Tatitry ny fanjakana tamin’ny Depiote :: Nohamafisin’ny Praiminisitra ny fiain- gan’ny fampandrosoana isam-paritra

News - Tatitry ny fanjakana tamin’ny Depiote :: Nohamafisin’ny Praiminisitra ny fiain- gan’ny fampandrosoana isam-paritra

News - Tatitry ny fanjakana tamin’ny Depiote :: Nohamafisin’ny Praiminisitra ny fiain- gan’ny fampandrosoana isam-paritra

Hitodika tokoa amin’ny fampandrosoana isam-paritra ny politikam-pampandrosoan’ ny Fanjakana manomboka izao. Nasongadin’ny praiminisitra, Ntsay Christian, nandritra ny tatitry ny asan’ny governemanta tamin’ireo solombavambahoaka, omaly, io.

Herinandro maromaro izao no efa nanaporofoan’ny Filoha Rajoelina Andry an’ izany paikadim-pampandrosoana eny ifotony izany, tamin’ ny alalan’ny fitokanana an’ireo fotodrafitrasa manakaiky vahoaka, toy ny sekoly sy toby fitsaboana manara-penitra, na ihany koa toeram-pamatsian-drano fisotro madio, hatramin’ny toby miaramila sy fanohanana an’ireo mpandraharaha isam-paritra.

Nahazo fankasitrahana tamin’ireo solombavambahoaka ny fitondran’ny praiminisitra ny andinindinin’ireo zava-bita tamin’ity fihaonana omaly ity, talohan’ny nanomezan’ireo minisitra tsirairay ny ambangovangon’ny asa notanterahin’ izy ireo. «Efa tsy mivangongo aty amin’ny fitondrana foibe intsony ny fahefana fa tsinjaraina tsikelikely any amin’ny faritra. Betsaka ireo ezaka hatao mifandraika amin’ izany», hoy i Ntsay Christian.

Voalaza ho samy nomena tetibola manokana mitentina 2  000 tapitrisa ariary avokoa ireo governora ary ampiasaina amin’izay tetikasam-pampandrosoana mifanaraka amin’ny filàn’ny mponina ao aminy. Nampahafantarin’ny lehiben’ ny governemanta ihany koa ny famoahana ny drafitra nasionalin’ny fitsinjaram-pahefana, izay hirosoana amin’ny fanandratana ny faritra amin’ ny volana jolay izao. «Hitohy hatrany kosa ny fakan-kevitra handinihana ny tetibola isamparitra », araka ny nambarany.

Indostria isam-paritra

Handeha any amin’ny faritra Anosy sy Androy io filan-kevitra isam-paritra io, raha afaka andro vitsy. Hisy rahateo ny fanarahamaso ny fomba fiasan’ireo tompon’andraikitra isam-paritra, ankoatra ny fanaovana tomban’ ezaka momba ny asan’ireo governora.

Fantatra fa tokony ho efa tonga any amin’ireo kaominina sy ny distrika eto amintsika ny tetibolany avy, amin’izao fotoana izao. 25 tapitrisa ariary ho an’ireo kaominina ary 50 tapitrisa ariary ho an’ireo distrika. Nomarihin’ny Praiminisitra ny mety mbola hitomboan’ ireo sora-bola ireo saingy miankina hatrany amin’ny filàn’ ny mponina.

Naverina nampahafantarina tamin’ireo solombavambahoaka ny tetikasa fananganana indostria isaky ny distrika na « One district one factory ». Dingana voalohany ny fisafidianana an’ireo distrika telopolo satria hiitatra amin’ny distrika enimpolo hafa avy eo, araka ny vinan’ny fanjakana. «Efa vita avokoa ny taratasy rehetra momba an’io tetikasa io », raha ny fanampim-panazavan’ny Praiminisitra.

L’article Tatitry ny fanjakana tamin’ny Depiote :: Nohamafisin’ny Praiminisitra ny fiain- gan’ny fampandrosoana isam-paritra est apparu en premier sur AoRaha.

Tatitry ny fanjakana tamin’ny Depiote :: Nohamafisin’ny Praiminisitra ny fiain- gan’ny fampandrosoana isam-paritra

Nivoaka tamin'ny : 09/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Midi Madagasikara

Nécrologie du 29 août 2020

Cliquez pour agrandir L’article Nécrologie du 29 août 2020 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Nécrologie du 29 août 2020 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Toamasina: misy kolikoly ny fanaovana « permis »

Velon-taraina indray ireo tanora vao afaka fanadinana eo anivon’ny familiana fiarakodia ao Toamasina. Anjakan’ny kolikoly izany ka lasa fototra mahatonga lozam-pifamoivoizana matetika. Tsy manana traikefa amin’ny familiana fiara sady tsy mbola mahafehy azy akory. Ho an’ireo afaka fanadinana, vola hafa ankoatra ny haloa ara-dalàna eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fanomezana fahazahoan-dalana hamily fiara no hefaina eny amin’ny mpikarakara vao azo izany. Nambaran’ireo tanora nitaraina tamin’ny mpanao gazety fa mandoa 50 000 Ar amin’ireo iraky ny mpikarakara vao azo ny “permis” eo amin’ny birao misahana ny fikarakarana ny antontan-taratasin’ny fiara sy ny “permis”, etsy amin’ny lapan’ny Faritanin’i Toamasina. Milaza mantsy izy ireo fa 20 isan’andro ihany ny zaraina ka noho izay, aleon’izy ireo mihitsy matory eto an-davarangana ho tafiditra anatin’ny  20 omena isan’andro. Mbola tsy mahazo ihany indray anefa satria mila manolotra vola 50 000 Ar vao mety, araka ny voalazan’ireo niharany. Nohamafisin’ireto tanora vao haka ny “permis” ireto fa hatrany amin’ny fanaovana fanadinana hahazoana “permis” sy ny fanadinana ho an’ny fahafahana amin’ny “code de la route”no efa manomboka ny kolikoly ka izay manome 50 000 Ar ny mpampanao fanadianana, afaka avy hatrany tsy mila mitondra fiara intsony fa omena naoty tsara. Aiza ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) ao an-toerana amin’izany zava-misy izany ?SajoL’article Toamasina: misy kolikoly ny fanaovana « permis » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Foano ny « halako bika, tsy tiako tarehy »

Na inona na inona fandaharanasan’ny mpitondra, tsy izay ihany no iankinan’ny fanovana sy fampandrosoana ity firenena ity. Maro ny zavatra tokony hahitsy, indrindra amin’ny fisainana sy ny fomba fijery, izay samy mibaiko ny fanapahan-kevitra manoloana tranga na olana samihafa.Iray amin’ireny ny halako bika, tsy tiako tarehy, izay mbola nitarika ny safidin’ny sasany tamin’ireny fifidianana nifanesy ireny. Tsy misy fijerena foto-kevitra, tsy misy fandinihana lalina ary tsy misy koa, noho ireo rehetra ireo, tanjona mazava. Mipetraka io olana io na eo amin’ny fanaovana politika na hatrany amin’ny fiarahamonina, sahanin’ny fokontany, amin’ny ankapobeny.Ho an’ny eny ifotony, tsy vitsy ny tsy mifankahazo noho ny olana madinika, izay mety ho voavahan’ny dinidinika ihany. Rehefa misy ny fivoriana na fanapahan-kevitra ilàna ny hevitry ny maro, apetraky ny sasany foana io « halako bika, tsy tiako tarehy » io. Tsy mba misy fihainoana sy fandalinana ny hevitry ny hafa fa ny fankahalana no mandeha aloha.Eo amin’ny tontolo politika, toy ny fahavalo na ny mihoatra izany mihitsy ny iheveran’ny andaniny ny ankilany, hany ka na hevitra mety hampahomby zavatra aza, raisina ho tsy manjary avy hatrany. Eo koa ny fanilikilihana izay tsy mpiray petsapetsa na mpiara-nanohana. Ny hevitra, anefa, tera-bary; ny hevitry ny maro, mahataka-davitra… Fahendren’ny razantsika avokoa ireo, izay samy manome lanja ny olona tsirairay, ao anaty fiarahamonina.Efa nisafidy ny lalana sy ny lalàn’ny demokrasia i Madagasikara, ka na inona na inona ambara, tokony halalaka ny fanehoan-kevitra ary tsy maintsy misy ny mpanohitra. Tsy fotoan’ny fijerena tavan’olona intsony izao. Asa, avy hatrany, no tian’ny fitondrana tanterahina ka tsy ireo “tsy maty voalavo an-kibo” no handeha hanao vato misakana tsy hanatrarana ny tanjona. Na izany aza, aleo halevina impito mandrifotr’olona ny “halako bika, tsy tiako tarehy” ka rehefa hita fa hevitra mahomby, mba hiaraha-manatontosa fa tsy hotoherina fahatany.Randria. L’article Foano ny « halako bika, tsy tiako tarehy » a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - News Mada

