Tenisy – “Roland Garros”: hidona amin’ilay Sinoa, i Wang, i Tessah

News - Tenisy – “Roland Garros”: hidona amin’ilay Sinoa, i Wang, i Tessah

News - Tenisy – “Roland Garros”: hidona amin’ilay Sinoa, i Wang, i Tessah

Mitohy anio ny fifaninanana,
hiadiana ny “Roland Garros”, taranja tenisy, ho an’Andrianjafitrimo
Tessah. Hiditra eo amin’ny fihodinana faharoa izy ka hidona
amin’ily teratany sinoa, i Xinyu Wang, amin’izany. Ambony ny
filaharan’ity mpifanandrina aminy ity satria faha-145 maneran-tany.
Vao 18 taona monja ity Sinoa ity ary indroa nandray anjara tamin’ny
“Crand chelem” dia ny “Australian open”, ny taona 2018, sy ny
“Wimbledon”, ny taona 2019. Resy teo amin’ny fihodinana voalohany
avokoa izy tamin’izany, ary sambany tamin’ity vao tafita amin’ny
fihodinana faharoa.

Ho mafimafy, araka izany, ny
miandry an’i Tessah satria mpilalao efa manana traikefa ny
hikatroka aminy. Heverina kosa fa tsy maintsy hanohitra hatramin’ny
farany ny tovovavy amin’izany. Tsiahivina fa ilay Espaniola, i
Nuria Parrizas Dias, no resin’i Tessah teo amin’ny fihodinana
voalohany raha nahalavo ilay Amerikanina, i Robin Anderson, kosa ny
an’i Xinyu Wang.

Ankoatra izay, nifarana teo amin’ny
fihodinana voalohany ny dian’i Irina Ramialison. Niondrika teo
anatrehan’ilay Aostralianina, i Astra Sharma, tamin’ny seta 2 no ho
0 (6/4; 6/4), izy. Hikatroka amin’ilay Japonezy, i Yuki Naito, izay
nandresy ilay Frantsay, i Amandine Hesse, i Sharma, eo amin’ny
dingana manaraka. Tsiahivina fa fifanintsanana hidirana ao anaty
tabilao lehibe izy ity, izay hifarana rahampitso zoma. Ny
alatsinainy 28 septambra kosa vao tena hanomboka ny lalao.

 

Torcelin

Article tiré de Newsmada

L’article Tenisy – “Roland Garros”: hidona amin’ilay Sinoa, i Wang, i Tessah a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 24/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Basket – Fanomanantena: lavon’ny Asa sy Mb2all U-18 lehilahy ny ekipa vehivavy

 Efa ao anatin’ny fanomanantena tanteraka amin’izao fotoana izao ny ekipam-pirenena lahy sy vavy , hiatrika ny lalaon’ny Nosy 2019. Samy niatrika lalao ara-pirahalahiana miendrika fitsapana avokoa na ny lehilahy na ny ekipam-pirenena vehivavy, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Ho an’ity farany, ekipa lehilahy avokoa no nampanaovina taminy, izay voalazan’ireo teknisiana fa ny hahafahan’ireto mpilalao vehivavy ireto, tena hamoaka ny fahaiza-manaony no antony. Na dia resy aza izy ireo dia tsorina fa tsy nitsanga-menatra ary dia elanelan’isa kely no nahazoan’ireo mpifanandrina taminy ny fandresena tamin’zany. Teo amin’ny lalao voalohany, tamin’ny isa 66 no ho 64 no nandresen’ny klioban’ny Asa azy ireo, izay tena nifandanja ary saika tsy naharesy azy ireo mihitsy aza ireto tanora lahy vao erotrerony ireto nandritra izany. Teo amin’ny fihaonana faharoa kosa, tamin’ny isa 65 no ho 63 no nandavoan’ny Mb2all an’ity ekipam-pirenena vehivavy ity. Niady koa ny lalao ary tena nanohitra hatramin’ny farany mihitsy izy ireo ka hita ho sahirana ny Mb2all sokajy latsaky ny 18 taona zazalahy vao nahita fandresena. Mahakasika manokana ity ekipam-pirenena vehivavy ity hatrany, raha tsy misy ny fiovana, amin’ny alakamisy 5 jolay izao no higadona eto an-tanindrazana i Ange, hanatevin-daharana ity ekipam-pirenena ity, izay tsiahivina fa mila ravinahitra any frantsa any. Mi.RazL’article Basket – Fanomanantena: lavon’ny Asa sy Mb2all U-18 lehilahy ny ekipa vehivavy a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Telo mianadahy tra-tehaka teo am-panamboarana vola sandoka

Noraisim-potsiny teo ampanamboarana vola sandoka, tany Antsirabe ireo olona telo, nahitana lehilahy roa sy vehivavy iray, mitonona ho mpiasan’ny Banky foibe, afak’omaly. Nanaovan’ny kaomandin’ny tobimparitry ny Zandarimaria (CB) velapandrika izy ireo. Ravin-taratasy efatra voadidy toy ny vola no narotsaka tao anaty ranona vovon-tsavony, avy eo lasa efatra alina ariary, no nifanarahan’ny zandary ka namandrihana azy telo. Hafainganan-tanana Avy tamin’ny angom-baovao azon’ny Zandarimaria any Antsirabe, tamin’ny 16 jolay lasa teo, no nahafantarana ny fisian’ireo olona mpanamboatra vola any an-toerana. Vehivavy iray no tafahaona tamin’ ny lehiben’ny borigady. “Nolazainy fa misy mpiasan’ ny Banky foibe avy aty Antananarivo afaka manamboatra vola taratasy. Akora hafa no ampiarahana aminy ka rehefa sasana miaraka ireo zavatra ireo no mamoaka vola iray alina ariary na roa alina ariary tena izy”, hoy ny loharanom-baovao any Antsirabe. Nifandray an-tariby sady nifanaraka ny handoa vola folo tapitrisa ariary mba hahazoana vola avy namboarina mitentina 30 tapitrisa ariary tamin’ireo olona nitonona ho mpiasan’ny Banky foibe ny lehiben’ny zandary. Natao, ny andron’ny 18 jolay, ny andrana sy fifanakalozana tao amin’ny trano fandriam-bahiny iray eny Ambavahadimangatsiaka. Tonga tao tokoa ny lehilahy roa sy vehivavy iray nitondra ravintaratasy voadidy toy ny vola iray alina ariary, izay voafono tamin’ny taratasy vy fotsy sy akora hafa. Nasain’izy ireo nitondra vovontsavony sy fanindrona ilay lehiben’ny zandary. Niaraka tamin’ny fandrebirebena samihafa ny hakingan-tanana nataon’ ireto mpanao vola sandoka, ka namoahan’izy ireo vola taratasy roa alina miisa efatra, taorian’izay. Efa fantatra mialoha anefa ny teti-dratsin’ireto telo mianadahy ireto ka niditra mora sy nisambotra azy ireo ny ekipan’ny Zandarimaria any Antsirabe, rehefa vita ny fandre-bireben’izy ireo. Mandeha ny famotorana azy telo, amin’izao fotoana izao. L’article Telo mianadahy tra-tehaka teo am-panamboarana vola sandoka est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Misy ny drafitrasa iadiana amin’ny tohitra ody ainabitika: olona 700 000 maty noho ny tsy fahombiazan’ny fanafody

