Tetikasa kitra iombonana: nifandinika ny CUA sy ny Kintana Academie

News - Tetikasa kitra iombonana: nifandinika ny CUA sy ny Kintana Academie

News - Tetikasa kitra iombonana: nifandinika ny CUA sy ny Kintana Academie

Nosantarina, omaly talata 8 jona,
tetsy amin’ny Kudeta Carlton Anosy, ny dinika savaranonando,
hanatontosana ilay tetikasa kitra iombonana. Fiaraha-miasa eo
amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny sekolin’ny baolina
kitra Kintana Academie Football Club.

Nojerena tao anatin’izany ny fomba
hanatanterahana ity tetikasa ity, izay niarahan’ny
tomponandraikitry ny fanatanjahantena sy ireo delegen’ny
boriboritany 6 ao anatin’ny kaominina Antananarivo renivohitra ary
ny mpitantana ny Kintana Academie. Marihina fa voakasik’ity
tetikasa ity ireo ankizy 13 ka hatramin’ny 16 taona, izay tena
sahirana nefa manana talenta amin’ny fahaizam-baolina, eny
 anivon’ireo fokotany miisa 192, mandrafitra ny boriboritany
6.

Tanjon’ny roa tonta ny hamolavola
ireo kilonga ireo, ho lasa matihanina amin’ny baolina kitra ka
homena fanampiana sy tosika ho tafita koa amin’ny fiainana.
Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny veliranon’ny Ben’ny tanàna, i
Naina Andraintsitohaina amin’ny fanampiana ny tanora sy ny ankizy
eo amin’ny sehatry ny fanatanjahatena  ity tetikasa kitra
iombonana, ity.

 

Torcelin

 

Article tiré de Newsmada

L’article Tetikasa kitra iombonana: nifandinika ny CUA sy ny Kintana Academie a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 09/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Tantara sy finoana: 150 taona ny FJKM Ambohimamory

Vohitra iray anisan’ny manan-tantara eto Imerina i Ambohimamory. Anisan’ny nanamarika vanim-potoana iray lehibe ny fijoroan’ny fiangonana FJKM, 150 taona lasa izay. Ireo no hiaraka ao anatina hetsika iray hotontosaina eny an-toerana ao anatin’ny andro efatra, ao amin’ny FJKM Ambohimamory Malala OrimbatoManomboka anio 3 aogositra, fampirantiana ny tantara. Rahampitso 4 aogositra, miditra amin’ny 7 ora sy amin’ny 10 ora maraina ny fiangonana. Mitohy hatrany ny fampirantiana aorian’izay. Ny 10 aogositra tontolo andro, fanohizana ny fampirantiana. Ny 11 aogositra, ivon’ny jobily faha-150 taon’ny fiangonana FJKM Ambohimamory Malala Orimbato. Miditra amin’ny 8 ora maraina ny fanompoam-pivavahana. Fijoroan’ny isan-taranaka (vokatra) hitondra fanilo miampita. Hisy ny sakafon-jobily.Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa misy ny antsoina hoe « komitin’ny faha-15 aogositra ». Isaky ny amin’io andro io no hihaonan’ny zanak ‘Ambohimamory hanehoana ny talentan’izy ireo. Raha ny voalazan’ny tantara, Ambohimitsinjorano ny anaran’ity vohitra ity fahiny. Nanjary Ambohimamory izy taty aoriana. Anisan’ireo toerana fihaonan’ny andriambaventy teto Imerina.HaRy Razafindrakoto L’article Tantara sy finoana: 150 taona ny FJKM Ambohimamory a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

  Cnaps: « Tagnamaro » andiany faharoa

 Tontosa teny amin’ny foiben’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (Cnaps) eny Ampefiloha ny hetsika « Tagnamaro » andiany faharoa, fanao isaky ny asabotsy fahatelon’ny volana jolay teo. Fotoana nanatanterahana ny politikan’ny fanjakana foibe, sady nanamafisana ny firaisankinan’ny mpiasa rehetra. Resy lahatra ary miombon-kevitra amin’ny hanatanterahana ny « Tagnamaro » ny Cnaps, amin’ny fandraisana andraikitra an-tsitrapo amin’ny maha olom-pirenena, hanehoana ny herimpo hitondra fiovana tsara amin’ny tontolo manodidina.Nodiovina ny tao anatiny, ny ivelany ary ny manodidina ny toeram-piasana.Nilaza ny talen’ny fitantanana ny maha olona ao amin’ny Cnaps, Raobijaona Bruno, fa “porofo fa manaraka ny toromariky ny fanjakana ny Tahirim-pirenena ary efa fanindroany ity fiaraha-mientana ity”.Njaka A.L’article   Cnaps: « Tagnamaro » andiany faharoa a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Atsimon’i Afrika -2020: matiantoka anelanelan’ny 37 sy 79 miliara dolara

Manankarena amin’ny lafiny maro ny tapany atsimon’i Afrika, nefa mahantra indrindra manana olana isan-karazany, mbola niharan’ny Covid-19 koa. Maro ny fihariana azo trandrahina sy ifanakalozana, tokony hampiova endrika an’i Afrika eo amin’ny maha olona sy ny zavaboary, saingy vao mainka latsaka anaty fahantrana.Tapany atsimon’i Afrika efa mahantra, niampy ny voka-dratsy nentin’ny Covid-19, vao mainka namparefo ny toekarena sy ny sosialy, niteraka fatiantoka teo anelanelan’ny 37 sy 79 miliara dolara tamin’ny 2020, araka ny fanadihadiana nataon’ireo fikambanana iraisam-pirenena momba ny toekarena (Banky iraisam-pirenena,…). Nampihena ny famokarana sy ny famatsiana, nampisondrotra ny vidim-piainana, tsy nampisy asa. Raha tokony ho 2,4 % ny fiakaran’ny harinkarena ankapobeny aty Afrika tamin’ny 2020, lasa teo anelanelan’ny -2,1 sy -5,1% izany. Fihemoran’ny toekarena ambany indrindra tao anatin’ny 25 taona.Fahavoazana amina sehatra maro, ohatra, niharam-pahavoazana mafy ny sehatry ny fizahantany, ny varotra solika ho an’ireo firenena mpanondrana izany sy ireo firenena mpitrandraka sy mpanondrana ny harena an-kibon’ny tany.  Nampitombo ny fahantrana sy loza ho an’ny fiainan’ny mponina. Hita ny fiantraikan’izany amin’ny fiainan’ny isan-tokantrano, noho ny Coronavirus ihany.Mponina anjatony tapitrisa miaina anaty fahasahiranana lalina, toy ny tsy fisian’ny herinaratra ; mitombo ny trosam-panjakana ary mbola hitombo ihany. Vitsy kely mba tsy hilazana hoe tsy misy ny asa vao miforona.  Hita taratra eto Madagasikara avokoa ireo singa rehetra mamparefo ny toekarena ireo, miantraika any amin’ny fiainam-bahoaka. Mbola tsy fantatra mazava ny hoentin’ity taona 2021 ity. R.MathieuL’article Atsimon’i Afrika -2020: matiantoka anelanelan’ny 37 sy 79 miliara dolara a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Une prise de décision des autorités très attendue

