Tatitra momba ny fotodrafitrasa – MATP: mirefy 14 300 km ny lalana voakojakoja sy narenina

News - Tatitra momba ny fotodrafitrasa – MATP: mirefy 14 300 km ny lalana voakojakoja sy narenina

News - Tatitra momba ny fotodrafitrasa – MATP: mirefy 14 300 km ny lalana voakojakoja sy narenina

Anisan’ny navoitran’ny
Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny tatitry ny asa vitan’ny
governemanta ny ezaka nataon’ny eo anivon’ny minisiteran’ny
Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MATP). Eo ny
fanamboaran-dalana sy ny fanajariana. Fa eo koa ny fanorenana trano
fonenana ho an’ny rehetra.

“Mirefy 14.300 km  ny
lalana vita fikojakojana, fanarenana na fanorenana mba ho azo
ampiasaina manerana ny distrika rehetra manerana ny Nosy… Tsy
nahasakana ny fanatanterahana ireo fandaharan’asam-panjakana
nampiandraiketana azy  ny vokatra azo  eo amin’ny sehatry
ny asa vaventy na teo aza ny valanaretina”, hoy izy.
Anisan’izany ny eto Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano,
Avaradrano, Ambohidratrimo, Manjakandriana, Moramanga, Brickaville,
Taolagnaro, Amboasary…

Notsindriny fa mandroso ny
fanarenana ny RN44 mampitohy an’i Marovoay sy Vohidiala ary efa
manakaiky ny 40% ny asa amin’izao fotoana izao. Efa vita ny
tetezan’i Manaingazipo eo amin’ny RN3A mampitohy an’i Vohidiala sy
Andilamena. Efa mananika ny 44% ny asa vita ho amin’ny fanarenana
ny RN5A mampitohy an’Ambilobe sy Vohemar, mirefy 159 km.

Miroso ny fanamboarana ny RN9
mampitohy an’i Toliara – Analamisampy – Bevoay – Manja. Efa vita
tanteraka ny mampitohy an’i Toliara sy Analamisampy raha manomboka
kosa ny fanarenana an’i Analamisampy – Manja miaraka amin’ny
fanorenana ny tetezana eo amin’ny Reniranon’i Mangoky “Bac
Bevoay”.

Fanarenana ny
RN13

Etsy an-daniny, mitohy ary mandroso
ny fanomanana ny tolotrasa ho amin’ny fanarenana ny lalam-pirenena
RN13 mampitohy an’i Ambovombe sy i Taolagnaro. Tahaka izany koa ny
tolotrasa fanarenana ny RN6 mampitohy an’Ambanja – Antsiranana ary
hanomboka tsy ho ela ny asa fanamboarana

Manampy izany ny fanamboarana ny
“Rocade-Est” ary efa manodidina ny 90% ny fahavitan’ny asa, miaraka
amin’ny fanamboarana ny “Route des oeufs” eny Mahitsy.

Hotohizana ny fanarenana ny RN5
mampitohy an’i Toamasina – Foulpointe – Fenoarivo Atsinanana –
Soanierana Ivongo – Mananara – Maroantsetra. Vita koa ireo lalana
amin’ny renivohi-paritany rehetra. Singanina manokana ireo lalana
mivoaka ny tanànan’Antananarivo.

Maro ireo ezaka vita eo amin’ny
fanajariana ny tany. Anisan’izany ny fanomezana “titres fonciers”
miisa 6.476 sy ny “certicats fonciers “ miisa 36.164, ny taona
2020.

Fanorenana Tranobe R+4 eny
Ivato

Momba ny tanàna vaovao sy ny trano
fonenana kosa, nanomboka ny fanorenana trano ho an’ny daholobe ka
hisitraka izany ny any Fianarantsoa, Arivonimamo, Toamasina I,
Antsiranana I, Mahajanga I ary Antsirabe I, Morondava ary Nosy
Be.

Efa vita ny fanamboarana ny trano
fonenana 30  ho an’ny daholobe ao Amborovy Mahajanga I. Efa
natomboka ireo fanorenana trano 640, mitsinjara “lots” valo ao
anatin’ny distrikan’ Arivonimamo, Antsiranana I, Toamasina II,
NosyBe, Morodava.

Natomboka koa ny fanorenana tranobe
miisa telo, ho an’Antsiranana I, Toamasina II ary Fianarantsoa.

Ankoatra izany, efa nanomboka koa
ny fanorenana tranobe R+4 sivy, misy “appartements” 15 ao Ivato,
 miisa 36.

Efa vita tanteraka koa ny
fanajarian ny toerana hananganana tanàna vaovao, mirefy 6 ha eny
Ivato. Tahaka izany koa ny toerana hanorenana tranobe R+4 , miisa
29 ary mirefy 8 ha ao Ivato.

Synèse R.

Article tiré de Newsmada

L’article Tatitra momba ny fotodrafitrasa – MATP: mirefy 14 300 km ny lalana voakojakoja sy narenina a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 10/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Kitra – «Chan 2021»: tsara fanombohana i Kameronina

Voahaja ny lojika teo amin’ny voka-dalao ho an’ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina «Chan 2021». Fihaonana tanterahina any Kameronina. Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Liona tsy voafolak’i Kameronina, mpampiantrano, nanoloana an’i Zimbaboe, ho an’ny vondrona A.Na izany aza, nivoaka sempotra ihany ry zareo Kameroney satria efa tany amin’ny minitra faha-72 i Salomon Charles Banga vao nahatafiditra ny baolina tokana ho azy. Nanohitra hatramin’ny farany ny Zimbaboeanina, ary tsy nanana tahotra mihitsy nanoloana ny Liona tsy voafolaka. Nisy mihitsy ny baolina tokony ho tafiditry ry zareo, saingy ratsy ny famaranana izany. Nanantombo teo amin’ny fanafihana kosa anefa ny Kameroney, tamin’ny ankapobeny.Ho an’ity sokajy ity ihany, nahazo fandresena ihany koa ny Voromaherin’i Mali, raha nifandona tamin’i Borkina Faso. Nisaraka tamin’ny io isa tokana, 1 no ho 0, io ihany koa ny roa tonta. Baolina tafiditr’i Siaka Bagayoko, teo amin’ny minitra faha-70. Samy nahazo isa telo izany, hatreto, i Kameronina sy i Mali. Hitohy anio ny fifanintsanana ka i Maraoka hikatroka amin’i Togo ary i Roanda hifanehatra amin’i Ogandà, ho an’ny sokajy C. TompondakaL’article Kitra – «Chan 2021»: tsara fanombohana i Kameronina a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Amoron’i Mania : Mitombo an’isan’ ireo  olona mikorontan-tsaina mirenireny

Tsapa tato ho ato, fa mitombo an’isan’ireo olona voan’ny aretina fikorontanan-tsaina eto Amoron’i Mania, tsy ny eto ihany, fa saika manerana ny faritra  rehetra eto amin’ny Nosy. Amin’izao vanin’andro izao, dia tsy vitsy ireo olona, na lehilahy, na ny vehivavy, fa indrindra ny tanora no voan’ny aretina fikorontanan-tsaina, betsaka ny fomba fisehoany, araka ny karazan’aretina misy. Ny mahatonga an’izany amin’ny ankapobeny, dia noho ny fahasarotan’ny fiainana misy eo anivon’ny fiaraha-monina. Ao ireo  mpisotro sy mpifoka zavamahadomelina, izay mampalaza ratsy an’ity faritra ity. Deraina manokana ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny ady amin’ny zavamahadomelina, toy ny toaka sy rongony. Fa ny mifanohatra amin izany, dia hita fa tsy ampy ny paikady napetraky ny fanjakakana foibe eo anivon’ny faritra sy ny vondrom-bahoaka itsijaram-pahefana (faritra, kaominina) eny ifotony, amin’ny fandraisana an-tanana ireo marary voan’ny aretina fikorontanan-tsaina, ka lasa mifanilika andraikitra ireo tompon’andraikitra, ka lasa miraviravy tanana ny  fokontany sy ny fiaraha-monina amin’ny fandraisana ny fepetra tokony horaisina amin’ny toe-javatra toy itony. Profon’izany, tsy  vitsy ihany koa ireo olona voan’ny fikorontanan-tsaina  voatarika ao anatin’ny herisetra mahery vaika eo anivon’ny trangam-piaraha-monina, ka lasa fahavalom-bahoaka.  Ka atahorana amin’izany ny fisian’ ny disadisa sy ny ain’ireo mponina, sy ireo olona voan’ny aretin-tsaina noho izy tsy tomponandraikitra amin’ny fandikan-dalàna nataony. AnastaseL’article Amoron’i Mania : Mitombo an’isan’ ireo  olona mikorontan-tsaina mirenireny a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Isoanala – Betroka: trano fanamboarana basy sy basy telo saron’ny zandary

