Toamasina: “Héroïnes” milanja 40 kilao saron’ny ladoany

News - Toamasina: “Héroïnes” milanja 40 kilao saron’ny ladoany

News - Toamasina: “Héroïnes” milanja 40 kilao saron’ny ladoany

“Héroïnes » manodidina ny 40 kilao teo no tratran’ny ladoany ( Service de la surveillance et de la lutte contre la contrebande, Brigade des stups) tany Toamasina, omaly. Niara-niasa ny CSI (Comité pour la sauvegarde de l’intégrité), le CRFIM (Centre régional de fusion d’informations maritimes) nampian’ny FIP sy ny zandary no nahasarona ity tambazotra ity.

Efa tao anaty fiara 4×4 iray saika hiala tany Toamasina no tratra ireo zava-mahadomelina ireo. Tao anaty valizy nafenina anaty lamba. Rehefa nosavaina ilay fiara ka tratran’ny manampahefana tamin’izany. Olona maromaro no voasambotra ary mandeha ny famotorana.

Tranga mahazo vahana eto amintsika ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika. Matetika any Maorisy no misy olona tratra avy aty amintsika. Fantatra fa firenena andalovan’ny “Héroine” eto amintsika, ary mandeha any amin’ny firenena hafa avy eo. Efa maro ihany koa anefa ny manjifa azy ity eto amintsika, ary miparitaka eto an-dRenivohitra izany.

Yves S.

 

Article tiré de Newsmada

L’article Toamasina: “Héroïnes” milanja 40 kilao saron’ny ladoany a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 23/04/2019

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Triatra

Governemanta Ntsay : Nokianin’ireo senatera

Tsy nisy nandaharana mihitsy. Izay no nilazana ny fihaonan’ny governemanta tamin’ireo loholona, omaly, tetsy amin’ny Antenimieran-doholona, etsy Anosy. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny fivoriambe ara-potoan’ny parlemantera mantsy ny fihaonana eo amin’ny roa tonta. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia nopotsirin’ireo senatera tamin’ny voamasony ny fihaonana. Saika ireo tonga nivory tamin’izany dia nanakiana ny governemanta notarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian avokoa. Anisan’ny nibahan-toerana ny fanakianana mahakasika ny fifidianana. Nambaran’ireo loholona nandray fitenenana tamin’izany fa tsy misy nandeha tamin’ny laoniny, ary kitoatoa iny fifidianana Filoham-pirenena fihodinana voalohany, notanterahina ny 7 novambra teo iny. Maro, hoy izy ireo, ny tsy fahatomombanana mahakasika ny lisi-pifidianana. Teo ihany koa ny fanomanana sy ny fikarakarana tsizarizary, ka nampiteraka izao savorovoro eto amin’ny firenena izao. Ao, hoy hatrany izy ireo, ny mangataka fanafoanana ny voka-pifidianana sy ny fifidianana mihitsy aza, indrindra fa ny firaisan’ireo kandidà, noho ny tsy fahatomombanana tsikaritra hatrany… Anisan’ny tena nampimenomenona ireo loholona tamin’izany mantsy ny fahamaroan’ny fahadisoana teo anivon’ny lisimpifidianana sy ny maro hafa tsy ho voatanisa. Niraisan’ireo loholona kosa ny hoe “tsy voafehin’ny governemanta Ntsay Christian” ny fanomanana ny fifidianana Filoham-pirenena tamin’ity taona 2018 ity. Eny, fa na niezaka ny nanamarin-tena sy niezaka ny nanazava aza ny governemanta sy ny praiminisitra Ntsay Christian, nanoloana ny fanakianana nahazo azy ireo, tsy naharesy lahatra ireo senatera velively izany, satria dia tsapan’izy ireo fa tsy mahafehy ilay andraikitra nanirahana azy izy ireo… MN L’article Governemanta Ntsay : Nokianin’ireo senatera est apparu en premier sur .L’article Governemanta Ntsay : Nokianin’ireo senatera a été récupéré chez Triatra.

News - News Mada

Toamasina: misy kolikoly ny fanaovana « permis »

Velon-taraina indray ireo tanora vao afaka fanadinana eo anivon’ny familiana fiarakodia ao Toamasina. Anjakan’ny kolikoly izany ka lasa fototra mahatonga lozam-pifamoivoizana matetika. Tsy manana traikefa amin’ny familiana fiara sady tsy mbola mahafehy azy akory. Ho an’ireo afaka fanadinana, vola hafa ankoatra ny haloa ara-dalàna eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fanomezana fahazahoan-dalana hamily fiara no hefaina eny amin’ny mpikarakara vao azo izany. Nambaran’ireo tanora nitaraina tamin’ny mpanao gazety fa mandoa 50 000 Ar amin’ireo iraky ny mpikarakara vao azo ny “permis” eo amin’ny birao misahana ny fikarakarana ny antontan-taratasin’ny fiara sy ny “permis”, etsy amin’ny lapan’ny Faritanin’i Toamasina. Milaza mantsy izy ireo fa 20 isan’andro ihany ny zaraina ka noho izay, aleon’izy ireo mihitsy matory eto an-davarangana ho tafiditra anatin’ny  20 omena isan’andro. Mbola tsy mahazo ihany indray anefa satria mila manolotra vola 50 000 Ar vao mety, araka ny voalazan’ireo niharany. Nohamafisin’ireto tanora vao haka ny “permis” ireto fa hatrany amin’ny fanaovana fanadinana hahazoana “permis” sy ny fanadinana ho an’ny fahafahana amin’ny “code de la route”no efa manomboka ny kolikoly ka izay manome 50 000 Ar ny mpampanao fanadianana, afaka avy hatrany tsy mila mitondra fiara intsony fa omena naoty tsara. Aiza ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) ao an-toerana amin’izany zava-misy izany ?SajoL’article Toamasina: misy kolikoly ny fanaovana « permis » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Andron’ny asa izao, fa efa lasa ny lasa…   

Mby aiza ny raharaham-pirenena amin’izao? Manohy ny asany ny governemanta hoe vaovao. Mifanindran-dalana amin’izany, tafajoro ny Antenimierampirenena vaovao. Tsy vitan’izay, voatendry ny tale jeneraly vaovao hitantana ny Bianco. Inona na ahoana koa?Omanina fatratra ny fandraisana ny fitsidihan’ny papa François amin’ny volana septambra. Aoriana kelin’izay, eo ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna, na mbola mampanontany tena aza ny hoe: ho voatana sa tsia ny andron’ny 28 oktobra?Mbola misy ve ny fisarahan-kevitra? Eny, na mbola tsy mazava be ihany aza, ohatra, ny amin’izay hoe ho lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimierampirenena.Tsy mazava ny lalàna sy izay ampiharana azy? Na mifanohitra an-toerana ny samy mpanohitra…Tsy efa mba niombona sy nampiombonin’ny ekipam-pirenena amin’ny baolina kitra, tamin’ny dingana lehibe vitany, ve ny samy Malagasy tsivakivolo? Na toy inona, ohatra, toerana misy ny tsirairay, na manao ahoana tsy fitovin-kevitra sy fijery…Izany rehetra izany, mila fijery sy ainga vaovao amin’izao? Be ny azo atao sy mety ho vita, ao ny tsy maintsy atrehina, misy ny maika… Efa natomboka, ohatra, ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana… Ahoana ny tohiny sy ny sehatra hafa?Miandrandra fiovana ny vahoaka ifotony, araka ny fanamby sy ny fampanantenana rahateo. Fihatsaram-piainana mivaingana amin’izay ahay. Tsy lavina, arakaraka ny ataon’ny tsirairay no mahasoa na maharatsy ny fiainan’ny tena. Eo koa ny fiaretana sy ny faharetana.Na izany aza, tsy efa mba hisy zavatra hita soritra ve amin’izao? Tsy inona fa ny finoana sy ny fanantenana fa tena mandeha sy atao tokoa ny raharaha: tsy misy intsony, sanatria, ny kitsapatsapa, ny endri-javatra ivelany, ny mbola fifandresen-dahatra indray…Andron’ny asa izao, firosoana amin’izay atao. Izay tena miasa sy be asa, tsy misy fotoana holanina amin-javatra hafa. Efa lasa ny lasa fa ny ankehitriny no atrehina hahitana ny hoavy… ho hafa sy ho tsaratsara kokoa. Mby aiza amin’ity raharaham-pirenena?Rafaly Nd.  L’article Andron’ny asa izao, fa efa lasa ny lasa…    a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fahatongavan’ny papa François: hanolotra seho goavana ireo “Kintan’i Gasikara”

