Tagnamaro-MCC: hodiovina ny Oniversite

News - Tagnamaro-MCC: hodiovina ny Oniversite

News - Tagnamaro-MCC: hodiovina ny Oniversite

 

Toy ny isaky ny asabotsy fahatelo amin’ny volana, hanatanteraka “tagnamaro” ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina  (MCC), androany. Nosafidiana amin’ity andiany ity ny eny Ambohitsaina, izay hita fa tsy ampy fikolokoloana. Araka ny fantatra, ho mafimafy ny asa satria hisy ny fandokoana ireo trano fianarana, hita ho efa mihavasoka. Eo koa ny fanadiovana sy ny fanalana ny lobolobo, izay manangona voalavo sy manaratsy endrika ity toeram-pampianarana ambony ity.

Entanina handray anjara amin’izany voalohany ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny eny amin’ny Oniversite sy ireo mpianatra eny. Raha tsiahivina, tetikasa fifanampiana, entina hamohazana indray ny fitiavan-tanindrazana ao amin’ny Malagasy, ny “tagnamaro”. Asa mivaingana sy azo tsapain-tanana ho tombontsoa iombonana ny atao.

Hetsika iray enti-manova ny toe-tsaina mba hahay handray andraikitra amin’ny fanarenana ny firenena sy mba hahay hanaja ny fananana iombonana ny “tagnamaro”. Entanina handray anjara amin’izany ny olom-pirenena rehetra, ny fikambanana, ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, ireo masoivoho vahiny eto amintsika, sns.

Natomboka tamin’ny volana marsa ny “tagnamaro” ka, ankoatra ny eto an-dRenivohitra, manatanteraka izany koa ny any amin’ny faritra samihafa.

Landy R.

 

Article tiré de Newsmada

L’article Tagnamaro-MCC: hodiovina ny Oniversite a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 20/07/2019

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Lalao any Egypta: zara raha misy mpijery ny “Can 2019”

  Zara raha misy mpijery eny an-kianja ny “Can 2019” any Egypta. Rehefa milalao ihany i Egypta vao feno ny kianja, toy ny tamin’ny lalao fanokafana nihaonany tamin’i Zimbabwe, nisy mpijery 75 000. Ny lalao rehetra ankoatra izay, 8 000 ny olona tonga raha be indrindra. Tamin’ny fifandonan’ny Barea sy i Burundi, ohatra, 6 000 monja ny mpijery. Mahagaga ny mpanara-baovao maro ihany izany toe-javatra izany. Na ireo lalambe mankany amin’ny kianja misy ny lalao rehetra aza, mangingina tsy ahitana olona.Inona ny antony?Tsy mahataitra an-dry zareo Egyptianina ny ekipa vahiny hafa, nefa tokony hahasarika azy ireo izao “Can” voalohany ahitana firenena 24 izao. Mahatsapa koa ny mpijery fa lafo loatra ny vidim-pidirana: 5, 15, 26 euros (20 000 ariary ny mora indrindra). Maro ireo naneho ny tsy fahafaliany momba io vidim-pidirana io. Ary mbola nohasarotina koa aza ny fomba fivarotana tapakila, ho fitandroana ny fandriampahalemana, toy ny nataon’ny Fifa voalohany tany Rosia nandritra ny fiadiana ny tompondaka eran-tany 2018.Antony iray hafa, niova tamin’ny fotoana farany ny firenena mandray ny lalao, i Cameroun navadika any Egypta. Nampiova fandaharam-potoana ho an’ny maro izany, nampitombo ny saran-dalana sy ny hofan’ny toerana hipetrahana. R.MathieuL’article Lalao any Egypta: zara raha misy mpijery ny “Can 2019” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Vaovao tambatra