Ravan’ny zandary ny toerana fanamboarana basy ao kaominina ambanivohitr’Isoanala, distrikan’i Betroka, ny zoma lasa teo. Miray tsikombakomba amin’ireo dahalo ny mpanamboatra ireto fitaovam-piadiana ireto…Basy lava telo efa vita rafitra (iray efa vita sy basim-borona roa tsy misy taratasy) ary basy roa vao an-dalam-pandrafetana ary fanamboarana basy. Ireo ny fitaovana hitan’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Isoanala, distrikan’i Betroka, ny zoma lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, nahazo loharanom-baovao izy ireo fa misy olona atao hoe Rata mipetraka ao Ankoraoky, fokontany Lavalila, kaominina ambanivohitr’Isoanala, distrikan’i Betroka voalaza fa mpanamboatra sy mpivarotra basy ho an’ny dahalo. Nidina avy hatrany tany an-toerana ny zandary ka tratra tao avokoa ireo basy rehetra ireo. Nambaran’ny zandary fa tsy tao an-toerana ilay olona voalaza fa mpanamboatra basy fa ny rahalahiny no tratran’ny zandary tao an-trano.Basy Mas 36 iray koa azon’ny zandary tao Ambalamanakana distrikan’Ambositra, ny asabotsy vao mangiran-dratsy teo. Nahazo angom-baovao ny Kolonely kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana fa hoe misy olon-dratsy mpiray tsikombakomba amin’ny dahalo mitazona basy mahery vaika ao Ambalamanaka. Nihazo ilay toerana avy hatrany ny zandary notarihin’ny lefitry ny kaompanian’ny zandarimaria Ambositra ka hita tao tokoa ny basy Mas 36 ora. Nogiazana avy hatrany ilay basy ary noraisim-potsiny ilay olona voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fihazonana ity fitaovam-piadiana mahery vaika ity. Nohamafisin’ny zandary fa dimy izay ny basy mahery vaika tratra, tao anatin’ny telo herinandro teo.Jean ClaudeL’article Isoanala – Betroka: trano fanamboarana basy sy basy telo saron’ny zandary a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Biens de consommation courante : Des produits périmés vendus sur le marché

Du fromage avec des moisissures, vendu sur le marché, cette semaine. Les consommateurs se plaignent de l’existence de produits inconsommables, vendus sur le marché. Des déchets bien emballés, selon leurs dires. Les normes de qualité ne sont pas respectées sur le marché. Comme à l’accoutumée, la consommation est en forte hausse, en période de fin d’année. Bien que le Ministère en charge de l’Industrie, du Commerce et de l’Artisanat ait annoncé un renforcement des contrôles des normes, les cas de mauvaises surprises signalés par les consommateurs se multiplient, depuis la semaine dernière. D’après les témoignages, les produits laitiers sont les plus fréquemment touchés par cette situation, notamment le fromage et le yaourt. « J’ai l’habitude de vérifier la date de péremption à chaque fois que j’achète des produits alimentaires. Malgré cette grande prudence, cela fait trois fois que j’ai constaté des produits immangeables, rien que durant ce mois de décembre 2020. A deux reprises, j’ai acheté des produits pourris, qui sentent très mauvais. La troisième fois, quatre portions dans une boîte de fromage que je venais d’acheter contenaient des moisissures. Mon fils avait déjà mangé une portion qui semblait normale. Cela fait peur, car nous savons que ces produits peuvent devenir du poison pour les consommateurs et que le problème de qualité n’est pas toujours visible à l’œil nu », a témoigné une mère de famille, qui nous a contacté au téléphone. Mauvaises pratiques. Cela fait plusieurs années que le BNM (Bureau de Normes de Madagascar) mène des actions pour lutter contre les fraudes et les ventes de produits hors normes. Des mesures ont été prises, interdisant la commercialisation des produits dont les informations inscrites sur les emballages ne sont ni lisibles ni compréhensibles par les consommateurs locaux. Des campagnes ont également été menées pour lutter contre la falsification des dates de péremption inscrites sur les emballages des produits de consommation courante. Cependant, force est de constater que des produits sans date de péremption, ou indiquant des informations en écriture arabe sont encore vendus sur le marché. Pour l’opinion, ces produits restent douteux, surtout en ce qui concerne leurs composantes et leur qualité. Or, ce ne sont pas les produits qui inquiètent le plus les consommateurs. « Les consommateurs qui achètent les produits en boîte peuvent vérifier la date de péremption sur l’emballage. Mais lorsque ces produits sont vendus par portion ou par pièce, on n’a plus cette possibilité. En outre, pour les cas que j’ai constaté, les emballages indiquent encore 2021 sur la date de péremption », a ajouté notre témoin, qui a tenu à garder l’anonymat. D’après ses dires, les produits avariés constatés ont été achetés dans un supermarché de la Capitale, ce qui laisse douter s’il s’agit d’un problème de norme de production, de fraude sur la date de péremption ou de problème de conservation… Sur les réseaux sociaux, plusieurs cas sont également signalés, pointant du doigt les détaillants du quartier. Bref, les consommateurs s’attendent à ce que les autorités améliorent les contrôles, qui doivent également être plus efficaces, afin de mettre fin aux mauvaises pratiques et assurer le respect des normes, surtout en ce qui concerne les produits alimentaires. Antsa R. L’article Biens de consommation courante : Des produits périmés vendus sur le marché est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Biens de consommation courante : Des produits périmés vendus sur le marché a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Ao Raha

Kalon’ny fahiny :: Hovelomina etsy amin’ny CCESCA Antanimena ireo sanganasan’i Naly Rakotofiringa

Homen-danja mandritra ny adiny telo eo ho eo i Naly Rakotofiringa amin’ny 28 jolay ho avy izao etsy amin’ny CCESCA Antanimena. « Isan’ireo mpanakanto nitondra avo ny Kalon’ny fahiny i Naly Rakotofiringa, ka rariny indrindra raha hanokanana fotoana toy izao », hoy ry zareo ao amin’ny Gasy Events ,mpikarakara ny hetsika. Mpanakanto maro no hamelona indray an’ireo hira nosoratany. Isan’izany i Salomon, Gothlieb, Lilie, Lily, Luk, Zozo ary Mirana. Manana toerana manokana i Mirana ao anatin’ ity fotoana ity satria isan’ireo taranaka aty aoriana, anefa dia nisafidy manokana ny mbola hivoy ny Kalon’ny Fahiny. Zanak’i Salomon rahateo izy ka efa miampita isaky ny taranaka ny kalon’ i Naly Rakotofiringa. Raha ny tena izy dia tsy mpihira loatra i Naly Rakotofiringa fa mpamoronkira sy mpanao tantara an- dampihazo. Maro ireo mpanakanto no mihira ny sanganasany. Singanina manokana i Ossy sy Ludger Andrianjaka. Mandona ny fo sy manentana ny fanahin’ny tsirairay ny mozikany satria mitondra hafatra sy anatra azo ampiasaina hivoarana eo amin’ny fiainana sady hampivoarana ny fiarahamonina. Volasoa Randriamanantena L’article Kalon’ny fahiny :: Hovelomina etsy amin’ny CCESCA Antanimena ireo sanganasan’i Naly Rakotofiringa est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

