Tao anatin’ny herinandro: olona 2 252 tratra tsy nanao arovava, 117 naiditra ”violon”

News - Tao anatin’ny herinandro: olona 2 252 tratra tsy nanao arovava, 117 naiditra ”violon”

News - Tao anatin’ny herinandro: olona 2 252 tratra tsy nanao arovava, 117 naiditra ”violon”

 

 Tao anatin’ny herinandro,
izany hoe, ny 7 septambra hatramin’ny omaly alatsinainy 14
septambra, nahatratra 2 252 ireo olona tratran’ny polisy tsy
nanao arovava, ary 117 kosa ny nosazina hanao asa ho amin’ny
tombontsoam-bahoaka sy nampidirina ”violon”.

Manerana ny Nosy ity hetsika
manokana nataon’ny Polisim-pirenena ity ho fanajana ny
fampanarahan-dalàna ny fepetra ara-pahasalamana manoloana ny ady
amin’ny fiparitahan’ny valanaretina Coronavirus. Nandritra izany ny
nahazoana izao antontanisa nomen’ny polisy izao. Nanamafy ny eo
anivon’ny Polisim-pirenena fa mialoha ny fanasaziana, nisy hatrany
ny fanentanana ny olom-pirenena tsirairay avy ny hanajan’izy ireo
ny fepetra ara-pahasalamana amin’ny alalan’ny fanaovana arovava.
Maro rahateo ny alaim-panahy fa efa resy ny valanaretina ka somary
goragora amin’ny fanarahan-dalàna. Tsy miraharaha intsony ny
fanaovana arovava na manao ihany fa apetraka eo ambany saoka sy/na
rehefa mahita mpitandro filaminana vao mody mametaka izany. Raha
ity antontanisa nomen’ny eo anivon’ny Polisim-pirenena ity, miisa 2
252 ireo olona nampanaovina TIG ka tany amin’ny faritra Boeny ny
tena betsaka indrindra satria nahatratra 464 ny isan’ireo olona
nampanaovina izany. Faharoa manaraka izany ny ao amin’ny faritra
Diana satria miisa 350 ireo olona nampanaovina TIG. Fahatelo ny
faritra Sava, miisa 349, arahin’ny faritra Matsiatra Ambony, miisa
349. Ireo, araka izany, ireo faritra nahitana olona tsy
nanara-dalàna ka voatery nampanaovina TIG. Miisa 117 kosa ireo
olona naiditra “violon”;

“Mbola hitohy ny
fanasaziana…”, hoy ny Polisy

Nanamafy hatrany ny
Polisim-pirenena fa hitohy hatrany ny fanasaziana ho an’ireo minia
tsy miraharaha ny fepetra napetraky ny fanjakana manoloana izao ady
amin’ny fiparitahan’ny valanaretina Coronavirus izao. Miovaova
rahateo ny antontanisa omen’ny CCO isan’andro amin’ny fivoaran’ny
aretina. Mampahazo vahana ny goragora sy ny gaboraraka koa ny
namahana tsikelikely ny fihibohana kanefa tsy hentitra sy/na
henjana ny fepetra raisina, hany ka manao izay tiany hatao ny olona
sasany indraindray. Zary lasa atao haingon-doha fotsiny ny
“visière” ho an’ny mpamily taxi-be sy ny resevera. Tsy hita intsony
koa ny tsiranoka fanasan-tanana mialoha ny hidirana ao anaty
taxi-be. Tsy misy afa-tsy ny fitandremana ihany no lalana haingana
andresena ity valanaretina ity. “Samy tompon’andraikitra ny
tsirairay fa aza atao tahotra amin’ny fanaovana arovava ny
mpitandro filaminana”, hoy ny Polisy.

Jean Claude

Article tiré de Newsmada

L’article Tao anatin’ny herinandro: olona 2 252 tratra tsy nanao arovava, 117 naiditra ”violon” a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Nandiso ny vaovao niely sy ny tsaho: nanazava ny « Raharaha Mbola Rajaonah » ny Bianco

Misy vaovao tsy marina ary tsy mitombina. Nitondra fanambarana manoloana ny tsaho sy ny feo miely etsy sy eroa ny eo anivon’ny Bianco, omaly. « Niainga tamin’ny fitoriana sy ny fitarainana voarain’ny Bianco sampana Toamasina ny 4 jolay 2017 ny momba an’i Mbola Rajaonah sy ireo namany maromaro. Ahiana ho voarohirohy amin’ny kolikoly sy ny mifandraika amin’izany izy ireo ka hitohizan’ny fanadihadiana hatramin’izao”, hoy ny fanambarana. Teo anelanelan’izany, nampita ny raharaha ny eo anivon’ny rantsam-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac) ny Bianco, nanomboka ny 27 jolay 2018. Mbola mifanohy amin’izany ny fampiantsoana ity mpandraharaha ity nanomboka ny 19 novambra teo ary mbola nohalavaina iray volana izany mba hamenoana ny antontan-taratasy fanampiny. Nohamafisin’ity rafitra miady amin’ny kolikoly eny Ambohibao ity fa tsy misy ifandraisany amin’ny toe-draharaham-pirenena na resaka politika amin’izao fotoana izao ny momba ny “Raharaha Mbola Rajaonah”. Ny nampiantsoana azy sy ny fanadihadiana rehetra natao, tsy misy idiran’ny resaka politika, araka ny fanambarana ihany. Nanterin’ny Bianco fa miasa tanteraka ao anatin’ny fahaleovantenany ary mandinika ireo antontan-taratasy anaty fahitsiana tanteraka sy ho amin’ny tombontsoa ambonin’ny firenena. “Aoka isika ho mailo manoloana ny familiviliana resaka etsy sy eroa”, hoy ihany ny fanambarana. Randria    L’article Nandiso ny vaovao niely sy ny tsaho: nanazava ny « Raharaha Mbola Rajaonah » ny Bianco a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Vono olona mahatsiravina: olona fito  naiditra am-ponja vonjimaika

