Toamasina: hisitraka ny « Salon de l’étudiant » ireo mpianatra

News - Toamasina: hisitraka ny « Salon de l’étudiant » ireo mpianatra

News - Toamasina: hisitraka ny « Salon de l’étudiant » ireo mpianatra

Hotanterahina any Toamasina ny 30
sy 31 oktobra izao ny « Salon de l’étudiant » ho an’ireo
mpianatra nahavita ny fanadinana bakalorea sy hiakatra amin’ny
tontolon’ny oniversite amin’izay. Hivondrona amin’ny toerana iray
ireo sekoly ambony ao Toamasina sy ny manodidina hampahafantatra
ireo karazana lalam-piofanana ao aminy.

Miresaka mivantana amin’ireo
tompon’andraikitry ny sekoly, araka izany, ireo mpianatra.
Misokatra ny fanontaniana rehetra hatramin’ny mety ho lalan’asa ho
hita aorian’ny fiofanana na fampianarana hatao.

Betsaka ireo tanora afa-panadinana
bakalorea no sady te hiasa no hianatra ka misy ihany koa ireo
sekoly ambony mandefa manao fizarana asa avy hatrany hahafahan’ny
tanora mivelatra sahady sy manana lalan-tsaina amin’ny tontolon’ny
asa.

Takina indrindra amin’izao fotoana
ny fananana traikefa ka izany no anton’ny fizarana asa avy hatrany
na dia vao manomboka amin’ny taona voalohany aza ho an’ireo sekoly
ambony efa manome fahalalahana ny mpianany amin’izany sehatry ny
asa izany.

Misy amin’ireo tanora ihany koa no
tazomin’ny orinasa nanaovany fizarana asa avy hatrany rehefa
tsapan’ny mpampiasa fa matotra sy afaka mamokatra ho an’ny
orinasany ka avy hatrany dia omeny ny toerany ao amin’izany orinasa
izany.

Tatiana A

Article tiré de Newsmada

L’article Toamasina: hisitraka ny « Salon de l’étudiant » ireo mpianatra a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 26/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Tselatra

Efa mifampiresaka ankehitriny ny zandary ao Itaosy sy ny zandariamaria ao Tsiroamandidy mahakasika ilay tranga nahazo an-dRazanajafy Miharisoa Princia, 10 taona, taona fahadimy. Ankizivavikely very sy nisy naka an-keriny ny talata teo tao Tsiroamandidy. Ankehitriny, avotra soa aman-tsara izy ary efa misy mandray an-tanana ny fikarakarana azy. Raha ny fitantaran’i Princia tamin’ny antso an-telefonina nifanaovanay taminy, nilalao teo an-tokotanin’ny trano fonenany ao Betsifasika Tsiroamandidy izy ny talata teo. Taorian’izay, nisy fiara 4×4 nitondra azy ka nofatorana ny tanany sy ny tongony ary notampenana ihany koa ny masony.Vosambotry ny polisy, omaly, ary nanaovana fanadihadiana ny vehivavy iray, voarohirohy amin’ny fanariana zazamenavava tao anaty lavapiringa eny Anosizato Atsinanana. Hitan’ny fokonolona, omaly maraina manodidina ny tamin’ny 9 ora, ny fatin’ilay zazakely teny amin’ny faritra fahatelo Anosizato Atsinanana, nandritra ny fandoarany ny lavapiringa. «Efa tsy nisy aina intsony ilay zazalahikely. Nitranga ihany koa ny lelany», hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray.L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Basikety : nivoaka ny hopitaly Rabearivony Gilbert

Sitrana soa aman-tsara Rabearivony Gilbert, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe i Gamin, “doyen” ny mpitsara lalao eo anivon’ ny federasiona malagasy ny basikety. Raha ny nambaran’ny mpikambana anivon’ilay komisiona ny mpitsara, nikarakara azy, tsy vita ny fitsaboana an’i Gamin raha tsy teo ny fanampian’ireo malala-tanana. Isan’izany ny FMBB, ny ligy, ny CCA, ny CRA, ny CEBB, ny mpitsara, ny mpanazatra, ireo klioba, ireo mpilalao, ny olon-tsotra, ny mpiara-monina, ny havana ary ny mpanao gazety. Nizara roa ny fanampiana ka nisy ireo nanampy azy nivantana ary nisy ireo tonga teto anivon’ny komisiona. Ni­tentina 1 099 000Ar ny vola voaray ary nampiasaina tamin’ny fikarakarana sy ny fitsaboana azy. Azo lazaina ho efa salama tsara i Gamin ankehitriny, saingy mbola misy anefa fanaraha-maso sy ny fitsaboana arahiny mandritra ny 15 andro, raha ny fanazavana hatrany. Hampi­asaina amin’ny fanafody mbola ilaina sy ny tohana sakafo ho azy, mandritra io 15 andro io, ny ambin’ny vola amin’izany.Mi.RazL’article Basikety : nivoaka ny hopitaly Rabearivony Gilbert a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Radanoara Julien: “Tokony hanan-kambara momba ny raharaham-pirenena ny mpanohitra”

