreContact: 033 37 574 65Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Mégane Scénic".

Emploi et services Asa en ligne
14/06/2021

Asa en ligne mety ho an'ny rehetra,  afaka atao na tsisy investissemenr aza satria omwna bonus 10$ ianao hampiakatra nybalsnce_nao, nefa raha te hahazo vokatrhttps://fastscash.online/?ref=25212 raha te hahazo vokatra haingana dia afaka manao investissemebt 0,5$minimum. Manaova inscription eto https://fastscash.online/?ref=25212  fa omena fanazavana ianao. Ny sakana ho anao dia ny tsy fanombohana azy. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Asa en ligne".

A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES
16/06/2021

A VENDRE : CHEVROLET SPARK (DAEWOO MATIZ 4), FAIBLE KILOMETRAGE, ANNEE 2012, TRES BONNE OCCASION DE COREE, IMMATRICULATION ETRANGERE, ARRIVEE RECEMMENT A MADAGASCAR (4 semaines), boite de vitesses AUTOMATIQUE, moteur ESSENCE 3 S- TEC II 16V, TOUTES OPTIONS :-Direction assistée-Freinage ABS-Rétroviseurs électriques  - Intérieur cuir, confort et propre-Tableau de bord multifonctions-AIRBAGS-4 Vitres électriques-Sièges chauffantes-Verrouillage centralisée avec commande à distance-Climatisation bien frais-Radio d’origine CHEVROLET avec BLUETOOTH/USB/MP3/CD-4 Jantes alu d’origine-Barre de toit VOITURE TRES CONFORTABLE, TRES SILENCIEUSE ET ULTRA- ECONOMIQUEETAT IMPECCABLE PETITE CITADINE, AGREABLE A CONDUIRE, IDEALE POUR FEMME PRIX : 21M8AR (109.000.000 FMG) LEGEREMENT DISCUTABLE CONTACT DIRECT : 0338741679 / 0346464584(Aleo mba tonga dia miantso fa tsy mi- connecte matetika , MERCI!)Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES".

A vendre Vend CF Moto 150NK
18/06/2021

🚦CF Moto 150nk 🏍 - 6 vitesses - Kilométrage 15xxx km - 2 modes de conduites : Sportive 🚀/ Economique⛽️ - Peinture carbone personnalisée  - Rétroviseur kit Rizoma - Anti crache et cache réservoir installé  - Immatriculé WWTMoto très bien entretenue, rien à prévoir, très faible consommation.Prix: 8.000.000Ar légèrement à débattre Contact: 0327850398 📞 ToamasinaCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Vend CF Moto 150NK".

Emploi et services Développeur Phyton
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le domaine de l'externalisation,Développeur PhytonEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVPHYTON-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Phyton".

A vendre A vendre Fauteuil dentaire complet en bonne état
14/06/2021

Un fauteuil dentaire complet en parfait état  constitué d’un fauteuil inclinable, d’un bras articulés, d’un compresseur, d'un ensemble d’ instrumentation dentaire, d’une soufflette à air/eau, d’un crachoir, d’un système d’aspiration, d’un scialytique, et d’un siège à roulettes pour le praticien, stérilisateur pour les outils à main, ...Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A vendre Fauteuil dentaire complet en bonne état".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
18/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Notsongaina

GYM – Axian: 17 tapitrisa euros hanitarana herinaratra vaovao
18/06/2021

Nifanaraka ny Jirama sy ny Green Yellow Madagascar (GYM) miaraka amin’ny vondrona Axian, hanitatra ny foibe famokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro any Ambatolampy, manana hery 20 hatramin’ny 40 Mw, sy batterie 5 Mwh. 17 tapitrisa euros ny tentim-bidin’ny tetikasa. Mpampindram-bola ny Société Générale, ny GuarantCo, African Guarantee Fund, ary ny BMOI sy ny BNI Madagascar, izay samy nilaza fa mbola hanohana ny tetikasa dingana faharoa.Nambaran’ny Green Yellow Madagascar fa manomboka ny volana jona izao ny tetikasa ary azo trandrahina amin’ny faran’ny taona. «Tafiditra ao anatin’ny tanjona nofaritanay ny fampitomboana fahazoana herinaratra, madio sy maharitra, ary zakan’ny Malagasy rehetra. Miasa ho an’izany isan’andro ny vondrona Axian amin’ny alalan’ny Axian Energy, izay mahavita ny asa ao anatin’ny fotoana fohy, fanamby lehibe napetraka na teo aza ny krizy ara-pahasalamana », hoy ny PDG vondrona Axian, i Hassanein Hiridjee.“Manamafy ny fisian’ny Green Yellow eto Madagasikara sy ranomasimbe Indianina izahay, voalohany amin’ny famokarana herinaratra azo havaozina. Ny fanitarana izany ao Ambatolampy no hahafahanay sy ny Axian hiroso lavidavitra amin’ny fiaraha-miasa sy famatsiam-bola ho an’izay mbola heverina hatao eto Madagasikara”, hoy kosa ny PDG GreenYellow, i Otmane Hajji.   R.MathieuL’article GYM – Axian: 17 tapitrisa euros hanitarana herinaratra vaovao a été récupéré chez Newsmada.