  Naiditra am-ponja vonjimaika ao Antalaha, afakomaly, avokoa ireo olona fito voarohirohy amin’ny resaka vono olona mahatsiravina mateti-pitranga tao Andapa tao anatin’ny roa volana. « Vehivavy latsaky ny 30 taona avokoa no lasibatr’ireo olon-dratsy ireo ary mitovy ny fomba famonoany azy », hoy ny fanazavan’ny zandary ao Andapa. Kendain’ireo olon-dratsy ireo lasibatra ary tsatohiny zava-maranitra avy eo. « Tsy misy ny fanolanana ataon’ireo mpanao ratsy ary tsy fantatra ny antony anaovany izany », hoy ny fanohizany ny fanazavany. Voasambotra tamin’ny faramparan’ny herinandro teo ireo sasany voarohirohy amin’ny asa ratsy. Tamin’ny angom-baovao kosa ny nahatrarana ny namany sasany, olona fito, nahitana lehilahy dimy sy vehivavy roa. Tamin’ny fanadihadiana ireo voarohirohy, tsy nisy niaiky ny helony izy ireo. « Misy anefa ny vavolombelona maromaro manamarina ny zava-bitan’ireo olona ireo », hoy ny loharanom-baovao iray. Fantatra fa misy mpivady ireo voasambotra, misy mpirahalahy ihany koa ary mpitondra Bajaj ny lehilahy efatra.  Tompon-tany ao Andapa ny enina amin’ireo vosambotra raha mpiavy kosa ny iray. Manodidina ny 30 taona avokoa izy fito. Handrasana ny tohin’ny raharaha. Henintsoa HaniL’article Vono olona mahatsiravina: olona fito  naiditra am-ponja vonjimaika a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Toamasina: tsy nanaraka toromarika ny mpivarotra

Hentitra ny toromarika nomen’ny Praiminisitra Ntsay Christian, raha nitsidika ny tsena may tao Bazarikely Toamasina, ny alatsinainy 22 jolay lasa teo. Nambarany fa tsy maintsy manaraka ny lamina sy ny endriky ny tsena hatrany am-boalohany, mifanaraka amin’ny taon-trano ataon’ny teknisian’ny kaominina Toamasina I ny mpivarotra. Tsy maintsy misy lalana miditra sy mivoaka sady tsy azo atao tranovato ny eo amin’ny tany malalaka “esplanade”.Aty aoriana, tsy nanaraka izany fepetra sy toromarika izany ny mpivarotra fa tonga dia nirohotra nanangana tranovato sady misy rihana daholo. Ho an’ny filohan’ny delegasiona manokana (PDS)-n’ny kaominina, tsy naniraka olona hampanao tranovato mihitsy ny tenany, ary hampiato izany avy hatrany.Etsy ankilany, nandrahona ny mpanao gazety naka ny sary teny an-toerana ny talen’ny kabinetran’ny kaominina. Aminy, tsy tokony hasiana resaka ny fanamboarana tranovato, fa tompon’andraikitra izy ireo ao amin’ny kaominina.SajoL’article Toamasina: tsy nanaraka toromarika ny mpivarotra a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - News Mada

Ady amin’ny Covidy-19 : tsy voahaja ny fepetra eto Analamanga

Mifamoivoy be ny olona, indrindra eny an-tsena; tsy voahaja ny elanelana iray metatra; be ny olona mijorojoro etsy sy ireo: mitady karama? Santionan’ny tsy fanajana ny fepetra eto Antananarivo Renivohitra, amin’ny ady amin’ny fihanaky ny tsimokaretina Coronavirus ireo. Maro ko­sa ny manao arovava. Na­hitana izany, ny teny Andra­voahangy, Isotry, 67 ha, Ano­sibe…Misy ny mangalatra mivarotra. Mbola misy koa ny mpividy ? Any anaty tanàna in­dray, mbola be ny mpivarotra misokatra: enta-madinika, hani-masaka. Ny fitangorongoronana amin’ny karatra… Misy aza ny mampiady akoho. Ahoana no haharesena ny valanaretina Covid-19 amin’izany?Henjana sy hentitra ny mpitandro filaminana amin’ny fampanajana sy fampiharana fepetra amin’ny fahamehana ara-pahasalamana. Saingy izay ny zava-misy. Hahagaga, ohatra, raha mahatratra anjatony ny tranga vaovao amin’ny fi­tondrana tsimokaretina Coro­navirus? Na eo aza ny ezaky ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny mpitandro filaminana, mila ezaky ny tsirairay.Mitaky fahatongavan-tsaina ny fanajana ny fepetra. Na eo aza ny fihenjanana sy ny fanerena, mila fandresen-dahatra ny fiatrehana izany. Ani­san’ny fototra sy fositra amin’ny tsy fanarahan-dalàna koa ny fitadiavana. Sahirana ny maro. Na izany aza, ao anatin’ny fahamehana izao: ny fahasalamana aloha no zava-dehibe, maika, tsy maintsy atrehina.R. Nd.L’article Ady amin’ny Covidy-19 : tsy voahaja ny fepetra eto Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Dihy ankehitriny: nampiofana ireo vehivavy any Toliara i Julie I.

