Taratry ny kanto

News - Taratry ny kanto

News - Taratry ny kanto

“Donak’afo”-n’ny poeta –
Malaza Andoharanofotsy

Hanatanteraka “Donak’afo”
mandra-maraina eny Malaza Andoharanofotsy, anio zoma 16 oktobra
2020 izao ry Nofy no Voary sy ny mpiara-misehatra amin’ny
literatiora.   Hetsika mandra-maraina hanentanana ny
rehetra tsy ankanavaka, na mpankafy na mpanoratra na mpandala ny
maha Malagasy izy ity. Hiainga etsy amin’ny Tahala Rarihasina,
anio, amin’ny 3 ora tolakandro ny fotoana ho an’izay rehetra
hamonjy izany.

Isambilo Dozera – RN7
Soanierana

Hitondra ny hatsikana « Mamely
akaiky » etsy amin’ny Lapa RN7 Soanierana (Tsy lavitra ny
peter motors sy france rider)  Isambilo Dozera, amin’ny
asabotsy 17 oktobra 2020 ho avy izao, manomboka amin’ny 4 ora
hariva. “Hatsikana ranoiray amin’ilay vaovao be no hoentiko
amin’io, hanomezana fahafahampo ny mpankafy tao anatin’izay
fihibohana izay”, hoy Isambilo Dozera.

Nangonin’i
Narilala    

Article tiré de Newsmada

L’article Taratry ny kanto a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

Pilo Kely aroson’i Mamy Be

L’article Pilo Kely aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fitaterana ny akora fasimainty: hanamboatra fiantsonan’ny sambo ny Base Toliara

Natao, omaly tany Andaboly Toliara, ny fomban-drazana, nangatahana fitahiana, hananganana ny fiantsonan’ny sambo, ampiasain’ny orinasa Base Toliara. Fotodrafitrasa ilaina hitaterana, hamoahana ny akora fasimainty, trandrahin’ny orinasa ity haorina ity.Tsy maintsy natao izao fomba izao, namonoana omby efatra, satria nisy ampahany amin’ireo fokonolona tsy nanaiky nananganana izany fiantsonan’ny sambo izany, sady tsy nanaiky ny hiasan’ny orinasa Base Toliara ihany koa. Resy lahatra izy ireo taty aoriana, rehefa nisy ny fifanazavana sy ny fifampiresahana ary ny fombafomba ho fampihavanana koa ity natao ity. Niaiky izy ireo fa tena hitondra fampandrosoana any an-toerana sy hiteraka tombontsoa maro ho an’ny mponina ny fisian’ity orinasa ity.Tsy manelingelina ny mpanjonoNanatrika ny fotoana avokoa ny manam-pahefana any Toliara I sy ny manodidina, ny fikambanan’ny mponina any ifotony, ny fikambanan’ny mpanjono, sns. Nilaza ny tale jeneralin’ny Base Toliara, Ramahefarivo Jean Bruno, fa tena mihaino ny hetahetan’ny vahoaka izy ireo, vonona ny hifampiresaka, ary tsy mitady korontana na disadisa.Nomarihiny fa tsy hanelingelina ny asan’ny mpanjono ny fisian’ity fotodrafitrasa ity. Natao avo, 4m ny haavony, ary mielanelana 24 metatra ny tsatoka. Tsy seranan-tsambo ity haorina ity fa fotodrafitrasa manokana hitaterana ny akora fasimainty mankany anaty sambo. Misy trano fitahirizana ny akora fasimainty, sy karazana tetezana hitaterana ny akora eny afovoan-dranomasina hampidirana azy ao anaty sambo.Njaka AndriantefiarinesyL’article Fitaterana ny akora fasimainty: hanamboatra fiantsonan’ny sambo ny Base Toliara a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

FAKAFAKA: Ovay ny toe-tsaina !

Fomba fitenin’ny sasany efa zary nankalilo sofina ny hoe « ovay ny toe-tsaina ». Asa raha mba manao izany ry zareo mpiteny azy io na mpitari-bato vilam-bavana? Ovaina manao ahoana ary io toe-tsain’ny Malagasy io? Fa impiry hanova toe-tsaina ny Malagasy? Tsy efa novain’ny mpanjakazaka an-tanin’olona ho “zarazarao hanjakana” ve ny “firaisankina no hery”? Tsy efa novain’ireo tsy mataho-tody ho voavidy vola ve ny “an’Andriamanitra ny aina”? Tsy efa novain-dry manam-pahaizana ho zava-doza amin’antambo ve ny fiheveran’ny Malagasy ny antsoina hoe “ody” ka nanjary tsy sitrana ny marary raha tsy ilay “comprimé” vidina any amin’ny « pharmacie » no ampiasaina ?  Sao mba tsy hoe “ovay ny toe-tsaina” no tokony hotenenina fa hoe: “ avereno amin’ny maha Malagasy anao io toe-tsainao io”? Samihafa tanteraka mantsy ny manova sy ny mamerina na ny miverina.Na efa am-polo taona maro aza no nitenenana ny hoe “ovay ny toe-tsaina”, tsy nahitam-bokatsoa izany. Vao mainka fiovana any amin’ny lalana tsy izy isan’andro isan’andro no hita eo amin’ny Malagasy. Tsy Fandikana be fahatany ny zava-misy sy tenenina any ivelany no nahatonga io “ovay ny toe-tsaina” io. Tsy mety mandaitra eto ilay izy satria tsy izany no takin’ny hasina ananan’ity tany ity fa ny fiverenana amin’ny tena toe-tsaina malagasy mifanaraka amin’ny soatoavina malagasy, manaja ny fahendrena, ny fomba amam-panao, ny teny, ny finoana, ny tantara, sns.Tsy midika ho fiverenan-dalana akory ny fitazonana sy fanajana ary fanomezan-kasina ny maha izy ny tena. Ampifanarahana amin’ny zava-misy sy mitranga ao anatina vanim-potoana izy ireny ka avy amin’izany no miteraka ny tena “fandrosoana” ho an’ilay firenena sy ny mponina ao aminy. Tsy nisy sy tsy misy ary tsy hisy izany firenena handroso amin’ny fihindramana “zavatry ny hafa” izany.… Izay fahalalana izay no fantatry ny sasany ka mahatonga azy tsy haka na hindrana ny an’ny hafa intsony fa avy hatrany dia manao bodongerona sy mangalatra an-kitsirano izao. Misora-tena ho tompony na tsy izany aza no marina!HaRy Razafindrakoto L’article FAKAFAKA: Ovay ny toe-tsaina ! a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ambalavao: tratra ireo jiolahy namaky fiangonana