Akademiam-pirenen’ny Fitsaboana: “Tsy fanafody ary malalaka amin’ny tambavy CVO ny tsirairay”

Ho fisorohana ny ahiahin’ny rehetra mikasika fampiasana ny Covid Organics, nihaona tamin’ny filoha ny mpikambana aona amin’ny Akademiam-pirenen’ny fitsaboana (Anamem). Nivoitra tamin’izany ny famelana malalaka ny fampiasana ity tambavy ity eto amin’ny Nosy.Nihaona tamin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ireo mpikambana ao anatin’ny Académie Nationale de Médecine de Madagascar (Anamem), ny alarobia teo. Niaraka tamin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika ny  filoha nandray azy ireo.  Tanjon’ny fihaonana ny hanala ny ahiahin’ireo ekipa siantifika sy mpikaroka manoloana ity  tambavy  novokarina entina hamongorana ny valanaretina  covid-19 ity.“Tsy fanafody fa fitsaboana nentim-paharazana nohatsaraina ity Covid-Organics ity. Mamela safidy  malalaka ny  tsirairay amin’ny fisotroana azy sy ny fanajana tsara ny fatra voalaza ao amin’ny tavoahangy, indrindra ho an’ny ankizy izahay”, hoy ny Anamem.Mahatsapa ny soa entin’ny raokandro malagasy ny Anamem. Na izany aza, manentana izy ireo mba hisian’ny rafitra fanaraha-maso ny fahasalaman’ireo olona nisafidy ny  hisotro ny tambavy Covid Organics.Nanambara ny Anamem fa manohana ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fikarohana vahaolana hiadiana amin’ny valanaretina covid-19. Manohana ny ezaka ataon’ny mpikaroka siantifika  malagasy ihany koa izy ireo.Nanamafy ity fanambaran’ny Anamem ity ny holafitry ny mpitsabo, tarihin’ny dokotera Andrianasolo Eric. Lalàna hafa no mifehy ny fitsaboana nentim-paharazana sy ity tambavy Covid Organics ity fa tsy toy ny fanafody mahazatra.Tatiana AL’article Akademiam-pirenen’ny Fitsaboana: “Tsy fanafody ary malalaka amin’ny tambavy CVO ny tsirairay” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Praiminisitra Ntsay Christian: “Haverina anatin’ny fotoana fohy ny fandriampahalemana”

Na teny Ivato na tany Melaky, voaresaka ny tsy filaminana sy tsy fandriampahalemana. Notsiahivin’ny Praiminisitra Ntsay Christian fa efa ao anatin’ny fiovana izao ny firenena, miaraka amin’ny ainga vaovao hijerena ny tombontsoan’ny vahoaka.“Ho hentitra ary hampihatra ny lalàna amin’ireo tompon’andriki-panjakana mihoa-pefy na manararao-pahefana ny governemanta. Tena vahaolana ny fandrindran’ny tompon’andraikitra tsirairay ny asany ka raha samy mandray ny andraikiny am-pahamarinana lavitry ny kolikoly ny rehetra, ho foana ny tsy fandriampahalemana”, hoy izy tany Melaky, afakomaly. Namory ireo tompon’andraikitra sy olom-boafidy, ireo misahana ny fandriampahalemana ary ny fiarahamonim-pirenena eny anivon’ny faritra ny tenany tamin’izany. Nambarany fa zava-poana ihany ny ezaka rehetra na misy aza ny fampitaovana sy ny fanatsarana ny fotodrafitrasa rehefa tsy misy fandraisana andraikitra sy ny kolikoly.Nanteriny fa tsy maintsy haverina ny fandriampahalemana sy filaminana io ary ao anatin’ny fotoana fohy. Manatanteraka ny zotra momba izany ny governemanta. “Tsapa sy hita anefa fa mbola be ny goragora sy ny tandrevaka ary ny tsy fandraisan’andraikitra manoloana io tanjona io. Hanao ezaka amin’ny fanatevenana sy ny fampitaovana ny mpitandro filaminana  ny fanjakana. Tsy ny asan’ireo mpitandro filaminana ihany izany fa ilaina ny fandraisan’andraikitry ny solontenam-panjakana rehetra”, hoy ihany izy.Ilaina ny fifampitokisana Tsy mifanalavitra amin’izany ny nambarany teny amin’ny CCI Ivato, omaly, tamin’ny famoahana ireo mpianatra ho mpitsara eo anivon’ny ENMG. “Fototra ametrahana ny fahamarinana ny fitsarana ary anisan’ny andrasan’ny vahoaka amin’izao fotoana izao… Tsy misy fandriampahalemana raha tsy mipetraka ny fitsarana. Ilaina ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny fitsarana, tsy mitanila hiaro ny marefo”, hoy izy. Nomarihiny fa manan-danja eo anatrehan’izany rehetra izany koa ny fiovan’ny olom-pirenena tsirairay avy, hampaharitra ny fandriampahalemana hapetraka.Synèse R. L’article Praiminisitra Ntsay Christian: “Haverina anatin’ny fotoana fohy ny fandriampahalemana” a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Harom-paosy sy fanendahana :: Enin-dahy niharan’ny fitsaram-bahoaka teto an-drenivohitra

Nisesisesy ny fahatrarana mpanendaka sy mpangarompaosy ary mpanao hala-botry teto an-drenivohitra, ny faramparan’ny herinandro teo. Roapolo ny fitambaran’ireo voasambotra. Tra-tehaky ny fokonolona sy naratra niharan’ny fitsarambahoaka ny enina tamin’ireo. Nahasambotra efatra ambin’ny folo kosa ny polisy. Misy amin’ireo voatondro ho olondratsy ireo no efa nalefa any am-ponja vonjimaika. Tamina toerana telo, teto an-drenivohitra, no nisy an’ireo enin-dahy niharan’ny hatezeram-bahoaka. Anisan’izany ilay lehilahy teny Ampasika, izay naratra mafy nodarohan’ny andian’olona rehefa tratra avy nanendaka sy nandratra vehivavy iray. Nisy telo lahy saika nanao hala-botry teny Ambolokandrina ka nifanenjehan’ny fokonolona sy voadaroka ihany koa. Nofatoran’ny olona teo amin’ny andrin-jiro ny lehilahy iray hafa tratra saika nangalatra vatoaratra tamina fiara, teny Ankerana. Mpandroba tantsaha mitondra entana vao maraina sady mpamaky trano sy mpanendaka eny amin’iny faritra 67Ha sy ny manodidina iny ny valo tamin’ireo efatra ambin’ny folo lahy voasambotry ny polisy. Nahatrarana antsy lava telo sy vy roa tany amin’ireo andian-dehilahy ireo. Teny amin’iny faritra Ambohimanarina iny kosa ny dimy lahy tratran’ny polisy mbola noho ny raharaha vaky trano sy hala-botry ary fanendahana hatrany. Polisy nanao fanamiana sivily indray no nahasambotra lehilahy mpangarompaosy teny Analakely. L’article Harom-paosy sy fanendahana :: Enin-dahy niharan’ny fitsaram-bahoaka teto an-drenivohitra est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