Nanomboka ny 15 jolay teo hatramin’ny androany, nizara ny fahalalany sy ny traikefany tamin’ireo tovovavy manan-talenta, any Toliara, i Julie Iarisoa, mpamorona sy mpanao soradihy. Niompana tamin’ny tontolon’ny dihy ankehitriny ny fiofanana, izay hita ho nahaliana ireo andriambavilanitra any an-toerana.“D’un sud à l’autre” ny lohatenin’ity tetikasa miavaka ity. Nampiharina avy hatrany amin’ny famoronana ny fianarana ka hisy ny fanehoana izany an-tsehatra, anio hariva ao amin’ny Vakok’arts Trano ao Toliara. Fampisehoana maimaimpoana, izay hanentanan’ireo mpandray anjara sy ny mpikarakara ny rehetra.Nialoha ity fampiofanana ity, namolavola soradihy iray, mitondra ny lohateny hoe “Tsioka” ihany koa i Julie Iarisoa, niaraka tamin’ny mpanakanto mpandihy any Toliara. Noforonina sy natsangana ary nomena aina nandritra ny fivahiniana, tao amin’ny Alliance française ao Toliara izany. Naharitra dimy andro ihany koa ny fiarahan’izy ireo niatrika izany asa goavana izany, izay nofaranana tamin’ny fanehoana an-tsehatra ilay soradihy, ny 12 jolay lasa teo, tao amin’ny Vakok’arts Trano hatrany.Landy R.  L’article Dihy ankehitriny: nampiofana ireo vehivavy any Toliara i Julie I. a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tanim-panjakana etsy Alarobia: natsinkafon’ny minisitera ny amboletran-dRaholdina

Tamin’ny feo tony sy milamina. “Nidina an-keriny ary nanorina trano tsy ara-dalàna etsy amin’ny tanim-panjakana etsy Alarobia Raholdina Naivo. Tsy misy taratasy fahazoan-dalana  hanorina. Tsy misy koa ny fanamarinana ny maha azy ny tany ka tsy maintsy naka fepetra ao anatin’ny  fanarahana ny lalàna ny fanjakana”, hoy ny tale kabinetran’ny minisiteran’ny  Fanajariana ny tany, Raharison Liva, notronin’ireo tale jeneraly miisa valo eo anivon’ny ity minisitra ity, omaly tetsy Anosy. Nambaran’izy ireo fa efa  ampiantsoina sy nangatahina ny antontan-taratasy rehetra ity olon’ny IRD ity, saingy tsy nahita taratra ny maha azy ny tany  izany.  “Tsy maintsy nakatona sy nogiazana ny toerana… Tsy ananan-kavana ny raharaha  tahaka izao. Rehefa vandana dia kary… Azy manokana indray ny fanenjehana sy ny  fanaratsiana… Tompon’andraikitra amin’ny nambarany izy. Tsy manenjina azy amin’izany ny minisitera”, hoy ihany izy ireo.Kianjan’ny rugby eny Soavimasoandro Tsy vitan’izany fa mbola nofoanan’ny fanjakana koa ny fifampivarotana sy ny fahazoany “titre”,  miaraka amin’ny olona hafa maromaro, ny tany etsy amin’ny kianjan’ny rugby Soavimasoandro, mitondra ny anarana “Fanantenana Hanitriniala”.Fotoana koa io nanambaran’ireo tale jeneraly ireo ny momba ireo tanim-panjakana namidy tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ka nanaovana antso avo ny amin’ny tokony hamerenana  izany. “Misy ireo mbola karohina sy tadiavina. Eo koa ireo efa namerina ny tany.  Anisan’izany ilay nahazo ny zaridainan’Antaninarenina sy ny CEG Analamahitsy. Efa niverina amin’ny minisitera ny tanin’ny EPP any Toliara sy ny velaran-tany 230 ha nampanofaina tamin’ny fomba tsy ara-dalàna”, hoy ihany izy ireo.Randria   L’article Tanim-panjakana etsy Alarobia: natsinkafon’ny minisitera ny amboletran-dRaholdina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – « National 2 », Frantsa: misongadina amin’ny famonoam-baolina i Gros

   Ao anatin’ny fifaninanana tanteraka ireo mpilalao malagasy, miady ny ho tompondakan’ny “National 2” any Frantsa, amin’izao fotoana izao. Misongadina ry zalahy ary manomboka mametraka ny anarany amin’ireo lalao ataony.Niditra tamin’ny andro fahefatra ny fifaninanana “National 2”, taranja baolina kitra, any Frantsa ny asabotsy 5 septambra lasa teo. Anisan’ireo miatrika izany fihaonana izany ireo mpilalao Malagasy toa an’i Zotsara sy i William Gros, ao amin’ny FC Fleury 91. Hatreto, nahavita lalao efatra izy ireo ary tsy mbola resy mihitsy. Misongadina amin’ny famonoam-baolina ihany koa i Gros satria tao anatin’izay fihaonana izay, efa nahatafiditra baolina roa ny tovolahy. Raha eo amin’ny filaharana, taorian’izay andro efatra izay, mipetraka eo amin’ny laharana faharoa ny FC Fleury, manana isa 10 mitovy amin’ny laharana voalohany, ny St-Pryvé St Hilaire, saingy manantombo eo amin’ny “goal average” io ekipa io.Tsy manalavitra azy ireo ihany koa ny Voltigeurs de Chateaubriant, ilalaovan’i Dafé sy i Dadah. Nahazo isa 8 ry zalahy ireo. Hitohy ny asabotsy 12 septambra ho avy izao ny andro fahadimy ka hidona amin’ny ary FC Rouen 1899 ry William Gros ary hifanandrina amin’ny Stade Plabennecois ry Dafé.Hiara-kilalao amin’ny Brezilianina i RyanAnkoatra izay, fantatra fa novidian’ny City Football Group, tompon’ny Manchester City, Angletera, ny Estac Troyes, klioba misy an-dRaveloson Ryan. Raha tsiahivina, io “groupe” io no saika hividy ilay kintan’ny baolina kitra arzantin, i Lionel Messi, ho an’io taom-pilalaovana miditra io, saingy tsy raikitra izany.Tanjon’ity City Football Group ity ny hahatonga ny Estac Troyes ao amin’ny “Ligue 1”, amin’ny taona ho avy. Araka izany, mitady ny fomba rehetra izy io hahatongavana amin’izany. Anisan’izany ny fanatevenana mpilalao ka hiantso ireo Brezilianina roa lahy: i Lincoln, lohalaharan’ny Flamengo ao Brésil, izay vao 19 taona, sy i Diego Rosa, 17 taona, irakiraka mpanafika, ny Gremio Porto Alegre. Araka izany, raha mizotra tsara ny fifanarahana, hiaraka hilalao amin’i Ryan izany ireo Brezilianina efa manomboka manana ny lazany sy ny toerany ireo, amin’izao fotoana izao. Tompondaka L’article Kitra – « National 2 », Frantsa: misongadina amin’ny famonoam-baolina i Gros a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Nandritra ny fetim-pirenena: olona 74 naiditra ”violon” ka polisy ny iray