Tapaka tanteraka ny herinaratra teto Antananarivo, omaly tolakandro. Antony, tapaka ny tambajotra roa mitondra herinaratra mahery vaika avy any Andekaleka, mamatsy ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Efa niverina tamin’ny laoniny tamin’ny ankapobeny ny herinaratra, minitra vitsy taty aoriana. Nisy kosa anefa ny faritra vitsivitsy tapaka toy izany koa ny nanomboka ny takarivan’ny alakamisy 12 novambra ary tsy mbola niverina ny asabotsy 14 novambra maraina, toy ny teny Amboditsiry Marais Masay. Anisan’ny mampitaraina ny mpanjifa, ny valiteny ao amin’ny laharana 3547, milaza fa “efa raisin’ny tompon’andraikitra”, na koa hoe “marobe ny mitaraina aty aminay ka tsy araka”.Mangataka ny hametrahana CMR (Centre des métiers ruraux) tohanan’ny tetikasa Formaprod ny faritra Analamanga. Nambaran’ny filankevi-paritra momba ny fampiofanana ara-pamokarana any ambanivohitra, Analamanga, fa io CMR io ny mamaritra miaraka amin’ny tompon’andraikitra eny amin’ny faritra sy ny tanora, orinasa, rafitra, sy tetikasa misy ny asa mety azo tanterahina ao amin’ny faritra misy ny tanora. Manampy amin’ny torolalana samihafa ireo rehetra ireo, satria ny ao amin’ny distrika  iray, ohatra, mahalala  tsara ny lalam-piharina azo tanterahina.Anatin’ny fifampiraharahana amin’ny Cites ny fanjakana malagasy momba ireo hazo sarobidy tratra saika naondrana. Manaja ny fanapahan-kevitry ny fanjakana ny Cites, manaiky izay fepetra noraisina amin’ny fampiasana ireny hazo ireny. Efa nisy moa nampiasana tamin’ny fanarenana ny Rova. Voararan’ny lalàna izao ny famoahana hazo sarobidy mbola tsy voadio (brut). Dinihina eny amin’ny filankevitry ny minisitra ny fampiasana ireo hazo sarobidy ary haroson’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, hahazo fankatoavana avy amin’ny Cites. Miato kosa ny fitsarana momba ireo hazo any ivelany, izay efa nandalo ny ladoany.  L’article Vaovao tambatra a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Fahatongavan’ny mpifindra monina: mahazo vahana ny halatra omby ao Andranomiditra  

Anisan’ny olana nitranga niaraka amin’ny fahatongavan’ny mpifindra monina ao anatin’ny faritra manodidina ny valanjavaboary ao Ankarafantsika ny tsy fandriampahalemana, araka ny fanazavan’ny sefo fokontany ao Andranomiditra, Lebizandry Richard, kaominina Tsaramandroso, distrikan’Ambato Boeni. Ny taona 2013,  nanomboka tonga tsikelikely ireo mpiavy, namboly, efa-taona taty aoriana vao nanao be fiavy. Anarivony izy ireo ankehitriny miparitaka amin’ny tokantrano anjatony. Ny tena olana rehefa mafanafana ny fanenjehana ny fandripahana ala ataon’ izy ireo, lasa mody any aminy aloha ireo mpifindra monina. Mandeha andiany izy ireo rehefa mamboly ary manana fitaovana toy ny pilotra sy antsy lava ka matahotra azy ireo ny mponina ao Andranomiditra. Ny volana oktobra sy novambra ireo mpiavy no tonga mamonjy ny atiala mamboly sy manao arina fandrehitra. Tsy misy azon’ny mponina mivelona manodidina ny ala atao fa mitazam-potsiny.Nanomboka ny taona 2017, nirongatra ny halatra omby ao anatin’ny fokontany, tsy latsaky ny 70 ny omby very nefa talohan’izay, tsy nitrangna fahaverezana, tahaka izany, hoy ny nambaran’ny sefo fokontany ihany. Ny volana marsa lasa teo, omby dimy indray no nisy nangalatra. Mangataka ny hametrahana poste avancé ao anatin’ny fokontany izy ireo satria toerana saro-dalana Andranomiditra ka betsaka ny mpanararaotra. 186 tafo no mandrafitra ny fokontany izay mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana. Fantatr’izy ireo ny mahazava-dehibe ny fiarovana ny atiala. Miaro ny rano, ny ala ary manampy amin’ny fiveloman’ny vahoaka.Mangataka CSB ny mponina Manana EPP tokana ny fokontany ka rehefa afaka fanadinana BEPC tsy maintsy mandeha any amin’ny kaominina Tsaramandroso. Rehefa misy mpiteraka ka voatery mandeha hopitaly noho ny hamehana, entina sarety amin’ny lalana 17 km ilay vehivavy mamonjy an’i Tsaramandroso ihany koa. Mangataka ny hanorenana CSB amin’ny fitondrana ny mponina fa sahirana rehefa tojo tsy fahasalamana, indrindra rehefa fahavaratra. Hahatsara ny fambolena, tokony hamboarina ny tohodrano hanondraka ny voly sy hikarakarana ny biby fiompy. Nitondra ireo fitarainana ireo tamin’ny tale jeneraly mpisolo toerana ao amin’ny Madagascar national Parks, dokotera Rakotoarijaona Mamy ny sefo fokontany ,nandritra ny fidinana ifotony nijery ny olana amin’ny fandripahana ny ala.Vonjy A. L’article Fahatongavan’ny mpifindra monina: mahazo vahana ny halatra omby ao Andranomiditra   a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Zanaka an-trano