“Mpamafy fiadanana sy fanantenana, miaraka amin’ny papa François”. Io ny lohahevitra voizina amin’izao ankatoky ny fitsidihan’ny papa ray masina eto Madagasikara izao. Ho fanomanana izany fotoan-dehibe izany, hisy ny seho goavana hatolotr’ireo mpanakanto kazala ampolony maro, hotontosaina etsy amin’ny Coliseum, ny alahady 28 jolay izao manomboka amin’ny 11 ora antoandro. “Kintan’i Gasikara” ny anarana nampisalorana ireo mpanakanto satria samy mamiratra maromaro izy ireo no hifandimby sehatra amin’io. Anisan’izany ireo hita anatin’ilay rakitsarin’ny hira faneva, toy ny tarika Ny Ainga, i Jaojoby, i Dah-Mama, i Bakomanga, i Simonda, i Farakely, ary i Théo Rakotovao. Eo koa ireo kalaza toa an-dry Stéphanie, i Samoëla, i Firmin, i Odyai, i Rak Roots, i Tsiliva, i Ventsonkira, i Marion, i Haga, sns. Hamarana ny fotoana ny tarika Rossy, izay efa nanomana ireo hira voarakitra ao anatin’ny fihirana katolika, hiaraha-miredona amin’ity fotoan-dehibe ity. Zo ny Aina L’article Fahatongavan’ny papa François: hanolotra seho goavana ireo “Kintan’i Gasikara” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mila mifampitandrina, mifampiaro, mifampiteny…

Amin’izao fialana miandalana amin’ny fihibohana ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana iadiana amin’ny fihanaky ny valanaretina covid-19 izao, misy na be ny efa faly volony ambony ihany. (Ho) vita hatreo amin’izay ny ady mafy sy sarotra ary ela? Enga anie… Mandihy tsy afa-tavony? Na misiaka mbola tsy tafavoaka ny ala… Eny ho eny sahady, ohatra, no tsy miraharaha na tsy mitandrina firy intsony ireo fepetra ara-pahasalamana amin’ny fiarovan-tena hiarovana ny hafa, indrindra amin’izato fisokafana tsikelikely eo amin’ny sehatry ny fita­terana. Maika sy mitady hiraparapa amin’ny fitadiavana sy ny fiverenan’ny fiainana andavanandro amin’ny laoniny? Na izany aza, mila mitandrina hatrany ny tena fa tsy hita maso ny fahavalo: efa tena resy tanteraka? Eny, na efa mafana aza ny toetrandro, mitombo isa hatrany ny marary sitrana hoe tsy mamindra intsony, mihena ny isan’ny tranga vaovao amin’ny fitondrana tsimokaretina… Aleo mitan­drina; eny, na misy aza ny fanefitra sy ny fanafody. Toy ny hoe miseho ho inona ny tena raha sarotiny amin’izany? Tsy misy tokony hahamena-maso fa ny fia­rovan-tena no hiarovana ny hafa. Tsy kely ve no niandohan’ny valanaretina? Ny tsy fitandremana kely no mety hamoa-doza lehibe ary ny tsirambina ataon’ny vitsy no hitera-pahavoazana ho an’ny maro. Izay no ifampite­nenana? Raha hentitra sy henjana amin’ny fampanajana ireo fepetra ara-pahasalamana, ohatra, ny mpitandro filaminana ary tokony hanohy izany hatrany: mila hentitra sy henjana koa ny tsirairay miaraka amin’ny rehetra… tsy anavahana. Mitohy hatramin’ny farany ny ady, izay tsy inona fa ny fahazoana miaina malalaka toy ny teo aloha. Mety ho fiaraha-miaina amin’ny valanaretina toy ny aretina hafa manana ny fotoany isan-taona, ohatra, izay fahazoana miaina malalaka izay? Izay no itandremana hatrany, tsy ho am-boalohany ihany. Fahaiza-miaina amin’ny aretina? Fahaiza-miaina amin’ny hafa koa amin’ny fifampitandremana, ny fifampiarovana, ny fifampitenana…Rafaly Nd.L’article Mila mifampitandrina, mifampiaro, mifampiteny… a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

FOMBA SY KOLONTSAINA MALAGASY :: Hamelabelatra ny hevi-dalin’ny “Sikidy malagasy” i Eris Rabedaoro

Ventin-dresaka anisan’ny tsy mampitovy fomba fijery ny Malagasy maro, ankehitriny, ny tontolon’ ny fomba nentim-paharazana sy ny fanandroana. Ho an’ izay liana sy te-hahafantatra misimisy kokoa ny momba izany, dia hisy famelabelaran-kevitra manodidina izay kolontsaina anisan’ ny mampiavaka ny Malagasy, izay hiarahana amin’i Eris Rabedaoro, ny zoma 30 novambra ho avy izao. Ny efitrano Famoloana ao amin’ny Ivon-toeran’ ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola no hanaovana ny hetsika, manomboka amin’ny 6 ora hariva. “Ny sikidy malagasy” ny lohahevitra hovoaboasany amin’ izany. Anisan’ny zana-dohahevitra horesahiny ao ny tantaran’ny “sikidy”, toy ny fototra niaingany. Havohitrany mandritra ny fihaonana ihany koa ny hasina sy ny toeran’ny sikidy eo amin’ny fiarahamonina. Ho an’izay te hanatrika, efa misokatra ny fisoratana anarana eny amin’ny IKM Antsahavola. Dimy arivo ariary kosa ny saran’ny fandraisana anjara. Mpandala ny maha Malagasy, mpahay tantara, mpikaroka ary mpandalina ny fomba nentim-paha- razana i Eris Rabedaoro. Sehatra anisan’ny tena ahafantaran’ny besinimaro azy ny tontolon’ny fanorona, izay nanaovany fikarohana nandritra ny fito amby roapolo taona. Marobe ny boky nosoratany mikasika ny soatoavina sy ny kolontsaina malagasy. Tanjona amin’izao fizarana fahalalana izao ny hananan’ ny Malagasy fomba fijery hafa sy hanitsiana ny fiheveran- diso mahakasika ny sikidy. L’article FOMBA SY KOLONTSAINA MALAGASY :: Hamelabelatra ny hevi-dalin’ny “Sikidy malagasy” i Eris Rabedaoro est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fanovana toe-tsaina: natahoran’ny mpanjanaka ny teatra