DISADISA SY TSINDRON’ANTSY :: Tovolahy voatondro ho nahafaty olona

Roa ambin’ny folo andro aty aoriana, voasambotry ny pôlisy ny tovolahy iray, 19 taona, voampanga ho tompon’antoka tamin’ny tsindron’antsy nahafatesana olona iray sy naharatrana olona roa hafa, teny Soanierana, ny alin’ny alakamisy 1 novambra lasa teo. Taorian’ny famotorana sy fakàna am-bavany olona dimy mianadahy no nahafantarana azy. Voalaza fa mbola mpianatra ity tovolahy voarohirohy ity. Tsy afa-bela izy fa naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy, taorian’ny nanolorana ny raharaha teny amin’ny Fampanoavana, afak’omaly. Nanokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana avy eo anivon’ny Borigady misahana ny heloka bevava, tamin’ny fahenoan’izy ireo fisiana olona maty voatsindron’antsy naterina tao amin’ny tranom-patin’ny Hjra, ny zoma 2 novambra. Tsy fantatra ny olona namono azy. Heno, avy eo, fa nisy disadisa sy fifamaliana nitarika herisetra narahana vono olona tao amina toeram-pisotroana iray teny Soanierana, tamin’ny alin’ny alakamisy 1 novambra. Ity hita tao amin’ny tranom-paty ity ilay namoy ny ainy tamin’izany. Nisy olona roa hafa naratra mafy voatsatok’antsy ihany koa izay voatery nanaraka fitsaboana teny amin’ny hôpitaly. Nampiantso olona vitsivitsy hatao famotorana momba izany ny pôlisy. Nohainoana izy ireo. Niafara tamin’ny fisamborana olona sy fandefasana am-ponja vonjimaika izy, andro vitsy aty aoriana. L’article DISADISA SY TSINDRON’ANTSY :: Tovolahy voatondro ho nahafaty olona est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

1/RM1 – Analakely: nahazo fitaovana manokana

Ho fanatsarana ny ezaka atao amin’ny tsy fandriampahalemana, nanolotra fanamiana “gilet” mazava alina fanaovana rehefa manao fisafoana ireo miaramila isaky ny vondrona misy ao amin’ny kaomandin’ny faritany Miaramila Voalohany (1/RM1), ny Jly Rabenaivoarivelo Jean Claude. Akanjo mazava alina miisa 100 no nozaraina tamin’ireo Rezimanta 10 eo anivon’ny Faritany Miaramila Voalohany Analamanga tao amin’ny 1/RM1 Analakely, omaly. Nahazo akanjo miisa 10 avy isaky ny vondrona misy hoentin’izy ireo manao fisafoana ireo faritra mena eto an-drenivohitra. Ny fahatsapana ny lesoka hita sy mba hahazoana vokatra tsara no nahatonga ny kaomandin’ny 1/RM1 nandray an-tanana manokana izao fanampiana izao. Nilaza kosa ny lehiben’ny Etamazaoro Jeneraly ny Tafika Malagasy (Cemgam), ny Jly Rakotonirina Théophile fa misikim-ponitra ny fanjakana amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ary ny nahazatra hatramin’izay ny hoe tsy mandray anjara amin’ny asa fitandroana fahalemana an-drenivohitra ny miaramila. Ankehitriny kosa, manampy ireo mpitandro filaminana rahalahiny ny Tafika ary tsy misalovana ny andraikitry ny hafa. Nisy koa ny fanolorana ny “logiciel centre opérationnel” sy radio handrindrana manokana ny asan’ireo mpanao fisafoana sy hijerena ny fandriampahalemana manerana an’Antananarivo amin’ny alalan’ny “caméra de surveillance”.Jean ClaudeL’article 1/RM1 – Analakely: nahazo fitaovana manokana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fitaterana ny akora fasimainty: hanamboatra fiantsonan’ny sambo ny Base Toliara

Natao, omaly tany Andaboly Toliara, ny fomban-drazana, nangatahana fitahiana, hananganana ny fiantsonan’ny sambo, ampiasain’ny orinasa Base Toliara. Fotodrafitrasa ilaina hitaterana, hamoahana ny akora fasimainty, trandrahin’ny orinasa ity haorina ity.Tsy maintsy natao izao fomba izao, namonoana omby efatra, satria nisy ampahany amin’ireo fokonolona tsy nanaiky nananganana izany fiantsonan’ny sambo izany, sady tsy nanaiky ny hiasan’ny orinasa Base Toliara ihany koa. Resy lahatra izy ireo taty aoriana, rehefa nisy ny fifanazavana sy ny fifampiresahana ary ny fombafomba ho fampihavanana koa ity natao ity. Niaiky izy ireo fa tena hitondra fampandrosoana any an-toerana sy hiteraka tombontsoa maro ho an’ny mponina ny fisian’ity orinasa ity.Tsy manelingelina ny mpanjonoNanatrika ny fotoana avokoa ny manam-pahefana any Toliara I sy ny manodidina, ny fikambanan’ny mponina any ifotony, ny fikambanan’ny mpanjono, sns. Nilaza ny tale jeneralin’ny Base Toliara, Ramahefarivo Jean Bruno, fa tena mihaino ny hetahetan’ny vahoaka izy ireo, vonona ny hifampiresaka, ary tsy mitady korontana na disadisa.Nomarihiny fa tsy hanelingelina ny asan’ny mpanjono ny fisian’ity fotodrafitrasa ity. Natao avo, 4m ny haavony, ary mielanelana 24 metatra ny tsatoka. Tsy seranan-tsambo ity haorina ity fa fotodrafitrasa manokana hitaterana ny akora fasimainty mankany anaty sambo. Misy trano fitahirizana ny akora fasimainty, sy karazana tetezana hitaterana ny akora eny afovoan-dranomasina hampidirana azy ao anaty sambo.Njaka AndriantefiarinesyL’article Fitaterana ny akora fasimainty: hanamboatra fiantsonan’ny sambo ny Base Toliara a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

FLM Farafangana: ampidirina Cnaps ny katekista

Tsy maintsy ampidirin’ny mpampiasa ho mpikambana ara-dalàna ao amin’ny Tahirim-pirenen misahana ny fiahiana sosialy (Cnaps) ny mpiasa rehetra hisitrahan’izy ireo ny zony. Toy ny fanampiana ny fianakaviana, ny tambim-bola raha sendra tra-doza, ny fisotroan-dronono, sns.Natao tany Fiadanana Farafangana, ny talata teo, ny atrikasa mikasika izany ho an’ny mpiasam-piangonana ao amin’ny Fiangonana loterana malagasy (FLM), synodam-paritany Atsinanana. Miisa 1 042 ny katekista ao amin’ny synodam-paritany Atsinanana, ahitana fileovana 36, ka tanjona ny hampidirana azy ireo Cnaps hatramin’ny marsa 2020. Efa misitraka ny fiahiana sosialy ny pastora miisa 162 sy ny mpandraharaha miisa 99 any an-toerana.Ho an’ny talen’ny Cnaps Farafangana, i Mandimbisoa Mamy, ilaina ny fiahiana sosialy satria  tsy ny fiainana any an-danitra ihany no imatimatesana fa ny eto an-tany koa, hanatsara ny fanatontosana ny asa. Nanentana ny pastora Andrianjafy Benil Octave, mba “ho tena tompon’andraikitra sady mpiasa isika no mpampiasa”.Njaka A.L’article FLM Farafangana: ampidirina Cnaps ny katekista a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

  Famonoana sefo fokontany – Farafangana: nidina an-dalambe nitaky fitsaram-bahoaka ny mponina