SESAM – Andiany faharoa: taranja 12 hifampizara traikefa

Miditra ao anatin’ny andiany faharoa amin’ny taona ity ny hetsika karakarain’ny Seho Event, nomeny ny anarana hoe Sesam (Sports Extrêmes et Salon des Arts Martiaux). Hetsika natokana indrindra ho an’ny taranja “arts martiaux”. Ny 9 hatramin’ny 11 aogositra no hanatanterahana izany, eny amin’ny Parvis Analakely, hampisehoan’ireo mpikatroka ao anatin’ireo taranja 12 mandray anjara, ny mampiavaka ny taranjany tsirairay. Araka ny efa nahafantarana azy, hisarika ny tanora hankafy sy hampiroborobo ny fanatanjahantena, fa tsy ho variana amin’ny zava-mahadomelina sy ny revy, no tena tanjona amin’ity hetsika ity. Hiavaka ny amin’ity andiany faharoa ity satria misy ireo taranja vaovao sambany ho tazana amin’ity hetsika ity, toy ny taranja Kempo, ny taibo, ny Akama ary ny Kickboxing.Araka ny nambaran’ny mpikarakara, amin’ny toerana be olona no hanaovana azy ary hitombo bebekokoa noho ny tamin’ny taon-dasa ny fampisehoana isaky ny taranja. Hisy mihitsy, ny tatami lehibe hanaovana izany fampisehoana izany, hisy ihany koa ny fampianarana maimaimpoana. Ankoatra izay, toy ny mahazatra, tsy ho very anjara ireo izay maniry ny hividy na hanjifa fitaovana ara-panatanjahantena, hisy ny fampirantiana izany, toy ny fanamiana ara-panatanjahantena sy ireo fitaovana ilaina amin’ny taranja “arts martiaux” ary ny “sports extrêmes”. Mbola hisy ihany koa ilay tombola hahazoana loka goavana sy loka maro be mifandraika indrindra amin’ny resaka fanatanjahantena. Tapakila fidirana 2000 ar dia efa mety hahazoana izany loka izany.Araka ny fanazavana nentin’ireo dojo sy ny taranja efa nandray anjara tamin’ny herintaona, nahafa-po ary tena nitondra vokatra tsara tamin’ny fampandrosoana ny taranja tsirairay avy, ny andiany voalohany. Antony mbola mahatonga azy ireo hanatevin-daharana izany amin’ity andiany faharoa ity. Ho an-dRakotonirina Parfait, avy amin’ny taranja Kempo sy MMA (Mixed Martial Arts), sambany ny fandraisana anjara amin’ity, isan’ny nanosika azy ny fahafahany mampisongadina ny taranja Kempo sy MMA eto Madagasikara, amin’ny alalan’ity hetsika karakarakin’ny Seho Event ity, hampisehoany ihany koa fa manana zavatra betsaka omena ny mpikatroka malagasy amin’io taranja io.Mampanantena, araka izany, ny Seho Event, fa ho seho sy hetsika miavaka no ho hita mandritra ny 3 andro, ny 9, 10 ary 11 aogositra eny amin’ny Parvis Analakely. Mi.RazL’article SESAM – Andiany faharoa: taranja 12 hifampizara traikefa a été récupéré chez Newsmada.

News - Triatra

Lozam-piarakodia tany Ambositra : 2 namoy ny ainy, 52 naratra

Miisa 2 no namoy ny ainy nandritry ny lozam-pifamoivoizana niseho tany amin’ny distrikan’Ambositra, izay nateraky ny karandalana. Io no vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tany amin’ny lalan’Ivato, fokontany Itsengy, 8 kilometra tsy hidirana an’Ambositra. Ny talata lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Fiara vaventy iray nitondra olona maro nandeha nianatsimo hihazo an’i Bekily, sy Fort-Dauphin no nifatratra tany anaty hantsana. Ankoatra ireo olona namoy ny ainy, dia saika naratra avokoa ny ankamaroan’ireo mpandeha rehetra tao anatin’ity fiara niharan-doza ity, vokatry ny fahavoazana. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ihany koa ny tsirairay. Raha mbola arahi-maso any amin’ny hopitaly ao an-toerana kosa ireo tena voa mafy. Araka ny nambaran’ny zandarimariam-pirenena, dia olana ny tsy nahatafidiran’ny ”vitesse”, izay isan’ny nahatonga ny loza, teo ihany koa ny fanaovana taingimbe, izay efa teo amin’ny 82 ny mpandeha tao anatiny. Niezaka ny namerina izany ihany ny mpamily, saingy tsy nahafehy ny hafainganam-pandehan’ny fiara nentiny, raha nihemotra tampoka izy. Nampandre ny zandary avy hatrany ireo olona nahita tany an-toerana. Tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana avy eo anivon’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena. Maro ireo olona no voatsindrin’ireo entana mavesatra, ka voatery nosokirina, ka tamin’izany no tsy tana ny ain’ireto mpandeha. Fanakanan-dalana Araka ny fitantaran’ny mpamily, lozam-pifamoivoizana nateraky ny fanakanan-dalana no niseho. Nandeha mafy ny tenany izao nitera-doza izao. Nifanehitra tamin’ny taksiborosy zotra nasionaly teo amin’ny fiholanana nisy fiakarana kosa izy ireo, izay nilaza taminy fa misy fanakanan-dahalo tany amin’ny lalana nandehanana. Tamin’izany indrindra no niezaka niala lalana ilay fiara kamio, nanapa-kevitra hiverin-dalana ny mpamily, ary dia nihemotra aloha ka izao nivarina tany anaty hantsana izao. Ora vitsy ihany dia tonga namantana teo amin’ity fiara niharan’ny lozam-pifamoivoizana ireo dahalo nanararaotra nangalatra ny entan’ireo mpandeha, tamin’ny alalan’ny fandrahonana tamin’ny basy. Natahotra noho ny fandrahonana tamin’izany ny mpamily mpanampy izay saika niezaka nanohitra, ka voatery nanome ny entana. Valérie R. L’article Lozam-piarakodia tany Ambositra : 2 namoy ny ainy, 52 naratra est apparu en premier sur .L’article Lozam-piarakodia tany Ambositra : 2 namoy ny ainy, 52 naratra a été récupéré chez Triatra.