Voasambotry ny polisy ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny halatra sy ny vaky trano tao amin’ny fiangonana zandriny ao Ambalavao Tsienimparihy. Araka ny fanazavan’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Ambalavao, ny 25 jona 2019 lasa teo, novakin’olona ny trano lehibe iray ampiasain’ny fiangonana zandriny roa atao trano fivavahana ao Ambalavao.  Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ireo entan’ny fiangonana rehetra , toy ny seza, ny fanamafisam-peo, ny zavamaneno, ny ridao. Niroso tamin’ny fanadihadiana avy hatrany ny polisy ka tratra ireo jiolahy roa tompon’antoka tamin’ity famakiana ny trano fiangonana ity. Niaiky ny heloka vitany ireo jiolahy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Efa tafaverina amin’ny fiangonana ireo entana halatra rehetra ankoatra ireo tany amin’ireo mpividy halatra.J.CL’article Ambalavao: tratra ireo jiolahy namaky fiangonana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Nandritra ny fihibohana: nihena 25% ny taham-pahasitranan’ny ankizy noraisina tao amin’ny CASAN

Nihena ny fanatonan’ny olona mpisitraka ny ivontoerana manome tantsoroka ara-tsosialy sy fandraisana an-tanana ny tsy fanjarian-tsakafo (CASAN) eny Antohomadinika izay tohanan’ny Action contre la faim, araka ny fanazavan’ny mpiandraikitra, Rakotondraina Mialy, ny herinandro lasa teo. 18 isam-bolana sisa ny olona vaovao tonga nandritra ny fihibohana nanomboka ny volana marsa ka hatramin’ny mey raha 50 izany mialoha ny fametrahana ny hamehana ara-pahasalamana. Najanona ihany koa ny fitiliana faobe ny tsy fanjarian-tsakafo teny anivon’ny fokontany niasana ho fisorohana ny famoriana vahoaka sy fanajana ny fepetra ara-pahasalamana. Tsy nikatona ny foibe CASAN fa nahena kosa ny fotoana hijanonan’ny olona mila tolotra. Raha tokony haraha-maso ny fivoaran’ireo zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika antonony (MAM) manaraka fitsaboana eo anivon’ny foibe, tsy afaka natao izany ka manova ny vokatra eo amin’ny fahatsaran’ny fahasalaman’ny zaza. Nandritra ny volana febroary ka hatramin’ny avrily, nidina ho 25% ny tahan’ny fahasitranana teo amin’ireo ankizy noraisina an-tanana. Manodidina ny 100 eo ho eo ny zaza iantsorohan’ny foibe isam-bolana. Maharitra telo volana ny faharetan’ny fandraisana an-tanana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika antonony. Efa niakatra ho 62% ny tahan’ny fahasitranana ny volana jona lasa teo satria niverina tsikelikely ny hetsika samihafa. Nanampy ny vehivavy hiatrika ny fiainana ao anaty fihibohana ny ekipa sosialy eo amin’ny foibe.Nirongatra ny herisetraTsapa fa nirongatra ny herisetra miseho ao an-tokantrano tao anatin’ny fihibohana noho ny fahasorenana ateraky ny toerana kely misy ny ankohonana. Tsy vitsy koa no tsy maharaka ny fepetra ara-pahasalamana satria vidiana ny rano sy ny savony nefa ny asa fivelomana voasakan’ny hamehana ara-pahasalamana. Anisan’ny antony tsy nahazoana vokatra tsara koa teo amin’ny fahasitranan’ny kilonga raisina an-tanana ny tsy fanajana ny fanomezana ny plumpy sup ny zaza marary fa amidy izany havadika vola.Vonjy A.L’article Nandritra ny fihibohana: nihena 25% ny taham-pahasitranan’ny ankizy noraisina tao amin’ny CASAN a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rugby – «Top 20 Analamanga»: tsy tonga ny UASC sy ny SOE

Nitohy ny asabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Alarobia ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Top 20”, hiatrehana ny fifaninanana eto amin’ny ligin’Analamanga. Fihaonana, nokarakarain’ny Malagasy Rugby, noho ny tsy fahazoan’ny mpitantana ny ligy, manatanteraka izany.Lalao dimy no voalahatra, saingy ny telo ihany no tontosa, tamin’izany. Tsy tonga niatrika ny fihaonana, ny UASC Cheminots (Besetroka) sy ny Stade Olympique de l’Emyrne (SOE).Raha tsiahivina, tokony hifanehatra tamin’ny Uscar, ny Besetroka ary ny 3FAI Ambalavao Isotry kosa tokony hikatroka tamin’ny Stade. Araka izany, samy “forfait”, avokoa izy roa tonta ireo. Tsy fantatra aloha, ny antony tsy nanatrehan’ireo fileovana roa tonta ireo, izany lalao izany.Toy izao kosa ireo vokatra hafa, resin’ny Savony, tamin’ny isa 39 no ho 23 ny UIRC. Tsy mbola afa-bela tamin-dry zareo STM indray izany teto ny fivondronana Kely. Lavon’ny US Ikopa, tamin’ny isa, 28 no ho 24 kosa ny Mangart ary nomontsanin’ny XV Avenir, tamin’ny isa mavesatra, 14 no ho 0 ny AFA Ankazomanga. TompondakaL’article Rugby – «Top 20 Analamanga»: tsy tonga ny UASC sy ny SOE a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsangan-tononkalo: vonona ny « Hitady azy » ny Sandratra

