Tetikasa PADAP: tanjona ny vokatra mitombo sy ny tontolo iainana voakajy

News - Tetikasa PADAP: tanjona ny vokatra mitombo sy ny tontolo iainana voakajy

News - Tetikasa PADAP: tanjona ny vokatra mitombo sy ny tontolo iainana voakajy

Mitohy ny asa araka ny
drafi-panajariana sy ny fitantanana maharitra ny tontolo ivelomana
(paysage), novolavolaina teny ifotony niaraka amin’ireo
sokajin’olona isan’ambaratongany voakasiky ny
tetikasa.

Taona fahefatra amin’ny tetikasa
izao ny PADAP (1). Mitohy hatrany ny asa na eo aza ny valanaretina,
niteraka fahatarana eo amin’ny fanatontosana ny fandaharanasa.
Amin’ny ankapobeny, manajary ireo lemaka mpamokatra vary manana
olana amin’ny rano ny tetikasa, miaro ny tany tsy hihotsaka,
manampy amin’ny fanamboarana ireo lalana famoaham-bokatra avy
amin’ireo lemaka voajary na vao hohajarina ary miaro ny ala sy ny
tontolo iainana manodidina.

Nofaritana ny fanatanterahana ireo
asa ireo amin’ny alalan’ny PAGDP (2) na drafi-panajariana sy
fitantanana maharitra ny tontolo ivelomana any amin’ireto disitrika
efatra ireto: i Marovoay (Boeny), i Bealanana (Sofia), Andapa
(Sava), Iazafo sy i Soanierana Ivongo (Analanjirofo). Tanjona ny
fampitomboana ny vokatry ny fambolena ao anatin’ny fikajiana
maharitra ireo harena voajanahary.

Entanina ny mpisehatra rehetra toy
ny mpamboly, ny vondron’olona ifotony, hijery lavitra ka ny
fahasamihafana ao anatin’ny tontolo misy azy no havadika ho
tombontsoa hampiroborobo ny toekarena sy ny sosialy. Dingana maro
ny natao nahafahana nandrafitra ny PAGDP: niainga tamin’ny
fanomanana sy ny fampahafantarana teny ifotony, nandalo
amin’ny  fijerena ny manodidina, fanentanana ny rehetra, ary
niafara amin’ny fametrahana ny drafitrasa sy ny fandaminana ireo
asa voasoritra azon’ny tetikasa PADAP vatsina vola ny
fanatanterahana azy.

Tohodrano ao Iazafo,
Analanjirofo

Anisan’ny voafaritra ao anatin’ny
drafi-panajariana PAGDP ny fanarenana ireo tohodrano ao amin’ny
lemak’Iazafo, faritra Analanjirofo. 2 000 ha amina 5 000 ha ny
voajary amin’ny dingana voalohany, mitsinjara any amin’ny kaominina
Mahanoro, Ampasimazava, i Maromitety ary Antanamarina. Natao ihany
koa ny fanadiovana sy ny fanamboarana lakandrano 42 km. Nahafahana
nampitombo ny velaran-tany voatondraka sy voavoly ary nampiakatra
ny taham-bokatra sy ny voka-bary ao an-toerana ny fahavitan’ireo
asa fanarenana ireo.

Tsiahivina fa nahazoana
famatsiam-bola 107 tapitrisa dolara ny tetikasa: ny Banky
iraisam-pirenena, 65 tapitrisa dolara (trosa) ; ny AFD, 26,6
tapitrisa dolara (trosa) ; ny Tahiry ho an’ny tontolo iainana
eran-tany,13,7 tapitrisa dolara (fanomezana), ary 1,7 tapitrisa
dolara ny anjaran’ny firenena malagasy. Mbola mitohy ny asa
amin’ireo distrika hiasan’ny PADAP.

 

R.Mathieu

 

PADAP (1) : Projet Agriculture Durable par une Approche
Paysage

PAGDP (2) : Plan d’Aménagement et de Gestion Durable du
Paysage

Article tiré de Newsmada

L’article Tetikasa PADAP: tanjona ny vokatra mitombo sy ny tontolo iainana voakajy a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 11/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Enim-bolana tsy naharay tambin-karama: mitokona ny mpampianatra ENF SUB any Toliara

Tao anatin’ny roa andro izay, nametraka sora-baventy manoloana ny biraon’ny DRENTP, any Toliara, ireo mpampiantra ENF SUB, ho fitakiana ny tambin-karaman’izy ireo, nandritra ny enim-bola, izay mbola tsy voaray hatramin’izao. Hatreto aloha, tsy mbola ahitam-bahaolana ity raharaha ity na efa niezaka nandamina izany aza ny lehiben’ny DRENTP.“Miverimberina ny olana, noho ny tsy fahaiza-mitantana eo anivon’ny minisitera mpiahy”,  hoy ny fanehoan-kevitr’ireto mpampiatra ireto. Miangavina ny fitondrana foibe izy ireo mba hitady vahaolana haingana, ho fisorohana ny olana hafa, indrindra ny mahakasika ny fanatanterahana ny fanadinana, any ambanivohitra lavitra any, toerana hiasan’ireto mpampianatra ireto.Marihina fa tao anatin’ny roa herinandro no efa nampahatsiahivan’ireto mpampiatra ireto ny olana mianjady amin’izy ireo: ny tsy fandraisana ny tambin-karama nandritra ny enim-bolana. Nisy ny fitakiana tamin’ny alalan’ny fifampidinihana, saingy tsy nahomby izany ka nahatonga azy ireo nanao izao fihetsika izao: tabataba sy horakoraka, narahina fametahana io sora-baventy io.CMS L’article Enim-bolana tsy naharay tambin-karama: mitokona ny mpampianatra ENF SUB any Toliara a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Sarimihetsika: hitety “festivals” maro ny “Fahavalo, Madagascar 1947”

Efa nitety an’i Eoropa ary tsy ho latsa-danja amin’izany ny aty Afrika. Ilay horonantsary fanadihadiana, “Fahavalo, Madagascar 1947”, notontosain’i Marie-Clémence Andriamonta Paès, no tian-kambara eto. Anisan’ireo nofantenana ka hiatrika fifaninanana, mandritra ny “Festival Ecrans noirs” andiany faha-23, any Kamerona, ity horonantsary ity. Anio tolakandro no handefasana azy, any amin’ny Institut français any Yaounde.Aorian’io, anisan’ireo notsongaina halefa mandritra ny “Festival Cinémas d’Afrique”, any Lausanne ihany koa ity horonantsary fanadihadiana ity ka ny 22 sy ny 24 aogositra ny handefasana azy, ao amin’ny Cinémathèque Suisse. Mbola anisan’ireo voafidy hiatrika fifaninanana ihany koa ny “Fahavalo, Madagascar 1947”, mandritra ny “Festival international du film insulaire”, any Groix. Hamaranany ny diany, amin’io volana aogositra io, ny any amin’ny “Festival Africlap” any Toulouse.Horonantsary ahitana fijoroana vavolombelon’ireo akanga sisa nanamborana, tamin’ny ady tamin’ny mpanjanaka, ny “Fahavalo, Madagscar 1947”, izay nivoaka tamin’ny taon-dasa. Raha tsiahivina, mandravaka ity horonantsary ity ny feon-kira notendren’i Régis Gizavo, mpanakanto malagasy fanta-daza maneran-tany. Mbola vao ny lasitr’ireo feon-kira ampiarahina amin’ity horonantsary ity no vitany, nodimandry izy, roa taona lasa izay. Na izany aza, tsy najanona fa izay efa vitany no nampidirina tao amin’ny horonantsary ka vao mainka mitondra fihetseham-po hafa mihitsy.Landy R.L’article Sarimihetsika: hitety “festivals” maro ny “Fahavalo, Madagascar 1947” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ranty – « Solitude Urbaine »: nasain’ny mpikarakara i Jean Andrianaivo Ravelona