26 juin 2021 : Défilé militaire à Mahamasina
16/06/2021

Le satisfecit. « Je suis content de ce stade qui respecte les normes internationales… Ce stade fera la fierté de tous les Malagasy », a déclaré le président Andry Rajoelina hier par rapport au nouveau stade des Barea de Madagascar. Le Chef de l’Etat s’est rendu à Mahamasina hier pour constater de visu l’évolution des travaux de construction de ce stade. 90% des travaux ont déjà été réalisés jusqu’à ce jour. Les 10% restants concernent quelques détails au niveau de la finition. Quoi qu’il en soit, la beauté de ce stade est déjà palpable. Hier, le président Andry Rajoelina a annoncé officiellement devant la presse présente à Mahamasina que le stade Barea accueillera la célébration officielle et le défilé militaire du 26 juin. Des responsables au niveau de l’Armée Malagasy et des membres du Comité d’organisation venant de la Présidence de la République ont d’ailleurs accompagné le président de la République lors de cette descente. Mesures sanitaires. Cependant, le numéro Un d’Iavoloha a annoncé que cette cérémonie du 26 juin ne sera pas l’inauguration officielle du stade Barea. Cette nouvelle infrastructure a seulement été choisie pour accueillir la célébration de la fête nationale. « L’inauguration aura lieu plus tard lorsque nous réussirons à vaincre définitivement cette pandémie de la COVID-19 », a laissé entendre le Chef de l’Etat. De source proche de la Fédération Malagasy de Football, les Barea ont demandé à ce que ce stade soit inauguré avant la reprise des matchs éliminatoires pour la Coupe du monde 2022. Les joueurs et le staff souhaiteraient inviter une autre équipe nationale en vue d’organiser un match amical pour avoir une dynamique de groupe lors du jour J. D’après les informations, la célébration de la fête de l’indépendance aura lieu cette année dans le respect strict des mesures sanitaires. Mahamasina ne sera certainement pas ouvert au grand public. Comme ce fut le cas l’année dernière, seuls des invités triés sur le volet pourront assister au défilé militaire. A entendre notre source, des représentants des 23 régions et des publics issus des six arrondissements de la capitale vont être autorisés à y assister. Les membres du comité d’organisation présenteront incessamment des détails concernant les mesures et dispositifs à mettre en place lors de la célébration du 26 juin. Davis R L’article 26 juin 2021 : Défilé militaire à Mahamasina est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article 26 juin 2021 : Défilé militaire à Mahamasina a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fandrahonana ho faty anaty finday: mpivady sy tovolahy iray mpisoloky samy voasambotra
18/06/2021

 Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora, ny alarobia teo ireo mpisoloky sahy mandrahona olona ho faty amin’ny finday rehefa tsy manome vola izay tadiaviny. Voasambotra, ny alahady teo, teny Androndra ireo mpivady mpanao ny asa ratsy, dia ny vehivavy iray 34 taona sy ny lehilahy vadiny 24 taona. Nanoro ireo mpiray tsikombakomba taminy koa izy mivady ka tratra teny Ampamatanana ilay tovolahy vao 19 taona.Miantso amin’ny finday amin’ny laharana miafina ireo mpisoloky. Lasibatra tamin’izany ny raim-pianakaviana iray ka notakin’ireo mpisoloky vola mitentina 10 Tapitrisa Ar. Mbola nilaza koa izy ireo fa hananany vola ny zanany ka vonoin’izy ireo ho faty ilay lehilahy raha tsy mandoa ny vola amin’ny fotoana voatondro.  Nitohy  ny fandrahonana voarainy ary nilaza ho mahafantatra ny toeram-piasana sy ny toeram-ponenany ireo mpisoloky ka hopotehina sy dorana ireo rehetra ireo raha tsy manome ny vola izy. Velon-tahotra ny raim-pianakaviana ka niantso ny polisy hiaro azy. Hatairana ny an’ilay raim-pianakaviana raha nahita ireo mpampihorohoro azy voasambotra. Efa nangalan’ireo olon-dratsy vola izy, efa voasolokiny ihany koa tamin’ny alalan’ny kariera iray izay tsy misy akory. Fantatra fa safidin’ireo mpisoloky mihitsy ny olona hampihorohoroany. Tsy vao sambany koa izy ireo no mitady fomba ratsy hahazoana vola aman’olona. Ary ilay tovolahy mpiray tsikombakomba aminy no nasainy miantso io raim-pianakaviana tamin’ity tranga ity. Henintsoa HaniL’article Fandrahonana ho faty anaty finday: mpivady sy tovolahy iray mpisoloky samy voasambotra a été récupéré chez Newsmada.