Rehefa avy nitety faritra, tonga eto an-dRenivohitra indray ny filalaovana an-tsehatra ilay tsangan-tononkalo « Hitady azy « S »  3.0 » hiarahana amin’i Liantsoa, i Vatoary, i Narilala ary i Kalo Fanomezana. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny faha-30 taon’ny Faribolana Sandratra ity hetsika hotontosaina ny alahady 4 aogositra, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny fiangonana FJKM Ambohimiadana Kristy Fitiavana (Synodam-paritany Antananarivo Atsimo), ity. Hisy vahiny nasaina manokana : eo amin’ny beko, ahitana an-dRengita, hiangaly ny jijy i Jao Mpiarakandro, hanao ny hosodoko Andriam’Ravaka, ny eo amin’ny soradihy, i Andry T.Efa intelo izao ny nitondrana teny an-tsehatra ny « Hitady azy » teto an-dRenivohitra, fahombiazana hatrany ny fampisehoana, tsy ho latsa-danja amin’izay ny amin’ity indray mitoraka ity satria efa tsara petrapetraka avokoa ny rehetra, indrindra ny fanomanana », hoy i Narilala.HaRy RazafindrakotoL’article Tsangan-tononkalo: vonona ny « Hitady azy » ny Sandratra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Digy Anosizato: ahiana ny fihotsahana

Nandray andraikitra avy hatrany ny boriboritany faha-4, manoloana ny zava-dozaataon’ireo mpanao biriky eny an-toerana. Mpanao biriky maromaro no hita sy tsikaritra mandavaka ny sisin’ny digy Anosizato, izay hita fa tena mihagoaka ka mety hitarika fahavakisana ato ho ato. Araka izany, natsahatra avy hatrany ny asan’izy ireo. Nomena taratasy fampiantsoana avy izy ireo ho tonga eny amin’ny boriboritany hijerena raha manana ny taratasy fazahoan-dalana feno nahafahany manao biriky eo amin’io toerana io.Raha sanatria ka misy fahavakisany ny arabe sy ny digy amin’iny faritra iny dia mety hiparitaka manerana an’Antananarivo Renivohitra ny ranon’Ikopa, ka ho lasa dibo-drano ny faritra iva manodidina.Raha ny tokony ho izy, eny amin’ny nosy kely afovoan-drano ireto mpanao biriky ireto no tokony hihady ny tany izay ilainy, fa tsy eny amin’ny sisin’ny arabe sy digy toy ny ataony ankehitriny.Ho avy ny fahavaratra, mampanahy ny mety ho fahavakisana raha mitohy ny asa fanamboarana biriky mikaoka ny sisin’ny digy. Tandindomin-doza ny tanàna rehetra manodidina vokatr’izany.Mila hamafisina aza ireo efa nohadian’ireo mpanao biriky ireo mba tsy hampiitatra ny fahavoazana mialohan’ny fahavaratra izao. Noraisina izao fepetra izao mba ho fisorohana ny loza mety hitranga, ary ho fitsinjovana hatrany ny soa iombonan’ny mponin’Antananarivo Renivohitra, hoy ny tompon’andraikitra.Tatiana AL’article Digy Anosizato: ahiana ny fihotsahana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina: notsidihina ny Rovan’Ilafy sy ny tranon-dRainilaiarivony

Taona 2019, nametraka fanamby ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ny hanarina sy ny hanamboatra ireo fotodrafitrasa mirakitra ny tantara tsy hay hadinoina. Tafiditra ao anatin’izany ireo mozea, ny rova, sns.Nitsidika ny Rovan’Ilafy sy ny Tranon’ny Praiminisitra Rainilaiarivony ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana Andriatongarivo, omaly. Raha ny momba ny Rovan’Ilafy manokana, efa nirosoana ny fanamboarana ny anatiny sy ny ivelan’ny rova nanomboka tamin’ny fotoana nametrahan’ny minisitera fanamby ny amin’ny fanarenana izany. Nasiam-panavaozana avokoa ireo toerana rehetra natokana hanaovana ny fampirantiana ara-haifoko ao anatin’ny rova. Efa mamarana ny asa fanatsarana tanteraka ny orinasa miandraikitra izany amin’izao. Marihina fa ny taona 1982 no navadika ho lasa mozea ara-haifoko na “musée ethnographique ” ity lapa ity. Ampirantiana ao anatin’io lapa io avokoa ireo fitaovana rehetra nanamarika ny fiainan-dRadama II (nanorina ny Rovan’Ilafy) tamin’izany. Hita ao anatiny ihany koa ireo karazana fampirantiana ara-haifoko na ny  “collection ethnographique “, entina hampahafantarana ny fomba mampiavaka faritra iray.Nifanindran-dalana tamin’ny fitsidihana nataon’ny minisitra Rakotondrazafy Lalatiana Andriatongarivo, omaly, ihany koa ny fijerena ny fivoaran’ny asa fanatsarana ny trano nipetrahan’ny Praiministra Rainilaiarivony, etsy Amboditsiry, tafiditra ao anatin’ny lisitry ny vako-pirenena nanomboka ny taona 1987. Amin’ny maha vako-pirenena azy izay, mipetraka ho fananan’ny fanjakana ihany koa ny toerana sy ny fotodrafitrasa rehetra ao anatiny. Manana adidy lehibe ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina handray an-tanana ny fanatsarana azy. Ezahina ny hamerina ny endriny ivelany sy anatiny nahafantarana ity vakoka ity hatramin’izany, hanajana ny fenitry ny fanarenana vakoka iray na ilay antsoina hoe “codes architecturaux originaux “.Nanangona: HaRy RazafindrakotoL’article Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina: notsidihina ny Rovan’Ilafy sy ny tranon-dRainilaiarivony a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsy nisy tranga Analamanga: nampitandrina mafy ny CCO