Madagascar n’est pas le Brésil et la comparaison ne peut pas se faire, mais le spectacle de cercueils vendus sur les trottoirs, image postée sur Facebook, fait frémir. La situation est alarmante et elle nous incite à redoubler de vigilance. Les appels renouvelés dans nos colonnes ne semblent pas avoir d’effet sur une partie de la population continuant de faire preuve de négligence. Les familles qui sont affectées par la perte de l’un des leurs essaient de mettre en garde leurs connaissances, mais l’inconscience de la partie de la population ne se sentant pas concernée pénalise tout le monde et c’est ainsi que le variant se propage allègrement. Ce sont les autorités qui ont maintenant le dernier mot car ce sont elles qui peuvent mettre un peu d’ordre dans une indiscipline qui perdure. Une prise de décision des autorités très attendue Le nombre des décès annoncés par les sources officielles est en progression, mais l’on doute qu’il ne reflète qu’une partie de la réalité. Si l’on se réfère aux annonces nécrologiques dans les journaux, les chiffres sont minorés, mais on peut dire qu’ils montrent une tendance. Les malades qui ne peuvent pas tous se faire soigner à l’hôpital n’entrent pas en ligne de compte dans les statistiques officielles. Les autorités sanitaires, malgré tous leurs efforts, ne peuvent pas faire face à la situation. Les dirigeants sont confrontés à un dilemme. Ils ont évité, jusqu’ici, l’emploi du terme « confinement » et pourtant, l’état d’urgence sanitaire a bien été institué. L’application des décisions y afférentes n’a pas été faite avec toute la rigueur nécessaire à Tana. Et pourtant, les résultats sont probants dans les autres villes, pour ne citer que Toamasina ou Antsirabe. C’est en fin de semaine que le chef de l’État va de nouveau s’adresser à la nation. Il annoncera certainement la reconduction de l’état d’urgence sanitaire, mais avec des mesures plus coercitives. C’est vers cela que l’on se dirige car la situation l’exige. Patrice RABE ’ L’article Une prise de décision des autorités très attendue est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Une prise de décision des autorités très attendue a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Fampandrosoana eny ifotony: nitondra hazavana ho an’i Manjakavaradrano ny TGV

« Tokony handray anjara amin’ny fampandrosoana ny rehetra. Niezaka izahay ety ifotony nanatratra ny tanjona napetraky ny filoha amin’ny hanomezana hazavana ho an’ny rehetra. Nahazo ny anjarany ny eto amin’ny kaominina Manjakavaradrano », hoy ny filoha mitarika ny TGV Ambohidratrimo, Randriamanantena Blaise. Nanantanteraka ny teny filamatry ny filoha izy ireo tamin’ny nanomezana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ity kaominina ity. Nahafaly ny mponina izany ka nankasitrahin’izy ireo sady manantena ny hitohizan’ny hetsika tahaka izao, indrindra ho an’ny filoham-pirenena sy ny governora. « Midika ho fandrosoana izao ary mba hahazava lalandava satria taratry ny fampandrosoana… Tsy mivadika amin’ny velirano natao tamin’ny propagandy ianareo fa notanterahina izany… Efa ela izahay no naniry hazavana ho an’ny mponina tahaka izao. Sambany nisy nijery izahay eto amin’ny kaominina… », hoy ireo mponina.Synèse R. L’article Fampandrosoana eny ifotony: nitondra hazavana ho an’i Manjakavaradrano ny TGV a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Selon le vice-président de la CENI, Thierry Rakotonarivo, cette commission électorale s’est efforcée de prendre des mesures afin que chaque électeur puisse jouir de ses droits au second tour du scrutin présidentiel

Potika tanteraka ny lohan’ilay fiara ary nisabaka ny kodiarana. Izany no vokatry ny fikasàn’ireo olon-dratsy izay handroba tetsy amin’ny lalam-baovao “rocade”. Ny alin’ny zoma teo, teo anelanelan’ny tamin’ny 11 ora sy sasany alina sy ny misasakalina, no nisy fiara nisy nanipy vato malao teo anoloany. Ny iray mba vitan’ny mpamily ihany ny niala izany fa ny faharoa kosa avy hatrany dia nanitsy tao ary nahasimba ny “train” aloha. Tsy afa-nihetsika intsony ny fiara nanomboka teo ary vetivety foana dia nivoaka tao anaty haizina ny jiolahy izay tsy fantatra isa. “Soa fa mba nisy basy kilalao izay hadinon-janako tao anatin’ny fiara. Iny no nalaiko avy hatrany ary nentiko nampitahorana ny jiolahy. Mba nahomby izany”, raha araka ny fitantaran’ny mpamily. Niala tokoa ireo olon-dratsy saingy tsy nisalasala izy ireo ny nanala ireo vato malao roa natsipiny, fotoana fohy talohan’ny zava-nitranga. Inona moa ny azo natao fa dia nijery fotsiny, satria ny basy rahateo tsy afaka nipoaka, zara aza tsy notafihan’ireo jiolahy. Fiara ampanofaina ilay nokasain’ireo olon-dratsy. Avy nanatitra vazaha teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ka hihazo fodiana ary nandalo teny amin’iny lalam-baovao iny no nohararaotin’ireo olon-dratsy. Rehefa nanontaniana ny manodidina dia milaza ho tsy mahafantatra ny momba ireo jiolahy fa manahy kosa ny amin’ny hoe ireo tanora mpanao “baby” sy mpifoka rongony eo amin’ny tanàna kely tsy lavitra eo no tompon’antoka. Efa faritra mena tanteraka ka izany ny “rocade”, indrindra amin’ny alina. Mila mandray fepetra amin’ny fanaovana fisafoana matetika ny polisy miandraikitra iny boriborintany iny mba ho fiarovana ny ain’ny olona. D.RL’article Selon le vice-président de la CENI, Thierry Rakotonarivo, cette commission électorale s’est efforcée de prendre des mesures afin que chaque électeur puisse jouir de ses droits au second tour du scrutin présidentiel a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Santé - Midi Madagasikara

