Tatitry ny voina :: Marary an-jatony notaomina ho eny amin’ny Hjra nandritra ny Fetim-pirenena

News - Tatitry ny voina :: Marary an-jatony notaomina ho eny amin’ny Hjra nandritra ny Fetim-pirenena
Olona maherin’ny zato no marary tonga tetsy amin’ ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (Hjra), afak’omaly, 25 jona. Enimpolo kosa ireo marary nandalo sy nozahana tao amin’io hopitalibe io, omaly 26 jona nankalazana ny Fetim-pirenena, araka ny tatitra voaray hatramin’ny 4 ora hariva.
Misy amin’izy ireo no voatery notazonina manaraka fitsaboana. Ny sasany kosa nalefa nody, rehefa avy nozahan’ny mpitsabo. Olona telo no namoy ny ainy, izay voalaza fa efa maty tany ivelan’ny hopitaly ka tsy voavonjy intsony.
Nahazoana tatitra tamin’ ny akon’ny fankalazana ny Fetim-pirenena, ny 25 sy 26 jona ny tao amin’ny sampana vonjy aina sy ny tao amin’ny sampana famelomana aina. Ny tamin’ny talata 25 jona manokana, dia olona fito ambin’ny folo no voarain’ny mpitsabo tao amin’ny sampana famelomana aina. Olona telo narary vokatry ny hamamoana, roa nikasa namono tena ary ny telo hafa tsy nahazaka sakafo. Nisy olona roa efa maty tsy avotra intsony tonga tao amin’io sampana io.
Ratra sy adiady
«Maro ireo marary tonga tao amin’ny sampana vonjy aina, ny talata 25 jona, izay nahatratra telo amby zato. Tsy nitsahatra nisy marary tonga tao hatramin’ny sasak’ alina. Marary sy naratra vokatry ny adiady sy fikasihan-tanana ny ankamaroan’izy ireo », hoy ny profesora Rakoto Alson Olivat, talen’ny Hjra.
Tsy nisy azo natao kosa nanavotana ny ain’ny olona iray tonga tao amin’ny sampana vonjy aina, omaly. Marary efatra amby dimampolo hafa no nandalo tao amin’io sampana io ka voatery notazonina ny roa ambin’ny folo. Niharan’ny lozam-pifamoivoizana ny enina ambin’ny folo tamin’izy ireo. Ny tao amin’ny sampana famelomana aina kosa indray dia nahitana olona roa nararin’ ny toaka, niampy iray namono tena. Marary enina no voaray tao, hatramin’ny omaly harivariva.
L’article Tatitry ny voina :: Marary an-jatony notaomina ho eny amin’ny Hjra nandritra ny Fetim-pirenena est apparu en premier sur AoRaha.
Vakio ihany koa
News - News Mada
Tsy nisy tranga Analamanga: nampitandrina mafy ny CCO
Tsy mbola tafavoaka ny ala na nihena aza ny tahan’ny valanaretina eto amintsika. Tsy nisy tranga vaovao teto Analamanga ary nihena ho valo ireo tranga vaovao manerana ny Nosy amin’ireo fitiliana natao miisa 385, araka ny tatitry ny CCO, omaly. Tsy nisy koa ny aina nafoy ka mijanona ho 237 ireo lavon’ny covid-19, hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty. Miisa 373 ireo mbola tsaboina sy arahi-maso ny toe-pahasalamana ka anaty fahasarotana “forme grave” ny 19 amin’izany. Etsy Befelatanana sy HJRA ary Andohatapenaka ny 10 amin’izany. Na eo aza anefa izany, nampitandrina ny eo anivon’ny CCO. “Mbola miovaova isan’andro ny tarehimarika. Tandremo re rey olona ! Sao ampirimina any an-trano ny arovava fa hoe efa mihena izany ny fifindran’ny valanaretina. Maro ireo tsy miraharaha intsony”, hoy ny Pr Vololontiana Hanta. Nanteriny fa mirongatra indray ny covid-19 any Frantsa raha ny vaovao any ivelany. Manafatrafatra ny CCO fa tokony hohajaina hatrany ny fepetra rehetra raha te hitazona izao fivoarana izao.Synèse R. L’article Tsy nisy tranga Analamanga: nampitandrina mafy ny CCO a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Ramaroson Laurent: « Manana traikefa ny kandidà MMM »