 Raikitra ny fidinana an-dalambe tao Andranomakoko Farafangana, omaly maraina. Nitaky hanaovana fitsaram-bahoaka ireo nitifitra namono ny sefo fokontany ao an-toerana ny mponina.Sahotaka vao maraina ny nitranga tao amin’ny fokontany Andranomakoko, kaominina Farafangana, omaly maraina. Nirohotra nitaky hanaovana fitsaram-bahoaka ireo namono nahafaty ny sefo fokontany ao an-toerana ny vahoaka. « Voatifitry ny jiolahy miisa telo, afakomaly alina tokony ho tamin’ny 9 ora latsaka fahefany teo, ny sefo fokontany ao an-toerana. Taorian’izay, nentina teny amin’ny hopitaly izy, saingy tsy tana ny ainy », hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana misahana ny famotorana. Nambaran’ny loharanom-baovao iray hafa kosa fa avy nanafika tranombarotra iray any akaikin’ny gara ireo jiolahy ka nitsoaka. Ilay sefo fokontany kosa, teo amin’ny arabe akaikin’ny tranony ao Mahafasa, saika hanara-maso ny fizotry ny asan’ireo tovolahy mpanao andrimasom-pokonolona. Taorian’izay, nipoaka ny basim-borona ka nahavoa ary nahafaty ity sefo fokontany ity.Araka ny fanazavan’ny zandary, olona telo, voalaza fa vahiny, no ahiahin’ny mponina ho tompon’antoka amin’izao vonoan’olona izao.Tonga ara-potoanaNaneno ny anjombona, ny kiririoka, raikitra ny tabataba. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny mpitandro filaminana raha vao nahare ny hetsika nataon’ny mponina. Nosamborina ary nentina teny amin’ny borigadin’ny zandary ireto olona telo nahiahina. Nitaky ny hamoahana azy ireo anefa ireo mpanao fihetsiketsehana efa tao anatin’ny hatezerana. Voasakan’ny mpitandro filaminana teo akaikin’ny BNI, sahabo 300 metatra miala ny biraon’ny zandary, ireo andian’olona maro. Marihina fa tsy nampiasa baomba mandatsa-dranomaso ireto mpitandro filaminana ireto tamin’izany.Nandritra izany, nisy ny fifampidinihana nifanaovan’ireo mpanao fihetsiketsehana sy ireo manam-pahefana isan-tokony ao an-toerana. Tokony ho tamin’ny 10 ora teo ho eo, nilamina ihany ny toe-draharaha. Nirava ary samy namonjy ny tokantranony ireo olona marobe. Fantatra fa naroso ho amin’ny 8 ora alina kosa ny fampiharana ny “couvre-feu” any an-toerana. Henintsoa HaniL’article   Famonoana sefo fokontany – Farafangana: nidina an-dalambe nitaky fitsaram-bahoaka ny mponina a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT
14/06/2021

Voici des sites qui permettent de gagner de l'argent gratuitementhttps://mining-forever.com/?ref=rajaonarshttps://duplinow.com?aff=70888https://banana-cash.com?aff=15898https://topmining.host/?ref=1190Vous n'avez pas de compte payeer ?https://payeer.com/?session=16887921Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT".

Emploi et services PDF à propos de ADWORD
14/06/2021

Vous vous demandez peut-être comment les grandes entreprises utilise la technologie pour promouvoir ses produits.Ne vous inquiétez voici-ci quelques notion qui pourrait vous aider.Dans ce pdf de Content Marketing 101https://bit.ly/3cqJQLY AdWords Annihilationhttps://bit.ly/3zavLMDCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services PDF à propos de ADWORD".

A vendre A vendre Fauteuil dentaire complet en bonne état
14/06/2021

Un fauteuil dentaire complet en parfait état  constitué d’un fauteuil inclinable, d’un bras articulés, d’un compresseur, d'un ensemble d’ instrumentation dentaire, d’une soufflette à air/eau, d’un crachoir, d’un système d’aspiration, d’un scialytique, et d’un siège à roulettes pour le praticien, stérilisateur pour les outils à main, ...Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A vendre Fauteuil dentaire complet en bonne état".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
15/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) francophones. Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 160 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC. MISSION En tant que Téléconseiller(ère) francophone, vos missions seront : PROFIL VOS AVANTAGES Si tout cela vous parle, vous êtes le candidat qu’il nous faut ! Merci de postuler en ligne sur notre site www.eufonie.fr/jobs. Vous pouvez également adresser votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ; Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
18/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES
16/06/2021

A VENDRE : CHEVROLET SPARK (DAEWOO MATIZ 4), FAIBLE KILOMETRAGE, ANNEE 2012, TRES BONNE OCCASION DE COREE, IMMATRICULATION ETRANGERE, ARRIVEE RECEMMENT A MADAGASCAR (4 semaines), boite de vitesses AUTOMATIQUE, moteur ESSENCE 3 S- TEC II 16V, TOUTES OPTIONS :-Direction assistée-Freinage ABS-Rétroviseurs électriques  - Intérieur cuir, confort et propre-Tableau de bord multifonctions-AIRBAGS-4 Vitres électriques-Sièges chauffantes-Verrouillage centralisée avec commande à distance-Climatisation bien frais-Radio d’origine CHEVROLET avec BLUETOOTH/USB/MP3/CD-4 Jantes alu d’origine-Barre de toit VOITURE TRES CONFORTABLE, TRES SILENCIEUSE ET ULTRA- ECONOMIQUEETAT IMPECCABLE PETITE CITADINE, AGREABLE A CONDUIRE, IDEALE POUR FEMME PRIX : 21M8AR (109.000.000 FMG) LEGEREMENT DISCUTABLE CONTACT DIRECT : 0338741679 / 0346464584(Aleo mba tonga dia miantso fa tsy mi- connecte matetika , MERCI!)Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES".

A louer APPARTEMENT T2 ou T4 de standing sécurisée
17/06/2021

Dans une résidence neuve, fraîchement construite. Appartements Type 2 au Type 4 (avec suite parentale) À louer Vide ou Meublé Bénéficiant d’une Vue exceptionnelle sur la Campagne Avec Grand Balcon/ Terrasse/ Ascenseur/ Parking/ Groupe ÉlectrogèneCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer APPARTEMENT T2 ou T4 de standing sécurisée".

Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)
18/06/2021

Nous recrutons pour un structure d’externalisation, unASSISTANT COMMERCIAL SENIORMissions :- Assurer les premières démarches commerciales (mail / téléphone) via base des données existante- Assurer l’Onboarding des professionnels sur la plateforme- Assistance clientèle sur les démarches d’inscription sur la plateforme- Assurer le suivi des procédures d’achat et de livraisons- Assurer le SAV : Gestion du service client (Mail / téléphone / chat)Profil:- Titulaire d’un bac +3 minimum en commerce, marketing, communication- Expériences probantes dans le domaine de la relation client- Bonne maîtrise du Français (lu, écrit, parlé)- Bonne maîtrise du pack office- Autonome, rigoureux (se) et professionnel (le) Envoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence ASSISTANTCOMS-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)".

Emploi et services Développeur Codeigniter
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le BTP,Développeur CodeigniterEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVCODEIGNITER-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Codeigniter".

A vendre Vend CF Moto 150NK
18/06/2021

🚦CF Moto 150nk 🏍 - 6 vitesses - Kilométrage 15xxx km - 2 modes de conduites : Sportive 🚀/ Economique⛽️ - Peinture carbone personnalisée  - Rétroviseur kit Rizoma - Anti crache et cache réservoir installé  - Immatriculé WWTMoto très bien entretenue, rien à prévoir, très faible consommation.Prix: 8.000.000Ar légèrement à débattre Contact: 0327850398 📞 ToamasinaCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Vend CF Moto 150NK".

Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay
15/06/2021

site légitime qui paye très bienfaucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay.Pas de retrait minimum, claim tous les 5min.Ci-joint le lien:https://ezbit.co.in/ref/13850Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay".

Notsongaina

Fanamarihana ny fetim-pirenena: hatao amin’ireo renivohi-paritany enina ny matso
14/06/2021