Anisan’ireo mpanakanto malagasy, manana ny maha izy azy, eo amin’ny tontolon’ny hosodoko, i Jean Andrianaivo Ravelona. Maro ny fampirantiana efa nandraisany anjara. Tsy vitsy ireo fankasitrahana efa natolotra azy. Mitohy hatrany izany…Ny talenta, tsy mba mihiboka! Nanomboka ny 19 septambra teo ilay fampirantiana ‘’Solitude Urbaine” hampisehoana ny sanganasan’ireo mpanakanto nandritry ny fihibohana. Hetsika karakarain’ny departemantan’ny kolontsaina eo anivon’ny Ville d’Asnières. 16 ny isan’ny mpandray anjara, mampiranty ny sanganasany ao amin’ny Château d’Asnières, ka anisan’ny nasaina i Jean Andrianaivo Ravelona, teratany Malagasy, andrarezin’ny sary hosodoko tsy eto an-toerana ihany fa hatrany ampitan-dranomasina. Ireto lohahevitra ireto no asehony ao anatin’ny sanganasany mandritra ity ranty “Solitude Urbaine” ity:  ”Fifehezana ny Corona”, ny “Fiverenana an-doharano”, ny “Lovakolo Anatirova”.Ny fahatsapana voaray teo am-panaovana ny sanganasa: “aretina tena mpandripaka ain’olona maro ity Covid-19 ity. Hanova fomba fanao, handrava ny soatoavina, hanimba zavatra maro” Manoloana izany, ny hafatra voary dia toy izao: azo fehezina izao Coronavirus izao. Amin’ny fomba maro ny ahitan’olombelona azy, isan’izany ny fiverenana amin’ny loharano”, hoy i Jean Andrianaivo Ravelona, raha namintina ny hevi-dehibe asehon’ny sanganasany voalohany.Ho an’ny tabilao faharoa indray, nambarany fa: “Madagasikara, tany masina, anisan’ny tranainy. Ahitana taratra izany ireo harena ambanin’ny tany, ny zavamaniry, ny zavamananaina, ny mponina ao aminy fahizany. Amin’ny alalan’ny vakoka no hitarafana izany harena sarobidy izany. Misy fahendrena lalina, misy fampianarana, fahalalana maro raiketin’ny vakoka. Ny vakoka no mitahiry ilay hasina hatrany am-piandohana. Ny vakoka, sekoly lehibe hiampitan’ny hafatry ny olobe, fahalalana, fahendrena, soatoavina. Mba haharaisana izany hafatra sarobidy izany, mila averina amin’ny toerany sy amin’ny maha izy azy ny vakoka. Averina amin’ny hasiny ny vakoka… Tsy fanitsaka an-tampon-doha ny vakoka. Ny fiverenana an-doharano, io ny vahaolana ho an’i Madagasikara. Fihainoana ny olobe mpikajy ny vakoka, ny fanatanterahana ny hafatra nipetraka amin’izy ireo… Tany manan-jina i Madagasikara ka tsy azo asian-dratsy na hitsahina hasina!”.Marihina fa tanàna manan-tantara i Asnière satria nivahiny sy nanao hosodoko tao ireo artista “impressionnistes” malaza fahiny, toa an-dry Van Gogh, i Pissaro, i Cezanne, sns. Maro ireo hosodoko nataon’izy ireo momba an’i Asnières sy ny manodidina.Nanangona: HaRy Razafindrakoto L’article Ranty – « Solitude Urbaine »: nasain’ny mpikarakara i Jean Andrianaivo Ravelona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fetin’ny Ray: mangingina ny fanomanana

Tsy fantatra na tsy ampy ny hoenti-manana na koa efa mahazatra fa tsy malaza toy ny fetin’ny reny ny fanomanana ny fety ho an’ny raim-pianakaviana eto amintsika. Vitsy ihany ny magazay na ivontoerana manomana entana manokana na hetsika hanamarihana izany fotoana izany. Betsaka ireo milaza fa tsy voatery ankalazaina amin’ny fomba manetriketrika izany fa samy manana ny anehoany azy ny isan-tokantrano. Fa raha amin’ny lafiny varotra kosa, hita fa tsy mitovy lanja amin’ny fetin’ny reny mihitsy.« Eny an-tsena, ny akanjo mafana hiatrehana ny hatsiaka sy ny fonon-tenda ho an’ny ray no mandeha fa tsy maro koa anefa ny mpividy amin’izao fotoana izao », hoy ireo mpivarotra. Efa mitobaka koa ny akanjo ba sy ny « blouson » eny amin’ny fripy ka any no mifarombaka ny olona. Tsy vitsy koa ny mikarakara sakafo miavaka amin’ny mahazatra fotsiny hamalifaliana an’i Dada.Samy manana ny lanjany sy ny maha izy azy ao an-tokantrano i Dada sy i Neny ary mendrika ny hanaovana fety fa andro iray ny fetin’ny ray ao anatin’ny taona.Vonjy L’article Fetin’ny Ray: mangingina ny fanomanana a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Tennis de table : Les EMTT pour secouer le cocotier

Le logo de l’association Expatriés Malgaches de Tennis de Table. Opter pour un vrai changement et faire table rase du passé. C’est l’ambition justifiée de l’association Expatriés Malgaches de Tennis de Table dont le siège se trouve en France mais a également des membres à Madagascar. Du beau monde réuni autour d’une noble mission qui est de redorer le blason fortement terni du tennis de table à Madagascar. « Quand on se fait copieusement massacrer par les pongistes des îles de l’Océan Indien, il y a lieu de secouer le cocotier pour que les singes tombent », confie un membre actif de la section de Tana qui fait partie des membres de la première heure de l’ÉMTT. Et de préciser que l’association ne fera pas pour autant un coup d’État mais passera par les élections. Des élections à la régulière et connues bien à l’avance, préconise le président de la section de Tana, Charles Édouard Rajosoa. Bref, l’EMTT entend faire du terrain pour expliquer aux dirigeants qu’il est grand temps de passer à l’acte. Pour le bien de cette discipline. Clément RABARY L’article Tennis de table : Les EMTT pour secouer le cocotier est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Tennis de table : Les EMTT pour secouer le cocotier a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Dihy ankehitriny: nampiofana ireo vehivavy any Toliara i Julie I.