  Olona miisa 74 indray naiditra « violon » ka polisy ny iray amin’izy ireo. Io ny tatitra nampitain’ny eo anivon’ny polisim-pirenena momba ny fandriampahalemana nandritra ny fotoam-pankalazana ny fetim-pirenena lasa teo.  Momba ny tranga rehetra niseho teto Antananarivo Renivohitra ireto tatitra ireo, nanomboka ny talata 25 jona ka hatramin’ny omaly alakamisy. Raha ny lozam-pifamoivoizana, nahatratra sivy ireo tranga voaray teo anivon’ny polisy misahana izany (BAC) ka miisa fito ny lozam-pifamoivoizana nahatrarana olona raha vokatry ny hamamoana teo am-pamiliana fiara avokoa ny telo amin’ireo. Ny nahafatesana olona kosa, miisa roa ireo tranga voaray. Momba ny fandriampahalemana ankapobeny, miisa 636 ny olona nosavaina ka miisa 43 ireo voasambotra noho ny halatra isan-tsokajiny avy. Miisa 36 kosa ireo nosamborina noho ny antony maro samihafa. Olona miisa 74 no indray naiditra “violon” ka polisy ny iray amin’ireo, araka ny tatitra nampitain’ny polisy hatrany. Nanazava ihany koa ny polisy momba ilay fanafihana mitam-piadiana niseho ny alin’ny 25 jona teny amin’ny tobin-tsolika Galana Ankorondrano. Nambaran’ny polisy fa jiolahy roa tsy nisaron-tava ny tompon’antoka tamin’ny fanafihana ireo “pompiste” sy mpitondra taxi iray tsy lavitra teo. Tsy nisy basy nipoaka nandritra ny fanafihana fa vola 5 hetsy Ar kosa ny lasan’ireo jiolahy.Jean ClaudeL’article Nandritra ny fetim-pirenena: olona 74 naiditra ”violon” ka polisy ny iray a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Asa sosialin’ny antoko: nanao didim-poitra faobe ny MMM

Nanamaivana ny fahasahiranana ray aman-dreny maro indray ny antoko Malagasy miara-miaina Malagasy miara-miainga, ny herinandro lasa teo. Zazalahy miisa 92 indray no vita didim-poitra maimaimpoana ao amin’ny kaominina Manandriana sy ny any Vilihazo, ary koa ny  etsy Ankadikely sy ny eny amin’ny kaominina Ambohimalaza. Nahazo ny anjara kilalaony avokoa ireo zazalahy ireo taorian’ny hetsika didim-poitra faobe nataon’ity antoko  ity. Asa sosialy efa fanaon’ny Malagasy miara-miainga isan-taona ny tahaka izao, ankoatra  ny hetsika fivarotana fitaovana sy kojakojam-pianarana amin’ny vidiny mirary mitety tsena efa fanaony. Eo koa ny fanohanana sy ny fanampiana ny tantsaha ary ny fanorenana na  ny fanampiana amin’ny  fotodrafitrasa, toy ny efitranon-tsekoly na ny fanamboaran-dalana sy ny tetezana. Manampy izany ny fanomezana boky ho an’ny trano famakiam-boky sy ny hetsika samihafa.Hitohy amin’ny kaominina hafa ny hetsika na ny asa sosialy ataon’ny antoko Malagasy miara-miainga.Synèse  R.   L’article Asa sosialin’ny antoko: nanao didim-poitra faobe ny MMM a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Zava-bita tsara indrindra: 2 600 000 ny hazo voavoly

Tsy mbola  nisy tahaka izao. Tanjona napetraky ny filoha ny hamboly hazo amin’ny velarana 40 000 ha isan-taona hameranana ny Nosy ho maitso sy hanalefahana ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetry ny andro. “38 500 ha hatramin’izao no vita, araka ny tatitra taorian’ny fivorian’ny talem-paritry ny minisiteran’ny Tontolo iainana”, hoy ny fanazavan’ny talen’ny fambolen-kazo ao anatin’ny minisitera, i Jaozandry Jean Jacques, tany Mahajanga. Heverina fa ho tratra izany hatramin’ny faran’ny taona. Anisan’ny hamaliana ny vina ny fambolena zanaka ala honko any Boanamary, ao amin’ny distrikan’i Mahajanga II, ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Tafiditra ao anatin’ny Andro maneran-tany ho an’ny ala honko rahateo ny hetsika. 1 tapitrisa ny hazo voavoly tao anatin’ny tontolo andro, notarihin’ny minisitry ny Tontolo iainana, i Alexandre Georget. Niampy iray tapitrisa tany Befotaka Morombe  sy ny tany Diana miisa 600  000 izany. Nampiasa ny fomba “Tangnamaro” ny mpamboly hazo ka nirindra ny asa nahavitana ny velarana 200 ha. “Ny fahavononana politika mihitsy no tsy ampy”, hoy ny minisitra.Vonjy A. L’article Zava-bita tsara indrindra: 2 600 000 ny hazo voavoly a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Toamasina: 84,95 % taham-pahafahana CEPE
21/09/2020