Anisan’ny antony mitarika ny tsy fandairan’ny fanafody ampiasaina amin’ny aretina azo avy amin’ny otrikaretina ny fampiasana karazana fanafody tsy araka ny tokony ho izy, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra voalohany ao amin’ny HJRB, ny profesora Randria Mamy, teny Anosy. Ohatra amin’izany ny antibiotika hohanin’ny olona marary iray tsy avy amin’ny mpitsabo fa manao dokotera tena ao an-trano. Mety tsy ho ampy ny fatra sy ny faharetan’ny fihinanana izany ka lasa tsy mandaitra amin’ny vatan’ilay olona intsony. Misy koa ny karazan’aretina (toy ny gripa…) tsy ilaina akory ny fampiasana antibiotika.Ampiasain’ny mpiompy sasany hitsaboana na hanatavezana ny biby fiompy ny antibiotika ka mifindra amin’ny hena. Aty aoriana, lasa manao fanoherana ilay fanafody nomena ny biby fiompy ny olona mihinana ilay hena voapoizina.Tokony hanatona mpitsabo Eo koa ny fanafody tsy manaraka ny fenitra amidy eny rehetra ireny ka mitera-doza ho an’izay mampiasa azy ary ireo fampiasana fanafody famonoana bibikely amin’ny voly sy ny biby fiompy. Rehefa tsy mandaitra intsony ny fanafody hitsaboana ny aretina iray satria manao fanoherana ny vatan’ilay marary, mety hitarika amin’ny fahafatesana. Isan-taona, 700 000 maneran-tany ny olona mamoy ny ainy noho ny tohitra ody ainabitika ary tombanana ho tafakatra 10 tapitrisa ny tarehimarika ny taona 2050, hoy ny minisitry ny Fahasalamana, profesora Rakotonirina Julio. Napetraka ny vovonana ahitana ny teknisianina avy amin’ny minisitera voakasika (fahasalamana, fambolena ary ny tontolo iainana) sy ny mpanohana teknika (OMS, FAO) hanantanteraka ny drafitrasam-pirenena iadiana amin’ny tohitra ody ainabitika. 13 tapitrisa dolara mahery ny sorabola hatokana hanaovana ny asa hatramin’ny taona 2023. Ezaka lehibe ny fanaraha-maso ny fivarotana fanafody tsy manaraka ny fenitra sy ny fanentanana ny mponina tsy hihinana fanafody raha tsy nahazo toromarika avy any amin’ny mpitsabo. Natao teny Anosy ny fanokafana ireo dingana hoentina hiady amin’ny tohitra ody ainabitika.Vonjy A. L’article Misy ny drafitrasa iadiana amin’ny tohitra ody ainabitika: olona 700 000 maty noho ny tsy fahombiazan’ny fanafody a été récupéré chez Newsmada.

Cinéma - News - People - séries

Grey’s Anatomy : mpilalao iray nanambady

Raha ireo olona lalaovina ao amin'ilay sérieo Grey's Anatomy io no sahirana amin'ny fitadiavana ny fitiavana, dia tsy izany no zava-mitranga ho an'ireo mpilalao azy. Mpilalao sarimihetsika iray ao amin'io série izao no nanao "eny" amin'ilay silaky ny ainy. Nisy tokoa ny fifankatiavana teo amin'ny série Grey's Anatomy, satria ny mpilalao iray ao amin'ny sarimihetsika izay noforonon'i Shonda Rhimes dia nanambady ny andefomandriny. I Chris Carmack izany alias Atticus Lincoln. 37 taona izy io ary efa hita teo amin'ny série maro hafa toy ny "Desperate Housewives" ka nilalao an'i Tim izy tao. Nilalao tao amin'i série "Les Experts : Miami" tamin'ny 2007 ihany koa izy. Roa taona taty aoriana dia nilalao tao amin'ny "Drop Dead Diva" izy. Raha teo amin'ny asany dia betsaka ny tetikasan'i Chris Carmack. Io mpilalao sarimihetsika io dia sambatra eo amin'ny fitiavana. Ny 20 oktobra teo, dia nizara sary anankiroa ny mariaziny sy i Erin Slaver ny olona niaraka aminy taona maro. Nahazo zazavavy izy ireo tamin'ny 30 Aogositra 2016. Surnommé « Le Dieu de l’ortho », le personnage de Link est devenu incontournable dans la quinzième saison inédite de Grey’s Anatomy. En tant que chirurgien orthopédique, il est aussi indispensable pour le bon fonctionnement du Grey Sloan Memorial Hospital. Un nouveau personnage qui bouleverse aussi le quotidien de l’héroïne Meredith Grey jouée par Ellen Pompeo. Retenez donc bien le nom de Chris Carmack. Il devrait surprendre les téléspectateurs ! Nantsoina hoe "Le Dieu de l'ortho", Link ilay olona nolalaoviny dia tena tsy azo nihodivirana tao amin'ilay saison 15 an'i Grey's Anatomy. Ankoatran'ny maha "chirurgien orthopédique" azy dia nilaina tokoa izy ny amin'ny fandehanan'i Grey Sloan Memorial Hospital. I Link dia nampisavoaravoara ny andrompianan'i Meredith Grey izay lalaovin'i Ellen Pompeo. Tadidio tsara ary ny anaran'i Chris Carmack.