Aiza ho aiza marina ny toerana misy ny mpanohitra amin’izao fotoana izao? Maneho ny fijeriny ny mpahay fifandraisana iraisam-pirenena, Radanoara Julien: “Tokony hanan-javatra holazaina momba ny fandehan’ny raharaham-pirenena ny antoko mpanohitra rehetra.” Dinidinika…Gazety Taratra (*): Ahoana ny fahitanao ny amin’ny hoe lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimierampirenena tsy hita be ihany hatramin’izao?   Radanoara Julien (-): Izao fotsiny ilay izy: ao anatin’ny demokrasia no misy an’io. Ao anatin’ny andrin’ny demokrasia ny hoe fanajana ny mpanohitra. Ny anton’izay, fanabeazana ny vahoaka. Eo koa ny fifandimbiasan-toerana ara-pomba demokratika: tokony hanan-javatra holazaina momba ny fandehan’ny raharaham-pirenena ny antoko mpanohitra rehetra.Mandray ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, ohatra, ny eo amin’ny fitondrana, ilazany izay antony andraisana azy. Amin’izany, mitsangana ny mpanohitra, izay ho minisitry ny Fitantanam-bola amin’ny ho avy raha ny tena izy: milaza ny fijeriny amin’ny maha mpanohitra azy ny amin’izay lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana izay. Mihaino ny vahoaka.Rehefa tonga ny fifidianana, mieritreritra ny vahoaka miainga amin’izay voalaza izay, ohatra. Aleony ihany, ohatra, ny olona eo amin’ny fitondrana. Ho an’ny sasany indray, aleony maka ny mpanohitra. Izay no ahitana ny mahomby sa tsia ny fitondrana. Satria mety ho latsa-bato famaizana no ataon’ny vahoaka aminy, na latsa-bato famerenana azy eo amin’ny fitondrana ihany.* Aiza ho aiza marina ny toeran’ny mpanohitra amin’izany? – Izay lalàn’ny demokrasia izay no tsy anampenam-bava ny mpanohitra. Voalaza ao anatin’ny demokrasia rahateo izany, fanajana ny zo fototra: zo haneho hevitra an-kalalahana, zo hisafidy. Afa-miteny sy afa-maneho ny heviny ny olon-drehetra, fa tsy hoe sakanana na sazina na gadraina isaky ny miteny na maneho hevitra.Satria efa mandala ny hoe demokrasia ny tena, ary mifototra amin’ny demokrasia ny lalàmpanorenana izay nampandaniana ny vahoaka eto Madagasikara. Ao anatin’ny savaranonando amin’ny lalàmpanorenana ny hoe: ny demokrasia no fototry ny Repoblika. Ny dikan’izay, hanaja sy handala an’izay ny tena.Izay no antom-pisian’ny antoko politika: fahefana no tanjony. Ahoana no hahazoany fahefana raha tsy manazava ny heviny sy ny vinam-piarahamoniny amin’ny vahoaka izy? Izay no hifidianan’ny vahoaka azy, raha resy lahatra ny vahoaka?* Nefa tsy mety milamina aloha  ny samy mpanohitra hatramin’izao, fa tsy mazava be ihany koa ny lalàna? – Toa atao fanahy iniana manjavozavo ilay izy… Mba  tsy hasiana zavatra hitombina. Raha hijery an’izay ny solombavambahoaka mba tena hazava amin-kitsim-po, fa tsy hasiana haratsian-toetra ka hanjary tsy hisy zava-banona eto Madagasikara. Na hasiana mpanohitra ao anatin’ny Antenimierampirenena na tsia. Rehefa tsy hasiana mpanohitra eo anivon’ny Antenimierampirenena, aleo any ivelany izany izy no hiteny sy hitabataba. Raha tiana hipetraka ao izy, avelao ho ao… Arakaraka isika mianakavy ihany izay.Izay ny demokrasia. Asa raha hoekentsika izany na tsia. Anjarantsika izay: sao ekena fotsiny, nefa tsy atao. Izay koa ny aty amin’ny firenena mahantra, ekena avokoa izany mba hahazoana vola. Be dia be ny zavatra ekena eo imason’ny mpamatsy vola hoe tena manaraka izany demokrasia izany isika. Nefa rehefa dinihina, tsy manao akory ny aty amin’ny firenena fa resaka be fotsiny.* Efa miteny demokrasia ianao, ahoana ny fahitanao  amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana mpanolotsain’ny Tanàna tsy hita be ihany koa amin’izao? – Tsy mbola fantatra io… Mety kajikajy politika io, mety mbola tsy fahavononana, mety ho zavatra maro samihafa toy ny enti-manana, ohatra. Raha tena hanao, efa nomanina dieny mialoha avokoa izany. Satria efa fantatra fa hisy izay fifidianana izay. Izay ilay hoe alaina avokoa io karazana lalàna rehetra io, nefa tsy misy tanterahina rehefa avy eo.Nangonin’i R. Nd.L’article Radanoara Julien: “Tokony hanan-kambara momba ny raharaham-pirenena ny mpanohitra” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fametrahana paikady amin’ny hanoanana: hanorenana orinasa mpamokatra sakafo any Atsimo

Fantatra nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa hisy ny orinasa goavana mpamokatra sakafo be otrikaina apetraka any atsimon’ny Nosy. Iarahana amin’ny Foundation Mérieux ny fanatanterahana izany.Tanjon’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny hametraka paikady maharitra hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny haintany mianjady amin’ny mponina any atsimon’ny Nosy, izay tena mampahory ny zaza sy ny ankizy.Hisy, araka izany, ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny Nutriset, izay miara-dalana amin’ny Foundation Mérieux amin’ny fanokafana izany orinasa fanodinana sakafo be otrikaina izany. Hisitraka izany ireo reny sy ny zaza ary indrindra ireo ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo.Ho tonga tsy ho ela eto Madagasikara ny milina rehetra fanodinana  sakafo, izay entin’ireo mpandraharaha sy mpiray antoka amin’ny fitondram-panjakana.Nambaran’ny filoham-pirenena fa anisan’ny sangany amin’ny fanatsarana ny fahasalamana amin’ny alalan’ny fampivelarana ireo ady rehetra amin’ny areti-mifindra, tena mahakasika ny olona marefo indrindra ny reny sy ny zaza ary matihanina amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny Foundation Mérieux.Miara-miasa amin’ny Nurset izy ireo amin’ny famokarana sy ny fanodinana ary ny fitsinjarana sy fanaparitahana ny vokatra manerana ireo toeram-pitsaboana sy ireo toerana miahy ny vehivavy bevohoka sy ny ankizy.Anjaran’ny fitondram-panjakana kosa ny manampy ny orinasa Nutriset amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa fananganana ny orinasa any Atsimo. Mametraka ihany koa ny fandaharanasa hoentina hampiroborobo ireo orinasa mpamokatra sakafo be otrikaina sy ara-pahasalamana.Jerena sy apetraka koa ny didy aman-dalàna manamora ny fihodinan’izany orinasa izany, ny fanalefahan-ketra sy ny haba. Ampandalovina eo anatrehan’ny filan-kevitry ny minisitra avokoa ny fanapahana izany rehetra izany.Iandraiketan’ny foundation Mérieux kosa ny famatsiam-bola manontolo amin’ny fampihodinana sy fananganana izany roinasa izany. Nanao fanamby ny orinasa Nutriset fa hitondra asa ho an’ny mponina any amin’ny faritra iasana ny fitsanganan’ny orinasa. Hampiasa ny vokatra eo an-toerana ihany koa hahazoan’ireo mpamboly tombony.Tatiana AL’article Fametrahana paikady amin’ny hanoanana: hanorenana orinasa mpamokatra sakafo any Atsimo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Bianco sy Croix Rouge Malagasy: apetraka ny ady amin’ny kolikoly