News - Santé

ADY AMIN’NY CORONAVIRUS MADAGASIKARA MIATRIKA NY CORONAVIRUS Mitohy hatrany ny fampitaovana hanatsaràna ny rafipahasalamana iatrehana amin’ny ady amin’ny Covid-19. Ny COI (Commission de l’Océan Indien), izay fivondronan’ny firenena eo amin’ny ranomasimbe Indiana, dia manohana tanteraka ny ezaka ataon’ny Ministeran’ny Fahasalamambahoaka, amin’ny alalan’ny fanolorana fitaovana maro, toy ny « concentrateur d’oxygène », « tenue de protection », « Caméra thermique », izay santionany ihany ireo, ary mbola misy andiany hafa ho avy. Nanamafy arak’izany Andriamatoa Sekretera Jeneraly ny Ministeran’ny fahasalamambahoaka, raha nandray ara-pomba ofisialy ireo fitaovana teny amin’ny seranampiaramanidina Ivato, ny maha sarobidy sy zavadehibe ireo fitaovana ireo, ho fanampiana ireo efa ampelantanana, ahafahantsika mandresy haingana ny valanaretina Covid-19. Lisitr’ireo entana voaray L’article a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - News Mada

Fanohanana sy fiaraha-miasa: mitaky fitsarana mahaleo tena sy itokisana ny Amerikanina

Nampahafantarina, omaly, ny tetikasa maharitra dimy taona vatsin’ny Amerikanina vola hanatsarana ny fitantanana ny volam-bahoaka. Nambaran’ny ambasadaoro amerikanina, i Michael P Pelletier, sy ny filoha voalohan’ny fitsarana tampony, Rajaona Andriamanankiandrianina, izany tetikasa 4 tapitrisa dolara izany. Hanamafisana ny fahafaha-mahefan’ny fitsarana momba ny kaonty sy hanatsarana ny fitantanana ny volam-bahoaka izany. Mazava ny nambaran’ny ambasadaoro Pelletier fa singa iray manan-danja ahafantarana firenena demokratika tsara tantana ny fisian’ny fitsarana mahaleo tena sy azo itokisana. “Mahafaly anay ny manohana azy, manamafy ny fahaiza-manaon’ny mpiasa ao aminy. Manatsara ny kalitaon’ny fanaraha-maso ataony, ary manitatra ny andraikitra sahaniny”, hoy izy. Hanatsara ny fitantanana anatiny, hanamafy ny serasera sy ny fifandraisany amin’ny vahoaka, ary hanatsara ny kalitao sy ny fiantraikan’ny fanaraha-maso ataon’ny fitsarana izany. Nanambara ny filoha’ny fitsarana momba ny kaonty Rakotondramihamina Jean de Dieu fa mendrika hanana fitsarana momba ny kaonty mahaleo tena, hita miasa sy mendri-pitokisana ny vahoaka. “Manamafy ny Andrimpanjakana eto amintsika isika izao hahafahan’ny firenena matoky ny fitantanana ny volam-bahoaka”, hoy izy.Synèse R.L’article Fanohanana sy fiaraha-miasa: mitaky fitsarana mahaleo tena sy itokisana ny Amerikanina a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090
20/06/2021

Antminer Bitmain S19J Pro, SHA-256 with Hashrate, 100.00TH/sAntminer Bitmain S19J, SHA-256 with Hashrate, 90.00TH/sAntminer Bitmain S19 Pro, SHA-256 with Hashrate, 110.00TH/sAntminer Bitmain S19, SHA-256, with Hashrate, 95,00TH/sAntminer Bitmain T17+ SHA-256, with Hashrate, 58.00TH/sAntminer Bitmain T17, SHA-256, with Hashrate, 40TH/sGeForce RTX 3080 / 3070/3090 GTX 2080 Ti, 1080 Ti, 1070 Ti, 2080, 1080, 1070, 1060 Ti, 1060, 2080 Ti, RTX 2070 , RX 5700 XT. NVIDIA GeForce RTX 3060 Ti NVIDIA GeForce RTX 3080  NVIDIA GeForce RTX 3090All Sealed In Original Box With Warranty Full Accessories With Discount.REQUIRED FOR YOUR ORDER AS QUICK AS POSSIBLE .... Urgent Response Whatsapp : +17076412645 E-mail : ms7088344@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090".

Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) francophones. Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 160 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC. MISSION En tant que Téléconseiller(ère) francophone, vos missions seront : PROFIL VOS AVANTAGES Si tout cela vous parle, vous êtes le candidat qu’il nous faut ! Merci de postuler en ligne sur notre site www.eufonie.fr/jobs. Vous pouvez également adresser votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ; Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones".

A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES
16/06/2021

A VENDRE : CHEVROLET SPARK (DAEWOO MATIZ 4), FAIBLE KILOMETRAGE, ANNEE 2012, TRES BONNE OCCASION DE COREE, IMMATRICULATION ETRANGERE, ARRIVEE RECEMMENT A MADAGASCAR (4 semaines), boite de vitesses AUTOMATIQUE, moteur ESSENCE 3 S- TEC II 16V, TOUTES OPTIONS :-Direction assistée-Freinage ABS-Rétroviseurs électriques  - Intérieur cuir, confort et propre-Tableau de bord multifonctions-AIRBAGS-4 Vitres électriques-Sièges chauffantes-Verrouillage centralisée avec commande à distance-Climatisation bien frais-Radio d’origine CHEVROLET avec BLUETOOTH/USB/MP3/CD-4 Jantes alu d’origine-Barre de toit VOITURE TRES CONFORTABLE, TRES SILENCIEUSE ET ULTRA- ECONOMIQUEETAT IMPECCABLE PETITE CITADINE, AGREABLE A CONDUIRE, IDEALE POUR FEMME PRIX : 21M8AR (109.000.000 FMG) LEGEREMENT DISCUTABLE CONTACT DIRECT : 0338741679 / 0346464584(Aleo mba tonga dia miantso fa tsy mi- connecte matetika , MERCI!)Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES".

Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement
15/06/2021

Bonjour,  il y a plusieurs manières de se faire de  l'argent en ligne chez soi et gagner de petits revenus en cette année 2021. Si cela vous intéresse suivez ces liens et inscrivez vous :Voulez vous gagner de l'argent en ligne sans fournir trop d'effort ? Si oui je vous propose de visiter ce site qui vous permet de gagner un revenu mensuel acceptable.https://rupee4click.com/48ks0efa nazaoko avec preuve de paiementinscrit et vous gagnerai Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement".

A louer TANY AHOFA
15/06/2021

Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer TANY AHOFA".

Emploi et services Développeur Laravel
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans l'externalisation,Développeur LaravelEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVLARAVEL-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Laravel".

Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT
14/06/2021

Voici des sites qui permettent de gagner de l'argent gratuitementhttps://mining-forever.com/?ref=rajaonarshttps://duplinow.com?aff=70888https://banana-cash.com?aff=15898https://topmining.host/?ref=1190Vous n'avez pas de compte payeer ?https://payeer.com/?session=16887921Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
16/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services Un Contrôleur de gestion
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans la relation clientèle et BPO à Madagascar, recherche activement un (01) contrôleur de gestion :   Vous aurez pour mission :Votre Profil :Vos avantages :Merci d’adresser votre candidature composée de votre CV et d’une lettre de motivation à l’adresse recrutement@eufonie.frSeules les candidatures présélectionnées feront l’objet d’un entretienCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Un Contrôleur de gestion".

Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) bilingues anglophone.Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 150 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC.En tant que  Téléconseiller(ère) bilingue, vos missions seront de :PROFIL :VOS AVANTAGES :Merci de postuler votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ;Pour entrevoir nos offres d'emplois, merci de visiter www.eufonie.fr/jobs.Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones".

A vendre Mégane Scénic
15/06/2021

A vendre RENAULT MEGANE SCENICVitre Electrique, Verrouillage Centralisé, direction assistée, AIRBAGS, Très Bonne Etat, SANS DEVOIR, Année de mise en circulation 2001, bôite de vitesse manuel, diesel, faible consommation, puissant, 5 places, 5 portes, radio d'origine, intérieur très bonne état. Prix: 11 200 000 ar à debattreContact: 033 37 574 65Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Mégane Scénic".