Anisan’ireo zavakanto vahiny nofolahin’ny Malagasy hifanaraka amin’ny aingam-panahiny,ny  fomba fisainany, sns, ny teatra. Nanjary teatra klasika malagasy mihitsy aza moa ny anarany taty aoriana… Nandalo fotoan-tsarotra anefa izy io…Iray amin’ireo kolontsaina sy ny zavakanto niroborobo fatratra ny teatra, nandritra ny vanim-potoan’ny fanjanahantany teto Madagasikara ka hatraty amin’ny Repoblika voalohany. « Raha ny vaovao ofisialy, nitriatra Ambatovinaky (trano filalaovana teatra) ka izay ny antony nandrodanana azy », hoy i Mbato Ravaloson. Raha ny filazan’ny mpilalao teatra sy ireo mpitia teatra tamin’izany fotoana izany anefa, vokatry ny fahatezeran-dry zareo mpanjanaka, noho ny « Raharaha 1947 », ny anisan’ny antony nandrodanana ilay trano fanaovana teatra tetsy Ambatovinaky. « Raha ny fanadihadiana nataon’ny teo aloha sy notohizana taty aoriana, nanana ny lanjany teo amin’ny fiainam-piarahamonina malagasy ny fisian’ny teatra tamin’izany. Kolontsaina malagasy, hira malagasy, teny malagasy, sns, no novoizina tao, hany ka natahotra ny mpanjanaka sao sanatria hampitombo ilay fitiavan-tanindrazana ao amin’ny Malagasy ny fisian’ny teatra ka naleony narodana ny taona 1953 Ambatovinaky », hoy hatrany i Mbato Ravaloson.Notsiahiviny ihany koa ny vina tany amin’ny taona 2010. Efa nisy ny dinika nifanaovana tamin’nireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Averina ny endrika ivelan’ilay trano filalaovana teatra tetsy Ambatovinaky. Ny anatiny kosa, atao « Musée d’art ». Hatreto anefa, mijanona ho vina tokoa io fa tsy mbola nisy asa notanterahina. Efa zary toerana fanariana maloto rahateo Ambatovinaky nijerena teatra fahiny !HaRy RazafindrakotoL’article Fanovana toe-tsaina: natahoran’ny mpanjanaka ny teatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mila miroso hatrany aloha…        

Ny zavatra tena fantatra, hono, no mahatonga ny fahatahorana azy, na izay tena tsy fantatra tanteraka ny momba azy no mampatahotra. Ny mahay rano ihany no maty an-drano? Na izay vato alatsaka no maty ho azy… Ny fahalalan-javatra eo ho eo ihany no anisan’ny mahatonga ny fanaovana tsirambina, kitsapatsapa, fahasahisahiana tampoka tsy iomanana na tsy ampoizina…Manao ahoana àry ny mety ho fihetsiky ny isam-batan’olona amin’izao hoe fahitana sy fampiasana ny fanefitra sy fitsaboana ny valanaretina coronavirus izao? Eo ny tsirairay handinika, hanapa-kevitra… Ny itsokotokoan’ny loha, samy manana ny heviny. Na izany aza, lazaina mandrakariva ny hoe fahavalo tsy hita maso ny otrikaretina coronavirus ary iombonana ny ady aminy.Amin’izany, sao ny fahitana sy fampiasana izany indray no mampifanditra an-toerana, sanatria? Ny amisavisana ny ratsy mba hiavian’ny soa. Misy ny tena mahalala sy mahay ary ao ny tsy maharaka inona akory. Izany no mampisaritaka an-toerana? Miseholany ny karazana fanehoan-kevitra, famoahana fanambarana, fanontaniana mila valiny, ahiahy tsy ihavanana… Ho tonga hatraiza?Tsy mahataitra ny toy izany, amin’ny fisiana na fivoahan’ny zava-baovao amin’izay atao? Mety misy aza ny fitsikerana mahery vaika, na fanoherana befahatany, na fankahalana fotsiny izao… Ny tsy fisian’ny toy izany aza no toa hafahafa be ihany? Toy ny hoe tsy fahitana, tsy firaharahana… Na izany aza, tsy hita maso ity hoe iadiana. Raha ady iombonana, tokony hampiombona.Tsy ilaina ve ny fanohizana fanazavana bebe sy lalindalina kokoa hatrany hahatsara zavatra? Natao hiova sy hivoatra ny zava-drehetra: izay tsy mandroso, mihemotra. Sao izay hita sy fantatra indray no atahorana, sanatria? Na misy zavatra mbola tsy tena fantatra ao, na mampitranga mihemotra ny sasany… Mandra-pitrangan’izay hitranga, mila miroso na ady sarotra aza ny atrehina.“Rehefa mafy ny mandroso, dia ireo mafy no mandroso”, hoy ny filoha amerikanina iray, i   John Fitzgerald Kennedy.Rafaly Nd. L’article Mila miroso hatrany aloha…         a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

« Tagnamaro »: nanome an-tsitrapo ra ny mpiasan’ny fahasalamana

Niavaka ny fanehoan’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fahasalamana ny “Tagnamaro”, volana jolay. Nirohotra nanome ra teny amin’ny HJRA Anosy izy ireo ho an’ny eto an-dRenivohitra, ny asabotosy lasa teo. Nanao hetsika mitovy amin’izay avokoa ny fari-piadidiam-pahasalamana rehetra manerana ny faritra 22. ““Manome ra, manome aina” ny lohahevitra norasina ho an’ny hetsika ho fanohanana ny tahirin-dra, indrindra ho an’ireo sokajin-dra vitsy mpanana nefa mamonjy aina ao anatin’ny hamehana”, hoy ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana, ny dokotera Rakotoarivony Manitra. Afaka manome ra isaky ny telo volana ny ho an’ny lehilahy raha isaky ny efa-bolana kosa ho an’ny vehivavy ho an’ny olona 18- 60 taona salama vatana ary tsy manana aretina mitaiza. Mbola misy ny fanadihadiana mialoha ny handraisana olona hanome an-tsitrapo ra. Lafo ny kitapon-dra sy ireo “réactif” hitiliana ny areti-mifindra ao anatin’ny kitapo azo ka izay no tsy maintsy hanoloana ny ra nafindra amin’ny marary iray. Eto amintsika, ambany ny tahan’ny olona manome an-tsitrapo ra fa rehefa voatery noho ny aretina mahazo ny havany vao tonga manome ra izy ireo matetika.Entanina hatrany, noho izany, ny tsirairay hanome ra fa mamonjy aina izany.Vonjy A.               L’article « Tagnamaro »: nanome an-tsitrapo ra ny mpiasan’ny fahasalamana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ceni – Propagandy : “Aoka tsy ho fanaratsiana…”

               “Ho lasa mpikambana ao amin’ny andrimpanjakana lehibe eto amin’ny tany sy ny firenena ianareo kandidà voafidy amin’ny alalan’izao fifidianana karakaraina izao. Lasa loholona ianareo, toeram-boninahitra sady manan-kaja ary maodelin’ny fiarahamonina izany”. Hafatry ny filohan’ny Ceni, Rakotomanana Hery, ho an’ny mpirotsa-kofidina  tamin’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana loholona, omaly izany.Mandritra izao fampielezan-kevitra izao, aoka ho hita soritra amin’ny ataon’ireo kandidà sy izay teneniny izany fenitra izany maodelin’ny fiarahamonina izany. Toy izany indrindra koa ny soatoavina malagasy: ny fihavanana. “Aoka ny fanentanana sy ny fandraisam-pitenenana ataontsika tsy hahitana fanaratsiana olona fa hifototra amin’izay hataontsika raha tonga eo amin’ny toerana isika”, hoy izy.Aoka koa hanaja toy ny anakandriamaso ny didy aman-dalàna mifehy ny tanindrazana ireo kandidà sy ny antoko politika. Aoka ho tsara fijoro eo anatrehan’ny tany ama-monina ireo kandidà ka ho hita tokoa hoe olona manan-kaja, mendrika ary maodely eo amin’ny fiarahamonina izy ireo. Raha voahaja izany tanjona rehetra izany, ho maodely hatrany eo amin’ny faritra misy azy izy ireo. Hifarana amin’ny 9 desambra ny fampielezan-kevitra.R.Nd.      L’article Ceni – Propagandy : “Aoka tsy ho fanaratsiana…” a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

A vendre Tablette graphique GAEMON 1060 Pro
21/01/2021

- Stylete sans fil, sans besoin de recharge/batterie- Pression du stylet: 8192 Level- 12 Fixed Key + 16 Express Keys- Zone active: 10*6 pouces- 266 PPS- Résolution : 5080 LPI- Compatible avec Windows 7 et version supérieure- Compatible avec Photoshop, Illustrator, Clip Studio Paint, Krita, etcPas de mp, contact direct au 0334927717 ou au 0325867436Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Tablette graphique GAEMON 1060 Pro".