Vita omaly ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly sy ny Croix Rouge Malagasy (CRM). Nanatanteraka izany fifanarahana haharitra roa taona izany  ireo birao vaovao eo amin’ny  Croix Rouge Malagasy.Tanjon’ny fifanarahana ny hanentana  sy hampianatra ny mpiasan’ny  CRM  hanana fitondran-tena manohitra ny kolikoly sy hanana toe-tsaina mandala  izany. Eo koa ny  hampianatra azy ireo  handà ny endrika kolikoly amin’ny sehatra rehetra  hiasany.Ankoatra izao,  hanangana ny rafitra sy ny antanantohatra maneho ny mangarahara tsy hampisy  ny tranga kolikoly amin’ny fintanana sy sehatra rehetra ao amin’ny CRM.Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny politikan’ny Bianco sy ny fandaharanasan’ny CRM ho amin’ny fitantanana mangarahara  sy marina izao fiaraha-miasa natao sonia, omaly izao. Hitondra fampandrosoana maharitra eto amin’ny firenena ihany koa izany raha voahaja antsakany sy andavany.Hanampy ny CRM, araka izany ny Bianco amin’ny fanatanterahana ny drafitrasa apetraka momba ity ady  amin’ny kolikoly ity.Raha tsiahivina, nisy nofy ratsy teo amin’ny CRM teo aloha mikasika fanodinkodinam-bola ary nahatonga ny mpamatsy vola hampiato ny fanampiana.Tatiana AL’article Bianco sy Croix Rouge Malagasy: apetraka ny ady amin’ny kolikoly a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fangatahan’ny Gem: tetibola ho fanarenana ny toekarena

Amin’ny volana oktobra ho avy izao ny fivorian’ny Antenimiera roa tonta, handinika ny tetibolam-panjakana taona 2021. Nanisy resaka ny ao amin’ny Vondron’ny orinasa eto Madagasikara (Gem) momba izany tetibolam-panjakana izany, tokony hiompana indrindra amin’ny fanarenana ny toekarem-pirenena aorian’izao krizy izao.Mila tohana avy amin’ny fanjakana ny orinasa ahafahana mihodina, koa angatahin’izy ireo ny hanalefahana ny hetra, ny ahazoana mindram-bola mampivelatra sy mampandeha ny fihariana, ahafahan’ny orinasa mamokatra tsy hanafarana any ivelany amin’izay vokatra azo vokarina eto an-toerana.Tsy vahaolana, hoy ny ao amin’ny Gem, ny fanakatonana orinasa. Vao mainka maro ny sahirana amin’ny fandoavan-ketra, tsy hiditra ny vola ho an’ny fanjakana, tsy tafavoaka ny krizy ny firenena. Nampanantena ny minisiteran’ny Toakerana sy ny tetibola fa hijery akaiky ny hanampiana ny sehatra tsy miankina. Efa misy ny fandaharanasa Fihariana an’ny fanjakana, saingy mbola sarotra ho an’ny rehetra ny mindram-bola amin’izany sy ambony ihany koa ny tahan’ny zanabola, araka ny fanamarihan’ny mpandraharaha sasany. R.Mathieu      L’article Fangatahan’ny Gem: tetibola ho fanarenana ny toekarena a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ranty – « Solitude Urbaine »: nasain’ny mpikarakara i Jean Andrianaivo Ravelona