Kitra iombonana: katikely 12 hotsongaina eny anivon’ny Boriborintany IV
19/06/2021

Ankizy 120 no hotson­gain’ny eo anivon’ny CUA sy ny klioba Kintana Fc mane­rana ny boriborintany VI eto an-dRenivohitra ary hahazo fampiofanana amin’ny tontolon’ny kitra manomboka ny 19 jona ho avy izao. Maro ireo ankizy mikasa ny handeha lavitra amin’ny tontolon’ny baolina kitra ary tsapan’ny eo anivon’ny Kaominina sy ny mpiara-miasa aminy izany. Hanatona mivantana ireo katitakely eny anivon’ny fokon­tany ny mpanazatra tekinisianina eo anivon’ny Kintana Fc miaraka amin’ny tomponandrikitry ny fanatanjahantena eo anivon’ny CUA ary hitily ireo izay tena sangany amin’ izy ireo, hahafahany mive­latra amin’io sehatra io. Zazalahy 80 isaky ny boriborintany, manodidina ny 13 ka hatra­min’ny 16 taona ireo hanaovana ny fitiliana fahaiza-milalao ireo. Ny 20 mendrika no hanaraka fiofanana mandritra ny roa volana etsy amin’ny kianja an’Alarobia. Aorian’ izay, ankizy 5 misongandina indrindra amin’ireo 20 isaky ny boriborintany no hisitraka fampiofanana mandritra ny herintaona ao amin’ny klioba Kintana Fc. Marihina fa isan’ ny fanatanterahana ny Veli­rano fahadimy nataon’ny ben’ ny Tanàna, hanampiana ny tanora hivelatra anatin’ny tontolon’ny fanatanjahantena izao hetsika izao.Tsiferana R.L’article Kitra iombonana: katikely 12 hotsongaina eny anivon’ny Boriborintany IV a été récupéré chez Newsmada.

Grève à l’Université de Tuléar : Le jeune décédé n’est pas un étudiant, selon les autorités
18/06/2021

L’Organisme Mixte de Conception (OMC), représenté par le Préfet, soutient que le jeune décédé par balle hier n’était pas un étudiant de Maninday. Il appelle donc les universitaires à se calmer. De même, le patron de la Circonscription de la Gendarmerie confirme que le mort n’est pas un originaire de Tuléar. « Pour que les Forces de l’Ordre (FO) puissent mener leur investigation, la franchise universitaire a été levée », dixit le Président de l’Université de Tuléar. De leur côté, les étudiants, retranchés au Campus de Maninday, crient haut et fort que ce malheureux était leur camarade. D’ailleurs, un compagnon de lutte aux côtés de la victime a gardé une douille pour montrer que les forces de l’ordre ont tiré à balles réelles, quand ils ont été attaqués hier, mercredi 16 Juin près de la barrière du Campus. Une enquête est donc nécessaire pour connaître la vérité . Un Professeur de l’Université a reconnu tout de suite qu’il s’agissait bel et bien d’un étudiant de l’Université de Maninday, en provenance d’une autre province, après identification de la dépouille. « Comme il s’agit d’un sortant de 5è année en gestion/économie, il se peut qu’il ne soit pas inscrit cette année », raisonne le même professeur. Cette dernière version est possible car plusieurs meneurs de grève sont des sortants qui attendent la validation de leur Master, une validation qui tarde à venir. Pendant ce temps, le cadavre gisait toujours à la morgue, ce jeudi 17 Juin, ce qui démontre que le jeune sans vie, vient d’une autre Région, loin de sa famille. Les étudiants veulent bien le récupérer, mais ils sont séquestrés au Campus et ne peuvent aller à la morgue de l’Hôpital pour s’occuper de lui,  et lui rendre un dernier hommage. Charles RAZA L’article Grève à l’Université de Tuléar : Le jeune décédé n’est pas un étudiant, selon les autorités est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Grève à l’Université de Tuléar : Le jeune décédé n’est pas un étudiant, selon les autorités a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Oniversiten’Andrainjato Fianarantsoa : nifampidinika ny mpianatra sy ny tomponandraikitra
19/06/2021