Tsy mbola tafavoaka ny ala na nihena aza ny tahan’ny valanaretina eto amintsika. Tsy nisy tranga vaovao teto Analamanga ary nihena ho valo ireo tranga vaovao manerana ny Nosy amin’ireo fitiliana natao miisa 385, araka ny tatitry ny CCO, omaly. Tsy nisy koa ny aina nafoy ka mijanona ho 237 ireo lavon’ny covid-19, hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty. Miisa 373 ireo mbola tsaboina sy arahi-maso ny toe-pahasalamana ka anaty fahasarotana “forme grave” ny 19 amin’izany. Etsy Befelatanana sy HJRA ary Andohatapenaka ny 10 amin’izany. Na eo aza anefa izany, nampitandrina ny eo anivon’ny CCO. “Mbola miovaova isan’andro ny tarehimarika. Tandremo re rey olona ! Sao ampirimina any an-trano ny arovava fa hoe efa mihena izany ny fifindran’ny valanaretina. Maro ireo tsy miraharaha intsony”, hoy ny Pr Vololontiana Hanta. Nanteriny fa mirongatra indray ny covid-19 any Frantsa raha ny vaovao any ivelany. Manafatrafatra ny CCO fa tokony hohajaina hatrany ny fepetra rehetra raha te hitazona izao fivoarana izao.Synèse R. L’article Tsy nisy tranga Analamanga: nampitandrina mafy ny CCO a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

Nandona sy nahafaty olona: tratra rehefa nifampitadiavana ilay mpamily
27/10/2020

  Tra-tehaky ny zandarimaria, omaly maraina tao Androvakely-Ambohimandroso, ilay mpamily sy ny fiara nentiny nahavanon-doza. Nenjehina noho ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ilay mpamily. Miharo fitsoahana rehefa avy nandika lalàna ny heloka iampangana azy. Tsiahivina fa maty vokatry ny dona mafy nahazo azy ny lehilahy iray, ny alahady hariva teo tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany tao Avaratsena. Maty tsy tra-drano izy ary nitsoaka avy hatrany ny fiara taorian’izay. Nambaran’ny zandary fa 38 taona ilay namoy ny ainy ary monina ao Andeboka-Ambohimandroso ihany. Taorian’izay, raikitra ny fikarohana ilay fiara sy ny mpamily ka voasambotra omaly. « Vesatra maro ny anenjehana ny mpamily satria na inona na inona antony, tsy azo atao ny mandositra adidy ka mamela ny olona voadona hiady irery amin’ny fahafatesana », hoy ny fanazavan’ny Zandariamaria ao Vakinankaratra. Fantatra fa raisin’ny zandary ao Ambohimandroso ny fanadihadiana ny raharaha ary hatolotra ny fitsarana aorian’izay.Ankoatra izay, nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ihany koa teo Antanambao-Talata Volonondry, ny alahady teo tokony ho tamin’ny 6 ora hariva. Voadonan’ny fiara taxi-be mampitohy ny Renivohitra sy ny ao an-toerana ny mpirahalahy roa nandeha moto. Tranga niseho teo amin’ny fiolanan-dalana ao Antanambao. Voadona teo amin’ny lohany ireo lehilahy 23 sy 26 taona ka naratra mafy. « Nandeha mafy ireo mpandeha moto ka nifatratra tamin’ilay taxi-be », hoy ny fanazavan’ny zandary misahana ny famotorana. Taorian’izay, nianjera tamin’ny tany ireo roa lahy avy namangy havana ary namonjy ny Renivohitra. Mbola nentina teny amin’ny hopitaly teny Anosy Avaratra ireo tra-doza, saingy namoy ny ainy minitra vitsy taorian’ny nahatongavany teny. Ankehitriny, atao andrimaso ao amin’ny zandary ao Antanambao ny mpamily ilay taxi-be. Nogiazana avy hatrany kosa ny fiara.Henintsoa HaniL’article Nandona sy nahafaty olona: tratra rehefa nifampitadiavana ilay mpamily a été récupéré chez Newsmada.

Roa taona tsy nilatsaka ny orana: mponina maherin’ny 5 000 nifindra monina noho ny kere
30/10/2020

  Tsy azo iainana intsony ny any amin’ny misy azy ka tapa-kevitra. Maherin’ny 5 000 ireo mponina nilefa nandositra ary nifindra monina noho ny kere mahery vaika.Tonga nihazo ny any Tsivory, 160 km miala an’Amboasary Atsimo, izy ireo ary mbola mety hihoatra io aza ny tarehimarika, raha ny nambaran’ny mpitondra fivavahana any an-toerana, omaly. Tsy vitan’izany fa anjatony ireo mitokona eo an-tokotanin-dry masera sy ny fiangonana katolika any an-toerana, miandry fanampiana amin’ny alalan’ny sakafo. “Tsy misy intsony ny azo omena noho ny tsy fisian’ny sakafo”, hoy ny mompera, Rafanomezantsoa Mbola.Misy mangalatra hatramin’ny lovia sy ny vilany… Manampy trotraka izany, tsy misy intsony koa ny omby angalarina ka ataon’ny dahalo majifa ireo fitaovana sy ny kojakoja ao an-tranon’ny mponina. “Mirongatra ny halatra lovia sy ny vilany… Milefa mandositra any anaty ala ny mponina ary mitady sakafo any nefa mbola misy maka koa ny kely azo amin’izany. Miraviravy tanana ka lasa mandositra miakatra an-tanàn- dehibe ireo mponina”, hoy ihany izy.  Ahitana zaza amam-behivavy sy zokiolona ireo mpifindra monina, nandao ny tananany ireto noho ny haintany mafy mamely ny any an-toerana.Tsy vao voalohany ny tranga any Amboasary Atsimo Tsy nisy rotsak’orana tao anatin’ny roa taona. Tsy misy koa izany ny vokatra.Efa nijery ifotony izao toe-draharaha izao ny mpitantana any an-toerana. Anisan’izany ny eo anivon’ny fiadidiana ny faritra, saingy tsy mbola nisy tohiny, hatramin’ny omaly.Tsiahivina fa efa nitranga ny kere tahaka izao ny taona 2016. Niverina indray izany izao ary mihamafy kokoa aza.Synèse R.L’article Roa taona tsy nilatsaka ny orana: mponina maherin’ny 5 000 nifindra monina noho ny kere a été récupéré chez Newsmada.