Nivoaka, omaly maraina ny voka-panadianana CEPE, natao ny 15 septambra lasa teo ho an’i Toamasina. Nisy ny fihaonan’ ireo mpampianatra nisahana ny fanadinana hatramin’ny fitsarana ka niara-nidinika ny naoty farany ambany. Tapaka fa ny salan’isa 09/20 miakatra no ekana fa mahazo ny mari-pahaizana CEPE. Vokany, nahatratra 84.95% ny taham-pahafahana, izay nisy fitomboany kely raha noharina tamin’ny taon-dasa 83,34%. Ho an’ny taona 2018- 2019, natao 9,75/20 ny naoty farany ambany noraisina ka tsy tokony hibitaka ihany ny fari-piadidiam-pampianarana manoloana ny vokatra tamin’ity taona ity.7 428 ny isan’ny mpiadina voasoratra anarana ka 52 ireo tsy tonga nanatrika ny fanadinana, ary nahatratra 6 012 ny mpiadina afaka. Raha noferana ho 9,50/20 ny salanisa ahafahana CEPE, 87,05% ny taham-pahafahana. Raha ny noraisina ho 10/20  kosa dia ambany ny taham-pahafana satria manome 76,64%.  Nitarika teo amin’ny naoty farany ambony ny mpiadina avy amin’ny sekoly tsy miankina katolika nahazo ny naoty 19, 80/20 ny voalohany. 19,75/20 ny faharoa ary 19,70/20 ny fahatelo, samy avy amin’ny sekoly finoana katolika avokoa izy ireo. Ireo 10 voalohany dia avy amin’ny sekoly tsy miankina katolika avokoa. BEPC-Tsy mahazo miditra ny ray aman-dreny…Ho an’ny fanadinana BEPC kosa, izay hanomboka anio, ho hentitra ny fanaraha-maso sy fanarahana ny fepetra ara-pahasalamana : fanaovana arotava sy orona, fanasan-tanana mialoha ny hiditra ny faritry ny toeram-panadinana. Tsy mahazo mitondra fitaovana elektronika toy ny finday ny mpiadina, araka ny nambaran’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianara Toamasina I, Ramarolahy Joseph, tetsy amin’ny CEG de reference, omaly. Nohamafisiny fa tsy azon’ny raiaman-dreny atao ny miditra ny faritry ny sekoly mandray fanadinanana. Ho an’ ireo mpiadina tsy afaka mamonjy fodiana ny antoandro kosa fa hanaterana sakafo, olona iray ihany no afaka miditra manatitra ny sakafo raha tsy hivoaka ny faritry ny sekoly ilay mpiadina. Ho fiarovana ny filaminana mandritra ny fiatrehan’ny mpiadina ny fanandinana BEPC, efa vonona ny mpitandnro filaminana handray ny andraikiny. Toerana telo ihany no ametrahana ny petadrindrina ho an’ny valin’ny CEPE: ao amin’ny biraon’ny Cisco sy ny Dren ary etsy amin’ny EPP Beryl Rose hisorohana ny fitangoranana  SajoL’article Toamasina: 84,95 % taham-pahafahana CEPE a été récupéré chez Newsmada.

Pilo kely #4504 aroson’i Mamy Be
17/09/2020

L’article Pilo kely #4504 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

Fahalavoan’olon-dratsy tany Sadabe :: Maty voatifitra ny lehilahy iray malaza ho mpampihorohoro
17/09/2020

Namoy ny ainy nandritra ny fifampitifirana tamin’ny zandary, tany Andohamandry-Mangamila, any Anjozorobe, afak’omaly hariva, ny lehilahy iray voatondro ho mpampitondra faisana ny mponina tany Sadabe, Mangamila hatrany Anjozorobe. Malaza amin’ny fanafihana sy fandrobana amin’ny endriny maro izy. Angom-baovao momba ny fanomanana fanafihana iray tany Andohamandry no niaingan’ny hetsika nataon’ny zandary tamin’ ny fisamborana an’ity lehilahy ity sy ny namany. Zandary dimy, notarihin’ny lehiben’ny tobim-paritry ny Zandarimaria Sadabe, no nanatanteraka ny hetsika. Velona avy hatrany ny tifitra, vantany vao nahita an’iretsy mpitandro filaminana ireo andian-dehilahy, araka ny tatitra avy amin’ny Zandarimaria any an-toerana. Tra-tehaka, taorian’izay, ny basy MAS 36 mbola feno bala, niaraka tamin’ny ny sakaosy iray feno ody gasy, kiririoka ary kara-panondro. Naterina any amin’ny toby fitsaboana fototra faharoa ao Sadabe ny razana hozahan’ireo mpitsabo mialoha ny handevenana azy. Volazan’ireo mponina fa “sady manolana ankizy, mamono ary maka omby no tena nampalaza an’ity lehilahy lavon’ny balan’ny zandary ity”. L’article Fahalavoan’olon-dratsy tany Sadabe :: Maty voatifitra ny lehilahy iray malaza ho mpampihorohoro est apparu en premier sur AoRaha.

Fanomanana fidirana: vidiana tsikelikely ny fitaovam-pianarana
17/09/2020

Tsy nitsahatra namoaka vola ny ray aman-dreny, nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taom-pianarana 2019-2020 ka hatramin’izao fanomanana ny taom-pianarana vaovao izao. Rehefa vita ny fanoratana anarana teny amin’ny sekoly, manangona ny kojakoja entina any an-dakilasy indray izao.Manomana ny fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra ny ray aman-dreny, amin’izao fotoana izao satria hiditra amin’ny fiandohan’ny volana oktobra ny ankamaroany, misy kosa ny efa any an-dakilasy, ankehitriny. Na tsy niakatra be aza ny vidin’ny fitaovam-pianarana, manoloana ny fahasahiranana, mikaikaiky ny ray aman-dreny fa mahalany hatramin’ny 100 000 Ar ny mpianatra iray nefa ny vidin’ny boky ilaina tsy mbola ao anatiny akory. Any an-tsekoly ihany no vidina na hofaina ny boky, arakaraka ny fandaminana. Misy koa ireo ray aman-dreny mifanakalo boky hanamaivanana ny vola mivoaka.Ireo ankizy madinika (tout petit, petite section …) no tena mila fitaovana samihafa nefa lafo ny vidiny. Ny sekoly tsy miankina sasany rahateo mitaky anarana marika manokana mba haharitra hatramin’ny fiafaran’ny taom-pianarana ireo fitaovana ampiasaina. Vidina tsikelikely ny kojakoja ka ireo tena lehibe toy ny kahie no hanombohana azy aloha, hoy ny renim-pianakaviana manan-janaka telo mianatra. Ny kitapo tsy soloina vaovao fa ny tamin’ny taon-dasa no sasana fotsiny. Tsy maintsy miatrika ny zava-misy nefa koa tsy azo hajanona amin’ny fianarana ny kilonga. Arindra ny fandaniana hafa ao an-trano hahazoana vola atokana ho an’ny fitaovam-pianarana.Nambaran’ny mpivarotra fa nihena be ny isan’ny ray aman-dreny mividy fitaovam-pianarana,  hatreto raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa mialoha ny fidirana. Tsy niakatra ny vidin’ny kojakoja satria mbola nanana tahiry maro izy ireo ka navoaka indray, hoy ny mpaninjara eny Tsaralalàna. Rehefa tsy maty antoka fotsiny dia alefa ny entana fa iaraha-miaina ny fahasahiranana.Vonjy A.L’article Fanomanana fidirana: vidiana tsikelikely ny fitaovam-pianarana a été récupéré chez Newsmada.

