Tanandava: tratra ireo jiolahy nanafika ny fiaran’Ambatovy

News - Tanandava: tratra ireo jiolahy nanafika ny fiaran’Ambatovy
Hatolotra ny fitsarana aorian’ny famotorana ireo jiolahy efatra tompon’antoka tamin’ny fanafihana ny fiara 4×4 an’ny orinasa Ambatovy ao Toamasina, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-pileovana Atsinanana. Nohamafisin’ny zandary hatrany fa nitondra “agent de securité” ity fiara ity no nifanehatra tamin’ny jiolahy tao Tanandava Toamasina, afakomaly. Nobahanan’ireo olona tamin’ny vatobe sy vatan-kazo ny lalana ka rehefa nijanona ny fiara dia notsenain’ireo jiolahy tamin’ny tora-bato sy pilotra. Vokany, naratra mafy ilay mpamily, raha ny tatitra nampitain’ny zandary hatrany. Tsy nisy fananana voaroba kosa na aina nafoy nandritra ity fanakanan-dalana niharo fanafihana ity. Nahazo loharanom-baovao avy hatrany ny zandary momba ny fisian’ireto andian-jiolahy mpanakan-dalana ireto ka nametraka ny vela-pandrika avy hatrany. Vokany, noraisim-potsiny ireo jiolahy mpanafika. Niaiky ny heloka vitany ry zalahy nandritra ny famotorana nataon’ny zandary.
J.C
L’article Tanandava: tratra ireo jiolahy nanafika ny fiaran’Ambatovy a été récupéré chez Newsmada.
Vakio ihany koa
News - News Mada
Rugby: tsara fanombohana ny Makis an’i Madagasikara
Niavaka ny fidiran’ny Makis de Madagascar, tamin’ity lalaon’ny Nosy 2019, ity. Avy hatrany dia nahazo fandresena intelo misesy ry zalahy. Fandresena intelo nisesy no azon’ny ekipam-pirenena malagasy, taranja rugby, miatrika ny lalaon’ny Nosy eto Maorisy, omaly, tao amin’ny kianjan’ny Northfields, tafiditra indrindra ao anatin’ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana. Ampy hiakaran’i Madagasikara amin’ny lalao famaranana tanterahina, anio, ireo fandresena ireo. Raha hiverenana ny lalao omaly, tsy afa-bela nanoloana an-dry Poon sy ny ekipany, ry zareo tompon-tanana, Maorisiana.Nomontsanin’i Madagasikara, tamin’ny isa mavesatra 33 no ho 0, ny ekipan’i Maorisy.Valin-dalao efa nampoizina ihany satria efa tsara homana sy nanaraka fiofanana maro ireto mpilalao malagasy ireto, mialohan’izao lalaon’ny Nosy izao. Mbola niondrika teo anatrehan’ny ekipam-pirenena ihany koa ry zareo Renioney, nandritra ny lalao faharoa natao omaly.Isa 21 no ho 15 no nisarahan’ny roatonta. Nitarika tamin’ny isa 5 ry zareo Renioney,tamin’ny alalan’ny baolina nentin-tanana, teo amin’ny minitra faharoa nanombohan’ny lalao, mbola nampian’izy ireo fanindroany izany, taty amin’ny faha-4 minitra. Nifoha tamin’ny torimasony, ny Makis nanomboka teo ary tsy nitsahatra nampitombo ny isa teny amin’ny solaitrabe. Tetsy ankilany, tsy nahatafiditra isa afa-tsy 5 sisa ry zareo Renioney, mandra-pahatapitry ny lalao, ka isa 21 no ho 15 no nentin’ny ekipa roa tonta nisarahana, teo am-piafaran’ny fepotoana ara-dalana. Hihaona amintsika indray amin’ny 1/2-dalana ny Mayotte.Teo amin’ny fifanandrinana tamin’ny Mayotte, fahombiazana hatrany no azon’ny Makis, nolavoiny tamin’ny isa 40 no ho 7 ity mpifanandrina taminy ity, izay mbola hifandona amin’ny Malagasy amin’ny lalao manasa-dalana, tanterahina anio ao amin’ny kianjan’ny Northfields hatrany. Mi.Raz L’article Rugby: tsara fanombohana ny Makis an’i Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Politika momba ny hetra: tokony hatevenina ny haba amin’ny akora fanondrana