Vao nivoaka ny fonja ny janoary teo: maty rotiky ny balan’ny zandary Rams, dahalo raindahiny    
27/10/2020

   Ny zoma alina lasa teo, nisy andian-dahalo nanafika sy nangalatra omby tao Ambatofolaka, kaominina ambanivohitr’Alatsinainikely, distrikan’i Miarinarivo, faritra Itasy. Niantso vonjy tamin’ny mpiray tanàna ireo niharan’ny fanafihana ka votsotra ny omby miisa 13.Ny asabotsy maraina tamin’ny 8 ora, nosakanan-dRams, iray amin’ireo dahalo nanafika teo amin’ny tetezana Sakay, ny zanaky ny voatafika roa lahy sady norahonany fa ho avy hiverina izy ireo fa latsaka ao anaty valan’omby ny tranon’antsiny ary tsy maintsy halainy. Nanao avy hatrany fiambenana niaraka amin’ireo fokonolona tamin’io alina io ny zandary. Tokony ho tamin’ny 10 ora alina, niakatra tao Ambatofolaka ity dahalo nandrahona ity ka noraisim-potsiny. Nanokatra fanadihadiana ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Analavory misahana iny faritra iny ka nitonona ireo namany Rams, voalaza fa ao Ankadimena Alatsinainikely. Omaly tamin’ny 4 ora maraina, nidina hisambotra ireo namany ny zandary ka rehefa tonga tao Andranomahitsibe Alatsinainikely, nanaraotra ny andro maizina ity dahalo ity ka nitsoaka. Raikitra ny fifanenjehana ka maty voatifitra avy hatrany izy. Nomarihin’ny zandary fa dahalo efa mpamerin-keloka ary vao nivoaka ny fonja noho ny raharaha halatr’omby ny volana aogositra 2019 izy, saingy tafavoaka sahady ny volana janoary 2020 teo. Anisan’ny nandray anjara koa tamin’ny fanafihana nahafatesana olona tao amin’ny kaominina Ankaranana Rams sy ny namany.Jean ClaudeL’article Vao nivoaka ny fonja ny janoary teo: maty rotiky ny balan’ny zandary Rams, dahalo raindahiny     a été récupéré chez Newsmada.

Noho ny Covid-19: tsy afaka miverina miasa ny orinasa Ambatovy
24/10/2020

Manana ny lanjany toekarena eto Madagasikara ny Tetikasa Ambatovy. Miankina amin’ny lafin-javatra maro maneran-tany, noho izao tranga Covid-19 izao, anefa vao hiverina amin’ny laoniny ny fiharian’ity orinasa ity. Araka ny fanadihadiana manokana, tsy mbola afaka miverina ny asa fiharian’ny orinasa Tetikasa Ambatovy. Maromaro ny an­tony, ary anisan’ny sakana ny tranga Covid-19 tsy mbola foana ka tsy afaka mankaty Madagasikara ireo vahiny miisa 850 miasa ao Ambatovy satria mikatona ny sidina ana habakabaka iraisam-pirenena mampifandray antsika amin’ ny any ivelany. Tsy misokatra, toraka izany, koa ny ankamaroan’ny sidina ana habaka­baka any amin’ny firenena maro. Eo koa ny lafiny tolotra sy ny tinady, fototry ny fihariana. Andaniny, ny lafiny famatsiana akora fototra ampiasain’ny orinasa, ilaina amin’ny fanodinana ny nikela sy ny kobalta. Hatreto, tsy miverina amin’ny laoniny ny famatsiana sy ny fitaterana azy ireny an-dranomasina, vokatry ny hamehana amin’ny tranga Covid-19, voa­laza etsy ambony. Singanina manokana ny akora sofra, ilaina amin’ny fanadiovana ny nikela sy kobalta, ny arintany ilaina amin’ny angovo ampiasaina amin’izany, sns. Ankilany, sarotra ny hama­ritana sy ny hamantarana ny fotoana hiverenan’ny orinasa Ambatovy hihodina indray. Manampy ireo, tsy mbola miverina amin’ny laoniny koa ny lafiny tinady, ny mpanji­fan’ny orinasa, fototra voalohany iankinan’ny fihodinan’ ny famokarana. Tsiahivina fa voalohany amin’ny varotra ivelany, amin’ny fanondra­nana entana any ivelany, ho an’i Madagasikara, ny fihariana ataon’Ambatovy.Kojakojaina ny milinaSaropady sady mifandraika amin’ny zavatra maro ny fiharian’ny tetikasa Ambatovy. Hatreto, ny mikojakoja ireo fitaovana sy milina ao amin’ ny orinasa no tsy maintsy hany azo atao, any amin’ny toeram-pitrandrahana Ambatovy, sy ny toeram-panodinana any Toa­masina. Maherin’ny 9 000 ny mpi­asa mivantana sy tsy mivan­tana miasa ho an’ny orinasa, misandrahaka amin’ny lalam-pihariana maro, toy ny fama­tsiana sakafo ho an’ny mpiasa, ny fitaterana, ny fanadiovana, ny famatsiana akora madinika sy salantsalany eto an-toerana, sns. Izay no maha anisan’ny fototry ny toekaren’i Mada­ga­sikara ny Tetikasa Ambatovy.Njaka AndriantefiarinesyL’article Noho ny Covid-19: tsy afaka miverina miasa ny orinasa Ambatovy a été récupéré chez Newsmada.

Fambolena zava-mahadomelina: saron’ny zandary ny sahan-drongony 3 hektara
29/10/2020

  Tra-tehaky ny zandary avy ao Ambilobe ny toeram-pambolena rongony mirefy 3 hektara. Sarona tamin’izany koa ny rongony 20.000 fototra tao Maroamalona, fokontany Bobantsery, kaominina ambanivohitr’i Anaborano Ifasy ao Ambilobe. Tratra tamin’io fidinana tampoka nataon’ny zandary avy ao Anaborano io koa ireo rongony milanja 540 kilao sy ny trano heva miisa telo tao an-toerana. Lehilahy dimy ihany koa voasambotra. Nahitana ny mpividy, ny mpamboly, ny mpitatitra ny rongony avy ao amin’io toerana io ihany. Nanaovana famotorana ireo voasambotra ary hatolotra ny fampanoavana aorian’izay. « Tsy maintsy nodorana kosa ireo rongony izay mitarika ny tsy fandriam-pahalemana », hoy ny zandarimariam-pirenena, loharanom-baovao. Misaotra amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo nanome loharanom-baovao ny zandary. Mitohy hatrany ny ezaka ataony amin’ny ady amin’ny famokarana sy fanapariahana zava-mahadomelina.Henintsoa HaniL’article Fambolena zava-mahadomelina: saron’ny zandary ny sahan-drongony 3 hektara a été récupéré chez Newsmada.