Tsy nisorona ny jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier, omaly, teny Soanierana raha niresaka momba ireo miaramila nahatrarana bala maro ka naiditra am-ponja vonjimaika. Nampitahiny amin’ny zanaka an-trano ireo ka rehefa manaiki-nono dia akifika. Nilaza koa ity jeneraly ity fa manaja tanteraka ny fisaraham-pahefana eo amin’ny Fitsarana sy ny mpanatanteraka izy ireo momba ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana. L’article Zanaka an-trano est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Lalam-pirenena – RN2: mila fandaminana ny eo Marozevo

Sahirana ireo mpitondra fiara rehefa handalo ny tanànan’i Marozevo, tanàna eo am-pototry ny fiakaran’i Mandraka iny. Mandalo eo avokoa na ireo fiara mitondra entana tonga avy ao Toamasina na ireo mitatitra entana haondrana ao amin’io seranana io avy aty Antananarivo sy avy any Alaotra, ny kraoma, ohatra. Miampy izany ireo mpitatitra olona sy fiaran’olon-tsotra.Toerana fisakafoan’ny maro ny eo Marozevo. Isan’ireny ireo fiara goavana sy lavabe. Maro ireo fiara miantsona eo ka zary ampahan-dalana kely sisa azon’ny fiara aleha. Lavabe ny filaharan’izay mijanona eo ka tsy tazan’ny mpamily avy amin’ny ilany iray ny fidiran’ny fiara avy any amin’ny ilany faharoa. Tafiditra ao afovoany vao mifankahita. Tsy afaka mihemotra, satria fiara maro no efa manaraka aoriana.Mandany fotoana, tonga hatamin’ny fifamaliana.”Tsy antoandro, tsy alina, ary samy manao beloha!”, hoy ny mpitondra fiara. Misy tobin’ny zandary tsy lavitra eo ka heverina fa tokony hisy ny fandaminana. Rarivo       L’article Lalam-pirenena – RN2: mila fandaminana ny eo Marozevo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiaraha-miasa amin’ny Onudi: apetraka eny amin’ny CSB ny fandoroana fako

Miara-miasa ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Onudi amin’ny fifehezana ny fako eny amin’ny tobim-pahasalamana. Hapetraka eny amin’ny CSB sy ny hopitaly ny fitaovana manaraka ny teknolojia moderina ahafahana mandoro ireo karazana fako sy ny fitaovana avy nampiasaina eny amin’ireny toerana ireny.Hisy ihany koa ny fampiofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ireo mpanadio eny amin’ny tobim-pahasalamana amin’ny fampiasana izany fitaovana izany mba ho tena mahomby.Tanjona ny tsy hiparitahan’ny fako mety hitera-doza ho an’ny manodidina. Nitombo ny fako teny amin’ireny hopitaly sy ny CSB ireny nandritra ny fotoana nampirongatra ny valanaretina Covid-19.Mila misolo matetika ny aron’akanjon’ny mpitsabo sy ireo mpiasan’ny fahasalamana ary betsaka ihany koa ny fitaovana niasa noho ny fahamaroan’ny marary. Mila fehezina ireny fako ireny mba tsy ho loza mitatao ho an’ny hafa.Tatiana AL’article Fiaraha-miasa amin’ny Onudi: apetraka eny amin’ny CSB ny fandoroana fako a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiarovana ny tontolo iainana: nahavita 18 000 km tamin’ny moto i Haingosoa Hortencia