Nanokanana andro, omaly, ny politika momba ny hetra niantsoana sehatra sy sokajin’olona maro. Tsy adidin’ny fanjakana irery ny raharahan-ketra, araka ny fanamarihana nataon’ny sampandraharahan’ny hetra.Mbola ambany ny tahan’ny fidiran-ketra eto amintsika, 12 % monja, ka ny hampitomboana izany. Niantsoana ireo sokajin’olona samihafa avy amina sehatra maro, nitondra ny heviny. Lohahevitra nosoritana : “Inona ny politika momba ny hetra hampivoatra an’i Madagasikara ?”. Andrasana avy amin’io fihaonana io ny hitsanganan’ny tambajotra iray ahitana ny avy amin’ny minisitera isanisany, sehatra tsy miankina, fiarahamonim-pirenena, mpikaroka any amin’ny oniversite. Havondrona ny hevitr’ireo rehetra ireo hamaritana izay tokony hampitomboana ny fidiran-ketra. Kendrena ny ho 15 % amin’ny 2023.Iray nitondra ny heviny, ny tale jeneralin’ny ladoany, i Zafivanona Lainkana Ernest. Miara-miasa hatrany ny ladoany sy ny foiben-ketra ho an’ny kitapom-bolam-panjakana. Tolo-kevitra iray naroson’ny ladoany ny fiarovana ny orinasa eto an-toerana, ka faritana ireo akora na entana tsy asiana fanamaivanan-ketra. Anatin’izay fiarovana ny orinasa izay ny fampidinana ny haba amin’ireo akora na fitaovana fampiasan’izy ireo. Fomba ampirisihina azy ireo izany hanondrana entana any ivelany, mampiditra vola vahiny. Tokony hatevenina koa ny haba alaina amin’ireo akora fototra fanondrana any ivelany, toy ny kraomita, fasimainty, volamena sy vatosoa, sns…Nanamafy ny tale jeneralin’ny hetra, i Germain, fa mbola ezaka goavana ny fanatsarana ny fampidiran-ketra. “Hatramin’izao, TVA, haban-tseranana, solika, ireo no mampiditra betsaka ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana fa mila fanantenana lavitrezaka ny hetra tokony haloan’ny tsirairay avy amin’ny vola miditra aminy”, hoy ny tale jeneraly. Nampahafantarina ihany koa ny fahamaroan’ny asa fihariana ivelan’ny ara-dalàna, mahatratra 40 %, tsy mandoa hetra, araka ny tatitra nataon’ny FMI. R.MathieuL’article Politika momba ny hetra: tokony hatevenina ny haba amin’ny akora fanondrana a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
IKM! Aogositra, volan’ny varatava
Varatava, heverina fa mbola vaovao amin’ny sofin’ny maro ity voambolana tena malagasy ity, kanefa milaza endri-javakanto iray, miroborobo sy be mpankafy, amin’izao fotoana izao. Sary endrik’olona vita hosodoko, nalain-tahaka avy amin’ny saripika na natao teo am-pijerena ilay olona mivantana ny atao hoe varatava.Tsy vitsy ny tanora manan-talenta amin’izany, voaporofo amin’ny fahamaroan’ireo manao ity karazana hosodoko ity ho antom-pivelomana mihitsy, amin’ny toerana samihafa, eto an-dRenivohitra. Maro, rahateo, ny olona tia atao hosodoko. Ho fampivondronana io talenta iombonana io sy hisian’ny sehatra ifampizarana traikefa, tafajoro ny Varatava Association.Hatramin’izay, tsy mbola nisy ny hetsika natokana tanteraka ho an’ny varatava. Ankehitriny kosa, manoloana iray volana be izao ho an’izany ny fikambanana. Hanomboka rahampitso io hetsika io ary hotanterahina eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) eny Antsahavola. Fampirantiana, fanaovana varatava eo no ho eo, fifaninanana, sns. Hatevina ny fandaharam-potoana, mifanojo indrindra amin’ny fiantombohan’ny fotoam-pialan-tsasatra ho an’ny kilonga.Landy R. L’article IKM! Aogositra, volan’ny varatava a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Fiainan’antoko: mitohy ny hetsiky ny VMMM
