Tafakatra 214 ireo matin’ny valanaretina: iray lavon’ny covid-19, enina ny tranga vaovao eto Analamanga

News - Tafakatra 214 ireo matin’ny valanaretina: iray lavon’ny covid-19, enina ny tranga vaovao eto Analamanga

News - Tafakatra 214 ireo matin’ny valanaretina: iray lavon’ny covid-19, enina ny tranga vaovao eto Analamanga

Midina hatrany. Miisa 34 ireo
tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina covid-19, omaly tamin’ny
fitiliana miisa 552 natao, araka ny tatitry ny CCO. Avy eto
Analamanga ny enina amin’izany raha 11 ny any Alaotra Mangoro. Valo
kosa ny any Diana raha telo ny any Sava.

Mbola niverenany indray ny
any Itasy

Niverenany indray kosa ny any
Itasy, ahitana tranga roa raha efa tsy nisy narary intsony tany
an-toerana fa sitrana avokoa. Roa tahaka izany ny any Vatovavy
Fitovinany raha iray avy ny any Matsiatra Ambony ary telo ny any
Sofia.

Etsy an-daniny, iray lavon’ny
covid-19 ka avy any Amparafaravola izany.

Olona faharoa maty tany
Amparafaravola

Olona faharoa matin’ny valanaretina
tato anatin’ny herinandro, tany amin’ity distrika any Alaotra
Mangoro ity izy io. Tafakatra 214 izany izao ireo nodimandry noho
ny coronavirus eto amintsika, hatramin’ny 19 marsa no ho
mankaty.

Na izany aza, miisa 41 ireo sitrana
ka anisan’ny maro tamin’izany ny tany Menabe, miisa 12 sy ireo 10
tany Alaotra Mangoro. Tafakatra 14 452 izany izao ireo
nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana tamin’ireo mitondra ny
tsimokaretina, miisa 15 803. Nidina ary nihena ho 1 135
kosa ireo mbola tsaboina sy arahi-maso ny toe-pahasalamany. Miisa
29 kosa ireo marary anaty fahasarotana “forme grave”, amin’izao
fotoana izao.

Synèse R.

Article tiré de Newsmada

L’article Tafakatra 214 ireo matin’ny valanaretina: iray lavon’ny covid-19, enina ny tranga vaovao eto Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Coronavirus: nisotro ilay tambavy i Nicolas Dupuis

Tsy diso anjara fa anisan’ireo olona nisotro ilay tambavy “covid organics”, ihany koa i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar. Ny alarobia lasa teo izy no nisotro ny anjarany. Nambarany fa miaro ny tenany amin’ny valanaretina coronavirus ny tenany ka izany ny antony hisotroany ilay tambavy vitan’ny Imra. Nampirisika ireo mpilalao sy ny Malagasy ihany koa i Nicolas Dupuis, hisotro izany tambavy izany.Ankoatra izay, mbola nanentana ny rehetra ihany koa ny tenany hanaja ireo fepetra rehetra navoakan’ny fitondram-panjakana, hiadiana ny tsy hiparitahan’ity valanaretina ity. Anisan’ireny, ny tokony hijanonana ao an-trano, ny fanasana tanana matetika ary ny tsy maintsy hitondrana arovava, rehefa mivoaka ny trano ary tokony hanaja hatrany elanelana 1 metatra. Nankahery ny rehetra ny tenany mba hanao fanatanjahantena rehefa mijanona ao an-trano fa anisan’ny fiadiana mahomby amin’ity valanaretina coronavirus ity izany.Tompondaka L’article Coronavirus: nisotro ilay tambavy i Nicolas Dupuis a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

FJKM Tranovato Ambatonakanga: notokanana ny akany tsangambaton’ny faha-140 taona

«Tena mendrika ny voninahitr’Andriamanitra ity tsangambato ity». Izay ny nambaran’ny mpitandrina iray anisan’ireo nasaina. Vita ary tena nanaraka ny fenitra amin’ny fanaovan-trano tokoa ny akany tsangambaton’ny faha-140 taon’ny fiangonana Tranovato Ambatonakanga. Trano lehibe misy rihina roa, ahitana efitra maro (efitrano malalaka fanaovana fivoriana na atrikasa, fiofanana…, trano fidiovana manara-penitra, efitra fandraisam-bahiny miaraka amin’ny fanaka sy ny kojakoja samihafa mifandraika amin’izany,…). Ny alahady 4 aogositra 2019 teo ny nitokanana amin’ny fombam-piangonana ity akany ity. Alahady izay nifanojo indrindra tamin’ny fankalazana ny “Alahadin’ny taranaka”. Vory marobe, araka izany, ny mpianakavin’ny finoana, nahitana ireo kristianina maro sy zanaka am-pielezana ary ireo vahiny nasaina manokana.Niarahana amin’ny foibe FJKM sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny synodam-paritany Iarivo Avaradrano ny fotoana rehetra. Nitarika ny fanompoam-pivavahana Rabetokotany Miarilaza A, mpitandrika, prezidà synodaly SPIA. Nitondra ny tenin’Andriamanitra Rakotonindrainy Jaona, mpitandrina sady tonian’ny departemantan’ny fiangonana, foibe FJKM, niara-niasa  Razafiniarivo Fidison Maxim, mpitandrina FJKM Tranovato Ambatonakanga… “Ary ity vato izay naoriko ho tsangambato ity ho tranon’Andriamanitra… Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona” (Gen 28, 22a /II Kor 6, 16b). Ireo tenin’ny Soratra masina ireo no nanompanana ny fotoana. “Tsangambato natao holovain’ny taranaka mifandimby ity akany ity…”, hoy ny filohan’ny komitin’ny tsangambato, Atoa Rakotomavo Hugues.M.R. L’article FJKM Tranovato Ambatonakanga: notokanana ny akany tsangambaton’ny faha-140 taona a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fivadihana fiara :: Mpianatra iray namoy ny ainy, enina ambin’ny folo naratra

Niharam-boina tany amin’ny lalam-pirenena fahasivy tany Toliara ny andiana mpianatra avy amin’ny oniversiten’i Toliara, afak’omaly hariva. Nivadika ny fiara nitondra azy ireo. Tovovavy mpianatra iray, roa amby roapolo taona no namoy ny ainy. Mpianatra enina ambin’ny folo kosa no naratra niaraka amin’ny mpamily. Ity farany izay tsy maintsy hatao famotorana tamin’io loza io. Avy nitsangantsangana ireto andiana mpianatra sady mpikambana ao amina fikambanana iray any Toliara ireto. Nandeha tamin’ny lalam-pirenena fahasivy izy ireo no tra-doza teo amin’ny telo ambin’ny folo kilaometatra tsy hahatongavana ao an-tampon-tanànan’i Toliara. «Mamo ny mpamily. Nentiny nandeha mafy ny fiara ka nivadika tany an-tsisin-dalana. Ambenana mafy eny amin’ny hopitaly ilay mpamily maratra, eo am-piandrasana ny fotoana hahafahany mivoaka hatao famotorana», hoy ny zandary any Toliara. Namoy ny ainy teny amin’ny hopitaly ilay tovovavy, roa amby roapolo taona. Mbola manaraka fitsaboana kosa ireo naratra.   L’article Fivadihana fiara :: Mpianatra iray namoy ny ainy, enina ambin’ny folo naratra est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Nilaharana ny fizaran-dranon’ny Jirama: telo andro tsy nisy rano 67 ha, Ambodin’Isotry