Anisan’ireo mpanakanto malagasy, manana ny maha izy azy, eo amin’ny tontolon’ny hosodoko, i Jean Andrianaivo Ravelona. Maro ny fampirantiana efa nandraisany anjara. Tsy vitsy ireo fankasitrahana efa natolotra azy. Mitohy hatrany izany…Ny talenta, tsy mba mihiboka! Nanomboka ny 19 septambra teo ilay fampirantiana ‘’Solitude Urbaine” hampisehoana ny sanganasan’ireo mpanakanto nandritry ny fihibohana. Hetsika karakarain’ny departemantan’ny kolontsaina eo anivon’ny Ville d’Asnières. 16 ny isan’ny mpandray anjara, mampiranty ny sanganasany ao amin’ny Château d’Asnières, ka anisan’ny nasaina i Jean Andrianaivo Ravelona, teratany Malagasy, andrarezin’ny sary hosodoko tsy eto an-toerana ihany fa hatrany ampitan-dranomasina. Ireto lohahevitra ireto no asehony ao anatin’ny sanganasany mandritra ity ranty “Solitude Urbaine” ity:  ”Fifehezana ny Corona”, ny “Fiverenana an-doharano”, ny “Lovakolo Anatirova”.Ny fahatsapana voaray teo am-panaovana ny sanganasa: “aretina tena mpandripaka ain’olona maro ity Covid-19 ity. Hanova fomba fanao, handrava ny soatoavina, hanimba zavatra maro” Manoloana izany, ny hafatra voary dia toy izao: azo fehezina izao Coronavirus izao. Amin’ny fomba maro ny ahitan’olombelona azy, isan’izany ny fiverenana amin’ny loharano”, hoy i Jean Andrianaivo Ravelona, raha namintina ny hevi-dehibe asehon’ny sanganasany voalohany.Ho an’ny tabilao faharoa indray, nambarany fa: “Madagasikara, tany masina, anisan’ny tranainy. Ahitana taratra izany ireo harena ambanin’ny tany, ny zavamaniry, ny zavamananaina, ny mponina ao aminy fahizany. Amin’ny alalan’ny vakoka no hitarafana izany harena sarobidy izany. Misy fahendrena lalina, misy fampianarana, fahalalana maro raiketin’ny vakoka. Ny vakoka no mitahiry ilay hasina hatrany am-piandohana. Ny vakoka, sekoly lehibe hiampitan’ny hafatry ny olobe, fahalalana, fahendrena, soatoavina. Mba haharaisana izany hafatra sarobidy izany, mila averina amin’ny toerany sy amin’ny maha izy azy ny vakoka. Averina amin’ny hasiny ny vakoka… Tsy fanitsaka an-tampon-doha ny vakoka. Ny fiverenana an-doharano, io ny vahaolana ho an’i Madagasikara. Fihainoana ny olobe mpikajy ny vakoka, ny fanatanterahana ny hafatra nipetraka amin’izy ireo… Tany manan-jina i Madagasikara ka tsy azo asian-dratsy na hitsahina hasina!”.Marihina fa tanàna manan-tantara i Asnière satria nivahiny sy nanao hosodoko tao ireo artista “impressionnistes” malaza fahiny, toa an-dry Van Gogh, i Pissaro, i Cezanne, sns. Maro ireo hosodoko nataon’izy ireo momba an’i Asnières sy ny manodidina.Nanangona: HaRy Razafindrakoto L’article Ranty – « Solitude Urbaine »: nasain’ny mpikarakara i Jean Andrianaivo Ravelona a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fampivoarana ny any atsimo :: Hotohanana ara-bola ireo tantsaha

Hahazo fampindramam-bola ho an’ny asa famokarana ireo tantsaha any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fandaharanasa maneran-tany misahana ny sakafo (PAM) sy ny banky BOA, izay hamatsy vola, amin’ny alalan’ny fandaharanasa Fihariana. Ireo sehatra asa tena mampidi-bola ho an’ny tantsaha na fambolena na fiompiana na asa tanana no hahazo tombony amin’izao hetsika izao. Tantsaha roanjato avy any Anosy sy Androy, izay lasibatra amin’ny haintany sy ny kere, no hanombohana azy. “Mila fanampiana ireo olona ireo. Efa mitondra fampiofanana ihany ny PAM saingy mila vola ihany koa. Ny famokarana rehetra hataon’ireo tantsaha no tohanana ara-bola. Mitady ny lalam-barotra ho azy ireo ihany koa izahay”, hoy Zafindravaka Valérie, sekretera mpanatanteraky ny fandaharanasa Fihariana. Manomboka amin’ny 5 hatramin’ny 9% kosa ny zana-bola, alaina amin’izy ireo isan-taona, hoy Rafenomanjato Ravaka, avy ao amin’ ny BOA.Hanomboka amin’ity herinandro ity no hisitraka ny fampindramam-bola ireo tantsaha. L’article Fampivoarana ny any atsimo :: Hotohanana ara-bola ireo tantsaha est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

1 aogositra -12 novambra: 14 ireo matin’ny pesta

Nanomboka ny 1aogositra ka hatramin’ny 12 novambra lasa teo, 14 ny olona voamarina fa matin’ny aretina pesta, araka ny vaovao nampitain’ny minisiteran’ny Fahasalamana, omaly. Sivy ireo tratran’ny aretina pesta miseho amin’ny arein-tratra ka namoy ny ainy, dimy kosa ireo matin’ny pesta atonditarina. Nahatratra 43 ireo olona voamarina fa nahitana trangan’aretina pesta tamin’ireo olona rehetra notilina. Pesta atodintarina ny34 ary pesta aretin-tratra ny sivy. Amin’ireo olona 34 voamarina fa voan’ny pesta atodintarina ireo, 29 ireo efa manaraka fitsaboana eny anivon’ny tobim-pahasalamana. Ho an’ny pesta aretin-tratra, namoy ny ainy avokoa ireo voamarina fa nahitana ny tranga. Ny distrika nahitana ireo trangan’aretina voamarina fa pesta: i Tsiroanomandidy, i Befotaka, i Manandriana, Ambatofinandrahana, i  Midongy Atsimo, Ambalavao, Anjozorobe, Ankazobe, i Miarinarivo, i Moramanga, Ambositra, i Betafo ary i Faratsiho. Manahy amin’ny fiparitahan’ny valanaretina pesta ny mponina eto Antananarivo satria ny mitobaka eny rehetra eny ny fako efa tao anatin’ny andro maromaro izay. Miezaka miasa andro sy alina ny kamiao fa tsy mahazaka betsaka. Voalaza anefa fa nahazo kamiao ampolony ny Samva avy any amin’ny minisiteran’ny Rano hanalana ny fako. Vonjy