Emploi et services Rédacteur et/ou copywriter et/ou écrivain et/ou scénariste.
15/01/2021

INFORMATION CONCERNANT L’ENTREPRISEBasée en France et en Espagne, SEONOV existe depuis 2011 et est spécialisée dans la conception et la rédaction du contenu web, le webmarketing et la gestion informatique.  MISSIONSVous commencez bien!  Vous vous sentez capable de relever un défi à la hauteur de vos compétences? Alors rejoignez-nous!Évoluez au sein d’une équipe passionnée et collaborons ensemble pour faire face aux challenges du numérique.Nous recherchons un rédacteur et/ou un copywriter et/ou écrivain et/ou scénariste. Homme ou Femme.Dans le cadre de notre développement, nous voulons 8 collaborateurs salariés.La mission consistera à rédiger des contenus percutants pour des sites sur des thématiques très variées. PROFILEncore un petit effort! Ce que nous valorisons, n’est pas forcément le nombre d’années d’expérience, mais plutôt des personnes passionné pour la rédaction, qui ont un ardent désir d’apprendre. Vous êtes: COMPÉTENCES REQUISES C’est presque fini! Si vous pensez pouvoir correspondre au profil et que vous avez: AVANTAGESSuper vous êtes encore là, c'est le premier signe de votre motivation ! Ce que nous vous offrons: Envoyez votre CV, pas besoin de lettre de motivation, nous vous demanderons à la place de passer un test de 300 mots.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Rédacteur et/ou copywriter et/ou écrivain et/ou scénariste.".

A louer Location
18/01/2021

Location voiture légère  ,Peugeot 406 bien entretenu ( propre et en très bonne état  mécaniquement ...) pour tous types de prestation en ville. 50 000 ariary /jour . Carburant et repas chauffeur en sus . Tête de cortège 100 000 ariary avec   décoration ( carburant en sus ) autres à discuter 034 96 582 68 / 032 40 904 68Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location".

A vendre 2sd electronic devices selling
19/01/2021

Encore une bonne qualité de PC nous arrive. Toujours ASUS X555LD core i5 et 4è génération avec la mémoire vive de 12Go plus 1To de stockage😯, c'est risquée.... Double grafique de 8Go et 2Go dédié.C'est toujours L'ASUS à bonne performance de calculateur "Intel " à haute fréquence,  il fait les calculs d'environ trois milliard de données en une séconde. Top c'est partie!  Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre 2sd electronic devices selling".

A louer IVATO AEROPORT CHAMBRES TOUT CONFORTS A LOUER
20/01/2021

Ivato Aéroport, nous avons plusieurs chambres et studios à LouerChambres tout confort au premier étage avec salle de bains (eau chaude) et toilette au rez de chausséele prix est de 10€ ou 45000 ariaryMini studio 2 pièces avec kitchenette et douche; (eau chaude) toilette extérieure. Prix 10€ ou 45000 ariaryLes prix sont dégressif selon la durée du déjour     si vous habitez en europe, vous pouvez appeler au 0033756980383Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer IVATO AEROPORT CHAMBRES TOUT CONFORTS A LOUER".

Emploi et services Travail en ligne qui paye vraiment
20/01/2021

Bonjour vous voulez travailler en ligne et gagner réellement de l'argent ? je vais vous parler des deux sites où vous pouvez en gagner des crypthomonnaies et les convertir ensuite en la monnaie de votre choix le premier est un site qui permet de gagner des litecoins ( 1 litecoin = 45,14 dollars USD ) vous pouvez convertir à partir du dollar pour voir combien ça fait dans votre pays. Sur le site ils y a plusieurs tâches à effectuer pour gagner des litecoins ( cliquer sur des pub c'est mon préféré parceque ça ne prend pas trop de temps car tu clic sur une pub une page s'affiche tu apu sur regarder, tu dois regarder pendant 10 secondes seulement. Il y a aussi la possibilité de gagner en regardant des vidéos et bien autres moyens. Voici le lien pour ce sitehttps://litecoinads.com/register.aspx?u=133599Le deuxième site te permet de gagner des bitcoins (1 bitcoin= 9282,87 dollars USD) Il y a un faucet ou vous pouvez réclamer de bitcoins à chaque 40 minutes, vous pouvez gagner aussi de bitcoins en regardant de pub aussi.et plus tu es régulier sur le site plus tes gains augmentent Voici le lien pour ce sitehttps://www.faucetcrypto.com/ref/317203Les deux sites sont totalement gratuit il n'y a rien à payer vous n'avez qu'à vous inscrire et à travailler c'est tout.  Si vous avez d'autres questions n'hésitez pas.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail en ligne qui paye vraiment".

A vendre INNOV HOTEL SOFT: Logiciel de gestion hôtelière – Téléchargement gratuit
20/01/2021

Innov-Hotel Soft  est un logiciel hôtelière. Téléchargez gratuitement le logiciel sur  http://innov-softs.com Pour plus d’informations contactez-nous par whatsapp /Télégram/Signal au +237 677 79 21 92 ou par mail à l’adresse  contact@innov-softs.com . Facile à installer et à prendre en main, rien n’est plus facile que la configuration et l’installation de  Innov-hôtel Soft.Innov-Hôtel Soft est un logiciel de gestion hôtelière. Il permet, de manière simple et rapide de gérer les aspects suivants de la gestion d’une structure hébergement :-La gestion des réservations avec suivi en temps réel des plannings d’occupation ;-La saisie des consommations ;-La saisie des règlements ;-La gestion des débiteurs divers-La gestion des arrhes-Une tarification flexible, possibilité de paramétrer plusieurs grilles de tarifs et des forfaits-L’impression de nombreuses statistiques (rapport de caisse, rapport de fin de journée,…) et fiches de travail (ménage, main courante,...) Téléchargez gratuitement le logiciel sur  http://innov-softs.com   Pour plus d’informations contactez-nous par whatsapp /Télégram/Signal au +237 677 79 21 92 ou par mail à l’adresse  contact@innov-softs.com. https://www.facebook.com/LogicielsGestionCMCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre INNOV HOTEL SOFT: Logiciel de gestion hôtelière – Téléchargement gratuit".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
21/01/2021

Etudes, Dimensionnements et Plans en : ·       Gros Œuvre ; VRD ; Assainissement ; Second Œuvre·       Electricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·       Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Moyens de Lutte Contre l’Incendie·       Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée Tél : 033 08 909 22E-mail : ajafluides@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

A louer Location voiture 4×4 et voiture Légère
15/01/2021

Location 4×4 et voiture légèreLand Cruiser New Prado 120Voiture très confortable, vitre électrique, toit ouvrant, 5 portes, clim, Location: Journée ville, circuit touristique, Transfert, mariage,Création circuit sur mesureContact:Tel: 0348474764Facebook: Ranaboharison RindraMail: rindranyony@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location voiture 4×4 et voiture Légère".