“Vatsim-pianarana dimy volana no notakinay ka tsy mahafa-po ny telo volana nambaran’ny minisitera fa haloa ary efa namoahana tetiandro”, hoy ny mpitarika ny hetsika fitakiana ao amin’ ny oniversiten’i Fianaran­tsoa, ny alakamisy hariva teo. Niantso ny mpianatra hanohy ny fihetsiketsehana noho izany izy ireo eny amin’ ny kianjan’ny serasera, omaly. Hanomboka amin’ny alarobia ho avy izao ny fizarana ny vatsim-pianarana ka haharitra hateloana. Araka ny vaovao azo, naato aloha ny fanohizana ny fitakiana saika hatao omaly fa nisy fivoriana niarahan’ny mpitandro filaminana sy ny prefet ary ny solontenan’ny mpianatra ary ny solontenam-panjakana ao an-toerana. Nanamarika koa ny mpianatra fa tsy toromarika avy amin’ izy ireo mihitsy ny fandorana fananan’olona sy fanimbana fananana iombonana ka to­kony ho mailo ny mpianatra. Etsy an-daniny, nanao fanambarana ny minisiteran’ ny Fampianarana ambony tamin’ny alalan’ny minisitra taorian’ny zava-niseho tany amin’ny oniversite’i Toliara ka namoizana aina sy naharavana fananana. Maname­loka ny herisetra sy ny fa­nao­vana fitaovana ny mpianatra ho fanakorontanana ny firenena ny minisitera mpiahy.Vonjy A.L’article Oniversiten’Andrainjato Fianarantsoa : nifampidinika ny mpianatra sy ny tomponandraikitra a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – “Cosafa cup 2021”: iray vondrona amin’i Zambia ny Barea
18/06/2021

Hotanterahina ny 7 ka hatramin’ny 18 jolay ho avy izao ny andiany faha-20 amin’ny “Cosafa cup”, sokajy “senior” lehilahy. Fifaninanana natokana ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika. Hampiantrano izany ry zareo Afrikanina tatsimo ka ao amin’ny kianja Nelson Mandela Bay, ny hanaovana ireo fifaninanana. Iray vondrona amin’i Zambia tompondaka. Ekipa tsy zovina amin’ny Malagasy ry zareo Zambianina, satria efa nikatroka tamin’ny Barea, ny taona 2018. Resin-dry zareo teo amin’ny manasa-dalana, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 ny Malagasy, tamin’io ary nitana ny laharana fahefatra ny Barea. Tsiahivina fa tsy nandray anjara ny Barea de Madagascar, ny taona 2019. Niato moa ity Cosafa cup ity, tamin’ny taon-dasa, noho ny fisian’ilay valanaretina coronavirus, ary izao miverina izao indray. Ankoatra izay, mbola hiaraka amin’ny Malagasy ihany koa ry zareo Kaomorianina, izay hiatrika ny Can 2022.Tompondaka  Sokajy “A” Afrika Atsimo Lesotho Soazilandy Botsoana Sokajy “B” Zambia Malawi MadagasikaraKaomoro Sokajy “C” Senegal Zimbaboe Mozambika NamibiaL’article Kitra – “Cosafa cup 2021”: iray vondrona amin’i Zambia ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Filan-kevitry ny minisitra: Niova ny Lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika (Chef de l’État-Major des Armées)
18/06/2021

Nisy ny Filankevitry ny Minisitra manokana notanterahinaandroany tamin’ny alalan’ny « visioconférence » izay notarihin’nyFiloham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo minisitra vitsivitsy. Tapaka nandritra izany, araka ny tolo-kevitry ny Minisitry nyFiarovam-pirenena, ny fanendrena ny Général de Division SAHIVELOLala Monja Delphin, ho Lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika (Chef de l’État-Major des Armées) Cet article Filan-kevitry ny minisitra: Niova ny Lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika (Chef de l’État-Major des Armées) est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article Filan-kevitry ny minisitra: Niova ny Lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika (Chef de l’État-Major des Armées) a été récupéré chez Délire Madagascar.