Niompana tamin’ny fandokoana ny vavahady sy ny fanadiovana ary ny fambolena voninkazo eo amin’ny CSB II Ampahimanga Ambohimanambola ny hetsika « Asa Tagnamaro » nataon’ny Vehivavy malagasy miara-miainga (VMMM), ny faran’ny herinandro teo. Efa notanterahin’ny tanora – TMMM ny fanavaozana ny lokon’ny tobim-pahasalamana. Ankoatra izany, asa sosialy efa fanao isan-taona rehefa ririnina ny famoran-jaza. Anisan’ny nisitraka izany hatrany ny eo anivon’ny distrikan’Avaradrano. Notanterahina ny herinandro lasa teo ny anjaran’ny kaominina Ambohimanambola.Nanolotra lamba ho an’ny fandriana fiterahana tao amin’ny CSBII Ambohimanambola ny VMMM. Ankoatra izany, nahazo rompatsa avy amin’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga ireo reny mpiteraka miisa roa tao amin’ity CSB II eny an-toerana ity.Synèse R. L’article Fiainan’antoko: mitohy ny hetsiky ny VMMM a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Nanehoan’ny Maorisianina ny fahaizany ny fanokafana
Nangotraka ary niavaka ny fampisehoana isan-karazany nandravahana ny lanonam-panokafana, taorian’ny fanambarana tamin’ny fomba ofisialy, amin’ny fisokafan’ny andiany faha-10 ny lalaon’ny Nosy, nataon’ny filoham-pirenena maorisiana, i Barleen Vyapoory. Natomboka tamin’ny fitondran’ireo firenena ny jiro sy ny fampitàna izany ary ny fanentanana maro isan-karazany. Nirefodrefotra ny afomanga taorian’izay, izay naharitra minitra vitsivitsy. « Hampitombo ny firahalahiana eo amin’ny Nosy rehetra manerana ny ranomasimbe Indiana, izao lalaon’ny Nosy tanterahina eto Maorisy izao”, io no hafatra matanjaka avy amin’ny kaomisiona mpikarakara ity andiany faha-10 ity, nandritra ny lanonam-panokafana, omaly. Tsy nanadino ny nisaotra sy naneho fankasitrahana ireo delegasiona rehetra tonga hifaninana, izy ireo ary nirary soa hahavitan’ny lalao hatramin’ny farany, amin’ny antsakany sy andavany.Mivonona ny handray ny JIOI 2023 i Madagasikara Hatolotra sy velabelarina anio, eto Maorisy, ny vinan’ireo firenena maniry ny handray ny andiany faha-11 amin’ny lalaon’ny Nosy, tanterahina ny taona 2023. Anisan’ny hanolotra izany eo anatrehan’ny CIJ ( Comité International des Jeux) i Madagasikara. Efa nanambara moa ny filohan’ny CIJ, nandritra ny fitsidihana ny firenena malagasy, roa herinandro lasa izay fa tsy manana fahasarotana i Madagasikara amin’ny fandraisana ny JIOI 2023, saingy mila fanatsarana kely ny « site » tsirairay handraisana ireo lalao rehetra. Nangonin’i Miarintsoa.Raz (Iraka manokana aty Maurice) L’article Nanehoan’ny Maorisianina ny fahaizany ny fanokafana a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
PDS, Razafimanana Jean Christin: “Hametraka ny fanovana isika…”
“Hapetraka amin’ny toerany maha Renivohitra ara-toekarena azy ny kaominina Toamasina. Efa manomboka ny asa ka anisan’ny voalohany amin’izany ny fanomezana karama tsy tapaka ny mpiasa ary efa mampihatra karama farany ambany, 200 000 Ar, nambaran’ny filoham-pirenena ny kaominina izao. Efa tsy misy fako mivangongo intsony eny rehetra eny. Vita tototra arin-tany ireo faritra iva hisorohana ny fiangonan-drano eny rehetra eny“, hoy ny PDS mitantana ny ao Toamasina, Razafimanana Jean