News - News Mada

Tsy fanjarian-tsakafo any atsimo: nanome 2,5 tapitrisa dolara ny Amerikanina

Mampanahy ny fanjakana amerikanina ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika any atsimo. Nanolotra 2,5 tapitrisa dolara izy ireo, omaly, hampiasain’ny Unicef sy ny Pam hikarakarana ny zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo.Nisy fanadihadiana natao ny volana avrily lasa teo nahafahana naminavina fa zaza maherin’ny 119 000 ny ho voan’ny tsy fanjarian-tsakafo ka19 000 amin’izy ireo ny ho tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika any amin’ny distrika enina any atsimo, amin’ity taona ity. Mitarika ny fahafatesan’ny 44%-n’ireo zaza latsaky ny 5 taona eto Madagasikara ny tsy fanjarian-tsakafo. Vokatry ny tsy fahampian’ny rotsak’orana, sahirana amin’ny fiahiana sakafo ny mponina any atsimo. “Manahy mafy izahay noho ny tsy fanjarian-tsakafo ateraky ny haintany, loza manambana any atsimon’i Madagasikara”, hoy ny masoivoho amerikanina miasa eto amintsika, i Michael P. Pelletier. Nanolotra vola mitentina 2,5 tapitrisa dolara hamatsiana ireo fandaharanasan’ny Unicef sy Pam mandra-pahatapitry ny fotoan’ny maitsoahitra ny governemanta amerikanina, omaly.Ahafahan’ny zaza 64 000 tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo fitsaboana vonjy aina ny tohana azo. Hampiasain’ny Unicef sy ny Pam ny famatsiam-bola hividianana sakafo vokatra eto an-toerana manana singa manokana mampatanjaka hanampiana ireo zaza latsaky 5 taona hahazo lanja haingana. Ho an’ny Unicef ny 1 tapitrisa dolara hitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika any amin’ny distrika valo: Ampanihy, i Bekily, i Betioky Atsimo, i Beloha, i Tsihombe, Amboasary, Ambovombe ary i Taolagnaro. Sakafo ara-pahasalamana be otrikaina ny hozarain’ny mpiasan’ny fahasalamana voaofana. Alefa eny amin’ny hopitaly ny zaza tsy nahazoana vokatra tsara hanaraka fitsaboana sy fikarakarana fanampiny. Ho an’ny Pam ny sora-bola mitentina 1,5 tapitrisa dolara hitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika antonony. Hahazo fanampin-tsakafo tonga dia vonona (RUSF), mahavelona sy mitondra hery ary misy vitamina sy mineraly, ny zaza tafiditra amin’ny sokajy. Efa ampiharina amin’ny distrikan’Amboasary, Ambovombe, Ampanihy ary i Bekily ny fandraisana an-tanana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika antonony.VonjyL’article Tsy fanjarian-tsakafo any atsimo: nanome 2,5 tapitrisa dolara ny Amerikanina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiaraha-miasa: horaisin’i Madagasikara ny fivorian’ireo rafitra miady amin’ny  kolikoly aty Afrika

Hatao eto amintsika amin’ny  taona ho avy ny fivoriamben’ny fikambanana miady amin’ny kolikoly aty amin’ny kaontintan’i Afrika  (AAACA). Nivoitra izany  tamin’ny fihaonan’ny filohan’ny fahefam-panjakana miady amin’ny kolikoly (ANLC) avy any Benin, i Jean Baptiste Elias sy  ny tale  jeneralin’ny Bianco, Andrianairina Laza  Eric, omaly teny Ambohibao. Niatrika izany  koa ny avy  amin’ireo rafitra miady amin’ny kolikoly  eto amintsika. Eo  ny  Komitin’ny fahitsiana  (CSI) sy  ny Samifin ary ny Pac.  Voaresaka  ny fifanakalozana  traikefa sy ny   fametrahana  ny  paikady amin’ny ady atao  amin’ny  kolikoly.   Tafiditra amin’ny fiaraha-miasan’ny samy tatsimo izany.  Teo  koa  ny fanazavana ny fomba fiasa samihafa amin’ny  fampiharana ny lalàna sy  ny fisorohana. Voatanisa ny  nananganana ny Pac, ny lalàna amin’ny fanagiazana  ireo harena  na vola azo  tamin’ny fomba tsy ara-dalàna.  Ny ady atao amin’ny famotsiam-bola  sy  ny  famatsiam-bola amin’ny asa fampihorohoroana…Synèse  R. L’article Fiaraha-miasa: horaisin’i Madagasikara ny fivorian’ireo rafitra miady amin’ny  kolikoly aty Afrika a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ady totohondry: nahazo medaly miisa telo ny mpikatroka malagasy

Anisan’ireo taranja tsy niveri-maina ny ady totohondry satria nandrombaka medaly volamena  ihany koa. Nampitolagaga ny nanatrika ny zava-bitan’ireo mpikatroka malagasy.Nihofahofa indray ny saina sy ny hiram-pirenena malagasy, omaly, taty amin’ny Centre national Vacoas, Maorisy, ho an’ny taranja ady totohondry. Nandrombaka medaly volamena indray mantsy ny atletantsika, teo amin’ny latsaky ny 52 kilao, satria lavon’i Marco Jérôme, tamin’ny alalan’ny KO, teo amin’ny fidirana faharoa, ilay Maorisianina, i Bactora Gilbert. Niady ny fihaonan’izy mirahalahy ireto, nanampy tosika mafy ity solontenany ity ireo mpijery sy mpanohana ny tompon-trano, saingy tsy nampihetsi-bolo sy nampitahotra an’i Marco Jérôme izany fa vao mainka nanome hery azy aza. Vao nanomboka kely ny fidirana faharoa, nanomboka nivoa-dri teo amin’ny tatamason’ity Maorisiana ity, rehefa voan’ny totohondry nipetapetaka teny amin’ny tarehiny. Nifehy ny ady, nanomboka teo, i Marco ary tsy namelany raha tsy nianjera tamin’ny tany ny mpifanandrina taminy. Natsahatry ny mpitsara ny ady rehefa avy nisaina ilay Maorisianina ka nambara fa tompondaka ny Malagasy. Ankilany, nanao ny tsy nambinina ihany i Heriniaina Nomenjanahary (48kg), izay lavona teratany maorisianina, i Beedasse, teo amin’ny lalao famaranana. Na izany aza, mendrika ny zava-bitan’ity Malagasy ity, izay somary betsaka ihany ny tsindry nahazo azy nanoloana ireo mijery nihorakoraka sy ny fanapahan-kevitry ny mpitsara. Miarintsoa.Raz L’article Ady totohondry: nahazo medaly miisa telo ny mpikatroka malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanahiana valanaretina: mitobaka ny fako  noho  ny fahatapahan-dalana

Mitoby ny fako eny amin’ny boriborintany fahenina. Antony nambaran’ny avy ao amin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo ny fahatapahan’ny lalana ka tsy hahafahan’ny kamiao mpaka fako miditra.Anisan’ny tena lasibatra amin’ny fitobian’ny fako ny eny Ambatolampy Antehiroka. Efa amam-bolana no tsy nisy kamiao naka fako teny an-toerana. Miparitaka mibahan-dalana ary mamofona ratsy eran’ny tanàna ny fakobe. Ampahan-dalana kely sisa no azon’ny fiara alefa.Mihafihafy ny mpandeha an-tongotra. Tsy vitan’izany fa lasa manangon-drano amin’ny arabe izany fako izany satria manototra ny lakandrano tokony handehanan’ny rano maloto.Hamahana ny olan’ny fifamoivoizana ao amin’ny boriborintany VI, eo Ambodivonkely. Nandray an-tanana ny fanamboarana ny ampahan-dalana eo an-toerana ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ao anatin’ny tetikasa lalankely. Ezahana hatao rarivato izany, araka ny fanazavan’ny lefitry ny delegen’ny Boriborintany faha-6, Randrianantoandro Sitraka. Misy ny fitaovana vaovao ampiasaina vao novidian’ny boriborintany anaovana izao lalana izao, ny ekipa teknika avy amin’ny boriborintany fahenina no manatanteraka ny asa. Mamaha amin’ny ampahany ny fitohanan’ny fifamoivozana eny Ambohimanarina sy ny manodidina ny fahavitan’ity ampahan-dalana ity, izay ahafahan’ny fiara manao hintsin-dalana, hoy ny fanazavana nomen’ny solontenan’ny mponina Ambodivonkely Ambohimanarina.Tatiana AL’article Fanahiana valanaretina: mitobaka ny fako  noho  ny fahatapahan-dalana a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fepetra manokana amin’ny fanadinana :: Afaka miatrika ny Cepe any amin’ ny faritra mahataraiky azy ny mpiadina