Sahirana sady nimenomenona avokoa ny mponina teny amin’ny fokontny 67 ha sy Ambodin’Isotry noho ny fahatapahan’ny famatsian-dranon’ny Jirama. Nanakorontana ny fiainan’ny isan-tokantrano ny tranga. Tapaka efa ho telo andro ny rano eny amin’ny fokontany maromaro : Ambodin’Isotry sy 67ha noho ny fahavakisan’ny fantson-dranon’ny Jirama (rond-point nankany amin’ny lalana Bekiraro) voahitsaky ny kamiaobe mpanamboatra lalana, ny zoma lasa teo.Vokany, tapaka tanteraka ny fahazoan’ny mponina teny an-toerana rano. Nandeha ny bizina fivarotan-drano avy amin’ny fokontany manodidina : Antohomadinika sy Ampasika taterina amin’ny sarety entina amin’ny « bidons » mavo.2 000 Ar ny iray bidon vao tapaka ny rano fa tafiakatra hatramin’ny 8.000 Ar rehefa nahita ny mpivaro-drano fa tsy mbola niverina ny famatsiana. Voatery nitsitsy ny tahiry tao an-trano ny mponina ka ny rano avy hanasana tanana sy lovia sy vilany tsy ariana avy hatrany fa kafirina atao anaty koveta hanondrahana  ny toeram-pivoahana. Ny scooters lasa fitaovana fantsakana satria azo hitaomana rano mahazaka bidon roa, hoy ny raim-pianakaviana iray monina eny Ambodin’Isotry.Omaly tolakandro, efa manatanteraka fitsinjarana rano amin’ny camion citerne ho an’ireo toerana tsy mahazo rano ny ekipan’ny Jirama. Niainga eo amin’ny Toby “Sapeurs pompiers” Tsaralalana ireo fiara be ary nandalo tamin’ny toerana maro: 67 ha avaratra, andrefana,atsimo. Tonga hatreny amin’ny fokontany  3G Hangar, Ambodin’Isotry, Andohatapenaka. Nifanome tanana amin’ny Jirama amin’ny fitsinjarana ny ministeran’ny Rano, minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny BNGRC, ary ny sapeurs-pompiers.Vonjy A. L’article Nilaharana ny fizaran-dranon’ny Jirama: telo andro tsy nisy rano 67 ha, Ambodin’Isotry a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Antamboho: tratran’ny polisy ny jiolahy iray nanolana ankizy 11 taona

Niaiky ny heloka vitany ilay jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanolanana ankizikely vao 11 taona monja tao amin’ny toerana atao hoe Antamboho, fokontany Antoby, kaominina ambanivohitr’i Betsinjaka Toliara II, ny alakamisy lasa teo tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Araka ny fanadihadiana nataon’ny polisy, nisy ankizikely telo vavy niaraka ka nifanena tamin’ilay nahavanon-doza teo an-tanàna ihany. Nirahin’ilay jiolahy nanakalo vola ireo ankizivavy roa fa ny iray kosa niara-nijanona taminy. Rehefa nijanona niaraka taminy anefa ilay niharam-boina dia nentiny naka toerana mangingina ka nalavony tamin’ny tany ary natsofony tany amin’ny fivavian’ilay ankizikely ny tanany. Nalefany nandeha ilay ankizy taorian’izay. Nitantara ny zava-nanjo azy tamin’ny ray aman-dreniny izy ka niantso polisy sy nampandre ny fokonolona ny tranga nahazo an-janany ireo ray aman-dreniny. Nosamborina avy hatrany ilay jiolahy taorian’izay. Tsikaritra fa tena maivana loatra ny sazy homena ireny olona mahavita heloka mamoafady amin’ny ankizy tsy ampy taona ireny. Tokony homena ny sazy faran’izay henjana (gadra mandra-pahatiny) ny olona manao fihetsika feno habibiana toy izao sady anatra ho an’ireo tsy mety fay.Jean ClaudeL’article Antamboho: tratran’ny polisy ny jiolahy iray nanolana ankizy 11 taona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

« Coupe de Mada Enfant »: 402 ireo katitakely handray anjara

Hanomboka, anio ary haharitra roa andro, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja karate, natokana ho an’ny ankizy valo taona hatramin’ny 13 taona. Fifaninanana hatao ao amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Efa vita, omaly, ny fisarihana ka 52 ny klioba manana solontena ary 402 kosa ny mpikatroka hifanandrina mandritra ity ady ity, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasy ny taranja karate, Andrianaivomanana Solofonirina Barijaona. Nahitana fiakarana be io taham-pahavitrihan’ny mpandray anjara io raha oharina ny tamin’ny taon-dasa, izay tsy mbola fahita firy eto Madagasikara, raha resahina ny taranja karate, araka ny fanazavan’ny tale teknika nasionaly, Randrianjohary Jean Roger. Hangotraka, araka izany, ny fifandonana satria maro ny mpandray anjara.Amin’ny maha fifaninanana ho an’ny ankizy azy, hifaninana amin’ity fiadiana ny amboara an’i Madagasikara ity ny ankizy manana sokajin-danja latsaky ny 25 kg hatramin’ny 45 kg. Marihina fa ny sokajy kata sy kumite, ho an’olon-tokana, ny ho hita mandritra ireo roa andro ireo, raha ny fanazavana hatrany. Ho an’ny klioban’ny Akka, isan’ny hiakatra ny tatami i Christian Fiderana (Akka Avaradrano) sy i Jennina (Akka Jamal).Araka ny fandaharam-potoana, anio asabotsy tontolo andro ny hanaovana ny lalao fifanintsanana, aorian’ny fanatanterahana ny filanjana sy ny fanamarinana ny fahazoan-dalana hilalao ho an’ny mpikatroka tsirairay. Ny alahady kosa no hanatanterahana ny ady famaranana sy ny hanolorana ny amboara sy ny medaly ho an’ireo mendrika. Mi.RazL’article « Coupe de Mada Enfant »: 402 ireo katitakely handray anjara a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rugby vehivavy – «Africa women’s cup»: nomontsanin’i Kenya ny Makis de Madagascar