  Fanimbazimbana ranoiray: ho very ny hasin’ny teny malagasy
17/09/2020

 Hatreto, mbola misy ihany ny tsy mahafantatra fa manan-jina ny teny. Tafiditra ao anatin’izany ny teny malagasy. Miainga hatrany amin’ny niforonany ka mipaka hatrany amin’izay hiantefany, manan-kasina ny teny malagasy. Tsy azo itenitenenana foana. Tsy azo amelomana ady, sns. Ny mitranga ankehitriny? Tranga miteraka alahelo na hatezerana na fanafintohinana izao ka lazaina fa “mampihomehy”! Sanatria ve ka nihomehy tamin-javatra mampalahelo ny Malagasy? Very tanteraka ny hasin’ilay teny satria tenenina sy tononina ary ilazana endrin-tranga mifanohitra. Tsy io ihany fa misy hafa ihany koa.Tsy tokony ho matinkenamaso ny Malagasy tsirairay hanitsy ny tranga tahaka itony. Matetika mantsy teraka avy any amin’ny tery vay mantan’ny fiarahamonina ireny teny manimbazimba ny hasin’ny teny malagasy ireny ka tokony ho avy eny ihany no hikaro-bahaolana ho fanarenana izany. Na iza na iza, na zovy na zovy nipoiran’ireny teny  manimbazimba ny hasin’ny teny malagasy ireny, tokony ho afaka hanitsy izany avokoa ny rehetra. Efa endriky ny fanitsiana ny tsy fampiasana ilay teny, saingy tsy ampy izany.Mila miaro ny teniny ny Malagasy mba tsy ho very hasina tanteraka izany any aoriana any ka na ny ozona mahazo azy aza sao heverin’ny sasany ho tsodrano. Ny alahelon’ny hafa eo an-tampon’ny lohany sao adikany ho fahasoavana. Rehefa mitranga ny tsy ampoizina vao “miova fo”, hono!HaRy RazafindrakotoL’article   Fanimbazimbana ranoiray: ho very ny hasin’ny teny malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Iray lavon’ny covid-19 68 ireo tranga vaovao
17/09/2020

Niakatra tampoka indray. Miisa 68 ireo olona vaovao mitondra ny tsimokaretina, tamin’ny fitiliana miisa 453. Avy eto Analamanga ny 26 amin’izany raha avy any Vatovavy Fitovinany ny 13 ary 15 avy any Diana. Efatra avy ny any Vakinankaratra sy Sava raha telo ny any Atsimo Andrefana. Iray avy kosa ny any Itasy sy Alaotra Mangoro ary any Matsiatra Ambony.Niampy iray indray ny lavo ary avy eto Analamanga. Tafakatra 215 izany izao ireo namoy ny ainy noho ity valanaretina ity hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty. Misoko mangina hatrany, iray isan’andro ireo nodimandry izany.Etsy an-daniny, nihena dimy ireo marary anaty fahasarotana ka 25 izany izao ireo “forme grave”. Na izany aza, miisa 30 ireo sitrana ka avy any Sava ny 10 amin’izany. Tafakatra14 482 ny isan’ny marary sitrana tamin’ireo 15 871 mitondra ny covid-19. Miisa 1 172 kosa ireo mbola manaraka fitsaboana.Synèse R. L’article Iray lavon’ny covid-19 68 ireo tranga vaovao a été récupéré chez Newsmada.

Fanadihadian’ny OIT: anisan’ny ratsy karama indrindra ny eto Madagasikara
18/09/2020

Anisan’ny firenena ratsy karama indrindra aty Afrika i Madagasikara, araka ny fanadihadiana  nataon’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT). Tsy misy fiovana izany hatramin’ny 2004, fampiharana ny Ariary, ka hatramin’izao. Ambany indrindra ny karama amina sehatra tsy miankina. Tamin’ny 2019, salanisa amin’ny ankapobeny, 168 000 Ar isam-bolana, sokajin’asa farany ambany M1-1A ; 340 000 Ar sokajy OP3 – M5. Samy ivelan’ny sehatry ny fambolena avokoa ireo.Any amin’ny fambolena, ivelan’ny rafitra ara-dalàna, ny maro anisa sy kely ambany indrindra, sahanin’ny isam-pianakaviana. Isan-taona, fiakaran’ny vokatra, ny andraisam-bola izay miankina amin’ny karazam-bokatra: vary, lavanila, legioma, sns. Misy tsy manana fidiram-bola afa-tsy 170 000 Ar isan-taona.Betsaka ny miasa tena ivelan’ny ara-dalànaNy karama no singa iray andrefesana ny fari-piainan’ny Malagasy sy ny toekarem-pirenena. Singa iray hidiran’ny mpampiasa vola avy any ivelany sy eto an-toerana. Hita fa any amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ny fampiasam-bola be indrindra, antapitrisany dolara na amina miliara dolara, toy ny ataon’ny orinasa Ambatovy sy ny QMM. Io karama ambany io ny mahabetsaka ny miasa tena ivelan’ny ara-dalàna. Ankoatra ny fambolena, ny fiompiana sy ny jono, hita izany amin’ny fahamaroan’ny mpivarotra.Na izany aza, mahazo tohana avy amin’ny (OIT) ny sehatra maro eto Madagasikara: politika famoronana asa, fanohanana ny sehatra tsy miankina ho fampandrosoana ny toekarena eto an-toerana, fananganana orinasa madinika, ady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Mbola tsy takona afenina anefa ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny asa, toy ny tsy fiantohana ara-pahasalamana, tsy fisoratana any amin’ny Cnaps. R.MathieuL’article Fanadihadian’ny OIT: anisan’ny ratsy karama indrindra ny eto Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.