Mbola mitoetra ny hamehana ara-pahasalamana ho an’ny 15 andro manaraka na efa nihena aza ny tranga covid-19. Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, niainga avy any Taolagnaro, omaly fa ferana ho isaky ny renivohi-paritany enina ihany ny matso. Nambarany tamin’izany fa hankalazaina afaka 13 andro ny fetim-pirenena sy ny faha-61 taona niveran’ny Fahaleovantena. “Noho ny hamehana sy hifehezana ny fiparitahan’ny covid-19 anefa, eny anivon’ny renivohi-paritany enina ihany no hankalazana izany sy hanaovana ny matso”, hoy izy. Nentaniny ny rehetra hanangan-tsaina, hampisehoana ny hambom-pirenena.  “Hiredareda ny afon’ny fitiavan-tanindrazana handresena ny sedra sy ny ady sarotra rehetra”, hoy izy.Na izany aza, mbola baraingo na ho etsy amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ihany ny hanaovana ny matso eto Antananarivo na tsia.  Efa nanambara ny mpanolontsain’ny filoha, Andriamanohisoa Gerard fa efa azo hanatanterahana hetsika ny kianja ny 26 jona izao. “Miankina amin’ny fanjakana anefa izany”, hoy izy.Niakatra ho 200 ireo afaka mivorivoryEtsy andaniny, nambaran’ny filoha fa  miverina amin’ny andavanandro ny fiainana  amin’ny ankapobeny. “Hampiakarina ho 200 ireo afaka mivorivory raha noferana ho 100 izany teo aloha. Miankina amin’ny toerana fandraisana koa anefa izany ahafahana manaraka sy manaja ny fepetra”, hoy ihany izy. Mbola tazonina hatrany ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina, manomboka amin’ny 11 ora alina izany ka hatramin’ny 4 ora maraina.Ankoatra izany, azo atao ny fandevenana na miditra na mivoaka ny faritra rehetra raha tsy voan’ny covid-19 ilay maty. Nametrahana fepetra anefa izany amin’ny alalan’ny taratasy omen’ny BMH.Omena alalana manokana ireo mana-manjoHo an’ny matin’ny covid-19 kosa, voarara ny mitondra ny razana miditra na mivoaka ny faritra rehetra manerana ny Nosy. Tsy miova koa ny fandevenana fa alevina ny androtr’iny ihany izany ary ferana ho 10 ireo mpandevina. “Mbola voarara ny mamindra razana na mamindra sy mamoaka izany any amin’ny faritra hafa raha efa nalevina”, hoy ihany ny filoha.Etsy andaniny, mbola mikatona ny sisin-tany. Na izany aza, nambaran’ny filoha fa omena alalana manokana ireo hanefa adidy farany amin’ireo mana-manjo, namoy ray aman-dreny, vady, zanaka, mpiray tampo. Misokatra ny “espace”, “cabaret”, mariazyEla ny ela…Misokatra ny toerana fanaovana lanonana rehetra, araka ny fanambarana nataon’ny filoha hatrany. “Afaka misokatra anaty fepetra, toy ny « cabaret », ny « espace », ny mariazy sy ny sisa… Ao anatin’izany ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana anefa izany ”, hoy izy.Tsiahivina fa maro ireo mpisehatra amin’ny fanafanana lanonana sy ny karazany no mikaikaika, nandritra ny fepetra ara-pahasalamana. Manomboka mivaha tsikelikely, araka izany, ny fiverenana amin’ny laoniny ny fiainana andavanandron’ny mponina. Nandritra izay iray volana mahery izay, maro ny mpanakanto sy mpisehatra eo amin’ny fanafanana lanonana no naneho ny fihetseham-pony noho ny fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana amin’ny fisorohana ny fihanahan’ny valanaretina coronavirus tsy hiparitaka. Maro ireo mpanakanto tra-pahasahiranana nandritra ny fotoana nanapahan’ny fanjakana hevitra ny amin’ny fanakatonana ny toerana fanaovana lanonana. Manomboka hiverina amin’ny lazoniny izany izao.  Maro rahateo ny fifanarahana amina hetsika nataona mpanakanto sy ny mpikarakara lanonana no rava noho ny fepetra noraisin’ny fitondrana hisorohana ny fihanahan’ny covid-19. Nisy mihitsy aza, ireo mpanakanto lavon’ny coronavirus.Na izany aza anefa, nohamafisin’ny filoha fa mbola mitoetra ny fepetra rehetra manerana ny Nosy, efa nambara tany aloha. Anisan’izany ny tsy mbola fandehanan’ireo marefo miasa, ohatra…Mila mitandrina amin’izao ririnina izaoAnton’ireo fepetra rehetra ireo sy ny famahana tsikelikely ny ampahan’ny fanapahan-kevitra sasany tany aloha ny filazan’ny filoha fa efa an-dalan’ny fandresena ny valanaretina isika izao noho ny fihenan’ny tranga vaovao. Nisy ny ezaka natao niarovana ny vahoaka ary hotohizana izany rehetra izany. “Mila mitandrina anefa isika satria miditra amin’ny ririnina », hoy izy.Nifampidinika ny teo anivo’nyn andrimpanjakana telo tonta fa mitohy ny hamehana ara-pahasalamana mandritra ny 15 andro manaraka.Na ao anatin’ny hamenana aza anefa araka ny nambarany hatrany, tsy maintsy mitohy ny fanarenana ny toekarena sy ny asa fampandrosoana voalazan’ny velirano. Miatrika ady hafa, toy ny kere, haintany, famoizana aina ny firenena ka anisan’ny velirano ny hanavotana azy ireo. « Azo atao ny manarina ny any  atsimon’ny Nosy », hoy izy.Synèse R.L’article Fanamarihana ny fetim-pirenena: hatao amin’ireo renivohi-paritany enina ny matso a été récupéré chez Newsmada.

7,5 miliara dolara isan-taona ny vola very
15/06/2021

Niara-nidinika ireo fikambanana iraisam-pirenena voakasika amin’ny sehatry ny jono navorin’ny COI eo ambany fitarihan’ny Ecofish, ny volana mey lasa teo. Maro ireo fikambanana naneho fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny jono ho an’ny 12 volana  manaraka, anisan’izany ny CTOI (1), SWIOFC (2).  Maika ary tsy tokony ho ambanin-javatra ny jono. Tombanana ho 7,5 miliara dolara isan-taona ny vola tsy miditra na very, araka ny voalazan’ny Banky iraisam-pirenena.Nampanantena fiaraha-miombon’antoka sy hamatsy vola ireo firenena aty anatin’ny faritra ny Vondrona eoropeanina (UE), hampaharitra ny jono, mitondra vola sy asa. Teren’ny zava-misy ankehitriny ka tokony hahay handray fepetra hiarovana ny jono ny ato amin’ny COI. Naneho ny fahavononany momba izany ny Nosy Maurice sy Seychelles. Anisan’ny fototry ny dinika, ny fanamby miandry, ny laminasa atao sy ny fitaovana hoenti-miasa. Ny asa tena miandry ny fanaraha-maso iadiana amin’ny jono tsy ara-dalàna. Nahazo fito tapitrisa euros ny Ecofish entiny manatanteraka ny tetikasany hampahaleotena ny fihariana.Iharan-doza ny jono eto MadagasikaraSehatra iray efa iharan-doza ny jono eto Madagasikara. Hatry ny ela ireo mpanjono madinika milaza ny zava-misy any amin’ny faritra misy azy ireo. Mihalany ny vokatra, toy ny any amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Menabe. Mihena ny halehiben’ny trondro, vitsy ny vokatra azo. Raha nahazo 60 kg isan’andro ny mpanjono madinika iray tany amin’ny taona 80-90, ankehitriny 10 na 15 kg izany raha be indrindra, misy aza ireo mpanjono tsy mahazo afa-tsy 5 kg. Betsaka ireo mpanjono madinika very fidiram-bola sy very asa. R.Mathieu CTOI (1): Commission des thons de l’Océan IndienSWIOFC (2) : Commission des pêches du sud-ouest de l’océan IndienL’article 7,5 miliara dolara isan-taona ny vola very a été récupéré chez Newsmada.

Fankalazana ny fetim-pirenena: hatao etsy amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny matso
16/06/2021

Hosantarina amin’ny fanamarihana ny niverenan’ny Fahaleovantena na tsy mbola hotokanana aza. Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, tamin’ny fitsidihany ny kianjan’ny Barea Mahamasina, omaly fa hotanterahina eo amin’io toerana io ihany ny matso hataon’ny Foloalindahy. Tafiditra amin’ny fanamarihana ny fetim-pirenena izany.Nijery ny firoson’ny asa fanamboarana ny kianja Barea ny filoha, omaly. Nambarany tamin’izany fa hatao eo ny matso ho an’ny 26 jona. “Tsy mbola fitokanana akory izany. Hatao amin’ny fotoana mahamety azy rehefa vita 100% ny asa”, hoy izy. Nanteriny fa mampiseho ny maha Malagasy ny ravaka rehetra: aloalo, ravinala, loko, ny sainam-pirenena mampiray. Ny Barea, mampiray ary hapetraka ho an’ny taranaka ity kianja ity. Hiteraka fidiram-bola ireo fotodrafitrasa rehetra. Ahitana hotely, efitrano fivoriana, toeram-pivarotana, kianja fanomanan-tena…  “Azo andraisana hetsika kolontsaina sy zavakanto koa…”, hoy izy.Midika izany fa tsy hisy ny “podium” lampihazo hanaovan’ny mpanakanto hetsika na koa ny afomanga, ny 25 jona.Hiova ny fankalazana ny faha-61 taona…Efa natsidiky ny filoham-pirenena ny alahady teo, niainga avy any Taolagnaro, fa hatao eny anivon’ny renivohi-paritany enina: i Mahajanga, Antsiranana, Antananarivo, i Fianarantsoa, i Toliara ary i Toamasina ny matso, hanamarihana ny fetim-pirenena. Anton’izany ny hamehana ara-pahasalamana. Nentaniny koa ny rehetra hanangan-tsaina, hanehoana ny hambompom-pirenena. “Mba hiredareda ny afon’ny fitiavan-tanindrazana eo amintsika handresena ny sedra sy ny ady sarotra rehetra”, hoy izy.Midika izany fa hiverina eny Mahamasina indray ny matso raha teny Analakely izany tamin’ny herintaona. Hiova amin’ny endriny hafa koa anefa satria eo amin’ny kianjan’ny Barea nohavaozina sy nohatsaraina izany amin’izao faha-61 taona niverenan’ny Fahaleovantena izao.Synèse R. L’article Fankalazana ny fetim-pirenena: hatao etsy amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny matso a été récupéré chez Newsmada.

