« Tagnamaro »: nanome an-tsitrapo ra ny mpiasan’ny fahasalamana

News - « Tagnamaro »: nanome an-tsitrapo ra ny mpiasan’ny fahasalamana
Niavaka ny fanehoan’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fahasalamana ny “Tagnamaro”, volana jolay. Nirohotra nanome ra teny amin’ny HJRA Anosy izy ireo ho an’ny eto an-dRenivohitra, ny asabotosy lasa teo. Nanao hetsika mitovy amin’izay avokoa ny fari-piadidiam-pahasalamana rehetra manerana ny faritra 22. ““Manome ra, manome aina” ny lohahevitra norasina ho an’ny hetsika ho fanohanana ny tahirin-dra, indrindra ho an’ireo sokajin-dra vitsy mpanana nefa mamonjy aina ao anatin’ny hamehana”, hoy ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana, ny dokotera Rakotoarivony Manitra. Afaka manome ra isaky ny telo volana ny ho an’ny lehilahy raha isaky ny efa-bolana kosa ho an’ny vehivavy ho an’ny olona 18- 60 taona salama vatana ary tsy manana aretina mitaiza. Mbola misy ny fanadihadiana mialoha ny handraisana olona hanome an-tsitrapo ra. Lafo ny kitapon-dra sy ireo “réactif” hitiliana ny areti-mifindra ao anatin’ny kitapo azo ka izay no tsy maintsy hanoloana ny ra nafindra amin’ny marary iray. Eto amintsika, ambany ny tahan’ny olona manome an-tsitrapo ra fa rehefa voatery noho ny aretina mahazo ny havany vao tonga manome ra izy ireo matetika.
Entanina hatrany, noho izany, ny tsirairay hanome ra fa mamonjy aina izany.
Vonjy A.
L’article « Tagnamaro »: nanome an-tsitrapo ra ny mpiasan’ny fahasalamana a été récupéré chez Newsmada.
Vakio ihany koa
News - News Mada
HCDDED momba ny zon’olombelona : “Ilaina ny vaomiera iombonana hadihady”
“Manangana ny vaomiera iombonana hanao fanadihadiana: ao anatiny ny HCDDED, ny parlemantera roa tonta, ny mpitandro filaminana ary ny minisiteran’ny Fitsarana. Ialantsika amin’ny hoe samy milaza ny heviny izay.”Io fanehoan-kevitry filohan’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), i Pierre Lenoble Navony, manoloana ny fampiharana na tsia ny fanajana ny zon’olombelona toy ny “Raharaha Farafangana” farany teo, izay samy manana ny fandikany sy ny fandraisany azy ny rehetra; indraindray, misy fanakianana be fahatany. “Mba hialana amin’izay, hatambatra ho iray ny vaomiera hanao fanadihadiana”, hoy izy, tamin’ny fampahafantarana ny tahirin-kevitra momba ireo fitarainana voarain’ny HCDDED.R.Nd. L’article HCDDED momba ny zon’olombelona : “Ilaina ny vaomiera iombonana hadihady” a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Rugby vehivavy – «Tournoi Orange Women’s 2020»: tompondaka ny ekipan’ny SCB Besarety