Ambatoboeny : Mpianatra 10 indray voan’ny ambalavelona  

Niverina indray tato ho ato tany amin’iny faritra iny ny  trangana ambalavelona. Tovovavy mpianatra miisa folo ao amin’ny ceg sy lycée, sainte Thérèse katolika ao Ambatoboeny, any amin’ny faripiadidiam-pampianarana Boeny, no indray nihetsika Ambalavelona ny Alakamisy teo. Taorian’ny fifampiresahana tamin’ny ray aman-drenin’ireo mpianatra dia nanapa-kevitra ny tompon’andraikitra ao amin’ny sekoly Saint Therèse, fa horaisina an-tanana fitsaboina amin’ny alalan’ny fivavahana ataon’ireo « karismatika » amin’ity retina ity. Raha ny vaovao voaray hatrany, dia mbola nisehoana trangan’ambalavelona ihany tamin’ity sekoly voalaza etsy ambony ity, ny zoma maraina teo, ka mpianatra iray indray mantsy no nihetsika sy marary. Noho ny tahotra mba tsy hiparitahan’ny aretina hafahafa ity haingana, dia nakatona ny sekoly ary nalefa nody ireo mpianatra. RatantelyL’article Ambatoboeny : Mpianatra 10 indray voan’ny ambalavelona   a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Digy Anosizato: ahiana ny fihotsahana

Nandray andraikitra avy hatrany ny boriboritany faha-4, manoloana ny zava-dozaataon’ireo mpanao biriky eny an-toerana. Mpanao biriky maromaro no hita sy tsikaritra mandavaka ny sisin’ny digy Anosizato, izay hita fa tena mihagoaka ka mety hitarika fahavakisana ato ho ato. Araka izany, natsahatra avy hatrany ny asan’izy ireo. Nomena taratasy fampiantsoana avy izy ireo ho tonga eny amin’ny boriboritany hijerena raha manana ny taratasy fazahoan-dalana feno nahafahany manao biriky eo amin’io toerana io.Raha sanatria ka misy fahavakisany ny arabe sy ny digy amin’iny faritra iny dia mety hiparitaka manerana an’Antananarivo Renivohitra ny ranon’Ikopa, ka ho lasa dibo-drano ny faritra iva manodidina.Raha ny tokony ho izy, eny amin’ny nosy kely afovoan-drano ireto mpanao biriky ireto no tokony hihady ny tany izay ilainy, fa tsy eny amin’ny sisin’ny arabe sy digy toy ny ataony ankehitriny.Ho avy ny fahavaratra, mampanahy ny mety ho fahavakisana raha mitohy ny asa fanamboarana biriky mikaoka ny sisin’ny digy. Tandindomin-doza ny tanàna rehetra manodidina vokatr’izany.Mila hamafisina aza ireo efa nohadian’ireo mpanao biriky ireo mba tsy hampiitatra ny fahavoazana mialohan’ny fahavaratra izao. Noraisina izao fepetra izao mba ho fisorohana ny loza mety hitranga, ary ho fitsinjovana hatrany ny soa iombonan’ny mponin’Antananarivo Renivohitra, hoy ny tompon’andraikitra.Tatiana AL’article Digy Anosizato: ahiana ny fihotsahana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsy tomombana ny milina ao Andelakela: tratry ny fahirano Antananarivo sy ny manodidina

Mitohy ny fahatapahan-drano eto Antananarivo, nandritra ny faran’ny herinandro teo. Nimenomenona ny olona fa tsy nahazo rano na ireo manana famatsin-drano ao an-trano na ireo mampiasa ny paompy iraisana. Lasa olana iraisan’ny vahoaka eto an-dRenivohitra sy ny manodidina ny tsy fisian-drano tao anatin’ny herinandro maromaro ka manakorontana ny fiainana andavanandro mihitsy. Anisan’ny niharan’ny fahatapahana ny teny Mahazo, Amboanjobe, Andoharanofotsy… Teny Amboanjobe (RN 7), efa ho telo andro no tapaka ny rano ary tsy mbola niverina, hatramin’ny omaly. Tsy maintsy mitady vahaolana amin’ny mpiray monina manana lava-drano na koa mandeha mantsaka lavitra. Mitombo ny vola mivoaka amin’ny isan-tokantrano amin’ny fividianana rano satria mila manomana hatramin’ny 10 000 Ar karaman’ny mpantsaka sy ny vidin-drano.Nanome vahaolana amin’ny fizaran-drano amin’ny kamiaobe ny Jirama ho an’ny fokontany maromaro voakasika. Misy ireo mponina nanambara fa tsy nahita  ny fizaran-drano mitety vohitra hatramin’izao.Nanamafy ny Jirama fa misy fikorontanana ny famatsiana rano amin’ny toerana maro eto Antananarivo noho ny tsy fahampian’ny tanjaka herinaratra ilain’ny tobim-pamokarana rano eny Mandroseza. Vokatry ny tsy fahatomombanan’ny milina mpamokatra herinaratra avy ao Andekaleka. Efa mamerina izany ny teknisianin’ny Jirama ka hiverina tsikelikely amin’ny laoniny ny famatsiana rano aorian’izay. Mandra-piandry izany, sahirana ny vahoaka satria aina ny rano. Nisy ny fivoriana niarahan’ny minisitry ny Rano sy ny mpiasan’ny Jirama nijerena ny vahaolana momba ity fahatapahan-drano faobe ity.Vonjy A. L’article Tsy tomombana ny milina ao Andelakela: tratry ny fahirano Antananarivo sy ny manodidina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

AFT: raikitra indray ny “Salon des jeux de société”

Hotanterahina manomboka ny asabotsy 3 aogositra izao ary tsy hifarana raha tsy ny 17 aogositra ny « Salon des jeux de société », andiany faha-24. Toy ny mahazatra, mandray ity hetsika ity ny Alliance française (AFT) etsy Andavamamba. Raha tsiahivina, ity ny fotoana tokana sady lehibe indrindra hanomezan-danja sy hanasongadinana ireo karazan-dalaon-tsaina hifanandrinan’olon-droa, eto amintsika.Homena vahana hatrany ireo kilalaon-tsaina mampiavaka ny Malagasy, toy ny fanorona sy ny katro, izay tsy mbola lefy laza, ankafizin’ny ankizy hatramin’ny olon-dehibe. Ao koa anefa ireo kilalao vahiny, fantatra manerana izao tontolo izao, toy ny “jeu de go”, kilalao fanaon-dry zareo Aziatika, ny “sudoku”. Ankoatra ireo, ho hita ao ihany koa ny “uno”, ny “scrabble”, ny “1000 bornes”, ny “jeu de dame”, sns.Tanterahina mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra hatrany ny “Salon des jeux de société”. Na mbola tsy tontosa aza ireo karazana fanadinam-panjakana, heverina fa tsy vitsy ny ankizy efa miditra tsikelikely ao anatin’izany fialan-tsasatra izany. Sady fialam-boly ny hetsika no fampiasan-tsaina ihany koa ary fotoana hifaneraserana amin’ny ankizy sy ny tanora hafa, efa mahafehy ireo karazan-dalao ireo.Ho an’ireo tsy mbola mahafehy na tsy mahay azy ireo, hisy ny fotoana hampianarana izany, mandritra ity « salon » ity. Toy ny mahazatra, hisy koa ny fifaninanana amin’ireo sokajin-dalao rehetra.Landy R. L’article AFT: raikitra indray ny “Salon des jeux de société” a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