RN44 horakofana tara : manomboka ny ampahan’ny asa farany
26/10/2020

Feno tanteraka izao ireo orinasa mandray antoka ny handrakofana tara manontolo ny lalam-pirenena faha-44 avy Moramanga hatrao Ambatondrazaka. Am-perinasa, nanomboka ny 23 oktobra teo, ny orinasa sinoa China Road and Bridge Corporation (CRBC) voaray hanatontosa ny ampanhany farany, miala avy ao Amboasary (PK 60) ka hatreo Vohidiala (PK 133), tanàna nisehon’ny orinasa hanatanteraka ny asa, tamin’ny filohan’ny Repoblika. « Hisy tetezana lehibe iray vaovao hatao…65 miliara Ariary ny vidin’ny asa rehetra hatao », hoy ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, Andrianainarivelo Hajo, raha nandray ny filoham-pirenena, nanatrika ny fiantombohan’ny asa.Ho 8,40 metatra ny sakan’ny làlana amin’ny faritra mamakivaky tanàna, ary ho 8,60 kosa ny sisa. Ho ao amin’ny PK 87 no hisy toby foibe. « Somary vitsy ny toerana azo hakàna vato any amin’iny toerana iny: enina aloha ny efa hita hatreto… Tsy hovaina ny soritra (tracé) ankehitriny, mirefy 73 km, io », hoy ny teknisianina sinoa tafaresaka taminay.Orinasa za-draharaha ny CRBC.”Efa maro ny asa vitan’ny CRBC aty Afrika, hoy ny filoha Rajoelina Andry: « Ny hafatra: ny asa ataontsika eto, mba ho zavatra matanjaka, manaraka ny fenitra. Mba hipetraka holovain-jafy. »Naverimberiny izay raha nitokana ny seranam-piaramanidina nohatsaraina eny Feramanga Avaratra, ny sekoly manara-penitra ao Ambatondrazaka. Teo amin’ireo tetezana roa an-dalam-pahavitàna: ny « Tetezan’ny kafe » sy ny “Nanaingazipo”, taloha izay nomen’ny filoham-pirenena anarana hoe “Tetezan’ny Fihariana », manomboka izao.RarivoL’article RN44 horakofana tara : manomboka ny ampahan’ny asa farany a été récupéré chez Newsmada.

Fangatahan’ny mpitantana ambony: toherin’ny Seces ny endrika fisandohana laharana
29/10/2020

   Ho afaka hampianatra eny amin’ny oniversitem-panjakana izany ny mpitantana ambony raha mangataka ny hanana sata manokana mitovy lenta amin’ny mpampianatra mpikaroka. Toherinay izany, hoy ny mpampianatra mpikaroka.    Misy volavolan-dalàna napetraky ny mpiasam-panjakana ambony manana ny mari-pahaizana Masters na mitovy lenta amin’izay ka nanohy fianarana teny anivon’ny sekoly ambony misahana ny fampianarana ny fitantanana ny raharaham-panjakana mangataka sata manokana. Nodinihina tao anatin’ny filankevitry ny governemanta, omaly, ity volavolan-dalàna ity. Ny ampahany betsaka voasoratra ao amin’ny sata manokana dia mirona amin’ny fitoviana lenta amin’ny mpampianatra mpikaroka (maitre de conférence sy maître de recherches amin’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsianasa ) ka hisitraka ireo tombontsoa rehetra mifandraika amin’izay, araka ny fanazavana azo omaly. Manoloana izany, nanao fanambarana ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces) foibe, izay nosoniavin’ny filohany, Randriamialinoro Faliarivony. Voalaza ao fa toherin’ny Seces ny endrika fisandohana laharana sy ny fikasana hanao « décret » hafa hampiharana ny satan’ny mpampianatra mpikaroka  sy ny mpikaroka mpampianatra amin’ny sokajin’olona hafa. Manana ny sata ankapobeny mifehy azy ny asam-panjakana ka mandika izany lalàna manan-kery izany ny fanekena sata manokana hifehy ireo mpitantana ambony ireo, hoy ny mpampianatra mpikaroka iray. Zavatra hafa toy ny bonus na tombontsoa mifandraika amin’ny fianarana noratovina no hisitrahany fa tsy sata manokana. Mahatsapa ny mpikambana ao amin’ny Seces fa fanimbazimbana ny hasin’ny mpampianatra mpikaroka ny fanomezana ny santany ho an’ny antokon-draharaha hafa na inona na inona ambaratonga misy azy ireo.Raha eken’ny fitondrana ity volavolan-dalàna naroson’ny mpitantana ambony ity dia ahina hiteraka safotofoto sy korontana amin’ny asam-panjakana ka tsy azo ekena.Vonjy A.L’article Fangatahan’ny mpitantana ambony: toherin’ny Seces ny endrika fisandohana laharana a été récupéré chez Newsmada.