Simba ny tontolo iainana, ankehitriny, noho ny firongatry ny doro tanety sy ny fitrandrahana ala tsy am-piheverana ataon’ny olona sasany. Midina ifotony mihitsy ny tale iraisam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy any amin’ny faritra Anosy, any Androy ary any Atsimo Atsinanana, i Haingosoa Hortencia, manara-maso sy manentana hiadiana amin’izany.Mirongatra ny fanararaotana amin’ny fitrandrahana antsokosoko harem-pirenena sy ny doro tanety sy ny doro ala ataon’ny olom-bitsy amin’izao fihibohana izao raha mitaha amin’ny andavanandro, araka ny fanazavan’ny tale irasam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, amin’ny faritra Anosy, Androy ary Atsimo Atsinanana, i Haingosoa Hortencia. Mila arahi-maso matetika ireo tebokafo hita avy amin’ny zanabolana ary entanina ny fokonolona hiady amin’ny afo sy hamboly hazo araka ny filany amin’ny velaran-tany ananany. Notolorana maimaimpoana zana-kazo izy ireo. Nohetsehina koa ny komity miaro ny dina sy ny komity miady amin’ny doro tanety hanao aroafo sy hampihatra ny dina. Nampianarina mifehy afo sy ny teknika famonoana haingana afo izy ireo. Ampahafantarina ny vahoaka eny ifotony koa ny lalàna mifehy ny ala sy ny lalàna famaizana fa ny tsy fahafantaran’ny olona eny ifotony no anapahany ala.Mandeha an-tongotra indraindray…Mamita iraka any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ity tomponandraikitra ity izao miaraka amin’ny Conservation international sy ny Brigade mixte de contrôle aty amin’ny faritra. Vita ny fitsidihana ny distrikan’i Vondrozo ka Vondron’olona ifotony 28 ao anatin’ny kaominina  18 no voaentana. Zava-dehibe ny fanaraha-maso ny asan’ireo Vondron’olona ifotony miaro sy mitantana ny ala miaraka amin’ny minisitera ireo. Hitohy any Midongy sy any Befotaka ny fidinana ifotony. Nandritra ny herintaona mahery, moto hatrany ny nanatanterahany asa ho an’ny faritra telo sahaniny ary tsy latsaky ny 18 000 km ny lalana vitany. Tsy maintsy mandeha an-tongotra koa matetika amin’ny faritra malaza ho be dahalo nefa tsy nataony sakana izany. Zava-bita tena nampiavaka ny faritra ny famafazana ambioka avy eny ambony fiaramanidina ka 5 t ny nafafy ho an’ny taom-pambolena 2020. Zana-kazo 600 000 (amin’ny tanin-janakazo 4 tapitrisa) no voatsatoka amin’ny velarana 600 ha ho an’ny faritra telo ao anatin’ny Andro fisantarana ny taom-pambolena.Vonjy A.L’article Fiarovana ny tontolo iainana: nahavita 18 000 km tamin’ny moto i Haingosoa Hortencia a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rehefa avy nitety an’i Eoropa: hanolotra seho tokana eto ry Malagasy guitar masters

Sambany hiaka-tsehatra eto an-tanindrazana ny Malagasy guitar masters, hatramin’ny niandohan’ity taona ity. Ny alakamisy 25 jolay izao ny fotoana, etsy amin’ny Piment café etsy Behoririka, ao anatin’ny « cabaret », araka ny hetsika ahafantarana ity toerana ity. Azo lazaina ho miavaka amin’izay fampisehoana sy seho mozika, ny amin’io faran’ny herinandro io, ity.Tsy fahita matetika eto an-tanindrazana ny tarika, izay efa manana ny lazany any ivelany any sy mitety faritra maro. Araka ny fantatra, miisa 12 eo ho eo ny toerana notsidihin’izy ireo sy nanaovany fampisehoana, nandritra iny volana mey sy volana jona iny. Tsy nataon’izy ireo diso anjara ny mpankafy eto an-toerana, mandritra ny fandalovan’izy ireo eto.Raha tsiahivina, tarika ahitana mpikambana telo, samy havanana sy manana ny maha izy azy eo amin’ny fitendrena gitara, ny Malagasy guitar masters. Tsy iza izany fa i Teta, i Chrysanto Zama ary i Rija Randrianivosoa, izay nisolo an’i Joël Rabesolo. Ankoatra ny fitetezana firenena, efa namoaka rakikira, mitondra ny lohateny hoe « Volo hazo », ny tarika.Ny mampiavaka azy ireo, ny fahaizan’ny tsirairay mamoaka ny talentany sy mametraka ny « soniany », izay sady mifameno. Eo koa ny fahaizan’izy ireo mampifanaraka ny mozika malagasy amin’ny fironana ankehitriny. Fotoana iray ankafizana izany rehetra izany io amin’ny alakamisy io, izay inoana fa hahaliana ny maro. Landy R. L’article Rehefa avy nitety an’i Eoropa: hanolotra seho tokana eto ry Malagasy guitar masters a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tanandava: tratra ireo jiolahy nanafika ny fiaran’Ambatovy

Hatolotra ny fitsarana aorian’ny famotorana ireo jiolahy efatra tompon’antoka tamin’ny fanafihana ny fiara 4×4 an’ny orinasa Ambatovy ao Toamasina, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-pileovana Atsinanana. Nohamafisin’ny zandary hatrany fa nitondra “agent de securité” ity fiara ity no nifanehatra tamin’ny jiolahy tao Tanandava Toamasina, afakomaly. Nobahanan’ireo olona tamin’ny vatobe sy vatan-kazo ny lalana ka rehefa nijanona ny fiara dia notsenain’ireo jiolahy tamin’ny tora-bato sy pilotra. Vokany, naratra mafy ilay mpamily, raha ny tatitra nampitain’ny zandary hatrany. Tsy nisy fananana voaroba kosa na aina nafoy nandritra ity fanakanan-dalana niharo fanafihana ity. Nahazo loharanom-baovao avy hatrany ny zandary momba ny fisian’ireto andian-jiolahy mpanakan-dalana ireto ka nametraka ny vela-pandrika avy hatrany. Vokany, noraisim-potsiny ireo jiolahy mpanafika. Niaiky ny heloka vitany ry zalahy nandritra ny famotorana nataon’ny zandary.J.CL’article Tanandava: tratra ireo jiolahy nanafika ny fiaran’Ambatovy a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Savorovoro tany Toamasina

Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary momba ny savorovoro tamina resaka ahiahy halatra taova tany Morarano Toamasina, herinandro lasa izay. Fantatra fa tsy misy ny olona voatazona. Efa nohenoina kosa ny tompontrano voatondro ho nahitana lohan’olona sy ilay vehivavy nilaza ho nahita izany. Milaza ny hanao tatitra momba ny valin’ny fanadihadiana amin’io raharaha io ny mpanao famotorana, amin’ny herinandro ambony. L’article Savorovoro tany Toamasina est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

Miisa 31 ny tranga vaovao: tafakatra 251 ireo lavon’ny Covid-19
23/11/2020

Miisa 31 ireo nifindran’ny valanaretina teo anelanelan’ny 14 hatramin’ny 18 novambra teo. Nisy iray namoy ny ainy indray.Anisan’ny misongadina amin’izany ny any Matsiatra Ambony, ahitana tranga vaovao miisa 13 raha enina ny eto Analamanga. Miisa telo ny any Atsinanana raha iray avy ny any Vatovavy Fitovinany sy any Sava. Roa kosa ireo tranga vaovao any raha dimy ny any Diana. Tany amin’io faritra io koa ny iray lavon’ny Coronavirus. Tafakatra 251 izany izao ireo matin’ny valanaretina eto amintsika, hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty.Miisa 433 ireo mbola manaraka fitsaboanaNa izany aza anefa, miisa 65 ireo sitrana ka maro anisa amin’izany ny eto Analamanga, miisa 19, raha 17 ny any Alaotra Mangoro ary 10 kosa ny any Diana.Tafakatra 16 657 izany izao ireo nahafeno ny fepetra, sitrana sy efa nody amin’izao ho an’ireo mitondra ny tsimokaretina miisa 17 341. Mbola misy 433 kosa anefa ireo manaraka fitsaboana sy arahi-maso ny toe-pahasalamany. Miisa 93 734 ny fitambaran’ny fitiliana vita. Tsiahivina fa miisa 87 ireo tranga vaovao, teo anelanelan’ny 8 sy 13 novambra ary iray kosa lavo.Synèse R.L’article Miisa 31 ny tranga vaovao: tafakatra 251 ireo lavon’ny Covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Taratry ny kanto
21/11/2020

Tolo-tanana ho an’i Piff « Iray aina, iray rap », hetsika tolo-tanana ho an’i Piff, tojo tsy fahasalamana, hotanterahina etsy amin’ny Noumba Club Itaosy (ex Guest House), anio asabotsy, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Maro ireo haneho ny talentany, toa an-dry Mamy Saya & Alkassim, 08MM, Miora Killah&Ratex, Slem (Bogota), 67 Squad, 102 Fassad, Xcrew, Mista&Boska, Dahalo, Kriminaly, Etika, Familia, Reen-Key, Gouvernigga, Syndikat Kaid, Map, architek.NarilalaL’article Taratry ny kanto a été récupéré chez Newsmada.

Fifidianana loholona: namoaka ny didy 10 amin’ ny fampielezan-kevitra ny Ceni
21/11/2020

Tsy mandeha ho azy amin’izao. Nampahafantarin’ny eo anivon’ny Ceni fa mitovy amin’ny fifidianana rehetra ihany ity fifidianana loholona ity. Anisan’izany ny tokony hanajana ireo lalàna mifehy izany.“Voalohany, ny fanajana ny firaisam-pirenena sy ny toe-tsaina momba ny fihavanana malagasy. Eo koa ny tsy fiandanian’ny fitondram-panjakana sy ny tsy fitanilan’ny sampandraharaham-panjakana.” Io ny nampahatsiahivin’ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Ra­ko­tondrazaka Fano, taorian’ ny fivoriana niarahana tamin’ ireo mpanara-maso fifidianana teny Alarobia, omaly, mo­mba ireo fepetra folo tokony hohajaina amin’ny fanaovana fampielezan-kevitra amin’ izao fifidianana loholona hatao amin’ny 11 desambra izao.Tsy fitanilan’ny RNM/TVM Manaraka, ny tsy fitanilan’ ny sampandraharaham-panjakana momba ny haino aman-jery ary ny radio sy ny televiziom-panjakana. Eo koa ny tsy fiandanian’ny toeram-pi­va­vahana, izay tsy azo anaovana fampielezan-kevitra. Mila tandrovina hatrany ny rariny sy ny fitovian’ny herijikan’ny kandidà rehetra; ny fangaraharan’ny loharanom-pa­ma­tsiam-bolan’ny fampielezan-kevitra sy ny fampiasam-bola natokana ho amin’izany, izay tsy maintsy hanendren’ ny kandidà izay mpitambolan’ ny fampielezan-kevitra.Tsy fidirana amin’ny fiainana manokana Mila hajaina ny fanajana ny fahamarinan-tena sy ny vo­ni­nahitra ary ny fahamendrehan’ny kandidà sy ny mpifidy; ny fahamarinan’ny fiainan’ny te­na manokana sy ny ny zavatra manokana momba ny kandidà. Tsy fidiran’ny mpanao fa­mpielezan-kevitra amin’ny fiainana manokana izany; ny tsy fihantsiana amin’ny fankahalana sy ny fanavakavahana; farany, ny fitandroana ny filaminam-bahoaka.R. Nd.L’article Fifidianana loholona: namoaka ny didy 10 amin’ ny fampielezan-kevitra ny Ceni a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany: manampy amin’ny angovo sy ny fotodrafitsara ny Saodianina
20/11/2020