A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE – TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨
18/06/2021

✨✨  ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE -  TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨L’Agence Immobilière AINA Antsirabe vous propose à la vente, ce beau terrain plat constructible,  idéal pour des projets. Terrain titré et borné. Situé au bord de route principale. Accessible en voiture.Electricité à proximité.➡️ LOCALISATION : ANDRANOMANELATRA à 500m  de la route nationale  RN7➡️ SURFACE DU TERRAIN : 02HA 10A 09CA   NON MORCELABLEPour plus d’informations contactez-nous🏠 AGENCE IMMOBILIÈRE AINA ANTSIRABE🌐 https://aina-immobilier-antsirabe.com📩 contact@aina-immobilier-antsirabe.com☎ 0340255077 - 0330255077 – 0328347800Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE - TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨".

Notsongaina

Barea : Les petits devant…
14/06/2021

Les « petits » Barea, avec de gauche à droite, El Hadari, Tsiry et Doddy qui ont fait sensation à Ambohidratrimo. Le match test des Barea de samedi, au stade Odeam Rakoto à Ambohidratrimo, a mis en lumière le talent des joueurs locaux de petite taille. Une issue qu’apprécie, à juste titre, le coach Éric Rabesandratana et qui devrait lui faire changer d’avis à l’avenir. Notamment sur ses premières impressions mettant en doute la capacité des locaux à assimiler les dispositions technico-tactiques. Le football malgache est en train de revivre la belle époque des frères Rabemananjara, Kiki et Alban, mais aussi Mick Andrianasy, Roland Kely Rakotondrasoa et tous ceux qui sont petits par la taille mais grands par le talent. N’Golo Tsiry. Il fallait être à Ambohidratrimo pour voir Tsiry de l’Ajesaia donner le tournis à tous ses adversaires. Son jeu ressemble étrangement à celui de N’Golo Kanté tant par ses charges que ses passes lumineuses. El Hadari, son coéquipier, est aussi crédité d’une prestation remarquable même si ses lumineuses passes ont été, par deux fois, gâchées par Voavy Paulin. Au rang des petits qui ont brillé, samedi, on citera aussi Doddy et Tsito de JET Kintana. Petit par l’âge mais grand par la taille et le talent, Mathyas Randriamamy a aussi montré qu’on pouvait maintenant lui faire confiance. Son arrêt déterminant sur le penalty de Hakim Abdallah en était la parfaite illustration, le Parisien est prêt pour la bataille. Mais il n’était pas le seul car le gardien de l’Adema, Nina a aussi montré un visage séduisant. Vévé pas à sa place. La petite déception des stars des premiers jours vient en l’occurrence de deux joueurs du Five FC. Si Bancé, replacé sur le flanc droit, n’a pas réussi à sortir du lot, Vévé, pourtant comparé par Eric Rabesandratana au Parisien Moïse Kean, est placé bien trop bas pour recouvrer son potentiel offensif. Quant à Fabrice, il s’est montré exact au rendez-vous avec ce missile des 25m sur lequel Melvin Adrien n’a pu rien faire rappelant un des quatre buts encaissés par ce portier à Bahir Dar. Les cadres ont aussi confirmé leur statut à l’image de Morel, Mombris, Berajo et dans un degré moindre Théodin. Mais replacé sur le flanc droit de la défense, ce dernier s’est montré moins tranchant. Dimitri Caloin a toutefois retrouvé le moral en réintégrant la charnière centrale. La seule reproche qu’on pouvait lui faire, c’est de ne pas avoir suivi Hakim lors du penalty. Dax pour sa part, n’a jamais su retrouver son niveau quand il était au Fosa. Mais pour sa défense, il peut toutefois invoquer cette place inhabituelle sur le flanc au milieu du terrain. On citera également les absents dont Anicet resté sur les bancs en invoquant le fait qu’il ne supportait pas un entraînement intensif de plusieurs jours sur une pelouse synthétique. Quant à Carolus, il est occupé à retrouver ses bagages perdus lors du transit à Paris. Mais l’erreur venait de lui-même car il ne les a pas enregistrés directement sur Tana alors que sans visa, il n’avait pas le droit de sortir à Paris. On aurait pourtant aimé le voir, lui et Anicet, lors de ce match test de 3x30mn combien édifiant. Clément RABARY  L’article Barea : Les petits devant… est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Barea : Les petits devant… a été récupéré chez Midi Madagasikara.

« Tana masoandro »: hisokatra ny fahazoana ny trano fonenana  
17/06/2021

Hiainga amin’izay ny tetikasa ary handeha tsikelikely ny famindrana ny biraom-panjakana. Efa mandeha koa ny fanadihadiana ho an’ireo fangatahana ahazoana trano fonenana. Nidina ifotony teny Tsimahabeomby, Imerintsiatosika, omaly, ny minisitra lefitra misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, i Zasy Angelo. Nijery ny famaritana ny toerana hanorenana ny tetikasan’ny filoham-pirenena eny an-toerana ny tenany. Anisan’izany ny fanamboaran-dalana amin’izany toerana izany. Efa miatrana hanao ny asa ireo fitaovana fanamboaran-dalana avy amin’ny faritra Analamanga sy ny avy Itasy. Mirefy eo amin’ny 980 ha ny toerana hanaovana tetikasa.Hafindra eny Tsimahabeomby ny biraom-panjakanaEo koa anefa ireo ampahan-tanin’olona tafiditra ao anatin’izany. “Ahafahana manitatra ny tanàn-dehibe izao tetikasa izao ka hafindra ny biraon’ny minisitera etsy Anosy. Mitovitovy amin’ireo ihany ny haorina ety”, hoy izy.Natsidiny sahady fa natokana ho an’ireo manana fidiram-bola mazava ny trano “logements sociaux”.Trano fonenana maherin’ny 50 000 haorinaEfa mandeha ny fanadihadiana momba izany. “Misokatra ho an’ny rehetra ny fahazoana ny trano, indrindra ho an’ireo mpiasam-panjakana manana kaonty any amin’ny banky na koa ireo manana taratasy fandraisam-bola ary manana ny fiahiana eo amin’ny asa”, hoy ihany izy. Maherin’ny 50 000 rahateo ireo trano fonenana haorina mitsinjara amin’ny toerana samihafa, ankoatra ny eny amin’ny Tana masoandro. Anisan’izany ny eny Bongatsara, Anosy Avaratra sy ny toerana hafa koa.Synèse R.L’article « Tana masoandro »: hisokatra ny fahazoana ny trano fonenana   a été récupéré chez Newsmada.