Tontosa teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny asabotsy 28 sy omaly alahady 29 novambra lasa teo ny fifaninanana rugby ho an’olona 7, sokajy vehivavy “Tournoi Orange Women’s 2020”. Voahosotra ho tompondaka ny SCB Besarety rehefa nandresy ny FTM Manjakaray, tamin’ny isa tery 12 no ho 10. Marihina fa tsy resy mihitsy ny SCB nandritra ity fifaninanana ity. Ny ekipan’ny 3FB no lavon’ny Besarety, tamin’ny isa 19 no ho 17 teo amin’ny manasa-dalana raha ny RCTS Soavimasoandro kosa no resin’ny FTM, tamin’ny isa 10 no ho 5. Tanjon’ny fifaninanana ny hitiliana ireo mpilalao vaovao hanatevina ny Makis de Madagascar, hiady toerana amin’ny fifanintsanana ho an’ny Lalao Olympika tanterahina any Japon 2021. Raha tsy misy ny fiovana mpilalao, 21 no hantsoina amin’izany. Nahatratra 12 kosa ireo ekipa nandray anjara tamin’ity ka anisan’ny vaovao ireo mpianatra avy eny amin’ny Oniversite sy ry zareo avy etsy Andravoahangy.Toy izao ny filaharan’izy ireo, taorian’ny fifanintsanana. 1-SCB Besarety ; 2-FTM Manjakaray ; 3-3FB ; 4-RCTS Soavimasoandro ; 5-FTFA Antohomadinika ; 6-JSM Mahamasina ; 7-FTVL Lalamaty ; 8-Asut 2 ; 9-Asut 1 ; 10-AJS Tsiadana ; 11-Sab-Nam ; 12-2AM Andravoahangy. TompondakaL’article Rugby vehivavy – «Tournoi Orange Women’s 2020»: tompondaka ny ekipan’ny SCB Besarety a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Nakana vola 6 hetsy Ar avy: tratra ireo roa vavy mpanondra olona mankany Arabia Saodita
Tsy mety fay mihitsy! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny Service central des enquêtes spécialisées (SCES), ny alakamisy teo teny Andraisoro ireo roa vavy voarohirohy amin’ny fanondranana vehivavy mihazo an’i Arabia Saodita…Na efa norarana aza, mbola mahita hirika ihany! Loharanom-baovao no nahafantaran’ny polisy fa misy vehivavy mpanangona olona halefa any Arabia Saodita eny amin’iny faritra Andraisoro iny. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy raha vantany vao nandre ny fisian’ireo manangona tovovavy ireo. Voamarina tokoa ny fisian’izany toerana fanangonana olona izany eny Andraisoro. Tokony ho tamin’ny 5 ora maraina, tamin’io alakamisy io, nanao fisavana ilay trano fanangonana olona ny polisy ka vehivavy miisa dimy no tratra tao. Nambaran’ny polisy fa ny iray amin’izy ireo no fantatra fa mpikarakara ny taratasy handehanan’izy ireo. Avy any amin’ny faritra Vohémar sy Andapa ary Sambava no fiavian’ireo tovovavy ireo ary efa herinandro izay no nahatongavany teto Antananarivo. Fantatra nandritra ny famotorana nataon’ny polisy azy ireo fa vola 6 hetsy Ar isan’olona no alain’ireo olon-dratsy amin’ireto vehivavy ireto vao tonga eto Antananarivo izy ireo. Vehivavy iray mpifanolo-bodirindrina amin’izy ireo ihany koa voasambotra tamin’io fotoana io noho ny firaisana tsikombakomba tamin’ity raharaha fanondranana olona ity. Nanamafy hatrany ny polisy fa mbola misy naman’izy ireo karohina amin’izao fotoana izao.Jean ClaudeL’article Nakana vola 6 hetsy Ar avy: tratra ireo roa vavy mpanondra olona mankany Arabia Saodita a été récupéré chez Newsmada.
News - Midi Madagasikara
Nécrologie du 11 janvier 2021
Cliquez pour agrandir L’article Nécrologie du 11 janvier 2021 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Nécrologie du 11 janvier 2021 a été récupéré chez Midi Madagasikara.