Nandray fepetra ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana Cepe, taraiky any amin’ny faritra noho ny tsy mbola fisokafan’ny lalana, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (MEN). Afaka mandray anjara any amin’ny toerana misy azy ireo mpianatra ireo. Efa vita kosa ny fanapariahana ny laza adina sy ireo kojakoja ara-pahasalamana rehetra ho an’ireo faritra isanisany. Azo atao koa ny maka ny taratasy fiantsoana na amin’ny andron’ny fanadinana aza, ho an’ireo tsy mbola naka izany. Mizotra an-tsakany sy an-davany ny fiomanana rehetra ary vonona hiatrika ny fanadinana ny Fari-piadidiampampianarana sy ny foibempanadinana rehetra. « Omena alalana hahazo hiadina any amin’ny toeram-panadinana akaiky azy ireo mpiadina tavela any amin’ny faritra hafa, saingy tokony hampiseho ny dika mitovy amin’ny taratasy fiantsoana tany amin’ny toerana nisoratany anarana », hoy Raoniherijaona Andriamiakatsilavo, tale jeneraly misahana ny pedagôjia ao amin’ny MEN. Mila manatona ny Fari-piadidiam-pampianarana na Cisco na ny foibem-panadinana kosa ireo manana olana amin’ny taratasy fiantsoana. Efa vita ny famendrahana ranompanafody avokoa ireo foibem-panadinana sy ny efitrano. Anio no afaka mijery ny efitranom-panadinana ireo mpiadina. L’article Fepetra manokana amin’ny fanadinana :: Afaka miatrika ny Cepe any amin’ ny faritra mahataraiky azy ny mpiadina est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Filoha Rajoelina: “Laharam-pahamehana ny fandriampahalemana”

“Famerenana sy fametrahana ny fandriampahalemana eto amin’ny tany sy ny firenena. Izay ihany ny antoka ahafahantsika manatanteraka ny asa fampandrosoana ”, hoy ny kabarin’ny filoha Rajoelina tany amin’ny Akademia miaramila Antsirabe (Acmil), omaly nandritra ny lanonana famoahana ny “Fandresena 2019”. Naneho ny fahavononany  ny filoha hanampy hahamendrika hatrany ny Akademia miaramila satria hisahana andraikitra ambony ireo manamboninahitra mivoaka ao. Naneho fankasitrahana manokana ny filoha Rajoelina kosa ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Léon Richard, tamin’ny ezaka nataony tamin’ny fampitaovana ary efa hita fa mihena ny tsy fandriampahalemana any amin’ny faritra sasany. Afaka miatrika ny fivelomany ny mponina.Marihina fa nivoaka tamin’izany ny andiany mivantana faha-40 nitondra ny anaran’ny “Général de brigade Andranaivo Raymond”, ahitana manamboninahitra miisa 55 ka vehivavy ny enina amin’izy ireo nandritra ny “Fandresena 2019”. Notsofin-drano ara-miaramila ireo andiany mivantana faha-42 sy ny famindrana sabatra tamin’ny andiany faha-41. Teo koa ny andiany iraisam-piadiana faha-21 “Andraina”. Ankoatra izany,  notokanana ny efitrano filanonana “Farimbona” sy ny “sale d’honneur” ary ny trano famakiam-bokin’ny  Acmil.J.C L’article Filoha Rajoelina: “Laharam-pahamehana ny fandriampahalemana” a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

Loza mitatao :: Mamerina miantso vonjy ny mponina eny Ampasamadinika
27/10/2020

Mitaky ny hamerenana amin’ ny laoniny amin’ny fotoana faran’ izay haingana ny faritra nihotsaka eny Ampasamadinika ny mponina eny an-toerana. Efa andro maro no notataovandoza ireo fianakaviana maro lasibatr’ity tranga ity saingy tsy mbola nanomboka, hatramin’ny omaly, ny asa fanarenana sy fanamboarana an’ilay lavaka mangotanatana eo amin’ny faritra fivezivezen’izy ireo. Tsy mety voavaly ara-dalàna sy ara-drariny ny antso vonjy ataon’ny mponina. Nametraka sora-baventy ho fanairana an’ireo tompon’ andraikitra sy manampahefana isan’ambaratongany ny mponina, tamin’ny faran’ny herinandro. Tahotra andro aman’alina amin’ny loza mety haterak’ity fihotsahan-tany ity no iainan’izy ireo satria zara fa nosaronana labasy fotsiny ny faritra mihotsaka. Tsy nisy tohiny ny fe-potoana fanarenana ny simba nomen’ny kaominina Antananarivo renivohitra tamin’ny tompon’ny tany, izay voalaza fa fototry ny fihotsahana. Fijerena ny lafiny teknika “Olona mitaona fasika sy vato kely no mifamezivezy ety, andro vitsivitsy izay, kanefa tsy misy asa mandeha akory. Tsy hahatazona ny tany mihitsy io labasy io raha sanatria ka ho avy be indray ny orana. Trano ampolony no tandindonin-doza ety. Manginy fotsiny ny fahasahiranana amin’ny lalana ifamezivezena. Miantso ny kaominina izahay amin’ny fanairana mafy an’ilay tompon’antoka izahay, sao hitera- doza ho anay ny mety fitaran’ ny fahasimbana”, hoy ny raim-pianakaviana monina, eny Ampasamadinika. Nambaran-dRasamoelimihamina Niry, talen’ny fanajariana ny tanàn-dehibe ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA), fa efa noterena hanao ny asa ilay olona mba hiarovana ny toerana ao anatin’ny fotoana fohy. “Efa nosaronany aloha ny toerana. An-dalam-pandinihana ny fanatanterahana ny asa izy ireo, amin’izao fotoana izao, satria tsy afaka tonga dia hatao amin’izao. Misy lafiny teknika tsy maintsy jerena mikasika ny zavatra sao sanatria hisy olana indray”, araka ny fanampimpanazavany. L’article Loza mitatao :: Mamerina miantso vonjy ny mponina eny Ampasamadinika est apparu en premier sur AoRaha.