A louer Location voiture
15/06/2021

Location 4×4 - Toyota New Prado >>7 places, voiture confortable et économique,  >>Voiture classe, adéquats pour les évènements familiaux ou affaires, >courses en ville, en périphérie, ou en province - Chauffeur expérimenté pour les circuits touristiques - Le tarif varie en fonction de la destination et du trajetContact: 034 84 747 64Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location voiture".

A louer TANY AHOFA
15/06/2021

Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer TANY AHOFA".

Emploi et services PDF à propos de ADWORD
14/06/2021

Vous vous demandez peut-être comment les grandes entreprises utilise la technologie pour promouvoir ses produits.Ne vous inquiétez voici-ci quelques notion qui pourrait vous aider.Dans ce pdf de Content Marketing 101https://bit.ly/3cqJQLY AdWords Annihilationhttps://bit.ly/3zavLMDCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services PDF à propos de ADWORD".

A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo
16/06/2021

Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury 4x4 turbo année 2005 diesel  boite automatique, 7 places 163000 kms, première main. Véhicule  très résistant, couleur verte,  phares xenon antibrouillards, radio CD, climatisation, fermeture centralisée, verrouillage à distance. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo".

Emploi et services Gagner de l'argent en ligne
19/06/2021

Nous vous proposons une opportunité intéressante pour gagner de l'argent en ligne. Votre rôle consiste à remplir des micro-tâches comme répondre à des sondages, essayer certaines applications, répondre à des quiz etc. Cliquez sur ce lien :https://paidera.com/?r=2057784Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Gagner de l'argent en ligne".

Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)
18/06/2021

Nous recrutons pour un structure d’externalisation, unASSISTANT COMMERCIAL SENIORMissions :- Assurer les premières démarches commerciales (mail / téléphone) via base des données existante- Assurer l’Onboarding des professionnels sur la plateforme- Assistance clientèle sur les démarches d’inscription sur la plateforme- Assurer le suivi des procédures d’achat et de livraisons- Assurer le SAV : Gestion du service client (Mail / téléphone / chat)Profil:- Titulaire d’un bac +3 minimum en commerce, marketing, communication- Expériences probantes dans le domaine de la relation client- Bonne maîtrise du Français (lu, écrit, parlé)- Bonne maîtrise du pack office- Autonome, rigoureux (se) et professionnel (le) Envoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence ASSISTANTCOMS-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)".

A vendre A vendre Fauteuil dentaire complet en bonne état
14/06/2021

Un fauteuil dentaire complet en parfait état  constitué d’un fauteuil inclinable, d’un bras articulés, d’un compresseur, d'un ensemble d’ instrumentation dentaire, d’une soufflette à air/eau, d’un crachoir, d’un système d’aspiration, d’un scialytique, et d’un siège à roulettes pour le praticien, stérilisateur pour les outils à main, ...Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A vendre Fauteuil dentaire complet en bonne état".

A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE – TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨
18/06/2021

✨✨  ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE -  TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨L’Agence Immobilière AINA Antsirabe vous propose à la vente, ce beau terrain plat constructible,  idéal pour des projets. Terrain titré et borné. Situé au bord de route principale. Accessible en voiture.Electricité à proximité.➡️ LOCALISATION : ANDRANOMANELATRA à 500m  de la route nationale  RN7➡️ SURFACE DU TERRAIN : 02HA 10A 09CA   NON MORCELABLEPour plus d’informations contactez-nous🏠 AGENCE IMMOBILIÈRE AINA ANTSIRABE🌐 https://aina-immobilier-antsirabe.com📩 contact@aina-immobilier-antsirabe.com☎ 0340255077 - 0330255077 – 0328347800Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE - TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨".

Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) francophones. Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 160 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC. MISSION En tant que Téléconseiller(ère) francophone, vos missions seront : PROFIL VOS AVANTAGES Si tout cela vous parle, vous êtes le candidat qu’il nous faut ! Merci de postuler en ligne sur notre site www.eufonie.fr/jobs. Vous pouvez également adresser votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ; Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones".

A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES
16/06/2021

A VENDRE : CHEVROLET SPARK (DAEWOO MATIZ 4), FAIBLE KILOMETRAGE, ANNEE 2012, TRES BONNE OCCASION DE COREE, IMMATRICULATION ETRANGERE, ARRIVEE RECEMMENT A MADAGASCAR (4 semaines), boite de vitesses AUTOMATIQUE, moteur ESSENCE 3 S- TEC II 16V, TOUTES OPTIONS :-Direction assistée-Freinage ABS-Rétroviseurs électriques  - Intérieur cuir, confort et propre-Tableau de bord multifonctions-AIRBAGS-4 Vitres électriques-Sièges chauffantes-Verrouillage centralisée avec commande à distance-Climatisation bien frais-Radio d’origine CHEVROLET avec BLUETOOTH/USB/MP3/CD-4 Jantes alu d’origine-Barre de toit VOITURE TRES CONFORTABLE, TRES SILENCIEUSE ET ULTRA- ECONOMIQUEETAT IMPECCABLE PETITE CITADINE, AGREABLE A CONDUIRE, IDEALE POUR FEMME PRIX : 21M8AR (109.000.000 FMG) LEGEREMENT DISCUTABLE CONTACT DIRECT : 0338741679 / 0346464584(Aleo mba tonga dia miantso fa tsy mi- connecte matetika , MERCI!)Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES".

Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT
14/06/2021

Voici des sites qui permettent de gagner de l'argent gratuitementhttps://mining-forever.com/?ref=rajaonarshttps://duplinow.com?aff=70888https://banana-cash.com?aff=15898https://topmining.host/?ref=1190Vous n'avez pas de compte payeer ?https://payeer.com/?session=16887921Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
16/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Notsongaina

Andohatapenaka: nirefodrefotra ny basy, jiolahy iray rotiky ny balan’ny polisy
14/06/2021

Hatairana vao maraina ny an’ireo olona mipetraka eny Andohatapenaka sy ny manodidina raha nandre ny firefodrefotry ny basy, ny asabotsy teo. Jiolahy mpanakan-dalana no nifanehatra tamin’ny polisy. Jiolahy iray lavon’ny bala raha azo sambo-belona kosa ny namany iray hafa…Polisy misahana ny ady amin’ireo jiolahy mitam-piadina mahery vaika (SAG) sy ny ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito (CSP7) 67ha ireto nifampitana tamin’ny jiolahy mpanakan-dalana teo Andohatapenaka ireto. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny polisin’ny Sag, tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny 2 ora sy 30 mn maraina, nahazo angom-baovao ny polisy fa misy andian-jiolahy mitondra basy sy antsy lava manao sakan-dalana amin’ny sarety miisa telo ny lalana etsy Andohatapenaka. Taxi-be iray nitondra mpivarotra legioma vao maraina no tratran’ny sakana nataon’ireto jiolahy ireto. Niditra an-keriny tao anaty fiara izy ireo ka lasan-dry zalahy avokoa ny vola hatramin’ny firavaka tany amin’ireo mpandeha. Fotoana fohy taorian’izay, tonga teny an-toerana ny polisy nanao ny fanarahan-dia ireto olon-dratsy ireto, nanamafy rahateo ireo mpandeha voatafika fa mbola tsy lasa lavitra ry zalahy. Raikitra ny fanenjehana nataon’ny polisy ka tratra teo Ankasina ireto andian-jiolahy ireto. Raikitra ny fifampitifirana ka maty voatifitra ilay jiolahy nitondra basy. Azo sambo-belona kosa ny jiolahy iray hafa. Basy kilalao no nentin’ireo jiolahy nampihorohoro… Tao anatin’ny tebiteby no niainan’ireo mponina teny amin’ny manodidina ny toerana nisian’ny fifampitifirana. Tafaporitsaka nandritra ny fifanjevoana ny jiolahy roa hafa. Nandritra ny fizahana  no nahitana fa basy kilalao no nampiasain’ireto jiolahy ireto nandritra ity fandrobana ity, ankoatra ilay antsy lava hita tany amin’izy ireo. Nanamafy ny polisy fa mitohy ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, indrindra amin’izao ankatoky ny fety fankalazana ny tsingerin-taona nahazoana ny Fahaleovantena izao. Fantatra fa ao anatin’ireo tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana eto an-drenivohitra ry zalahy ireto, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy hatrany.Jean ClaudeL’article Andohatapenaka: nirefodrefotra ny basy, jiolahy iray rotiky ny balan’ny polisy a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – “Cosafa cup 2021”: iray vondrona amin’i Zambia ny Barea
18/06/2021

Hotanterahina ny 7 ka hatramin’ny 18 jolay ho avy izao ny andiany faha-20 amin’ny “Cosafa cup”, sokajy “senior” lehilahy. Fifaninanana natokana ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika. Hampiantrano izany ry zareo Afrikanina tatsimo ka ao amin’ny kianja Nelson Mandela Bay, ny hanaovana ireo fifaninanana. Iray vondrona amin’i Zambia tompondaka. Ekipa tsy zovina amin’ny Malagasy ry zareo Zambianina, satria efa nikatroka tamin’ny Barea, ny taona 2018. Resin-dry zareo teo amin’ny manasa-dalana, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 ny Malagasy, tamin’io ary nitana ny laharana fahefatra ny Barea. Tsiahivina fa tsy nandray anjara ny Barea de Madagascar, ny taona 2019. Niato moa ity Cosafa cup ity, tamin’ny taon-dasa, noho ny fisian’ilay valanaretina coronavirus, ary izao miverina izao indray. Ankoatra izay, mbola hiaraka amin’ny Malagasy ihany koa ry zareo Kaomorianina, izay hiatrika ny Can 2022.Tompondaka  Sokajy “A” Afrika Atsimo Lesotho Soazilandy Botsoana Sokajy “B” Zambia Malawi MadagasikaraKaomoro Sokajy “C” Senegal Zimbaboe Mozambika NamibiaL’article Kitra – “Cosafa cup 2021”: iray vondrona amin’i Zambia ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Vokatry ny fandehanana mafy…: maty ny mpamily, simba ny fiara
17/06/2021

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray ny lalam-pirenena faha-4, ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny 8 ora maraina. Tra-doza tamin’izany ny fiara Sprinter « fourgon » mpitondra entana avy any Marovoay saika hamonjy ny Renivohitra. « Mety ho nandeha mafy ny fiara ary tsy voafehy intsony ny familiana ka nitera-doza teo amin’ny fiolanan-dalana eo Ambatomahamanina, fokontany Ambohitrafovoany », hoy ny fanazavan’ny zandary. Nambarany fa misy fiolanana miisa roa amin’iny lalam-pirenena iny. Tafavily tamin’ilay voalohany anefa ny mpamily raha tsy tafavily kosa izy tamin’ilay faharoa. Vokany, nifatratra tamin’ny rindrintany ilay fiara ary potika tanteraka. Nidina teny an-toerana ny zandary avy ao Ankazobe nijery ny zava-nisy. Taorian’izay, nalefa vonjimaika teny amin’ny hopitaly ao an-toerana ny mpamily naratra. Tsy tana anefa ny ainy fa maty noho ny ratrany ilay lehilahy 35 taona. Tsy naninona kosa anefa ny mpanampy ny mpamily raha naratra ihany koa ny lehilahy iray hafa. Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa tsy ahina intsony ny fahasalamany. Ireo gonim-bary miisa sivy sy gonin’ampobo manodidina ny 30 isa tao kosa, efa nalefa any amin’ny tompony avokoa. Henintsoa HaniL’article Vokatry ny fandehanana mafy…: maty ny mpamily, simba ny fiara a été récupéré chez Newsmada.

Taolagnaro: nitondra fanazavana ny rain’ilay ankizy voadonan’ny fiara
17/06/2021

Manoloana ilay fanelezana tsaho niparitaka amin’ny tambajotran-tserasera “facebook”, nitondra fanazavana ny rain’ilay zaza matin’ny lozam-pifamoivoizana nifandona tamina fiaram-panjakana iray tao Taolagnaro. Raha ny loharanom-baovao voaray, tamin’io fotoana nitrangan’ny loza io tany Taolagnaro, nanatrika ny atrikasa niarahana amin’ny filoha Rajoelina ny minisitry ny Fiarovam-pirenena fa tsy tao anatin’ilay fiara voalaza fa nandona ilay zaza. Nanamafy izany rahateo koa ny rain’ilay zaza fa fanakorontanana sy tsaho naely fotsiny ity niparitaka amin’ny “facebook” ity. Voadonan’ny “retroviseur”-n’ny fiara ilay zaza rehefa nandeha bisikileta izay nandeha mafy araka ny filazan’ny anabaviny niaraka aminy. Nentina nandeha hopitaly ilay zaza niharam-boina ary nijoro vavolombelona nanatrika izany ny anabaviny. Nisy ny delegasiona niaraka amin’ny zandary nanao ny fomba rehetra toy ny famonoana omby ary nanatrika ny fandevenana fa tsy araka ny filazana tsaho niparitaka any anaty “facebook”.J.CL’article Taolagnaro: nitondra fanazavana ny rain’ilay ankizy voadonan’ny fiara a été récupéré chez Newsmada.