Nanomboka ny 15 jolay teo hatramin’ny androany, nizara ny fahalalany sy ny traikefany tamin’ireo tovovavy manan-talenta, any Toliara, i Julie Iarisoa, mpamorona sy mpanao soradihy. Niompana tamin’ny tontolon’ny dihy ankehitriny ny fiofanana, izay hita ho nahaliana ireo andriambavilanitra any an-toerana.“D’un sud à l’autre” ny lohatenin’ity tetikasa miavaka ity. Nampiharina avy hatrany amin’ny famoronana ny fianarana ka hisy ny fanehoana izany an-tsehatra, anio hariva ao amin’ny Vakok’arts Trano ao Toliara. Fampisehoana maimaimpoana, izay hanentanan’ireo mpandray anjara sy ny mpikarakara ny rehetra.Nialoha ity fampiofanana ity, namolavola soradihy iray, mitondra ny lohateny hoe “Tsioka” ihany koa i Julie Iarisoa, niaraka tamin’ny mpanakanto mpandihy any Toliara. Noforonina sy natsangana ary nomena aina nandritra ny fivahiniana, tao amin’ny Alliance française ao Toliara izany. Naharitra dimy andro ihany koa ny fiarahan’izy ireo niatrika izany asa goavana izany, izay nofaranana tamin’ny fanehoana an-tsehatra ilay soradihy, ny 12 jolay lasa teo, tao amin’ny Vakok’arts Trano hatrany.Landy R.  L’article Dihy ankehitriny: nampiofana ireo vehivavy any Toliara i Julie I. a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Siteny président de l’UAJ

L’élection de Siteny Randrianasoloniaiko à la tête de l’Union Africaine de Judo (UAJ) a fait réagir le monde du sport malgache. Les deux premiers responsables du pays n’ont pas manqué de féliciter le nouvel homme fort du judo africain. Leurs propos: Tinoka Roberto, ministre de la Jeunesse et des Sports : « L’élection de Siteny Randrianasoloniaiko à la Présidence de l’Union Africaine Judo est une fierté pour le judo malgache, et un honneur pour Madagascar. Le sport en général franchit une nouvelle étape et gravit les échelons sur la scène internationale. Ce qui entre de plain-pied dans le Velirano du Président de la République Andry Rajoelina faisant du sport une fierté nationale. Le Ministère de la Jeunesse et des Sports (MJS) présente ses sincères félicitations et ses chaleureux remerciements pour cette consécration. Laquelle impulsera une dynamique nouvelle, boostant la motivation des jeunes sportifs. Nous souhaitons bon vent et un parcours semé de succès au nouveau président de l’Union Africaine de Judo et par-delà vice-président de la Fédération Internationale de Judo. Qui dit mieux ? Alefa Madagascar. »   Rosa Rakotozafy, DG Sport et Présidente mondiale du Comité Inter-Gouvernemental de l’éducation physique et du sport auprès de L’UNESCO (CIGEPS) : « Je félicite le nouveau président de l’UAJ, Siteny Randrianasoloniaiko et l’encourage à réussir dans ses nobles missions à la tête de l’institution. Cette élection est bénéfique et est un plus pour le pays, qui, par cette occasion, peut porter la voix de ses sportifs et de ses athlètes de la scène continentale sur la scène mondiale. C’est aussi un signe de reconnaissance des pays frères africains qui décident d’accorder leur confiance à Madagascar. Et là c’est encore justifié, le sport reste un des meilleurs moyens de promouvoir le pays. » Propos recueilli par T.H L’article Siteny président de l’UAJ est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Siteny président de l’UAJ a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Zotra ana habakabaka: miato avokoa ny sidina tsy miankina

Nitondra fanazavana ny Sampandraharaha misahana ny fitaterana sivily eto Madagasikara (ACM), mikasika ny fepetra mihatra amin’ny zotra ana habakabaka eto amintsika, araka ny toromariky ny filoham-pirenena ny 3 avrily teo. Mitsahatra avokoa ny sidina ataon’ny kaompania tsy miankina rehetra mankany ivelany. Mihantona tanteraka ny zotra ara-barotra rehetra mankany Nosy Be. Mitsahatra koa ny sidina eto an-toerana, mankany amin’ny faritra mikatona, toa an’Atsinanana, i Sava, i Boeny, i Nosy Be. Tsy maintsy atao fitiliana PCR kosa, 72 ora mialoha, ny hiaingana ny mpandeha tsirairay, miainga avy eto Antananarivo, mankany amin’ny faritra hafa tsy mikatona. Hamafisina fa mihidy tanteraka ny seranam-piaramanidina any Mahajanga sy any Nosy Be.Mila fahazoan-dalana manokana avy any tompon’andraikitra kosa ny fitaterana marary (Evasan). Tsy maintsy manatrika eo am-piaingana avokoa ny sampandraharaha isan-tsokajiny rehetra, amin’ny fanaraha-maso ara-toekarena, ny ara-pahasalamana, ny fandriampahalemana ary ny fiantohana ny aro loza. Tsy maintsy fenoin’ny kaompania ara-dalàna ny antontan-taratasy rehetra. Mila fahazoan-dalana manokana koa ny fodiana an-tanindrazana. Mitohy ny sidina mitatitra entana eto an-toerana sy any ivelany. Eny amin’ny seranan’Ivato irery ihany ny sidina iraisam-pirenena.Njaka A.L’article Zotra ana habakabaka: miato avokoa ny sidina tsy miankina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsangan-tononkalo: vonona ny « Hitady azy » ny Sandratra

Rehefa avy nitety faritra, tonga eto an-dRenivohitra indray ny filalaovana an-tsehatra ilay tsangan-tononkalo « Hitady azy « S »  3.0 » hiarahana amin’i Liantsoa, i Vatoary, i Narilala ary i Kalo Fanomezana. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny faha-30 taon’ny Faribolana Sandratra ity hetsika hotontosaina ny alahady 4 aogositra, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny fiangonana FJKM Ambohimiadana Kristy Fitiavana (Synodam-paritany Antananarivo Atsimo), ity. Hisy vahiny nasaina manokana : eo amin’ny beko, ahitana an-dRengita, hiangaly ny jijy i Jao Mpiarakandro, hanao ny hosodoko Andriam’Ravaka, ny eo amin’ny soradihy, i Andry T.Efa intelo izao ny nitondrana teny an-tsehatra ny « Hitady azy » teto an-dRenivohitra, fahombiazana hatrany ny fampisehoana, tsy ho latsa-danja amin’izay ny amin’ity indray mitoraka ity satria efa tsara petrapetraka avokoa ny rehetra, indrindra ny fanomanana », hoy i Narilala.HaRy RazafindrakotoL’article Tsangan-tononkalo: vonona ny « Hitady azy » ny Sandratra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kandidà tokana, Lapan’i Tsimbazaza: lany ho filohan’ny Antenimiera Razanamahasoa Christine