News - News Mada
Fihariana: misy ny vahaolana hoan’ ny fambolena
“Azo atao tsara ny mamerina ireo avy any ambanivohitra mibosesika an-tanan-dehibe. Anisan’ny olana sy mahakivy azy ireo ny hakelin’ny vokatra miakatra. Nanao fikarohana sy vahaolana amin’izany izahay ka anisan’izany ny zezika”, hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Zezika Malagasy (Zezima), Ramangalahy Eric. Nanteriny fa mampitombo betsaka ny vokatra vokarina ny fampiasana izany ary efa maro ireo tantsaha resy lahatra ka mampiasa izany amin’izao fotoana izao. “Mamelona indray ny nofon-tany izy io ary miady amin’ny nofon-tany efa vizaky ny zezika simika. Tsy mifidy voly ary natoraly tanteraka”, hoy ihany izy. Efa nandalo fitiliana sy andrana samihafa ary efa nankatoavin’ny minisiteran’ny Fambolena.Nampitombo ny vokatra miakatra… Tsy vitan’izany fa efa voatsirika ny akora nanamboarana azy, toy ny zezim-pahitra sy ny fako ary ireo singa mandrafitra izany. “Nahazoana tombony betsaka ny voka-bary sy ny legioma nampiasana azy io nefa kely fotsiny ny fatra ampiasana amin’izany. Mampitombo ny vokatra rahateo ny fampiasana azy ary afaka mifangaro amin’ny zezika hafa koa”, hoy ihany izy. Nanomboka ny taona 2006 ny nihodinan’ny orinasa. Manome asa ho an’ny olona miisa 35 izy ireo ary Malagasy avokoa. Mamokatra 25 t isan-kerinandro eo izy ireo ary efa misy ny vokatra raisin’ny minisiteran’ny Fambolena manokana. Natao anaty fonosana 25 kg izany mba ho mora ny mitondra azy ary mba ho zakan’ny fahefa-mividin’ny mpamboly sy ny tantsaha.Synèse R. L’article Fihariana: misy ny vahaolana hoan’ ny fambolena a été récupéré chez Newsmada.
News - Ao Raha
Fitsaboana ratra :: Haverina hodidiana ilay tovolahy nipoahan’ny vanja
Hiroso amin’ny fandidiana fanindroany ny mason’ilay ankizilahy, 15 taona, nipoahan’ny vanja, teny Anjomakely Ivato, herinandro lasa izay. Ny fitarafana sy fizahana nataon’ny dokotera no nahafantarana fa tsy maintsy haverina indray ny fandidiana ny masony. Manohy ny fitsaboana eny amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona Ampefiloha izy. “Notarafina, afak’omaly, ka hita fa mbola feno poti-bato ao amin’ny masony. Tsy misy intsony anefa ny vola sy ny hoentimanana hiatrehana izany. Vita tamin’ny sabotsy lasa teo kosa ny fandi-diana ny lohan’ny lehilahy 26 taona niharan-doza niaraka taminy. Efa notapahina ny tanany ila”, hoy ny havan’izy roa lahy niha-ram-boina. Tsiahivina fa tra-doza teo am-pamakiana vato tamin’ny alalan’ny vanja ireo lehilahy roa zanak’olona mpiray tampo ireo. Naratra mafy izy ireo ka voatery nentina teny amin’ny hopitaly. Manamafy ny antso fanampiana amin’ny saran’ny fitsaboana ny fianakavian’izy ireo, amin’izao fotoana izao. Afaka miantso ny laharana finday 034 31 311 88 ireo rehetra manampaniriana ny hitondra fanohanana azy ireo. L’article Fitsaboana ratra :: Haverina hodidiana ilay tovolahy nipoahan’ny vanja est apparu en premier sur AoRaha.