RNI Arivonimamo : Un camion percute une maison
14/06/2021

La ville d’Arivonimamo était en effervescence, vendredi 11 juin en début de matinée. Ce jour-là vers 2 heures du matin, les habitants du fokontany de Miadamanjaka, dans le centre-ville de la commune d’Arivonimamo, ont été réveillés de bon matin par un grand vacarme. Sortis de leur domicile, ils ont été face à un camion encastré dans une maison. Leur inquiétude s’est dissipée en voyant l’accident qui venait de se produire. Selon les informations, le poids lourd sortait d’un garage situé près de la maison détériorée, quand son chauffeur a accidentellement embouti la demeure en question avec son véhicule. Le camionneur a perdu le contrôle de l’engin. À entendre ses explications, le problème vient d’un blocage au niveau de l’accélérateur. Il en est sorti sain et sauf comme toutes les personnes présentes dans la maison endommagée. En effet, aucun mort ni blessé n’a également été constaté. Quoi qu’il en soit, la gendarmerie nationale, et notamment ses éléments travaillant dans la région Itasy, qui est servie par la RN1 (axe réputé dangereux en matière de circulation) a sensibilisé la population à être vigilante. T.M. L’article RNI Arivonimamo : Un camion percute une maison est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article RNI Arivonimamo : Un camion percute une maison a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Solfa sy sorapeo: hivoaka ny Tiona Bagasy Henri Ratsimbazafy
15/06/2021

Manan-karena ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Mitohy hatrany ny famoahan’ny mpikarakara ny “Tiona Bagasy”. Hiompana amina mpanakanto iray izy amin’ity boky vaovao ity.Asa goavana no vita! Tontosa soa aman-tsara ka hivoaka ny 26 jona izao ilay boky sy CD (mirakitra ireo feonkira) nampitondraina ny lohateny Tiona Bagasy Henri Ratsimbazafy. Araka io lohateniny io, natokana ho an’ireo hira nokaloin’i Henri Ratsimbazafy izy ity, ka hira sy tonony mahatratra 26 no voasoratra amina solfa sy sorapeo ao anatin’ny boky roa sy voarakitra ao anatin’ilay kapila mangirana (CD) miaraka aminy ny feony. Amin’ny fiteny malagasy sy anglisy ary frantsay ny boky Tiona Bagasy Henri Ratsimbazafy, na ny “TBG HR”. Nanao ny solfa sy sorapeo : i Mbosa Rabenasolo sy i Olivier Ramorasata ary i Naina Andrianarivony.Ireto avy ireo hira vita solfa sy sorapeo ao anatin’ny boky voalohany: “Bobongolo ilay fitia”, “Dans ma case en falafa” (Ao an-trano falafa), “Fitiavan’ankizy”, “Fony aho”, “Hodian-tsy hita ve”, “Ianao”, “Ilay sarinao”, “Indro tazako”, “Tiana”,“Kalon’ny any Tyrol”, “Kanefa…”, “Iarivo », « Kidaombaramita », « La chercheuse d’eau » (Ilay mpantsaka), « Lasa izahay ».Ny ao anatin’ny boky faharoa kosa : “Mamy indray ny miaina”, “Manimanina”, “Ny fitiavana ihany”, “Ny itiavako anao re ry Mama”, “Ny lambanao mikopakopaka”, “Prends ma main”, “Raozy maina”, “Ry Voahirana ô”, “Satria tia ahy ianao”, “Talaky mandeha”, “Ton lamba blanc”, “Vao teny antsasa-dàlany”, “Veloma… doria”.Nanao ny sasinteny i Benjamina Emadisson, nanoratra ny “préface & forewords” i Beby Randretsa-Rabenasolo. Teny fanolorana notontosain’i Mbosa Rabenasolo.HaRy RazafindrakotoL’article Solfa sy sorapeo: hivoaka ny Tiona Bagasy Henri Ratsimbazafy a été récupéré chez Newsmada.

Tolo-dalàna etsy Anosikely: hiverina hiaka-dapa ny toaka gasy sy ny momba ny Pac
15/06/2021

Farany vao hisy ventiny. Tafiditra ao anatin’ny fandaram-potoan’ny Antenimierandoholona, etsy Anosikely, mialoha ny fiafaran’ny fotoam-pivoriana ireo tolo-dalàna anisan’ny manan-danja. Misongadina amin’izany ny resaka toaka gasy…Niainga tamin’ny taona lasa io tolo-dalàna avy amin’ny depiote voafidy tany Ikongo, Razafintsiandraofa Brunelle io. Efa nandalo teny amin’ny Antenimierampirenena ary lany 100% tamin’ireo solombavambahoaka 72 niatrika ny fivoriana sy nanangan-tanana. Nivoitra tamin’izany fa tokony hoferana ho 44° ny herin’ny toaka gasy amin’ny fanalalahana azy.Famoronana asa miainga amin’ny toaka gasyAnisan’ny tohan-kevitra tamin’izany ny hanodinana ny toaka gasy ho angovo “ethanol”. Ny famadihana azy ho alikaola hanasa-tanana “gel”. Anisan’ny lehibe indrindra amin’izany ny famorona asa entiny. Nalefa teny amin’ny Antenimierandoholona izany avy eo, saingy izao nahemotra tamin’ity taona ity rehefa tsy nandinika  izany lalina ireo loholona teo aloha.   Andrasana ny hevitr’ireo loholona momba azy io amin’ny 22 jona izao.Anisan’ny hanamarika izao fotoam-pivoriana izao koa ny tolo-dalàna avy amin’ny depioten’Ampanihy Andrefana, i Idealson.  Hiverenana hodinihin’ireo loholona indray ny 21 jona izao izany satria nahemotra raha efa tokony nolaniana teo aloha.Loza mitatao amin’ny ady atao amin’ny kolikolyMisongadina amin’izany ny fanesorana ny andinin-dalàna momba ny heloka ara-toekarena sy ara-bola, ny fanagiazana mialohan’ny fanamelohana ny harena ahina ho azo tamin’ny kolikoly sy fandikan-dalàna, ny fampihenana ho telo taona ny fe-potoana hiasan’ny mpiraki-draharaha sy ny mpitsara eo anivon’ny Pac raha efa-taona ny voalazan’ny lalàna. « Loza mitatao manoloana ny ady amin’ny kolikoly io raha lanian’ireo parlemantera amin’izao endriny izao », hoy ny filohan’ny CSI, Rabenarivo Sahondra tamin’ny fanehoan-keviny tamin’izany. Nanterin’ireo rafitra miady amin’ny kolikoly fa ho voakitika koa ny Bianco ary zary lasa manamaivana ny ady atao amin’io kolikoly io…Andrasana ny mety ho hevitr’ireo loholona momba izany rehetra izany.Synèse R.L’article Tolo-dalàna etsy Anosikely: hiverina hiaka-dapa ny toaka gasy sy ny momba ny Pac a été récupéré chez Newsmada.