Noraisin’ny Praiminisistra Ntsay Christian, teny Mahazoarivo, omaly,   ny delegasiona avy any Arabie Saodita. Nitarika izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny miandraikitra  an’i Afrika, i Ahmad Bin Abdulaziz Kattan. Voaresaka ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta.Nodinihina tamin’izany fa haorina tsy ho ela eto amintsika ny foiben-toerana masoivohon’ity firenena ity ho fanamafisana ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’ny roa tonta. Nanamarika ny minisitra saodianina fa efa ela ny fiaraha-miasa teo amin’ny Malagasy sy ny Saodianina. Nisandrahaka amin’ny sehatra maro izany. Eo ny fifanakalozana ara-barotra, ny tetikasa samihafa momba ny angovo sy ny fotodrafitrasa ary ny fanamboaran-dalana. Manampy ireo ny fanampiana mitentina 370 tapitrisa dolara eo amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.Ady amin’ny covid-19Ny famatsiam-bola 500 000 dolara ho an’ny ady tamin’ny covid-19.Nambaran’ny minisitra Ahmad Bin Abdulaziz Kattan koa ny toerana misy an’i Arabie Saoudite sy ny fifandraisany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra aty amin’ny faritr’i Afrika. Nohazavainy ny ezaka ataon’ny fireneny mba tsy hisian’ny fitotongananan’ny vidin’ny solika maneran-tany.Nankasitraka izany sady nampita ny fiarahabana ho an’ny mpanjaka Saodianina ny praiminisitra, ary naneho ny fahavononan’ny fitondram-panjakana hisokatra mandrakariva amin’ny lalana hahafahana mampivelatra sy manatsara ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta.Synèse R.L’article Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany: manampy amin’ny angovo sy ny fotodrafitsara ny Saodianina a été récupéré chez Newsmada.

Tokony hotohizana ny fanaovam-baksiny: mitombo ny ankizy matin’ny kitrotro maneran-tany
19/11/2020

  Niakatra ny isan’ny ankizy maty noho aretina kitrotro maneran-tany teo anelanelan’ny taona 2016 sy ny 2019, araka ny tatitry ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS). Nitombo 50% izany ary nahatratra 207 500 ny taona 2019 izay isa ambony indrindra tao anatin’ny 23 taona farany. 869 770 ny trangana kitrotro voatily, araka ny fanadihadian’ny Ivontoerana fanaraha-maso sy fisorohana ny valanaretina (CDC). “Voakasika avokoa ny faritra rehetra ary tokony hisy ny fanentanana goavana ho an’ny firenena rehetra hampirisika ny vahoaka ao aminy hanao vaksiny ny ankizy iarovana azy ireo”, hoy ny tale jeneralin’ny OMS, ny dokotera Tedros Adhanom Ghebreyesus. Antony voalohany nitarika ny fiakaran’ny isa ny tsy fahavitan’ny vaksiny fatra roa ara-potoana ho an’ny ankizy rehetra.“Teto amintsika sy tany Congo ary tany Nigeria no nahitana ny 90% -n’ny trangana kitrotro”, hoy ny fanambarana avy amin’ny OMS. Ny taona 2018, nisy 16 000 ny zaza malagasy voan’ny kitrotro. Nanao vaksiny faobe iarovana ny ankizy ny fanjakana niaraka amin’ny Unicef sy ny mpiray ombon’antoka ka zaza 5,3 tapitrisa (9 volana -14 taona) no vita vaksiny. Tsapa fa nihena ny isan’ny ankizy nahatontosa vaksiny mahazatra nandritra ny fisian’ny hamehana ara-pahasalamana noho ny tahotra valanaretina Coronavirus.Vonjy A.    L’article Tokony hotohizana ny fanaovam-baksiny: mitombo ny ankizy matin’ny kitrotro maneran-tany a été récupéré chez Newsmada.