News - News Mada

Andohatapenaka: notorin’ny mpivaro-tena fa tsy nety nandoa vola ilay lehilahy

Ny asabotsy tamin’ny 10 ora maraina, nisy lehilahy iray nenjehina olona maromaro teny amin’ny faritra Andohatapenaka. Raha nahita izany ny polisy, nandray andraikitra nisambotra ity lehilahy ity. Nentina teo anivon’ny kaomisarian’ny CSP7 izy hanaovana fanadihadiana. Tamin’io maraina io ihany, tonga nametraka fitarainana mahakasika io lehilahy io ny vehivavy mpivaro-tena miisa efatra noho izy tsy mety mandoa vola sady mandrahona amin’ny antsy no mbola miverina any amin’ny tranon’ireo mpivaro-tena ary mamaky izany ka maka izay rehetra azony alaina ao. Fantatra ihany koa fa efa nifonja teny Tsiafahy ity lehilahy ity noho ny antony fitanana fitaovam-piadiana sy fikambanan-jiolahy. Niaiky ny fiampangana azy ity lehilahy ity.Nidoboka eny amin’ny fonjan’Antanimora koa ny jiolahy iray tompon’antoka amin’ny fanaovana sinto-mahery eny amin’ny faritra 67 ha. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, ny alatsinainy alina teo, voasambotra teny 67 ha rehefa avy nanendaka vehivavy iray niandry fiara ity jiolahy ity. Mody mijoro teo akaikin’ity vehivavy ity ilay jiolahy ka rehefa hitany fa variana ilay vehivavy, nalainy ny telefaonina finday tao am-paosiny.Jean ClaudeL’article Andohatapenaka: notorin’ny mpivaro-tena fa tsy nety nandoa vola ilay lehilahy a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

Tselatra
24/11/2020

Vehivavy mitondra vohoka enim-bolana niharan’ny fanolanana tambabe tao Vohitraivo Amparafaravola, ny zoma teo. Avy nisafo tany amin’ny dokotera izy no nifanehatra tamin’ireo jiolahy ka nanamparan’ireo jiolahy habibiana. Tsy vitan’izay fa notapahin’ireo nahavanon-doza ny lohany rehefa avy naolan’izy ireo.L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

Arema : Descente du comité directeur national à Toamasina
24/11/2020

Descente du comité directeur national de l’Arema à Toamasina. Les instances dirigeantes de l’Arema ont fait une descente à Toamasina le week-end dernier. Samedi matin, ce parti a procédé à la présentation officielle des membres du Comité directeur national (CDN). La cérémonie s’est déroulée au gymnase Soavita à Toamasina. Les six provinces ont toutes été représentées lors de cette rencontre dans le grand port de l’Est, qui a vu la présence de 200 participants. Le Secrétaire national de ce parti, Annick Ratsiraka, était également de la partie et comme son nom l’indique, n’est autre que la fille de l’amiral. Ces membres du CDN ont notamment été élus lors du congrès national de ce parti qui s’est tenu le 20 mars 2020 à Antananarivo. Qui faut-il le rappeler que parmi les dispositions prises lors de ce congrès figure notamment le sigle de l’Arema qui a repris ses initiales d’origine étant donné que le nom de ce parti est devenu désormais « Antoko Revolisionera Malagasy ». Un nom qui rappelle la deuxième République. Tour des chefs-lieux de province. Pour en revenir à Toamasina, le samedi après-midi a été consacré à un échange d’expériences entre les participants, au lycée Jacques Rabemananjara. Le lendemain, les membres de ce parti se sont donné rendez-vous au Fokontany d’Antananambo, de la commune rurale de Fanandrana du district de Toamasina II, pour procéder à un reboisement sur un domaine acheté par le couple Didier Ratsiraka en 1963. Des arbres fruitiers ont été plantés à cette occasion. Le tout s’est terminé avec un banquet. Leurs prochaines réunions auront lieu à Fianarantsoa et Toliara. Autrement dit, ce parti créé par l’amiral va faire le tour des chefs-lieux de province. Une façon de le redynamiser. Recueillis par Dominique R. L’article Arema : Descente du comité directeur national à Toamasina est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Arema : Descente du comité directeur national à Toamasina a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Appel à manifestation d’intérêt (UGP CASEF / 2014A)
21/11/2020

Cliquer sur le lien ci-dessous pour télécharger le document. AMI_n°_33-20_CASEF-_CER_Boeny_171120 (1) L’article Appel à manifestation d’intérêt (UGP CASEF / 2014A) est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Appel à manifestation d’intérêt (UGP CASEF / 2014A) a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Sahiry: « Tsy tonga any ifotony ny fanampiana »
23/11/2020

Nivoaka amin’ny fanginany. “Tsy tonga eny anivon’ny fokontany ireo fanampiana ho an’ireo kere any atsimo. Hatreo anivon’ny kaominina ihany izany. Mihinana voamadilo sy ravina raketa hitazonana aina ny mponina”, hoy ny fikambanana Sahiry. Namory mpanao gazety tetsy Tsimbazaza izy ireo, ny asabotsy teo. Ahitana ireo mpanakanto avy any atsimon’ny Nosy. Na izany aza, nankasitrahin’izy ireo ny fanampiana, saingy tokony hazava ny fitantanana sy ny fitsinjarana izany. Hanao fampisehoana eny Ambohimanambola izy ireo ny 29 novambra izao, hotronin’ny mpanakanto maro. Hatolotra ny BNGRC ny vola azo amin’izany ka iantsoan’izy ireo ny rehetra, handray anjara sy hitondra ny tolo-tanana.Synèse R. L’article Sahiry: « Tsy tonga any ifotony ny fanampiana » a été récupéré chez Newsmada.