Emploi et services ANALYSTE COMMERCIAL( H/F)
20/01/2021

Nous recrutons pour un de nos clients un  ANALYSTE COMMERCIAL( H/F) Missions et tâches: - Elaborer et alimenter des KPI de suivi de gestion hebdomadaire et mensuelle- Récolter, sélectionner, modéliser et analyser des données commerciales- Proposer des axes de travail et préconisations en fonction des résultats- Analyser les données de vente sur différentes fréquences- Optimiser la segmentation client à l'aide des statistiques et de données de consommation- Optimiser le ciblage des campagnes de marketing directProfil - Bac +3 en informatique, mathématiques statistiques ou équivalent- Grande connaissance du domaine commerciale- Bonne maîtrise de l’exploitation de données- Bonne maîtrise des outils d’analyse de données- Bonne maîtrise de MS office: Access- Excel notamment- Possédant un esprit d’analyse et de synthèse Envoyez votre candidature à l’adresse recrutement@human-talent-consulting.com en mentionnant en l’objet la reference du poste: analysteCOM/.0121Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ANALYSTE COMMERCIAL( H/F)".

Emploi et services Travail en ligne avec paiement par western union, paypal, bitcoin etc
20/01/2021

Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail en ligne avec paiement par western union, paypal, bitcoin etc".

Emploi et services Téléprospecteur
17/01/2021

Nous sommes à le recherche de différents téléprospecteurs indépendants payés à l'heure chaque mois et spécialisés dans la prise de rendez-vous qualifiés pour de nombreux clients dans les secteurs suivants : - Formations.  - Assurance et gestion patrimoniale. - construction, rénovation et vente au particuliers.  - Création de sites internet, référencement, communication et marketing.  - Produits anti-covid. Profil :  Vous disposez de ce type d'expériences et pouvez en justifier.  Vous avez une excellente connaissance de la langue française.  Vous disposez d'un ordinateur et d'un micro.N'hésitez pas à nous transmettre vos candidatures. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléprospecteur".

Notsongaina

ORANGE DIGITAL CENTER : Hahazo tombony ireo tsy an’asa sy tsy manana diplaoma
15/01/2021

Ho fampananan’asa ny tanora sy fampiroboroboana ny nomerika. Hotokanana tsy ho ela eto Madagasikara ny Orange Digital Center (ODC). Nisy ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny Orange sy ny GIZ (Deutsche Gesellschaft für Internationale Zusammenarbeit), eo ambany fiahian’ny Ministère fédéral allemand de la Coopération économique et du Développement (BMZ) ny volana desambra 2019 momba famatsiambola 30 tapitrisa Euros ho fampiroboroboana ny fampanan’asa ho an’ny tanora, ny fandraharahana sy ny sehatry ny nomerika amin’ny firenena 14 eto amin’ny kontinanta afrikanina sy Moyen-Orient. Ho fampivoarana ny fifehezana ny nomerika ho an’ny tanora miisa 20.000 sy ho famoranan’asa maherin’ny 8000 ity fandaharan’asa “develoPPP.de” any BMZ. Ho fampiharana izany eto Madagasikara dia niroso tamin’ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa ny Orange Solidarité Madagascar sy ny GIZ Madagascar amin’ny fametrahana ny Orange Digital Center (ODC). Ivon-toerana mampivondrona fandaharan’asa  efatra manome fiofanana ho an’ny tanora momba ny nomerika, manohana ireo “start-up” ary manampy amin’ny fitadiavana famatsiambola ny ODC. Hita ao anatin’ny ODC ny sekoly nomerika na ivon-toerana momba ny teknolojia. Malalaka ny fidirana ao aminy ary maimam-poana, mikarakara fiofanana, hetsika sy fanohanana ho an’ireo “développeurs”, “geeks” ary  tompona tetikasa. Eo ihany koa Fablab Solidaire, ivon-toerana ahafahana mamorona amin’ny sehatry ny nomerika amin’ny alalan’ny fitaovana nomerika, misokatra ho an’ny daholobe fa anisany natao ho an’ny tanora tsy manana diplaoma sy tsy an’asa ihany koa izy ity. Ankoatra izany dia hahazo tombontsoa amin’ny alalan’ny ODC ihany koa ireo mpandraharaha noho ny fisian’ny Orange Fab sy ny Orange Digital Ventures Africa satria hanampy azy ireo amin’ny fampiroboroana ny tetikasan’izy ireo sy fahazoana famatsiambola. Ho an’ny Orange Digital Ventures Africa manokana dia manana famatsiambola 50 tapitrisa Euros hamatsiana ireo start-ups amin’ny firenena afrikanina sy faritra Moyen-Orient ity rafitra ity. Nirina R. Cet article ORANGE DIGITAL CENTER : Hahazo tombony ireo tsy an’asa sy tsy manana diplaoma est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article ORANGE DIGITAL CENTER : Hahazo tombony ireo tsy an’asa sy tsy manana diplaoma a été récupéré chez Délire Madagascar.

Fiadidiana ny Repoblika: tsy hisy fanamboarana ny governemanta
16/01/2021

Nitondra fanazavana mikasika ireo raharaha manitikitika ny sain’ny mpanara-baovao ny Fiadidiana ny Repoblika. Tsy hisy aloha ny fandravana na fanovana ny governemanta. Hiatrika ny drafitra ho fanandratana an’i Madagasikara ihany koa izao…“Mbola ao anatin’ny programa fohy ezaka ny filohan’ny Repoblika, amin’izao fotoana izao, ny amin’ny fanovana governemanta. Noho izany, tsy hisy ny fanamboarana ny governemanta  amin’ity volana janoary ity, araka ny resaka mandeha.” Io no nambaran’ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, Ranoromaro Lova Hasinirina, tamin’ny fihaonana voalohany tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny lapan’Iavoloha, omaly. Noho ny fahasahiranana teto amin’ny firenena tamin’ny fandalovana ny valanaretina covid-19.Amin’ny lafiny politika, hitantsika fa manomboka mahazo vahana ny fanakorontanana amin’ny lafiny rehetra. Nisafidy sy mifantoka amin’ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana sy ny hanao ho laharam-pahamehana amin’ny  fanaovana fotodrafitrasa amin’ny fijerena indrindra ny sosialam-bahaoka ny fitondram-panjakana.Ho tonga amin’ny 22 janoary ny vary 550 Ar ny kapoaka“Efa manao ny ezaka rehetra ny minisiteran’ny Varotra sy ny indostria  amin’ny fitadiavana vahaolana amin’ny vary”, hoy izy. Araka ny toromariky ny filohan’ny Repopblika, ho avy amin’ny 22 janoary izao ny vary 7 000 taonina nohafaran’ny fitondram-panjakana. Misy hatrany mpanararaotra ka hohamafisina ny ady amin’izy ireny. Hamidy 550 Ar ny kapoaka amin’io vary io.Tsy hanana indrafo ny “Raharaha volemana 73,5 kilao”Momba ny “Raharaha volemana 73,5 kilao”, izay mibahana eo amin’ny tontolon’ny serasera. Anisan’ny velirano nataon’ny filohan’ny Repoblika ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanondranana an-tsokosoko harem-pirenena. Noho izany, tsy misy indrafo ho an’izay tratra manao an’izany. Efa na nanome toromarika ny filohan’ny Repoblika ny anenjehana izay rehetra voarohirohy amin’io raharaha io, na tompon’andraikitra ambony aza.Tsy ny fanjakana  malagasy no nangataka vonjimaika an’ireo olona telo voatana any ny Afrika Atsimo, izay nolavin’ny fitsarana any an-toerana. Manohy ny asany an-kalalahana ny mpanao fanadihadiana.Tsy hisy fiverenana amin’ny fihibohanaManoloana ny fiakaran’ny tahan’ny olona mitondra tsimokaretina amin’ny faritra sasany: raha mitaha amin’ny any ivelany i Madagasikara, amin’izao fotoana izao, anisan’ny firenena atahorana. Hatramin’izao, diso tanteraka ary tsy mitombina ny filazana fa hiverina amin’ny  fihibohana isika. Fanelezana vaovao tsy marina izany.Matoky ny fahatongavan-tsain’ny tsirairay: ezahina ny hanajana ny fepetra ara-pahasalamana efa nipetra hatramin’izay. Izay no ahazoana misoroka ny andininy faharoa amin’ny fihanaky ny covid-19. Mba manatona tobim-pahasalamana eo ho eo izay ahitana soritr’aretina, ezahina ny tsy hamoriana olona be loatra… Izay no ahazoana miaina an-kalalahana eto Madagasikara.Nasian-teny koa ny amin’ny famatsian-drano, ny fanomboaran-dalàna, ny fanorenana tanàna vaovao eny Imerintsiatosika… Ho isam-bolana ny fihaonana amin’ny mpanao gazety.R.Nd.L’article Fiadidiana ny Repoblika: tsy hisy fanamboarana ny governemanta a été récupéré chez Newsmada.