Lany tsy nisy mpifaninana. Samy nanohana ny kandidà tokana, ny depiote Razanamahasoa Christine, avokoa ireo depiote eo anivon’ny vondrona parlemantera na koa ny antoko politika  niatrika ny fifidianana ny ho filohan’ny Antenimierampirenena, omaly hariva teny Tsimbazaza. Anisan’izany ny avy amin’ny IRD, ireo depiote eo anivon’ny tsy miankina (GRP) ary koa ny avy amin’ny Malagasy miara-miainga. Manampy izany ny avy amin’ny antoko hafa, toy ny RPSD Vaovao.Nametraka fepetra ny kandidàn’ny Tim Na izany aza, nametraka fepetra ny depiote avy amin’ny Tim na nanohana ny firotsahan-dRazanamahasoa Christine aza. “Ho antoko mpanohitra izahay. Fanoherana manaraka lalàna fa tsy bontolo ho amin’ny fametrahana ny demokrasia sy ho maodely”, hoy ny mpitondra teny, ny depiote Razafimanantsoa. Nanteriny fa kandidà tokana ihany ny nirotsaka nefa na izany aza, tokony haverina ny hasin’ny Antenimiera. Ka mazava ny fepetra. Hanohana anao izahay raha vonona ny hanaja ny demokrasia sy hihaino ny hevitry ny rehetra. Hanome lanja ny hevitry ny mpanohitra”, hoy ihany izy.“Alefa Barea” ho an’ny depiote  Tsy niandry ela fa namaly izany ny filohan’ny Antenimierampirenena vaovao, Razanamahasoa Christine, ka nampahatsiahy ny tranga niseho teto amin’ny firenena. “Alefa  Barea” ho an’ny firaisankinantsika satria vita ny fifidianana filoham-pirenena sy ny depiote ka tafaray eto isika… Hiantoka ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana izao fijoroan’ny Antenimiera izao ary hatanjaka. Nimatimatesantsika izany ary tsy hitsingevaheva ka havitrika amin’ny fampandrosoana ny firenena…”, hoy izy. Nampanantena ny tenany fa handala ny fifanakalozan-kevitra sy ny hevitra tsy mitovy ary hiantoka ny fanatanterahana ny programa  ao anaty fanajana lalàna…Fiketrehana tombontsoa ho an’ny depiote  Na mpanohitra na tsy miankina, tokony hisitraka izany fampandrosoana izany, araka ny  nambarany. Aza matahotra na mihemotra mampahatsiahy ny mpanatanteraka ny tsy mety… Ara-dalàna izany ary araka ny lalàmpanorenana. Efa natsidiky ny filohan’ny Antenimiera vaovao sahady fa hojerena akaiky koa ny fampanantenana natao tamin’ny vahoaka sy ny tokony ho tombontsoan’ireo solombavambahoaka. “Hiadiantsika amin’ny mpanatanteraka  ny fandaharanasantsika. Vonona hiaraka hiady amin’izany isika… Omeo anay ny fitaovana ahafahanay manatanteraka ny asanay. Tsy hisy diso anjara amin’izany isika… Tsy hijery loko foko sy fiaviana na politika fa depiote an’ny Malagasy rehetra”, hoy izy.Tsiahiviana fa filoha fahatelo nitantana ny Antenimierampirenena Razanamahasoa Christine, amin’izao Repoblika fahefatra izao.Synèse  R. L’article Kandidà tokana, Lapan’i Tsimbazaza: lany ho filohan’ny Antenimiera Razanamahasoa Christine a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement
15/06/2021

Bonjour,  il y a plusieurs manières de se faire de  l'argent en ligne chez soi et gagner de petits revenus en cette année 2021. Si cela vous intéresse suivez ces liens et inscrivez vous :Voulez vous gagner de l'argent en ligne sans fournir trop d'effort ? Si oui je vous propose de visiter ce site qui vous permet de gagner un revenu mensuel acceptable.https://rupee4click.com/48ks0efa nazaoko avec preuve de paiementinscrit et vous gagnerai Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement".

Emploi et services Gagner de l'argent en ligne
19/06/2021

Nous vous proposons une opportunité intéressante pour gagner de l'argent en ligne. Votre rôle consiste à remplir des micro-tâches comme répondre à des sondages, essayer certaines applications, répondre à des quiz etc. Cliquez sur ce lien :https://paidera.com/?r=2057784Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Gagner de l'argent en ligne".

A vendre Vend CF Moto 150NK
18/06/2021

🚦CF Moto 150nk 🏍 - 6 vitesses - Kilométrage 15xxx km - 2 modes de conduites : Sportive 🚀/ Economique⛽️ - Peinture carbone personnalisée  - Rétroviseur kit Rizoma - Anti crache et cache réservoir installé  - Immatriculé WWTMoto très bien entretenue, rien à prévoir, très faible consommation.Prix: 8.000.000Ar légèrement à débattre Contact: 0327850398 📞 ToamasinaCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Vend CF Moto 150NK".

Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) bilingues anglophone.Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 150 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC.En tant que  Téléconseiller(ère) bilingue, vos missions seront de :PROFIL :VOS AVANTAGES :Merci de postuler votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ;Pour entrevoir nos offres d'emplois, merci de visiter www.eufonie.fr/jobs.Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones".

Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT
14/06/2021

Voici des sites qui permettent de gagner de l'argent gratuitementhttps://mining-forever.com/?ref=rajaonarshttps://duplinow.com?aff=70888https://banana-cash.com?aff=15898https://topmining.host/?ref=1190Vous n'avez pas de compte payeer ?https://payeer.com/?session=16887921Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT".

Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)
18/06/2021

Nous recrutons pour un structure d’externalisation, unASSISTANT COMMERCIAL SENIORMissions :- Assurer les premières démarches commerciales (mail / téléphone) via base des données existante- Assurer l’Onboarding des professionnels sur la plateforme- Assistance clientèle sur les démarches d’inscription sur la plateforme- Assurer le suivi des procédures d’achat et de livraisons- Assurer le SAV : Gestion du service client (Mail / téléphone / chat)Profil:- Titulaire d’un bac +3 minimum en commerce, marketing, communication- Expériences probantes dans le domaine de la relation client- Bonne maîtrise du Français (lu, écrit, parlé)- Bonne maîtrise du pack office- Autonome, rigoureux (se) et professionnel (le) Envoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence ASSISTANTCOMS-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)".

Emploi et services Asa en ligne
14/06/2021

Asa en ligne mety ho an'ny rehetra,  afaka atao na tsisy investissemenr aza satria omwna bonus 10$ ianao hampiakatra nybalsnce_nao, nefa raha te hahazo vokatrhttps://fastscash.online/?ref=25212 raha te hahazo vokatra haingana dia afaka manao investissemebt 0,5$minimum. Manaova inscription eto https://fastscash.online/?ref=25212  fa omena fanazavana ianao. Ny sakana ho anao dia ny tsy fanombohana azy. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Asa en ligne".

A louer Location voiture
15/06/2021

Location 4×4 - Toyota New Prado >>7 places, voiture confortable et économique,  >>Voiture classe, adéquats pour les évènements familiaux ou affaires, >courses en ville, en périphérie, ou en province - Chauffeur expérimenté pour les circuits touristiques - Le tarif varie en fonction de la destination et du trajetContact: 034 84 747 64Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location voiture".