Hetsiky ny polisin’ny Sag…: jiolahy telo nahatrarana gony feno entan-dakozia
17/06/2021

Noraisim-potsiny! Manamafy ny hetsika efa fanaony ny polisy miasa ao amin’ny Sag Anosy amin’ny fisafoana ireo faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana, toy ny eny Anosibe sy eny Tsarasaotra. Afakomaly tokony ho tamin’ny 3 ora maraina teo amin’ny faritr’i Paraky Tsarasaotra, nahatsikaritra telo lahy ny polisy. Somary nampiahiahy anefa ny fihetsik’izy ireo niaraka amin’ny gony be ka niroso amin’ny fisavana azy ireo ny polisy. Nandritra izany no nahitan’ny polisy “barre à pince”, varavarana aliminioma roa, baramina ary fitaovana fampiasa an-dakozia, famantaranandro fametaka amin’ny rindrina, natao tanaty gony avokoa ireto entana halatra ireto. Nentina nanaovana fanadihadiana avy hatrany ry zalahy ka talin’izany ny nilazan’izy ireo fa entana vao avy nangalarina sy varavarana tamina trano iray tsy lavitra ity novakin-dry zalahy ity ilay varavarana aliminioma io. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana nataon’ny polisy ary efa ela ny nanaovany ity asa ratsy ity. J.CL’article Hetsiky ny polisin’ny Sag…: jiolahy telo nahatrarana gony feno entan-dakozia a été récupéré chez Newsmada.

Rajoelina au « Kianja Barea » : Le stade de l’unité et de la fierté nationale
16/06/2021

Le numéro Un malgache au milieu des Barea, hier. Andry Rajoelina. Après l’inauguration des « kianja manara-penitra » de Mahitsy et d’Ambohidratrimo, le numéro Un du pays est redescendu sur le terrain, hier, en visitant le stade Barea à Mahamasina. 40 211 places. C’est la capacité d’accueil du Kianja. A raison de 16 035 en tribune et 24 176 places pour les gradins. Des sièges numérotés pour ce stade, aux normes FIFA, doté de 6 portails d’accès dont un portail d’entrée pour les VIP, les officiels et les équipes. Les sociétaires des Barea conduits par le coach Eric Rabesandratana en ont eu un avant-goût hier avec l’ancien candidat numéro 13 devenu depuis numéro 1 du pays. Le président Andry Rajoelina a exprimé son « satisfecit » lors de cette visite qui constituait une sorte d’avant-première. Clou de l’installation. En effet, l’inauguration de ce « zava-bita » aura lieu ultérieurement lorsque tout sera fonctionnel. Entre autres et non des moindres, les locaux VIP avec salon, salles de repos, loges et chambres d’hôtel. « Pour leur préparation d’avant-match, les joueurs des Barea logeront dans cet hôtel qui constitue le clou de l’installation », fait remarquer le président. En ajoutant qu’en plus du terrain principal en pelouse naturelle, il y aura un terrain d’entraînement en pelouse synthétique. Sans oublier les 4 projecteurs et les 2 écrans géants, mais aussi les aménagements extérieurs composés de 9 terrains annexes de basket-ball, 1 boulodrome de 8 terrains, 4 espaces verts et espaces publics, et 1 espace public. Gagnant-gagnant. Du point de vue économique, la construction du stade a généré la création de plusieurs centaines d’emplois locaux par mois durant la durée des travaux. Sans compter les achats sur place des matériaux pour les gros œuvres ainsi que les travaux de sous-traitance avec des partenaires locaux. En somme, c’est le cas de le dire, le stade Barea illustre la coopération gagnant-gagnant entre la Chine et Madagascar. Le président Andry Rajoelina d’ajouter que « d’autres retombées économiques sont attendues avec le centre commercial qui sera installé sous les gradins avec plusieurs boutiques d’habillement, d’électroménager, de téléphonie… et un food court avec une dizaine de restaurants ».  Leadership. Sur le plan politique et sportif, le stade est le symbole de l’unité et de la fierté nationales. A l’image des Barea, une sélection nationale qui réunit tout le pays. Le fait que le stade ait été financé sur fonds propres de la Grande Île, est un motif de fierté pour les Malgaches trop longtemps habitués à l’approche donateur-bénéficiaire. Pour le régime en place, ce « zava-bita » est un exemple de leadership politique et de gouvernance publique malgré la pandémie de Covid-19 qui a impacté le paysage politique, économique et social. Le retard occasionné par la crise sanitaire nous incite à travailler et à aller « dix fois plus vite », dixit le TGV. Au risque pour ceux qui n’arrivent pas à suivre son rythme, d’être laissés sur le quai ou de descendre au prochain arrêt. RO L’article Rajoelina au « Kianja Barea » : Le stade de l’unité et de la fierté nationale est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Rajoelina au « Kianja Barea » : Le stade de l’unité et de la fierté nationale a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Kitra «Orange Pro league» : mitarika hatrany ny AS Adema
19/06/2021