Misy mahita tombontsoa amin’ny korontana
20/01/2021

Ny fahoriana ho an’ny hafa, fifaliana ho an’ny sasany. Izany no miseholany amin’izao? Na tanàna tsy ilaozan’adala… Misy ny mitetika na mikotrika na efa minia manao izay hisian’ny korontana amin’izao fahasahiranam-bahoaka izao? Na izay indray ilay hoe mahazatra misy ambadika politika…Izay mitranga sy atao rehetra, tsaraina na ahina hatrany ho misy ambadika politika. Tsy hay vita ny mamaky bantsilana ny raharaha, na tsy hay ny manazava azy… Na ny fanaovana izany aza no vao mainka mety hanakorontana? Na vao fanahiana na fahatahorana… Tsy fantatra na tsy araka intsony.Ambadika politika, hono, na avadika ho politika. Dia velona ny hoe tsy misy mahita na mahazo na manana tombontsoa amin’ny fanakorontanana… amin’izao efa fahasahiranam-bahoaka lalina sy maharitra izao. Nefa iza koa no hanao zavatra mety hiteraka fatiantoka ho azy na hamono azy?Politika ny politika, arakaraka ny fifandanjan-kery sy ny hery enti-miady ary tombontsoa iadiana na arovana: tena misy, rey olona, ny mikendry tombontsoa manokana amin’ny fanakorontanana. Loza iray, loza roa… Nefa mahita, mahazo, manana tombontsoa amin’izany ny sasany.Fomba fiady politika ny minia manakorontana ny toe-draharaha misy mba hahazoana mametraha vahaolana amin’izay mety amin’ny tena na mahametimety… Tsy vaovao izay, na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena aza; eny, na amin’ny fifandraisana amin’ny vahiny eto an-toerana na any ivelany aza.Politika izay na mivantana na ankolaka, na ambadika na ankarihary. Anjaran’ny tsirairay ny mandinika sy manapa-kevitra: iza na aiza no mahazo tombontsoa amin’izao na izatsy? Amin’izany rehetra izany, mba iza na aiza, hono, izay miady sy mitady ny tena tombontsoa ho an’ny vahoaka ifotony?Izay no mahatonga ny fanapahan-kevitry ny vahoaka amin’ny fifidianana. Eny, na ny fandavana na fironany amin’izay mety ho karazana hetsika etsy sy eroa aza: mitondra mankaiza, ho amin’ny tombontsoan’iza… ? Fa misy ny mahita na manantena tombontsoa amin’ny fanakorontanana.Rafaly Nd.  L’article Misy mahita tombontsoa amin’ny korontana a été récupéré chez Newsmada.

« Hetsika vidin’entana »: nasian-teny manokana ny fahalafosan’ny vidim-bary
16/01/2021

  Nanaovana jery todika ny « Hetsika vidin’entana », omaly, fepetra noraisin’ny minisiteran’ny ny Indostria, ny varotra, sy ny asa tanana (Mica), nanomboka ny volana desambra 2020 hatramin’ny febroary ho avy izao. Amin’ny ankapobeny, hita fa mahomby io fepetra fanaraha-maso eny an-tsena io, eto Antananarivo sy ny manodidina. Nasian-teny manokana kosa, avy amin’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa ny vidim-bary. “Tsy tratra ny tanjona amin’ny fifehezana ny vidim-bary, raha jerena ny fahalafosan’ny vokatra avy eto an-toerana, izay efa tafakatra 800 Ar ny kapoaka”, hoy izy ireo. Safidin’ny mpanjifa ny voka-bary eto an-toerana, no ho ireo avy any ivelany na mora vidy aza.13 ny faritra mamoka-bary : misy mahavatsy ny ao aminy, ny sasany tsy ampy ny vokatra miakatra, ireo faritra hafa kosa tsy maintsy vatsina mandritra ny taona. Olana izany, kely ny vokatra miakatra noho ny antony maro, toy ny tsy fisian’ny lafiny teknika momba ny fambolena, fa eo indrindra koa, amin’izao fotoana izao, ny tsy fahampian-drano. Noho izany, miara-miasa ny minisitera roa : misahana ny fambolena sy ny varotra.Paikady amin’ny 2021Ventin-kevitra iray nambara ny paikady hatomboka amin’ity taona 2021 ity, ny hitsinjovana ny vidin’entana sy ny kalitaony takatry ny mpanjifa amin’ireo vokatra ilaina isan’andro (vary, siramamy, menaka, lafarinina …).  Hametrahana vaomiera manokana izany, hahitana ny solontenan’ny Mica, ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, ny lehiben’ny tsena, ny avy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ilaina ny fanabeazana sy ny serasera ho an’ny mpivarotra sy ny mpanjifa.Nambara koa ny fametrahana vaomiera iray hafa, afaka miditra manara-maso eny anaty tsena. Tanjona ny faharetan’ny fanaraha-maso miaraka amin’ny lehiben’ny tsena. Nambara fa tokony hofaritana ny fe-potoana fiasan’ny lehiben’ny tsena ; ny fanasaziana tokony hatao amin’ireo tsy manara-dalàna. Tolo-kevitra nambara koa ny hisian’ny tsena manokana, sy ny fiaraha-miasa amin’ny fokontany. R.MathieuL’article « Hetsika vidin’entana »: nasian-teny manokana ny fahalafosan’ny vidim-bary a été récupéré chez Newsmada.

Kolontsaina sy zavakanto taona 2021: samy mbola mifampijerijery ny rehetra
18/01/2021

 Volana maro, niaina tao anaty fihibohana ny kolontsaina sy ny zavakanto maneran-tany. Toraka izany koa ny eto Madagasikara. Nihantona avokoa ny fandaharam-potoana efa novolavolaina ela…… Voalohandohan’ny taona tahaka izao, efa zary mampahafantatra ny fandaharam-potoany ny ankamaroan’ny mpanakanto. Tahaka izany ihany koa ireo fikambanana maro isan-tsokajiny. Ao ny milaza fa hanatevina sy hanatsara ny vita teo aloha. Ankehitriny, efa misasaka ny volana janoary, mbola mifampijerijery avokoa ny rehetra (mpanakanto, mpikarakara hetsika, trano fandraisana hetsika, fikambanana misahana raharahan-kolontsaina…). Hanao ahoana ny ho fivoaran’ity valanaretina ity? Miankina indrindra amin’ny valin’io fanontaniana io ny ahafahan’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto mihetsika sy manao zavatra.Misy ihany anefa ireo tsy hanova fa hitazona hatrany ny fotoana hanatanterahana ireo hetsika efa fanaony isan-taona. Ny ankamaroan’izy ireny, hotanterahina any anivon’ity taona 2021 ity avokoa (volana jona, jolay, aogositra). Nanterin’izy ireny anefa fa fotoana ihany io fa miankina indrindra amin’ny fivoaran’ny valanaretina Coronavirus sy ny fepetra mifanaraka amin’izany ny ho fanatanterahana hetsika na tsia.HaRy RazafindrakotoL’article Kolontsaina sy zavakanto taona 2021: samy mbola mifampijerijery ny rehetra a été récupéré chez Newsmada.