« Afaka miteny ny antoko Malagasy miara-miainga fa mahay sady manana traikefa ary fahalalana, manam-panahy ny kandidà loholona avy aminay », hoy ny birao politika, Ramaroson Laurent. Mpamokatra sy mpanafatra fanafody ho an’ireo farmasia sy toeram-pitsaboana manerana ny Nosy ny kandidà, lohalisitra, Rakotondrainibe Michel. « Mahatsapa izy fa misy lalàna tokony hamboarina hifanandrify amin’ny filan’ny Malagasy. Fototr’olona ary tsara fifandraisana any amin’ireo eny anivon’ny kaominina koa”, hoy izy. Kandidà koa Ravelonjato Bernard. Mpampianatra mpikaroka momba ny simia eny amin’ny oniversite. « Manampahaizana momba ny “Tantsoroka hatao amin’ireo ben’ny Tanàna » ary efa nampiofana izany hatramin’ny ela.Efa depiote an-taonany maro. Tsy hatoro voanjo hadiana momba ny fanaovan-dalàna », hoy ihany ity birao politika ity. Tsy ambakan’izany koa ny kandidà natolotry ny MMM any amin’ny faritanin’i Toamasina.Synèse R.L’article Ramaroson Laurent: « Manana traikefa ny kandidà MMM » a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Mitohy ny fahamehana ara-pahasalamana: tsy miova firy ireo fepetra ankapobeny rehetra
Tsy miova firy ireo fepetra ankapobeny amin’izao hamehana ara-pahasalamana faha-14, ho amin’ny 15 andro manaraka izao raha mitaha amin’ny teo aloha. Nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly fa efa an-dalana amin’ny fifehezana ny valanaretina isika ka nirosoana ny fanakatonana ny CMC-19 etsy Mahamasina. Najanona ny asan’ny BIS noho ny fihenan’ny fifindran’ny coronavirus. Na izany aza anefa, tsy maintsy hajaina hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana. Anisan’izany ny tsy maintsy hanaovana arotava. ”Mahavoasazy ny tsy fanaovana izany raha mivoaka ny trano”, hoy izy. Manomboka amin’ny 12 ora alina ka hatramin’ny 4 ora maraina ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina ho an’ny faritra Analamanga sy ny any Diana.Hisokatra ny zotra Antananarivo – AntsirananaEo amin’ny fitaterana, hisokatra ny asabotsy 26 septambra izao ny zotra Antananarivo – Antsiranana sy Antananarivo – Sambava. Tsy maintsy arahina hatrany anefa ireo fepetra, toy ny fampiasana ny “Manifold” sy ny ara-pahasalamana ary tsy fanondrotana ny saran-dalanaHisokatra ny 1 oktobra izao kosa ny sidina Nosy Be mihazo ny any ivelany. Tahaka izany koa ny hanokafana ny seranam-piaramanidina hifandraisana amin’ny aty amin’ny ranomasimbe Indianina amin’ny 29 oktobra izao. Anisan’izany ny any Antsiranana, Toamasina, Taolagnaro, Toliara.Eo amin’ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy kosa, misokatra koa izany saingy mbola voarara ny fampidirana na fitondrana olona avy any ivelany.Momba ny kolontsaina sy ny fialam-boly kosa, tsy mihoatra ny 200 ireo olona ao anatin’ny toerana. Mikatona amin’ny 11 ora alina. Harahi-maso izy ireny ka hakatona raha tsy voahaja ny fepetra rehetra.Efaka misokatra koa ny fiangonana manerana ny Nosy, saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra ara-pahasalamana.Hirosoana ny fifidianana loholonaEo amin’ny lafiny politika kosa, nambaran’ny praiminisitra fa tapitra ny fe-potoam-piasan’ny Antanimierandoholona ka tsy maintsy hirosoana ny fifidianana ny 11 desambra izao.”Manaja ny lalàna velona sy ny lalàmpanorenana isika”, hoy izy. Notsindriny koa fa tsy mitanila ny fampandrosoana. Tsy hisy ny faritra sy distrika ho hadino ary efa nomena vola ireop governora sy ny faritra amin’ny fametrahana fotodrafitrasa eny ifotony. Anisan’izany ny fanabeazana sy ny fampianarana ary ny fahasalamana sy ny rano madio fisotro.Synèse R. L’article Mitohy ny fahamehana ara-pahasalamana: tsy miova firy ireo fepetra ankapobeny rehetra a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Fametrahana ny tany tan-dalàna: malahelo sy menatra amin’ny ataon’ny fitsarana ny KMF/Cnoe