REGION ATSIMO ANDREFANA : Le gouverneur Tovondrainy Edally rassure
15/06/2021

Tout en luttant contre le Covid-19 depuis mars 2020, l’équipe du Gouverneur Tovondrainy Edally a poursuivi son plan pour le développement de la RAA. «RAA Zone blanche » certainement, si on se réfère aux résultats obtenus, car on ne peut travailler sous les feux des pillards. Un bilan, somme toute largement positif, égrené par le gouverneur de la Région Atsimo Andrefana devant plusieurs journalistes de radio, télévision et presse écrite de Tuléar le 10 Juin dernier. Tous les secteurs ont porté des changements, un véritable marathon de performance, en veillant particulièrement à l’économie rurale et à la pêche, tout en préservant l’environnement et protégeant la biodiversité, touchant les 9 districts de la Région. Construction ou réhabilitation de 30 km de canaux d’irrigation, dont 12 km à Bevava et le reste dans le district de Morombe. Des routes en pavé ou terrassement, un peu partout, à Ankazoabo ou Betioky et Tuléar, évidemment, sauf la rue qui mène vers le gouvernorat. La RN9 qui conduit vers le Nord de Tuléar est déjà goudronné jusqu’à Analamisampy (107km). Elle se poursuit vers Morondava, traversant le plus long pont de Madagascar, 900m, enjambant la rivière Bevoay, en passant par Manja. L’éclairage rural gagne du terrain et arrive à Beroroha, à la grande satisfaction des habitants. Un barrage à Ampanihy pour maîtriser l’eau et promouvoir la riziculture. Mais, c’est l’enseignement qui a engagé le plus d’investissement. « Ce qui est normal », dit un vieux professeur. « La province de Tuléar reste toujours la plus analphabète de toutes». 117 salles de classe dont 105 EPP, des Centres d’Enseignement Général, des Lycées et des Centres de Formations Professionnelles (2 680 bénéficiaires de formation en pâtisserie et pisciculture). La jeunesse et le sport n’ont pas été négligés, puisque la Cité du Soleil a bénéficié d’une piscine olympique, en cours. Le Stade de Me Kira entièrement rénové, tapissé de gazon artificiel, sans oublier un gymnase de 4 000 places. Tandis que Sakaraha et Ampanihy ont obtenu des gymnases de 1 000 places. La RAA abrite plusieurs zones enclavées. Des villages absolument inaccessibles, sans l’intervention des nouvelles techniques de communications (NTIC), dans les districts d’Ampanihy, Betioky, de Sakaraha et d’Ankazoabo, utilisation de l’internet et de téléphone travaillant avec un satellite (Vsat à Beroroha) ce qui permet d’appeler du secours en cas d’attaque de brigands de grand chemin. Mais qui dit NTIC, dit aussi panneaux solaires, surtout que la RAA ne manque pas de soleil. Grâce à la vulgarisation des Smartphones, certains maires de ces localités ont installé des HotSpots qui permettent aux jeunes de se connecter gratuitement et de se communiquer entre eux. L’Hôtel de Ville de Tuléar permet aussi de se connecter gratuitement à un service de wifi. Pour la première fois, les tuléarois ont vu s’ériger du sable, un grand Bazar à étage, avec deux bâtiments reliés par une passerelle. Une paix entraîne en une autre. Le vol de zébus a diminué fortement grâce au Dinabe (convention entre communautés de plusieurs localités). En effet, après plusieurs attaques aux textes du Dinabe original, l’équipe de Tovondrainy Edally a apporté une amélioration, en admettant « un conseil des sages », pour réfréner les zèles profiteurs, c’est ce qui manquait pour une meilleure harmonie et une paix sociale chez les éleveurs et possesseurs de milliers de bovidés. D’où la renommée de la RAA de « Zone blanche », que les autres Régions jalousent silencieusement. Charles RAZA L’article REGION ATSIMO ANDREFANA : Le gouverneur Tovondrainy Edally rassure est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article REGION ATSIMO ANDREFANA : Le gouverneur Tovondrainy Edally rassure a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Izay manan-tsaina, manangan-tsaina…
14/06/2021

Amin’izao ankatoky ny 26 jona izao, lasa adihevitra etsy sy eroa ho azy ary ifampijerijerena havia sy havanana ny amin’ny fananganan-tsaina enti-manamarika sy mankalaza ny ny fiverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena. Mbola mila fampahatsiahivana, fanentanana, fanazavana. Misy ny manadino na tsy mahalala? Na manao fanahy iniana… Ao ny tsy misy na tsy manana saina ka tsy manangan-tsaina?Misy ny mahita ka milaza fa difotry ny fahasahiranana efa ho lava ny ankamaroan’ny olona, tsy tsarotsaroana ho azy mbamin’ny fiainam-pirenena. Tsy mahagaga raha tsy mahatsiaro saina? Mbola mafy fa tsy mahafa-bela koa ny dona sy ny fiantraikan’ny fihibohana noho ny hamehana ara-pahasalamana iadiana amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19. Tsy hita na verivery ho azy mbamin’ny saina ny an’ny sasany?Tsy vitan’izay, misy koa ny tena manao fanahy iniana noho ny antony politika: tsy mahazoazo na tsy mahazaka ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Any amin’ny saina no miala vonkina? Toa ny firenena no iadiana, ny fiandrianam-pirenena no tsy ahatsiarovan-tsaina. Anamarinan-tena amin’izany ny hoe tsy mbola mahaleo tena i Madagasikara, very ny hasin’ny fiandrianam-pirenena… Izany moa no inona?Tsy vao mainka fanariana hasina ny fiandrianam-pirenena ve ny tsy fananana sy fananganana saina amin’izany? Ady fiady mandrakariva… Tsy ao anatin’ny ady aza ve, ohatra, ny mpiantafika no tena mampiseho saina fa vonon-kiady sy vonon-kandresy? Tsy arefarefa na afenina ny saina. Misy ny minia manabotetaka saina amin’izao fahatsiarovana ny fiverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena izao?Na ahoana na ahoana, ndeha hanova na hanovana ny maha firenena ny firenena sy ny fiandrianany ve, ohatra, ny tsy fitovian-kevitra politika? Dia arefarefa ny saina, ahorona ny saina, tsy mitsangana ny saina… Nefa misy ihany ny hoe manana sy misy saina? Na heverina ho izany… Izay manana sy misy saina, manangan-tsaina. Mba tsy ho voasarika amin’izany koa ny hafa na ny tena. Mila ampiasaina ny saina?Rafaly Nd.  L’article Izay manan-tsaina, manangan-tsaina… a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasa: hanampy amin’ny famahana olana amin’ny sehatry ny asa i Soisa
18/06/2021

  Nitsidika ny minisitry ny Asa, ny fampananasa ny asam-panajkana ary ny lalàna sosialy, Ranampy Gisèle ny ambasadaoron’i Soisa, i Chasper Sarott, omaly tetsy 67 ha.  Voaresaka ny hijerena manokana ny olana eo amin’ny sehatry ny asa, nateraky ny covid-19. Niaraha-nidinika koa ny fitohizan’ny fiara-miasa amin’ny firenena roa tonta, indrindra eo amin’ny tontolon’ny asa sy ny fampanananasa. Tanjona ny hirosoana amin’ny fifanakalozana traikefa sy ny fanamafisana ny fiara-miasa mba hirosoana amin’ny tsaratsara kokoa amin’izany tontolon’ny asa izany.Hisy ny fampahafantara hataon’ny fianakaviam-ben’ny Firenenena mikambana sy ny masoivohon’i Soisa, rahampitso, etsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely. Anisan’ny voakasik’izany fanambarana izany ny minisiteran’ny Asa.Synèse R.L’article Fiaraha-miasa: hanampy amin’ny famahana olana amin’ny sehatry ny asa i Soisa a été récupéré chez Newsmada.