Ratsy fanomboka ny Makis de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovina olona 15, sokajy vehivavy na ny “Africa women’s cup 2019”. Fihaonana notanterahina, tany amin’ny kianja Johannesbourg, nanomboka omaly zoma. Avy hatrany mantsy, nomontsanin’i Kenya, tamin’ny isa mavesatra, 35 no ho 5, ny Malagasy, tamin’io.Nanokatra ny isa voalohany anefa ny Makis, tamin’ny alalan’ny baolina nentin-tanana, teo amin’ny minitra faha-15, saingy tsy voatsara izany ka nijanona ho isa 5 ihany. Nifandanja tanteraka ny fihaonana avy eo ary nahavita nanohitra ry Sophie sy ry Tiana ary i Tantely. Nanomboka nampiasa ny halehiben’ny vatany tamin’izay ny Kenyanina, sady nihazakazaka ihany koa. Nahatonga baolina nentin-tanana ihany koa izy ireo, teo amin’ny minitra faha-18, saingy tsy voatsara izany ka sahala, 5 no ho 5, ny isa.Tsy nijanona teo izany fa nisesy ny fanafihan’izy ireo ka vetivety foana, nahatsindry baolina roa indray ny Kenyanina izay samy tsy nisy voatsara ka 15 no ho 5 ny nentin’ny roa tonta niala sasatra.Notsindrin’ny Kenyanina tanteraka ny Makis, teo amin’ny tapa-potoana faharoa, ka zara raha nahatafavoaka baolina. Nanao totoafo ny fanafihan-dry zareo ka nisesy ny baolina voatsindry, izay tsy nifarana raha tsy 35. I Afrika Atsimo, nanintsana an’i Ogandà, tamin’ny isa mavesatra, 89 no ho 5, no hidona amin’ny Makis, ny talata 13 aogositra ho avy izao. TompondakaL’article Rugby vehivavy – «Africa women’s cup»: nomontsanin’i Kenya ny Makis de Madagascar a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

PDS, Razafimanana Jean Christin: “Hametraka ny fanovana isika…”

“Hapetraka amin’ny toerany maha Renivohitra ara-toekarena azy ny kaominina Toamasina. Efa manomboka ny asa ka anisan’ny voalohany amin’izany ny  fanomezana karama tsy tapaka ny mpiasa ary  efa mampihatra karama farany ambany, 200  000 Ar,  nambaran’ny  filoham-pirenena ny kaominina izao.  Efa tsy misy fako mivangongo intsony eny rehetra eny.  Vita tototra arin-tany ireo faritra iva hisorohana ny fiangonan-drano eny rehetra eny“, hoy ny PDS mitantana  ny ao Toamasina,  Razafimanana Jean Christin, nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly. Nanteriny fa hanatratra ny veliranon’ny filoham-pirenena  Rajoelina ny antony nanendrena azy ho filohan’ny delegasiona manokana.  Nohamafisiny fa tsy maintsy hiezaka hanala ny gaboraraka nataon’ny teo aloha ny ekipa  amin’ izao fotoana izao. “Hametraka fanovana eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana ny nifidianana ny filoham-pirenena ka hanatrarana ny veliranony eto Toamasina… », hoy ihany  izy.Nambarany koa fa hatao tsena filamatra, taorian’ny fahamaizan’ny etsy amin’ny Bazary kely ary ho rakofana takamoa ny andrin-jiro rehetra eto an-drenivohitr’i Toamasina.SajoL’article PDS, Razafimanana Jean Christin: “Hametraka ny fanovana isika…” a été récupéré chez Newsmada.

News - Triatra

Fanirisoa Ernaivo : Hanohana ny kandidà Marc Ravalomanana

Mihazakazaka ny fotoana. Fantatra fa manomboka ny 4 desambra izao, ary haharitra 15 andro ny fampielezan-kevitry ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana Filoham-pirenena. Hifanandrina amin’izany « 2è Tour » izany ny kandidà laharana faha-25, Marc Ravalomanana, sy ny kandidà laharana faha-13, Andry Rajoelina. Araka izany, mihazakazaka ihany koa ny fanohanana ny kandidà laharana faha-25 amin’izao fotoana izao. Anisan’ny nanambara ôfisialy izany fanohanana an’i Marc Ravalomanana, na Dada izany i Fanirisoa Ernaivo, izay anisan’ireo kandidà mpifaninana tamin’ny fihodinana voalohany. Mitovy ny tadin-dokanga, satria samy manana ny programa amin’ny fametrahana ny tany tan-dalàna ny roa tonta. Tafiditra indrindra amin’ny programan’asan’i Dada amin’ny alalan’ny sori-dalana, na ilay antsoina hoe “Manifesto” izany fametrahana ny tany tan-dalàna izany. Eo ihany koa ny fametrahana ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana, ny fampivoarana ny toe-karem-pirenena, ny tontolo ambanivohitra, ary ny fametrahana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana tena izy sy ny maro hafa tsy ho voatanisa. Noho izany indrindra, noho ny fitoviam-pijery no nanosika an’i Fanirisoa Ernaivo hanohana ny kandidà Marc Ravalomanana amin’ity fihodinana faharoa amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ity. Marihina fa raha ny mahakasika an’i Fanirisoa Ernaivo manokana, olon’ny lalàna ny tenany, ary mitana ny andraikitry ny mpitsara. Efa nitana ny filohan’ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara rahateo. Anisan’ny tena nahafantarana azy ny fahasahiany miteny mivantana tsy ampihambahamabana ary manapotsitra ny tsy mety amin’ny fomba fitantanan’ireo olom-panjakana ambony, sns. Ankoatra izay, nanambara i Fanirisoa Ernaivo fa hanangana ny Komity fisokafana izy sy ireo mpiara-dia aminy. Izany hoe, ity komity hatsangan-dramatoa Fanirisoa Ernaivo ity no handrindra ny fanohanana ny kandidà Marc Ravalomanana ankoatra ny antoko Tiako i Madagasikara (Tim) sy ny Komity manohana, na ny KMMR. MN Manohana azy ny antoko GJMD Manohana tsy misy fepetra an’i Marc Ravalomanana ny antoko GJMD, na ny “groupe des jeunes malagasy pour la démocratie”, araka ny nambaran’ ny filoha nasionaliny, sady mpitondra tenin’ny fanorolahy Rambeloson’Mino, fantatry ny rehetra amin’ ny hoe Zama. Ny GJMD izay antoko nitsangana efa ho folo taona lasa izay, ary mipariaka manerana ny distrika 71 amin’ ireo faritra 15. An’aliny ireo mpikambana anatin’ny antoko GJM, izay mifandray akaiky sy miara-mihosina amin’ ireo tantsaha manerana ny nosy. Tetikasa maro no hiarahan’izy ireo amin’ ny tantsaha, indrindra amin’ny fanatsarana ny vokatra. Taorian’ ny fanonganana an’i Ravalomanana Marc ny taona 2009, dia nahatsapa ireo tantsaha niaraka tamin’ny GJMD hoy Rambeloson’Mino, fa nitontongana sy ratsy ny lafin’ny famokarana rehefa tsy teo intsony i Marc Ravalomanana. Nanomboka teo dia tsy nisy niahy ny tantsaha hoy i Rambeloson’Mino na dia nisy aza ny fanjakana, ratsy tanteraka ny vokatra noho ny tsy fisian’ ny fanampiana tahaka ny fanomezana masomboly, fanafody hamonoana ny bibikely. Nitontongana hatrany amin’ ny 30 ka hatramin’ ny 40 %, ny vokatra tamin’izany hoy i Rambeloson’Mino. Narofy ny famokarana nanomboka teo, ary ireo tantsaha aza dia sahirana satria kely ny vola miditra ka tsy nahafana nanatsara intsony ny fambolena izay fiariany. Manginy fotsiny hoy ny filohan’ ny GJMD ny faharatsian’ ny lalana hamoahana ny vokatra, izay mbola vola hafa miala amin’ ireo tantsaha. Eo amin’ ny lafin’ny tsy fandriam-pahalemana dia any an-tsaha izao no matory ireo tantsaha, noho ny fisian’ ny fanafihan-dahalo. Manoloana ireo olana sedrain’ ny tantsaha ireo, dia nambaran’ ny filohan’ny GJMD Rambeloson’Mino, fa i Marc Ravalomanana ihany sisa no azon’izy ireo antenaina hamaha ny olana noho izy tantsaha mitovy amin’ izy ireo. Isan’ny efa nataon’ i Marc Ravalomanana mantsy hoy ny GJMD ny fananganana ny PSDR, izay tetikasa fanohanana ny fampandrosoana eny ambanivohitra, izay nanampy betsaka ireo tantsaha. Toraka izany ihany koa ny fampifaninanana ny tantsaha amin’ ny fandrindrana sy ny fampiasana ny famokarana manaraka ny fivoaran’ ny toetr’andro, izany rehetra izany izay nahazoana tombontsoa avokoa tamin’izany fotoana hoy hatrany ny GJMD. Voarakitra anatin’ny tetik’asan’ i Marc Ravalomanana ny fanatsarana ny sehatry ny fambolena, indrindra ny fampiroboroboana ny tantsaha. Noho izany dia izy no vahaolana hoy Rambeloson’Mino, indrindra ny lafin’ny fanamboaran-dalana, izay hantenaina hampakatra ny vokatra vokarin’ ireo tantsaha manerana an’i Madagasikara. Nilaza mazava ny GJMD fa tsy mihosina amin’ i Marc Ravalomanana izy ireo, fa kosa ny tombontsoan’ ny firenena no jerena, satria ny firenena mandroso dia manondrona ny ambim-bava, ary ampy tsara ny sakafo ao aminy. Vonona noho izany ny GJMD hoy Rambeloson’Mino, hanohana tsy misy fepetra an’i Marc Ravalomanana noho ireo antony maro ireo. Manantena ny mpifidy rehetra noho izany ny GJMD hijery ny kara-pifidianany eny amin’ ny fokontany, indrindra ireo izay tsy nifidy tamin’ ny faha-7 ny volana novambra teo hampandaniana an’i Marc Ravalomanana. Iratra Raitra L’article Fanirisoa Ernaivo : Hanohana ny kandidà Marc Ravalomanana est apparu en premier sur .L’article Fanirisoa Ernaivo : Hanohana ny kandidà Marc Ravalomanana a été récupéré chez Triatra.