Avaradrano – Talata-Volonondry  : hampianatra kabary maimaim-poana ny Mpiava
15/01/2021

Ho fanandratana ny kolontsaina malagasy amin’ny alalan’ny famolavolana ny olona eny anivon’ny kaominina sy faritra Avaradrano ny antom-pisian’ny Mpiava, izay rantsana iray eo anivon’ny Fi.mpi.ma.“Izay tia ny tenin-drazany, tia ny tanindrazana”… Mitohy ny fampianarana kabary maimaim-poana, izay tanterahin’ny Fi.mpi.ma( Fikambanan’ny mpikabary malagasy) sampana Mpiava ( mpikabary Iarivo Avaradrano) ho an’Antananarivo Avaradrano. Tsy ho diso anjara amin’izany ny kaominina Talata-Volonondry, rahampitso, asabotsy 16  janoary 2021 manomboka amin’ny 1 ora sy sasany tolakandro. Izany dia hotanterahina ao amin’ny EPP Talata-Volonondry, tafiditra ao amin’ny andia “Aviavy”. Izany no tanteraka dia vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny ben’ny Tanàna, i Hobiherisaona Randrianirina, ary ny kaominina Talata-volonondry, “Mba ho Tanana miara-mandray ary fo miara-mitepo ho fampitana ny soatoavina malagasy, indrindra mba ho fitaizana ireo vahoaka zanaky ny tanàna sy hoenti-mampandroso ny faritra”, araka ny nambaran’i Arison Olivier Boniface, filohan’ny Mpiava am-perinasa. Tanjon’izy ireo moa ny handrakotra sy hampianatra kabary ny kaominina rehetra eto amin’ny distrikan’Avaradrano. Hetsika efa fanaon’izy ireo hatrany moa ny fampianarana maimaim-poana ho an’ny kaominina isan-karazany hoenti-mamolavola ny rehetra ho olombanona sy ho sahy handray andraikitra, raha ny filazany hatrany. Misokatra amin’ny fiaraha-miasa rehetra hatrany ny Mpiava ho an’izay mila izany. Antoka iray mampandroso ny firenena ny kabary.NarilalaL’article Avaradrano – Talata-Volonondry  : hampianatra kabary maimaim-poana ny Mpiava a été récupéré chez Newsmada.

Fambolen-kazo 2021: tanjona ny hamerenana ala maitso
18/01/2021

Sokafana rahampitso any Taolagnaro, faritra Anosy, ny fotoam-pambolen-kazo 2021. Mitarika ny fotoana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Ritra ny rano any an-toerana   sy amin’ny faritra maro noho fahapotehan’ny ala amin’ny afo. Raha any Anosy manokana, mahazo rano ihany ny ilany atsinanana fa maina tanteraka kosa ny avaratra sy ny avaratra andrefana. Maina ny tany volena, tsy mahita rano hosotroina hatramin’ny biby. Tsy misy ala intsony mamatsy rano ny reniranon’i Efao. “Ilaina ny famerenana ny ala, antoka lehibe ny famatsian-drano amin’ny faritra atsimon’ny Nosy manontolo”, hoy ny talem-paritra ny fitantanana ny ala, Razafindrahanta Hanitriniaina.Satria hita taratra ny fahavoazana ateraky ny haintany, noho ny tsy fahampian’ny rotsak’orana. Araka ny fanadihadiana nataon’ny WWF, anatin’ny faritra mafana indrindra manerana izao tontolo izao i Madagasikara, noho izay faharavan’ny ala izay. 1,3 tapitrisa ha ny ala rava teo anelanelan’ny 2002 sy ny 2019. Koa tanjona ny famatsian-drano ampy. Avy amin’ny reniranon’i Mandrare sy i Efao, raha ho an’ny faritra Androy sy Anosy. Tokony hiainga avy amin’izay ny tetikasa hiadiana amin’ny kere. Tsy misy safidy hafa afa-tsy ny fambolen-kazo hamerenana ny ala.Mbola nahazo vahana izay doro ala izay tamin’ny 2020, raha ampitahana ny efatra taona farany, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra. Fanamby napetraky ny fanjakana amin’ity 2021 ity ny hamerenana maitso an’i Madagasikara ka zana-kazo anarivony maro no volena, handraisan’ny ankizy mpianatra anjara.Raha tsy misy fepetra …Tsara marihina anefa fa tsy ho tratra mihitsy ny tanjona, raha tsy misy fepetra manamaivana ny fiainam-bahoaka, indrindra eo amin’ny lafiny angovo. Satria mitombo hatrany ny filàna amin’ny saribao, tsy takatry ny maro ny vidin’ny herinaratra sy betsaka ny faritra tsy ahitana izany. Tsy vao sambany nisy fambolen-kazo « ofisialy » ny fiandohan’ny taona toy izao, saingy tsy hita izay vokany. Ny orana efa tsy misy, ny fanaraha-maso tsy ampy. R.MathieuL’article Fambolen-kazo 2021: tanjona ny hamerenana ala maitso a été récupéré chez Newsmada.

Foot à 7- « Open Nouvel An » FC AMI sacré champion
21/01/2021

La première édition du tournoi Open nouvel an, organisée par Art Original Pro Sport, a connu son dénouement ce week-end sur le terrain synthétique Andohalo. Vingt-huit clubs issus de différentes entreprises, de familles ou d’associations ont entamé la phase des éliminatoires lors de la première journée. En finale, FC AMI a été sacré champion en s’imposant face au FC Compagnie sur le score de 1 but à 0. Dès le coup d’envoi de la rencontre, les deux équipes se sont montrées très agressives de tous les instants.  Dominés lors de la deuxième mi-temps, les joueurs de FC Compagnie ont essayé de riposter en tentant le tout pour le tout pour recoller au score mais en vain. Et c’était sur ce score de un but à zéro que les deux équipes ont quitté le terrain. Avec cette victoire, Herimanitra et son équipe ont remporté la somme de 200.000 ariary contre 50.000 ariary pour le vice-champion. Bet 261 et FC Sporting étaient de leur part éliminés en demi-finale. Place au tournoi « Dona Mafy » Prévue initialement ce week-end, la deuxième édition du tournoi football à 7 « Dona Mafy » est repoussée de trois semaines, les 13 et 14 février sur le terrain synthétique d’Andohalo. Cette fois-ci, le champion empoche le gros lot de 2.600.000 ariary. Les inscriptions sont déjà ouvertes. Pourtant, le nombre de participants est arrêté à 32 équipes. Une équipe pourra aligner trois joueurs licenciés. Manjato Razafy L’article Foot à 7- « Open Nouvel An » FC AMI sacré champion est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Foot à 7- « Open Nouvel An » FC AMI sacré champion a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Minisiteran’ny Asa: « Mazava ny fitantanambola…»
19/01/2021

Nivoaka amin’ny fanginany. Namaly ny fanambarana nataon’ny Sendikan’ny « insepecteur de travail » sy ny « controleur de travail » ny eo anivon’ny minisiteran’ny Asa, ny herinandro teo. « Tsy mitombina ny amin’ny fisian’ny fanodinkodinam-bola sy ny filazana fa nividianana fiara tsy mataho-dalana ny tambin-karaman’izy ireo », hoy ny eo anivon’ny minisitera, tamin’ny alalan’ny tale DAFGP, Ravelonarivo Benjamin. Nanteriny fa tsy mbola nivoaka tao anaty kitapombolam-panjakana io vola nolazaina fa voahodinkodina io. « Mbola  azo hamarinina ao anatin’ny mangarahara izany. Sorabola no mbola mipetraka ao hatramin’izao. Tsy azo atao velively ny manova na manakalo ny vola fampihodinan-draharaha mankany amin’ny fampiasam-bola ao anatin’ny fitantanana ny volam-panjakana », hoy ihany izy. Notsindriny fa miezaka mikaroka vahaolana ny eo anivon’ny minisitera mpiahy manoloana ny olan’ireto mpijirika asa sy mpanara-maso asa ireto. « Efa maro ireo miverina manohy ny asany andavanandro », hoy ihany izy ireo.Synèse R.L’article Minisiteran’ny Asa: « Mazava ny fitantanambola…» a été récupéré chez Newsmada.