Andilana Avaratra: maro ny vahaolana naroso ho an’ny kariera
15/06/2021

Nihaona mivantana tamin’ny mpisehatra rehetra mikasika ny kariera any Andilana Avaratra ny minisitra Ravokatra Fidiniavo. Nanaiky hiditra amin’ny ara-dalàna ny mpitrandraka ary hisy ny bokin’andraikitra tsy maintsy hajaina.Nidina tany Andilana Avaratra, distrika Amparafaravola, faritra Alaotra Mangoro, ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Ravokatra Fidiniavo, ny 11 sy 12 jona teo. Nifanesy nihaona taminy ny tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny any amin’ny faritra, toy ny governor Alaotra Mangoro, ny prefe sy ny lehiben’ny distrika Ambatondrazaka, ny mpitandro filaminana OMC-Emmo, ny solombavambahoaka, ny ben’ny Tanànan’ny kaominina rehetra. Teo koa ireo mpikirakira sy mpividy vato, ny tangalamena, ny tompon-tany, sns. Nifampidinihana ny vahaolana mikasika ity toeram-pitrandrahana vatosoa beryl ity. Nambaran’ny minisitra, fa harena iombonan’ny rehetra ny harena an-kibon’ny tany ka rariny raha misitraka izany ny vahoaka malagasy.Hatao kariera filamatraMarihina fa tsy nanana fahazoan-dalana ireo mpitrandraka ka tsy maintsy hirosoana ny ara-dalàna. Tanjona ny hahazoan’ny rehetra tombontsoa sy ny tamberim-bidy entina hampandrosoana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Maro ny soso-kevitra avy amin’ny tsirairay, hisy ny tondrozotra iombonana hitantanana ity kariera any Andilana Avaratra ity. Voaresaka nandritra ny fihaonana ny hananganana bokin’andraikitra ho an’ireo mpitrandraka, hitantanana ny filaminana, ny fahadiovana, ny fomba fitrandrahana, sns. Hisy toerana iray hividianana ny vato, harahi-maso ny kalitao sy ny vidim-bato. Hatao kariera filamatra ny any Andilana Avaratra.Njaka AndriantefiarinesyL’article Andilana Avaratra: maro ny vahaolana naroso ho an’ny kariera a été récupéré chez Newsmada.

Nikela sy kobalta: mampandroso an’Ambatovy ny fiara mandeha herinaratra
15/06/2021

Niverina nihodina indray ny orinasa Tetikasa Ambatovy, ny marsa 2021 teo, taorian’ny fihibohana vokatry ny Covid-19. Neken’ny mpiray renivola ny fanohanana ny orinasa, ahafahana mihodina araka ny tokony ho izy. Nambaran’ny filohan’ny orinasa, i Stuart Macnaughton, fa be ny fanantenana ho an’ity taom-pamokarana 2021 ity mitaha ny taona 2020. Antony, mampiroborobo ny famokarana nikela sy kobalta ny fandrosoan’ny famokarana fiara mandeha herinaratra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Satria, akora ilaina amin’ny baterian’ny fiara mandeha amin’ny herinaratra ny nikela sy kobalta.99,9% ny taham-pahadiovanaNanazava ity tompon’andraikitry ny tetikasa Ambatovy ity, fa asam-pihariana marolafy sady be pitsopitsony ny famokarana nikela sy kobalta, manana taham-pahadiovana 99,9%. Tanjona ho an’ny orinasa ny hisitrahan’ny rehetra ireo vinavina ireo. Hajaina amin’ny antsipiriany ny fepetra hisorohana ny fiantraikan’ny Covid-19, mba tsy hiantraika any amin’ny famokarana. Ankoatra ny fepetra any amin’ny toeram-piasana, nentanina ny mpiasa hanaja izany koa any an-tokantrano sy amin’ny fifaneraserana amin’ny olon-kafa.Njaka A.L’article Nikela sy kobalta: mampandroso an’Ambatovy ny fiara mandeha herinaratra a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – “Copa America”: miala sasatra ireo ekipa rehetra mifaninana
17/06/2021

Miato aloha ny fifaninanana hiadiana ny ho tompondakan’i Amerika, taranja baolina kitra, “Copa America”. Fihaonana efatra ny efa tontosa tamin’izany ka ny roa, tao amin’ny sokajy A ary ny roa, ho an’ny vondrona B. Raha hiverenana ny voka-dalao ny talata lasa teo, nisaraka ady sahala 1 sy 1 i Arzantina sy i Chili ho an’ny vondrona B. Nahatafiditra ny baolina ho an-dry zareo Arzantin i Lionel Messi.3 no ho 1 kosa ny niondrehan’i Bolivia teo anatrehan’i Paragoay. Nilalao 10 ny Bolivianina, teo anatrehan’i Paragoay, rehefa nahazo karatra mena i Jaume Cuéllar, teo amin’ny minitra faha-45 + 9 mn. Taorian’ny fahavitan’ireo lalao ireo, mitarika i Brezila sy i Kolombia, ao amin’ny sokajy A, samy manana isa 3. I Paragoay kosa ny lohany ho an’ny vondrona B, nahazo isa 3, arahin’i Arzantina amin’ny isa 1.Hitohy rahampitso zoma ny fifanintsanana ka hifandona i Kolombia sy i Venezoela ary hifanehatra kosa i Brezila sy i Perou.Tsiahivina fa 12 ireo firenena mifaninana amin’ity “Copa America” ity. I Brezila, i Kolombia, i Pérou, i Ekoatera, i Venezoela ao amin’ny vondrona A. i Paragoay, i Arzantina, i Chili, i Orogoay, i Bolivia kosa ny an’ny sokajy B. TompondakaL’article Kitra – “Copa America”: miala sasatra ireo ekipa rehetra mifaninana a été récupéré chez Newsmada.

Cisco Avaradrano sy Antananarivo Renivohitra: hotontosaina anio ny CEPE andrana
15/06/2021

Hiatrika fanadinana CEPE andrana ny mpiadina amin’ny kilasy 7ème ho an’ny Cisco Avaradrano sy Antananarivo Renivohitra, anio tontolo andro.Ho an’ny Cisco Avaradrano, mahatratra 11 825 ny isan’ny mpiadina CEPE rehetra ho an’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana 174 sy sekoly miahy tena 376, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco, omaly. Ho an’ny EPP Antanandrano, ao anatin’ny zone d’administration pédagogique (Zap) Ankadikely Andrefana, Cisco Avaradrano, fanadinana CEPE andrana fahatelo ny anio. Efa niatrika fanadinana andrana roa sosona ny Zap Ankadikely Andrefana. 65% ny taham-pahafahana taorian’ny fitsarana ny laza adina ho an’ny sekoly miankina na tsia amin’ny fanjakana. Taranja mbola nanahirana ny mpianatra ny opérations et problèmes sy ny français toy ny mahazatra isan-taona, hoy ny talen’ny EPP Antanandrano, Rajoarihery Victor. Mbola mikarakara fanadinana andrana fahefatra sady farany mialoha ny CEPE tena izy, ny 6 jolay ny EPP.Ho an’ny EPP Volosarika, Zap faharoa eto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra, fitsapana faharoa ny CEPE andrana anio. Nandritra ny andrana voalohany nokarakarain’ny Zap, tena ratsy ny taham-pahafahana ary efa natao ny fanarenana taorian’izay. Ny taranja operations et  problèmes ihany koa no tsy voafehin’ny mpiadina tao amin’ny EPP.Ho an’ny Cisco Atsimondrano, efa tontosa ny herinandro lasa teo ny CEPE andrana voalohany nokarakarain’ny Cisco. Amin’ity herinandro ity vao hivaly ny fitsapana.Nanomboka ny adina ara-panatanjahantena BEPCNotontosaina teny amin’ny kianjan’Andralanitra tantanin’ny fikambanana Akamasoa ny fiatrehana ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny mpiadina amin’ny fanadinana BEPC ho an’ny Cisco Avaradrano. Fitsapana eny an-kianja avokoa no hanatanterahana ny adina, izay nanomboka omaly ary haharitra herinandro, hoy ny lehiben’ny Cisco Avaradrano.Vonjy A.L’article Cisco Avaradrano sy Antananarivo Renivohitra: hotontosaina anio ny CEPE andrana a été récupéré chez Newsmada.