A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090
20/06/2021

Antminer Bitmain S19J Pro, SHA-256 with Hashrate, 100.00TH/sAntminer Bitmain S19J, SHA-256 with Hashrate, 90.00TH/sAntminer Bitmain S19 Pro, SHA-256 with Hashrate, 110.00TH/sAntminer Bitmain S19, SHA-256, with Hashrate, 95,00TH/sAntminer Bitmain T17+ SHA-256, with Hashrate, 58.00TH/sAntminer Bitmain T17, SHA-256, with Hashrate, 40TH/sGeForce RTX 3080 / 3070/3090 GTX 2080 Ti, 1080 Ti, 1070 Ti, 2080, 1080, 1070, 1060 Ti, 1060, 2080 Ti, RTX 2070 , RX 5700 XT. NVIDIA GeForce RTX 3060 Ti NVIDIA GeForce RTX 3080  NVIDIA GeForce RTX 3090All Sealed In Original Box With Warranty Full Accessories With Discount.REQUIRED FOR YOUR ORDER AS QUICK AS POSSIBLE .... Urgent Response Whatsapp : +17076412645 E-mail : ms7088344@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090".

Emploi et services Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction
16/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement un Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction.Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 150 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC.MISSIONS:Le Business Unit Manager développe et assure le bon fonctionnement de ses activités :PROFILS :AVANTAGES :Veuillez adresser votre candidature à l’adresse recrutement@eufonie.fr à l'aide de votre CV et d’une lettre de motivation. Pour entrevoir nos offres d'emploi, merci de visiter www.eufonie.fr/jobs.Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction".

A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo
16/06/2021

Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury 4x4 turbo année 2005 diesel  boite automatique, 7 places 163000 kms, première main. Véhicule  très résistant, couleur verte,  phares xenon antibrouillards, radio CD, climatisation, fermeture centralisée, verrouillage à distance. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo".

A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES
16/06/2021

A VENDRE : CHEVROLET SPARK (DAEWOO MATIZ 4), FAIBLE KILOMETRAGE, ANNEE 2012, TRES BONNE OCCASION DE COREE, IMMATRICULATION ETRANGERE, ARRIVEE RECEMMENT A MADAGASCAR (4 semaines), boite de vitesses AUTOMATIQUE, moteur ESSENCE 3 S- TEC II 16V, TOUTES OPTIONS :-Direction assistée-Freinage ABS-Rétroviseurs électriques  - Intérieur cuir, confort et propre-Tableau de bord multifonctions-AIRBAGS-4 Vitres électriques-Sièges chauffantes-Verrouillage centralisée avec commande à distance-Climatisation bien frais-Radio d’origine CHEVROLET avec BLUETOOTH/USB/MP3/CD-4 Jantes alu d’origine-Barre de toit VOITURE TRES CONFORTABLE, TRES SILENCIEUSE ET ULTRA- ECONOMIQUEETAT IMPECCABLE PETITE CITADINE, AGREABLE A CONDUIRE, IDEALE POUR FEMME PRIX : 21M8AR (109.000.000 FMG) LEGEREMENT DISCUTABLE CONTACT DIRECT : 0338741679 / 0346464584(Aleo mba tonga dia miantso fa tsy mi- connecte matetika , MERCI!)Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES".

Notsongaina

FETIN’ NY RAY SY ASARAMANITRA : VAO NAHATONGA ENTANA NY BAOLAI
18/06/2021

Ao anatin’ ny fankalazana fety marobe ny eto amintsika amin’ ity volana ity, ny Alahady 20 Jona 2021 ho avy izao ohatrany  fetin’ ny ray, eo ihany koa ny fetim-pirenena. Tsy diso anjara amin’ izany fankalazana ny fety samihafa izany ny Tranombarotra« Baolai ». « Ny marika « Hisense » izay mpanohana ofisialy ny« Euro 2020 » dia efa hita ato aminay, etsy Analakely,Soarano ary ao Bazar Be – Toamasina » hoy ny tompon’andraikitra. Ho an’ ny fetin’ ny ray dia maro ny zavatra azo atao fanomezana ao amin’ izy ireo. Toy ny : Smart tv sy télé led, misy manomboka 22 hatramin ‘ ny 85  » –  laser tv 100  » ( misy antoka herintaona daholo), Gsm, cuisinière à gaz et électrique, synthétiseur, machine à laver, réfrigérateur, table de mixage, four micro – onde, amplificateur… « Ho fiarahana mankalaza ampifaliana ny fetin’ ny asaramanitra malagasy, dia vao naha tonga entana lohalaharana amin’ ny kalitao izahay » hoy hatrany ny tompon’ andraikitra. Ny ankoantran’ izay dia azo fantarina ao amin’ ny « site web »sy pejy fb : baolai ary ao amin’ ny 034 56 288 21 (amin’ ny ora fiasana). Dia ho fety feno fifaliana tokoa ity volana Jona2021 ity miaraka amin’ ny entana tsara kalitao hita ao amin’ ny tranombarotra « Baolai ». Cet article FETIN’ NY RAY SY ASARAMANITRA : VAO NAHATONGA ENTANA NY BAOLAI est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article FETIN’ NY RAY SY ASARAMANITRA : VAO NAHATONGA ENTANA NY BAOLAI a été récupéré chez Délire Madagascar.

Fanefitry ny valanaretina – Toamasina: nanao vaksiny ny mpiasan’ny seranana-tsambo
17/06/2021

Nisy fanaovam-baksiny naharitra roa andro, ny herinandro lasa teo, ho an’ny seranan-tsambon’i Toamasina ary nitarika izany ny tale jeneralin’ny Spat, i Avelin Eddy Christian. Notontosaina tao amin’ny “centre médical et de diagnostic”, ao anatin’ny seranan-tsambo ihany ny hetsika. Ny andro voalohany, efa nahatratra 400 ny mpiasa nisoratra anarana avy amin’ ireo orinasa telo: ny Spat, ny SMMC ary ny APMF. Hitombo betsaka izany, araka ny nambaran’ny olona misahana ny mpiasa eo anivon’ny seranan-tsambo. Fiaraha-miasa teo amin’ny APMF sy ny minisiteran’ ny Fahasalamana ny nahafahana nanao ny vaksiny amin’ny mpisehatra an-dranomasina ka mandray an-tanana ny fanaovana izany ny seranan-tsambo. Ny 18 mey lasa teo, nahavita ny azy ny eo anivon’ny APMF, araka ny nambaran’ny taleny, Rakotoarizafimamy Franck.Ankoatra ny mpiasa sy ireo mpiara-miasa amin’ny seranan-tsambo, misy koa ny fanaovana izany ho an’ny vady aman-janaky mpiasa ampy taona eny amin’ny Cemedi Tanambao V, toeram-pitsaboana ny mpiasan’ny seranana.Sajo L’article Fanefitry ny valanaretina – Toamasina: nanao vaksiny ny mpiasan’ny seranana-tsambo a été récupéré chez Newsmada.