REGION ATSIMO ANDREFANA : Le gouverneur Tovondrainy Edally rassure
15/06/2021

Tout en luttant contre le Covid-19 depuis mars 2020, l’équipe du Gouverneur Tovondrainy Edally a poursuivi son plan pour le développement de la RAA. «RAA Zone blanche » certainement, si on se réfère aux résultats obtenus, car on ne peut travailler sous les feux des pillards. Un bilan, somme toute largement positif, égrené par le gouverneur de la Région Atsimo Andrefana devant plusieurs journalistes de radio, télévision et presse écrite de Tuléar le 10 Juin dernier. Tous les secteurs ont porté des changements, un véritable marathon de performance, en veillant particulièrement à l’économie rurale et à la pêche, tout en préservant l’environnement et protégeant la biodiversité, touchant les 9 districts de la Région. Construction ou réhabilitation de 30 km de canaux d’irrigation, dont 12 km à Bevava et le reste dans le district de Morombe. Des routes en pavé ou terrassement, un peu partout, à Ankazoabo ou Betioky et Tuléar, évidemment, sauf la rue qui mène vers le gouvernorat. La RN9 qui conduit vers le Nord de Tuléar est déjà goudronné jusqu’à Analamisampy (107km). Elle se poursuit vers Morondava, traversant le plus long pont de Madagascar, 900m, enjambant la rivière Bevoay, en passant par Manja. L’éclairage rural gagne du terrain et arrive à Beroroha, à la grande satisfaction des habitants. Un barrage à Ampanihy pour maîtriser l’eau et promouvoir la riziculture. Mais, c’est l’enseignement qui a engagé le plus d’investissement. « Ce qui est normal », dit un vieux professeur. « La province de Tuléar reste toujours la plus analphabète de toutes». 117 salles de classe dont 105 EPP, des Centres d’Enseignement Général, des Lycées et des Centres de Formations Professionnelles (2 680 bénéficiaires de formation en pâtisserie et pisciculture). La jeunesse et le sport n’ont pas été négligés, puisque la Cité du Soleil a bénéficié d’une piscine olympique, en cours. Le Stade de Me Kira entièrement rénové, tapissé de gazon artificiel, sans oublier un gymnase de 4 000 places. Tandis que Sakaraha et Ampanihy ont obtenu des gymnases de 1 000 places. La RAA abrite plusieurs zones enclavées. Des villages absolument inaccessibles, sans l’intervention des nouvelles techniques de communications (NTIC), dans les districts d’Ampanihy, Betioky, de Sakaraha et d’Ankazoabo, utilisation de l’internet et de téléphone travaillant avec un satellite (Vsat à Beroroha) ce qui permet d’appeler du secours en cas d’attaque de brigands de grand chemin. Mais qui dit NTIC, dit aussi panneaux solaires, surtout que la RAA ne manque pas de soleil. Grâce à la vulgarisation des Smartphones, certains maires de ces localités ont installé des HotSpots qui permettent aux jeunes de se connecter gratuitement et de se communiquer entre eux. L’Hôtel de Ville de Tuléar permet aussi de se connecter gratuitement à un service de wifi. Pour la première fois, les tuléarois ont vu s’ériger du sable, un grand Bazar à étage, avec deux bâtiments reliés par une passerelle. Une paix entraîne en une autre. Le vol de zébus a diminué fortement grâce au Dinabe (convention entre communautés de plusieurs localités). En effet, après plusieurs attaques aux textes du Dinabe original, l’équipe de Tovondrainy Edally a apporté une amélioration, en admettant « un conseil des sages », pour réfréner les zèles profiteurs, c’est ce qui manquait pour une meilleure harmonie et une paix sociale chez les éleveurs et possesseurs de milliers de bovidés. D’où la renommée de la RAA de « Zone blanche », que les autres Régions jalousent silencieusement. Charles RAZA L’article REGION ATSIMO ANDREFANA : Le gouverneur Tovondrainy Edally rassure est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article REGION ATSIMO ANDREFANA : Le gouverneur Tovondrainy Edally rassure a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Police nationale : 500 MAS 36 et 50 pistolets mitrailleurs remis par l’Armée
19/06/2021

Les efforts pour le rétablissement de la sécurité et de la paix dans tout le territoire se renforcent au niveau des forces de l’ordre. Dans cette action, une cérémonie militaire dédiée à la dotation d’armes effectuée par l’Armée Malgache à la Police nationale a été tenue hier dans la matinée au camp du Capsat à Soanierana. Décidé récemment en conseil des Ministres, cette cession d’armes porte sur 500 Fusils MAS 36 et 50 pistolets mitrailleurs. En recevant cette dotation, le Ministre de la Sécurité publique, le Contrôleur Général de Police Fanomezantsoa Rafanomezantsoa a rappelé que la restauration de la paix et de la sécurité  constitue le « Vina n°1 » du Président de la République Andry Rajoelina. Pour atteindre cet objectif, les forces de l’ordre doivent faire preuve de collaboration et de fraternité. D’après lui, ces deux principes sont actuellement vérifiés par cette remise de matériels. Il a rappelé que l’année dernière, la gendarmerie a déjà fait le même geste à la police. Mais en ce qui concerne particulièrement la police, la réception de ces armes la permet d’équiper les commissariats et les postes de polices nouvellement construits dans les régions surtout dans les zones rouges. C’est exactement l’objectif du donateur comme il a été dit par le Ministre de la Défense nationale, Général de Corps d’armée Richard Rakotonirina lors de sa prise de parole. « Que cela permette  le rapprochement entre les forces de l’ordre et la population et que les policiers assument leur travail avec quiétude. Dans leurs discours, les deux ministres ont tous manifesté leur souhait de voir la fête de l’indépendance se dérouler dans le calme et sans aucun incident malgré la multiplication des actes de déstabilisation depuis ces derniers temps. Le Secrétaire d’Etat chargé de la gendarmerie, le commandant de la gendarmerie nationale (Comgn), et le directeur général de la Police nationale (Dgpn) étaient présents à cette cérémonie. La convention portant sur cette cession d’armes a été signée par le Cmgn et le Dgpn. T.M. L’article Police nationale : 500 MAS 36 et 50 pistolets mitrailleurs remis par l’Armée est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Police nationale : 500 MAS 36 et 50 pistolets mitrailleurs remis par l’Armée a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Sambatratittude life: tontosa ny fampiofanana “fahaiza-mitarika”…
15/06/2021

Tontosa ny asabotsy teo ny fiofanana amin’ny fahaiza-mitarika na ny « leadership » ” sy ny “communication interpersonnelle”, nokarakarain’ny Sambatrattitude life, tetsy amin’ny  Centre sociale Arrupe Faravohitra. I Dadafara Zilibera sy i Kantopitia no nitondra ny fampiofanana. Nizara roa mazava ny tanjona tamin’izany: voalohany, hetsika nitadiavam-bola hanodidina ny tetikasan’ny mpikambana iny. Faharoa, fanampiana ireo olona mpitarika tsy mahatarika na tsy ampy fahaiza-manao, nanampiana ireo manana olana amin’ny tsy fahaiza-miresaka sy mandresy lahatra mihitsy ihany koa, ary natao indrindra mba hanampiana ny hafa hahalala ny tenany sy ny hafa hahamora ny serasera sy ny resaka, rah any filazan’i Dadafara Zilibera.Miisa 27 mianadahy ireo nanatrika ity hetsika ity, ary azo lazaina fa tratra ny tanjona satria nihoatra ny vina nokasaina ireo olona tonga. “Niova ny fanao omaly, nampiasana “projecteur” ny “presentation”, izay tsy fanaonay hatrizay, tsapa hoe miroso amin’ny fahamatorana hatrany ny tena, ary mbola sahy mifanamby sy manome toky ireo mpanaraka foana hoe hanome ny tsara indrindra, izay koa ilay maha mpitarika”, hoy i Dadafara Zilibera. Ilana fahaizana sy traikefa ny fitondrana olona, maro ireo manana vina tsara fa ny famoahana azy no olana matetika, izany indrindra no ilana fiofanana amin’ny hivoarana amin’ny zavatra atao.NarilalaL’article Sambatratittude life: tontosa ny fampiofanana “fahaiza-mitarika”… a été récupéré chez Newsmada.