HCDDED: “Fifanatonana no hahazoana ireo Nosy malagasy”
18/06/2021

“Ny fifanatonana sy ny fahaiza-mandresy lahatra no hetsika lehibe hahazoantsika an’ireo Nosy malagasy ireo. Tsy ho azontsika ireo raha irotorotoantsika, fa tsy vonona amin’izany isika.” Io fanehon-kevitry ny filohan’ny HCDDED, i Navony Pierre Lenoble.Tokony ho olona mahay ny tantara sy mahay fifandraisana iraisam-pirenena no alefa miresaka amin’izany. Mibaiko sy mahita ny hanaovana ny fandresen-dahatra na fanerena ny amin’ny hahazoana an’ireo Nosy ireo.“Raha hilahatra isika : tsy homeny ireo, fa misy fifanatonana hatao amin’i Frantsa”, hoy izy. Efa nisy ny fehinkevitry ny ONU ny taona 1979, nefa tsy mihatra hatramin’izao.Raha azo ireo Nosy ireo, lasa any amin’ny faritanin’iza ary iza no hitantana azy? “Tsy vitantsika  koa izany. Mbola miroaroa saina isika. Inoana no mahamaika antsika ho any? Ny eto aza, tsy vitantsika ny mandrindra azy“, hoy ihany izy.R.Nd.L’article HCDDED: “Fifanatonana no hahazoana ireo Nosy malagasy” a été récupéré chez Newsmada.

Alan’i Tsiazompaniry: mahasarika mpizahantany
15/06/2021

Azo isarihana mpizahantany.  Anisan’ireo ala voajanahary arovana ny ao Tsarafara, Tsiazompaniry, any amin’ny distrikan’Andramasina. Mirefy 6 000 ha izany ka ala arovana ny 1 059 ha amin’izany. Ahitana varongy mainty, voamboana, lanona, « orchidées » ary sifaka sy gidro ao, ankoatra ny farihy lehibe. “Mahatratra 100 ha no voafaritra ao anatin’ny 1059 ha, ary ao no tena misy ireo hazo, voninkazo ary biby tena arovana”, hoy ny mpitarika ny VOI Tsarafara, Rakotondramanana sy RaseliarisonMiaro sy mitantana ary manajary izany ny Vondron’olona ifotony  (VOI) Tsarafara, misy mpikambana 178 avy amin’ireo tanana : Andriankely, Anamamy, Fasanilavakanjo, Ambilanijia. Ezaka ataon’izy ireo ny fambolen-kazo sy ny aro afo. Nidina tany an-toerana ny avy amin’ny Tafomihaavo sy ny tambajotran’ny fokonolona miaro ny harena voajanahary notarihin’ny  filohany, Ramanandraibe Louis de Gonzague. Hita tamin’izany fa misy ampahan’olom-bitsy mikendry ho tompon’ny ala voajanahary arovan’ny VOI. Efa miroso amin’ny fanaovana « borne » izy ireo. Manahy ireo fokonolona fa ho tandindomin-doza ny famatsian-drano an’Antananarivo sy ny manodidina, indrindra ny lemank’i Betsimitatatra. Ho potika koa ny ala ary ho very maina ny ezaka nataon’ny VOI tao anatin’ny 20 taona. Manaitra ny tompon’andraikitra isan-tokony izy ireo noho izany hijery akaiky izao raharaha izao.Synèse R.L’article Alan’i Tsiazompaniry: mahasarika mpizahantany a été récupéré chez Newsmada.

Fanohanana ara-tsakafo ny any Atsimo: maherin’ny 7 hetsy ireo mponina hampian’ny Amerikanina
15/06/2021