News - News Mada

Fikarohana – “Microcebus jonahi”: Karazam-barika kely vaovao

Saika isan-taona, ahitana karazam-barika na gidro vaovao eto Madagasikara vokatry ny fikarohana hitan’ireo ma­nampahaizana haivarika. Lo­hany amin’ny fikarohana ny profesora Ratsimbazafy Jonah ao amin’ny Gerp* miaraka amin’ny mpikaroka vahiny hafa. Ity volana jolay 2020 ity no nahafantarana fa misy varika kely vaovao hita sy fantatra vokatry ny fikarohana nandritra 10 taona mahery eo amin’ ireo mpikaroka haivarika iraisam-pirenena. Ao amin’ny valan-javaboahary Mananara Avaratra ny ahitana azy, “Mi­crocebus jonahi” (Microcebe de Jonah). Tafakatra 25 izao ny karazana Microcebe misy eto Madagasikara. Azo antoka fa mbola misy harena voajanahary miafina tsy fantatra, anatin’ny ala izay efa 10% sisa tavela izay ahitana karazana gidro 112. Vaovao tsara mampiray ny mpikaroka iraisam-pirenena ity varika kely vao hita ity. 14 izy ireo, avy amina firenena samihafa (i Etazonia, i Ale­mai­na, i Frantsa, i Portugal, ary i Madagasikara) nanoratra ny voka-pikarohana Vahaolana iray ny fahazoan’ny rehetra mampiasa angovo mora vidy, hampihena na hampitsahatra ny fahapotehan’ny ala. Antony iray mahasarika ny mpizahatany hitsidika an’i Madagasikara ny hijery varika amina faritra natoraly fonenany. Fanoitra iray lehibe ho an’ny toekarena eto ny fikajiana ny tontolo iainana.R.MathieuGerp* : Groupe d’étude et de recherche sur les primates de MadagascarFa maninona no hoe Microcebus jonahi ? Pr Ratsimbazafy Jonah, mpikaroka malagasy fantatr’izao tontolo izao amin’ny asa fikarohana sy ny fiarovana ny varika. Izy no mitantana ny Gerp eto Madagasikara. Noho izany asa vitany izany, niray feo ireo mpikaroka iraisam-pirenena nisafidy ny anaran’io varika kely io hitondra ny anarany. Izy rahateo ny avy aty Afrika voafidy voalohany ho filohan’ny International Primatological Society, mandritra ny efatra taona, raha toa ka ny Amerikanina sy ny Japoney hatrany ny nitarika izany teo aloha.L’article Fikarohana – “Microcebus jonahi”: Karazam-barika kely vaovao a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina

Martin R. – Paibato: “Nopoizinin’ny vahiny ny asa tanana”
24/09/2020

Sokitra, paibato, paikafo, hosodoko… Mbola tena vitsy dia vitsy ny mivelona amin’ny fantanterahana asa tanana tahaka ireny, raha eto Madagasikara. Antony iray mahatonga izany ny tsy fananan’ny Malagasy ilay kolontsaina manome lanja azy io. “Matetika izahay mahare hoe: “io ve dia vidiako amin’izany?”, hoy i Martin R. mpanao paibato, eny Andriambato Antananarivo Atsimondrano. Nambarany fa “ny fanabeazana mihitsy no niteraka io tranga io. Tadidiko tsara, tsy nahay kajy aho tany amin’ny kilasy faha-5. Hoy ilay mpampianatra anay: “alefa manao teknika ianao raha izao no mitohy” ”.Raha ny fanazavan’ity raim-pianakaviana ity hatrany: “toa midika avy hatrany fa ny olona tsy afaka loatra any amin’ny fianarana no alefa manao teknika. Tsy ilana fampiasana saina ve izany ny teknika”? Nanao randra-mitarika io toe-tsaina io ka raha vao asa tanana, tahaka ny zava-maivana eo anoloan’ny Malagasy, raha ny fanazavany.Vokatr’io poizina nalentiky ny vahiny ao an-tsain’ny Malagasy io, ilay maha zavakanto ilay vokatra mihitsy no takona ka tsy tazan’ny Malagasy, raha ny nambarany hatrany. “Tena sarotra ny mampitaha na mampifandanja ny aingam-panahy sy ny vola. Saingy, ny an’ny Malagasy, raha vao asa tanana, tsy tokony hosandaina be loatra”, hoy i Martin Paibato.Tolo-kevitra natolony ny hisian’ny fanabeazana ny fiarahamonina hanome lanja sy hasina ny asa tanana. “Aza hadinoina fa avy amin’Andriamanitra ny talenta. Izy io anefa no milina lehibe ahavitana ny asa tanana. Raha tsy omena ny hasina sahaza azy ny talenta, mitovy amin’ny tsy manome lanja Ilay namorona sy nanome azy izany”!Nanangona: HaRy RazafindrakotoL’article Martin R. – Paibato: “Nopoizinin’ny vahiny ny asa tanana” a été récupéré chez Newsmada.