News - News Mada
Teny Gasy 2.0 – Covid-19, ireo fiovana nentiny : hotanterahina ny fifaninanana “Lahatsoratra am-blaogy”
“Lahatsoratra am-blaogy” , fifaninanana lahatsoratra andiany faharoa karakarain’ny Teny Gasy 2.0. Lohahevitra amin’izany: “Ny Covid-19 sy ny fihibohana: ireo fiovana nentiny teo amin’ny fiainanao”. Tsy anavahana sokajin’olona na sokajin-taona ny fifaninanana. Lahatsoratra atao amin’ny teny malagasy, misy voanteny 500 hatramin’ny 700 isa ary alefa mailaka amin’ny tenygasy2.0@gmail. com. Ny fotoana farafandefasana lahatsoratra, alohan’ny alakamisy 08 oktobra 2020 ho avy izao. Miezaka mampiroborobo sy manome fahalalana ho an’ny rehetra amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera “facebook” momba ny teny malagasy ny Teny Gasy 2.0. Anisan’ny nahafantarana azy ny fanitsiana tsipelina isan’andro amin’ny “facebook”. “Ity fifaninanana ity koa no hijerena ny fahombiazan’ny hetsika natao hatramin’izay. Tafita ve ny hafatra tany amin’ny loabary an-dasy? Tafita ve ny fampiofanana nomena sy ny fanitsiana teny malagasy diso, isan’andro eto amin’ny tambajotran-tserasera “facebook”? Na izany aza anefa, afaka mandray anjara avokoa ny rehetra na tsy nanaraka fiofanana sy tsy nanatrika ny hetsika tamin’ny taon-dasa aza”, araka ny nambaran’ny mpandrindra ny Teny Gasy2.0. Nisy ny hetsika nokasaina hatao tamin’ny “Iray volan’ny teny malagasy” teo, saingy tsy tontosa noho ny hamehana ara-pahasalamana. Tanjona amin’ity hetsika ity ny hampiroboroboana ny teny malagasy any amin’ny aterineto. Irina mba hitombo isa ireo mpanao blaogy amin’ny teny malagasy.Narilala sy HaRy R.L’article Teny Gasy 2.0 – Covid-19, ireo fiovana nentiny : hotanterahina ny fifaninanana “Lahatsoratra am-blaogy” a été récupéré chez Newsmada.
Boxe – “Lalaon’ny Nosy”: hanaovana ady fitsapana ireo mpikatroka
Taorian’ny fiatrehana ny tapany voalohany amin’ny fampivondronana ho fanomanana ny « Lalaon’ny Nosy », nanapa-kevitra ny hanao ady fitsapana ireo mpikatroka ny eo anivon’ny federasiona malagasy ny taranja boxe. Hotanterahina ny 27 sy 28 avrily izao izany, hijerena akaiky ny tena mendrika. Araka ny efa notaterina teto, misy ekipa roa ny hifanintsana amin’ity ady fitsapana ity. Ny ekipa A, ivondronan’ireo atleta voafantina hiatrika ny fampivondronana. Ny ekipa B kosa, ireo solontena isaky ny ligim-paritra manerana ny Nosy. Hamoaka mpikatroka iray isaky sokajy ny ekipa A raha toa ka mpikatroka miisa roa isaky ny sokajy kosa ny hotsongaina ao amin’ny ekipa B. Izay tena mendrika amin’izy ireo avy eo no handrafitra ny ekipa hiatrika ny “Lalaon’ny Nosy”. Ho hentitra tanteraka ny mpitsara amin’ity fitsapana satria tanjona amin’ity “Lalaon’ny Nosy” ity ny handrombaka medaly volamena maro, raha ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasy, Rabarison Hery Mamy.Eo amin’izay fanomanana ny “Lalaon’ny Nosy” izay hatrany, nahazo fanampiana fitaovana avy amin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotonirina Léon Richard, ny mpikatroka, ny talata lasa teo. Gants miisa 20 sy “sac de sable” maromaro ny natolony tamin’izany. Mbola hisy ny fanampiana homen’ity minisitra mpiahy ny taranja boxe ity, ho fanohanana hatrany ny atleta malagasy. Mi.RazL’article Boxe – “Lalaon’ny Nosy”: hanaovana ady fitsapana ireo mpikatroka a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Nanafika tany Maevatanana: voasambotra tetsy Tsimbazaza ilay nandroba mpandraharaha