Rugby – «Tournoi de repêchage»: hidona voalohany amin’ny Makis ny Frantsay
16/06/2021

 Nanainga halina, nihazo an’i Monaco, ny Makis de Madagascar, sokajy vehivavy, hiatrika ny “Tournoi de repêchage”, hiadian-toerana amin’ny “Lalao Olympika” (JO 2021), taranja rugby lalaovina olona fito. Fihaonana, hotanterahina ny asabotsy 19 sy ny alahady 20 jona ho avy izao.Efa fantatra ihany koa ny fandaharan-dalao amin’izany ka raha ny voalahatra, hidona voalohany amin’ny Makis ny Frantsay, ho an’ny vondrona C ary i Hong-Kong, hikatroka amin’i Kolombia. Hamita lalao roa ny Makis ny andro voalohany hatao ny asabotsy ka aorian’ny fifandonana amin-dry zareo Frantsay, hikatroka amin’i Hong-Kong indray izy ireo, ny tolakandro. Hamarana ny lalaom-bondrona ny Makis ny alahady 20 jona ho avy izao, hikatrohany amin’i Kolombia.Hiatrika ny ampahefa-dalana ireo ekipa roa voalohany amin’ny vondrona A, B, C miampy ireo firenena roa tsara toerana indrindra mitana ny laharana fahatelo. Tsiahivina fa hiatrika ny “Lalao Olympika” hotanterahina any Japon, ny ekipa roa voalohany manao ny famaranana. Tompondaka Ireo delegasiona Malagasy-Mpitarika : Rakotomalala Marcel-Manager : Solofoson Bien-Aimé-Mpitsabo : Razafimanantsoa Bruno-Mpanazatra : Randrianarison Eric-Mpilalao : Sophie ; Dinah ; Vonjimalala ; Sarindra ; Fenohasina Joela ; Veronique Eluriche ; Haingo Valerie ; Claudia Maminiaina ; Bodonandrianina ; Tantely ; Laurence ; Nantenaina Patricia ; Volatiana Marie Fleuris  L’article Rugby – «Tournoi de repêchage»: hidona voalohany amin’ny Makis ny Frantsay a été récupéré chez Newsmada.

Entretien routier : Les marchés fictifs pointés du doigt par les entrepreneurs impayés
14/06/2021

Les 230 entrepreneurs ayant effectué l’entretien des routes dans tout Madagascar, n’ont pas encore été payés alors que les travaux ont été réalisés, il y a plus de neuf mois. En réponse à leurs revendications demandant la régularisation de leurs factures s’élevant à plus de 33 milliards Ar, le Premier ministre Christian Ntsay a soulevé qu’un audit sera effectué, lors de sa rencontre par visioconférence avec les députés mardi dernier. En effet, « des marchés fictifs ont été identifiés. Et la réception des travaux faits a été entachée par la corruption », selon ses explications. Ces entrepreneurs impayés sont indignés. « Ne nous mettez pas tous dans le même sac. Nous demandons à l’Etat de dévoiler au grand public ces marchés fictifs et ceux qui sont derrière ceux-là ou ceux qui ont fait de la corruption. En revanche, nous réclamons à tout prix la régularisation des entrepreneurs qui ont bien respecté le contrat », a évoqué Andry Rakotomandimby, un des représentants de ces entrepreneurs victimes.  Raison d’être. Et lui de rajouter que le ministère en charge de l’Aménagement du Territoire et des Travaux Publics a déjà effectué un audit en octobre dernier. Tous les dossiers concernant les 230 entrepreneurs ont été ensuite transmis aux autorités supérieures mais leurs paiements restent en stand-by. « On nous a informé qu’une centaine sur les 300 dossiers traités, ont rencontré des problèmes. Ce ministère a déjà complété les manquements le 18 mai dernier. Mais en attendant, pourquoi ne pas payer les dossiers qui sont en règle ? », s’interroge-t-il. Par ailleurs, Jackson Beriar, un autre représentant des entrepreneurs impayés, tient à souligner que des ingénieurs, des inspecteurs et des agents de ce ministère de tutelle au niveau central et régional, sont les seuls habilités à réceptionner les travaux faits. « Le contrat stipule également que l’on peut réclamer le paiement de nos factures même si les travaux n’ont pas encore été réceptionnés. A notre avis, ce département ministériel n’a pas sa raison d’être si l’Etat émet des doutes quant à la fiabilité de ses contrôles et inspections sur les travaux d’entretien routier exécutés par le secteur privé », a-t-il enchaîné. Ces entrepreneurs demandent au président de la République de veiller sur leur cas. « Nous nous sentons trahis. Les banques et les fournisseurs nous poursuivent en justice. Il n’y a pas que la population dans le Sud qui subit le kere car nous, des PME malgaches, sommes également à l’agonie », selon leurs dires.  Navalona R. L’article Entretien routier : Les marchés fictifs pointés du doigt par les entrepreneurs impayés est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Entretien routier : Les marchés fictifs pointés du doigt par les entrepreneurs impayés a été récupéré chez Midi Madagasikara.

HCDDED: “Fifanatonana no hahazoana ireo Nosy malagasy”
18/06/2021

“Ny fifanatonana sy ny fahaiza-mandresy lahatra no hetsika lehibe hahazoantsika an’ireo Nosy malagasy ireo. Tsy ho azontsika ireo raha irotorotoantsika, fa tsy vonona amin’izany isika.” Io fanehon-kevitry ny filohan’ny HCDDED, i Navony Pierre Lenoble.Tokony ho olona mahay ny tantara sy mahay fifandraisana iraisam-pirenena no alefa miresaka amin’izany. Mibaiko sy mahita ny hanaovana ny fandresen-dahatra na fanerena ny amin’ny hahazoana an’ireo Nosy ireo.“Raha hilahatra isika : tsy homeny ireo, fa misy fifanatonana hatao amin’i Frantsa”, hoy izy. Efa nisy ny fehinkevitry ny ONU ny taona 1979, nefa tsy mihatra hatramin’izao.Raha azo ireo Nosy ireo, lasa any amin’ny faritanin’iza ary iza no hitantana azy? “Tsy vitantsika  koa izany. Mbola miroaroa saina isika. Inoana no mahamaika antsika ho any? Ny eto aza, tsy vitantsika ny mandrindra azy“, hoy ihany izy.R.Nd.L’article HCDDED: “Fifanatonana no hahazoana ireo Nosy malagasy” a été récupéré chez Newsmada.

« Raharaha Nosy Sambatra » – Iles Glorieuses: manomana ny hamaly bontana an’i Frantsa ny fanjakana
16/06/2021