Un communiqué qui est un pavé dans la mare
18/06/2021

La campagne de vaccination contre la Covid-19 est maintenant terminée et ceux qui l’ont organisée peuvent considérer que leur contrat est rempli, même si un peu plus de 80 000 doses n’ont pas été utilisées. On a vu hier un certain flottement après l’annonce faite par l’ambassade de France affirmant que le Covishield n’était pas accepté par les autorités françaises. Après une suspension de quelques heures, la vaccination a repris et l’affluence dans les centres a été importante. Un communiqué qui est un pavé dans la mare Le communiqué publié sur la page Facebook de l’ambassade de France, précisant que le vaccin Covishield n’avait pas été accepté par les autorités françaises, a semé le désarroi chez les organisateurs de la campagne de vaccination. De nombreux vaccinodromes ont fermé leurs portes et le personnel présent a renvoyé les nombreux candidats qui faisaient la queue. Le ministre de la Santé a exprimé son incompréhension et a décidé d’interpeller l’OMS par rapport à cette affirmation. Mais après une longue concertation entre les responsables, l’opération a repris son cours pour ne pas léser les volontaires désireux de se faire vacciner. Le rythme a été très soutenu tout au long de l’après-midi/ 177 000 personnes ont donc pu recevoir leur première dose de vaccin au terme de ce mois et demi de campagne. Pour les observateurs, ce qui a été annoncé dans le communiqué est un véritable pavé dans la mare et il est tombé à un très mauvais moment. L’embarras des autorités sanitaires était palpable. Ces dernières se sont certainement senties trahies par l’OMS qui a manifesté une certaine assurance lors de la livraison des stocks de Covishield. Aujourd’hui, tous ceux qui se sont fait vacciner pour se protéger, mais aussi pour pouvoir voyager à l’international sont dans le désarroi. Un certain nombre d’entre eux ont accepté le Covishield car ils n’avaient pas d’autres choix. À présent, ils ont l’impression d’avoir été piégés. C’est maintenant vers le gouvernement qu’ils se tournent pour qu’une solution soit vite trouvée. Patrice RABE L’article Un communiqué qui est un pavé dans la mare est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Un communiqué qui est un pavé dans la mare a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Filoha Rajoelina Andry tany Atsimo: “Fotoana izao hanovana ny fomba fiasa hanafoanana ny kere”
14/06/2021

Hiova tanteraka ny tantara, indrindra ho an’ny faritra Atsimo. Nifarana ny asabotsy teo rehefa naharitra roa andro ny fikaonan-doha lehibe ifotony, hanatanterahana ny vina fampandrosoana ho an’iny faritra iny. Niatrika izany tany an-toerana ny filoha Rajoelina Andry.Tsy nahomby ny paikady rehetra natao tany aloha. Marefo ny faritra atsimon’ny Nosy ahitana an’Androy sy Anôsy nohon’ny kere, ny haintany, ny tsy fandriampahalemana, ny fitokana-monina sy ny tsy fanjariantsakafo. Nataon’ny filoha ho hamehana ny famonjena ny mponina ao amin’iny faritra iny ka antony nanaovana izao fikaonandoha izao. Tanjona ny hamaritana ireo fanamby tsy maintsy tratrarina sy ireo hetsika laharam-pahamehana isaky ny distrika mifanaraka amin’ny hetahetan’ny mponina sy ireo mpisehatra amin’ny fampandrosoana. Hametraka paikady hahafahana manetsika ny fampivoarana ara-toekarena any Atsimo izany hampiroboroboana ny fampandrosoana maharitra. Mifantoka amin’ny hevi-dehibe efatra ny fikaonandoha. Ahitana ny lafiny sosialy, ny fanajariana, ny fanafoanana ny kere sy ny fandriam-pahalemana. “Mila lalan-tsaina vaovao ny fomba entina manafoana ny kere  sy manarina ny fahataran’ny fampandrosoana any an-toerana”, hoy ny filoha. Nisitraka fanampiana avy any ivelany hatrany i Madagasikara ampolon-taonany hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere. Tetikasa mandalo sy tsy mipaka amin’ny tena vahoaka nefa ireny endrika fanampiana ireny araka ny tatitry ny zanak’Anôsy. Tsy mahomby ny paikady nampiasaina. Nanteriny fa fotoanaizao hanovana ny fomba fiasa mba hanana vokatra maharitra, mivaingana sy hita maso ary mipaka amin’ny vahoakan’Atsimo, araka ny vina vaovao entin’ny filoha. Resy lahatra ny filoha fa azo atao ny  mampandroso ny faritra Atsimo.Lalana, fambolena, asa, rano…Voalohany amin’izany ny fanajariana ny tany hampiroboroboana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Tanjona ny hahatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo, handresena ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere. Paikady hanarenana ny any atsimo koa ny fametrahana ny indostria, mifampiankina amin’ny fampiroboroboana ny fambolena hahafahana manodina ny vokatra hamelomana ny vahoaka. Laharam-pahamehana ny fanamboarana ny lalana hahafahana mampivezivezy ny vokatra sy ny olona. “Tsy maintsy hotanterahina sy hovitaina ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13 (RN13), tafiditra ao anatin’ny Velirano ho an’ny faritra Atsimo. Eo koa ny fananganana fotodrafitrasa ho fanomezana rano ho an’ny faritra atsimo.  Hofongarina ny rano ao Atsimo », hoy izy. Tetikasa goavana atolotry ny filoha ho an’ny vahoaka any amin’iny faritra iny ny fametrahana ny « pipeline » hitarihana ny rano miainga ao Efaho, mandalo an’Amboasary ka tonga hatrany any Ambovombe, faritra Androy”, hoy izy. Natao hamatsiana rano fisotro madio ny am-pahany raha toa ka natao hanondrahana ny fambolena ny ampahany. Mametraka fanamby ny filoha fa volan’ny fanjakana no hanaovana izany ary finiavana politika sy fitiavana no hahafahana manova ny tantara any atsimo. Tafiditra ao anatin’ny paikady koa ny fanomezana asa ho an’ny rehetra. Haparitaka amin’ny kaominina hafa ny tetikasa fanomezana tany sy toerana hahafahan’ny fianakaviana iray mivelona amin’ny alalan’ny fiompiana sy fambolena. Nosafidina ho kaominina hampiharana ny tetikasa ny ao Ifotaka. Miisa 2 000 ireo fianakaviana hahazo sy hifampizara ny tany 200 ha. Ady gasy : “Raharahan’ny samy Malagasy”Hampiasaina ny « Système gouttes à gouttes » amin’ny fomba fambolena ao amin’io tetikasa io. Mahatratra 20 miliara Ar  ny tetibola ilain’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana hanatanterahana ny tetikasa. Mazava ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry fa miainga amin’ny samy Malagasy ny tokony hamaritana ny zavatra ilaina isam-paritra sy isaky ny distrika, vao entina hazavaina amin’ny mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara.  « Malagasy samy Malagasy aloha », hoy izy. Nanteriny fa ilaina ny fiaraha-miasa sy ny fahavononana hanova ny tantara mba hahazoana ny vokatra maharitra, mivaingana sy mipaka any amin’ny vahoaka. Nanteriny fa hametraka tantara maharitra ho lovain’ny taranaka aman-jafy miaraka amin’ny olomboafidy, olomboatendry sy ireo mpisehatra amin’ny fampandrosoana ny filoha ho fanovana tanteraka any Atsimo.Synèse R.L’article Filoha Rajoelina Andry tany Atsimo: “Fotoana izao hanovana ny fomba fiasa hanafoanana ny kere” a été récupéré chez Newsmada.