Airtel Madagascar : Lancement d’un concours de performance dédié à ses revendeurs
23/11/2020

Lors du lancement du challenge Airtel Mandresy. Pour la 7e année consécutive, Airtel Madagascar organise un challenge Airtel Mandresy. Il s’agit notamment d’un concours de performance dédié à ses revendeurs de carte SIM éparpillés dans tout Madagascar et qui sera valable à compter du 20 novembre 2020 jusqu’au 31 janvier 2021. L’objectif consiste à valoriser les forces de vente afin de rehausser les réalisations de chacun des partenaires dans le cadre de la commercialisation des cartes SIM. En effet, « chez Airtel, nous croyons à la force du potentiel. Etant une société dynamique, nous encourageons fortement l’épanouissement et le développement des personnes ayant l’ambition de grandir et de réussir aux côtés d’une entreprise qui sait reconnaître et récompenser la performance. Ainsi, toute personne désireuse de contribuer à la vulgarisation des services télécom est invitée à nous rejoindre dans notre merveilleuse mission de connecter toute la population malgache », a déclaré Eddy Kapuku, le directeur général d’Airtel Madagascar. Reconnaissance. Dans le cadre de ce concours, les partenaires commerciaux sont incités à maximiser leurs ventes durant la période de challenge. Ils seront ensuite classés en trois catégories suivant leurs réalisations, et ce, avec des objectifs de vente définis », a expliqué Heritiana Randrianarison, directeur des ventes au sein d’Airtel Madagascar. De nombreux lots seront distribués par tirage au sort aux revendeurs les plus performants. On peut citer, entre autres, une voiture neuve Renault KWID au meilleur revendeur, des motos, des télévisions Smart 40’’ et des smartphones Redmi. « L’organisation de ce challenge est pour nous un témoignage de reconnaissance envers nos distributeurs et revendeurs des SIM qui sont à la fois, des membres à part entière de la grande famille Airtel, et également des traits-d’union entre Airtel et les consommateurs dans tout le pays », a conclu le directeur général d’Airtel Madagascar. Navalona R. L’article Airtel Madagascar : Lancement d’un concours de performance dédié à ses revendeurs est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Airtel Madagascar : Lancement d’un concours de performance dédié à ses revendeurs a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Tolo-tanana ho an’i Piff: niray hina tanteraka ireo mpiangaly mozika rap
23/11/2020

Tontosa, ny asabotsy 21 novambra teo nanomboka tamin’ny 10 ora maraina, ny tolo-tanana ho an’i Piff. Fiaraha-mientana hip hop… « Iray aina, iray vatsy », notanterahina tetsy amin’ny Noumba Club Itaosy (Guest House teo aloha) izy ity. Maro ny nandray anjara tamin’izany hetsika izany, toa an-dry Mamy Saya & Alkassim, ny 08MM, ny Miora Killah&Ratex, ny Slem (Bogota), ny 67 Squad, ny 102 Fassad, ny Xcrew, ny Mista&Boska, ny Dahalo, ny Kriminaly, ny Etika, ny Familia, ny Reen-Key, ny Gouvernigga, ny Syndikat Kaid, ny Map, architek. Noho ny tsy fahasalamana mahazo an’i  Piff, avy ao amin’ny 102 Fassad, ny anton’ity hetsika ity. “Aretin’ny havokavoka miampy diabeta ny mahazo azy ary misy fahasarotana izany. Efa lany ny vola eo am-pelatanan’i Piff, amin’ny fitsaboana, ka mitondra anjara biriky izahay… Tsy avela irery ny namana satria «Iray vatsy, iray aina », araka ny nambaran’ny namana akaiky azy, ao anaty tontolon’ny rap. Manao antso avo ho an’ireo malala-tanana sy mpanaraka kolontsaina malagasy i Piff satria mbola maro ny fandaniana amin’ny fitsaboana azy, raha ny nambarany. Manana ny pejy facebook 102 Fassad ny vondrona misy azy ary afaka mifanerasera ao ho an’izay mila izany. Izahay eto amin’ny Gazety Taratra dia mirary fahasalamana feno ho an’i Piff.Narilala L’article Tolo-tanana ho an’i Piff: niray hina tanteraka ireo mpiangaly mozika rap a été récupéré chez Newsmada.

Soavina: navotsotr’ireo jiolahy ilay ankizikely nalaina an-keriny
19/11/2020

Notazonin’ireo mpaka an-keriny nandritra ny dimy andro ity ankizikely nalaina an-keriny ity tao Benobasy, fokontany Malaindromisotra, kaominina ambanivohitra Soavina, distrikan’Ambatofinandrahana. Araka ny fanazavana voaray teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, ny alin’ny 10 novambra lasa teo no nisy naka an-keriny tao an-trano ny ankizilahikely antsoina hoe Pierre. Ny faran’ny herinandro teo, navotsotr’ireo olon-dratsy izy. Tsy fantatra na nahazo vola takalonaina avy amin’ny fianakaviany ireo jiolahy ka namotsotra ity ankizilahikely satria mbola mandeha ny fanadihadiana ataon’ny zandary. Tsiahivina fa andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ny nanafika sady naka an-keriny azy tamin’io fotoana io.Fa nitrangana fanafihan-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika koa tao Andonabe Mananjary, ny alahady alina teo. Andian-jiolahy miisa fito no tompon’antoka amin’ny fanafihana. Nanapoaka basy ireo olon-dratsy nandritra ny fanafihana. Lasan’ireo mpanafika ny entana sarobidy tao an-trano niaraka amin’ny fahana telefaonina finday. Nitsoaka nihazo ny fokontany Androrangavola Andonabe ireo malaso taorian’izay. Mandeha ny fikarohana sy ny sakana ataon’ny zandary.J.C L’article Soavina: navotsotr’ireo jiolahy ilay ankizikely nalaina an-keriny a été récupéré chez Newsmada.