Kidnapping karana: afaka  noho ny fisalasalana ireo voampanga
25/11/2020

Nafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana tamin’ny vesatra niampangana azy, ireo andian-jiolahy voasaringotra tao anatin’ny raharaha fakana an-kerinysy ny fitazoamana basy tsy ara-dalana, ny taona 2018. Naharitra ora maro ny fihainoana ireo voampanga efa-dahy . Tsy tonga nanatrika izany kosa ny telo lahy tamin’izy fito ireo. Meloka anefa izy ireo noho ny vono sy fandratrana an-tsitrapo nataony. Vokany, voasazy an-tranomaizina telo volana avokoa izy ireo ary mbola namoahan’ny fitsarana didy fampisamborana ihany koa.Re nandritra ny fotoam-pitsarana ny raharaha fa voasazy an-tranomaizina herintaona teny Tsiafahy Ragodogodona, noho ny fampiasana ny karatra maha mpanao gazety. Efa voaefa anefa ilay sazy, hoy hatrany ny didy nivoaka. « Nolavin’ny fitsarana ihany koa ny fangatahana onitra nataon’ny CFOIM na ny vondron’ny frantsay teratany indianina eto Madagasikara », hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray.Henintsoa HaniL’article Kidnapping karana: afaka  noho ny fisalasalana ireo voampanga a été récupéré chez Newsmada.

Commune rurale de Fiaferana : Les lauréats au baccalauréat, BEPC et CEPE récompensés
21/11/2020

Le maire de la commune rurale de Fiaferana dans le district d’Antananarivo, Andrianaho Ratovelomanana a récompensé les lauréats au BEPC, au CEPE et au baccalauréat de sa commune. Pour cela, ces enfants ont reçu des attestations, des médailles, et une enveloppe. Outre les trois lauréats, le maire a aussi tenu à féliciter 14 nouveaux bacheliers en leur remettant des médailles. Par ailleurs, la commune comptait également quatre écoles qui ont obtenu un résultat de 100% à l’examen du CEPE, ce qui a particulièrement ravi le maire de la commune qui a d’ailleurs financé le repas des enfants durant le dernier examen du CEPE. Il a par ailleurs promis de suivre de près la scolarité de ces enfants en cherchant des moyens pour les aider. Anja RANDRIAMAHEFA L’article Commune rurale de Fiaferana : Les lauréats au baccalauréat, BEPC et CEPE récompensés est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Commune rurale de Fiaferana : Les lauréats au baccalauréat, BEPC et CEPE récompensés a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Dren Bongolava: vondrona miady amin’ny herisetra
18/11/2020

Manoloana ny herisetra sy ny fanolanana miseholany tato ho ato, nanapa-kevitra ny Dren Bongolava hanangana ny « club de lutte contre la violence » na ny vondrona miady amin’ny herisetra.Hatsangana eny anivon’ny sekoly tsirairay izany vondrona izany ka handrafitra azy ny solontenan’ny mpampianatra, ny mpianatra, ny ray aman-dreny sy ny solontena avy ao amin’ny Oolisim-pirenena.Vokatry ny dinika nifanaovan’ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka sy ny kaomisera tao Tsiroanomandidy izany, ho fametrahana paikady iombonana hiadiana amin’ny fanolanana sy ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy.Maro ireo paikady hapetraka amin’izany, toy ny ady atao amin’ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fiparitahan’ny horonantsary mamoafady. Hisy ny fidinana ifotony hanaovana fanentanana ireo mpianatra tsy hidoroka sy hirona amin’izany fa kosa hanana fahasahiana raha misy tranga hita na mihatra.Entina hiarovana indrindra ireo tanora mpianatra tsy hidonana-poana ny vondrona natsangana. Hiarovana azy ireo amin’ny herisetra sy ny fanararaotana ary ny fanangolena amin’ny endriny samihafa ihany koa.Tatiana A L’article Dren Bongolava: vondrona miady amin’ny herisetra a été récupéré chez Newsmada.

Appel à manifestation d’intérêt (UGP CASEF / 2013A)
21/11/2020

Cliquer sur le lien ci-dessous pour télécharger le document. AMI_N°_32-20_CASEF-_Expert_Foncier_Mhj (1) L’article Appel à manifestation d’intérêt (UGP CASEF / 2013A) est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Appel à manifestation d’intérêt (UGP CASEF / 2013A) a été récupéré chez Midi Madagasikara.