Fandinihana tena, tany, teny… izao         
17/06/2021

 Amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fiverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena izao, na efa naman’ny ao anatin’izany: tsy mampitovy hevitra sy fijery ny sasany etsy sy eroa ny amin’ny tokony hananganan-tsaina na tsia. Nahoana? Lasa adihevitra politika ho azy amin’izao ny raharaha: tsy hita izay anehoana ny likilikim-po, sanatria? Na amoahana ny tsy fahazakana ny zava-mitranga sy izay iainana ary atao…Ratsy sy tsy mety amin’ny tena izay iainana? Vao mainka haratsiana sy potehina amin’ny tsy fahatsiarovan-tena amin’ny fiheverana sy ny fanomezan-kasina ny firenena… Hanovana inona amin’izany ny tsy fananganan-tsaina? Na efa ifanondroan’ny hafa molotra aza, na hitan’ny havany eo… Tsy ny fitiavan-tanindrazana sy ny hasarotam-piaro ny amin’ny maha firenena ny firenena aza ve no tokony hananganan-tsaina?Toy ny mpivady miady tsy mahavita mifamono mivantana izany: ny fitaovana ao an-trano no anazerana ny alahelo sy anamparan-kery. Fahasimban-javatra no vokany, fahapotehana. Avy eo, hanarina sy hanonitra ny rava ihany rehefa tsy mandeha amin’ny fisarahana tanteraka. Amin’ity hoe tsy fananganan-tsaina, ny tanindrazana iombonana tokony hampiombona no tsy ifankahazoana sy ndeha hampiady an-toerana?Sao tsy fitiavan-tanindrazana intsony ny manetsika sy manesika fa fitiavan-tena? Fotoana fandinihan-tena izao hoe fahatsiarovana ny fiverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena izao; fandinihana ny tany mila ihavanana sy mampihavana fa iaraha-miaina; fandinihana ny teny atao ihany koa fa misy teny tsy tsaroana amin’izay firain’ny vava: mbola mila henoina sy inoana? Misy lolompo, fandranitana, fihantsiana…Misy mahita fa maizina aminy avokoa ny zava-drehetra, na ny tany aman-danitra aza: tsy misy na inona na inona, hono; tsy ahita-mangirana amin’izay atao. Izany no tsy ananganan-tsaina? Mila ampiasaina ny saina raha mbola mahatsiaro tena, manana firenena isiana sy iainana… Ahoana ny tena amin’ny teny atao eto amin’ny tanin’ny tena?Rafaly Nd. L’article Fandinihana tena, tany, teny… izao          a été récupéré chez Newsmada.

Vaovaon’ny kitra : niverina any amin’ny kliobany ireo Barea
19/06/2021

Omaly zoma tamin’ny 11 ora antoandro no niverina namonjy ny kliobany tsirairay avy ireo mpilalaon’ny Barea, rehefa avy namonjy ny fampivondronana voalohany, notanterahina teto Madagasikara nandritra ny hafoloana. Niara-dalana tamin’izy ireo ihany koa Rabesandratana Eric sy ireo mpiara-miasa aminy. Araka ny fantatra, any amin’ ny volana aogositra indray vao hiditra amin’ny fampivondronana faharoa ny Barea. Mbola mijanona eto an-toe­rana kosa i Ibrahim Amada fa ny 29 jona izy vao hamonjy ny ekipa hilalaovany any Qua­tar.Lasa atsy La Réunion i Arnaud (Ya Ya) Araka ny vaovao hita ta­min’ny tambajotran-tsera­sera, omaly, lasa nihazo ny Nosy La Réunion, omaly zoma ihany koa Randrianantenaina Arnaud (Ya Ya). Hilalao ao amin’ny JS St Pierroise, ny tovolahy. Raha ny fantatra, herintaona azo havaozina ny faharetan’ izao filalaovany ao St Pierre, izany. Tsy mbola fantatra kosa ny tentim-bidin’izao fifindran-toeran’i Ya Ya, izao. Tsiahivina fa vao 20 taona i Arnaud, amin’izao fotoana izao, ary anisan’ireo lohalaharana mahay mamono baolina. Efa nandrafitra ny Barea de Madagascar U20, niatrika ny Cosafa tany Zambia, ny taona 2018 izy.TompondakaL’article Vaovaon’ny kitra : niverina any amin’ny kliobany ireo Barea a été récupéré chez Newsmada.

Andohatapenaka: nirefodrefotra ny basy, jiolahy iray rotiky ny balan’ny polisy
14/06/2021

Hatairana vao maraina ny an’ireo olona mipetraka eny Andohatapenaka sy ny manodidina raha nandre ny firefodrefotry ny basy, ny asabotsy teo. Jiolahy mpanakan-dalana no nifanehatra tamin’ny polisy. Jiolahy iray lavon’ny bala raha azo sambo-belona kosa ny namany iray hafa…Polisy misahana ny ady amin’ireo jiolahy mitam-piadina mahery vaika (SAG) sy ny ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito (CSP7) 67ha ireto nifampitana tamin’ny jiolahy mpanakan-dalana teo Andohatapenaka ireto. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny polisin’ny Sag, tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny 2 ora sy 30 mn maraina, nahazo angom-baovao ny polisy fa misy andian-jiolahy mitondra basy sy antsy lava manao sakan-dalana amin’ny sarety miisa telo ny lalana etsy Andohatapenaka. Taxi-be iray nitondra mpivarotra legioma vao maraina no tratran’ny sakana nataon’ireto jiolahy ireto. Niditra an-keriny tao anaty fiara izy ireo ka lasan-dry zalahy avokoa ny vola hatramin’ny firavaka tany amin’ireo mpandeha. Fotoana fohy taorian’izay, tonga teny an-toerana ny polisy nanao ny fanarahan-dia ireto olon-dratsy ireto, nanamafy rahateo ireo mpandeha voatafika fa mbola tsy lasa lavitra ry zalahy. Raikitra ny fanenjehana nataon’ny polisy ka tratra teo Ankasina ireto andian-jiolahy ireto. Raikitra ny fifampitifirana ka maty voatifitra ilay jiolahy nitondra basy. Azo sambo-belona kosa ny jiolahy iray hafa. Basy kilalao no nentin’ireo jiolahy nampihorohoro… Tao anatin’ny tebiteby no niainan’ireo mponina teny amin’ny manodidina ny toerana nisian’ny fifampitifirana. Tafaporitsaka nandritra ny fifanjevoana ny jiolahy roa hafa. Nandritra ny fizahana  no nahitana fa basy kilalao no nampiasain’ireto jiolahy ireto nandritra ity fandrobana ity, ankoatra ilay antsy lava hita tany amin’izy ireo. Nanamafy ny polisy fa mitohy ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, indrindra amin’izao ankatoky ny fety fankalazana ny tsingerin-taona nahazoana ny Fahaleovantena izao. Fantatra fa ao anatin’ireo tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana eto an-drenivohitra ry zalahy ireto, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy hatrany.Jean ClaudeL’article Andohatapenaka: nirefodrefotra ny basy, jiolahy iray rotiky ny balan’ny polisy a été récupéré chez Newsmada.

HCDDED: “Fifanatonana no hahazoana ireo Nosy malagasy”
18/06/2021

“Ny fifanatonana sy ny fahaiza-mandresy lahatra no hetsika lehibe hahazoantsika an’ireo Nosy malagasy ireo. Tsy ho azontsika ireo raha irotorotoantsika, fa tsy vonona amin’izany isika.” Io fanehon-kevitry ny filohan’ny HCDDED, i Navony Pierre Lenoble.Tokony ho olona mahay ny tantara sy mahay fifandraisana iraisam-pirenena no alefa miresaka amin’izany. Mibaiko sy mahita ny hanaovana ny fandresen-dahatra na fanerena ny amin’ny hahazoana an’ireo Nosy ireo.“Raha hilahatra isika : tsy homeny ireo, fa misy fifanatonana hatao amin’i Frantsa”, hoy izy. Efa nisy ny fehinkevitry ny ONU ny taona 1979, nefa tsy mihatra hatramin’izao.Raha azo ireo Nosy ireo, lasa any amin’ny faritanin’iza ary iza no hitantana azy? “Tsy vitantsika  koa izany. Mbola miroaroa saina isika. Inoana no mahamaika antsika ho any? Ny eto aza, tsy vitantsika ny mandrindra azy“, hoy ihany izy.R.Nd.L’article HCDDED: “Fifanatonana no hahazoana ireo Nosy malagasy” a été récupéré chez Newsmada.