Anisan’ny niaka-tsehatra teo anivon’ny Antenimierampirenena nanao tatitra tamin’ny alalan’ny visioconference, omaly, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Tehindrazanarivelo Djacoba. “Efa mivonona amin’ny fomba hamaliana an’i Frantsa sy ny antontan-taratasy rehetra hanoherana ny azy ireo isika », hoy izy. Anton’izany ny didim-panjakana noraisin’ny fitondrana frantsay momba ny Nosy Sambatra « Iles Glorieuses », tafiditra ao anatin’ireo Nosy manodidina fa hatao tahiry ara-boajanahary faha-170 ho azy ireo. Hanohitra sy hitsipaka marindrano izany ny fanjakana raha miainga amin’io minisitra io.Notsiahiviny fa efa nampiantsoiny teny Anosy ny ambasadaoro frantsay ny volana mey tamin’ny taona 2020 ary nilazany fa tsy hanaiky velively ny hanaovana ho faritra frantsay ara-boajanahary ireo Nosy ireo ny Malagasy. “Tena midika ho tsy fanajana ny fifampiraharahana efa an-dalana eo amin’ny firenena roa tonta momba ireo Nosy manodidina izao ataon’i Frantsa izao”, hoy ihany izy. Anisan’izany ny Nosy Bedimaky (Juan de Nova), ny Nosy Ampela (Europa) ary ny Nosy Kely (Bassas da India).Fanohanan’ny Sadc an’i MadagasikaraEtsy andaniny, efa nanao fanambarana ny filankevitry ny minisitry eo anivon’ny Fiaraha-miasa ara-politika sy ny fiarovana ary ny filaminana (CMO) eo anivon’ny Sadc, ny volana jona 2020; fa manohana 100% ny fanjakana malagasy izy ireo amin’ny fitakiana ireo Nosy ireo. Takin’izy ireo ny hampiharana ny fehinkevitra navoakan’ny filankevitry ny minisitra teo anivon’ny Firaisambe afrikanina (OUA) ny 20 jolay 1979 sy ny fehinkevitra navoakan’ny fivoriamben’ny Firenena mikambana (ONU) ny 12 desambra 1979. Voalaza ao anatin’ny fehinkevitra tamin’izany fa tafiditra ao anatin’ny faritry ny Repoblikan’i Madagasikara ireo Nosy ireo.Harena voajanahary tsy hita noanoaTsiahivina fa namoaka didy ny fanjakana frantsay ny talata 8 jona teo ary nanamafy fa tafiditra ao anatin’ny tahiry ara-boanajahary “Réserves naturelles” an’i Frantsa ny Nosy Sambatra. Tsy vitan’izany fa mbola nohamafisina tao amin’ny gazetim-panjakana frantsay , ny  Journal officiel, izany didy izany ny alakamisy 10 jona.Anisan’ny mampiavaka ity Nosy Sambatra ity ny fananany karazan-javamaniry sy biby maherin’ny 2 500 ary tsy fahita manerana izao tontolo izao. Ahina sy atahorana ny 20% amin’izany.Synèse R.L’article « Raharaha Nosy Sambatra » – Iles Glorieuses: manomana ny hamaly bontana an’i Frantsa ny fanjakana a été récupéré chez Newsmada.

Fanambaran’ny fiadidiana ny Repbolika: lasa any ivelany hanatrika ny «confirmation» ny zanany ny filoha
17/06/2021

Miova sata, miova andriana ary maneho ny fandalana ny mangarahara. Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny sampandraharahan’ny Serasera sy ny fifandraisana ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika, omaly, amin’ny anton-dian’ny filoham-pirenena any ivelany.Nivoitra tamin’ny fanambarana ny filazana  fa nanainga an-tanindrazana hanefa ny adidiny amin’ny fanatrehana ny “confirmation” an’ny zanany vavitokana ny filoha Rajoelina Andry. “Zava-dehibe loatra eo amin’ny fiainana tokoa mantsy izany ary indrindra, fitahiana sy fahasoavana lehibe avy amin’Andriamanitra”, hoy ny fanambarana. Notsiahivin’ny tompon’andraikitra tamin’izany fa ray sy loham-pianakaviana koa ny filoham-pirenena ary manana andraikitra eo anivon’ny ankohonany sy ny vady aman-janany, ankoatra ny maha filohan’ny Repoblika azy.Fomba fiasa vaovaoMidika izany fa nanova fomba fiasa ho amin’ny tsaratsara kokoa ny tompon’andraikitra vaovao eo anivon’ny sampandraharahan’ny Serasera sy ny fifandraisana ao an-dapa. Maneho sy mampahafantatra ny vaovao rehetra mba tsy ho tompon-trano mihono ny vahoaka malagasy, manoloana ny mpitondra azy. Efa fanao sy fahita any amin’ireo firenena sasany ny fomba fiasa tahaka izao amin’ny famoahana ny vaovao rehetra eo anivon’ny mpitantana ny firenena.Fitantanana mangaraharaTafiditra amin’ny fametrahana ny mangaraharaha eo amin’ny fitantana izany sady ialana amin’ny honohono sy ny tsaho koa.Sambany indray tato anatin’ny roa taona teo ho eo izao fivoahan’ny filoham-pirenena any ivelany izao na fivahinianana tsy ofisialy aza izany. Tsy mba nisy nanao tahaka izao koa ireo mpitondra sy mpitantana nifandimby.Synèse R.   L’article Fanambaran’ny fiadidiana ny Repbolika: lasa any ivelany hanatrika ny «confirmation» ny zanany ny filoha a été récupéré chez Newsmada.

Jirama: nampahafantarina ny fikambanan’ny mpanjifa ny tetikasa rehetra
17/06/2021

Maro ny tetikasan’ny Jirama amin’ny lafiny herinaratra sy ny rano. Tanjona ny hanatsarana ny tolotra ho an’ny mpanjifa, sady hanarenana rahateo ny toe-bolan’ny orinasa.Manana adidy lehibe amin’ny fampahafantarana ny tena zava-misy ny mpanjifa ny fikambanana miaro ny zony. Nihaona amin’ny tompon’andraikitry ny Jirama ireo fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, miisa efatra (Fimpa, VOMZM, MCI, Scae-PC) ny 14 jona teo. Naharitra adiny efatra ny fihaonana, niresahana lafin-javatra maro, nanomezan’ny tale jeneraly, Andriamanga Vonjy, fanazavana avokoa. Anisan’izany ireo tetikasan’ny Jirama rehetra, toy ny fanarenana ny fantson-drano, ny « fampidiran-jiro mora », ny fanarenana sy ny fampitaovana ny tobim-pamokaran’ny Jirama manerana ny faritra, sns. Nohazavaina koa ny fanavaozana ny sandan-jiro vaovao, ny toe-bolan’ny orinasa. Nifarimbona namaly ny fanontaniana ny filohan’ny fikankevim-pitantanana (PCA) ny Jirama sy ny tale jeneraly (DG).Ho vita tsy ho ela ny Mandroseza IINosinganin’ny DG Andriamanga Vonjy manokana fa ho vita tsy ho ela ny foibe mpamokatra rano Mandroseza II. Afaka mitahiry rano 43 000 m3 isan’andro ity toby vaovao ity, ahitana fitaovana fanadiovan-drano. Eo koa ny fanavaozana ireo fantson-drano ampolony kilometatra, hamaha olana betsaka amin’ny famatsian-drano eto Antananarivo. « Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ity toby ity, ampiasana ny teknolojia avo lenta”, hoy ihany izy.Nanazava tamin’ny antsipiriany mikasika ny fanavaozana ny vidin-jiro ny PCA, Andriamanampisoa Solo. Ao anatin’ny ezaka hanarenana ny toe-bolan’ny Jirama izany. Nampahafantariny koa ny fanamby manaraka ho an’ny orinasa.Nisy ny fifanarahana niombonana natao sonia, teo amin’ny Jirama sy ireo fikambanan’ny mpanjifa, miisa efatra.Njaka AndriantefiarinesyL’article Jirama: nampahafantarina ny fikambanan’ny mpanjifa ny tetikasa rehetra a été récupéré chez Newsmada.