Afro beat sy reggae: miroso hatrany i Jha’s
25/11/2020

Telo taona nilonana tao anaty mozika mafana i Jha’s. Tena ilonany sy ifotorany ankehitriny ny afro beat sy ny reggae. Amytach ny tena anarany fa nasalotra azy fahazaza kosa ny Jha’s ka notazoniny. Azo lazaina ho famaliana babena ny ray aman-dreny ny azy ny fanaovana mozika. “Anisan’ny fanirian’ny mamako, ny hahatonga ahy ho mpanao mozika ka izao tanteraka izao izany”, hoy izy. Efa maro ny sanganasan’i Jha’s ka anisan’izany ny «Tsy kivy», izay rindran-tsary novokarina sy notontosain’i Sylvanno Ratsimandresy. Miparitaka any anaty «You tube» sy ireo tambajotran-tserasera maro izany. Toy ireo mpanakanto rehetra, manana tanjona ny halaza izy. Anisan’ny fanambiny ny ho reharehan’ny zanak’i Nosy be, tanàna nipoirany. Mampiavaka azy ny fandrafetana tononkira manakaiky kokoa ny tanora ary mitarika azy ireo hanana fanantenana amin’ny fiainana. Misokatra amin’ny olon-drehetra i Jha’s, amin’ny fiaraha-miasa. “Tsy mila kivy isika rehetra na mafy aza ny fiainana”, hoy izy. Ho an’izay mitady ho kivy, henoy ilay hirany «Tsy kivy» fa mampisy fanantenana amin’ny fiainana izany, araka ny nambarany. “Mipetraka hatrany ny maha fialamboly ny mozika. Saingy fotoana izao hidirana tanteraka eo amin’ny sehatry ny mahamatihanina eo amin’ity zavakanto iray ity”, hoy i Jha’s.NarilalaL’article Afro beat sy reggae: miroso hatrany i Jha’s a été récupéré chez Newsmada.

Hetsiky ny olom-boafidy eny fotony : « Tokony hohajaina ny safidin’ny tsirairay… »
23/11/2020

« Tsy misy ny teritery », hoy ireo avy amin’ny Hetsiky ny olom-boafidy eny ifotony, raha nihaona amin’ny mpanao gazety tetsy Antanimena izy ireo. Nambaran’ny mpitarika, ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Mandrosoa, Andramasina, Andrianomenjanahary Laza, fa vonona hanatanteraka ny adidiny amin’ny fifidianana loholona izy ireo. Hitandro ny fihavanana sy hikatsaka ny soa iombonana sy ny fampandrosoana ho an’ny kaominina tsirairay misy azy ireo avy. « Hajaina ny safidy sy ny fanehoan-kevitry ny tsirairay ka miantso ireo vondron-kery rehetra hifanome tanana ho amin’ny fampandrosoana », hoy izy. Maherin’ny 70 ireo ben’ny Tanàna anatin’ity hetsika ity ary avy amin’ny antoko politika sy tsy miankina avy eto amin’ny faritanin’Antananarivo.Mbola nanentana ireo mpifidy lehibe namany: mpanolontsaina sy ben’ny Tanàna, izy ireo hanatevina izao hetsika izao. « Hanolo-tanana ny fanjakana sy hiray hina », hoy izy ireo.Synèse R. L’article Hetsiky ny olom-boafidy eny fotony : « Tokony hohajaina ny safidin’ny tsirairay… » a été récupéré chez Newsmada.

Violences à l’égard des filles et des femmes : 4 jours de réflexion au Centre Arrupe Madagascar
25/11/2020

Trouver des actions efficaces afin de lutter contre la violence faite aux filles et aux femmes, relève maintenant de l’urgence.   Face aux nombreux cas de violences à l’égard des filles et des femmes, particulièrement médiatisés ces derniers temps, il urge de réduire, voire d’éliminer ce fléau qui anéantit des vies entières, suite aux traumatismes physiques, psychologiques et sociales causés par ces violences. C’est ainsi que se tient, à partir de ce jour, et durant quatre jours (du 25 au 28 novembre 2020) au Centre Arrupe Madagascar sis dans l’enceinte de l’ECAR Faravohitra, un atelier de réflexion avec les premiers acteurs en contact avec les victimes, mais également les institutions spécialisées, afin d’identifier les origines et les causes des violences à l’égard des filles et des femmes. Ce, en partant des expériences de prise en charge des victimes et de leurs familles, des leçons tirées des mécanismes de prévention et de gestion des violences de ces acteurs.   Participants. Plusieurs entités, institutions expertes et société civile, figurent parmi les participants à cet atelier de réflexion : magistrats spécialisés, ministère de la Population, de la Protection sociale et de la Promotion de la Femme, ministère de la Justice, UNICEF, brigade Féminine de proximité, centre d’accueil et acteurs religieux, MenEngage Madagascar, Commissaire divisionnaire de police, doctorants et psychothérapeute. « L’objectif est de mettre à l’écrit des orientations nouvelles à soumettre aux décideurs politiques et sociaux, aux acteurs de développement et aux églises », souligne alors le Centre Arrupe Madagascar, hôte de ces journées de réflexion. Rappelons que Madagascar a déjà adopté la Stratégie Nationale de  la Lutte contre  la Violence Basée sur le Genre (VBG) avec  l’appui de l’UNFPA, et en parallèle l’UNICEF a soutenu la Stratégie Nationale de lutte contre les mariages des enfants pour l’année  2017-2024.   Débat de fond. Cet atelier de réflexion sera alors un espace où s’ouvrira un débat de fond avec toutes les forces vives de la nation. L’actuelle explosion du nombre de cas, rapportés dans les médias, met l’opinion publique face à une triste réalité, tandis que les statistiques du ministère de la Justice dénonce 1 cas de viol par jour en moyenne cette année, jusqu’au mois d’octobre, et 750 cas de viols répertoriés en 2019 avec 16 cas de décès. Ces dernières semaines, on assiste à une explosion du nombre de cas de violences, de viols sur mineures, voire sur des bébés, marquant les lacunes du système de protection des victimes de violences. Hanitra R. L’article Violences à l’égard des filles et des femmes : 4 jours de réflexion au Centre Arrupe Madagascar est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Violences à l’égard des filles et des femmes : 4 jours de réflexion au Centre Arrupe Madagascar a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Kitra – Na teo aza ny ady sahala tamin’ny Elefanta…: efa any Kameronina ny tongotra ilan’ny Barea, hatreto
18/11/2020