Christin, nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly. Nanteriny fa hanatratra ny veliranon’ny filoham-pirenena Rajoelina ny antony nanendrena azy ho filohan’ny delegasiona manokana. Nohamafisiny fa tsy maintsy hiezaka hanala ny gaboraraka nataon’ny teo aloha ny ekipa amin’ izao fotoana izao. “Hametraka fanovana eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana ny nifidianana ny filoham-pirenena ka hanatrarana ny veliranony eto Toamasina… », hoy ihany izy.Nambarany koa fa hatao tsena filamatra, taorian’ny fahamaizan’ny etsy amin’ny Bazary kely ary ho rakofana takamoa ny andrin-jiro rehetra eto an-drenivohitr’i Toamasina.SajoL’article PDS, Razafimanana Jean Christin: “Hametraka ny fanovana isika…” a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Faritra Boeny: mitohy ny ady amin’ny homamiadan’ny nono…
Miara-miasa amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka ao amin’ny faritra Boeny ny hopitaly Candide sy ny sehatra tsy miankina. Raha ny antontanisa tao nanomboka ny oktobra 2012 hatramin’ny septambra 2020 teo, nahatratra 10 000 ireo nanao fitiliana vozon’ny tranonjaza sy nono tao Boeny.Ho an’ny vozon’ny tranonjaza, 13% amin’ireo tranga no efa misy fivontosana sela. Ny 5%, efa misy fivontosana ratsy mialoha ny homamiadana. Ho an’ny fitiliana nono indray, 15% ny hita fa nisy fivontosana amin’ny nono. Tsy mbola voamarina ho tena homamiadana avokoa anefa ireo. Ny 1% kosa, efa voaporofo mihitsy fa tratran’ny homamiadan’ny nono.Ny zoma teo, nisy indray ny fitiliana maimaimpiana natao tao an-toerana. Fitiliana diabeta sy fahasalaman’ny vozon’ny tranonjaza ary fitiliana ny fahasalaman’ny nono ny natao tamin’izany. Ireo mpiasan’ny faritra Boeny sy ny bloc admnistratif ary ireo vady aman-janany avy no nasaina hanao ireo fitiliana ireo ny zoma teo. Nasaina ihany koa ireo mponina manodidina ny bloc handray anjara amin’izao fitiliana maimaimpoana izao.Tatiana AL’article Faritra Boeny: mitohy ny ady amin’ny homamiadan’ny nono… a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Teatra: hanamarika ny 90 taony ny tropy Jeannette
Iray amin’ireo hetsika hanamarihan’ny tropy Jeannette ny faha-90 taony ny filalaovana ilay tantara « Ny Voromailala » nosoratan’i Rosa Beby ravahin’ny hiran’Andrianary Ratianarivo, ny 9 aogositra izao. Tovovavy teren’ny rainy hanambady ny tsy safidiny… Ho tanteraka ve ny mariazy? Handresy ve ny fitiavan’ilay tovovavy ny olon-tiany ka haharesy lahatra an-drainy izy? Ny fijerena io tantara io no hamantarana izay hiseho marina sy ny valin’ireo fanontaniana ireo, raha ny fanazavan’i Mbato Ravaloson tale artistikan’ny tropy Jeannette sady handrindra an-tsehatra rahateo ny filalaovana ny « Ny Voromailala ».Raha tsiahivina, andiany fahatelo B, ankehitriny ity tropy teatraly manana ny maha izy azy ity.HaRy RazafindrakotoL’article Teatra: hanamarika ny 90 taony ny tropy Jeannette a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
( CIJ): naverin’i Britanika amin’i Maorisy ireo nosy Chagos