Toetr’andro: hitondra orambe matevina ilay rivodoza Eloise
19/01/2021

Tombanana hiditra an-tanety amin’ny tapany avaratry ny faritra Analanjirofo ilay rivodoza Eloise, anio alina na rahampitso maraimbe, amin’ny tanjaka « forte tempête tropicale ».Heverina hitondra orambe mety hiteraka fiakaran’ny rano amin’ny faritra sasany ity rivodoza ity. Ho betsaka ary hijojo tokoa ny rotsak’orana amin’ny faritra maro any avaratr’i Madagasikara sy ireo toerana vinavinaina handalovany.Hihoa-pampana, araka izany, ny rotsak’orana ny 20 sy ny 21 janoary 2021 satria mety hihoatra ny 100 mm ao anatin’ny 24 ora. Mila mailo sy hitandrina ny amin’ny mety hisiana tondradrano sy ny fiakaran’ny rano amin’ny endriny samihafa ny mponina. Atahorana ihany koa ny mety ho fihotsahan’ny tany, arakaraka ny toerana.Ho fiomanana sahady amin’ny fihaviany, napetraka ny filazana mikasika ny rivodoza, loza manambana miloko mavo. Maharay izany ny faritra Analanjirofo, Andapa, i Sambava, Antalaha, i Toamasina I-II, i Bealanana, i Befandriana Avaratra, i Mandritsara ary Andilamena.Filazana loza fanairana miloko maitso ho an’i Vohemar, i Brickaville, i Vatomandry, i Mahanoro, i Moramanga, Ambatondrazaka ary Amparafaravola.Mila manaraka ny toromarika omen’ny manam-pahefana eny ifotony ireo mponina voakasiky ny filazana rehetra. Ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka avaratr’i Vatomandry sy ny avaratra andrefana dia entanina ihany koa tsy hiandriaka intsony.Hikorontana ny toetry ny andro eny an-dranomasina manomboka anio vokatr’io rivodoza io.Mety hahatratra 40 hatramin’ny 60 km/ora ny herin’ny rivotra arahina tafiotra ary manomboka hisy fiantraikany any amin’ny morontsiraka afovoany sy avaratra atsinanan’ny Nosy izany.Hahazo vahana hatrany ny talio amin’ny morontsiraka avaratra andrefana. Tsy tokony hiandriaka intsony ny mponina ary mitsahatra ny fifamoivoizana an-dranomasina.Tatiana AL’article Toetr’andro: hitondra orambe matevina ilay rivodoza Eloise a été récupéré chez Newsmada.

Vokatry ny rivodoza Eloise: voa mafy Antalaha, 1.026 ireo traboina
21/01/2021

Maiva-mavesatra ilay rivodoza Eloise. Na tsy natanjaka aza ny rivotra nentiny, nampitondra takaitra kosa ny orambe nanaraka azy. 1.026 ireo traboina hatry ny omaly voarain’ny BNGRC. Mitohy ny fanangonana ny tatitra avy amin’ny distrika maro.Nampitondra takaitra tany amin’ny faritra Sava ilay rivodoza Eloise. Raha ny tatitry ny BNGRC, omaly, maromaro ny trano rava, olona traboina sy toeram-pambolena dibo-drano. Nahazoana tatitra ny distrikan’i Maroantsetra, Vavatenina, Toamasina I, Antalaha, Mandritsara ary Befandriana Avaratra.Nahatratra 1.026 ireo olona traboina ary anisan’ny voa mafy ny ao Antalaha, kaominina Ambohitralanana sy Ampanavona, satria miisa 391 ireo tsy manan-kialofana. 610 kosa ireo olona tsy maintsy nafindra toerana tamin’ireo distrika voakasika satria dibo-drano tanteraka ny faritra nisy azy ireo. Maromaro ireo fotodrafitrasa simba. Anisan’ny lasibatra ny efitranon-tsekoly satria 31 ireo nahitana fahasimbana. Sekoly efatra kosa no potika tanteraka noho ny rivotra. Vita amin’ny akora eny ifotony ny ankamaroan’izany sekoly izany.Ankoatra ireo, trano fonenana 134 ihany koa no dibo-drano ary 56 rava tanteraka tsy azo honenana intsony. Nisy ihany koa ireo andrin-jiron’ny Jirama mitondra herinaratra matanjaka nianjera, izay atahorana hitera-doza amin’ny mponina. Teo koa ny hazobe nidaraboka sy ny takelaby misy dokam-barotra zakan’ny rivotra sy nianjera.Nilaza ny BNGRC fa ampy ho an’ireo traboina ny tahiry misy toy ny vary, menaka, savony, labozia, siramamy sy ireo kojakoja ilaina andavanandro. Hisy ny sidina manokana hatao amin’ny fiaramanidina hijerena akaiky ireo toerana mila famonjena sy alavitra hahafahana manao tombana sy mitsinjara ny fanampiana maika tokony hatao ny mponina any amin’ireo toerana tena voa mafy.Mbola mitohy ny tatitra tonga any amin’ireo distrika sasany arakaraky ny fahavoazana misy nateraky ny rivodoza Eloise. Omaly, mbola nanatanjaka ny heriny tao amin’ny faritra Boeny izy nialohan’ny nivoahany any an-dranomasina tanteraka.Tatiana AL’article Vokatry ny rivodoza Eloise: voa mafy Antalaha, 1.026 ireo traboina a été récupéré chez Newsmada.

Fanadinam-panjakana: nankasitrahin’ny filoha ireo mpianatra mendrika sy mpanabe
16/01/2021

Nahazo valisoa avy amin’ny filoha ireo mpianatra sangany mendrika nandritra ny fanadinam-panjakana CEPE-BEPC ary bakalorea farany teo. Noraisin’ny filoha teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha izy 67 mianadahy, omaly, niaraka tamin’ny mpampianatra 40 nisongadina koa teo amin’ny asany. « Na teo aza ny valanaretina niseho teto amintsika sy ny fotoan-tsarotra nolalovana, nahazo vokatra mendrika ny mpianatra ka mendrika hotohanana », hoy ny filoha, Rajoelina Andry. Hitohy hatrany ny fanampian’ny fanjakana ny fanabeazana eto amintsika amin’ny fampitaovana sy fanarenana fotodrafitrasa. Nahazo ordinatera azo entina mandehandeha ireo sangany tamin’ny bakalorea miampy clé misy « connexion » avy hatrany miaraka amin’ny boky fampianarana maro. Tablette sy clé kosa ho an‘ireo nisongadina tamin’ny fanadinana CEPE sy BEPC. Mbola nahazo bisikileta avokoa izy rehetra ireo. Anisan’ny nisitraka fanomezana koa ny mpianatra zandriny indrindra 13 taona, nahazo ny mari-pahaizana bakalorea avy ao amin’ny vondrona Arcade. Ireo telo Major tamin’ny fanadinanana telo, notoloran’ny filoha karinem-bola misy tahiry avy hatrany. Niara-nisakafo tamin’ny filoha sy ny minisitry ny Fanabeazana ireo sangany rehetra sy ny mpanabe, omaly, taorian’ny fizarana ny mari-pankasitrahana. Vonjy   L’article Fanadinam-panjakana: nankasitrahin’ny filoha ireo mpianatra mendrika sy mpanabe a été récupéré chez Newsmada.