Tsara fiditra ny AS Adema Analamanga, teo amin’ny lalao miverina hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Orange pro league”. Izy irery mantsy ny hany ekipa nahazo fandresena.Ny AS Adema no hany ekipa tokana nahazo fandresena teo amin’ny andro voalohany amin’ny lalao miverina hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Orange pro league”. Fihaonana notanterahina omaly teny amin’ny kianja Vontovorona. Lavon’ny Adema, tamin’ny isa mazava 2 no ho 0 ny Five FC. Baolina tafiditr’i Onja, teo amin’ny minitra faha-57 sy ny an’i Aina tany amin’ny minitra faha-77. Nandiso fanantenana ireo mpijery ny lalaon’ny roa tonta. Noheverina fa hanohitra ny ekipan’Ivato ry zareo avy ao amin’ny firaisana fahadimy, saingy mbola manana ny fahaiza-manao ireo mpilalaon’Ivato. Teo amin’ny fizaram-potoana voalohany ihany ny hany mba nahatosika ny Five FC. Fizaram-potoana faharoa, nahay namezivezy baolina ry Eric sy i Fabien niaraka tamin’i Bamainty. Tetsy an-kilany, niezaka nandrindra ny fanafihany ihany ry Veve sy Racool ary i Bance, fa tsy tafavoaka. Teo amin’ny fihaonana faharoa, nisaraka ady sahala 1 sy 1 ny Cosfa (Bebaoty) sy ny Ajesaia. Efa nitarika tamin’ny isa ny Bebaoty, tamin’ny alalan’ny baolina tafiditr’i Baco, teo amin’ny minitra faha-21 no nosahalain’i Ando, tany amin’ny minitra faha-78. Mitarika vonjimaika aloha izany ny AS Adema, manana isa 9, arahin’ny Cosfa sy ny Ajesaia, samy nahazo isa 6 ary ny Five FC, isa 3. Hitohy ny alatsinainy 21 jona ny fihaonana ka hifanehatra ny Cosfa sy ny AS Adema ary ny Ajesaia sy ny Five FC.TompondakaL’article Kitra «Orange Pro league» : mitarika hatrany ny AS Adema a été récupéré chez Newsmada.

Fanomanana ny fetin’ny ray: lafo vidy ireo karazana fanomezana
19/06/2021

Natokana ho an’ireo raim-pianakaviana ny andro ra­hampitso. Somebiseby ny ankohonana manomana ny fanomezana ho an’i Dada, ilay lohan’ny fianakaviana. Samy miezaka manao do­kambarotra ireo karazana fanomezana ho an’ny lehi­lahy ireo mpivarotra. Ny tsikaritra, lafo kokoa ny entana natokana ho an’ny lehilahy ary sarotra safidiana mitaha amin’ny an’ny vehivavy satria vitsy ny safidy. Hany ka sahiran-tsaina ny ankohonana misafidy izay hatolotra mba hahafaly azy. Ankoatra ny pataloha, lobaka, kiraro ary fehin-tenda, azo atolotra ho an’ny ray ihany koa ny karazana famantaranandro lamaody, fehikibo, fehitanana, kitapo fitondra miasa izay efa maro hisafidianana izy ireny, in­drindra ny vita malagasy tsara kalitao… Ankoatra izany ny poketra fitoeram-bola, fitoerana lakilen’ny fiara misy ny anarany. Fa anisan’ny be mpitia koa ny ranomanitra an-dehilahy, izay tena lafo vidy anefa ireo vitsy mpanana. Na izany aza, hita ho difotry ny kilalao sy harendrina ho an’ny fetin’ny fahaleovantena malagasy ny tolotra sy ny fanomezana ho an’ny raim-pianakaviana eny an-tsena.Tatiana AL’article Fanomanana ny fetin’ny ray: lafo vidy ireo karazana fanomezana a été récupéré chez Newsmada.

Hydroélectricité : Mise en œuvre opérationnelle de la centrale de Volobe reportée à 2025
15/06/2021

Les représentants de la CGHV, reçus par le vice-président du Sénat, Imbiki Herilaza, pour discuter du projet de développement de la centrale hydroélectrique à Volobe. L’Etat s’engage davantage à un partenariat gagnant-gagnant, pour le développement des sources d’énergies renouvelables, selon le vice-président du Sénat, Imbiky Herilaza. Cependant, pour le projet Volobe, un retard est enregistré au niveau des procédures. 7 800 MWh d’hydroélectricité. C’est le potentiel dont dispose Madagascar et sur lequel, l’Etat veut miser pour résoudre les problèmes d’accès à l’électricité. En effet, ce ne sont pas les opportunités qui manquent, compte tenu des 2 800 heures d’ensoleillement par an, traduisant une production possible de 1 500 KWh d’énergie solaire par mètre carré ; ou encore les 2 000 MW de potentiel en énergie éolienne dans le nord et dans le sud du pays. Parmi les projets ambitieux de production d’électricité figure le développement de l’aménagement hydroélectrique de Volobe, qui fait partie des projets prioritaires présidentiels d’envergure pour la transition du pays vers une énergie renouvelable et modulable. « Avec sa capacité de production de 750 GWh/an, environ 40 % de la production annuelle nationale, elle permettra l’accès à une électricité compétitive, fiable et en quantité, à près de deux millions de Malgaches. Par conséquent, ce projet soutiendra et deviendra le moteur de la croissance économique de l’île et en premier lieu du premier port de Madagascar, à Toamasina », ont communiqué les représentants du CGHV, dans le cadre d’une visite de courtoisie, auprès d’Imbiki Herilaza, vice-président du Sénat pour les provinces du nord de Madagascar, le vendredi 11 juin dernier. Retard. A noter que CGHV (Compagnie Générale d’Hydroélectricité de Volobe) est un consortium d’entreprises actionnaires – composé de Jovena Madagascar, du groupe Axian SN Power, Africa 50 et Colas Madagascar – créée pour le développement du projet de Volobe. Selon ses représentants, les projets de l’accord de concession et du PPA sont prêts depuis 2020 mais la pandémie de Covid-19 a ralenti le processus de prise de décision. De ce fait, la mise en service opérationnelle de la centrale, prévue initialement en 2023, est désormais reportée à 2025. Comme motif, la CGHV a cité le faible progrès dans le processus pour la signature du Contrat de Concession et du Contrat d’Achat d’Électricité. Lors de la rencontre, le vice-président du Sénat a noté qu’il est convaincu par les valeurs ajoutées socio- économiques du projet, tout en soulignant l’importance d’un partenariat basé sur les intérêts mutuels de toutes les parties prenantes. « Pour assurer la viabilité d’un projet inclusif comme Volobe en amont, le respect de cet équilibre est crucial », a-t-il soutenu. Certes, promouvoir la transition énergétique répondant aux besoins de notre pays reste l’un des défis de l’Etat, en partenariat avec les parties prenantes. Selon la CGHV, la concrétisation du projet Volobe permettra à Madagascar de rentrer pleinement au cœur de la transition énergétique et s’appuie sur une ingénierie de pointe permettant d’atteindre un coût du kilowattheure compétitif et durable à Madagascar. Antsa R. L’article Hydroélectricité : Mise en œuvre opérationnelle de la centrale de Volobe reportée à 2025 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Hydroélectricité : Mise en œuvre opérationnelle de la centrale de Volobe reportée à 2025 a été récupéré chez Midi Madagasikara.