Voasambotry ny polisy teny Tsimbazaza, ny 12 jolay 2019 lasa teo, ny jiolahy raindahiny tompon’antoka tamin’ny fanafihana mpitam-piadiana tany Maevatanàna ny volana oktobra 2018 lasa teo…Mpivady mpandraharaha ireto nisy nandroba tao an-tranony any Maevatanàna ireto izay nahaverezana vola 30 tapitrisa Ar, araka ny fanazavan’ny polisy. Tsy niandry ela ny polisy any an-toerana fa nanao ny fikarohana avy hatrany ka tratra ny maraina tamin’io fotoana io ihany ny iray amin’ireo jiolahy nanafika azy mivady ireto. Nitohy ny fanadihadiana ka andro vitsivitsy taorian’izay, tratra ihany koa ny efatra amin’ireo jiolahy, nahatrarana basy miisa efatra. Tsy nijanona hatreto anefa ny fanenjehana ireo jiolahy fa nitohy ny famotorana ary fantatra fa mbola misy jiolahy iray atidoha nikotrika ity fanafihana ity tafatsoaka niakatra aty an-dRenivohitra. Nokarohin’ny polisy ity jiolahy ity ka tratra teny Tsimbazaza tamin’ny zoma lasa teo. Tsy nanampo na inona na inona ity jiolahy ity satria efa voahodidin’ny polisy nanao fanamiana sivily ny trano nisamborana azy. Noraisim-potsiny tao an-tranony izy. Nilaza izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy fa ankoatra ny fanafihana mitam-piadiana, isan’ireo jiolahy mpanakan-dalana eny amin’ny RN 4 ary voarohirohy amina raharaha fakana an-keriny niseho tany Maevatanàna ihany koa izy. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy.Jean ClaudeL’article Nanafika tany Maevatanana: voasambotra tetsy Tsimbazaza ilay nandroba mpandraharaha a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Kaominina Talatamaty : mitondra fampandrosoana ny asa sosialy vita
Omen’ny ben’ny Tanàna ao amin’ny kaominina Talatamaty, Raharinoasy Elie Dominic sy ireo mpiara-miasa aminy lanja manokana ny fiahiana ny sosialin’ireo mponina : fampianarana, fahasalamana, fandriampahalemana ary ny fampiroboroboana sy fanampiana ny sehatrasam-pamokarana. Sehatra hitondra fampandrosoana ho an’i Talatamaty avokoa ireo, izay manana mponina 50 000 miparitaka amin’ny fokontany 12, araka ny fanazavany. Ampahany amin’ireo asa efa vita ny fanorenana ny EPP vaovao ao Tanjondava. Hahazo tombony manokana ny mpianatra 200 mahery hisitraka ny sekoly vaovao sady efa misy fampitaovana toy ny dabilio 250 ho an’ireo toeram-pianarana eny an-toerana. Mpanabe fito no hiantsoroka ny fampianarana ao amin’ny EPP vaovao.An-dalana ny fanatsarana ny tsena sy ny fitadiavana ny paikady hahafahafana mampiditra mpivarotra betsaka kokoa nefa manaraka ny fenitra. Ankehitriny, 500 ireo mpivarotra efa mampiasa ny tsena. Kendrena ho avo roa heny izany rehefa tontosa ny asa fanatsarana sy fanavaozana.Eo amin’ny fahasalamana, hisy fanorenana ny CSB II faharoa hatao ao Maibahoaka ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ireo mponina tojo tsy fahasalamana sy mila fizahana manokana. Nambarany fa efa namendrahana ranom-panafody mamono tsimokaretina isorohana ny valanaretina Covid- 19 teny amin’ireo toerana ifamezivezen’ireo olona maro toy ny tsena. Nanala fahasahiranana ny mponina mpandeha an-tongotra ny fahavitan’ny lalankely mirefy 2 km ka ampahany ilay miainga eny Imerinafovoany mihazo an’Antanetibe ary mamakivaky tanimbary.Vita koa ny fanokafana tata-drano 2 km nanamora ny asam-pamokarana. Rehefa mangarahara ny fitantanana ary misy ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny kaominina sy ireo sehatra tsy miankina eny an-toerana, mivaingana ny vokatra azo ary tsapan’ny vahoaka.Nandalo fahasahiranana noho ny fiatrehana ny fihibohana ny kaominina satria nihena ny vola miditra. Voaefa avokoa anefa ny karaman’ireo mpiasa.VonjyL’article Kaominina Talatamaty : mitondra fampandrosoana ny asa sosialy vita a été récupéré chez Newsmada.