Kolontsaina sy serasera: zava-bita roa notokanana ao Toamasina sy ao Fenoarivo Atsinanana
26/10/2020

Anisan’ny singa lehibe mandrafitra sy mampijoro firenena iray ny kolontsaina ao aminy. Miezaka ny manarina ny simba, mampahatsiahy ny tantara ary manasongadina izany ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Nanamarika ny faran’ny herinandro teo tao Toamasina sy tao Fenoarivo Atsinanana ny fampisongadinana sy ny fanandratana avo ny lentan’ny kanto sy ny kolontsaina malagasy. Notokanan’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina ny zava-bita roa sosona. Ho an’ i Toamasina, notokanana ny mozea Vavitiana, fantatry ny maro amin’ny hoe “Maison Nathan” teo aloha. Miorina etsy amin’ny Place Bien-Aimé, Ampasimazava, rehefa nasiana fanarenana taorian’ny fahasimbany. Trano vato lehibe efa niorina hatramin’ny fanjanahantany (taona 1928) ity trano ity ary nampiasaina amin’ny fametrahana andevo mialoha ny handefasana azy ireny hamidy na atakalo.Trano ahitana efitrano lehibe ahafahan’ireo mpanankato manao fampisehoana. Ahitana fitaovana toy ny solosaina ahafahan’ny mpanao gazety mikaro-baovao. Nambaran’ny minisitry Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana, rahateo, nandritra ny lahateniny, fa anatin’ny herinandro voalohany, azon’ny rehetra tsidihina ny mozea Vavitiana fa aorian’izay, hisy fandraisana anjara hahafahana mampihodina ny mozea.Fanoitra ho an’ny fampandrosoana Ny kanto sy ny kolontsaina no fanoitra ho an’ny fampandrosoana isam-paritra ary mipaka amin’ny firenena iray manotolo. Izay kosa ny nivoitra tetsy anoloan’ny Araben’ny Fahaleovantena, ao Fenoarivo Atsinanana, raha nitokana ny tsangambaton-dRabemanantsoa Bertrand (Dédé Fénerive) sy i Jean Fredy ny minisitra Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana, ny asabotsy 24 oktobra maraina.Mpanankaton’ny taona 60 izy roa lahy ireto ary anisan’ny nampisongadina ny kaiamba, raha samy nivoaka avy ao amin’ny tarika Miarema. Nambaran-dramatoa minisitra fa « ny kanto sy ny kolontsaina dia ilain’ny fiainan’ny olombelona. Mivoy sy manandratra ny faritra iray sy ny firenena ary ny maha olona ihany koa. Manome fiantraikany anivon’ny rafi-piaraha-monina, ankaharezana ny malahelo. Ilain’ny manam-pahasoavana sy hanaovana fety. Ampiasaina amin’ny finoana». Anisan’ny andrarezin’ny kanto sy ny kolontsaina rahateo i Dédé Fénerive sy i Jean Fredy. I Dédé Fénerive, teraka ny 19 mey 1961 ary lavo ny 1 jolay 2017. I Jean Fredy, teraka ny 4 martsa 1962 ary lavo ny 16 mey 2001. Ny zanak’izy roa lahy ireo, efa misolo toerana ny rainy avokoa.SajoL’article Kolontsaina sy serasera: zava-bita roa notokanana ao Toamasina sy ao Fenoarivo Atsinanana a été récupéré chez Newsmada.

Bakalorea teknika: 5 529 ny mpiadina eto Antananarivo
24/10/2020

Hiroso amin’ny andiany fa­haroa amin’ny bakalorea ny fampianarana teknika manerana ny Nosy, manomboka ny alatsinainy ho avy izao. 10 141 ny isan’ny mpiadina rehetra ka 5 529 amin’ireo, eto An­tananarivo avokoa. Ma­nom­boka ny alatsinainy ary maharitra hefarana ny tapany faharoa: ny comptabilité sy ges­tion, ny commerce, ny te­chnologie, ny secrétariat… anisany amin’ny lalam-piofanana atrehina. Foibem-panadinana handray ny mpiadina ny ivontoeram-pampianarana tek­nika eto an-dRenivohitra ary efa miomana amin’ny fandaminana ny tomponandraikitra, araka ny fanazavana azo. Ity andiany faharoa ity no tena mampiavaka ny fampianarana teknika ary ambony avokoa ny «coefficient» amin’ ireo taranja isanisany mampiavaka ny “spécialité”. Efa miroso amin’ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ ny andiany voalohany amin’ ny fampianarana ankapobeny sy teknika kosa ireo tomponandraikitra, nanomboka anio, rehefa vita ny fifanarahana teo amin’ireo mpitsara rehetra.VonjyL’article Bakalorea teknika: 5 529 ny mpiadina eto Antananarivo a été récupéré chez Newsmada.

Te ho katolika alohan’ny Papa?
24/10/2020

« Mahafinaritra ity Papa ity… ». Fotoana fohy taorian’ny nanosorana ny Papa Fransoa ho Ray masina, maro ny fanehoan-kevitra heno maneran-tany toy izany. « Papa misokatra amin’ny firehan-kevitra maro », « Papa mijery akaiky sy manome lanja ny maha olombelona », sns. Tsy ny mpino katolika irery, fa na ireo hafa finoana aza, nahenoana fanehoan-kevitra mirona mankany amin’izay avokoa. Eny, olon’ny fisokafana tokoa ny Papa Fransoa. Anisan’ireo nanana tombony manokana i Madagasi­kara satria vao tamin’ny taon-dasa no nandalovany teto ka nahita sy nandre akaiky ity dimbin’ny Apostoly ity. Fa toa ny vara-datsaka ny nilatsahan’ny vaovao, ary toy ny fitsoriakan’ny tselatra koa ny fipariahan’ny vaovao…Resabe tamina tambajotran-tserasera ilay voalaza ho fanambarana nataon’ny Papa Ray masina momba ny fiarahan’ny mitovy fananahana. Fanadihadiana tamin’ny teny espaniola, nandritra ny fetin’ny Sarimihetsika tao Roma, ny nataon’ilay mpanao gazety, i Evgeny Afinnevsky. Voalaza tao anatin’izany fa mano­hana ny fiarahana sivily eo amin’ny olona mitovy fananahana ny Papa… Eo ny fototry ny olana. Samy nandroritra izany araka izay zoro metimety aminy ny tsirairay. Samy nanana ny fandraisany azy koa. Ho an’ireo mpino katolika, sanganehana tanteraka, satria hoe tsy mifanaraka mihitsy amin’ny lalàn’ny Eglizy izany. Mazava loatra fa nandray izany ho fitaovana handotoana ny Fiketrahana masina sy ny Papa ireo hafa firehana… Misy ireo miezaka miaro fa nisy fahaizana “montage” tao anatin’ilay fanadihadiana, nanodinana izay tian’ny Papa hola­zaina. Na inona na inona anefa ny marina, ny zava-nisy dia nihaino ireo olombelona manana fironana amin’ny mitovy fana­nahana ny Papa. Nihaino sy nandray ny fanirian’izy ireo, amin’ ny maha samy zanak’Andriamanitra… Anisan’ireo nijoro vavo­lombelona tao anatin’ilay fanadihadiana i Andrea Rubera, nangataka raha mba afaka mivavaka any am-piangonana toy ny olon-drehetra. Mazava loatra fa nalahelo amin’ny fanilikilihana, ny tondro molotra, ny fanavakavahana tonga any amin’ny fikasihan-tanana aza, ny Ray masina. Ny zo maha olona no narovan’ny Ray masina. Tsy tao anatin’iny fanadihadiana iny ihany fa efa nialoha izao. Ny zo ho an’ireo mitovy fananana, tsy tokony hailiky ny fianakaviana sy ny mpiara-monina. Na marina na tsia ilay fanambarana, ny azo antoka kosa, tsy eken’ny lalàn’ny fiangonana katolika ny fanambadian’ny mitovy fananahana. Tsy midika fa tokony hailika satria tsy zanak’Andriamanitra izy ireo… Ka ahoana aza, nety sa tsia ny nataon’ny Ray masina? Io indray aloha izany ny anton-dresaka mandritra ny andro maromaro…Zo ny Aina RandriatsiresyL’article Te ho katolika alohan’ny Papa? a été récupéré chez Newsmada.