Naverin’ny Britanika amin’ny Nosy Maorisy manomboka izao ireo nosy kely Chagos, misy ny tobim-pamaharan’ny tafika britanika sy amerikanina ao Diego Garcia. Nanao izay fomba rehetra ny hijerena ity raharaha ity ny Maorisianina tany amin’ny Fitsarana iraisam-pirenena (CIJ), ka nankatoavina teo anivon’ity Fitsarana ity izany, ny volana febroary 2019. Telo volana taorian’izay, nangatahan’ny Firenena mikambana (ONU) ry zareo Britanika hampitsahatra faran’izay haingana ny fitantanana ny nosy Chagos.Nambaran’ny CIJ fa tsy ara-dalàna ny fihazonan’ny Britanika ireo Nosy Chagos tamin’ny 1965 eo anatrehan’ny lalàna iraisam-pirenena, nefa nomena fahaleovantena ny Nosy Maorisy tompony tamin’ny 1968. Fandresena ho an’ny diplomasia maorisianina izao fanapahan-kevitra izao. Ny 15 jolay teo, narahin’ny vahoaka maorisianina tamin’ny haino aman-jery rehetra ny fanamafisana ny fanambarana nataon’ny CIJ.Nankatoavin’ny solombavambahoaka maorisinina rehetra ny fandraisana ireo Nosy manodidina ireo, ary nisy solontenan’ny vahoaka avy any Chagos nanatrika ny fivorian’ny Antenimieram-pirenena tany an-toerana. Hanana solombavambahoaka i Chagos amin’ny taom-piasan’ny Antenimiera maorisianina manaraka.Fitambaran’ny Nosy kely maromaro i Chagos, 56,13 km2. Misy azy, 1 174 km atsimon’i Malé, 1 832 km atsinanan’i Victoria, any Seychelles. Anisan’ny lehibe : Diego Garcia, Nosy Salomons, Peros Banhos, Great Chagos, Nosy Egmont… R.MathieuL’article ( CIJ): naverin’i Britanika amin’i Maorisy ireo nosy Chagos a été récupéré chez Newsmada.
News - Ao Raha
Fitsoahana gadra :: Lehibena fonja namoahana didy fampisamborana
Mafanafana ny raharaha fitsoahana gadra tany Ambositra, tapa-bolana lasa izay. Tsy afa-bela ireo tompon’antoka, ahitana tompon’andraikitra ambony amin’ny Fandraharahana ny fonja ny amin’ny faritra Amoron’i Mania, araka ny fanambaran’ny minisiteran’ny Fitsarana. « Namoahana didy fampisamborana ny lehiben’ny fonja sy ny mpandraharahan’ny fonja iray ary ireo gadra telo noentin’izy ireo nitsoaka », hoy ny minisitra Andriamahefarivo Johnny Richard. Nitory azy ireo ny Tonia mpampanoa lalàna any an-toerana. Nampiatoana amin’ny asany ihany koa ny talen’ny fandraharahana ny fonjan’Amoron’i Mania. Nidina nanatanteraka fitsirihana tampoka an’ireo voafonja tany Ambositra ny Tonia mpampanoa lalàna, ny sojaben’ny mpitsara mpanao famotorana. Tsikaritra tao ny fahabangan’ny voafonja telo. Tonga tao amin’ny fonja nijery ireo voafonja voalaza fa tsy hita ireo ny vadin-tany, ny ampitson’io, ka narakitra antsoratra ny zava-nisy. Ifampitadiavana, hatramin’ izao, ny lehiben’ny fonja sy ny mpandraharahan’ny fonja iray. « Nanome taratasy fiantsoana an’ireo voafonja ireo tamin’ny talen’ny fandraharahana ny fonja any Amoron’i Mania ilay lehiben’ny fonja, fa hoe hatao famotorana any amin’ny sampana misahana ny heloka bevavan’ny zandarimaria any Antananarivo izy ireo. Izy tenany, niaraka tamin’ny mpandraharahan’ny fonja iray, no nolazainy fa hitondra an’ireo voafonja hiakatra aty an-drenivohitra », hoy ny tatitra avy amin’ny loharanom-baovao akaiky ny mpanao famotorana any Ambositra, raha nanazava ny zava-nitranga tamin’ity raharaha ity. Nolavin’ny kolonely Ravelomanana Tahina, lehiben’ny sampana misahana ny heloka bevavan’ny Zandarimaria, eny Fiadanana, ny fisian’io taratasy fiantsoana io. « Nentin’izy ireo nivoaka ny voafonja telo saingy tsy hita ry zareo, hatramin’izao. Tsy fantatray hoe iza no nampamoaka ireo voafonja ireo. Karohina izy ireo mba hahafantarana ny marina », hoy hatrany ny minisitry ny Fitsarana. L’article Fitsoahana gadra :: Lehibena fonja namoahana didy fampisamborana est apparu en premier sur AoRaha.