Fahantran’ny mponina: tsy ampy 3 % ny afaka mindram-bola amin’ny banky
17/09/2020

Ambany dia ambany ny olona manana fifandraisana amin’ny banky eto Madagasikara, tsy ampy 10 % raha raisina hatrany amin’ny mpampindrana vola madinika ireny (IMF). Ratsy  toerana i Madagasikara aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika, araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena, amin’ny lafiny fihariana raha ny banky. Ny vola avy aminy anefa no hery iray manosika ny fihariana lehibe na madinika, mampihodina ny toekarena amin’ny ankapobeny. Tsy ampy ny fampiasana banky, nefa manana karazana tolotra ho an’ny sokajin’asa rehetra.Tsy ampy  3% ny olona afaka mindram-bola amin’ny banky. Araka ny fanadihadiana, mbola sarotra ny fifampiraharahana amin’ny banky eto an-toerana.  Tsy fahazaran’ny maro ny fifandraisana amin’io rafitra iray io, manambara ihany koa ny fahantrana mahazo vahana. Ireo fepetra maro takina, efa sakana na ho an’ireo olona manam-bola aza.Ireo banky tsy miditra amin’izay, mety tsy mahatafaverina ny volany, moa ny ankamaroan’ny mponina tsy mahafeno izay fepetra takina aminy, indrindra ny antoka. Na misy aza izany, mbola manalasala.   Ambony noho izany ny tahan’ny zanabola ka ny vitsy no afaka mindrana sy mampiasa vola. Tsy mivelatra ihany koa ny sehatra fampiasam-bola, ny efa be mpampiasa ihany no hindramam-bola, ka voafetra ny tolotra.Noho ireo antony rehetra ireo, mila maka traikefa amina firenen-kafa i Madagasikara ny ahazoana mampiasa ny vola anatin’ny sehatra ara-dalàna. Ohatra, ny fanamoràna  ny fifandraisana eo amin’ny samy banky, hisian’ny fifaninanana madio ao anatin’izao fivoaran’ny teknolojia izao. R.Mathieu L’article Fahantran’ny mponina: tsy ampy 3 % ny afaka mindram-bola amin’ny banky a été récupéré chez Newsmada.

Misaona zavakanto : nodimandry Ramahafadrahona
22/09/2020

Feo vitsy mpanana. Fihetsika sarotra ianarana … Ramahafadrahona sy ny talentany izay. Lavo ny andrarezina! Nindaosin’ny fahafatesana ilay raiamandreny mpanoro sy mpananatra…Misaona ny tontolon’ny kanto malagasy sy ny haino aman-jery… «Inona intsony moa ny amiko», hira anisan’ny nahafantarana an-dRamahafadrahona, izay niarahany tamin’i Bakomanga. Nindaosin’ny fahafatesana, omaly, tao amin’ny Hopitaly HJRA Ampefiloha ity andrarezin’ny zavakanto malagasy ity rehefa nivahiny 82 taona teto an-tany. Teraka ny 9 aogositra 1938 Ramahafadrahona Alphonse, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Ramahafadrahona.Mpanentana fandaharana “ Hira malagasy”, izay nanana ny teny faneva hoe “Malagasy ve ianao? Malagasy ray sy reny, ary tena Malagasy ara-pomba sy fiteny”, isaky ny alahady tolakandro tao amin’ny Radio Madagasikara no sady mpilalao tantara an’onjampeo ny tenany. Efa nilalao sarimihetsika ihany koa izy tamin’ilay horonantsary “ Dadabe maoderina” izay nosoratany mihitsy. Ankoatra ny maha mpihira azy, mpanoratra ihany koa Ramahafadrahona ary anisan’ny manavanana azy ny fanoratana tononkalo.Ho an’ny hira manokana, anisan’ny nahafantarana azy ny “ Ity semboko ity”, “Bakomanga”, “Raozy maria”, “Vive l’amour”… Efa lehiben’ny “Varema” na Vondron’ny artista Arema, tamin’ny Repoblika faharoa ny tenany. Anisan’ny mpandrindra ny dihy tontosain’ny tarika  Ramahafadrahona ihany koa ny lehilahy, manavanana azy rahateo ny dihy. Mbola vitsy, ohatra, ny mahatafavoaka ilay dihy somary manozongozon-doha kely, izay tena mahaliana ny maro aminy sy nampiavaka azy satria zary haingon-tseho mampitolagaga tokoa.Niasa tao amin’ny Radio Madagasikara (RNM) Ramahafadrahona. Anisan’ny tena nampiavaka azy ny fankamamiana ny hira tena malagasy, toy ny vakodrazana isam-paritra sy ny hiragasy.Mpihira, mpanao hatsikana, mpilalao sarimihetsika, sns, nahavita be teo amin’ny zavakanto malagasy Ramahafadrahona. Tsy teto an-toerana ihany fa hatrany ivelany mihitsy. Firenena maro no efa nanehoany ny talentany. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ny tontolon’ny zavakanto malagasy ny Gazety Taratra!Narilala sy HaRy Razafindrakoto L’article Misaona zavakanto : nodimandry Ramahafadrahona a été récupéré chez Newsmada.