Na teo aza ny ady sahala nifanandrinan’ny Barea sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, omaly tany Toamasina, mbola misy hatrany ny fanantenana. Samy mitarika ao anatin’ny vondrona K misy azy ny roa tonta. Efa any Kameronina ny tongotra ilan’ny Barea, hatreto.Efa any amin’ny ”Can 2022” hatao any Kameronina ny tongotra ilan’ny Barea, taorian’ny ady sahala 1 no ho 1 nanoloana ny Elefanta ivoarianina. Samy manana isa fito mitovy ny andaniny sy ankilany izao. Manana isa enina kosa ny ny Etiopianina, mijanona eo amin’ny laharana fahatelo rehefa nanamontsana 3 no ho 0 an’i Niger, miray sokajy amintsika,  tamin’ny lalao omaly koa. Handray an’i Niger ny Barea ny volana marsa 2021, raha efa nomontsanin’i Madagasikara 6 no ho 2 tamin’ny lalao mandroso ary hanafika an’i Etiopia kosa avy eo. Izany hoe, mila mandresy an’i Niger eto an-toerana sy any Etiopia na farafaharatsiny, manao sahala amin’izy ireo ahafahana mahazo ny tapakila amin’ny ”Can 2022”.Nivoaka sempotra tanterakaTsiahivina fa ady sahala, 1 sy 1, ny nisarahan’ny roa tonta teto amin’ny kianja Barikadimy Toamasina. Nivoaka sempotra tanteraka ny ekipa malagasy vao nahasala ny isa. Nitarika, 1 no ho 0, mantsy ny Ivoarianina, hatreo amin’ny minitra faha-50. Baolina tafiditr’i Kessi, tamin’ny alalan’ny “pénalty”, teo amin’ny minitra faha-13, rehefa nandray tanana, tao anaty faritra tsy azo ivalozana, i Jeremy Morel, noho ny fikoropahana. Nanjakan’ny Elefanta, notarihin’i Nicolas Pepe sy i Teddy Haller ary i Serge Aurier, ny tapa-potoana voalohany. Nitsitapitapy kosa ny fanafihan’ny Barea, izay tsy nampitahotra mihitsy ny vodilaharana ivoarianina. Niezaka nandrindra fanafihana ihany i Amada sy i Marco, teo afovoan’ny kianja, saingy tsy tonga mihitsy tany amin’i Hakim, lohalaharana malagasy, ny baolina fa ravan’ny Ivoarianina hatrany. Hita ho tsy tafiditra tao anaty lalao mihitsy i Metanire sy i Ryan. Vokatr’izay, voatery nidina i Carolus, naka baolina. Zara fa nahatafavoaka baolina ny vodilaharana malagasy.Tara loatra ny fanoloana mpilalaoNiezaka nifoha tamin’ny torimasony ny Barea, teo amin’ny fizaram-potoana faharoa. Nosakanana tany ambony ny Elefanta ary nomena baolina matetika ireo lohalaharana. Nahitam-bokany izany teo amin’ny minitra faha-51, rehefa tafaporitsaka tampoka i Carolus, ka nanolotra baolina ho an’i Mombris ary nandefa izany ho an’i Amada, ary namarana izany tamin’ny daka mandrivorivo, ka nampikobana ny masonaraton’i Gbohouo.Nahazo aina ny Barea teo ka sesilany ny fanafihana, saingy hita ihany ny havizanan’ireo mpilalao. Efa tokony hisy ny fanoloana mpilalao, saingy toy ny mahazatra azy, tsy nanao izany i Nicolas Dupuis, raha tsy tany amin’ny 10 mn farany, ka nanala  an’i Carolus sy i Paulin ary i Ryan sy i Hakim ka nampiditra an’i Loic sy i Sylvio ary i Zotsara, niampy an-dRamalingom. Fohy loatra anefa ny fotoana nilalaovan’izy ireo ka tsy ampy nanehoan’izy ireo ny fahaizany.Samy nahazo isa 1 avy izany Elefantan’i Côte d’Ivoire sy ny Barea, taorian’iny lalao iny, saingy mbola mitarika aloha, hatreto, ny Ivoarianina.Tompondaka sy Synèse R. Mpilalaon’ny Barea, i Carolus sy i Melvin: “Zava-dehibe ny ady sahala eo amin’ny  filaharana. Samy nanome ny tsara indrindra ny mpilalao na teo aza ny tsy fahampian’ny fifantohana sy ny fikorontanana. Nanao ny faran’ny hery isika… Miezaka ny ho laharana voalohany hatrany isika. Somary elaela vao tafiditra tao anaty lalao izahay tamin’ny fizaram-potoana voalohany. Nohatsaraina izany tamin’ny fizaram-potoana faharoa tamin’ny fanovana mpilalao… Ireny aloha ny vokatra”. L’article Kitra – Na teo aza ny ady sahala tamin’ny Elefanta…: efa any Kameronina ny tongotra ilan’ny Barea, hatreto a été récupéré chez Newsmada.

Andravoahangy: tratra ireo tontakely mpanendaka
20/11/2020

Tsy vao izao fa efa hatry ny ela! Mirongatra ny asa fanendahana ataon’ireo andian-jatovo tsy ampy taona eny amin’ny tsena solomaso Andravoahangy. Manoloana izany, nisy ny ezaka nataon’ny polisy amin’ny fanenjehana ireo jiolahy. Nahitam-bokany izany satria efa-dahy indray tratran’ny polisy, afakomaly alina. Nandritra ny fanadihadiana azy ireo no nahafantarana fa miaraka maromaro manao andiany ireto jiolahy rehefa manao ny asa ratsiny ka ny efatra tamin’izy ireo no tratran’ny polisy. Ireo mpandeha an-tongotra tratra alina no tena mitondra faisana amin’izy ireo. Maro rahateo ireo olona nanao fitarainana noho ny firongatry ny fanendahana eny amin’iny faritra iny ka antony nahatonga ny polisy nandray andraikitra avy hatrany.J.CL’article Andravoahangy: tratra ireo tontakely mpanendaka a été récupéré chez Newsmada.