Misy mamboly korontana hanonganam-panjakana
23/09/2020

Misy mandrehitra afo ho tonga hatrany amin’ny fanonganam-panjakana. Voalazan’ny loharanom-baovao fa anisan’ny ao ambadik’ireny fandorana oniversite na tranon’ny mpianatra ireny ny mpanolotsaina iray avy amin’ny filoha teo aloha. Anisan’ny efa niseho izany tany Manakara, tany Toliara ary ny teto Antananarivo tato ho ato. Efa tafiditra ao anatin’ny paikady maloto ketrehin’izy ireo koa ny handorana ny oniversiten’i Toamasina.Mpanolotsaina efa nigadra tamin’ny taon-dasaHita taratra tamin’ny fanadihadiana savaranonando efa natao fa miainga avy amin’ny trano tsy misy olona ny afo. Tsy misy fifampikasohana herinaratra “court- circuit” sady tsy misy afo mirehitra.Efa mandray an-tanana ny raharaha amin’izao fotoana izao ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena ka voatonontonona ao ambadik’izany ny mpanolotsaina iray avy amin’ny filoham-pirenena iray teo aloha. Efa nigadra tamin’ny taona 2019 izy io nefa izao mbola manohy ny tetikady maloto izao ihany.Fampiasana akora hafa mihitsy…Tonga hatrany amin’ny fiketrehena sy ny fikononkononana fanonganam-panjakana ny raharaha, niainga tamin’ny fivorian’izy ireo.Manampy ireo ny fampiasan’ireo mpandoro fitaovana na akora “produits hautement inflammables » satria tsy vitan’ny miitatra ny afo miainga amin’ny toerana iray fa miara-mipoaka avokoa ny “bloc Amicale II” iray eny Ankatso.RandriaL’article Misy mamboly korontana hanonganam-panjakana a été récupéré chez Newsmada.

Craam – Madagaslam: hiverina ny hetsika slam eny amin’ny Oniversite
25/09/2020

Manomboka miverina tsikelikely ny hetsika ara-javakanto na mbola eo aza ny hamehana ara-pahasalamana mihatra eto Madagasikara. Hotanterahina etsy amin’ny Craam oniversiten’Antananarivo ny hetsika  «  Slam à l’U »,   handraisan’ny rehetra anjara. Hetsika anisan’ny fiaraha-miasan’ny fikambanana Madagaslam  sy ny Craam ity atao, anio, 25 septambra 2020, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ity. Seho ara-kolontsaina efa fanao teo aloha, saingy noho ny hamehana dia nisy fiatoana izany ka izao manomboka miverina izao indray.   Araka ny nambaran’ny mpikarakara dia tsy maintsy arahin’ny rehetra ny fitsipika ara-pahasalamana «  geste barrières » ho an’ny mpanatrika mba hisorohana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara.NarilalaL’article Craam – Madagaslam: hiverina ny hetsika slam eny amin’ny Oniversite a été récupéré chez Newsmada.

Doro trano niniana natao? Jeneraly misotro ronono sy ny vadiny maty tao anaty haintrano
25/09/2020

Tao amin’ny efitrano iray ambany rihana no nahitana ny fatin’ilay jeneraly, nihohoka sady nihosin-dra . Tahaka izany koa no nahitana an-dramatoa vadiny, tao an-dakozia. Ahina ho  doro trano niniana natao no nahatonga ny fahamaizan’ny tranon’izy ireo, ao Antaniavo, afakomaly alina…Nitrangana haintrano tao amina tranona jeneraly iray efa misotro ronono monina ao Antaniavo Antsirabe, afakomaly alina tamin’ny 11 ora. Tonga teny an-toerana ny polisy avy ao amin’ny UIR nijery ny zava-misy sy nanavotra ilay jeneraly. Hita faty tao an’efitrano iray tao ambany rihana ilay jeneraly raha tany an-dakozia no nahitana ny fatin’ny vadiny, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny fitaleavam-paritry ny polisim-pirenena (DSRP) Vakinankaratra. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny firehetana fa ny afo nijoalajoala nahazo ny trano iray manontolo no nahataitra ny olona teo amin’ny manodidina ary tapitra kila hotohoton’ny afo tsy nisy noraisina intsony ny trano manontolo. Ny loharanom-baovao hafa kosa anefa milaza fa izy mivady miaraka amin’ny tovolahy mpanampiny iray no mipetraka ao amin’ity trano ity. Nambaran’ilay mpanampiny fa any ambony rihan’ny trano izy no matory amin’ny alina ka naheno fipoahana mafy tao an-trano izy tamin’io fotoana io ary niaraka tamin’izay, nirehitra ny trano. Nijoalajoala ny afo ka ireo fokonolona teo an-toerana no nifanome tanana tamin’ny famonoana ny mialoha ny nahatongavan’ny kamiaoben’ny orinasa Smatep namono ny afo. Nisedra olana rahateo ny kamiaoben’ny mpamonjy voina ao Antsirabe ka tsy afa-nanao ny asam-pamonjena tamin’ity voina ity.Fanafihan-jiolahy narahina vonoan’olona…Efa tamin’ny 1 ora sy 25 mn vao voafehy ny afo, raha ny fanazavan’ny polisy. Nandritra ny fitsirihana nataon’ny polisy no nahitana fa hita faty nihidy tao an’efitrano fatoriany tao ambany rihana ilay jeneraly, nihohoka teo akaikin’ny farafara sady nihosin-dra. Ramatoa vadiny kosa hita faty nihosin-dra tao an-dakozia, tsy misy fitafiana intsony ny tapany ambany.Miteraka resabe ao Antsirabe hatrany anaty tambajotran-tserasera ny fahitana ity haintrano nahafatesana jeneraly mivady ity. Manahy ny rehetra fa fanafihan-jiolahy narahina vonoan’olona tsotra izao ity raharaha ity. Manaporofo izany rahateo ny nahitana ny vadin’ilay jeneraly mitanjaka ny tapany ambany. Hita tao an-dakozia ihany anefa ny akanjony. Rehefa vita kosa ny asa ratsin’ireo jiolahy vao mety nodoran-dry zalahy ny trano mba tsy hahafantarana ny marina rehetra. Ny valin’ny fanadihadiana ataon’ny polisy anefa no ahafantarana ny marina rehetra momba ity raharaha ity. Efa lasan’ny fianakaviany kosa ny fatin’izy mivady niharam-boina tao amin’ity trano ity.Jean ClaudeL’article Doro trano niniana natao? Jeneraly misotro ronono sy ny vadiny maty tao anaty haintrano a été récupéré chez Newsmada.