Tsy nitsitsy fitenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, manoloana ny fametrahana ny tany tan-dalàna. Anisan’ny notsikerain’izy ireo ny fitsarana.“Foto-kevitra iray iainan’ny KMF/Cnoe ny fanajana lalàna. Ho anay, rehefa izay ny fanapahan-keviny: mampalahelo sady mahamenatra. Mampalahelo sy mahamenatra tsy hoe tsy nahavoa na resy izahay fa Repoblika sy fanjakana tan-dalàna no iainantsika nefa mahasahy milaza fa tsy mahefa ny raharaha ny mpitsara.”Io ny nambaran’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, notarihin’ny filoha nasionaliny, Andriamalazaray Andoniaina, teny Antanimena, afakomaly, manoloana ny tsy fahefan’ny Filankevi-panjakana mitsara ny fitoriany amin’ny hanafoanana ny didim-panjakana fihaikana mpifidy vaventy sy ny hanafoanana ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra.Ny fanambaran’ny Filankevi-panjakana fa tsy mahefa hitsara ny raharaha amin’izay io fitoriana izay no tsy nampoizina. Efa nisy ny ady toy izao tany amin’ny taona 2008. Angamba, mety ho diso fitadidy ireo mpitsara. Nisy didim-panjakana navoakan’ny Filankevi-panjakana tamin’izany. Amin’ny maha didy fakan-tahaka azy fotsiny, mahamenatra ny nambaran’ny fitsarana ho tsy mahefa ny raharaha. “Mahamenatra izany fa tsy maninona: izay ny rafitra sy ny lalàna, hajaina ny lalàna”, hoy izy.Tsy ny voka-pifidiana no zava-dehibeRehefa mifidy ny olona, tsy ny voka-pifidianana no zava-dehibe fa ny fahazoana maneho hevitra amin’ny latsa-bato. Izay famoahana ny safidy avy amin’ny tsirairay izay no manambara fa tany tan-dalàna sy fanajana ny demokrasia, manoloana ny filazana fa tsy hanova ny voka-pifidianana ny tsy fahafenoan’ny mpifidy vaventy amin’io fifidianana loholona io.Nilaza ny mbola hivory sy handinika tsara ny KMF/Cnoe na hanara-maso na tsia ny fifidianana. Tsy azo entina amin’ny hafanampo sy ny hataitairana ny raharaham-pirenena.R.Nd.L’article Fametrahana ny tany tan-dalàna: malahelo sy menatra amin’ny ataon’ny fitsarana ny KMF/Cnoe a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Jly Rakotonirina Richard: “Haverina ny hasin’ny Foloalindahy Malagasy”
“Mila aseho amin’ny vahoaka malagsy fa ny fanjakana dia manana finiavana ny hiaro vahoaka. Haverina amin’ny maha izy azy ny Foloalindahy Malagasy, indrindra ny fahatokisan’ny vahoaka ny Tafika Malagasy izay mitaky fitondran-tena mpitarika mendrika. Tsy tokony hisy intsony izany tsimatimanota izany”, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotonirina Léon Richard…Nandritra ny fanokafana ny fivoriamben’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Tafika Malagasy teny amin’ny trano fandraisam-bahiny “Asia Africa Hotel” eny Mamory Ivato, omaly no nilazany izany. Tompon’andraikitra ambony isan’ambaratongany avy eo anivon’ny Tafika Malagasy manerana ny Nosy no miatrika sy mandray anjara amin’ity fivoriana ity izay hifarana anio izany. Inona ny vinan’ny fitondram-panjakana? Hoentina mankaiza ny Tafika Malagasy? Inona no andraikitra miandry ny Tafika Malagasy? Ary inona ny tambin’adidy andrasan’ny vahoaka malagasy amin’ny tafika? Ireo fanontaniana ireo no napetraky ny MDN ary hodinihina manokana ao anatin’izao fivoriana izao. Nambaran’ity manamboninahitra ambony eo anivon’ny Foloalindahy ity fa fotoana izao hifohazan’ny tafika amin’ny torimasony sy andraisany andraikitra amin’ny asa sahanina izay ilàna fanatsarana ny fahaiza-manao sy ny fomba fiasa manaraka ny fenitra. Ilaina ny fahaizana miara-miasa amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’ireo toerana sy sehatra ikatrohana, indrindra ny firahalahiana. “Fomba fiasa vaovao manaraka ny vaninandro ankehitriny no takina amin‘izao adidy goavana andrasana amin’ny Tafika Malagasy izao ka ilàna ny fanovana ny fomba fiasa”, araka ny nambarany hatrany. Nampahafantariny koa ny endriky ny Tafika Malagasy rahampitso na ny “Tafika Malagasy amin’ny taonjato faha-21”. Efa mivaingana ny ezaka vitan’ireo miaramila mpampandry tany amin’ny ZRPS any amin’ireo faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana. Nanotroka ny fanokafana ny fivoriana ny Seg, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny minisitry ny Fitsarana, ny tale jeneralin’ny Bianco.Jean ClaudeL’article Jly Rakotonirina Richard: “Haverina ny hasin’ny Foloalindahy Malagasy” a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Lounge Feeling: hanafana ny sehatra ry Benny…