Nanome vola mitentina efa ho 40 tapitrisa dolara ny governemanta amerikana ho fanampiana vonjy taitra ny any atsimon’ny Nosy. Natao hanomezana fanampiana ara-tsakafo ho an’ny olona maherin’ny 729.000 ity famatsiam-bola vaovao. Nivoitra tamin’ny fihaonan’ny filoha Rajoelina sy ny ambasadaoro amerikanina, i Michael Pelletier, omaly izany.Ahafahana manome fanampiana ara-tsakafo, hitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny zaza madinika sy ny vehivavy bevohoka ary ny tera-bao, hanatsarana ny fahadiovana ary hanamboarana fantsakana hahazoana rano fisotro izany famatsiam-bola izany.Mpirahalahy mianalaNasongadin’ny ambasadaoro tamin’ny filoha  fa miara-dia toy ny “mpirahalahy mianala” ny governemanta amerikana sy ny governemanta malagasy amin’ny fiatrehana ny filan’ny fianakaviana ianjadian’ny hanoanana sy ny fanomezana vahaolana maharitra amin’ny tsy fahalavorariana ara-tsakafo any atsimo sy atsimo atsinanan’i Madagasikara. Na izany aza, nanteriny fa na hitondra fanampiana ho an’ny olona maro aza io famatsiam-bola vaovao io ary hanome fahafaham-po ny filan’ny tsirairay izany.  Nanao antso avo amin’ireo mpamatsy vola hafa izy mba hitondra anjara biriky. Anisan’izany ny firaisamonim-pirenena,  mahatsapa ny hamehana amin’ny tranga any atsimo.Mitaky ezaka bebe kokoa Mila fandraisana anjara bebe kokoa anefa izany, araka ny nambarany. Maherin’ny iray tapitrisa ireo olona iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo ankehitriny ary mbola mety hihombo izany.  “Manentana ny firaisamonim-pirenena sy ny fanjakana ny tenako hanao ezaka bebe kokoa hisorohana ny fihomboan’ny mosary”, hoy ihany izy. Notsiahiviny, araka ny fanadihadiana natao ny faran’ny mey teo fa manahirana ny toe-draharaha ara-tsakafo hatramin’ny nanombohan’ny haintany ny taona 2014.  Vahoaka Tandidonin’ny mosary ny vahoaka ka ho ratsy ny vokatra ho avy, ary hiharatsy ny fahazoana sakafo amin’ny 2022.Synèse R. L’article Fanohanana ara-tsakafo ny any Atsimo: maherin’ny 7 hetsy ireo mponina hampian’ny Amerikanina a été récupéré chez Newsmada.

Police nationale : 500 MAS 36 et 50 pistolets mitrailleurs remis par l’Armée
19/06/2021

Les efforts pour le rétablissement de la sécurité et de la paix dans tout le territoire se renforcent au niveau des forces de l’ordre. Dans cette action, une cérémonie militaire dédiée à la dotation d’armes effectuée par l’Armée Malgache à la Police nationale a été tenue hier dans la matinée au camp du Capsat à Soanierana. Décidé récemment en conseil des Ministres, cette cession d’armes porte sur 500 Fusils MAS 36 et 50 pistolets mitrailleurs. En recevant cette dotation, le Ministre de la Sécurité publique, le Contrôleur Général de Police Fanomezantsoa Rafanomezantsoa a rappelé que la restauration de la paix et de la sécurité  constitue le « Vina n°1 » du Président de la République Andry Rajoelina. Pour atteindre cet objectif, les forces de l’ordre doivent faire preuve de collaboration et de fraternité. D’après lui, ces deux principes sont actuellement vérifiés par cette remise de matériels. Il a rappelé que l’année dernière, la gendarmerie a déjà fait le même geste à la police. Mais en ce qui concerne particulièrement la police, la réception de ces armes la permet d’équiper les commissariats et les postes de polices nouvellement construits dans les régions surtout dans les zones rouges. C’est exactement l’objectif du donateur comme il a été dit par le Ministre de la Défense nationale, Général de Corps d’armée Richard Rakotonirina lors de sa prise de parole. « Que cela permette  le rapprochement entre les forces de l’ordre et la population et que les policiers assument leur travail avec quiétude. Dans leurs discours, les deux ministres ont tous manifesté leur souhait de voir la fête de l’indépendance se dérouler dans le calme et sans aucun incident malgré la multiplication des actes de déstabilisation depuis ces derniers temps. Le Secrétaire d’Etat chargé de la gendarmerie, le commandant de la gendarmerie nationale (Comgn), et le directeur général de la Police nationale (Dgpn) étaient présents à cette cérémonie. La convention portant sur cette cession d’armes a été signée par le Cmgn et le Dgpn. T.M. L’article Police nationale : 500 MAS 36 et 50 pistolets mitrailleurs remis par l’Armée est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Police nationale : 500 MAS 36 et 50 pistolets mitrailleurs remis par l’Armée a été récupéré chez Midi Madagasikara.