Fotodrafitrasan’ny rano: mahomby ny fitantanan’ny tsy miankina
28/10/2020

 Nanomboka omaly ny atrikasa tanterahin’ny minisiteran’ny Rano sy ny fidiovana ary ny fanadiovana miaraka amin’ireo orinasa tsy miankina miantsehatra amin’ny rano atao etsy Ivandry. Haharitra telo andro ny fihaonana.Handinihana ny fomba hampidiram-bola amin’ny sehatry ny fitantanana ny rano eto Madagasikara ny atrikasa. Fanentanana ireo mpiara-miombon’antoka tsy miankina handray anjara amin’ny fitantanana madio sy mangarahara ny fotodrafitrasa momba ny rano sy fidiovana ihany koa.Nilaza ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Rano, Randriatsiferana Simon, fa mbola ambany ny tahan’ny fahazoana rano fisotro madio eto amintsika. Toy izany koa ny fisitrahan’ny Malagasy ny fahadiovana sy fidiovana, izay mifamatotra tanteraka amin’ny rano rahateo.Rehefa natao ny fandihadiana, tsy nahitam-bokany ny fotodrafitrasa momba ny rano sy fidiovana notantanin’ny fikambanana tsotra na ny kaominina. Porofon’izany ny vola vidin-drano lanin’ny mpiandry paompy ary mikatona ilay fotodrafitrasa avy ka lasa fatiantoka ho an’ny mponina sy ny tanàna ary vesatra ho an’ny fanjakana ny trosa avelan’izany avy eo.Eo koa ny fotodrafitrasan’ny fahadiovana izay lasa mitsipozipozy sy maloto satria ratsy tantana no nanaovan’ireo fikambanana sy kaominina azy.Tao anatin’ny 15 taona taty aoriana kosa, tsikaritra fa mateza kokoa ny fotodrafitrasa tantanan’ny otrinasa tsy miankina. Hentitra kokoa ny fitantanana tsy hita ny goragora ary mampanaja ny fepetra sy ny fandoavam-bola vidin-drano amin’ny mponina ireo mpitantana ny fotodrafitrasa eny ifotony.Izany indrindra no anton’ity atrikasa ity ary mbola hampandraisana anjara feno ny sehatra tsy miankina hatrany hanao famatsiam-bola amin’ny tontolon’ny rano sy fidovana ary fahadiovana.Tatiana AL’article Fotodrafitrasan’ny rano: mahomby ny fitantanan’ny tsy miankina a été récupéré chez Newsmada.

Tambavy CVO sy ATA: manana tahiry iatrehana ny filana ny Imra
23/10/2020

Afaka mampitombo ny hery fiarovana ny CVO ankoatra ny fitsaboana ny Covid-19 ampiasana azy eny amin’ny tobim-pahasalamana. “Tsy mamokatra CVO intsony ny Insititut malgache de recherches appliquées (Imra), amin’izao fotoana izao, fa ampy iatrehana ny filana ny tahiry ao amin’izy ireo”, hoy ny tale jeneraliny, ny dokotera Andrianjara Charles, omaly teny Avarabohitra Itaosy. Vonona sy ampy ny tahiry amin’ny CVO raha sanatria ka miverina miparitaka indray eto amintsika ny valanaretina Coronavirus. Tokony hanohy ny fiarovantena sy ny fiarovana ny ankohonany ny rehetra ary hanaja ny fepetra ara-pahasalamana. Mila ampiana tosika koa ny hery fiarovana ka mety ny fisotroana ny tambavy nohavaozina CVO ho an’ny olona mahazaka izany, araka ny fanazavany ihany. Ho an’ny sokajin’olona tsy mahazaka ny CVO, efa namokatra ny ATA ny Imra, samy novolavolaina iadiana amin’ny Covid-19 avokoa ireo. Mahomby amin’ny fitsaboana ny aretin’ny taovam-pisefoana ny ATA raha mahery vaika hanoherana ny tsimokaretina ny CVO. Hatreto, tsy nahitana fiantraikany hafa amin’ny vatan’ny olona mihinana azy ny ATA. Mety hampiakatra ny haavon’ny tosidra sy hahafanina eo amin’izay mampiasa azy kosa ny CVO, araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitsabo. Samy tsy voatondro hampiasa azy ireo kosa ny vehivavy mitondra vohoka sy ny mampinono. Tsy mety ho an’ny olona manana tosidra ambony sy ireo manana toe-tena diabetika tsy voaara-maso ny CVO. Efa notsinjaraina eny amin’ny toeram-pivarotana fanafody sy eny amin’ny tsena ireo vokatra roa ireo novolavolaina iadiana amin’ny Coronavirus.Momba ny vidin’ny CVO izay tafidina hatramin’ny 300 Ar ny tavoahangy iray eny amin’ny tsena, efa manakaiky ny fe-potoana ahazoana mampiasa ka nalefan’ny mpivarotra varoboba hisorohana ny fanariana azy fotsiny. Tsy misy idiran’ny Imra ny raharaha satria 1 500 Ar ihany ny hivarotan’izy ireo ny CVO miainga ao aminy.Tsy mandray anjara amin’ny famokarana ny CVO pilina sy tsindrona kosa ny Imra fa ny  ivontoerana fampiharana ny fikarohana momba ny fanafody (Cnarp) sy ny mpiray ombon’antoka hafa no misehatra amin’io sokajy io.Vonjy A.L’article Tambavy CVO sy ATA: manana tahiry iatrehana ny filana ny Imra a été récupéré chez Newsmada.

Filaharana Fifa: mijanona eo amin’ny faha-92 hatrany ny Barea
23/10/2020

Namoaka ny filaharan’ireo firenena mikambana ao aminy, omaly alakamisy, ny federasiona iraisam-pirenena ny baolina kitra (Fifa). Tsy mihetsika aloha, hatreto, ny Barea de Madagascar fa mbola mijanona hatrany eo amin’ny faha-92 maneran-tany. Miakatra toerana iray kosa anefa ny Malagasy raha eo amin’ny laharana eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina satria lasa faha-20 raha faha-21, iray volana lasa izay. Mbola mitarika hatrany kosa ry zareo Senegaley, faha-21 maneran-tany, arahin’i Tonizia sy i Alzeria ary ry zareo Nizerianina. Eo alohan’ny Barea hatrany kosa ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, faha-12 aty Afrika.Mbola ry zareo Belzika hatrany aloha ny mitarika maneran-tany, manana isa 1 773 arahin’i Frantsa, eo amin’ny laharana faharoa, nahazo isa 1 744 ary fahatelo ny Brezilianina, manana isa 1 712. Fahefatra i Angletera ary fahadimy ry zareo Portiogey. Any amin’ny faha-14 kosa ry zareo Alemà, miaraka amin’ny isa 1 602.Mbola mitana ny laharana farany kosa ry zareo St Marin. Mialoha azy, eo amin’ny faha-209 i Anguilla ary faha-208 Iles Vierges Britaniques. TompondakaL’article Filaharana Fifa: mijanona eo amin’ny faha-92 hatrany ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Minisitry ny Fahasalamana: « Tsy azo ekena ny kolikoly »
27/10/2020