Vokatry ny krizy nateraky ny valanaretina: misy ireo sekoly voatery nanakatom-baravarana
19/06/2021

Nisy fiantraikany tamin’ny sekoly tsy miankina ny krizy ara-toekarena sy sosialy nateraky ny valanaretina. Misy ireo voatery hanidy ny sekoly mihitsy noho ny fahasahirananaNy faran’ny volana jolay no mifarana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pianarana 2020-2021 nosantarina ny 26 ok­tobra lasa teo. Manaraka ny tetiandro navoakan’ny fanjakana ny sekoly tsy miankina mivondrona ao anatin’ny Association des institutions laïques pour l’éducation (AILE), araka ny nambaran’ ny filohany, Rakotomalala Célin, omaly. Momba ny saram-pianarana, mifanaraka amin’ny ray aman-dreny amin’ny fomba fandoavana izany ny mpitantana ny sekoly. Misy amin’ny ivontoeram-pampianarana, hampitsahatra ny taom-piana­rana mialoha ny andro ha­naovana ny fanadinana CEPE ho an’ny ambaratonga voalohany ka tsy hitaky saram-pianarana ho an’ny volana jolay intsony. Nisedra olana momba ny saram-pianarana ny sekoly tsy miankina maro tamin’ity taom-pianarana ity. Tsy vitsy tamin’ireo ray aman-dreny no tsy nandefa intsony ny zanany tany an-dakilasy taorian’ny fihibohana satria tsy manam-bola hanefana ny saram-pianarana ambiny. Misy ireo manao fifampiraharahana amin’ny talen-tsekoly fa hanefa tsikelikely izany. Vokatry ny fahasahiranana, nanaka­tom-baravarana tanteraka ny sekoly maro fa tsy afaka hi­sokatra intsony. Eo am-panaovana fanadihadiana momba izay ny mpitantana ny AILE, amin’izao fotoana izao. Ho an’ny taom-pianarana vaovao 2021 -2022, mangataka amin’ny fanjakana ny hiverina an-dakilasy mialoha ny sekoly tsy miankina satria tena latsaka ambany fari-pahaizan’ny mpianatra. Mikasa hiverina an-dakilasy izy ireo hamenoana ny banga ho an’ny taom-pianarana roa nikorontana teo noho ny valanaretina. “Mam­panahy ny fari-pahaizan’ny mpianatra hanala fanadinam-panjakana amin’ny taona 2022”, hoy ity mpa­nabe ity.Vonjy A.L’article Vokatry ny krizy nateraky ny valanaretina: misy ireo sekoly voatery nanakatom-baravarana a été récupéré chez Newsmada.

Voasakana teny amin’ny seranam-piaramanidina: mandà tanteraka ny filazana ny polisim-pirenena
14/06/2021

« Tsy misy mpikambana ao amin’ny governemanta izany nikasa hiondrana ka nosakanan’ny polisim-pirenena », hoy ny fanazavan’ny polisim-pirenena ( ny polisy miaro ny sisitany – PAF) manoloana ny fanambarana an-gazety sy tamin’ny tambajotran-tserasera, izay milaza fa nisy mpikambana iray ao amin’ny governemanta voasakana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Nilaza izy ireo fa saika hiondrana any Taolagnaro io olona io ka noraràna tsy handray ny fiaramanidina. « Tsy nisy ihany koa antso an-tariby voaray avy any amin’ny fiadidiana ny repoblika manome toromarika mikasika izany», hoy hatrany ny fanambaran’ny polisim-pirenena. Nohamafisiny tamin’izany fa ny fandraisana ny fanapahan-kevitra rehetra mikasika ny asa dia atao ao anatin’ny fanajana ny lalàna hatrany. Henintsoa HaniL’article Voasakana teny amin’ny seranam-piaramanidina: mandà tanteraka ny filazana ny polisim-pirenena a été récupéré chez Newsmada.

« Monde selection 2021 »: nahazo ny medaly volamena ny Eau Vive
17/06/2021

Azon’ny Eau Vive, vokatry ny orinasa Star, ny fankasitrahana ambony indrindra, ny medaly volamena tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena « Monde sélection 2021 ». Manampy isa ny medaly volamena efa azon’ny Eau Vive ity fankasitrahana ity. Tsy nitsahatra nanatsara ny kalitaon’ny rano fisotro ny orinasa Star, amin’ny fanarahana ny fenitra ara-pahasalamana  rehetra. Arahi-maso akaiky ny dingana amin’ny famokarana hatramin’ny fivarotana ho an’ny mpanjifa, nahatongavana amin’izao fankasitrahana izao. Azo sotroina amin’ny fotoana rehetra ny Eau Vive. Efa an-taony maro ny nitazonany ny laharana voalohany eo amin’ny tsena anatiny sy ivelany, ary manamafy izany ity medaly volamena vao azo ity.Njaka A.L’article « Monde selection 2021 »: nahazo ny medaly volamena ny Eau Vive a été récupéré chez Newsmada.

Fandrahonana ho faty anaty finday: mpivady sy tovolahy iray mpisoloky samy voasambotra
18/06/2021

 Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora, ny alarobia teo ireo mpisoloky sahy mandrahona olona ho faty amin’ny finday rehefa tsy manome vola izay tadiaviny. Voasambotra, ny alahady teo, teny Androndra ireo mpivady mpanao ny asa ratsy, dia ny vehivavy iray 34 taona sy ny lehilahy vadiny 24 taona. Nanoro ireo mpiray tsikombakomba taminy koa izy mivady ka tratra teny Ampamatanana ilay tovolahy vao 19 taona.Miantso amin’ny finday amin’ny laharana miafina ireo mpisoloky. Lasibatra tamin’izany ny raim-pianakaviana iray ka notakin’ireo mpisoloky vola mitentina 10 Tapitrisa Ar. Mbola nilaza koa izy ireo fa hananany vola ny zanany ka vonoin’izy ireo ho faty ilay lehilahy raha tsy mandoa ny vola amin’ny fotoana voatondro.  Nitohy  ny fandrahonana voarainy ary nilaza ho mahafantatra ny toeram-piasana sy ny toeram-ponenany ireo mpisoloky ka hopotehina sy dorana ireo rehetra ireo raha tsy manome ny vola izy. Velon-tahotra ny raim-pianakaviana ka niantso ny polisy hiaro azy. Hatairana ny an’ilay raim-pianakaviana raha nahita ireo mpampihorohoro azy voasambotra. Efa nangalan’ireo olon-dratsy vola izy, efa voasolokiny ihany koa tamin’ny alalan’ny kariera iray izay tsy misy akory. Fantatra fa safidin’ireo mpisoloky mihitsy ny olona hampihorohoroany. Tsy vao sambany koa izy ireo no mitady fomba ratsy hahazoana vola aman’olona. Ary ilay tovolahy mpiray tsikombakomba aminy no nasainy miantso io raim-pianakaviana tamin’ity tranga ity. Henintsoa HaniL’article Fandrahonana ho faty anaty finday: mpivady sy tovolahy iray mpisoloky samy voasambotra a été récupéré chez Newsmada.