Tsangambaton’ny faha-100 taona: vita ny « tribune » an’ny seminera zandriny eny Ambohipo
19/06/2021

Noraisina vonjimaika. Ni­dina teny amin’ny kianjan’ny seminera zandriny eny Am­bo­hipo, ny arsevekan’Antanana­rivo, ny Mgr Razanakolona Odon sy ny filohan’ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny seminera zandriny, Andriama­nanoro Augustin, afakomaly. Nijery ifotony ny fahavitan’ ny “Tribune” ho an’izao jobily izao izy ireo. Efa mamaramparana ny asa amin’ny fanaovana izany fotodrafitrasa izany ny orinasa nisahana ny fanamboarana azy. Nambaran’ny Tale jeneralin’ny tetika­san’ny filoham-pirenena ta­min’izany fa niainga tamin’ny hetahetan’ireo seminarista zandriny izao fananganana ny sehatra eo amin’ny kianja izao.Mbola hohatsarainaNiarahana amin’ireo mpi­ara-miombona antoka rehetra izany. “Io aloha ny bainga voavadika fa mbola ho avy ny fanatsarana bebe kokoa”, hoy izy. Nanteriny fa hamaha ny olana amin’ny fahamaroan’ny oloan tonga eny an-toerana rehefa fotoan-dehibe ny fahavitan’izao fotodrafitrasa izao. Nanamafy izany ny Mgr Razanakolona Odon, nilaza fa ilaina ny zavatra maharitra tahaka izao. Tsy mbola hotokanana anefa izany fa iandrasana ny fotoana avy amin’ny diosezy. “Fandraisana ny asa vita ara-teknika ny natao”, hoy izy. Mbola hisy ny fanarenana ny kianja amin’ny herinandro ary hojerena koa ny hanitarana ahazoana toerana maherin’ny 100 eo amin’ny “Podium” ankoatra ny efa vita.Synèse R.L’article Tsangambaton’ny faha-100 taona: vita ny « tribune » an’ny seminera zandriny eny Ambohipo a été récupéré chez Newsmada.

Taksiborosy Sprinter niala moto- RN4: Olona 4 maty tsy tra-drano, mpandeha 20 naratra mafy
19/06/2021

Olona roa tamin’ilay moto no namoy ny ainy teo no ho eo. Mpandeha 20 tao anatin’ilay taksiborosy Sprinter no voalaza fa naratra mafy, lehilahy roa maty. Ireo no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahatsiravina, nitranga, omaly maraina, tao Andakana, kaominina Andranolava, distrikan’i Marovoay (RN 4), omaly maraina.Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray ny lalam-pirenena fahefatra, omaly maraina tokony ho tamin’ny 06 ora. Tra-doza tamin’izany ny taksiborosy mampitohy an’Antsohihy sy Mahajanga teo amin’ny PK 525 +800 Berivotra, fokontany Anda­kalaka, kaominina ambani­votr’Antanambao-Andrano­lava, distrikan’i Marovoay. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tafakatra efatra ireo olona namoy ny ainy. Olona 15 hafa koa naratra mafy, ankoatra ireo, olona telo ihany koa mbola marary tsy mahatsiaro tena. «Nifampilahatra ny taksiborosy Sprinter roa hamonjy an’i Mahajanga, avy eo naka sisiny ny iray tamin’izy ireo, niala lavaka tamin’ny “dos d’âne” sady niditra fiholahana. Teo no nifanena tampoka tamina moto nanao taingin-telo avy any Mahajanga ny fiara», hoy ny fanazavan’ny brigade de la police routière (BPR). Mafy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta ka nivadibadika avy hatrany ny taksiborosy ary noraofiny niaraka taminy ilay moto. Samy tsy nisy tafajanona na ilay moto na ilay fiara fa nifatratra tany an-tokotanin’olona. Vokany, olona roa tamin’ireo nandeha moto no maty teo no ho eo voatsindrin’ny entana tao anaty tatatra dia ny zazalahy 8 taona sy ny rainy 41 taona.Naratra mafy Naratra mafy tamin’izany ny vehivavy iray, vadin’ilay lehilahy mpitondra moto sy ny renin’ilay ankizilahy namoy ny ainy. Maty tsy tra-drano ihany koa ny lehilahy roa 26 sy 34 taona, mpandeha tao anaty ny taksiborosy. Taorian’izay, tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina avy ao amin’ny faritra Boeny. Nalefa vonjimaiaka tao amin’ny hopitaly An­drova-Mahajanga avokoa ireo tra-doza. Olona 15 tao anatin’ilay taksiborosy no naratra mafy sy mbola manaraka fitsaboana ary olona telo hafa no mbola tsy mahatsiaro tena, hoy ny fanazavan’ny zandary. « Surveillante ao amin’ny CRINFP na Institut national de formation pédagogique ao Mahabibo ilay ramatoa nandeha moto », hoy hatrany ny loharanom-baovao. Nanao fanambarana ny governoran’ny faritra Boeny sy ny mpiara-miasa aminy rehetra fa maneho fiaraha-miory amin’irreo fianakavian’ireo namoy ny ainy. Ary mirary fahasitranana feno ho an’ireo maratra.Henintsoa HaniL’article Taksiborosy Sprinter niala moto- RN4: Olona 4 maty tsy tra-drano, mpandeha 20 naratra mafy a été récupéré chez Newsmada.

Ampanihy – Atsimo Andrefana: tsy ampy ny rano, lafo ny vary, ratsy ny lalana
14/06/2021

Mijaly rano ny mponina any Ampanihy, faritra Atsimo Andrefana, maina ny tany, lafo ny vary, ary ratsy dia ratsy ny lalana. Ireo ny olana amin’ny ankapobeny mahazo ny mponina. Herinandro maromaro izao, tsy mahazo rano ny mponina na tsy ampy ny rano avy amin’ny Jirama. Milina mandeha amin’ny herin’ny masoandro no mampiakatra ny rano avy any ambany mankany ambony toerana. Rehefa ratsy ny andro, mihodina ihany ny milina, rehefa ratsy ny andro, tsy mandeha ny milina satria tsy misy “batterie” nanomboka ny volana marsa tamin’ity taona ity. Volan’ny CLD (Comité local de développement) anefa nividianana ny milina. Koa noho ny tsy fahampian-drano, lasa mividy rano amin’ny vovo ny olona, 400 Ar ny daba 20 l. Mavesatra ho an’ny tokantrano maro izany, satria tsy ampy iray andro mihitsy ny rano 20 l.800 Ar ny kapoakan’ny varySahirana ihany koa ny mponina amin’ireo zavatra ilaina andavanandro (PPN), indrindra ny vary, 800 Ar ny kapoaka; menaka, 8000 Ar ny litatra ; siramamy, 1100 Ar ny kapoaka. Mampihemotra ny fari-piainan’ny olona daholo ireo, tsy mifandanja ny vola miditra sy mivoaka. Tsy tafita amin’ny vahoaka maro anisa ny tarehimarika navoakan’ny praiminisitra momba ny tahan’ny vidim-piainana, fa ireo PPN saika misondro-bidy isan’andro ny hitany.Olana iray goavana iainan’ny mponina hatramin’ny taona maro ny lalana RN10. 250 km avy eo Andranovory, 30 000 Ar ny saran-dalana avy any Toliara, atao iray andro amin’ny fiara lehibe mpitatitra, misy olona 80 ao anatiny miampy entana ambony sy ambany. Mihantona ny tongotra mandritra ny dia, resaka fotsiny izany elanelana sakana amin’ny valanaretina izany,  araka ny filazan’ny mponina. Tany lavitra andriana. R.MathieuL’article Ampanihy – Atsimo Andrefana: tsy ampy ny rano, lafo ny vary, ratsy ny lalana a été récupéré chez Newsmada.