CNAPS: Mpikambana 12.000 no afaka misitraka ny trano fonenana eny amin’ny Lake Village Ivato
19/11/2020

Fanamorana ny fahazoana trano fonenana. Tontosa ny 19 novambra 2O2O teny amin’ny « salon de l’habitat » teny amin’ny Forello Tanjombato ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny CNAPS, ny BNI ary ny ANALOGH. Tafiditra ao anatin’ny paikady entin’ny CNAPS hahazoan’ny mpikambana ao aminy trano fonenana ity fiarahamiasana ity sady ho fanatanterahana ny politakan’ny fahazoana trano fonenana. “Laharam-pamehana ho anay ny fisitrahana ny zo hahazo trano. Anjara birikinay ny hahazoan’ny mpikambana trano. Ny banky manome famatsiam-bola amin’ny tahan’ny zana-bola ambanimbany ary Analogh manao asa fanamboarana”, hoy ny tale jeneralin’ny CNAPS, Rakotondraibe Mamy. Nambarany fa mpikambana miisa 12.000 ao amin’ny CNAPS no afaka misitraka ny  trano fonenana an-jatony, eny Lake Village eny Ivato raha sitrak’izy ireo. “Ny CNAPS no manome antoka ny banky fa afaka misitraka izany izy ireo”, hoy izy. Araka ny fanazavany dia 350.000 ny mpikambana ao amin’ny CNAPS afaka omena trano fa samy manana ny vola tokony aloany amin’ny banky. Nanamafy ny Tale jeneralin’ny Analogh  fa manohana ny fandaharan’asa ao anatin’ny vinan’ny Prezidan’ny Repoblika, laharana faha-11 dia fanamorana ny fahazoana trano fonenana mendrika ho an’ny Malagasy ity fiarahamiasa ity. Lynda A. Cet article CNAPS: Mpikambana 12.000 no afaka misitraka ny trano fonenana eny amin’ny Lake Village Ivato est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article CNAPS: Mpikambana 12.000 no afaka misitraka ny trano fonenana eny amin’ny Lake Village Ivato a été récupéré chez Délire Madagascar.

FIKAMBANANA FCRA: Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiofanana arak’asa
20/11/2020

Ho fanampiana ny olona sahirana. Foto-drafitr’asa avo lenta miisa telo no notokanana teny amin’ny CRA (Centre Rassoul Akram) Antaniavo Antohomadinika ny 20 novambra 2020. Anisan’izany ny trano lehibe ho an’ny ivon-toeram-pampiofanana arak’asa INFOPRO, ny Amphithéatre d’Al Haj Abdoul Momin ary ny efitram-pikarohana Al haj Roshan Jamil. “Natsangana izao foto-drafitr’asa izao ho fanampiana ny olona sahirana sy ho fiarahamiasa amin’ny fitondram-panjakana amin’ny fametrahana ivon-toeram-pampiofanana arak’asa. Anjara birikinay amin’ny fampianarana izao ary hiezaka hanaparitaka ny fahalalana ho fanampiana ny tanora izahay”, hoy ny Filoha Tale jeneralin’ny CRA, Cheikh Haniphe Akbaraly. Nambarany fa mbola hisy ny fanamboarana ny ivon-toeram-pampiofanana eny Tanjombato, Andakana. Manana vina ihany koa ny fikambanana FCRA (Fifanampiana Centre Rassoul Akram) fa hananganana oniversite avo lenta momba ny informatika eny Ambohidratrimo. Sampam-piofanana Raha ho an’ny ivon-toeram-pampiofanana INFOPRO dia natao ho an’ny rehetra, tsy ny silamo ihany fa ho an’ny antokom-pivavahana rehetra, tsy ankanavaka ara-pivelomana. Mirary dia mirary ny saram-piofanana ary misy karazany maro ny sampam-piofanana toy ny zaitra, ny  “mécanique”, ny “informatique”, ny fianarana teny vahiny  (teny frantsay  sy anglisy).  Sivy volana ny faharetan’ny fiofanana ary isaky mifarana ny telovolana dia tsy maintsy manao fanadinana ny mpiofana ahafahana miditra amin’ny dingana manaraka. Ho an’ny taona 2018 dia mpiofana 52 no nahavita fiofanana tao amin’ity ivon-toeram-pampiofanana ity. Nitombo avo roa heny izany ny taona 2019, lasa 110 ireo nahazo diplaoma. Ankoatra ny lafiny fampianarana dia manao asa sosialy, mandray anjara amin’ny fambolen-kazo ihany koa ny FCRA. Nirina R. Cet article FIKAMBANANA FCRA: Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiofanana arak’asa est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article FIKAMBANANA FCRA: Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiofanana arak’asa a été récupéré chez Délire Madagascar.

Nécrologie du 18 novembre 2020
18/11/2020

Cliquez pour agrandir L’article Nécrologie du 18 novembre 2020 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Nécrologie du 18 novembre 2020 a été récupéré chez Midi Madagasikara.