  Nitsidika ny faritra Betsiboka, ny faran’ny herinandro teo, ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny profesora Rakotovao Jean Louis. Nitondra fanafody sy fitaovana hanatsarana ny tolotra fahasalamana any an-toerana ny tenany. Nahitana “table d’examen gynécologique”, “concentrateur d’oxygène”… “moustiquaire” niaraka amin’ny fitaovana ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana sy kojakoja fiarovana entina miady amin’ny tsimokaretina Covid-19 izany. Nandalo teny amin’ny CSB U sy ny Hopitaly (CHRR) any Maevatanàna koa izy ary nohamafisiny nandritra ny tafa mivantana amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana fa laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly ho an’ny rafitry ny fahasalamana misy rehetra. “Tsy handefitra ny minisitera raha mahita tranga mifandraika amin’izany », hoy izy. Amin’ny tolotra fahasalamana koa, zava-dehibe ny fitandroana ny maha olona amin’ny fandraisana sy mandritra ny fijanonan’ny marary eny amin’ny tobim-pahasalamana. Manana mponina 413 115 ny faritra Betsiboka ary 41,7% ny tahan’ny fanatonan’ny olona tobim-pahasalamana sy hopitaly nanomboka ny volana janoary ka hatramin’ny septambra lasa teo. Misokatra avokoa ny CSB 59 rehetra manerana ny kaominina rehetra.Nandritra ny fandalovan’ny minisitra tany Maevatanàna ihany koa no nametrahany ny samboadin’ireo ben’ny Tanàna rehetra ao amin’ny kaominina manerana ireo distrika telo mandrafitra ny faritra Betsiboka. Minisitra mpiahy iny faritra iny ny tenany.VonjyA.L’article Minisitry ny Fahasalamana: « Tsy azo ekena ny kolikoly » a été récupéré chez Newsmada.

INVESTISSEMENT PANAFRICAIN : Axian rejoint ADP III
28/10/2020

Partenaire clé dans la transformation économique de l’Afrique. Axian group rejoint ce mardi 27 octobre 2020 le  fonds d’investissement African Development Partners III (ADP III) géré par Development Partners International (DPI). DPI a investi dans 23 entreprises de 29 pays africains, en s’appuyant sur son expertise et son réseau d’investissement qui ont permis de réaliser de solides performances. Avec plus de 1,6 milliards de dollars d’actifs sous gestion, DPI investit dans des entreprises qui sont en mesure de bénéficier de la croissance rapide de la classe moyenne émergente. ADP III suit donc les traces de ses prédécesseurs en se focalisant sur les entreprises leaders œuvrant avec les gestionnaires pour développer les bonnes pratiques environnementales, sociales et de gouvernance. Opportunités de diversification et d’expansion panafricaine Grâce à cette collaboration, Axian entend concrétiser son ambition d’être un partenaire clé dans la transformation économique de l’Afrique. Par l’intermédiaire des entreprises dans son portefeuille, DPI offre une perspective et un accès unique aux transactions réalisées sur le continent. « Cette plateforme d’investissement nous permettra de mettre en valeur nos relations afin de créer des opportunités de co-investissement stratégique ou d’acquisition à la sortie des fonds, là où des synergies avec nos activités principales sont disponibles. Nous saisirons en outre les possibilités de collaboration future avec les gestionnaires de fonds sur des transactions externes favorisant l’innovation et nécessitant un regroupement de compétences », déclare Hassane Muhieddine, CEO AXIAN Financial Services. Favorisant la création de valeur et le développement économique durable, le portefeuille d’investissement panafricain d’ADP III offre à Axian une voie naturelle vers une diversification indirecte de ses opérations stratégiques, tant sur le plan sectoriel que géographique en Afrique. Recueillis par Nirina R. Cet article INVESTISSEMENT PANAFRICAIN : Axian rejoint ADP III est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article INVESTISSEMENT PANAFRICAIN : Axian rejoint ADP III a été récupéré chez Délire Madagascar.

5 pagodes Iavoloha: nankahery ireo zaza kamboty ny MDN
29/10/2020

  Miisa 13 mianadahy ireo ankizy tezaina ao amin’ny tobin’ny miaramila Antsavasoa “5 pagodes” Iavoloha ka 6 hatramin’ny 16 taona izy ireo. Nitsidika azy ireo ny fikambanan’ny vehivavy eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN) izay ivondronan’ireo mpiasa sivily sy ny vadin’ny mpiasa na sivily na miaramila, omaly. Nitarika izany teny an-toerana Ranaivoseheno Lala vadin’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Hita fa manano sarotra tokoa ny fampidirana mpianatra ka izany indrindra no nahatonga ireto mpikambana ireto nanome fanampiana sy fankaherezana ireo ankizy. Nankasitraka azy ireo ny lehiben’ny akany, ny Jly RAmahavonjy José, noho izao fitsinjovana manokana ireto ankizy ireto izao.Jean ClaudeL’article 5 pagodes Iavoloha: nankahery ireo zaza kamboty ny MDN a été récupéré chez Newsmada.

Hetsika ara-pahasalamana – CUA: hotilina diabeta sy tosidra ny mponin’Ambohimanarina
29/10/2020

Hitohy anio eny Ambohimanarina, boriborintany fahenina hatramin’ny 30 oktobra izao ny hetsika sy tolotra ho an’ny fahasalamanana maimaim-poana ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Nifarana, omaly ny teny amin’ny fokontany Soavimasoandro ary niarahana amin’ny sampana sosialy eo anivon’ny fiadidiana ny Tanàna.Fidinana ifotony eo amin’ny fahasalamanaTanjona ny fidinana ifotony, fanatonana ny mponina eo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Nahitana trano heva maromaro teny an-toerana, nidinan’ny ekipan’ny CSB II sy  ny kaominina. Teo koa ny fanasana ireo mpisehatra maro mpiara-miombon’antoka misahana ny fahasalamana sy sosialy nandray anjara. Anisan’izany ny fijerena sy fitiliana diabeta sy ny fiakarana tosidra, ny fitiliana VIH/SIDA, ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny.Mihaino ireo vehivavy iharan’ny herisetra koa ny polisy Nampiavaka ity hetsika ity ny fandraisan’anjaran’ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena nanentana ny ankizy tsy ampy taona sy ireo vehivavy iharan’ny herisetra mba hanatona azy ireo. Manampy izany ny fampirantiana ireo fanafody vita amin’ny akora natoraly ary ny trano heva mampahafantatra ireo mponina ny torolalana sosialy.Niara-niasa amin’ny CUA tamin’izany ny AIMF, ny « Ville de Paris » ary ny  « ISSV ».Synèse R.L’article Hetsika ara-pahasalamana – CUA: hotilina diabeta sy tosidra ny mponin’Ambohimanarina a été récupéré chez Newsmada.