Kitra: miaiky ny fisian’ny disadisa eo aminy sy ny FMF i Dupuis
24/09/2020

Izay vao tena fantatra fa misy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar. Ankoatra izay, tsy manantena vokatra loatra amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ny tenany.Novakin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar, ampahibemaso tao amin’ny tambanjotran-tserasera fa misy ny tsy fifankahazoana eo aminy sy ny mpikambana sasany ao amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Notsindriny mihitsy fa olona telo ihany amin’ireo folo mandrafitra ny mpikambana eo anivon’ny komity mpantanteraka no tena tsy mitovy fomba fijery aminy, amin’izany.Raha tsiahivina, tsy vao izao akory no nisy ity tsy fifankahazoana eo amin’i Nicolas Dupuis ity sy ny federasiona malagasin’ny baolina kitra fa efa hatry ny ela. Anisan’ny nampifanolana azy voalohany ny resaka vola azon’ny Barea, tamin’ny “Can 2019”. Teo ihany koa ny resaka fanamiana hanaovan’ny ekipam-pirenena Malagasy. Ary ny farany teo, ny lalao firahalahiana, hanomanana ny fihaonana amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Can 2022”. Misisika mafy ny hanaovana fihaonana firahalahiana amin’ny Swift Hesperange, ekipa D1 any Luxembourg, mantsy ingahy mpanazatra raha tsy manaiky izany kosa ireo mpikambana sasany ao amin’ny federasiona.Vokany, nilefitra ihany i Nicolas Dupuis ka nanaiky fa ny Etalons-n’i Borkina Faso no hihaonana amin’izay fanomanantena izay. Tsy nijanona teo ny olana fa vao mainka nampisy disadisa indray ny famoahana ny lisitr’ireo mpilalao mandrafitra ny Barea. Ny tale teknika nasionaly sy ireo mpikambana eo anivon’ny FMF mantsy no nampahafantatra izany tamin’ny mpanao gazety fa tsy i Nicolas Dupuis. Ankoatra izay, tsy manantena fandresena amin’ny Elefantan’i Cote d’Ivoire i Nicolas Dupuis fa miantehitra amin’ny lalao hikatrohana amin’i Etiopia ny hamaritana ny ho lalan’ny Barea.Mikasika ny lalao firahalahiana, eo am-panaovana fangatahana amin’i Maraoka ny federasiona ankehitriny amin’ny hamindrana ny fihaonana eo amin’ny Barea sy ny Etalons. Efa nofoanana ilay any Portugal noho ny fiakaran’ny tahan’ny valanaretina Covid-19. TompondakaL’article Kitra: miaiky ny fisian’ny disadisa eo aminy sy ny FMF i Dupuis a été récupéré chez Newsmada.

Entim-paharazana sy entim-pahazarana       
22/09/2020

         Sarotra ny miala amin’ny mahazatra? Toetra nanahary faharoa ny fahazarana. Fialana sy fanamarinan-tena ataon’ny tsy te hiova na hanova zavatra mandrakariva ireo fomba fiteny ireo. Tsy eto amintsika ihany, fa saika maneran-tany. Raha vao manao fanovana ny fitondram-panjakana, ohatra, saika misy hatrany ny mitsikera avy hatrany, manatsatso, mamendrofendro; eny, manohitra aza.Toetra maha olombelona ny fifikirana amin’izay mahazatra zary fomba amam-panao? Mandeha ho azy, tsy manahirana… Efa raiki-tampisaka sarotra ovaina tsinona, ary misy aza ny mitompo teny fantatra sy miziriziry fa tsy azo ovaina. Hafahafa ny tena raha tsy manao sy manohy azy. Eo ny mahatonga ny fitenenana hoe efa entim-paharazana aza amin’izay entim-pahazarana fotsiny amin’ny ataony.Manao ahoana anefa izao tontolo izao raha nifikitra hatrany amin’izay hoe nentim-paharazana sy nentim-pahazarana izay hatramin’izay? Saika nitondra faisana hatrany izay nilaza hevi-baovao sy nitondra zava-baovao: haratsiana, esoina, enjehina… Saingy rehefa manao sy manohy ny ataony izy ireny, tsy ilaozan’izay mandinika, manaraka, manandrana, resy lahatra, maka tahaka… Lalan-javatra izay?Manomboka eo amin’ny tena ny fiovana raha te hanova? Tsy moramora sy tsy vetivety izany, fa mila fijoroana, fahasahiana, firosoana, faharetana… Inona no iresahana izany amin’izao? Mampandini-tena. Tena te handroso tokoa ve isika? Mila miova sy manova. Manomboka eo amin’ny tena io amin’ny fisaina, fiaina, fiasa… Izany miaraka no mahatonga sy mahahaingana ary mampivaingana ny fandrosoana.Na izany aza, tsy moramora tokoa ny hoe manova sy ny miova amin’izao. Mila fanazavana izay (h)atao, fandresen-dahatra, fijerena lavitra… Eny, mety ho miandalana aza, saingy tsy maintsy atomboka hialana amin’ny hoe nentim-paharazana sy nentim-pahazarana. “Tsy misy zavatra ratsy ao anatin’ny fanovana, raha mandeha amin’ny lalana tsara”, hoy ny filohan’i Etazonia teo aloha izay, i Winston Churchill.Rafaly Nd. L’article Entim-paharazana sy entim-pahazarana        a été récupéré chez Newsmada.

Fanafody fandrindram-piterahana: 20%  ny vehivavy tsy afaka nisitraka izany
26/09/2020

   Nidina ho 32% ny tahan’ny fampiasana ny fanafody fandrindram-piterahana teo amin’ny vehivavy raha efa tafakatra 39% izany. Tsy tratra ny tanjona 50% ho an’ity taona 2020 ity noho ny valanaretina Coronavirus.                     Nisy fiantraikany tamin’ny fahazoan’ny vehivavy nanohy ny fanabeazany aizana ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 maneran-tany sy teto amintsika manokana. Natahotra ny hivezivezy teny amin’ny tobim-pahasalamana na koa tsy afaka nivoaka noho ny fepetra ara-pahasalamana izy ireo. Nihena 20% ny andriambavilanitra nahazo tolotra ara-pananahana ary nitombo ny vohoka tsy niriana ho an’ny salan-taona 15 -19 taona, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Marie Stopes Madagascar, Razafinirinasoa Lalaina, omaly nandritra ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fandrindram-piterahana. Anisan’ny fanafody be mpisafidy ny « implanon » asisika eo amin’ny sandry ka nandritra ny volana jolay sy aogositra. Niato ny fahatongavan’ny tahiry satria nikatona ny seranam-piaramanidina. 20 000 isam-bolana teo ho eo ny tsy afaka nisitraka izany, efa niverina ny famatsiana ankehitriny. Laharam-pahamehana ho an’ny MSI, manomboka izao, ny fampiroboroboana ny fandrindram-piterahana sy fisorohana ny vohoka tsy niriana eo amin’ny zatovovavy. Efa niakatra ho 22% ny tahan’ny tanora mampiasa fanafody fandrindram-piterahana amin’ny vehivavy tokony hahazo ny tolotra, amin’izao fotoana izao. Nanampy betsaka ny MSI ny fahalanian’ny lalàna vaovao manome alalana ny tanora hahazo vaovao sy tolotra momba ny fandrindram-piterahana, ny taona 2019.12 taona mitondra vohoka voalohany Amin’ny tanàn-dehibe, mahazo vaovao sy ny torohevitra momba ny fiarovana amin’ny vohoka aloha loatra sy tsy iriana ny zatovovavy, any ambanivohitra sarotra ny fampitana ny fanentanana ary 12 taona ny fotoana voalohany hirosoan’ny ankizy amin’ny firaisana ara-nofo. Izay no nahatonga ny fanamarihana atao any amin’ny faritra AtsimoAtsinanana, distrikan’i Farafangana.Nanao antso ho an’ny fanjakana ny MSI tsy hanadino ny fanenkena efa nataony hanao laharam-pahamehana ny fandrindrana ny fiterahana mba hirindra ny fiakaran’ny harinkarena sy ny isan’ny zaza teraka.Vonjy A.L’article Fanafody fandrindram-piterahana: 20%  ny vehivavy tsy afaka nisitraka izany a été récupéré chez Newsmada.