Sehatra iray manome lanja sy tombony manokana ny mozika malagasy ny Lounge Feeling eny Ambohimangakely. Izay, rahateo, no mampiavaka azy amin’ireo toeram-pilanonana hafa eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Ho fanohizana izany, hampiaka-tsehatra mpanakanto efatra, mpiray donak’afo hatry ny ela ary samy tsy zovina amin’ny maro intsony, ity toerana ity, anio hariva.Tsy iza izy ireo fa i Benny sy i Bebey ary i Sammy sy i Nini, hitondra ny revy Lôlô sy ny tariny, amin’io fotoana io. Mampanakaiky kokoa ny mpankafy amin’ny mpanakanto tiany ny Lounge Feeling. Noho izany, tsy hijanona ho an’izy efatra mirahalahy irery ny sehatra fa hisy ny ampaham-potoana ahafahan’ny mpanotrona miara-mihira amin’izy ireo, araka ny fanazavan’i Soatina, tompon’andraikitra amin’ny fikarakarana ny hetsika.Raha tsiahivina, nisantatra ny seho tao amin’ity toerana ity, tamin’ny fotoana nanokafana azy, ny Mivazo sy Mananara, tarika vao misandratra eo amin’ny tontolon’ny mozika malagasy, saingy tsy vahiny amin’ny sofin’ny maro intsony ary nitondra fahafaham-po ireo nanatrika ny fampisehoana.Nandimby azy ireo ry Levelo, izay efa manana ny maha izy azy hatry ny taona ela, saingy mbola tsy mety lefy laza sy ankafizin’ny taranaka mifandimby.Landy R. L’article Lounge Feeling: hanafana ny sehatra ry Benny… a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
RLDC Toamasina : taratasy ho an’ny filoham-pirenena
Nampahafantatra ny fisiany sy ny asany ny Fikambanan’ny zon’ny mpanjifa sampana Toamasina (RLDC), ny herinandro lasa teo. Nilaza ny filoham-paritra, Rtoa Rakotondrahiratra Vonifanja, fa nandefa taratasy any amin’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra ny RLDC, hamitana sonia ny fifanarahana eo amin’ny fanjakana sy ny orinasa tsy miankina CGHV. Tompon’ ny tetikasa fanitarana ny famokarana herinaratra avy amin’ny tohodrano any Volobe ity CGHV ity. Ho an’ny RLDC, ny fahavitan’izany fifanarahana izany no vahaolana maharitra hamahana ny tsy fahampian’ny herinaratra, mahatonga ny delestazy mateti-pitranga iainan’ny mpanjifa eto Toamasina. Navoitran’ny RLDC koa ny olana hafa, toy ny tsy fisian’ny taratasy fanaovana kara-panondro eto Toamasina, mahatonga ny kolikoly eny amin’ny boriborintany sasany. Voalaza fa mandoa 30 000 Ar hatramin’ny 40 000 Ar vao mahavita kara-panondro iray. Nampahafantarin’ny sekretera jeneraly (SG) ny kaominina Toamasina I ny RLDC ny fametrahana ny birao marolafy, mikarakara ireo manan-draharaha ao amin’ny kaominina, ka mihena ny fivezivezena sy ny fitetezana birao.Sajo sy Njaka A.L’article RLDC Toamasina : taratasy ho an’ny filoham-pirenena a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Fiaraha-miasa: betsaka ireo fepetra takin’ny Vondrona eoropeanina
Miezaka hitazona ny fisondrotry ny toekarena ho 5,2 % amin’ity taona ity ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, araka ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana. Maro ny tetikasa nofaritana hahatongavana amin’izany miaraka amin’ny Vondrona eoropeanina. Sehatra anatin’ny laharam-pahamehana, ohatra, ny angovo, fotodrafitrasa, fizahantany. Tratra aoriana loatra ny eto Madagasikara amin’ireo rehetra ireo ka ilàna fanarenana haingana, araka ny politika momba ny fampandrosoana.Mialoha izany, mila marin-toerana ny vola ariary, miainga avy amin’ny