Manja: lehilahy niharan’ny vonoan’olona feno habibiana
27/10/2020

 Nitrangana vonoan’olona feno habibiana tany Manja, ny alakamisy alina teo. Maty tamin’izany ny raim-pianakaviana iray antsoina hoe Langomana. Nandray avy hatrany ny andraikiny ny polisy miasa ao Manja tamin’ny fikarohana ireo jiolahy tompon’antoka amin’izao vonoan’olona feno habibiana izao. Nisy ny fitsirihana ny razana niaraka amin’ny mpitsabo. Nahitam-bokany izany satria ny zoma no tratran’ny polisy ny iray amin’ireo jiolahy tompon’antoka amin’izao vonoan’olona izao. Tratra tany aminy koa ny lefona namonoana ity raim-pianakaviana ity. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Hatolotra ny fampanoavana ao Morombe ny raharaha.J.CL’article Manja: lehilahy niharan’ny vonoan’olona feno habibiana a été récupéré chez Newsmada.

Le By Pass- Afterwork: hitondra ny mozikany ny tarika Iraimbilanja
23/10/2020

Mozika metaly… Tsy mety harafesin’ny fotoana ny fisian’izany tarika Iraimbilanja izany. Hitondra ny gadona mavesatra, etsy amin’ny Le By Pass, izy ireo, anio zoma 23 oktobra. Manomboka amin’ny 7 ora hariva ny lanonana. Hafampana, araka izany, ny faran’ny herinandro… Mpihira efa tsy zovina amin’ny maro intsony ny hitondra ny mozikany amin’io fotoana io, indrindra ny mpankafy rock. Mpanakanto anisan’ny nanamarika ny fahazazan’ny tanora, ankehitriny, izy ireto ary azo lazaina ho mpihira tsy lefy laza, nahatety vanim-potoana maro.Hovetsoina ao avokoa ireo hira nanamarika azy ireo teo amin’ny tontolon’ny mozika. Anisan’izany ny “Tao an-tsekoly”, ny “Tehina”, ny “Ikopa”, ny “Alitara” sy ny maro hafa tsy ampoizina. Marihina fa anisan’ireo toerana manome lanja ny mpanakanto malagasy sy ny kolontsaina malagasy ny Le By Pass, akaikin’ny sampanana Ambohijanaka, eo anelanelan’ny Le Jardin sy ny Elgeco Plus.Nomarihin’ny tomponandraikitra fa hajaina tanteraka ny fepetra rehetra ara-pahasalamana amin’ny seho sy korana tahaka izao tsy hampihanaka ny valanaretina Coronavirus.NarilalaL’article Le By Pass- Afterwork: hitondra ny mozikany ny tarika Iraimbilanja a été récupéré chez Newsmada.

Herisetra tao an-tokantrano :: Reny niaritra ny mangidy sy mafaitra mandra-pikimpy ny masony
24/10/2020