Kitra Eoropeanina: nibata amboara efatra be izao ny Bayern de Munich
26/09/2020

Nahazo amboara efatra. Tontosa ny alakamisy lasa teo, tao amin’ny kianja Puskas Arena Budapest, ao Hongrie ny fiadiana ny “Super coupe de l’UEFA”, taranja baolina kitra. Fihaonana nikatrohan’ny Bayern de Munich, tompondakan’i Eoropa sy ny FC Séville, tompon’ny amboara. Lasan’ny ekipan-dRainiboto ny amboara rehefa nandresy an-dry zareo Espaniola, tamin’ny isa tery 2 no ho 1. Efa tany amin’ny fanalavam-potoana vao tafavoaka ho mpandresy ny Bayern de Munich, tamin’ity. Ry zareo Seville no nanokatra ny isa, tamin’ny alalan’ny “penalty” matin’i Lucas Ocampos, teo amin’ny minitra faha-13. Nosahalain’i Leon Goretzka, kosa izany teo amin’ny minitra faha-34. Nifandimbiasana avy eo ny fanafihana, saingy tsy nisy ny baolina tafiditra, hatreo amin’ny fiafaran’ny fe-potoana ara-dalàna.Fandresena faha-26 nanomboka ny volana desambraVoatery niditra tamin’ny fanalavam-potoana ny roa tonta. Tany amin’ny minitra faha-104 no nahatafiditra ny baolina nitondra ny fandresena ho azy ireo i Javi Martinez.Fanindroany no nandrombahan’ny Bayern de Munich ny amboaran’ny “super coupe de l’UEFA”. Fandresena faha-26 azon’izy ireo kosa ity vitany ity, nanomboka ny volana desambra 2019 no ho mankaty. Tsy mbola tojo faharesena mihitsy izany ny Bayern de Munich, hatreto raha iray monja ny ady sahala, tao anatin’izany.Tsiahivina fa  efa nahazo ny tompondaka sy ny fiadiana ny amboara any Allemagne izy ireo. Nibata ny ny “UEFA Champions League” farany teo ary izao nahazo ny  “UEFA Super coupe” izao. Andrasana koa ny 30 septambra izao ny “super coupe” any Allemagne, hifandonany amin’i Dortmund. Ho avy koa ny “coupe du monde  des clubs » amin’ny desambra izao, andraisan-dry Neuer anjara.TompondakaL’article Kitra Eoropeanina: nibata amboara efatra be izao ny Bayern de Munich a été récupéré chez Newsmada.

KOMITY MPANATANTERAKY NY FMF : Manohana ny soso-kevitr’i Nicolas Dupuis
26/09/2020

Football club Swift Hesperange izay 1 ère division ao Luxembourg no hanao lalaom-pirahalahiana amin’ny Barea ho fanomanana ny dingan’ny fifanintsanana CAN 2021. Ho fanomanana ny ekipam-pirenena Malagasy dia nandroso soso-kevitra tamin’ny komity mpanatanteraky ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra (FMF) i Nicolas Dupuis. Tao anatin’izany ny fanatanterahana lalao ara-pirahalahiana tany Portugal saingy tsy tanteraka izany noho ny fepetra ara-pahasalamana iadiana amin’ny Covid-19 tao amin’io firenena io. Ho fiarovana hatrany ny fahasalaman’ny Barean’i Madagasikara dia nangataka ihany koa ny mpanazatra ny ekipa mba ho ao amin’ny manodidina an’i Frantsa ihany izy ireo no hanao ny fanazaran-tena ho fiomanana amin’ny fifanintsanana ho an’ny CAN 2021. Manohana ny hevitra natolony  ireo komity mpanatanteraka miisa fito ao amin’ny FMF araka ny fanambarana nataon’izy ireo ny 25 septambra 2020 tetsy Antanimena.  “Araka ny fandaminan’ny CAF dia tompon’ny fanapahan-kevitra  ambony ny komity mpanatanteraka. Manohana ny soso-kevitr’i Nicolas Dupuis izahay”, hoy ny solontenan’ny komity, Andriamanampisoa Alfred. Noho izany, hanao “fizaran’asa” ao Luxembourg sy hanao lalaom-pirahalahiana  amin’ny  Football club Swift Hesperange 1 ère division ao Luxembourg ny Barea ny volana oktobra 2020. “Mety ny alin’ny 11 oktobra na andron’ny 12 oktobra 2020 no hanatanterahana izany. Ny federasiona no handray an-tanana ny fikarakarana na ara-taratasy izany”, hoy hatrany i Andriamanampisoa Alfred. Nohamafisin’i Nicolas Dupuis fa ao anatin’ny fitandroana fepetra ara-pahasalamana no hanaovana ity fanazaran’asa ity. Nambarany ihany koa ho fampivondronana ny ekipa, ho fandraisana ireo mpilalao vaovao, ho fanomanana ny mpilalao hiasa hiaraka ny lalao atao any Luxembourg. Marihina fa ny 9 ka hatramin’ny 17 novambra 2020 ny lalao mandroso sy miverina hifandonan’ny ekipam-pirenena Malagasy sy ny Côte d’Ivoire ho an’ny fifanintsanana CAN 2021. Nirina R. Cet article KOMITY MPANATANTERAKY NY FMF : Manohana ny soso-kevitr’i Nicolas Dupuis est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article KOMITY MPANATANTERAKY NY FMF : Manohana ny soso-kevitr’i Nicolas Dupuis a été récupéré chez Délire Madagascar.

Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: “Ilaina ny fahasahiana ka tsy hihemotra isika…”
22/09/2020

Hentitra ary nahitsy ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. “Efa nivoaka tamin’ny fomba ofisialy izao ny Fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana (CMH), anisan’ny tetikasa lehibe nataontsika ho an’Antananarivo… Mila fahasahiana ny zavatra toy izao ary tsy hihemotra isika satria efa nandrasan’ny mponina amintsika izany”, hoy izy, tamin’ny fananganan-tsaina niarahana amin’ny mpiasan’ny CUA, tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna, omaly.Nanteriny fa ahafahana mitondra fanovana eto an-dRenivohitra, amin’ny fifanajana, ny fanabeazana, ny maha olona, ny fahadiovana, ny filaminana sy ireo maro samihafa izany.Niaiky ny tenany fa mbola tsy tena azon’ny mponina ny tena votoatin’ny CMH sy ireo zavatra ao anatiny. Mila fotoana ny fampahafantarana ireo fitsipika maro ireomba hipaka tsara any amin’ny tsirairay sy hampiova ny fomba fisainantsika, araka ny nambarany.Mpanao politika manimbazimba ny ezaka fitaizana…Etsy an-daniny, naneho ny alahelony amin’ireo mpanao politika sasany ny ben’ny Tanàna. Nohitsiny fa manararaotra manakiana sy manimbazimba ny ezaka atao ho fitaizana sy fampianarana ny olom-pirenena mba ho mendrika. “Mila miroso hatrany isika manohy ny ezaka, mahafa-po ny vahoaka maro anisa sy mahasoa ny tanànantsika, ka hilamina sy hirindra tsara ny fiainana andavan’andro”, hoy ihany izy.Efa tsy mahagaga ny fanakianana anaty tambajotra sosialyAnkoatra izany, notsindriny fa mbola maro ireo tsy mahalala sy mampifangaro ny hetra sy ny atao hoe lamandy. “Tsara ho fantantsika fa tsy ny lamandy velively ny natao hampiakatra ny vola miditra ato amin’ny kaominina. Fa natao izany mba ho fanabeazana ny tsirairay. Ny fanakianana eny amin’ny tambajotra sosialy ireny efa tsy mahagaga. Zava-dehibe ny fanohanan’ny ankamaroan’ny  mponina  sy mankasitraka ny ezaka ataontsika”, hoy ihany Andriantsitohaina Naina.Matoky ireo mpiasan’ny CUA rehetra ny ben’ny Tanàna amin’ny fandraisana ny andraikitra tandrify azy.Synèse R. L’article Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: “Ilaina ny fahasahiana ka tsy hihemotra isika…” a été récupéré chez Newsmada.

Savorovoro teny Ambohimangakely :: Nanapoahana baomba ny fanaparitahana mpivarotra amoron-dalana
21/09/2020

Niteraka korontana ny fanesorana an’ireo mpivarotra amoron-dalana, teny amin’ny kaominina Ambohimangakely, afak’ omaly. Voatery niditra an-tsehatra nanampy ny Polisy kaominaly ireo Polisim-pirenena misahana ny distrikan’Avaradrano. Nipoaka ny baomba mandatsa-dranomaso tamin’ny fandravana an’ireo andiana mpivarotra nanakana ny lalam-pirenena faharoa tamin’ny alalan’ny fandorana kodiarana. Nahitana marimaritra iraisana ihany anefa ity toe-javatra ity, taorian’izay ary soa fa tsy dia naninona ny vehivavy iray nitondra vohoka izay torana noho ny baomba mandatsa-dranomaso. Nanomboka tamin’ny 7 ora maraina ny hetsika nanesorana an’ireo mpivarotra amorondalana teny Ambohimangakely, tamin’ny sabotsy. Nasain’ny mpitandro filaminana hiditra tao anatin’ny tsena nomen’ny kaominina ireo mpivarotra. Ny fandraofana ny entam-barotra no tena nampitroatra an’iretsy farany. Nilamina ny toe-draharaha rehefa nisy ny fihaonana teo amin’ny Ben’ny tanàna, Radafy Thierry sy ny solontenan’ireo mpivarotra, tamin’ny sabotsy hariva. Mitazona ny fepetra tsy fahafahana mivarotra amoron-dalana ny kaominina satria tsy mihemotra amin’ny ezaka fanadiovana sy fampandrosoana ary fampanarahan-dalàna ny tanàna ry zareo mpitantana. Nanaiky ny hiditra ao anatin’ny tsena vaovao ihany ireo mpivarotra, saingy tsy hampadoa haban-tsena azy ireo hatramin’ny faran’ny volana oktobra ny kaominina mba hitsinjovana an’ireo fianakaviana amin’izao fidiran’ny mpianatra izao. L’article Savorovoro teny Ambohimangakely :: Nanapoahana baomba ny fanaparitahana mpivarotra amoron-dalana est apparu en premier sur AoRaha.

Fanabeazana katolika :: Mifandimby mankany an-tsekoly ireo mpianatra isan-dakilasy
23/09/2020

Manomboka mamerina ny mpianatra an-tsekoly tsikelikely ireo sekoly katolika, amin’izao fotoana izao. Notanterahina, omaly, ohatra, ny fidiran’ireo mpianatra teny amin’ny sekoly Ny Sekolintsika Analamahitsy. Tsy niaraka niditra daholo anefa ireo mpianatra fa nampifandimbiasina isaky ny kilasy izy ireo. Arakaraka ny fivoaran’ny valanaretina eto amin’ny firenena no fandaminana vaovao hampiharina, hoy ireo tompon’andraikitra. Ny taona fahafito (5ème), fahavalo (4ème) ary fahasivy (3ème) no nisantatra ny taompianarana, omaly. Tsy miverina mianatra kosa, ny tolakandro. Ny taona fahafolo (première) sy ny famaranana indray no mianatra, anio, saingy tsy miverina ihany koa, ny tolakandro. Manomboka amin’ny alatsinainy 28 septambra ny garabola hatramin’ny taona fahadimy, ny tapany maraina, ary tolakandro ireo amin’ny kilasy hafa. Toy izany hatrany ny fandaharam-potoana napetraky ny sekoly. Misy fandaminana vaovao ho an’ny ambiny, amin’ny 12 oktobra 2020. Tsy maintsy manao aron-tava ny mpianatra rehetra sy ny mpanabe ary ny ray aman-dreny. Andraikitry ny talen-tsekoly Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Fitaleavana nasionalin’ny fanabeazana katolika (Dinec), Mompera Ranaivoson Jules fa « hapetraka amin’ireo talen-tsekoly ny fandaminana ny fampidirana ny mpianatra eny anivon’ny sekoly tsirairay. Izy ireo ihany no mahita ny isan’ny mpianatra anaty efitrano iray, hoy izy, mba hahafahana manaja ireo fepetra ara-pahasalamana ». Manafatrafatra ny zanany kosa ireo ray amandreny mba hitandrina any an-tsekoly, tahaka ny tsy fanesorana ny aron-tava, ny fanasana ny tanana amin’ny tsiranoka mamono tsimok’aretina foana (ampitondraina ny ankizy), ary ny fitondrana safako ody am-bavafo. « Matahotra mihitsy saingy tsy maintsy alefa ny ankizy. Tokony mba hozaraina efitrano roa ny mpianatra satria efa ho 60 ny isan’ny ao amin’ny kilasy. Roa isaky ny latabatra mantsy izao ry zareo. Rehefa mivory ny ray aman-dreny dia mba handroso an’izany soso-kevitra izany izahay », hoy ny renim-pianakaviana iray mampiana-janaka etsy Analamahitsy. L’article Fanabeazana katolika :: Mifandimby mankany an-tsekoly ireo mpianatra isan-dakilasy est apparu en premier sur AoRaha.