fanohanan’ny FMI amin’ny alalan’ny Fec (Facilité élargie de crédit). Tsy maintsy tandrovana koa anefa ny fiakaran’ny vidim-piainana, tombanana 7,6 % amin’ity taona ity, nefa miankina amin’ny vidin-tsolika sy ny vary eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.Mbola miankina betsaka amin’ny fanjakana tan-dalàna ny tsy hisian’ny krizy sosialy sy toekarena. Koa vonona ny UE hanampy an’i Madagasikara hisian’izay fanarahan-dalàna izay, fitsarana azo antoka afaka miady amin’ny kolikoly amin’ny endriny samihafa, sy ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Matoa karazana fepetra takin’ny mpamatsy vola izany, tokony ho fantatry ny mpitondra ny adidiny. Mety ho tapaka ny famatsiam-bola raha tsy hita ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana momba izany.Mitaky fahaiza-mitantanaZava-dehibe naroso koa ny fiarovana ny tontolo iainana. Nifaneken’ny roa tonta, ny marimarina kokoa takin’ny UE ny hitandrovana ny ala sy ireo hazo sarobidy, ary ny harena ambany ranomasina. Misy ny fepetra vaovao momba ny jono an-dranomasina hanatanterahana ny toekarena manga. Nasian-teny ihany koa ny fanamboarana ny lalana RN6, mankany Antsiranana ; RN13, Ihosy-Taolagnaro. 236 tapitrisa euros ny famatsiam-bola omen’ny UE ho an’ireo tetikasa roa lehibe ireo. Mitaky fahaiza-mitantana daholo izany, aty amin’ny Malagasy izany ny baolina ! R.MathieuL’article Fiaraha-miasa: betsaka ireo fepetra takin’ny Vondrona eoropeanina a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Radio Alliance 92 FM: hivahiny amin’ny « Ambarao » ny tale kabinetra lefitry ny CUA
Ahoana ity Fehezam-pitsipika monisipaly momba ny fikoloam-pahasalamana (CMH) ity amin’ny ankapobeny ? Manomboka rahoviana ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra ? Aiza ho aiza ny fanomanana ny hiatrehana ny fotoam-pahavatra ? Ahoana ny lafiny toetsaina ankapobeny ho an’ny mponina sy ny fanovana izany ? Ampahany amin’ireo fanontaniana hovalin’ny tale kabinetra lefitra eo anivon’ny fiadidiana ny Tanàn’Antananarivo, i Solofoniaina Michkael, izany. Horenesintsika anio alarobia 23 septambra ao amin’ny onjampeo Alliance 92 FM, amin’ny 12 ora sy fahefany, ny amin’ny fiteny malagasy (VM) ary amin’ny 1 ora sy fahefany amin’ny fiteny frantsay (VF).TaratraL’article Radio Alliance 92 FM: hivahiny amin’ny « Ambarao » ny tale kabinetra lefitry ny CUA a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Lalana RN-44: tena ratsy ny tapany avaratra
Efa nilaza ny filoha Rajoelina, nandritra ny fitsidihany taty an-toerana, volana vitsy lasa izay, fa tsy maintsy harenina araka ny tokony ho izy ny lalam-pirenena Moramanga –Ambatondrazaka (RN – 44). Nohamafisiny izany nandritra ny fitsidihany ny foara “Fier Mada” atao eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka.Efa manomboka ny fanajariana ny tapany atsimo, toy ny any Amboasary, ankehitriny. Hita efa misy mandrefirefy koa any amin’ny tetezan’i Ranofotsy. Tsy misy fanazavana amin’ny antsipiriany anefa ireo rehetra ireo, toy ny famatsiam-bola sy ny tentimbidin’ny asa hanaovana azy, ny faharetany, izany hoe, ny fiantombohany sy ny hifaranan’ny asa.Tsy nisy fikojakojana matotraTsy mazava koa raha aravona toy ny fahita hatramin’izay fotsiny ny lalan-tany, na tena hatao godirao manara-penitra.Ny zava-misy, azo ihafiana ny ampahany atsimon’ny RN-44, avy any Moramanga hatreo Amboasary, satria misy rarivato, fa tena ratsy ny tapany avaratra satria tsy nisy fikojakojana matotra. Tsy fantatra raha nampiasaina ny Tahirimbola hijojakojana ny lalana (Fer) na tsia. Mandritra ny fotoam-pahavatra, mitaky 50 000 Ar isaky ny fiara ny mpanosika.Rarivo sy Njaka A.L’article Lalana RN-44: tena ratsy ny tapany avaratra a été récupéré chez Newsmada.