Nihotsaka ny ampahan-drindrin’ny CEMDLAC: mpiasa enina naratra tototry ny tany, nisy no voa mafy
30/10/2020

   Nihotsaka, omaly, ny ampahan-drindrina amin’ny trano CEMDLac, na ny Galerie 6 teo aloha, an’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy serasera, etsy amin’ny Araben’ny Fahaleovantena Analakely. Mpiasa enina ny naratra tototry ny tany.Olona enina indray naratra ka tena voa mafy ny roa! Io ny vokatry ny fihotsahana tao amin’ny tranoben’ny minisitera ao amin’ny Arcade Analakely, CEMDLac teo aloha, omaly antoandro tamin’ny 11 ora sy 30 mn antoandro. Galerie 6 kosa ny nahafantaran’ny maro ity trano ity hatramin’izay. Tampoka ny fitrangan’ny loza teny an-toerana sady tsy nampoizin’ny rehetra, araka ny fanazavan’ireo nahita ny zava-nitranga teny an-toerana. Zavatra nidoboka mafy kosa ny henon’ireo olona teny amin’ny manodidina. Raha ny fampitam-baovao nampitain’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, nisy ampahan-trano fiasan’ny minisitera efa simba be nandritra ny taona maro no nirodana tamin’ny ampahany omaly ka niteraka faharatrana teo amin’ireo mpiasa niasa ao an-toerana. Efa natahorana ny firodanany ka noho izay indrindra ny antony nahatonga ny minisitera nanala ny mpiasa rehetra tao, roa volana lasa izay, ary nanarama orinasa hisahana maika ny fanaraha-maso ity trano ity satria ho avy ny fotoan’ny orana.Tsy nisy kosa ny aina nafoy na teo aza ireo naratra…Nasiana talantalan-kazo “échafaudage” hahafahana mandrodana azy tsikelikely ity trano ity. Tao anatin’izay asa fandrodanana izay indrindra no nisy nihotsaka ny tany amin’ny farany ambony ka nifatratra tamin’ireo mpiasa nanao ny asa fandrodranana. Vokany, mpiasa miisa enina indray naratra tototry ny tany, saingy tena voa mafy ny roa ka nentina haingana namonjy hopitaly, araka ny tatitra nampitain’ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina, ny Kly Razafimanahaka Tiana. Ny mpamonjy voin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra no nitondra ireo naratra namonjy hopitaly. Na teo aza anefa izany, tsy nisy kosa ny aina nafoy. Ankoatra ireo mpamonjy voina, tonga teny an-toerana nanamafy ny fitandroana ny filaminana ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Analakely (CSP1) niaraka amin’ny polisy monisipaly. Marobe rahateo ireo fitangoronana teny an-toerana nandritra izany.J.CL’article Nihotsaka ny ampahan-drindrin’ny CEMDLAC: mpiasa enina naratra tototry ny tany, nisy no voa mafy a été récupéré chez Newsmada.

Fandriampahalemana: hanampy ny Tafika an-dranomasina ny Japoney
30/10/2020

  Tonga nitsidika ny lehibe’ny Etamazaoron’ny Tafika an-dranomasina, ny capitaine de vaisseau GA Jacquy Honoré, teny amin’ny toeram-piasany eny Ambohidahy, ny masoivohon’i Japon miasa eto Madagasikara, i Higuchi Yoshihiro, omaly. Votoatin’ny fihaonana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena malagasy sy i Japon izay efa nisy hatramin’izay. Nisongadina tamin’izany ny fiaraha-miasa amin’ny fampandriana fahalemana an-dranomasina. Misampana amin’ny sehatra marolafy rahateo ny fiaraha-miasa eo amin’i Japon sy i Madagasikara, isan’izany ny fandriampahalemana sy ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Nampahafantarin’ity masoivoho ity ny tetikasa “Initiative de l’Océan Indo-Pacifique libre et ouvert » miompana amin’ny fampanjakana ny filaminana an-dranomasina. Fanirian’i Higuchi Yoshihiro ny fifanakalozana eo amin’ny Tafika an-dranomasin’ny firenena roa tonta amin’ny alalan’ny fandalovan’ny sambo japoney eto Madagasikara. “Firenena afaka mandroso i Madagasikara noho ireo harena misy ao aminy”, hoy izy. “Mivoatra ihany koa ny iraka ankinina amin’ny Tafika an-dranomasina. Mandray endrika roa izany andraikitra izany. Eo ny andraikitra maha miaramila: ny fiarovana sy ny fanaraha-maso ny fari-dranomasina ary ny toekarena: ny asa fampandrosoana ny firenena amin’ny alalan’ny toekarena manga”, hoy ny Jly Jacquy Honoré.Jean ClaudeL’article Fandriampahalemana: hanampy ny Tafika an-dranomasina ny Japoney a été récupéré chez Newsmada.