Fanenjehana voafonja :: Depiote teo aloha voasambotra teny Analakely
17/09/2020

Tra-tehaky ny zandary, teny Analakely, ihany Raveloson Ludovic na i Leva, depiote teo aloha voafidy tany Mahabo, omaly maraina tokony ho tamin’ny 11 ora latsaka fahefany, rehefa nanjavona nandritra ny fito volana. Nanomboka nokarohina, tamin’ny 7 febroary lasa teo, izy taorian’ny nivoahany ny fonja tany Toliara. Voaheloka higadra dimy taona antranomaizina sazy mihatra ity olom-boafidy teo aloha ity noho ny raharaha fanimbana ala niampangana azy, saingy tafavoaka ny fonja tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. « Efa fetsy ary tena nanao azy tsy ho tratra mandrakizay io depiote teo aloha io. Tsy vao izao izy no efa saika voasambotra, taorian’ny famoahana filazana fikarohana azy, tamin’ny 7 febroary teo. Indroa saika voasambotra teto an-drenivohitra izy saingy tafaporitsaka hatrany. Fanintelony ity teny Analakely ity. Efa narahinay maso, andro sy alina, ny lehilahy. Miovaova fiara hatrany izy rehefa mandeha. Miova isan’andro ihany koa na ny mpamiliny aza », hoy ireo mpitandro filaminana nisambotra azy. Fandavan’ny vadiny Tao anatin’ny fitohanan’ ny fiara no noraisim-potsiny teny Analakely i Leva. « Noteneninay moramora izy mba hivoaka ny fiara nitondra azy sy hifindra ao anaty fiara izay nanarahanay azy avy ao aoriana. Nolavin’ny vadiny, izay solombavambahoaka ary nitondra fiara hafa tao aoriana ny fisamborana nataonay », araka ny tatitry ny zava-niseho nataon’ireo zandary. Niantso an’itsy olom-boafidy mba hanaraka azy ireo hatrany amin’ny birao kosa ireo mpitandro filaminana, dia any no manazava ny zava-misy. Navantana teny amin’ny sampana misahana ny heloka bevava an’ny Zandarimaria, eny Fiadanana, itsy depiote teo aloha tany Mahabo itsy, taorian’izay. « Miandry ny toromarika avy amin’ny Fitsarana izahay satria raha ny tokony ho izy dia olona mamita sazy noho ny fanamelohan’ny Fitsarana azy ity voasambotra ity », hoy ny loharanom-baovao avy eny Fiadanana. L’article Fanenjehana voafonja :: Depiote teo aloha voasambotra teny Analakely est apparu en premier sur AoRaha.

Tsy tokony hanasan-damba ny paompin-drano iraisana
19/09/2020

Voarakitra ao anatin’ilay “Fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana – CUA”, sokajy faha- 4, ny mom­­ba ireo toeram-pantsakana sy fanasan-damba ho an’ny besinimaro. And. 23, tsy main­tsy mandray fepetra tsy hisian’ny fihandronan’ny rano eo amin’ny faritra manamorona ny fantsakana ireo mpampiasa sy tompon’andraikitry ny toeram-pantsakana. Ankoatra ny famatsiana rano madio fisotro, voarara ny fampiasana ny fantsakam-bahoaka ho amin’ny fanasan-damba, na ny fanasana fitaovan-dakozia, na ny fisasana, na ny fanasana fiarakodia. Voarara ihany koa ny fa­nariana diky na akora hafa mety handoto ny loharano mamatsy ny rehetra. And. 24, voarara ny manary fatim-biby ao anaty lavaka, ireo sisa avy amin’ny fivarotan-kena, ireo zezika avy amin’ny biby, na ny diky hafa, ary amin’ny ankapobeny ny sisam-biby mora lo ka mety handoto ny rano natao hosotroana. Mahatonga fanatanterahana sazy mifototra amin’ny famerenana amin’ny laoniny eo no ho eo ny fahadiovan’ny toerana, ny fotodrafitrasa sy ny manodidina azy, ny fahatrarana am-bodiomby ny fandikana, ankoatra ny fandoavana sazy vonodina mi­fandraika amin’izany.Tatiana A.L’article Tsy tokony hanasan-damba ny paompin-drano iraisana a été récupéré chez Newsmada.

Misy mamboly korontana hanonganam-panjakana
23/09/2020

Misy mandrehitra afo ho tonga hatrany amin’ny fanonganam-panjakana. Voalazan’ny loharanom-baovao fa anisan’ny ao ambadik’ireny fandorana oniversite na tranon’ny mpianatra ireny ny mpanolotsaina iray avy amin’ny filoha teo aloha. Anisan’ny efa niseho izany tany Manakara, tany Toliara ary ny teto Antananarivo tato ho ato. Efa tafiditra ao anatin’ny paikady maloto ketrehin’izy ireo koa ny handorana ny oniversiten’i Toamasina.Mpanolotsaina efa nigadra tamin’ny taon-dasaHita taratra tamin’ny fanadihadiana savaranonando efa natao fa miainga avy amin’ny trano tsy misy olona ny afo. Tsy misy fifampikasohana herinaratra “court- circuit” sady tsy misy afo mirehitra.Efa mandray an-tanana ny raharaha amin’izao fotoana izao ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena ka voatonontonona ao ambadik’izany ny mpanolotsaina iray avy amin’ny filoham-pirenena iray teo aloha. Efa nigadra tamin’ny taona 2019 izy io nefa izao mbola manohy ny tetikady maloto izao ihany.Fampiasana akora hafa mihitsy…Tonga hatrany amin’ny fiketrehena sy ny fikononkononana fanonganam-panjakana ny raharaha, niainga tamin’ny fivorian’izy ireo.Manampy ireo ny fampiasan’ireo mpandoro fitaovana na akora “produits hautement inflammables » satria tsy vitan’ny miitatra ny afo miainga amin’ny toerana iray fa miara-mipoaka avokoa ny “bloc Amicale II” iray eny Ankatso.RandriaL’article Misy mamboly korontana hanonganam-panjakana a été récupéré chez Newsmada.