Niafara tamin’ny fahafatesany ny fiafiana ara-bakiteny niaretan’i Haingonirina Claudia, renimpianakaviana namoy ny ainy teo amin’ny 37 taonany, tao an-tokantranony. Vokatry ny vono sy daroka nataon’ny vadiny no nahafaty azy, raha ny voalazan’ny fianakaviany. Toy ny any amin’ny tany miady ny fiainan’i Haingonirina sy ireo zanany efatra mianadahy tao an-tranony, araka ny fitantaran’ireo havany. Nipetraka tany Ambositra ry Haingonirina Claudia. Tsy dia nisy maminy ny fiainan’izy ireo niaraka tamin’ilay raim-pianakaviana, vadiny sady rain-janany. Niharan’ny herisetra avokoa, hoy ny zandry vavin’i Haingonirina, ny tao an-trano. Eny, hatramin’ireo zanany naterany aza. Ny tena loza, dia nanaraka hatramin’ny ain’itsy renim-pianakaviana. Sady kamboty izy efatra mianadahy no voatazona any am-ponja ny rain’izy ireo vokatry ny voina nitranga tao an-tokantrano. Saika niharan’ny fanolanan’iry raim-pianakaviana, ohatra ilay vavimatoa. Efa saika namidy sy nalevina velona kosa ny zandriny. Nijoro vavolombelona nitantara ny fahoriana nanjo ny zokiny sy ny zanak’itsy farany vavimatoa antsoina hoe Diary, 15 taona, i Tolojanahary Marie Claudine . Manan-janaka efatra mianadahy Itompokovavy Haingonirina: vao tapabolana, herintaona sy tapany, 4 taona ary ny vavimatoa, 15 taona. Tamin’ny 15 oktobra lasa teo no niakaran’ny raharaha ka nampidirana am-ponja vonjimaika an’ilay vady, voatondro ho mpanao herisetra tao an-tokantranony. Fizakam-pahoriana samirery Tsy mba mitantara ny fahoriany amin’ny olona mihitsy Itompokovavy, fony fahavelony, eny fa na dia ireo fianakaviana akaiky aza, araka ny resaka nifanaovana tamin’iry zandriny vavy, Tolojanahary Marie Claudine, izay monina eto Antananarivo. “Noferany mafy ny zanany vavimatoa mba tsy hitantara na amin’iza na amin’iza momba an’izay zava-manjo azy ireo”, hoy izy. Namoy ny ainy, tamin’ ny 10 oktobra lasa teo, i Haingonirina Claudia, nefa dia vao tera-bao, tamin’ny 26 septambra 2020. “Nisedra ny herisetra nataom-badiny azy izy, hatramin’ny nanambadiany. Efa tsy mifanaraka amin’ny fianakaviana noho io toetrany io mihitsy aza ilay rangahy. Entin’ny fahatsorana moa i Haingo ka rehefa mifona ny vadiny dia hadinony avy hatrany ny vono nahazo azy”, araka ny fitantaran’i Tolojanahary Marie Claudine. Efa niara-nipetraka tamin’ izy ireo tany Mahajanga itsy farany. Nambarany fa efa saika niharan’ny fanararaotana ara-pananahana nataon’io zaodahiny io koa izy. “Rehefa tsy manaiky ny hiaraka aminy aho, dia ny zokiko hatrany no voavono sady tsy tafiditra an-trano mihitsy”, hoy i Claudine. Tampon’ny fampijaliana Nanamafy an’ireo voalazan’ny rahavaviny ireo i Diary, zanak’i Haingo vavimatoa. Efa fanaon’ny rainy ny mamono andreniny. Raha tsy mamono izy dia asainy mivoaka any an-tokotany ka tsy ampidirina raha tsy maraina ny andro, izay miitatra hatramin’ny tsy fanome-zana sakafo. Voalaza ho mpandray zava-pisotro mahamamo rahalehilahy. Nihalasa lavitra mihitsy ny zava-nitranga, satria nisy fotoana izay nisehoan’ny fivarotana ny zanaka vavy tamin’ny lehilahy sy ireo zanany roa tamin’ny sefompokontany iray tany Ambositra mihitsy. Fantatra fa mpanjaitra ity raim-pianakaviana. Mpanasa lamba sy manao izay asa kely hitany eny kosa i Haingo, fony fahavelony. “ Inefatra saika naolany aho, indrindra rehefa matory amin’ny antoandro. Namidiny tamin’ny lehilahy koa aho ary akany vola io olona io. Vonoiny aho rehefa tsy mitondra vola mody. Noteneniny aho hoe hividianana sakafonay satria tsy afaka mitady vola intsony i mamanay”, hoy ny fitantaran’i Diary. Zaza namidy roa hetsy Isan’ny naborak’i Diary ihany koa io fikasana hivarotra ny zandriny (herintaona sy tapany) tany amin’ny lehiben’ny fokontany, tany Ambositra io. “Roa hetsy ariary no nivarotany azy. Nilaza ho tsy nanam-bola ilay sefo fokontany ka nitakiany iray alina ariary indray. Nangady lavaka teny amin’ny zoro firarazana izy rehefa tsy nahazo ny vola, saika nandevenany velona an’i zandrinay”, hoy i Diary. Niantraika tamin’ny fiainana ankapoben’ny vadiny sy ireo zanany ny herisetra nataon’ilay lehilahy tao an-tokantrano. Voadona mafy iry tovovavikely, izay nijanona tamin’ny fianarana teo amin’ny taona fahadimy, na dia nahazo fahombiazana tamin’ny fanadinana CEPE aza. Manam-paniriana ny hianatra asa i Diary mba hahafahany miasa sy mampidi-bola hoentiny hanampiana an’ireo zandriny. Nihivingivin-doha izy raha nanontaniana ny mbola mety hiarahany mipetraka amin’ny rainy, rahatrizay ka ho tafavoaka ny fonja itsy farany. Avoaka any an-tokotany… “Kendainy i zokinay rehefa tsy azony ny tadidiaviny aty amiko. Hidiany any antokontany amin’ny 12 ora alina i Haingo. Tena toy izany foana no niainanay”, hoy i Claudine. Nitady hevitra nanalavitra an’i Haingo tamin’ny fianakaviana ny vadiny noho ireo korontan-dava ireo. Niala tany Mahajanga, avy eo, nanorim-ponenana tany Ambositra. Tany koa no nialany aina. Tsy nahenoam-baovao intsony ry zareo taorian’ny nifindrany tany Ambositra. Tsy manana finday rahateo i Haingo mba hifaneraserana amin’ny fianakaviana. Monina any Mahajanga ny anadahiny. Eto Antananarivo kosa ny rahavaviny. Tsy fantatr’ireto farany akory ny fitondran’iry mpiray tampo amin’izy ireo vohoka faninefany, tamin’ity farany ity. “Ny havam-badiny no niantso anay hoe marary zokinay. Vao avy teraka izy, tamin’io fotoana io. Tsy afaka nifana toy ny vehivavy rehetra fa nasaina nanao ny asa aman-draharaha rehetra tao an-tokantrano, raha ny henonay. Manaraka ny vono rehefa tsy manaraka an’izay notenenina. Fantatray fa niditra hopitaly noho ny vono nahazo azy i Haingo. Ny tao amin’ny lohany no tena tsy zakany satria nisy manganabe be mihitsy. Rehefa natao ny fitarafana no nahitana fa vaky roa ny tao amin’ny lohany, izay nitete ra rehefa maty izy”, araka ny tohin’ny tantara nampahafantarin’i Claudine momba ny sedra mahery vaika nolalovan’ny zokiny mandra-pikimpin’ny masony. Antso vonjy Mitaky ny hanasaziana an’io lehilahy io mandra-pahafatiny kosa ny fianakavian’i Haingo, na dia tsy hampiverina ny havan’izy ireo intsony aza izany. Mangataka fanampiana ireto fianakaviana ireto amin’ny fitaizana an’izy efatra mianadahy. Any amin’ny anadahin’i Haingo, any Mahajanga, i Diary sy ny zandriny, 4 taona, taorian’ny fahoriana nihatra tamin’izy ireo. Eto Antananarivo, any amin’ny rahavavin-dreniny kosa, ilay herintaona sy tapany ary ilay vao teraka. Ny rononon’ity menavava no tena ilain’izy ireo fanampiana satria tsy araka ny fividianana azy. Nametraka laharana hahazoana mifandray aminy ireo fianakaviany mitaiza an’izy efatra mianadahy: 032 45 134 22 (Antananarivo)/034 92 126 42(Mahajanga). L’article Herisetra tao an-tokantrano :: Reny niaritra ny mangidy sy mafaitra mandra-pikimpy ny masony est apparu en premier sur AoRaha.

Marohazo Maintirano: maty voatifitry ny zanak’anadahiny ilay ben’ny Tanàna
27/10/2020

  Maty tsy tra-drano voatifitry ny dahalo tao an-tranony ao Marohazo, distrikan’i Maintirano, ny ramatoa, ben’ny Tanàna ao an-toerana, ny alahady alina teo manodidina ny tamin’ny 8 ora sy sasany. « Ny zanak’anadahiny ny nahavanon-doza nahafaty azy », hoy ny loharanom-baovao iray. Io lehilahy io izay malaza ho dahalo raindahiny. Nambaran’ny loharanom-baovao hatrany fa maty nisy nitifitra ny rahalahin’io dahalo io ka ahina ho nahatonga izany ilay ramatoa ben’ny Tanàna io.Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa mpivarotra zava-pisotro ilay ben’ny Tanànan’i Marohazo. Ny alahady teo, tonga tao aminy ny lehilahy miisa efatra nisotro toaka, isan’izany ilay voalaza fa dahalo. Nivoaka tao ilay lehilahy manodidina ny 25 taona voalaza fa zanak’anadahiny ary nitifitra ny lamosin’ilay ben’ny Tanàna intelo tamin’ny basim-borona. Maty tsy tra-drano ilay renim-pianakaviana 43 taona. Tsy naninona kosa ny zanany vavy 20 taona niaraka aminy tao. Nitsoaka sady nanao difi-danitra izy efa-dahy taorian’ny asa ratsiny. « Raha ny fanadihadiana natao, lonilony fianakaviana ny mety ho namonoana an-dramatoa ben’ny Tanàna », hoy ny fanazavan’ny zandary ao Maintirano. Nohamafisiny fa fantatra avokoa ny anaran’ireo efa-dahy tao an-tsena. Efa mandeha ny fanadihadiana ary andrasana ny tohin’ny raharaha.Henintsoa HaniL’article Marohazo Maintirano: maty voatifitry ny zanak’anadahiny ilay ben’ny Tanàna a été récupéré chez Newsmada.